Herinaratra: 1,2 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID

News - Herinaratra: 1,2 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID
5% monja amin’ny mponina any
ambanivohitra eto Madagasikara izao ny mahazo herinaratra mivantana
na eo aza ireo loharanon’angovo azo havaozina toy masoandro, ny
rivotra sy ny rano.
Orinasa telo eto Madagasikara
nampian’ny governemanta amerikanina, amin’ny alàlan’ny USAID,
sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana, sy ny
tetikasa Power Africa. Mitentina 1,2 tapitrisa dolara ny tetikasa,
hamokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tanjona ny
hahazoan’ny tokantrano mihoatra ny 400 000 any ambanivohitra
herinaratra amin’ny taona 2022. Voakasik’izany ny faritra telo:
Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, ary i Boeny.
Orinasa 17 ny nanao fangatahana,
telo ireo nahazo izany taorian’ny safidy: ny Autarsys Madagascar,
ny Hydro Ingenierie Etudes et Realizations (HIER) ary ny Henri
Fraise Fils & Cie.
Tanjona ny 50 % hahazo
herinaratra amin’ny 2023
Ny volana mey 2020 no natomboky ny
Power Africa ny tetikasa fampiroboroboana ny tambajotra madinika
eto Madagasikara. Tetikasa tantanan’ny Power Africa’s Southern
Africa Energy Program (SAEP) manampy ireo nahazo alalana avy
amin’ny Ader, saingy sahirana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola;
misy koa ireo mpandraharaha manana tetibola afaka manampy
tokantrano vaovao hafa. Manohana ny tanjon’ny fanjakana ny
tetikasa, hahatratra 50% amin’ny fahazoana herinaratra manerana ny
Nosy amin’ny taona 2023.
Manampy amin’ny fanitarana
ny fihariana
Rehefa mitombo ny fampiasana izany,
afaka mampiasa fitaovana sy milina maoderina ny orinasa, toy ny
paompy fitarihan-drano sy ny vata fampangatsiahana. Manampy amin’ny
fanitarana ny fihariana ireo, sy famoronana asa vaovao hampandroso
ny orinasa sy ny faritra. Manampy amin’ny fanamafisana ny
fifandraisana varotra sy ny toekarena, sy ny fampiroboroboana ny
fizakantena maharitra ny fahazoana herinaratra eto
Madagasikara.
R.Mathieu
L’article Herinaratra: 1,2 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Ianabinda Betroka: dahalo iray matin’ny fokonolona
Dahalo miisa enina indray nanafika sy nangalatra omby roa vala tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina ambanivohitr’i Ianabinda, distrikan’i Betroka, ny 11 aogositra 2019 misasakalina. Rehefa naheno koika na hazolava (antso vonjy) ny fokonolona iray tanàna dia samy nivoaka ny tranony ka nanao izay ho afany namaly ireo tifitra variraraka nataon’ny dahalo. Resy tosika ireo dahalo ka vaky nandositra niaraka tamin’ny omby miisa 25. Raikitra ny fifanenjehana ka niarafara tamin’ny fifandonana indray izany, dahalo iray lavo ary tafaverina tamin’ny tompony ny omby raha mbola any am-pelatanan’ireo dahalo kosa ny omby miisa 11. Mbola manohy ny fanarahan-dia ireo fokonolona miaraka amin’ny zandary any an-toerana sy ny Usad. Tsapa fa tsy manaiky lembenana amin’ny asa ratsy ataon’ny dahalo intsony ireo vahoaka ao amin’ny distrikan’i Betroka. Manampy mivantana ireo mpitandro filaminana ny fokonolona ary ahitam-bokany toy izao izany.Jean ClaudeL’article Ianabinda Betroka: dahalo iray matin’ny fokonolona a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fifidianana FMF: voatazona avokoa ireo kandida 5 hifaninana
Navoakan’ny Comité de normalisation, omaly ny lisitra ofisialy faran’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana izay hitantana ny federasiona malagasy ny baolina kitra. Fifidianana hotanterahina ny 24 aogositra ho avy izao any Toliara. Tsy araka ny siosion-dresaka izay nahoraka tato ho ato, izay nilaza fa mety hisy ny ho voailika tamin’ireo kandida tao anatin’ny lisitra voalohany. Voatazona avokoa ireo kandida miisa dimy izay nahafeno ny fepetra amin’ny firotsahana hofidina ho filohan’ny FMF, hahitana an’Andriamiasasoa Doda Nirimboavonjy, i Arizaka Rabekoto Raoul, i Mohamad Abdillah Aboudou, Rakotomamaonjy Neypaitraiky ary Rasoamaromaka Herilalaniaina. Marihina, namoaka ny fanapahan-kevitra ihany koa ilay « commission de recours » mahakasika ny fitarainana nataon’ny kandidà Arizaka Raoul amin’ny hanalana tsy ho mpifaninana ireo kandidà telo, izay nanambara fa efa depiote sy tompon’andraikitra amin’ny antoko miaraka amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ka mety hisy ny fitanilàna. Nanamafy ity vaomiera ity fa tsy mitombina ny fitarainana ka dia afaka mirotsaka soa aman-tsara ireo kandidà telo ireo. Anio moa no hanaovana ny antsapaka amin’ny filaharan’ireo kandida 5 ireo.Mi.RazL’article Fifidianana FMF: voatazona avokoa ireo kandida 5 hifaninana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fahafatesan’i Morsi: mitaky fanadihadiana ny ONU
Tsy nipetra-potsiny. Mitaky ny fanadihadiana lalina sy ny marina ny amin’ny tena nahafaty ny filoha ejyspsianina teo aloha, Mohamed Morsi ny eo anivon’ny biraon’ny zon’olombelona ao amin’ny ONU. “Tokony hafainganina ny raharaha tahaka ireny ary ho ao anatin’ny mangaraharaha sy haingana mba hampazava ny tena nahafaty azy”, hoy ny mpitondra teny, i Rupert Colville. Anisan’ny mitaky ny marina tahaka izany koa ny eo anivon’ny Amnesty International.Tsiahivina fa nalevina, omaly avy hatrany amin’ny toerana tsy fantatra sady nambenana mafy ny nofo mangatsiakan’ity filoha teo aloha tany Egypta ity. Nitolefika teo am-pitsarana azy rehefa nofotorina 20 mn mahery ny tenany, ny alatsinainy teo. Nentina tany amin’ny hopitaly ihany, saingy tsy tana ny ainy. Anisan’ny vesatra niampangana sy nitanana am-ponja azy hatramin’ny 2013 ny firaisan-tendro amin’ny Hamas Palestinianina na koa ireo silamo mahery fihetsika. Filoha voafidim-bahoaka ara-demokratika ny taona 2012 ny tenany, saingy naongan’ny miramila tany an-toerana, herintaona taorian’izany. Nampidirina am-ponja. Niakatra fitsarana ary maty teo am-panadihadiana azy, teo amin’ny faha-67 taony izao.Synèse R. L’article Fahafatesan’i Morsi: mitaky fanadihadiana ny ONU a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana
Tsy atao faralahy intsony ny fanatanjahantena. Araka izany, ampitomboina ny teti-bola iasana, hahafahan’ireo federasiona miatrika am-pahatoniana ireo lalao iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, tamin’ny lahateniny, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly.Ankoatra izay, hatsangana tsy ho ela akademiam-pirenena ho an’ny atleta avo lenta na ny “Academie Nationale pour les athletes de haut niveau”. Toerana hiofanan’ireo atleta manan-talenta, hiatrika fifaninanana. Sady hianatra izy ireo no hanomana ny tenany ao anatin’ny fanatanjahantena. Omena vatsim-pianarana, araka izany, ny atleta hiofana ao. Hapetraka any Toliara ihany koa ny dobo filomanosana olympika ary any Toamasina ny lapan’ny fanatanjahantena. Hananganana “dojo”, manara-penitra ihany koa ny isaky ny Renivohi-paritany, rehetra manerana ny Nosy. Efa any amin’ny komity olympika ny “tatami”, ho amin’izany, toerana natokana ho an’ny taranja haiady izany.Farany, araka ny fangatahan’ireo filohan’ny Komity olympika malagasy, homena pasipaoro maitso ireo filohan’ny federasiona rehetra, hahafahany mivezivezy, manatrika ireo fifaninanana sy fivoriana iraisam-pirenena. TompondakaL’article Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Baomba teny Ampasanimalo: ireo roa lahy nipoahany ihany no nanamboatra azy
Natolotra ny fampanoavana, omaly, ity lehilahy voarohirohy tamin’ilay raharaha fipoahana baomba teny Ampasanimalo, ny 7 janoary 2021 ity. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahatelo (BC3), nisy fipoahana baomba teny Ampasanimalo ka nahatrarana olona miisa roa. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava ka fantatra nandritra izany fa ireo olona ireo ihany no nanamboatra sy nanapoaka ity baomba ity. Nampanantsoin’ny polisy ny namany iray, ny 8 janoary 2021 natao famotorana ka taorian’ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa baomba nataony tao ihany io nipoaka teny an-toerana io. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nomarihin’ny polisy fa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly noho ny ratra mafy nahazo azy ny naman’ilay lehilahy nanaovan’ny polisy fanadihadiana. Tsiahivina fa niteraka horohoro tamin’ireo mponina teny Ampasanimalo sy ny manodidina ity fipoahana baomba ity, tamin’io fotoana io. Nentina tamin’ny sakaosy izany baomba izany ary nipoaka avy hatrany. Potika mihitsy ny tanan’ilay lehilahy nitondra azy raha naratra kosa ilay namany. Tsy fantatra mazava hoe saika hapoaka taiza ity baomba ity ka izao nirefotra tampoka izao.Jean ClaudeL’article Baomba teny Ampasanimalo: ireo roa lahy nipoahany ihany no nanamboatra azy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
« Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana
Mifanome fotoana, ao amin’ny Studio Rary ao amin’ny Tahala Rarihasina etsy Analakely, indray ireo matihanina amin’ny soradihy sy ireo rehetra mankafy sy liana amin’izany, androany. Ity ny fotoam-panokafana ny « Labdihy » andiany fahavalo, hetsika novolavolain’i Ariry Andriamoratsiresy ary tontosaina isaky ny roa taona.Miavaka amin’ireo hetsika mahakasika ny dihy ankehitriny ny « Labdihy », izay sehatra iray hanomezan’ny tsirairay, ireo matihanina amin’ny soradihy, ny aingam-panahiny sy ny talentany ary ny teknikany, ahafahana mamoaka zava-baovao. « Labdihy » na laboratoara ho an’ny dihy, fotoana natao hanaovana fikarohana.Miompana amin’ny hoe “Ny fetra sy ny faritra eo amin’ny seha-javakanto samihafa” ny lohahevitra amin’ity andiany fahavalo ity. Ankoatra ny tanora mpanao soradihy eto an-toerana, maromaro ireo vahiny namaly ny antso, toy ny avy any Maorisy, Mozambika ary Rodrigues.Aorian’ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina, hitohy eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina etsy Mahamasina sy ao amin’ny IFM etsy Analakely ny fifanakalozana sy fikarohana hataon’ireo mpanao soradihy, hatramin’ny 24 aogositra izao.Landy R. L’article « Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana a été récupéré chez Newsmada.
News - Delire Madagascar
CLOTURE DU MOIS DE L’ENFANCE : Happy Women a distribué de panier garni aux enfants défavorisés
Dans le cadre du mois de l’enfance, pour marquer son attachement aux valeurs humaines et particulièrement aux droits de l’enfant, Happy Women a une fois de plus apporter son soutien aux enfants défavorisés du Fokontany d’Andraharo. L’association des femmes travaillant au sein de l’agence Novo-comm Ogilvy a distribué de panier garni au bénéfice de 100 enfants nécessiteux ce mardi 30 juin 2020 au bureau du fokontany. « Face à la crise sanitaire que traverse le pays actuellement, ces dons arrivent à point nommé et sont constitués d’un assortiment de légumes, de grains secs et de fruits pour pouvoir renforcer les défenses immunitaires des enfants; des nouilles pour apporter un peu de chaleur en cette période hivernale; des savons pour une meilleure hygiène ainsi que des cache-bouches pour mieux se protéger contre la pandémie de Covid19 », affirme Tsioriniaina Rakotoarimalala, présidente de l’association. En tant que société socialement responsable, le panier garni qui a été offert contenait aussi un imprimé de l’hymne national aux couleurs de l’association afin d’initier les jeunes aux civismes. « Les enfants sont l’avenir de la nation et nous devons en être conscients car le développement du pays repose sur eux. Et à travers ce geste de solidarité, nous prenons nos responsabilités pour combattre la propagation de cette pandémie. C’est en ce sens qu’un livret expliquant les gestes barrières contre le Covid19 a également été distribué ce jour» a-t-elle souligné. Notons que, depuis son existence, les Happy Women ont toujours mis un point d’honneur dans la contribution à l’amélioration du tissu social des enfants et des femmes du fokontany d’Andraharo. Lynda A. Cet article CLOTURE DU MOIS DE L’ENFANCE : Happy Women a distribué de panier garni aux enfants défavorisés est apparu en premier sur déliremadagascar.
News - News Mada
Fanafihana mitam-piadiana: vehivavy iray voaolana, voaroba ny entana maro
Nirefotra ny basy teo Androndra, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Nanafika tokantrano iray ny andian-jiolahy tsy nisaron-tava nirongo basy. Voaroba ny vola tao an-trano sy ny entana maro. Renim-pianakaviana iray voaolana, lehilahy roa hafa naratra.Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Lasibatry ny andian-jiolahy enin-dahy tsy nisaron-tava ny tokantrano iray etsy amin’ny fokontany Ampamantanana-Androndra ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Voaroba tamin’izany ny vola tao amin’ireo tompon-trano eni-mianaka sy ny finday miisa efatra ary ny « écran plat » iray. Mbola voaolana ihany koa ny renim-pianakaviana ao amin’ilay trano.Araka ny fanadihadiana, niditra teo amin’ny vavahadin’ny trano ny lehilahy iray nirongo basy. Hitan’ireo tompon-trano izany, antony nanamafisany ny hidin-trano. Raikitra anefa ny fifampisintonana ilay varavaran’ilay trano teo amin’ny roa tonta. Nanapoaka basy ny jiolahy raha vantany vao tsy nahavaha izany. Mbola niantso ireo namany hafa tsy lavitra teo ihany koa izy.Nandroba sady nanolanaVelon-tahotra ireo eni-mianaka tao an-trano. “Tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy, voatsilo « lampe de poche » ihany koa ny mason’izy ireo ka tsy nahitany mihitsy ny endrik’ireo mpanafika”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nampihorohoro tanteraka ireo jiolahy sady nandroba ireo entana sarobidy tao an-trano. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola tsy voafaritra ny vola voaroban’ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany koa ny findain’ireo lasibatra, miampy « écran plat ». Tsy nijanona hatreo anefa izany, nanamparany herisetra ireo lehilahy tao an-trano sy ny renim-pianakaviana iray. Voaolan’ny iray amin’ireo jiolahy ny vehivavy iray. Mbola voavely « barre à mine » koa ny lehilahy iray, ny iray hafa kosa, voatoraka tamin’ny biriky. Henintsoa HaniL’article Fanafihana mitam-piadiana: vehivavy iray voaolana, voaroba ny entana maro a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho
Raha tarafina tamin’ny famerenana, tsy hitovy amin’ny fampisehoana mahazatra ao amin’ny CCEsca Antanimena ny hiseho anio sy rahampitso, samy hanomboka amin’ny telo ora tolakandro. Ny antony, haharitra ora maromaro mihitsy, raha ny fandaharan’i Erick Manana sy ny namany ny hira ao. Hizara efatra mazava tsara mantsy ny seho ka ny tapany voalohany, i Erick Manana sy i Dama. Tohin’ilay “Feo roa, gitara roa”, niainga tao amin’ity efitrano ity, ny volana marsa 2016, ihany io. Efa nentin’izy mirahalahy nitety firenena maro ity fiarahana ity, haverina izao. Hanembonana ireo vazon-dry Lôlô sy ny tariny kosa ny tapany faharoa, iarahan’i Erick Manana, i Benny ary i Bebey. Ao amin’ny tapany fahatelo ny tarika Feo Gasy, ahitana an’i Kaolibera sy i Nini ary i Sata, hanampy an’i Erick sy i Benny. Io ilay tena nandrasan’ny maro satria efa aman-taony maro tsy niaka-tsehatra teto an-tanindrazana ny Feo Gasy. Ny tapany fahefatra farany kosa no tena hafana indrindra satria hiaraka an-tsehatra avokoa izy irehetra ireo, handahatra hira vitsivitsy. Fantatra fa hisy ampahany betsaka hitoviany ny seho roa, saingy hisy kely ihany ny fiavahany. Anisan’izany ny nanasan’i Erick Manana an’i Simon Randria, izay hiaraka an-tsehatra aminy, amin’ny seho anio. Zo ny Aina L’article Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
SG Madagasikara: masoivoho vaovao ny La City Ivandry
Misokatra ho an’ny mpanjifa ny masoivoho vaovaon’ny banky Société générale (SG) Madagasikara eny La City Ivandry. Endrika vaovao manakaiky hatrany ny mpanjifa, manome fahafaham-po azy ireo. Ahitana toerana fakam-bola aotomatika (Dab) anankiroa azo ampiasaina isan’andro. Misokatra amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva ny masoivoho mandritra ny andro fiasana.Tanjona ny hanamorana ny tolotra rehetra omena ny manjifa mba ho banky mora ampiasaina ny SG Madagasikara. Misy koa ny torohevitra sy ny torolalana ho an’ny rehetra. Omena tombony manokana ireo hanokatra kaonty vaovao ao amin’ny SG La City Ivandry. Maimaimpoana ny fanokafana kaonty mandritra ny enim-bolana ho an’ny tolotra Pack Mandrosoa. Toraka izany koa ho an’ny tolotra Pack Ebène Or mandritra ny telo volana. Mihena tarehimarika efatra hatramin’ny 30 septambra 2019.Njaka A.L’article SG Madagasikara: masoivoho vaovao ny La City Ivandry a été récupéré chez Newsmada.