Fitsidihan’ny filoha tany Morondava: « Hatao manara-penitra avokoa ny rehetra… »

News - Fitsidihan’ny filoha tany Morondava: « Hatao manara-penitra avokoa ny rehetra… »

News - Fitsidihan’ny filoha tany Morondava: « Hatao manara-penitra avokoa ny rehetra… »

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Morondava, omaly ny filoha  Rajoelina sy ireo delegasiona, notarihiny. Nampahafantariny tamin’izany ny zava-bita  tao anatin’ny efa-bolana. “Hataontsika manara-penitra avokoa ny zavatra rehetra…” hoy  izy. Nialohavan’ny fihainoana ny olana sy ny hetahetan’ny mponina  izany.

Namaha ny olan’ny mpitari-posy  ao  an-tanàna

 Anisan’izany ny nandaminany ny olan’ireo mpitari-posy miisa 550  sy  ny kaominina Morondava. “Hamorona asa aza atao ka tsy mety raha hofoanana ny efa misy.  Homena fahazoan-dalana “licences” avokoa ireo mpitari-posy ary mifandimby miasa ny manana laharana  ankasa sy  tsy ankasa mba handrindrana ny fifamoivoizana”, hoy ny filoha. Momba ny fihanaky ny aretina bilarziaozy any ambanivohitra,  nomen’ny filoha toromarika  avy hatrany ny minisitry ny Fahasalamana hijery izany.

Tsena sy kianja ary asa ho an’ny tanora…

Ankoatra izany, nangataka tsena manara-penitra ny mponina . Nidina ifotony nijery izany ny filoha Rajoelina. “Horavana ity tsena ity ary soloina vaovao. Tokony hanomboka afaka iray volana ny asa fanamboarana rehetra”, hoy ihany  izy. Nitohy  tami’ny fitsidihana ny kianja manara-penitra izany, niaraka amin’ny orinasa  hanao ny asa. Hotohizana ny fananganana ny kianja ka hatao  manara-penitra. Nanome toromarika manokana ny hanaovana asa mafy sy maharitra ny filoha avy eo. Nihaona amin’ireo tanora nahavita fianarana momba ny asa vaventy sy ny taon-trano (BTP) ny filoha Rajoelina, ary nanaiky ny fangatahan’izy  ireo ny handraisana anjara amin’ireo asa maro hatao ao Morondava.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fitsidihan’ny filoha tany Morondava: « Hatao manara-penitra avokoa ny rehetra… » a été récupéré chez Newsmada.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Cnaps: maro ny mpitatitra tsy manana fiahiana sosialy

 Natao tetsy amin’ny foiben’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) Ampefiloha, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny fiofanana mikasika ny fiahiana sosialy ho an’ny sendikàn’ny mpitatitra an-tanety sy ny mpitatitra an-dranomasina. Nambaran’ny Dr Ravaomalala Hantanirina H, avy ao amin’ny orinasa Sofitrans, fa “manan-jo ny mpiasa rehetra ka mila misitraka izany izy ireo”. Nanamarika Andriamisa Nicolas, avy ao amin’ny sendika Sekrima, fa “andrin’ny toekarena ny mpiasa amin’ny fitaterana, saingy tsy misy mijery, tsy misitraka ny fiahiana sosialy ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Manalavitra anay ny fanjakana satria misy mpitazana ihany ny kaoperativa sy ny orinasa hafa fa izahay kosa, alavirina”. Manentana ny mpampiasa amin’ny sehatry ny fitaterana ity sendikà ity hijery ny fiahiana sosialy sy ny lafiny fahasalaman’ny mpiasa.Ankoatra ny fampahafantarana ny lalàna, ny zon’ny mpiasa, ny fanampiana omen’ny Cnaps, nisy koa ny adihevitra. Nohamafisin’ny Cnaps fa ny fandoavana latsakemboka ihany no hany vahaolana satria mivadika fanampiana sy tombontsoa omena ny mpiasa sy ny vady aman-janany izany, miainga any am-bohoka hatrany amin’ny fisotroan-dronono. “Hiasa ny komity natsangana, manomboka izao, ary tsy azo ihodivirana ny hanomezana ny fiahaina sosialy ny mpiasa amin’ny fitaterana”, hoy Rakotondradano Hanitry ny Aina, mpandrindra tetikasa ao amin’ny Cnaps.Njaka A.L’article Cnaps: maro ny mpitatitra tsy manana fiahiana sosialy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km

Manana ny maha izy azy ny distrikan’Anosibe an’Ala, saingy tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalalana. Hatreto, potika tanteraka ny lalana ary tsy misy ny daty hamantarana ny hanarenana azy.Azo heverina fa tsy misy fiangarana eto amintsika. Na izany aza, anisan’ny mampikaikaika ny mponina ny haratsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala. Roa andro ny hanaovana ny lalana 71 km raha vita amin’izao vanim-potoana izao nefa tokony ho 1 ora sy 30 mn.  Efa ampolo taona maro izany faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala izany fa tsy misy miraharaha. Mijaly ny mponina, velon-taraina, ka mitondra ny feon’izy ireo ny solombavambahoaka any an-toerana, i Ndrianasy Bernando Germain. “Fiara vaventy ihany mitondra entana sady mitatitra olona ny afaka amin’izany lalana  izany, atao mandritra ny roa andro. Mampalahelo ny mahita ireo mpandeha ireo, sao sanatria misy loza”, hoy ny solombavambahoaka any an-toerana. Maro koa ny vokatra avy any Anosibe An’Ala tsy tafavoaka, toy ny akondro, ohatra.Tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasam-pampandrosoanaBetsaka ny voka-dratsin’izay faharatsin-dalana izay: malaina ny mpiasam-panjakana ho any an-toerana ka sahirana ny mponina amin’ny lafiny fahasalamana, ny fampianarana, hatramin’ny fitandroana ny fiarovana ny distrika, sahirana ireo mpitandro filaminana. Andrasana ny ahitana ireny fitaovana tamin’ny 26 jona ireny ho tonga any an-toerana.Mijaly ihany koa ny distrika iray manontolo momba ny famatsiana herinaratra. Ambalahonko, ony iray lehibe any an-toerana, azo trandrahina tsara nefa avily aty Analamanga ny tombontsoa azo avy amin’io renirano lehibe io fa tsy mba misitraka izany ny any Mangoro. Koa mangataka amin’ny fitondrana mpanatanteraka ny vahoaka any Anosibe an’Ala hijerena azy ireo akaiky fa mijaly loatra, amina sehatra rehetra mihitsy, tsy misy mangirana ny fiainan’ny mponina. R.MathieuL’article Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy

Tsara fanombohana ny Malagasy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana, eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina aty Maorisy. Medaly miisa 17 indray norombahintsika, ny andro voalohany.Medaly volamena miisa sivy sy volafotsy valo ny efa eo am-pelatanan’ireo mpibata fonjamby malagasy, hatreto, raha ny voka-dalao ho an’ny Malagasy. Araka ny efa nampoizina sy nandrasan’ny maro, Randafiarison Rosina, sokajy latsaky ny 45 kilao, ny nandrombaka voalohany, ny volamena telo, izay nahavita ny “arraché”(65 kilao) sy “epaulée jété” (85 kilao) ary ny “total olympique” (150 kilao). Taorian’izay, nandravarava ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nahazoan’Andriatsitohaina Eric, latsaky ny 56 kg, ny medaly volamena miisa telo, ity farany izay nahavita nibata 151 kilao teo amin’ny “arraché”. Nisoritra teny amin’ny tavan’i Eric ny hafaliana nandritra ny fizarana medaly, sady nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany, omaly, ihany koa izy. Ramiaramanana Ricardo kosa ny namarana ny fisalorana ny medaly volamena telo, omaly.Ankoatra izay, medaly volafotsy valo ny norombahin’ny Malagasy, teo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Isany nahazo izany i Sabrina, sokajy latsaky ny 49 kilao, nifanintsana tamin’ilay kalaza mifaninana ho an’ny Nosy Maorisy, teratany malagasy, nisalotra ny medaly volamena, teo amin’io sokajy io.Ny taranja fibatana fonjamby, araka izany, no nahazo ny medaly betsaka indrindra, hatreto, ho an’ny Malagasy ary nisantatra ny fisalorana ny medaly volamena ho an’i Madagasikara koa ity taranja ity.Mbola maromaro ny fifaninanana hatrehin’ny Malagasy, ary antenaina fa mbola hahazoantsika medaly betsaka ihany koa. Hitohy ho amin’ny anio sy rahampitso ny fifaninanana eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, amin’ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina eto Maorisy ity. Mi.RazL’article “JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke

Tsy mety fay! Noraisim-potsiny ireo jiolahy efatra malaza ratsy amin’ny fanendahana olona avy manao Karaoke eny amin’ny faritra Tanjombato. Ireo polisy miasa ao amin’ny Commissariat Central Tanjombato no nahasambotra ireto jiolahy ireto, ny 16 sy 19 jolay 2019 no nahasambotra azy efa-dahy ireto. Taorian’ny angom-baovao sy ny fanaraha-maso nataon’ny polisy no nahasamborana ny telo amin’izy ireo teny Andafiatsimo, ny zoma maraina tamin’ny 5 ora. Nohamafisin’ny polisy fa ry zalahy ireto no mpanendaka eny amin’ny faritra Ankady sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 10 ora alina no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Ireo olona avy manao karaoke sy tara fodiana amin’ny alina no tena mitondra faisana amin-dry zalahy ireto. Mody mianjaika toy ireny avy namonjy alim-pandihizana ireny ry zalahy ary tsy mifidy asiana fa izay tratra dia mitondra faisana. Ny jiolahy iray hafa kosa tratra teny Tanjombato, omaly maraina. Izy ity indray dia eny amin’ny lalana RN 7 faritra Tanjombato no tena manao ny asa ratsiny. Ireo mpitondra moto no tena lasibatra. Voalaza fa manao andiany telo ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny. Efa nigadra ry zalahy ireto, saingy miverina manohy ny asa ratsiny indray aorian’ny fivoahana ny fonja.Jean ClaudeL’article Efa nigadra teny Antanimora: tratra ireo jiolahy mpanendaka olona avy manao Karaoke a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA :: Distrika dimy no efa tsy ahitana ny tazomoka intsony

Miroso tsikelikely amin’ny fanafoanana tanteraka ny tazomoka i Madagasikara. Distrika dimy, ankehitriny no nahavita nandresy io aretina io, dia Antananarivo renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano sy Antsiranana I ary Antsirabe I. “Tamin’ity taona 2018 ity ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka, dia nanao ny paikady nasionaly ho an’ny ady amin’ny tazomoka. Ny tanjona ao anatin’ny dimy taona ho avy ny hanafoana tsikelikely ny tazomoka eto Madagasikara. Anisan’ny ady lehibe izany satria mbola misimisy ihany ny faritra mihoatra ny 50% ny olona voan’ny tazomoka. Betsaka ny zavatra sy ny fanavaozana entina hanatsarana hiadiana amin’io aretina io. Misy dimy ny distrika manana ny tahan’ny tazomoka latsaky ny 1%”, raha ny voalazan’Andriamananjara Mauricette, talen’ ny foiben’ny ady atao amin’ny tazomoka. Mitohy hatrany ny ady any amin’ireo faritra tena mbola misy ny otrik’aretina sy amin’izao vanim-potoanan’ny aretina izao, ny volana desambra hatramin’ ny volana mey. Ny famedrahana fanafody sy ny fampiasana lay misy odimoka dia anisan’ny paik’ady hohamafisina ao anatin’ny fandaharanasa amin’ny fanafoanana ny tazomoka manomboka ny taona 2019 hatramin’ny 2022. Ny fanatonana toeram-pitsaboana no ahafahana mamantatra ny aretina fa tsy ny fanaovana dokotera tena. “Maro ny aretina miteraka hafanana eo amin’ny olona izay heverina fa tazo. Izay no hanafarana antsika fa rehefa mafanafana hoditra dia aza manao dokotera tena. Tsy voatery ho tazomoka no mahazo fa mety ho aretina hafa ka ilaina ny fahafantarana azy sy ny mitsabo azy mba tsy hiparitahany. Tsy maintsy fitiliana no atao amin’ny aretina tazomoka ka mila manatona toeram-pitsaboana hatrany”, hoy Rakotoarivony Manitra, talen’ny fampiroboroboana ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam- bahoaka. Distrika miisa sivy amby telopolo, izany hoe 21,6%-n’ny mponina no mbola miaina ao anatin’ny faritra be ny otrik’aretina tazomoka. Anisan’izany ny any Toliara II, Sakaraha, Ampanihy, Betioky, Ihosy. L’article FAHASALAMANA :: Distrika dimy no efa tsy ahitana ny tazomoka intsony est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona

Tratran’ny vela-pandriky ny polisy ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ny fanendahana pasitera tao Mahavatse Toliara, ny asabotsy lasa teo. Voalazan’ny polisy fa tao an-tranon’ny lehilahy iray antsoina hoe Dame de Pique ao Mahavatse no nahatrarana ireto jiolahy ireto, nomarihin’ny polisy fa isaky ny mahavita ny asa ratsiny ry zalahy ireto no miafina ao amin’io lehilahy io. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy hatrany, jiolahy nokarohina nandritra ny folo taona ireto jiolahy ireto ary maro ny raharaha mahavoasaringotra azy ireo, toy ny vonoan’olona sy ny halatra isan-karazany. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fakana taratasim-bolan’ny beantitra tao Toliara ry zalahy ireto. Efa nifanehatra tamin’ny polisy inefatra izy ireo, saingy tafaporitsaka hatrany. Isan’ny nampikolay ny ao an-tanànan’i Toliara ireto jiolahy ireto ka vola iray hetsy Ar sy firavaka ary entana sarobidy ny lasan-dry zalahy tao amin’ilay pasitera nandritra ny fanafihana. Voalaza fa jiolahy avy aty an-dRenivohitra sy Toliara avokoa ry zalahy ireto sady efa manana trano any Toliara. Nahitana basy mahery vaika koa tany amin’ireo jiolahy ireto.CMS sy J.CL’article Mahavatse – Toliara: tratra ry Dame de Pique, jiolahy nokarohina nandritra ny 10 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka

Nanamboatra lalankely eny amin’ny fokontany Andohatapenaka I, ny zoma teo, ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany I sy ny avy eo anivon’ny departemanta misahana ny asa vaventy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mirefy 120 m ny namboarina tamin’izany ary haharitra herinandro ny asa. Ho afa-pahasahiranan ireo mponina maro mifamezivezy amin’ity lalana ity, indrindra ireo mpantsaka rano. Mikisilasila sy mamotaka izany làlana izany na amin’ny maintany aza. Tafiditra hatrany anaty fandaharansan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ravalomanana Lalao, ny fotodrafitrasa ho an’ny mponina eny ifotony izao. Hitohy amin’ny fokontany hafa miisa 44 izany.Synèse R.  L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny faha mpanjaka: « Fihaonana » ho an’ny mpiara-belona ny tsena

Andron’ny faha mpanjaka: « Fihaonana » ho an’ny mpiara-belona ny tsena | NewsMada // window._wpemojiSettings = {"baseUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/72x72/","ext":".png","svgUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/svg/","svgExt":".svg","source":{"concatemoji":"http://www.newsmada.com/wp-includes/js/wp-emoji-release.min.js?ver=4.7.11"}}; !function(a,b,c){function d(a){var b,c,d,e,f=String.fromCharCode;if(!k||!k.fillText)return!1;switch(k.clearRect(0,0,j.width,j.height),k.textBaseline="top",k.font="600 32px Arial",a){case"flag":return k.fillText(f(55356,56826,55356,56819),0,0),!(j.toDataURL().length

News - Midi Madagasikara

Sakaraha : Mpivady notifirina dia nodorana ny tranony

Nitrangana asan-dahalo nahatsiravina namoizana ain’olona tsy manan-tsiny indray, tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana, ny alin’ny alahady hifoha  alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny iray ora naraina. Mpivady mpivarotra iray no maty novonoin’ny malaso folo lahy nitam-basy tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony, tao amin’ny Fokontany Andoharotsy, Kaominina ambanivohitry Vineta. Rehefa tafiditra tao amin’ity tokantrano sady toeram-pivarotana ity ireo dahalo, dia norarafan’ireo tsy mataho-tody  tifitra variraraka nanandrify ny fony ireto mpivady natory teo am-pandriana, ka maty tsy tra-drano. Ary nalain’ireo malaso tamin’izay ny vola vidin’entana rehetra maty nandritra ny herinandro, niampy entam-barotra sy fanaka lafo vidy tao an-trano zakan’ireo olon-dratsy. Vita izay, dia nampidiran’ireo dahalo bozaka tao an-trano misy ny razana, avy eo nodoran’izy ireo,  may kila forehitra tao ny fatin’izy mivady. Renim-pianakaviana iray hafa sendra nivoaka kosa no naratra mafy notifirin’ny dahalo. Raha ny tati-baovao voaray, dia naharitra ora iray nahery ny fanafihana nataon’ireo malaso tao amin’ity tokantrano ity. Noho ny tahotra, dia tsy nisy sahy nivoaka ny tranony avy ny mponina teo an-tanàna. Eric ManitrisaL’article Sakaraha : Mpivady notifirina dia nodorana ny tranony a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Ilakaka Sakaraha: 20 taona tsy nisy tombontsoa azo

Antenaina hanova tanteraka ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany aty amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny fitrandrahana vatosoa, indrindra ny safira any Ilakaka. Hatreto, tsy nitondra vokatsoa sy fampandrosoana tany an-toerana ity fihariana ity, koa andrasana ny fisian’ny biraon’ny Bam any an-toerana. Tsy nitondra fampandrosoana mihitsy! Notokanana ny volana oktobra teo, ny Biraon’ny fikarakarana ny antontan-taratasy mikasika ny harena an-kibon’ny tany (Bam) any Sakaraha. Tsy misokatra, tsy afaka miasa izany hatramin’izao satria tsy misy ny olona afaka mampandeha sy miasa ao, araka ny fivoriana ho an’ireo mpitrandraka madinika. Atrikasa lazaina fa nanangonan-kevitra hisian’ny fifampitondrana tsara tantana eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, indrindra ny vatosoa safira aty Sakaraha. Voalaza fa hoentina hamolavolana ny paikady nasionaly ny fehin-kevitra amin’izany, hatao ny 12 desambra ho avy izao. Raha ny zava-nisy tato anatin’ny 20 taona mahery, nitrandrahana safira taty Ilakaka Sakaraha izay, tsy nisy nanaja ny tontolo iainana, na iray aza, ny mpitrandraka madinika sy ny vaventy. Samy namela takaitra ratsy avokoa izy ireo, toy ny lavaka, ny fandripahana ny ala amin’ny fanaovana saribao sy ny aro tany. Tsy nampidi-bola ny tao an-toerana Eo amin’ny sosialy, maro ny tanàna vaovao niforona, nampitombo ny fifandraisana sy ny fivezivezen’ny olona sy ny vola ary ny vokatra. Nirongatra kosa ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana. Tsy mandeha mianatra ny ankizy fa voatery manampy ny ray aman-dreny mitady vato na asa fivelomana hafa. Tsy nampidi-bola ny kitapom-bolam-panjakana ny fitrandrahana safira teto Sakaraha tato anatin’ny 20 taona, satria tsy nanara-dalàna ny ankamaroan’ny fitrandrahana. Tsy nandoa ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina sy ny faritra. Saika tsy hita sy tsy fantatry ny tompon’andraikitra aty ifotony ny ankamaroan’ny vatosoa safira voatrandraka sy mivoaka aty Sakaraha. Ireo vahiny srilankey, sinoa, thailandey no tena nahazo ny volabe amina miliara sy tombontsoa mihoapampana. Anisan’ny andraikitr’ity birao Bam vao natsangana eto Sakaraha ity ny fanarenana ireo voalaza ireo, nandanian’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, GIZ, vola. Antenaina hitondra vokatra sy fivoarana ity fakan-kevitra natao taty an-toerana ity, hanatrarana ny tanjona fifampitondrana tsara tantana. Vonona hanara-dalàna ny “mpihaly” Vonona hanara-dalàna ny “mpihaly” vatosoa, midika hoe “mpihady”, ka ilaina tokony hidina ifotony ny mpiasan’ny Bam na ny solontenam-panjakana hanentana ny olona hanara-dalàna  amin’ny lalam-pihariana rehetra hataony. Takina ny fangaraharahan’ny asa atao, hialana amin’ny kolikoly. Raha ny zavamisy, takin’ny rehetra ny fandraisan’ny fanjakana hanokatra io birao io ka mba ho zanaky ny faritra ny ho mpiasa ao. Ao anatin’izany ny hisian’ny sampandraharaha miandraikitra ny fifampivarotana, ahalalana ny vidiny sy ny fanambarana mazava ny vidin’ny safira, hamantarana ny tamberim-bidy tokony hiditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina sy ny faritra.   C MS sy Njaka A.L’article Ilakaka Sakaraha: 20 taona tsy nisy tombontsoa azo a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

KIMIA COSMETICS MADA: Marika tena izy ny “produits cosmétiques” ao

Zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny mpanjifa ny fividianana  ireo vokatra ampiasaina amin’ny fikojakojàna ny endrika amam-bika (produits cosmétiques) hosoka. Miparitaka izay tsy izy eto Madagasikara  anefa  ireo vokatra alatahaka, hikoloana ny tarehy, ny volo sy ny maro hafa. Nambaran’ny mpitantanana ny Kimia Cosmetics Mada, Andrianalison Omega nandritra ny fisokafan’ity  sampana  iray ao amin’ny  Nogae Group International ity, ny 17 jolay 2019 teny Ankorahotra fa  betsaka amin’ireo mpanjifa no voafitaka satria mitovy amin’ilay marika tena izy ny vokatra vidiana kanefa tsy mahomby akory rehefa hampiasaina. Mitera-doza mihitsy aza indraindray. “Adinoko ny lokomenako dia nindrana ny an’ny namako aho. Taorian’izay anefa dia nisy vay be dia be ny molotro”, hoy ny  fijoroana vavolombelona  nataon’ny mpitantana ny  Kimia Cosmetics Mada. Marika frantsay ny ankamaroan’ ireo “produits cosmétiques”  tena izy amidy eto amintsika. Noho ny fahefa-mividy sy ny fari-piainana anefa dia mahazo vahana ny fanafarana ireo vokatra alatahaka. Matetika tsy mahafantatra akory ny voka-dratsin’ireny ny ankamaroan’ny mpanjifa, hoy hatrany ny fanazavan-dramatoa Andrianalison Omega.  Nilaza izy fa ny vokatra no hamantarana na hosoka na tsia ilay “produits cosmétiques”.  Mba tsy ho voafitaka dia eny amin’ireo tranom-barotra nahazo alalana  hivarotra ireo marika tena izy no tokony hividy  ny vokatra hikoloana ny endrika amam-bika. Izany indrindra no antom-pisian’ny Kimia Cosmetics eto Madagasikara mba ahafahan’ny vehivavy sy ny lehilahy malagasy mikolo ny endrika amam-bikany ampitoniana. Ankoatra ny fivarotana ireo vokatra amin’ny antsinjarany, ambongadiny dia manana “salon de coiffure” ihany koa ny Kimia Cosmetics eny Ankorahotra, ampitan’ny fivarotam-panafody Hanitra (ex-tout pas cher). Nirina R. Cet article KIMIA COSMETICS MADA: Marika tena izy ny “produits cosmétiques” ao est apparu en premier sur déliremadagascar.

« Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio

Anisan’ny andrasan’ny mpanaraka ny “Lalaon’ny Nosy”, amin’ity andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy ity, ny vaovao mahakasika ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, eo amin’ny taranja baolina kitra. Niakatra an-kianja voalohany, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Geoges V, Flic en Flac, Maorisy, izy ireo. Ny ekipan’ny Seychelles no nifanandrina tamin’i Madagasikara nandritra izany ary isa sahala, 0 no ho 0, ny nisarahan’ny roa tonta. Raha ny tokony ho izy ary araka ny nambaran’ny mpanazatra, tokony ho mora tamintsika ny nandavo an’i Seychelles, saingy tsy ampy ny fahamatorana teny ambony kianja.Raha hiverenana ny lalao, nanam-bintana ny Malagasy ary nahazo penalty, saingy tsy maty. Nandaka ity penalty ity i Xavier, laharana faha-6.Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ekipan’i Maorisy ny Barea, ao amin’ny kianjan’i Georges V hatrany. Ho mafy ny miandry ireto mpilalao malagasy ireto, saingy tsy maintsy mandresy raha te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka. Ho raraka avy hatrany kosa izay resy eo satria efa samy nanao ady sahala 1 no ho 1 Maorisy sy 1 Seychelles, tamin’ny andro voalohany. Mi.Raz L’article « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio a été récupéré chez Newsmada.

Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy

Omaly tolakandro no re mivantana tao amin’ny RDJ 96.6Mhz ny vaovao ! Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana an’i Eric Fou Hehy tany Inde. Nanamafy izany rahateo izy raha nanontanian’ny olona avy aty Madagasikara mivantana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera : « Eric ihany ity e ! Eric efa olom-baovao… Salama tsara ! ». Raha ny fanazavany, nosoloina ny voa ary  natao grefy ny aty. Ireo ny fandidiana natao taminy. Mbola mila fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo azy, noho izany, mbola hijanona volana vitsivitsy any an-toerana i Eric Fou Hehy. Nanamafy izany rahateo izy. Nambaran’i Eric fa tsara ny fikarakarana rehetra. Nahafinaritra avokoa na ny fandraisana na ny « administration » na ny mpitsabo any an-toerana.Raha tsiahivina, ny volana jolay 2018 no niala teto an-tanindrazana nihazo an’i Inde i Eric Fou Hehy rehefa tojo tsy fahasalama (insuffisance rénale) ka nilaina fitsaboana ivelan’i Madagasikara.HaRy Razafindrakoto L’article Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy a été récupéré chez Newsmada.

Fifandonana mahery vaika :: Tsy hita popoka ny miaramilan’ ny Tafika iray

Hatramin’ny omaly dia tsy mbola hita ny miaramilan’ny Tafika iray, taorian’ny fifandonana mahery vaika tamin’ny dahalo, tany Ankilimanarivo-Bemahatazana, any Miandrivazo tamin’ny 1 jolay lasa teo. An-jatony ireo tafika efa any an- toerana manao savahao an’io toerana io hatramin’ny alina. Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo miaramila mifandona sy miatrika ireo dahalo any ambanivohitra. Tamin’ity tranga tany Miandrivazo ity dia miisa telo ambin’ny folo ireo miaramila notarihin’ny manamboninahitra iray no avy namerina amin’ny tompony ireo omby am-polony maro avy nangalarin’ny dahalo, tany Ankilimanarivo.Teny an-dalana hiverina izy ireo no efa nandrasan’ny dahalo marobe tamin’ny kizo iray. Raikitra ny fifampitifirana, izay voalaza fa naharitra ora roa. Namoy ny ainy tamin’io ny iray tamin’ireo fokonolona. Naratra ny roa tamin’ireo miaramila, izay manamboninahitra lietna ny iray. Nalaina tamin’ny angidimby ireo maratra ary efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Soavinandriana. L’article Fifandonana mahery vaika :: Tsy hita popoka ny miaramilan’ ny Tafika iray est apparu en premier sur AoRaha.

Mpanohana ny Barea: 471 mianadahy mianaka hihazo any Egypta, anio alina

Araka ny fantatra, omaly, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, hanainga, anio alina ilay fiaramanidina A380 hitondra azy 471 mianadahy mianakana, hanatrika ny lalao hatrehin’ny Barea, ny alahady izao, any Ejypta.Nambaran-dRakotomanga Rinah, tale misahana ny serasera eo anivon’ny prezidansa, tamin’ny mpanao gazety, omaly fa 471 no isan’ny olona, handeha ho any Egypta, hanohana ny Barea de Madagascar, amin’ny lalao ampahavalon-dalana, hiadiana ny “Can 2019”, ny alahady ho avy izao.Fiaramanidina manokana A380, hofaina amin’ny kaompania Air Madagascar, no hitondra azy ireo, miaraka amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa feno tanteraka ny toerana, amin’izany ka Malagasy avokoa izy ireo, ary ny ankamaroany sambany vao hitaingina fiaramanidina.Nomarihin-dRazafimaharo Besoa, tale jeneralin’ny Air Madagascar fa hiala eto Madagascar io fiaramanidina io, anio asabotsy amin’ny 12 ora alina ary ho tonga any Egypta ny alahady maraina amin’ny 6 ora. Hiainga any indray rehefa vita ny baolina, ny alahady amin’ny 12 ora alina ary higadona eto an-tanindrazana, ny alatsinainy amin’ny 7 ora sy sasany, maraina.Nambaran’i Rinah, fa tsy mahazo mitondra valizy ny mpandeha fa kitapo tsotra. Efa samy nanao fanekena amin’ny fiverenana avokoa ireo mpandeha rehetra. Noho ny pitsompitsony ara-teknika, nofoanana ilay fiaramanidina faharoa, saika hofaina, na maro aza ireo olona te handeha.Ankoatra ireo mpijery nandoa vola, olona 50 hafa nahazo fanasana manokana, toy ireo ankizy eny amin’ny père Pedro sy ny Zazakanto ary ireo mpilalao kalaza fahiny, sy vadin’ny mpilalao iray. Hitondra mpitsoka mozika, ihany koa ny fitondram-panjakana, amin’ity dia ho any Egypta, ity. Tsy maintsy miverina mody avokoa ireo mpijery rehetra, rehefa vita ny lalao. Mbola hisy kosa ny sidina manokana, raha tafita amin’ny ampahefa-dalana, ny Barea, amin’io vidiny 2.200.000 Ar, io.TompondakaL’article Mpanohana ny Barea: 471 mianadahy mianaka hihazo any Egypta, anio alina a été récupéré chez Newsmada.

Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C.

Voatendry fanintelony ary mbola  nametrahana fitokisana. Naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta indray i Ntsay Christian.  Tsy niandry ela  fa novakin’ny sekretera jeneraly lefitra ny fiadidina ny Repoblika, Andriamaholy Dina, omaly tolakandro avy hatrany ny didim-panjakana manendry azy amin’izany  toerana izany sy ny andininy voalazan’ny lalàmpanorenana, miainga amin’ny And. 54.  Nialohavan’ny fanoloran’ny depiote maro anisa anarana telo tany amin’ny filoham-pirenena, izao fanendrena izao. Anisan’ny mbola naverin’izy ireo tao anatin’izany ny anaran’ny praiminisitra am-perinasa ka izao notendren’ny filoha  izao indray. Nahangona  sonia maherin’ny 100  amin’ny 151 ireo depiote tamin’ny fanolorana azy ho amin’izany toerana izany indray.Anisan’ny  itokisan’ny sehatra  iraisam-pirenena Tombanana  fa anisan’ny anton’izany safidy izany ny fomba fiasa hentitra  ananan’ity praiminisitra ity. Eo ohatra ny namerenana ny takelaka mena ho an’ny fiaram-panjakana manontolo. Ny ady amin’ny  kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana, ny fanatsarana hatrany ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manampy izany ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy.Tsiahivina fa voatendry ho Praiminisitry ny  marimaritra iraisana tamin’ny tolona nataon’ny  depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey i Ntsay Christian, ny volana jona  2018. Mbola nohamafisin’ny filoha Rajoelina izany ny volana janoary 2019 ka nanendreny hatrany ity lehiben’ny governemanta ity amin’izany toerana  izany ary izao mbola  naverina amin’ny toerany izao indray,  taorian’ny fitsanganan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity  herinandro ity.Minisitra ho voatana  na handao ny  sezany Araka  izany, andrasana  indray ny ho  fanolorany amin’ny filoha Rajoelina ireo  minisitra  handrafitra  ny governemantany. Mety misy ny ho voatana fa tombanana koa fa hisy ny hisaorana sy handao ny sezany raha jerena ny tao anatin’ny enim-bolana voalohany nitantanan’ny filoha Rajoelina ny fanjakana izay. Mety tsy hihoatra ny amin’ny herinandro ambony  io izany fanolorana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta Ntsay Christian  izany.Synèse R.  L’article Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

Fahafatesana mpivahiny

Niafara tamin’ny fahafatesana ny fivahinianan’ny lehilahy iray tany Antsipahy-Ambolatera any Antsalova, afak’omaly, rehefa niantefan’ny bala enina ny vatany, araka ny loharanom-baovao. Ahiana ho tohin’ny ady nisy teo amin’ity namoy ny ainy sy ny lehilahy iray noho ny olana teo amin’ny omby very tamin’ny taon-dasa no nahatonga izao famonoana olona izao. L’article Fahafatesana mpivahiny est apparu en premier sur AoRaha.

« Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio

Anisan’ny andrasan’ny mpanaraka ny “Lalaon’ny Nosy”, amin’ity andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy ity, ny vaovao mahakasika ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, eo amin’ny taranja baolina kitra. Niakatra an-kianja voalohany, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Geoges V, Flic en Flac, Maorisy, izy ireo. Ny ekipan’ny Seychelles no nifanandrina tamin’i Madagasikara nandritra izany ary isa sahala, 0 no ho 0, ny nisarahan’ny roa tonta. Raha ny tokony ho izy ary araka ny nambaran’ny mpanazatra, tokony ho mora tamintsika ny nandavo an’i Seychelles, saingy tsy ampy ny fahamatorana teny ambony kianja.Raha hiverenana ny lalao, nanam-bintana ny Malagasy ary nahazo penalty, saingy tsy maty. Nandaka ity penalty ity i Xavier, laharana faha-6.Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ekipan’i Maorisy ny Barea, ao amin’ny kianjan’i Georges V hatrany. Ho mafy ny miandry ireto mpilalao malagasy ireto, saingy tsy maintsy mandresy raha te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka. Ho raraka avy hatrany kosa izay resy eo satria efa samy nanao ady sahala 1 no ho 1 Maorisy sy 1 Seychelles, tamin’ny andro voalohany. Mi.Raz L’article « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio a été récupéré chez Newsmada.

Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy

Omaly tolakandro no re mivantana tao amin’ny RDJ 96.6Mhz ny vaovao ! Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana an’i Eric Fou Hehy tany Inde. Nanamafy izany rahateo izy raha nanontanian’ny olona avy aty Madagasikara mivantana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera : « Eric ihany ity e ! Eric efa olom-baovao… Salama tsara ! ». Raha ny fanazavany, nosoloina ny voa ary  natao grefy ny aty. Ireo ny fandidiana natao taminy. Mbola mila fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo azy, noho izany, mbola hijanona volana vitsivitsy any an-toerana i Eric Fou Hehy. Nanamafy izany rahateo izy. Nambaran’i Eric fa tsara ny fikarakarana rehetra. Nahafinaritra avokoa na ny fandraisana na ny « administration » na ny mpitsabo any an-toerana.Raha tsiahivina, ny volana jolay 2018 no niala teto an-tanindrazana nihazo an’i Inde i Eric Fou Hehy rehefa tojo tsy fahasalama (insuffisance rénale) ka nilaina fitsaboana ivelan’i Madagasikara.HaRy Razafindrakoto L’article Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy a été récupéré chez Newsmada.