Halabotry :: Roa vavy tratra namaky trano

News - Halabotry :: Roa vavy tratra namaky trano

News - Halabotry :: Roa vavy tratra namaky trano

Naiditra am-ponja, eny Antanimora, ireo vehivavy roa tratra namaky trano teny Ambodirano-Androndrakely, omaly. Naman’ny tompon-trano ihany ny iray tamin’izy roa vavy ary efa mifankazatra tsara sy mifampiditra an-trano izy ireo. Nataony dika mitovy ny fanalahidin’ilay trano. Nohararaotiny ny fotoana tsy naha tao antrano ny tompony ka nalainy izay entana lafo vidy rehetra, tamin’ ny faran’ny herinandro teo.

Tonga nametraka fitoriana teny amin’ny Kaomisarian’ny polisin’ny Boriborintany faharoa, eny Ambohijatovo Ambony, ny tompon-trano taorian’izay. Nosamborin’ny polisy avy eo, ireo roa vavy noahiahiana, izay monina eny Ambodirano Androndrakely ihany koa. Tsy nananosarotra ny famotorana satria nanoro ny olona nivarotan’izy ireo ny entana avy nangalariny iretsy roa vavy. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo entana very araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena, omaly

L’article Halabotry :: Roa vavy tratra namaky trano est apparu en premier sur AoRaha.

Halabotry :: Roa vavy tratra namaky trano

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fifidianana loholona : niala tsy ho kandidà Randrianandrasana Auguste

Niala an-daharana. “Noraisiko izao fanapahan-kevitra izao mba ho tombontsoa ho an’ny firenena, indrindra ho antsika ato amin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Tandrovy hatrany ny fihavanantsika.” Io ny fanambaran’ny kandidà ho loholohan’i Madagasikara, Randrianandrasana Auguste Philippe, amin’ny lisitra Fagnorolahy IAD ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, momba ny fialana an-daharana tsy ho anisan’ny kandidà intsony amin’izany fifidianana izany.Nampitsahatra ny fampielezan-kevitra izy, ka manentana ireo mpifidy vaventy hifidy lisitra hafa. Nambarany fa tsy hisy ny fametrahany delegem-pifidianana amin’ny faritra iadidiany: Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Ihorombe. Eo koa ny tsy maha tompon’andraikitra azy amin’izay ataon’ny mpiray lisitra aminy.Angatahiny ny hisian’ny fitoniana avy amin’ny komity mpanohana azy fa misy antony avokoa ny zava-drehetra. Notsofiny rano izay mbola hanohy ny fampielezan-kevitra. Tsy izy no hanao zavatra hampisy savorovoro eto amin’ny tany sy ny firenena, indrindra eo amin’ny faritanin’i Fianarantsoa. “Atao izay fomba fandaniana ny lisitra IRD”, hoy izy.R.Nd.     L’article Fifidianana loholona : niala tsy ho kandidà Randrianandrasana Auguste a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bateria sy Radio no alain-dry zalahy: tratran’ny polisy ireo jiolahy telo mpamaky fiara

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP3 teny Anjanahary, ny alatsinainy lasa teo ireo jiolahy telo malaza ratsy amin’ny famakiana fiara. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny alatsinainy tolakandro teo, nisy jiolahy iray mody mihaodihaody manodidina ny fiara iray nihantsona teo amoron-dalana eny Anjanahary. Rehefa hitany fa tsy nisy olona nivezivezy teo amin’ny manodidina dia nohararaotiny novahana tamin’ny fanalahidy maroanaka, efa namboarina manokana ny varavaran’ilay fiara. Teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no tsikaritry ny tompona fiara ka niantso polisy nanao fanamiana tsy lavitra teo ka noraisim-potsiny. Natolotra ny polisy avy ao amin’ny CSP3 izy mba hanaovana fanadihadiana. Nandritra izany no nanoroany ireo namany roa lahy izay mpanamboatra ireo fanalahidy maroanaka izay entiny manao ny asa ratsiny. Nosamborina teny Ambohitrarahaba izy roa lahy mpiray tsikombakomba amin’ilay mpamaky fiara. Nilaza izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy, fa ny baterian’ny fiara sy ny radio no tena alainy rehefa mamaky fiara ary eny Ambohitrarahaba no fivarotany ireo entana halatra.Jean ClaudeL’article Bateria sy Radio no alain-dry zalahy: tratran’ny polisy ireo jiolahy telo mpamaky fiara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana ben’ny Tanàna: hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana

Mby aiza ny fanatanterahana fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna? Mbola mahabe adihevitra. Hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana“Ny zavatra hataontsika, hisy fanapahan-kevitra amin’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ho avy. Tsy maintsy manapa-kevitra amin’ny filankevitry ny minisitra momba izay fotoana tokony hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna izay.” Io no nambaran’ny filoha Rajoelina Andry teny Anosy, omaly, momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mila hanontaniana aloha ny antoko nilaza fa tsy tokony hatao amin’ity taona ity ny fifidianana. Satria nisy antoko nilaza fa raha hatao amin’ity taona ity io fifidianana ben’ny Tanàna io, tsy handray anjara ry zareo.Hanontaniana koa ny Ceni ny amin’ny fahitany azy: madio tokoa ve ny lisi-pifidianana?“Miroso amin’ny fifidianana tokony hatao isika, rehefa madio ny lisi-pifidianana ary vonona hiroso amin’izany isika”, hoy izy. Tsy misy ny olana na natao amin’ity taona ity io, na amin’ny taona ho avy. Rehefa mifanaraka ny rehetra hoe: miroso rehefa hiroso, aleo ny vahoaka no hisafidy. Hatao fifidianana rehefa izay no hifanarahan’ny besinimaro. Mino izy fa vonona avokoa ny antoko rehetra hiatrika an’izany.Ara-dalàna ny hatao.Zavatra manara-dalàna no tokony hatao, araka ny nambarany. Ny Ceni no mamaritra ny daty tokony hanaovana ny fifidianana, ary iaraha-midinika amin’ny minisitry ny Atitany. Toy ny rehetra ihany izy, nahare fa misy antoko nilaza ny mbola tsy tokony hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna aloha, fa mila jerena ny lisi-pifidianana. Izay no ataon’ny Ceni: mijery ny lisi-pifidianana.Vokany, tsy fantatra intsony hoe: hatao ve ny fifidianana sa tsia? “Izao ny zavatra mampihomehy sy mahagaga eto amintsika: zatra manohitra hatrany ny zava-mitranga isika”, hoy ihany izy. Rehefa milaza isika hoe tokony hiroso, miteny ny sasany hoe mijanona aloha fa aza mbola miroso.Tsy misy eritreritra hanendry PDS“Vaovao tsy marina sy tsy mitombina izany, satria tsy misy manana eritreritra hanolo PDS ny ben’ny Tanàna”, hoy izy momba ny fanendrena PDS. Anjaran’ny vahoaka ny mijery raha nahavita ny asany na tsia ny ben’ny Tanàna tao anatin’ny efa-taona nitantanany. Anjaran’ny vahoaka koa ny manapaka ny amin’izay amin’ny fifidianana: iza ny ben’ny Tanàna tena mahavita azy, tena afa-kampandroso ny firenena?R.Nd.L’article Fifidianana ben’ny Tanàna: hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra

 Manana hatramin`ny 11 novambra ny eo anivon’ny Ceni, hikirakirana ny lisitr`ireo mpifidy vaventy. « Mety hiova ireo voarakitra ao satria misy ireo kandidà no nitory ireo ben’ny Tanàna lany tamin`ny fomba ofisialy navoakan`ny fitsarana miady amin`ny fanjakana. Nitondra ny raharaha eny anivon’ny filankevim-panjakana izy ireny », hoy ny mpampakan-teny, i Fano Rakotondrazaka. Miisa 155 ny didim-pitsarana voarain` ny Ceni avy amin`ny filankevi-panjakana momba ny fifanolanana tamin`ireo kandidà tamin` ny fifidianana kaominaly farany teo.Etsy andaniny, hamoaka ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà loholona afaka hifaninana ny eny Alarobia ny 29 oktobra izao. Miisa 14 izy ireo raha ny voarain’ny eny anivon’ny Ovec.Synèse R. L’article Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Festival d’art urbain : « Dérive urbaine » dans tout Tanà

Les artistes participants à la 7ème édition du festival d’art urbain pendant la visite des sites. La tendance mondiale, sur tous les domaines, est de partager, de communiquer sans intermédiaire En général, le public vient à l’art, mais pour cette 7ème édition du Festival d’Art urbain, initiée et organisée par « La Teinturerie », l’art et les artistes viennent au public. Du 5 au 14 mars, quatorze artistes déambuleront dans tout Tanà. Un grand événement annuel dédié aux « street arts » et à l’art en général.  Au programme, un « Dérive urbain » ou « Renireny », presque dix jours de performances visuelles,  d’art en milieu public. Fresques murales, photographie, danse, installation, musique, slam-poésie, sport extrême, rien ne sera laissé au hasard. D’Ambohipotsy à Mahamasina, en passant par Isoraka, Antaninarenina, Ambohijatovo ambony, Ampandrana et Faravohitra.  Un espace où quatorze artistes issus de plusieurs disciplines, se rassemblent pour créer, partager et éduquer à travers l’art pour revaloriser la culture. Ce festival  permet de mettre en lumière des destinations ignorées du tourisme traditionnel à Antananarivo. Photographes, musiciens, graffeurs… se produisent dans des rues, des ruelles, des places et des jardins publics. Les participants laissent libre cours à leur sens de la couleur, du son et du mouvement pour s’exprimer librement. Selon les organisateurs, « le festival d’art urbain est une occasion pour les artistes d’engager une discussion avec les citadins et de proposer un regard différent, voire une expérience nouvelle sur la ville, selon leurs propres perceptions de ce qu’est la ville et de ce qu’elle devrait être. Proposer un urbanisme nouveau, traverser les espaces pour en découvrir les ambiances nouvelles, expérimenter de nouvelles manières de vivre, réaliser ses désirs, le temps d’un festival sur le thème « Dérives urbaines ». Par ailleurs, le Festival d’Art Urbain est l’événement qui redéfinit le rôle de l’art et de l’artiste au sein de la société. Zo Toniaina L’article Festival d’art urbain : « Dérive urbaine » dans tout Tanà est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Festival d’art urbain : « Dérive urbaine » dans tout Tanà a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Tropy Jeannette – 90 taona: « Mampitia hatrany ny teatra malagasy »

Teny faneva nosafidin’ny Tropy Jeannette hanamarihana ny faha-90 taona nisiany io. 90 taona, raha olombelona efa voky taona… Tao anatin’izay fotoana izay, nisy ary maro ireo fotoana nampamiratra ny tropy eo amin’ny sehatry ny teatra. Tsy vitsy koa anefa ireo fahasahiranana nodiavina kanefa mbola mijoro hatrany ny Tropy Jeannette. « Hampitia hatrany ny teatra malagasy satria tajona apetrakay ny hamohazana sy ny hamelomana indray izany seha-kanto izany. Tropy zokiny indrindra ny Tropy Jeannette ary manana adidy amin’ny fampitiavana sy ny fampitana ny teatra ka hamelona indray ny hasiny”, hoy ny nambaran’i Mbato Ravaloson, amin’ny maha tale artistika azy ao amin’ny Tropy Jeannette, indrindra amin’ny maha filohan’ny Fikambanan’ny mpanao teatra eto Madagasikara (FMTM) ihany koa, nandritra ny fihaonanana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Kudeta, Carlton, Anosy. Tanjona iraisana izany, ho an’ireo rehetra nandray anjara fitenenana. “Nisafidy ny hanohanana sy hihay ny teatra ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera satria efa nametraka politika vaovao amin’ny fameloma-maso ny kolontsaina malagasy. Nitovy fomba fijery amin’ny Tropy Jeannette izahay ka nijery izay azo ifanampiana amin’ny fampitiavana ny teatra, indrindra ho an’ny tanora”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo. Sambany rahateo nahazo fanohanana avy amin’ny minisitera mpiahy ny teatra, nandritra ny taona maro, ka nahavelombolo ireo mpisehatra izany. Tsiahiavina fa hosokafana ny zoma 9 aogositra ho avy izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny Arena Ivandry, ny faha-90 taon’ny Tropy Jeannette. Ilay piesy “Ny voromailala” no holalaovina, tsy amin’io ihany fa mandritra ny fankalazana manontolo, tsy hifarana raha tsy ny volana jona 2020. Zo ny Aina L’article Tropy Jeannette – 90 taona: « Mampitia hatrany ny teatra malagasy » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

  Tahiry sy vakoka any ivelany: hatao lavanty ny akanjon-dRamasindrazana

 Vaovao niparitaka be tamina tambanjotran-tserasera, omaly, ny hanaovana lavanty ny akanjon’ny printsesy Ramasindrazana, nenitoan’ny mpanjaka Ranavalona III. Raha ny voalazan’io vaovao io, anio talata 8 desambra no hanatanterahana izany ao Londres ka hiandraikitra ny fanaovana lavanty ny tranom-barotra Kerry Taylor Auctions. Vita amin’ny akora lafo vidy toy ny « velours de coton bordeaux » sy ny « satin rose cyclamen » ito akanjon’ny pintsesy Ramasindrazana ito ka tokony ho tany amin’ny taona 1897 no nahavitana azy. Vitsy ny vehivevy afrikanina nanana tahaka izany tamin’io fotoana io, raha ny voalazan’ny vaovao hatrany. Hamidy miaraka amina taratasy sy ny sary sarobidy maromaro ity akanjo ity ka hitentina 1 100 ka hatramin’ny 1 660 Euros izy ireo.Fantatra fa izany Clara Herbert izany no nanangona ireto fahatsiarovana ireto. Olona tsy nahafoy ny mpanjaka Ranavalona III sy ny fianakaviany izy io.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article   Tahiry sy vakoka any ivelany: hatao lavanty ny akanjon-dRamasindrazana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà Rajoelina tany Alaotra Mangoro: « Hamboarintsika ny lalam-pirenena RN 44 »

Nitohy tany amin’ny kaominina Didy sy Manakambahiny Andrefana ary hatrany Morarano Kraoma ny dian’ny kandidà Rajoelina amin’ny andro fahatelo amin’ny propagandy, omaly. “Hanao velirano aminareo aho fa hamboarintsika io lalana RN44 io amin’ny herintaona. Izaho tsy hamadika anareo sy ny vahoaka malagasy izany. Efa vita fanadihadiana tamin’ny fitondrana Tetezamita io  », hoy izy. Nambarany fa amin’ny maha sompitr’i Madagasikara iny faritra iny, hojerena ny hampitomboana ny vokatra.Hamboarina ny tohodrano ao Ranomena hahafahana mampitombo ny velaran-tany ho volena. Hampiana amin’ny zezika ny tantsaha. Tahaka ny fampanantenany tany amin’ny faritra hafa momba ny tsy fandriampahalemana, nanteriny fa efa tonga ny “drones”. Hametrahana “puce” ny omby hanarahan-dia azy. Hividy helikoptera miisa 10 Hapetraka ny vondron-kery manokana hiady amin’ny asan-dahalo sy jiolahy ary ho avy ny helikoptera miisa 10. Homena fiofanana ao anatin’ny fotoana fohy ireo tanora tsy manana tany ary hahazo  velaran-tany 10ha ahahafahany mamboly sy miompy.  Nampanantena koa ny kandidà Rajoelina fa hatao kianja “synthétique”, manara-penitra ny  ao Ambatondrazaka.  Eo amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana kosa, nambarany fa hatao manara-penitra ny sekoly, manomboka amin’ny EPP izany. Ahitana efitrano famakiam-boky sy ho an’ny informatika ny trano fianarana. Hataontsika EPP manara-penitra ny EPP rehetra. Tokony ho mailo amin’ny androm-pifidianana Mba hisy bibliothèque, salle informatique. Hatao manara-penitra ny hopitaly…  “Hanampy anareo aho, ny tanora, ny tantsaha, ny vehivavy, ny tsy anasa, ny marefo. Ampio aho hahafahako manampy anao sy manavotra an’i Madagasikara. Mila mifanome tanana isika. Efa voalohany isika tamin’ny fihodinana voalohany ary mbola ho lohany isika hitondra ny firenena aorian’ny 19 desambra izao”, hoy ihany izy. Ankoatra izany, niantso ny rehetra ny tenany mba ho mailo amin’ny fifidianana ka nilazany fa tsy avela hisy hanodinkodina intsony ny safidy. “Efa nisy ny nangala-bato teo. Jereo tsara ny PV ka ampitahao raha mitovy eny amin’ny tabilao sy ny tatitra an-tsoratra. Handefa angidimby aty aho haka ny voka-pifidianana aty”, hoy ny kandidà Rajoelina. Randria L’article Kandidà Rajoelina tany Alaotra Mangoro: « Hamboarintsika ny lalam-pirenena RN 44 » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Impact Madagascar: tohanana ara-bola ireo polisin’ala sy rano

Laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana, toy ny iandraiketan’ny Impact Madagascar amina faritra maro. Tohanana ara-bola ireo polisin’ala sy polisin-drano mandalo fotoan-tsarotra, noho izao Covid-19 izao.Ahitana ny ezaka ataon’ny Impact Madagascar any amin’ny faritra misy ala sy mando :   Madiromirafy – Maevatanana (Betsiboka), Ankirihitra-Mariarano (Boeny) sy Mahajeby (Bongolava). Saingy noho ny fikatsoan’ny fizahantany aty Afrika sy Madagasikara, betsaka ny asa very mifandray amin’ny fiarovana ny zavaboary amin’ireo toerana ireo, noho ny faharavana hita. Tandindonin-doza ny asa fampandrosoana maharitra, tanjona faritan’ny Impact Madagascar.Ity Covid-19 ity izao no antony  tsy mampisy fidiram-bola avy amin’ny fizahantany any amin’ireo faritra ireo. Mihena, araka izany koa ny karaman’ireo polisin’ala sy polisin-drano, misy natsahatra amin’ny asany. Rava ao anatin’ny fotoana fohy ny ala sy ny zavaboary isan-karazany,  asa natao ampolo taona  maro.Anisan’ny mpikambana ao anatin’ny « Wildlife Ranger Challenge » ny Impact Madagascar, ahitana ireo mpiasa mpanara-maso ny anaty ala aty Afrika. Manangona tahirim-bola izany « Wildlife Ranger Challenge » izany ho fanohanana ireo polisin’ala anarivony ianjadian’ny voka-dratsin’ny valanaretina. Mahazo famatsiana avy amin’izany tahiry izany ireo mpiandry ala maherin’ny 60, miaro ny harena voajanahary tsy ho voatrandraka amin’ny tsy ara-dalàna sy potika. Misy hetsika manokana, ny 3 oktobra 2020, hanentanana firaisankina ho fanohanana azy ireo.Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharam-paritra momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, afaka mampitombo ny fanaraha-maso anatin’ny faritr’ala sy mando, 40 900 ha. Avy amin’izany asa fiarovana izany ny ahafahan’ireo polisin’ala miantoka ny filàn’ny fianakaviany sy manohana ny fiarahamonina misy azy ireo. R.MathieuL’article Impact Madagascar: tohanana ara-bola ireo polisin’ala sy rano a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Notsongaina

Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées)
18/06/2021

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notanterahinaandroany tamin’ny alalan’ny « visioconférence » izay notarihin’nyFiloham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy. Tapaka nandritra izany, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry nyFiarovam-pirenena, ny fanendrena ny Général de Division SAHIVELOLala Monja Delphin, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) Cet article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) a été récupéré chez Délire Madagascar.

Covid19: olona 2 maty, 15 ny tranga vaovao
15/06/2021

Ny alahady 13 jona teo, olona roa no matin’ny covid-19 ka ny iray tany Matsiatra Ambony ary ny iray tany Atsimo Atsinanana. Olona vaovao 15 tamin’ireo 470 nanaovana fitiliana kosa no mbola nahitana ny tsimokaretina. Teto Analamanga avokoa ny 10 tamin’ireo ary tany Matsiatra Ambony ny telo, tany Ihorombe ny roa. Nisy olona 25 sitrana soa aman-tsara.Na izany aza, mbola 95 ireo olona marary mafy eny amin’ny hopitaly vokatr’ity valanaretina covid-19 ity. Maharitra ela ny fitsaboana ny sasany tamin’izy ireo noho ny aretina mitaiza azy, izay mampanano sarotra ny fitsaboana rahateo.Tsikaritra fa efa nidina ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina, ankeitriny. Na izany aza, tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fiarovan-tena rehetra, indrindra amin’izao fisokafan’ny sehatr’asa rehetra izao.Mila hajaina fatratra ny elanelana iray metatra sy ny fanasana tanana matetika amin’ny savony, indrindra ny fitondrana arovava orona, izay miantoka ny fisorohana ny aretina. Tsy hadino ny fanaovana vaksiny mba tsy hahatonga ny tranga fahasarotana raha sanatria marary.Tatiana AL’article Covid19: olona 2 maty, 15 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Vaovaon’ny kitra : niverina any amin’ny kliobany ireo Barea
19/06/2021

Omaly zoma tamin’ny 11 ora antoandro no niverina namonjy ny kliobany tsirairay avy ireo mpilalaon’ny Barea, rehefa avy namonjy ny fampivondronana voalohany, notanterahina teto Madagasikara nandritra ny hafoloana. Niara-dalana tamin’izy ireo ihany koa Rabesandratana Eric sy ireo mpiara-miasa aminy. Araka ny fantatra, any amin’ ny volana aogositra indray vao hiditra amin’ny fampivondronana faharoa ny Barea. Mbola mijanona eto an-toe­rana kosa i Ibrahim Amada fa ny 29 jona izy vao hamonjy ny ekipa hilalaovany any Qua­tar.Lasa atsy La Réunion i Arnaud (Ya Ya) Araka ny vaovao hita ta­min’ny tambajotran-tsera­sera, omaly, lasa nihazo ny Nosy La Réunion, omaly zoma ihany koa Randrianantenaina Arnaud (Ya Ya). Hilalao ao amin’ny JS St Pierroise, ny tovolahy. Raha ny fantatra, herintaona azo havaozina ny faharetan’ izao filalaovany ao St Pierre, izany. Tsy mbola fantatra kosa ny tentim-bidin’izao fifindran-toeran’i Ya Ya, izao. Tsiahivina fa vao 20 taona i Arnaud, amin’izao fotoana izao, ary anisan’ireo lohalaharana mahay mamono baolina. Efa nandrafitra ny Barea de Madagascar U20, niatrika ny Cosafa tany Zambia, ny taona 2018 izy.TompondakaL’article Vaovaon’ny kitra : niverina any amin’ny kliobany ireo Barea a été récupéré chez Newsmada.

Ambodin’Isotry jiolahy iray nifanehatra tamin’ny polisin’ny Sag
15/06/2021

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisin’ny Sag teny Ambodin’Isotry, ny alahady teo noho ny fanaovana sinto-mahery ny jiolahy iray. Manoloana ny fahamaroan’ny olona mivezivezy sy ny firongatry ny harom-paosy eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny, nohamafisina manokana ny fiambenana eny an-toerana. Nisy ny paikady sy ny lamina manokana napetraky ny polisy mba hamongorana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany ny alahady maraina teo. Tratra tao anaty vela-pandriky ny polisy ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Teo am-panendahana olona no sady manambana antsilava izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Tsy afa-nihetsika intsony ity jiolahy ity. Nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra (BC4) Anosy izy. Nomarihin’ny polisy fa anisan’ireo mpanendaka efa fanta-daza eny Isotry sy ny manodidina ity jiolahy ity. Eo am-pikarohana ny namany ny polisy amin’izao fotoana izao.J.CL’article Ambodin’Isotry jiolahy iray nifanehatra tamin’ny polisin’ny Sag a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana
17/06/2021

Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Amerika, taranja baolina kitra, “Copa America”. Fihaonana efatra ny efa tontosa tamin’izany ka ny roa, tao amin’ny sokajy A ary ny roa, ho an’ny vondrona B. Raha hiverenana ny voka-dalao ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala 1 sy 1 i Arzantina sy i Chili ho an’ny vondrona B. Nahatafiditra ny baolina ho an-dry zareo Arzantin i Lionel Messi.3 no ho 1 kosa ny niondrehan’i Bolivia teo anatrehan’i Paragoay. Nilalao 10 ny Bolivianina, teo anatrehan’i Paragoay, rehefa nahazo karatra mena i Jaume Cuéllar, teo amin’ny minitra faha-45 + 9 mn. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao ireo, mitarika i Brezila sy i Kolombia, ao amin’ny sokajy A, samy manana isa 3. I Paragoay kosa ny lohany ho an’ny vondrona B, nahazo isa 3, arahin’i Arzantina amin’ny isa 1.Hitohy rahampitso zoma ny fifanintsanana ka hifandona i Kolombia sy i Venezoela ary hifanehatra kosa i Brezila sy i Perou.Tsiahivina fa 12 ireo firenena mifaninana amin’ity “Copa America” ity. I Brezila, i Kolombia, i Pérou, i Ekoatera, i Venezoela ao amin’ny vondrona A. i Paragoay, i Arzantina, i Chili, i Orogoay, i Bolivia kosa ny an’ny sokajy B. TompondakaL’article Kitra – “Copa America”: miala sasatra ireo ekipa rehetra mifaninana a été récupéré chez Newsmada.

FISEMA: tsy manam-bola ve ny fitondrana sa ny fandaminana no tsy lavorary ?
18/06/2021

Tsy mira zotra amin’ny fandaharanasan’ny governemanta amin’ny tetikasa lazaina manara-penitra ny fiainan’ny mpiasa malagasy mpamokatra, araka ny fanambaran’ny Fisema (Fivondronan’ny Sendika eto Madagasikara).  Tsy misy tsy mikaikaika ny rehetra manoloana ny fahefa-mividy mitotongana. Tsy maharakotra ny filana fotra intsony, toy ny sakafo, ny fitafiana, ny fianaran’ny mpianatra, indrindra raha sanatria marary ny fidiram-bola isan-tokantrano.Mitombo hatrany ireo mpiasa tsy mandray karama feno, na efa amam-bolana maro tsy mandray karama, na very asa mihitsy. Hita izany any amin’ireo orinasam-panjakanana, ireo sampan-draharaha sahanin’ny fanjakana, toy ny mahazo ny mpiasan’ny oniversite, kaominina maromaro manerana ny Nosy, tambin-karaman’ny mpampianatra Fram, sns. Misy ihany koa ireo tokony handray fisotroan-dronono nefa mbola tsy misitraka izany, noho tsy fahaloavan’ireo sampan-draharaha niasany ny latsakemboka.Mampametra-panontaniana izany rehetra izany, hoe tsy manam-bola ve ny fitondrana sa ny fandaminana no tsy lavorary? Mijaly ny mpiasa, efa latsaka anaty fahantrana lalina. Manampy trotraka, hoy ny Fisema, ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa ataon’ireo mpampiasa sasany. Mandry tsy lavoloha ny ankamaroan’ny olona na antanàn-dehibe na any ambanivohitra noho ny tsy fandriampahalemana, ny tebiteby manoloana ny aretina Covid-19, sy ny vesatry ny fahantrana.Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny OIT (Organisation Internationale du Travail) nisy fanambarana nataony ny volana jona 2019, tamin’ny faha-100 taonany momba ny ho avin’ny Asa, ary koa fanambarana natao tany Abidjan, mametraka ny mpiasa ho ivon’ny fampandrosoana. R.MathieuL’article FISEMA: tsy manam-bola ve ny fitondrana sa ny fandaminana no tsy lavorary ? a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra
17/06/2021

Tsy milamina ny tontolon’ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana tato anatin’ny andro maromaro. Vatsim-pianarana tsy voaloa ny fototry ny olana sy ny fitakiana miafara amin’ny fifanandrinana amin’ny mpitandro filaminana.Taorian’ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato-Fianarantsoa, omaly maraina, noho ny fitakiana vatsim-pianarana dimy volana, mpianatra roa, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Degs, sy ny filoha leftra, no voasambotra tao anatin’ny hetsika. Niraisan’ny lalam-piofanana rehetra ny fitakiana ka niato ny fampianarana ho an’ny mpianatra sasany fa nitohy kosa ny fanantanterahana ny fanadinana ho an’ireo miatrika izany, toy ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo. Nanapa-kevitra hampiato ny fanadinana manomboka anio ny tomponandraikitra noho ny toe-draharaha misy eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa.Nisy nanimba ny fitaovana tao amin’ny CTCNanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina omaly no nandoro kodiarana nanoloana ny « barrière » eo amin’ny fiadidiana ny oniversiten’i Fianarantsoa ny mpianatra nanao fitakiana ny vatsim-pianarana. Nitaona mpianatra namana hafa teny anivon’ny toeram-pianarana ny mpitarika nanatevina ny hetsika ary nanao sakana teny amin’ny tetezana Antanifotsy sy nandoro kodiarana indray, araka ny fanazavan’ny mpanao gazety nanatri-maso ny zava-nisy tany an-toerana. Raikitra teo ny fifanjevoana ary nisy ny fandefasana grenady lakrimozena nandravana ny fitokonona. Rehefa voasambotra ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, nihemotra ny mpitokona ka noravana ny hetsika. Ny tapak’andro hariva, nitohy tamin’ny fanimbana fitaovana tao anatin’ny CTC eo anivon’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo ny hetsika. “Tsy fantatra mazava aloha hatramin’izao ireo nitarika ny fanimbana fa raikitra ny savorovoro”, hoy ny loharanom-baovao. Efa navotsotry ny mpitandro filaminana, omaly hariva, ihany ireo mpianatra roa voasambotra ny maraina.Minisiteran’ny Fampianarana ambonyEo am-pikarakarana ny vatsim-pianarana volana fahafitoManoloana ny hetsika mafampana fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversite tany Mahajanga sy tany Toliara ary tany Fianarantsoa, nanao fanambarana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Assoumacou Elia, omaly. Efa nisy ny fivoriana niarahana amin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena ary ny minisitry ny Fampianarana ambony nijerena manokana ity raharaha ity, ny talata hariva lasa teo.Voalazany fa eo am-panatanterahana ny famoahana hatramin’ny volana fahafito ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ny fitondram-panjakana. Ireo tara tsy mbola nandray ny volana voalohany noho ny fihibohana, handray izany miaraka amin’ny fampitaovana. Hampifanarahina amin’ny famitana ny taom-pianarana kosa ny fandoavana ny volana fahavalo sy fahasivy. Manentana ny mpianatra ho tony ny minisitra mpiahy satria handray avokoa ny vatsim-pianarana feno izay voakasik’izany. Momba ny karaman’ny mpandraharaha eny anivon’ny oniversite, efa manao ny ezaka ny fanjakana handefa ny karama mialoha ny fetim-pirenena.Vonjy A.L’article Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation
15/06/2021

Quinze nouveaux cas de Covid-19 le 13 juin 2021. Le nombre de nouvelles contaminations en 24 heures est descendu en dessous de la vingtaine dimanche dernier. Une confirmation de la courbe descendante qui se poursuit depuis plus d’un mois. Les 15 nouveaux cas de dimanche dernier ont été enregistrés parmi 470 tests, soit un taux de positivité de 3,19%. Ils sont localisés dans trois régions : Analamanga qui compte 10 cas, Haute Matsiatra en compte 3 et Ihorombe en compte 2. Pour Analamanga en particulier, les 10 cas ont été enregistrés dans trois districts : Tana Ville 7 ; Ambohidratrimo 2 et Andramasina 1. Quant aux cas graves, leur nombre semble être en stagnation depuis plusieurs jours, mais reste en dessous de la barre des 100. Au jour du 13 juin, il a été enregistré 95 patients présentant une forme grave de la maladie sur l’ensemble de l’île. Au niveau des décès, on notera qu’Analamanga n’en comptait aucun dimanche dernier. Les 2 décès enregistrés à cette date sont localisés dans deux régions, à savoir la Haute Matsiatra et l’Atsinanana, lesquelles comptent chacune un décès. Le décompte officiel indique actuellement 889 décès liés à la Covid-19 à Madagascar depuis le début de l’épidémie dans le pays en mars 2020. Au chapitre des guérisons, 25 patients ont été déclarés guéris le 13 juin. Et enfin les données récapitulatives, montrant à la date du 13 juin un cumul de 41 948 cas confirmés sur un total de 209 522 tests effectués depuis mars 2020. Le nombre total des guérisons est de 41 343. Hanitra R. L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation a été récupéré chez Midi Madagasikara.

REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure
15/06/2021

Tout en luttant contre le Covid-19 depuis mars 2020, l’équipe du Gouverneur Tovondrainy Edally a poursuivi son plan pour le développement de la RAA. «RAA Zone blanche » certainement, si on se réfère aux résultats obtenus, car on ne peut travailler sous les feux des pillards. Un bilan, somme toute largement positif, égrené par le gouverneur de la Région Atsimo Andrefana devant plusieurs journalistes de radio, télévision et presse écrite de Tuléar le 10 Juin dernier. Tous les secteurs ont porté des changements, un véritable marathon de performance, en veillant particulièrement à l’économie rurale et à la pêche, tout en préservant l’environnement et protégeant la biodiversité, touchant les 9 districts de la Région. Construction ou réhabilitation de 30 km de canaux d’irrigation, dont 12 km à Bevava et le reste dans le district de Morombe. Des routes en pavé ou terrassement, un peu partout, à Ankazoabo ou Betioky et Tuléar, évidemment, sauf la rue qui mène vers le gouvernorat. La RN9 qui conduit vers le Nord de Tuléar est déjà goudronné jusqu’à Analamisampy (107km). Elle se poursuit vers Morondava, traversant le plus long pont de Madagascar, 900m, enjambant la rivière Bevoay, en passant par Manja. L’éclairage rural gagne du terrain et arrive à Beroroha, à la grande satisfaction des habitants. Un barrage à Ampanihy pour maîtriser l’eau et promouvoir la riziculture. Mais, c’est l’enseignement qui a engagé le plus d’investissement. « Ce qui est normal », dit un vieux professeur. « La province de Tuléar reste toujours la plus analphabète de toutes». 117 salles de classe dont 105 EPP, des Centres d’Enseignement Général, des Lycées et des Centres de Formations Professionnelles (2 680 bénéficiaires de formation en pâtisserie et pisciculture). La jeunesse et le sport n’ont pas été négligés, puisque la Cité du Soleil a bénéficié d’une piscine olympique, en cours. Le Stade de Me Kira entièrement rénové, tapissé de gazon artificiel, sans oublier un gymnase de 4 000 places. Tandis que Sakaraha et Ampanihy ont obtenu des gymnases de 1 000 places. La RAA abrite plusieurs zones enclavées. Des villages absolument inaccessibles, sans l’intervention des nouvelles techniques de communications (NTIC), dans les districts d’Ampanihy, Betioky, de Sakaraha et d’Ankazoabo, utilisation de l’internet et de téléphone travaillant avec un satellite (Vsat à Beroroha) ce qui permet d’appeler du secours en cas d’attaque de brigands de grand chemin. Mais qui dit NTIC, dit aussi panneaux solaires, surtout que la RAA ne manque pas de soleil. Grâce à la vulgarisation des Smartphones, certains maires de ces localités ont installé des HotSpots qui permettent aux jeunes de se connecter gratuitement et de se communiquer entre eux. L’Hôtel de Ville de Tuléar permet aussi de se connecter gratuitement à un service de wifi. Pour la première fois, les tuléarois ont vu s’ériger du sable, un grand Bazar à étage, avec deux bâtiments reliés par une passerelle. Une paix entraîne en une autre. Le vol de zébus a diminué fortement grâce au Dinabe (convention entre communautés de plusieurs localités). En effet, après plusieurs attaques aux textes du Dinabe original, l’équipe de Tovondrainy Edally a apporté une amélioration, en admettant « un conseil des sages », pour réfréner les zèles profiteurs, c’est ce qui manquait pour une meilleure harmonie et une paix sociale chez les éleveurs et possesseurs de milliers de bovidés. D’où la renommée de la RAA de « Zone blanche », que les autres Régions jalousent silencieusement. Charles RAZA L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article REGION ATSIMO ANDREFANA : Le gouverneur Tovondrainy Edally rassure a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Loka Orange 2020 : nankasitrahana ny orinasa mendrika 10
19/06/2021

Natolotry ny orinasa Orange Madagasikara, omaly, ny loka ho an’ireo orinasa malagasy mendrika tamin’ny lafiny fandraharahana miompana amin’ny sosialy, ny “Prix Orange de l’Entrepreneur social 2020” aty Afrika sy Moyen Orient.Ho an’ny eto Madagasi­kara, nanohana ny Orange Mada­gasikara ny Rafitra manohana ny orinasa hampiasa vola eto Madagasikara (EDBM). Niisa 40 ny nandray anjara ka 10 no nomena loka. Nahazo ny voalohany, ny Andao Share, vovonana manohana ara-bola, mampifandray amin’ny ala­lan’ny internety ny mpanome fanomezana sy ny fikamba­nana manana tetikasa sosialy. Faharoa, ny Healthia, misa­hana fanamboarana kaody (code) informatika, amin’ny alalan’ny teknolojia internet block Chain. Fahatelo, ny Map­wess, vovonana mampifandray ny mpianatra afrikanina sy ny oniversite any ivelany amin’ny internety, manamora izay safidy tiany avy. Loka fahefatra, natokana ho an’ny vehivavy, nomena ny Alt Soap, mamokatra savony avy amin’ny akora efa niasa nahodina, zaraina ny olona marefo sy ny fikambanam-behivavy. Fahefatra, ny loka manokana coup de Coeur Covid-19, azon’ny Rem’aide, mikirakira fampiasana ny finday (application) ho an’ny olona te hahalala ny toe-pahasalamany sy manampy ny mpiasan’ny fahasalamana handamina ny fomba fiasany. Nanolotra ny loka ny tale jeneralin’ny Orange Madaga­si­kara, i Michel Degland sy ny tale jeneralin’ny EDBM, Ravalomanda Andry.Njaka A.L’article Loka Orange 2020 : nankasitrahana ny orinasa mendrika 10 a été récupéré chez Newsmada.

ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy
20/06/2021

Manana ny mampiavaka azy ny POESAM 2020. Notanterahina  ny  18 jona 2021 teny Ankorondrano ny fizarana ny amboara sy ny loka ho an’ireo tetikasa malagasy mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy mendrika  indrindra  ka nandray anjara tamin’ny fifaninanana POESAM (Prix  Orange  de l’Entrepreneur Social  en Afrique et  Moyen-Orient ), taona 2020. Tetikasa 12 tamin’ireo 40 nandray anjara no voasafidy tamin’ity fifaninanana ity ho an’ny eto an-toerana. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny firenena afrikana ireo tetikasa malagasy telo voalohany.  Nandrombaka ny loka voalohany ny tetikasa Andao Share. Tetikasa mampifandray  ireo mpamatsy vola sy  ireo  fikambanana manana tetikasa ho fampiroboroboana ny vehivavy, ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara  izy ity. Ny tetikasa  Healthea, mifototra amin’ny fanomezana pasipaoro ara-pahasalamana  amin’ny alalan’ny fampiasana ny QR code apetaka amin’ny karatra na “bracelet”  sy  “plateforme en ligne”  no nahazo ny  loka faharoa. Natolotra ny tompon’ny  tetikasa Mapwess  ny loka fahatelo.”Plateforme en ligne” mampifandray ny mpianatra sy ireo oniversite any ivelany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia vaovao izy ity.Ny fanamorana ny fisafidianana ny anjerimanontolo sy dingana arahina no tanjona eto. Anisany  nampiavaka ny  POESAM 2020 teto amintsika ny ny fanomezana loka ho an’ny tetikasa mifandraika amin’ny Covid-19. Ny tetikasa Rem’Aide, “application mobile” manampy ny marary amin’ny fitadiavana vaovao momba ny toe-pahasalamany sy  manampy ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fitantanana sy fandrindrana ny asany no nahazo izany loka izany. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny loka natokana ho an’ny sokajy vehivavy ka ny tetikasa Alt Soap no nahazo ny amboara.  Tetikasa miompana amin’ny famokarana savony  ary ho zaraina amin’ireo marefo, indrindra ireo fikambanam-behivavy  izy ity. Aorian’izao dia hahazo tohana hampiroboroboana ny tetikasany ireo nahazo loka ireo. Nanatevin-daharana amin’ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny Orange Madagasikara hanampy amin’ny fanosehana ireo tetikasa hiroborobo ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar).Marihina fa feno 10 taona no nikarakaran’ny Orange Madagascar ity fifaninanana manohana ireo  tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy ity. Ra-Nirina Cet article ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ORANGE MADAGASCAR: Feno 10 taona nanohanana ireo tetikasa mampiasa ny fanavaozana ara-tsosialy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée
19/06/2021

Les efforts pour le rétablissement de la sécurité et de la paix dans tout le territoire se renforcent au niveau des forces de l’ordre. Dans cette action, une cérémonie militaire dédiée à la dotation d’armes effectuée par l’Armée Malgache à la Police nationale a été tenue hier dans la matinée au camp du Capsat à Soanierana. Décidé récemment en conseil des Ministres, cette cession d’armes porte sur 500 Fusils MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs. En recevant cette dotation, le Ministre de la Sécurité publique, le Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rafanomezantsoa a rappelé que la restauration de la paix et de la sécurité  constitue le « Vina n°1 » du Président de la République Andry Rajoelina. Pour atteindre cet objectif, les forces de l’ordre doivent faire preuve de collaboration et de fraternité. D’après lui, ces deux principes sont actuellement vérifiés par cette remise de matériels. Il a rappelé que l’année dernière, la gendarmerie a déjà fait le même geste à la police. Mais en ce qui concerne particulièrement la police, la réception de ces armes la permet d’équiper les commissariats et les postes de polices nouvellement construits dans les régions surtout dans les zones rouges. C’est exactement l’objectif du donateur comme il a été dit par le Ministre de la Défense nationale, Général de Corps d’armée Richard Rakotonirina lors de sa prise de parole. « Que cela permette  le rapprochement entre les forces de l’ordre et la population et que les policiers assument leur travail avec quiétude. Dans leurs discours, les deux ministres ont tous manifesté leur souhait de voir la fête de l’indépendance se dérouler dans le calme et sans aucun incident malgré la multiplication des actes de déstabilisation depuis ces derniers temps. Le Secrétaire d’Etat chargé de la gendarmerie, le commandant de la gendarmerie nationale (Comgn), et le directeur général de la Police nationale (Dgpn) étaient présents à cette cérémonie. La convention portant sur cette cession d’armes a été signée par le Cmgn et le Dgpn. T.M. L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée a été récupéré chez Midi Madagasikara.