Fizarana Vatsy tsinjo: betsaka ny fahadisoan’ny tapakila etsy Andohatapenaka I

News - Fizarana Vatsy tsinjo: betsaka ny fahadisoan’ny tapakila etsy Andohatapenaka I

News - Fizarana Vatsy tsinjo: betsaka ny fahadisoan’ny tapakila etsy Andohatapenaka I

Nisavorovoro ny vahoaka ao amin’ny
fokontany Andohatapenaka I manoloana ny fizarana ny vatsy
sosialim-bahoaka, omaly, araka ny fitarainan’ny solontenan’izy
ireo. Teny amin’ny ENS Ampefiloha no nanaovana ny fitsinjarana ny
fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ity fokontany ity. Rehefa
nomena ny tapakila ahafahan’izy ireo mandray ny fanampiana, gaga ny
olona fa diso avokoa ny anarana sy ny laharan’ny kara-panondro fa
ny adiresy ihany no marina. Tsy afaka misitraka ny vatsy anefa raha
vao tsy mitovy ny anarana ao amin’ny kara-panondro sy ny lisitra
eny amin’ny mpizara ary ny tapakila nozaraina isan-trano.
Velon-taraina noho izany ireo niharan’ny fahadisoana ary
nambaran’izy ireo fa fanahiniana niainga avy ao amin’ny
mpiandraikitra ny fokontany izao. Nanana olana tamin’ny mponina tao
an-toerana ny mpitantana ny fokontany ary efa noesorina ny sefo
fokontany teo aloha ka ny lefiny ihany no nandray ny andraikitra
vaovao. Tsy matoky intsony ny vahoaka fa misy zavatra tsy mazava
ity fizarana sosialim-bahoaka ity satria maro no tsy nahazo izany
vokatry ny fahadisoana. Nandeha nanontany ny tokony hatao teny
anivon’ny fokontany izy ireo ary miandry ny ho valin’izany.

Vonjy A.
             

Article tiré de Newsmada

L’article Fizarana Vatsy tsinjo: betsaka ny fahadisoan’ny tapakila etsy Andohatapenaka I a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

Mode - News - Ao Raha

FIKIRAKIRANA LAMAODY :: Fashion’s Passion hanomezan-danja ny famoronana vitan’ny tanora

Hotanterahina ny alahady 16 desambra ho avy izao, amin’ ny 11 ora antoandro ka hatramin’ny 8 ora alina ny andiany voalohany amin’ilay hetsika «Fashion’s Passion». Lanonana iray hampivodronana ireo tanora misehatra eo amin’ny tontolon’ny famoronana haingo sy lamaody ary havanana amin’ny fikarakarana ny hatsaran-tarehy. Eny amin’ny Délices by Art Fity, Itaosy no toerana hanatontosana izany. Maro ny zavatra ho hita eny an-toerana amin’io fotoana io , toy ny filatroana hampisehoana ny zava-bitan’ireo mpamorona haingo miisa enina mianadahy, misy an’i Nal’s mode, Missy Soa, Jorkey Emmanuel , Esther’s Garment, Lovah Nah ary Fity Rak. “Tanjona amin’io ny hampahafantarana amin’ny olona rehetra ny zava-bitan’ireo tanora misehatra eo amin’ny famoronana mba tsy ho latsa-danja amin’ny an’ny vahiny. Ezahina ho tohizana isan-taona izy io ho fanosehana ny tanora amin’ny famoronana izay ataony”, hoy i Fitia Rakotoarivelo manazava. Ankoatra izay, haneho ny talentany amin’ny fikarakarana ny tarehin’ireo mpilatro mba hampisongadina ny endriny ihany koa Rafotsigasy sy Rando Mia Stegi. Ny Doremi Events sy ny Délice by Art Fity kosa no hiantsoroka ny haingon-tsehatra. Ny Fête par Fête no hiandraikitra ny sakafo ary hampiseho ny talentany amin’io ihany koa i Antso Bonmartin. Ny NTC Gospel kosa no mpanakanto fantatra fa hanafana ny lanonana eny an-toerana amin’io. L’article FIKIRAKIRANA LAMAODY :: Fashion’s Passion hanomezan-danja ny famoronana vitan’ny tanora est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra afrikanina – «Ligue des champions»: resin’ny Fosa Jr tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Pamplemousse SC

Fandresena tamin’ny isa manify no azon’ny Fosa Jr, nanoloana ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy, teo amin’ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ligue des champions”, taranja baolina kitra.Tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, no nandresen’ny Fosa Jr ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy, nandritra ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana, notanterahina ny asabotsy lasa teo,  tany amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga.Baolina matin’i Baggio, teo amin’ny minitra faha-34, tamin’ny alalan’ny “penalty”, taorian’ny fingana nataon’i Augustin, tamin’i Lekadoda, tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana.Sahirana ry Elio sy i Dahery, teo amin’ny fanafihana satria tsy nahavaky ny vodilaharana maorisianina, nisy an-dry Lafoudre sy ry Diaz. Nanjakan-dry Santatra sy ry Baggio ny famezivezena ny baolina teo afovoan’ny kianja fotsiny, fa tsy nahita irika nandinganana teo amin’ny fiarovantena maorisianina. Na izany aza, nisy ihany ny baolina tokony ho tafiditr’i Elio, teo amin’ny minitra faha-19, taorian’ny tolotra nataon’i Baggio, saingy voasakan’i Jean-louis, mpiandry tsatobin’ny Pamplemousse, izany. Nanantombo, tamin’ny isan’ny “corner” ny Fosa Jr, izay nahatratra 10, saingy tsy nitondra n’inoninona izany.Lesoka ny fampidiram-baolinaNitovy tamin’ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany hatrany ny endri-dalao teo amin’ny tapa-potoana faharoa. Nanindry hatrany ny Fosa Jr, saingy tsy nisy ny baolina tafiditra. Toy ny an’i Dahery, teo amin’ny minitra faha-54, izay nidona tamin’ny tsatoby ny dakany.Torak’izany koa ny an’i Andry Max, teo amin’ny minitra faha-58. Niakatra ny baolina nodakany, nefa izy sy ny tsatoby, irery. Taorian’io, nosoloina i Fabrice, mpiandry tsatoby malagasy, noho ny ratra nahazo azy, taorian’ny “corner”, azon-dry zareo Maorisianina, teo amin’ny minitra faha-70 ary nosoloina an’i Nina.Nitsitapitapy ny fanafihan-dry zareo Pamplemousse izay tsy dia nisy natahorana loatra, notarihin’ireo Malagasy mirahalahy, Hollas sy i Fabrini ary ilay Nizerianina, Sunday. Hatreo amin’ny minitra faha-90, tsy nijanona ny fanafihan’ny Fosa Jr, saingy tsy nety nahafaty baolina izy ireo. Anisan’ireny, ny tolotra nifanaovan’i Santatra sy i Elio, saingy voasakan’i Jean-Louis, ny baolina.Lesoka hatrany ny famonoam-baolina, ho an’ny Fosa Jr Boeny. Betsaka ireo tokony ho faty, saingy tratry ny fikoropahana hatrany ireo lohalaharana ka matetika mivoaka ny tsatoby, ny dakan’izy ireo.Tsy ampy fifantohana ihany koa ka very hatrany ireo tolotra. Efa voafehin-dry Baggio sy ny namany kosa ny eo afovoan’ny kianja fa ny famaranana azy sisa no mila hamafisin’ny mpanazatra. , mialoha ny hiatrehana ny lalao miverina, hatao any amin’ny kianja Georges V, ny asabotsy 24 aogositra, ho avy izao. TompondakaL’article Kitra afrikanina – «Ligue des champions»: resin’ny Fosa Jr tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Pamplemousse SC a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny valanaretina: nizara arovava ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany

Ady iraisan’ny rehetra sy ifarombonana. Anisan’ny lamina napetraky ny fitondram-panjakana ny hizarana isam-batan’olona ny arovava mba hiarovana ny tsirairay sy ny manodidina azy. Tafiditra ao anatin’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Miditra an-tsehatra sy mandray andraikitra amin’izany fizarana izany ireo minisitera miisa 24 ao anatin’ny governemanta. Anisan’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Nisahana sy niandraikitra fokontany fito ao anatin’ny boriborintany fahatelo, eto anivon’ny kaomina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy eny amin’ny kaomina Iarinarivo sy Antehiroka eny amin’ny distrika Ambohidratrimo izy ireo amin’ny fizarana izany.Nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny alahady 26 avrily izao izany fizarana izany ary hiarahana miasa akaiky amin’ireo komity loharano isam-pokontany.Synèse R. L’article Ady amin’ny valanaretina: nizara arovava ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana ben’ny Tanàna: hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana

Mby aiza ny fanatanterahana fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna? Mbola mahabe adihevitra. Hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana“Ny zavatra hataontsika, hisy fanapahan-kevitra amin’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ho avy. Tsy maintsy manapa-kevitra amin’ny filankevitry ny minisitra momba izay fotoana tokony hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna izay.” Io no nambaran’ny filoha Rajoelina Andry teny Anosy, omaly, momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mila hanontaniana aloha ny antoko nilaza fa tsy tokony hatao amin’ity taona ity ny fifidianana. Satria nisy antoko nilaza fa raha hatao amin’ity taona ity io fifidianana ben’ny Tanàna io, tsy handray anjara ry zareo.Hanontaniana koa ny Ceni ny amin’ny fahitany azy: madio tokoa ve ny lisi-pifidianana?“Miroso amin’ny fifidianana tokony hatao isika, rehefa madio ny lisi-pifidianana ary vonona hiroso amin’izany isika”, hoy izy. Tsy misy ny olana na natao amin’ity taona ity io, na amin’ny taona ho avy. Rehefa mifanaraka ny rehetra hoe: miroso rehefa hiroso, aleo ny vahoaka no hisafidy. Hatao fifidianana rehefa izay no hifanarahan’ny besinimaro. Mino izy fa vonona avokoa ny antoko rehetra hiatrika an’izany.Ara-dalàna ny hatao.Zavatra manara-dalàna no tokony hatao, araka ny nambarany. Ny Ceni no mamaritra ny daty tokony hanaovana ny fifidianana, ary iaraha-midinika amin’ny minisitry ny Atitany. Toy ny rehetra ihany izy, nahare fa misy antoko nilaza ny mbola tsy tokony hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna aloha, fa mila jerena ny lisi-pifidianana. Izay no ataon’ny Ceni: mijery ny lisi-pifidianana.Vokany, tsy fantatra intsony hoe: hatao ve ny fifidianana sa tsia? “Izao ny zavatra mampihomehy sy mahagaga eto amintsika: zatra manohitra hatrany ny zava-mitranga isika”, hoy ihany izy. Rehefa milaza isika hoe tokony hiroso, miteny ny sasany hoe mijanona aloha fa aza mbola miroso.Tsy misy eritreritra hanendry PDS“Vaovao tsy marina sy tsy mitombina izany, satria tsy misy manana eritreritra hanolo PDS ny ben’ny Tanàna”, hoy izy momba ny fanendrena PDS. Anjaran’ny vahoaka ny mijery raha nahavita ny asany na tsia ny ben’ny Tanàna tao anatin’ny efa-taona nitantanany. Anjaran’ny vahoaka koa ny manapaka ny amin’izay amin’ny fifidianana: iza ny ben’ny Tanàna tena mahavita azy, tena afa-kampandroso ny firenena?R.Nd.L’article Fifidianana ben’ny Tanàna: hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy

Tsy nanadino ny nisaotra ny minisitra mpiahy azy ireo andriamatoa minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police, Rafanomezantsoa Roger, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, taorian’ny fandresena goavana azon’izy ireo nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” natao tany Maorisy. Medaly volamena roa ny nentin’ireto ekipa malagasy ireto niverina eto an-tanindrazana. Nitsidika ary naneho fisaorana ny minisitra mpiahy azy ireo ireto mpilalao ireto, ny herinandro lasa teo, indrindra tamin’ny fanohanana fitaovana sy ny vola ary ny fankaherezana nomena talohan’ny niarehana iny lalao goavana iny, ka antony nahazoana izao fandresena miezinezina izao.Tetsy ankilany, nankasitraka ireo mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny basikety ireto ny minisitra, ity farany izay tsy nitazam-potsiny tamin’ny fandresena azon’ny mpilalao malagasy fa nanolotra mari-pankasitrahana ho azy ireo tamin’ny nitondrany avo ny fanevam-pirenena, tany Maorisy. Mi.RazL’article Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

Tsara fanombohana ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2018”, beach soccer. Fandresena avy hatrany mantsy ny azon-dry zalahy nanoloana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nisantatra fandresena ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2018”, baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika “beach soccer”. Fifaninanana, tanterahina ao amin’ny Charm el-Cheikh, ao Egypta.Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa tery 4 no ho 3, teo amin’ny lalao voalohany, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, teo amin’ny andro voalohany notanterahina, omaly alahady. Niady hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta. Nifandimbiasana ny nitarika ny isa tao anatin’ireo 12 mn intelo miditra. Nanahirana ny Ivoarianina ny traikefa sy ny hakingana eo amin-dry Tiana (Tsiliva) sy ry Juliot ary i Angeluc.Hifandona amin’ny Faraonan’i Egyta ny Barea, anio, eo amin’ny andro faharoa. Ry zareo Egyptianina izay nandavo an’i Maraoka, tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 1, ho an’ity sokajy “A” ity.Nivoaka sempotra kosa ny Lionan’i Teranga avy any Sénégal, tompondakan’i Afrika farany,  vao nivoaka nandresy nanoloana ny Voromaherin’i Nizeria, ho an’ny vondrona “B”. Efa tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 2 no ho 1, mantsy vao tafavoaka izy ireo. Nisaraka tamin’ny isa 4 no ho 4 ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana.Ho an’ny lalao ilany, ho an’ity sokajy ity ihany, lavon’i Lybia, tamin’ny isa mazava 5 no ho 2, i Tanzania. TorcelinL’article Beach soccer – «Can 2018»: resin’ny Barea ny Elefantan’i Côte d’Ivoire a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Festival Allée des Baobabs : Nampiaina ny tanànan’i Morondava

Nikatona tanteraka ny ridaon’ny hetsika « Festival Allée des Baobabs » andiany faharoa, izay notanterahina sy nokarakarain’ny fikambanana Tafaray tany Morondava, ny 17 – 25 novambra teo. Nampiaina tanteraka ny tanànan’i Morondava, indrindra ireo tanora, tao anatin’ny fanatanjahantena sy fampisehoana ny hetsika. Ny vola voaangon’ny fikambanana Tafaray nandritra ny herinandron’ny « Festival Allée des Baobabs » kosa, dia hatolotra manontolo ho an’ny hopitalin’i Morondava. Mpiara-miasa tamin’iny hetsika iny koa ny Vondrona RLM Communication, izay ahitana ireo gazety mivoaka isan’andro, toa ny La Ligne de Mire, Triatra, La Dépêche de Madagascar, Le Citoyen, Akon’i Madagasikara, sns. L’article Festival Allée des Baobabs : Nampiaina ny tanànan’i Morondava a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe

Maromaro ny fitaovana natolotry ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat) ny kaominina Toamasina I, ny asabotsy teo. Fitaovana hanadiovana sy hanazava ny tanàna (angady 50, borety 50, kifafa vy, rateaux 50 ary ampola 800). Nisy ordinatera miisa roa koa nanampy ireo.Nilaza i Tsifoina, nisolo tena ny tale jeneralin’ny Spat, fa vonona hatrany ity orinasam-panjakana ity hifanome tanana hampandrosoana ny tanànan’i Toamasina. Ho an-dRtoa Doris, nisolo tena ny fiadidiana ny Repoblika, nanatrika ny fotoana, “tonga amin’ny tenin’ny filoha Rajoelina izao hoe : “ampio aho mba hanampiko anareo””. Notsipihin’ny PDS-n’i Toamasina I, Razafimanana Jean Christin, fa “manomboka tratra amin’ny ampahany ny fampanantenana nataoko ho an’ny vahoakan’i Toamasina, hiainan’ny vahoaka amina tanàna madio, misy jiro manazava ny arabe vita godirao”.Natomboka tamin’io fotoana io avy hatrany ny fanadiovana faobe ny araben’ny Fahaleovantena.Sajo sy Njaka A.L’article Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy

Fantatra ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miandry ny fotoana hanatontosana, ny fifidianana sisa ny rehetra.Tontosa, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, tetsy Isoraka, omaly, ny antsapaka amin’ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, ao anatin’ny biletà tokana, amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona. Nialoha izany, notsiahivin’ny filohan’ny “comité de normalisation”, Rtoa, Atallah Beatrice fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ny kandidà Rabekoto Raoul Arizaka Romain, mahakasika ireo mpifaninana aminy, misahana andraikitra politika, izay voalaza ao anatin’ny fehezan-dalàna 13 sy 14 amin’ny lalàm-pitondran-tenan’ny fifa. Rehefa nodinihina hoy izy dia tsy azo raisina ilay izy satria tsy mbola filohan’ny federasiona ireo olona voalaza ireo. Efa nalefa any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny “comité de normalisation”, mahakasika izany.Kandidà iray ihany no tonga nanatrika ity antsapaka ity dia i Mohamad Abdillah Abdou, fa solontena kosa ny an’ireo kandidà telo hafa. Tsy nisy kosa ny an’Andriamiasasoa Doda. Izy ireo no nanao ny antsapaka, nanoloana ny mpanao gazety. Laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain. Faharoa, Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Herilalaina ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Toy io filaharany io ihany koa ny fandraisam-pitenenany, ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena (RNM sy TVM), amin’ny fanolorany, ny fandaharanasany. Hanana 5 mn avy izy ireo, manomboka ny 8 aogositra, hanombohan’ny fampielezan-kevitra, hatramin’ny 22 aogositra, ho avy izao, izay maimaimpoana.Tsiahivina, fa hatao any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra, ny fifidianana. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpianatry ny oniversite: tsy olana ny tetiandro fidirana

Tsy maintsy mamita ny taom-pianarana 2018-2019 mialoha ny 2 novambra ireo lalam-piofanana tsy nahatontosa ny azy satria nambaran’ny filoha fa io no fotoana hisantarana ny taom-pianarana vaovao 2019-2020 ho an’ny oniversite rehetra. Ho an’ny oniversiten’Antananarivo, misy ampahany betsaka no tsy mbola namarana ny taom-pianarana sy nanao ny fanadinana fitsapana farany ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 noho ny fiatoan’ny asan’ny mpampianatra mpikaroka. Nanambara ny fikambanan’ny mpianatra amin’ny faritra 22 eny amin’ny oniversite Ankatso fa manana fotoana hiomanana tsara ny ray aman-dreny hanefana ny saram-pisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao. Ny lalana rahateo efa misokatra ankoatra ny any Diana sy Sava ka afaka miverina aty Antananarivo manomana ny fidirana ny mpianatra mbola tavela any amin’ny faritra. Tsy mametraka olana ho an’ny mpianatra ny tetiandro napetraka. Ho an’ny taom-pianarana vaovao, nahavita ny fandraisana ny antontan-taratasy sy ny fifaninanana hifantenana ny mpianatra amin’ny taona voalohany ny fakiolte rehetra fa ny fisoratana anarana no hany sisa tsy tanteraka hatramin’ny farany.Vonjy  L’article Mpianatry ny oniversite: tsy olana ny tetiandro fidirana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Sombintsombim-baovao
24/09/2020

Basikety-NBA: Hamaritra izay ho tafakatra amin’ny famaranana lehibe, ho an’ny kaonferansa ilany, ny lalao fahefatra hifanandrinan’ny Lakers sy ny Nuggets. Tsiahivina fa fandresena roa ny efa azon’ny Lakers tamin’ny fifandonan’ny roa tonta, raha toa ka azon’ny Nuggets kosa ny lalao fahatelo, omaly. Isa 116 ny nandavoan’ny ekipan’i Jamal Murray an-dry James Lebron, tamin’ity lalao omaly ity. Ho hita eo, araka izany, izay ho tafita amin’ireto ekipa samy manana ny lazany ireto.Volley-Ball: Nanatanteraka lalao firahalahiana tao amin’ny CRJS Toamasina ny ekipan’ny EVBA sy ny ekipan’ny Mami. Ireto ekipa roa ireto izay samy klioba ao Toamasina. Efa nanomboka tapa-bolana lasa izay ny fanazarantena ho an’ny klioba, taranja volley ball, manerana ny Nosy ary efa manomboka mamerina ny lentan’ny mpilalao tsirairay ireo mpanazatra isaky ny klioba. Miandry ny “coup d’envoi” ahafahana manao fifaninanana fotsiny sisa izy ireo. Nangonin’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina
23/09/2020

Araka ny toko faharoa miresaka momba ireo tabataba isan-karazany mety hanelingelina ny fiarahamonina ao amin’ilay “Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana”, mila fehezina ny feo mety hanakotaba ny hafa.Ao amin’ny sokajy fahefatra, andininy faha- 79 momba ny kotaba ataon’ny biby, tsy maintsy mandray fepetra manokana rehetra hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina ny tompon’ny biby. Mila mampiasa amin’ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina sy mafy, toy ny fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala ny toeram-ponenana ny tompony. Voakasik’izany indrindra ny alika.Ao amin’ny sokajy faharoa ny momba ny fampiasana fitaovan-jaridaina maneno mafy. Ireo asa fanamboarana na ny fanaovan-jaridaina ataon’ireo olona manokana amin’ny alalan’ny zavatra na ny fitaovana mety hiteraka fanelingelenana ny manodidina noho ny hamafin’ny feo, toy ny fanapahana ahitra misy motera, ny fanapahana, ny fandavahana, ny fikikisana na ny fanapahana mekanika dia tsy azo atao afa-tsy amin’ireo andro fiasàna, amin’ny 8 ora 30 hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 1 ora 30 hatramin’ny 7 ora 30 hariva. Eo kosa ny asabotsy amin’ny 9 ora hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora hariva.Milaza ny andininy faha-78 fa tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ireo mponina amin’ny toeram-ponenana na ireo miankina aminy mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranony ireo mpiara-monina manodidina, toy ny vata famoaham-peo, ny firaketam-peo, ny fitaovana fandrenesam-peo sy ny fahitalavitra, ny zavamaneno, ny fitaovana maneno, ny fitaovana an-tokantrano sy ireo feo ateraky ny fanaovana kiraro mafy faladia na fanatanterahana asa na kilalao tsy mifanaraka amin’ireo trano ireo.Tatiana AL’article Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

Fanamby amin’ny fitantanana :: Hanova an’Antananarivo ao anatin’ ny enim-bolana ny Ben’ny tanàna
28/09/2020

Nafana ny tafatafa nifanaovan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina, niaraka tamin’ireo mpanao gazety tetsy amin’ny Studio an’ny vondrona fahitalavitra RTA tetsy Ankorondrano, omaly. Fotoana nanamafisan’ny Ben’ny tanàna ny fahasahiana hitondra ny fanovana mendrika ny renivohitra ary nanaovany fanamby amin’ny fahatsapana ny fiovana ao anatin’ny enimbolana monja. Naverimberiny matetika ny fifotoran’ny baiko sy ny asa aman-draharaha hataon’ ny ekipany araka izay fampanantenana nataony tamin’ ny mponin’Antananarivo renivohitra amin’ny alalan’ilay fandaharanasa « veliranon’ Iarivo ». Tsy hanavaka amin’ny fampiharana ny fitsipika sy ny lalàna ho famerenana ny hasin’Antananarivo ny lehilahy. « Tsy maintsy manaraka fitsipika isika rehetra. Tsy tokony hoentina eto andrenivohitra intsony ny fomba fiainana avy any ambanivohitra. Izay tsy afaka hanaraka ny satan’ Antananarivo renivohitra dia tsofina rano hitady tanàna hafa honenana », hoy mihitsy ny Ben’ny tanàna.  Isan’ny fepetra hihatra tsikelikely eto Antananarivo renivohitra ny andalana rehetra ao amin’ilay boky kely mirakitra ny fikoloampahasalamana sy filaminana, na eo aza ny resabe sy fanabarabarana miely any amin’ ny tambazotran-tserasera. Zon’ny mponina tsy ankanavaka ny mitaraina noho ny loto sy ny fikorontanana eny amin’ny fiaraha-monina eto an-drenivohitra. « Tanjona ny fametrahana ny fifanajana eny amin’ny fiaraha-monina. Tsy ny lamandy no hampidi-bola ho an’ny kaominina. Betsaka ireo mbola tsy mahalala an’ireo fitsipika ireo, ka hisy ny fanentanana hatao », araka ny fanamafisana nataon’i Naina Andriantsitohaina. Na eo aza ny fanenjehana an’ireo mpandoto sy mpanakorontana dia tsy latsa-danja ny fepetra fanatsarana ombam-panorenana an’ireo fotodrafitrasa sosialy izay mifaningotra amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro. Tsy mandeha ila Nosinganin’ny Ben’ny tanàna ny fanamboarana toeram-pivoahana vaovao sy ny fametrahana dabam-pako maro. An-dalana ireo asa ireo, araka ny fampahafantarana nataony tetsy amin’ny Studio an’ny RTA, omaly. Isan’izany ny fananganana trano fonenana ho an’ireo sahirana, ny fividianana fitaovana hiasan’ny kaominina amin’ny fanamboarana lalana, ny fanamboarana tsena, ny fanorenana toerana fialam-boly hanatsarana ny endrik’Iarivo sy ny hafa… « Efa mandeha avokoa ny antso tolo-bidy momba an’ireo, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Na izany aza, hoy i Naina Andriantsitohaina, dia hiezaka hatrany ny kaominina hampitombo ny fidirambolany ». Nahazo fampitandremana manokana , tetsy andaniny, ireo mpihoa-pefy amin’ireo mpiara-miasa aminy, indrindra fa ireo mpanao kolikoly. L’article Fanamby amin’ny fitantanana :: Hanova an’Antananarivo ao anatin’ ny enim-bolana ny Ben’ny tanàna est apparu en premier sur AoRaha.

Statistique du 23 Septembre 2020
23/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana”
23/09/2020

Midina ifotony ny eo anivon’ny  Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). Nahitan’izy ireo taratra ny vokatry ny fampihavanana izany noho ny fandalana ny soatoavina, miainga amin’ny ”Kianja”.“Nidina tany Arivonimamo izahay, nitondra ny soatoavina enti-mamokatra. Azo atao hery na fitaovana iray enti-mamokatra ny fihavanana. Mba hahazoana mifanentana sy mifanome tanana izany, ahazoana mifanabe sy mifanitsy mba hiasa” hoy ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, momba ny hetsika fampihavanana nataon’ny CFM tany amin’ny kaominina Arivonimamo, taorian’ny kaominina Andriambilany. Hahazoana koa mametraka filaminana ny fihavanana. Afa-miasa tsara rehefa ao anatin’ny fandriampahalemana.Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanaparitahana ny “kianja”. Atambatra ho “kianja” iray ny olona isam-bohitra afa-mifanentana, mifampiteny, mifampifehy, mifanaja, miara-miaina tsara. Lasa hery iray ho an’ny rafi-pitondrana ny fokontany. Nanome ohatra tsara ny any Arivonimamo nanao valintanana: namboly, niara-nanao lalana. Tonga nanome tanana ny hafa rehefa nahita: ny avy amin’ny governora, ny mpandraharaha…Miainga amin’ny tena ny fanorenana ny firenena“Tsy maintsy miainga amin’ny tenantsika ny fanorenana ny firenena”, hoy izy. Izay vao miakatra tsikelikely: miainga amin’ny fokontany, mankamin’ny kaominina, ny faritra… Famokarana ao anatin’ny fihavanana: ny fihavanana, mitondra famokarana ary ny famokarana, mitondra ny olona ho amin’ny fihavanana.Ezahina aparitaka tsikelikely ny fanomezana hasina ny fokonolona: ny zony, ny andraikiny, ny tombontsoany. Ao anatin’ny toe-tsaina sy ny soatoavina mandala fihavanana sy ny fahendrena malagasy ny anatanterahana izany.Fiaraha-mientana hisian’ny fifampifehezana ny fihavanana, fiaraha-miasa mba hiara-miaina ho amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ary miitatra ho an’ny firenena.R.Nd. L’article Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana” a été récupéré chez Newsmada.

Tsy haha taona fotsy ny 2020: hotanterahina ny “Rallye international de Madagascar”
28/09/2020

Notapahin’ny fivoriambe ara-potoan’ny federasiona sport automobile malagasy (FSAM), ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny foibe toerany etsy Analakely, fa hotanterahina ny 27, ny 28, ny 29 novambra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana, ny “Rallye international de Madagascar” (Rim). Fihaonana, karakarain’ny federasiona sy ny klioba TMF Rallye. Mba tsy haha taona fotsy sady ho famaranana ny 2020 ny antony hanatontosana izany sady hisian’ny fifankahitan’ireo mpanamory rehetra efa mangetaheta fifaninanana.Na izany aza, tsy natao ofisialy ny hazakazaka fa ho an’ny fahafinaretana fotsiny ihany ka tsy ho anisan’ireo hakana isa ho an’ny taom-pilalaovana. Ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ho fisorohana ny fitangoronan’ny olona be loatra, tsy nasiana ary nofoanana ny “Special slalom” efa fanao sy mahazatra ny TMF. “Notazomina ny anarana “Rim” fa tsy nasiam-panovana satria io ny fifaninanana manakatona hatrany ny taom-pilalaovana. Faniriana ihany izany fa hiankina betsaka amin’ny fahafahana manatanteraka fihaonana fanatanjahantena eto amin’ny firenena ihany ny ahafahana manao azy ity”, hoy Rakotofiringa Jimmy, filohan’ny federasiona.Tsiahivina fa tsy nisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tamin’ity taona ity, noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19. Na teo aza izany, nahazo fankatoavana “quitus” 100%, tamin’ireo klioba mpikambana ny federasiona sport automobile malagasy. TorcelinL’article Tsy haha taona fotsy ny 2020: hotanterahina ny “Rallye international de Madagascar” a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 27.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 27.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon le bilan quotidien de la porte parole du CCO, Pr Vololontiana sur la situation du Covid-19 à Madagascar, 28 nouvelles contaminations sur 417 tests effectués ont été enregistrées ces dernières 24h. Ces nouveaux cas sont éparpillés dans la région de Sava avec 15 cas, Vakinankaratra avec 6 cas, Analamanga avec 4 cas, Analanjirofo avec 1 cas, Matsiatra Ambony avec 1 cas et Vatovavy Fitovinany avec 1 cas. Par contre aucune guerison n’a été signalée ces dernières 24h, le nombre de guérisons reste donc à 14 922. Cependant, 1132 personnes suivent encore des traitements dont 17 présentent des formes graves. Le nombre total de décès reste également à 229 puisqu’aucun décès n’a été rapporté. Jusqu’à ce jour, Madagascar compte 16 285 cas confirmés.L’article Covid-19: Situation du 27.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be
28/09/2020

L’article Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Fivoriamben’ny firenena mikambana :: Nivalampatra tamin’ny Covid-19 ny Praiminisitra malagasy
28/09/2020

Nifototra tamin’ny fanaovana tomban’ezaka tamin’ny ady natrehan’i Madagasikara tamin’ny valanaretina Covid19 sy ny fanarenana ny aratoekarena ny kabarin’ny praiminisitra Ntsay Christian nivantana tamin’ny fahitalavitra nandritra ny fivoriambe faha75 an’ny Firenena mikambana (NU) tany New-York (Etazonia), tamin’ny sabotsy lasa teo. Nasongadiny ny fahombiazan’ny fampiasana ny tambavy vita Malagasy Covid-Organics (CVO) tamin’ny fitsaboana an’ireo marary teto amintsika. Nampahafantariny nanoloana an’ireo mpanaraka ny tafa mivantana tamin’ny fahitalavitra fa « nahatrara 93 % ny tahan’ny fahasitranana teto Madagasikara ». Notsiahivin’ny Praiminisitra koa ny firosoan’ny fanjakana malagasy tamin’ny fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo olona marefo, ankoatra ny fisaorany an’ireo mpiara-miombon’antoka nanampy an’i Madagasikara tamin’ny fiatrehana ny valanaretina. L’article Fivoriamben’ny firenena mikambana :: Nivalampatra tamin’ny Covid-19 ny Praiminisitra malagasy est apparu en premier sur AoRaha.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.

“Show case”: ho ao amin’ny Code 110 i Big Jim Da
26/09/2020

Mikarakara  seho miavaka ny  « Cod Wear », izay iarahana amin’i  Big Jim Da, ny asabotsy 26 septambra, amin’ny 8 ora sy 20mn hariva,  ny ao amin’ny Code 110 KaraokeBar na Hotel Gasy Tanamasoandro-Vatofotsy, Antsirabe.  Mpihira manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy, indrindra ny sehatry ny Hip Hop ny lehilahy.  Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny rap malagasy i Big Jim Da, ary nanamarika ny fahazazan’ny tanora ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny hira “Sedra”,  ny « Jaolahy mpiarakandro”, ny « Sentiment anabo poah », ny « Menimeny » sns… Hovelomina amin’io andron’ny fampisehoana io avokoa ireo hira ireo, miampy ny hira vaovao tsy ampoizina. Marihina fa noho ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny covid-19 dia noferana ho olona 100 ihany no afaka manatrika izany hetsika izany, araka ny toromarika ary manaja ny fepetra ara-pahasalamana.NarilalaL’article “Show case”: ho ao amin’ny Code 110 i Big Jim Da a été récupéré chez Newsmada.

Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta”
23/09/2020

I Nagamy Jean Fabrice, dimy taona niseharana eo amin’ny tontolon’ny fakana sary na saripika. Vokatry ny fitiavana sy lovan-talenta ny nahatonga ny tovolahy nisehatra amin’izany satria mpaka sary ihany koa ny rainy. Teo ihany koa ny fifampikasohana tamina namana mpiara-nianatra teny Ankatso, manana traikefa amin’ny fakana sary, ka nampiroborobo ny talentany sy nahatongavany amin’izao dingana vitany izao.« Nanomboka teo aho dia lasa nanao fikarohana maro mahakasika ny sary sy ny momba ireo mpaka sary efa lasa lavitra na ny any ivelany na ny eto an-toerana. Tsapako fa maro ireo Malagasy manan-talenta ary tena tsy nampoiziko hahavita zavatra tena avo lenta sy kanto eo amin’ny tontolon’ny saripika”, hoy i Nagamy.Nohamafisiny fa, “… nanomboka teo ihany koa, tapa-kevitra fa hanangom-bola hividianana fitaovana. Nipoitra sy nitsidika ary nisokatra tsikelikely ny lalana sy ny hirika maromaro teo amin’ny sehatra ivelarana. Nazoto nizara ny zava-bita tamina tambajotran-tsosialy. Nihamaro ihany ireo matihanina nanorotoro sy nanitsy ahy rehefa misy zavatra tsy nety”. Tsy nandalo fianarana manokana ny tenany fa nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny « internet » ary mazoto maka sary hatrany, manao fampiharana matetika. « Rehefa tsy ao anatinao ny fitiavana, tsy voatery amina sehatra fakana sary ihany fa na inona na inona sehatra, tsy ho lasa lavitra mihitsy ianao. Miantomboka amin’ny fitiavana sy ny finiavana aloha izay vao mamboly talenta », hoy hatrany i Nagamy J. Fabrice. Mba handeha lavitra sy hitety izao tontolo izao, hanandratra avo ny anaran’i Madagasikara amin’ny alan’ny saripika ny tanjony. Ankoatra io, maniry ny hanangana sekoly fianarana manokana momba ny saripika, indray andro any!Narilala L’article Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta” a été récupéré chez Newsmada.