Indray mijery

News - Indray mijery

News - Indray mijery

Mitohy ny fanampiana avy amin’ireo
malala-tanana hiadiana amin’ny valanaretina Covid-19 eto
amintsika. Nanolotra fitaovana maromaro ho an’ny
prefektoran’Ambatondrazaka ny orinasa japoney, Daiho. Nahitana
arovava miisa 3 000 sy “gel désinfectant” maromaro karazana ary
savony ireo fanampiana voaray.

Nidina tany an-tampon-tanànan’Ambilobe ny minisitry ny
Rano sy ny ekipany namaha ny olana momba ny rano.
Paompin-drano 64 tsy nandeha teo aloha no efa mahazo rano sy afaka
mamatsy rano madio ho an’ireo olona ao an-tanàna ankehitriny.
Apetraka tsara ny fitantanana ny fotodrafitrasana momba ny rano,
iarahana amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana hampaharitra ny
fananana iombonana.

Article tiré de Newsmada

L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana

Mifanome fotoana, ao amin’ny Studio Rary ao amin’ny Tahala Rarihasina etsy Analakely, indray ireo matihanina amin’ny soradihy sy ireo rehetra mankafy sy liana amin’izany, androany. Ity ny fotoam-panokafana ny « Labdihy » andiany fahavalo, hetsika novolavolain’i Ariry Andriamoratsiresy ary tontosaina isaky ny roa taona.Miavaka amin’ireo hetsika mahakasika ny dihy ankehitriny ny « Labdihy », izay sehatra iray hanomezan’ny tsirairay, ireo matihanina amin’ny soradihy, ny aingam-panahiny sy ny talentany ary ny teknikany, ahafahana mamoaka zava-baovao. « Labdihy » na laboratoara ho an’ny dihy, fotoana natao hanaovana fikarohana.Miompana amin’ny hoe “Ny fetra sy ny faritra eo amin’ny seha-javakanto samihafa” ny lohahevitra amin’ity andiany fahavalo ity. Ankoatra ny tanora mpanao soradihy eto an-toerana, maromaro ireo vahiny namaly ny antso, toy ny avy any Maorisy, Mozambika ary Rodrigues.Aorian’ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina, hitohy eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina etsy Mahamasina sy ao amin’ny IFM etsy Analakely ny fifanakalozana sy fikarohana hataon’ireo mpanao soradihy, hatramin’ny 24 aogositra izao.Landy R. L’article « Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary

Notanterahina, ny alatsinainy lasa teo tao amin’ny Toby Kly Jean Philippe ao Mahajanga, ny fivoriana niarahana tamin’ireo “commandants d’unité” ao anatin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Boeny, notarihin’ny Kly kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria ao Mahajanga. Ity fivoriana ity izay nandinihana sy nijerena paikady hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao hametrahana fandriampahalemana maharitra ao Boeny sy hiadiana amin’ny kolikoly. Nilaza ireo teo anivon’ny kaomadin’ny tobim-paritra fa vonona hanatsara ny fomba hiarovana ny vahoaka ny fananany.J.CL’article Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahamaizan’ny biraon’ny ONE : maro ny antontan-taratasy may, avotra ny “serveur informatique”

Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany alina ny fahamaizan’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE). Ho an’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny harena lovainjafy (Medd), Rahari­nirina Vahinala Baomiavotse, mahagaga ihany ny nahamay ity birao ity amin’ny andro alina, sady tsy ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra isika izao, fotoana tsy tokony hisian’ny fikorontanan’ny he­rinaratra (cour circuit). Fanta­tra, omaly, fa nametraka fitoriana amin’olon-tsy fantatra (palinte contre X) ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Nam­baran-dRtoa minisitra, omaly, fa “manaja ny asan’ny mpanao fanadihadiana ny minisitera, mpitory”. Nambarany koa fa vakoka ho an’ny fanjakana sy i Mada­gasikara ity trano ity, anisan’ny tranainy indrindra amin’ny tranom-panjakana. Noho izany, tsy maintsy jerena ny fomba hanarenana azy. Mandra-pa­havita izany, hodinihina ny ha­metrahana vonjimaika ny bi­raon’ny ONE any amin’ny minisitera MEDD, mety ho eny Nanisana na Ampandria­nomby. Etsy an-kilany anefa, nilaza koa ny minisitra Raha­rinirina Vahinala, fa misy ny sehatra tsy miankina nanolo-tanana ny hamindrana vonjimaika ny biraon’ny ONE.Avotra ny “serveurs” informatikaAndraikitry ny ONE ny manao ny fanadihadiana ny fiantraikan’ny asan’ny orinasa amin’ny tontolo iainana (EIE). Izy koa no manome ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ho an’ny orinasa na tetikasa. Notsorin-dRtoa minisitra fa marobe tokoa ny antontan-taratasy may. Soa fa avotra ny firaiketana ara-informatika (serveurs), ahafahana manana antontan-kevitra araka ny informatika fa maro koa anefa no very. Nomarihiny manokana fa tsy marina velively ny sion-dresaka mandeha fa nodorana ny ONE, noho ny raharaha andramena. “Tsy misy ifandraisan’ny ONE ny raharaha andramena”, hoy izy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fahamaizan’ny biraon’ny ONE : maro ny antontan-taratasy may, avotra ny “serveur informatique” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fitakiana ireo nosy kely « Iles eparses » :: Hovitaina mialoha ny 26 jona 2020 ny fifanarahana amin’i Frantsa

Nasiana tsindrim-peo manokana ny fitakiana ny famerenana amin’i Madagasikara an’ireo nosy kely miisa dimy manodidina an’i Madagasikara na « îles éparses » nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry sy ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron, tany Frantsa, ny alarobia tolakandro lasa teo. Nandritra ny tafatafa natrehan’ireo mpanao gazety tany an-toeran no nanambaran-dRajoelina Andry fa: « amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy manontolo sy amin’ny anarany manokana no hangatahany an’io famerenana an’ireo nosy kely malagasy amin’ny fitondram- panjakana malagasy io ». « Vahaolana miaraka no tadiavina ka hatao izay hahavitan’izany mialoha ny fetin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ny taona ho avy izany », hoy kosa ny valin-tenin’ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron. Nandritra ny fitondrana tetezamita sy tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoham-pirenena teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, no efa niresahana matetika an’io fitakiana ny famerenana amin’i Madagasikara ireto nosy kely ireto, nisy mihitsy ny hetsika maro sosona notanterahina tamin’izany fotoana izany.   L’article Fitakiana ireo nosy kely « Iles eparses » :: Hovitaina mialoha ny 26 jona 2020 ny fifanarahana amin’i Frantsa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama  

Nanao hetsika fanakanan-dalana ny mponina eny amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro, omaly, noho ny fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana maharitra. Nanapa-kevitra hamatsy rano ny mponina avy amin’ny fizaran-drano entin’ny kamiaobe ny Jirama.Manao tohivakana ny olana momba ny fahatapahan-drano eto an-dRenivohitra. Tsy ny famatsian-drano isan-tokantrano ihany fa hatramin’ny paompin-drano iraisan’ny vahoaka. Omaly, nitrangana fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana naharitra ka nampihetsika ny mponina ao amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro. Voalazan’ny mponina sy ireo mpianatra fa hatramin’izay, mandeha kely ihany ny paompin-drano amin’ny alina ka manararaotra mantsaka ny olona. Tao anatin’ny herinandro farany, tsy nisy rano na andro na alina ka sahirana ny vahoaka. Izay afaka mampantsaka, any amin’ny 1 km vao mahita vovo hakana rano. Tsy vitsy koa ny misafidy ny rano eny an-tanimbary izay tsy manara-penitra.Nanakana ny lalana ireo mponina nandahatra ny “bidon” mavo ka nampikatso ny fifamoivoizana. Nidina an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha ary niantso ny tomponandraikitra ny Jirama hijery ny olana. Tonga teny an-toerana ny mpiasan’ny Jirama sy ny minisiteran’ny Rano nizaha ifotony ny zava-misy. Mandra-pahita ny vahaolana maharitra, nanapa-kevitra ny hamatsy rano ny mponina amin’ny kamiao lehibe izy ireo.Misy fotodrafitrasa famatsiana ho vitaVahaolana maharitra ny fametrahana fotodrafitrasa famatsian-drano vaovao afaka mamokatra rano 100 m toratelo isan’ora eny Amoronankona. Vinavinaina ho vita afaka volana vitsivitsy ny asa eny an-toerana. Tsy eto an-dRenivohitra ihany fa mikaikaika amin’ny fahatapahan-drano matetika ny toerana avo nefa be mponina. Ny faritra miala ny Renivohitra, efa maro no misafidy ny hanao vovo hialana amin’ny fahatapahan-drano matetika. Mila teknisianina manokana anefa ny fitrandrahana rano any ambanin’ny tany sady tokony hokojaina hikajiana ny kalitaon’ny rano.Vonjy A. L’article Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra

Tafiditra amin’ny andiany fahatelo ilay hetsika lehibe « Konferansa momba ny soratra ». Ho maroloha ny lohahevitra hovelabelarina satria hahatratra 6 ireo handaha-teny amin’izany. Tsy mbola fantatra izy ireo fa antso no ataon’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (mpikarakara ny hetsika). Izay te hitondra velakevitra amin’ity andiany fahatelo ity, tokony handefa ny lohahevitra sy ny lahatsoratra mirakitra ny famelaberaran-kevitra hataony mandritra ny konferansa. Ry zareo mpikarakara no hifantina izany avy eo. Raha ny vina napetraka, ny 16 novambra izao no hanatanterahana ny « Konferansa momba ny teny 2019 » ao amin’ny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia. Fotoana tsara ho fantatra– Farany fandefasana ny famintinana: 17 aogositra 2019– Farany fandefasana ny lahatsoratra feno: 28 septambra.– Famoahana ny anaran’ireo voafantina: 6 oktobra.– Fandefasana ny fanamarihana sy fanitsiana ny lahatsoratra any amin’ireo mpamelabela-kevitra: 10 oktobra.– Daty farany fandefasana ny lahatsoratra voahitsy any amin’ny Koloiko sy hajaiko ny teniko: 14 Oktobra.– Fisoratana anarana hanatrika: 6 oktobra – 4 novambra.– Famoahana ny antsipirian’ny fandaharam-potoana mandritra ny konferansa: 5 Novambra.– Datin’ny konferansa: 16 NovambraHaRy Razafindrakoto L’article Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Harena an-kibon’ny tany: fiverenana ao amin’ny Eiti

 Natao tany Frantsa, ny 18 sy 19 jona teo, ny fivoriambe iraisam-pirenena, mikasika ny Fangaraharana amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy (Eiti). Nitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika, Ravokatra Fidiniavo. Lohahevitra nodinihina ny fangaraharana amin’ny antontanisa sy ny fanorenana fitokisana, niadiana hevitra mikasika ny fahaiza-mitantana amin’ny harena voajanahary.Nilaza ny filohan’ny Eiti, i Frederik Reinfeldt, nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, fa nahafa-po ny fivoaran’i Madagasikara ary antenainy fa ho tratra ny fanatanterahana ireo teboka miisa 15 mila asiam-panitsiana, sady ho tafavoaka amin’ny fankatoavana faharoa, ny volana desambra ho avy izao.Tetibola ho an’ny EitiEtsy ankilany, nilaza ny minisitra Ravokatra Fidiniavo fa nisongadina ny zava-bitan’i Madagasikara, nandritra ny enim-bolana farany, amin’ny lafiny mangarahara, nahatonga ny fanesorana ny fampiatoana antsika, ary namitana ny tatitra ho an’ny taom-piasana 2017-2018.Nambarany koa fa sambany eo amin’ny tantara, araka ny tetibolam-panjakana 2019, no hitondra ny anjara birikiny amin’ny tetibolan’ny Eiti ny fanjakana malagasy.Tsy mitsahatra ny manentana ireo orinasa mpitrandraka hanao tatitra isan-taona, indrindra ny ny fandoavan-ketra sy ny tamberim-bidy, ny fanjakana.Tsiahivina fa nitarika ity fivoriana iraisam-pirenena tany Frantsa ity i Madagasikara, amin’ny maha mpikambana ao anatin’ny tambajotran’ny minisitry ny Tetibola ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana miteny frantsay antsika.Njaka A.L’article Harena an-kibon’ny tany: fiverenana ao amin’ny Eiti a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sekoly fanofanana ho mpitsara sy mpirakidraharaha: nofoanana ny fifaninanana taona 2018-19  

« Rehefa nisy ny fitarainana isan-karazany tonga teo anatrehako, nisy ny tatitra isan-karazany nanambara ny tsy fetezan-javatra maromaro teo anivon’izany fifaninanana izany: nampanao fanadihadiana nitarihin’ny Bureau de coordination du contrôle des juridictions et des l’etablissement pénitentiaires (BCCJEP) ny tenako. »Io ny fanazavan’ny minisitry Fitsarana, i Harimisa Noro Vololona, teny Anosy, omaly, momba ny fifaninanana fidirana amin’ny Sekolim-pirenena fanofanana ho mpitsara sy ho mpirakidraharaha (ENMG).Naka ny Bianco ihany koa izy momba izay mety ho tsy fetezan-javatra tao anatin’izany fifaninanana izany. Maro ny zavatra hita ary voaporofo tao anatin’ny fanadihadiana maromaro. Tao anatin’izany no nanapahan-kevitra hanafoana avy hatrany ny fifaninanana.Mila ialana ny fomba sy ny dingana teo alohaMankaiza raha foanana ny fifaninanana? Hiverina indray ny dingana sy ny fombafomba arahina. Olona sy mpisehatra teo aloha ihany no hanao azy. Inona no dikany? Ahemotra kely fotsiny dia foanana, fa hiverina amin’ny taona ho avy indray: ny omaly ihany no anio, ny anio ihany no ampitso.Nanapahan-kevitra ny fiantsoana manampahaizana manokana, teratany malagasy, miaina sy mikirakira momba ny informatika tany ivelany. Mbola hoentina eo anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra ny amin’izany satria mila fankatoavana, araka ny fanazavany.Tapa-kevitra hisintaka amin’ny dingana efa nisy ny minisiteran’ny Fitsarana, ary hametraka dingana vaovao izay tsy misy tanan’olombelona intsony afa-kikitika ny fampiasana ny informatika amin’izany.Be loatra ny tanan’olombelona mikitika an’ilay zavatra eny anelanelany, nefa lazaina fa ampiasaina ny informatika: tsy mety izay. Ny zavatra ezahina izany: fampiasana ny informatika tena izy. « Hatao izay tsy hisian’ny tanan’olombelona hikitika eny anelanelany », hoy izy ny amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG manaraka eo.R.Nd.L’article Sekoly fanofanana ho mpitsara sy mpirakidraharaha: nofoanana ny fifaninanana taona 2018-19   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filan’ny tsena vahiny: tsy maintsy afangaro ve ny mozika malagasy ?

Talohan’ny nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena no fantatra fa efa nisy mpanakanto malagasy naneho ny sanganasany tany ivelany. Nitombo hatrany izany taorian’ny taona 1960. Raha ny fanjakana no nandray andraikitra be indrindra tamin’ny fandefasana ireny mpanakanto ireny tany ivelany, tamin’izany fotoana izany, taty aoriana, samy niezaka tamin’ny herin’ny tenany ny rehetra.Nahavariana fa ny ankamaroan’ireo mpanakanto malagasy nivahiny tany ivelany (tao anatin’ireo vanim-potoana ireo : ( taona1950 – taona 1980) , saika naneho ny maha Malagasy avokoa ny ankamaroany, indrindra fa teo amin’ny fitazonana ny firafitry ny hira malagasy amin’ny ankapobeny. Tao anatin’ny taona maromaro anefa izay, vitsy sisa ireo mpanakanto malagasy manao fampisehoana ivelan’i Madagasikara no mitazona izany. Toa tsy maintsy afangaro (kely na be) gadon-kira vahiny na fomba fiseho sehatra vahiny, sns, ilay kanto mampiavaka ny hira malagasy.Tsy mahavaky sehatra any ivelany intsony ve ny hira malagasy raha tsy afangaro karazan-kira na gadon-kira, na fomba fitafy na fomba fandihy vahiny ?HaRy RazafindrakotoL’article Filan’ny tsena vahiny: tsy maintsy afangaro ve ny mozika malagasy ? a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Ankaisy – Toliara: tratran’ny polisy ireo jiolahy nangalatra zaza varira
18/09/2020

Hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Ankaisy i Vaoliny (ilay zaza varira nalain’ny jiolahy an-keriny), rehefa napetrak’ireo olon-dratsy tamina trano vondro (falafa) iray eny an-toerana. Vokatry ny fahitan’ny polisy avy ao amin’ny DRSP Toliara tamin’ny alalan’ny fahazoana loharanom-baovao no nahafantarana ireo jiolahy mpividy zaza varira (zaza bobo). Nametraka ny paikady rehetra ahafahana misambotra ireo jiolahy ny polisy ka noraisim-potsiny izy ireo niaraka amin’ny telefaonina finday entin’izy ireo mifandray amin’ireo olona akaiky ilay zaza varira. Araka ny nifanarahan’ny fianakaviana amin’ireo jiolahy, ny talata lasa teo ny fotoana nifanaovana amin’ireo jiolahy ka teo amin’ny Simpa ny toerana hifankahitana eo amin’ireo olon-dratsy sy ilay olona milaza fa mahita mpividy. Nasaina nifampiresaka tao anaty fiara ilay olona milaza fa mahita mpividy sy ireo olon-dratsy ka teo ry zalahy no voasambotry ny polisy. Nandritra ny famotoran’ny polisy ny nahafantarana ny toerana nametrahan’izy ireo an’i Vaoliny. Nambaran’ny polisy fa olona maromaro ny voarohirohy amin’ity raharaha halatra an’i Vaoliny ka isan’izany ireo roa lahy tratran’ny polisy. Marihina fa nalain’ny jiolahy an-keriny ny 17 aogositra ity ankizikely ity tao amin’ny fokontany Beravy, kaominina Belalanda. Mitentina 200 tapitrisa Ar no mody hoe hividianana azy vao nanaiky hanome azy ireo jiolahy. Efa tafaverina any amin’ny fianakaviany ilay zaza varira.CMSL’article Ankaisy – Toliara: tratran’ny polisy ireo jiolahy nangalatra zaza varira a été récupéré chez Newsmada.

Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra
21/09/2020

Hanatanterahana ny tetikasan’ny governemanta malagasy, Asa Avotra Mirindra ny any amin’ny distrikan’i Manandriana. Hisy, araka izany, ny fanamboarana lakandrano mirefy 1.800m hanondrahana ireo tanimbary sy tanimboly amina hektara maro iveloman’ny tantsaha any an-toerana . Mahatratra 6.000 ireo fianakaviana hisitraka ity tetikasa Asa Avotra Mirindra ity, izay avy ao amin’ny kaominina 10 ao amin’ny distrikan’i Manandriana avokoa. Haharitra 2 taona ny tetikasa hipaka eny ifotony.Vatsin’ny banky iraisam-pirenena ara-bola ny tetikasa ary iandraiketan’ny FID ny fanatanterahana sy ny fandrindrana ary ny fisitrahan’ny mponina izany.Nanara-maso ny fanombohana izany asa izany ny minisitry ny Mponina, i Michelle Bavy Angelica.Nitokana ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ihany koa ny tenany. Tamin’izany no nilazana ny hanaovana fanisana ireo fikambanana rehetra manerana ny fokontany sy ny kaomnina ambanivohitra rehetra ao anatin’izany distrika izany.Tatiana AL’article Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra a été récupéré chez Newsmada.

Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea
21/09/2020

Tsy mbola milamina ny ao amin’ny kianja Barikadimy, amin’izao iray volana mahery handraisana ny lalao miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izao. Niteraka gidragidra ny fanesorana ireo trano manamorona ny kianja.Nisavorovoro ny tao amin’ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina I, ny alakamisy 17 sy ny zoma 18 septambra lasa teo. Anton’izany ny tsy maintsy nandravana ireo trano manamorona ny lalana miditra ao amin’ity fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho an’ny baolina kitra ity.Raha tsiahivina, anisan’ny fepetra takin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) ny tsy hisian’ny trano fonenana manakaiky ny kianja filalaovana. Tsy maintsy nirosoana izany hahazoana fankatoavana handraisana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Efa hatramin’ny 10 febroary lasa teo no nandefa taratasy laharana 09-20/Cut/Toa, ho an’ireo mponina voakasika amin’izany ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, handrava tsy misy hatakandro ny trano rehetra. Voalaza mantsy fa tsy ara-dalàna ny fananganana izany satria tsy nisy fahazoan-dalana.Atao lalana migodana misy soritra efatra ho an’ny fiara roa mandroso sy roa miverina mantsy izany, izay hita amin’ny ilany antsinanana sy atsimo ary andrefan’ny kianja Barikadimy, ankoatra ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking”. Manoloana izany, misy ireo mamadika azy ity ho resaka politika ka mitady ny hirika rehetra tsy hahavitan’ny fotodrafitrasa, mba tsy haneken’ny Fifa ny kianja Barikadimy ka tsy hahafahan’i Toamasina mampiantrano io lalao lehibe, efa andrasan’ny vahoakan’ny faritra Antsinanana fatratra io.Vokatr’izay, manao antso avo hiray hina ny mpitia baolina kitra eto Toamasina, satria antomotra ny fe-potoana hanaovan’ny solontenan’ny Fifa fitsirihana ny kianja Barikadimy, sao sanatria tsy hahazo fankatoavana ka ho votsotra ny fandraisana io fihaonan’ny Barea sy i Côte d’Ivoire, io. SajoL’article Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Entim-paharazana sy entim-pahazarana       
22/09/2020

         Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Toetra nanahary faharoa ny fahazarana. Fialana sy fanamarinan-tena ataon’ny tsy te hiova na hanova zavatra mandrakariva ireo fomba fiteny ireo. Tsy eto amintsika ihany, fa saika maneran-tany. Raha vao manao fanovana ny fitondram-panjakana, ohatra, saika misy hatrany ny mitsikera avy hatrany, manatsatso, mamendrofendro; eny, manohitra aza.Toetra maha olombelona ny fifikirana amin’izay mahazatra zary fomba amam-panao? Mandeha ho azy, tsy manahirana… Efa raiki-tampisaka sarotra ovaina tsinona, ary misy aza ny mitompo teny fantatra sy miziriziry fa tsy azo ovaina. Hafahafa ny tena raha tsy manao sy manohy azy. Eo ny mahatonga ny fitenenana hoe efa entim-paharazana aza amin’izay entim-pahazarana fotsiny amin’ny ataony.Manao ahoana anefa izao tontolo izao raha nifikitra hatrany amin’izay hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana izay hatramin’izay? Saika nitondra faisana hatrany izay nilaza hevi-baovao sy nitondra zava-baovao: haratsiana, esoina, enjehina… Saingy rehefa manao sy manohy ny ataony izy ireny, tsy ilaozan’izay mandinika, manaraka, manandrana, resy lahatra, maka tahaka… Lalan-javatra izay?Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana raha te hanova? Tsy moramora sy tsy vetivety izany, fa mila fijoroana, fahasahiana, firosoana, faharetana… Inona no iresahana izany amin’izao? Mampandini-tena. Tena te handroso tokoa ve isika? Mila miova sy manova. Manomboka eo amin’ny tena io amin’ny fisaina, fiaina, fiasa… Izany miaraka no mahatonga sy mahahaingana ary mampivaingana ny fandrosoana.Na izany aza, tsy moramora tokoa ny hoe manova sy ny miova amin’izao. Mila fanazavana izay (h)atao, fandresen-dahatra, fijerena lavitra… Eny, mety ho miandalana aza, saingy tsy maintsy atomboka hialana amin’ny hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana. “Tsy misy zavatra ratsy ao anatin’ny fanovana, raha mandeha amin’ny lalana tsara”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i Winston Churchill.Rafaly Nd. L’article Entim-paharazana sy entim-pahazarana        a été récupéré chez Newsmada.

Ny amisavisana ny ratsy… itandreman-tena           
24/09/2020

         Ho vita amin’izay ny ady mivantana amin’ny valanaretina Covid-19? Na ho ela na ho haingana, tsy vita ho azy miaraka amin’izany ny fepetra ara-pahasalamana hita izao fa mahasoa sy mahatsara ka hoe tsy mila tohizina intsony: fitandroana mandrakariva ny fahadiovana na aiza na aiza, fifampitsinjovana amin’ny fiarovan-tena hiarovana ny hafa amin’ny fihanaky ny valanaretina…Na ahoana na ahoana, tsy ilaozan’ny valanaretina manana ny fotoany isan-taona: pesta, tazo… Ho toy izany koa, sanatria, ny Covid-19… aretim-baovao tsy mbola fantatra be ihany? Izay no itandremana sy iambenana. Nefa amin’izao fialana miandalana amin’ny fihibohana tanteraka izao, maro ny tsy te hisahirana intsony amin’ny fitondrana arotava, ny fanasan-tanana matetika, ny fanajana ny elanelana iray metatra…Hanao ahoana ny havoakan’ny ampitso amin’izany? Misy amin’ireo firenen-dehibe amin’izao no nanaovan’io valanaretina io tampody fohy tsy nampoizina. Voatery manao fiaingana vaovao amin’ny ady, miverina amin’ny fihibohana. Fahatokisan-tena? Na tsy fitandremana, na tsy fijerena lavitra, na maika tsy faingana tsy amin’ny antony… Ilaina ny maka lesona amin’ny lesoka hita amin’ny hafa.Tsy mbola foana tanteraka akory ny tsimokaretina: tsy hita maso, mora mihanaka, tsy mifidy olona… Efa hadino na tsy mampiraika intsony izany rehetra izany amin’izao? Mihavitsy ny mitondra ny tsimokaretina, mitombo isa ny marary sitrana… Nefa tsy mbola mahazatra ny aretina, na fantatra sy voafehy tanteraka. Ny tena no mila mifehy tena, manana faharetana. Ny firenen-dehibe aza voafitaka?Na heverina ho voafehy aza ny valanaretina, misy ny fanefitra sy ny fitsaboana: mila mitandrina sy miaro tena mandrakariva… Toy izay atao amin’ny fiatrehana ny areti-mifindra hafa izay amin’ny fotoany: pesta, tazo… Sao mafy no ho ny voalohany ny faharoa, raha izao, sanatria, no manao tampody fohy amin-kery ny valanaretina. Ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Itandreman-tena indrindra koa…Rafaly Nd.L’article Ny amisavisana ny ratsy… itandreman-tena            a été récupéré chez Newsmada.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny
18/09/2020

Voavaly ny fanontaniana mampiroaroa saina sy mahatonga resabe eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’izao ankatoky ny fampidirana mpianatra izao. Mazava ny voalazan’ny tatitra ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa ankoatra ny maha maimaimpoana ny fisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy, tsy misy ary tsy mandoa latsakembola angatahin’ny Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Fram) koa ny ray aman-dreny manomboka izao. Voalaza tao anatin’io tatitra ny filankevitry ny minisitra io fa mbola hisy ny lamina vaovao hitsinjovana ireo tokantrano sahirana sy ny ray aman-dreny tena misedra fahasahiranana tokoa amin’izao fotoana izao, araka ny toromariky ny filoham-pirenena.16, 133 miliara ArAnkoatra izay, nampahafantarina ihany koa fa misaraka tanteraka ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny latsakemboka izay samy sahanin’ny Fefi eny amin’ny sekolim-panjakana. Izy ireo ihany koa no mitantana ny « caisse des écoles », efa mitsinjara mazava tsara. Mitentina 16,133 miliara Ar natokana ho an’ny EPP sy CEG ary ny 2 miliara Ar ny natokana ho an’ny lice, miainga ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.Misy koa ny tetibola iaraha-mitantana amin’ny minisitera sy ireo mpamatsy vola amin’ny alalan’ny tetikasa Paeb izay mitentina 3 tapitrisa dolara natokana ho an’ny EPP sy CEG. Tatiana AL’article Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Situation du 17 Septembre 2020
17/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Situation du 17 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Madagascar compte actuellement 15925 contaminations selon le rapport journalier sur l’évolution du covid-19 annoncé ce jeudi 17 septembre. Au cours des dernières 24 heures, 54 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus sur les 595 tests effectués. Ces nouveaux cas sont localisés dans 8 différentes régions: 13 cas à Alaotra Mangoro, 11 cas à Menabe, 10 cas à Analamanga, 9 cas à Diana, 5 cas à Sava, 3 cas à Matsiatra Ambony, 2 cas à Boeny et 1 cas à Vatovavy Fitovinany. Le CCO a également communiqué que 65 patients ont recouvré la santé, portant à 14547 le nombre total de guérisons soit plus de 91%. De ce fait, 1160 malades sont actuellement en cours de traitement dont 25 développant une forme grave. Officiellement, le territoire malagasy compte 216 décès dont un signalé ce jour.L’article COVID-19: Situation du 17 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana…
18/09/2020

Nivoaka ary nampahafantarina sy mbola hanentanana ny rehetra, omaly tetsy Analakely, ny “Fehezam-pitsipiky ny kaominina Antananarivo Renivohitra misahana ny fikoloam-pahasalamana” (CMH). Manomboka amin’ny 5 000 Ar hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy ho an’ireo mandika sy mihoa-pefy amin’izany.Anisan’ny andoavana 50 000 Ar, ohatra, ireto manaraka ireto: ny fandrorana sy ny fandrehofana ary ny famaniana eny rehetra eny. Fanariana diky amin’ny toerana rehetra ivelan’ireo fotodrafitrasa natokana ho amin’izany.Tsy fahadiovan’ny trano fonenanaAnisan’ny andoavana sazy 50 000 Ar koa ny tsy fahadiovan’ny trano fonenana sy ny miankina aminy ary ny lalana manoloana azy. Ny fandefasana mafy loatra ny zavamaneno, ny fahitalavitra, ny fitaovana maneno ao an-tokantrano… Ny biby fiompy mirenireny sy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ivelan’ny toerana voatokana na ankalamanjana koa, mbola andoavana 50 000 Ar.Andoavana 300 000 Ar kosa ny tsy fanajana ny ora fisokafana amin’ny 6 ora maraina sy ny fikatonana amin’ny 9 ora alina ho an’ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola. Ny fivarotana amoron-dalana amin’ny lalam-bahoaka na koa ny varotra amin’ny toeram-pisakafoana mifindrafindra tsy nahazoana alalana. Andoavana 300 000 Ar koa ny fametahana petadrindrina sy sorabaventy sy kisarisary na soratra tsy nahazoana alalana. Eo koa ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka amin’ny fanasana lamba na fiara. Ny tsy fandraisana fepetra ialana amin’ny fihandronan’ny rano eo an-tokotany, toy ny fanotofana izany… Ny fampiasana ny lalam-bahoaka ho amin’ny tombontsoa manokana.Dimy tapitrisa ariary… karaokeAnkoatra izany, andoavana 1 000 000 Ar ny fanapoahana sy ny fivarotana tsipoapaoka, afomanga tsy nahazoana alalana amin’ny CUA. Tahaka izany koa ny tsy fandraisana fepetra ho fisorohana tsy hiparitahan’ny feo amin’ny trano. Ny famindrana razana matin’ny pesta mialoha ny fito taona. Ny tsy fandokoana ny trano manamorona ny “avenue” sy ny arabe migodana.Etsy andaniny, andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar ny tsy fanatanterahana ny fandrodanana trano mety hitera-doza. Ny fampiasana ny lalam-bahoaka amin’ny fanorenana vonjimaika, mihoatra ny 48 ora. Anisan’ny andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar koa ny tsy fanajana ny fahadiovana sy ny tsy fiparitahan’ny feo ary ny ora fikatonan’ny karaoke. Manampy ireo ny famatsiana zava-pisotro misy alikaola ireo mpivarotra tsy ara-dalàna.Sazy 5 000 ArSazy 5 000 Ar kosa ny tsy fanariana ny fako amin’ny ora voatondro, amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. Ny fanaovana ny asa fangatahana rehetra, arahina zaza tsy ampy taona. Fangatahana eny an-dalana ka manelingelina sy mampitahotra ny mpandalo. Fanaovana ny toeram-bahoaka ho fonenana na fatoriana… Eo koa ny fanahazan-damba eny amin’ny lalam-bahoaka.Ampahany ihany amin’ireo fandikan-dalàna andoavana sazy vola, tafiditra amin’ny CMH, ireo.Synèse R.L’article Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana… a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika”
17/09/2020

“Nanapa-kevitra hiroso amin’ny fifidianana loholona ny fitondram-panjakana. Satria izay no voalazan’ny lalàna, fa tsy hoe manao didy jadona hanao fifidianana loholona ny fitondrana. Tapitra amin’ny 2 febroary 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona, ankehitriny. Zava-misy izay fa tsy hoe foronin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Tsy maintsy atomboka dieny izao ny dingana fanatanterahana ny fifidianana fa tsy hoe tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo loholona fa vao hojerena izany. Rehefa tonga ny 2 febroary 2021, efa tokony hanana loholona vaovao i Madagasikara.Ho toy ny tamin’ny 2015 ny fifidiananaAmin’ny 11 desambra ny fifidianana loholona. Adihevitra ny hoe tsy feno ny mpifidy vaventy fa tsy mbola natao ny fifidianam-paritra, araka ny lalàna. Toy izany koa ny amin’ny olom-boafidy eo anivon’ny faritany. “Tsy nisy anefa izany tamin’ny fifidianana loholona tamin’ny 2015, fa natao ihany ny fifidianana loholona”, hoy izy.Eo koa ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy toy ny ben’ny Tanàna, mbola manao fangatahana fandravana didy eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Ny didim-panjakana noraisin’ny filankevitry ny minisitra: iray volana mialoha ny fifidianana, ny 11 novambra, vao mikatona ny lisitry ny mpifidy amin’io fifidianana io.Raha amin’izao no misy ben’ny Tanàna manao fangatahana eny anivon’ny Filankevi-panjakana, efa milamina izany amin’ny 11 novambra.R.Nd.L’article Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika” a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: «Hametraka Antananarivo madio sy milamina isika»
17/09/2020

Hampahafantarina ny rehetra, anio, etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny “Lalàna amam-pitsipika mifehy ny fahadiovana – CMH). Iarahan’ny CUA miasa amin’ny Friedrich-Ebert-Stiftung(FES) izany amin’ny alalana fifanaovan-tsonia fiaraha-miombona antoka eo amin’ny roa tonta. “Tonga ny fotoana hametrahana an’Antananarivo sy hamerenana ny hasina ka ho tanàna madio, mazava, milamina ary maoderina”, hoy ny fanambaran’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina.Tsy fotoan’ny gaboraraka sy tsy fanajana lalàna…Nohitsiny fa niainan’ny mponina Antananarivo nandritra ny fotoana maro ny korontana, ny kolikoly, ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny gaboraraka, ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fanajana lalàna… “Tanànantsika ity sady Renivohitr’i Madagasikara ka tsy azo ekena intsony izany”, hoy ihany izy.Araka izany, hisy ny fampitaovana samihafa sy fanofanana ary fanentanana, hotanterahina anio, mifandraika amin’izany fahadiovana amin’ny lafiny rehetra izany.Fanambin’ny CUA ny fahadiovanaHo fantatra eo koa ireo lalàna sy fitsipika mifehy izany fahadiovana izany. Ny fizarana ny andraikitry ny tsirairay satria fanamby ho an’ny CUA ny fahadiovana. Tsy maintsy jerena sy apetraka miaraka amin’izany ny rafitra hampiharana ny CMH.Synèse R.L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: «Hametraka Antananarivo madio sy milamina isika» a été récupéré chez Newsmada.

Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn
21/09/2020

Manana solontena amin’ilay fifaninanana maneran-tany momba ny mozika ankehitriny antsoina hoe « African Muzik Magazine Awards and Music Festival » na Afrimma 2020, amin’ny alalan’i Shyn indray, i Madagasikara. Hatao ny Dallas (Etazonia), amin’ny 15 novambra 2020, ny fanolorana  ny amboara amin’io hetsika io, aorian’ny fifidianana hatao ao amin’ny pejy Facebook « Afrimma ». Nivoaka, tamin’ny 11 septambra lasa teo, ny lisitr’ireo mpanakanto voafantina ka nahatafiditra an’i Shyn tao anatin’ny sokajy « Best Male Southern Africa » na ireo mpanakanto lehilahy mendrika avy aty atsimon’i Afrika. Eo amin’ilay fanambaràna  ao amin’ny pejy Facebook an’ny Afrimma, izay misy an’io sokajy io no hametrahana ny safidy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. L’article Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn est apparu en premier sur AoRaha.