“Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa

News - “Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa
Andriambavilanitra 5, poetan’ny
ankehitriny no hitondra ny “Hanitr’i Eva” etsy amin’ny sekoly
Cendrillon Soavimasoandro, ny alahady 1 novambra, manomboka amin’ny
1 ora tolakandro. Hitondra ny fijeriny mahakasika an’i Eva izy ireo
amin’io fotoana io. “ Tsy i Eva ilay namadika an’i Adama akory ny
vehivavy… Manana ny hanitra ho azy ihany koa i Eva, ary
havoitranay ao anatin’ny sanganasa izany”, hoy i Tsiaro ny Fitia.
Lohahevitra maro no holalaovina amin’io andro io. Fitiavana
misandrahaka amin’ny alahelo, ny ranomaso, ny tsiky, ny
fahafatesana. Hovelomin-dry Tsiaro, Miritsoka, Antso fy Tia,
Natiora ary i Larissa Ramanitriniaina izany. Eo koa ny
fanentanana sy ny fandravahana ny seho amin’ny alalan’ny dihy,
iarahana amin-dRabefitia. Raha ny 26 marsa 2020 teo no
saika hanaovana ny seho “Hanitr’i Eva”… Nihantona izany noho ny
hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana vokatry ny fidiran’ny
valanaretina teto ary izao hotanterahina izao amin’izany.
Narilala
L’article “Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina : ahina mbola hihena ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy
Ho raikitra ihany ve ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna amin’ity taona ity? Andrasana ny fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana amin’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ambony io.Mbola mahabe adihevitra etsy sy eroa ny amin’ny lisitry ny mpifidy, ohatra; eny, na eo aza ny hoe fanatsarana ataon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny fikitihana ny lisi-pifidianana amin’izany, fa fanaovana “lisitra mena”: fanakanana ireo mpifidy miverimberina ny anarana tsy hifidy mihoatra ny indray mandeha.Hilamina àry ve ny amin’izay lisi-pifidianana izay? Anisan’ny nampihena be ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ohatra, izay. Ahina mbola hampihena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy koa izao fanjavozavoan’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izao: hatao amin’ity taona ity ihany sa tsia? Misy ny alaim-panahy hanombana fa kajikajy sy paipaika politika no antony; eny, na hoe ho voahaja ihany aza ny fe-potoana hanatontosana azy.Tsy hitan’ny vahoaka ifotony izay fiovam-piainanaAnisan’ny fifidianana akaiky ny vahoaka indrindra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, miantoka ny fampandrosoana ifotony mivantana. Na izany aza, toa tsy rototra firy amin’izany ny maro: sempotry ny fiainana andavanandro mandavantaona? Saika ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily no tena be adihevitra ny amin’ny tokony hanemorana na tsia izay fifidianana izay. Toy izany koa ny amin’ny tsara hikitihana na tsia ny lisi-pifidianana, ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana…Tsy mahatsapa na tsy resy lahatra firy izay fiovam-piainana amin’izay mpitondra na olom-boafidy ny ifotony ny vahoaka? Tsy hita rahateo izay hoe fitsinjaram-pahefana tena izy amin’ny fampandrosoana mivantana eny ifotony: ny enti-manana, ny fahaiza-manao… Eny, na misy aza ny ezaka amin’ny karazam-piofanana etsy sy eroa. Hisy àry ve ny fiovana sy fanovana, raha hoe hatao ihany ny fanavaozana ny amin’izany mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna?Na ahoana na ahoana, mila hetsehina indray ny risi-pon’ny vahoaka ifotony amin’ny fahatokisany ny mpitondra. Eo koa ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana amin’ny maha olom-pirenena azy. Anisan’ny azo anombanana izany izay ho taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ny fifidianana, na mbola mampanahy be ihany aza. Ho hita eo…R.Nd.L’article Fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina : ahina mbola hihena ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy
Taorian’ny vokatra tsara nentin’ireo mpibata fonjamby malagasy avy any Maorisy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, nanome fankasitrahana azy ireo, ireo Minisitra mpiahy, avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny lalana sosialy, omaly. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no natolotra azy ireo nandritra izany. Nanambara Andriamatoa Minisitra, fa ny taranja fibatana fonjamby no tena nitondra an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faharoa, ka izany indrindra no anton’izao fihetsika feno fankasitrahana izao. Sady nanandratra avo ny fanevam-pirenena izy ireo no nahatanteraka ny voady nataony, talohan’ny nialana teto an-tanindrazana dia ny hitondra vokatra tsara. Mbola vonona hatrany moa ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hanohana ny mpanao fanatanjahantena malagasy, indrindra ireo manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana sy fitondrana avo ny voninahi-pirenena. Mi.RazL’article Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
«caisse école»: niakatra ho 50 miliara Ar ny sorabola
Hizara telo ny « caisse école » hotsinjaraina eny amin’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michèle. Efa lasa any amin’ny banky ny andiany voalohany sy ny faharoa ka anjaran’ireto farany ny mitsinjara izany eny amin’ny Dren isanisany. Natao hampihodinana ny asa fampianarana eny an-dakilasy ny sora-bola roa voalaza. Amin’ny andiany fahatelo ny fiandohan’ny taona 2021 vao hisitraka ny fanampiana vola ireo mpampianatra Fram rehetra na ireo efa mahazo karama avy amin’ny fanjakana na ireo mbola miandry izany. Any ambanivohitra, vokatra ny solon’ny fandraisana anjaran’ny ray aman-dreny amin’ny karaman’ny mpampianatra.Nampakarina ny sora-bola natokana ho an’ny “caisse école” amin’ity taom-pianarana ity ka lasa 50 miliara Ar hisahana ny fanabeazana maimaimpoana ho an’ny mpianatra rehetra. Handray mpampianatra ho mpiasam-panjakana miisa 7 700 koa ny fanjakana ka misy amin’izy ireo ny alaina avy amin’ireo nivoaka tamin’ny toeram-panofanana ho mpampianatra. Hojerena koa ireo nametraka fitarainana fa tsy voaray nefa nahafeno ny fepetra rehetra.Vonjy A. L’article «caisse école»: niakatra ho 50 miliara Ar ny sorabola a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fandrobana volabe 36 tapitrisa Ar teny Anosipatrana: 2 lahy nidoboka eny Tsiafahy, vehivavy tera-bao nalefa eny Antanimora
Roa lahy nidoboka eny Tsiafahy. Anisan’izany ilay voalaza fa polisy voaroaka, tsy am-perinasa intsony, sy ny namany. Manampy ireo, naiditra am-ponja eny Antanimora ny vehivavy iray vao tera-bao. Momba ilay “Raharaha fandrobana volabe 36 tapitrisa Ar”, teny Anosipatrana no nahavoarohirohy azy ireo.Niakatra teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana, ny alatsinainy teo tetsyAnosy ity asan-jiolahy ny herinandro lasa teo ity. Olona telo no voarohirohy tsy afa-bela tamin’izany, ary efa samy nidoboka am-ponja, ny harivan’io ihany. Anisan’izany ny vehivavy iray, 36 taona vao tera-bao, naiditra eny Antanimora. Mpiray tsikombakomba no sady mpamatsy fitaovam-piadina ireo jiolahy nanao ilay “opération” izy io. Fantatra fa efa voatana any am-ponja noho ny famatsiana fitaovam-piadiana (basy) amin’ny jiolahy koa ny vadin’izy io.Efa nandrasan’ny polisy tao an-tranony, eny Itaosy, ity renim-pianakaviana ity ka noraisim-potsiny tamin’ny fiverenany tao an-tranony, avy nitondra an-janany nanao vaksiny.Vola an-tapitrisany tao anaty kitapoIlay polisy tsy am-perinasa sy ny namany kosa, efa voasambotry ny polisy ny ny harivan’ilay fanafihana ihany. Tratra niaraka tamin’izy ireo tamin’izany ny fiara marika Peugeot 309 sy ireo vola antapitrisany maro tao anaty kitapo, niampy basy poleta efa nifahana bala miisa enina.Tsiahivina fa zandary sy lehilahy iray samy nanao fanamiana polisy no nanao ity fanafihana teny Anosipatrana ity. Maty voatifitry ny polisy teny akaikin’ny fasan’ny karana ilay zandary, taorian’ny fifanenjehana tamin’ny polisy. Ny harivan’iny ihany koa no nahasamborana ilay polisy efa voaroaka sy ireo namany roalahy, nandray anjara mivantanba tamin’ity fandrobana sy fanafihana goavana ity.Henintsoa Hani L’article Fandrobana volabe 36 tapitrisa Ar teny Anosipatrana: 2 lahy nidoboka eny Tsiafahy, vehivavy tera-bao nalefa eny Antanimora a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka
Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%, Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Andraisoro: noraisim-potsiny tamin’ny kara-panondrony ireo jiolahy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Andraisoro, ny alarobia 23 aogositra lasa teo ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Raha ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny kaomisarian’ny CSP3, nisy vehivavy iray voaendaka teny Andraisoro, ny alin’ny alakamisy 8 aogositra lasa teo raha sendra nody alina. Niezaka nanohitra anefa ilay vehivavy ka na dia lasan’ilay jiolahy aza ny fananany dia voasintony koa ny kitapo kely teny am-baben’ity mpanendaka azy. Ny zoma 9 aogositra, tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP3 ilay vehivavy voaendaka ary natolony ireo polisy ilay kitapo azony tamin’ilay mpanendaka. Rehefa nosavaina ilay kitapo dia nahitana “portefeuille” iray ka hita tao anatiny ny kara-panondron’ilay mpanendaka. Nokarohina ilay jiolahy ka fantatra fa eny Andraisoro izy no monina. Nidina teny an-toeana ny polisy ka noraisim-potsiny izy sy ny jiolahy iray, ny alarobia teo. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nanditra ny famotorana nataon’ny polisy.Jean ClaudeL’article Andraisoro: noraisim-potsiny tamin’ny kara-panondrony ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fisandohana andraikitra: lehilahy iray tratra nisoloky ho zandary
Tra-tehaky ny polisy tao Toamasina tamina hotely iray ao an-toerana ny lehilahy iray 24 taona. Voahorihory tamina resaka fisolokiana izy ary mbola milaza fa zandary miasa ao Moramanga koa. Araka ny angom-baovao, naka vola mitentina 2.500.000Ar taman’olona tany Anosibe an’Ala ilay lehilahy. Nilaza izy fa hanaovany fanadinana ho mpitsabo eto Antananarivo izany. Manana Moto rahateo izy ka nampanantenainy an’ilay olona nangalany vola izany. Mbola nilaza ilay mpisoloky fa lieutenant compagnie an’i Zandarimaria ao Moramanga. Ho porofon’izany ny fananany fanamiana « survête »-n’ny zandarimaria.Ankoatra izay, vehivavy iray hafa koa nakany vola 300.000Ar sy finday iray. Nampanantenainy moa ilay voasoloky fa alainy ho vady ary mbola nandaingany koa fa zandary ralehilahy. Vehivavy iray hafa koa nentiny nitsoaka tany Toamasina ary nohidiny 15 andro tao anaty chambre. « Novatsiny sakafo ilay vehivavy no mbola darohany sady tereny hanao firaisana ara-nofo aminy… », hoy ny fanazavan’ny polisy. Henintsoa Hani L’article Fisandohana andraikitra: lehilahy iray tratra nisoloky ho zandary a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fidinana tany atsimo: hovahana ny olan’ny kere
Nidina ifotony nijery ny dingana efa vita ny delegasionina notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian, ny herinandro teo. Nanome toromarika ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina ao Amboasary Atsimo ny tenany. “Tena ambony sy lehibe ny fanamby miandry antsika raha ny ady amin’ny kere aty atsimo”, hoy izy.Mbola hisy ny fotoana maharitra kokoa handinihana ny vahaolana entina amin’izany, hijerena ny lesoka, ny tokony hahitsy ary hitondrana ny vahaolana maharitra, hapetraka, na eo anivon’ny fitondrana foibe na ny aty an-toerana miatrika ny ady, araka ny nambarany.Araka izany, hapetraka ny « centre opérationnel de coordination », ho eo ambany fitarihan’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. “Hibaiko sy handrindra ny asa rehetra atao ao amin’ny distrikan’Amboasary izany ary hanana solontena ao anatin’izany ireo mpiara-miombona antoka sy ireo rantsa-mangaikan’ny fitondrana”, hoy ihany izy.Nanteriny fa laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa, ny fahaiza-mitarika eo amin’ny fandrindrana ny asa ary ny tokony hanatevenana sy hanatsarana bebe kokoa ny fomba fiasa.Hisy koa ny fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-java-misy momba ny kere. Eo koa ny lamina manokana apetraka isaky ny kaominina momba ny fanisana ny mponina amin’ny fampitana ireo angom-baovao alefa any amin’ity foibe ao Amboasary ity.“Omena fitaovana sy tetibola mifanaraka amin’izay filany io ivontoerana io ary ezahina ny hametraka sampan’ity foibe ity isaky ny kaominina 18 mandrafitra ny distrika”, hoy izy.Synèse R. L’article Fidinana tany atsimo: hovahana ny olan’ny kere a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Seg: nanao dinikasa niaraka tamin’ny zandary frantsay
Taorian’ny fitsidihana fomba ofisialy narahina dinikasa tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria tany Romania, nanohy ny diany narahina dinikasa manokana tao Frantsa ny (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, ny alatsinainy teo. Noraisin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany frantsay, i Laurent Nunez, niaraka tamin’ny mpiandraikidraharaha eo anivon’ny ambasadin’i Madagasikara ao Frantsa, i Désiréé Ibrahimdjee, sy ireo tompon’andraiki-panjakana ambony ao Frantsa ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity. Nisy ny dinikasa manokana niarahany amin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena frantsay izay notarihin’ny delegasiona frantsay, ny Jly Lizurey, sy ireo zandary manamboninahitra frantsay. Nitohy, afakomaly, izany ka niampy ny fitsidihana ireo sekoly fampiofanana manamboninahitra frantsay izay toerana niaran’ny Jly Ravalomanana toy ny tao Melun sy ny toerana fampiofanana ambony eo anivon’ny zandarimaria frantsay ao Maisons Alfort. Nankasitraka ny ezaka vitan’ny zandarimaria malagasy tamin’ny fampandriana fahalemana an’i Madagasikara, indrindra ny famongorana ny fakana an-keriny ny sekreteram-panjakana frantsay, i Laurent Nunez. Tapaka tamin’ity dinikasa ity fa hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny fiadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna, ny trafikana harem-pirenena sy zava-mahadomelina ary ny ady amin’ny fampihorohoroana.J.CL’article Seg: nanao dinikasa niaraka tamin’ny zandary frantsay a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony
Soa fa voavonjy haingana teny amin’ny hopitaly HJRA ity vehivavy lehibe iray, 86 taona, niharan’ny fahamaizana vokatry ny firehetan’ny tranony, teny Namontana Anosibe, afak’omaly alina. Nahazo trano hafa teo akaikiny ny afo saingy nalaky tonga tamin’ny fifehezana ny loza ny sampana mpamonjy voina. Mipetra-drery ao amin’ny trano hazo iray eny Namontana ry Mama Rasendra, araka ny loharanom-baovao teny an-toerana. Tokony tamin’ny 6 ora hariva no tsikaritr’ireo teo amin’ny manodidina ny afo niredareda tao amin’ny tranony. Nanao ny asa famonjena voalohany ny fokonolona saingy nahery loatra ny firehetana satria trano hazo ity lasibatra. Voalazan’ny loharanom-baovao teny amin’ny hopitaly HJRA fa « tsy misy atahorana intsony ny ain’ilay vehivavy lehibe, 86 taona ». L’article Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony est apparu en premier sur AoRaha.