Hafatry ny papa Fransoa ho an’ireo pretra: “Ilaina ny saina sy fo misokatra ary ny fiaraha-miasa…”

News - Hafatry ny papa Fransoa ho an’ireo pretra: “Ilaina ny saina sy fo misokatra ary ny fiaraha-miasa…”

News - Hafatry ny papa Fransoa ho an’ireo pretra: “Ilaina ny saina sy fo misokatra ary ny fiaraha-miasa…”

Notanterahina tetsy amin’ny
fiangonana katolika Antanimena, omaly, ny fanavaozana ny
tokim-panompoana ataon’ny pretra, eto anivon’ny
arsidiosezin’Antananarivo. Nivoitra tamin’ny teny fampianarana
nentin’ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon, tamin’izany, ny
voalazan’ny Soratra Masina. “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka
handray ny Hazofijaliana ka hanaraka ahy”, hoy izy. Nanteriny
fa tsy fahazarana ny fanavaozana ny tokim-panompoana tahaka izao.
Fikoloana ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra.
“Nametraka fanamby ho an’ny pretra sy ny olom-boatokana ny papa
Fransoa: saina sy fo misokatra, fifanakalozan-kevitra,
fiaraha-miasa, fitandrovana ny tontolo iainana”, hoy ihany
izy. Notsiahivina tamin’izany fa fakan-tahaka Rasoamanarivo
Victoire sy i Masina Maria. Marihina fa maherin’ny 200 ireo pretra
avy eto anivon’ny arsidiosezin’Antananarivo nanavao ny
tokim-panompoana. Tokony ho natao tamin’ny alakamisy Masina,
nialoha ny fetin’ny Paka teo, izany, araka ny efa fanao, saingy
izao nahemotra izao noho ny fihanaky ny valanaretina Covid-19.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Hafatry ny papa Fransoa ho an’ireo pretra: “Ilaina ny saina sy fo misokatra ary ny fiaraha-miasa…” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fampielezan-kevitry ny K25 : Fihaonambe eny Atsimondrano sy Avaradrano anio

Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitra tanterahin’ i Marc Ravalomanana amin’ ny alalan’ny KMMR, ka hisy ny fihaonambe amin’ ny mponina Avaradrano sy Atsimondrano anio. Kaomina telo, Tanjombato, Itaosy ary Sabotsy Namehana no handray ny hetsika lehibe androany. Fotoana iray hampisehoan’ny mponina eny an-toerana sady mpomban’i Marc Ravalomanana ny heriny, ity “rodobe K25” ity. Mandritra io fihaonana io, dia hisy ny toromarika omen’ny kandidà Marc Ravalomanana ireo mpomba azy, amin’ ity fifidianana fihodinana faharoa ity. Marihina fa nahazo vato betsaka indrindra ny kandida laharana faha-25, tamin’ ireto distrika ireto. Toromarika lehibe izay entin’i Marc Ravalomanana amin’ ireo mpomba azy eny amin’ny distrikan’Avaradrano sy Atsimondrano, ny fanentanana ireo mpifidy tsy nanefa ny adidiny tamin’ ny fihodinana voalohany. Eo ihany koa ireo izay voasoratra anarana anatin’ny lisi-pifidianana, nefa tsy naka ny karany. Araka ny efa fanazavan’ny kandidà Marc Ravalomanana hatrany, ny fanentanana izay atao dia tombony ho an’ ny firenena haha marin-toerana ny kandidà lany, ary mampandany ny kandidà laharana faha-25. Tsara ny manamarika fa ny fitambaran’ireo distrika roa ireo dia ahitana mpifidy hatrany amin’ ny 570 000, izany hoe 30% ny mpifidy eto amin’ ny faritra Analamanga. Izany hoe tsy azo tsinontsinoavina ity fotoana anio ity, mba hahazoana fandresena eto amin’ny faritra Analamanga, izay ahitana mpifidy hatrany amin’ ny roa Tapitrisa. Tafiditra anatin’ny fampielezan-kevitra tanterahin’ i Marc Ravalomanana ihany omaly, ny fidinany sy ny firesahany tamin’ ireo mponina teny amin’ny fokontany Antsalovana teny amin’ ny boriborintany voalohany. Tamin’ izany no nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana fanampiana tahaka ny fitaovana fampiasa andavanandro ho an’ny mponina. Noho izany dia tokantrano hatrany amin’ny 940 no nahazo tombony tamin’ny fanampiana, izay marihina fa ny hetsika dia mbola hitohy amina fokontany hafa. Iratra Raitra L’article Fampielezan-kevitry ny K25 : Fihaonambe eny Atsimondrano sy Avaradrano anio est apparu en premier sur .L’article Fampielezan-kevitry ny K25 : Fihaonambe eny Atsimondrano sy Avaradrano anio a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina

Hiankina betsaka amin’ny feon’ny fieritreretan’ireo filohana ligy miisa 22, ny ho avin’ny baolina kitra malagasy. Ny tsikaritra, misy ireo mpitantana ligy sasany, tsy manana hazon-damosina, ka zary manara-drenirano fotsiny. Tsy mijoro amin’ny tena heviny fa izay alehan’ny sasany, handehanany. Ny hafa indray, sady mahay atsy no mahay aroa, izany hoe : tsy te ho ratsy amin’ireo kandidà. Toa lasa feno fihatsarambelatsihy, ny fihetsik’izy ireo.Raha ny lojika, tokony ho ligy fito sisa no hiadian’ireo kandidà dimy mifaninana satria ny kandidà tsirairay avy, efa samy nahazo filohana ligy telo avy, tamin’ny alalan’ny fanomezana “caution”. Araka ny heno anefa, “caution” fotsiny no nataon’izy ireo fa tsy hifidy io kandidà io. Toe-javatra mampihomehy sady mahamenatra, ny fomba toa izany raha toa ka tena mitombina. Ny latsa-bato miafina no hilaza, ny marina mikasika azy ireo. Tsiahivina fa hanomboka anio, ny “5 mn n’ny stade”, hanaovana ny fampielezan-kevitra, ao amin’ny RNM, ho an’ny kandidà tsirairay. Hisantatra izany, Rabekoto Raoul, arahin’i Mohamad Abdillah, ny talata ho avy izao ary Andriamiasasoa Doda, ny alarobia. Rasoamaromaka Hery, ny alakamisy ary Rakotomamonjy Neypatraiky, ny zoma. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mamitiana: ampiasainy amin’ny asa fitoriana ny talentany

Vao teo amin’ny faha-12 taonany i Mamitiana no efa niditra ho mpikambana teo anivon’ny antoko mpihiran’ny Fiangonana Loterana Malagasy, tany Sakaraha. Io dingana voalohany io ihany koa no azo lazaina ho toy ny loharano nentin’ity mpitory Filazantsara an-kira ity nanovozana ireo fahalalana fototra takin’ny fikirakirana ny hira sy mozika, izay nataony vatsy sarobidy ho fanatanterahana ny asa fitoriana an-kira imatesany isan’andro vaky.« Iraka avy amin’Andriamanitra no nahatonga ahy tsy hiroaroa saina ampiasa manontolo ny talentako ho amin’ny asa fitoriana, fiderana, fiankohofana ary fijoroana vavolombelona amin’ny mahatsara ny Tompo », hoy i Mamitiana. « Mandehana mitoria ny filazantsara… », io andalan-tenin’ny soratra masina io rahateo no norasiny ho teny manentana azy mandrakariva. Ho fanamorana ny fanatanterahana izany ho an’ny olona tsy ankanavaka no nahatonga an’i Mamitiana hamolaka gadona maroloko. Ampahany amin’izany ny bagasy, ny hiragasy, ny slow, ny techno, ny rock, sns.An-dalam-piketrehana ny kapila mangirana laharana voalohanyMahafehy ihany koa ny tenim-paritra maro manerana ny Nosy, ankoatra ny Malagasy ofisialy i Mamitiana. Tombon-dahiny hatrany ho azy amin’ny fanapariahana ny Filazantsara eran’ny vazantany efatra izany. Manan-talenta amin’ny famoronana tononkira notakarina avy ao anatin’ny Baiboly rahateo izy. Ampahany amin’ireo vazo mitaiza fanahy efa voajarin’i Mamitiana ny « Malalany aho », « Misaora an’i Jehovah »… Efa vita rindran-tsary kosa ny « Tsisy miala eo », izay narindra amin’ny gadona « techno » sahaza ireo tanora ankehitriny.An-dalam-piketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany ho azy, ankehitriny i Mamitiana sy ireo mpitendry zavamaneno dimy sy mpanao feo lafika efatra mpiara-miasa aminy. Mandray tsikera hanatsarana ny zava-bita izy ary misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa hanabeazam-boho hatrany ny asa fitoriana ataony.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ankoatra an’i Mamitiana, mandray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny asa fitoriana ihany koa i Prisca, zanany vavy. Izy mianakavy, izay samy resy lahatra fa tsara raha ampiasaina ho amin’ny fiderana sy fitoriana Filazantsara ny talenta avy amin-Janahary.HaRy RazafindrakotoL’article Mamitiana: ampiasainy amin’ny asa fitoriana ny talentany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody

Renivohitry ny atody ny any Mahitsy sy ny manodidina. Tsy mbola araka ny tokony ho izy anefa ny fanangonana ny tamberim-bidy avy amin’ny varotra atody, araka ny notaterin’ny ben’ny Tanàna Mahitsy an-tampon-tanàna, Rakotovao Andriambololona. Dinidinika.Taratra (-): Manao ahoana ny famokarana atody any Mahitsy?Rakotovao Andriambololona (*): Miroborobo sady mampandroso ny tanàna ny famokarana atody, anisan’ny mampalaza an’i Mahitsy sy ny manodidina. Vokarina eto amin’ny kaominina Mahitsy sy ny kaominina manodidina, toy ny any Antanetibe Mahazaza ny 30 hatramin’ny 40%-n’ny atody vokarina eto Madagasikara mamatsy ny tsena. Raha ny eto Mahitsy, manodidina ny 20.000 isan’andro ny atody mivoaka, mankany an-dRenivohitra sy any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Mahatratra anetsiny isan’andro izany raha miaraka amin’ny kaominina Mahazaza. Hakana tamberim-bidy 1 Ar isaky ny atody, araka ny fanapahan’ny filankevitra monisipaly.Manodidina ny 200.000 Ar hatramin’ny 250.000 Ar isan-taona ny tamberim-bidy azo avy amin’ny atody miditra ao amin’ny kaominina.-Tsy kely loatra ve izany vola izany?*Tsy tena araka ny tokony ho izy tokoa izany. Tena mandoa ny ampahany betsaka amin’io ny mpiompy vaventy na salantsalany, manana akoho manatody lava mihoatra ny 2.000, fa tsy mandoa ireo mpiompy tena madinika. Misy koa tsy hitanay ny atody mivoaka na miezaka manara-maso ihany izahay. Raha ny vinavina ao anatin’ny tetibolan’ny kaominina (budget primitif), tokony ho any  amin’ny 500.000 Ar hatramin’ny 600.000 Ar ny tamberim-bidy ho azo.Saingy tsy ampy ny isan’ny mpiasa tokony hanangona ny hetra na ny tamberim-bidy nefa manodidina ny 200 ny orinasa sy/na mpandraharaha eto Mahitsy. Ny polisy kaominaly aza, telo monja ny isany. Soa, fa manampy betsaka amin’ny asa sosialy ireo orinasa na mpandraharaha ireo.-Ary manao ahoana ilay “Lalan’ny atody”?*Nanomboka ny jolay 2018 ny fanamboarana ity lalana ity, mampitohy an’i Mahitsy sy Mahazaza, mirefy 13 km. Efa vita hatrany amin’ny 40% ny asa ary tokony ho vita afaka roa volana (amin’ny volana oktobra). Raitra tokoa ity lalam-baovao ity satria atao godirao ary ahitana arabe (voie) ahafahan’ny fiara roa na telo mivezivezy.Nangonin’i Njaka AndriantefiarinesyL’article Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Run: nodimandry i Yves filohan’ny PSA

Tsy ampy iray volana ny nahalasanan’Andrianafetra Faly (Le Roi Lion), teo amin’ny rallye, misaona ihany koa ny tontolon’ny Run eto Madagasikara. Nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy 22 aogositra lasa teo mantsy Rakotondramoma Mbolofitia Yves, fantatry ny rehetra amin’ny hoe Yves Rakou, filohan’ny fikambanana mpankafy ny Peugeot Sport Automobile (PSA). Araka ny vaovao voaray, lozam-pifamoivoizana tamin’ny moto no nahafaty azy. Raha tsiahivina, anisan’ireo “co-pilote”-n’i Bera, Itompokolahy ary efa tompondakan’i Madagasikara, tamin’izany, ny taona 2013, ho an’ny sokajy M-10 teo amin’ny rallye. Efa tompondaka ihany koa teo amin’ny Run. Ankoatra izay, anisan’ireo mpikarakara ny fifaninanam-pirenena amin’ny Run ny tenany, miaraka amin’ny klioba Asacm, izay misy azy. 33 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Namela mananontena sy kamboty mirahavavikely Itompokolahy. Rahampitso alarobia no halevina any Mahitsy i Yves Rakou. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny Run ny Gazety Taratra. Torcelin L’article Run: nodimandry i Yves filohan’ny PSA a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa

Tombantombana no betsaka momba ny antontanisa eto Madagasikara. Tsy misy tarehimarika azo antoka, na ny isan’ny mponina aza. Koa raha tiana ny hampandroso ny toekarena, tsy maintsy ilaina ny antontanisa hamaritana ny tokony hatao. “Ny antontanisa no fototra iaingana eo amin’ny toekarena, nefa ny zava-misy samy manao fanadihadiana izay tandrify azy ny rehetra, minisitera sy sampandraharaha samihafa, ka tsy mety izay. Noho izany, mila arindra ny asa rehetra momba ny antontanisa, araka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat*, Romalahy Isoara Zefania.Rehefa samy mamoaka antontanisa ny rehetra, sarotra ny ahafantarana ny tena marina, lasa tombantombana no betsaka. Mahakasika ny isan’ny mponina, ohatra, firy marina, 20, 23, 25 tapitrisa ? Tsy misy afaka manamarina izany. Koa nampahatsiahy ny lalàna vaovao, navoaka ny taona 2018, ny ao amin’ny Instat ny tokony hanomezana Tahiry manokana hiasana ho an’ny fitrandrahana antontanisa (FDS)*.Mila volabe ny fanaovana antontanisa, indrindra fa midadasika i Madagasikara, sarotra ny lalana fandehanana any amin’ny faritra maro sy fitaovana hoenti-miasa ho amin’izany. Fanangonana antontanisa tsy ataotao foana “1+1”, ohatra, fa mitaky teknika sy kajy samihafa hoenti-manatanteraka azy. Noho izany, ilaina ihany koa ny olona manampahaizana momba izany amin’izao andron’ny fivoaran’ny teknolojia izao.“Hatramin’izay, miankin-doha…”“Hatramin’izay miankin-doha amin’ny hafa momba ny famatsiam-bola ny Instat vao afaka manao ny asany, nefa miteraka lesoka lehibe izany raha mbola izay hatrany ny fomba fiasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat. Mahaleotena afaka miasa tsara ny Instat rehefa manana io tetibolany io. Miainga avy amin’izany ny amoahana isaky ny roa na telo taona ny tahan’ny tsy fananan’asa, tahan’ny fahantrana, sns … Ahafahana mamaritra tetikasa mazava sy tetibola mifanaraka amin’izany ny fahalalana ireo. Hatramin’izay anefa ny Instat, sampana iray ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. R.Mathieu Instat* : Institut national de la statistiqueFDS* : Fond de développement de la statistiqueL’article Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany

Nampahafantarina, omaly, ny dingana vita momba ny fanamboaran-dalana « rocade Atsinanana sy Avaratra Atsinanana » mampifandray ny RN2, RN3, sy ny afovoan-tanàna. « Lavitrezaka ny famolavolana io tetikasa io, 10 taona any ho any, vao hanomboka ny asa fanatanterahana azy. Koa ela loatra raha hiandrasana 10 taona avokoa ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana, ka tokony hojerena izay hanafainganana azy », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, fanajariana ny tany sy trano fonenanana, Andrianainarivelo Hajo.Iaraha-mahita sy miaina ny eto an-dRenivohitra noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana, mampikatso ny toekarena, hatrany amin’ny fahasalamana, misy fiantraikany. Izay nampiteraka izao tetikasa izao mampifandray ireo lalam-pirenena ireo, misy zotra efatra (roa ankilany avy). 35 % ankehitriny ny fandrosoan’ny asa, heverina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2021, raha natomboka tamin’ny mey 2018.Matoa tonga amin’izao dingana izao anefa, isaorana lehibe ny fokonolona voakasika tamin’izany, nanaiky ny hanaovana ny asa, nefa mbola tsy naharay onitra tamin’izay fananany  noravana, trano na tany … Mikasika indrindra momba izay onitra izay ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana sy ny fokonolona voakasika amin’ity tetikasa ity. Anjaran’ny fanjakana rahateo ny miantoka ny onitra, nanokanana tetibola 20 miliara Ar. Efa navoaka ny 55 % amin’izany vola izany, ka ny ampahany be indrindra nomena ireo rava trano, very asa fivelomana.Mbola betsaka ny tsy nahazo onitraAnjatony maro ireo antontan-taratasy mandalo ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany sy fanasintahana. Mbola betsaka ny tsy nahazo onitra. Nisy fotoana, 2017 -2018, natsahatra izay fandoavana onitra izay, niverenana nanaovana fanadihadiana izay vola tena  onerana. Tsy ilaozan’ny kolikoly sy fanaovana taratasy hosoka io fangatahana onitra io ; ao ny manitatra ny velaran-taniny ; ary misy aza tsy manana fa mamorona, iraisana tsikombakomba amina tompon’andraikitra sasany. Nandritra io fotoana io koa, nandraisana ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana momba ireo olana mbola tsy voavaha : rano tsy tafavoaka, lalan’ny mpandeha tongotra tapaka, faritra, sns. R.MathieuHalavan’ny lalana : 8,250 kmZotra : 4 ( 2 ankilany avy)Tetezana : 2Fiandrasana taxibe : 20Fotodrafitrasa ho an’ny fokonolona : 33Tetibidin’ny asa : 60 tapitrisa eurosMpamatsy vola : AFD, UE, BEI, Fanjakana malagasy L’article Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dodo Bonimenteur: an-dalana ny fanomanana ny boky angano faha-30

Manosika sy mampiroborobo ny vaky boky, dieny mbola kely ny zaza, ny trano fanontana Dodo Vole. Natao ho azy ireo indrindra ny boky angano, Dodo Bonimenteur, ahitana kisarisary nataon’ny ankizy toa azy. Hivoaka amin’ny fiandohan’ny taona 2020 ny andiany faha-30 amin’izany boky izany.Any Andilana Nosy-be, amin’izao fotoana izao, ry Johary Ravaloson sy ny ekipa avy amin’ny trano fanontana Dodo Vole, manomana ny boky angano faha-30, ao anatin’ny tetikasa Dodo Bonimenteur. Ny ankizy mpianatra amin’ny kilasy CE2 sy CM1, ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Utopiks Loustiks, no nofidin’izy ireo handray anjara amin’ny fitantarana an-tsary ny angano, ao anatin’ity boky vaovao ity.Araka ny safidin’ireo ankizy àry, ny tantaran’Itrimobe no hatao. Etsy andaniny, handray anjara amin’ity boky ity koa ny mpianatra amin’ny Collège de Guillers, any Finistère-Bretagne. Hamenoan’izy ireo ny boky ny angano “Breton” iray, mitantara bibiolona, antsoina hoe Goulaffre. Amin’ny volana septambra kosa no hihazo ity toerana iray, any Frantsa ity, ny ekipa avy amin’ny Dodo Vole.Araka ny fanazavan’i Johary Ravaloson, mpanoratra sy tompon’andraikitra ao amin’ity trano fanontam-boky ity, hivoaka amin’ny voalohan’ny taona 2020 ny boky angano. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra Diana sy Finistère, ny sekoly Utopiks Loustiks, ny Collège de Guillers ary ny Dodo Vole izany.Raha tsiahivina, angano raiketina an-tsoratra sy atao an-tsary ny boky Dodo Bonimenteur. Mampifandray kilasy eto Madagasikara sy any Frantsa ny tetikasa ary efa maro ny ankizy malagasy nandray anjara tamin’ireo  boky miisa 29 efa nivoaka. Maharitra herinandro ny fidinana any amin’ny sekoly mandray anjara, amin’ny fotoana fanatontosana ny boky, toy ity any Andilana Nosy-be ity.Marihina fa, rehefa mivoaka ny boky, samy mahazo ny anjarany ireo ankizy ao amin’ny kilasy nandray anjara tamin’izany. Tanjon’ny Dodo Vole ny hamelona indray ireo angano avy any amin’ny faritra samihafa sy ny hampivelatra ny fitiavan’ny ankizy mamaky boky, izay santarina amin’ny boky angano.Landy R. L’article Dodo Bonimenteur: an-dalana ny fanomanana ny boky angano faha-30 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fantatra loatra: misy sokajy teatra ny Faribolana Sandratra

Mitohy hatrany ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny Faribolana Sandratra. Hatreto anefa, ny tononkalo sy ny fiantsana izany ihany no tena fantatry ny olona. « Manana sokajy hafa ihany koa izahay », hoy ny mpikambana iray…Mitohy hatrany ny hetsika tontosain’ny Faribolana Sandratra. Tato ho ato, tsy nijanona tamin’ny tontolon’ny soratra intsony izany fa nivelatra tamina teatra ihany koa. « Hatramin’izay, ny tononkalo hatrany no nahalalan’ny olona ny Sandratra. Mbola vitsy ny mahafantatra fa misy sokajy mozika sy kabary ary teatra ao », hoy i Zo-Maminirina, mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Nomarihiny hatrany fa na mikatona azy ny trano nilalaovana teatra nahazatra hatramin’izay, tsy mifidy toerana ny sokajy teatra ao amin’ny Faribolana Sandratra fa afaka milalao eo amin’izay sehatra omena azy, toy ny sekoly sy ny tranompokonolona. Efa tany amin’ny taona 1989 no efa nilalaovan’ny Faribolana Sandratra ny tantara « Mangahazo mamy » nosoratan’i Louis Vahandanitra. Taona 1998 ny « Andraso eo Paoly » diapenin’i Lydiary, taona 2006 ny « Ny variraiventy farany » nosoratan’i E.D Andriamalala, sns.Amin’ity volana ity, ny asabotsy 27 jolay izao no hitondran’i Ny Iraka Rambolamanana sy i Nary Mamitiana ny antsa tononkalo « Rezatra » etsy amin’ny CGM Analakely.HaRy Razafindrakoto L’article Tsy fantatra loatra: misy sokajy teatra ny Faribolana Sandratra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020
21/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Sur les 451 tests effectués ces dernières 24 heures, 20 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus a rapporté ce lundi 21 septembre la porte-parole du CCO. Ainsi, Madagascar compte actuellement 16073 contaminations depuis l’apparition de la pandémie de covid-19 dans le pays. Ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Analamanga avec un total de 12 cas. Le reste est réparti comme suit: 4 cas à Vakinankaratra, 1 cas à Itasy, 1 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony et 1 cas à Boeny. Ce jour, 36 patients ont recouvré la santé portant à 14682 le nombre total de guérisons dans tout le territoire malagasy. Par ailleurs, 1164 malades sont encore en traitement, dont 20 dans un état critique. Deux nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le nombre officiel des victimes s’élève à 225. L’article COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika
26/09/2020

Tsy mitovy ny nandalo sekoly fianarana mozika sy ny manao mozika fotsiny… Noporofoin’ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin’ny CNEMD izany, nandritra ny lanonana roa sosona, omaly.CNEM, Ivontoeram-pirenena mampianatra mozika taloha, izay niampy ny dihy ka lasa CNEMD, ankehitriny. Mahalala azy avokoa ireo liana tamin’ny fianarana mozika rehetra. Saika nandalo nandranto fianarana tao ihany koa ireo andrarezina amin’ny mozika… Saingy nampalahelo fa simba tsikelikely ilay tranon’ny CNEMD ao ambadiky ny Tranombokim-pirenena ka tsy nampiasaina intsony, ny taona 2019. « Raha nandray ny fitantanana ny minisitera aho, ny taona 2019, naniry ny hitsidika ny ato amin’ny CNEMD. Nambara tamiko tamin’izany anefa fa tsy azo idirana intsony ity trano fianarana mozika manana ny lazany ity, noho ny fahasimbany. Tsy nisy nanamboatra nandritra ny taona maro kanefa dia toeram-piasana sy fandraisana olona izy ity. Nanapa-kevitra avy hatrany ny minisitera hiroso amin’ny asa fanarenana, noho ny fahatsapana ny maha zava-dehibe ity toeram-pianarana zavakanto ity. Vita izao ny asa ary tsy ny trano ihany no nasiam-panavaozana fa ny fomba fampitana fahalalana ato ihany koa ho mendrika izany hoe CNEMD izany”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, omaly. Notokanana omaly, araka izany, ny trano nasiam-panamboaran’ny CNEMD. Niara-dalana tamin’izany ny fanolorana mari-pahaizana ireo mpampianatra sady mpikaroka miisa 13. “Mpampianatra manan-talenta avokoa izy ireo, izay mbola naniry ny hanatevina fahalalana. Nahavita soa aman-tsara ny fiofanana izy ireo ka mendrika ny homena ny mari-pahaizana ambony mifanaraka amin’ny lentany”, hoy kosa ny nambaran-dRazafindrazaka Holy, talen’ny CNEMD. Misongadina ry Zazakanto Nanapa-kevitra ny minisitera sy ireo teknisianina amin’ny sehatry ny mozika, hitondra fanazaovana amin’ny fampianarana mba hifanaraka amin’ny maha izy azy antsika sy ny iainan’ny Malagasy. Anisan’ireo mpianatra, tamin’iny taom-pianarana iny, noraisin’ny CNEMD sy nisitraka izany fanavaozana izany ry zalahy Zazakanto. Vao volana vitsy monja, kanefa efa nahafolaka zavamaneno sahady izy ireo, hany ka tafatsangana ireo mpanotrona rehetra taorian’ny seho fohy nataon’ireto manan-talenta ireto. Nisy 103 ireo mpianatra nandritra iny taom-pianarana iny ka ny 69 tamin’ireo no afaka tamin’ny fanadinana. Tsy tena sakana loatra tamin’ny fampianarana ny fihibohana, satria ampy ihany ny fotoana namitana ny fandaharam-pianarana, raha ny fanazavana. Fantatra fa hatao tanjona manaraka ny fanokafana ireo rantsan’ny CNEMD any amin’ny faritra. Eo koa ny fampiarahana ny asa, izay iandraiketan’ity ivontoeram-pampianarana mozika sy dihy ity, amin’ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny kolontsaina, izay ho vita ny volana janoary 2021.Zo ny Aina L’article Vita ny fanarenana ny tranon’ny CNEMD: nahavita fiofanana ambony ireo mpampianatra mozika a été récupéré chez Newsmada.

Fandaminana sy fanadiovana: novahan’ny CUA ny olan’ny fitohanana sy ny fako eny Mahazo
26/09/2020

Mitohy ny asa fanatsarana sy fanadiovana ny Tanàna, tanterahin’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Namaha ny olana eny amin’iny faritr’i Mahazo sy ny manodidina iny ny eo anivon’ny CUA, omaly. Anisan’ny mampitaraina ny rehetra ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny fako eny an-toerana. Faritra ifandraisan’ny CUA sy ny kaominina Ambohimangakely ka nametrahan’ny roa tonta fiaraha-miasa ny fijerena ifotony ny zava-misy. Manoloana izany, nanomboka omaly avy hatrany ny fanadiovana ny toerana sy ny nametrahana ireo dabam-pako vaovao miisa roa. Nakisaka koa ny toerana fandraisan’ny mpandeha ny taxi-be mba hampalalaka ny toerana.Nilamina ireo mpivarotra teny MahazoNisy ny fanentanana sy fandresena lahatra ireo mpivarotra hanaja ny fandaminana ka nilamina izany.Tsiahivina fa niara-niasa nanatanteraka izany fandraisana andraikitra izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Ny avy amin’ny distrika sy ireo tompon’andraikitra rehetra. “Ahafahantsika mitondra fampandrosoana ny Tanànantsika ny fiaraha-mientana tahaka izao”, hoy ny hafatry ny ben’ny Tanàna.Araka izany, mitohy hatrany ny ezaka fandaminana, fanatsarana sy fandrindrana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.Synèse R.  L’article Fandaminana sy fanadiovana: novahan’ny CUA ny olan’ny fitohanana sy ny fako eny Mahazo a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina
26/09/2020

« Ndao homena lanja ny fikarohana manatsara ny fahasalamana ho an’ny rehetra », ny lohahevitra noraisina ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny farmasianina andiany faha-12, omaly. Nandray anjara mavesatra tamin’ny fizarana fanafody sy kojakojam-pitsaboana ho an’ny mararin’ny Coronavirus teny anivon’ny hopitaly ny farmasianina, nandritra ny ady amin’ny tsimokaretina. Nanapa-kevitra ny hampidina ny vidin’ny fanafody fototra ampiasaina tamin’ny fitsaboana ny valanaretina izy ireo ho fitsinjovana ny marary, araka ny fampitam-baovaon’ny holafitra sy ny sendikà ary ny fikambanan’ny farmasianina niaraka. Telo ny farmasianina lavo tao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus. Niasa mafy andro sy alina ny farmasianina sy ny mpiasa mapihodina ny farmasia namatsy ny marary amin’ny kazaram-panafody ilainy. Saika ahitana filaharana lavareny manoloana ny farmasia teto an-dRenivohitra, indrindra raha vao niatomboka ny valanaretina. Nitantana ny fanafody sy ny kojakoja teny anivon’ny CCO ihany koa izy ireo.357 ny farmasianina ary 265 ny toeram-pivarotana fanafody manerana ny Nosy raha 29 ny ivontoerana mpamongady sy mpanamboatra fanafody. 25 ny farmasianina mpiasam-panjakana ary 40 ny farmasianina mpamongady fanafody.Manana holafitra miahy ny asan’ny farmasianina izy ireo, izay mandrindra ny raharaha momba izany. Misy koa ny fikambanana manofana aorian’ny fianarana sy manampy amin’ny fahaiza-manaon’ny mpikambana rehetra ao anatiny.Vonjy  L’article Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina a été récupéré chez Newsmada.

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana
25/09/2020

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, taranja fibatana fonjamby, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Mialoha ny hanomezana Mari-pankasitrahana ireo mpiofana, hiatrika fanadinana izy ireo anio sy rahampitso. Adina an-tsoratra sy fampiharana moa no hataon’izy ireo amin’izany. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fiofanana ity ary efa nanomboka ny herinandro lasa teo izany. Mpampiofana manana ny maha izy ny mizara traikefa, manam-pahaizana iraisam-pirenena malagasy, hahitana an’ i Harimalala Solomampionona Rakotoarisena. Miisa 20 mianadahy ny miofana ary avy amin’ny ligy 6, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Boeny ary Vakinankaratra. Nambaran’ny mpampiofana fa nisy fitohizana satria ireo niatrika ny “niveau 1” ihany ireto manaraka ny fampianarana ho an’ny “niveau 2” ireto. Izany hoe, efa manomboka miditra lalindalina kokoa amin’ny “planification”, “périodisation”, “anatomie”ary ny “blessure”. Antenaina, araka izany fa hitondra fivoarana eo amin’ireto mpiofana ireto, raha ny nambaran’ny mpampiofana hatrany. Azo lazaina ho fohy rahateo ny fotoana kanefa mbola maro ny tiana hampitaina ka inoana fa any amin’ny fampiharana no hanatevina ny fahalalany ny mpiofana. Mi.RazL’article Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana a été récupéré chez Newsmada.

Adihevitra… mampandroso      
21/09/2020

          Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Tsy inona fa ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’izany, samy manana ny filazany, ohatra, na ny mpanao politika, na ny avy amin’ny firaisamonina sivily; eny, na ny samy mpahay lalàna aza.Mahavalalanina sy mahafanina ny olom-pirenena tsotra mpanara-maso ny raharaham-pirenena; tsy mpanara-maso fotsiny aza, fa mpandray anjara amin’izany: inona ny marina? Na ny ara-dalàna, ny tsy azo ialana, ny tokony hatao… Lalàna iray izao, ohatra, no hoe lazaina, nefa samy manana ny filazany be ihany itsy sy iroa.Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay ny fanazavana? Na fanamaizinana sy fanakorontanana… Tsy mbola milamina tsinona ny adihevitra. Tafiditry ny politika na avadiky ny sasany ho izany ho azy ny raharaha ka tsy hita intsony izay marina hoe tena araka ny lalàna velona. Soa ihany, misy ny rafitra tompon’ny teny farany ny amin’izany.Na eo aza izany, ny tsy azo lavina sy tsy takona afenina: mibahan-toerana loatra ny politika amin’izay atao sy ny mitranga rehetra: paipaika sy kajikajy amin’izay misy ny tena. Arakaraka izay tadiavina sy arovana amin’izany no andikana ny lalàna? Hany ka na izay heverina ho tena marina izao aza, avadiky ny sasany ho politika hatrany.Rahoviana vao tena handeha ho azy amin’ny raharaham-pirenena ny tena fanajana sy fampiharana lalàna? Tokony handeha ho azy ho an’ny rehetra izay, hahasaro-piaro azy amin’izay mitranga sy atao rehetra: tsy vonjivonjena, tsy ifandroritana, tsy ifampiandrasana kendry tohina, tsy atao amin’izay mahametimety ny tena.Anisan’ny fototra sy fositra koa ny tsy fahazarana mijery lavitra amin’izay atao. Hany ka mampiady an-toerana zary fanakorontanana izay mety ho fanehoan-kevitra am-poto-moty, na adihevitra, na fanitsiana… Tena jerena amin-kitsim-po ve izay hahasoa ny firenena ho amin’ny fampandrosoana, na tsy mitovy aza ny fijery?Rafaly Nd.  L’article Adihevitra… mampandroso       a été récupéré chez Newsmada.

Statistique du 23 Septembre 2020
23/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina
22/09/2020

Nanomboka omaly alatsinainy 21 septambra ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Roland Garros, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Anisan’ireo miatrika ity fifanintsanana ity ireo Malagasy mirahavavy, Andrianjafitrimo Tessah sy Ramialison Irina, saingy tsy mbola voaray ny voka-dalao teo amin’izy ireo. Ankoatra izay, nosembanin-drahona ny fanombohan’ity lalao ity, satria mpilalao dimy no voatery nesorina fa voan’ilay valanaretina “coronavirus”. Rehefa natao ny fitiliana, ny roa tamin’izy ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina fa ny telo kosa tranga fifampikasohana avy amin’ny mpanazatra azy ireo, izay tratry ny “coronavirus” ihany koa.Nanapa-kevitra avy hatrany ny talen’ny fifaninanana fa tsy afaka mandray anjara izy ireo. Nampiharina tamin’izy ireo ny fanokana-monina mandritra ny 7 andro. Tsy nambara kosa ny anarana sy ny fiavian’ireo mpilalao voalaza fa voan’ny “covid 19”, ireo. Tsiahivina fa nahatratra 900 ny fitiliana natao nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Tsy anisan’ireo voan’ny “covid 19” aloha izy ireo ka afaka mifaninana tsara. Haharitra hatramin’ny zoma 25 septambra ho avy izao ity fifanintsanana ity. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hiditra amin’ny fifaninanana ny rehetra, izay haharitra hatramin’ny 11 oktobra, ho avy izao.Ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, ferana ho 5000 isan’andro ihany ny isan’ireo mpijery afaka manatrika ny lalao. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo
24/09/2020

Miisa 31 ireo tanga vaovao tamin’ny fitiliana vita miisa 257, araka ny antontanisa, navoakan’ny CCO, omaly. Avy eto Analamanga ny valo amin’izany raha 10 ny avy any Diana. Miisa dimy ireo nifindran’ny valanaretina any Vatovavy Fitovinany ary enina ny any Alaotra Mangoro. Iray avy kosa ny any Itasy sy any Matsiatra Ambony.Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mijanona ho 226 ireo lavon’ny valanaretina eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy niova koa fa miisa 20 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny any Boeny, miisa 15. Tafakatra 14 788 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa16 167. Mbola maherin’ny 1 000, miisa 1 151, ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Miisa 68 564 ireo fitiliana PCR vita raha 7 289 kosa izany ho an’ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo a été récupéré chez Newsmada.

Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea
21/09/2020

Tsy mbola milamina ny ao amin’ny kianja Barikadimy, amin’izao iray volana mahery handraisana ny lalao miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izao. Niteraka gidragidra ny fanesorana ireo trano manamorona ny kianja.Nisavorovoro ny tao amin’ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina I, ny alakamisy 17 sy ny zoma 18 septambra lasa teo. Anton’izany ny tsy maintsy nandravana ireo trano manamorona ny lalana miditra ao amin’ity fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho an’ny baolina kitra ity.Raha tsiahivina, anisan’ny fepetra takin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) ny tsy hisian’ny trano fonenana manakaiky ny kianja filalaovana. Tsy maintsy nirosoana izany hahazoana fankatoavana handraisana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Efa hatramin’ny 10 febroary lasa teo no nandefa taratasy laharana 09-20/Cut/Toa, ho an’ireo mponina voakasika amin’izany ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, handrava tsy misy hatakandro ny trano rehetra. Voalaza mantsy fa tsy ara-dalàna ny fananganana izany satria tsy nisy fahazoan-dalana.Atao lalana migodana misy soritra efatra ho an’ny fiara roa mandroso sy roa miverina mantsy izany, izay hita amin’ny ilany antsinanana sy atsimo ary andrefan’ny kianja Barikadimy, ankoatra ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking”. Manoloana izany, misy ireo mamadika azy ity ho resaka politika ka mitady ny hirika rehetra tsy hahavitan’ny fotodrafitrasa, mba tsy haneken’ny Fifa ny kianja Barikadimy ka tsy hahafahan’i Toamasina mampiantrano io lalao lehibe, efa andrasan’ny vahoakan’ny faritra Antsinanana fatratra io.Vokatr’izay, manao antso avo hiray hina ny mpitia baolina kitra eto Toamasina, satria antomotra ny fe-potoana hanaovan’ny solontenan’ny Fifa fitsirihana ny kianja Barikadimy, sao sanatria tsy hahazo fankatoavana ka ho votsotra ny fandraisana io fihaonan’ny Barea sy i Côte d’Ivoire, io. SajoL’article Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.