Herinaratra Toamasina: hisy ambim-bava hiatrehana fotoam-piotazana letisia

News - Herinaratra Toamasina: hisy ambim-bava hiatrehana fotoam-piotazana letisia

News - Herinaratra Toamasina: hisy ambim-bava hiatrehana fotoam-piotazana letisia

Tapaka ny herinaratra eto
Toamasina, nanomboka ny 26 jona no ho ny mankaty. Manoloana izany,
nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Andriamanampisoa Solo,
ny zoma 11 septambra teo, fa ho tapitra ny delestazy eto Toamasina,
satria vita daholo ny fanarenana ireo milina simba tao amin’ny toby
famokarana any Betainomby sy ny an’ny orinasa Enelec, mpamatsy
herinaratra ny Jirama. Ho ampy ny herinaratra eto Toamasina ary
hisy ambim-bava ka ho ampy hiatrehana ny fotoam-piotazana
letisia.

Hitombo hatrany amin’ny 37
MW

Nilaza ny talem-paritra Jirama, i
Toto Jean de Dieu, fa tsy nisy afa-tsy 17,5 MW ny tanjaky ny
herinaratra teto Toamasina, nanomboka ny 26 jona teo. Tafakatra 27
MW izany, ankehitriny, taorian’ny nanamboaran’ny teknisianina
vahiny Tiorka ireo milina simba. Nanamafy ny PCA Jirama fa hitombo
hatrany amin’ny 35-37 MW izany hatramin’ny faran’ny taona, fotoana
hisian’ny taom-piotazana letisia. Manampy ireo, nambarany fa
manodidina ny 30.000 hatramin’ny 50.000 ny mpanjifa vaovao
hampidirana herinjiro mialoha ny faran’ny taona eto
Madagasikara.

Tapaka ny jiro ny
alatsinainy sy talata

Etsy an-kilany anefa, tsy tena
foana ny delestazy eto Toamasina.Tapaka ny jiro tany amin’ny
fokontany maro, ny alatsinainy teo, nanomboka tamin’ny 4 ora
tolakandro hatramin’ny 8 ora alina. Nitohy tany amin’ny fokontany
vitsivitsy izany ny ampitso talata.

 

Sajo sy Njaka A.

Nahazo fitaovana
fanamboarana « transformateur » ny Jirama. Eny amin’ny
ozinina eny Analamahitsy Antanetibe no misy azy. Manampy ireo koa
ny kamiao manokana “camion à grue” maherin’ny 20, hanampy ny
fitaterana sady fametrahana ny andrin-jiro.

Nitsidika teny an-toerana
ny tale jeneralin’ny Jirama, omaly ary nambarany fa hanafaingana ny
fampidiran-jiro miisa 12.000, kasaina ho vitaina mialoha ny
faran’ny taona 2020 ny fahazoana ireo fitaovana ireo. Hanatsarana
ny famatsiana herinaratra amin’ireo faritra mena, ao anatin’ilay
tetikasa Herinandro iray mira tanàna iray ihany koa.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Herinaratra Toamasina: hisy ambim-bava hiatrehana fotoam-piotazana letisia a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho

Raha tarafina tamin’ny famerenana, tsy hitovy amin’ny fampisehoana mahazatra ao amin’ny CCEsca Antanimena ny hiseho anio sy rahampitso, samy hanomboka amin’ny telo ora tolakandro. Ny antony, haharitra ora maromaro mihitsy, raha ny fandaharan’i Erick Manana sy ny namany ny hira ao. Hizara efatra mazava tsara mantsy ny seho ka ny tapany voalohany, i Erick Manana sy i Dama. Tohin’ilay “Feo roa, gitara roa”, niainga tao amin’ity efitrano ity, ny volana marsa 2016, ihany io. Efa nentin’izy mirahalahy nitety firenena maro ity fiarahana ity, haverina izao. Hanembonana ireo vazon-dry Lôlô sy ny tariny kosa ny tapany faharoa, iarahan’i Erick Manana, i Benny ary i Bebey. Ao amin’ny tapany fahatelo ny tarika Feo Gasy, ahitana an’i Kaolibera sy i Nini ary i Sata, hanampy an’i Erick sy i Benny. Io ilay tena nandrasan’ny maro satria efa aman-taony maro tsy niaka-tsehatra teto an-tanindrazana ny Feo Gasy. Ny tapany fahefatra farany kosa no tena hafana indrindra satria hiaraka an-tsehatra avokoa izy irehetra ireo, handahatra hira vitsivitsy. Fantatra fa hisy ampahany betsaka hitoviany ny seho roa, saingy hisy kely ihany ny fiavahany. Anisan’izany ny nanasan’i Erick Manana an’i Simon Randria, izay hiaraka an-tsehatra aminy, amin’ny seho anio. Zo ny Aina L’article Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanamboaran-dalana

Mandroso ny asa fanamboaran-dalana etsy Alarobia mihazo an’i Tsarasaotra iny. Ny 75%-n’ny asa no efa vita, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa tamin’ny 3 jona no nanomboka ny asa izay vitaina amin’ny 30 aogositra ho avy izao. Miasa andro aman’alina ireo ekipa mpanamboatra ny lalana mba hanatratrarana an’io fe-potoana io, sady hampilamina ny fifamoivoizana noho ny fahatongavan’ny Papa François eto Madagasikara amin’ny 6 septambra ho avy izao. Efa hiditra amin’ny fandrakofana tara ireo mpiasa ireo ankehitriny. L’article Fanamboaran-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

FMI: manohana ny harena an-kibon’ny tany

Samy mahatsapa ny fanjakana sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI)amin’ ny lanjan’ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika ho fampandrosoana ny toekarena.Nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Ravokatra Fidiniavo, ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) eto amintsika, i Marc Gérard, ny alakamisy 16 mey teo.Nambaran’ny minisitra, Ravokatra Fidiniavo, fa tanjona iombonan’ny roa tonta ny hitondran’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara fampandrosoana toekarena sady mipaka any amin’ny isan-tokantranon’ny Malagasy.Hatsaraina ny lafiny hetraNanamafy ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ity sehatra ity ny solontenan’ny FMI, amin’ny alalan’ny fanohanana teknika, ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny hetra amin’ny harena an-kibon’ny tany mba hiantraika any amin’ny lafiny toekarena ankapobeny azo tsapain-tanana.Miara-mahatsapa ny roa tonta fa mitondra voka-tsoa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika. Nomarihin’i Marc Gérard koa ny hijerena manokana ny hanatsarana bebe kokoa ny lafiny hetra amin’ireo sehatra ireo. Hitohy ity fihaonan’ny roa tonta ity, hijerena ity lafin-javatra ity.Njaka AndriantefiarinesyL’article FMI: manohana ny harena an-kibon’ny tany a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Marina mitavozavoza

Tonga ihany na saro-piterahana aza! Nahazo tale jeneraly vaovao ny eo anivon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Efa ho iray volana izao no niandrasan’ny maro azy. Antenaina fa hitondra zava-baovao sy paikady vaovao hiadiana amin’io fahalovana mamotika ny fianam-pirenena io ity tale jeneraly vao avy notendrena ity matoa nirona tany aminy ny safidin’ny Filohan’ny Repoblika. Na izany aza isaorana ny teo aloha satria tsy niala maina fa mba nahavita ezaka maromaro amin’ny famongorana ny kolikoly teto amitsika. Betsaka ireo raharaha kolikoly efa nalefa teny anivon’ny Fitsarana manokana misahana izany, tato anatin’ny taona vitsivitsy izay. Mba efa misimisy ihany ireo trondro vaventy no voafaoka tao anatin’ny harato, na dia tsy mbola hita aza ny fiafaran’ny raharaha sasany. Isan’ny firenena mbola tsy afaka ao anatin’ny risoriso sy kiantranoantrano ny firenentsika. Sehatra maro no ahitana izany, izay efa fanta-poko fanta-pirenena. Na eo amin’ny raharaham-pitsarana izany, ny fitandroana ny filaminana, ny tsenan’asam-panjakana. Nisonga­dina tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra mihitsy aza, omaly, fa ho hentitra ny fanjakana manomboka izao mahakasika ireo tsenan’asam-panjakana izay tena hanjakan’ny kolikoly avo lenta. Matoa tsy hay refesina ny elanelana eo amin’ny mpanan-karena mihoapampana sy ny vahoaka mafiady eto Madagasikara, dia ao raha! Manjaka loatra ny kolikoly. Hany ka izay manana ihany no manana fa ireo tsy manana kosa ny kely ananany aza mbola hotsoahina aminy. Manjaka foana ny tsy rariny rehefa mbola ny mahitahita sy ny lava tanana no manjaka. Tsy handroso mihitsy ny firenena rehefa tsy voahaja ny “Fahamarinana”. Na izany aza, andraikitry ny olom-pirenena tsirairay no manova toe-tsaina sahy handray andraikitra, sahy hijoro, sahy hitory araka ny rariny sy ny hitsiny. Saingy ny olana ary ahiana mafy, dia mbola takon’ ny lainga tsara lahatra sy ny fahan-dalitra foana ny marina mitavoza- voza. Dia ho hita eo indray izany izay adinao Andriamatoa Tale jeneraly!   L’article Marina mitavozavoza est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ankizy – Akany Avoko: nitondra fanampiana ny mpianatra kameroney

Mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny lafiny sosialy ny fikambanan’ny mpianatra kameroney, tarihin’ny filohany, i Malaika Ginette. Isan-taona, ireo mpianatra kameroney ireo, mitondra fanampiana ho an’ireo ankizy mijaly, raisina sy taizana ao amin’ny Akany Avoko. Misy 200 izy ireo ao amin’ny Akany Avoko, nitondran’ireo mpianatra kameroney ny anjara masoandrony kely : vola 750 000 ariary, sakafo (vary, menaka …), ary akanjo.«Fanampiana mariky ny fandraisanay andraikitra amin’ireo ankizy ireo izao, ahitan’izy ireo ny ho aviny, hanomezana fanabeazana sahaza ho azy sy miantoka ny fivelaran-tsainy. Fanirianay ny iainan’ireo ankizy ireo ny zony feno, indrindra amin’ny lafiny fanabeazana, kolontsaina, fialamboly … sy izay zo fototra hafa rehetra mampivoatra azy ireo », hoy i Malaika Ginette.Hatramin’ny taona maro ny fiaraha-miasa eo amin’ny Akany Avoko sy ny fikambanan’ny mpianatra kameroney. Hatramin‘izao, mitohy hatrany ny fanampiana ny Akany, ka misy mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny fikambanana mampianatra maimaimpoana taranja frantsay, sy manokana fotoana matetika iarahana miala voly amin’ireo ankizy ireo. Manohana ny fikambanana amin’ny asa sosialy ataony ny Welding Steel Construction, Camtrack, Star … izay samy mametraka fahatokisana tanteraka amin’ny fikambanana. R.MathieuL’article Ankizy – Akany Avoko: nitondra fanampiana ny mpianatra kameroney a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy »

Na inona na inona fandaharanasan’ny mpitondra, tsy izay ihany no iankinan’ny fanovana sy fampandrosoana ity firenena ity. Maro ny zavatra tokony hahitsy, indrindra amin’ny fisainana sy ny fomba fijery, izay samy mibaiko ny fanapahan-kevitra manoloana tranga na olana samihafa.Iray amin’ireny ny halako bika, tsy tiako tarehy, izay mbola nitarika ny safidin’ny sasany tamin’ireny fifidianana nifanesy ireny. Tsy misy fijerena foto-kevitra, tsy misy fandinihana lalina ary tsy misy koa, noho ireo rehetra ireo, tanjona mazava. Mipetraka io olana io na eo amin’ny fanaovana politika na hatrany amin’ny fiarahamonina, sahanin’ny fokontany, amin’ny ankapobeny.Ho an’ny eny ifotony, tsy vitsy ny tsy mifankahazo noho ny olana madinika, izay mety ho voavahan’ny dinidinika ihany. Rehefa misy ny fivoriana na fanapahan-kevitra ilàna ny hevitry ny maro, apetraky ny sasany foana io « halako bika, tsy tiako tarehy » io. Tsy mba misy fihainoana sy fandalinana ny hevitry ny hafa fa ny fankahalana no mandeha aloha.Eo amin’ny tontolo politika, toy ny fahavalo na ny mihoatra izany mihitsy ny iheveran’ny andaniny ny ankilany, hany ka na hevitra mety hampahomby zavatra aza, raisina ho tsy manjary avy hatrany. Eo koa ny fanilikilihana izay tsy mpiray petsapetsa na mpiara-nanohana. Ny hevitra, anefa, tera-bary; ny hevitry ny maro, mahataka-davitra… Fahendren’ny razantsika avokoa ireo, izay samy manome lanja ny olona tsirairay, ao anaty fiarahamonina.Efa nisafidy ny lalana sy ny lalàn’ny demokrasia i Madagasikara, ka na inona na inona ambara, tokony halalaka ny fanehoan-kevitra ary tsy maintsy misy ny mpanohitra. Tsy fotoan’ny fijerena tavan’olona intsony izao. Asa, avy hatrany, no tian’ny fitondrana tanterahina ka tsy ireo “tsy maty voalavo an-kibo” no handeha hanao vato misakana tsy hanatrarana ny tanjona. Na izany aza, aleo halevina impito mandrifotr’olona ny “halako bika, tsy tiako tarehy” ka rehefa hita fa hevitra mahomby, mba hiaraha-manatontosa fa tsy hotoherina fahatany.Randria. L’article Foano ny « halako bika, tsy tiako tarehy » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy

Fantatra ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miandry ny fotoana hanatontosana, ny fifidianana sisa ny rehetra.Tontosa, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, tetsy Isoraka, omaly, ny antsapaka amin’ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, ao anatin’ny biletà tokana, amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona. Nialoha izany, notsiahivin’ny filohan’ny “comité de normalisation”, Rtoa, Atallah Beatrice fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ny kandidà Rabekoto Raoul Arizaka Romain, mahakasika ireo mpifaninana aminy, misahana andraikitra politika, izay voalaza ao anatin’ny fehezan-dalàna 13 sy 14 amin’ny lalàm-pitondran-tenan’ny fifa. Rehefa nodinihina hoy izy dia tsy azo raisina ilay izy satria tsy mbola filohan’ny federasiona ireo olona voalaza ireo. Efa nalefa any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny “comité de normalisation”, mahakasika izany.Kandidà iray ihany no tonga nanatrika ity antsapaka ity dia i Mohamad Abdillah Abdou, fa solontena kosa ny an’ireo kandidà telo hafa. Tsy nisy kosa ny an’Andriamiasasoa Doda. Izy ireo no nanao ny antsapaka, nanoloana ny mpanao gazety. Laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain. Faharoa, Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Herilalaina ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Toy io filaharany io ihany koa ny fandraisam-pitenenany, ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena (RNM sy TVM), amin’ny fanolorany, ny fandaharanasany. Hanana 5 mn avy izy ireo, manomboka ny 8 aogositra, hanombohan’ny fampielezan-kevitra, hatramin’ny 22 aogositra, ho avy izao, izay maimaimpoana.Tsiahivina, fa hatao any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra, ny fifidianana. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FLM Farafangana: ampidirina Cnaps ny katekista

Tsy maintsy ampidirin’ny mpampiasa ho mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Tahirim-pirenen misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) ny mpiasa rehetra hisitrahan’izy ireo ny zony. Toy ny fanampiana ny fianakaviana, ny tambim-bola raha sendra tra-doza, ny fisotroan-dronono, sns.Natao tany Fiadanana Farafangana, ny talata teo, ny atrikasa mikasika izany ho an’ny mpiasam-piangonana ao amin’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM), synodam-paritany Atsinanana. Miisa 1 042 ny katekista ao amin’ny synodam-paritany Atsinanana, ahitana fileovana 36, ka tanjona ny hampidirana azy ireo Cnaps hatramin’ny marsa 2020. Efa misitraka ny fiahiana sosialy ny pastora miisa 162 sy ny mpandraharaha miisa 99 any an-toerana.Ho an’ny talen’ny Cnaps Farafangana, i Mandimbisoa Mamy, ilaina ny fiahiana sosialy satria  tsy ny fiainana any an-danitra ihany no imatimatesana fa ny eto an-tany koa, hanatsara ny fanatontosana ny asa. Nanentana ny pastora Andrianjafy Benil Octave, mba “ho tena tompon’andraikitra sady mpiasa isika no mpampiasa”.Njaka A.L’article FLM Farafangana: ampidirina Cnaps ny katekista a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Toetr’andro

Amin’ny alakamisy mihitsy vao hisy orana indray eto Analamanga araka ny tomban- tomban’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro. Ho maina kosa ny andro any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy mandritra ny telo andro saingy hanorana amin’ny faritra sisa. Somary ho maina ny any amin’ny faritra Atsimo ny faran’ny herinandro. Tsy ahiana kosa ny fiforonan’ ny rivo-doza amin’ity heri- nandro ity, raha ny vinavina hatrany. Hidina ny mari-pana ambony amin’ny faritra Avaratry ny Nosy. Ny mari-pana ambany dia eo anelanelan’ny 16°C – 26°C ary ny mari-pana ambony ao anatin’ny 27 – 37°C. L’article Toetr’andro est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis »

Velon-taraina indray ireo tanora vao afaka fanadinana eo anivon’ny familiana fiarakodia ao Toamasina. Anjakan’ny kolikoly izany ka lasa fototra mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika. Tsy manana traikefa amin’ny familiana fiara sady tsy mbola mahafehy azy akory. Ho an’ireo afaka fanadinana, vola hafa ankoatra ny haloa ara-dalàna eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanomezana fahazahoan-dalana hamily fiara no hefaina eny amin’ny mpikarakara vao azo izany. Nambaran’ireo tanora nitaraina tamin’ny mpanao gazety fa mandoa 50 000 Ar amin’ireo iraky ny mpikarakara vao azo ny “permis” eo amin’ny birao misahana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny “permis”, etsy amin’ny lapan’ny Faritanin’i Toamasina. Milaza mantsy izy ireo fa 20 isan’andro ihany ny zaraina ka noho izay, aleon’izy ireo mihitsy matory eto an-davarangana ho tafiditra anatin’ny  20 omena isan’andro. Mbola tsy mahazo ihany indray anefa satria mila manolotra vola 50 000 Ar vao mety, araka ny voalazan’ireo niharany. Nohamafisin’ireto tanora vao haka ny “permis” ireto fa hatrany amin’ny fanaovana fanadinana hahazoana “permis” sy ny fanadinana ho an’ny fahafahana amin’ny “code de la route”no efa manomboka ny kolikoly ka izay manome 50 000 Ar ny mpampanao fanadianana, afaka avy hatrany tsy mila mitondra fiara intsony fa omena naoty tsara. Aiza ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ao an-toerana amin’izany zava-misy izany ?SajoL’article Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis » a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Trafikam-biby :: Voasambotra ireo roa lahy mpihaza sokatra
29/09/2020

Saron’ny mpiasan’ny Madagascar National Park (MNP) sy ny zandary teo am-pihazana sokatra ireto lehilahy roa, tany Andranovao-Itampolo any Toliara I, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahitana sokatra am-polony maro tany amin’izy ireo. Nisy lehilahy iray hafa naman’izy ireo kosa no tafatsoaka. Noho ny fiverimberenan’ny varomaizina sokatra tany amin’ iny faritra Atsimon’ny Nosy iny no nanatanterahana hetsika manokana mba hahatrarana an’ireo mpihaza. Efa naverina tamin’ny MNP ireo biby, raha mitohy ny fikarohana ny naman’ iretsy roa lahy iretsy, taorian’ny famotorana nataon’ny tobimparitry ny Zandarimaria any Itampolo. L’article Trafikam-biby :: Voasambotra ireo roa lahy mpihaza sokatra est apparu en premier sur AoRaha.

Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana 
26/09/2020

Iray volana latsaka taorian’ny nitadiavan’ny mpanazatra mpilalao lava hanatevin-daharana ny ekipany, efa nahita ireo ankizy ireo ny klioban’ny Stefauto. Araka ny fanazavan’ny mpanazatra, mpilalao avy eto Antananarivo sy avy any Toliara ireo voafidy ireo, izay mbola tanora, saingy efa nilalao Volley avokoa. Tsiahivina fa  miisa telo izy ireo ary miandry fiantsoana, amin’izao fotoana izao. Alohan’ny 5 oktobra izao ity fiantsoana ity ary hanomboka amin’io ihany koa ny fanazaran-tena ho an’ny klioban’ny Stefauto. Marihina fa hanamafisana ny fanoherana sy ny fanafihana “contre” sy “attaque” ny tena nitadiavana azy telo vavy lava ireto. Azo lazaina ho mampiseho fahavononana tanteraka amin’ny fifaninanana ho avy, na ny nasionaly na ny iraisam-pirenena ny Stefauto ary taratra sahady izao fisian’ny mpilalao vaovao izao.Raha hiverenana ny tamin’ny taon-dasa, laharana faharoa ny Stefauto, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra fahafito (CCCOI), rehefa nolavoin-dry zareo Renioney teo amin’ny lalao famaranana. Mpilalao mendrika teo amin’ny “Contre” i Armella ary mendrika teo amin’ny “reception” kosa i Emma. Mi.Raz L’article Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana  a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Ambovombe – BEPC: « Tsy marina ny valopy misy laza adina efa nisokatra »
25/09/2020

Nandiso ny vaovao niely ary nanamafy ny nambaran’ny eo anivon’ny minisitera ireo any ifotony. « Tsy nisy velively ny valopy misy laza adina efa misokatra, mialoha ny fanadinana BEPC. Nisy kosa anefa ny hosoka nataon’ny mpiadina iray », hoy ny sefo Cisco any Ambovombe Androy, Rabesalimanana Nicolas, omaly. Nanamafy izany ny lehiben’ny foibem-panadinana any an-toerana, i Tolojanahary Davidson. Nambarany fa nisokatra kely, tsy antonona rantsan-tanana iray ilay valopy misy ny laza adina tantara sy jeografia. « Niaraha-nanapaka sy nifanotronan’ny tompon’andrakitra teo fa hosokafana tanteraka izany ahitana ny marina. Ampy, tsy nisy nanombinana ny tao anatiny. Mety tsy voahidy tsara na nisy ampahan’ny valopy tsy nisy lakaoly », hoy izy. Nifanindry tamin’izany koa anefa ny hosoka « fraude » nataon’ny mpiadina iray, nitondra telefaonina an-tsokosoko ary nanafina izany, niatrika ny fanadinana. Sarona izy io fa nifandefa « message » amin’ny olona any ivelany manontany ny valin’ny fanontaniana amin’ny laza adina. « Efa noraisina ny fepetra momba izany », hoy izy.Tsiahivina fa nanamafy ny tsy maha marina io vaovao io ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Synèse R. L’article Cisco Ambovombe – BEPC: « Tsy marina ny valopy misy laza adina efa nisokatra » a été récupéré chez Newsmada.

Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky
28/09/2020

Fihariana iray goavana be mpanao eto amin’ny faritra Analamanga ny fanaovana biriky tanimanga eny an-tanimbary. Mandritra maintany, aorian’ny miaka-bary, ny fiasana fanaovana biriky, manomboka ny volana mey hatramin’ny volana septambra. Miankina amin’ny toetr’andro amin’ny ankapobeny fa miankina amin’ny toe-tany. Maharitra telo volana eo ho eo ny asa, manomboka amin’ny fihadiana tany, ny fandrafetana sy ny fandorana azy.Fianakaviana tompon’ny tanimbary ihany no miasa azy na mampanofa ny taniny. Ao ny efa za-draharaha hatramin’ny taranaka mifandimby mivelona amin’io asa fanaovam-biriky io isan-taona. Faritra maromaro ny hiasana amin’izany, araka nambaran’ireo mpanao azy. Samy ahitana izany eny Atsimondrano sy eny Avaradrano. Fantatra anefa fa tsy maharaka intsony ny akora tanimanga ka tsy maintsy manampy tany hafa, mitaona tany mihitsy ireo mpanao biriky ireo. Misy karazany ireo tany ireo: lamoka, mangakely, tain-drihitra, loham-pototra, sy ny maro hafa.Tsy latsaky ny 100 AriaryVoalazan’ireo mpiasa biriky fa tsara avokoa ireo. Izy ireo moa mivarotra dia tsy maintsy izay ny lazainy fa ny mpanao trano matihanina, mahafantatra tsara ny tena ilaina, miankina amin’izay trano hatao. Miankina amin’izay koa ny vidiny. Amin’ny ankapobeny, tsy latsaky ny 100 Ariary ny biriky iray eny am-potony, miampy ny saram-pitaterana io. Ankoatra ny fiara, misy mitondra amin’ny sarety, araka izay toerana aleha ny sarany. Milaza fa sahirana ankehitriny ireo mpanao biriky, noho ny antony maro: tsy ampy ny tany sy ny rano, lafo ny kitay fandorana azy. Izany rehetra izany, noho ny fiovan’ny toetr’andro (zahao ny lahatsoratra Fivadihan’ny toetr’andro). R.MathieuL’article Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
24/09/2020

Basikety-NBA: Hamaritra izay ho tafakatra amin’ny famaranana lehibe, ho an’ny kaonferansa ilany, ny lalao fahefatra hifanandrinan’ny Lakers sy ny Nuggets. Tsiahivina fa fandresena roa ny efa azon’ny Lakers tamin’ny fifandonan’ny roa tonta, raha toa ka azon’ny Nuggets kosa ny lalao fahatelo, omaly. Isa 116 ny nandavoan’ny ekipan’i Jamal Murray an-dry James Lebron, tamin’ity lalao omaly ity. Ho hita eo, araka izany, izay ho tafita amin’ireto ekipa samy manana ny lazany ireto.Volley-Ball: Nanatanteraka lalao firahalahiana tao amin’ny CRJS Toamasina ny ekipan’ny EVBA sy ny ekipan’ny Mami. Ireto ekipa roa ireto izay samy klioba ao Toamasina. Efa nanomboka tapa-bolana lasa izay ny fanazarantena ho an’ny klioba, taranja volley ball, manerana ny Nosy ary efa manomboka mamerina ny lentan’ny mpilalao tsirairay ireo mpanazatra isaky ny klioba. Miandry ny “coup d’envoi” ahafahana manao fifaninanana fotsiny sisa izy ireo. Nangonin’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

67ha: jiolahy mpamerin-keloka tratra nanendaka indray
29/09/2020

Vehivavy iray nilalao telefaonina finday tao anaty taxi-be no niharan’ny fanendahana nataon’ireo jiolahy miisa telo, teny 67 ha, ny faran’ny herinandro teo. Niantso vonjy ilay niharan’ny fanendahana ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra anefa dia tratra ny iray amin’ireo olon-dratsy raha tafatsoaka kosa ireo namany roa lahy niaraka amin’ilay telefaonina. Natolotra ny Polisim-pirenena ao amin’ny CSP7 eny 67 ha ity jiolahy raindahiny ity. Nandritra ny fanadihadiana ilay jiolahy tratra ny nanondroany ireo namany miisa roa ka noraisim-potsiny ihany koa izy roa lahy. Nomarihin’ny polisy fa efa mpamerin-keloka ny iray amin’izy telo lahy satria efa nisazy ny taona 2017 noho ny resaka halatra telefaonina ihany. Anatra ho an’ireo mampideradera sy manao “facebook” any anaty taxi-be ny toy izao satria mampirongatra ny asan-jiolahy. Tokony hojerena akaiky koa ireny jiolahy mpanao sinto-mahery amin’ny fitohanan’ny fiara ireny.J.C L’article 67ha: jiolahy mpamerin-keloka tratra nanendaka indray a été récupéré chez Newsmada.

Fifidianana loholona :: Haverina ny fandrafetana ny lisitra volomboasary
29/09/2020

Hiova indray ny lisitr’ireo kandida hitondra ny loko volomboarasy amin’ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tontosa, tamin’ny herinandro lasa iny, ny fifantenana voalohany niaraka tamin’ny fandrafetana ny lisitr’ireo kandida saika haroson’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV) amin’io fifidianana, saingy izao haverina hokitihina izao. “Mamerina ny antso ho an’ireo olona manana ny fahaiza-manao afaka hisolo tena ny antoko amin’io fifidianana io izahay. Nojerena avokoa ny mombamomba an’ireo kandida namaly ny antso, ka nisy ary mety mbola hisy ny fanitsiana ny lisitra”, hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, tamin’ny antso an-tariby, omaly. Nomarihiny ihany koa fa tsy voatery ho mpikambana ao anatin’ny antoko TGV no hosafidiana hiatrika ny fifidianana loholona.  Fantatra fa tsy maintsy vita, amin’ity herinandro ity, ny fandrafetana an’io lisitra vaovao io. L’article Fifidianana loholona :: Haverina ny fandrafetana ny lisitra volomboasary est apparu en premier sur AoRaha.

Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe
24/09/2020

Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.

Voka-dratsin’ny hanoanana :: Zaza valo matin’ny Kere any Atsimo
29/09/2020

Lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo. Mihatra aman’aina amin’ireo zaza mihitsy ny hanoanana lalimpaka na Kere any amin’ny faritra Atsimo.  Ankizy valo no namoy ny ainy vokatr’ izany tany amin’ny fokontany Ankilimarohatsy ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy. Fantatra fa tsy misakafo mihitsy ireo zaza ireo. Manampy trotraka amin’ny fahavoazan’ny olona any amin’iny faritra Atsimo iny ny hain-tany.  Mponina manodidina ny 1,6 tapitrisa no mbola hiatrika an’io toetany io indray. Mila tohana ara-tsakafo maika ny efatra arivo sy dimy alina sy dimy hetsy (554 000) amin’izy ireo. Ankizy roa alina sy iray hetsy ihany koa, araka ny tombana, no ahiana hiharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Vao mainka nampananosarotra ny fahazoan’ireo mponina marefo sakafo sy tolotra ara-pahasalamana ny fisian’ny valanaretina Covid-19. «Tsy misy sakafo mihitsy ao amin’ilay tanàna. Ritra tanteraka ny reniranon’i Mandrare. Nidina tany ifotony mihitsy aho sao dia tazomoka no nahazo azy ireo. Tena tsy misy nofo intsony ireo olona, fa taolana sisa, izay ankizy no betsaka, manodidina ny 2 sy 4 ary 5 taona. Tsy misakafo izy ireo fa matory fotsiny amin’izao. Hanoanana no manjo azy ireo fa tsy aretina velively. Nitondra vary 10 gony sy mangahazo 20 gony ho azy ireo aho », araka ny tatitry ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Amboasary Atsimo, Angèle Solange. Tsy afa-mitsangana Notsindriany fa tsy ny ankizy ihany no lasibatra amin’ity kere ity fa misy ihany koa ireo olon-dehibe. Tsy ao amin’io tanàna io ihany fa any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Latsa-dranomaso ity solombavambahoaka ity nitantara ny zava-misy any an-toerana, toy ny any Afrika, hoy izy. Ankoatra ny hahiazana dia voalazany fa tsy afaka mitsangana intsony ny olona any. Olana iray goavana, etsy an-daniny, ny tobim-pitsaboana izay anaovany antso avo amin’ny fitondram-panjakana. Nahatonga fanampiana, toy ny vary 500 kilao ary mangahazo 600 kilao, ihany koa anefa ny fitondram-panjakana,. Fahavoazana mitarazoka efa ho am-polony taona maro no mihatra amin’ireo ampahan’ny mponina any Atsimo noho io Kere io. Samy nilaza ho nanam-bahaolana ireo mpitondra nifandimby saingy tsy nisy nahitam-bokany maharitra, hatramin’izao. Vahaolana farany notinapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, tamin’ny 9 septambra 2020, ny fananganana ny orinasa « Nutriset », izay hamokatra sakafo be otrikaina ho an’ireo zaza sy reny iharan’ny kere any amin’ny faritra Atsimo. Tokony efa ho tonga tany an-toerana ireo fitaovana hampiasain’izany orinasa izany L’article Voka-dratsin’ny hanoanana :: Zaza valo matin’ny Kere any Atsimo est apparu en premier sur AoRaha.

Hygiène de la femme : Les femmes incarcérées à Antanimora reçoivent des serviettes hygiéniques
29/09/2020

(photo : Rotaract Club) Zo Iray, voilà le nom donné à cette action Club Faneva où l’objectif est d’aider les femmes de la prison d’Antanimora à avoir une vie décente dans le contexte de la crise sanitaire actuelle. Selon les explications des donateurs, les femmes en milieu carcéral accèdent difficilement aux serviettes hygiéniques jetables et aux méthodes de prévention contre la Covid-19. C’est ainsi que dans une vision d’entraide et de mécénat, le Rotaract Club Faneva et quelques sociétés partenaires ont décidé d’offrir 200 serviettes hygiéniques lavables, et 100 masques en tissu, aux femmes de la section D d’Antanimora. Cette action s’inscrirait dans les axes stratégiques du Rotary Club International, à savoir la prévention des maladies et le respect de l’environnement. En effet, les serviettes hygiéniques lavables sont moins polluantes et plus respectueuses de l’environnement. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Hygiène de la femme : Les femmes incarcérées à Antanimora reçoivent des serviettes hygiéniques est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hygiène de la femme : Les femmes incarcérées à Antanimora reçoivent des serviettes hygiéniques a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika”
26/09/2020

 Manoloana ny firoboroboan’ny sarimihetsika amin’izao vanimpotoana izao sy noho ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny OFM Madagascar izao dia nanokatra fiofanana manokana izy ireo ho an’ireo izay te ho matihanina amin’ny sehatry ny filalaovana sarimihetsika. Ankoatra ny fanamarihana io vanim-potoana io, mikendry ny hanondrotra hatrany ny kalitaon’ny sarimihetsika malagasy no anisan’ny antom-pisian’i OFM Madagascar raha ny fanazavan’ny tale jeneraliny.“Manomboka efa mivoatra tsikelikely manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy. Na izany aza,  ilaina ny fiofanana mba hanome aina sy hitondra hafatra ho an’ny mpiara-belona ny zavatra atao. Efa mihatsara ny fitaovana, fa tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika fa mila fandrindrana tsara. Tanjona ny ho avo lenta ny vokatra malagasy, toa ireny sarimihetsika vahiny ireny mihitsy ary mba hankatoavin’ireo fahitalavitra vahiny ny vokatra Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny OFM Madagascar, Ramaherison Hery Dimbiniaina.Hamokatra sarimihetsikaAzo vinavinaina fa hisy ihany koa ny famokarana horonantsary lalaovin’ireo mpiofana ao amin’ny OFM Mada, raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra voalohany ity hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fampiofanana rahateo ny “art dramatique” handiavana ny  “master class”, ny senaristika, ireo fihetsika maro isan-karazany, sns, Eo koa ny fahalalana momba ny teatra. Iarahana amin’ireo matihanina efa milalao sarimihetsika mihitsy ity fiofanana ity, izay hotontosaina eny amin’ny foiben-toeran’ny OFM Madagascar, etsy Tanjombato. Ho an’izay liana, azo atao ny manoratra mivantana ao aminy tambajotran-tserasera fesiboky “OFM Madagasikara”. Tahaka izany ihany koa ireo izay vonona hanatsara hatrany ny sarimihetsika malagasy ka manana sosokevitra sy te hiaraka hiasa.Marihina fa manome lanja ny kolontsaina ny ivontoerana, indrindra ny fampiofanana ireo mpanakanto amin’ny sehatra maro sy amin’ny fahaizana mitady lalam-barotra, ho tia karokaroka.NarilalaL’article Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika” a été récupéré chez Newsmada.

Tratran’ny fisafoana tampoka : tsy migadra ao anatin’ny fonjan’i Tsiafahy Rajaonah Mbola
26/09/2020

Sarona tamin’ny fotoana tsy nampoizina ! Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tsy migadra ao anatin’ny fonjaben’i Tsiafahy akory ilay mpandraharaha, Rajaonah Mbola sy ny teratany maorisianina roa hafa fa nomena vahana manokana. Noraisina avy hatrany ny fepetra momba izany.Efitrano manokana arifomba tanteraka. Fantatra fa nisy ny fisafoana tampoka nataon’ny tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja teny Tsiafahy, ny 20 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Sarona tamin’izany fa tsy ao anatin’ny fonja itazonana azy vonjimaika Rajaonah Mbola sy ireo teratany maorisianina roa. Nafindra sy mipetraka soa aman-tsara any amin’ny “batiment administrative”, biraon’ny sefo iray lehiben’ny mpiandry fonja ilay mpandraharaha. Ahitana fitaovana samihafa, toy ny fahitalavitra “écran plat”, ordinatera, vata fampangatsiahana kely, fatana mandeha amin’ny “gaz” miaraka amin’ny kojakojan-dakozia ilay efitra. Tahaka izany koa ireo teratany maorisianina roalahy, nahazo efitrano mitokana, ahitana fitaovana samihafa, mitovy amin’ireo. Natory soaman-tsara avokoa izy ireo, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao tamin’io fisafoana tampoka natao io.Resaka toe-pahasalamanaNilaza ny tompon’andraikitra voalohan’ny fonjan’i Tsiafahy, rehefa nanontaniana fa anton’izao namindrana toerana azy ireo amin’ny trano arifomba ivelan’ny fonja ny resaka toe-pahasalaman’izy telo lahy ireo.Manoloana izany, nafindra avy hatrany, naverina ao anatin’ny  fonjaben’i Tsiafahy toa ireo voafonja rehetra izy ireo. Nohamarinin’ny tompon’andraikitra koa fa tsy mitombina ny filazana fa hoe tsy salama izy ireo. Nomena fampitandremana hentitra ny tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao koa ny lehiben’ny fonja fa handraisana fepetra avy hatrany ny momba azy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Voalaza rahateo fa mety hanohintohina ny filaminana eny Tsiafahy sy ny filaminam-panjakana izany.Tokony hitohy sy hiitatra amin’ny fonja hafaTsiahivina fa voatana am-ponja vonjimaika (MD) avokoa ary samy tsy mbola voatsara izy telo lahy ireo. Nanomboka ny 22 janoary 2020 ny nitanana an-dRajaonah Mbola raha samy tamin’ny 12 jona 2018 kosa ireo teratany vahiny roa hafa.Araka izany, tokony harahi-maso sy hanaovana fisafoana tampoka tahaka izao avokoa ireo fonja rehetra. Ahina hiteraka kolikoly sy firaisan-tendro ny tranga tahaka izao ka ilaina ny fanohizana ny hetsika tahaka izao.RandriaL’article Tratran’ny fisafoana tampoka : tsy migadra ao anatin’ny fonjan’i Tsiafahy Rajaonah Mbola a été récupéré chez Newsmada.