GSDM-EFTA: Nivoaka teknisiana misahana manokana agroécologie

News - GSDM-EFTA: Nivoaka teknisiana misahana manokana agroécologie

News - GSDM-EFTA: Nivoaka teknisiana misahana manokana agroécologie

Tsy ampy ireo teknisiana ara-pamokarana hanolo-tsaina ny tantsaha hiatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Izany  indrindra no antom-pisian’ireo « conseillers spécialisés en agriculture de conservation et agroécologie» (AE/AC). GSTM EFTA 8Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 19 aprily 2019 teny amin’ny sekoly fampiofanana teknisiana ara-pamokarana (EFTA) Ambatobe Antananarivo ny andiany voalohany amin’ireto teknisiana misahana manokana ny fambolena maharitra ireto. Avy amin’ny EFTA Analamalotra Toamasina sy Iboaka Fianarantsoa izy 30 mianadahy ireo ary nisalotra ny anarana “natiora” ny andiany avy ao Toamasina. “Misantatra” kosa ny avy any Fianarantsoa. Raha ny fanazavan’ny talen-tsekolin’ny EFTA Analamalotra Toamasina, Rakotomalala Nicole dia nanaraka ny lasi-piofanana nasionaly sy  “approche par les compétence” (APC) ny fiofanana nataon’ireo mpiofana nandritra ny herintaona. Nandalo fanazaran’asa ihany koa izy ireo. Noho izany dia vonona ny hiatrika ny asa  avy hatrany. Nampiavaka ireto andiany voalohany ireto ny finiavan’ireo mpiofana sasantsany  nandao ny asany teo aloha noho fitiavana te hanasoa ny tantsaha manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Tombontsoa

GSTM EFTA 7Vokatry ny fiarahamiasan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) sy ny EFTA ary ny GSDM, matihanina manokana momba ny fambolena maharitra (agroécologie) ity fampiofanana teknisiana AE/AC ity. Tetikasa nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny 2020 ny fampiofanana teknisiana misahana manokana ny fambolena maharitra. Nambaran’ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana fa dingana maro no nolalovana talohany nahatongavana tamin’izao famoahana teknisiana andiany voalohany izao. Tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM, vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) niampy ny fanampian’ny MAEP, ny FOFIFA, ny oniversite, ONG sy tetikasa maro,  mpampianatra-mpampiofana 18 amin’ireo ivon-toeram-pampiofanana momba ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra (CEFAR) no nofanin’ny GSDM.GSTM EFTA 6 Nilaza ihany koa Rakotondramanana fa tamin’ny taona 2014 no nandrafetana ny lasi-pampiofanana nahafahana nampiofana ireto mpianatra ireto. Hanampy ny tantsaha, ny tetikasa hiatrika ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ireto teknisiana ireto. Sady mamokatra no mitazona ny tsiron’ny tany no tombontsoa ho azy amin’izany, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM. Ankoatra izany, miady sy misoroka ny voka-dratsy ateraky fiovaovan’ny toetry ny andro ny fomba fambolena maharitra.

Sekolim-panjakana eo ambany fiahian’ny ny MAEP ny EFTA. Ahitana azy avokoa ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fifaninana no idirana ao amin’ny sekoly. Anjaran’ny EFTA Ambatobe Antananarivo sy Bezaha Toliara indray no hisitrika ny fampiofanana teknisiana AE/AC ho an’ny taom-pianarana 2018-2019.

Nirina R.

Cet article GSDM-EFTA: Nivoaka teknisiana misahana manokana agroécologie est apparu en premier sur déliremadagascar.

Agroécologie  -  EFTA  -  Fampianarana  -  GSDM

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

TRANGA TENY AMBOHIMALAZA :: Karohina fatratra ilay lehilahy ahiana ho namono ny reniny

Nambaran’ny mpanao famotorana fa nandositra ny zanaka lahy sy ny sakaizany izay samy voasaringotra tamin’ ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana iray, 59 taona, hita faty teny Ambohidray Ambohimalaza, ny talata lasa teo. Mbola ifampitadiavana izy ireo, hatramin’ny omaly hariva. Efa eo am-pikarakarana ny razana ny fianakaviana. Ho avy eny amin’ny biraon’ny Zandarimaria izy ireo, aorian’ny fandevenana. Fantatra fa hametraka fitoriana ireto mana-manjo. Nisy ireo trangan-javatra nampiahiahy tamin’ny fihetsik’iry tovolahy ka iantefan’ny fanenjehana azy amin’ilay fahafatesan’ny reniny, miampy ny tsy fahitana azy efa ho andro vitsivitsy izao. Ny zanak’io vehivavy maty io iray no nahita ny razana voatototra tany sy bozaka teny Ambohidray Ambohimalaza. Nahitana dian’antsy sy ratra maro hafa ny vatan’ilay renim-pianakaviana. L’article TRANGA TENY AMBOHIMALAZA :: Karohina fatratra ilay lehilahy ahiana ho namono ny reniny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fitsidihan’ny filoha tany Morondava: « Hatao manara-penitra avokoa ny rehetra… »

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Morondava, omaly ny filoha  Rajoelina sy ireo delegasiona, notarihiny. Nampahafantariny tamin’izany ny zava-bita  tao anatin’ny efa-bolana. “Hataontsika manara-penitra avokoa ny zavatra rehetra…” hoy  izy. Nialohavan’ny fihainoana ny olana sy ny hetahetan’ny mponina  izany.Namaha ny olan’ny mpitari-posy  ao  an-tanàna Anisan’izany ny nandaminany ny olan’ireo mpitari-posy miisa 550  sy  ny kaominina Morondava. “Hamorona asa aza atao ka tsy mety raha hofoanana ny efa misy.  Homena fahazoan-dalana “licences” avokoa ireo mpitari-posy ary mifandimby miasa ny manana laharana  ankasa sy  tsy ankasa mba handrindrana ny fifamoivoizana”, hoy ny filoha. Momba ny fihanaky ny aretina bilarziaozy any ambanivohitra,  nomen’ny filoha toromarika  avy hatrany ny minisitry ny Fahasalamana hijery izany.Tsena sy kianja ary asa ho an’ny tanora… Ankoatra izany, nangataka tsena manara-penitra ny mponina . Nidina ifotony nijery izany ny filoha Rajoelina. “Horavana ity tsena ity ary soloina vaovao. Tokony hanomboka afaka iray volana ny asa fanamboarana rehetra”, hoy ihany  izy. Nitohy  tami’ny fitsidihana ny kianja manara-penitra izany, niaraka amin’ny orinasa  hanao ny asa. Hotohizana ny fananganana ny kianja ka hatao  manara-penitra. Nanome toromarika manokana ny hanaovana asa mafy sy maharitra ny filoha avy eo. Nihaona amin’ireo tanora nahavita fianarana momba ny asa vaventy sy ny taon-trano (BTP) ny filoha Rajoelina, ary nanaiky ny fangatahan’izy  ireo ny handraisana anjara amin’ireo asa maro hatao ao Morondava.Synèse R. L’article Fitsidihan’ny filoha tany Morondava: « Hatao manara-penitra avokoa ny rehetra… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Maintirano: botry nahatrarana rongony 80 kg

Saron’ny zandary tao Maintirano indray ny botry iray avy any Mahajanga nitondra ny anarana hoe Fatokisasoa niaraka tamin’ny rongony milanja 80 kg. Tratra niaraka tamin’ireto rongony ireto koa ireo olona efatra voarohirohy ka anisan’izany ny tompony. Araka ny fanazavan’ny zandary, efa nahazo loharanom-baovao mialoha momba ny fisian’ity botry mitondra zava-mahadomelina ity izy ireo ka nidina haingana teny an-toerana ary tratra tokoa ilay botry sy ireto rongony marobe ireto. Fantatra fa tambajotra goavana mihitsy ny ambadik’ity mpanao trafikana zava-mahadomelina ity. Niainga avy any Mahajanga ireto zava-mahedomelina ireto, saingy tany Maintirano kosa vao tratra. Fantatra fa manodidina ny 12 tapitrisa Ar eo ho eo ny vidin’izy ireto, nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nahitam-bokany, araka izany, ny ezaka vitan’ny zandrimariam-pirenena avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Melaky tamin’ny fahatrarana ireto rongony marobe ireto. Hatolotra ny fitsarana ireto voarohirohy ireto, aorian’ny famotoran’ny zandary. Hodorana kosa ireo rongony tratra.J.CL’article Maintirano: botry nahatrarana rongony 80 kg a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanendahana

Samy noho ny fanendahana sy harom-paosy no nahatrarana an’ireto lehilahy telo teny Isotry sy Ambodin’Isotry, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ireto. Pôlisy nanao fanamiana sivily no nahatratra azy ireo. Samy hatolotra ny Fampanoavana avy izy telo lahy ireo, aorian’ny famotorana. L’article Fanendahana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hotrandrahin’ny « Teratany » ny vakoka Sakalava

Sonia roa sosona. Notanterahina, omaly tetsy amin’ny foiben-toeran’ny  Comnat/Unesco Behoririka, ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo sy ny fikambanana « Teratany » hampiroboroboana ny vakoka sy ny kolontsaina. Tafiditra ao anatin’izany ny nahazoan’io fikambanana io vola 20 000 dolara  ho amin’ny fandaharanasa hanombohana ny tetikasa lalana nizoran’ny fanandevozana sy ny lalana ho an’ny vakoka sy kolontsaina, ho an’ny Sakalava tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18. Hiteraka firoboroboan’ny fizahantany sy fanomezan-kasina ny vakoka eto amintsika izao fanohanana entin’ny Unesco izao. Hahazo tombony koa ny eny ifotony ankoatra ny fahafantarana ny tantara. Hojerena ny lafiny tantara sy ny lalana nizorana ary koa ireo lovantsofina. Hohamarinina eny an-toerana miaraka amin’ny eny ifotony izany. Hisy ny koa ny firaketana amin’ny antontan-kevitra sy ny horonantsary. “Zava-dehibe ity tetikasa ity. Fanohananay ny vinan’ny fitondrana amin’ny fisarihana mpizahatany manoloana ny fananantsika harena miavaka sy vakoka manana ny maha izy azy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Comnat/Unesco, Ravelojaona Manda Herilaza. Nambarany fa ho maro ireo mpitsidika ho avy. Hiforona ny asa ary hiakatra ny harinkarena.Nahazo tohan’ny Unesco koa ny fikambanana Heal amin’ny alalan’ny Fako voaavaka misy rindra  (Favori). Hahazo tombony amin’ny tetikasa ny EPP Mahamasina sy ny EPP Mandraka ary ny Ecole primaire protestante Moramanga. Miompana amin’ny fanodinana fako an-tsekoly izany. Hisy ny  fanofanana ny tanora amin’ny fanavahana ny fako. Hitohy amin’ny fifaninanana amin’ireo sekoly izany ankoatra ny fanentanana samihafa momba ny  ako. Eo koa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ireo reny hahazoan’izy ireo mizaka tena eo amin’ny fiainana.Synèse R.  L’article Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hotrandrahin’ny « Teratany » ny vakoka Sakalava a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana

Antoky ny fandrosoan’ny firenena ny fandriampahalemana ary, rehefa milamina ny tany, tsy voatohintohina ny toekaren’izao tontolo izao. Io ny fototry ny fiaraha-miasan’i Japon amin’i Madagasikara, araka ny nohamafisin’ny ambasadaoro japoney eto amintsika, i Ichiro Ogasawara, omaly teny amin’ny trano fonenany eny Ivandry.Notanterahina, tamin’io fotoana io, ny fampahafantarana ireo endri-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Mifototra amin’ny antsoina hoe « Aide publique au développement » na APD izany. Notsiahivin’ny masoivoho fa nasiam-panavaozana io APD io  ny taona 2013, ary napetraka ho satan’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana.Matetika, ao an-tsain’ny sasany fa  misy tambiny avokoa ny fanampiana avy amin’ireo firenen-dehibe. Araka ny hita ao anatin’ilay sata anefa, mifamatotra sy mifampiankina i Japon sy ireo firenena misandratra sy ireo an-dalam-pandrosoana, toa an’i Madagasikara.Raha mirongatra ny tsy fitoniana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, hisy fiantraikany amin-dry zareo izany, araka ny voasoratra amin’ilay sata. Nomarihin’ny ambasadaoro fa tsy manana loharanon-karena voajanahary izy ireo. Miankina amin’ireo firenena manan-karena izany, toa an’i Madagasikara.Antony  hanamafisan’i Japon ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amintsika sy amin’i Afrika, amin’ny alalan’ny Ticad na ilay fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ity kaontinanta ity izany.Mivelatra ny fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny Jica Endri-piaraha-miasa faharoa ny fanampiana mivantana, amin’ny lafiny efatra ary tanterahin’ny Jica. Maro ireo tetikasa momba ny fampandrosoana, toy ny Papriz, ao anatin’ny andiany faharoa, amin’izao fotoana izao.Eo ny tetikasa momba ny fampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa vita ny 30%-n’ny asa.Manampy izany sosialy toy ny fanamboarana sekoly. Misy koa ny fandaharanasa fampiofanana ka efa nisitraka  izany ny Malagasy miisa 1 070, hatramin’ny taona 2017.Landy R.L’article Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Toamasina : Telo mianaka nisy namono, hita faty tao an-tranony, efa lo

Maty nisy namono tao an-tranony tao Depôt 4ème Toamasina ireto telo mianaka :Atoa Perez rancisco 64 taona avy any Guadeloupe  sy Rtoa vadiny Soa Monica 48 taona, ary ny zanak’izy ireo 07 taona ; izay zaza natsangany mpianatra ao amin’ny lycée français Toamasina. Raha ny zava-nisy, nahita azy telo mianaka ireto dia taorian’ny 08 may teo no nisy namono izy ireo, satria raha ny fanazavana azo dia mbola nianatra ity zaza ity ny alarobia 08 may io, fa ny alakamisy 09 may izy vao nanomboka tsy tonga nianatra intsony; ka tombanana ho ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy io no nitrangan’ny famonoana azy telo mianaka ireo tao an-tranony. Ny fanazavana azo, dia ny fofona maimbo teo an-tanana tao Depôt 4ème no nanaitra ny mponina ny alatsinainy 13 may teo, ka raha narahana ny fiaviany dia niainga tao amin’ity trano iray ity ilay fofona. Nihidy tao anatiny anefa ny trano ka voatery novakian’ny fokonolona tao an-tanana nijerena ny zava-nisy. Trano nikorontana sy telo mianaka efa maty manomboka  ho simba, tao amin’ny efitrano fidiovana no hitan’ny fokonolona. Voatery niantso mpitandro ny filaminana ny filoham-pokontany nijery ny zava-nisy sy nanao fanadihadiana. Teo no nahalalana, fa nisy jiolahy niditra tao amin’izy ireo ary namono azy telo mianaka alohany nitadiavan’izy ireo ny nilainy tamin’ireto fianakaviana ireto. Nohidin’ireo jiolahy tany anatiny ny trano, ka teny an-tafontrano ireo jiolahy no nitsoaka taorian’izany. Ankilan’izany, dia mikasa ny hanao mariazy ny volana desambra izao ity teratany vahiny sy ity teratany Malagasy ity, saingy alohan’izay dia nikasa ny hody kely hamonjy ny fianakaviany ilay rangahy ny 20 may ho avy izao. Vao iray volana teo kosa izay no nifindran’izy ireo tao amin’ny fokontany Depôt 4ème ity, raha ny taona 2010 no efa nifankalala i Francisco Perez sy Soa Monica. Ankoatra izany raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka be vava misahana ny raharaha, dia efa misy olona efa-dahy nosamborina tamin’izao raharaha izao, ny alatsinainy 13 may alina teo ihany hanaovana fanadihadiana noho izy ireo ahiana tamin’ity vono olona ity. Tena miantso vonjy amin’ny tsy filaminana ny vahoakan’i Toamasina, satria raha tsy iharan’ny vaky trano arahina vono olona, dia miaina ny fanafihana mitam-piadiana sy asa fanendahana ary halatra môtô saika isan’andro. Malala DidierL’article Toamasina : Telo mianaka nisy namono, hita faty tao an-tranony, efa lo a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Hafenoan-drano be loatra

Faly hifanenjika eto daholo indray mandritra ny 15 andro ! Ranona mpangalatra, Ranona mpandroba, sy ry mpanao didiko fe lehibe mbamin-dry mpanivaiva… Angonina aiza daholo indray koa izao ny rihitra amin’izato rano miakatra sy mameno tanàna eto Iarivo ? Ny rihitra tsy noesorina nandritra ny fotoana tsy nirotsahan’ny orana toa tsy mba nisy nieritreritra ny handraoka azy. Ny fako aza moa hita maso ho nivangongo toy ireny inona ireny, tsy mba takontakona tany anaty lakandrano tany, kanefa ny fifanatsatsoana no nahamaika. Ifandrotehana ny asa famonjena, ifanilihana ny tsy fandraisana andraikitra. Main-tany miasa manadio tatatra sy ny sisa sy ny sisa, hono e, ka raha fahavaratra tsy matahotra tondra-drano. Iza no niasa dia iza no tsy nandray andraikitra ? Io ve nama dia ho olana mandrakizay ho an’ny mponin’Antananarivo. Na hifidy ben’ny tanàna impiry eto aza, ho dibo-drano foana ireo faritra iva, hitombo hatrany ny fanotofana tany, ho tsentsin’ny fakofakon-kavatra isan-karazany ihany ireo tatatra sy lakandrano ary tsy hanam-pahataperana ny ady fako tahaka ny ijerem-potsiny an’ireo fanorenana amina toerana tsy tokony hanaovana an’izany. Eto an-drenivohitra mantsy isika. Toa tsy renivohitr’i Madagasikara fa renivohitry ny tetikady pôlitika. Angamba voaozona tsy handroso (na dia resaka fahadiovana fotsiny aza) mihitsy ity Iarivo ity. Ny fandrosoana amin’ny lafiny fanozongozonana sy fanoherana fitondram-panjakana irery no mivoatra. Niainga tany amin’ny diabe handrodana ny mandan’Iavoloha, ny amboletra tamin’ny “1er tour dia vita”, notohizan’ny tolom-bahoaka, ary vao iny niafara tamin’ny hetsiky ny depiote tamin’ny volana avrily iny. Laza ratsin’Antananarivo avokoa izany. Tsy mba mahadibo-kafaliana ny besinimaro akory fa tanàna dibo-drano lava no iainana isam-pahavaratra izao. Mpitantana tanàna sy mpitondra mpamendrofendro tokoa, angamba, ka satry hampahory vahoaka amin’ny famenoan-drano be loatra mandavan-taona. L’article Hafenoan-drano be loatra est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

RN34 : Taxi-brousse voatafika, teratany sinoa iray namoy ny ainy

Voatora-bato ny mpamily. Tsy voafehy intsony ilay taxi-brousse ary nivadika. Teratany vahiny iray no tafavoaka tsy nahy ilay fiara, saingy voatifitr’ireo olon-dratsy ka maty tsy tra-drano. Zava-niseho tamin’iny lalam-pirenena faha-34 iny omaly vao maraim-be. Nisehoana fanafihana mahery vaika indray, tamin’iny làlam-pirenena faha-34 mampitohy an’Antsirabe sy Morondava iny, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Taxi-brousse iray, mampitohy ny renivohitra amin’ny faritra Menabe iny no lasibatry ny asan-jiolahy teny an-dàlana, teo anelanelan’i Miandrivazo sy Andranomainty. Araka ny fitantaran’ireo mpindrana iny làlam-pirenena iny, dia efa fiara maromaro no voatora-bato teo amin’io faritra io tamin’io alina io. Nisy sasany tamin’ireo mpandeha tao anatin’ireo fiara ireo aza no naratra, saingy mbola afaka nitsoaka sy tody soa aman-tsara tany amin’ny nalehany ireo fiara. Ity taxi-brousse iray ity no tena voa mafy. Araka ny angom-baovao azo mantsy, dia voan’ilay torabato teo amin’ny lohany ilay mpamilin’ilay fiara. Jemby tanteraka ary tsy nahatana intsony familiana arak’ izany ity farany. Nivoaka ny arabe ilay fiara. Nahazo ny ankavian-dalana ary nivadika nony avy teo. Nandritra izany fotoana izany anefa no nipitika avy ao anaty fiara ny  sinoa iray, izay isan’ireo mpandeha tao anatin’izany taxi-brousse izany. Iny izy tafavoaka iny anefa no noheverin’ireo olon-dratsy, fa hanohitra azy ireo ary avy hatrany dia norarafany tamin’ny bala. Maty tsy tra-drano ity sinoa ity tamin’io fotoana io. Marihana, fa nisy mpitandro filaminana nanaraka ihany ity fiara ity ka raha vantany vao saika hanatona ilay fiara nivadika ireo olon-dratsy no nanao tifi-danitra izy ireo. Nentin-tahotra tamin’izany ireo olon-dratsy ka vaky nitsoaka, tsy nahavita tanteraka ny asa ratsiny. Taorian’izay moa vao afaka niantso vonjy ireto olona lasibatra ireto. Nifamonjena ireo olona naratra tao anatin’ity fiara mpitatitra olona ity ary nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana tany Namahora. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ireo zandary. m.LL’article RN34 : Taxi-brousse voatafika, teratany sinoa iray namoy ny ainy a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

FIFAMALIANA TAO AN-TOKANTRANO :: Nandositra ilay vehivavy voatondro ho nahafaty ny vadiny

Tsy hita popoka ny vehivavy iray ahiana ho tompon’ antoka tamin’ny fandratrana nitarika ny fahafatesan’ny vadiny, tany Andapa, ny alin’ny alatsinainy teo. Teny an-dalana nitondrana azy hamonjy hôpitaly no nindaosin’ny fahafatesana ilay lehilahy. Voalaza fa voa mafy ny taovam-pananahany, nandritra ny fifamaliana nisy teo amin’izy mivady, tamin’io alina io. Naharitra ora maro ny fifamaliana teo amin’izy roa saingy niafara tamin’ ny zavatra hafa. Naheno an’ilay lehilahy niantso vonjy ny mpiray vodirindrina, tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo ora alina. Tonga maro teny an-toeana ny olona nijery ny zava-misy. Tsy hita ny vehivavy fa ilay lehilahy irery no tratran’izy ireo tao. « Nitarainany ho maharary azy mafy ny taovam-pananahany. Mety ho voadona mafy izany matoa nitarika hatramin’ny fahafatesany mihitsy», hoy ny loharanom- baovao. Mety mitombina ny ahiahy, araka ny nambaran’ ny mpitandro filaminana, fa ny vadiny ihany no nikasi-tanana an’ilay lehilahy noho izy nandositra. Efa mandeha ny fikarohana azy any an- toerana. Fantatra fa nivory nandinika ny momba an’ity tranga ity ny «Organe mixte de conception» na ny OMC, omaly. Nifampidinihana tamin’izany ny fomba hoentina hitadiavana sy hisamborana an’ilay voarohirohy. «Tsy maintsy fantarina sy apetraka mialoha ny zavatra hatao rehetra hisorohana ny mety fisiana trangan-javatra hafa toy ny fitsaram-bahoaka», araka ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana ihany. Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany fa milaza ny tsy hanaiky mora amina trangana vono olona toy izao ny mponina any Andapa. Vetivety rahateo dia nalaza teo an-tanàna ny zava-niseho. L’article FIFAMALIANA TAO AN-TOKANTRANO :: Nandositra ilay vehivavy voatondro ho nahafaty ny vadiny est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Notsongaina

ENI Fianarantsoa: mpianatra 317 hiditra amin’ny sehatry ny asa

317 ny mpianatra nahazo ny mari-pahazaina Master sy Licence nivoaka tao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny informatika (ENI) ao Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo tany an-toerana. 102 ireo notolorana ny Masters ary 215 kosa nahazo Licence ary niahy ny andiany roa vao nivoaka ny tomponandraikitry ny mpiasa ao amin’ny orinasa Orange Madagascar, Andriatsilavo Zo. Nambarany fa tokony ho mpitarika amin’ny andraikitra eo amin’ny asa, ny tontolo manodidina ary ny fiarahamonina ireo mpianatra hiditra amin’ny tontolon’ny asa ireo. Efa miara-miasa amin’ny ENI tao anatin’ny fotoana maharitra ny Orange Madagascar mikasika ny fanabeazana, ny fampianarana…Amin’izao fotoana izao, manana sehatrasa efatra misandrahaka amin’ny karazana asa 149 ny Orange Madagascar. Mandray mpianatra asa 250 isan-taona koa ny orinasa.Vonjy L’article ENI Fianarantsoa: mpianatra 317 hiditra amin’ny sehatry ny asa a été récupéré chez Newsmada.

“Andron’ny adihevitra”: hiresahana ny lanjan’ny vakoka ho an’ny tanàn-dehibe

 “Miteraka fampiroboroboana ny tanàn-dehibe ny fanomezan-danja ny vakoka”. Hiompana amin’io lohahevitra io indray ny “Andron’ny adihevitra”, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), ny tontolo andron’ny 3 jona izao. Tafiditra ao anatin’ny andiana adihevitra, antsoina hoe “Ville en chantiers”, tohanan’ny tahirin’i Alembert, ity andro ity. Tanjon’ireo andiana adihevitra ny hanohanana ny fivoaran’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara, fiovana mitondra fanatsarana sy filaminana.Mifono fanamby goavana ny fanomezan-danja ny vakoka aty amin’ny tanàn-dehibe afrikanina, indrindra eto Antananarivo. Mampahatsiahy indray ny maha izy azy ny mponina ao izany ary anisan’ny ahitany ny fivoarana tao anatin’ny elanelam-potoana niorenan’ilay vakoka sy ny ankehitriny.Etsy ankilan’izay, harena ny vakoka, mipetraka hatrany ho anisan’ireo singa manintona ny mpizahatany sy reharehan’ny mponina ao amin’ilay tanàna misy azy. Hovelabelarina, mandritra io fotoana io, ny fizotry ny fanomezan-danja ireny vakoka ireny, toy ny fanoratana azy ho anisan’ny vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco, hiteraka fampandrosoana eo amin’ny tanàn-dehibe.Ankoatra ny adihevitra, izay handraisan’ny manampahaizana amin’ny tontolon’ny fanatsarana ny tanàn-dehibe anjara, hisy ny atrikasa, ahafahana mandray fitenenana sy mijoro vavolombelona. Misokatra ho an’ny rehetra sy ireo matihanina izany. Ho fanomezana aina izany fandaharam-potoana rehetra izany, hampahatsiahy ny lasa, izay nitondra ireo vakoka samihafa sy ny mponina ao aminy, ny mpanakanto isan-tsokajiny (slam, mozika, saripika…).Landy R.  L’article “Andron’ny adihevitra”: hiresahana ny lanjan’ny vakoka ho an’ny tanàn-dehibe a été récupéré chez Newsmada.

Teny japoney: anio ny fifaninanana lahateny

Hotanterahina, androany eny amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo, ny andiany faha-18 amin’ny fifaninanana lahateny amin’ny teny japoney. Mikarakara izany ny masoivoho japoney eto amintsika sy ny fikambanan’ny mpampianatra teny japoney eto Madagasikara ary ny fikambanana Sakura. Fizàrana asa na « stage » mandritra ny roa herinandro, any Japon, ny loka goavana miandry ny mendrika indrindra amin’ny fifaninanana.Misy sokajy telo ny mpifaninana amin’ity lalao ity: ireo vao nisantatra ny fianarana teny japoney (nandritra ny 150 ora farafahabetsany), ireo efa mahafehy ity teny ity, izany hoe, mihoatra ny 150 ora ny nianarany izany ary ireo olona nivahiny tany Japon ka mahay miteny japoney.Ny 8 avrily hatramin’ny 3 mey teo ny fotoana tokony ho nametrahana ny fisoratana anarana sy ny lahateny hovakina, tany amin’ny sekoly nianaran’ny mpifaninana na tany amin’ny masoivoho japoney, raha avy amin’ny sokajy fahatelo. « Fampitahana ny kolontsaina sy ny fomba fiaina japoney sy malagasy », « Ny hoavin’i Madagasikara », sns. Ireo ny santionany amin’ny lohahevitra azon’ny mpifaninana nisafidianana. Maharitra 3 hatramin’ny 5 minitra kosa ny lahateny tsirairay.Sehatra iray ahafahan’ireo tanora mianatra teny japoney mandrefy ny fahalalany ity tenim-pirenena ity izao fifaninanana izao. Marihina fa mihamaro hatrany ny tanora liana amin’ny fianarana teny japoney eto amintsika.Landy R.   L’article Teny japoney: anio ny fifaninanana lahateny a été récupéré chez Newsmada.

Fokontany Akany sambatra Itaosy: toherin’ny fokonolona ny fakàna tsy ara-dalàna tany

Vory lanona ny mponina eny amin’ny fokontany Akany sambatra, kaominina Andranonahoatra, omaly maraina, rehefa nandray filazana fa hisy ny fametrahana « borne » amin’ny tany iray, voalaza fa an’ny Sikay. Nambaran’ny solontenan’izy ireo, Andrianarivelo Mamitiana, sendikan’ny tompon-tany, fa toherin’izy ireo hatramin’ny farany izao fihetsika tsy ara-dalàna izao.« Nanaovan’ny fiangonana iray « préscription acquisitive » ity tany ity . Araka ny lalàna, tokony hampahafantarina amin’ny alalan’ny peta-drindrina ao amin’ny fokontany misy ilay tany izany. Tsy izay anefa no nitranga, satria tany amin’ny kaominina Ambohidrapeto no napetaka ireo peta-drindrina ireo fa tsy teto amin’ny fokontany Akany sambatra, hany ka tsy nahafantatra izahay mponina eto», hoy hatrany ny fanazavana.Hametraka “borne” ny  fiangonana zandrinyAnkehitriny, mikasa hametraka « borne » io fiangonana zandriny iray io ary lasa nilazana indray ny mponina ao amin’ny fokontany Akany sambatra, izay manohitra izany. « Nambaran’ireo nanao ilay « préscription acquisitive » fa namboly katsaka teo amin’io toerana io izy, araka ny voalazany ao anatin’ny PV ny taona 2016, kanefa tsy nisy izany teo », hoy ireo fokonolona.Efa nampiakatra ny raharaha, izany hoe manohitra ity fakana tany ity, eny anivon’ny fitsarana ny mponina eny an-toerana ary hitohy amin’ny volana jolay ny raharaham-pitsarana momba izany. « Noho ity tany ity mbola misy olana, tsy tokony hikitika izany ilay fiangonana kanefa, mahagaga, fa misy izao fametrahana « borne » izao », hoy Andrianarivelo Mamitiana. Nohamafisin’izy ireo fa tsy ara-dalàna sy manao amboletra fotsiny tsotra izao ity fiangonana ity.Landy R. L’article Fokontany Akany sambatra Itaosy: toherin’ny fokonolona ny fakàna tsy ara-dalàna tany a été récupéré chez Newsmada.

Cnaps: fiofanana fiahiana sosialy tany Vatomandry

Natao tany Vatomandry, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana ho an’ny fiahiana sosialy tany amin’ny distrika Vatomandry. Niandraikitra azy ny sampandraharaha fahasalamana sy sosialy (Sass) ao amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), notarihin’ny mpandrindra ny asa, Rakotomalala Yvan, nilazany fa zava-dehibe ny fananana fiahiana sosialy. Nohatevenina ny efa fantatry ny rehetra, toy ny fisotroan-dronono, ny dingana arahina rehefa hanao fangatahana, ny fanampiana samihafa omen’ny Cnaps ny fianakaviana sy ny mpiasa raha sendra tra-doza am-perinasa, sns. Nohazavaina koa ny atao hoe Fahasalamana sy fiarovana amin’ny asa (SST).Niisa 43 ny mpiofana, nahitana mpampiasa sy mpiasa, avy amin’ny sehatra samihafa, nandritra ny telo andro. Nanokatra ny fotoana ny lefitry ny lehiben’ny distrika Vatomandry, Ramanampamonjy Fanomezantsoa, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra samihafa. Nomena mari-pankasitrahana izy 43 mianadahy taorian’ny fiofanana.Njaka A.L’article Cnaps: fiofanana fiahiana sosialy tany Vatomandry a été récupéré chez Newsmada.

Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano

Manoloana ny fitarainan’ireo tantsaha mpamboly any amin’ny Distrikan’ Ambanja amin’ny afitsoky ny mpangalatra, dia namoaka daty ny fanjakana, ka hisokatra androany alatsinainy amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana sy ny tsenan-davanila amin’ny faritra Sambirano. Ny asabotsy teo, raha ny vaovao voaray, dia mpanagom-bokatra « Mandateur » sy « Collecteur vanille » miisa 144 no nizarana karatra, tao amin’ny biraon’ny Distrikan’ Ambanja. Eric ManitrisaL’article Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ambalavao Isotry : Lehilahy maty, may kila tao an-trano

Ny faran’ny herinandro lasa teo dia trano  efatra no nirehitra teo an-dRenivohitra. Teny Analamahitsy, Ambavalao Isotry ary Nanisana. Samy potika avokoa tsy nisy noraisina avokoa ireo entana rehetra tamin’ireo trano ireo, saingy ny iray Ambalavao Isotry no nisy aina nafoy. Ny zoma alina lasa teo no nitranga ny loza, raha niainga avy tamina trano iray ambony rihana ny afo ary niitatra teo amina trano nisy rihana iray hafa teo akaikiny. Vantany vao nirehitra ny trano dia samy namonjy nivoaka sy namonjy izay entana azo navotana ireo olona rehetra tamin’ireo trano ireo. Niezaka ny nanavo-tena ihany ny lehilahy iray, tokony ho 50 taona teo eo ho eo saingy indrisy anefa fa voafandriky ny afo ka tavela tao an-trano ary namoy ny ainy. Fotoana vitsy ihany dia tonga teny an-toerana niezaka nifehy ny afo ireo mpamonjy voina, niaraka tamin’ny fiarabe telo. Folo minitra ihany dia voafehy tanteraka ny afo, raha ny fanazavana azo. Fantatra, fa vokatry ny « court-circuit » moa no nahatonga ny loza. Fa ankoatr’izay, ny zoma io hatrany dia nisy trano iray nirehitra ihany koa teny Analamahitsy. Trano biriky izy ireo, ary voalaza fa tao amin’ny « grenier » no niatomboka ny afo ary nahazo ireo hazon-tafo. Telo minitra taorian’ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina ihany moa dia maty ny afo. Fa ny alahady lasa teo kosa, dia teny Nanisana indray no niasa ireo mpamonjy voina, raha namonjy trano lehibe iray nirehitra teny an-toerana.  Efitra roa tao ambony no kilan’ny afo tanteraka. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra, saingy tsy nisy noraisina kosa ny entana rehetra. Azo heverina fa mety ho mbola vokatry ny herinaratra ihany koa no nahatonga ny loza, raha ny voalaza. m.LL’article Ambalavao Isotry : Lehilahy maty, may kila tao an-trano a été récupéré chez Midi Madagasikara.

IFM – La Moustik: haseho amin’ny dihy ny “Bara?ngo”

 Maro ny fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny tsirairay manoloana ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro. Ny fahitana izany indrindra no nahatonga ny mpanao soradihy telo (Manambina Jean Sandro, Razafimahavaly Robinson ary Razafintsialonina Andy) nifantoka tamin’ny famoronana soradihy iray, mitondra ny lohateny hoe “Bara?ngo”, 16 taona lasa izay.Notrandrahin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny soradihy ireo fisalasalana, ireo zavatra tsy ampoizina ary ny tsy fahafahan-dRaolombelona mifehy izany rehetra izany. Mitarika ny sain’ny tsirairay handini-tena, manoloana ireo rehetra ireo, ny “Bara?ngo”, lalaovin’ny kaompania La Moustik. Araka ny fomba fijery filozofika, rahateo, mahaolona ny olombelona ny fametrahana fanontaniana amin’ny tranga rehetra misy.Eo amin’ny lafiny mahakanto ity soradihy ity, mampisongadina azy ny fifangaroan’ny kolontsaina sy ny fomba fandihy, entin’ireo mitondra azy an-tsehatra. Izay, rahateo, no mampiavaka ity kaompania ity, na eo aza ny fijoroany ao anatin’ny tontolon’ny hip hop. Noho izay fiombonana sy fahaiza-mitazona ny fahasamihafana izay ny nahavoafidy ny kaompania La Moustik ho nisongadina tamin’ny hetsika “Snipes battles of the year” tany Montpellier, tamin’ny taon-dasa.Hoentina an-tsehatra, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely ny “Bara?ngo », ny alarobia 29 mey izao.Landy R.L’article IFM – La Moustik: haseho amin’ny dihy ny “Bara?ngo” a été récupéré chez Newsmada.

Fivadihana kamiao

Nivadika teny an-tsisin-dalana ny kamiao iray nandalo tany Ambohimandroso Amparafaravola, omaly. Nitondra vary io fiarabe io. Nieren-doza ny olona tao anatiny. Simba vokatry ny fivadihana kosa ny fiara. L’article Fivadihana kamiao est apparu en premier sur AoRaha.

Kolo anaka: fahiratan-tsaina – fieritreretana – fietsehampo

(Fizarana2 )4- Moa ve ny hakingan-tsaina miankina amin’ny ambaratongam-pianarana efa nolalovana ?Ny fahaizana maminavina ny oran-ko avy na ny havandra hilatsaka dia mitakyfahatsilovan-tsaina izay tsy voatery hananan’ny olona be diploma. Izany dia karazam-pahalalàna azo avy amin’ny fahaiza-manao sy traikefa ary ny fananana saina mahay mandinika ny zava-boary sy ny natiora.Ny mpanao baolina kitra mahay indrindra sy ny mpanao baolina « basket » malaza eran-tany dia manana fahaizana manokana eo amin’ny fakana toerana eo ambony kianja. Sady mailaka no haingana sy mahomby rehefa milalao, mbola mahay mamitaka sy mitifitra baolina ka mahita harato avy hatrany. Vitsy anefa ireo nahavita fianarana hatramin’ny farany na manana diplaoma ambony amin’izy ireny.Ireo mpanao hosodoko sy mpanao sary sikotra fanta-daza koa dia toa manana talenta nolovaina hatrany am-bohoka. Ireo olo-mahay voalaza eo ambony ireo no antsoina hoe « génies » eo amin’ny sehatra misy azy avy. Fantatra koa anefa fa niasa fatratra ireo olona ireo vao tojo amin’ny toerana misy azy.5- Eto ianao dia miresaka momba ny olona faran’izay lalin-tsaina, fa ahoana kosa ny momba ny olon-tsotra na ny sarambabem-bahoaka ?Ny olona toa anao sy izaho dia tsy voatery manana talenta manokana, nefa nyfotoam-pahazazana raha toa ka miaina ao anatin’ny tontolo mandrisika ny fivelarana ara-tsaina sy ny fitomboana ara-batana, dia fanoitra lehibe ahafahan’ny tsirairay mahazo hakingan-tsaina raha oharina amin’ny ankamaroan’ny olona.6- Inona no mampiavaka ireo olona manana fahaizana voajanahary avo lenta (surdoué) eo amin’ny lafiny zava-kanto (art) na fanatajahantena sy ireo manana fahaizana amin’ny lafiny fianarana?Ny ankabeazan’ny olona mahay dia olona « hypersensibles » na olona manana fisainana haingam-piasa, mora mahazo an-tsaina sy mahataka-javatra haingana ary afaka mamoaka fonjan-kevitra efa voadinika. Afaka mandre zavatra tsy henon’ny sasany izy ireo. Midika izany fa na ny taovam-pandrenesana, fahitana, fahatsapàna, fahenona fofona na tsiro, eny na ny fahatsapana amin’ny hoditra aza , dia mandaitra kokoa raha mihoatra amin’ny sarambabem-bahoaka.Io « hypersensibilité » io no mampitombo ny fahaizany mandray zavatra sy mandinika ary manapa-kevitra haingana ka manjary olona filamatra izy ireo eo amin’ny sehatra misy azy avy raha ny fomba fihetsika sy fisainana no resahina. Ny fiantraikan’izany eo amin’ny fihetseham-po anefa dia mahatonga azy ireo ho olona mora tohina sy mora andairan-javatra.Nyfitambaran’ireo toetra ara-tsaina ireo dia tombony lehibe tokoa ho an’ny olona « hypersensibles » nefa koa mety hitarika fahasarotana ara-pifandraisana sy eo amin’ny fizarana ao anatin’ny fiaraha-monina. Noho izany dia mitaky fanampiana sy fitsinjovana manokana avy amin’ny olona akaiky azy, izy ireo.                                                                                               Nangonin’i Tatiana                                                                                                                                             (hitohy)L’article Kolo anaka: fahiratan-tsaina – fieritreretana – fietsehampo a été récupéré chez Newsmada.

Les Orchidées blanches: “Aoka tsy avahana ny sembana”

Nisokatra ho an’ny mpitsidika sy ireo rehetra liana amin’ny asany ny akany fibeazana ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina Les Orchidées blanches Androhibe ny alariobia lasa teo. Tafiditra amin’ny fanamarihina ny faha-45 niorenan’ny akany ny hetsika sady fanentanana ihany koa ho an’ny mpitsidika rehetra. Tanjon’ny varavarana misokatra ny fampahafatarana ny karazana kalitaon’ny fampianarana tokony ho azon’ny ankizy manana fahasembanana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny akany fibeazana, Ratsifandrihamanana Lisy. 12 ny toeram-pandraisana ankizy manana fahasembanana nandray ny fampahafantarana niampy ny EPP sy ny CEG satria izy ireo koa mikarakara ankizy manana fahasembanana ara-batanasy ara-tsaina. Niavaka koa ny famelabelarana momba Ny fahasembanana ara-tsaina sy ny fiatiana ary Ny fiatiana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena.  Nasongadin’ny tomponandraikitra fa vao teraka ny zaza manana fahasembanana dia efatafiditra ao anatin’ny fiarahamonina. Noho izany tsy tokony avahana izy ireny fa mila misitraka ny zo sy ny tombontsoa toy ny zaza rehetra (amin’ny fidirana an-tsekoly, mahazo fitsaboana sahaza…). Tokony ho voaomana mialoha hatrany izany zo izany amin’ny fisian’ny fotodrafitrasa sy rafitra maharitra handraisana ny zaza manana fahasembanana.Hitohy amin’ny fanatanterahana ny Miaina miaraka hotontosaina ny 6 jona izao eny amin’ny Kianjan’alarobia ny hetsika ho fampiroboroboana ny fiarahamonina mampiaty. Fanatanjahantena andraisan’ny ankizy mpianatra eny amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana EPP sy ny zaza beazina ao amin’ny Les Orchidées blanches sy ny akany mandray ny ankizy manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina ny Miaina miaraka. Taranja maromaro no hifaninanana fa zava-dehibe ny fiarahana manao fanatanjahantena.VonjyL’article Les Orchidées blanches: “Aoka tsy avahana ny sembana” a été récupéré chez Newsmada.

Sandratra: hanolotra an’« Ikala Anona »

Antsam-paribolana iray hiantefa tanteraka any amin’ny vehivavy ny « Ikala Anona ». Fiakarana an-tsehatra ifarimbonan’i Liantsoa, i Tahirintsoa, i Nofy, i Avelo-Nidor, i Riambetso, i Ranöe, i Mero Kosiky, i Zazangaly, i Narilala, i Zo-Maminirina, i Vatoary, i Hery Mandaniaina, i Anjara Tsy Ahy, i Mampandry Ny Aina Manitra, i Riambola Mitia, i Toly, i Bade, i Rima, ny asabotsy 25 mey izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-malagasy Analakely.« Fanomezan-kasina ny vehivavy izy io, indrindra fa amin’izao fanamarihana ny « Fetin’ny Reny » izao », hoy i Zo-Maminirina, iray amin’ireo hiantsa tononkalo amin’io andro io.  Nambarany tamin’izany fa anaram-behivavy avokoa ny ho voatonona ao anatin’« Ikala Anona ». « Na io sipan-dRakoto, na io vadin-dRabe, na io anabavin’i Naivo, sns, ho lohatenin’ny tononkalo avokoa ny anaran’ireo », hoy hatrany izy.Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa lehilahy avokoa ny hiantsa amin’io fotoana io!HaRy Razafindrakoto L’article Sandratra: hanolotra an’« Ikala Anona » a été récupéré chez Newsmada.