Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary

News - Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary
Nandriaka indray ny ra teny
Ankaraobato, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nihosin-dra
tanteraka ny maitre Bary, nivalampatra tamin’ny arabe. Olona sendra
nandalo ny nahita azy teo amin’ny
rarivaton’Ankadilalampotsy-Ankaraobato. Feno dian’antsy ny faritry
ny tendan-dRatompokolahy Bary. “Antony mety ho nitarika ny
fahafatesany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany
fa monina eny Antsahasoa, tsy lavitra eny, ralehilahy. Mpitaiza
tanora amin’ny fanatanjahantena izy. Anarana ahalalan’ny maro azy
ny “maitre Bary”. Malaza amin’ny tanjany izy ary tsy mahatohitra
azy raha mbola olona telo aman’efatra manao angaredona aminy. Mety
ho tampoka aminy kosa ny fanafihana nahazo azy.
Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminanan nijery ilay namoy
ny ainy. Nanatrika izany koa ny mpitsabo ao an-toerana. Misokatra,
manaraka izany, koa ny fanadihadiana ny raharaha.
Henintsoa Hani
L’article Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - Delire Madagascar
FAMBOLEN-KAZO MAHARITRA : Hahazo tombony ireo tantsaha eny Andramasina
Zana-kazo 25.000 no hambolena amin’ny tany mirefy 24 ha eny Andramasina ao anatin’ny dimy taona. Io no vina napetraky ny Fondation Axian ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Niaraka namboly hazo teny Andramasina ireo mpiara-miasa 150, mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ireo orinasa mivondrona ao amin’ny Group Axian ny 07 desambra 2020. Zana-kazo 2.500 no voavoly nandritra ny tontolo andro. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Fondation, Rajemison Dina fa ao anatin’ny fiarahamiasan’ny Fondation Axian amin’ny orinasa Bôndy amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa fambolen-kazo maharitra ity hetsika ity. Mampiavaka ny tetikasa ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony. Tantsaha 30 no miara-miasa amin’ny Bôndy ka eny amin’ny tanin’izy ireo no hambolena izy zana-kazo. Nosafidiana manokana ireo hazo miaro tontolo iainana sy misy fiantraikany mivantana fiainana andavanandron’ny mponina. Karazan-kazo 17 isa toy ny hazo fihinam-boa (paiso, paoma), hazo fatao kitay na saribao, hazo sy voly mampidi-bola (Ravintsara, episy…) no nosafidiana. Hiteraka asa ihany koa ny tetikasa toy ny « pépiniériste »… Nirina R. Cet article FAMBOLEN-KAZO MAHARITRA : Hahazo tombony ireo tantsaha eny Andramasina est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FAMBOLEN-KAZO MAHARITRA : Hahazo tombony ireo tantsaha eny Andramasina a été récupéré chez Délire Madagascar.
News - News Mada
Ho hita eo izay tsy manara-dalàna: hasiana GPS ny taxi-be zotra D
Nanomboka ny volana avrily lasa teo, nosafidina ho zotra filamatra hitondrana fanatsarana amin’ny fitateram-bahoaka ny zotra D mampitohy an’Antananarivo amin’Ivato sy Ambohidratrimo. Hetsika iarahan’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) sy ny minisiteran’ny Fitaterana ary ny kaoperativa miampy ny polisy ny fanatsarana.Maro ny asa efa notanterahina ka anisany ny fanofanana ireo tompon’ny fiara miasa ao anatin’ny kaoperativa, ny « pointeur », ny « cadenceur ». Efa mijoro ny komity manara-maso ny bokin’andraikitra sy ny fanatanterahana izay rehetra voalaza ao. Manana anjara andraikitra koa ny mpandeha mampiasa ny zotra isan’andro. Efa napetraka ho hitan’ny besinimaro any anatin’ny taxi-be ho an’ny zotra D ny laharana rehetra ilaina sy azo antsoina raha mahita zavatra tsy ara-dalàna, indrindra ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tokony tsy hatahotra hampita vaovao ny mpandeha, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ATT, ny kolonely Reribake Jeannot, raha nidina ifotony nanomboka ny fanaraha-maso ireo zotra D, omaly tetsy Vassacos.Manana fiara 750 miasa ao aminy ny zotra D mihazo an’Ivato sy Alakamisy Ambohidratrimo ary miparitaka amin’ny kaoperativa telo izy ireo. Tamin’ireo fiara 200 nandalo vao maraina teny Vassacos, ho an’ny 95% nandalo teo ambany mason’ireo tomponandraikitra, efa voapetaka avokoa ny afisy rehetra any anaty fiara. Misy ihany anefa ny zavatra tokony hahitsy. Hotontosaina indray mandeha isan-kerinandro ny fanaraha-maso toy izao.Hametrahana GPS ny fiara rehetraEntanina ihany koa ireo tompon’ny fiara hametraka GPS ao anatin’ny telo volana ho avy hahafahana manara-maso ireo fiara miasa sy mihodina an-dalana. Heverina fa tsy hampijaly vahoaka intsony ny fiara amin’ny zotra D ary hosazina avy hatrany izay mbola tratra tsy manaraka ny bokin’andraikitra, araka ny nambaran’ny filohan’ny koperativa, Rabarison Tina. Mila averina ihany koa ny tapakila izay porofo manamarina ny isan’ny mpandeha tao anatin’ny fiara nandritra ny tontolo andro ho fanatsarana ny fitantanana.Vonjy A. L’article Ho hita eo izay tsy manara-dalàna: hasiana GPS ny taxi-be zotra D a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Mpandraharahan’ny minisiteran’ny Fahasalamana (Synpa): «Tokony hisitraka fampitaovana sy fiofanana»
Mahatsiaro ho mijaly ny mpiasa mpandraharaha ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ka mihetsika mitaky ny zo aman-kasiny. 7 000 ny mpiasan’ny fahasalamana misahana ny fandraharahana manerana ny Nosy raha manodidina ny 18 000 ny fitambaran’ny olona rehetra misehatra ao anatin’ny minisitera, araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendikàn’ny mpiasa mpandraharaha ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana (Synpa), Rajernerson Modeste, omaly teny Anosy. Ny volana mey 2019 no nijoro ny sendikà hanatsara ny lafiny sosialy sy ny toekaren’ny mpikambana ao aminy ary hiaro ny mpiasa manoloana ny antsojay mety hahazo azy eo am-panatanterahana ny asany. Mahatsapa ny mpiasa mpandraharaha fa latsa-danja raha mitaha amin’ny mpiasam-panjakana namany na mitovy aza ny mari-pahazaina ananana. Izay no mahatonga azy ireo nametraka volavolan-dalàna eny anivon’ny tomponandraikitra hojerena manokana momba ny «indemnité» telo : fitaterana, «sujétion» ary ny «risque». Mangataka ny fanomezan-danja ny asan’ny mpandraharaha izy ireo ka tokony hisitraka fampiofanana sy ny fampitaovana satria mampihodina ny asam-pahasalamana koa na tsy misehatra mivantana eny amin’ny hopitaly aza.Nandritra ny hamehana ara-pahasalamana niantsoana ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra hiasa hiady amin’ny valanaretina, nandray anjara avokoa ny mpiasa mpandraharaha ary mahatsapa fa rariny raha mangataka koa «indemnité de réquisition» toy ny mpiasan’ny fahasalamana.Nanao fivoriambe eto Antananarivo ny solontenan’ny sendikà isam-paritra ka nahatonga solontena ny faritra 20. Manombana ny ezaka vita sy ny asa miandry ho an’ny taona 2021 izy ireo.Vonjy A.L’article Mpandraharahan’ny minisiteran’ny Fahasalamana (Synpa): «Tokony hisitraka fampitaovana sy fiofanana» a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
LOZA TENY AN’ARABE :: Lehilahy roa samy namoy ny ainy voadonan’ny fiara
Samy maty tsy tra-drano voadonan’ ny fiara ny lehilahy roa niampita arabe teny Ankadimbahoaka sy Andohantapenaka, ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana. Voatazona atao andrimaso ny mpamily roa nitondra ny fiara tamin’ireo tranga roa niseho ireo. Raha tsy misy ny fiovana dia, anio, no fantatra fa hanolorana ny valin’ny fanadihadiana eny amin’ny mpitsara mpanao famotorana eo anivon’ny Fampanoavana. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany ny alin’ ny alahady, no niseho ny loza voalohany teny Ankadimbahoaka. Handeha hanapaka ny arabe no tra-doza tampoka ny lehilahy, roa amby telopolo taona. Fiara ana orinasa iray no nandona azy. «Henonay ho tsy niera tamin’ny lehibeny fa nangala-dia nitondra an’io fiara io an-tsokosoko ny mpamily. Hita ihany koa fa nisotro zava-pisotro misy alikaola izy no izao nanao loza izao », hoy ny polisy eo anivon’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC), manao ny famotorana. Mbola feno olona teo amin’ny manodidina, tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Tonga teo ihany koa ny mpitandro ny filaminana nanao ny fizahana sy nitondra ny mpamily. Tamin’ny roa ambin’ ny folo alina tany ho any indray no nitrangan’ilay lozam-piarakodia faharoa teny Andohantapenaka. Fiara iray marika «Mercedes Sprinter » izay taksiborosy no voalaza fa nandona lehilahy iray, roa amby efapolo taona, ary nahafaty an’ity farany teo no ho eo. Nikasa hiditra ao amin’ny toby fiantsonan’ ny taksiborosy ilay fiara mpitatitra olona, tamin’io fotoana io. Mbola ny polisin’ny Bac hatrany no nantsoina hijery akaiky ny zava-misy teny an-toerana. Samy naterina teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Hjra ireo vatana mangatsiaka roa. Nambaran’ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana fa andrasana ny fahatongavan’ny fianakaviana roa tonta tamin’ireo loza roa niseho ireo, mialoha ny hanolorana ny raharaha eny amin’ny Fitsarana. Miafara amin’ny fitohizan’ ny fitazonana an’ireo voarohirohy kosa raha toa ka tsy vita ny fanadihadiana rehetra. L’article LOZA TENY AN’ARABE :: Lehilahy roa samy namoy ny ainy voadonan’ny fiara est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Fandaharanasa Fanoitra: mampivoatra ny asa tanana amin’ny faritra Analamanga
Distrikan’Avaradrano, faritra Analamanga, distrika iray anatin’ny dimy ahitana ny Fandaharanasa Fanoitra, tohanan’ny Prosperer, ho fampivoarana ny tetikasa madinika eo amin’ny sehatry ny asa tanana. Efa nanomboka ny taona 2009 ary mitohy hatramin’izao.Maro ireo tohana nomena ireo orinasa madinika mihodina amin’ny rary, ny rafitra hazo sy ny zaitra. Isan’ireny ny fanofanana amin’ny endriny maro, ny fanamorana mahakasika ny findramam-bola, ny fanomezana fitaovana amin’ny vidiny ifampizarana, ny famonjena fampisehoana ara-barotra samihafa, indrindra ny fampiraisana ara-barotra ireo mpandraharaha amin’ny vondron’ny mpamokatra. Anatin’izany Fanoitra izany koa ny tetikasa momba ny fambolena sy ny fiompiana hita amin’ny faritra maro. Tanjona ny hampivoarana ny orinasa madinika.Ao Tsarafara, Sabotsy Namehana, ohatra, ahitana asa tanana rehetra vita amin’ny hoditra toy ny kitapom-behivavy, ny kitapon-dehilahy, ny kiraro, sns, ary koa ny asa tanana rehetra vita amin’ny rofia, toy ny harona. Tany taona 80 efa nahitana izany vokatry ny asa tanana izany teny an-toerana, ary nanomboka ny fiaraha-miasa amin’ny fandaharanasa Fanoitra, ny taona 2017.Ahitana mpandrafitra hazo ny ao Andrefantsena, Sabotsy Namehana ihany. Hita ao avokoa izay vita amin’ny hazo, toy ny fandriana, ny varavarana, ny fanaka, sy ny sisa. Fomba iray hisarihan’ireo mpandrafitra ny mpanjifa ny famoronana maodely vaovao, ankoatra ny fiofanana omena azy ireo.Na misy traikefa aza ireo mpanao asa tanana, nomena fiofanana ihany izy ireo ahafahany mampivoatra ny asany. Koa hita mihatsara hatrany ireo zava-bita ary miezaka mamorona maodely vaovao, araka izay azo atao izy ireo na betsaka aza ireo maka tahaka ny maodely efa navoaka.Toeram-pivarotana ao AntsofinondryRaha ny mahakasika ny lalam-barotra indray, ao Antsofinondry, Sabotsy Namehana, ny toeram-pivarotana iray ahitana ireo asa tanana vita amin’ny hoditra, ny rafitra hazo, ny zaitra, ny rary. Misahana ny varotra ny Kaoperativa Salohy. Manampy betsaka ireo mpivarotra sy mpanao asa tanana mivantana koa ny famonjena foara, hahitan’ny mpitsidika ny entana amidy. Maka santionany 50, ohatra, amin’ny voalohany, avy eo maka maromaro saingy mbola tsy tena hoe betsaka. Mahavelona ny asa tanana raha toa ka manara-dalàna ireo mpifaninana. Misy amin’ireo mpifaninana mantsy no miditra amin’ny tsy ara-dalàna amin’ny endriny maro. R.MathieuL’article Fandaharanasa Fanoitra: mampivoatra ny asa tanana amin’ny faritra Analamanga a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Mampiahiahy ny tsy fanazavana…
Vitan’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina Barea, nampiombom-po ny Malagasy ve ny fampihavanam-pirenena? Mbola resaka lava izay. Mihavana ve ny Malagasy amin’izao? Na tena mifampatoky amin’izay rehetra mitranga sy atao…Lasa resaka tato ho ato, ohatra, ny amin’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana ireo fiara manokana 4 x 4 nomen’ny fanjakana: iadiana amin’ny dahalo any ifotony sa iasana andavanandro? Soa ihany, nanazava ny tomponandraikitra.Samy asa avokoa izay atao? Saingy misy ny hoe laharam-pahamehana sy zava-dehibe, efa nanaovana fanamby sy fampanantenana. Manjary miteraka tsy fifampitokisana sy ahiahy tsy ihavanana izay atao, raha tsy misy fanazavana mialoha.Tsy vitan’izay, mampisy ahiahy tsy ihavanana koa tato ho ato ny fanajana lalàna amin’ity hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Tsy inona fa ny amin’ity fanemorana ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna.Nampiaka-peo, ohatra, ny firaisamonina sivily sasany fa tokony hohajaina ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ireo. Mampiahiahy ho azy ny tsy fanajan-dalàna ny amin’ny tokony hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany.Misy ny fanovana ny amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na ny kaominina? Mila nohetsehina mialoha izany mba tsy hisian’ny ahiahy tsy ihavanana. Natao hitsinjo mialoha ny mpitondra, indrindra amin’izay (h)ataony.Ny amin’izay fifidianana izay ihany, misy milaza fa tsy tokony hokitikitihina fahatany ho azy amin’izao ny lisitry ny mpifidy: alalana avy aiza no ahazoan’ny Ceni manao izany? Mila mazava izay mba tsy hisian’ny ahiahy.Inona na ahoana koa? Santionany ireo… Misy ihany ahiahy tsy ihavanana indraindray amin’izay mitranga sy atao. Tena mifampatoky ve ny Malagasy? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy, mampihavana na tsia.Mba tsy ho marina ny hoe: ny vazaha, mody miady; ny Malagasy, mody mihavana. Na ampiadiana, tsy miady; ampihavanina, tsy mihavana… Mbola samy maka ho azy? Fotoan’ny fangaraharana izao, hialan’ny ahiahy tsy ihavanana.Rafaly Nd. L’article Mampiahiahy ny tsy fanazavana… a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
“Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz
Ny azy, izay ampanantenainy dia tanterahiny… Toetran’i “Konka”, anarana nomen’ireo akaiky azy, an’i Wawa, izay. Ho avy any Nosy Be i Flavour amin’ity…Efa teto i Diamond Platnumz. Tsy hoe nandalo fotsiny fa nametraka fahatsiarovana tsara ho an’ireo mpankafy azy ao Nosy Be, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny “Festival Sômaroho!” ity mpanakanto iraisam-pirenena ity. Fitia mifaly satria tsy nahafoy ihany koa an’i Madagasikara ka mbola hiverina amin’ity andiany faha-6 ity i Diamond Platnumz. Anisan’ireo vahinin’i Wawa, mandritra ny “Festival Sômaroho!”, hotontosaina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, ao Nosy Be, izy. Nampisafidy ny mponin’i Nosy Be i Wawa, nandritra ny seho famaranana ny andiany fahadimy, tamin’ny taon-dasa. “Iza ny tianareo ho avy: i Kassav, i P Square sa i Flavour? Tsy maintsy tongantsika eto farafaharatsiny ny iray amin’ireo amin’ny taona ho avy”, hoy izy. Ho tanteraka tokoa izany satria fantatra fa ho avy i Flavour. Mpanakanto nizerianina malaza izy, ary efa nampiara-peo tamin’i Diamond Platnumz ihany koa tao anaatin’ilay hira “Time to party”. Tsy izy ireo ihany fa mbola ho avy koa i Franko, ilay mihira ny “Coller la petite”, efa nanao seho tsy nahomby teto Antananarivo. Ankoatra izay, nasaina manokana ry Chigoma & Mbiwi, avy atsy La Réunion. Tsy ho latsa-danja amin’ireo vahiny anefa ireo mpanakanto malagasy nasain’i Wawa. Ao ireo efa malaza eto sy any ivelany ihany koa, ary misy kosa ireo vao misondrotra. Hifandimby ao amin’ny sehatra ao Ambodivoanio ry Black Nadia, Amc Junior, Lahety, Tax Olo Fotsy, Sofia Goma, Bibiana, Tence Mena, Big MJ, Taa Tense, Haramy, Jaojoby, Lico Kininiky, Mario, El Kiss, Dedaky, Madmax, Rijade, Basta Lion, sns. “Efa tomombana ny fanomanana sy ny fandraisana ao Nosy Be amin’izao fotoana izao. Tsy ny lafiny fampisehoana ihany fa eo koa ny lafiny fanatanjahantena sy ny fizahantany, izay tsy afa-misaraka amin’ny “Sômaroho!”, hoy ny nambaran’i Perkin, solontenan’ny mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Futsal Andraharo. Zo ny Aina L’article “Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra
Vonona ny Barean’i Madagasikara hidona amin’i Mozambika, eo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.“Tapa-kevitra ary hiezaka handresy an’i Mozambika izahay, rahampitso alahady”, hoy i Rivo Francklin, mpanazatra, sy i Ando, kapitenin’ny Barean’i Madagasikara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly tetsy Ankorondrano. Fihaonana, hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.Fanambin’ireo mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea ny ho tonga amin’ny dingana famaranana, amin’ity “Chan 2020” ity. Efa iray volana rahateo ry zalahy no nanoman-tena ary niavaka satria nahatratra 16 ireo ekipa nakana ireo mpilalao raha efatra ny hatramin’izay. “Nohamafisina ny fanafihana, tamin’ity, izay hita fa lesoka nandritra ny “Cosafa 2018”, hoy i Rivo Francklin.Raha tsiahivina, ekipa efa nidona tamin’ny Barean’i Madagasikara i Mozambika tamin’ny taona 2018, nandritra ny fifanintsanana “Chan”, toy izao ihany. Nisaraka ady sahala, 2 sy 2, tetsy Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso ary nandresy tany an-tanin’olona, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny fihaonana miverina.Ankoatra izay, ny fanamiana mitondra ny marika Nino no hoentin’ny Barea, rahampitso, fa tsy ny Garman intsony. Hisokatra amin’ny 7 ora kosa ireo vavahady miisa sivy eo Mahamasina hisorohona ny ho fibosesehana.Tonga omaly, ny ekipan’i Mozambika. Hitsapa ny kianjaben’ny Mahamasina izy ireo, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mbola hanao fanazarantena kely ho fanitsiana sy fanamafisana ny taktika kosa ny Barea, amin’ity maraina ity.Marihina, fa afaka herinandro no hanaovana ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, ka raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Maputo, ny asbotsy 3 aogositra izany fihaonana izany. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2022”: nidina tany Toamasina ny «comité mixte»
Na ho raikitra na tsy ho raikitra ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2022”, efa manomana ny ho fandraisana io lalao io ny “comité mixte”, tarihin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS). Fantatra àry fa nidina tany Toamasina izy ireo, omaly zoma, ka nihaona amin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana: ny lehiben’ny faritra sy ny “prefet” ary ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Tamin’io ny nampahafantaran’ny filoha lefitra voalohany ny federasiona, Andrianony Victorien, amin’ny fomba ofisialy, ny fampiantranoan’ny faritra Atsinanana io lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire io. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy, ny talata 17 novambra ho avy izao. Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ihany koa no nandrafetana ireo kaomisiona isan-karazany, hisahana ny fikarakarana samihafa hahazoana manatanteraka ny lalao.Tsiahivina fa nangataka fanemorana ny fihaonana ny FMF sy i Nicolas Dupuis, ary eo am-piandrasana ny valin’izany izy ireo ankehitriny.Tompondaka L’article Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2022”: nidina tany Toamasina ny «comité mixte» a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fanatsarana lisi-pidianana : hangataka “ordonnance” amin’ny fitsarana ny Ceni
Hanao ahoana ihany ny lisi-pifidianana amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly amin’ny 27 novambra. Nilaza hangataka “ordonnance” ny Ceni ho amin’ny fanatsarana… “Iarahantsika mahalala hoe tsy misokatra ny lisi-pifidianana, raha tsy amin’ny 1 desambra hanaovana ny fanavaozana isan-taona. Ny dikan’izay: tsy afa-mikitika ny lisi-pifidianana amin’izao ny Ceni.” Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, momba ny fanatsarana ny lisi-pifidianana hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, ny 27 novambra ho avy izao. Tsy afa-mampiditra anarana olona vaovao ao anatin’ny lisi-pifidianana ny Ceni, tsy afa-manaisotra anarana ao anatin’izany koa.Noho izany, hangataka “ordonnance” ny Ceni, araka ny fanazavany. Didy avy any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izany, hahazoana mamerina amin’ny laoniny ireo mpifidy tsy nahita ny biraom-pifidianana tokony ho nanaovany fandatsaham-bato tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Eo ihany koa ireo tsy afa-nandatsa-bato fa tsy maintsy nofafana ny fisoratany anarana voalohany tao anatin’ny lisi-pifidianana.Haverina amin’ny laoniny ny mpifidyHaverina amin’ny laoniny ao anatin’ny lisi-pifidianana ireo olona tsy afa-nandatsa-bato noho ireo antony roa ireo, ary ampahafantarina azy hoe aiza izy no tokony handatsa-bato amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. “Apetraka hatrany izay fepetra izay fa tsy misy ny fampidirana olona vaovao na fanalana olona efa ao anaty lisi-pifidianana”, hoy ihany izy. Famerenana amin’ny laoniny amin’izay fahasahiranana amin’ny birao fandatsaham-bato izay no hatao.Hanome izay didy hitsivolana izay àry ve ny fitsarana raha efa tsy ao anatin’ny lalàm-pifidianana intsony ny fangatahana izany? Ahina hiverina sy ho lasa fahazarana indray…R.Nd.L’article Fanatsarana lisi-pidianana : hangataka “ordonnance” amin’ny fitsarana ny Ceni a été récupéré chez Newsmada.