GSDM-EFTA: Nivoaka ny teknisiana misahana manokana agroécologie

News - GSDM-EFTA: Nivoaka ny teknisiana misahana manokana agroécologie

News - GSDM-EFTA: Nivoaka ny teknisiana misahana manokana agroécologie

Tsy ampy ireo teknisiana ara-pamokarana hanolo-tsaina ny tantsaha hiatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Izany  indrindra no antom-pisian’ireo « conseillers spécialisés en agriculture de conservation et agroécologie» (AE/AC). GSTM EFTA 8Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 19 aprily 2019 teny amin’ny sekoly fampiofanana teknisiana ara-pamokarana (EFTA) Ambatobe Antananarivo ny andiany voalohany amin’ireto teknisiana misahana manokana ny fambolena maharitra ireto. Avy amin’ny EFTA Analamalotra Toamasina sy Iboaka Fianarantsoa izy 30 mianadahy ireo ary nisalotra ny anarana “natiora” ny andiany avy ao Toamasina. “Misantatra” kosa ny avy any Fianarantsoa. Raha ny fanazavan’ny talen-tsekolin’ny EFTA Analamalotra Toamasina, Rakotomalala Nicole dia nanaraka ny lasi-piofanana nasionaly sy  “approche par les compétence” (APC) ny fiofanana nataon’ireo mpiofana nandritra ny herintaona. Nandalo fanazaran’asa ihany koa izy ireo. Noho izany dia vonona ny hiatrika ny asa  avy hatrany. Nampiavaka ireto andiany voalohany ireto ny finiavan’ireo mpiofana sasantsany  nandao ny asany teo aloha noho fitiavana te hanasoa ny tantsaha manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Tombontsoa

GSTM EFTA 7Vokatry ny fiarahamiasan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) sy ny EFTA ary ny GSDM, matihanina manokana momba ny fambolena maharitra (agroécologie) ity fampiofanana teknisiana AE/AC ity. Tetikasa nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny 2020 ny fampiofanana teknisiana misahana manokana ny fambolena maharitra. Nambaran’ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana fa dingana maro no nolalovana talohany nahatongavana tamin’izao famoahana teknisiana andiany voalohany izao. Tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM, vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) niampy ny fanampian’ny MAEP, ny FOFIFA, ny oniversite, ONG sy tetikasa maro,  mpampianatra-mpampiofana 18 amin’ireo ivon-toeram-pampiofanana momba ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra (CEFAR) no nofanin’ny GSDM.GSTM EFTA 6 Nilaza ihany koa Rakotondramanana fa tamin’ny taona 2014 no nandrafetana ny lasi-pampiofanana nahafahana nampiofana ireto mpianatra ireto. Hanampy ny tantsaha, ny tetikasa hiatrika ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ireto teknisiana ireto. Sady mamokatra no mitazona ny tsiron’ny tany no tombontsoa ho azy amin’izany, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM. Ankoatra izany, miady sy misoroka ny voka-dratsy ateraky fiovaovan’ny toetry ny andro ny fomba fambolena maharitra.

Sekolim-panjakana eo ambany fiahian’ny ny MAEP ny EFTA. Ahitana azy avokoa ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fifaninana no idirana ao amin’ny sekoly. Anjaran’ny EFTA Ambatobe Antananarivo sy Bezaha Toliara indray no hisitrika ny fampiofanana teknisiana AE/AC ho an’ny taom-pianarana 2018-2019.

Nirina R.

Cet article GSDM-EFTA: Nivoaka ny teknisiana misahana manokana agroécologie est apparu en premier sur déliremadagascar.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Sport - News Mada

Rallye AsaTana: mpanamory 29 hifaninana

Herinandro mialohan’ny dingana farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2018, fanamoriana fiara-kodia, efa vonona ny mpikarakara. Nifarana ny zoma 16 novambra teo ny fisoratana anarana. Mpanamory miisa 29 no voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifaninana amin’ity fifaninanana mitondra ny lohateny hoe “Tour de Tanà” ity. Nahitana fihenana ny isan’ny mpandray anjara raha mitaha ny tamin’ny dingana farany teo izay natao tany Moramanga. Nisy ihany koa ny fiovana teo amin’ny mpanamory sy ny mpanamory mpanampy sasantsasany. Ho an’i Sonia, mpanamory vehivavy, ohatra, nisafidy ny ho eo amin’ny toeran’ny mpanamory mpanampy izy, raha toa ka i Willy no eo amin’ny familiana. Ankoatra izay anefa, mbola ao anaty lisitra avokoa ireo kalaza toa an’i Rivo, Tahina ary i Teddy, telo voalohany amin’ny filaharana ankapobeny. Manamarika ity ambaratonga farany ity ihany koa ny fiverenan’i Hery Be sy i Fafah ho isan’ireo mpifaninana. Mi.Raz Lisitr’ireo mpifaninana: 1-Fidinera sy Alain (Renault Clio) 2-Frédéric sy Andry Tahiana (Subaru Impreza) 3-Anjajob sy Dylan (VW Golf) 4-Krystal sy Miangaly (Peugeot 106) 5-Teddy sy Herman (Ford Ranger) 6-Frédéric sy Jimmy (Isuzu D Max) 7-Ferri Jacques sy Nino (Subaru Impreza) 8-Olga sy Lanto (Renault Super 5) 9-Patty sy Luc Frédéric (VW Golf) 10-Tahina (Subaru Impreza) 11-Haja sy Rivo (Sangyong Actyon) 12-Maika sy Jean Herman (Peugeot 205) 13-Mickael sy Tojo (Peugeot 205) 14-Hery Be sy Fafah (Mitsubishi EVO9) 15-Rivo sy Ando (Subaru Impreza) 16-Yves Maurice sy Naina (Citroen C2) 17-Gaston sy Tojo (Peugeot 205) 18-Alcazaria sy Marielle (Peugeot 205) 19-Nirina sy Jerry (Peugeot 206) 20-Tsito sy Mick (Peugeot 207) 21-Pattie sy Jennie (Citroen) 22-Willy sy Sonia (Mitsubishi Evo) 23-Jordan sy Batso (Subaru Impreza) 24-Davonjy (Foton Tunland S) 25-Jhimmy sy Lanto (Peugeot 106) 26-Heryzo sy Sylvie (Subaru Impreza) 27-Tahiana (Subaru Impreza) 28-Sitraka sy Rado (Renault Clio III) 29-Andy sy Johanna (Peugeot 206).  L’article Rallye AsaTana: mpanamory 29 hifaninana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Arivonimamo: MD ny tovolahy iray nanolana ramatoa 49 taona

Io indray koa! Nidoboka am-ponja (MD) rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny talata teo, ny tovolahy iray vao 18 taona. Araka ny fanazavan’ny polisy, nosamborin’ny polisy tao Arivonimamo izy noho ity raharaha fanolanana ity. Malaza ratsy amin’izany ity tovolahy ity. Fantatra fa efa nisy fitarainana napetraky ny olona momba azy ka ity ramatoa 49 taona ity no nanalany ny filàn-dratsiny, raha ny tatitra voaray hatrany ka izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. J.CL’article Arivonimamo: MD ny tovolahy iray nanolana ramatoa 49 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antananarivo: foana ny aretina tazomoka

Mizotra miandalana mankany amin’ny fanafoanana ny aretina tazomoka isika ho fanatanterahana ny voarakitra ao anatin’ny drafitra stratejikam-pirenena 2018-2022.Nampahafantarina teny Androhibe, araka izany, ny fivoaran’ny ady amin’ny aretina tazomoka eny anivon’ny faritra rehetra eto Madagasikara.Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpampahalala vaovao hahafantarana marina ny tontolon’ny fahasalamana eto amintsika manoloana ireo vaovao tsy marim-pototra  niely tato ho ato, indrindra eny anivon’ny tambajotra sosialy.Fantatra fa ny distrikan’Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe I no nahafoana ny aretina tazomoka, nahitana taha latsaky ny 1 amin’ny arivo (1/1000) ho an’ity taona 2018 ity.Mitohy, araka izany, ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny foibe mpitantana ny ady amin’ny tazomoka ho famongorana miandalana ity areti-mandoza ity. “« Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka », izay ny tanjona iraisina”, hoy ny minisitera.Mitondra anjara biriky lehibe ihany koa, eo amin’ny lafiny teknika sy vola amin’ity ady atao amin’ny tazomoka ity ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.Tatiana AL’article Antananarivo: foana ny aretina tazomoka a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Toetr’andro

Amin’ny alakamisy mihitsy vao hisy orana indray eto Analamanga araka ny tomban- tomban’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro. Ho maina kosa ny andro any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy mandritra ny telo andro saingy hanorana amin’ny faritra sisa. Somary ho maina ny any amin’ny faritra Atsimo ny faran’ny herinandro. Tsy ahiana kosa ny fiforonan’ ny rivo-doza amin’ity heri- nandro ity, raha ny vinavina hatrany. Hidina ny mari-pana ambony amin’ny faritra Avaratry ny Nosy. Ny mari-pana ambany dia eo anelanelan’ny 16°C – 26°C ary ny mari-pana ambony ao anatin’ny 27 – 37°C. L’article Toetr’andro est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fampianarana ambony :: Mbola malalaka ny tontolon’ ny asa amin’ny sehatra sosialy

Mivelatra amin’ny lafiny maro. Anisan’ny mbola vitsy ireo olona mirotsaka amin’ny asa sosialy eto amintsika, raha ny fanazavan’ny talen’ny sekoly ambony tsy miankina iray, etsy Behoririka. Nambarany fa malalaka ny tsenan’asa amin’izany noho io fahavitsian’ny olona misehatra aminy io. Maro be ny asa azo atao amin’ny asa sosialy, saingy nisafidy ny hikarakara ireo olona manana fahasahiranana manokana kosa ity renim-pianakaviana iray avy any Antsirabe, izay vao nahavita fiofanana mahakasika ny fanabeazana ara-tsosialy ity. Mpampianatra tany amin’ny Sekoly ambaratonga voalohany, tany amin’ny EPP Tongarivo, ny tenany teo aloha ary efa mampianatra eny amin’ny CEG Ivohitra, no izao niverina nanovo fahalalana hafa izao. “ Isaky ny miambina ireo ankizy manao fanadinana CEPE aho dia mahita hatrany olona gadra manao izany fanadinana izany ary misy rojo vy hatrany. Nahaliana ahy ny mba hahafantatra ny fiainan’izy ireny ka nahatonga ahy handranto fahalalana ho lasa mpanabe manokana teto amin’ny sekoly nianarako. Ny eny amin’ny sehatry ny fonja no tena tiako hiasana saingy misy ihany koa ny sehatra hafa azo trandrahina”, hoy Rasoamalala Voahangy Marie Pauline, nandritra ny famoahana ny andiany voalohany tamin’ireo mpianatra navoakan’ny sekoly ambony momba ny fampandrosoana ara-toekarena ary sosialy, teny Ambohimangakely, ny sabotsy lasa teo. Ho amin’ity sekoly ity , saika mifantoka kokoa amin’ ny sehatra ara-tsosialy ireo mpianatra satria manodidina ny 80%-n’izy ireo dia liana amin’izany avokoa. “Hanofana ny mpianatra hiatrika ny fampandrosoana ka hiasa ho an’ny tenany manokana no tena tanjonay”, hoy i Hanitriniaina Elea Chilo, talen’ny sekoly. L’article Fampianarana ambony :: Mbola malalaka ny tontolon’ ny asa amin’ny sehatra sosialy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Bedoa Ihorombe: nitsoa-ponenana ny Mikea, 4 700 ha ny ala ripaka

Lasan’ny dahalo miisa dimy lahy ny omby roa, ny volana septambra 2018 teo, tany amin’ny tanàna iray, antsoina hoe Iaborao, fokontany Bedo, kaominina Basibasy, distrika Ihorombe, faritra Atsimo Andrefana. Nitarika ny sarety nitaterana ny rano niveloman’ny mponina ireo omby ireo, ary saika niankina aminy avokoa ny fiveloman’ny maro ao an-tanàna, toy ny olobe sy ny raiamandreny, indrindra ny mpianatra ao amin’ny sekoly iray, hany misy any an-toerana, satria any amin’ny 10 km vao mahita rano.Nilaza i Mbohovelo Raohy, antsoina hoe Tsivahora, tompon’andraikitr’ilay sekoly, fa nihorohoro tanteraka ny mponina, indrindra ny tena tompon-tany, ny foko Mikea, satria lasa disadisa fiarahamonina ity raharaha ity ka voatery nifindra monina niala tao an-tanànany.Hany mpampianatra manabe ny ankizy zanaky ny Mikea any Bedo Rtoa Razafindrakoto Emmanuelle, vadin’i Tsivahora, mitazona ny kilasy voalohany hatramin’ny taona fahatelo, hany misy any an-toerana. Notsoriny fa tsy mianatra intsony ny ankizy amin’izao fotoana izao, tsy manana sekoly intsony, satria voatery nifindra monina.Ripaka ny ala 4 700 haNambaran’i Tsivahora koa fa lasa mifandrafy amin’ny mponina sasany, izay mpihavy, ny ankamaroan’ireo Mikea. Ireo mpihavy ireo no tena manapotika ny ala, hamboleny (katsaka, voanjo, mangahazo, sns), hanaovany saribao, manapaka ny hazo hanaovany trano, sns. “Foto-pivelomanay anefa ny ala sy ny ao anatiny. Izahay, tsy mamboly, tsy mahay taratasy ny ankamaroan’ny mponina (maherin’ny 95%), tsy miaina amin’ny sivilizasiona ankehitriny fa miaina amin’ny remby tantely sy ny haza ary ny fiotazana voankazo sy mihady oviala. Izany no famantarana ny foko Mikea. Afaka miaina ankalalahana anefa izahay fa sarotra ho an’olon-kafa, na ny foko hafa ny hiaina toy izany. Fantatra fa manodidina ny 400 sisa ny mponina Mikea, tena miaina amin’ny fomba Mikea ary miaina ao anatin’ny ala Mikea.Araka ny voalazan’izy ireo, mihamitombo ny fahatongavan’ny mponia mpihavy any amin-dry zareo, mahatonga ny firongatry ny fandripahana ny ala. Manodidina ny 4 700 ha ny ala ripaka amin’izao fotoana izao, raha ny tarehimarika voarain’ireto foko Mikea ireto.Aoka tsy hodisoina ny tantaraNandalo tany an-toerana ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget, andro vitsy lasa izay. Nisaotra ny fahatongavany tany i Tsivahora sy ny mponina Mikea satria sambany nisy tompon’andraiki-panjakana tonga tany an-toerana sy nahita maso ny tena zava-misy sy ny faharinganan’ny ala.Nitantara koa i Tsivahora fa anisan’ny fototr’izao disadisa fiarahamonina izao ny fahadisoam-panantenan’ny mponina Mikea, nataon’ilay mpanakanto iray. Nitondra mpanao gazety vahiny avy ao amin’ny France Télévision ity mpanakanto ity, ny taona 2009, nilaza fa hanao horonantsary mikasika ny fiainana sy ny tantaran’ny foko Mikea. Nanome toky azy ireo izy fa hanorina fotodrafitrasam-pampandrosoana toy ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, ny famatsiana rano madio fisotro, ho tambin’ny fakana horonantsary. Nanaiky ny mponina Mikea, saingy tsy nisy vita izany toky izany. Niverina ity mpanakanto ity ny taona 2018 ary nilaza fa hamerina hanao horonantsary indray. Tsy nanaiky intsony ireo Mikea nilaza fa tsytanteraka ny toky nomena azy ireo. Efa nihamaro anefa ny mpihavy (tsy Mikea) any an-toerana ka ireo no nanaiky halaina horonantsary. “Tsy Mikea ireo mpihavy ireo koa aoka tsy hodisoina ny tantara”, hoy i Tsivahora.Njaka AndriantefiarinesyL’article Bedoa Ihorombe: nitsoa-ponenana ny Mikea, 4 700 ha ny ala ripaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Toamasina : Telo mianaka nisy namono, hita faty tao an-tranony, efa lo

Maty nisy namono tao an-tranony tao Depôt 4ème Toamasina ireto telo mianaka :Atoa Perez rancisco 64 taona avy any Guadeloupe  sy Rtoa vadiny Soa Monica 48 taona, ary ny zanak’izy ireo 07 taona ; izay zaza natsangany mpianatra ao amin’ny lycée français Toamasina. Raha ny zava-nisy, nahita azy telo mianaka ireto dia taorian’ny 08 may teo no nisy namono izy ireo, satria raha ny fanazavana azo dia mbola nianatra ity zaza ity ny alarobia 08 may io, fa ny alakamisy 09 may izy vao nanomboka tsy tonga nianatra intsony; ka tombanana ho ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy io no nitrangan’ny famonoana azy telo mianaka ireo tao an-tranony. Ny fanazavana azo, dia ny fofona maimbo teo an-tanana tao Depôt 4ème no nanaitra ny mponina ny alatsinainy 13 may teo, ka raha narahana ny fiaviany dia niainga tao amin’ity trano iray ity ilay fofona. Nihidy tao anatiny anefa ny trano ka voatery novakian’ny fokonolona tao an-tanana nijerena ny zava-nisy. Trano nikorontana sy telo mianaka efa maty manomboka  ho simba, tao amin’ny efitrano fidiovana no hitan’ny fokonolona. Voatery niantso mpitandro ny filaminana ny filoham-pokontany nijery ny zava-nisy sy nanao fanadihadiana. Teo no nahalalana, fa nisy jiolahy niditra tao amin’izy ireo ary namono azy telo mianaka alohany nitadiavan’izy ireo ny nilainy tamin’ireto fianakaviana ireto. Nohidin’ireo jiolahy tany anatiny ny trano, ka teny an-tafontrano ireo jiolahy no nitsoaka taorian’izany. Ankilan’izany, dia mikasa ny hanao mariazy ny volana desambra izao ity teratany vahiny sy ity teratany Malagasy ity, saingy alohan’izay dia nikasa ny hody kely hamonjy ny fianakaviany ilay rangahy ny 20 may ho avy izao. Vao iray volana teo kosa izay no nifindran’izy ireo tao amin’ny fokontany Depôt 4ème ity, raha ny taona 2010 no efa nifankalala i Francisco Perez sy Soa Monica. Ankoatra izany raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka be vava misahana ny raharaha, dia efa misy olona efa-dahy nosamborina tamin’izao raharaha izao, ny alatsinainy 13 may alina teo ihany hanaovana fanadihadiana noho izy ireo ahiana tamin’ity vono olona ity. Tena miantso vonjy amin’ny tsy filaminana ny vahoakan’i Toamasina, satria raha tsy iharan’ny vaky trano arahina vono olona, dia miaina ny fanafihana mitam-piadiana sy asa fanendahana ary halatra môtô saika isan’andro. Malala DidierL’article Toamasina : Telo mianaka nisy namono, hita faty tao an-tranony, efa lo a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Triatra

Fifidianana : Hiaraka amin’ny K25 ny faritra iva

Mifoha amin’ny torimasony. Manoloana ny fifidianana fihodinana faharoa izay ho filoham-pirenena, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mponina eny amin’ny faritra iva, ary naneho ampahibemaso ny fanohanany ny kandidà 25, Marc Ravalomanana. « Naharesy lahatra anay ny foto-kevitra ijoroany, izy no hampandroso avy any ifotony, miainga avy any amin’ny vahoaka. Mandray andraikitra izy ao amin’ny programan’asa nomenay. Tsapanay fa vonona izy ny hanatanteraka, indrindra ny fijerena manokana ny mahakasika ny tena marary ny vahoaka », araka ny fanazavan-dRavelojaona Hariniaina Andry na Andry La Pie, mpitarika ny mponina eny amin’ny faritra iva. « Tsy nofinofy entina hampatoriana ny olona ny azy fa vina entina hotanterahina ho fampandrosoana ny firenena, ary hijerena manokana ny fiainan’ny vahoaka, izay mizaka ny mafy ankehitriny », hoy hatrany izy. Hatramin’izay dia nataon’ny mpanao politika nifandimby ho fitaovana hakana ny vaton’ny mponina any amin’ny faritra iva, ary izay mifoha amin’ny torimasony izao ka mahafantatra ny lalana hodiaviny eo amin’ny sehatry ny politika. Anisan’ny fototra iray mitarika ny fahasahiranan’ny mponina ny tsy fisian’ny asa, ary anisan’ny andrandrain’izy ireto ny famoronan’asa. « Natao fitaovana sy lalana nandalovana izahay, izao indray dia entin’ny sasany any amin’ny resaka nofinofy. Tsy ekenay intsony izany fa izahay no hanatanteraka ny vina, tsy hiandrasana ny filoha Ravalomanana, fa izahay no handray andraikitra amin’ny asa izay hotanterahiny any amin’ny faritra misy anay, ary vonona izahay hampandany ny kandidà 25 », hoy ihany Andry Lapie. Anisan’ny manohana sy mpiara- miombon’antoka amin’ireo fikambanan’ny mponina eny amin’ny faritra iva ny fikambanana « Madagasikara Tafaray». Miarantsoa L’article Fifidianana : Hiaraka amin’ny K25 ny faritra iva est apparu en premier sur .L’article Fifidianana : Hiaraka amin’ny K25 ny faritra iva a été récupéré chez Triatra.

Jeux - Jouet - News - Delire Madagascar

TATOU EVENTS: Hiverina mandritra “Tia M’teuf” ny kilalao Malagasy fahiny

Ho famerenana ny sotoaviana Malagasy amin’ny lafiny kilalao dia mikarakara hetsika ny “Tatou Events” ny alatsinainy 25 jona 2018. Eny amin’ny Villa verte Ambatomiarahavavy no hanatanterahina ny hetsika manomboka amin’ny 9 maraina mandra-parain’ny andro. Ho hita eny an-toerana avokoa ireo kilalao fanaon’ny kilonga Malagasy taloha toy ny tsikonina, katro, vitsiliha… Mirona any amin’ny fivoaran’ny teknolojia toy ny “jeu vidéo”, “facebook” sy ny maro hafa ny ankizy Malagasy amin’izao fotoana. Hany ka adino tanteraka ny kilalao taloha”, hoy ny mpikarakara, Vola Tatiana Ramanamihanta. Eny amin’ny super Music Analakely sy mandritra ny hetsika ny fividianana ny karatra. 10.000 Ariary ny saran’izany. Amin’ny maha hetsika ara-kolontsaina ny “Tia M’teuf”, hampiavaka azy ny fampisehoana ara-java-kanto. Handray anjara amin’ny hetsika ny tarika Gasy Mihanta. Hivetso ny hira mamoa ny vakoka Malagasy izy ireo. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny tontolon’ny andron’ny 25 jona 2018 mandra-parain’ny andro satria hanafana ny “Tia M’teuf” ihany koa ireo mpanakanto ankafizin’ny tanora toy an’i THT, Johane, Tann Faya, Melanie Walker, Jess Flavi One sy ny DJ Scotty sy Tee Jay Jerry. Nambaran’ny mpikarakara fa hisy ny fandefasana afomanga ny alin’ny 25 jona 2018. Lynda A. TATOU EVENTS: Hiverina mandritra “Tia M’teuf” ny kilalao Malagasy fahiny Cet article TATOU EVENTS: Hiverina mandritra “Tia M’teuf” ny kilalao Malagasy fahiny est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Sport - Ao Raha

HAZAKAZA-PIARAKODIA – SLALOM :: Tompondakan’i Madagasikara i Tsiory, laharana faharoa i Mika

Raha efa fantatra, talohan’ ny dingana farany ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izay nisalotra ny anaram-boninahitra teo amin’ny hazakaza-piarakodia sokajy Slalom, dia nosoniavin’i Mika Rasoamaromaka, ny faran’ny herinandro lasa teo ny maha tompondaka lefitra azy. Nitana ny laharana faharoa, tamin’ny dingana farany na ny “Last Race”, ny faran’ny herinandro lasa teo i Tsiory Rakotomiarana (Peugeot 106) ary nahavita ny anjara hazakazany tamin’ ny fe-potoana 2 minitra 50’’96. Nitana ny laharana faharoa kosa i Mika Rasoamaromaka, izay nanamory Citroën C2, tamin’ ny fe-potoana 2 minitra 52’’02. Tany amin’ny laharana fahatelo kosa no nisy an’ i Fred Rabekoto, izay nitondra Peugeot 206 rehefa nahavita ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 2 minitra 52’’82. Tamin’ny filaharana ankapobeny dia manana isa 154 i Tsiory ka nahavoahosotra azy ho tompondaka, nanomboka teo amin’ny dingana fahefatra. Efa taty amin’ny dingana fahenina kosa vao nazava ny nahalefitry ny tompondaka an’i Mika, manana isa 101 tamin’ny fiafaran’ny fifaninanam-pirenena. Nikatona hatreo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ity taom-pihazakazahana ity. L’article HAZAKAZA-PIARAKODIA – SLALOM :: Tompondakan’i Madagasikara i Tsiory, laharana faharoa i Mika est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Notsongaina

Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina

Mitohy ny asa fanamboaran-dalana avy eny Andranobevava mivoaka any amin’ny By Bass (Rocade avaratra atsinanana sy atsinanana). Hanome endrika vaovao ny tanànan’Antananarivo ny fahavitan’io lalana io, sy hanamaivana ny fifamoivoizana. Hamafisina ny fepetra efa noraisina amin’ny fanalàna ny mponina manodidina, fepetra takin’ireo mpamatsy vola (AFD, Bei, UE)*hampandehanana ny asa, sady tombontsoa iombonana, araka ny fanazavan’ny talen’ny fanajariana ny tany, Rabearimanana.Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ny onitra ho an’ireo rehetra tsy maintsy esorina. 20 miliara ariary ny atokana amin’izany, ho an’izay manan-tany, trano, tanimbary sy karazam-boly hafa, toeram-pivarotana, toeram-piasana, sns. Dingana maro ny atao, manomboka ao amin’ny  sampana fanajariana ny tany, mandalo ao amin’ny minisiteran’ny Vola, manefa ny onitra. Ilaina fanamarinana ny fananan-tany, trano, sy izay fitadiavam-bola hafa. Honerana hatramin’ny mpanofa trano. Tombanana amin’ny sandan’ny ankehitriny ny zavatra tsy maintsy ravana, koa arak’izay koa ny vola omen’ny fanjakana.Tokantrano miisa 1087 sy tany 507 no voakasik’izao fandravana izao. Jerena akaiky ny momba ny trano, tanimbary sy fambolena hafa, asa fitadiavam-bola voatery ravana. 50 % ny onitra efa noraisina tamin’ireo. « Tsy ataon’ny fanjakana ny manavesatra izany, indrindra ho an’ireo sahirana sy beantitra », hoy ny talen’ny fanajariana ny tany, Rabearimanana.Somary tratra aoriana ny fahazoana onitra momba ny tany sy ny tanimbary noho ny fahasimban’ny boky fanamarinana ao amin’ny fananan-tany, sy ny fahasarotana fanaovana taratasy fandovana. Tany 69 fotsiny izao amin’ireo 507 no voasolo vola. Vahaolana ny fananganana Fitsarana manokana momba ny tany. Hanirahana vadintany sy mpitandro filaminana izay manda tsy mety miala. R.Mathieu  *AFD : Agence française de développement Bei :  Banque européenne d’investissementUE : Union européenneL’article Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina a été récupéré chez Newsmada.

Mahavoky-Ankorondrano: nodiovina ny lakandrano

100 lahy no nanadio ny lakandrano tetsy amin’ny boriborintany fahatelo, nandritra ny roa andro tetsy Avaradoha nanomboka teo Mahavoky besarety hatrany Ankorondrano. Nisy koa fanadiovana ny lakandrano manodidina ny « Rond point » Ankorondrano. Natao ny hetsika ho fijintsovana ny fahavaratra ka laharampahamehana ireo faritra maloto sy dibo-drano tanteraka rehefa fahavaratra amin’iny toerana iva iny.Nanantontosa ny asa teny an-toerana ny mpiasa mpanadio amin’ny boriborintany enina, ny mpiasa amin’ny sampanasa teknika ny boriborintany fahatelo ary ny sampan-draharaha mpanadio eny Antsakaviro sy ny “  ekipa mpanadio manokana avy ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Nitarika ny asa ny sefo teknika Andrianaivojaona Lova ao amin’ny boriborintany fahatelo. Fitaovana tsotra toy ny borety, angady , « fourche », kamio no nampiasaina.Vonjy A. L’article Mahavoky-Ankorondrano: nodiovina ny lakandrano a été récupéré chez Newsmada.

Voka-bary any Alaotra-Mangoro: novaina ny fomba fitakiAna tamberim-bidy

« EzahIna ny hisiana tombontsoa Hahafahana mijery ny fiainam-bahoaka, hampisy ny fandrosoan’ny faritra. Tamberin’andraikitra tokonyh ilofosan’ny mitondra ny faritra amin’ny vahoakany rahateo izany », hoy Randriamandimbisolo Andriamahazaka, lehibe vonjimaika ny faritra Alaotra-Mangoro.Novaina tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana, ny 23 mey teo, ny fividianana vary any amin’ny faritra Alaotra-Mangoro. Tsy maintsy ao amin’ny biraon’ny faritra ny mandoa ny tamberim-bidy ireo mpanangom-bokatra hialana amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinana ireo tombontsoan’ny faritra fa tsy eny amin’ireo toeram-pitakiana (points de perception) toy ny teo aloha intsony. Maka fahazoan-dalana hanangom-bokatra ao amin’ny biraon’ny faritra. Sisa tsy maintsy atao ny fisavana ireo taratasy fahazoan-dalana misy any amin’ireo mpanangom-bokatra eny amin’ ireo  « toeram-pitakiana » teo aloha.Misy koa ny mpiasan’ny faritra, mandehaleha, tsy mijanona amin’ny toerana iray, misava ireo taratasy isan-karazany tokony ho eny am-pelatanan’ny mpanangom-bokatra. Mitaky sy mampihatra lalàna izy ireo raha misy tsy fanarahan-dalàna tojo azy ireo. Na ireo mivezivezy, na ireo mijanona, samy miasa manara-maso, araka ny nampanaovin’ny lehiben’ny faritra. Nanao fianianana an-tsoratra rahateo, mety hahatonga fanamelohana izay mivadi-pitokisana ka ho mafy ny saziny.Tsiahivina fa tsy niova fa toy ny teo aloha ihany ny vola alaina amin’ny mpanangom-bokatra: 37 Ar ny tamberimbidy amin’ny akotry : 22 Ar an’ny faritra, 15Ar an’ny kaominina nivoahan’ny vokatra ; 20 Ar kosa ny amin’ny vary fotsy ka 10Ar an’ny faritra, 10 Ar koa ny an’ny kaominina ; toy izany koa ny ampombo, 20 Ar ka samy 10 Ar avy ny an’ny faritra sy ny kaominina. RarivoL’article Voka-bary any Alaotra-Mangoro: novaina ny fomba fitakiAna tamberim-bidy a été récupéré chez Newsmada.

« LE ZOMA DE TANA » : Resy teny amin’ny fitsarana ny kaominin’Antananarivo renivohitra

Miverina amin’ny hetsika « Le Zoma de Tana »  etsy amin’ny Parvis  Analakely raha ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana androany Alakamisy 23 Mey 2019. Naaton’ity fitsarana ity ny fanampahan-kevitra noraisin’ny tale kabinetran’ny kaominana Antananarivo Renivohitra (CUA) ary nampanan-kery ny fahazoan-dalana azon’ny « Le Zoma de Tana » hampiasa ny toerana eo Analakely. Tokony mijanona noho izany ny hetsika fetin’ny reny karakarain’ny kaominina eo amin’io toerana io. « Lainga  ny fanambaran’ny kaominin’Antananarivo renivohitra omaly fa tsy nahaloha ny vola fanofana io toerana eo amin’ny lapan’ny tanana io ny mpikarakara ny hetsika « Le Zoma de Tana ». Voaporofo nandritra ny fitsarana izany satria naseho ireo taratasy nandoavam-bola. », hoy ny  mpisolovavan’ny mpikarakara ny « Le Zoma de Tana », Aliarivelo Maromanana. Tsy nety nadray ilay didim-pitsarana ny tao amin’ny kaominina raha nanatitra izany izy ireo androany tolakandro. Mandika lalana ny ao amin’ny CUA izay mandà ny didy navoakan’ny fitsarana iny, hoy hatrany ity mpisolovava ity. Nasain’ny  tao amin’ny CUA miverina rahampitso Zoma 24 Mey 2019 amin’ny 10 ora maraina kosa anefa izy ireo. Noamafisin’ny mpikarakara ny hetsika « Le Zoma de Tana » fa tsy hanakorontana izy ireo satria misy amin’ireo mpivarotra ao ankehitriny no manana trano eva izay tokony mivarotra ao amin’ny « Le Zoma de Tana ». Nanambara sy nametraka hafatra ho an’ireo mpivarotra mpiara-miasa amin’izy ireo fa voatazona ireo teti-andro rehetra amin’ity taona 2019 ity eo amin’ny Parvis Analakely io. Amin’ny toe-javatra tahaka izao dia ny mpivarotra no tena voa mafy satria lasa mandoa vola in-droa na ihany koa maty antoka ho an’ireo izay tsy afaka nandray anjara nefa efa vonona ny hanome fahafaha-pon’ny mpanjifa mandritra ny « Le Zoma de Tana » izay tokony efa nanomboka. Nirina R. Cet article « LE ZOMA DE TANA » : Resy teny amin’ny fitsarana ny kaominin’Antananarivo renivohitra est apparu en premier sur déliremadagascar.

KANTON’I GASIKARA: Sady mampifaly an’i Neny no manandratra ny vita malagasy

Tsy ampy ny sehatra hivarotana ireo asa tanana malagasy kanefa dia mihatsara hatrany ny kalitaony. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny reny izao dia fanomezana mendrika ho atolotra ho an’i Neny ny vita malagasy noho izay hatsaràn’ny kalitao izay. Ho fanampiana ny raim-pianakaviana na ny zanaka sy ireo maniry ny hividy fanomezana ho atolotra ho an’i Neny amin’ny alahady 26 mey 2019 ho avy izao  ny hetsika karakarain’ny  orinasa mpanao asa tanana Chez’Elles miaraka amin’ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana (MICA) ary ny ofisim-paritry ny  fizahantany eto Analamanga (ORTANA). Manomboka rahampitso 21 mey ka hatramin’ny 25 mey 2019 eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina  no hanatanterahana ny foara “kanton’i Gasikara”. Manandratra ny vita malagasy no tanjon’ny foara ka vokatra maro momba ny asa tanana toy  ny rary, ny zaitra,  ny firavaka,  ny sokitra, ny hosodoko, ny sakafo,  ny ranomanitra, ireo kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana ny endrika amam-bika, ireo zavatra simba na tsy ilaina intsony (baoritra, finday simba…) ka nahodina ho vokatra vaovao azo ampiasaina no hampirantiana sy amidy mandritra ny dimy andro. Nambaran’ny mpitantana ny Chez’Elles, Ratrimoson  Mihanta Stéphanie  fa isaky ny telovolana no hanatanterahina ny “kanton’i Gasikara” ary manana vina hitondra ireo mpandray anjara any amin’ireo nosy rahavavy ity mpikarakara ity mba hampiroboroboana ny fidiram-bolan’ny mpanao asa tanana malagasy sy ny vita malagasy. Noho ny fiarahamiasa amin’ny ORTANA dia delagasiona roa avy ivelany ho avy hitsidika ity andiany voalohany ity izay ahitana mpandraharaha ara-toekarena avy any Belgique sy Espagne. Nomarihin’ny mpikarakara fa tsy misy ny vidim-pidirana. Lynda A. Cet article KANTON’I GASIKARA: Sady mampifaly an’i Neny no manandratra ny vita malagasy est apparu en premier sur déliremadagascar.

MADAGASCAR NATIONAL PARKS: Ny fanalahidy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro

Efa mizaka ny voka-dratsiny ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Miseho amin’ny alalan’ny fiakaran’ny maripana antonony isan-taona izany. Tafakatra  2° C  ny maripana any amin’ny faritra sasantsasany. Tsikaritra ihany koa tamin’ny farany teo ny fahalavan’ny vanim-potoana ny main-tany ho an’ny faritra Atsimo sy ny fiakaran’ny rotsakorana tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, ny fisian’ny  tondra-drano  ary ny voka-dratsy ateraky ny fahamafisan’ny  rivo-doza. Manimba ny  toekaren’ny firenena ary mampitombo ny fitotonganan’ny fari-piainan’ny mponina fa indrindra ny fahasimban’ny  zava-boahary maro karazana eto Madagasikara izany rehetra izany, araka ny fanazavan’ny MNP ( Madagascar National Parks).  Mitana andraikitra lehibe manoloana ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny  toetr’andro ny fahaizana mitantana tsara ny faritra arovana. Manampy amin’ny fikajiana ny zava-boahary, mandrindra ny rohivoahary sy mampihena ny loza ateraky ny toetr’andro ny fahaizana mitantana azy. Raha ny tarehimarika voaray dia misarika mpizahan-tany 180.000 isan-taona ireo vala-java-boahary eto Madagasikara. Ho fanamafisana ny fiarovana sy fikajiana ireo vala-java-boahary indrindra no antom-pisian’ny tetikasa ho fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny fiarovana ny zava-boahary na ny PRCPB. Ny UICN  (Union Internationale pour la conservation de la nature) no misahana ity tetikasa vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana (BAD) vola ity. Ny MNP kosa no mandrindra izany ary vala-java-boahary miisa 14 no hahazo tombontsoa. Nisy ny atrikasa nanaovana tombana ny 15 mey 2019 lasa teo mba hampahomby ny fanatanterahana ny tetikasa PRCPB. Nirina R. Cet article MADAGASCAR NATIONAL PARKS: Ny fanalahidy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro est apparu en premier sur déliremadagascar.

Basikety – N1B Lehilahy: ekipa 18 hiady ny lohany

Taorian’ny fifaninanana N1A lahy sy vavy, dingana voalohany, natao tany amin’ny faritr’i Diana, ny herinandro lasa teo, sy ny teo amin’ny sokajy N1B vehivavy, natao tany Fenoarivo Atsinanana, ny 18 hatramin’ny 26 mey lasa teo, hiditra amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara eo amin’ny sokajy N1B lehilahy indray ny taranja basikety malagasy. Any amin’ny faritr’i Tsiroanomandidy ny hanatanterahana izany, manomboka anio 1 jona ary hifarana ny 9 ny volana jona izao. Ekipa miisa 18 avy amin’ny ligim-paritra miisa 12 no voafantina hiatrika ity fihaonana ity. Ahitana ny ASM, BCKB, BCBVS (Bongolava), ny MBC sy CosPN2 (Atsinanana), ny SBC sy CBBU (Vakinankaratra), ny BCF (Amoron’i Mania), ny USF (Matsiatra Ambony), ny ASB (Itasy), ny TMBB, DTSC, ny NGB (Analamanga), ny JCM (Atsimo Andrefana), ny HFF sy Somava (Sava), ny AS Dalton (Vatovavy Fitovinany), ny Fanalolahy (Atsimo Atsinanana) ary ny BBCA (Alaotra Mangoro).Mahakasika ity fifaninanana ity hatrany, kianja roa, ny CEG sy ny Bika Tsiroanomandidy, no handray ny lalao rehetra mandritra ny valo andro hifandonan’ireo ekipa ireo. Efa vita omaly ny fihaonana teknika nataon’ireo mpanazatra sy ny mpitsara mivondrona eo anivon’ny CEBB, natao tao amin’ny hotel Manambolo Tsiroanomandidy. Mi.Raz L’article Basikety – N1B Lehilahy: ekipa 18 hiady ny lohany a été récupéré chez Newsmada.

Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano

Manoloana ny fitarainan’ireo tantsaha mpamboly any amin’ny Distrikan’ Ambanja amin’ny afitsoky ny mpangalatra, dia namoaka daty ny fanjakana, ka hisokatra androany alatsinainy amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana sy ny tsenan-davanila amin’ny faritra Sambirano. Ny asabotsy teo, raha ny vaovao voaray, dia mpanagom-bokatra « Mandateur » sy « Collecteur vanille » miisa 144 no nizarana karatra, tao amin’ny biraon’ny Distrikan’ Ambanja. Eric ManitrisaL’article Ambanja : Taom-piotazana lavanila, hisokatra androany ny any amin’ny faritra Sambirano a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Faran’ny herinandro an-tsary

L’article Faran’ny herinandro an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

Handball – «IHF Trophy»: 28 mirahavavy hiaro an’i Madagasikara

Hotanterahina, any Zambia ny 11 – 17 jona ho avy izao, ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball. Miavaka kely ny amin’ity satria nitambatra ny faritra fahenina sy fahafito. Araka izany, 10 ny firenena hiady lohany, amin’ity fifaninanana ity. Hiatrika izany, amin’ity, ny sokajy vehivavy “cadette” sy ny “junior”, ho an’i Madagasikara, misy mpilalao 14 avy.Mpilalao notsongaina tamin’ny fifaninanam-pirenena an-tsekoly sy tao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Nisy ny fampivondronana intelo ka ireo mendrika no notazonina ho any Zambia. Anisan’ny misongadina amin’izany ny ligin’Ihorombe satria saiky izy ireo no mandrafitra ny ao amin’ny sokajy “cadette”.Marihina fa hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity fihaonana ity ka hisolo tena ny faritra fahenina sy fahafito ny voalohany, amin’ity. Torcelin  Cadette  Mpiandry tsatoby: i Renah (Ihorombe); i Fy (Betafo); i Alice (Bongolava)Vodilaharana havanana: i Sandra (Ihorombe); i Gildas (Atsimo Andrefana)Vodilaharana havia: i Tsiory (Ihorombe); i Lefitra (Matsiatra Ambony)Irakiraka afovoany: i Vanessa (Atsimo Atsinanana); i Yasminah (Ihorombe)Elatra havanana:  iAina Victoria (Matsiatra Ambony); i Jessica (Ihorombe)Elatra havia: i Rosa (Ihorombe)Lohalaharana afovoany: i Hasina (Bongolava); i Princia (Bongolava) Mpanazatra: i Tsilavina sy i Levola Junior Mpiandry tsatoby: i Pierette (Matsiatra Ambony); i Brutia (Ihorombe)Vodilaharana havanana: i Leonie (Analamanga); i Sidonie (Alaotra Mangoro)Vodilaharana havia: i Hovasoa (Betroka)Irakirka afovoany: i Ando (Ihorombe); i Chaina (Boeny)Elatra havanana: i Mirah (Analamanga); i Hanitra (Boeny)Elatra havia: i Tiary (Alaotra Mangoro); i Karine (Analamanga)Lohalaharana: i Monique (Boeny); i Mirana (Ihorombe); i Florida (Atsimo Andrefana) Mpanazatra: i Patrick sy i Eric L’article Handball – «IHF Trophy»: 28 mirahavavy hiaro an’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

TAGNAMARO: Famohazana ny fifanampiana sy fikoloana ny fananana iombonana

Nifanojo tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ny tranombakoka ny hetsika “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”. Teny amin’ireo toerana manana tantara no nanatanterahin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny tagnamaro ny 18 mey 2019. Niara-nisalahy tamin’ny fanalàna ny lobolobo, nanadio nanomboka teo amin’ny Lapan’ny Andafiavaratra, nitohy teo amin’ny tribonalin’ny Ambatondrafandrana, ny lalana pavé miafara any Ambanidia izay mandalo eo Ambavahadimitafo ireo mpiasa rehetra avy amin’ny sampandraharaha mandrafitra ny minisitera. Nolokoina i Ambavahadimitafo ary notafoana ihany koa mba hiverina amin’ny endriny taloha. Toy ny mahazatra dia nolokoina ny atiny sy ivelany ny EPP Flacourt Ambavahadimitafo. Nambaran’ny minisitry serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriantongarivo Lalatiana fa lalan-tsainan’ny tagnamaro ny fifanampiana amin’ny fikolokoloana ny fananana iombonana, ao anatin’izany ny fikoloana ny vakoka satria maha izy azy ny firenena. Nohamafisiny fa fiantsoana ny olom-pirenena hiara-hientana ny “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena” ka izay no mahatonga azy atao andro tsy fiasana. “Inona no foinao olom-pirenena ho an’ny firenenao? Foinao ve ilay andro fialantsasatra, andro iray ao anatin’ny iray volana ho an’ny firenena? ”, hoy ny minisitra nanazava ny antony mahatonga ny mpiasan’ny minisitera tsy maintsy mandray anjara amin’ny tagnamaro. Kolontsaina fifanampiana sy fifanomezan-tanana mba hampiova endrika ny tanana, ny firenena ny tagnamaro hoy izy ka rehefa hitan’ny rehetra ny fiantraikany dia manira-tena ny tsirairay aoriana kely. Lynda A. Sary Cet article TAGNAMARO: Famohazana ny fifanampiana sy fikoloana ny fananana iombonana est apparu en premier sur déliremadagascar.

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany :: Hamerina ny fifampitokisana amin’i Frantsa Rajoelina Andry

Haverina an-databatra boribory avokoa ireo fifampiraharahana nataon’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny fitondram-panjakana Frantsay, araka ny fanamarihana nentin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, mialoha ny hihazoany an’i Paris ka hihaonany amin’ny Filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron. Nambarany fa: « betsaka ireo fifanarahana teo aloha izay tsy tanteraka tao anatin’ ny enimpolo taona ka tsy maintsy hodinihina sy hovitaina amin’izao diany any Frantsa izao». « Ho hitanareo eo ny tohiny », hoy izy. Aorian’ny fihaonana manokana amin’i Emmanuel Macron ity dia hisy ihany koa ny fifanakalozany amin’ireo vondrona mpandraharaha ao Frantsa. Haharitra dimy andro ny diany any Paris. L’article Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany :: Hamerina ny fifampitokisana amin’i Frantsa Rajoelina Andry est apparu en premier sur AoRaha.