Fivorian’ny BAD: hiatrehana ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid-19

News - Fivorian’ny BAD: hiatrehana ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid-19

News - Fivorian’ny BAD: hiatrehana ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid-19

Voalohany amin’ny tantaran’ny Banky
afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) ny hanao fivoriambe
amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra, ny 26 sy 27 aogositra ho
avy izao. Izany no hatao, ho fanajana ny fepetra hiadiana amin’ny
Covid-19, hiatrehana indrindra ny fanarenana ny toekarena
aorian’ity valanaretina ity. Anatin’ny fandaharam-potoana ny
fifidianana ny governoran’ny BAD, izay mafy ny asa miandry azy ho
an’ny dimy taona manaraka.

Misy fiantraikany ratsy betsaka
amin’ny toekarena afrikanina ity valanaretina ity, nampidina ny
vidin’ny akora sy ny vokatra maro ny fepetra noraisin’ny
fitondram-panjakana hatramin’ny nidiran’ny Covid-19, ny volana
marsa 2020. Ohatra, nampikatso ny fifanakalozana ara-barotra ny
fanakatonana ny sisin-tany.
Na mandalo fotoan-tsarotra aza, manampy amin’ny fomba samihafa ny
firenena maro, mpikambana ao aminy ny BAD, anisan’izany i
Madagasikara.
Ny 27 aogositra izao no hatao ny fifidianana. Saika ireo
governoran’ny Banky foibe  na minisitry ny Toekarena amin’ny
tany mpikambana 54, faritra afrika sy 27 avy amin’ny tany
mpikambana faritra hafa no handray anjara. Tokana ny kandida, i
Akinwumi Adesina,
governora am-perinasa.

R.Mathieu

Article tiré de Newsmada

L’article Fivorian’ny BAD: hiatrehana ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 25/08/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Zokiolona: tsy miasa ny karatra maitso

 Efa ela ny nisian’ny karatra maitso, ahafahan’ireo zokiolona mahazo fihenam-bidy, toy ny saran-dalana amin’ny taxi-be. Raha ny hita sy nohamafisin’ny fikambanana Masoandro Mody, anisan’ny namolavola azy ity, tsy misy manaja ny zon’ireo zokiolona, amin’ny alalan’io karatra maitso io, intsony.Manoloana izany, tonga nitsidika ity fikambanana ity ny tanora misahana ny sampana « zokiolona », ao amin’ny Droits humains Madagascar, tamin’ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny famerenana indray ny fampiharana ny karatra maitso ny dinik’izy ireo. Miankina amin’ny rehetra, indrindra ireo sampandraharaha samihafa, toy ny fitaterana sy ny fahasalamana, ny hahatanteraka izany.Tsy ny karatra maitso ihany fa mbola misy sokajin’olona hafa tsy misy miraharaha. Malaza, tato ho ato, ny fanatsarana ny tontolon’ny fitateram-bahoaka na ny fanaovana hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna, raha ny marina kokoa. Tsikaritra ny fisian’ny soratra manondro ny toerana natokana ho an’ireo sokajin’olona marefo (bevohoka, sembana amin’ny vatana, sns) any anaty taxi-be any. Raha ny hita isan’andro, indrindra amin’ny fotoana mahabetsaka ny mpandeha, anefa, tsy misy miraharaha akory izy ireny. Izay mahazo toerana, na tanora na lehibe, samy mihazona mafy izany.Efa napetaka any anatin’ireo fiara fitateram-bahoaka tsirairay avy ny fitaovana hanamorana ny fanenjehana avy hatrany ireo tsy manara-dalàna sy tsy manaja ny bokin’andraikitra. Anisan’ireny fitaovana ireny ny laharana finday samihafa (an’ny kaoperativa, ny tompon’ny fiara, ny mpitandro filaminana, sns).Landy R. L’article Zokiolona: tsy miasa ny karatra maitso a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Voarakitry ny fifanarahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana any ambanivohitra ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny Tranoben’ny Tanora sy ny Sehatra ho an’ny Tanora. Tanterahina amin’ny alalan’ny Fandaharanasa fampiofanana arakasa sy ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena (Formaprod) ity fiaraha-miasa ity. Efa nanomboka ny taona 2018 ny fiaraha-miombon’antoky ny minisitera roa tonta. Naharitra herintaona sy tapany ny fiara-miasa andiany voalohany ary nahafa-po ny vokatra ary misy koa ny hohatsaraina. Miisa 29 ny mpampiofana sy mpandrindra tanora eny amin’ny Tranoben’ny Tanora nahazo fiofanana. Taorian’izay, miisa 850 ny tanora notohanan’izy ireo, notoroina lalana, ary nisy 374 ny tanora eny ambanivohitra  nomena fiofanana.Araka ireo, hotohizana hatramin’ny taona 2021 ity fiaraha-miasan’ny Maep sy ny MJS ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanoro lalana miisa 30 any amin’ny Tranoben’ny Tanora, miampy mpanolotsaina miisa 22 amin’ny fanofanana arakasa ao anatin’ny Formaprod. Hanofana tanora mpandraharaha ambanivohitra miisa 2.700 indray izy ireo avy eo, hamatsy fitaovam-pamokarana sy akora (zezika, fanafody, …), hanombohany ny fihariany sy ny tetikasany avy. Harahina koa ny fanombohan’izy ireo, sady tohanana ara-kevitra sy ara-teknika.Njaka A. Mitentina 97,5 tapitrisa Ar ny tetibola ampiasaina amin’ity fiaraha-miombon’antoka ity, maharitra 30 volana ary tanterahina any amin’ny faritra miisa 11: Atsinanana, Analanjirofo, Analamanga, Menabe, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Sofia. L’article Formaprod: tohanana ny tanora tantsaha mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Foibe Anjaranay: manofana ny vehivavy amin’ny asa tanana

Renim-pianakaviana miisa 16 no niofana momba ny zaitra sy petakofehy, tao amin’ny foibe Anjaranay, any Ambodoforaha, Nosy Sainte-Marie. Naharitra telo volana ny fiofanana. Vonona handray an-tanana ny hoaviny ireto vehivavy ireto ka mametraka tanjona ambony kokoa, toy ny famoronana orinasa madinika ho azy.Hanatrarana izany, tokony hiampy dimy volana ny fiofanana, hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tsirairay. Tsy vita mora anefa izany ka mila fanohanana avy amin’ny malala -tanana ny foibe Anjaranay. Efa vonona ny milina fanjairana hanaovana fiofanana, saingy ny kojakoja hafa sy ny saran’ny fiofanana no itadiavana fanampiana.Raha tsiahivina, ny Cétamada, fikambanana miaro ireo biby mampinono an-dranomasina sy ny toeram-ponenany, fikambanana Solférino, no nanorina ny foibe fanofanana sy miahy ny fahasalamana, Anjaranay, ny taona 2015. Tanjon’izy ireo ny hampiroborobo ireo fihariana hafa, hampihena ny fitrandrahana be loatra ny hazan-dranomasina sy hahatsara kokoa ny fitantanana azy ireny.Sampana iray amin’ireo fihariana tohanan’ny Anjaranay ny asa tanana. Manantena ny foibe fa hanatsara ny fidiram-bolan’ny tokantrano, izay misy ireo vehivavy misitraka izany fiofanana izany, ny fahaizan’izy ireo asa tanana. Hanatsara ihany koa ny fitantanana ireo harena an-dranomasina izany.Landy R. L’article Foibe Anjaranay: manofana ny vehivavy amin’ny asa tanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seranam-piaramanidina – Sambava: ankizilahy saika voafaokan’ny fiaramanidina

Tandrevaka ! Ankizilahy roa 10 taona, avy nividy solika tamin’ny damiza tamina tobin-tsolika iray no niampita tampoka toy ny fanaon’izy ireo eo amin’ny seranam-piaramanidina ao Ambodisatrana Sambava, ny talata tamin’ny 4 ora tolakandro lasa teo. Tamin’izay indrindra anefa, nisy fiaramanidina hiainga hihazo aty Antananarivo nefa izy roa, nanivaka tampoka ny piste handehanan’ilay fiaramanidina. Vokany, tafita ny iray raha tavela teo amin’ny lalana handehanan’ilay fiaramanidina kosa ilay ankizilahy iray niaraka tamin’ilay damizana misy solika. Ilay fiaramanidina anefa tamin’io fotoana io, efa nikasa hanao ny sidina. Hatairana ny an’ny rehetra raha nahita izany satria saika zava-doza ny niseho. Ireo mpiasa misahana ny seranam-piaramanidina no niditra an-tsehatra nanala haingana ilay ankizilahy niaraka tamin’ny solika hisorohana ny loza. Azo lazaina fa somary goragora ihany ny lafiny fiarovana ity seranam-piaramanidina ao Sambava ity. Na ireo mponina eo amin’ny manodidina aza, manahy be ihany amin’izay lafiny izay satria misy tanàna manamorona ny seranam-piaramanidina. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny fepetra rehetra hisorohana ny loza toy izao, indrindra amin’ny fisiana tanàna manamorona ny seranam-piaramanidina toy izao. Ahina hisy fiantraikany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toy izao raha tsy misy ny fandraisana andraikitra.Jean ClaudeL’article Seranam-piaramanidina – Sambava: ankizilahy saika voafaokan’ny fiaramanidina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fifandonana fiara sy môtô

Nifandona tamina fiarakely iray ny môtô skotera noentina lehilahy iray teny Itaosy, tamin’ny alin’ny alakamisy. Nipitika teny ambonin’ny fiara nialoha ny nianjerany teo amin’ny tany ilay mpitondra môtô. Naratra mafy ny lohany. L’article Fifandonana fiara sy môtô est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tsy fanjarian-tsakafo: manentana ny fikambanana “Hina”

Nanao hetsika maro, teto Toamasina, ny vondrom-pikambanana “Hina” (Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo), notarihin’ny filohan’ny sampana Toamasina, Rtoa Zafitsara Maria. Natao tany amin’ny kaominina Fanandrana, ny alakamisy 17 septambra teo, ny fanentanana sy ny fampiofanana, nifantoka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fampinonoan-dreny sy ny fampanarahana. Teo koa ny fiarovan-tena amin’ny Covid-19.Nisy koa ny fampirantiana ny karazan-javamaniry fanao sakafo maroloko, ilaina tokoa amin’izao ady amin’ny Coronavirus izao. Nampirisihina ny mponina hamboly bebe kokoa. Nampahafantarina azy ireo ny fomba fitahirizana ny vokatra. Teo koa ny fomba fampinonoana ny ankizy hatramin’ny faharoa taony, tsy asiana fangarony hatramin’ny fahenim-bolana. “Tanjona ny hanana zaza tomady”, hoy ny mpandaha-teny.Nanaitra ny mpandaha-teny ny nahitana ny mponina tsy manao arotava intsony, mandrora eran’ny lalana, mifampikasoka akaiky, …. Nampahatsiavin’ny vondrom-pikambanana Hina, noho izany, ireo fepetra ara-pahasalamana manoloana ny Covid-19.Sajo sy Njaka A.L’article Tsy fanjarian-tsakafo: manentana ny fikambanana “Hina” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpanjono: nahazo tohana amin’ny IEM ny ao Ankify

Nahazo harato ny fikambanan’ny mpanjono madinika ao Ankify ao Ambohimena, distrikan’Ambanja. Mbola niampy kojakoja sy fitaovana toy ny siny plastika sy koveta koa izany ho an’ireo fikambanam-behivavy. Notanterahina, omaly tany an-toerana, ny fanolorana izany tamin’ny alalan’ny solontenan’ny IEM foibe Antananarivo. “Porofo izao fa fandaharanasa mirindra sady maty paika ary mamaha ny olan’ny vahoaka madinika avy hatrany ny IEM. Efa tena ao anatin’ny fiainana mafy ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Sambany no nisy olona nitsinjo ny mpanjono madinika aty aminay”, hoy ny solontenan’ireo mpanjono nandray izany, i Abdoul Kinga.Nambaran’ny iraka avy amin’ny mpanorina ny IEM, Razakazafy Jean Marc, kosa fa niainga avy amin’ny tatitra voarain’ny kandidà Rajoelina izao hetsika fidinana ifotony izao satria tena  ilaina maika entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mpanjono madinika ao Ambanja izany. “Nanapa-kevitra avy hatrany nandefa izany ho an’ireo vahoaka mivelona amin’ny jono aty an-toerana izy”, hoy ny avy amin’ny IEM.Tsiahivina fa efa nahazo tohana tahaka izao koa ny mpanjono madinika any Mahajanga. “Zava-dehibe ho anay izao fihetsiky ny mpanorina ny IEM, izao satria manala ny fahasahirananay. Harato miisa 2 160 isa ny natolotra anay mpanarato madinika monina eto amin’ny “Petite Plage “ Amborovy. Fangatahanay ny hitohizan’ny fijerena ny vahoaka madinika tahaka izao”, hoy i Pierrot mpanarato. Nitarika ny fanolorana izany ny mpandrindra ny IEM, Rasamison Charles. Nahazo tombony amin’izany ny fikambanana mpanjono miisa 14 ahitana mpikambana miisa 2042 ary mampiasa lakana 720. « Fanomezan-tanana ho fanalana ny fahasahiranana amin’ny fividianana sy fanofana harato ataonareo ny anton’izao hetsika fizarana harato maimaimpoana izao ary avy amin’ny filoha Rajoelina”, hoy ny mpandrindra ny IEM any an-toerana.RandriaL’article Mpanjono: nahazo tohana amin’ny IEM ny ao Ankify a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana

Seho indroa miantoana, araka ny fangatahan’ny mpankafy. Ho feno ihany koa satria nasain’i Erick Manana hifampizara sehatra aminy ry Dama, Bebey, Benny, Kaolibera ary Nini…Akaiky ilay fotoana! Efa amam-bolana maro no nampiomana ireo mpankafy azy i Erick Manana, fa hisy ny seho izay hotontosainy eto Madagasikara, ny volana aogositra. Nambarany tamin’izay fa fanohizana ilay “Feo roa, gitara roa” niarahany tamin’i Dama io. Rehefa nandroso anefa ny fotoana, fantatra fa hanasany ihany koa an’i Bebey ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, sy ry Kaolibera, Nini ary Benny ao amin’ny tarika Feo Gasy, izany. “Maro ireo nangataka tamiko ny hanaovana sehon’ny Feo Gasy amin’ny fandalovako an-tanindrazana, ka izay no nahatapaka ny hevitra”, hoy ny nambaran’i Erick Manana. Hotontosaina ny asabotsy 10 aogositra sy ny alahady 11 aogositra izao ity fiarahana an-tsehatra ity. Fantatra fa hizara efatra mazava tsara izany: Erick Manana sy Dama, Erick Manana sy Benny ary Bebey (Lôlô sy ny tariny) ary ny fizarana farany dia iarahan’ny rehetra. “Hisy ampahany tsy hampitovy ireo seho roa ireo ihany, fa amin’ny ankapobeny ny fanomanana dia iray ihany”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’i Erick Manana. Efa andro maromaro no nigadona an-tanindrazana sy nanomana ny seho ity mpanakanto ity. Anisan’ny fotoana niainan’izy ireo sahady ny “Revirevinay taloha”, izay natao anaran’ny fiarahana, ny famerenana. Mikasika ny Feo Gasy manokana, hihazo an’i Toamasina izy ireo, ny 16 sy 17 aogositra. Fantatra koa fa eo am-panomanana ny rakikira fahatelo, izay misy ny sanganasan’i Kaolibera sy Erick Manana, ankoatra izay indramin’izy ireo. Aorian’izay dia hisy ny fivoahan’ny Feo Gasy any Eoropa. Ho famaliana ny fanontaniana maro, tsy mbola afaka miaka-tsehatra noho ny toe-pahasalamany i Fafah. Zo ny Aina L’article “Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Ilaina ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena”

Nomarihina tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana. Nivoitra tamin’izany ny dingana vitan’i Madagasikara.“Zava-dehibe amin’ny fanafoanana ny elanelana misy eo amin’ny olom-pirenena sy ny fanjakana ity volavolan-dalàna atao ity ary mampitombo sy manamafy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fiainam-pirenena ny fahalalany ny raharaham-panjakana”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) tamin’ny lahateniny. Nanteriny fa efa manana lalàna mifehy ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana ireo firenena miisa 127, hatreto. Hiroso amin’izany ihany koa i Madagasikara ka anisan’ny dingana manaraka ny fitondrana izany eny anivon’ny governemanta sy ny Antenimiera roa tonta, araka ny nambarany.Vatsy tsinjo sy ny “Tranoben’ny kolontsaina…”Nampahafantarina tamin’izany ilay volavolan-drijan-tenin-dalana momba ny fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana. Natrehin’ireo olom-boafidy sy voatendry any an-toerana.  Efa teny nomen’ny minisitera nandritra ny fankalazana tamin’ny taon-dasa ny hahatanteraka ity rijan-teny ity ka tonga amin’izao fanolorana azy izao.Ankoatra izany, nitondra fanampiana tamin’ny alalan’ny Vatsy tsinjo ho an’ireo mpanao gazety sy ny mpanakanto avy amin’ny distrika manodidina mandrafitra ny faritra Boeny koa ny eo anivon’ny MSK.Nohararaotina tamin’izany ny fitsidihana ny fandroson’ny asa fanamboarana ny “Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina” ao Mahajanga.Synèse R. L’article Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Ilaina ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanomanana ny fifidianana kaominaly :: Miantso ireo kandidà mba hanara-dalàna ny masoivohon’i Soisa

Vaky bantsilana. Natsikafon-dry zareo avy ao amin’ny Masoivohon’i Soisa, miasa sy monina eto Madagasikara ireo lesoka nitranga tamin’ny fifidianana roa nizotra teto amintsika. Nandritra ny fankalazana ny faha-728 taonan’ny Fetim-pirenena Soisa, tetsy Ambohibao, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, no namborahan’ny mpiandraiki-draharaha soisa, Sabine Jenkins, an’izany. « Maro ireo olana manodidina ny lisitry ny mpifidy sy ny hala-bato kanefa ny mampalahelo sy mahamenatra ary mahasosotra dia ny any ivelany indray no mahalala ny tena zava-misy marina noho isika eto an-toerana », hoy izy. Manoloana izany olana izany indrindra dia miantso an’ireo olona mikasa hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna sy lefitry ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy, ny tenany, mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Mila arahina ny lamina hapetraky ny mpikarakara fifidianana sy ny fitondram-panjakana. Tokony ho fitaratra eo amin’ny fiaraha-monina ireo olom-boafidy sy ireo mbola hilatsaka hofidiana”, hoy izy. Ankoatra izay, tsy nohadinoin’ity diplomaty ity ny nanambara fa: “vonona hanamafy orina ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatra rehetra i Soisa”. Nicoh Richman L’article Fanomanana ny fifidianana kaominaly :: Miantso ireo kandidà mba hanara-dalàna ny masoivohon’i Soisa est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Kitra – Can 2022: efa tafakatra i Alzeria sy i Sénégal ary i Tonizia…
19/11/2020

Anisan’ireo efa tsara toerana. Nifarana tamin’ity herinandro ity ny andro faha-14 eo amin’ny fifanintsanan’ny “Can 2022”. Maromaro ireo efa tafakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany.Eo ny ekipa mpampiantrano ny “Can 2022”, i Kameronina, manana isa 10 ao amin’ny sokajy F. Misongadina amin’izany koa i Sénégal ao amin’ny sokajy I. Manana isa 12 tamin’ny lalao efatra efa vita. Tahaka izany koa, efa tafita ny Alzerianina sy i Mali ary i Tonizia. Samy manana isa 10 avy izy ireo. Hatreto izany, ekipa dimy ireo efa nahazo tapakila ho any Kameronina. Efa tsy lavitra amin’izany koa anefa ny Kaomorianina ao amin’ny sokajy G. Samy lohany, manana isa valo, izy ireo sy i Egypta. Voatanan’i Kaomoro sahala, samy tsy nisy nitoko, ny Faraona tamin’izao andro fahefatra izao. Nandresy an’i Togo 1 no ho 0 ary mbola nandavo an’i Kenya 2 no ho 1 ity Nosy rahavavy ity. Na izany, mbola hanao lalao miverina amin’ny Egyptianina sy i Togo, efa anisan’ireo raraka, ny Kaomorianina amin’ireo andro roa farany ny volana marsa izao.Mety hisolo tena ny ranomasimbe Indianina ny Barea sy i KaomoroMila mitady fandresena iray izy ireo raha te hananika ny tendron’i Afrika ka hanara-dia ny Barea amin’ny “Can 2022” hatao any Kameronina. Mety ho ekipa roa izany no hisolo tena ny ranomasimbe Indianina amin’ity indray mandeha ity.Etsy andaniny, anisan’ireo efa any Kameronina koa ny ila tongotry ny Kintana maintin’i Ghana sy i Afrika Atsimo. Samy manana isa sivy avy ao amin’ny sokajy C raha manana isa 10 kosa i Maraoka ao amin’ny sokajy E. Ny Voromaherin’i Nizeria kosa, manana isa valo ao amin’ny sokajy L ary tahaka izany koa i Borkina Faso, sokajy B.Tsiahivina fa hotanterahina ny 21 hatramin’ny 29 marsa ny andro fahadimy sy fahenina farany, ahitana ireo hahazo tanteraka ny tapakila handehanana any Kameronina. Ho fantatra eo ireo ekipa roa isaky ny sokajy hiakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany. Anisan’izany ny Barea, mbola manana lalao roa, hifandonana amin’i Niger sy i Etiopia.Synèse R. L’article Kitra – Can 2022: efa tafakatra i Alzeria sy i Sénégal ary i Tonizia… a été récupéré chez Newsmada.

Fitokanan’ny filoha Rajoelina ny LMOI: hitobaka ny lafarina, tsy hiakatra ny vidin’ny mofodipaina
19/11/2020

Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny indostria sady ao anatin’ny velirano. Mandray anjara tanteraka amin’ny fampandrosoana amin’izany ny LMOI ao Toamasina, notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, omaly.Manafatra lafarina 250 000 taonina/taona i Madagasikara. Afaka mamokatra lafarina eto isika, manomboka izao, ary tanjona ny hanodinana ny zavatra rehetra ilain’ny Malagasy eto an-toerana, araka ny nambaran’ny filoha. « Tokony hidina 15% ny vidiny manomboka izao », hoy izy.Fitsanganan’ny orinasa maromaroTafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny indostria izao fitokanana ny LMOI izao. Efatra ireo orinasa tafatsangana tamin’ity taona 2020 ity. Ao anatin’izany ny Orinasa mpanao paty (pate alimentaire), ny orinasa Sasm mpanao siramamy ao Brickaville, ny LMOI ary ny nanorenan’ny fanjakana ny Pharmalagasy.Anisan’ny orinasa lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary manara-penitra ity ozinina ity. « Manampy sy manosika ny mpandraharaha ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Mitondra tombontsoa toekarena ho an’ny faritra Atsinanana sy ho an’i Madagasikara ny LMOI », hoy ihany ny filoha.Vita eto an-toerana ny lafarinaNambaran’ny mpitantana fa mamokatra lafarina 500 t isan’andro ary hahatratra 1 200 t isan’andro izy ireo amin’ny taona 2021. Mbola manafatra varimbazaha karazany roa ny orinasa ka fanaovana mofo dipaina sy ho an’ny karazana mofo hafa izany.Nanambara kosa ny minisitry ny Varotra, Rakotomalala Lantosoa, fa hamahana ny olan’ny fahavitantena sakafo ny fampiroboroboana ny indostria. « Tsy tokony hiakatra ny vidin’ny mofodipaina satria efa vita eto an-toerana ny lafarina. Nifanarahana amin’ny « Association des boulangères » sy ny tompon’ny orinasa izany », hoy izy.Synèse R.L’article Fitokanan’ny filoha Rajoelina ny LMOI: hitobaka ny lafarina, tsy hiakatra ny vidin’ny mofodipaina a été récupéré chez Newsmada.

Mpitondra mahefa… mahafaka olana
21/11/2020

Tato ho ato, saika re etsy sy eroa ny karazana fitarainana na fangatahan’ny vahoaka eny ifotony noho ny faha­sa­hi­ra­na­na na olana mahazo azy: tsy fandriampahalemana, ohatra, fa­ha­ratsian’ny lalana, ady tany… Amin’izany, any amin’ny hoe tompon’andraikitra mahefa avy hatrany no hiantefan’ny alahelo sy fanantenana. Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany ny fitondrana foibe. Tsy misy na tsy mahefa ny solontenam-panjakana na mpitondra eny ifotony, na olom-boafidy na olom-boatendry? Na tsy mihaino ny fitarainana, na tsy mahita ny zava-misy any an-toerana… Tsy vitan’izay, mety ho angady tsy mahatapaka ahitra? Na iandrasana ny fitondrana foibe avokoa ny zava-drehetra… Eny, na olana madinidinika aza, misy mitaraina amin’ny mpitondra mahefa. Mety eo ihany koa ny tsy fifampitokisana tsy mahafa-bela? Na tsy tonga any amin’izay tokony hiantefany ny fampi­a­ka­ra­na fitarainana avy any ifotony… Tari-drano an-kilahila ka ny mania na very no betsaka. Sarontsaronana na odian-tsy hita ny olana mampikaikaika ny vahoaka fa manala baraka ireo tsy mahavita ny asa aman’andraikitra, na ny fampiakarana fitarainana ihany aza? Mbola raharaha hafa ambonin’izany ny mety ho fisian’ny tsikombakomba noho ny ady sy fiarovana tombontsoa ma­no­ka­na, ny fisian’ny kolikoly, ny fisian’ny tsimatimanota… Hany ka tena misy ny faritra zanak’Ikalahafa na lavitra fanjakana tanteraka. Izany rehetra izany no mahatonga ny vahoaka ifotony miantso avy hatrany ny hoe mpitondra mahefa amin’izay manahirana azy? Tena mila arenina sy averina ny fifampitokisana ifotony? Na amin’ny fitsinjaram-pahefana izany, na amin’ny fanaraha-maso… Mba tena ho tsapa sy iainan’ny vahoaka fa misy fan­ja­kana ny toerana misy azy, tan-dalàna, afa-miaro azy, azo ita­rainana… Miara-dalana amin’izany ny tamberin’an­drai­ki­tra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Amin’izany, mahefa tokoa ny hoe mpitondra?Rafaly Nd.L’article Mpitondra mahefa… mahafaka olana a été récupéré chez Newsmada.

Airtel – Varotra SIM: fifaninanana hanitarana ny fandraharahana
24/11/2020

Mbola fa vitsy ny mampiasa finday sy ny tambojatra miaraka aminy eto Madagasikara, na mitombo haingana ny olona manana azy. Olona telo amina 10 ny mampiasa finday, tambajotra rehetra, antony iray ampirisihan’ny Airtel Madagascar hanitarana ny fandraharahana. « Mifandray betsaka amin’izany fampiasana fifandraisan-davitra izany, indrindra fa mivoatra koa izao ny teknolojia mifandraika aminy, ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana miaraka aminy », hoy ny tale jeneralin’ny Airtel, i Eddy Kapuku.Fomba iray hanitarana ny fifandraisan-davitra eto an-toerana ny fanokafana fifaninanana eo amin’ny samy mpivarotra Sim Airtel. Koa ny loka voalohany hahazoana fiara, ho an’izay mahalafo be indrindra manerana ny Nosy. Eo koa ny loka maro samy hafa (moto, fahitalavitra, finday avo lenta …). Fiaraha-miasan’ny Airtel amin’ireo mpivarotra izao, manakaiky ny mpanjifa hatrany, sady hampandrosoana ny toekarena.« Adidinay ny mampahafantatra ny tsara vitanay, koa avy amin’izany ny fanentanana ny olona hivoatra sy handroso, amin’ny finiavana hampahomby sy hampitombo ny zava-bita anatin’ny orinasa na ny fandraharahana », hoy ny tale jeneraly. « Koa antsoinay izay rehetra maniry handray anjara amin’ny fanitarana ny serasera, hifandray amin’ny vahoaka malagasy », hoy ny tale jeneraly sy ny talen’ny varotra, Randrianarison Heritiana.Nampahafantarina ny 20 novambra 2020 teo ny fifaninanana ho an’ny mpivarotra Sim Airtel, ary hifarana ny 31 janoary 2021. Andiany taona faha -7 izao fifaninanana izao. R.MathieuL’article Airtel – Varotra SIM: fifaninanana hanitarana ny fandraharahana a été récupéré chez Newsmada.

Raikitra ny fampielezan-kevitra: matoky ny mpifidy ireo kandidà loholona IRD
20/11/2020

Nanomboka, omaly 19 novambra, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ho loholona eto Madagasikara, hatao ny 11 desambra ho avy izao. Kandidà roa, narotsaky ny lisitra IRD, Razafimahefa Heriniaina sy Rabetsaroana Sylvain.Nitarika ny fisantarana izany ho an’ny kandidà milatsaka amin’ny anaran’ny IRD, manohana ny filoha Rajoelina Andry ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Chrisitine. Mazava ny kabariny, maro ny fifidianana efa nosedraina hatramin’izay. Nohamafisiny fa “tokana ny kandidà IRD manohana ny filoha Rajoelina. Tsy misy kandida hafa na lisitra hafa afaka milaza ho IRD fa ireo ihany no nahazo ny tsodrano avy any amin’ny filoha.Notsipihin- dRazanamahasoa Chrisitine, fa aoka ny rehetra sy ny tsirairay, tompon’andraikitra ao amin’ny antoko na ny mpiray vovonana mba tsy hitavozavoza, satria adidy lehibe no miandry. Tsy ho azo ny fandresena raha tsy misy ny fahamailoana sy ny fahakingana. Faniriantsika ny hanaovana poa-droa ka samy ho lany daholo ireo kandidà roa natolotry ny IRD.Anisan’ny tanjona sy vina kendren’ny kandidà IRD ny fikarohana mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Antony hanamafisana ny fampandrosoana, indrindra ny eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, anisan’ny andraikitry ny loholona.Nilaza ny kandidà Razafimahefa Heriniaina fa tsy hanaiky hatao tsindry izy ireo rehefa soa ho lany eo. Hidina ifotony izy ireo ary hifantoka amin’ny asa tena fampandrosoana eny ifotony. Hatao laharam-pahamehana ny hanohanana ny kaominina amin’ny lafiny teknika sy ara-bola.Hitohy any amin’ny distrikan’i Miarinarivo ny fidinana ifotony, anio.Njaka A.L’article Raikitra ny fampielezan-kevitra: matoky ny mpifidy ireo kandidà loholona IRD a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana fifidianana: hijery ifotony ny olan’ny kaominina ireo loholona MMM
23/11/2020

Anjaran’Atsimondrano sy Avaradrano indray ny faran’ny herinandro teo. Nandresy lahatra ireo mpifidy vaventy amin’ireo kaominina amin’ny distrika roa ny kandidà loholona, lisitra Malagasy miara-miainga, Rakotondrainibe Michel sy Ravelonjato Bernard.« Tsy ho mpandany lalàna fotsiny fa hitondra ny tenin’ireo mpifidy vaventy amin’ireo ambaratonga  samihafa sy ny mpiara-miombona antoka. Aoka tsy hijery loko politika isika. Tokony hanao tamberin’andraikitra amin’ireo mpifidy vaventy ny loholona. Hijery eny ifotony ny olana sedrain’ny kaominina izahay », hoy izy ireo. Nambaran’ireto kandidà ireto fa handeha amin’ny fampandrosoana isika ary afaka miara-miainga ho amin’ny fiovana sy ny fivoarana. Nanterin’izy ireo hatrany fa hampitomboina ny tetibola ho an’ny eny ifotony. «Tsy manavaka firehana izahay. Tsy miditra amin’ny adilahy politika. Kaominina mandroso no fantatray », hoy ihany izy ireo.Hanaja ny teny nomenaAnisan’ny maha sarotiny ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga ny amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Maro ireo mpifidy vaventy resy lahatra amin’izany fampitomboana ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany. Naneho ny fahavononany ny kandida fa hanaja ny teny nomena ary hanamafy ny fitokisan’ny vahoaka sy ireo olom-boafidy. “Tafiditra ao anatin’izany indrindra koa hampivoarana ny kaominina rehetra ato amin’ny faritan’Antananarivo”, hoy ihany izy ireo. Hitohy any amin’ny distrika hafa indray ny fandresehan-dahatra ataon’ireto kandidà loholona laharana faharoa amin’ny biletà tokana ireto amin’ity herinandro ity.Synèse R.L’article Fiatrehana fifidianana: hijery ifotony ny olan’ny kaominina ireo loholona MMM a été récupéré chez Newsmada.

Avortement non-sécurisé : Madagascar parmi les pays où l’on recense le plus de cas
24/11/2020

Atelier de concertation entre les acteurs de la santé de la reproduction à Antsirabe. (crédit photo : Anja) La situation est un peu plus complexe concernant l’avortement non-sécurisé à Madagascar. La raison à cela, une loi qui interdit l’avortement sécurisé pour diverses raisons qui peuvent être d’origine culturelle, sociale ou autre. Cela pousse les femmes à recourir à l’avortement clandestin en cas de grossesse non-désirée. A Madagascar, l’avortement non-sécurisé représente une grande majorité des avortements, ce qui peut sembler normal puisque l’interruption volontaire de la grossesse reste interdit par la loi. Mais encore, les personnes qui y ont recours le font sous de faux noms, parce que cela reste une pratique interdite.  Or, cela engendre chaque année des pertes importantes en vie humaine, surtout des mères. Les chiffres communiqués officiellement ne sont pas exacts car les données réelles ne sont pas précises sachant qu’il s’agit d’une pratique clandestine. Et pourtant, ce n’est pas faute d’interventions et de plaidoyers puisque des organisations de la société civile n’ont cessé de plaider cette cause sans obtenir l’aval de nos décideurs depuis plusieurs années. Protocole de Maputo. « Madagascar a signé le protocole de Maputo en 2005 qui permet l’avortement thérapeutique en cas d’agression sexuelle, de viol ou en cas d’atteinte à la vie de la mère ou de l’enfant. Malheureusement, ce protocole n’a pas été ratifié, ce qui rend illégal tout type d’avortement à Madagascar », a expliqué Hosea Rakotoarimanana de AFRYAN Madagascar. « Aussi, actuellement, nous n’avons d’autres recours que d’effectuer des plaidoyers pour essayer d’instaurer la loi sur l’avortement au pays », a-t-il ajouté concernant la stratégie à adopter. Pour lui, la stratégie d’approche qui consiste à approcher en premier les législateurs n’est pas la bonne, il faut d’abord conscientiser la population sur l’importance de l’avortement du point de vue social et économique. C’est ainsi que cette année, tous les acteurs dans le domaine de la santé de la reproduction souhaitent changer la donne. Aussi pour cette raison, ils ont décidé de mettre au point un réseautage en impliquant journalistes, sociétés civiles et décideurs politiques. Le constat jusqu’à maintenant est que les pays en voie de développement n’acceptent pas l’avortement sécurisé pour multiples raisons : religieuses, culturelles et bien d’autres encore. Or, hors contrôle, l’avortement représente un danger pour la santé de la mère et de l’enfant. La situation est donc à suivre de près dans les mois à venir. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Avortement non-sécurisé : Madagascar parmi les pays où l’on recense le plus de cas est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Avortement non-sécurisé : Madagascar parmi les pays où l’on recense le plus de cas a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny
19/11/2020

Notazonin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny dimy andro ity ankizikely nalaina an-keriny ity tao Benobasy, fokontany Malaindromisotra, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-trano ny ankizilahikely antsoina hoe Pierre. Ny faran’ny herinandro teo, navotsotr’ireo olon-dratsy izy. Tsy fantatra na nahazo vola takalonaina avy amin’ny fianakaviany ireo jiolahy ka namotsotra ity ankizilahikely satria mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny nanafika sady naka an-keriny azy tamin’io fotoana io.Fa nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tao Andonabe Mananjary, ny alahady alina teo. Andian-jiolahy miisa fito no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy tao an-trano niaraka amin’ny fahana telefaonina finday. Nitsoaka nihazo ny fokontany Androrangavola Andonabe ireo malaso taorian’izay. Mandeha ny fikarohana sy ny sakana ataon’ny zandary.J.C L’article Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy
20/11/2020

Fotoana ankamamian’ny mpianakavy ny fetin’ny faran’ny taona. “Manoloana izany dia nanao ezaka ny teo anivon’ny Startimes hamenoana izany hafaliana izany”, hoy ny tompondraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes, Zafera Joyce nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2020 teny Ankorondrano. Nambarany fa nampiditra chaînes vaovao 28 tao anatin’ny bouquet ny Startimes tamin’ity taona ity, nanome fihenam-bidy tamin’ny alalan’ny Startimes GO ary tamin’ny alalan’ny Startimes ON dia afaka nisitraka ny vokatra Startimes na mpanjifa na tsia. Ho tohiny izany rehetra izany dia manao fihenam-bidy goavana ity televiziona nomerika ity ho fanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona. “ Raha ho an’ny eto Antananarivo dia lasa 45.000 Ariary ny décodeur ary efa misy abonnement 44.000 Ariary. Ho an’ny sahafa indray dia lasa 80.000 Ariary izany raha toa ka 120.000 Ariary teo aloha ary efa misy bouquet 44.000 Ariary miaraka aminy”, hoy i Zafera Joyce. Ankoatra izany dia mbola mitohy ny fihenam-bidy amin’ny “télévision numérique” an’ny Startimes. Raha 650.000 Ariary ny 32” dia lasa 550.000 Ariary. Ho an’ny televiziona 43” dia 950.000 Ariary ny vidiny raha toa ka 1.100.000 Ariary izy teo aloha. Nirina R. Cet article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fikasana hanondrana antsokosoko any Dubai: saron’ny ladoany eny Ivato ny volamena 15 kg
23/11/2020

 Ampahafirin’ireo bolongam-bolamena efa miteronterona any amin’ny firenena any ivelany ity sarona ity? Tratran’ny fadintseranana eny Ivato, ny asabotsy teo, ny volamena milanja 15 kg mahery, saika haondrana any Dubai. Olona iray voarohirohy.Milanja 15,245 kg izao sarona nampiarahina amin’ny asa tanana sary baobab vita amin’ny vy izao ary mitentina hatrany amin’ny iray tapitrisa dolara na efatra lavitrisa ariary ny vidin’izany.Voatazona ny olona iray, teratany Malagasy, ary iraka ihany fa tsy tompon’ny entana anisan’ny voarohirohy ka hatolotra ny fampanoavana. Nampiarahina amin’ny asa tanana vy tokony halefa sy voasoratra eny anivon’ny ladoany izany entana izany. Tsy misoratra amin’ny anaran’ny tompony ny entana fa olona manao sorona ny tenany sy manana fahasahiana ny nitondra azy ity. « Matihanina ary efa avo lenta ny fomba fanaon’izy ireo amin’izany fanondrazana antsokosoko izany. Hatao ny fanadihadiana ny tena ny tompony », hoy ny tale jeneralin’ny ladoany, i Zafivanona Lainkana Ernest. Nanteriny fa efa mandeha ny famotorana. Notsiahiviny fa orinasa iray misy anarana malagasy, efa fantatra any Dubai, ny nanafatra azy io ary saronana hosoka amin’ny resaka kolontsaina sy fampianarana ataony izany.Araka izany, fandikan-dalàna eo anivon’ny ladoany izao ary fandikan-dalàna koa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, noho ny fandrarana fanondranana any ivelany. Nohararaotina amin’ny mbola fihidin’ny sisintany sy ny valanaretina Covid-19?Volamena 25 kg atsy MaorisyTsiahivina fa any Maorisy koa ilay volamena 25,5 kg sarona ny janoary 2019. Nokasaina halefa any Dubai sy Inde izany, saingy sarona ireo olona telo tompon’antoka amin’izany ary efa nogiazan’ny fanjakana maorisianina ilay volamena. Efa nivoaka ny didim-pitsarana amin’ny hamerenana azy io eto Madagasikara ary hatao fananam-panjakana eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara. Tsy mbola fantatra na efa hatraiza ny fifampiraharahana amin’ny Maorisianina momba io volamena io na efa nandraisana fanapahan-kevitra tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 30 septambra lasa teo aza. Izao sarona izao indray koa ny volamena 15 kg hafa…Synèse R. L’article Fikasana hanondrana antsokosoko any Dubai: saron’ny ladoany eny Ivato ny volamena 15 kg a été récupéré chez Newsmada.

Pop up #DerOrt : Rendez-vous au parc Tsimbazaza
20/11/2020

La compagnie Miangaly jouera du théâtre au parc de TSimbazaza. Suite au succès notoire du sous-projet #meinOrt, Der Ort du CGM/GZ reprend. Demain, c’est au tour de l’ombrière du parc botanique de Tsimbazaza de se transformer, le temps d’un après-midi, en pop up culturel. Au menu, danse et théâtre. Entre Labibliotekroz&cie et la compagnie Miangaly, les visiteurs auront de quoi parfaire leur tour et profiter à la fois de la richesse en biodiversité du parc zoologique et botanique, avec en prime un spectacle multidisciplinaire artistique. Pour rappel, le concept d’espace culturel temporaire consiste à faire d’endroits peu ou non conventionnels des lieux d’accueil de performances artistiques dans le domaine de l’art et de la culture. D’un grand espace vert jusqu’à la salle de séjour, en passant par le hall d’une banque, la cour d’un immeuble, ou d’un lieu de travail, l’art est à la portée de tous. Une formule déjà adoptée dans divers pays, le concept d’espace culturel temporaire s’avère être un coup de pouce considérable pour le développement artistique et culturel dans le quartier ou la ville dans lequel il se trouve. L’idée est d’avoir une approche plus facile pour toucher et entraîner le public dans le monde merveilleux de l’art et de la culture.  Zo Toniaina L’article Pop up #DerOrt : Rendez-vous au parc Tsimbazaza est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Pop up #DerOrt : Rendez-vous au parc Tsimbazaza a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Governoran’ny faritra Ihorombe: laharam-pahamehana ny fametrahana fandriampahalemana
23/11/2020

Voatendry ny governoran’ny faritra Ihorombe rehefa niandry nandritra ny volana maro ny mponina ao an-toerana. Nametraka vina hampandroso haingana ny faritra ny mpitantana vaovao.   Noraisin’ny vahoakan’Ihorombe, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny governoran’ny faritra izay andriambavilanitra, i Nomenjanahary André Tafita Sareine. Nomen-danja ny fanajana ny fomban-drazana sy ny kolontsaina malagasy amin’ny fandraisana vahiny toy izao. Nanambara ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny faritra ity tomponandraikitra voatendry ity. Lohalaharana amin’izany ny fametrahana fandriampahalemana sy fitantanana ireo harena maro ananan’ny faritra ka anisany ireo harena ankibon’ny tany. Voalazany nandrita ny tafa tamin’ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny Fahaleovantena fa hohatsaraina amin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fampitaovana ny fahaiza-manaon’ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ary hampitomboana ireo fotodrafitrasa ilaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Hojereny manokana koa ny fanamboaran-dalana amin’ireo kaominina isaky ny distrika Ivohibe, Iakora ary Ihosy. Tafiditra amin’ny vina koa ny fananganana fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka toy ny toeram-pianarana sy ny hopitaly. Nohamafisiny fa homen-danja manokana ny vehivavy amin’ny drafitrasam-pampandrosoana rehetra.Nanotrona ny fandraisana azy tany an-toerana ny delegasiona avy amin’ny Firaisankinan’ny terak’Ibara (Fitiba) niaraka amin’ny filoham-boninahitra, Andrianirina Pierrot. Taorian’ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny faritra Ihorombe mpisolo toerana sy ny governora vaovao, nisy ny tsipirano nitsofan-drano ny mpitantana vaovao nataon’ireo lonaky tao amin’ny trano fonenan’ny governora.Vonjy A.L’article Governoran’ny faritra Ihorombe: laharam-pahamehana ny fametrahana fandriampahalemana a été récupéré chez Newsmada.