Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina

News - Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina

News - Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina

Hitohy anio eny Ambohimanarina,
boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy
tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny
kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny
amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana
sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.

Fidinana ifotony eo amin’ny
fahasalamana

Tanjona ny fidinana ifotony,
fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana
trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II
sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro
mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray
anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny
fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana
amin’ny ankapobeny.

Mihaino ireo vehivavy
iharan’ny herisetra koa ny polisy

 Nampiavaka
ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny
Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo
vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany
ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny
trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.

Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany
ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny 
« ISSV ».

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 29/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Indray mijery

Tsy hahakasika an’i Madagasikara  i Kenneth. Araka ny nohamafisin’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro, nitombo hery ary lasa « forte tempête tropicale » ilay andro ratsy Kenneth, omaly. Tany amin’ny 418 km tany avaratra andrefan’Antsiranana ny nisy ny foibeny, omaly maraina. Nizotra nianandrefana ny lalany ka nahatratra 20 km isan’ora ny hafainganam-pandehany.Tsy nisy filazana loza momba ity rivodoza ity ho antsika, hatramin’ny omaly.  Mampitandrina ny mpampiasa ranomasina, eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy i Mahajanga, anefa  ny Meteo. Mety hahery ny rivotra amin’io faritra io.Araka ny tombana, ho lasa « cyclone tropical » i Kenneth, anio ary manambana ny Nosy Kaomoro ary mety hiditra an-tanety any avaratr’i Mozambika ity rivodoza ity. L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fanomanan-tena: mety hisy mpilalao vaovao hantsoina handrafitra ny Barea

Mitsitaitaika ny fahatongavan’ireo mpilalaon’ny Barea, mamonjy ny fampivondronana voalohany, hiatrehana ny lalao fanomanana hiadian-toerana amin’ny Can 2022. Araka ny vaovao, mety hisy mpilalao vaovao ho avy.Raha ny tokony ho izy, efa nanomboka omaly alatsinainy ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, saingy tsy mbola feno tanteraka ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena,  Anio vao tena ho raikitra izany. Omaly alatsinainy mantsy vao namonjy an’i Luxembourg, ireo mpilalao mipetraka ivelan’i Frantsa. Anisan’izany i Bapasy avy atsy La Réunion sy i Paulin avy any Egypta.Eo koa nefa ireo mpilalao sasany izay mbola niatrika ny fifaninanana tao amin’ny kliobany, ny faran’ny herinandro lasa teo, toa an-dRamalingom sy i Hery Bastien, Torak’izany koa ireo ao Frantsa, toa an-dry Bolida sy i Morel ary i Thomas Fontaine sy ny hafa. Ankoatra izay, fantatra fa mety hisy mpilalao vaovao hantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra hanatevina ny Barea de Madagascar.Hatreto anefa, tsy mbola misy anarana nolazainy fa efa nisy kosa ny fifampiresahana mahakasika izany. Araka izay efa notaterina teto ihany ny antony tsy fahafahan’ireo mpilalao tompon-toerana, toa an’i Romain Metanire sy i Ibrahim Amada ary i Carolus, izay vao nifindra klioba ao amin’ny Al Qadsiah Al-Khubar FC, ao Arabia Saodita. Eo koa i Abel Anicet, kapiteny maratra ary i Jerome Mombris, tratry ny aretina Covid 19.Tsiahivina fa sady fiofanana no hiatrehana ireo lalao firahalahiana roa ity atao any Luxembourg, nanomboka omaly alatsinainy ity, dia ny fikatrohana amin’ny Swift Hesperange, ny zoma 9 oktobra ho avy izao sy ny fifandonana amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, ny alatsinainy 12 oktobra any Maraoka.Marihina fa fanomanantenan’ny Barea, amin’ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ny Can 2022, izy ity. Lalao mandroso hatao any Abidjan, ny 9 novambra ary ny fihaonana miverina any amin’ny kianja Barikadimy, ny 17 novambra ho avy izao. TompondakaL’article Kitra – Fanomanan-tena: mety hisy mpilalao vaovao hantsoina handrafitra ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Delire Madagascar

CLUB DES SUPPORTEURS DU FOOTBALL MALAGASY : Mpanohana mavitrika ny ekipam-pirenena

Vonona hanohana hatramin’ny farany ny ekipam-pirenena malagasy ny Club des supporteurs du football malagasy (CSFM). Efa nanomboka tamin’ny taona 2000 no nitsangana ara-panjakana ny Club des supporteurs du football malagasy (CSFM). Mbola Scorpion no anaran’ny ekipam-pirenena tamin’izany. Nandray anjara tao anatin’ny komity nanova ny anaran’ny ekipa ho barea ny filohan’ny CSFM. Efa nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) ihany koa ity fikambanana mpanohana ny baolina kitra malagasy ity. « Faly izahay fa tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana amin’ny CAN 2019 izay atao any Caméroun ny barea an’i Madagasikara. Vonona hanohana hatrany ny ekipam-pirenena izahay », hoy ny filohan’ny CSFM, Rakotondrahova Honoré. Misy telo ny fikambanana mpanohana ny ekipam-pirenena malagasy. Nilaza ny Sekretera jeneraly, Ranaivo Louis de Gonzague nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny fikambanana ny 24 oktobra 2018 fa maniry ny hanambatra izany ho iray ny CSFM mba ho “loko iray, fihetsika iray, mpilalao faha-12”. Manao antso avo ny mpitia baolina kitra ihany koa ny fikambanana hiray hina hanohana barea an’i Madagasikara ho fiarovana ny voninahi-pirenena. Sata mifehy ny CSFM ny fanohanana ny ekipam-pirenena sy ny ekipa malagasy mifanandrina amin’ny ekipa any ivelany. Ankoatra ny fanohanana eny an-kianja dia mandray anjara amin’ny fanohanana ara-pitaovana ihany koa ny fikambanana. Betsaka ireo asa fanohanana efa nataony toy ny fanomezana fanamiana, baolina, « argent de poche »…Araka ny tarehimarika voaray, 815 ny mpikambana manana karatra ao amin’ny CSFM. Lynda A. Cet article CLUB DES SUPPORTEURS DU FOOTBALL MALAGASY : Mpanohana mavitrika ny ekipam-pirenena est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Tambajotrana mpanafika – RN 2: voasambotry ny zandary ry Zafinady sy Rigobert

  Niverina indray, efa ho volana vitsivitsy izay ny fanafihana kaomiaobe mitondra entana sy ireo taksiborosy eny amin’ny RN 2 tato ho ato. Efa betsaka rahateo ireo nametraka fitarainana amin’ny fahaverezana entana vokatr’ity fanafihana ity teny amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Brickaville. Mitovitovy avokoa ny voalazan’ny fitarainana fa saika eo anelanelan’i Brickaville sy Bekalalao izay somary misy fiakarana sy fiolahana no hitrangan’ny fanafihana. Faharoa voasoratra ao anatin’ny fitarainana koa ny eo anelanelan’ny tetezam-by ao Brickaville sy Ambodipolomosy izay fiakarana ihany koa ary misy lalan-dratsy ka tsy afa-mandeha mafy ny fiara amin’ireo faritra roa ireo ka eo ny manararaotra manao ny asa ratsiny ireo olon-dratsy mihanika ny kamiaobe ka manapaka ny hidin’ny kaontenera. Toy izany koa ny mahazo ireo taksiborosy satria tafakatra eny ambony tafo ry zalahy maka ny entan’ny mpandeha. Vokany, nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ka nametraka ny vela-pandrika mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Nambaran’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, ny Kly Ranaivoarison Théodule fa matory any anaty ala maizina mihitsy amin’ireo faritra voalaza ireo ny zandary miandry izay mety hisian’ny halatra sy fanafihana fiara. Nahitam-bokany izany, ny herinandro teo fa tratra teo am-pianihana kamiaobe ireo jiolahy ka raikitra ny fifanenjehana. Nandositra niditra tany anaty ala ireo jiolahy tsy latsaky ny enina, araka ny fanazavany  hatrany. Tsy nijanona teo ny zandary fa nanao ny fikarohana ka tonga hatrany amin’ny tanàna kely antsoina hoe Ambalambe Analankininina fokontany Vohimarina, 15 km mandeha avy eo Brickaville. Niainga tamina ranom-boankazo very ny zandary ka niafara tamin’ny fahitana seza  salon complet, panneau solaire, friperie telo fonosana, moto jog 50 iray, voanjo 50 kg.SajoL’article Tambajotrana mpanafika – RN 2: voasambotry ny zandary ry Zafinady sy Rigobert a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: tsy nanaraka toromarika ny mpivarotra

Hentitra ny toromarika nomen’ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nitsidika ny tsena may tao Bazarikely Toamasina, ny alatsinainy 22 jolay lasa teo. Nambarany fa tsy maintsy manaraka ny lamina sy ny endriky ny tsena hatrany am-boalohany, mifanaraka amin’ny taon-trano ataon’ny teknisian’ny kaominina Toamasina I ny mpivarotra. Tsy maintsy misy lalana miditra sy mivoaka sady tsy azo atao tranovato ny eo amin’ny tany malalaka “esplanade”.Aty aoriana, tsy nanaraka izany fepetra sy toromarika izany ny mpivarotra fa tonga dia nirohotra nanangana tranovato sady misy rihana daholo. Ho an’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS)-n’ny kaominina, tsy naniraka olona hampanao tranovato mihitsy ny tenany, ary hampiato izany avy hatrany.Etsy ankilany, nandrahona ny mpanao gazety naka ny sary teny an-toerana ny talen’ny kabinetran’ny kaominina. Aminy, tsy tokony hasiana resaka ny fanamboarana tranovato, fa tompon’andraikitra izy ireo ao amin’ny kaominina.SajoL’article Toamasina: tsy nanaraka toromarika ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetikasa andrana: EPP 93 nizarana mofo

Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina. Nanomboka amin’ny EPP miisa 93 ahitana mpianatra 8 669 ny fanomezana mofo amin-dronono ho an’ireo ankizy, hiatrika fanadinana 7e. « Natao andrana aloha izany, iarahana amin’ny sehatra tsy miankina. Mbola ezahina itarina amin’ny EPP hafa », hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Andriamanana Rijasoa, omaly teny Tanjombato. Nidina ifotony nijery ny fidiran’ny mpianatra teny an-toerana ny tenany. Nisy ny fampahatsiahivana ny fepetra rehetra tamin’izany amin’izao fiatrehana ny Coronavirus izao. Eo ny tsy maintsy anaovan’ny mpianatra arom-bava. Ny fisian’ny toerana fanasana tanana miaraka amin’ny savony. Ny fanajana ny elanelana iray metatra ary koa ny fanomezana tambavy CVO azy ireo.Momba ny fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana kosa, nambaran’ny minisitra fa tsy mbola any aloha izao ny resaka. “Hotanterahina amin’ny fotoana milamina fa tsy ho amin’izao fotoan’ny valanaretina izao. Miankina amin’ny filoham-pirenena izany”, hoy ihany izy.Synèse R.L’article Tetikasa andrana: EPP 93 nizarana mofo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Dimy taona no nifanomezana… tsy maintsy vita i Miami »

Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina. Voaresaka tamin’izany ireo lafin-javatra maromaro.Anisan’ny nambarany fa dimy taona no nifanarahana amin’ny fitantanana ny firenena.  « Tazony amin’ny teniko aho raha tsy vita ao anatin’izany i Miami. Fantatro ny filoham-pirenena fa mitana ny teny nomena. Resaka tetinandro io. Tsy midika izany fa tsy atao ny fanajariana ny sisin-dranomasina mba hitovy amin’ny fivoaran’ny any ivelany », hoy izy. Nanteriny fa mahafinaritra amin’ity fitondrana ity ny fandrabirabian’ny sasany saingy avadiky ny mpitondra ho vato lasa fehizoro izany. « Misy ny demokrasia eto amintsika matoa afaka miteny sy manakiana momba izany izy ireo », hoy ihany izy.Nanteriny fa mitondra fanazavana ny tenany noho ny adidy amin’ny tamberin’andraikitra sy amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy sady minisitry ny Serasera. Nambarany fa miasa sy mihazakazaka ny mpitondra sy ny filoha mankatsy sy aroa. « Misy kosa anefa ny fotoana itondrana fanazavana manoloana ny tenin’ireo mpamendrofendro, tsy manao na inona na inona … », hoy ihany izy.Orinasan’ny filoha teo aloha, ao ToamasinaNovaliny tamin’izany ny filazana ho diso paikady hatrany am-boalohany ny fanjakana, manoloana ny fihanaky ny covid-19. Nohitsiny anefa fa nisy hatrany ireo fepetra samihafa noraisina, nanomboka ny volana febroary. Teo koa ny nilazany fa tsy nanao ny fifidianana teny anivon’ny faritra sy ny faritany ny fitondrana teo aloha nefa tokony ho nanatanteraka izany izy ireo.Etsy andaniny, notsikerainy ny fomba fitantanan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana amin’ny nampifangaroany ny fitantanana firenena sy ny orinasany. « Rindrina efa simba ny teo ary lainga ny sary ahitana milina na fitaovana tao amin’ny ozinina tao amin’ny seranan-tsambo. Efa namidiny anefa izany…  Nitsangana tsy ara-dalàna tao koa io orinasa io. Tsy nandoa hetra nanomboka ny taona 2008 koa izy nefa mitabataba », hoy ny ampahany amin’ny fanazavan’ny minisitra.Synèse R. L’article Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Dimy taona no nifanomezana… tsy maintsy vita i Miami » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena

Miantraika any amin’ny tontolo iainana ny fambolena, vokatry ny fitomboan’ny mponina be loatra, miteraka ny fiovan’ny toetr’andro izany. Tsy mifandanja koa ny sakafon’ny tany mandroso miohatra ny any amin’ny tany mahantra.Namoaka tatitra ny Vondron’ny manampahaizana sy mpikaroka iraisam-pirenena mikasika ny fivoaran’ny toetr’andro (GIEC). Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanadihadiana nataony ny fahafantarana fa ampiasaina sy ajarian’ny olombelona ny 72%-n’ny velaran-tany tsy misy ranomandry, izay tsy maharitra ny ankamaroany. Avy amin’ny olombelona ny 23%-n’ny etona karbonika na gaz à effet de serre (Gez), amin’ny alalan’ny fandripahana ny ala, ny fanovana ny ala ho amin’ny fambolena sy fiompiana indostrialy ny biby. Tsindry mivantana manimba ny haibolantany ny fihariana ataon’ny olombelona, izay mahatonga mivantana ihany koa ny fiovan’ny toetr’andro, manapotika ny zavamananaina, ary indrindra ny tsy fahampian-tsakafo. Tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala maneran-tany ny fambolena sy ny sakafo.Very fotsiny ny 30%-n’ny sakafoAraka ny fanadihadian’ny GIEC ihany, mahatratra 810 tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo maneran-tany. Etsy ankilany anefa, very fotsiny na tsy misy mihinana ny 25 hatramin’ny 30%-n’ny sakafo vokatra rehetra eto ambonin’ny tany. Endriky ny tsy fifandanjan’ny sakafo sy ny fihinanana azy izany eo amin’ny tany mandroso miohatra amin’ny tany mahantra.Araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF, hita soritra eto Madagasikara, ity fanadihadiana nataon’ny GIEC ity. Anisan’ny hanamarinana izany ny firongatry ny fandripahana ny ala eto amintsika, havadiky mponina ho amin’ny fambolena.Mahatratra 25,7 tapitrisa ny Malagasy, ankehitriny, ary tombanana ho 55 tapitrisa afaka 30 taona, amin’ny 2050. Hitombo ny vava mihinana, ka hampiasaina araka ny tokony ho izy ny tany efa ambolena ary mila arindra tsara ny fanitarana ny tany vao hojariana. Tanjona, ny hisian’ny famokarana maharitra sady manaja sy miaro ny tontolo iainana.Mifandray ny toetr’andro, ny fambolena ary ny fiarovana ny zavamananainaHo an’ny WWF, mampiseho ny fifandraisana akaiky eo amin’ny toetr’andro, ny olombelona ary ny zavaboahary ity tatitry ny GIEC ity. Midika izany fa tsy afa-miala ary tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampiasana ny tany ny fiarovana maharitra ny zavamananaina sisa tavela, ny fanarenana ny zavaboahary potika, nefa mifandrindra amin’ny fiarovana ara-tsakafo ho an’ny zanak’olombelona.Manana ny lanjany lehibe ny vahaolana ho an’ny toetr’andro mifototra amin’ny zavaboahary. Singanina amin’izany, ny anjara toeran’ny ala honko amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, asdy manampy ny fiarovana ny tontolo mananaina ho an’ny mponina eny ifotony avy. Mamerina ny fisian’ny loharano ny famerenana ny ala, manampy ny tany ho lonaka ary miverina tsikelikely amin’ny maha izy azy tany aloha ny zavaboahary sady maharitra.Nilaza ny lehiben’ny mpanolotsaina amin’ny fiovan’ny toetr’andro, sady tompon’andraikitry ny GIEC, Stephen Cornelius, fa “mitondra hafatra mafonja ho an’ny rehetra ity fanadihadiana ity, milaza fa miantraika any amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fomba ampiasaintsika ny tany, ka mila hovana haingana izany”.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsidihana ny distrikan’Andramasina: nihaino ny hetaheta sy namaha olana ny governora Rasoamaromaka

Betsaka ny fitarainan’ireo ben’ny Tanàna sasany sy ny mponina any amin ’ny distrikan’Andramasina tamin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny governora Rasoamaromaka Hery, afakomaly tany an-toerana. Eo ny fangatahana ny fanamboarana ny lalana, tena ratsy tokoa. Ny kianja maitso ao Ambohimiadana sy ny CSB II. Manampy izany ny fanarenana ny  tranompokonolona ao Manjakavahoaka, efa simba sy tranainy. « Hojerena ny momba ireo. Efa nandinika ny fomba hanatanterahana izany ny teknisianina ka hamboarina ato ho ato », hoy ny governoran’Analamanga.Nanatitra ireo fanampiana avy any amin’ny filoha Rajoelina tany amin’iny faritra iny ny tenany sy ny ekipan’ny faritra. Nisy ny fanampiana ho an’ireo zokiolona, CSB II, « Matérnité », Akany mpitaiza  kamboty, ary toeram-piofanana, kilasy mandry sy ireo marefo ara-pivelomana. Nahitana kidoro sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), toy  vary, siramamy, menaka, voamaina, savony. Anisan’ny nahazo izany ny « Maison Familiale Rurale Maroambika Antsahondra sy ny teny Ambohimiadana, Anosibe Trimoloharano ary nofaranana tany  Sabotsy Mankakavahoaka.Synèse R. L’article Fitsidihana ny distrikan’Andramasina: nihaino ny hetaheta sy namaha olana ny governora Rasoamaromaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano

Migoka rano voadio amin’ny toerana iray tantanin’ny kaominina ny mponina amin’ny vidiny sahaza azy ireo. Izay ny vokatry ny fanohanan’ny fanjakana japoney, notokanana omaly any Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Mihena ny fandaniana amin’ny fampiasana izany milina fanadiovan-drano izany noho ny angovo avy amin’ny masoandro mampihodina azy.« Fanatsarana fahazoana rano fisotro madio”, ny anaran’ny tetikasa vatsin’ny fitondram-panjakana japoney vola, nankatoavina tany Tokyo ny 5 desambra 2017. Mitentina roa tapitrisa dolara izany tetikasa izany, ka ankoatra ny faritra Itasy, hita ihany koa izany any Vakinankaratra, Betsiboka, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Tsy ritra ny rano any amin’ireo faritra ireo, saingy mila fanadiovana hisorohana ny aretina. Atahorana hisy fiantraikany izany, any amin’ny ankizy sy ny mponina amin’ny ankapobeny.Ao anatin’ny laminasan’ny minisitera misahana ny rano izany ka ny “fanomezana rano madio tsy mijanona fotsiny amin’ny famatsiana azy fa azo atao tsara ny manatsara izany hatrany ho an’ny rehetra, indrindra ireo mijaly. Izay rahateo no fomba iray mampihena ny aretina sy tsy hisian’ny areti-mifindra », hoy ny minisitra, Andriamanga Vonjy. R.MathieuL’article Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch
24/11/2020

La BAD encourage l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture. Le développement agricole pour l’autosuffisance alimentaire figure parmi les grands défis que la BAD (Banque africaine de développement) compte relever. C’est dans ce cadre que cette institution a organisé le concours pour les entrepreneurs agricoles. 120 000 dollars américains ! C’est ce qu’ont reçu les trois entrepreneurs du secteur de l’agriculture, récompensés par la BAD à l’issue du concours AgriPitch. Bien que les start-ups malgaches brillent parfois dans ce genre de concours, aucun entrepreneur de la Grande île n’a remporté le prix, pour cette fois. « La première lauréate, Kenyane, est fondatrice d’une entreprise de transformation du manioc. Les deux autres sont Nigérians, l’un cofondateur d’une start-up de transformation des aliments par les nouvelles technologies, l’autre propriétaire d’une entreprise d’approvisionnement alimentaire auprès de petits exploitants agricoles », a déclaré la BAD, organisatrice du concours. A noter qu’AgriPitch a permis à de nombreux jeunes entrepreneurs agricoles du continent de présenter leurs projets à un groupe d’experts et d’investisseurs, qui a sélectionné des lauréats classés dans trois catégories notamment la catégorie des Startups, des Startups matures et la catégorie des Entreprises dirigées par des femmes. « J’étais tellement contente à l’annonce de mon nom ! », a réagi Elizabeth Gikebe, fondatrice de « Mhogo Foods » au Kenya, qui a remporté le prix de 20 000 dollars américains dans la catégorie des entreprises dirigées par des femmes. Ravie de n’avoir pas baissé les bras, Elizabeth Gikebe avait déjà présenté « Mhogo Foods » aux éditions 2018 et 2019 d’AgriPitch. Son entreprise apporte de la valeur à la production de manioc en transformant les tubercules pour en faire de la farine, des en-cas au manioc (repas léger) et des aliments pour animaux sans gluten. « C’est avec beaucoup de persévérance qu’on arrive à obtenir ce qu’on recherche. C’est bien la preuve que tout arrive au temps qui lui est propre », a-t-elle déclaré. Mode virtuel. Pour faciliter la participation de tous, le concours a été organisé de façon virtuelle dans le contexte de la pandémie de Covid-19. Il a enregistré plus de 2 500 candidatures et 605 propositions en provenance de trente pays africains. Au total, 25 finalistes de douze pays ont été retenus. Les finalistes ont participé à un campus de deux semaines sur le développement des affaires, puis les neuf premiers ont obtenu une ultime chance de faire valoir leur projet devant un jury en ligne composé d’experts et d’investisseurs. « On éprouve toujours une grande satisfaction lorsqu’on est choisi parmi une telle panoplie d’entreprises », a confié Ikenna Nzewi, lauréat dans la catégorie « Start up », qui représentait Releaf , une société technologique de pré-transformation d’aliments. Créée par des diplômés nigéro-américains des universités du MIT, de Yale et Duke et implantée à Uyo, au Nigeria, Releaf envisage de réserver son prix de 20 000 dollars à des investissements futurs. Pour Femi Aiki, PDG de Foodlocker, lauréat du prix de 40 000 dollars dans la catégorie des Start-ups matures, ce financement de démarrage donne « un bon coup de vent dans les voiles » de son entreprise, soutient les petits agriculteurs en leur procurant des technologies pour produire des aliments comme les tomates et le poulet. « Avec ce prix, nous pourrons nous permettre d’acheter plus d’intrants. Nous disposons maintenant des fonds pour faire appel à davantage d’experts dans les chaînes de valeur qui peuvent soutenir les petits agriculteurs plus excentrés. Cet argent aidera l’entreprise à obtenir de bons résultats », a-t-il expliqué. Bref, pour la BAD, ce concours vise à encourager l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture, pour capitaliser les grandes opportunités qui se présentent en termes d’avantages comparatifs dont bénéficient de nombreux pays africains comme Madagascar. Antsa R. L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch a été récupéré chez Midi Madagasikara.

FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa
20/11/2020

Ho fanampiana ny olona sahirana. Foto-drafitr’asa avo lenta miisa telo no notokanana teny amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) Antaniavo Antohomadinika ny 20 novambra 2020. Anisan’izany ny trano lehibe ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana arak’asa INFOPRO, ny Amphithéatre d’Al Haj Abdoul Momin ary ny efitram-pikarohana Al haj Roshan Jamil. “Natsangana izao foto-drafitr’asa izao ho fanampiana ny olona sahirana sy ho fiarahamiasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ivon-toeram-pampiofanana arak’asa. Anjara birikinay amin’ny fampianarana izao ary hiezaka hanaparitaka ny fahalalana ho fanampiana ny tanora izahay”, hoy ny Filoha Tale jeneralin’ny CRA, Cheikh Haniphe Akbaraly. Nambarany fa mbola hisy ny fanamboarana ny ivon-toeram-pampiofanana eny Tanjombato, Andakana. Manana vina ihany koa ny fikambanana FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram) fa hananganana oniversite avo lenta momba ny informatika eny Ambohidratrimo. Sampam-piofanana Raha ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana INFOPRO dia natao ho an’ny rehetra, tsy ny silamo ihany fa ho an’ny antokom-pivavahana rehetra, tsy ankanavaka ara-pivelomana. Mirary dia mirary ny saram-piofanana ary misy karazany maro ny sampam-piofanana toy ny zaitra, ny  “mécanique”, ny “informatique”, ny fianarana teny vahiny  (teny frantsay  sy anglisy).  Sivy volana ny faharetan’ny fiofanana ary isaky mifarana ny telovolana dia tsy maintsy manao fanadinana ny mpiofana ahafahana miditra amin’ny dingana manaraka. Ho an’ny taona 2018 dia mpiofana 52 no nahavita fiofanana tao amin’ity ivon-toeram-pampiofanana ity. Nitombo avo roa heny izany ny taona 2019, lasa 110 ireo nahazo diplaoma. Ankoatra ny lafiny fampianarana dia manao asa sosialy, mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ihany koa ny FCRA. Nirina R. Cet article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa a été récupéré chez Délire Madagascar.

Basikety-Ekipa nasionaly: nahazo fanamiana avy amin’ny Telma
18/11/2020

Tsy ny taranja baolina kitra ihany fa eo koa ny basikety tohanan’ny Telma. Nahazo fanamiana avy amin’ity orinasa misehatra amin’ny serasera ity ny ekipam-pirenena hiatrika ny Afrobasket 2021 any Kigali Rwanda.Nanao tohivakana, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ny fanohanana ataon’ireo malala-tanana, ny ekipa nasionaly, taranja basikety, izay manoman-tena amin’ny fiatrehana ny lalao fifanintsanan’ny Afrobasket 2021. Ny fiandohan’ity herinandro ity, tonga nitsidika ireo mpilalao izay nanatanteraka fanazaran-tena teny Ankorondrano ny avy eo anivon’ny Telma. Nahazo fanamiana ity ekipa nasionaly ity nandritra izany. Tsiahivina fa hanainga afaka 4 hihazo an’i Kigali Rwanda ny delegasiona malagasy. Raha ny nambaran’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly, 16 mirahalahy, hatreto, ny fantatra fa mandrafitra ny ekipa, saingy mety mbola hisy fiovana izany mialoha ny tena hiaingana. Etsy ankilany, mitohy ary mihamatotra hatrany ny fanomanan-tena ho an’ny ekipa nasionaly. Misy hatrany ny lalao ara-pirahalahiana ataon’izy ireo amin’ny ekipa goavana eto an-toerana ary manara-maso akaiky ny mpanazatra. Marihina, Tonizia, Centrafrique ary ny RD Congo ny miray vondrona amin’i Madagasikara, ary ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao ny hanatanterahana ny fifaninanana ho an’ny “fenêtre 1”. Amin’ny volana febroary 2021 kosa ny hanaovana ny “fenêtre 2” ka hahafantarana izay hisolo tena ny vondrona misy ny Malagasy. Mi.RazL’article Basikety-Ekipa nasionaly: nahazo fanamiana avy amin’ny Telma a été récupéré chez Newsmada.

CFM: “Mba hahay hifidy ireo mpifidy”
20/11/2020

“Amin’izao ankatoky ny fifidianana loholona eto Madagasikara izao, manao antso avo izahay ato amin’ny CFM hitandroana ny fihavanana. Zava-dehibe ho antsika io fifidianana io, satria olon-dehibe ary ho mpikamban’ny andrimpanjakana mpanao lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana no hofidina.”     Io ny fanambaran’ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM), i Maka Alphonse, amin’izao fiatrehana ny fifidianana loholon’i Madagasikara izao, izay nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra amin’izany. Koa manantena izy fa ny fieritreretan’ny mpifidy vaventy no hamaritra ny safidin’izy ireo tsirairay avy. Hahay hifidy koa izy ireo, satria izay no lalàn’ny demokrasia.Ireo mpifidy vaventy no raiamandreny sy heverina ho olon-dehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Koa antenaina ho vita ao anatin’ny filaminana ny fifidianana hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny soatoavina maha Malagasy izany: ny fitandroana lalandava ny fihavanana. Ao anatin’ny firaisankina sy ny fitonian-tsaina ary ny fandriampahalemana no ahazoana miroso amin’ny asa fampandrosoana ho fanarenana ny firenena. Matoky sy mino ny CFM fa hiara-mientana sy hiray fo hampandroso ny firenena ny rehetra.R.Nd. L’article CFM: “Mba hahay hifidy ireo mpifidy” a été récupéré chez Newsmada.

Lakandranon’i Bemanonga: ho an’ny tanimbary sy ny faritra arovana
18/11/2020

Nizaha ny fanajariana ny lakandrano mirefy 9 km any amin’ny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny harena lovain-jafy, i Baomihavotse Vahinala. Lakandrano manondraka tanimbary 187 ha, diovina sy miantoka ihany koa ny fiarovana ny faritra arovana Menabe Antimena.Nozahana ny fanatanterahan’ireo mpiara-miombona antoka bokin’andraikitra amin’ny fiahiana sosialy sy ny fiarovana ny mponina sy ny manodidina. Anisan’ny fiahiana azy ireo  ny fanadiovana lakandrano,ka fianakaviana manodidina ny 1 000 ny hahita tombontsoa, noho ny tanimbary voatondraka. Etsy andaniny, mampiroborobo sy misarika mpizahatany ny fanajana bokin’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra hisian’ny fitoviam-pijery tsy hampisy olana eo amin’ny samy mpiara-monina.Mantanteraka ny asa amin’izao fotoana izao ny tetikasa Fanamby sy ireo teknisianina ao aminy. Olona maherin’ny 20 miasa isan’andro ny manadio lakandrano; mitady fanampiana amin’ny faritra hahazoana fitaovam-baventy (engin) koa ny ekipan’ny Fanamby. R.Mathieu  L’article Lakandranon’i Bemanonga: ho an’ny tanimbary sy ny faritra arovana a été récupéré chez Newsmada.

Ils ont dit
18/11/2020

Carolus Andriamahitsinoro : « C’était très dur car les Ivoiriens sont très à l’aise sur cette pelouse. Il a fallu se battre et je pense que ce score de parité arrange les deux équipes, car l’une équipe comme l’autre a tout juste besoin d’une victoire soit contre le Niger soit contre l’Éthiopie » Adrien Melvin : « Nous avons eu du mal à entrer dans le match, contrairement aux Ivoiriens qui se faisaient de plus en plus menaçants. Tout compte fait, ce résultat n’est pas si mauvais pour nous » Propos recueillis par Clément RABARY L’article Ils ont dit est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ils ont dit a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena
18/11/2020

Nanomboka ny 16 ka hatramin’ny 20 novambra izao ny hanamarihan’ny masoivoho amerikanina ny “Herinandron’ny fanabeazana iraisiam-pirenena” (IEW).Mampirisika ireo mpianatra malagasy liana amin’ny fianarana any ivelany ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara sy i Kaomoro handray anjara amin’ireo hetsika maimaimpoana mandritra ny IEW amin’ny fitsidihana ny pejy facebook https://www.facebook.com/EducationUSAMadagascar.Tokony hanararaotra ity herinandro ity ireo mpianatra malagasy hijerena ny fomba hahafahana manohy fianarana any amin’ireo oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony miisa 4 000 any Etazonia ka hisitraka ny traikefa entin’ny fampianarana iraisam-pirenena.”Ny foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay hatao ny 18 sy ny 19 novambra izao ny ivon’ny fanamarihana ny herinandron’ny fampianarana iraisam-pirenena na ny IEW amin’ity taona ity.Afaka mifandray amin’ireo tompon’andraikitry ny fandraisana mpianatra amina oniveriste sy ny sekoly ambony amerikanina toy ny Lafayette College sy ny Santa Rosa Junior College ireo mpianatra malagasy izay te handray anjara amin’ireo fotoana ireo.Ho an’ny eto Madagasikara manokana, hanolotra tafatafa mivantana amin’ny pejy “facebook” hiarahana amin’ny mpianatra efa nandranto fianarana tany Etazonia ny masoivoho amerikanina amin’ny alalan’ny EducationUSA.Tatiana A  Fandaharam-potoana18 sy 19 novambra amin’ny 3 ora tolakandro sy amin’ny 7 ora hariva: Foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay ahafahan’ny mpianatra mifandray amina oniversite amerikanina miisa 150. Misoratra anarana mialoha ao amin’ny pejy Facebook @EducationUSAAfricaConnection20 novambra – 11 ora : Andiany faharoa amin’ny tafatafa mivantana iarahana amin’ny ekipan’ny EducationUSA sy ireo mpianatra malagasy efa nandranto fianarana tany amin’ny oniversite amerikanina hitantara ny fiainan’izy ireo ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar.16 – 20 novambra: torohevitra samihafa momba ny fianarana any Etazonia, hozaraina isan’andro ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar L’article Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy
20/11/2020

Fotoana ankamamian’ny mpianakavy ny fetin’ny faran’ny taona. “Manoloana izany dia nanao ezaka ny teo anivon’ny Startimes hamenoana izany hafaliana izany”, hoy ny tompondraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes, Zafera Joyce nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2020 teny Ankorondrano. Nambarany fa nampiditra chaînes vaovao 28 tao anatin’ny bouquet ny Startimes tamin’ity taona ity, nanome fihenam-bidy tamin’ny alalan’ny Startimes GO ary tamin’ny alalan’ny Startimes ON dia afaka nisitraka ny vokatra Startimes na mpanjifa na tsia. Ho tohiny izany rehetra izany dia manao fihenam-bidy goavana ity televiziona nomerika ity ho fanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona. “ Raha ho an’ny eto Antananarivo dia lasa 45.000 Ariary ny décodeur ary efa misy abonnement 44.000 Ariary. Ho an’ny sahafa indray dia lasa 80.000 Ariary izany raha toa ka 120.000 Ariary teo aloha ary efa misy bouquet 44.000 Ariary miaraka aminy”, hoy i Zafera Joyce. Ankoatra izany dia mbola mitohy ny fihenam-bidy amin’ny “télévision numérique” an’ny Startimes. Raha 650.000 Ariary ny 32” dia lasa 550.000 Ariary. Ho an’ny televiziona 43” dia 950.000 Ariary ny vidiny raha toa ka 1.100.000 Ariary izy teo aloha. Nirina R. Cet article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nomcebo teny Antsonjombe: nafana ny dihy sy ny hira “Jerusalema”
23/11/2020

Rehefa tsy nahita fampisehoana an-tsehatra tao anatin’ny volana maromaro… Rehefa ela niandrasana ny tarika Nomcebo… Anjaran’Antananarivo indray ny omaly!Naverina indroa ny fihirana an’ny « Jerusalema », teny amin’ny Coliseum Antsonjombe Analamahitsy, omaly tolakandro. Amin’ny akoapobeny, io hira nohaingoana dihy mirindra io no tena nandrasan’ny maro tonga teny an-toerana, avy any amin’ny Nomcebo. Samy nanezaka ny hiaina tao anatin’ilay hira avokoa ny rehetra satria ny tompony mihitsy no nanao izany teny an-tsehatra. Tao ireo nifantoka tanteraka tamin’ny fandihizana fa tsy vitsy ihany koa ireo nanezaka mafy nihira ny « Jerusalema ».Na efa manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza i Nomcebo Zikode sy ny zava-bitany, tsikaritra ihany fa somary vitsivitsy ny sanganasan’izy ireo hain’ny mpijery tonga teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, hatramin’ny farany. Na izany aza, tsy nahasakana ny rehetra tsy handihy akory izany. Saika mihetsiketsika rahateo ny ankamaroan’ny hiran-dry zareo ireto.Raha tsiahivina, ankoatra ny maha mpamoron-kira sy mpihira azy, nandalina sy nianatra momba ny teknolojian’ny fanapariahana vaovao i Nomcebo Zikode. Manampy azy betsaka amin’ny fampahafantarana azy sy ny kanto ataony izany, raha ny fanazavany.HaRy Razafindrakoto L’article Nomcebo teny Antsonjombe: nafana ny dihy sy ny hira “Jerusalema” a été récupéré chez Newsmada.

Le By Pass – After work: hitondra ny vazony ny Lolo sy ny tariny
19/11/2020

Mpanakanto manana ny lazany! Lolo sy tariny indray ny hanafana ny faran’ny herinandro, etsy amin’ny Le By Pass After work, rahampitso manomboka amin’ny 7 ora hariva. “Tady vita fato-maty”, “Ilay akanjo fotsy”, “Dimbaka avy any Nazareta”… Ireo ny sombiny amin’ny hira anisan’ny nanamarika an’ny Lolo sy ny tariny. “Manome sehatra ny mpanakanto, isam-bolana, ny Le By Pass After work, amin’ny fanehoana ny talentany. Anaty fahamatorana tanteraka izany. Hotanterahina avokoa ny zavatra nampanantenainay ho fanomezana fahafaham-po ny manakafy vazo malagasy”, hoy ny tompon’andraikitra.Tsy zovina amin’ny maro ny Lolo sy ny tariny. Anisan’ny nitondra fanabeazana sy fanovana toe-tsaina tamin’ireo tononkira tsara rafitra sy misy lanjany. Nitaiza na teny an-tsehatra na tany amin’ny haino aman-jery nandritra ny taona maro. Raha ny nambaran’ny tarika, tsy hanam-paharoa ity seho rahampitso zoma ity. Ao anatin’ny fampisehoana, hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Narilala L’article Le By Pass – After work: hitondra ny vazony ny Lolo sy ny tariny a été récupéré chez Newsmada.

Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar
25/11/2020

La représente résidente du PNUD Natasha Van Rijn a rencontré le ministre de l’Economie et des Finances, Richard Randriamandranto (Mefpnud) La représentante résidente du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD), Natasha Van Rijn a  effectué, avant-hier, une visite officielle auprès  du ministre de l’Economie et des Finances, Richard Randriamandranto. Une occasion pour les deux personnalités  de faire un tour d’horizon sur les relations entre Madagascar et le PNUD.  On rappelle que récemment le ministère de l’Economie et des Finances et le PNUD ont organisé l’atelier de revue annuelle et de planification stratégique des projets et programmes soutenus par le PNUD à Madagascar. Le PNUD accompagne les efforts nationaux dans les domaines de la promotion de la croissance inclusive et la lutte contre la pauvreté ; du soutien à la gouvernance démocratique, la paix, la justice et la redevabilité ainsi que la protection de l’environnement et l’adaptation au changement. Lors de cet atelier qui a duré deux jours,  les participants ont procédé à la revue des résultats stratégiques obtenus  selon les appuis apportés aux différents ministères et partenaires nationaux de développement. Ils ont également identifié  les orientations pour la prochaine année et le nouveau cycle de programmation du PNUD et du gouvernement de Madagascar à partir de juillet 2021. Le PNUD reste engagé à soutenir les efforts de développement et de l’émergence du pays. R.Edmond. L’article Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Startimes : Des innovations et des nouvelles chaînes pour les fêtes de fin d’année
24/11/2020

A l’approche des fêtes de fin d’année, les opérateurs de télévision payante rivalisent de créativité pour satisfaire leurs abonnés. C’est le cas notamment pour Startimes qui lance actuellement de nouveaux produits et services. Nouveau contexte. « La fin d’année est une période durant laquelle les petites choses prennent une autre dimension, par exemple regarder un film avec ses enfants. Et c’est encore plus vrai cette année, nous allons chérir ces moments encore plus. Toute cette année, nous avons cherché à enrichir nos bouquets avec des programmes différents et de qualité afin d’informer et de divertir tous ceux qui passaient beaucoup de temps chez eux », a annoncé Joyce Zafera, responsable communication et relations publiques de Startimes, lors d’une conférence de presse. Une manière en somme de s’adapter au nouveau contexte marqué par les restrictions sanitaires. « Cette année, le monde est entré dans une nouvelle normalité dans laquelle on porte des masques dans la rue et on regarde à la télévision des joueurs de football s’affronter dans des stades vides. Alors que Noël approche, chacun accepte progressivement le fait que les choses ont changé et qu’elles ne reviendront plus comme avant. Et ce n’est pas une mauvaise chose, car la transformation numérique de nos vies s’est accélérée. Du travail aux loisirs, des achats à la santé, les innovations numériques ont été nombreuses » selon toujours Startimes qui a donc innové en conséquence pour s’adapter à cette transformation Nouvelles chaines. Et ce, à travers l’optimisation de ses services. « Nous avons optimisé notre application de streaming Startimes ON pour rendre l’information et le divertissement plus facilement accessible aux utilisateurs de Smartphones. Grâce à la promotion « 1 à 3 » qui permet à chaque abonné de nos bouquets de bénéficier de trois comptes Startimes ON VIP, gratuitement, et grâce à la politique de paiement flexible qui permet de recharger quotidiennement, hebdomadairement ou mensuellement, Startimes offre aux familles la possibilité de profiter de programmes de télévision selon leurs besoins et moyens ». De nouvelles chaînes sont par ailleurs lancées. « Les amateurs de séries et films ont été ravis de pouvoir regarder des chaînes inédites en Afrique, Warner TV, ST Afro TV, ST Nollywood F. Ils vont également pouvoir savourer des télénovelas de premier choix telles que L’amour illimité, les Sœurs de sang ou Double Kara. Avec les chaînes ID, Discovery Science, NGC F et NGW F, les amateurs de découvertes, de science et de crimes ont été comblés tandis que les enfants ont pu découvrir la chaîne Toonami. Enfin, les mélomanes se sont réjouis de l’arrivée de la chaîne Melody d’Afrique ». En matière de sport, Startimes a ajouté deux chaînes ESPN qui diffusent aussi bien la NBA que les championnats de football américain, turc et néerlandais. L’entreprise a également acquis les droits de retransmission de La Liga, offrant ainsi à ses fans l’intégralité des matchs d’un des meilleurs championnats européens, en direct et en HD. Startimes a également lancé la retransmission de la Ligue des nations UEFA qui voit les meilleures équipes nationales européennes rivaliser les unes avec les autres. Et Startimes poursuit la diffusion de grandes compétitions telles que la Ligue Europa et de trois coupes nationales, les Coupes d’Angleterre, d’Espagne et d’Italie. Par ailleurs, Startimes GO, la nouvelle plateforme de shopping en ligne de Startimes a elle aussi été saluée. « Lancée au printemps, ce service d’achat télévisé, téléphonique et en ligne est devenu indispensable à de nombreux foyers pendant la pandémie. Proposant des promotions sur des produits électroniques et du quotidien, Startimes GO a rendu le commerce en ligne pratique et avantageux. Nombre de personnes qui n’avaient jamais acheté en ligne avant la pandémie ont trouvé à travers cette plateforme le moyen d’équiper leur foyer avec des produits utiles et bon marché tout en restant en sécurité chez eux ». Des promotions sont également disponibles sur les différents bouquets Startimes. R.Edmond L’article Startimes : Des innovations et des nouvelles chaînes pour les fêtes de fin d’année est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Startimes : Des innovations et des nouvelles chaînes pour les fêtes de fin d’année a été récupéré chez Midi Madagasikara.