Hiezaka hanakaiky vahoaka ireo mpisolovava

News - Hiezaka hanakaiky vahoaka ireo mpisolovava

News - Hiezaka hanakaiky vahoaka ireo mpisolovava

Notoloran’ny avy amin’ny
Frankofonia ordinatera maromaro, miaraka amin’ny kojakoja samihafa
ny holafitry ny mpisolovava, omaly tetsy Anosy. Haparitaka amin’ny
renivohi-paritany sy ho an’ny any Antsirabe ary Antsohihy ho
an’ireo mpisolovava, izany fitaovana izany.  « Efa
hita amin’izany fitaovana izany ireo lalàna samihafa. Ny fanofanana
ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisolovava ary mampita sy
mampahafantatra izany amin’ny vahoaka », hoy ny
filohan’ny holafitry ny mpisolovava, ny Me Razafinarivo Chantal.
Manampy izany ny fanofanana ireo mpampiofana ho an’ny mpikambana eo
anivon’ny filankevitry ny mpisolovava iarahana amin’ny Transparency
international. Miompana amin’ny fanjakana tsara tantana, ny ady
amin’ny kolikoly, ny momba ny etika izany ary
hampahafantarina  ny vahoaka koa, araka ny nambarany hatrany.
« Natao hanatsarana ny fomba fiasa izany, manoloana ny
teknolojia amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany koa ny
teny filamatra : « Manampy anao ny mpisolovava –
Mampima ». Zon’ny rehetra tahaka ny fahazoana fahasalamana sy
ny fampianarana ny fandehanana eny amin’ny fitsarana. Eo koa ny
fitsarana manakaiky vahoaka  », hoy ihany izy.

Synèse R. 

Article tiré de Newsmada

L’article Hiezaka hanakaiky vahoaka ireo mpisolovava a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Hafatry ny Papa François: “Fanombohan’ny tontolo vaovao ny Paka”

Fiandohan’ny fiainam-baovao ho an’ny tsirairay ny fitsanganana amin’ny maty, satria miainga amin’ny fo sy ny fahatsiarovan-tena ny fanavaozana marina”, hoy ny hafatry ny Papa François tamin’ny Paka teo.Nefa fanombohan’ny tontolo vaovao koa ny Paka, fanafahana ny fandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, ary farany ny tontolo misokatra amin’ny fanjakan’Andriamanitra, amin’ny fanjakan’ny fitiavana, fandriampahalemana sy firahalahiana. Velona mijanona miaraka amintsika i Kristy. Ary Izy, ilay velona ho fanantenana ho an’ireo vahoaka havana syrianina, tra-pahavoazana noho ny ady maharitra ela.Fotoana izao itadiavana vahaolana politika mamaly ny hetaheta fahafahana, filaminana sy fahamarinana, hiatrehana ny krizy maha olona ary manome vahana ny fiverenana amin’ny filaminan’ny mpifindra monina sy mitsoa-ponenana, indrindra ny ao Liban sy Jordania.Ny fahaveloman’i Kristy, mba hanome fandriampahalemana ho an’ny havana afrikanina, mbola mihahaka noho ny fihenjanana sosialy, ny fifandonana maherisetra indraindray ary mahatonga tsy filaminana, fandravana sy fahafatesana any  Burkina Faso, Mali, Niger, Nigéria, Cameroun. Saininy koa ny any Soudan, mandia fotoana tsy ahazoana antoka ny politika, ka aniriany ny hahazoan’ny tsirairay maneho hevitra sy hahita fahafahana, fandrosoana fanirian’izy ireo hatramin’ny ela.R.Nd.  L’article Hafatry ny Papa François: “Fanombohan’ny tontolo vaovao ny Paka” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra

Araka ny tetiandro napetraky ny “comité de normalisation”, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, hanomboka amin’ity alakamisy 8 aogositra ity, ny fampielezan-kevitra, hataon’ireo kandidà dimy mirahalahy mianaka, hirotsaka hofidina ho filohan’ny federasiona (FMF). Hanoloran’izy ireo ny fandaharanasany, enti-mampandroso ny baolina kitra, ary handreseny lahatra ireo filohana ligy miisa 22, mpandatsa-bato.Manana anjara fitenenana 5 mn avy ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena, izy ireo izay tsy handoavana vola,  Arakaraka ny filaharany ao anaty biletà tokana, izany fandraisam-pitenenana izany. Raha tsiahivina, laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain, faharoa, i Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Hery ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Ankoatra izay, hisy ady hevitra mivantana “savaravina manokana”, hataon’ireo kandidà mpifaninana ireo, ny alahady 18 aogositra, ho avy izao, ao amin’ny RNM, izay hahafahan’ireo mpihaino miditra an-tariby, mametraka fanontaniana amin’izy ireo. Toy izany koa ny ao amin’ny fahitalavi-pirenena izay hisian’ny kianja manokana, ny alatsinainy 19 aogositra, ho avy izao. Marihina, fa hifarana ny 22 aogositra, izany fampielezan-kevitra, izany. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana

Mifanome fotoana, ao amin’ny Studio Rary ao amin’ny Tahala Rarihasina etsy Analakely, indray ireo matihanina amin’ny soradihy sy ireo rehetra mankafy sy liana amin’izany, androany. Ity ny fotoam-panokafana ny « Labdihy » andiany fahavalo, hetsika novolavolain’i Ariry Andriamoratsiresy ary tontosaina isaky ny roa taona.Miavaka amin’ireo hetsika mahakasika ny dihy ankehitriny ny « Labdihy », izay sehatra iray hanomezan’ny tsirairay, ireo matihanina amin’ny soradihy, ny aingam-panahiny sy ny talentany ary ny teknikany, ahafahana mamoaka zava-baovao. « Labdihy » na laboratoara ho an’ny dihy, fotoana natao hanaovana fikarohana.Miompana amin’ny hoe “Ny fetra sy ny faritra eo amin’ny seha-javakanto samihafa” ny lohahevitra amin’ity andiany fahavalo ity. Ankoatra ny tanora mpanao soradihy eto an-toerana, maromaro ireo vahiny namaly ny antso, toy ny avy any Maorisy, Mozambika ary Rodrigues.Aorian’ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina, hitohy eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina etsy Mahamasina sy ao amin’ny IFM etsy Analakely ny fifanakalozana sy fikarohana hataon’ireo mpanao soradihy, hatramin’ny 24 aogositra izao.Landy R. L’article « Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

Maro ny tranga izay tsy manaja ny zo mahaolombelona ny ankizy «autistes » sy ireo ray aman-dreniny. Nisongadina izany tamin’ny iraka nataon’ny Dr Pierre Sans, manampahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, teto amintsika, ny 6 hatramin’ny 24 jolay teo, niaraka tamin’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Autisme Madagascar.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Opération Blue » ity iraka, natao teto Analamanga sy tany Atsinanana ary Analanjirofo, ity. Votoatin’ny tetikasa ny hanao fitiliana maimaimpoana ny « autisme » eto amintsika, rehefa tsapa fa olana ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manao izany, rehefa mahita fa manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ny zanany.Miisa 22 ny ankizy vita « diagnostics » teto Analamanga, 11 tany Toamasina ary 9 tany Fenoarivo Atsinanana. Nandritra ireo asa ireo, tsapan’ny Dr Pierre Sans sy ny ekipa niaraka taminy fa betsaka ny “diagnostics” tsy marina sy ny fanafody tsy mifanaraka amin’ny aretina manjo ilay zaza na koa mihoatra ny tokony ho izy. Tsy vitsy koa ny fitsirihana ara-pahasalamana na “examens médicaux” tsy mifanaraka sy mihoatra ny tokony ho izy, toy ny fanaovana “scanners” sy “EEG”.Tsy ireo ihany fa hitan’ity mpitsabo ity koa ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny fanafody homena ny zaza sy ny tsy fahampian’ny fanazavana homena ny ray aman-dreny. Manampy ireo ny fanomezan-tsiny ny ray aman-dreny ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana.  Nohamafisin’ny Dr Pierre Sans fa vao mainka sakana amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza “autistes” ireo rehetra ireo.Manoloana ireo, nanolotra vahaolana ny Autisme Madagascar, hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo zaza “autistes”. Anisan’izany ny fanaovana fanadihadiana manerana ny Nosy momba ireo tranga fanaovana tsinontsinona ireo olona sembana ara-tsaina na manana fikorontanana eo amin’ny fihetsika. Tokony harahina fepetra avy hatrany izy ireny.Landy R.  L’article Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy

Fantatra ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miandry ny fotoana hanatontosana, ny fifidianana sisa ny rehetra.Tontosa, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, tetsy Isoraka, omaly, ny antsapaka amin’ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, ao anatin’ny biletà tokana, amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona. Nialoha izany, notsiahivin’ny filohan’ny “comité de normalisation”, Rtoa, Atallah Beatrice fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ny kandidà Rabekoto Raoul Arizaka Romain, mahakasika ireo mpifaninana aminy, misahana andraikitra politika, izay voalaza ao anatin’ny fehezan-dalàna 13 sy 14 amin’ny lalàm-pitondran-tenan’ny fifa. Rehefa nodinihina hoy izy dia tsy azo raisina ilay izy satria tsy mbola filohan’ny federasiona ireo olona voalaza ireo. Efa nalefa any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny “comité de normalisation”, mahakasika izany.Kandidà iray ihany no tonga nanatrika ity antsapaka ity dia i Mohamad Abdillah Abdou, fa solontena kosa ny an’ireo kandidà telo hafa. Tsy nisy kosa ny an’Andriamiasasoa Doda. Izy ireo no nanao ny antsapaka, nanoloana ny mpanao gazety. Laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain. Faharoa, Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Herilalaina ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Toy io filaharany io ihany koa ny fandraisam-pitenenany, ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena (RNM sy TVM), amin’ny fanolorany, ny fandaharanasany. Hanana 5 mn avy izy ireo, manomboka ny 8 aogositra, hanombohan’ny fampielezan-kevitra, hatramin’ny 22 aogositra, ho avy izao, izay maimaimpoana.Tsiahivina, fa hatao any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra, ny fifidianana. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Halatra kodiarana

Nirifatra nandositra, vantany vao nahatazana ny polisy, ny lehilahy iray, 32 taona, teny amin’ny tetezan’i Behoririka, afak’ omaly maraina. Nifanenjehana izy ka voasambotra tsy lavitra teo. Fantatra teo fa saika nangalatra kodiarana fiara nipetraka teny amin’ny manodidina teny ity lehilahy ity. L’article Halatra kodiarana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Tsy mbola tena am-perinasa ny “Cellule mixte d’enquête”

Manoloana ireo tranga fakàna an-keriny niseho teto an-drenivohitra tato anatin’ny andro vitsy izay dia fantatra, araka ny loharanom-baovao, fa samy manao famotorana ny eo anivon’ny Zandarimaria sy ny Pôlisim-pirenena. Momba ireo tranga teny Soavina tamin’ny faran’ny herinandro dia ny pôlisy misahana ny heloka bevava no avy hatrany nandray an-tanana ny raharaha. Vao andro vitsy izay dia olona enina no voasambotry ny zandarimaria eny Ankadilalana voarohirohy tamin’ny fakàna an-keriny maro teto an-drenivohitra ka natolotra ny Fampanoavana, omaly. Ny telo tamin’ireo olona voasambotry ny zandarimaria ireo dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy raha nalefa eny Antanimora kosa ny roa hafa. Tsy mbola tena am-perinasa ilay “Cellule mixte d’enquête” na CME misahana manokana ny raharaha fakàna an-keriny, araka izany. Raha ny loharanom-baovao teny anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana kosa dia efa voatendry tamin’ny zoma 7 desambra lasa teo ny mpitsara iray natokana hisahana ny famotorana momba ny raharaha fakàna an-keriny. “Tsy hanao afa-tsy ny fakàna an-keriny io CME io. Ankoatra ilay mpitsara dia hisy zandary sy pôlisy ao anatiny”, hoy ity loharanom- baovao ity. Araka ny tsilian-tsofina dia ho eny amin’ny minisiteran’ ny Foloalindahy no hisy ny foiben- toeran’ny CME. Mba hahafahan’ireo mpanao famotorana mifantoka tsara amin’ny asa no fantatra fa antony hametrahana io birao io eny Ampahibe. Tsy hisy avy amin’ny tafika anefa ho mpikambana ao, araka ny loharanom-baovao. L’article Tsy mbola tena am-perinasa ny “Cellule mixte d’enquête” est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-103 ny « Concert classique de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hiaka-tsehatra, anio etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), ny Quatuor Majesty. Tarika ivondronan’ireo andrarezina amin’ny fandidiana « violon » sy « violoncelle », ahitana an’i Joachim Rakotoniaina (violon solo), i Samuthiah Andrianarivelo (violon faharoa), i Benja Andriambololona (Alto) ary i Atolotro Ho Fiderana Ny Finoana (violoncelle).Raha ny ao anaty fandaharam-potoana, holalaovin’izy ireo eny an-tsehatra ny “Intermezzo sinfonico du Cavallerie rusticana”, sanganasan’i Pietro Mascagni (quatuor), ny « Quartet n°35 an’i J. Haydn op.64 n°5” sy ny « Divertimento in F KV138 an’i Mozart.Marihina fa i Joachim Rakotoniaina no hitarika sy handrindra ity seho tanterahin’ny Quatuor Majesty, anio manomboka amin’ny 1 ora, ity.HaRy RazafindrakotoL’article Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag

Saron’ny polisin’ny Sag sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry, afakomaly, ny jiolahy iray. Jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ary efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela ity jiolahy ity, araka ny fanazavan’ny polisy. Polisy nanao fisafoana amin’ny alina no nifanena tamin’ity jiolahy ity ka nirifatra nitsoaka izy raha vao nahatazana ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra teny Andavamamba izy taorian’ny fifanenjehana. Nahitana antsy tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa jiolahy efa nifampitadiavana hatry ny ela izy ary maro ireo olona efa nitondra faisana taminy, indrindra ireo eny amin’ny faritra Anosivavaka sy Andavamamba.J.CL’article Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly

Tsy mbola  nisy tahaka izao. Tanjona napetraky ny filoha ny hamboly hazo amin’ny velarana 40 000 ha isan-taona hameranana ny Nosy ho maitso sy hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. “38 500 ha hatramin’izao no vita, araka ny tatitra taorian’ny fivorian’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fambolen-kazo ao anatin’ny minisitera, i Jaozandry Jean Jacques, tany Mahajanga. Heverina fa ho tratra izany hatramin’ny faran’ny taona. Anisan’ny hamaliana ny vina ny fambolena zanaka ala honko any Boanamary, ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny ala honko rahateo ny hetsika. 1 tapitrisa ny hazo voavoly tao anatin’ny tontolo andro, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget. Niampy iray tapitrisa tany Befotaka Morombe  sy ny tany Diana miisa 600  000 izany. Nampiasa ny fomba “Tangnamaro” ny mpamboly hazo ka nirindra ny asa nahavitana ny velarana 200 ha. “Ny fahavononana politika mihitsy no tsy ampy”, hoy ny minisitra.Vonjy A. L’article Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée
28/10/2020

Les poteaux funéraires malgaches parmis les « objets d’art » malgaches dérobés. Aux dernières nouvelles, la restitution des objets d’arts africains dérobés par la France ne se fera pas de sitôt, malgré la promesse d’Emmanuel Macron faite en 2017. En cause, les collectionneurs et les musées qui pensent probablement que ces objets ne sont pas, à leur premier usage, des œuvres d’arts mais des butins de guerre. Des institutions comme le Quai Branly sont citées parmi les plus récalcitrantes à les remettre. De septembre 2018 à janvier 2019, ce lieu a abrité une exposition intitulée « Madagascar, art de la Grande Île ». Durant des mois, des objets d’arts malgaches, allant des sculptures funéraires, sûrement dérobées sur les tombeaux, des peintures et d’autres ont été fièrement installées. Cependant, il est fort probable que parmi ces centaines d’œuvres se trouvent des objets de larcins, de vols ou d’autres méthodes malhonnêtes de les obtenir. Si les pays africains ont réclamé leur restitution en 2018 et 2019, cette dernière a l’air de ne plus être d’actualité dans les projets des ministères ou départements culturels. Cependant, on parle ici de plus de dizaines de milliers de pièces à restituer. Des voix commencent à dénoncer la continuité du rapport de domination instauré jadis par les Français colons. Des Français qui, aujourd’hui, peinent à leur remettre leurs œuvres aux pays africains spoliés. Maminirina Rado L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique »
26/10/2020

Tontosa, ny asabotsy 24 oktobra teo, tany Manjakandriana, ny fihaonambe poetika na ny « résidence poétique », nataon’ny Faribolana Sandratra. 62 ireo mpiray faribolana avy amin’ny sampana manerana ny Nosy. Fotoana nandinihana ny fanatsarana sy ny pitsompitson-javatra tokony hotanterahin’ny rehetra. Ny maraina, nanterin-dRanöe fa tsy fikambanana fa “Faribolana” ny Sandratra. Miara-midinika, manapa-kevitra, miara-matanteraka, mifandranitra mba hampisandratra ny zavakanto, tsy ekena ny gaboraraka amin’ny fomba fisainana ho an’ny olona mikirakira haisoratra ».Ny hariva kosa, niompana tamin’ny famoaham-boky Edisiona Sandratra ny dinika.               “ Ampirisihina isika mpiray faribolana hiditra ao anatin’ny Omda. Heverin’ny olona ho ny hira ihany ny zavakanto kanefa be dia be ny mpangalatra asa soratra etsy sy eroa”, hoy i Nalisoa Ravalitera. Nofaranany tamin’ny “Zara fahalalana” hampiakatra avo kokoa ny lentan-tsoratry ny mpiray faribolana izany.Nangonin’i HaRy Razafindrakoto L’article Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique » a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana
24/10/2020

Velom-panantenana fa ho afaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miteraka hanoanana lalina sy fahiazana ho an’ny ankizy ny ao Amboasary rehefa nahita ny fahatongavan’ny sakafo avy amin’ny Pam. Hisitraka izany ireo kaominina fito ao an-toerana. Tonga tsikelikely any amin’ny distrikan’Am­bo­asary any atsimon’ny Nosy ny sakafo avy amin’ny Pam entina hamatsiana ireo mponina efa reraky ny hanoanana any an-toerana. Miisa 70 000 ireo olona omena sakafo isan’andro ao anatin’ny kaominina fito ao anatin’izany distrikan’Amboasary izany. Anisan’ny misitraka ny sakafo entin’ny Pam ny kaominina Maromby, i Ranobe, i Elonty, i Tomboarivo, i Ma­ro­tsi­raka, i Mahabo ary i Tra­no­maro. Tokantrano miisa 14 000 ao anatin’ireo kaominina ireo no hizarana sakafo. Ahitana vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 3 500 ary ankizy eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 23 volana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mivaivay ny hahazo izany. Ity fanampiana vonjimaika entin’ny Pam any atsimo ity dia tohin’ny fanairana voarain’izy ireo indray hatramin’ny herinandro ambony iny. Efa mihatrana eny an-toerana ireo ekipa mpandrindra rehetra mitsinjara izany sakafo mi­tondra hery ho an’ireo mponina any Amboasary izany. Mitondra fanantenana sy hery ho an’ireo olona 70 000 any Amboasary, araka izany, ny fahatongavan’ny fanampi­a­na ary mifandraika amin’ny filana any an-toerana manolo­ana ny hamehana ara-tsakafo mihatra amin’ny mponina. Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra, efa nisitraka sakafo mafana ara-pahasalamana mitondra hery ny mponina ao amin’ireo kaominina fito ireo. Any amin’ny fokontany Andavabazaha ko­sa, ankizy efa tena mahia sy reraky ny hanoanana noho ny tsy fahampian-tsakafo any an-toerana no nahazo hery indray rehefa notohanana sakafo. Rehefa nahazo fanairana ny Pam mikasika ireo ankizy marefo tanteraka ireo, nidina nijery haingana sy nitondra ny sakafo mitondra hery. Raha ny tatitra, mahia sy tsy ampy sakafo avokoa ny 41%-n’ny ankizy ao amin’ny kaominina 16 ao Amboasary ka anton’izao hamehana any atsimo izao.Tatiana AL’article Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra
28/10/2020

 Tora-bato avy any an-danitra ny firaraky ny havandra teto Antananarivo sy ny manodidina omaly tolakandro. Narahin’orana nikija izany avy eo niaraka tamin’ny kotro-baratra sy tselatra namaky lanitra. Niraradraraka ny havandra naharitra 10 minitra teo teto an-dRenivohitra ary nitoraka hatrany atsimon’Antananarivo hatrany Bongatsara sy Ambatofotsy iny. Nanimba ny fambolena izany ary mampitomany ny tantsaha mihitsy. Orana maivamaiva kosa no nandrafitra ny toetr’andro ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo iny, omaly. Nialohavana rifotra nifofo anefa izany ka nampitora-jofo ny vovoka sy nandrava ireo tafo sy takela-by teny amoron-dalana.Naharitra hatramin’ny alina ny oram-baratra ary nahafaly ny tantsaha tamin’iny faritra andrefan’Iarivo iny ny firaraky ny orana nanondraka indray ny voly. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpamboly voninkazo izay tena miandry fatratra ihany koa ny filatsaky ny orana hampahazo aina azy ireny.Tatiana AL’article Antananarivo sy ny manodidina: niraradraraka ny havandra a été récupéré chez Newsmada.

MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony
24/10/2020

Mamaly avy hatrany ny filàn’ny mponina. Ny tetikasa FIAM ( Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) izay iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy ny Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny tantsoroky ny fikambanana MSIS Tatao no voasafidy hahazo famatsiam-bola natokana ho an’ny vondrona itsinjaram-pahefana avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Mitentina 450.000 euros io famatsiambola io. Notanterahana ny 23 oktobra 2020 ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tanteraka nandritra ny tetikasa toy ny tsena sy lalana Ankaditany-Avarajozoro ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Raha ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo indray dia ny tahala ao amin’ny tsenan’ny Alakamisy Fenoarivo, ny fantsona  sy ny lakan-drano fanarian-drano fanarian’ny mpivarotra rano maloto, efitrano-tsekoly  efatra ao amin’ny CEG ary lalana mirefy 770 metatra.  “Manao antso avo aho fa ny dabilio no tena olana ety, be dia be ny simba, ny efin-trano fianarana mitombo”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, Andrianaivo Rakotobe Jean Christian Irené.  Mitentina 60 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ireo efitranon-tsekoly ary 80 tapitrisa Ariary ny  lalana, araka ny fanazavany. Nambarany ihany koa fa 5 %  ny vola nampiasaina ny fandraisana anjaran’ny kaominina ary nohamafisiny fa ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony no mampandroso ny haingana ny tanàna. Raisin’ny olona am-po « Araka fanazavan’ny Ambasadaorin’ny Vondrona Eraopeanina teo fa tsy nomena ilay vola fa nisy fifaninanana natao, appel à proposition, nisy fifanatonana teo amin’ny Msis Tatao sy kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo  ka nanolotra tetikasa iray. Tetikasa amam-polony no nifaninana. Ny fiarahamiasa matotra no nahatonga voafidy », hoy i Andriamoraniaina Harijaona, tale mpanatanteraky ny Msis Tatao. Nambarany fa tanjon’ny tetikasa FIAM ny fanatsarana ny fiainan’ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitr’asa hamaliana ny filàna ara-ekonomika, ohatra ny fanamboarana ny tsena sy ny manodidina ny tsena na ihany koa fanokafana lalana ahafahan’ny olona mivezivezy mamoaka ny vokatra ary ihany koa mampisitraka ny filàna ara-tsosialy indrindra ny fanatsarana ny fampianarana, ny fahasalamana, ny rano fisotro madio . « Ao anatin’izay tetikasa izay, napetraka ho vain-dohan-draharaha ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny fametrahana ny mangarahara hatrany amin’ny fomba fieritreretana sy fanatanterahana ny tetikasa ka hatrany amin’ny fanjohiana ny fanatanterahana ny tetikasa ary irariana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fikojakojana ireo tetikasa tanteraka eny anivon’ny kaominina », hoy izy. Rehefa mampandray anjara ny olom-pirenena ny fitondrana indrindra eto ifotony, ety amin’ny kaominina dia mamaly hatrany ny filàny olona ety ifotony ny foto-drafitr’asa tanteraka ary tena raisin’ny olona am-po izany ary tonga dia mandray anjara amin’ny fikojakojana sy fiarovana ireo foto-drafitr’asa tanteraka izy ireo. Amin’ny  taona ho avy ny Msis Tatao dia hiezaka hanitatra ny fomba fiasa, hametraka ny mangarahara amina kaominina 40 eto Madagasikara, mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny kaominina ary ahafahan’izy ireo misitraka tetikasa tahaka izao. Lynda A. Cet article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony a été récupéré chez Délire Madagascar.

Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety
28/10/2020

Olona iray no maty niharan-doza nohon’ny fahasimban’ny sarety noentiny ihany ny 26 oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andafiantsimo fokontany Andoharanofotsy, Ambohitompoina distrika Antanifotsy . Avy nanatitra entana tany Ambohitompoina ity lehilahy ity ka teny an-dalana hiverina ho any Analamanitra Ambohitompoina izay toerana fiaviany izy izao tra-doza izao. Nitsoaka tampoka ny kodiaran’ny sarety ilany ankavia ka nitarika ny fianjerany tampoka avy teny ambony ary mbola ilay kodiarana izay nitsoaka io ihany no nahavoatsindry ny lohany ankavanana ka nitarika ny fahafatesany. Tonga tany an-toerana ny zandary avy amin’ny Poste Avancé Ambohitompoina niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB II, nanao ny fiazahana ny razana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fiazahana nataon’ny mpitsabo ny tra-doza. Yv Sam L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily
27/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy. Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be. Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.Henintsoa HaniL’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao
26/10/2020

Misoko mangina tsy re tsaika. Miisa enina ireo lavon’ny Covid-19, tao anatin’ny herinandro. Teo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 oktobra izany. Manodidina ny iray isan’andro eo ho eo izany ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika ary mananika ny 244 izao ireo nodimandry hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Efa manakaiky ny 250 izany.Etsy andaniny, miisa 158 ireo tranga vaovao tao anatin’izany herinandro izao. Manodidina ny 26 isan’andro eo ho eo izany ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika. Miisa 86 kosa anefa ireo sitrana. Tafakatra 16 301 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 968 mitondra Covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Izany hoe, misy 423 izany ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney
30/10/2020

  Tonga nitsidika ny lehibe’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de vaisseau GA Jacquy Honoré, teny amin’ny toeram-piasany eny Ambohidahy, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, i Higuchi Yoshihiro, omaly. Votoatin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy i Japon izay efa nisy hatramin’izay. Nisongadina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny fampandriana fahalemana an-dranomasina. Misampana amin’ny sehatra marolafy rahateo ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy i Madagasikara, isan’izany ny fandriampahalemana sy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nampahafantarin’ity masoivoho ity ny tetikasa “Initiative de l’Océan Indo-Pacifique libre et ouvert » miompana amin’ny fampanjakana ny filaminana an-dranomasina. Fanirian’i Higuchi Yoshihiro ny fifanakalozana eo amin’ny Tafika an-dranomasin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny fandalovan’ny sambo japoney eto Madagasikara. “Firenena afaka mandroso i Madagasikara noho ireo harena misy ao aminy”, hoy izy. “Mivoatra ihany koa ny iraka ankinina amin’ny Tafika an-dranomasina. Mandray endrika roa izany andraikitra izany. Eo ny andraikitra maha miaramila: ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina ary ny toekarena: ny asa fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny toekarena manga”, hoy ny Jly Jacquy Honoré.Jean ClaudeL’article Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney a été récupéré chez Newsmada.

Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote
29/10/2020

 Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra ? Totoafo ny fitsipahana marindrano ny fitakian’ireo depiote ny tombontsoa : fiara tsy mataho-dalana sy ny fisotroan-drononon’izy ireo. Hita any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ny antso an-telefaonina amin’ireo haino aman-jery samihafa eto an-dRenivohitra izany. Vao mainka nampirongatra izany tsy fankasitrahana izany ny nilazan’ny depiote iray avy amin’ny fitondrana ny tombontsoa sy ny vola raisin’izy ireo eny Tsimbazaza, tamin’ny fahitalavitra iray, afakomaly alina.Tafakatra 12 ny isan’ireo “Assistant parlementaire”Tsy vitan’izany fa nampiakarina ho 12 ireo mpanampy “Assistant parlementaire” isaky ny depiote. Valo anefa ny isan’izany teo aloha. Mbola hiampy indray izao fitakiana fiara 4×4 sy ny fisotroan-dronono izao izany. Efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahana izany koa ny eo anivon’ny sendikà maromaro. Teo koa ny mpisolovava, ny Me Olalah.Etsy andaniny, niaro tanteraka izany fitakian’ny depiote izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Tsy mitovy amin’ireo fisotroan-dronono rehetra izany. Mety hampitondraina anarana hafa izy io. Mbola hapetraka ao anatin’izany avokoa ny fomba fahazoana izany na ho isam-bolana na mety amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana”, hoy izy.Anaty covid sy kere ary ny fiharianaAraka izany, mbola anaty ady amin’ny covid-19 izao firenena. Miaina kere ny any atsimo ary mbola ho henjana ny hanarina ny fihariana nefa  ny tombontsoan’izy ireo no mahamaika. Mpanao lalàna handidy dia homana avy hatrany.Raha tena mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, tsy olana ho an’ny olona ny hanampy sy hiaraka hiady aminy izany tombontsoany izany. Tsy izany anefa aloha izao ny zava-misy.Synèse R.L’article Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote a été récupéré chez Newsmada.

FES – Fampandrosoana: mila politika mampifamotitra ny fambolena sy ny indostria
31/10/2020

 Nanaovan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) fanadihadiana manokana ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara. Ny fifandraisan’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria. Mila politika mazava ny fifandraisan’ny roa tonta.Momba ny politikan’ny indostria, tsy hita taratra loatra ny fifandraisan’ny seha-pihariana momba ny fambolena sy ny fambolena, amin’ny seha-pihariana momba ny indostria. Amin’ny ankapobeny, 15 % amin’ny harinkarena faobe ny entin’ireo seha-pihariana roa mitambatra ireo tato anatin’ny 10 taona farany. Tanjona avy ammin’ny fanadihadiana nataon’ny FES ny hampiakatra izany ho 25 % amin’ny harinkarena faobe amin’ny taona manaraka. Mila politikan’ny indostria mafy orina anefa izany.Hita tamin’ny fanadihadiana, mifanohitra tanteraka amin’ny akora fototra misy eto an-toerana ny fanafarana entana voahodina avy any ivelany, toy ny menaka, ny siramamy, ny savony, ny vokatra ronono, sns. Akora fototra avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana ireo rehetra ireo. Maro anisa rahateo ny Malagasy miasa amin’izany, hatrany amin’ny 8 tapitrisa ha ny tany azo volena. Manambara izany fa karazany tsy misy na tsy ampy ny fifandraisana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria.Tsy ahitana fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny seha-pihariana iray mandeha irery. Ny indostria, tsy maintsy miankina amin’ny famatsiana ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana; ary miankina amin’ny fisian’ny indostria ny lalam-barotra manjifa ny vokatra avy any ambanivohitra.Navoitra tamin’ny fanadihadiana ny fifandraisana eo amin’ny sehatra roa tonta, nofaritana, nahoana ny indostria no mifamatotra amin’ny fambolena sy fiompiana? Azo alain-tahaka ny fandaharanasa momba ny indostria amin’ny firenena sasany aty Afrika. Jerena ny efa misy eto an-toerana; ary volavolaina ny politika tokony hanatanterahana izany mazava.R.MathieuL’article FES – Fampandrosoana: mila politika mampifamotitra ny fambolena sy ny indostria a été récupéré chez Newsmada.