Ho an’ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée : Ivontoerana efatra no hitsinjara ny « caisse école »

News - Ho an’ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée : Ivontoerana efatra no hitsinjara ny « caisse école »

News - Ho an’ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée : Ivontoerana efatra no hitsinjara ny « caisse école »

Tanteraka omaly ny
fifanaovan-tsonia teo amin’ny mpiara-miombon’antoka efatra sy ny
minisiteran’ny Fa­na­beazam-pirenena : BNI, Paositra Malagasy,
Première Agence de Microfinance, Volamahasoa. Tanjona amin’izany ny
hametrahana ny fiaraha-miasa madio eo amin’ny fitsinjarana ireo «
caisse école » natao hanampiana ireo EPP, CEG ary Lycée manerana ny
Nosy. Izy ireo no hiandraikitra ny fandefasana ny vola « caisse
école » any amin’ny « compte » ny FEFFI avy ao amin’ny
kitapom-bolan’ny fanjakana foibe ka hanaparitaka izany manerana ny
Nosy. Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy fitantanana madio ary
manaja ireo fepetra arahina amin’ny fitantanam-bola satria
volam-bahoaka ny «caisse école ». Arahi-maso ny fandaniana azy ary
efa voasoratra mazava araka ny lalàna ny zavatra azo ampiasana azy.
Tsy main­tsy mitsangana ara-dalàna ny biraon’ny FEFFI hitantana ny
sora-bola ary nisy ny fanadihadiana teny ifotony nanamarina ny
vaovao rehetra. Ho an’ny lycée manokana, nofoanana ny conseil
d’établissement izay mitantana ny tetibola manokana azy ireo teo
aloha ary novana ho FEFFI ihany koa. Eo am-pananganana izany ny
tomponandraikitra amin’izao fo­toana izao, araka ny fanazavan’ny
minisitry ny Fana­beazana, Sahon­drarimalala Marie Michèle.
Mahatratra 26 800 ny EPP manerana ny Nosy raha 13400 ny CEG.
Nanatanteraka ny fanavan-tsonia ny tale jeneralin’ny pedagojia eo
anivon’ny mi­nisiteran’ny Fanabeazana, Raoni­herijaona
Andria­mia­ka­tsilavo.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Ho an’ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée : Ivontoerana efatra no hitsinjara ny « caisse école » a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

“Lalaon’ny Nosy 2019”: nanome 5 tapitrisa Ar ho an’ny Barea ny minisitra Naina

Mialoha ny hiaingan’ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy”, atsy Maorisy, noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, mpiahy ny baolina kitra, Andriantsitohaina Naina, niaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny “comité de normalization”, teny amin’ny birao fiasany eny Anosy, ny alatsinainy lasa teo, ireo mpilalao rehetra. Tamin’izany ny nanoloran’ny minisitra lelavola 5 tapitrisa Ar ho azy ireo. Tanjona ny hampisy faharisihana ho an’ireo mpilalao. “Andraikitra goavana ny eo an-tsorokareo. Mila manome vokatra tsara ny tsirairay», hoy ny minisitra, tamin’ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara, hiezaka hanao izay azony atao hanohanana ny Barean’i Madagasika. Tsiahivina fa anisan’izany ny ho fampitaovana ireo mpilalao. Miteraka resaka maro mantsy ny fitafian’ny Barean’i Madagasikara hiatrika ity « Lalaon’ny Nosy 2019 » ity. Nijery ny fanazarantenan’ny Barea, tetsy Mahamasina, omaly, ny minisitra mpiahy. Tsiahivina fa hanomboka ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay ho avy izao ny fifaninanana. Marihina fa anisan’ny hifaninanana amin’ity ny hazakazaka am-bisikilety, ny baolina kitra, ny volley-ball, ny lomano, ny voile, ny atletisma, ny badminton, ny baolina lavalava, ny basikety, ny beach-volley, ny ady totohondry, ny fibatana fonjamby, ny judo ary ny tenisy. TorcelinL’article “Lalaon’ny Nosy 2019”: nanome 5 tapitrisa Ar ho an’ny Barea ny minisitra Naina a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Anzojorobe : Takalon’aina 3 votsotra, iray novonoin’ny dahalo

Rangahy iray no maty, olona telo votsotra teo am-pelatanan’ireo dahalo naka an-keriny, tany amin’ny distrikan’Anjozorobe. Io no vokatry ny fifandonana nafana nifanaovan’ny tafika sy ny dahalo avy nanatanteraka fanafihana niaro fakana takalon’aina, tany amin’ny fokontany Marotsipohy distrikan’Anjozorobe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nirotsahan’ny tafika an-tsehatra ny fanavotana ireto takalon’iana miisa telo, izay nalain’ny dahalo niaraka tamin’ny omby miisa 210. Araka ny loharanom-baovaon’ny sampana seraseran’ny tafika dia ny talata lasa teo izy ireo no nanao fikarohana ny toerana nitondran’ireto dahalo ireto olona natao takalon’aina. Tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia nataon’ireo farany moa no nahalalana fa mitaky vola 2 tapitrisa ariary ireto olon-dratsy. Raha ny zava-nisy dia ny faran’ny herinandro lasa teo no nitrangan’ny fanafihana omby tao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io, ka voaroba tamin’izany ny omby, miaraka amin’ireto takalon’aina efadahy. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona, nitsirihana ny toerana nitondran’ireto mpanafika ny olona. Tamin’izany no nahalalana ny toerana nitobian’ireto farany niaraka tamin’ireo nalaina an-keriny, ka raikitra ny vela-pandrika. Vantany nahatsikaritra izany ireo dahalo fa nanara-dia azy ny fokonolona, ka avy dia nitifitra, ary lavo ny raim-pianakavina iray. Votsotra ihany koa ireo omby halatra rehetra, fa ny olona telo ambiny kosa mbola nentin’izy ireo nandositra ihany. Narahan’izy ireo tifitra ihany anefa izany, saingy tsy nahatohitra ireo miaramila nanao ny fanenjehana izy ireo, ka dia namotsotra ireo olona nalainy. Vokany olona enina no azo sambo-belona, raha toa ka mbola tafaporitsaka ny ireo namany. Sarona tamin’izany ny fitaovam-piadiana mahery vaika toa ny basy lava fampiasan’ireto olon-dratsy. Valérie R. L’article Anzojorobe : Takalon’aina 3 votsotra, iray novonoin’ny dahalo est apparu en premier sur .L’article Anzojorobe : Takalon’aina 3 votsotra, iray novonoin’ny dahalo a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy

Tsy nanadino ny nisaotra ny minisitra mpiahy azy ireo andriamatoa minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police, Rafanomezantsoa Roger, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, taorian’ny fandresena goavana azon’izy ireo nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” natao tany Maorisy. Medaly volamena roa ny nentin’ireto ekipa malagasy ireto niverina eto an-tanindrazana. Nitsidika ary naneho fisaorana ny minisitra mpiahy azy ireo ireto mpilalao ireto, ny herinandro lasa teo, indrindra tamin’ny fanohanana fitaovana sy ny vola ary ny fankaherezana nomena talohan’ny niarehana iny lalao goavana iny, ka antony nahazoana izao fandresena miezinezina izao.Tetsy ankilany, nankasitraka ireo mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny basikety ireto ny minisitra, ity farany izay tsy nitazam-potsiny tamin’ny fandresena azon’ny mpilalao malagasy fa nanolotra mari-pankasitrahana ho azy ireo tamin’ny nitondrany avo ny fanevam-pirenena, tany Maorisy. Mi.RazL’article Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

FIKAMBANANA SAINA: Miantso ny tanora manana vinavinan’asa

Andro lehibe ho an’ny fikambanana SAINA ny 29 jolay 2019. Notolorana tamin’io alatsinainy io ny valisoa ho an’ireo tanora manana vinavinan’asa mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana vinavinan’asa sy fihariana vaovao. 30 no nandray anjara ka ny enina tamin’izy ireo no voasafidy  hahazo ny 500 euros na 2.000.000 Ariary isan’olona.  Ho entin’izy ireo hiaingana amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’izy ireo io famatsiam-bola avy amin’ny fikambanana SAINA io.  Nambaran’ny filohan’ny mpitsara tamin’ny fifaninanana, Ramambazafy Andrianasolo fa avy amin’ny faritany enina eto Madagasikara ireo tanora nomena valisoa ireo. Miompana amin’ny fanodinana fako, fambolena biolojika, fiompiana zana-trondro ny tetik’asan’izy ireo. Mason-tsivana efatra  kosa no napetraka nifantenana  ireo vinavinan’asa ka ao anatin’izany ny fikarohana, ny fanavaozana,  ny fanajana ny tontolo iainana, fitombenan’ny vinavina (mety hiteraka asa) ary ny fomba hanitarana azy. Tsy hijanona hatreo ny fanampian’ny fikambanana ireto tanora ireto fa mbola hanara-maso azy ireo mandra-pahatanteraky ny vinavinan’asany, amin’ny alalan’ny fanomezana toro-lalana amin’ny lafiny lalàna, lafiny teknika fa indrindra fitadiavana famatsiam-bola, hoy ny filohan’ny fikambanana Andriamihamina  Felana. Mbola nanome fanazavana ihany koa Ramambazafy Andrianasolo fa rehefa mahaleo tena sy hita fa matanjaka tsara ny orinasan’izy ireo dia tsofina rano. Laharam-pamehana ho an’ity fikambanana ity ny fampananan’asa  ny  tanora malagasy. Noho izany, antsoina avokoa izay rehetra manana tetikasa fa vonona hanampy tosika azy ireo ny mpikambana ao amin’ny SAINA. Lynda A. Cet article FIKAMBANANA SAINA: Miantso ny tanora manana vinavinan’asa est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Refona… tsy milavo lefona   

Mbola mitohy amin’izao ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Mandra-pahoviana? Miankina amin’ny atao ihany io: ny tsirairay miaraka no daholobe… ho mpandresy. Miady hatrany ny tena, raha mbola tsy resy ny valanaretina: tsy mitsaha-mitombo, ohatra, ny tranga vaovao mitondra tsimokaretina; eny, na be lavitra aza ny marary sitrana no ho izay mbola tsaboina.Farafaharatsiny amin’izay ady izay, afa-miaina andavanandro amin’ny valanaretina toy ny amin’ny areti-mifindra hafa, ohatra, ny tena, araka ny filazan’ny sasany azy? Mbola mafy ny ady, sarotra. Tsy ady amin’ny fihanaky ny valanaretina ihany no atrehina amin’izao lazon’ady izao, fa eo indrindra koa adim-piainana andavanandro. Tsy misy tsy sahirana amin’izao fa mafy ny fiantraikan’ny fepetra?Na izany aza, tsy maintsy atrehina ny fisorohana sy fitsaboana ny fihanaky ny valanaretina. Miady hatrany ihany amin’izao lehibe iombonana izao; eny, na refona sy noana aza, na sahirana aza. Mila hasiana vidiny sy hasiny ny fiaretana nandritra izay efa-bolana mahery izay: fahafoizan-tena, fotoana, fitadiavana… Nampiombona ny Malagasy izany mba tsy hitondra ho amin’ny fisarahana aty am-parany.Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hisy farany izao fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana izao. Raha izao, sanatria, no tamoraina na anaovana mosaly ny fiatrehana ny izany, ho faty antoka iray lavaka fa hihahaka sy hihanaka ny aretina. Izay no iaretana sy aharetana amin’izao ady lehibe iombonana izao. Tsy mbola vita tanteraka tsinona ny ady tokony hampiombona hatramin’ny farany.Azo arenina ihany atsy ho atsy ny fitadiavana, na misy aza no tonga amin’ny fitenenana hoe: tsy matin’ny aretina ny vahoaka sahirana amin’izao, fa matin’ny hanoanana. Tsy efa misy ezaka amin’ny karazana fanampiana fanamaivanana fahasahiranana? Eny, na tsy mahafa-po aza, tsy mahahenika ny rehetra, tsy maharitra. Mila ezaka koa ny ady amin’ny aretina raha tiana hifarana? Na refona aza, tsy milavo lefona…Rafaly Nd.   L’article Refona… tsy milavo lefona    a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – « diviziona nasionaly1 »: hanao famaranana ny Fosa Juniors sy ny As Adema

Hiady ny anaram-boninahitra ho tompondaka  2019  ny Fosa Juniors élite avy any amin’ny ligin’i Boeny sy ny As Adema avy amin’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Manana isa 14 ny ekipan’i Bob Kootwijk raha isa 12 kosa ny an’ny ekipan’i Jhonny. Miendrika lalao famaranana ny hitranga amin’ny andro fahafito farany, hihaonan’ny As Adema sy ny Fosa Juniors, hatao etsy Mahamasina, ny alahady 9 jona. Tsy maintsy mitady fandresena ny As Adema raha te hahazo ny amboara.  Ampy ho an’ny solontenan’i Boeny   ny ady sahala. Raha hiverenana ny voka-dalao,  nivoaka ho mpandresy  tao Tsiroanomandidy, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny As Adema nifandona tamin’ny Ajesaia.  Nahatafiditra io baolina tokana io i Aro ho an’ny ekipan’ny seranam-piaramanidina.Resy ny  CNapsTany Mahajanga indray, nandresy tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Fosa Juniors nanoloana ny CNaPS Sport. Vao roa minitra monja nanombohan’ny fihaonana, efa nahatafiditra baolina ny FJE, tamin’ny alalan’i Santatra. Namaly ny tompondakan’Itasy avy  eo, saingy narian’i Tendry izany  baolina tsara azony izany. Taty amin’ny minitra faha-29, nahazo “penalty” ny Fosa Junior, rehefa voafingan’i Ando kapiteny tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Besna. Tsy nihambahamba i Baggio teo nampiditra ny baolina ary io isa 2 no ho 0 io no nentina niala sasatra. Taty amin’ny minitra faha-59 nilalaovana kosa ny nahatafiditra ny baolina tokana ho azy ny CNaPS Sport tamin’ny alalan’i Lalaina.  Nisaraka 2 no ho 1 io  ny roa tonta.Mi.Raz L’article Kitra – « diviziona nasionaly1 »: hanao famaranana ny Fosa Juniors sy ny As Adema a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vaovao tambatra

Nisokatra, omaly, ny atrikasa izay nomena ny lohahevitra « Ny lalana fampandrosoana nodiavin’i Sina sy ny fifandraisany amin’i Madagasikara ». Nikarakara izany ny Ivontoerana fianarana politika eto Madagasikara,  noho ny faha -40 taona nisokafan’i Sina amin’ny any ivelany. « Ahoana ny nahatongavan’i Sina amin’izao fandrosoana misy azy izao sy ny traikefany ? Azo antoka fa mahaliana ho an’izay rehetra mihevitra ny tena fampandrosoana ho an’i Madagasikara ireo fanontaniana ireo », hoy ny ambasadaoro, Rtoa Yang Xiaorong. Koa nampahalalana tamin’io fotoana io ny traikefa azon’i Madagasikara alain-tahaka. 9,5 % isan-taona ny fisondrotry ny harinkarem-pirenena ; ny fari-piainan’ny Sinoa, raha  200 dolara isan’olona nanomboka ny taona 1978, tafakatra 8.800 dolara izany ny taona 2017. Ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama avy amin’ny minisitera samihafa : Ramarolahy Christian (Primatiora), Jaosolo Gelase (Toekarena sy ny tetipivoarana), Randrianarison Valéry Leroy (Indostria sy ny sehatra tsy miankina), Rakotomanga Soloalitiana (Varotra sy ny fanjifana), Andriantahina Tsiry (Angovo sy ny akoranafo), Raselison Julien Mamiarivao (Rano), Rabialahy Jean Rostand (noho ny traikefa ananany manokana).  L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby: nigadona teny Ivato omaly ny Makis vehivavy

 Tafaverina eto an-tanindrazana, omaly hariva, ireo mpilalao Makis vehivavy, nanaraka fiofanana nandritra ny 10 andro tany Gujo any Japana, nanomboka ny 15 jona lasa teo.Traikefa maro ny azon’izy 12 mirahavavy, nandritra ity fiofanana ity, ary hoentina hanatsara ny teknika efa ananana izany, raha ny fanazavana nentin’i Sariaka, isan’ireo nisitraka izany. “Tsy ho lohany eto Afrika ihany no tanjona ho an’ny Malagasy rugby fa ny hiatrika ny “Lalao olympika” sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany mihitsy”, hoy ny nohamafisin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny federasiona malagasy ny rugby, nandritra ny fitsenana ireto Makis vehivavy ireto, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly hariva. “Mafimafy ny kotrana tany Japana ary sahirana mihitsy ny Malagasy tamin’ny andro voalohany, saingy nihazatra teny rehefa nitohy ny fampiofanana”, hoy ny kosa ny mpanazatra, andriamatoa Eric.Ho feno ny fandaharam-potoanaTsy misy ny fakana aina ho an’ireto mpilalao vao avy niatrika fiofanana ireto fa miomana avy hatrany  sahady amin’ny lalao hihaonana amin’ireo firenena rahavavy, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, hotanterahina anio sy rahampitso 29 jona, eny amin’ny kianja an’Alarobia sy ny kianjan’i Pedro eny Andralanitra. Tsahivina fa firenena efatra ny hifaninana amin’izany, ahitana ny Mayotte, i La Réunion, i Maurice ary i Madagasikara. Tohin’ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy rugby, handray ny andiany voalohany amin’ny “Tana 7’s International” i Madagasikara, ny 10 hatramin’ny 15 jolay ho avy izao, handraisan’ireo firenena rahavavy anjara ihany koa. Aorian’izay, hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy” ny ekipa malagasy, ny 18 sy 19 jolay izao any Maorisy. Hitohy any Afrika Atsimo ny fifaninanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, rugby à XV. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Lalao olympika” 2020 any Tokyo, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’Afrika hatrany, ho an’ny rugby lalaovin’olona fito vehivavy kosa ny ekipa malagasy ny 10 hatramin’ny 14 aogositra any Tonizia. Ny 6 hatramin’ny 10 novambra any Afrika Atsimo no hanaovana izany, ho an’ny sokajy lehilahy, handraisan’ny firenena miisa 14 anjara. Hofaranana amin’ny “Rugby Africa Cup”, ny 1 desambra, ny fandaharam-potoana amin’ity taona ity. Lalao hatao eto Antananarivo, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, hifandonan’i Madagasikara sy i Nizeria.Mi.RazL’article Rugby: nigadona teny Ivato omaly ny Makis vehivavy a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Kidnapping Arman Kamis : Any am-ponja i Haja MAPAR

Nitondra fanazavana manodidina ny fakàna an-keriny ilay teratany Karana Arman Kamis ny lehiben’ny Fampanoavana Ambaratonga Voalohany tany Toamasina sy ny komandin’ny vondrom-paritry ny zandarimaria any an-toerana. Basy kalachnikov sy P.A ary bala miisa 118 no sarona tao amin’ny trano nitanana ity teratany Karana ity. Mitondra ny laharana 6192 ny sasany tamin’ireo bala, ny 109 tamin’ireo bala nitondra ny laharana 04, ny 08 laharana 08 ary ny iray laharana 28. Fiarakodia roa no sarona nandritra ny hetsika nataon’ny manam-pahefana tany Toamasina, ka ny iray Peugeot 309 laharana 6309 TL ny faharoa kosa Ford laharana 2404 TV. Nanao saron-tava ny telo tamin’ireo mpanao kidnapping, niseho tava kosa ny fahefatra. Sarona tao amin’ny trano nitanana an’i Arman Kamis ny jiolahy iray antsoina hoe Jean Paul Etienne (avy any Majahanga). Izy moa araka ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny Fampanoavana no niandry an’i Arman Kamis tao amin’ilay trano. Natolotra ny Fampanoavana ireo olona valo voarohirohy tamin’ity kidnapping Karana ity ka notanana am-ponja. Fahanginana Tsy nisakana ny fizotry ny fanadihadiana sy ny famotorana nataon’ny zandarimaria, ny polisy ary ny lehiben’ny Fampanoavana tany Toamasina ny fahanginan’ireo hainoamanjerin’ny TGV manoloana ny fisamborana an’i Haja MAPAR. Nisafidy io fahanginana io tokoa mantsy ny gazety mpomba an’i Andry Rajoelina. Fomba fiadin’izy ireo tokoa moa izany fahanginana izany, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharaha famotsiam-bola maloto azo avy tamin’ny fanondranana “bois de rose” sy fanodinkodinam-bolam-panjakana an’i Mamy Ravatomanga any Frantsa. Dia mbola izay fahanginana izay hatrany koa no niseho tamin’ity raharaha kidnapping ity. Mbola haverina eto indray ilay fanontaniana napetraka teto amin’ny gazety roa volana lasa izay nanao hoe: “fa iza loatra mihitsy izao mila vola be izao no toa manao tohivakana ity resaka kidnapping Karana ity?”. Amin’ny fotoam-pifidianana tahaka izao tokoa mantsy no tena mampirongatra ny fakana an-keriny, dia izao iaraha-mahita izao ny fahamarinany! L’article Kidnapping Arman Kamis : Any am-ponja i Haja MAPAR est apparu en premier sur .L’article Kidnapping Arman Kamis : Any am-ponja i Haja MAPAR a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Governemanta haingam-pandeha ?

Vita ny fitsapana ! Ho fantatra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny ho praiminisitra sy ny mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta. Voafidy ny solombavambahoaka, ny mpikambana isan-tsokajiny ao anatin’ny antenimierampirenena. Araka ny Lalampanorenana, mandroso anarana ny depiote avy amin’ny maro an’isa, mazava ho azy fa ny IRD ary manendry izay safidiny ny filoham-pirenena. Governemanta faharoa ity hitsangana ity.Nilaza rahateo ny filoha Rajoelina, tamin’ny andiany voalohany, fa hotombanana ny zava-bitan’ny minisitra tsirairay nandritra izay enim-bolana niasany izay. Manampy izany anefa, misy amin’ireo minisitra vitsivitsy, voafidy ho solombavambahoaka. Na izany aza, tombanana amin’ny ankapobeny ny vokatra sy ny zava- bitan’ny minisitera tsirairay, ary azo antoka fa tsy misy ny indrafo na ny kinamanamana satria aim-pirenena no resahina.Azo adika izany, fa vita hatreo ny andrana sy ny fitsapana, satria araka ny fanambin’ny filoha, “olon’ny asa” izy, fa mihazakazaka toy ny fiaran-dalamby haingam-pandeha (TGV), araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay. Voamarina izany amin’ireo asa vitany tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay, ary tokony haharaka izay hafainganam-pandehany izay koa ny mpiara-miasa aminy, indrindra ny governemanta mpanatanteraka.Laharaham-pahamehana ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa ny fijerena ny andavanandrony. Azo tarafina izany amin’ny fiforonan’ny asa, fototry ny fivelomana, ny vidin-javatra takatry ny maro an’isa, ny fandriampahalemana. Zava-dehibe koa ny fitoniana politika hahazoan’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny vahiny, vao hosarihina, antoka ahafahan’izy ireo mampiasa vola maharitra, ka ho azo tsapain-tanana ny fampandrosoana.Maro ny governemanta nitsangana hatramin’izay, miaraka amin’ny fanamby tsara lahatra, toy ny hoe “governemantan’ny asa”, “governemanta hiady”, …. , saingy “ny voa no hitsarana ny hazo”, hoy ny voalazan’ny Soratra Masina.Njaka Andriantefiarinesy  L’article Governemanta haingam-pandeha ? a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao
28/10/2020

 Mitohy hatrany ny fampandrosoana ataon’ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar, eo amin’ny lafin’ny ara-panatanjahantena ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Asa maro ny efa vita sy mbola hokasaina atao. Vaovao mahafaly voaray, omaly, vita soa aman-tsara ny kianja basikety Sanfil,  izay namboarin’ny fikambanana EST sy novatsiny vola. Naharitra 10 andro ny faharetan’ny fanamboarana,  nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Mbola miankina amin’ny taratasy fahazoan-dalana kosa ny fanavaozana ny kianjan’Anketa, izay nitondran’ny filohan’ny fikambanana EST, i Vital Serge, fialan-tsiny ho an’ireo tanora any an-toerana, noho ny tsy mbola fahavitan’izany.Tafatsangana ny JeuestAnkoatra ny fanavaozana ny kianja, miroso hatrany koa ny fananganana klioba, taorian’ny RCEST (Rugby Club Espoirs Sportifs de Tuléar), tafatsangana tamin’ity herinandro ity koa ny Jeuest (Jeunes Étudiants Universitaires EST). Famaliana ny hetahetan’ireo mpianatra no nananganana ity klioba ity.Hetsika maro no mbola miandry ny fikambanana ary efa an-dalam-pikarohana ny hoenti-manana amin’izany ny mpitantana. Isan’izany ny fifaninanana « multi-sports » hatao amin’ny novambra sy desambra izao, eo ihany koa ilay « soirée » kasaina hotanterahina amin’ny faran’ny volana novambra. Hanampiana ireo kliobany amin’ny fifaninanam-pirenena ho avy ireo hetsika fitadiavam-bola ireo.Marihina, vonona hiara-kiasa amin’ny  rehetra ny fikambanana EST, amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsiahivina, efa tafakatra 30% ny mpikambana taorian’ny fanakambanana ny EST sy ny COSTM ka efa mahatratra 400 ireo atleta ao aminy.Mitohy ny fanatsarana ary tanjona ny hampiroborobo ny tanora, tsy ao Atsimo Andrefana ihany fa manerana an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny EST, i Vital Serge. Manentana kosa izy ny mba hanajana sy hitandremana ny fotodrafitrasa rehetra hatsangana.Mi.RazL’article Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao a été récupéré chez Newsmada.

Manja: lehilahy niharan’ny vonoan’olona feno habibiana
27/10/2020

 Nitrangana vonoan’olona feno habibiana tany Manja, ny alakamisy alina teo. Maty tamin’izany ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Langomana. Nandray avy hatrany ny andraikiny ny polisy miasa ao Manja tamin’ny fikarohana ireo jiolahy tompon’antoka amin’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Nisy ny fitsirihana ny razana niaraka amin’ny mpitsabo. Nahitam-bokany izany satria ny zoma no tratran’ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao. Tratra tany aminy koa ny lefona namonoana ity raim-pianakaviana ity. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Hatolotra ny fampanoavana ao Morombe ny raharaha.J.CL’article Manja: lehilahy niharan’ny vonoan’olona feno habibiana a été récupéré chez Newsmada.

Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo
27/10/2020

   Mitohy hatrany ny ezaka ho fanomezan-danja ny soratra. Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny Havàtsa-Upem. Misy ny hetsika tanterahin’izy ireo mandritra ity herinandro ity…« Efa tany amin’ny volana aogositra ny nieritreretana hanatanterahana ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem »… Ankehitriny, tanteraka ny fanamby na mbola eo aza ny fahasahiranana nateraky ny Covid-19 », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Nanteriny fa mavitrika ny mpikambana sady mikendry hatrany ny hanao zavatra tsara ka tsy nataon’izy ireo ho sakana ny fotoana lava tsy nanaovana hetsika.Nomarihiny koa fa « velona ho velona ny haisoratra malagasy ». Tazana etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely izany, mandritra ity herinandro hanatanterahana ny « Herinandron’ny poety 2020 » ity. Fampirantiana asa soratr’ireo mpanoratra teo aloha sy ny ankehitriny. Misy amin’izy ireny ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Fihaonana amin’ireo mpanoratra. Antsan-tononkalo sy varo-boky, sns.Fantatra fa maro ireo mpampianatra mikasa hitondra ny mpianany eny an-toerana. « Tsara raha tonga izy ireny satria hanampy azy ireo ny zavatra ho hita ety. Na izany aza, mila hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 », hoy hatrany ny filohan’ny Havàtsa-Upem. Ny asabotsy 31 oktobra vao hifarana ny « Herinandron’ny poeta 2020 » ka ny alarobia tolakandro no hanatanterahana ny « Alarobia miverina » hiantsana tononkalo.HaRy RazafindrakotoL’article Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo a été récupéré chez Newsmada.

CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra
27/10/2020

  Vonjy aina an-tanety, fanokafan-dalana ary fanavotana traboina anaty rano. Ireo ny votoatin’ny fiofanana natrehin’ireo mpamonjy voina miisa 40 ao amin’ny Tafika nandritra ny herinandro ka nifarana ny zoma lasa teo teny amin’ny vondron’ny vonjy voina eny Ivato (CPC). Nandritra ny lanonam-pamaranana ny fiofanana, nisy ny fanehoana traikefa vao norantovin’ireto mpamonjy voina ireto. Nanatrika izany ny lehiben’ny etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude, notronin’ireo manamboninahitra isan-tsokajiny. Nohamafisin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika fa hampitomboina ny ambaindain’ny CPC ka hisy ny “bataillon” roa hisahana izany, araka ny voasoritra anatin’ny fanavaozan-drafitra ampiharina ao amin’ny Tafika. Hisy koa ny fanofanana mpamonjy voina miisa 100 ny faran’ny volana novambra izao ka izy ireo indray no hanaparitaka ny traikefa any amin’ny faritra telo manamorona ny morontsika Atsinanana. Hisy ny ao Sambava amin’ny faritra avaratra, hisy ny ao Toamasina amin’ny faritra Atsinanana ary hisy ny ao Manakara ho an’ny faritra atsimo. Notolorana mari-pahaizana ireo mpamonjy voina nahavita fiofanana.Jean ClaudeL’article CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

Lany ny tahirin’ny mpivarotra: tafakatra 950 Ar ny kapoakan’ny vary any Androy
30/10/2020

  “Efa tafakatra 950 Ar kapoakan’ny vary any amin’ny faritra Androy amin’izao fotoana izao nefa vary tsy manana kalitao tsara akory, 500 Ar kosa ny katsaka iray kapoaka raha 120 Ar amin’ny andavanandro”, hoy ny tomponandraikitry ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena miasa ho an’ny fanjarian-tsakafo Hina any Androy, i Ndrohiza Odile. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fanisana ireo tena marefo ny mpikambana amin’ny Vovonana amin’izao fotoana izao ka mitety trano. Ny zavatra tsapa, ny mpiasam-panjakana sy ireo miasa amin’ny tetikasa matanjaka ihany sisa tsy marefo fa miantraika amin’ny sarambabem-bahoaka ny fahasahiranana. Noho ny tsy fisian’ny orana tao anatin’ny herintaona, maty avokoa ny voly nantenaina hiakatra ka ifampitadiavana ny sakafo eny an-tsena. Vary sy katsaka avy any Taolagnaro ny mamatsy ny tsena ka lany ny tahirin’ny mpivarotra ankehitriny. Efa niditra an-tsehatra ny mpiray ombon’antoka toy ny Pam, ny Unicef sy ny Ofisim-paritra misahana ny fanjarian-tsakafo (ORN) nitondra sakafo ho an’ireo tena marefo. Raha tiana hivaha ny olana ka tsy hiverina isan-taona ny tsy fahampian-tsakafo any Androy, ny fahazoana rano hambolena sy hampiasaina isan’andro ary ny fanamboarana ny lalana mampifandray ny kaominina sy ny distrika rehetra no tokony himasoana, araka ny heviny. Misy ny soso-kevitra hitarihana ny reniranon’Ifaho ho an’ny Androy izay mety ho lafo sy haharitra an-taony vao ho tanteraka. Vahaolana akaiky ny fanaovana vovo isam-pokontany ahafahan’ny fikambanam-behivavy miasa sy mivelona milamina.Vonjy AL’article Lany ny tahirin’ny mpivarotra: tafakatra 950 Ar ny kapoakan’ny vary any Androy a été récupéré chez Newsmada.

Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina
28/10/2020

 Hentitra ary nahitsy. « Tsy mankato ary tsy hankatoa na oviana na oviana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana ny eglizy katolika », hoy ny eveka mpanampy eto amin’ny arsidiosezin Antananarivo, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, omaly. Nohamafisiny ny nambaran’ny kardinaly, Tsarahazana Desiré, afakomaly momba izany.  Nanteriny fa hevi-diso no nandikan’ireo mpikirakira ny serasera avy any ivelany ny teny « espagnol « nanehoan’ny papa Fransoa ny fanehoan-keviny ka niteraka izao resabe izao. Namintinany izany ny tsy fankasitrahana tanteraka izany tranga mifanohitra, tsy araka an’Andriamanitra izany. « Ny katolika tsy mankato ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana nefa kosa tsy manilika ny olona, miaina ao anatin’ny tranga fahasarotana tahaka izao », hoy izy. Mbola hanamafy izany koa ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon eny Amboara, ny asabotsy izao, amin’ny fanamasinana pretra.Synèse R.L’article Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Hakan’ny depiote fanapahan-kevitra: Minisitra telo teo aloha nanodinkodim-bolam-panjakana
28/10/2020

 Am-perinasa tanteraka ilay vaomiera misahana ny fitsarana avo eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ny vaomiera, ny depiote Tsabotokay Honoré fa voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy hosoka, fanaovana hosoka ary koa kolikoly amin’ny tolobaro-panjakana ireo minisitra telo teo aloha ireo. Eo koa ny asa tsy vita nefa ny vola lany. « Ahitana minisitra tamin’ny fitondrana Tetezamita sy ny fitondrana teo aloha izy ireo. Hiakatra eo amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina, amin’ny 17 novambra ny momba azy ireo. Handatsa-bato ny amin’ny hampiakarana azy ireo na tsia eny amin’ny Fitsarana avo natao ho an’ny mpitondra ambony (HCJ) ny depiote amin’io fotoana io ary ho fantatry ny rehetra eo koa ireo minisitra ireo », hoy izy raha nantsoina an-telefaonina, omaly. Nanteriny fa miasa hatrany ny eo anivon’ny vaomiera mandra-pahatonga izany daty izany amin’ny alalan’ny fanadihadiana sy fiantsoana ireo minisitra ireo. Na eto an-tanindrazana na any ivelany, araka ny nambarany.Tsy handray baiko avy amin’iza na avy amin’izaTsy vitan’izany fa tsy maintsy hovitain’ny vaomiera amin’izao fivoriana ara-potoana izao ireo minisitra miisa sivy teo aloha, ambiny anisan’ny ahina ho nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena koa.«Hitsara araka ny feon’ny fieritreretanay izahay ary tsy handray baiko na avy amin’iza na iza », hoy ihany ny filohan’ny  vaomiera, ny depiote  Tsabotokay Honoré.Araka izany, hitodika eny Tsimbazaza izany izao ny mason’ny mpanara-bavaovao ato ho ato, manolona ny fanenjehana ireo mpitantana teo aloha, ahina ho nanodinkodim-bolam-panjakana.Synèse R.L’article Hakan’ny depiote fanapahan-kevitra: Minisitra telo teo aloha nanodinkodim-bolam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra
29/10/2020

   Azo antoka fa hotanterahina eto Madagasikara ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2022. Tsy misy intsony ny fisalasalana fa hatao eto Madagasikara ihany ny fihaonana miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Lalao tafiditra amin’ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2022. Araka ny fanambarana nataon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), nomen’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), fahazoan-dalana manokana hiditra eto Madagasikara ny delegasiona ivoarianina, na mbola mikatona aza ny sisin-tanin’i Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga ny 15 novambra, ho avy izao ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ka fiaramanidina manokana Airbus no hitondra azy ireo.Mety hiaraka higadona eto avokoa ny ekipa roa tonta satria avy hatrany hamonjy an’i Madagasikara izy ireo, raha vantany vao ho vita ny lalao mandroso, hatao ny 14 novambra ho avy izao.Nahazo fankatoavana avy amin’ny FifaNa izany aza, tsy maintsy misy hatrany ny fitiliana sy ny fizahana ara-pahasalamana atao amin’ireo mpilalao rehetra sy ny mpikambana rehetra ao anatin’ny delegasiona, mialoha sy mandritra ary aorian’ny baikon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Tsiahivina fa hatao any amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, ny talata 17 novambra 2020, amin’ny 4 ora tolakandro io lalao miverina eo amin’ny roa tonta io. Marihina fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) io fotodrafitrasa any amin’ny faritra atsinanana io. Ankoatra izay, tsy hihoatra ny 5000 ny totalin’ny olona afaka miditra ao anaty kianja, hanatrika io fihaonana miverina io.Efa nalefan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra any amin’ny Caf sy ny federasiona ivoarianina (Fif) ny valin-teny momba io fahazoan-dalana manokana hidiran’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara io.  TompondakaL’article Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra a été récupéré chez Newsmada.

RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany
26/10/2020

Feno tanteraka izao ireo orinasa mandray antoka ny handrakofana tara manontolo ny lalam-pirenena faha-44 avy Moramanga hatrao Ambatondrazaka. Am-perinasa, nanomboka ny 23 oktobra teo, ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) voaray hanatontosa ny ampanhany farany, miala avy ao Amboasary (PK 60) ka hatreo Vohidiala (PK 133), tanàna nisehon’ny orinasa hanatanteraka ny asa, tamin’ny filohan’ny Repoblika. « Hisy tetezana lehibe iray vaovao hatao…65 miliara Ariary ny vidin’ny asa rehetra hatao », hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, raha nandray ny filoham-pirenena, nanatrika ny fiantombohan’ny asa.Ho 8,40 metatra ny sakan’ny làlana amin’ny faritra mamakivaky tanàna, ary ho 8,60 kosa ny sisa. Ho ao amin’ny PK 87 no hisy toby foibe. « Somary vitsy ny toerana azo hakàna vato any amin’iny toerana iny: enina aloha ny efa hita hatreto… Tsy hovaina ny soritra (tracé) ankehitriny, mirefy 73 km, io », hoy ny teknisianina sinoa tafaresaka taminay.Orinasa za-draharaha ny CRBC.”Efa maro ny asa vitan’ny CRBC aty Afrika, hoy ny filoha Rajoelina Andry: « Ny hafatra: ny asa ataontsika eto, mba ho zavatra matanjaka, manaraka ny fenitra. Mba hipetraka holovain-jafy. »Naverimberiny izay raha nitokana ny seranam-piaramanidina nohatsaraina eny Feramanga Avaratra, ny sekoly manara-penitra ao Ambatondrazaka. Teo amin’ireo tetezana roa an-dalam-pahavitàna: ny « Tetezan’ny kafe » sy ny “Nanaingazipo”, taloha izay nomen’ny filoham-pirenena anarana hoe “Tetezan’ny Fihariana », manomboka izao.RarivoL’article RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Caf: ho kandidà fanindroany i Ahmad
30/10/2020

   Nanapa-kevitra i Ahmad, filohan’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), fa mbola ho kandidà indray izy amin’ny fifidianana hotanterahina any Rabat, Maraoka, ny 12 marsa 2021. A raka ny fantatra, ny 28 oktobra lasa teo, no noraisin’ny Caf tamin’ny fomba ofisialy ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’i Ahmad.Raha tsiahivina, izy ny kandidà voalohany nitonona ho mpifaninana amin’ity ho filohan’ny Caf ity. Hatreto, tsy mbola nisy nilaza hifanandrina aminy ireo filohana federasiona ao Afrika. Mety mbola miandry hatramin’ny 12 novambra, fe-potoana farany, vao ho fantatra avokoa ireo kandidà rehetra.Mandra-piandry izany, efa maro ireo filohana fikambanana sy federasiona nilaza ny fanohanany an’i Ahmad, amin’ity. Ankoatra ireo, anisan’ireo olona efa naneho fankasitrahana amin’izao filatsahan-kofidiny izao indray i Nicolas Dupuis. Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2017 no nitondran’i Ahmad ny Caf ary anisan’ny nampiavaka azy ny nampakarany ho 32 ny isan’ireo firenena mifaninana amin’ny “Can”.TompondakaL’article Kitra – Caf: ho kandidà fanindroany i Ahmad a été récupéré chez Newsmada.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.