HCDDED: “Maro ireo very amin’ny demokrasia”

News - HCDDED: “Maro ireo very amin’ny demokrasia”

News - HCDDED: “Maro ireo very amin’ny demokrasia”

 “Marobe
ireo very amin’ny demokraisa: manaotao fahatany ny sasany, manompa
olona, manao tsikera tsy araka ny tokony hanaovana azy… Manana ny
lalàna fototra ny demokrasia: fanajana ny zo fototra sy iainantsika
eto Madagasikra. Eo ny fahazoana miteny sy maneho hevitra, mivory,
mivavaka…”, hoy ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny
demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), i Pierre Lenoble
Navony. Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho
an’ny demokrasia, omaly izany. Mifandray akaiky izany. Tsy misy ny
demokrasia, raha tsy misy ny fanajana ny fanjakana tan-dalàna.
Miantoka ny fampandrosoana ny demokrasia.

Nefa tsy tanteraka ny fahalalahana
mivory amin’izao fotoana izao noho ny hamehana ara-pahasalamana. ny
valanaretina fa tsy hoe fihibohana na fahamehana amin’izao fotsiny,
araka ny andraisan’ny sasany azy. “Aoka isika  samy hanaja
tsara ny lalàna izay voasoratra”, hoy izy.

R.Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article HCDDED: “Maro ireo very amin’ny demokrasia” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fier-mada 2019: tosika ho an’ny fambolena sy ny fiompiana

Atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka, ny foara Fier-Mada, andiany faha-21, nanomboka omaly ary hifarana amin’ny  alahady 11 aogositra. Fotoana entina hanohanana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Miisa 450 ny tranoheva, ahitana ny seha-pihariana samihafa, toy ny famokarana, ny fanodinam-bokatra, ny fitaovam- pamokarana, ny zezika sy ny masomboly ary ny fanafody, ny sehatra ara-bola (mikraofinansa sy banky), sns.Nanokatra ity hetsika, omaly, ity ny filoha Rajoelina, nanehoany fa vonona hiara-kiasa sy hanohana ny tantsaha sy ny mpamokatra ny fanjakana. Efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, toy ny fanamorana ny dingana atao amin’ny lafiny fananan-tany, hampirisika ny tantsaha hanitatra ny velaran-tany hajariany. Eo koa ny fandaharanasa Fihariana, manohana ny mpandraharaha hahita famatsiam-bola sy fiofanana ho matihanina.Manampy ireo, efa voasoratra ao anatin’ny Tetibolam-panjakana nohavaozina (LFR 2019), ny fanorenana sy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, toy ny lalana ohatra, hanamorana ny fitaterana ny vokatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-44, mankany Ambatondrazaka, sompitr’i Madagasikara.Manohana kaoperativa 15 ny AmbatovyMandray anjara amin’ity Fier-Mada 2019 ity koa ireo kaoperativa tantsaha miisa 15, tohanan’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana izy ireo, avy any amin’ny tanàna na kaominina andalovan’ny fantsombe miainga any Ambatovy Moramanga hatrany Toamasina. Anisan’ny tohana nomen’Ambatovy azy ireo, ny fampiofanana momba ny fambolena sy fiompiana, ny famatsiana masomboly, ny fanorona fikarohana lalam-barotra, sns. Nilaza Rtoa Sarah Minah, sekretera jeneraly ny kaoperativa Felamamy, fa “mahavelombolo ny vokatra, izahay tantsaha indray no tsy maharaka ny lalam-barotra”. Tsy maharaka ny filan’ny tsena ny vokatra, toy ny kanelina, ny garana, sns.Sajo sy Njaka A. Nanamarika ny filoha Rajoelina fa tsy nahafa-po azy ny fikarakarana, ny fanomanana, ny toerana, ka hanampy ny fikarakarana ny andiany faha-22 izy. Hatao amin’ny toerana tsara kokoa, hatao maimaimpoana ny dokambarotra any amin’ny haino aman-jerim-panjakana, mba ho fantatra manerana ny Nosy.L’article Fier-mada 2019: tosika ho an’ny fambolena sy ny fiompiana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

DRSP Vakinankaratra : mitetim-bidy 1 049 000 000 Ar ilay birao vaovaon’ny polisy

Trano lehibe misy efitra 31 ka ny 21 amin’ireo, birao fiasana miampy efitra lehibe iray fanaovana fivoriana, efitra fitanana olona, misy an’ny tsy ampy taona sy ny ampy taona. Izany ny trano vaovao fiasan’ny Fitaleavam-paritry ny filaminana anatiny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra izay notokanana, omaly. Fotodrafitrasa mitentim-bidy 1 049 000 000 Ar. To­nga nitokana izany tamin’ny fo­mba ofisialy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. «Zava-dehibe ny fijoroan’ny fotodrafitrasa toy izao satria mendrika ny hiasa amin’ny trano manara-penitra toy izao ny mpitandro fi­la­minana, indrindra mendrika ho­raisina amin’ny birao tsara ny vahoaka manan-draharaha atao», hoy ny Filoha Rajoelina. Nambaran’ny minisitry ny Fi­laminam-bahoaka, ny contrôleur général de police Randri­a­na­ri­son Fanomezantsoa fa mipetraka eo amin’ny tantaran’ny polisim-pirenena ny datin’andro an­droany (omaly io) satria tao anatin’izay 59 taona nijoroan’ny polisim-pirenena malagasy izay, tsy mbola nisy fananganana fo­todrafitrasa manara-penitra toy izao.Jean ClaudeL’article DRSP Vakinankaratra : mitetim-bidy 1 049 000 000 Ar ilay birao vaovaon’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CCEsca Antanimena: babon’i Farakely ny fon’ny mpijery

Notohizan’i Farakely tetsy amin’ny CCEsca Antanimena ny diany eo amin’ny fisehoana an-tsehatra. Seho nahitana sy nahatsapana fa tsara fiomanana ity mpanakanto ity…Ireo izay zatra nahita sy nahaheno an’i Farakely sy ny sanganasany eny an-tsehatra, samy nahatsapa avokoa fa nahavita dingana lehibe ity mpanakanto ity. Anisan’izany ny feo izay tena kanto tokoa. Nisarika ny sofina ka nambabo avy hatrany ny fon’ny mpijery. Tazana fa manana ilay teknika tsara hoenti-mihira i Farakely. Toraka izany koa teo amin’ny fandrindrana sy ny fitendrena ny mozika izay niavaka tanteraka. Raha somary niompana amina « variété » kokoa ny nahahenoana ny sanganasan’i Farakely amin’ny ankapobeny, nahahenoina « jazz » kely maivamaivana sy « soul » tsindraindray teny antsefantsefan’ny hira. Nahahenoina « zouk » ihany koa… « Tena natsiro be ho an’ny sofina ny tolotra teny an-tsehatra », hoy ny mpijery tonga teny amin’ny CCEsca Antanimena, omaly.Vao mainka nanampy teo amin’ny hatsaran’ny kalitaon’ny fampisehoana ny lafiny teknika. Tsara ny fanamafisam-peo ka namoaka tsara ihany koa ilay angola ahafantarana ity mpanakanto manana ny maha izy azy ity. Amin’ny ankapobeny, ireo hira voarakitry anaty « album » voalohany sy faharoa no nentiny teny an-tsehatra.Tamin’ny ankapobeny, feno fahamatorana tanteraka ilay fampisehoana « Farakely en concert ». Voatazony hatrany ihany koa ilay ahafantaran’ny mpankafy azy!HaRy Razafindrakoto L’article CCEsca Antanimena: babon’i Farakely ny fon’ny mpijery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara”

Jaojoby, Bakomanga, Haga, Tsiliva, Samoëla, Simonda, Simon Randria, Pros’Hely, Rossy, sns. Anisan’ireo “Kintan’i Gasikara nanafana ny fampisehoana goavana, izay notontosaina omaly, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ireo. Fampisehoana izay nampiray fo ny rehetra, na ny teny an-tsehatra na ireo izay nanatrika sy nijery, satria tafiditra anatin’ny hetsika fanomanana ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara izany. Tonga manokana namonjy ny fotoana ny Mgr Razanakolona Odon, evekan’Antananarivo sy ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Nonce Apostolique monina sy miasa eto Madagasikara. Nitondra ny hafatry ny papa ho an’ny vahoaka malagasy ito farany, mialoha ny hahatongavany eto. Ankoatra ny “Dia ilay fitia” nataon’i Haga sy i Rossy, anisan’ny nampiray fo sy fanahy koa ny hira faneva, izay niarahan’ireo mpanakanto maro. Namerina ny hira katolika mihetsika vitsivitsy ihany koa ny tarika Rossy, izay fotoana anisan’ny nafana indrindra tamin’iny fotoana iny. Mbola hisy ny hetsika hafa, tafiditra hatrany anatin’ny fanomanana ny fotoan-dehibe hahatongavan’ny Ray Masina eto Madagasikara.Zo ny AinaL’article Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Izay tsy miasa, aoka tsy hihinana »

Tsy vao izao fa efa hatramin’ny ela ny mahabe resaka eto amin’ny firenena ny momba ny karaman’ny olom-boafidy, anisan’izany ny an’ny solombavambahoaka. Miverina indray izany ankehitriny, ao anatin’izao fanombohan’ny fandraisan’ireo depiote vaovao ny asany, eny Tsimbazaza izao. Sahaza na antonony? Ambany? Midangana, mihoa-pampana? Izany ny fanontaniana sy ny fanamarihana apetraky ny vahoaka mpifidy. Ny tena be mpanamarika aloha dia ity farany. «Midangana loatra, mihoa-pampana mihitsy aza ny karama, miampy ireo tombontsoa mivaingana azo na raisin’ny solombavambahoaka, miohatra amin’ny fahantram-bahoaka sy ny fahasahiranan’ny firenena…».Etsy ankila etsy, araka ny fanambarana navoakan’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi), ny volana avrily 2019, izany hoe, fotoana vitsivitsy talohan’ny fifidianana solombavambahoaka, ny volana mey teo. Tao anatin’izany ny nahafantarana, araka ny hita ao anatin’ilay fanambarana, fa “misy tombontsoa tsy hita noanoa, misy sasantsasany takontakonana”. Ny karama raisin’ny depiote isam-bolana, ohatra, 3 tapitrisa Ar. Mitovy amin’izay ihany ny solon-tsolika raisina isam-bolana. Mitovy amin’ilay hoe “karama farany ambany” nolazain’ny fanjakana farany teo, izay mbola tsy tena mihatra ny fahana finday, roa hetsy ariary. Fa efatra alina ariary… isan’andro koa ny tambinkarama mandritra ny fotoam-pivoriana…Midangana? Sahaza? Ambany na kely loatra? Tsy ho vita ny adihevitra raha izay no hororitina. Mazava toa ny masoandro be lohataona ny zava-misy. Mbola eo an-dalam-piaingana, an-dalam-panarenana ny firenena. Mbola marefo ny toekarena e. Izany hoe, mbola ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka. Na izany aza, nofidina hanompo firenena, hiasa ho an’ny vahoaka ireo olom-boafidy ireo ka mendrika hahazo ny valin-kasasarany. Fa… “Izay tsy miasa, aoka tsy hihinana izy”, hoy ny Soratra Masina, sady “Teny soa” ao amin’ny pejy faharoan’ity gazety anio ity.Mamy Randrian   L’article « Izay tsy miasa, aoka tsy hihinana » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary

Ravan’ny zandary ny toerana fanamboarana basy ao kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny mpanamboatra ireto fitaovam-piadiana ireto…Basy lava telo efa vita rafitra (iray efa vita sy basim-borona roa tsy misy taratasy) ary basy roa vao an-dalam-pandrafetana ary fanamboarana basy. Ireo ny fitaovana hitan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona atao hoe Rata mipetraka ao Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka voalaza fa mpanamboatra sy mpivarotra basy ho an’ny dahalo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka tratra tao avokoa ireo basy rehetra ireo. Nambaran’ny zandary fa tsy tao an-toerana ilay olona voalaza fa mpanamboatra basy fa ny rahalahiny no tratran’ny zandary tao an-trano.Basy Mas 36 iray koa azon’ny zandary tao Ambalamanakana distrikan’Ambositra, ny asabotsy vao mangiran-dratsy teo. Nahazo angom-baovao ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa hoe misy olon-dratsy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo mitazona basy mahery vaika ao Ambalamanaka. Nihazo ilay toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ka hita tao tokoa ny basy Mas 36 ora. Nogiazana avy hatrany ilay basy ary noraisim-potsiny ilay olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fihazonana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nohamafisin’ny zandary fa dimy izay ny basy mahery vaika tratra, tao anatin’ny telo herinandro teo.Jean ClaudeL’article Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Anjanahary II O: mirefy 460 m ny fantson-drano voasolo

Mitohy ny asa fanoloana ny fantsona tranainy sy manary rano eny amin’ny fokontany Anjanahary II O. Manatanteraka izany ny Jirama sy ny orinasa afrikanina tatsimo TRG International. Mirefy 460 metatra ny fantsona efa voasolo, nanomboka ny 25 aogositra 2020 teo. Miisa 67 ny fitarihan-drano efa nafindra amin’ireo fantsona vaovao ireo.Hifarana amin’ny 19 septambra ny asa eny Anjanahary II O, izay miteraka fikorontanan’ny famatsian-drano.Tsiahivina fa mirefy 90 km ny fantson-drano hosoloina eto Antananarivo Renivohitra ka ny 10 km no tafiditra ao anatin’izao dingana voalohany izao. Efa vita ny teny Ilanivato, Androndrakely ary Soavimasoandro.Efa mandeha kosa ny fanohizan’ny Jirama ny fanamboarana ny tobin-drano eny Amoronakona, hiantoka ny famatsian-drano any amin’ny tapany atsinanan’Antananarivo. Miandry ny anjarany kosa ny ny faritr’Itaosy, anisan’ny tena mijaly rano. Njaka A.L’article Anjanahary II O: mirefy 460 m ny fantson-drano voasolo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fifidianana ben’ny tanàna :: Mety tsy ho tanteraka amin’ny 28 oktobra indray ny latsa-bato

Miandry ny sitrapon’ ny governemanta. Tsy mbola nivoaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra natao, omaly, teny Iavoloha ny didim- panjakana tokony hiantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana ben’ ny tanàna, novinavinain’ ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) hotanterahana amin’ny 28 oktobra 2019. Farafahatarany anefa dia amin’ny alahady 28 jolay izao no hamoahana an’io didim-panjakana io raha toa ka hotazonin’ny gover – nemanta ilay vinavinana tetiandro natolotry ny Ceni. Toa tsy rototra sady tsy maika ary azo heverina fa mety tsy mihevitra ny hankatò an’io tetiandro io ny rafitra mpanatanteraka, hatreto. Ny governemanta no tompon’ny fanapahan-kevitra farany amin’ny fankatoavana ny tetiandrom-pifidianana sy ny daty tokony hanatonto – sa na azy. « Ho hita eo ihany izay hanaovana azy . Izay ihany no azo ambara », hoy fotsiny ny loharanom- baovao iray ao governemanta, omaly. Tsy mbola fantatra ihany koa raha toa ka hatao aoriana kelin’io daty io, na mety ho amin’ity taona ity ihany, na mety ho amin’ny taona ho avy mihitsy ny fifidianana ben’ny tanàna. L’article Fifidianana ben’ny tanàna :: Mety tsy ho tanteraka amin’ny 28 oktobra indray ny latsa-bato est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra

Tafiditra amin’ny andiany fahatelo ilay hetsika lehibe « Konferansa momba ny soratra ». Ho maroloha ny lohahevitra hovelabelarina satria hahatratra 6 ireo handaha-teny amin’izany. Tsy mbola fantatra izy ireo fa antso no ataon’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (mpikarakara ny hetsika). Izay te hitondra velakevitra amin’ity andiany fahatelo ity, tokony handefa ny lohahevitra sy ny lahatsoratra mirakitra ny famelaberaran-kevitra hataony mandritra ny konferansa. Ry zareo mpikarakara no hifantina izany avy eo. Raha ny vina napetraka, ny 16 novambra izao no hanatanterahana ny « Konferansa momba ny teny 2019 » ao amin’ny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia. Fotoana tsara ho fantatra– Farany fandefasana ny famintinana: 17 aogositra 2019– Farany fandefasana ny lahatsoratra feno: 28 septambra.– Famoahana ny anaran’ireo voafantina: 6 oktobra.– Fandefasana ny fanamarihana sy fanitsiana ny lahatsoratra any amin’ireo mpamelabela-kevitra: 10 oktobra.– Daty farany fandefasana ny lahatsoratra voahitsy any amin’ny Koloiko sy hajaiko ny teniko: 14 Oktobra.– Fisoratana anarana hanatrika: 6 oktobra – 4 novambra.– Famoahana ny antsipirian’ny fandaharam-potoana mandritra ny konferansa: 5 Novambra.– Datin’ny konferansa: 16 NovambraHaRy Razafindrakoto L’article Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny kolikoly : hotsarain’ny Pac amin’ity taona ity ireo raharaha 70 mahery   

“70 mahery ny antontan-taratasin’ady efa vonona hotsaraina momba ireo ady heloka bevava ireo. Hiezaka izahay ho voatsara avokoa ireo raharaha nentina eto amin’ny Pac.”Izay ny fanambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny fitsarana misahana ny raharahana kolikoly (Pac), Antananarivo, Razafindrakoto Solofohery, teny 67 ha, afakomaly, momba ireo raharaha ady heloka bevava voarain’io rafi-pitsarana io hatramin’izao ary kendrena hovitaina amin’ity taona ity.Andiana fitsarana valo ny hataon’ny Pac amin’izay fitsarana ady heloka bevava izay.Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro, ny 19 aogositra, hatramin’ny 27 aogositra ny andiany voalohany: miisa 13 nyantontan-taratadin’ady tsaraina amin’izany, misy voampanga 38. Manomboka amin’ny volana septambra kosa ny andiany roa. Toy izay koa amin’ny oktobra izay misy andiany roa, ary ny novambra sy ny desambra, misy andiany roa avy.Maro ireo karazana heloka bevava hitsarainaAnisan’ny tsaraina amin’izany ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny famotsiam-bola, ny fanaovana kolikoly, ny fanaovana hosoka sy ny fampiasana hosoka, ny fanondranana zava-mahadomelina, ny fanondranana olona, ny fanamparam-pahefana, ny fisandohana andraikitra… Mety hahatafiditra am-ponja dimy ka hatramin’ny 20 taona sazy an-terivozona ireo heloka bevava ireo, miampy tsy fahazoana mandia faritra mandritra ny dimy taona.Tsy misy sazy mihantona na fanalefahan-tsazy ny didy avoakan’ny Pac. Na izany aza, misy fiarovana avy amin’ny fanjakana an’ireo voampanga. Nahatratra aoriana ny fanombohan’ny fiasan’ny Pac hatramin’izay ny fifidianana ireo mpitsara mpanampy.R.Nd.L’article Ady amin’ny kolikoly : hotsarain’ny Pac amin’ity taona ity ireo raharaha 70 mahery    a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»
24/09/2020

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra
21/09/2020

Tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny amin’izao hamehana ara-pahasalamana faha-14, ho amin’ny 15 andro manaraka izao raha mitaha amin’ny teo aloha. Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly fa efa an-dalana amin’ny fifehezana ny valanaretina isika ka nirosoana ny fanakatonana ny CMC-19 etsy Mahamasina. Najanona ny asan’ny BIS noho ny fihenan’ny fifindran’ny coronavirus. Na izany aza anefa, tsy maintsy hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana. Anisan’izany ny tsy maintsy hanaovana arotava. ”Mahavoasazy ny tsy fanaovana izany raha mivoaka ny trano”, hoy izy. Manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina ho an’ny faritra Analamanga sy ny any Diana.Hisokatra ny zotra Antananarivo – AntsirananaEo amin’ny fitaterana, hisokatra ny asabotsy 26 septambra izao ny zotra Antananarivo – Antsiranana sy Antananarivo – Sambava. Tsy maintsy arahina hatrany anefa ireo fepetra, toy ny fampiasana ny “Manifold” sy ny ara-pahasalamana ary tsy fanondrotana ny saran-dalanaHisokatra ny 1 oktobra izao kosa ny sidina Nosy Be mihazo ny any ivelany. Tahaka izany koa ny hanokafana ny seranam-piaramanidina hifandraisana amin’ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny 29 oktobra izao. Anisan’izany ny any Antsiranana, Toamasina, Taolagnaro, Toliara.Eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy kosa, misokatra koa izany saingy mbola voarara ny fampidirana na fitondrana olona avy any ivelany.Momba ny kolontsaina sy ny fialam-boly kosa, tsy mihoatra ny 200 ireo olona ao anatin’ny toerana. Mikatona amin’ny 11 ora alina. Harahi-maso izy ireny ka hakatona raha tsy voahaja ny fepetra rehetra.Efaka misokatra koa ny fiangonana manerana ny Nosy, saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana.Hirosoana ny fifidianana loholonaEo amin’ny lafiny politika kosa, nambaran’ny praiminisitra fa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Antanimierandoholona ka tsy maintsy hirosoana ny fifidianana ny 11 desambra izao.”Manaja ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana isika”, hoy izy. Notsindriny koa fa tsy mitanila ny fampandrosoana. Tsy hisy ny faritra sy distrika ho hadino ary efa nomena vola ireop governora sy ny faritra amin’ny fametrahana fotodrafitrasa eny ifotony. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fahasalamana sy ny rano madio fisotro.Synèse R. L’article Mitohy ny fahamehana ara-pahasalamana: tsy miova firy ireo fepetra ankapobeny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana 
26/09/2020

 Efa eo am-piomanana tanteraka amin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny seksiona ankehitriny, ny eto Antananarivo Renivohitra taranja Karate. Tapitra amin’ity taona ity mantsy ny fe-potoana hitondran’ny mpitantana am-perinasa ka tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga Karate, Rakotomalala Jean Paul. Araka izany, mitaona ireo klioba rehetra eto Antananarivo Renivohitra ny federasiona, hanontany izay tokony ho fantatra mahakasika ny “certificat de conformité”. Voakasika izany avokoa na ireo efa mijoro ara-dalana na tsia, raha ny fanazavana hatrany. Eny amin’ny Delegen’ny tanora sy fanatanjahantena Antananarivo Renivohitra etsy Ambohidahy ny hahafahana mahazo fanampim-panazavana mahakasika izay.Raha ny tokony ho izy, ny volana aogositra ny fotoana efa napetraka hanaovana ity fifidianana ity, saingy tsy tontosa izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Araka ny loharanom-baovao, maro ny hirotsaka amin’ity indray mitoraka ity, mbola tsy fantatra kosa raha mbola ho isan’ny ho kandida ny filoha am-perinasa na tsia. Mi.RazL’article Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana  a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite
25/09/2020

Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto na mbola eo aza ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Craam oniversiten’Antananarivo ny hetsika  «  Slam à l’U »,   handraisan’ny rehetra anjara. Hetsika anisan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam  sy ny Craam ity atao, anio, 25 septambra 2020, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Seho ara-kolontsaina efa fanao teo aloha, saingy noho ny hamehana dia nisy fiatoana izany ka izao manomboka miverina izao indray.   Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia tsy maintsy arahin’ny rehetra ny fitsipika ara-pahasalamana «  geste barrières » ho an’ny mpanatrika mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.NarilalaL’article Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020
21/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Sur les 451 tests effectués ces dernières 24 heures, 20 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus a rapporté ce lundi 21 septembre la porte-parole du CCO. Ainsi, Madagascar compte actuellement 16073 contaminations depuis l’apparition de la pandémie de covid-19 dans le pays. Ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Analamanga avec un total de 12 cas. Le reste est réparti comme suit: 4 cas à Vakinankaratra, 1 cas à Itasy, 1 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony et 1 cas à Boeny. Ce jour, 36 patients ont recouvré la santé portant à 14682 le nombre total de guérisons dans tout le territoire malagasy. Par ailleurs, 1164 malades sont encore en traitement, dont 20 dans un état critique. Deux nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le nombre officiel des victimes s’élève à 225. L’article COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE
21/09/2020

Nivoaka, omaly maraina ny voka-panadianana CEPE, natao ny 15 septambra lasa teo ho an’i Toamasina. Nisy ny fihaonan’ ireo mpampianatra nisahana ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka niara-nidinika ny naoty farany ambany. Tapaka fa ny salan’isa 09/20 miakatra no ekana fa mahazo ny mari-pahaizana CEPE. Vokany, nahatratra 84.95% ny taham-pahafahana, izay nisy fitomboany kely raha noharina tamin’ny taon-dasa 83,34%. Ho an’ny taona 2018- 2019, natao 9,75/20 ny naoty farany ambany noraisina ka tsy tokony hibitaka ihany ny fari-piadidiam-pampianarana manoloana ny vokatra tamin’ity taona ity.7 428 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana ka 52 ireo tsy tonga nanatrika ny fanadinana, ary nahatratra 6 012 ny mpiadina afaka. Raha noferana ho 9,50/20 ny salanisa ahafahana CEPE, 87,05% ny taham-pahafahana. Raha ny noraisina ho 10/20  kosa dia ambany ny taham-pahafana satria manome 76,64%.  Nitarika teo amin’ny naoty farany ambony ny mpiadina avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika nahazo ny naoty 19, 80/20 ny voalohany. 19,75/20 ny faharoa ary 19,70/20 ny fahatelo, samy avy amin’ny sekoly finoana katolika avokoa izy ireo. Ireo 10 voalohany dia avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika avokoa. BEPC-Tsy mahazo miditra ny ray aman-dreny…Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, izay hanomboka anio, ho hentitra ny fanaraha-maso sy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana : fanaovana arotava sy orona, fanasan-tanana mialoha ny hiditra ny faritry ny toeram-panadinana. Tsy mahazo mitondra fitaovana elektronika toy ny finday ny mpiadina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianara Toamasina I, Ramarolahy Joseph, tetsy amin’ny CEG de reference, omaly. Nohamafisiny fa tsy azon’ny raiaman-dreny atao ny miditra ny faritry ny sekoly mandray fanadinanana. Ho an’ ireo mpiadina tsy afaka mamonjy fodiana ny antoandro kosa fa hanaterana sakafo, olona iray ihany no afaka miditra manatitra ny sakafo raha tsy hivoaka ny faritry ny sekoly ilay mpiadina. Ho fiarovana ny filaminana mandritra ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanandinana BEPC, efa vonona ny mpitandnro filaminana handray ny andraikiny. Toerana telo ihany no ametrahana ny petadrindrina ho an’ny valin’ny CEPE: ao amin’ny biraon’ny Cisco sy ny Dren ary etsy amin’ny EPP Beryl Rose hisorohana ny fitangoranana  SajoL’article Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE a été récupéré chez Newsmada.

Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika
25/09/2020

Namoaka tahirim-bola manokana ho vonjy taitra ny ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana (IECD). Hanohanana ireo orinasa madinika manodidina ny 100 eto Madagasikara, izay mivondrona ao anatin’ny Madagascar Entreprise developpement (MED) izany. Orinasa misedra olana noho ny covid-19 avokoa izy ireo.Amin’ny anaran’io tahirim-bola io no hahafahan’ireo orinasa manarina indray ny fahavoazana sy mamerina mampihodina ny orinasa na mampiroborobo sehatrasa vaovao hafa indray mba ho tosika vaovao amin’ny sehatry ny toekarena. Tohana ara-bola tsy haverina ny Atrika mitentina 50 tapitrisa Ar.Nandray mivantana izany vola izany ny solontenan’ireo orinasa teny amin’ny foiben’ny MED teny Tsaralalàna, tamin’ity herinandro ity. Ireo vehivavy, ireo manana fahasembanana, ireo mpikamba ao anatin’ny vondron’orinasa MED sy ireo orinasa samihafa tena voakasiky ny valanaretina covid-19 no laharam-pahamehana mahazo ny fanampiana.Ireo mpahazo tombontsoa ireo dia anisan’ny mpandraharaha 1900 nahazo fiofanana hatramin’ny fiandohan’ny fandaharanasa ho fanohanana ireo orinasa madinika ao anatin’ny MED, izay mifampiankina amin’ny IECD eto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2013.Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ireo orinasa madinika ivoahan’ireo tetikasa afaka manandratra ny toekarena.Marihina fa firenena 15 no namoahan’ny IECD tahiry manokana toy izao ao anatin’ny fandaharanasany.Tatiana AL’article Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika a été récupéré chez Newsmada.

Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH
23/09/2020

Efa maka bahana. Niofana momba ny fampahafatarana ny fihezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Nisokatra, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, izany. Anisan’ny niatrika izany ny solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA.Fanentanana sy fisorohana ny kolikolyMiompana amin’ny fampahafantarana ny CMH sy ny fanentanana ary ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fampiharana ilay fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny votoatin’ny fiofanana. Ahitana sokajy miisa 12 ireo mpiofana ka niditra an-tsehatra nanomboka, omaly, ny andiany voalohany, miisa 125, saingy nozarana roa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana.Hitohy eny amin’ny BMH Isotry ny fampiofanana, ahitana mpandray anjara miisa 500 ka hozaraina andiany 50 isa avy. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo sefo fokontany rehetra, ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny CUA, ny tompon’andraikitra ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra, ny mpiandraikitra eny anivon’ny CSB II. Manampy ireo ny “inspecteur d’hygiène” sy ny “inspecteur de voirie” miaraka amin’ireo polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.Fakan-kevitra sy adihevitra eny ifotonyNa izany aza anefa, nitondra fanazavana ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Rasaony Pascal. “Mbola hisy fakan-kevitra ataon’ny CUA eny ifotony. Eo koa ny ady hevitra momba ny CMH eny anivon’ny birao ho an’ny boriboritany ka andraisan’ireo olom-pirenena anjara”, hoy izy.Tsiahivina fa efa nisy ny CMH ny taona 1960 ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Narafitra ho boky izany ny 27 aogositra 2013, ahitana andininy miisa 103. Nohatsaraina kosa ny andininy miisa 20 amin’ireo 103, ny volana mey 2020.Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha
25/09/2020

Miantraika amin’ny seha-pamokarana maro ny Coronavirus. Ho fitsimbinana ny tantsaha no nahatonga ny Fofifa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any Maraoka.Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP (Office chérifien des phosphates)  any Maroka ary ny Oniversite Mohammed VI Polyteknika any Maroka. Tanjona ny hiarovana ny tantsaha sy ny mponina any ambanivohitra, manoloana ny Coronavirus. Mitentina 87.600.000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny fondation OCP. Miara-miasa amin’ny lafiny teknika ny oniversite Mohamed VI sy ny Fofifa.Nilaza ny tale jeneraly, ny Pr Razafinjara Aimé Lala, fa hisy ny fanentanana ny tantsaha hiadiana ny coronavirus. Omena toromarika izy ireo, ny fepetra hatao hisorohana ny aretina rehefa miasa. Tsy tokony hatao intsony ny mandrora amin’ny zaran’angady rehefa miasa tany ohatra satria mampiely ny otrikaretina. Eo koa ny fandaharana sy fanentanana any amin’ny radio any ambanivohitra. Faritra dimy (Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no hisitraka ity tetikasa ity.Manjaitra arotava sy manamboatra “gel”Nambaran-dRakotoarisoa Jacqueline, tale siantifika Fofifa fa hizarana milina fanjairana koa ny fikambanam-behivavy tantsaha hanamboarana arotava. Eo koa ny kojakoja, toy ny kofehy, ny ravin-damba 110 metatra sns… Ampianarina koa izy ireo hanamboatra tsiranoka fanasan-tanana (gel) sy savony fidiovana.Efa misy ny tetikasa fanaovana saríntany sy fitsirihana nofon-tany ho fanatsarana ny fambolena eto Madagasikara, iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP any Maroka.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.