Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha

News - Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha

News - Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha

Miantraika amin’ny
seha-pamokarana maro ny Coronavirus. Ho fitsimbinana ny tantsaha no
nahatonga ny Fofifa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy
any Maraoka.

Nampahafantarina ny faran’ny
herinandro teo ny tetikasa iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP
(Office chérifien des phosphates)  any Maroka ary ny
Oniversite Mohammed VI Polyteknika any Maroka. Tanjona ny hiarovana
ny tantsaha sy ny mponina any ambanivohitra, manoloana ny
Coronavirus. Mitentina 87.600.000 euros ny famatsiam-bola avy
amin’ny fondation OCP. Miara-miasa amin’ny lafiny teknika ny
oniversite Mohamed VI sy ny Fofifa.

Nilaza ny tale jeneraly, ny Pr
Razafinjara Aimé Lala, fa hisy ny fanentanana ny tantsaha hiadiana
ny coronavirus. Omena toromarika izy ireo, ny fepetra hatao
hisorohana ny aretina rehefa miasa. Tsy tokony hatao intsony ny
mandrora amin’ny zaran’angady rehefa miasa tany ohatra satria
mampiely ny otrikaretina. Eo koa ny fandaharana sy fanentanana any
amin’ny radio any ambanivohitra. Faritra dimy (Analamanga, Itasy,
Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no hisitraka ity
tetikasa ity.

Manjaitra arotava sy
manamboatra “gel”

Nambaran-dRakotoarisoa Jacqueline,
tale siantifika Fofifa fa hizarana milina fanjairana koa ny
fikambanam-behivavy tantsaha hanamboarana arotava. Eo koa ny
kojakoja, toy ny kofehy, ny ravin-damba 110 metatra sns…
Ampianarina koa izy ireo hanamboatra tsiranoka fanasan-tanana (gel)
sy savony fidiovana.

Efa misy ny tetikasa fanaovana
saríntany sy fitsirihana nofon-tany ho fanatsarana ny fambolena eto
Madagasikara, iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP any Maroka.

Njaka
Andriantefiarinesy

Article tiré de Newsmada

L’article Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 25/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Minisitra Randrianasolo Jacques: « Aoka ho sahy hijoro sy hanova famindra… »

Hentitra ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques. “Mitaky fandavantena hiova, fahasahiana hijoro ary fahavononana hiady ny asantsika eo anivon’ny fitsarana. Hiova famindra, hijoro amin’ny marina ary hiady amin’ny kolikoly sy ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra mety hisehoany. Tokony himasoantsika izany raha tiantsika hiverina hatoky ny fitsarana ny vahoaka », hoy izy. Nametraka ny vatofototry ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao amin’ny distrikan’Avaradrano, hapetraka eny amin’ny kaominina Ambohidrabiby, ny minisitra tamin’izany. Nanteriny tamin’izany fa tsy ny ho fijoalajoalan’ny trano na ny famirapiratany rehefa vita no entin’ny vahoaka mitsara ny fitsarana. “Tsy izany velively. Singa voalohany entin’izy ireny mandrefy ny raharaham-panjakana ny fomba fiasa. Voasoketa ny fanjakana iray manontolo raha vao ahitany tsikera izany. Heveriny tsy ho azo itokisana amin’ny ankapobeny ny fitsarana”, hoy ihany izy. Notsindriny manokana ny tena antony nirosoana amin’ny fananganana izao fotodrafitrasa izao.Fitsarana manakaiky vahoaka Eo aloha politikam-panjakana ny hanakaikezana ny vahoaka. Ny fampihenana ny fisavovonan’ny raharaha tsaraina ao Anosy. “Aoka isika hiova famindra, hamerenana indray ny hasin’ny fitsarana, voahoso-potaka mazàna ka zary tsy atokisan’ny vahoaka”, hoy ny minisitra.Nisaotra ny fanjakana, nisafidy an’Ambohidrabiby hitoeran’ny lapan’ny Fitsarana ho an’ny distrikan’Avaradrano ny ben’ny Tanàna. « Tsy fifanandrifian-javatra izany satria nitsanganan’ny fanjakana Merina fahizany ny tao Ambohidrabiby. Tany manana ny hajany sy ny hasiny ity hametrahana fotodrafitrasa vaovao ity”, hoy izy. Nambaran’ny depiote kosa fa handray anjara feno amin’ny famongorana ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny lapan’ny Fitsarana eny an-toerana. Nangataka ny hananganana fonja mivoaka kely ny tanàna koa ny tenany.Synèse R.  L’article Minisitra Randrianasolo Jacques: « Aoka ho sahy hijoro sy hanova famindra… » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahatrarana rongony

Nosakanana sy nosavain’ny polisy ny lehilahy telo nampiahiahy nandalo tao ambadiky ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka, tamin’ny afak’omaly maraina. Nahatratrarana rongony iray fonosana lehibe ny entana noentin’izy ireo. Fantatra fa 500 ariary no nividianan’izy ireo ny fonosana iray amin’io zava-mahadomelina io ary hamidiny arivo ariary avy eo. L’article Fahatrarana rongony est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Ahiahy famonoan-tena :: Zandary iray hita faty, voatifitra teo amin’ny lohany

Tombanana ho namono tena tamin’ny alalan’ny tifitra basy nataony ihany ny zandary iray kilasy voalohany, Randrianarivony Rivomanantsoa Dina, tamin’ny alin’ny sabotsy 27 avrily tokony tamin’ny 11 ora sy 50 minitra, tany Ankalalo-Beravina any Morafenobe. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ahiana ho olana teo amin’io zandary io sy ny vehivavy iray niara-nipetraka taminy no niafara tamin’izao mety ho famonoan-tena izao. Tamin’alahelo no nahitan’ ireo namana mpiara-miasa amin’ity zandary namoy ny ainy ity ny zava-nisy tao an-tokantranony tamin’io alina io. Niditra teo amin’ny tendany ny balan’ny basy “kalachnikov” niantefa taminy ary nivoaka teo amin’ny lohany. Nihosin-drà ny tao an-trano nisy ny loza. “Mbola namita iraka ilay zandary tamin’io alina io, ka izay no nitondrany basy tany aminy”, hoy ireo zandary mpiara-miasa tany aminy. L’article Ahiahy famonoan-tena :: Zandary iray hita faty, voatifitra teo amin’ny lohany est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Alaotra : Kubota sisa izao mameno tanàna

Mifanandrify amin’ny filan’ny maro anisa ny zava-bitany, amin’ny ankapobeny. Ankehitriny, tsy ahazoana trakitera, toy ny taloha, izany intsony  ny vidin’akotry ankehitriny, 800 Ar ny kilao. Ezahin’ny rehetra sisa izao ny hananana kubota. Tsy sarotra loatra koa ny mekanikany, tsy misy garazy mpanamboatra izay simba, toy ny fiara. Mahavita asa maro eny an-tanimbary anefa izy io. Azo itaterana entana betsaka sy isan-karazany. Raha misy fahoriana, reharehan’ny fianakaviana ny hamaroan’ny kubota mitondra mpandevina. Tsy itakiana fahazoan-dalana, toy ny mitondra fiarakodia, izay mitondra kubota fa fanamarinana alaina amin’ny mpampianatra mitondra fiara fotsiny.Tombanan’ny Foibem-paritry ny Fambolena ho 4 000 ny isan’ny kubota ao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy ny distrikan’Amparafaravola. « Mihoatra ny zato ny lafonay isan-taona », hoy ny ao amin’ny tranombarotra iray. Toerana dimy ny mivarotra azy ao an-tanànan’Ambatondrazaka. « Ny mahagaga, rehefa hiditra ny fahavaratra, novambra, desambra, izany hoe, maitsoahitra, kely vola ny tantsaha vao tena mandeha be ny tsena ! ».  Marobe ireo kubota, mpitatitra tany, mpitatitra entana… ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka. Mirefarefa izy ireny mandeha ka miteraka fahatsentsenan’ny fifamoivoizana. Efa namoaka didim-pitondrana ny kaominina: vao maraina sy ny faran’ny tolakandro ny fahazoana mampiasa azy ao an-tanàna. Tsy voahaja anefa izany! Nasiana izay fanajariana ny fitsipi-pifamoivoizana izay, saingy tsy mbola ao itony kodiaran-telo itony. RarivoL’article Alaotra : Kubota sisa izao mameno tanàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

SG Madagasikara: masoivoho vaovao ny La City Ivandry

Misokatra ho an’ny mpanjifa ny masoivoho vaovaon’ny banky Société générale (SG) Madagasikara eny La City Ivandry. Endrika vaovao manakaiky hatrany ny mpanjifa, manome fahafaham-po azy ireo. Ahitana toerana fakam-bola aotomatika (Dab) anankiroa azo ampiasaina isan’andro. Misokatra amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva ny masoivoho mandritra ny andro fiasana.Tanjona ny hanamorana ny tolotra rehetra omena ny manjifa mba ho banky mora ampiasaina ny SG Madagasikara. Misy koa ny torohevitra sy ny torolalana ho an’ny rehetra. Omena tombony manokana ireo hanokatra kaonty vaovao ao amin’ny SG La City Ivandry. Maimaimpoana ny fanokafana kaonty mandritra ny enim-bolana ho an’ny tolotra Pack Mandrosoa. Toraka izany koa ho an’ny tolotra Pack Ebène Or mandritra ny telo volana. Mihena tarehimarika efatra hatramin’ny 30 septambra 2019.Njaka A.L’article SG Madagasikara: masoivoho vaovao ny La City Ivandry a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy tomombana ny milina ao Andelakela: tratry ny fahirano Antananarivo sy ny manodidina

Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana. Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly. Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza. Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay. Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy tomombana ny milina ao Andelakela: tratry ny fahirano Antananarivo sy ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy

Noraisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’Iavoloha, omaly, ireo mahery fo malagasy, nitondra avo ny voninahi-pirenena, tany Maorisy, nandritra ny andiany faha-10, ny lalaon’ny Nosy farany teo.Nahazo ny valin-kasasarany ireo atleta nahazo medaly rehetra ary nampitomboina 4 avo heny ny tamin’ny efa-taona lasa ny fankasitrahana azy ireo, izay tafiakatra hatramin’ny 361 tapitrisa ariary ny fitambarany. Raha dimy hetsy ariary izany, ho an’ny volamena, niakatra ho roa tapitirisa ariary izany tamin’ity, toy izany koa ny volafotsy sy ny alimo. Ankoatra izay, nomen’ny fitondram-panjakana mari-pankasitrahana manokana ihany koa izy ireo. Nisy 13 mianadahy nahazo ny « Chevaliers de l’ordre national », izay nahazo medaly volamena 2 no ho mihoatra, « Commandeur de l’ordre de mérite sportif » kosa ho an’ireo 78 mianadahy, nahazo medaly volamena iray. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo nisalotra ny medaly volafotsy sy alimo, dia ny «Officier de l’ordre de mérite sportif » sy ny « Chevalier de l’ordre de mérite sportif ». Tsy hadinon’ny fitondrana ihany ireo mpanazatra fa nahazo fankasitrahana toy ireo atleta rehetra, arakaraka ny medaly azon’ny taranjany tsirairay.Velom-pisaorana ireo atleta Velom-pisaorana ny fitondrana sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ireo atleta malagasy, amin’ny fihetsika mendri-piderana toy izao. Nanambara Andriantsitohaina Éric, izay nisolo tena ireo atleta rehetra, fa isan’ny nahazoana izao vokatra tena tsara izao, ny fanatrehan’ny filoham-pirenena sy Andriamatoa Minisitra, Tinoka Roberto, mivantana hatrany, ny ady sy ny lalao natrehin’izy ireo. « Zava-dehibe loatra ho anay ary tena nandrisika anay hitady fandresena ny fahitanay anareo fitondram-panjakana, manaraka akaiky anay sy nankahery anay teny an-kianja, ray aman-dreny tokoa ianareo ary tena nandray anay ho zanaka », hoy i Eric, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Mbola tokony hahavita tsara lavitra noho ireny, aza ny atleta raha manana fotodrafitrasa tsara mamaly ny filàny izy ireo, araka ny  nambarany hatrany, isan’ ny fangatahan’ireo mpanao fanatanjahantena, araka izany, ny hanamboarana sy hanatsarana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto amintsika. Naneho fisaorana ny federasiona, izay vy nahitana ny fahombiazana ihany koa ireo atleta, ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, hoy i Eric.Tetsy ankilany, nanambara Andriamatoa Minisitra fa izao dingana vita izao dia mariky ny firosoana hatrany. Faharoa isika, hoy izy, tamin’iny lalaon’ny Nosy andiany faha-10 iny, tsy tongatonga ho azy izany fa nisy ny fanomanana sy ny ezaka nataon’ny tsirairay. Nitondra ny hetahetan’ireo federasiona teo anatrehan’ny filoham-pirenena ihany koa ny Minisitra Tinoka Roberto, ny tokony hisian’ny lalao goavana handraisan’ny faritra 22 anjara, amin’ny herintaona. Mi.RazL’article Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

TSIPY KANETIBE :: Notebahin’ireo tompondaka eran-tany ny Federasiona

Ifamaliana ny fitenenana an-gazety ho an’ny Federasiona sy ireo mpilalao voahosotra ho tompondaka eran-tany miaraka amin’ny mpanazatra nasionaly. Taorian’ny nanambaran’ny Federasiona fa “manala baraka ny Federasiona tsy manana porofo i Dollys Randriamarohaja” ary omen’izy ireo 48 ora hitondrana porofo, dia nitondra fanazavana momba izany ity mpanazatra nasionaly ity sy i Tita Razakarisoa, mpilalao isan’ireo tompondaka eran-tany tamin’ny taona 2016, tetsy amin’ny kianjan’ny CBT Mahamasina, omaly. “Manana porofo izahay matoa miteny. Isan’ireo tsy fahombiazan’ny fitantanan’ny Federasiona ny tsy nananan’ireo mpilalao juniors sy vehivavy kanetibe noentina tany Chine, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Toy izany ihany koa ny tsy nandoavan’ny Federasiona ny saram-pivahinianana tany an-toerana raha tsy norahonan’ny Federasiona iraisam-pirenena hoesorina amintsika ny anaram-boninahitra azon’ny sokajy seniors lehilahy”, araka ny nambaran’i Dollys Randriamarohaja. “Mbola tsy fahaiza-mitantana ihany koa matoa ny zoma mialoha ny talata andro niaingana ho any Tonizia vao niteny taminay ny Federasiona fa tsy afaka mandeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izahay raha tsy mahita vola 45 tapitrisa ariary. Niezaka izahay nitady, na dia tokony ho anjaran’ny federasiona aza ny mitady izany, ka nahita”, hoy hatrany i Dollys. “Manginy fotsiny ireo fampanantenana poak’aty natao taminay ary saika tsy nanomezana ny vola 10 tapitrisa ariary nampanantenan’ny minisitera anay ary efa nomeny ny Federasiona saingy tsy nety azonay mihitsy izany”, hoy hatrany izy. Nanaporofo izany ihany koa i Tita fa “tsy mety azo ny tamby nampanantenain’ny Federasiona” azy ireo tamin’ny naha tompondaka eran-tany. Mbola tantara mitohy izany ny azy ireo ato ho ato. L’article TSIPY KANETIBE :: Notebahin’ireo tompondaka eran-tany ny Federasiona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Famahana olana ny any Atsimo: hametraka ny paikady maharitra iadiana amin’ny kere ny filoha

Nidina avy hatrany any ifotony, nihazo ireo kaominina ianjadian’ny kere ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo.  Velom-panantenana tanteraka ny vahoakan’ny faritra Androy tamin’izany.  « Hisy ny paikady sy fandaharanasa maharitra hapetraka aty ka anisan’izany ny fitarihana rano amin’ireo renirano manodidina », hoy ny filoha tamin’izany. Eo koa ny tetikasa antomotra ezaka amin’ny hanaovana lava-drano maromaro ary hojerena ihany koa ny renirano ao Ifaho ka haparitaka araka izay azo atao, hisitrahan’ny vahoaka rano fisotro. « Hatsangana ny ivontoerana ho entina hanampiana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ireo olona tena marefo na ny “centre nutritionnel intensif et medical” ka hisitraka izany ny distrika efatra, ahitana an’ i Amboasary Atsimo, Ambovombe, Tsihombe  ary i Beloha. Hanampiana ireo zaza sy ireo hita fa tena tsy ampy sakafo ka hisy ny fanaraha-maso akaiky azy ireo ary hanaraka “programme nutritionnel” izany », hoy ny filoha Rajoelina.Esorina ireo tsy mahavita azy…Nahitsy ny lahateny tao Tsihombe .  Homena fitaovana entina miasa izy aloha. Avy eo vao sazina raha tsy mahavita ny asany. Aoka hiasa  tsara fa esorina amin’ny toerany ireo tsy mahavita ny andraikiny, araka ny nambarany.Natolotra tamin’izany ny fiara tsy mataho-dalana 4×4 ho an’ny Prefet ao Ambovombe sy ny – kamiao fandraofam-pako miisa dimy ho an’ny any Tsihombe ary ny vatsy tsinjo. « Hahazo izany avokoa ny isan-tokantrano, indrindra ireo tena marefo. Homena fitaovana na “kit scolaire”daholo ireo mpianatra ao amin’ny EPP rehetra eto Tsihombe ary hisitraka EPP manara-penitra ihany koa », hoy ny filoha.Androy tsy maintsy mandroso…Nampanantena kianja manara-penitra ho an’i Tsihombe ny tenany ary nanolotra « ambulance » tsy mataho-dalàna iray sy fitaovana ao anatiny ary “carte carburant” ho an-dry masera. Teo koa ny  fandriana sy fanampiana maro samihafa. Nanolo-kevitra ny filoha mba hametrahana ilay ivontoerana na “centre nutritionnel et medical”ao amin-dry  masera.« Tsy ho Tsihombe tara lava (TTL) intsony fa “Tsihombe tsy maintsy mandroso” manomboka izao. Androy tsy maintsy mandroso », hoy ny filoha.Synèse R. L’article Famahana olana ny any Atsimo: hametraka ny paikady maharitra iadiana amin’ny kere ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly

Sekoly iray anisan’ny nanaporofo ny fahombiazan’ny tetikasa Tafita ny EPP Ambohinambo Talatamaty. Nohazavain’ny talen’ity sekoly ity fa niakatra ny taham-pahaizan’ny ankizy (T2 hatramin’ny T5) kajy sy vakiteny, rehefa nampiharin’ny mpampianatra azy ireo ny paikady vaovao. Tsy inona izany fa ny fanazavana amin’ny alalan’ny fitaovana mora hitan’ny ankizy, nandritra ny ora fanampiny, izany hoe, ankoatra ny tapany maraina efa voarafitry ny fandaharam-pianarana ofisialy.Nanomboka ny volana mey hatramin’iny volana jolay iny, manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora ary intelo isan-kerinandro, izany ora fanampiny izany. Ankoatra ny fampiasana fitaovana tsotra sy mora hita, tsy mijanona eo ambony dabilio sy miatrika solaitrabe ny mpianatra fa atao toy ny lalao, miala amin’ny mahazatra, ny fampitana ny fahalalana.Tetsy ankilan’izay, vokatry ny tetikasa Tafita hatrany, mazava sy mahomby kokoa ny fitantanana ny sekoly. Tsiahivina fa, nanomboka ny taom-pianarana 2016-2017, ny fiaraha-miombon’ezaka ho fanatsarana ny fanabeazana ifotony (Feffi) ny rafitra mitantana ny sekoly (EPP). Demokratika kokoa ity rafitra ity, ahitana « assemblée générale » ka voafidy ny filohany, ny birao maharitra (ahitana mpitambola sy mpanolotsaina) ary ny rafitra mpanara-maso.Rafetina, mandritra ny fivorian’io « assemblée générale » io, amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana, ireo asa hotanterahina ao amin’ny sekoly. Ho an’ny EPP Ambohinambo, io no nandany ny tokony hanatanterahana ora fanampiny amin’ny fampianarana ka nahazoana izao vokatra tsara izao.Teo amin’ny fitantanana ny sekoly, mazava sy ampahafantarina ampahibemaso (eo anatrehan’ny ray aman-dreny), toy ny natao omaly teny amin’ny EPP Ambohinambo, ny zava-bita sy ny fandaniam-bola tamin’izany, hatramin’ny mahakasika ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny sekoly.Nitondra tohana betsaka ny governemanta japoneyTanjon’ny tetikasa Tafita ny hampitombo ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly sy ny famitan’izy ireo hatramin’ny farany ny fianarana, ny hanatsara ny kalitaon’ny fianarana sy ny fitantanana ny sekoly. Manohana teknika ity tetikasa ity ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ny antokon-draharaha iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa japoney (Jica).Misitraka ny tetikasa ny faritra Analamanga sy Amoron’i Mania. Mizara roa ny fanohanan’ny Jica ka voalohany ny fanampiana ny fametrahana ny Feffi, efa tafapetraka amin’ny 99%-n’ny sekoly eto Analamanga ary 100% kosa ny any Amoron’i Mania. Nanampy tamin’ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ny Japoney.Nanomboka tamin’ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera ka hatramin’ny mpampianatra. Niompana tamin’ny fitantanana ny fiofanana. Nisy koa ny paikady fampianarana, mahakasika ny famakiana teny malagasy sy ny kajy. Ho tapitra amin’ny volana mey 2020 ny tetikasa Tafita ka anjaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny manohy ireo voka-tsoa avy amin’izany.Landy R. L’article Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

«Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro
24/10/2020

Mahatsiaro ho ankilabao ireo «paramédicaux» nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra ireny valanaretina nivaivay teto amin’ny firenena ireny satria maro ireo milaza fa tsy mbola nandray ny vola tokony ho anjarany. Hisy ny fivoriambe hatao isan-tendro hataon’izy ireo hifampizarana ny zava-misy sy ny dingana fangatahana iza­ny vola tambin’ny niasana mafy izany. Notanterahina ny 22 oktobra teo ny fivoriambe ho an’ ny any Soalala. Hanatanteraka ny azy, rahampitso, ny any Fa­ratsiho ary amin’ny alatsinainy ny any Anosibe an’Ala. Ny 30 oktobra kosa no hivory ireo “paramédicaux” any Am­batolampy, any Arivonimamo ary any Miarinarivo. Mitohy izany ho an’i Manja amin’ny faran’ny volana oktobra izao. Araka ny baikon’ny mpitarika fikambanan’ny “paramédicaux”, tsy hisy ny fangatahana alalana amin’ny ambaratonga amin’ny toerana misy azy ireo. Tsy maintsy hatao ko­sa ny fampahafantarana amin’ ny lehibe isan’ambaratonga mi­kasika ny fivoriana hatao. “Manan-jo hivory izahay ka hanatanteraka izany ha­mon­dronana ny hery sy hanamafisana ny fitakiana fa tsy hatao vato natsindry ahazana ka atsipy rehefa vita ny nilana anay”, hoy ireo “paramédicaux”.Tatiana AL’article «Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote
29/10/2020

 Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra ? Totoafo ny fitsipahana marindrano ny fitakian’ireo depiote ny tombontsoa : fiara tsy mataho-dalana sy ny fisotroan-drononon’izy ireo. Hita any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ny antso an-telefaonina amin’ireo haino aman-jery samihafa eto an-dRenivohitra izany. Vao mainka nampirongatra izany tsy fankasitrahana izany ny nilazan’ny depiote iray avy amin’ny fitondrana ny tombontsoa sy ny vola raisin’izy ireo eny Tsimbazaza, tamin’ny fahitalavitra iray, afakomaly alina.Tafakatra 12 ny isan’ireo “Assistant parlementaire”Tsy vitan’izany fa nampiakarina ho 12 ireo mpanampy “Assistant parlementaire” isaky ny depiote. Valo anefa ny isan’izany teo aloha. Mbola hiampy indray izao fitakiana fiara 4×4 sy ny fisotroan-dronono izao izany. Efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahana izany koa ny eo anivon’ny sendikà maromaro. Teo koa ny mpisolovava, ny Me Olalah.Etsy andaniny, niaro tanteraka izany fitakian’ny depiote izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Tsy mitovy amin’ireo fisotroan-dronono rehetra izany. Mety hampitondraina anarana hafa izy io. Mbola hapetraka ao anatin’izany avokoa ny fomba fahazoana izany na ho isam-bolana na mety amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana”, hoy izy.Anaty covid sy kere ary ny fiharianaAraka izany, mbola anaty ady amin’ny covid-19 izao firenena. Miaina kere ny any atsimo ary mbola ho henjana ny hanarina ny fihariana nefa  ny tombontsoan’izy ireo no mahamaika. Mpanao lalàna handidy dia homana avy hatrany.Raha tena mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, tsy olana ho an’ny olona ny hanampy sy hiaraka hiady aminy izany tombontsoany izany. Tsy izany anefa aloha izao ny zava-misy.Synèse R.L’article Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote a été récupéré chez Newsmada.

Akoor’digue sy ny CUA: fotodrafitrasa maro no nohavaozina sy naorina
29/10/2020

Na teo aza ny valanaretina covid-19 nitondra fahasahiranana ho an’ny orinasa maro. Tsy nataon’ny Akoor’digue Centre commericial tsy hanao zavatra akory izany. Nisy ny zava-bita… Niova endrika ny eny amin’ny lalana vahilava na ny « digue » mihazo an’Ivato. Nisy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa eny an-toerana notontosain’ny Akoor’Digue Centre Commercial niara-niasa tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny rary vato ny sisin’ny « digue », miainga eo amin’ny kianjan’ny Maki ka hatreny amin’ny hopitaly Manara-penitra. Napetraka ihany koa ireo jiro miisa 20 mahery mandeha amin’ny herin’ny masoandro mba hisorohana ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina eny amin’iny lalana iny. Fanitaran-dalana (voie de dégagement en pavé) mba hisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny amin’iny faritra iny izany. Natsangana ihany koa ny toerana ahafahan’ny olona mipetraka miandry ny fandalovan’ny « Bus » na ny « abribus » manara-penitra ahitana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hirehitra hariva mandra-maraina. Novelomina ihany koa ireo fampahafantarana ny fitsipiky ny fifamoivoizana misoritra amin’ny tany na ny « marquages au sol ». Nasiana ihany koa ny « trottoir » voaaro amina andrim-bato iva ho an’ny mpandeha an-tongotra.Ankoatra ireo asa, izay nampahafantarina, omaly, ny fahavitany, nomarihin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Akoor’digue ihany koa fa mitohy hatrany ireo hetsika efa nataon’izy ireo hatramin’izay. Anisan’izany ny fampiasana ny toerana ahafahana mialavoly. Ny fanatanterahana ny Halloween ny 31 oktobra, ny « Black Friday » ny 27 ka hatramin’ny 29 novambra izao, sns. Nampatsiahivin’ny tompon’andraikitry ny serasera sy ny « marketing » eo anivon’ny Akoor’digue ihany koa ny fitsanganan’ireo orinasa sy sehatra vaovao eo amin’ity « Centre commercial” ity. Anisan’izany ny KFC, ny Ymagoo, ny Geox : chaussure, sns.HaRy RazafindrakotoL’article Akoor’digue sy ny CUA: fotodrafitrasa maro no nohavaozina sy naorina a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly
26/10/2020

Nanatanteraka lalao fitsapana ny ekipa nasionaly, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, ho fanomanana ny lalao iraisam-pirenena hataon’izy ireo ny volana novambra izao. Ny ekipan’ny CosPN ny nifanandrina amin’izy ireo nandritra izany ka lavony tamin’ny isa 68 no ho 40. Raha io valin-dalao io, azo lazaina ho maivana amin’ny ekipa nasionaly ny nandavo ity ekipan’ny CosPN ity, “na izany aza, mbola misy hatrany ny lesoka mila harenina”, hoy ny mpanazatra. Mbola manana iray volana latsaka eo ny ekipa, mialoha ny hiaingana eto an-tanindrazana hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2021”, hatao any Kigali Rwanda. Raha ny vaovao voaray, ny 20 novambra izao ny tokony hiala eto an-toerana ny delegasiona malagasy. Miankina betsaka amin’ny fisokafana ny sidina eto amintsika anefa izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel.Tsiahivina fa efa tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny fampivondronana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ary mbola mitohy hatramin’ny andro hialana eto an-toerana izy ireo. Mi.RazL’article Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Gadona maroloko – Don.FR : “Tsy laza ny tanjona fa ny hampita hafatra”
24/10/2020

Rakotonarivo Jean Donné, mpihira fototra ao amin’ny tarika Don.FR sady tompon-kevitra amin’ny fananganana izany, ny taona 2017. Milaza ny heviny momba ny zavakanto sy ny mpanakanto ary ny akony.Tarika mampiray ny kanto malagasy manerana ny Nosy ny Don. FR… Mivoy ny karazan-kira mifangaro, izany hoe, manao ny gadona rehetra toy ny tsapiky, ny basesa, ny milamindamina sy ny maro hafa ny tarika. Noho ny fisian’ny mpikarakara, taty aoriana, nisy fiovana tanteraka ny tarika fa tsy toy ny nahitana sy nahalalana azy tany aloha. Na teo amin’ny lafiny hira izany na ny hevitry ny anaran’ny tarika. Talenta ny “Don” ary Fi­rai­sankina ranoray kosa ny “FR”. Ankoatra ny gadona voalaza ery aloha mantsy, mitambatra ho iray ao anatin’ny tarika ireo mpikambana 10 mianadahy avy amin’ny faritra. “Tsy laza ny tanjona ma­hamaika fa ny hampita hafatra ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora. Hijanona ha­trany amin’ny fanaovana mozika maneho fananarana sy fitaizana ho an’ny fiarahamonina ny tarika fa tsy hanao hira mety hanafintohana ny hafa”, hoy i Jean Donné. Maro ny sanganasa mihodina eny anivon’ny serasera toy ny «Allo Tiako», ny «Tsin­jaka», ny «Maloto lamba», ny «Tsy mahavita tena», ny «Modia», ny «Ombay mitady», sns. Vao tsy ela akory izay ny namoahan’izy ireo ny hira: «Neny» sy ny «Zana­kao». Manomana seho miavaka eto an-dRenivohitra ny tarika amin’izao ary hisy rakipeo kononkononin-dry zareo amin’izany. Tsy vitsy ny mpanakanto malaza efa nampiara-peo tamin’i Don.FR toa an’i Bolo Pix sy i If Clark. Ankoa­tra ny rindran-tsary, efa nisy ny seho nataon-dry Don.FR tany Antsirabe sy tany amin’ny faritra hafa. «Manantena fiaraha-miasa hatrany aminareo mpankafy izahay ka raha misy ny tsy mety, aza misalasala manome fanamarihana fa raisinay hakana lesona izany fa tsy hitezerana akory», hoy ny mpikarakara ny tarika. Marihina fa tovolahy mpikabary ihany koa i Jean Donné ary efa betsaka ny kabary am-panambadiana efa nataony. Araka izany, afaka mivady tsara aminy ny kabary sy ny mozika fa tsy mifanitsaka akory.NarilalaL’article Gadona maroloko – Don.FR : “Tsy laza ny tanjona fa ny hampita hafatra” a été récupéré chez Newsmada.

Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana
28/10/2020

  Iray amin’ireo Tahiry lehibe mampiasa vola aty Afrika ny DPI (DevelopmentPartners International), mitantana ny ADPIII (AfricanDevelopmentPartners III). Miara-miombon’antoka amin’izany ADPIII izany izao ny vondrona Axian eto Madagasikara.Indostria 23 amina firenena 29 aty Afrika no misy fandraisana anjaran’ny DPI. Miainga avy amin’izany ny traikefany sy amina fampiasam-bola ahitana fahombiazana. Maherin’ny 1,6 miliara dolara ny tantanana amin’izany amina indostria maro, afaka mahita tombony haingana. Manaraka ny tsara vitan’ny teo aloha ny ADPIII misy ny Axian, mifantoka amin’ireo orinasa tsy miankina mandroso amin’ny fitantanana.Ny fiaraha-miasa amin’ny Axian,  manambara ny finiavana fanatanterahana ny fanovana ny toekarena aty Afrika. Manoro fomba sy lalan-tokana aty amin’ny kaontinanta ny DPI. Fampiasam-bola iombonana manome lanja ny fiarahana amin’izay hatao rehetra, amina sehatra maro. Fiaraha-miombon’antoka, hahitana fiaraha-mitantana ny tahiry iombonana, hahafahana manavao sy mitaky fampivondronana fahaizana.Ny vola miasa aty Afrika avy amin’ny ADP III, tonga any amin’ny Axian hahazoana manao tetikasa amina sehatra sy toerana maro aty Afrika. Sady mpitantana tahirim-barotra ny DPI, no tompon’andraikitra amina fampiasam-bola araka ny namaritan’ny Firenena mikambana azy. Tanjona ny fampandrosoana maharitra, misy akony ara-toekarena amin’izay mpampiasa vola.150 taona eto MadagasikaraNy vondrona Axian, mpikambana ao amin’ny UN Global Compact ( Firenena mikambana), miasa mampifandray ny sehatra maro. “Ny renivola avy aty aminay, fomba iray entina mitrandraka ny sasany amin’ireo sehatra ireo. Mihevitra izahay fa ny fahombiazana sy maharitra hita amin’ny orinasa iray, tsy afa-misaraka amin’ny maha tompon’antoka azy amin’ny fitantanana”, hoy i Hassane Muhieddine, ao amin’ny Axian.Manaporofo izany, 150 taona eto Madagasikara izao ny vondrona Axian, hita amina sehatra dimy : fanaovan-trano, fifandraisan-davitra, raharaha ara-bola, angovo, sy fanavaozana. 5000 ny mpiara-miasa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika. Miara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny toekarena.R.MathieuL’article Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Fidinana ifotony : hitokana zava-bita any Ambatondrazaka ny filoha Rajoelina
23/10/2020

   Hatevina ny fandaharam-potoan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fidinana ifotony any Ambatondrazaka, anio. Hitokana zava-bita sy hijery ny fizotry ny asa amin’ireo fotodrafitrasa nampanantenainy ny tenany.Anisan’ny hotsidihiny ny fahavitan’ny fanamboarana ny lalana tara, 800 m miainga eo amin’ny seranam-piaramanidin’i Feramanga – Avaratra mivoaka ny lalam-pirenena RN44. Nametrahana andrin-jiro koa ny faritry ny seranam-piaramanidina sy ny lalana. Vita koa ny fananganana ny EPP manara-penitra ao Ambatondrazaka. Mahazaka mpianatra miisa 600 ary ahitana ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny T5. Hisitraka toeram-pianarana « informatique » sy « cantine scolaire » ny mpianatra. Vaovao ny fitaovana toy ny dabilio, ny biraon’ny mpampianatra sy ny fitaovam-pampianarana.Ankoatra izany, efa mandroso sy an-dalam-pamaranana ihany koa ireo fotodrafitrasa sasany. Vita 80% ny fananganana ny kianja manara-penitra Rasolonjatvo ao Ambatondrazaka. Efa voapetraka ny « tapis synthétique ». Efa voatsangana ny «tribune » ary nampitomboina izany raha mitaha amin’ny teo aloha.Tosika fameno sy Vatsy tsinjo ary hazavanaMihoatra ny 60% koa ny fanatanterahana ny asa fananganana tetezana « pont Kafe » miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana Ambatondrazaka mankany Ambandrika sy ny tetezana « Manaingazipo » miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana 25 km ao Vohidiala, Manakambahiny Andrefana. Hitokana izany koa miaraka amin’ny fahavitan’ny EPP manara-penitra ny filoha.Hahazo koa fitaovam-pianarana feno sy tsara kalitao EPP manara-penitra Asabotsy Ambatondrazaka.Manampy izany, hizara ny Tosika fameno amin’ny alalan’ny Paositra malagasy ho an’ny olona miisa 7000 isa koa ny filoha ho fitsinjovany ireo tokantrano ao an-toerana sahirana noho ny Covid-19. Eo koa ny Vatsy tsinjo sy ny hazavana ho an’ny rehetra, tolotra efa fanaon’ny filoha amin’ny fidinana ifotony tahaka izao.Synèse R.L’article Fidinana ifotony : hitokana zava-bita any Ambatondrazaka ny filoha Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.

Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka
27/10/2020

Tsy hiverina hivory ireo loholona… Antony naroson’izy ireo ny tsy fisian’ny tetibola hampiakarana ireo loholona eto an-dRenivohitra. Tapaka mantsy ny bolongam-bola hatokana ho fampandehanan-draharaha ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Ny antony manaraka, izay iaraha-mahalala na tsy ambara mivantana aza, ny fanehoana ny tsy fankasitrahana ny fifidianana loholona ho avy. Hitarika mankany amin’ny fialan’ireo loholona am-perinasa mantsy izany, mazava loatra. Amin’ny maha loholona azy ireo, olon-dehibe manam-pahendrena sady manam-pahaizana avokoa izy ireo. Heverina fa tsy izy ireo no tokony hanaotao foana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Toa tsy izany anefa ny andraisan’ny mpanara-baovao ny zava-misy. Toa mahatsapa ny rehetra fa manao takalonaina ny vahoaka ireo loholona. Anisan’ny lahadiniky ny fivorian’ny Antenimiera roa tonta amin’izao fotoana izao mantsy ny fandaniana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Raha tsy lany izany, tsy misy asa afaka mandeha eo. Ny loholona, efa fantapantatra ihany ny hataony. Fa mandiso fanantenana ny maro koa ny fahenoana ny fitakiana nataon’ireo solombavambahoaka. Ny mahakasika azy ireo aloha no tena nojereny voalohany! Ny fiara tsy mataho-dalana isaky ny solombavambahoaka sy ny fisotroan-dronono ho azy ireo no nahamaika azy. Tsy hoe tsy ilaina akory, saingy mba azo nafenimpenina tany amin’ny faramparany izany fitkakiana izany. Dia raha tsy hivaly ve ny fitakiana, mety hiray loha amin’ireo loholona koa ny solombavambahoaka? Fantatr’izy ireo tsara fa takin’ny lalàna ny fivezivezen’ny volavolan-dalàna eo amin’ireo Antenimera roa tonta. Izany hoe, eo am-pelatanan’izy ireo ny tohin’ny tantara. Tsy miandrandra zavatra maro, afa-tsy ny hanaovan’ireo parlemantera ny asany araka ny hitsiny ny vahoaka. Mba tsy ho nenina ho azy ireo ny safidiny. Mba tsy hahatsiaro ho takalonaina hatrany isaky ny misy kajikajy politika miainga ao…Randria.L’article Indraimbava: aza atao takalonaina ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy
23/10/2020

Ny 12 hatramin’ny 14 oktobra lasa teo ny nanatanterahana fivoriana ampitain-davitra ifanakalozan-kevitra an-tsary (virtuelle) teo amin’ny Fitantanana ny fadintseranana sy ny mpiara-miombona antoka mpamatsy vola maromaro.Nisahana ny fivoriana ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny ladoany (OMD), izay voalohany eo amin’ny tantaran’ny fadintseranana malagasy, nankatoavin’ireo mpitantana ambony, ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombona antoka. 27 ny tetikasa ho fanavaozana ny ladoany ka nampahafantarina sy niadin-kevitra ny 17, nahitana mpandray anjara sy famatsiam-bola, hotanterahina manomboka ny 2021. Ny 10 ambiny, mandeha miandalana eo ny fanatanterahana azy hatramin’ny 2023.Mifandray avokoa ireo tetikasa ireo ho antoky ny fampandrosoana, iarahan’ny fadintseranana amin’ireo mpiara-miombona antoka mpamatsy vola (FMI, BM, Bad, USAID,…). Hisy fivoriana mialoha ny faran’ny taona 2020 hiarahana amin’izy ireo handrafetana farany ny fiaraha-miasa. Fanoitra iray lehibe ny ladoany, nampahalala ny paikadiny 2020-2023, fanavaozana mifanaraka amin’ny laminasa fampivoarana nosoritan’ny fitondram-panjakana ankehitriny.Fiaraha-miasa fanjakana sy tsy miankinaFampandraisana anjara tsy misy ankanavaka ny fitantanana ny atao, miezaka hatrany ho fampiharana ny tetikasa rehetra. Mampiasa sy mitady araka izay eo am-pelatanana, manatanteraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Mila fiarovana sy fampandehanana ny toekarena ao aminy ny firenena isanisany amin’izao fotoana izao, noho ny valanaretina mamely ny toekarena maneran-tany. Tsy afa-miala amin’izany i Madagasikara miezaka manome vahana ny indostria eto an-toerana, ny famoronana asa hahatojoana ny fahavitantena.« Miaraka isika, manova endrika ny ladoany malagasy ho fitaratra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana hafa », hoy ny tale jeneraly, i Lainkana Zafivanona Ernest, sy ny sekretera jeneralin’ny OMD, i Kunio Mikuriya, manohana ny eto an-toerana. R.MathieuL’article Fiaraha-miasa: tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19
28/10/2020

  Araka ny fanadihadiana nivoaka ny alatsinainy lasa teo, nahatratra 43 483 423 ny tranga Coronavirus voamarina amin’ny firenena 180 anatin’ny kaotinanta dimy. 1 159 300 ireo namoy ny ainy vokatry ny valanaretina. Firenena tena ahitana tranga maro sy olona maty betsaka ny any Etazonia, India, Brezila, Rosia ary Frantsa, araka ny fandalinana navoakan’ny teknisianina. Any Frantsa, ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny valanaretina ny herinandro maromaro ho avy. Amin’izao fotoana izao, mitovy amin’ny zava-misy tamin’ny fotoana nirongatan’ny valanaretina voalohany tany an-toerana ny tranga ankehitiriny ka mampanahy ny mpitsabo sy ny mpitondra any an-toerana. Raha departemanta vitsivtisy no tena nahitana tranga maro niditra teny amin’ny hopitaly. Saika manerana ny firenena iray manontolo no misy ny tranga nandritra ny andro maromaro farany. Efa mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any amin’ny faritra maro ary nahena ny ora ahafahan’ny toeram-pisakafoana misokatra ho an’ny toerana voatondro.Nangonin’i VonjyL’article Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.