HCDDED: “Tsy mbola tonga lafatra ny demokrasia”

News - HCDDED: “Tsy mbola tonga lafatra ny demokrasia”

News - HCDDED: “Tsy mbola tonga lafatra ny demokrasia”

“Lazaina hoe tsy misy
ny demokrasia: tsy marina aloha izany. Misy ny demokrasia, saingy
tsy tonga lafatra. Misy lalàna ihany koa ny amin’izany fahalalahana
maneho hevitra izany. Tsy hoe resahina izay tiana horesahina
rehetra fa izay tsy manohintohina ny hafa: ny zavatra marina no
resahina.”, hoy ny filohan’ny HCDDED, i Navony Pierre
Lenoble.

Mahita ny olona any amin’ny
fanjakana fa any amin’ny mpanohitra ny HCDDED, ny any amin’ny
mpanohitra indray milaza fa any amin’ny fanjakana ry zareo.
Mijanona amin’ny lalana mahitsy ry zareo ka voatsindrona amin’ny
itsindronany azy ireo mivilivily. Misy lala-mahitsy iray ary tsy
maintsy manaraka izany ny rehetra.

Misy lalàna, ny fanoherana.
Tenenin-dry zareo ny mpanohitra raha vao miala amin’ny lalana
amin’ny lalàna. Manana lalana iray koa ny mpitondra, raha vao miala
amin’izany izy na mitady hihoa-pefy: ampitandremana mba hanaja
lalàna hatrany. “Izany ny ataonay fa tsy miandany atsy
na aroa“, hoy izy.

R.Nd.

 

Article tiré de Newsmada

L’article HCDDED: “Tsy mbola tonga lafatra ny demokrasia” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 07/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe

 Tsy afaka ny hangina. Velon-taraina ary miantso vonjy amin’ny fanjakana, indrindra ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mponina any amin’ny distrikan’i Morombe manoloana ny fihetsiky ny miaramila mampandry tany any an-toerana. Nandefa taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny Fiarovana sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny faritra izy ireo. Misongadina ny fihoaram-pefy ataon’ny miaramila sasany  fa alaina an-keriny ny ombin’ny olona sasany. Noraisin’izy ireo ohatra ny nitranga ny 25 sy ny 28 jolay teo tamin’ny fakana omby anjatony. Voalaza anefa fa anaty boky ara-dalàna avokoa ireo omby 1700 an’ilay atao hoe Jaonary, mitondra ny marika TSL avokoa. Anisan’ny mahagaga ny mponina amin’ity raharaha ity  ny fanatanterahan’ny miaramila sy ny dinabe izany fa tsy ahitana ny zandary na ny polisy na koa  ny eo anivon’ny distrika. Adikan’ny mponina  ho fakana an-keriny izany. Notanisain’izy ireo koa fa efa maro ireo lasibatry ny fanamparam-pahefan’ireo mpampandry tany. Voatery mitsoaka mandositra ny mponina.  Ampahany ihany ireo ka hanairan’ny vahoaka ny mpitondra mba hijery ny rariny sy ny fahamarinana ary koa ny mangarahara. Manahy izy ireo fa hanome endrika ratsy ny fitondrana  izao raharaha izao.Synèse R.  L’article Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Pr. Rakorovao Hanitrala Jean Louis: mitaky ekipa mavitrika sy mamokatra ny minisitera

Tsy nitsitsy fitenenana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, nametraka ny fomba fiasa hampandrosoana ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka. “Mila ekipa mavitrika sy mamokatra ny minisitera”, hoy izy.Nanatanteraka fihaonana voalohany amin’ireo mpiara-miasa aminy, ao amin’ny minisitera ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka voatendry farany teo, ny Pr. Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nametraka ireo toromarika hifampitondrana eo anivon’ireo mpitantana, toy ny tale jeneraly, ny talen’ny sampandraharaha, ny tale isan-tsokajiny eto Antananarivo, ny tenany ho fandrindrana ny asa. Hentitra ny hafatry ny minisitra. “Miandry vokatra azo tsapain-tanana mipaka any amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”, hoy izy. Mitaky olon’ny asa ny minisitra fa tsy varimbariana.Hisy ny tombana sy ny fanaraha-maso handrefesana ny asan’ny tsirairay ka mila hentitra amin’ny fanatanterahana ny asa ny tompon’andraikitra rehetra. Hisy ny fitsirihana ny rafi-pitantanana sy ny rindran-damina rehetra hatao amin’ireo departemanta sy ny sampandraharaha rehetra. Miharihary eo izay tena miasa ary handraisana avy hatrany fepetra izay tsy mifantoka sy tsikaritra ho miadam-pandeha.Takna ny fiaraha-mientan’ny mpiara-miasa, ny firaisan-tsaina tsy mijery afa-tsy ny fampandrosoana ny asan’ny fahasalamana. Mila mavitrika ny ekipa rehetra, matihanina amin’ny asany, mahaleo tena ary mamokatra haingana.Hatao isan-kerinandro ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra ahafahana manao tatitra ny zava-bita sy hifampizarana ny fahaiza-manao ary handraisana ny iraka samihafa. Hisy ihany koa ny fihaonana isan-kerinandro amin’ireo mpikambana ao anatin’ny kabinetra.Samy nanao tatitra ny asa miandry sy ireo efa an-dalam-panatanterahana ny tompon’andraikitra isan-tsokajy taorian’ny resaky ny minisitra hampitoviana ny tadin-dokanga amin’ny fanatanterahana ny fanohizana ireny asa mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ireny.Tatiana AL’article Pr. Rakorovao Hanitrala Jean Louis: mitaky ekipa mavitrika sy mamokatra ny minisitera a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

MAEP – USAID Hay Tao : Développement d’un guide PAP

Le secteur pêche à Madagascar fait état d’une surexploitation de certains stocks et d’une fragilisation des écosystèmes. Toutes les parties prenantes y compris les petits pêcheurs reconnaissent qu’une gestion efficace des activités de pêche et des ressources halieutiques et côtières, s’impose. De nombreuses initiatives ont été entreprises dans ce sens afin de ramener les efforts de pêche excessifs à des niveaux durables. A titre d’illustration, quatre Plans d’Aménagement des Pêcheries (PAP) ont été élaborés et mis en œuvre depuis 2014, et ce, avec l’implication de tous les acteurs concernés ainsi que différents partenaires techniques et financiers. A savoir, les PAP de la baie d’Antongil, de la région Melaky, de la zone BATAN (Baie d’Ambaro, de Tsimipaika, d’Ampasindava et Archipel de Nosy-Be), de la région Atsimo Andrefana. Document de référence. Pour assurer une meilleure gestion durable des pêches à Madagascar, le ministère en charge de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) a travaillé en étroite collaboration avec l’USAID Hay Tao en vue de développer un guide d’élaboration des PAP, qui est désormais mis à la disposition du grand public. L’objectif consiste à capitaliser les bonnes pratiques de Madagascar et d’ailleurs tout en harmonisant les démarches relatives au développement et à la mise en œuvre d’un Plan d’Aménagement des Pêcheries. Il est à noter que c’est un document de référence pouvant être mis à jour régulièrement pour toutes les initiatives nouvelles et en cours. Ce qui permettra de contribuer à la bonne gouvernance des ressources marines et côtières, a-t-on appris lors de la présentation officielle de ce guide PAP tout récemment. Navalona R. L’article MAEP – USAID Hay Tao : Développement d’un guide PAP est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article MAEP – USAID Hay Tao : Développement d’un guide PAP a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

ENIAP Antsirabe: napetraka ambany fanevan’ny sekoly ny andiany “Iratra”

Notanterahina ny zoma 19 sy ny asabotsy 20 febroary teo ny lanonana fametrahana ireo mpianatra ho polisy eo ambany fanevan’ny sekoly hanaovany fiofanana. Nahavita niatrika ny fiofanana fototra iombonana ara-batana sy ara-tsaina izy ireo, nandritra ny 45 andro mialoha ny hiatrehany ny fianarana mandritra ny roa taona ho an’ny commissaries sy officiers de police raha herintaona kosa ho an’ny inspecteurs sy ny agents de police. Ny zoma teo no tontosa ny lanonana ho fametrahana ambany faneva ireo mpianatra ho commissaries sy officiers de police mitondra ny anarana andiany “Rehareha”. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ny contrôleur général de police, Andrianarison Fanomezantsoa. Ho an’ny mpianatra ho inspecteurs sy agents de police, mitondra ny anarana andiany “Iratra” kosa ny sabotsy 20 febroary no nanatontosana izany tany amin’ny sekoly fanofanana mpianatra ho inspecteurs sy agents de police (ENIAP) Antsirabe ka ny Sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena ny contrôleur général de police Rakotondravelo Herilanto Iangotiana no nitarika ny lanonana. Nambaran’ny talen’ny ENIAP, ny kaomisera Talily Damy, miisa 1027 ireo natolotra ambany faneva raha 84 kosa ireo tsy nahafeno ny fepetra ka aorian’izao no tena fanombohan’ny fiofanana ataon’izy ireo. Tsy maintsy jerena ny tanjaka ara-batana sy ara-tsaina. Mpianatra telo no namoy ny ainy ka ny roa mpianatra ho agents de police raha iray kosa mpianatra ho inspecteurs de police. Antony ara-pahasalamana ny nahafaty azy ireo, hoy izy.Jean Claude L’article ENIAP Antsirabe: napetraka ambany fanevan’ny sekoly ny andiany “Iratra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Me Razafinjatovo Willy: “Mila manana depiote izay ho lehiben’ny mpanohitra”

Mbola resabe hatramin’izao ny momba ny ho mpanohitra. Nitondra ny heviny momba  izany ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy.“Raha ohatra ka tena mpanohitra tokoa ilay olona, voasoratra sy eken’ny eny amin’ny minisiteran’ny Atitany: tsy maintsy mba manana solombavambahoaka eny amin’ny Antenimierampirenena afa-midinika sy manohitra tokoa izy.” Izay ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy, ny amin’izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Raha ety ivelany ny tena ka hisoratra fotsiny eny amin’ny minisiteran’ny Atitany hoe mpanohitra sy mahazo taratasy ny amin’izany: tsy izy izay, satria afa-manao an’izay avokoa io olona rehetra amin’ny elakelaka-trano. Na mpivarotra izy, na mpisolovava, na mpiandry omby… Lasa mpanohitra avokoa izany izay misoratra sy mahazo taratasy ny amin’izany, nefa tsy manana solombavambahoaka na iray aza ao amin’ny Antenimierampirenena. Tsy izay satria afa-manao izay avokoa ny rehetra.Farafaharatsiny, ny lojika tokony hapetraka: tsy maintsy mba manana solombavambahoaka izy vao afa-kiteny sy manana ny toeran’ny mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena. Inona no hataon’ny hoe mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena raha tsy manana solombavambahoaka izy?Na izay aza ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna toy izany, ohatra: anisan’ny olana fototra amin’ny fametrahana izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena ny tsy fisian’ny didy fampiharana ny amin’izany. Mandra-pahoviana?R.Nd. L’article Me Razafinjatovo Willy: “Mila manana depiote izay ho lehiben’ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE

Nitohy ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Top 20”, hiatrehana ny fifaninanana eto amin’ny ligin’Analamanga. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby, noho ny tsy fahazoan’ny mpitantana ny ligy, manatanteraka izany.Lalao dimy no voalahatra, saingy ny telo ihany no tontosa, tamin’izany. Tsy tonga niatrika ny fihaonana, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE).Raha tsiahivina, tokony hifanehatra tamin’ny Uscar, ny Besetroka ary ny 3FAI Ambalavao Isotry kosa tokony hikatroka tamin’ny Stade. Araka izany, samy “forfait”, avokoa izy roa tonta ireo. Tsy fantatra aloha, ny antony tsy nanatrehan’ireo fileovana roa tonta ireo, izany lalao izany.Toy izao kosa ireo vokatra hafa, resin’ny Savony, tamin’ny isa 39 no ho 23 ny UIRC. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo STM indray izany teto ny fivondronana Kely. Lavon’ny US Ikopa, tamin’ny isa, 28 no ho 24 kosa ny Mangart ary nomontsanin’ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra, 14 no ho 0 ny AFA Ankazomanga. TompondakaL’article Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Bilan Covid-19 : 17 décès et 320 nouveaux cas le 27 avril

Dix-sept décès en 24 heures, dont 7 à Analamanga, selon le dernier bilan, rapportant les statistiques du 27 avril 2021,  diffusé hier sur la chaîne de télévision nationale.   Le nombre de décès est en hausse à la date du 27 avril 2021, avec 17 décès liés à la Covid-19 enregistrés sur l’ensemble du pays, dont 7 à Analamanga, 3 dans la région Atsimo-Andrefana, 1 dans la région DIANA, 2 dans le Boeny, 2 dans le Vakinankaratra, 2 dans le Menabe. Ces 17 décès portent à 631 le nombre de personnes n’ayant pas survécu à la maladie depuis le début de l’épidémie à Madagascar en mars 2020. Par ailleurs 320 nouveaux cas de Covid-19 ont été enregistrés le 27 avril (sur 1252 tests effectués). Parmi ces nouvelles contaminations, 235  – soit 73,43% – se trouvent dans la seule région d’Analamanga. Le district d’Antananarivo Renivohitra compte toujours le plus grand nombre de cas avec 145 nouveaux cas le 27 avril ; 29 dans le district d’Ambohidratrimo ; 41 à Antananarivo Atsimondrano ; 18 à Antananarivo Avaradrano et 2 dans le district de Manjakandriana. Actuellement, 5 803 cas actifs sont en cours de traitement, dont 398 cas graves, pris en charge dans divers hôpitaux publics et cliniques privées. A la date du 27 avril, 36 510 cas de Covid-19 ont été officiellement confirmés ; un total de 30 076 guérisons enregistrées, le tout sur un total de 179 776 tests effectués depuis le début de l’épidémie à Madagascar. Hanitra R.   Localisation des nouveaux cas du 27 avril 2021   Régions Nouveaux cas Analamanga 235 Atsimo-Andrefana 17 Anosy 13 Alaotra Mangoro 12 DIANA 10 SAVA 8 Sofia 7 Atsinanana 5 Menabe 4 Betsiboka 4 Ihorombe 3 Haute Matsiatra 2   L’article Bilan Covid-19 : 17 décès et 320 nouveaux cas le 27 avril est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bilan Covid-19 : 17 décès et 320 nouveaux cas le 27 avril a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Banky Iraisam-pirenena: « Hihamahantra ny Malagasy amin’ny 2021 »

Ho an’ny Banky iraisam-pirenena, mitovitovy amin’ny fiantraikan’ny krizy politika 2009 ny fisian’ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara tamin’ity taona ity. Hitombo indray ny fahantrana, raha efa nidina kely izany ny taona 2019.Namoaka fanambarana ny Banky iraisam-pirenena, ny 16 desambra teo, mikasika ny mety ho tontolo toekarena eto Madagasikara amin’ny taona 2021. Niantraika mafy amin’ny lafiny toekarena eto Madagasikara ny valanaretina Covid- 19, nihena 4,2% ny fitomboana ny taona 2020. Mitovitovy ny tamin’ny krizy politika 2009 izany, vokatry ny fihenan’ny fanondranana entana any ivelany sy ny fampiasam-bolan’ny sehatra tsy miankina. Vokany, nitombo izay tsy izy ny tahan’ny fahantrana, ary tena voa mafy tamin’izany ny mponina marefo an-tanàn-dehibe. Tombanana ho 1 400 000 ny olona miaina anaty fahantrana, tsy mandray vola mihoatra ny 1,9 dolara isan’andro. Koa, niakatra ho 77,4% ny tahan’ny fahantrana, taha ambony indrindra hatramin’ny taona 2012. Very asa ny 64%-n’ny tokantrano malagasy nandritra ny enim-bolana voalohany ny taona 2020, niainana tao anaty fihibohana. Nihena -97% ny fidiram-bolan’ny orinasa tsy miankina satria tsy nisy ny mpanjifa.Nihena koa ny hetra niditra amin’ny fanjakana, ary vao mainka nampitombo ny fatiantoka amin’ny volam-panjakana ny fitombon’ny vola nolanina, nahatratra 5,2% amin’ny Harinkarena anatiny faobe (PIB) ny taona 2020.Ahina ny fidangan’ny trosan’ny fanjakana, indrindra tato anatin’ny volana nifanesy faramparany. Na izany aza, azo iafiana ihany izany satria nitandrina tamin’ny fitantanam-bola ny fanjakana malagasy ny taona 2019 sy ny talohan’izany. Niantraika any amin’ny tontolon’ny vola ankapobeny eto amin’ny firenena ireo, saingy tsy nipaka loatra any amin’ny sehatry ny banky.“Ho 2% ny fitomboan-karena” fa tsy 4,5%Nilaza ny teknisianina toekarena ao amin’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, i Marc Stocker, fa ankoatra ny fiantraikan’ny krizy, nipaka any amin’ny lafiny maha olona ny fitomboana toekarena. Antony ny fisian’ny sehatra tsy manara-dalàna, ny lafiny fambolena marefo, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny fifandraisan-davitra tsy ampy ary ny fitantanan-draharaha maivana. Amin’ity mpahay toekarena ity, tsy misy ny fanarenana tena azo antoka ka ahina hanakana ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ireo voatanisa ireo.Ho an’ny Banky iraisam-pirenena, hitohy hiantraika ho an’ny taona ho avy io ity krizy ity. Tombanany ho 2% ihany ny fitomboan-karena ho an’ny taona 2021 (raha avo roa heny, 4,5% ny an’ny fanjakana) ary ho 5,8% amin’ny taona 2022. Mbola hihoatra ny taha taloha (75% ny taona 2019) ny fahantrana, hihena kely ho 76,6% amin’ny taona 2022.Njaka AndriantefiarinesyL’article Banky Iraisam-pirenena: « Hihamahantra ny Malagasy amin’ny 2021 » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà Ikala Fy: « Zatra manara-dalàna izahay »

Nitondra fanazavana manoloana ny fizotry ny fampielezan-kevitra ny kandidà, Fy Andrianarison. “Efa zatra manara-dalàna izahay ary skoto ka notezaina sy nobeazina amin’ny fanajana fitsipika sy ny lalàna. Nanentana hatrany ny ekipa amin’ny alalan’ny boky kely maneho  fanazavana ny asan’ny depiote”, hoy izy, omaly. Nambarany fa anisan’izany ny fihainoana sy fitondrana  ny hetahetan’ny vahoaka ary miverina manao  tatitra eny ifotony avy eo. Eo koa ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka ary ny fanaovana lalàna. Notsiahiviny fa efa notsidihiny avokoa  ireo kaominina 24 mandrafitra ny distrikan’Ambohidratrimo 105, ary nihaonany mivantana amin’ireo sokajin’olona samihafa.  Hitondra volavolan-dalàna miisa fito eny Tsimbazaza ity kandidà laharana fahadimy ity. Ny famerana ny hetra amin’ny mpiompy, fametrahana lalàna ho amin’ny  fandriampahalemana eny ifotony. Ny  fanatsarana sosialin’ny mpiasa sy ny tsy anasa. Eo ny rafitra sosialy ho an’ny mpamokatra sy  ny tokony hananana kara-tany. “Kristianina ny tena ka anisan’ny lalàna hoentina koa ny fandavana ny fanalan-jaza sy ny fivadian’ny mitovy fitaovam-pananahana. Haverina ny hasin’ny fanabeazana eny amin’ny sekolim-panjakana”, hoy  izy.Synèse R.  L’article Kandidà Ikala Fy: « Zatra manara-dalàna izahay » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa

Anisan’ny fifidianana arahin’ny rehetra maso, tsy ny eto Madagasikara ihany fa na hatrany ivelany, ny an’ny baolina kitra (FMF). Andrasan’ny besinimaro ny ho isan’ny kandidà tena voatazona hiatrika izany.Ho fantatra, rahampitso alakamisy 1 aogositra, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hamoaka sy hampahafantatra izany ny “Comité de normalisation”. Raha tsiahivina, dimy mirahalahy mianaka ireo kandidà nahafeno ny fepetra: Andriamiasasoa Doda, Rasoamaromaka Hery, Rabekoto Raoul Romain, Rakotomamonjy Neypatraiky ary i Mohamad Abdillah.Araka ny tsilin-tsofina anefa, mety hisy kandidà roa hosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Noho ny resaka politika ny iray, voalaza fa tsy azo afangaro amin’ny fitantanana ny baolina kitra ary ady heloka tsotra ny an’ny iray.Etsy ankilany, heno ihany koa fa toa nisy kandidà niala an-daharana fa tsy vonona tamin’ny ora farany. Ny fanambarana ataon’ny “Comité de normalisation” no hanamarina izany rehetra izany fa hatreto aloha, ho mpifaninana izy dimy ireo.Raha tsiahivina, hotanterahina any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra ho avy izao, ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. Hiara-dalana amin’izany koa ny an’ireo ho komity mpitantana.Aorian’ny famoahan’ny “Comité de normalisation” ny kandidà ofisialy, hotontosaina ny zoma 2 aogositra ny antsapaka, amin’ny filaharana ao amin’ny biletà tokana sy ny ho fandraisam-pitenenana, ao amin’ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, hanehoan’izy ireo ny fandaharanasany.Tsiahivina fa manan-jo feno handatsa-bato, amin’io fifidianana, hatao any Toliara, io, ireo filohan’ny ligim-paritra 22, manerana ny Nosy. TompondakaL’article Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Notsongaina

Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea
15/06/2021

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fampivondronana ny Barea de Madagascar, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny niainany ny tapany voalohany i Bapasy sy i Tsiry ary i Melvin. Nambaran’izy telo mirahalahy fa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar ao anatin’izao fanomanantena izao. Ho an’i Bapasy, matoa nantsoina dia vonona ary hiadiana ny toerana. “Nahazo tombony tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanazatra vaovao satria nisy zavatra tsy mbola hita ary nahazo traikefa hoentina any amin’ny klioba hilalaovany. Manoro ireo mpilalao efa manana traikefa toa an’i Morel”, hoy izy. Aminy, ny fiarahana tamin’i Caloin, ny asabotsy lasa teo, nambarany fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpilalao rehetra izay mila mahay ny toerana rehetra. Nahafaly ireo mpilalao zokiny ny namalian’ireo mpilalao zandriny, izay ampirisihiny fa mendrika ny hanana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena fa tsy ho variana amin’ny anarana efa mahazatra.Tsy nanafina kosa i Tsiry fa nahitany zava-baovao ny niatrehany ny fampivondronana tao amin’ny Barea. “Ilay fiarahana na “tandem”, izany no hitako tsy ampy raha iny lalao tamin’ny asabotsy iny”, hoy i Tsiry.Raha ho an’i Melvin Adrien, mpiandry tsatoby indray, nilaza ny tovolahy fa miray saina tsara izy sy i Nina ary i Mathias ary samy manana andraikitra hiaro ny voninahi-pirenena. “Fitsapana ny tamin’ny asabotsy ka miezaka maneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Toy ny fianakaviana ny Barea ka mifanoro sy mifampizara traikefa”, hoy izy. Torcelin L’article Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions
16/06/2021

Après une saison presque blanche, la Fédération malgache de football (FMF) a décidé de reprendre à nouveau les compétitions nationales. Les programmes de la Telma Coupe et la THB Ligue des Champions édition 2021 sont désormais connus. Ça y est ! La Fédération malgache de football a publié le calendrier de la Coupe et du Championnat national. Madagascar n’avait ni champion ni vainqueur puisque la compétition n’était pas arrivée à son terme en raison de contraintes de temps. Espérons que ce ne sera plus la même situation cette année. Pour la Telma Coupe de Madagascar, la compétition  débutera le 27 juin prochain et s’étalera pendant deux mois notamment jusqu’au 22 août. La date des inscriptions a été clôturée hier. Selon les explications, environ 70 clubs participeront au premier tour des phases préliminaires. Le second tour est programmé les 3 et 4 juillet. A l’issue de ces journées, 32 équipes s’affronteront pour les seizièmes de finale les 17 et 18 juillet, avec les équipes de la Pro League qui intègreront la course à partir de cette étape.  Les huitièmes de finale se joueront le week-end du 24 et 25 juillet, tandis que les quarts sont prévus s’étaler le 1er août. Les demi-finales se dérouleront une semaine avant la grande finale du 22 août. Quant à la THB Ligue des champions, l’édition 2021 commencera le 09 juillet 2021. « Le système reste le même que les précédentes éditions. Les champions de chaque ligue représenteront leur ligue respective. On tirera au sort, parmi les 22 ligues, les 2 clubs qui ramèneront le nombre à 24 participants », peut-on lire du communiqué de la FMF. Le droit d’engagement est fixé à 500.000Ar. Les inscriptions des clubs et des joueurs s’effectuent sur le site sigi.fmf.mg. Seuls les clubs et les joueurs enregistrés sont autorisés à y participer. Concernant la licence des joueurs, la FMF a adopté une politique d’enregistrement des acteurs de football dans le système SIGI depuis l’année 2020. « Nous sollicitons toutes les ligues de football à y inscrire leurs clubs, ainsi que leurs joueurs en vue de bénéficier de la nouvelle licence électronique. Après inscription des clubs, les ligues peuvent faire la demande de licence directement auprès de la FMF. Tous les engagements aux compétitions de la fédération seront désormais traités par le même système», indique le communiqué. Sur la mutation des joueurs, l’instance nationale a expliqué que « les mutations au niveau des ligues affiliées à la FMF s’effectueront du 1er au 30 Septembre 2021. Toutefois, suite au retard pour des raisons indépendantes de notre volonté, une période de mutation exceptionnelle est autorisée du 16 au 23 juin 2021 ». Manjato Razafy L’article Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions a été récupéré chez Midi Madagasikara.

7,5 miliara dolara isan-taona ny vola very
15/06/2021

Niara-nidinika ireo fikambanana iraisam-pirenena voakasika amin’ny sehatry ny jono navorin’ny COI eo ambany fitarihan’ny Ecofish, ny volana mey lasa teo. Maro ireo fikambanana naneho fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny jono ho an’ny 12 volana  manaraka, anisan’izany ny CTOI (1), SWIOFC (2).  Maika ary tsy tokony ho ambanin-javatra ny jono. Tombanana ho 7,5 miliara dolara isan-taona ny vola tsy miditra na very, araka ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena.Nampanantena fiaraha-miombon’antoka sy hamatsy vola ireo firenena aty anatin’ny faritra ny Vondrona eoropeanina (UE), hampaharitra ny jono, mitondra vola sy asa. Teren’ny zava-misy ankehitriny ka tokony hahay handray fepetra hiarovana ny jono ny ato amin’ny COI. Naneho ny fahavononany momba izany ny Nosy Maurice sy Seychelles. Anisan’ny fototry ny dinika, ny fanamby miandry, ny laminasa atao sy ny fitaovana hoenti-miasa. Ny asa tena miandry ny fanaraha-maso iadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Nahazo fito tapitrisa euros ny Ecofish entiny manatanteraka ny tetikasany hampahaleotena ny fihariana.Iharan-doza ny jono eto MadagasikaraSehatra iray efa iharan-doza ny jono eto Madagasikara. Hatry ny ela ireo mpanjono madinika milaza ny zava-misy any amin’ny faritra misy azy ireo. Mihalany ny vokatra, toy ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe. Mihena ny halehiben’ny trondro, vitsy ny vokatra azo. Raha nahazo 60 kg isan’andro ny mpanjono madinika iray tany amin’ny taona 80-90, ankehitriny 10 na 15 kg izany raha be indrindra, misy aza ireo mpanjono tsy mahazo afa-tsy 5 kg. Betsaka ireo mpanjono madinika very fidiram-bola sy very asa. R.Mathieu CTOI (1): Commission des thons de l’Océan IndienSWIOFC (2) : Commission des pêches du sud-ouest de l’océan IndienL’article 7,5 miliara dolara isan-taona ny vola very a été récupéré chez Newsmada.

Aleo tsy miverin-dalana…
15/06/2021

Vita ve ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Tsy lavina, efa mihamiverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro ny mponina amin’ny ankapobeny. Arahaba soa, arahaba tsara… Ho lasa amin’izay ratsy rehetra? Mba tsy hisy ny hoe andiany fahatelo, fahefatra… Sanatria. Na izany aza, mbola mitohy ary tsy maintsy atao hatrany ny fitandremam-pahasalamana izay efa fanao amin’ny are-mifindra rehetra: manana ny fotoany, manana izay mampiavaka azy…Tsy hita maso na hita hofaritana mialoha rahateo ny tsimokaretina coronavirus, ka mila fahamailoana mandrakariva. Toy tsy nanampoizina ny fiverenana amin’ny fihibohana noho ny fidiran’ny andiany faharoa avy any Inda atao hoe Delta amin’izao. Miverimberina hatrany koa ny fampahatsiahivana hoe tsy mifidy olona, haingam-pifindra… Tsy vitan’izany, ao anatin’ny vanim-potoana ririnina i Madagasikara amin’izao fotoana izao: tsy fantatra be ihany izay mety ho fiovan’ny valanaretina.Noho izany, tsy misy toy ny fitandremana ihany: ho an’ny rehetra fa tsy anavahana ary hatramin’ny farany… Efa nasian-teny matetika koa ny amin’ny fahaizana miara-miaina amin’ny aretina amin’ny fanajana ny fepetra sakana rehetra amin’ny antsipiriany tsy manontolo. Mba tsy hisy intsony ny fiverenana amin’ny firongatry ny aretina, raha mba efa miverina amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra. Eny, na eo aza ny fahombiazan’ny ady, ny fisian’ny fanafody sy ny fanefitra na ny vaksiny…Na ahoana na ahoana, ela sy mafy ny fanarenana sy fanonerana ary fanorenana ny rava navelan’ny valanaretina. Izay no efa ifantohana amin’izao? Zava-dehibe maika, lehibe… Ny fananana fahasalamana feno sy tanteraka ho an’ny rehetra no ahazoana manatontosa sy manatratra izany. Eo koa ny fahafahana sy fahalalahana: tsy misy intsony ny fihibohana, ohatra, na ny fanakatonana lalana… Mety hiverina izany rehetra izany, raha sanatria miverina ny aretina noho ny tsy fitandremana. Aleo tsy miverin-dalana…Rafaly Nd.L’article Aleo tsy miverin-dalana… a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora
14/06/2021

Ho an’ny faran’ny herinandro, nahatratra 756 ny isan’ny fitiliana vita ka nahitana tranga vaovao 64, nisy olona valo lavon’ny valanaretina tao anatin’ny 48 ora. 49 kosa ireo sitrana soa aman-tsara, araka ny antontanisa nivoaka ofisialy. 97 ireo tranga misy fahasarotany hatramin’ny 12 jona teo. Ho an’ny tranga vaovao 39 voatily ny 12 jona, 17 tamin’ireo teto Analamanga avokoa. Mitohy ny fanentanana ny vahoaka mihoatra ny 18 taona noho miakatra hanatona ny toeram-panaovana baksiny akaiky azy. Hatreto aloha, malaina ny ankamaroan’ny mponina handray ny fatra voalohany, indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana nantenaina hisitraka voalohany izany. Fito ny toerana fanaovam-baksiny ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra.Araka izany, tsy mbola resy tanteraka ny aretina ka mila mitandrina hatrany ny rehetra ary entanina hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra ara-pahasalamana tafiditra ao anatin’ny fepetra fiarovana ny fiparitahan’ny valanaretina. L’article Covid-19: 64 ny tranga vaovao tao anatin’ny 48 ora a été récupéré chez Newsmada.

Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo
17/06/2021

Nisy fanaovam-baksiny naharitra roa andro, ny herinandro lasa teo, ho an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary nitarika izany ny tale jeneralin’ny Spat, i Avelin Eddy Christian. Notontosaina tao amin’ny “centre médical et de diagnostic”, ao anatin’ny seranan-tsambo ihany ny hetsika. Ny andro voalohany, efa nahatratra 400 ny mpiasa nisoratra anarana avy amin’ ireo orinasa telo: ny Spat, ny SMMC ary ny APMF. Hitombo betsaka izany, araka ny nambaran’ny olona misahana ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Fiaraha-miasa teo amin’ny APMF sy ny minisiteran’ ny Fahasalamana ny nahafahana nanao ny vaksiny amin’ny mpisehatra an-dranomasina ka mandray an-tanana ny fanaovana izany ny seranan-tsambo. Ny 18 mey lasa teo, nahavita ny azy ny eo anivon’ny APMF, araka ny nambaran’ny taleny, Rakotoarizafimamy Franck.Ankoatra ny mpiasa sy ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo, misy koa ny fanaovana izany ho an’ny vady aman-janaky mpiasa ampy taona eny amin’ny Cemedi Tanambao V, toeram-pitsaboana ny mpiasan’ny seranana.Sajo L’article Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo a été récupéré chez Newsmada.

Banky foibe Madagasikara : iray taonina sy telo kilao ny tahirim-bolamena
19/06/2021

Anisan’ny nasongadin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Ravokatra Fidiniavo, nandritra ny tatitra nataony tamin’ny depiote, ny 17 jona teo, ny fanangonana volamena ataon’ny Banky foiben’i Ma­dagasikara (BFM). Fantatra àry fa mitotaly iray taonina sy telo kilao (1.003 kgs) ny tahirim-bolamen’ny BFM amin’izao fotoana izao. Marihina fa napetraka ny taona 2020 ity tahirim-bolamena nasionaly ao amin’ny Banky foibe ity, araka ny fa­namby napetraky ny filoham-pirenena. Afaka nividy volamena ny BFM nanomboka ny 15 desambra 2020. Samy manana ny andraikiny miavaka tsara izy sy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Mitarika sy mametraka ny lalàn’ny volamena ny minisitera mba hahatongavan’izany any amin’ny Ban­ky foibe. Mividy ny volamena ity farany sady mitahiry azy. Fantatra fa 177 kilao ny volamena voangona ny faran’ny taona 2020, ary tafakatra 1 taonina sy 3 kilao ny 8 avrily 2021, efa-bolana taty aoriana. Ara­karaka ny vidin’ny volamena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny ividian’ny BFM azy amin’ny mpandraharaha eto an-toerana. Tsiahivina fa voarara ny fanondranana volamena any ivelany, nanomboka ny oktobra 2020.Njaka AndriantefiarinesyL’article Banky foibe Madagasikara : iray taonina sy telo kilao ny tahirim-bolamena a été récupéré chez Newsmada.

Fahaleovantena… fahalahelovan-tena     
16/06/2021

Hatramin’izao, maro ny mihevitra fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara. Saika miara-dalana amin’izany ny amin’ny fiandrianam-pirenena. Mbola tsy mahafa-bela tanteraka ny fiankinan-doha sy ny fitavandrana amin’ny any ivelany isaka ny mihetsika saika amin’izay atao na kasaina? Saika ahitana endrika fiankinan-doha hatrany ny sehatry ny toekarena indrindra, na ny sosialy; eny, na ny politika aza, na nambara talohaloha tany aza fa ny fahaleovantena ara-politika no azo.Saika mbola ifampierana na angatahina tsodrano amin’ny any ivelany hatrany izay (h)atao? Eny, na ny politika aza. Raha tsy izany, tsy lasa lavitra na mikorontana amin’izay heverina sy kasaina. Mety mitondra amin’ny faharavam-pananana na ny famoizana aina aza… Efa nisy izany ny tantaram-pirenena. Ahina mbola hiverina? Tarazo ratsy. Izany ve, ohatra, ny mahatonga ny mpanao politika sasany be tati-bolana sy be konetaka amin’ny any ivelany? Na efa zary kolontsaina politika…Mbola fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena? Alahelo anaty ny amin’ny sarintsarim-pahaleovantena mamitaka. Tsy tompony mahazaka manana? Na amin’ny fanapahan-kevitra politika lehibe, na amin’ny toekarena… Samy mandini-tena ny tsirairay: inona ny marina? Any amin’ny faralalina… Saika fialokalofana sy anamarinan-tena mandrakariva ny hoe fitrosana sy ny fanampiana, ohatra. Tsia, tsy hoe tsy azo atao izany fa hatraiza ny hoe fahaleovantena amin’izay atao?Fotoana izao amin’ny hoe fiovana sy ny fanovana? Efa zava-dehibe, ohatra, ny nanambaran’ny filohan’ny Repoblika fa tsy nahomby ny fanampiana any ivelany nandritra ny 30 taona mahery tany atsimon’i Madagasikara, matoa mbola misy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Mandra-pahoviana? Fahasahiana lehibe ny samy Malagasy no mitady vahaolana, volan’ny fanjakana malagasy no enti-mihetsika… Ahoana koa ny amin’ny sehatra hafa amin’izay hay sy vitan’ny Malagasy?Mbola misy ny mijoro, ny hevitra, ny tetika… Mbamin’ny enti-manana sy azo atao na amin’ny akora, na fitaovana, na vola eto Madagasikara. Mba tsy fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena.Rafaly Nd.             L’article Fahaleovantena… fahalahelovan-tena      a été récupéré chez Newsmada.

Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako
15/06/2021

Efa voafehy tanteraka ny olan’ny fako eto an-dRenivohitra. Efa tsy misy intsony ny fako miparitaka eny amin’ny fitobian’ny fako. Anisan’izany ny fitobian’ny fako etsy Analamahitsy eo ampitan’ny Galana. Feno fako manenika ny arabe rehefa tolakandro nefa efa tafiditra ao anatin’ny daba daholo ny fako aterin’ny olona izao. “Nisy ny fanomezana  dabam-pako avy amin’ny Pnud na ho an’ny SAM, ary mbola hisy maro koa ho avy. Miisa 180 ny dabam-pako vy miparitaka taloha ary nisy ny tsy naharaka. Nisy ny fiovana tamin’ny fomba fiasan’ny SAM mba hifanaraka tsara amin’ny «CMH » mametraka ny ora amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 8 ora alina ny fanariana ny fako”, hoy ny tale jeneraly,  Andrianaivo Jaona. Narindra manaraka izany koa ny fomba fiasa sy ny tsy havery ny fotoana be loatra. Fanentanana ny isan-tokantranoMivoaka ny tolakandro ny kamiao maka fako ary mifarana amin’ny 6 ora maraina mba tsy hanelingelina fifamoivizana. Manampy izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny Vigie amin’ny fametrahana ny “Camera” amin’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana, mifanandrify amin’ny akaiky dabam-pako ary natao ny hahatafidiran’ny dabam-pako ao amin’ny ilay sary hahafahana mahita ny eo anivon’ny dabam-pako. Manentana ny mponina hanaja ny fotodrafitrasa hatrany ny kaominina amin’ny hanariana anaty daba ny fako eny anivon’ny tokantrano.Synèse R.L’article Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés
17/06/2021

Le programme SEKOLY TELMA vise à améliorer l’accès à l’éducation de base pour les enfants des zones enclavées ou rurales. Heureux. Les tout-petits élèves du préscolaire de l’EPP Antanimena sont désormais reçus dans une salle de classe propre et bien équipée. Et ce, grâce au programme Sekoly Telma initié par la Fondation Axian. Implication. Cinq écoles primaires publiques (EPP) de la capitale sont concernées par ce programme. A savoir, Antanimena 2, Benasandratra, Ambodiafontsy, Ambohinaorina et Tsarahonenana. L’inauguration de ces nouvelles réalisations a été marquée hier, par une cérémonie qui s’est tenue à l’EPP Antanimena 2, en présence, notamment du maire de la Commune Urbaine d’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, du directeur de cabinet du ministère de l’Education nationale, des dirigeants de la Fondation Axian et de la directrice de l’association KOZAMA, ainsi que des directeurs des EPP concernées. Ce programme traduit une fois de plus l’implication de la Fondation Axian dans le développement socio-économique des quartiers défavorisés. De qualité. La Fondation Axian offre ainsi aux plus jeunes, notamment aux enfants de 2 à 5 ans, un environnement et des infrastructures d’apprentissage de qualité, respectant les normes nationales, et leur permettant de s’épanouir dans leur scolarité. Au total, plus de 290 enfants par an bénéficieront de la construction de ces 5 infrastructures. Les 5 établissements concernés scolarisent déjà 142 élèves. Ce projet est réalisé en collaboration avec la KOZAMA (Kolo Zaza Malagasy) qui a pour vocation de diminuer , à son échelle et de façon durable, la pauvreté à travers l’éveil et l’éducation des enfants des familles les plus vulnérables de la capitale malgache. Pour cela, Kozama collabore étroitement avec la communauté éducative et les autorités locales pour le renforcement durable et inclusif des services éducatifs publics et des acteurs sociaux. L’association compte plus de 4.000 parents participants à l’éducation parentale et plus de 5.000 enfants bénéficiaires chaque année. Fresques murales. Par ailleurs, la Fondation Axian a sollicité les street-artistes lauréats du concours lancé conjointement par la Fondation H et la Fondation Axian, fin 2020. Les artistes Mat Li, Naty Kaly, Tahina Rakotoarivony et Mendrika Ratsima, ont ainsi procédé à l’habillement de 5 nouveaux établissements à travers la création de fresques murales adaptées aux jeunes enfants. Ces réalisations artistiques permettront de stimuler la curiosité des enfants et de les sensibiliser à l’art dès leur première intégration dans la scolarisation, mais aussi de soutenir et d’accroître la visibilité des artistes contemporains malgaches dans de nouvelles sphères. R.Edmond. L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Rugby- Association Pachamama : 400 enfants du RCTS gâtés
17/06/2021

Les enfants sont rentrés les mains pleines de vêtements. La capitaine du rugby Féminin du RCTS, Vero, est actuellement à Monaco avec les Makis à VII dames. Elle disputera les 19 et 20 juin 2021, le tournoi de repêchage pour les Jeux Olympiques. Fidèle à son engagement citoyen depuis plusieurs années et en dépit des circonstances sanitaires, l’Association Pachamama renouvelle ses actions auprès des 350 enfants défavorisés du nord de la Capitale, qui sont éduqués et entraînés au centre RCTS (Rugby Club Tanora Soavimasoandro). Ce mois de juin est dédié à l’enfance. L’Association Pachamama, principal partenaire du RCTS a remis des vêtements chauds à ses membres, samedi dernier à Imamba Soavimasoandro. Plus de deux tonnes de vêtements offerts par les principaux donateurs de l’association ont été distribués à plus de 400 membres enfants, et les joueurs seniors hommes et dames surtout en cette période hivernale dans la capitale. Parmi les généreux donateurs figurent le Rugby French Flair (RFF), Pachamama pilier de la Terre (France), la banque BFV-SG et PPM (Profil Partition Madagascar), ainsi que Orange Madagascar. «Nous sommes reconnaissants envers nos sponsors. Malgré la crise liée à la Covid-19, ils ont répondu présent pour le bien des enfants», a fait savoir Mamy Ratsimba,  responsable technique au sein de Pachamama/RCTS. Cette action qui se déroule tous les mois de juin s’ajoute à la donation en nourriture de deux fois par semaine après chaque entraînement au rugby, les mercredis et les samedis à 350 enfants. Comme ces jeunes s’adonnent à leur passion qu’est le rugby, ils bénéficient également d’un suivi médical. Déjà annoncé auparavant, l’Association envisage, cette année, de lancer des projets de grande envergure, comme le dispensaire, qui desservira le centre et les villages d’Imamba et ses alentours, et la tribune de 200 places. Le démarrage des travaux attend encore la sortie officielle du titre de propriété du terrain. Un bâtiment pour le logement du gardien et une salle de musculation sont déjà en cours de construction. Le RCTS, à la fois école et club, table cette année sur leur premier titre dans la catégorie élite régionale. T.H L’article Rugby- Association Pachamama : 400 enfants du RCTS gâtés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rugby- Association Pachamama : 400 enfants du RCTS gâtés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina
15/06/2021

Niombon-kevitra ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI (Commision de l’océan indien), anisan’izany i Madagasikara, tamin’ny fivoriana farany natao ny volana mey teo , amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Ny « Regional maritime information fusion center » no manome ny vaovao rehetra tsara ho fantatra amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Samy mahita ireo firenena mpikambana fa ianjadian’ny tsy fandriampahalemana ny fari-dranomasina aty amin’ny Nosy manodidina.Tapaka teo anivon’ny COI koa ny lamina hampiharana ny « toekarena manga », raha fintinina dia toekarena miompana amin’ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, tafiditra amin’izany ny jono, ny fizahantany, ny tontolo iainana …Takina ny fahaiza-mitantana maharitra, izay andry iray iankinan’ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ary nohatsaraina ny rafitra ao amin’ny COI, sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny maro,  indrindra ny amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Eto Madagasikara, olana mampitaraina ny mpanjono madinika maro ny fidiran’ireo sambo vahiny vaventy. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny fitondram-panjakana. R.MathieuL’article Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina a été récupéré chez Newsmada.