Hetsiky ny polisy sy zandary: sarona ny rongony 50 taonina mahery

News - Hetsiky ny polisy sy zandary: sarona ny rongony 50 taonina mahery

News - Hetsiky ny polisy sy zandary: sarona ny rongony 50 taonina mahery

Toa tsy mahagaga ihany
ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ny heloka bevava, ny
habibiana, ny herisetra… Eny, na ny eny anivon’ny tokatrano sasany
koa aza. Fantatra mantsy fa efa maherin’ny 50 taonina mahery ny
rongony saron’ny mpitandro filaminana (polisy sy zandary) ho an’ny
taona 2020 iny. 

Anisan’ny nivoitra tamin’ny tatitry
ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, ny momba ny hetsika
ataon’ny mpitandro filaminana ny ady atao amin’ny
zava-mahadomelina, tamin’ny taona lasa. Fantatra tamin’izany fa
nahasarona rongony 10.045 kilao niampy  26 gony ary 217
fonosana ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Maherin’ny 46.403 kilao
kosa ny zava-mahadomelina tratran’ny zandary, ankoatra ireo
fambolena nopotehina. Miisa 380 ireo nosamborina tamin’izany.
Midika izany fa efa mahatratra hatrany amin’ny 56 taonina any izany
ireo rongony sarona ireo. Tsy ireo ihany anefa fa mbola betsaka ny
fivezivezen’izany any anivon’ny fiarahamonina any fa ireo aloha
izany izao no sarona.

Herisetra sy
fanolanana

Anisan’ny miteraka disadisa 
sy olana eo anivon’ny fiarahamonina sy ny any anivon’ny tokantrano
any ity zava-mahadomelina ity. Mampitombo ny herisetra amin’ny
endriny samihafa : fifamonoana an-kitsirano, adin’ny samy tanora,
fampiasana fitaovana maranitra (antsy, famaky…). Mampirongatra ny
asan-jiolahy na ny dahalo ny fihanak’izany. Mitondra any amin’ny
fanolanana : ray na raikely manolana ny ao an-tokantrano,
hatramin’ny zazakely; ny havana sy ny fianakaviana, na koa eo
anivon’ny mpiray vodirindrina… Tsy mifidy saranga sy taona koa ny
fandraisana izany. Ankizy sy tanora eny anivon’ny sekoly,
hatramin’ny vehivavy sy ny lehilahy lehibe… Mety mampirongatra
izany koa ny olana samihafa iainana : fihibohana, tsy fananana
asa…

Mitaky andraikitra amin’ny
rehetra

Araka izany, tokony hojerena
manokana ny ady atao amin’ity zava-mahadomelina ity. Mety misy ny
tambajotra matanjaka. Hatreny ifotony no tokony hidirana
an-tsehatra, toy ny any amin’ny velaran-tany fambolena izany. Ny
lalam-pirenena izorany sy ifamezivezen’izany. Ireo mpandray ny
ambongadiny sy ny mpitsinjara ary hatramin’ireo mpifoka. Mitaky
andraikitra amin’ny rehetra izany : mpitandro filaminana, ray
aman-dreny, mpanabe, fiangonana, fikambanana, fiaraha-monina ary ny
fanjakana amin’ny ankapobeny.

Synèse R. 

Article tiré de Newsmada

L’article Hetsiky ny polisy sy zandary: sarona ny rongony 50 taonina mahery a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Songadina an-tsary: Lalana Pr Zafy eny Alarobia

L’article Songadina an-tsary: Lalana Pr Zafy eny Alarobia a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zaza tsy manan-tsiny: narian-dreniny teny Avaratsena

Zazavavikely iray vao telo volana monja no nilaozan-dreniny, ny alatsinainy maraina tao Avaratsena-Antsirabe. Araka ny fantatra, napetraky ny reniny taman’olona teo amin’ny seza vato ao an-toerana ilay zaza. Taorian’izay, tsy niverina intsony ilay ramatoa ary naterina olona tsara sitrapo teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ilay zazavavikely. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola fantatra ilay reny nahavanon-doza. « Ilay zaza kosa naterina eny amin’ny Association Manorina, mpiahy ireny zaza tsy manan-tsiny ireny. Efa nampandrenesina ny tranga ihany koa ny mpitsara ankizy (juge des enfants) », hoy ny polisim-pirenena ao an-toerana. Nambarany fa naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera « facebook » ny tranga mba hahafahan’ny fianakavian’ilay zaza manatona ny polisy ao Mahazoarivo.Henintsoa Hani L’article Zaza tsy manan-tsiny: narian-dreniny teny Avaratsena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hanorina fasana vaovao miisa 96

Anisan’ny dingana hanajan’ny Base Toliara koa ny fifanarahana amin’ny fokonolona, hamindrana ny fasana tafiditra ao anatin’ny faritra iasan’ny orinasa. Miisa 96 izy ireo any amin’ny kaominina dimy. Nampifanarahana ny lalàna nentin-drazana malagasy sy ny lalàna velona ny fomba sy kolontsaina any an-toerana. Ao anatin’ny vaomiera misahana izany ny solontenam-pokonolona, ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, ny fitantanam-paritry ny Kolontsaina sy ny vakoka, ny Harena an-kibon’ny tany, ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Fahasalamana, ny distrika Toliara II, ny olobe, ny mpikaroka ary ny orinasa Base Toliara.Hanorenana fasana vaovao ny tompom-pasana, sady sandaina vola. Miisa 16 ny fasana haorina voalohany ary ho vita amin’ny septambra 2019 ary hitohy indray ho an’ny andiany manaraka.L’article Hanorina fasana vaovao miisa 96 a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Finoana katolika :: Samy manana heviny amin’ny fahatongavan’ ny Papa François ny tsirairay

Afaka iray volana mahery no ho tonga eto Madagasi­kara ny Papa François. Samy manana ny fandraisany amin’ny fahatongavan’ity Rain’ny fiangonana katolika ity ny tsirairay. Ao no milaza fa natokana ho an’ny mpino katolika irery izany fitsidihana masina izany. Misy kosa no miteny fa tombony ho an’ny firenena ny fandalovany eto amintsika. « Tombony lehibe ho an’ny mpino katolika sy ny Malagasy tsy ankanavaka ny fahatongavan’ity Raiamandreny am-panahy ity. Hahazo fahasoavana lehibe ny fiangonana katolika amin’io fitsi­di­hana io. Ho isan’ireo ho tonga amin’ny lamesa lehibe hatao eny Soamandrakizay ny tenako miaraka amin’ny fianakaviako sady efa vita rahateo ny fisoratana anarana », hoy Razafindrafara Elisabeth, renim-pianakaviana monina eny Ankadifotsy, mpino katolika. « Ho ahy manokana aloha dia tsy fantatro loatra ny tena dian’ny Papa eto amintsika satria mahakasika ny katolika kokoa ilay izy. Izaho mahita fa fanavaozana ny finoana sy fanamafisana ny fiombonan’ny fiangonana katolika manerana ny Nosy ity fitsidihana ity satria mitombo ny fiangonana zandriny eto amintsika », hoy kosa ny nambaran-dRakotoarivelo José, raim-pianakaviana, mpino protestanta. Tsiahivina fa efa tamin’ny telopolo taona lasa no nandalo teto Madagasikara ny Papa Joany Paoly II. Raha tsy misy ny fiovana dia higadona eto Madagasikara amin’ny 6 septambra ho avy izao ny Papa François.   L’article Finoana katolika :: Samy manana heviny amin’ny fahatongavan’ ny Papa François ny tsirairay est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Iray volan’ny teny Malagasy: hisy ny “Ranty sy antsa Fahaleovantena”

“Fitiavan-tanindrazana mameno ny fisainana, ka ny tenin-drazana no asandratra sy iainana”. Lohahevitra nofidiana sy voizina mandritra ny fanamarihana ny iray volana anandratana ny Teny malagasy, mandritra ity volana jona ity io. Ho tohin’ny fanamarihana, sy ho fankalazana ihany koa ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hisy ny hetsika maromaro izay nomanin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, amin’ny alalan’ny foibem-pitantanana misahana ny maha izy ara-kolontsaina. “Ranty Fahaleovantena” ny hetsika voalohany, izay hotontosaina ny zoma 21 jona hatramin’ny talata 25 jona izao, etsy amin’ny tokotanin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo. Fampirantiana marolafy, manodidina izay fitiavan-tanindrazana izay, ary hanasongadinana sy hanomezan-danja ny kolontsaina malagasy amin’ny endrika samihafa io. Hotontosaina ny zoma 21 jona ihany koa ny “Antsa Fahaleovantena”, eo Analakely ihany. Hanomezana sehatra ny hira ba gasy sy ny asa soratra izany. Mpanakanto maromaro no hifandimby an-tsehatra amin’io fotoana io, izay sady Fetin’ny Mozika ihany koa. Volana jona, volan’ny ankizy ihany koa. Hisy ny “Banja Kilonga”, izay hatao ao amin’ny Efitrano Gisèle Rabesahala, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny asabotsy 22 jona. Fitantarana angano no tena hibahana amin’io, amin’ny maha endri-panabeazana efa nataon’ny taloha ary mbola tohizana ankehitriny azy. Hisy koa ny fifaninanana tsikonina hiara-dalana amin’izay. Ho famaranana ireo andiana hetsika, nanomana fifaninanana antsoina hoe “Fantaro”, izay ho an’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera ny mpikarakara. Hotontosaina ny zoma 28 jona io, ka hiompana amin’ny fifehezana ny Teny malagasy eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana. Zo ny AinaL’article Iray volan’ny teny Malagasy: hisy ny “Ranty sy antsa Fahaleovantena” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian: iray ny minisitra vaovao, roa naverina amin’ny toerany

Tsy  nanova ekipa firy ny filoha  Rajoelina  sy ny  Praiminisitra Ntsay Christian. Iray  ihany  ny minisitra vaovao, notendrena amin’ny  alalan’i Blache Nirina Richard. Hisahana ny fampianarana ambony  sy ny fikarohana  momba ny siansa ary ny fanavaozana ny tenany. Nisolo ny toeran’i  Rejo-Fienena Felicité tamin’ny fitantanana  io minisitera io. Tsy nahavita ny iraka nampanaovina azy sa mety misy antony manokana ny nanesorana azy ?Anisan’ny nahafantarana ity minisitra vaovao ity ny nitantanany ny fikarakarana ny  fihaonambem-pirenena, ny taona 2009. Natao hivoahana amin’ny krizy  teto amin’ny firenena  izany.Volahaingo Marie Therèse sy Naharimamy IrmahNaverina amin’ny toerany kosa  ireo minisitra mirahavavy teo aloha,  voafidy ho  depiote ary  efa nivory teny amin’ny  lapan’i Tsimbazaza. Anisan’izany i Volahaingo Marie Thèrese minisitry ny Fanabeazam-pirenena  sy ny fampianarana teknika sy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary  ny vehivavy, Naharimamy Lucien Irmah. Miakatra avy  hatrany ny lisitra manaraka azy ireo avy any Bealanana sy Toamasina  I,  nahavoafidy azy  ireo. Ankoatra ireo, mbola voatana amin’ny toerany avokoa ireo mpikamban’ny governemanta notendrena, ny  volana janoary teo. “Napetraka niaraka  amin’ireo minisitra isan-tokony ny drafitra tsy maintsy narahin’izy  ireo ao anatin’n y herintaona mba hampifanaraka ny veliranon’ny filoha sy ny IEM  ary ny politika ankapoben’ny  fitondrana… Napetraka  ny fanamby sy ny tanjona mifandraika amin’izany niaraka amin’ireo minisitra.  Vita ny enim-bolana.  Mbola  hisy enim-bolana faharoa hijerena ny  fahavitan’izy ireo  ny andraikitra na tsia, araka ny efa nifanarahana”, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny fiadidiana  ny Repoblika, Andriamaholy Dina, namaky ny didim-panjakana teny Ambohitsorohitra,  omaly.Very anjavony ny anarana depiote natolotra… Midika io fa tsy mbola tafiditra  tamin’izao governemanta  izao ireo anarana fito hafa natolotry ny depioten’ny IRD raha nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay  Christian teny Mahazoarivo izy ireo, afakomaly.  Tahaka izany koa  ny antsoantson’ireo avy any amin’ny  faritra, toy ny any Antsiranana  sy ny fikambanan’ny Zanaka Androy, nitaky ny tokony hametrahana  olona avy any amin’izy ireo izao governemanta izao.Synèse R.  L’article Governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian: iray ny minisitra vaovao, roa naverina amin’ny toerany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpikarakara lanonana: “Mila mitady zava-baovao hatrany » hoy i  Yohanna Traiteur

Raha vao miresaka lanonana, mby ao an-tsaina avy hatrany fa anisan’ny vanim-potoana iray miavaka sy manan-danja izay. Saro-pady sy mila fitandremana fatratra ny asa atao ho fanomezana fahafahampo ny tompom-pety, araka ny nambaran-dRakotovao Vololona “Yohanna Traiteur ” anatin’ny sehatry ny asa.  Efa maro ny lalana nodiaviny, vao tonga amin’izao sehatra izao ny tenany. Anisan’ny nahazoana traikefa ny fianarana sy asa, indrindra ny fifampikasohana amin’ny olona rehetra. “hentitra be aho refa miasa, ary tena miezaka manome tsara indrindra ka na misy olana aza eo amin’ny fanatanterahana ny asa dia tsy maintsy mahita vahaolana ary tsy misy fiantraikany tonga mihitsy any amin’ny tompom-pety. Miezaka mitady zava-baovao (creativité ) foana isaky ny “evenement” atao”, hoy izy .Efa maro ny lalana nodiaviny“Tamin’ny taona 1995 no nanomboka nianatra ny resaka cuisine – patisserie etc…. , tamin’izany dia natao ho fialamboly satria mbola mpianatra ka nanaraka ny fianarana lakozia rehefa fialantsasatra lehibe. Nahita fahafinaretana dia nanohy nianatra momba ny resaka fahandroana ary natao hatramin’ny resaka fandraisambahiny “Hotellerie et hebergement” . Ny taona 2002, nanana hevitra hanomboka hiditra tamin’ny sehatry ny fikarakarana sakafo “traiteur”, “nanao “cantine” ny niantombohana tamin’izany ary niasa tamina mpanao mofo lehibe teto an-drenivohitra, izay nahitako sy nahazoko traikefa be”, raha ny filazany . Ny taona 2010 no niforona ny Yohanna traiteur ary niompana kokoa amin’ny resaka lanonana sy seminaire etc….Ary nanitatra ny asa dia lasa mpikarakara lanonana “organisateur evenement” , indrindra ny mariazy fa manao ny “evenement” rehetra ihany koa ny tenany. Tombony betsaka ho azy ny niasa tamin’ny toerana efa manana ny maha izy azy, niara-niasa tamin’ny olona efa nanana traikefa an-taonany maro. Mandra-kankehitriny, miezaka hatrany mba hivotra amin’ny zavatra ataony ary mbola manohy fianarana hatrany i Yohanna Traiteur , araka ny nambarany.NarilalaL’article Mpikarakara lanonana: “Mila mitady zava-baovao hatrany » hoy i  Yohanna Traiteur a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke

Tsy mety fay! Noraisim-potsiny ireo jiolahy efatra malaza ratsy amin’ny fanendahana olona avy manao Karaoke eny amin’ny faritra Tanjombato. Ireo polisy miasa ao amin’ny Commissariat Central Tanjombato no nahasambotra ireto jiolahy ireto, ny 16 sy 19 jolay 2019 no nahasambotra azy efa-dahy ireto. Taorian’ny angom-baovao sy ny fanaraha-maso nataon’ny polisy no nahasamborana ny telo amin’izy ireo teny Andafiatsimo, ny zoma maraina tamin’ny 5 ora. Nohamafisin’ny polisy fa ry zalahy ireto no mpanendaka eny amin’ny faritra Ankady sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 10 ora alina no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Ireo olona avy manao karaoke sy tara fodiana amin’ny alina no tena mitondra faisana amin-dry zalahy ireto. Mody mianjaika toy ireny avy namonjy alim-pandihizana ireny ry zalahy ary tsy mifidy asiana fa izay tratra dia mitondra faisana. Ny jiolahy iray hafa kosa tratra teny Tanjombato, omaly maraina. Izy ity indray dia eny amin’ny lalana RN 7 faritra Tanjombato no tena manao ny asa ratsiny. Ireo mpitondra moto no tena lasibatra. Voalaza fa manao andiany telo ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny. Efa nigadra ry zalahy ireto, saingy miverina manohy ny asa ratsiny indray aorian’ny fivoahana ny fonja.Jean ClaudeL’article Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz

Ny azy, izay ampanantenainy dia tanterahiny… Toetran’i “Konka”, anarana nomen’ireo akaiky azy, an’i Wawa, izay. Ho avy any Nosy Be i Flavour amin’ity…Efa teto i Diamond Platnumz. Tsy hoe nandalo fotsiny fa nametraka fahatsiarovana tsara ho an’ireo mpankafy azy ao Nosy Be, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny “Festival Sômaroho!” ity mpanakanto iraisam-pirenena ity. Fitia mifaly satria tsy nahafoy ihany koa an’i Madagasikara ka mbola hiverina amin’ity andiany faha-6 ity i Diamond Platnumz. Anisan’ireo vahinin’i Wawa, mandritra ny “Festival Sômaroho!”, hotontosaina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, ao Nosy Be, izy. Nampisafidy ny mponin’i Nosy Be i Wawa, nandritra ny seho famaranana ny andiany fahadimy, tamin’ny taon-dasa. “Iza ny tianareo ho avy: i Kassav, i P Square sa i Flavour? Tsy maintsy tongantsika eto farafaharatsiny ny iray amin’ireo amin’ny taona ho avy”, hoy izy. Ho tanteraka tokoa izany satria fantatra fa ho avy i Flavour. Mpanakanto nizerianina malaza izy, ary efa nampiara-peo tamin’i Diamond Platnumz ihany koa tao anaatin’ilay hira “Time to party”. Tsy izy ireo ihany fa mbola ho avy koa i Franko, ilay mihira ny “Coller la petite”, efa nanao seho tsy nahomby teto Antananarivo. Ankoatra izay, nasaina manokana ry Chigoma & Mbiwi, avy atsy La Réunion. Tsy ho latsa-danja amin’ireo vahiny anefa ireo mpanakanto malagasy nasain’i Wawa. Ao ireo efa malaza eto sy any ivelany ihany koa, ary misy kosa ireo vao misondrotra. Hifandimby ao amin’ny sehatra ao Ambodivoanio ry Black Nadia, Amc Junior, Lahety, Tax Olo Fotsy, Sofia Goma, Bibiana, Tence Mena, Big MJ, Taa Tense, Haramy, Jaojoby, Lico Kininiky, Mario, El Kiss, Dedaky, Madmax, Rijade, Basta Lion, sns. “Efa tomombana ny fanomanana sy ny fandraisana ao Nosy Be amin’izao fotoana izao. Tsy ny lafiny fampisehoana ihany fa eo koa ny lafiny fanatanjahantena sy ny fizahantany, izay tsy afa-misaraka amin’ny “Sômaroho!”, hoy ny nambaran’i Perkin, solontenan’ny mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Futsal Andraharo. Zo ny Aina L’article “Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Notsongaina

Fandinihana tena, tany, teny… izao         
17/06/2021

 Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao, na efa naman’ny ao anatin’izany: tsy mampitovy hevitra sy fijery ny sasany etsy sy eroa ny amin’ny tokony hananganan-tsaina na tsia. Nahoana? Lasa adihevitra politika ho azy amin’izao ny raharaha: tsy hita izay anehoana ny likilikim-po, sanatria? Na amoahana ny tsy fahazakana ny zava-mitranga sy izay iainana ary atao…Ratsy sy tsy mety amin’ny tena izay iainana? Vao mainka haratsiana sy potehina amin’ny tsy fahatsiarovan-tena amin’ny fiheverana sy ny fanomezan-kasina ny firenena… Hanovana inona amin’izany ny tsy fananganan-tsaina? Na efa ifanondroan’ny hafa molotra aza, na hitan’ny havany eo… Tsy ny fitiavan-tanindrazana sy ny hasarotam-piaro ny amin’ny maha firenena ny firenena aza ve no tokony hananganan-tsaina?Toy ny mpivady miady tsy mahavita mifamono mivantana izany: ny fitaovana ao an-trano no anazerana ny alahelo sy anamparan-kery. Fahasimban-javatra no vokany, fahapotehana. Avy eo, hanarina sy hanonitra ny rava ihany rehefa tsy mandeha amin’ny fisarahana tanteraka. Amin’ity hoe tsy fananganan-tsaina, ny tanindrazana iombonana tokony hampiombona no tsy ifankahazoana sy ndeha hampiady an-toerana?Sao tsy fitiavan-tanindrazana intsony ny manetsika sy manesika fa fitiavan-tena? Fotoana fandinihan-tena izao hoe fahatsiarovana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao; fandinihana ny tany mila ihavanana sy mampihavana fa iaraha-miaina; fandinihana ny teny atao ihany koa fa misy teny tsy tsaroana amin’izay firain’ny vava: mbola mila henoina sy inoana? Misy lolompo, fandranitana, fihantsiana…Misy mahita fa maizina aminy avokoa ny zava-drehetra, na ny tany aman-danitra aza: tsy misy na inona na inona, hono; tsy ahita-mangirana amin’izay atao. Izany no tsy ananganan-tsaina? Mila ampiasaina ny saina raha mbola mahatsiaro tena, manana firenena isiana sy iainana… Ahoana ny tena amin’ny teny atao eto amin’ny tanin’ny tena?Rafaly Nd. L’article Fandinihana tena, tany, teny… izao          a été récupéré chez Newsmada.

Alan’i Tsiazompaniry: mahasarika mpizahantany
15/06/2021

Azo isarihana mpizahantany.  Anisan’ireo ala voajanahary arovana ny ao Tsarafara, Tsiazompaniry, any amin’ny distrikan’Andramasina. Mirefy 6 000 ha izany ka ala arovana ny 1 059 ha amin’izany. Ahitana varongy mainty, voamboana, lanona, « orchidées » ary sifaka sy gidro ao, ankoatra ny farihy lehibe. “Mahatratra 100 ha no voafaritra ao anatin’ny 1059 ha, ary ao no tena misy ireo hazo, voninkazo ary biby tena arovana”, hoy ny mpitarika ny VOI Tsarafara, Rakotondramanana sy RaseliarisonMiaro sy mitantana ary manajary izany ny Vondron’olona ifotony  (VOI) Tsarafara, misy mpikambana 178 avy amin’ireo tanana : Andriankely, Anamamy, Fasanilavakanjo, Ambilanijia. Ezaka ataon’izy ireo ny fambolen-kazo sy ny aro afo. Nidina tany an-toerana ny avy amin’ny Tafomihaavo sy ny tambajotran’ny fokonolona miaro ny harena voajanahary notarihin’ny  filohany, Ramanandraibe Louis de Gonzague. Hita tamin’izany fa misy ampahan’olom-bitsy mikendry ho tompon’ny ala voajanahary arovan’ny VOI. Efa miroso amin’ny fanaovana « borne » izy ireo. Manahy ireo fokonolona fa ho tandindomin-doza ny famatsian-drano an’Antananarivo sy ny manodidina, indrindra ny lemank’i Betsimitatatra. Ho potika koa ny ala ary ho very maina ny ezaka nataon’ny VOI tao anatin’ny 20 taona. Manaitra ny tompon’andraikitra isan-tokony izy ireo noho izany hijery akaiky izao raharaha izao.Synèse R.L’article Alan’i Tsiazompaniry: mahasarika mpizahantany a été récupéré chez Newsmada.

Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée
19/06/2021

Les efforts pour le rétablissement de la sécurité et de la paix dans tout le territoire se renforcent au niveau des forces de l’ordre. Dans cette action, une cérémonie militaire dédiée à la dotation d’armes effectuée par l’Armée Malgache à la Police nationale a été tenue hier dans la matinée au camp du Capsat à Soanierana. Décidé récemment en conseil des Ministres, cette cession d’armes porte sur 500 Fusils MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs. En recevant cette dotation, le Ministre de la Sécurité publique, le Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rafanomezantsoa a rappelé que la restauration de la paix et de la sécurité  constitue le « Vina n°1 » du Président de la République Andry Rajoelina. Pour atteindre cet objectif, les forces de l’ordre doivent faire preuve de collaboration et de fraternité. D’après lui, ces deux principes sont actuellement vérifiés par cette remise de matériels. Il a rappelé que l’année dernière, la gendarmerie a déjà fait le même geste à la police. Mais en ce qui concerne particulièrement la police, la réception de ces armes la permet d’équiper les commissariats et les postes de polices nouvellement construits dans les régions surtout dans les zones rouges. C’est exactement l’objectif du donateur comme il a été dit par le Ministre de la Défense nationale, Général de Corps d’armée Richard Rakotonirina lors de sa prise de parole. « Que cela permette  le rapprochement entre les forces de l’ordre et la population et que les policiers assument leur travail avec quiétude. Dans leurs discours, les deux ministres ont tous manifesté leur souhait de voir la fête de l’indépendance se dérouler dans le calme et sans aucun incident malgré la multiplication des actes de déstabilisation depuis ces derniers temps. Le Secrétaire d’Etat chargé de la gendarmerie, le commandant de la gendarmerie nationale (Comgn), et le directeur général de la Police nationale (Dgpn) étaient présents à cette cérémonie. La convention portant sur cette cession d’armes a été signée par le Cmgn et le Dgpn. T.M. L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Rocade Est et Nord-Est : Inauguration des travaux avant le 26 juin
19/06/2021

La rocade Est sera bientôt ouverte aux usagers Les travaux de construction de la rocade Est sont presque terminés. « Les travaux sont pratiquement achevés à 99% », a déclaré hier Rivohary Rakotovao, Chef du projet Rocade, lors d’une visite sur site organisée par l’équipe du ministère de l’Aménagement du Territoire et des Travaux Publics.  L’inauguration de ces infrastructures routières destinées à désengorger la capitale aura lieu avant le 26 juin, en présence du Président de la République Andry Rajoelina. La construction de la route du projet Rocade de Tana avance malgré l’état d’urgence sanitaire qui sévit dans le pays. La rocade Est et Nord-Est se divise en deux tronçons. Le premier part du by-pass jusqu’à l’entrée d’Ambohimahitsy, le second tronçon part de l’entrée d’Ambohimahitsy vers Andranobevava, et la pénétrante urbaine du rond point Nanisana vers Ankadindramamy. Il s’agit de 8,2 km de route en tout, avec deux ouvrages dont un pont sur la rivière d’Ampasimbe et un pont à Ambohimahitsy. Une passerelle aérienne et un passage souterrain sont également installés pour sécuriser les piétons. Le trajet comporte, par ailleurs, une vingtaine d’abribus de chaque côté. Des infrastructures communautaires sont également prévues dans ce projet financé par l’Agence Française de Développement (AFD) et la Banque Européenne d’Investissements (BEI).  R.Edmond. L’article Rocade Est et Nord-Est : Inauguration des travaux avant le 26 juin est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rocade Est et Nord-Est : Inauguration des travaux avant le 26 juin a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Karohina fatratra ilay mpamily: mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara
14/06/2021

Nandriaka indray ny ra teny Andraharo, ny alin’ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Tra-doza tamin’izany ny lehilahy iray 35 taona nitondra moto. Voadonan’ny fiara iray teny an-toerana izy ka maty teo no ho eo, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka tsy naharo an’ilay lehilahy tra-doza intsony ny aroloha nanaovany. Vokany, vaky tanteraka ny lohany ary maty tsy tra-drano izy. Ilay fiara nahavanon-doza kosa nitsoaka avy hatrany vao nahita an’ilay mpitondra moto nianjera sy naratra mafy. Taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-misy. Nisokatra ihany koa ny fanadihadiana. Miparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa ny laharan’ilay fiara nahavanon-doza ary karohina hatramin’izao. Ny vata-mangatsiak’ilay mpitondra moto kosa nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Efa fantatra ny mombamomba azy ary efa nijery izany teny an-toerana ny fianakaviany. Henintsoa HaniL’article Karohina fatratra ilay mpamily: mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Musique : Nanie signe son « comeback » en live
14/06/2021

Nanie n’est pas prête de décrocher son micro. Loin des yeux, loin du cœur. Pas le moins du monde. Pour Nanie, le choix est vite fait. C’est en live sur Facebook qu’elle compte faire son come-back après ces quelques années d’absence sur scène. La chanteuse donne déjà rendez-vous à ses fans et les mélomanes sur sa page le samedi 19 juin à 19h. Du temps où Nanie habitait Madagascar, elle a habitué les passionnés de musique par son style très prisé. Ayant fait ses heures auprès de la crème de la musique malgache, elle a livré des prestations dignes d’une diva. Aujourd’hui encore, Nanie n’a rien perdu de sa prestance, et c’est par ailleurs ce qu’elle offrira une fois de plus aux inconditionnels. Évidemment, le répertoire se fera avec ses tubes à l’instar de « Hiraina », « Tena tia » mais il y aura également des surprises. Pour les amateurs d’ambiance jazzy et bon enfant, le live avec Nanie ne décevra point. Iss Heridiny L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina
15/06/2021

Niombon-kevitra ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI (Commision de l’océan indien), anisan’izany i Madagasikara, tamin’ny fivoriana farany natao ny volana mey teo , amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Ny « Regional maritime information fusion center » no manome ny vaovao rehetra tsara ho fantatra amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Samy mahita ireo firenena mpikambana fa ianjadian’ny tsy fandriampahalemana ny fari-dranomasina aty amin’ny Nosy manodidina.Tapaka teo anivon’ny COI koa ny lamina hampiharana ny « toekarena manga », raha fintinina dia toekarena miompana amin’ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, tafiditra amin’izany ny jono, ny fizahantany, ny tontolo iainana …Takina ny fahaiza-mitantana maharitra, izay andry iray iankinan’ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ary nohatsaraina ny rafitra ao amin’ny COI, sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny maro,  indrindra ny amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Eto Madagasikara, olana mampitaraina ny mpanjono madinika maro ny fidiran’ireo sambo vahiny vaventy. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny fitondram-panjakana. R.MathieuL’article Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina a été récupéré chez Newsmada.

Fanalam-baraka tamin’ny facebook: naiditra am-ponja ao Nosy Be i Jackson nidaroka tovolahy iray
15/06/2021

 Naiditra am-ponja vonjimaika ao Nosy Be Hell Ville rehefa avy natolotra ny fampanoavana i Jackson, ilay tovolahy nidaroka sy nanakenda tovolahy iray tao Dzamandzar, izay voalaza fa nanala baraka azy tamin’ny facebook (i Jackson io). Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny anabaviny raha eo am-pikarohana ilay olona tompon’antoka tamin’ny fakana ilay video ny zandary. Notazonina nanaovana famotorana teny amin’ny zandary izy mianadahy ireto ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao. Nomen’ny dokotera “certificat médical” sy 15 andro tsy fahafahana miasa ilay tovolahy niharan’ny herisera nataon’i Jackson. Tsiahivina fa isan’ny video be mpijery ity niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ity. Nalaina sary tamin’ny telefaonina finday ny fomba nidarohan’i Jackson ity tovolahy nampangainy ho nanala baraka azy tamin’ny facebook ity. Nolazain’ity tovolahy niharan’ny herisetra ity fa “pédé” sy mpivaro-tena amin’ny vazaha i Jackson ka izao nifanazava tamin’ny alalan’ny video nalefa tamin’ny facebook izao sady niafara tamin’ny herisetra izany. Nanamparan’i Jackson ny fony tamin’ny alalan’ny daroka ilay niharam-boina ka naratra ary saika niafara tamin’ny ainy mihitsy izany vao navelany. Tsy afa-nanohitra ilay niharam-boina noho ny habe tsy mitovy, saingy nametraka fitoriana teny amin’ny zandary. Niezaka nanazava ilay soratra filazana fanalana baraka tany anaty facebook ilay tovolahy niharan’ny daroka, saingy tsy ankijanona ny daroka sy vono nahazo azy. Karohin’ny zandary, araka izany, ilay olona naka ity video ity.J.CL’article Fanalam-baraka tamin’ny facebook: naiditra am-ponja ao Nosy Be i Jackson nidaroka tovolahy iray a été récupéré chez Newsmada.

Nikela sy kobalta: mampandroso an’Ambatovy ny fiara mandeha herinaratra
15/06/2021

Niverina nihodina indray ny orinasa Tetikasa Ambatovy, ny marsa 2021 teo, taorian’ny fihibohana vokatry ny Covid-19. Neken’ny mpiray renivola ny fanohanana ny orinasa, ahafahana mihodina araka ny tokony ho izy. Nambaran’ny filohan’ny orinasa, i Stuart Macnaughton, fa be ny fanantenana ho an’ity taom-pamokarana 2021 ity mitaha ny taona 2020. Antony, mampiroborobo ny famokarana nikela sy kobalta ny fandrosoan’ny famokarana fiara mandeha herinaratra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Satria, akora ilaina amin’ny baterian’ny fiara mandeha amin’ny herinaratra ny nikela sy kobalta.99,9% ny taham-pahadiovanaNanazava ity tompon’andraikitry ny tetikasa Ambatovy ity, fa asam-pihariana marolafy sady be pitsopitsony ny famokarana nikela sy kobalta, manana taham-pahadiovana 99,9%. Tanjona ho an’ny orinasa ny hisitrahan’ny rehetra ireo vinavina ireo. Hajaina amin’ny antsipiriany ny fepetra hisorohana ny fiantraikan’ny Covid-19, mba tsy hiantraika any amin’ny famokarana. Ankoatra ny fepetra any amin’ny toeram-piasana, nentanina ny mpiasa hanaja izany koa any an-tokantrano sy amin’ny fifaneraserana amin’ny olon-kafa.Njaka A.L’article Nikela sy kobalta: mampandroso an’Ambatovy ny fiara mandeha herinaratra a été récupéré chez Newsmada.

Antenimieram-pirenena: nampitomboana ny vola ho an’ny sosialim-bahoaka         
16/06/2021

“Miompana manokana amin’ny fisondrotana manokana be dia be hatramin’ny 60 miliara Ar ny natokana ho an’ny sosialy ao amin’ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-bolam-panjakana” hoy ny kestoran’ny Antenimierampirenena, Rakotomanga Lanto, momba ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2021. Efa tonga eny Tsimbazaza izany izao. Anisan’izany ny hampitomboana ny volan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy: ny fanomezana Vatsy tsinjo noho ny hamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny Covid-19. Eo koa ny asa sosialy rehetra. Nampitomboana toy izany ny tetibola ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary indrindra ny ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Efa tafiditra amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-bola, taona 2021, avokoa ny fanorenana fotodrafitrasa ao anatin’ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanatanterahana ny velirano. Mety misy miampy ny amin’izany tetibola izany, araka ny fanazavany. Maro ireo fitsidiham-paritra nataon’ny filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-dia aminy. Misy ireo tomponandraikitra miaraka amin-dry zareo amin’izany fitsidiham-paritra izany toy ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanàna, governoran’ny faritra, mangataka fananganana fotodrafitrasa. Amin’izany no mety misy fanampiny amin’ny tetibolam-panjakana. Eo koa ny famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.R.Nd.  L’article Antenimieram-pirenena: nampitomboana ny vola ho an’ny sosialim-bahoaka          a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra
17/06/2021

Tsy milamina ny tontolon’ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana tato anatin’ny andro maromaro. Vatsim-pianarana tsy voaloa ny fototry ny olana sy ny fitakiana miafara amin’ny fifanandrinana amin’ny mpitandro filaminana.Taorian’ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato-Fianarantsoa, omaly maraina, noho ny fitakiana vatsim-pianarana dimy volana, mpianatra roa, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Degs, sy ny filoha leftra, no voasambotra tao anatin’ny hetsika. Niraisan’ny lalam-piofanana rehetra ny fitakiana ka niato ny fampianarana ho an’ny mpianatra sasany fa nitohy kosa ny fanantanterahana ny fanadinana ho an’ireo miatrika izany, toy ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo. Nanapa-kevitra hampiato ny fanadinana manomboka anio ny tomponandraikitra noho ny toe-draharaha misy eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa.Nisy nanimba ny fitaovana tao amin’ny CTCNanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina omaly no nandoro kodiarana nanoloana ny « barrière » eo amin’ny fiadidiana ny oniversiten’i Fianarantsoa ny mpianatra nanao fitakiana ny vatsim-pianarana. Nitaona mpianatra namana hafa teny anivon’ny toeram-pianarana ny mpitarika nanatevina ny hetsika ary nanao sakana teny amin’ny tetezana Antanifotsy sy nandoro kodiarana indray, araka ny fanazavan’ny mpanao gazety nanatri-maso ny zava-nisy tany an-toerana. Raikitra teo ny fifanjevoana ary nisy ny fandefasana grenady lakrimozena nandravana ny fitokonona. Rehefa voasambotra ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, nihemotra ny mpitokona ka noravana ny hetsika. Ny tapak’andro hariva, nitohy tamin’ny fanimbana fitaovana tao anatin’ny CTC eo anivon’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo ny hetsika. “Tsy fantatra mazava aloha hatramin’izao ireo nitarika ny fanimbana fa raikitra ny savorovoro”, hoy ny loharanom-baovao. Efa navotsotry ny mpitandro filaminana, omaly hariva, ihany ireo mpianatra roa voasambotra ny maraina.Minisiteran’ny Fampianarana ambonyEo am-pikarakarana ny vatsim-pianarana volana fahafitoManoloana ny hetsika mafampana fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversite tany Mahajanga sy tany Toliara ary tany Fianarantsoa, nanao fanambarana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Assoumacou Elia, omaly. Efa nisy ny fivoriana niarahana amin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena ary ny minisitry ny Fampianarana ambony nijerena manokana ity raharaha ity, ny talata hariva lasa teo.Voalazany fa eo am-panatanterahana ny famoahana hatramin’ny volana fahafito ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ny fitondram-panjakana. Ireo tara tsy mbola nandray ny volana voalohany noho ny fihibohana, handray izany miaraka amin’ny fampitaovana. Hampifanarahina amin’ny famitana ny taom-pianarana kosa ny fandoavana ny volana fahavalo sy fahasivy. Manentana ny mpianatra ho tony ny minisitra mpiahy satria handray avokoa ny vatsim-pianarana feno izay voakasik’izany. Momba ny karaman’ny mpandraharaha eny anivon’ny oniversite, efa manao ny ezaka ny fanjakana handefa ny karama mialoha ny fetim-pirenena.Vonjy A.L’article Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Taksiborosy Sprinter niala moto- RN4: Olona 4 maty tsy tra-drano, mpandeha 20 naratra mafy
19/06/2021

Olona roa tamin’ilay moto no namoy ny ainy teo no ho eo. Mpandeha 20 tao anatin’ilay taksiborosy Sprinter no voalaza fa naratra mafy, lehilahy roa maty. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina, nitranga, omaly maraina, tao Andakana, kaominina Andranolava, distrikan’i Marovoay (RN 4), omaly maraina.Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy mampitohy an’Antsohihy sy Mahajanga teo amin’ny PK 525 +800 Berivotra, fokontany Anda­kalaka, kaominina ambani­votr’Antanambao-Andrano­lava, distrikan’i Marovoay. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra efatra ireo olona namoy ny ainy. Olona 15 hafa koa naratra mafy, ankoatra ireo, olona telo ihany koa mbola marary tsy mahatsiaro tena. «Nifampilahatra ny taksiborosy Sprinter roa hamonjy an’i Mahajanga, avy eo naka sisiny ny iray tamin’izy ireo, niala lavaka tamin’ny “dos d’âne” sady niditra fiholahana. Teo no nifanena tampoka tamina moto nanao taingin-telo avy any Mahajanga ny fiara», hoy ny fanazavan’ny brigade de la police routière (BPR). Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka nivadibadika avy hatrany ny taksiborosy ary noraofiny niaraka taminy ilay moto. Samy tsy nisy tafajanona na ilay moto na ilay fiara fa nifatratra tany an-tokotanin’olona. Vokany, olona roa tamin’ireo nandeha moto no maty teo no ho eo voatsindrin’ny entana tao anaty tatatra dia ny zazalahy 8 taona sy ny rainy 41 taona.Naratra mafy Naratra mafy tamin’izany ny vehivavy iray, vadin’ilay lehilahy mpitondra moto sy ny renin’ilay ankizilahy namoy ny ainy. Maty tsy tra-drano ihany koa ny lehilahy roa 26 sy 34 taona, mpandeha tao anaty ny taksiborosy. Taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao amin’ny faritra Boeny. Nalefa vonjimaiaka tao amin’ny hopitaly An­drova-Mahajanga avokoa ireo tra-doza. Olona 15 tao anatin’ilay taksiborosy no naratra mafy sy mbola manaraka fitsaboana ary olona telo hafa no mbola tsy mahatsiaro tena, hoy ny fanazavan’ny zandary. « Surveillante ao amin’ny CRINFP na Institut national de formation pédagogique ao Mahabibo ilay ramatoa nandeha moto », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nanao fanambarana ny governoran’ny faritra Boeny sy ny mpiara-miasa aminy rehetra fa maneho fiaraha-miory amin’irreo fianakavian’ireo namoy ny ainy. Ary mirary fahasitranana feno ho an’ireo maratra.Henintsoa HaniL’article Taksiborosy Sprinter niala moto- RN4: Olona 4 maty tsy tra-drano, mpandeha 20 naratra mafy a été récupéré chez Newsmada.