Fotodrafitrasam-pifamoivoizana :: Mihisatra ny asa fanamboarana arabe eto an-drenivohitra

News - Fotodrafitrasam-pifamoivoizana :: Mihisatra ny asa fanamboarana arabe eto an-drenivohitra

News - Fotodrafitrasam-pifamoivoizana :: Mihisatra ny asa fanamboarana arabe eto an-drenivohitra

Mandroso tsikelikely ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo renivohitra. Ireo lalana hiarahan’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (Matp) no hany mandeha, amin’ izao fotoana izao.

Tsy manomboka kosa ny asa amin’ireo lalana izay hiandraiketan’ny kaominina manokana: lalana Jean Ralaimongo, tonelina Ambohidahy-Ambohijatovo fiantsonana 182-Kianja tolom-piavotana, FLM 67HaMosquée 67Ha-Vatobe Andohatapenaka-Lalana Perre Rajaonah-Ny Havana-paositra 67Ha, 67Ha Avaratra-Atsinanana (Fiangonana Jesosy Mamonjy-Vassacos), Boulevard de l’Europe Namontana, Nanisana mampifandray an’Ampasampito sy Analamahitsy, AntaninandroAmbondrona, Ambodifilao sy Andraisoro ary AntohomadinikaBehoririka.

“Ny eny Antsakaviro, Ambanidia, 67Ha eo amin’ny fiantsonan’ny zotra faha-30 mankany amin’ny vatobe ary Ambodivona no asa fanamboarana manomboka, izay hiarahana amin’ny minisitera. Misy dingana arahina kosa mialoha ny hanombohan’ ireo asa an’ny kaominina”, hoy Razafimandimby Bodosoa, talen’ ny taotrano sy ny asa vaventy eo anivon’ny CUA.

Notsindriany fa misy ny fanaraha-maso amin’ny fanamboarana ireo lalana ireo mba hisian’ny antoka sy hampaharitra ny asa vita. Manana birao manokana misahana an’io lafiny io ny minisitera. Manolo-kevitra amin’ny fahatsaran’ny lalana kosa no anjaran’ny CUA.

Nilaza kosa ny avy ao amin’ ny Matp fa fanarenana ireo lalana feno lavadavaka no tena hatao aloha, izay ezahina hovitaina alohan’ny vanim-potoan’ ny fahavaratra.

L’article Fotodrafitrasam-pifamoivoizana :: Mihisatra ny asa fanamboarana arabe eto an-drenivohitra est apparu en premier sur AoRaha.

Fotodrafitrasam-pifamoivoizana :: Mihisatra ny asa fanamboarana arabe eto an-drenivohitra

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

DISTRIKA AMBOHIDRATRIMO : Nanome fampitaovana ny faritra Analamanga

Nahazo fampitaovana avy amin’ny faritra Analamanga ireo kaominina 15 ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Noho ny fangatahan’ireo kaominina ireo fa misy foto-drafitrasa tsy maintsy vonjena maika amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia nanolo-tanana azy ireo ny faritra Analamanga. Ny 30 novambra 2018 teo ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ndranto Rakotonanahary no niroso tamin’ny fanolorana ny fanampiana. « Simenitra 10 taonina no natolotra androany ary manana vina hizara simenitra 10 taona isaky ny distrika eto amin’ny faritra Analamanga izahay. Mbola ho avy ihany koa famatsiana vy sy tafo”, hoy ny lehiben’ny faritra Ndranto Rakotonanahary. Nambaran’ny ben’ny tanana ny kaominina Antsahafilo, Raymond Randrianasolo fa entina hanampiana ny fitaovana hanamboarana ny tohan-drano izay efa simba tanteraka ao amin’ny kaominina io tolo-tanana avy any amin’ny faritra io. Araka ny fanazavan’i Ndranto Rakotonanahary fa fomba fanaon’ny faritra Analamanga ny manome fampitaovana ny kaominina ao anatin’ny distrika 13 mandrafitra ny faritra. Lynda A. Cet article DISTRIKA AMBOHIDRATRIMO : Nanome fampitaovana ny faritra Analamanga est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Songadina an-tsary

Sary: Fanou sy Tiana RL’article Songadina an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

Maro ny tranga izay tsy manaja ny zo mahaolombelona ny ankizy «autistes » sy ireo ray aman-dreniny. Nisongadina izany tamin’ny iraka nataon’ny Dr Pierre Sans, manampahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, teto amintsika, ny 6 hatramin’ny 24 jolay teo, niaraka tamin’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Autisme Madagascar.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Opération Blue » ity iraka, natao teto Analamanga sy tany Atsinanana ary Analanjirofo, ity. Votoatin’ny tetikasa ny hanao fitiliana maimaimpoana ny « autisme » eto amintsika, rehefa tsapa fa olana ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manao izany, rehefa mahita fa manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ny zanany.Miisa 22 ny ankizy vita « diagnostics » teto Analamanga, 11 tany Toamasina ary 9 tany Fenoarivo Atsinanana. Nandritra ireo asa ireo, tsapan’ny Dr Pierre Sans sy ny ekipa niaraka taminy fa betsaka ny “diagnostics” tsy marina sy ny fanafody tsy mifanaraka amin’ny aretina manjo ilay zaza na koa mihoatra ny tokony ho izy. Tsy vitsy koa ny fitsirihana ara-pahasalamana na “examens médicaux” tsy mifanaraka sy mihoatra ny tokony ho izy, toy ny fanaovana “scanners” sy “EEG”.Tsy ireo ihany fa hitan’ity mpitsabo ity koa ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny fanafody homena ny zaza sy ny tsy fahampian’ny fanazavana homena ny ray aman-dreny. Manampy ireo ny fanomezan-tsiny ny ray aman-dreny ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana.  Nohamafisin’ny Dr Pierre Sans fa vao mainka sakana amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza “autistes” ireo rehetra ireo.Manoloana ireo, nanolotra vahaolana ny Autisme Madagascar, hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo zaza “autistes”. Anisan’izany ny fanaovana fanadihadiana manerana ny Nosy momba ireo tranga fanaovana tsinontsinona ireo olona sembana ara-tsaina na manana fikorontanana eo amin’ny fihetsika. Tokony harahina fepetra avy hatrany izy ireny.Landy R.  L’article Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Izay tsy miasa, aoka tsy hihinana »

Tsy vao izao fa efa hatramin’ny ela ny mahabe resaka eto amin’ny firenena ny momba ny karaman’ny olom-boafidy, anisan’izany ny an’ny solombavambahoaka. Miverina indray izany ankehitriny, ao anatin’izao fanombohan’ny fandraisan’ireo depiote vaovao ny asany, eny Tsimbazaza izao. Sahaza na antonony? Ambany? Midangana, mihoa-pampana? Izany ny fanontaniana sy ny fanamarihana apetraky ny vahoaka mpifidy. Ny tena be mpanamarika aloha dia ity farany. «Midangana loatra, mihoa-pampana mihitsy aza ny karama, miampy ireo tombontsoa mivaingana azo na raisin’ny solombavambahoaka, miohatra amin’ny fahantram-bahoaka sy ny fahasahiranan’ny firenena…».Etsy ankila etsy, araka ny fanambarana navoakan’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi), ny volana avrily 2019, izany hoe, fotoana vitsivitsy talohan’ny fifidianana solombavambahoaka, ny volana mey teo. Tao anatin’izany ny nahafantarana, araka ny hita ao anatin’ilay fanambarana, fa “misy tombontsoa tsy hita noanoa, misy sasantsasany takontakonana”. Ny karama raisin’ny depiote isam-bolana, ohatra, 3 tapitrisa Ar. Mitovy amin’izay ihany ny solon-tsolika raisina isam-bolana. Mitovy amin’ilay hoe “karama farany ambany” nolazain’ny fanjakana farany teo, izay mbola tsy tena mihatra ny fahana finday, roa hetsy ariary. Fa efatra alina ariary… isan’andro koa ny tambinkarama mandritra ny fotoam-pivoriana…Midangana? Sahaza? Ambany na kely loatra? Tsy ho vita ny adihevitra raha izay no hororitina. Mazava toa ny masoandro be lohataona ny zava-misy. Mbola eo an-dalam-piaingana, an-dalam-panarenana ny firenena. Mbola marefo ny toekarena e. Izany hoe, mbola ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka. Na izany aza, nofidina hanompo firenena, hiasa ho an’ny vahoaka ireo olom-boafidy ireo ka mendrika hahazo ny valin-kasasarany. Fa… “Izay tsy miasa, aoka tsy hihinana izy”, hoy ny Soratra Masina, sady “Teny soa” ao amin’ny pejy faharoan’ity gazety anio ity.Mamy Randrian   L’article « Izay tsy miasa, aoka tsy hihinana » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fakana an-keriny :: Avotra ilay zaza, telo taona, lasan’olon-dratsy

Votsotra afak’omaly, teo am-pelan-tanan’ny jiolahy, ilay zazavavy kely, telo taona, nisy naka an-keriny tany Marotaolana-Tsiafabositra, any Maevatanàna tamin’ny 2 jolay lasa teo. Tany Mahitsy tao amin’ny mpivady iray no hita ilay zaza. Vokatry ny fisamborana ny iray tamin’ireo jiolahy naka an-keriny nataon’ireo zandary tany Ankazobe, afak’omaly, no niafara tamin’izao fahatrarana an’ireo jiolahy izao. “Nahazo vaovao tamin’olona izahay hoe any Antokonana-Irindra, any Tsaramasoandro, ny iray tamin’ireo mpaka an-keriny saingy efa niova anarana. Rehefa nidina tany an-toerana izahay dia tratra tokoa ilay olona. Tamin’ny famotorana no nanekeny fa nisy tokoa ny fakàna an-keriny. Izy ihany koa no nanoro ny toerana misy ny zaza. Tany Mahitsy no napetrany ilay zaza, tao amin’olona mpivady iray. Samy efa voasambotra avokoa izy ireo”, araka ny fantatra. L’article Fakana an-keriny :: Avotra ilay zaza, telo taona, lasan’olon-dratsy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha

Mety tsy hihoatra ny amin’ity herinandro vao manomboka ity. Tombanana fa tsy hiova firy ireo mpikambana handrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny nanendren’ny filoha Rajoelina azy indray amin’izany toerana izany. Ho tompon’ny teny farany amin’ny tolokevitry ny avy eny Mahazoarivo anefa ny eny Iavoloha. Efa nitakian’ny filoha tombana tsirairay arakaraka ny asa vitany ireo minisitra eo anivon’ny governemanta farany teo ireo, ho an’ny enim-bolana voalohany nandraisan’izy ireo andraikitra. Mbola hiverenana hotsaraina sy hanaovana tombana indray koa any amin’ny faran’ny taona ka antony mety tsy hampiova firy ny ho fanendrena izany. Na izany aza, anisan’ny voakiana mafy tato anatin’ny herinandro maromaro noho ny delestazy mahery vaika miverina indray ny minisiteran’ny Angovo, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Jirama. Hanao ahoana ny hoaviny amin’izao governemanta faharoa amin’ny fitondrana Rajoelina izao?Hiverina ho minisitra ireo depiote roa Etsy andaniny, mety hiverina handray ny minisitera nosahaniny teo aloha ireo voafidy ho solombavambahoaka farany teo. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therése, hisahana ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena. Hiverina hiandraikitra ny minisiteran’ny Mponina kosa ny depiote Naharimamy Lucien Irmah. Samy tsy manana andraikitra eny anivon’ny Antenimierampirenena izy mirahavavy ireo. Nisolo toerana ireto depiote ireto vonjimaika teo anivon’ny governemanta tao anatin’ny telo volana ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo-Fienena Felicité, sy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo.Araka izany, mety tsy hisy fiovana tahaka ny namerenana ny Praiminisitra Ntsay Christian ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.Synèse R. L’article Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Votsotra, afakomaly alina, i Nassir Sivjee, tale jeneralin’ny Conforama sy ny Akoor Digue. Tsy fantatra mazava ny toerana nanarian’ireo jiolahy azy fa efa tafaverina eny amin’ny fianakaviany izy io. Herinandro teo ny nitazonan’ny jiolahy azy. Mazava ho azy fa nisy ny fifanakalozana vola tany ambadika tany. Tsy nisy tratra ny jiolahy ary tsy misy fantatra ny momba azy ireo. Teny Androhibe raha handeha hamonjy fodiana ity Karana ity no nisy naka an-keriny. Andrasana izay mba fanadihadian’ny mpitandro filaminana.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara

Mampikolay ny rehetra ny fitohanan’ny fiara saika amin’ireo toerana rehetra eto Antananarivo, indrindra amin’ireo lalana hivoaka any amin’ny manodidina ny tanàna. Mimenomenona ny rehetra amin’ny fahataran’ny fotoana. Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana.Anisan’ny voakasik’izany ny eny Ambohibao hatreny Ambodimita rehetra iny. Efa  mahazatra ary vao mainka mihamafy ny makeny Itaosy, hatreny 67Ha… Torak’izany ny eny Anosibe sy  Anosizato mihazo an’Ampitatafika.Antony mampamaivay ny fitohanan’ny fiara ny fanamboaran-dalana izay hanapahana ireo lalana sy ampahan-dalana maromaro. Maharitra amam-bolana maro ny fanamboarana, indrindra ny fametrahana ny sisin-dalana vaovao amin’ireo lalam-pirenena.Manakorontana fiainan’olona maro ny fitohanan’ny fiara lavareny sy maharitra. Ho an’ireo mpianatra sy mpiasa, voatery miala ora roa na telo mialohan’ny fidirana vao tonga ara-potoana any am-pianarana sy any am-piasana.Ao ireo mpianatra na mpiasa nisafidy manokana ny nitondra bisikileta hialana amin’ny fitohanana. Sady fanatanjahantena vita no tsy miaritra ny fitohanana ary afaka amin’ny fandoavana saran-dalana izy ireo amin’izany. Ny an’ny sasany mampiasa moto.Ao koa ireo misafidy ny mandeha an-tongotra, indrindra ho an’ireo mponina mipetraka akaikin’ilay lalana tapaka.Tatiana AL’article Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina
24/09/2020

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara amin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha, ny masoivoho vaovao an’i Ejypta, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo endrika fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nihaona manokana tamin’ny filoha koa ny masoivohon’i Korea Atsimo, i Lim Sang-Whoo, nanambara ny fifaranan’ny fotoam-pisany eto amintsika. Anisan’ireo firenena nanampy an’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny Covid-19 izy ireo tamin’ny alalan’ny laboratoara LA2M eny Androhibe. Resy lahatra amin’ny ho fisandratan’i Madagasikara amin’ny politika apetraky ny filoha ity masoivohon’i Korea Atsimo ity.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina a été récupéré chez Newsmada.

Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra
22/09/2020

Nanao hetsika fitokonana teo amin’ny “Station de pesage” eo Ambohimalaza ireo mpamily kamiao, ny herinandro teo. Hita taratra ny tsy fahavononan’ny sasany ho amin’ny fanarahan-dalàna.Mitady hihoa-pefy ? Anisan’ny notakin’izy ireo ny fampitahana ny fandanjana natao tany Tsarakofafa Toamasina sy ny eo Ambohimalaza. Tsy azo natao anefa izany noho ny tsy fandehanan’ny jiro teo Ambohimalaza. Nangataka ihany koa izy ireo ny tsy hampidina ireo vesatra mihoatra entin’ny kamiao fa handoa onitra fotsiny ihany, araka didim-panjakana lah 27 252/2019, mametraka ireo fepetra sy sazy vaovao amin’ny fitsirihana ny vesatra eny amin’ny làlam-pirenena.Fijerena ny marimaritra iraisanaTsy misy intsony anefa ny “derogation” amin’ny tsy hanao ny fampidinana ny entana fa tsy maintsy ampidinina avokoa ireo entana amin’ny lanja mihaotra, ary aloa ny lamandy.Etsy an-daniny,  efa nisy koa ny fifampidinihina sy fifampiresahana teo amin’ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny Fitaterana sy ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetr’andro  sy ny eo anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP)  niaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpitatitra. Nojerena tamin’izany ny marimaritra iraisana ka nampitomboana ny vesatra ambony indrindra afaka entiny ao anatin’io didim-panjakana voalaza etsy ambony io.Tsy vonona hanara-dalànaTsy mivonona ny hanara-dalàna  izy ireo raha miainga amin’ny fihetsika ataon’ireo mpitatitra ireo izao. “Tsy mijery ny fikojana sy fitandremana ny fananana iombonana sy ny tombotsoan’ny be sy ny maro mpampiasa lalana”, hoy ny eo anivon’ny MATP.Tsiahivina fa natao hikajiana ireo fotodrafitrasan’ny làlana tsy ho simba mialoha ny fe-potoana napetraka ny famerana ny vesatra ambony indrindra azo entina amin’ny lalam-pirenena.Hampitomboana ny sazy…Araka izany, nanapa-kevitra ny MATP amin’ny alàlan’ny Agence Routière (AR), sampan-draharaha misahana ireo toerana fitsirihana vesatra fa hasiana fampitomboana ny sazy aloan’ireo mpitatitra tsy manaiky hampidina ny entana miohatra.Synèse R.L’article Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra a été récupéré chez Newsmada.

Samy manao izay mahametimety azy    
18/09/2020

Vita ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Mbola izay aloha ny resaka izao. Tsy mbola nofaranana ny fahamehana ara-pahasalamana, mitohy ny fanajana sy ny fampanajana ireo fepetra amin’izany. Nefa efa misy ny tsy tan-dalàna, na misy aza ny fanaraha-maso sy ny fanasaziana. Samy manao izay saim-pantany ny tsirairay amin’izao? Na manao izay mahametimety azy, na izay mahafalifaly azy.Tsy maharitra hatramin’ny farany ny Malagasy rehefa manao zavatra? Mafana fo am-boalohany. Rehefa ela ny ela, miverina ho azy amin’izay fanao tsy mahafa-bela teo aloha. Na mahatsiaro tena ho malalaka avy amin’izay fihibohana izay ka samy manao izay mahametimety sy mahafalifaly azy. Sanatria, tapa-kofehy? Na ny sehatra hafa aza, ahitana izay fanaovana izay saim-pantatra izay etsy sy eroa.Am-boalohany ihany no samy tena nanaja antsipiriany sy manontolo ny fepetra ara-pahasalamana, ohatra, ny sehatry ny fitaterana. Amin’izao, misy manao izay saim-pantany: tsy hita intsony izay tsiranoka fanasan-tanana, tsy voahaja ny isan’ny toerana ary miovaova ny saran-dalana fa misy mitondra mpandeha antsasa-dalana… Hanao ahoana ny antoka fa resy sy efa lasa ny valanaretina Covid-19?Na amin’ny fidiran’ny sekoly aza, tsy ilaozan’izay manao izay mahametimety azy avy. Misy, ohatra, mbola manohy taom-pianarana lasa izay tsy vita na tsy hita be ihany, mbola hanao fitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra hampiakarana kilasy azy na tsia, vao hiditra amin’ny taom-pianarana vaovao. Ao ny efa misisika amin’ny fitakiana saram-pisoratana anarana ho amin’ny taom-pianarana vaovao.Inona na ahoana koa? Santionany ireo fa samy manana izay mahazo azy sy izay ataony avy ny isana-tsehatra: asa, fivavahana…Tsy takona afenina amin’izany fa nampitondra faisana ny fihanaky ny valanaretina: nampisara-bazana, mampiady irery, mahatonga ny samy maka ho azy… ? Na fahalalahana, na fifaninanana, na tsy fiankinan-doha… Mbola misy ny soa iombonana sy mampiombona tsara jerena sy ampitomboina ?Rafaly Nd.  L’article Samy manao izay mahametimety azy     a été récupéré chez Newsmada.

Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy
24/09/2020

… Satria voizina mafy any ivelany ny fandikan-teny, roboka ihany koa ny Malagasy. Raisina ho zava-dehibe ny momba azy io hany ka maro ny petatoko ao anatiny. Mety hitarika any amin-javatra hafa mihitsy anefa izay…Efa tsy finiavana hampivelatra ny teny malagasy irery intsony kosa ny manosika ny mpikaroka sasany fa fahamaizana ny haka tahaka befahatany ny any ivelany. Lasa laharam-pahamehana ho an-dry zareo ireo ny hampitovy ny teny malagasy amin’ny teny vahiny. Anaran-javatra mipoitra avy any ivelany, hezakezahina fatratra ny handika azy amin’ny teny malagasy. Hany ka nogasigasina befahatany ny “radio” ka nanjary “vata fandraisam-peo”, “vata fandefasam-peo”, “fampielezam-peo”, sns. Teraka avy amin’izany ny “tantara filalao an’onjampeo”, sns.Rehefa avy manao fandikan-teny petatoko tahaka izao ireto ampahana mpikaroka ireto dia miteny fa “azo hnaporofoana fa velona sy miaina ny teny malagasy” io voambolana na anarana vaovao io. Azo lazaina ho velona sy miaina ve ny teny malagasy raha rakotra voambolana na anarana, sns, vaovao kanefa tsy mifanaraka amin’ilay tondroina akory ireny voka-pamoronana ireny?Mahavariana fa mitazam-potsiny ny hafaMateti-pitranga eo amin’ny fandikan-teny eto Madagasikara ihany koa ny fipoiran’ny voambolana vaovao avy any amin’ireo tsy mahafehy akory ilay sehatra. Ny mahavariana anefa, toa mitazam-potsiny fa tsy mba manao fanitsiana ireo izay tokony hanao izany. Misy aza moa, vao mainka indray miventy isak’izay mahatsiahy ireny teny na voambolana petatoko ireny. Hatramin’izao, mbola heno matetika any amin’ny radio, ohatra, ny :“Araka ny teny baiko”, “hanatanteraka varavarana misokatra”…Lany fotoana sady lany rondoha no lany vola aman-karena amin-javatra hamotika ny teny malagasy ireo mpikaroka sy ireo miravaka diplaoma sasany. Ny hafa indray, voan’ny fandraikiraikena ka tsy afaka na tsy sahy manitsy akory ireo voambolana na teny vaovao sadasada. Ahoana ny mety hiafaran’ity teny malagasy ity?… Ireo mpikaroka vahiny no nilaza fa “porofo hanamarinana fa velona sy miaina ny teny iray ny fananany teny (voambolana, anarana…) vaovao”… Raha tsy mitandrina, mety hitarika any amin’ny fahapotehan’ny teny malagasy tanteraka ny tranga tahaka ireo satria hanamaivana ny lanja aman-kasin’ny teny malagasy. Tsy zava-baovao io fa paikady napetraky ny vahiny hatry ny ela.HaRy RazafindrakotoL’article Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

“Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia
18/09/2020

Ho tazana ao avokoa na ny teny, na ny soratra, na ny zaitra, na ny mozika… Hanatanteraka ny “Z’art 2020”, etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny asabotsy 19 septambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, i James Rabefitia. Hetsika fanao isan-taona izy ity ary andiany fahatelo ito nampitondraina ny lohateny hoe “Z’art Manankasitsara” ito. “Raha hadika tsotra io dia hoe hizara ho an’i Madagasikara”, raha ny nambaran’i James Rabefitia, mpikarakara ny hetsika “Z’art 2020”.Nozaraina efatra ny hetsika tontosaina ao anatiny ka samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra. Raha ny fandaharam-potoana, ny tamin’ny asabotsy voalohany (asabotsy heriny teo), ho an’ny« Taninketsa », zaza telo taona hatramin’ny 13 taona. Ny faharoa, « Tsimoka », ho an’ny tanora 14 taona ka hatramin’ny 21 taona, hotanterahina ny asabotsy izao. Ny fahatelo, ho an’ny sokajy « Felana », ahitana ny 22 taona ka hatramin’ny 35 taona. Ny fahefatra kosa, sokajy “Vony”, natao ho an’ireo zokiolona sy ray aman-dreny.“Tsy hisy olona ho lany fotoana amin’ny fahavelomany fa tokony hahafantatra ny fisiany amin’ny maha olombelona azy izy. Izany hoe, hanitatra ireo talenta sy fikarohana efa ao anatiny”, araka ny nambaran’i James Rabefitia, raha nanazava ny tanjony amin’ny fizarana ny mahasoa ny mpiara-belona izao.Marihina fa hetsika natao ho an’ireo olona tsy manana fahafahana hianatra sy hanatevim-pahalalana noho ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ny “Z’Art Manankasitsara”. Maimaimpoana tsy misy fandraisana anjara.Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article “Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia a été récupéré chez Newsmada.

Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra
21/09/2020

Hanatanterahana ny tetikasan’ny governemanta malagasy, Asa Avotra Mirindra ny any amin’ny distrikan’i Manandriana. Hisy, araka izany, ny fanamboarana lakandrano mirefy 1.800m hanondrahana ireo tanimbary sy tanimboly amina hektara maro iveloman’ny tantsaha any an-toerana . Mahatratra 6.000 ireo fianakaviana hisitraka ity tetikasa Asa Avotra Mirindra ity, izay avy ao amin’ny kaominina 10 ao amin’ny distrikan’i Manandriana avokoa. Haharitra 2 taona ny tetikasa hipaka eny ifotony.Vatsin’ny banky iraisam-pirenena ara-bola ny tetikasa ary iandraiketan’ny FID ny fanatanterahana sy ny fandrindrana ary ny fisitrahan’ny mponina izany.Nanara-maso ny fanombohana izany asa izany ny minisitry ny Mponina, i Michelle Bavy Angelica.Nitokana ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ihany koa ny tenany. Tamin’izany no nilazana ny hanaovana fanisana ireo fikambanana rehetra manerana ny fokontany sy ny kaomnina ambanivohitra rehetra ao anatin’izany distrika izany.Tatiana AL’article Distrikan’i Manandriana: fianakaviana  6.000 hisitraka ny  Asa Avotra Mirindra a été récupéré chez Newsmada.

RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena
19/09/2020

Nampahafantatra ny fisiany sy ny asany ny Fikamba­nan’ny zon’ny mpanjifa sampana Toamasina (RLDC), ny herinandro lasa teo. Nilaza ny filoham-paritra, Rtoa Rako­ton­drahiratra Vonifanja, fa nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny RLDC, hamitana sonia ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina CGHV. Tompon’ ny tetikasa fanitarana ny fa­mokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volo­be ity CGHV ity. Ho an’ny RLDC, ny fahavitan’izany fifanarahana izany no vahaolana maharitra hamahana ny tsy fahampian’ny herinaratra, mahatonga ny delestazy mateti-pitranga iainan’ny mpanjifa eto Toamasina. Navoitran’ny RLDC koa ny olana hafa, toy ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro eto Toamasina, mahatonga ny kolikoly eny amin’ny boriborintany sasany. Voalaza fa mandoa 30 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar vao mahavita kara-panondro iray. Nampahafantarin’ny sekretera jeneraly (SG) ny kaominina Toamasina I ny RLDC ny fametrahana ny birao marolafy, mikarakara ireo manan-draharaha ao amin’ny kaominina, ka mihena ny fivezivezena sy ny fitetezana birao.Sajo sy Njaka A.L’article RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
23/09/2020

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby
17/09/2020

Manao sesilany ny fanomezana fampiofanana avy amin’ny Komity olympika malagasy sy ny FMHMC (Fédération Malagasy d’Haltérophilie de Musculation et de Culturisme). Hiditra an-tsehatra, manomboka anio, amin’ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, ny eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Etsy amin’ny foiben’ny Malagasy Rugby Ankorondrano ny hanaovana izany, raha ny fanazavana, raha toa ka mbola tsy fantatra kosa ny isan’ireo hiofana.Ho an’ny taranja Escrime kosa, miditra amin’ny andro fahenina ny fiofanana etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpampiofana fa tsy maintsy miatrika fanadinana ireo mpiofana ka izay afaka ihany no mahazo ny diplaoma, hozaraina amin’ny fiafaran’ny fampiofanana, amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Omaly, nanomboka niditra bebekokoa tamin’ny fampiharana ny mpiofana. Tsiahivina, 14 mianadahy ny hizarana traikefa ho mpanazatra “niveau 1” eo amin’ity taranja Escrime ity. Mi.Raz  L’article KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby a été récupéré chez Newsmada.

Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo
24/09/2020

Miisa 31 ireo tanga vaovao tamin’ny fitiliana vita miisa 257, araka ny antontanisa, navoakan’ny CCO, omaly. Avy eto Analamanga ny valo amin’izany raha 10 ny avy any Diana. Miisa dimy ireo nifindran’ny valanaretina any Vatovavy Fitovinany ary enina ny any Alaotra Mangoro. Iray avy kosa ny any Itasy sy any Matsiatra Ambony.Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mijanona ho 226 ireo lavon’ny valanaretina eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy niova koa fa miisa 20 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny any Boeny, miisa 15. Tafakatra 14 788 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa16 167. Mbola maherin’ny 1 000, miisa 1 151, ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Miisa 68 564 ireo fitiliana PCR vita raha 7 289 kosa izany ho an’ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo a été récupéré chez Newsmada.

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra
21/09/2020

Fampirisihina ny mponina amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka 100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva, satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona nanaditra ny “caravane”.Zo ny Aina L’article «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be
17/09/2020

L’article Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.