Ilaina ny fifanakalozan-kevitra: atahorana ho very ny kolontsaina malagasy

News - Ilaina ny fifanakalozan-kevitra: atahorana ho very ny kolontsaina malagasy

News - Ilaina ny fifanakalozan-kevitra: atahorana ho very ny kolontsaina malagasy

Maro ireo ambara fa “saropady” ka
tsy tokony horesahina any anivon’ny ankohonana, eny amin’ny
fiarahamonina, any anatina fovoriana isan-karazany rehetra any.
Matetika, maha tohina ny kolontsaina malagasy izy ireny. Iray
amin’ireny ny fanehoan-kevitra momba ny finoana. Saika ahitana
fifandonana amin’ny kolontsaina malagasy izy io ka aleon’ny
Malagasy tsy miresaka azy loatra. Izay fihetsika izay anefa no mety
hitarika any amin’ny faharavam-pototra eo amin’ny kolontsaina
malagasy raha sanatria ka manao randra-mitarika. Olon’ny teny sy ny
resaka ny Malagasy, noho izany, tsy tokony hatao ho anisan’ny
“fady” ny mifanakalo hevitra.

Matoa tonga eo amin’ny fifandirana
lalina ny resaka tahaka itony, nisy nanary ny kolontsaina sy ny
fahendrena ary ny soatoavina malagasy izay tao. Tsy fomban’ny
Malagasy ny misavoamboana, maniratsira olona, manivaiva olona, sns,
rehefa miresaka. Mahay mihaino ny Malagasy, tia mandinika ary tia
maneho hevitra ihany koa.

Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana
fa tsy fomban’ny Malagasy ny “miady hevitra”. “Mifanakalo hevitra”,
io ny an’ny Malagasy. Ny fifanakalozan-kevitra no nampirindra ny
fiarahamonina malagasy fahiny. Nohalaviriny tanteraka ny hisian’ny
ady na amin’ny endriny tahaka inona na amin’ny sehatra manao
ahoana.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Ilaina ny fifanakalozan-kevitra: atahorana ho very ny kolontsaina malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara”

Jaojoby, Bakomanga, Haga, Tsiliva, Samoëla, Simonda, Simon Randria, Pros’Hely, Rossy, sns. Anisan’ireo “Kintan’i Gasikara nanafana ny fampisehoana goavana, izay notontosaina omaly, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ireo. Fampisehoana izay nampiray fo ny rehetra, na ny teny an-tsehatra na ireo izay nanatrika sy nijery, satria tafiditra anatin’ny hetsika fanomanana ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara izany. Tonga manokana namonjy ny fotoana ny Mgr Razanakolona Odon, evekan’Antananarivo sy ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Nonce Apostolique monina sy miasa eto Madagasikara. Nitondra ny hafatry ny papa ho an’ny vahoaka malagasy ito farany, mialoha ny hahatongavany eto. Ankoatra ny “Dia ilay fitia” nataon’i Haga sy i Rossy, anisan’ny nampiray fo sy fanahy koa ny hira faneva, izay niarahan’ireo mpanakanto maro. Namerina ny hira katolika mihetsika vitsivitsy ihany koa ny tarika Rossy, izay fotoana anisan’ny nafana indrindra tamin’iny fotoana iny. Mbola hisy ny hetsika hafa, tafiditra hatrany anatin’ny fanomanana ny fotoan-dehibe hahatongavan’ny Ray Masina eto Madagasikara.Zo ny AinaL’article Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby: nandrombaka medaly volamena ny Makis

Mbola noporofoin’ny Makis de Madagascar fa mpanjakan’ny baolina lavalava, aty amin’ny ranomasimbe Indianina, izy ireo.Tsy nisy afa-bela nanoloana ny Makis de Madagascar ireo mpifanandrina taminy, nandritra ny fiadiana ny medaly volamena, teo amin’ny rugby lalaovina olona fito. Resin’ny Malagasy, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 12 no ho 7, ny ekipa Reonioney. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tao amin’ny kianja Mapou.Efa nampoizina ny vokatra satria ekipa nifandona tamin’ny Makis, tany amin’ny fifanintsanana, ry zareo Reonioney. Tsy mbola afa-bela nanoloana an-dry Radadatoa sy ry Rija ary i Poon, fa resy tamin’ny isa 21 no ho 15 ry zareo, tamin’izany. Azo lazaina ho nanjakan’ny Makis de Madagascar tanteraka ity andiany voalohany nandraisan’ny rugby      anjara tamin’izao fifaninanana “Lalaon’ny Nosy” izao. Porofon’izany, tsy resy mihitsy izy ireo tamin’ny lalao dimy nataony. Isan’ny tena nahazo lesona tamin’ity ekipan-dry Jonah ity ry zareo Mahorais sy ny Reonioney, izay samy resiny indroa. Mazava ary voaporofo ny fanamby nataon’ny mpilalao sy ny filohan’ny Malagasy rugby, Rakotomalala Marcel, izay tsy maintsy mandrombaka medaly volamena mandritra ny “Lalaon’ny Nosy”. Nohamafisin’ity filoha ity ny fa lalana andalovana fotsiny ihany ity fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity fa ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny “circuit mondiaux” no tanjona, amin’ny alalan’ny fandrombahana tapakila hiakarana any amin’ny “Lalao Olympika” sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Mi.RazL’article Rugby: nandrombaka medaly volamena ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette

Iray amin’ireo hetsika hanamarihan’ny tropy Jeannette ny faha-90 taony ny filalaovana ilay tantara « Ny Voromailala » nosoratan’i Rosa Beby ravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo, ny 9 aogositra izao. Tovovavy teren’ny rainy hanambady ny tsy safidiny… Ho tanteraka ve ny mariazy? Handresy ve ny fitiavan’ilay tovovavy ny olon-tiany ka haharesy lahatra an-drainy izy? Ny fijerena io tantara io no hamantarana izay hiseho marina sy ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha ny fanazavan’i Mbato Ravaloson tale artistikan’ny tropy Jeannette sady handrindra an-tsehatra rahateo ny filalaovana ny « Ny Voromailala ».Raha tsiahivina, andiany fahatelo B, ankehitriny ity tropy teatraly manana ny maha izy azy ity.HaRy RazafindrakotoL’article Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette a été récupéré chez Newsmada.

Mode - News - Ao Raha

FIKIRAKIRANA LAMAODY :: Fashion’s Passion hanomezan-danja ny famoronana vitan’ny tanora

Hotanterahina ny alahady 16 desambra ho avy izao, amin’ ny 11 ora antoandro ka hatramin’ny 8 ora alina ny andiany voalohany amin’ilay hetsika «Fashion’s Passion». Lanonana iray hampivodronana ireo tanora misehatra eo amin’ny tontolon’ny famoronana haingo sy lamaody ary havanana amin’ny fikarakarana ny hatsaran-tarehy. Eny amin’ny Délices by Art Fity, Itaosy no toerana hanatontosana izany. Maro ny zavatra ho hita eny an-toerana amin’io fotoana io , toy ny filatroana hampisehoana ny zava-bitan’ireo mpamorona haingo miisa enina mianadahy, misy an’i Nal’s mode, Missy Soa, Jorkey Emmanuel , Esther’s Garment, Lovah Nah ary Fity Rak. “Tanjona amin’io ny hampahafantarana amin’ny olona rehetra ny zava-bitan’ireo tanora misehatra eo amin’ny famoronana mba tsy ho latsa-danja amin’ny an’ny vahiny. Ezahina ho tohizana isan-taona izy io ho fanosehana ny tanora amin’ny famoronana izay ataony”, hoy i Fitia Rakotoarivelo manazava. Ankoatra izay, haneho ny talentany amin’ny fikarakarana ny tarehin’ireo mpilatro mba hampisongadina ny endriny ihany koa Rafotsigasy sy Rando Mia Stegi. Ny Doremi Events sy ny Délice by Art Fity kosa no hiantsoroka ny haingon-tsehatra. Ny Fête par Fête no hiandraikitra ny sakafo ary hampiseho ny talentany amin’io ihany koa i Antso Bonmartin. Ny NTC Gospel kosa no mpanakanto fantatra fa hanafana ny lanonana eny an-toerana amin’io. L’article FIKIRAKIRANA LAMAODY :: Fashion’s Passion hanomezan-danja ny famoronana vitan’ny tanora est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz

Taona maromaro tsy hita teny an-tsehatra teto Madagasikara. Ho setrin’izay, ao anatin’ny iray volana, ho tazana tsy tapaka amin’izay ny tarika Kazar sy ny tarika Märtz. Ho afaka hianoka misimisy kokoa ny mozika rock sy ny metaly indray ny rehetra…Noho ny antony maro samihafa, tsy tazana niaka-tsehatra firy teto Madagasikara loatra ny tarika Kazar. Fantatra, omaly tetsy amin’ny Carlton, fa ho avy i Milon, iray amin’ireo mpikambana ao anatin’izany tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny rock sy ny metaly izany. Hanatanteraka hetsika nampitondraina ny lohateny « Metalygasy » izy ireo (tarika Kazar) sy ny tarika Märtz, raha ny fampahafantarana nataon-dRajaofetra Andrianaina Sandy avy ao amin’ny Sandix, trano mpamokatra mikarakara ity hetsika ity.Ny 18 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny AFT Andavamamba, ny fampisehoana miaraka amin’ny Kazar sy ny tarika Märtz. Ny 23 aogositra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny ADMC-Craam, oniversiten’Antananarivo, fihaonana sy velakevitra nampitondraina ny lohahevitra “Aiza ho aiza ny tsenan’ny metaly sy ny rock eto Madagasikara”. Nanasana ireo manana traikefa amin’izany toa an’i Dina Randrianoelison (Team Distortion), i Eric Rasoamiaramanana (Libertalia Music), i Mahalia (Loharano), i Abasse Djiva (tarika Apost), i Elia Ravelomanantsoa (minisitra teo aloha ny Kolontsaina), sns. Hialohavan’ny fandefasana horonantsary « Kazar : Malagasy Rock legende », novokarin’i Tsilavina Ralaindimby, ity velakevitra ity. Ny 24 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ao amin’ny Kudeta Carlton Anosy, « Milon Kazar en cabaret acoustic and electric ». Fotoana hitendren’i Milon ny karazan-gadona sy ny hira tahaka ny metaly, ny latino, ny hira malagasy, sns. Faranana eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo ny « Metalygasy », ny 30 aogositra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, amin’ny alalan’ilay seho hiarahana amin’ny tarika Kazar.Raha tsiahivina, 33 taona lasa ny efa niforona ny tarika Kazar raha ny taona 1989 kosa ny nijoroan’ny Märtz.HaRy Razafindrakoto L’article Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CFM: « Lavitra ezaka ny  fampihavanana… »

“Tokony hatao  ao anatin’ny fo sy saina ny fampihavanana. Mbola lavitra  ezaka anefa izany na  efa  manomboka aza isika”, hoy ny filoha lefitry ny  CFM,  Ramamimampionona Gerard,  omaly  tetsy  Ampefiloha. Notsiahiviny  fa  efa nisy ny aingavao tamin’ny alalan’ny Barea.  Teo  koa ny fiombonana   teny anivon’ny  Antenimierampirenena  ka lany 100% ny filohan’io  Andriampanjakana  io. “Iriana  ho amin’ny  sehatra  maro izany. Ohatra  ny eo amin’ny lafiny  politika,  ny toekarena.  Ny lafiny sosialy, miverina  indray  ny  herisetra…”, hoy  ihany izy. Niaiky koa ny tenany  fa mahazo laka indray ny fahazarana ny amin’ny fitakiana ny tokony hisian’ny minisitra avy atsy amin’ny  faritra izao  na izao. Ilana fandinihana lalina sy  lavitra ezaka izany satria  lasa fahazarana. Nampitoviana amin’ny mpanazatra ny Barea izany ka nilazany fa efa misy  ny  tompon’andraikitra mifantina sy mifidy, arakaraka ny  fahaizany sy ny fahalalany. “Tokony hojerena  ny fomba fanaovana  politika ary tokony  hatoky ny  mpanazatra isika amin’ny fifantenana ny  ho ao anatin’ny governemanta”, hoy ny  CFM. Tsiahivina fa hanao tatitry ny asany izy  ireo, ny zoma izao  etsy amin’”ny foiben-toerany, Ampefiloha.Synèse  R. L’article CFM: « Lavitra ezaka ny  fampihavanana… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jejy Music: hanohana sy hampisongadina ireo manan-talenta

Nametraka tetikasa vaovao ny ivontoeram-pampianarana mozika, Jejy Music, ho fampivoarana ny tontolon’ny mozika eto Madagasikara sy ho fanohanana ary ho fampisongadinana ireo manan-talenta, araka ny valan-dresaka nifanaovan’ny mpitantana ity sekoly ity tamin’ny mpanao gazety, omaly teny Andravoahangy Ambony.Tsy misy havahany fa samy homeny tosika avokoa ireo mpiangaly mozika amin’ny karazany rehetra: klasika, jazz, bà gasy, sns. Izany dia amin’ny alalan’ny fikarakarana fampisehoana, fandrindrana ny hira, ny fikarakarana ny lafiny teknika ary amin’ny alalan’ny fanentanana ny olona mba hijery sy hankafy ny talentan’izy ireo.Rehefa misy io sehatra hanehoana talenta io, heverina fa harisika ireo tanora hanatsara hatrany ny fahaizany ka hametraka tanjona amin’izany. Ho sehatra hifanakalozana eo amin’ny samy manan-talenta ihany koa izy ity ka hampivelatra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy, amin’ny ankapobeny. Marihina fa efa voaomana ny toerana hanatanterahana ny seho: ny efitra Kintana, ao amin’ny Jejy Music etsy Andravoahangy Ambony; ny efitra Isaac Hamone Auditorium, etsy Isoraka ary toerana hafa, araka izay safidin’ilay mpandray anjara.Ankoatra ity tetikasa vaovao ity, manomana seho maromaro, handraisan’ireo mpikambana ao aminy anjara, ny Jejy Music. Hisantatra izany, ny 27 jolay izao, i Tsiky, vao 15 taona monja kanefa manan-talenta amin’ny fitendrena lokanga. Ny “Lokanga amin’ny endriny rehetra” ny lohatenin’ny fampisehoana hotanterahiny. Hanaraka azy, manomboka amin’ny volana aogositra, ireo mpitendry zavamaneno hafa, toy ny mpitendry gitara miisa 40, hiara-hiaka-tsehatra ny 31 aogositra izao. Ho fantatra amin’ny fotoana manaraka ny toerana hanatontosana izany.Landy R. L’article Jejy Music: hanohana sy hampisongadina ireo manan-talenta a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahajanga: saron’ny zandary ireo tambajotrana mpanendaka

Voasambotry ny zandary tao Tsararano Mahajanga, afakomaly, ireo tambajotrana mpanendaka miisa fito mianadahy. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, olona roa no niharan’ny asa ratsin’ireto jiolahy ireto, ny herinandro lasa teo. Mbola tompon’antoka nanindrona antsy raim-pianakaviana iray teo amin’ny tendany ao Mahajanga ihany ihany koa izy ireto. Avotra soa aman-tsara ihany ilay raim-pianakaviana rehefa nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly. Tratra tany amin’izy ireo, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary, ireo entana halatra marobe, toy ny telefaonina finday sy ny maro hafa. Fiaraha-miasa teo amin’ireo loharanom-baovao teo an-tanàna ihany ny nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nohamafisin’ny zandary fa ny enina amin’ireo no tena mpanendaka raha mpivarotra entana halatra kosa ny iray. Hatolotra ny fampanoavana izy ireo aorian’ny famotoran’ny zandary. J.CL’article Mahajanga: saron’ny zandary ireo tambajotrana mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Eny anivon’ny hopitaly: raikitra ny fifaninanana hahazoana ny  « Label 5S »

Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha ny “Label 5S”, mari-pankasitrahana hametrahana ny lentan’ny hopitaly mendrika amin’ny fomba fiasa sy fanatsarana ny tontolon’ny hopitaly, ary indrindra ny fanajana ny marary…. Toky ho an’ny marary eny anivon’ny hopitaly ny hisitraka ny tontolo mirindra sy madio ary anjakan’ny fandriampahalemana sy ny fandraisana mendrika ny fametrahana ity “Label 5S” ity. Ankoatra ireo, hahamora ny fandraisana an-tanana ny marary sy ny hakingan’ny fomba fiasan’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mangarahara eo amin’ny vola ilaina ary ny vidim-panafody ihany koa izany. Fomba fiasa manaraka ny ny fitantanana tsara sy kalitao mendrika hanatsarana ny tontolon’ny asa eny anivon’ny hopitaly ny 5S Kaizen-TQM, izay nentin’ny Japoney teto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2007. Sivanina, Sokajiana, Sasana, Soratana, Sokajiana (5S). Mila mahay manavaka tsara ny antontan-taratasy sy ny karazana fitaovana ilaina sy ny tsy ilaina. Mahay manasokajy ireo antontan-taratasy ilaina ireo amin’ny toerana tokony hisy azy ary mora ny fitadiavana azy. Mila sasana madio sy havaozina ny fitaovana mba ho azo ampiasaina avy hatrany sy ho ara-pahasalamana tokoa. Voarakitra an-tsoratra ary hatao tazan’ny maso ny fomba fiasa mba tsy hohadino… Ankoatra ireo, saintsainina avokoa ny tokony hatao ary arahina ny fitsipi-pifehezana. Amin’izao fotoana, efa mihatra amin’ny hopitaly  CHU 22 sy CHRR 16 eto Madagasikara ny fomba fiasa 5S. Miitatra amin’ireo hopitaly eny anivon’ny distrika CHRD 23 ihany koa izany, amin’izao fotoana ary tonga hatreny amin’ny CSB 1654. Raha ny tombana hatao isan-taona, fantatra fa efa mahafehy ny fampiharana ity fomba fiasa 5S ity ireo mpiasan’ny hopitaly. Azo tsapain-tanana ny vokatra, indrindra ny fahitana ny fanatsarana ny fahadiovana sy ny fotodrafitrasa ary ny fanatsarana ny fandraisan’olona. Mendrika ny omen-danja izany ezaka izany entina hampaherezana ireo mpiasan’ny hopitaly ka izany indrindra no nanaovana ny “Label 5S”. Ho azon’izay hopitaly mahafeno ny fepetra, araka izany, ity “Label 5S” ity. Anisan’ny fepetyra voalohany fampiharana ny 5S amin’ireo sampan-draharaha rehetra ao amin’ny hopitaly. Tokony hahafa-po ny fampiharana ny 80% io 5S io. Mahasahy manao fanamby fa hahavita hitazona ao anatin’ny roa taona io fomba fiasa io ary hahatratra ny fenitry ny kalitao “Kaizen”. Manokatra fijery hafa ho an’ny mpitazana ny fahazoan’izay hopitaly mendrika ity “Label 5S” ity. Toy ny dokambarotra ho an’ny hopitaly ihany koa izany, manoloana ny marary sy ireo mpiara-miombon’antoka. Hanomboka amin’ny voalohan’ny taona 2019 ny fanombohan’ny fangatahana ity mari-pankasitrahana “Label 5S” ity. Tatiana AL’article Eny anivon’ny hopitaly: raikitra ny fifaninanana hahazoana ny  « Label 5S » a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Misoko mangina ny isan’ireo maty: tafakatra 228 ireo lavon’ny covid-19
26/09/2020

Tsy re tsaika, efa hananika ny 230. Namono olona iray indray ny valanaretina coronavirus, omaly. Avy any amin’ny faritra Matsiatra Ambony izy io ary notsaboina tao amin’ny CHU Andrainjato. Tafakatra 228 izany izao ireo lavon’ny covid-19 hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Etsy an-daniny, midina hatrany ny isan’ireo tranga vaovao. Miisa 30 ireo nifindran’ny valanaretina ka avy eto Analamanga ny 10 amin’izany. Fito avy ny any Alaotra Mangoro sy Diana. Efatra ny any Matsiatra Ambony raha iray avy ny any Atsimo Andrefana sy ny avy any Menabe.Nihena tahaka izany koa ireo anaty fahasarotana. Miisa 11 ireo “forme grave” izao raha 15 izany teo aloha. Miisa 34 ireo sitrana ka tafakatra 14 867 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 16 221. Nidina ho 1 124 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R. L’article Misoko mangina ny isan’ireo maty: tafakatra 228 ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo
24/09/2020

Miisa 31 ireo tanga vaovao tamin’ny fitiliana vita miisa 257, araka ny antontanisa, navoakan’ny CCO, omaly. Avy eto Analamanga ny valo amin’izany raha 10 ny avy any Diana. Miisa dimy ireo nifindran’ny valanaretina any Vatovavy Fitovinany ary enina ny any Alaotra Mangoro. Iray avy kosa ny any Itasy sy any Matsiatra Ambony.Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mijanona ho 226 ireo lavon’ny valanaretina eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy niova koa fa miisa 20 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny any Boeny, miisa 15. Tafakatra 14 788 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa16 167. Mbola maherin’ny 1 000, miisa 1 151, ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Miisa 68 564 ireo fitiliana PCR vita raha 7 289 kosa izany ho an’ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy
24/09/2020

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.

Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn
21/09/2020

Manana solontena amin’ilay fifaninanana maneran-tany momba ny mozika ankehitriny antsoina hoe « African Muzik Magazine Awards and Music Festival » na Afrimma 2020, amin’ny alalan’i Shyn indray, i Madagasikara. Hatao ny Dallas (Etazonia), amin’ny 15 novambra 2020, ny fanolorana  ny amboara amin’io hetsika io, aorian’ny fifidianana hatao ao amin’ny pejy Facebook « Afrimma ». Nivoaka, tamin’ny 11 septambra lasa teo, ny lisitr’ireo mpanakanto voafantina ka nahatafiditra an’i Shyn tao anatin’ny sokajy « Best Male Southern Africa » na ireo mpanakanto lehilahy mendrika avy aty atsimon’i Afrika. Eo amin’ilay fanambaràna  ao amin’ny pejy Facebook an’ny Afrimma, izay misy an’io sokajy io no hametrahana ny safidy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. L’article Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn est apparu en premier sur AoRaha.

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »
23/09/2020

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
26/09/2020

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria 67, afakomaly ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery eny 67 ha sy ny manodidina. Niainga avy amin’ny fitarainana nataon’ny lehilahy iray lasibatry ny fanendahana no nahafahan’ny polisy nanao ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika teny an-toerana. Nendahin’ilay jiolahy tao anaty fiara ny telefaonina avolenta niaraka tamin’ny vola. Nitsoaka avy hatrany ka nanenjika ity jiolahy ity ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy ka naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy ny fanaraha-maso ataon’ny polisy satria isan’ireo faritra malaza ratsy amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery iny faritra 67 ha iny. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4507 aroson’i Mamy Be
21/09/2020

L’article Pilo kely #4507 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea
26/09/2020

Tsy raikitra ! Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa ny ekipan’ny Swift Hesperange ao Luxembourg no hanaovan’ny Barea, lalao firahalahiana. Tafiditra amin’ny fiomanana hihaonana amin’i Côte d’Ivoire.Nofoanana ny lalao saika nikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso, ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, any Maraoka. Fanomanana ny fifanintsanana amin’ny Can 2022, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Noho ny mbola fisian’ny valanaretina “covid 19” ny anton’izany. Io no fanambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, niditra mivantana nandritra ny tafa nifanaovan’ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny le Centenli Antanimena, omaly.«Ilaina ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra, saingy tsy te  hidi-kizo amin’ny fisian’ny «covid 19», izy ireo. Araka izany, ny vaha olana tsara indrindra hitako dia ny manoman-tena eto Frantsa na ny manodidina. Efa nanolo-kevitra aho ka ny fihaonana amin’ny ekipan’ny Swift Hesperange Luxembourg no hitako fa mety. Tsy te haka loza aho, hitondra ireo mpilalao any amin’ny firenena faritra mena amin’ny «covid 19» satria henjana ny lalao mandroso sy miverina, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Tsy mahamenatra amiko ny mikatroka amin’ny ekipa D1 ao Luxembourg», hoy izy.Azo atao raha mihena ny tahan’ny aretinaNomarihin’i Nicolas Dupuis fa azo atao ny lalao amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, raha mihena ny tahan’ny “covid 19” any Maraoka aorian’ny fihaonana amin’ny Swift Hesperange. Ankoatra izay, nambarany fa sady fiofanana no lalao fitsapana ireo mpilalao vaovao vao nantsoina hanatevina ny Barea de Madagascar ity atao any Luxembourg, ity.Nilaza Andriamanampisoa Alfred, filoha lefitra faharoa ao amin’ny FMF fa maneho fiarahana amin’i Nicolas Dupuis, ny komity mpitantana, amin’ity lalao hatao any Luxembourg ity. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, izany.Ankoatra izay, nasiany resaka ny fanalana an-dRazafinirina Sylvain, “intendant” n’ny Barea de Madagascar, izay nolazainy fa mampalahelo ary tsy rariny satria olona nahavita be ary niasa mafy ho an’ny Barea io olona io ka tsy ekeny ny fanesorana azy tsy ho ao anatin’ny Barea intsony. Miantso ireo olona fito ao amin’ny federasiona, manohana sy manampy azy ny tenany hamerina an’i Sylvain eo amin’ny toerany. TompondakaL’article Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika
25/09/2020

Namoaka tahirim-bola manokana ho vonjy taitra ny ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana (IECD). Hanohanana ireo orinasa madinika manodidina ny 100 eto Madagasikara, izay mivondrona ao anatin’ny Madagascar Entreprise developpement (MED) izany. Orinasa misedra olana noho ny covid-19 avokoa izy ireo.Amin’ny anaran’io tahirim-bola io no hahafahan’ireo orinasa manarina indray ny fahavoazana sy mamerina mampihodina ny orinasa na mampiroborobo sehatrasa vaovao hafa indray mba ho tosika vaovao amin’ny sehatry ny toekarena. Tohana ara-bola tsy haverina ny Atrika mitentina 50 tapitrisa Ar.Nandray mivantana izany vola izany ny solontenan’ireo orinasa teny amin’ny foiben’ny MED teny Tsaralalàna, tamin’ity herinandro ity. Ireo vehivavy, ireo manana fahasembanana, ireo mpikamba ao anatin’ny vondron’orinasa MED sy ireo orinasa samihafa tena voakasiky ny valanaretina covid-19 no laharam-pahamehana mahazo ny fanampiana.Ireo mpahazo tombontsoa ireo dia anisan’ny mpandraharaha 1900 nahazo fiofanana hatramin’ny fiandohan’ny fandaharanasa ho fanohanana ireo orinasa madinika ao anatin’ny MED, izay mifampiankina amin’ny IECD eto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2013.Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ireo orinasa madinika ivoahan’ireo tetikasa afaka manandratra ny toekarena.Marihina fa firenena 15 no namoahan’ny IECD tahiry manokana toy izao ao anatin’ny fandaharanasany.Tatiana AL’article Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be
23/09/2020

L’article Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     
23/09/2020

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.