Fitsaram-bahoaka :: Matin’ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy avy nanafika

News - Fitsaram-bahoaka :: Matin’ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy avy nanafika

News - Fitsaram-bahoaka :: Matin’ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy avy nanafika

Notafihin’ny jiolahy efatra samy nitondra basy ny tokantranona mpamongady entana ilaina andavanandro, tany Amboangisoa, tao an-drenivohitr’i Boriziny, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Naratra mafy ny tompontrano niaraka tamin’ny vady aman-janany. Matin’ny fokonolona kosa ny iray tamin’ireo jiolahy. Voafiran’ny antsy ny lohan’ny raim-pianakaviana tao amin’ny tokantrano lasibatry ny fandrobana. Samy naratra mafy ihany koa rehefa novelesin’ireo jiolahy tamin’ny vy fanalana fantsika ny vadiny sy ny zanany vavy. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola efatra hetsy sy roa tapitrisa ariary ary finday lafo vidy miisa efatra. Nahazo antso vonjy momba an’io tranga io ny polisy sy ny zandary tany an-toerana, ka nalaky tonga teo amin’ilay toerana nisehoan’ny fanafihana. Efa nanenjika an’iretsy jiolahy kosa ireo mpiaramonina tamin’ireto niharam-boina, nandritra izany, ka tratran’izy ireo tao Tsarasaotra sy Amboangisoa ny roa lahy. Nosavaina ny tranon’ny iray ka nahitana basy tao ambany fandriana. Sarona, ora vitsy taorian’izay, ny faharoa. Saika hitifitra ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo no voatolon’ny olona ary nianjera tamin’ny tany. Maty vokatry ny daroka nifandrimbonan’ireo andian’olona io lehilahy io. Tafaverina amin’ny tompony ireo finday efatra.

L’article Fitsaram-bahoaka :: Matin’ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy avy nanafika est apparu en premier sur AoRaha.

Fitsaram-bahoaka :: Matin’ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy avy nanafika

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra

Vonona ny Barean’i Madagasikara hidona amin’i Mozambika, eo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.“Tapa-kevitra ary hiezaka handresy an’i Mozambika izahay, rahampitso alahady”, hoy i Rivo Francklin, mpanazatra, sy i Ando, kapitenin’ny Barean’i Madagasikara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly tetsy Ankorondrano.  Fihaonana, hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.Fanambin’ireo mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea ny ho tonga amin’ny dingana famaranana, amin’ity “Chan 2020” ity. Efa iray volana rahateo ry zalahy no nanoman-tena ary niavaka satria nahatratra 16 ireo ekipa nakana ireo mpilalao raha efatra ny hatramin’izay. “Nohamafisina ny fanafihana, tamin’ity, izay hita fa lesoka nandritra ny “Cosafa 2018”, hoy i Rivo Francklin.Raha tsiahivina, ekipa efa nidona tamin’ny Barean’i Madagasikara i Mozambika tamin’ny taona 2018, nandritra ny fifanintsanana “Chan”, toy izao ihany. Nisaraka ady sahala, 2 sy 2, tetsy Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso ary nandresy tany an-tanin’olona, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny fihaonana miverina.Ankoatra izay, ny fanamiana mitondra ny marika Nino no hoentin’ny Barea, rahampitso, fa tsy ny Garman intsony. Hisokatra amin’ny 7 ora kosa ireo vavahady miisa sivy eo Mahamasina hisorohona ny ho fibosesehana.Tonga omaly, ny ekipan’i Mozambika. Hitsapa ny kianjaben’ny Mahamasina izy ireo, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mbola hanao fanazarantena kely ho fanitsiana sy fanamafisana ny taktika kosa ny Barea, amin’ity maraina ity.Marihina, fa afaka herinandro no hanaovana ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, ka raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Maputo, ny asbotsy 3 aogositra izany fihaonana izany. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny covid-19 : nanolotra fanampiana ny OMS sy ny UNFPA

Nanolotra fanampiana hafa indray ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny OMS sy ny UNFPA tetsy amin’ny CCO Ivato, ny talata teo. Nahitana fanafody sy kojakoja fiarovana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ary fitaovana fitsaboana ireo tratran’ny covid-19 efa sempotra tao anatin’izany fanampiana izany. Natao hamaliana haingana ny filana amin’izao fiparitahan’ny valanaretina izao ireo fanampiana vao tonga ireo, raha ny fanazavana . Natao hanampiana ireo sampan-draharaha tena miasa mafy eny anivon’ny tobim-pahasalamana ihany koa. Marihina fa mbola handrenesana fitarainana ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana fiarovantenan’izy ireo. Manahy ny ainy izy ireo ary manahy ny fifindran’ny aretina amin’ny vady aman-janany noho ny fiarovan-tena tsizarizary. Hanampy azy ireo indrindra ireo fitaovana natolotra avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ireo. Nandritra io fanolorana ny fanampiana io ihany koa no nanomezana ny tohana fanampiny avy amin’ny Pnud sy ny Pam ary ny CRM.Tatiana AL’article Ady amin’ny covid-19 : nanolotra fanampiana ny OMS sy ny UNFPA a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa

Hitohy ny fijerena manokana ireo mponina tsy manan-kialofana ny matory eny an-dalambe, hoy ny talen’ny kabinetra vaovaon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Andriantseheno Paul, omaly nandritra ny famindrana ny fitantanana teo aminy sy ny talen’ny kabinetra teo aloha, Rasoamaromaka Hery. Efa misy ny tetikasa handraisana an-tanana azy ireo, araka ny paikadin’ny minisitera. Nizara sakafo mafana sy lamba firakotra amin’ireotoerana vitsivitsy nisy ireo tsy manan-kialofana ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Ireo tunnel telo eto an-dRenivohitra : Ambanidia, Ambohidahy ary Behoririka no notolorana fanampiana. 250 ireo nomena sakafo mafana, 50 amin’ireo vehivavy mampinono sy mitondra vohoka ary nahazo botofotsy koa. Nanambara ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah fa tohin’ny fidinana efa natao tamin’ ny faran’ny herinandro lasa teo, no natao ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tsy misy tahirim-bola manokana hanaovana ny hetsika fa fandraisana andraikitra mivantana ataon’ny mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera. Eo am-pamolavolana ny fananganana village communautaire ny fitondram-panjakana. Mamantatra ireo olona tokony hahazo trano amin’izany village communautaire izany ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Efa manana toerana any Ankarefo ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana izao. Amin’ity taona ity,  vinavina ny hanangana toerana hafa any Vinaninkarena, kaominina ambanivohitra Antsirabe. Asiana toeram-pambolena sy fiompiana hiveloman’ny mpifindra monina ny tanàna vaovao.Vonjy A. L’article Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Isandra : 16 lahy mitazona kalach nanafika sy nandoro trano

Amin’ny sivy ora maraina no nitranga ny fanafihana ny alarobia teo. Vatan-dehilahy miisa 16 izay mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika kalachnikovs no tompon’antoka tamin’izany. Nasesin’izy ireo ny trano maromaro tao amin’ny fokontany antsoina hoe Ambatolahinandriana, ao amn’ny kaominina Fanjakana, eo anivon’ny distrikan’Isandra. Rehefa vita ny fandrobàna dia nasesin’izy ireo indray ny fandorana ireo trano. Izany no niainan’ny olona monina tao amin’io fokontany io. Raha ny tomban’ireo olona dia manodidina ny 20 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy ary manginy fotsiny ny entana isan-karazany izay nobataina. Hatramin’ny fitaovam-piadiana izay mba notehirizin’ny olona aza mba hiarovan-tena dia lasa tao ihany koa. Tamin’ity tranga ity dia tsy nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana raha tsy ny ampitso tolakandron’ny nitrangan’ny fanafihana. Teo vao natao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy saingy tsy nahitam-bokany intsony izany. Tsy misy azon’ny fokonolona natao manoloana ny isan’ireo olon-dratsy, indrindra koa miaraka amin’ny basy kalachnikovs izay teny an-tananan’izy ireo. Sarotra ny miady amin’izany ary na ny mpitandro ny filaminana aza, raha vitsy an’isa dia ho sahirana koa ny hifanehatra amin’ny 16 lahy mitazona kalachnikovs izany. Ahoana no hahazoan’ny dahalo fitaovam-piadiana mitovy lenta amin’ny ampiasain’ny mpitandro filaminana? Raha mbola mitohy hatrany ny fiparitahan’ireny basy ireny dia tsy ho voafehy mihitsy ny filaminana eto amin’ny nosy. Mila fantarina ny isan’ny basy tsirairay avy sy ny toerana na toby misy azy ireny mba hamantarana koa izay mety ho tompon’andraikitra rehefa misy basy hita na voageja. Ny olana mantsy dia lasa sorona hatrany ny vahoaka noho ny goragora ary na ny zandary izay alefa miady any anaty akata aza dia lasa manao vy very ny ainy satria sady vitsyizy nefa manana fitaovam-piadiana mitovy amin’ny ampiasain’izy ireo ny dahalo enjehiny, ary mbola maro noho izany aza. Hatreto, ny tsikaritra dia ny vahaolana avy amin’ny fampiasana teknolojia kokoa no haroson’ny politika mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Sao kosa dia ny rafitra misy no tokony hovaina. Atao izay hanampiana an’isa ny mpitandro ny filaminana tena midina an-tsehatra any ambanivolo any ary ahena ireo miambina toby fotsiny, miandry faran’ny volana fotsiny. D.RL’article Isandra : 16 lahy mitazona kalach nanafika sy nandoro trano a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Ho an’ny CEG eto an-dRenivohitra: nanomboka omaly ny BEPC andrana

Raha efa mahazatra ny rehetra ny fanadinana CEPE andrana, sambany nisy ny BEPC andrana iraisan’ny CEG rehetra ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, nanomboka omaly ary hifarana ny alakamisy ho avy izao. Mitovy amin’ny fanatanterahana ny fanadinanana BEPC tena izy ny fizotry ny andrana ary tokana ny laza adina ho an’ny CEG 15 eto an-dRenivohitra. Omaly, niatrika ny taranja malagasy sy sciences de la vie et de la terre ny mpiadina, hitohy amin’ny mathématique sy ny français anio. Ny alarobia, hanao ny taranja histogéo sy ny physique – chimie ny kilasy 3ème ary hofaranana amin’ny teny vahiny nosafidin’ny mpiadina amin’ny sokajy A ny alakamisy maraina.Ilaina ny andrana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpiadina sy hanarenana ny lesoka satria mbola manana iray volana ny mpanabe. Aorian’ny andrana, tsy maintsy ampahafantarina ny mpianatra rehetra ny vokatra hanaovana ezaka ho an’ny taranja mbola tsy voafehy. Ny sekoly katolika, manana ny lamina azy manokana ary manatontosa BEP andrana iraisan’ny sekoly ao aminy.27 525 ny mpiadina BEPC eto Antananarivo       Hotontosaina ny 9 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Ho an’ny Cisco eto Antananarivo Renivohitra, mahatratra 27 525 ny isan’ny mpiadina izay nidina raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. 32 ny foibem-panadinana ary ny lycée fito eto an-dRenivohitra no handray ny fitsarana ny laza adina. 22 793 ny sokajy A raha 4 732 ny sokajy B izay manantombo kokoa ny coefficient ho an’ny taranja fizika. Iray ny mpiadina manana fahasembanana, 46 ny zokiny indrindra, vehivavy, raha 10 taona ny zandriny indrindra, mbola ankizivavy ihany koa.Vonjy A. L’article Ho an’ny CEG eto an-dRenivohitra: nanomboka omaly ny BEPC andrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nanomboka ny tapaky ny volana avrily: tsy nisy intsony ny matin’ny kitrotro

Nanomboka ny volana septambra 2018 ka hatramin’ny 26 mey lasa teo, nahatratra 146 277 ny trangana aretina kitrotro voamarina ka ny 19 708 tamin’ireo ilay tranga nahitana fahasarotana avokoa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. 910 ireo namoy ny ainy vokatry ny aretina kitrotro tao anatin’izay valo volana izay. Nanomboka ny fiandohan’ny volana avrily, tsy nisy intsony ireo matin’ny aretina kitrotro satria notontosaina ny andiam-baksiny intelo miantoana hiarovana ny ankizy 9 volana hatramin’ny 9 taona. Ny volana marsa lasa teo, fari-piadidiam-pahasalamana 67 no nanaovana vaksiny.Tsapa fa nidina hatrany ny tranga, nanomboka ny volana febroary, fa nihamaro kosa ny ankizy 10 taona no ho miakatra voan’ny kitrotro (42%), ny faran’ny volana mey lasa teo.Amin’izao fotoana izao, efa nidina ho sokajy 0 ny valanaretina kitrotro raha 2 izany teo aloha, araka ny fahitan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Voalaza koa fa tsy misy intsony ny valanaretina kitrotro ho an’ny distrikan’Andapa, ny distrikan’Andramasina, ny distrikan’Ambatolampy, ny distrikan’i Beloha ary ny distrikan’i Bealanana. Mitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo olona voan’ny aretina kitrotro eny amin’ny CSB.Mitohy koa ny fizarana vitamine A ho an’ny rehetra voan’ny aretina kitrotro satria mampihena 40% ny taham-pahafatesana ny fihinanana azy.Vonjy A.                L’article Nanomboka ny tapaky ny volana avrily: tsy nisy intsony ny matin’ny kitrotro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany

Nampahafantarina, omaly, ny dingana vita momba ny fanamboaran-dalana « rocade Atsinanana sy Avaratra Atsinanana » mampifandray ny RN2, RN3, sy ny afovoan-tanàna. « Lavitrezaka ny famolavolana io tetikasa io, 10 taona any ho any, vao hanomboka ny asa fanatanterahana azy. Koa ela loatra raha hiandrasana 10 taona avokoa ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana, ka tokony hojerena izay hanafainganana azy », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, fanajariana ny tany sy trano fonenanana, Andrianainarivelo Hajo.Iaraha-mahita sy miaina ny eto an-dRenivohitra noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana, mampikatso ny toekarena, hatrany amin’ny fahasalamana, misy fiantraikany. Izay nampiteraka izao tetikasa izao mampifandray ireo lalam-pirenena ireo, misy zotra efatra (roa ankilany avy). 35 % ankehitriny ny fandrosoan’ny asa, heverina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2021, raha natomboka tamin’ny mey 2018.Matoa tonga amin’izao dingana izao anefa, isaorana lehibe ny fokonolona voakasika tamin’izany, nanaiky ny hanaovana ny asa, nefa mbola tsy naharay onitra tamin’izay fananany  noravana, trano na tany … Mikasika indrindra momba izay onitra izay ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana sy ny fokonolona voakasika amin’ity tetikasa ity. Anjaran’ny fanjakana rahateo ny miantoka ny onitra, nanokanana tetibola 20 miliara Ar. Efa navoaka ny 55 % amin’izany vola izany, ka ny ampahany be indrindra nomena ireo rava trano, very asa fivelomana.Mbola betsaka ny tsy nahazo onitraAnjatony maro ireo antontan-taratasy mandalo ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany sy fanasintahana. Mbola betsaka ny tsy nahazo onitra. Nisy fotoana, 2017 -2018, natsahatra izay fandoavana onitra izay, niverenana nanaovana fanadihadiana izay vola tena  onerana. Tsy ilaozan’ny kolikoly sy fanaovana taratasy hosoka io fangatahana onitra io ; ao ny manitatra ny velaran-taniny ; ary misy aza tsy manana fa mamorona, iraisana tsikombakomba amina tompon’andraikitra sasany. Nandritra io fotoana io koa, nandraisana ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana momba ireo olana mbola tsy voavaha : rano tsy tafavoaka, lalan’ny mpandeha tongotra tapaka, faritra, sns. R.MathieuHalavan’ny lalana : 8,250 kmZotra : 4 ( 2 ankilany avy)Tetezana : 2Fiandrasana taxibe : 20Fotodrafitrasa ho an’ny fokonolona : 33Tetibidin’ny asa : 60 tapitrisa eurosMpamatsy vola : AFD, UE, BEI, Fanjakana malagasy L’article Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hentitra ny fisavana ao Mahajanga: mampanahy ilay aretina azo avy amin’ny omby

Hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra ao Mahajanga amin’izao fotoana  izao. Mampanahy ny hahtongavan’ny valanaretina  iray avy atsy Kaomoro.Ahina ny hidiran’ilay valanaretina  azo avy  amin’ny omby na ny « fievre affutage ». Mahazo  vahana tanteraka any amin’ny Nosy Kaomoro izy io amin’izao fotoana  izao ary efa nahafaty olona maro, araka ny loharanom-baovao voarain’ny eo anivon’ny faritra. Manoloana  izany, nandray fepetra ny eo anivon’ny fiadidiana ny  faritra Boeny amin’ny alalan’ny tompon’andraikitra mpisolo toerana,  tarihin’i Bazezy Vanombe Clavelah. Misy ny fisavana arahin’ny fitiliana ny entana miditra sy mivoaka any an-toerana. Na amin’ny alalan’ny sambo  na fiaramanidina… Tafiditra ao anatin’izany koa ny eo an-tampon-tanàn’i Mahajanga. Tsy  vitan’izany anefa fa  eo  koa ny fanondranana entana  mihazo  io Nosy io, toy ny tongolo avy any amin’ny  faritra Sofia. “Natao izao hetsika  sy fepetra  izao mba hiarovana ny mety ho fiparitahan’io valanaretina io eto Madagasikara” hoy ihany ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana.  Araka  izany, tsy tokony  mandrimandry manana aretina ny tompon’andraikitra  rehetra.Synèse R.  L’article Hentitra ny fisavana ao Mahajanga: mampanahy ilay aretina azo avy amin’ny omby a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona

Natao ny 2 aogositra teo, tany Moroni, ny fivoriana iombonan’ny minisiteran’ny Rahaham-bahiny aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI). Tsara ny asa vitan’ny COI tao anatin’ny 35 taona. “Tsy mionona amin’izany anefa isika. Tsy maintsy miezaka hatrany isika hihoatra ny sarotra”, hoy ny solontenan’ny Nosy Kaomoro, i Mohamed El-Amine Souef. Ny hahatongavana amin’izany ny rafitra ao amin’ny COI, andraikitry ny filoham-panjakana mpikambana rehetra ny mamaritra politika ho amin’izany.Mandeha amin’izay lalana izay ny hevitra naroson’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriantsitohaina Naina, nilaza fa « fanamby vaovao iombonana izao, ary tsy tokony hifanitsaka ny COI sy ny fikambanana hafa misy antsika satria miray isika eto manome lanja ny tena ilaina sy ny tombontsoa manokana ».Nohararaotin’ny mpivory ny tokony hanavaozana ny rafitra nananganana azy, indrindra momba ny fifanarahana natao tany Victoria, Renivohitr’i Seychelles, ny taona 1984. Fomba fiaingana vaovao indray ny andrasana, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa, araka nambaran’ireo mpivory rehetra niray feo. R.MathieuL’article COI: tsara ny asa vita tao anatin’ny 35 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Savate: hanomboka ny zoma izao ny «Mada 2019»

Taorian’ny fifaninanam-paritra ho an’ny ligin’Analamanga, ny 5 hatramin’ny 7 avrily lasa teo, hotanterahina amin’ny zoma 19 avrily hatramin’ny 21 avrily ho avy izao etsy amin’ilay trano fisakafoanana Tournesol Andoharanofotsy, indray, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja haiady Savate Boxe Française. Lalao iraisam-pirenena maro no miandry izay mendrika amin’ity fifaninanam-pirenena ity, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona, ka ho mafy ny fitsarana sy ny fifantenana ireo mpikatroka mifaninana. Isan’ny ady lehibe miandry ny mpiangaly ity taranja ity, ny fiadiana ny tompondaka manerantany. Izany dia hatao any Hummet Tonizia, ny 12 hatramin’ny 16 jona, ho an’ny sokajy “junior” sy “senior”. Any Budapest Bolgarie kosa no hanaovana ny ady eo amin’ny sokajy “cadets”, ny 20 hatramin’ny 24 jolay ho avy izao, raha ny fanazavana hatrany. Aorian’izay, handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ihany koa ny solontenantsika, ny volana septambra izao atsy Maorisy.Raha hiverenana kosa ilay fifaninanam-paritra ho an’Analamanga, ny klioban’ny EBI Itaosy no nandrombaka ny anaram-boninahitra maro tamin’izany izay nahazo medaly volamena miisa 14. Mi.Raz L’article Savate: hanomboka ny zoma izao ny «Mada 2019» a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao
17/09/2020

Efa manomboka mamerina tsikelikely ny fampandehanan-draharaha avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo federasiona isan-tsokajiny. Na dia mbola tsy afaka manatanteraka hetsika ara-panatanjahantena aza, efa samy manantena ny hiverenan’izany tsy ho ela ireo mpitantana sy atleta ary ny ekipa nasionaly. Ho an’ny taranja Volley ball, amin’ny fivoriana hatao ato ho ato, ny hanapahana izay fifaninanana mbola azo tanterahana sy ireo tsy maintsy hofoanana. Efa nisy anefa ny resaka nandeha fa mety tsy hisy fifaninanana ho vita intsony amin’ity taona ity fa hosoloina fiofanana izany. Mbola tsy fantatra, araka izany, izay hatao fa miandry izay fivoriana izay, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny federasiona malagasy ny Volley ball, Ranaivoson Mamy.Mahakasika ny fanazaran-tena indray, efa nahazo alalana hamerina ny fanomanan-tenan’ireo atleta sy ekipa nasionaly, avokoa, ny federasiona, ny ligy, ny seksiona ary ny klioba tsirairay, saingy mila hatao anatin’ny fanarahana ny fepetra hatrany izany rehetra izany. Ho an’ny taranja Volley ball, mbola matahotra sy mitandrina avokoa ny rehetra, na dia efa misy aza ekipa sy klioba efa manatanteraka izay fanazaran-tena izay. Tsy mbola misy lalao be atao fa ny ara-batana aloha no averina tsikelikely, taorian’izay ela tsy nihetsehana izay, raha ny nambaran’ny mpanazatra klioba. Mi.Raz L’article Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao a été récupéré chez Newsmada.

  Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy
17/09/2020

 Hatreto, mbola misy ihany ny tsy mahafantatra fa manan-jina ny teny. Tafiditra ao anatin’izany ny teny malagasy. Miainga hatrany amin’ny niforonany ka mipaka hatrany amin’izay hiantefany, manan-kasina ny teny malagasy. Tsy azo itenitenenana foana. Tsy azo amelomana ady, sns. Ny mitranga ankehitriny? Tranga miteraka alahelo na hatezerana na fanafintohinana izao ka lazaina fa “mampihomehy”! Sanatria ve ka nihomehy tamin-javatra mampalahelo ny Malagasy? Very tanteraka ny hasin’ilay teny satria tenenina sy tononina ary ilazana endrin-tranga mifanohitra. Tsy io ihany fa misy hafa ihany koa.Tsy tokony ho matinkenamaso ny Malagasy tsirairay hanitsy ny tranga tahaka itony. Matetika mantsy teraka avy any amin’ny tery vay mantan’ny fiarahamonina ireny teny manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny ka tokony ho avy eny ihany no hikaro-bahaolana ho fanarenana izany. Na iza na iza, na zovy na zovy nipoiran’ireny teny  manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny, tokony ho afaka hanitsy izany avokoa ny rehetra. Efa endriky ny fanitsiana ny tsy fampiasana ilay teny, saingy tsy ampy izany.Mila miaro ny teniny ny Malagasy mba tsy ho very hasina tanteraka izany any aoriana any ka na ny ozona mahazo azy aza sao heverin’ny sasany ho tsodrano. Ny alahelon’ny hafa eo an-tampon’ny lohany sao adikany ho fahasoavana. Rehefa mitranga ny tsy ampoizina vao “miova fo”, hono!HaRy RazafindrakotoL’article   Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie
24/09/2020

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina
19/09/2020

Vokatry ny fanafihan-dahalo matetika. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny ONG Blue Ventures dia vita soamantsara ny fanamboarana ny EPP tao amin’ny tanànan’ny Mokotra, faritra Menabe. Notontosaina ny 17 septambra 2020 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ity Sekoly Telma faha-78 ity.Tao anatin’ny fanajana ny fenitra  tanteraka no nanamboarana ny sekoly ka efitrano fianarana telo, efa misy fitaovana toy ny latabatra, dabilio, trano fivoahana sy fidiovana ary lavan-drano no hita ao anatin’izany. Ankoatra ny tohana ara-bola sy ara-pitaovana avy amin’ny fandaharan’asa Sekoly Telma dia nandray anjara tamin’ny asa fanamboarana  ny EPP Mokotra ny ONG Blue Ventures sy ny mponina tao an-toerana. “Afaka mandray mpianatra 150 isa ny sekoly manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy eo, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Fondation Axian”, Rajemison Dina. Nambarany ihany koa fa nanaiky ireo manam-pahefana any an-toerana toy ny Governoran’ny faritra, ny faripiadidiam-pampianarana fa handray an-tanana ny fandefasana mpampianatra telo sy fanomezana latabatra sy dabilio miisa 75. Fandaharan’asan’ny Fondation Axian ny Sekoly Telma ho fampitomboana ny tahan’ny zaza miditra an-tsekoly sy fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Miara-miasa amin’ireo fikambanana eto an-toerana sy any ivelany izy. Teo anelanelan’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019 dia sekoly Telma miisa 77 no namboarina manerana an’i Madagasikara ary ankizy tokony hianatra miisa 15.000 no nisitraka mivantana izany. Raha ny ONG Blue Ventures kosa no resahana dia fikambanana miasa amin’ny sehatry ny tontolo iainana manohana ny velontenan’ireo mponina any amorontsiraka ho fiarovana ny harena an-dranomasina ho lovainjafy. Ny taona 2005 izy no tonga teto Madagasikara ka any Ambanja (DIANA), Besakoa (Boeny), Maintirano (Melaky), Belo sur  Mer (Menabe)  ary Andavadoaka (Atsimo Andrefana), no toerana iasany.  Araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny fikambanana tamin’ny taona 2018 dia fantatra fa ankizy 146, eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 14 taona no tsy mankany an-tsekoly ao amin’ny tanàna telo ao amin’ny faritra Menabe: Belalanda, Marovitiky sy Mokotra.  Ny rejistran’ny DREN (Direction Régionale de l’Éducation Nationale) Menabe ihany koa dia milaza fa nisy EPP tao Belalanda ary vita tamin’ny vondro saingy potika izany ny taona 2013 ary tsy nasiam-panamboarana mihitsy. Tsy nety nampianatra ireo mpampianatra nalefa tany noho tsy fisian’ny foto-drafitr’asa. Voatery mandeha mamonjy sekoly andehanan-tongotra mandritra ny 45 minitra ireo ankizy. Noho ny fanafihan-dahalo matetika anefa dia tsy mahafohy mandefa ny zanany  an-tsekoly ireo ray aman-dreny. Nirina R. Cet article SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article SEKOLY TELMA : Vahaolana ho an’ireo ankizy ao amin’ny tanànan’i Mokotra sy ny manodidina a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fahasemporana tampoka :: Efatra mirahalahy niara-maty tao an-davapiringa
17/09/2020

Fahoriana goavana no nanjo an’ity fianakaviana iray tany Ambatondrazaka, omaly. Tao anatin’ ny fotoana fohy no nifanesen’ny famoizana an’ireto efa-dahy, telo lahy mpiray tampo, sy ny lehilahy faninefany, izay havan’izy ireo ihany. Tao anatin’ny lavapiringan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy tany Ambohimiangaly-Ambatondrazaka no nisehoan’ny voina, ny maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Tamin’ny 12 ora vao tafakatra tao amin’ilay lavaka ny razana farany. Nambaran’ny loharanombaovao avy amin’ny mpitandro filaminana, any an-toerana, fa fahasemporana avy amin’ny entona misy poizina tao amin’ity lavapiringa avy namboarina no niteraka ny fahafatesan’izy efadahy. Fifamonjena namoa-doza Fantatra fa nokaramaina hanala an’ireo maloto tao anatin’ ny lavaka izy ireo. Vita soa amantsara ny asa, tokony ho tamin’ny 9 ora. Efa tafakatra taty ambony ry zareo vao nahatsiaro ny fanadinoana ny fitaovana nampiasaina tao ambany tao. Nisy fitaovana hadino anefa tao anatin’ilay lavaka rehefa tafakatra daholo izy efatra. “Voatery niverina nidina tao anaty lavaka ny iray tamin’izy efa-dahy. Tsy tafaverina intsony anefa io nirahina io ka nandeha nijery azy tao anaty lavaka ny rahalahiny. Mbola tsy nahenoam-baovao ihany koa itsy fahatelo itsy. Ilay lehilahy fahefatra, zanak’olona mpirahalahy amin’izy telo lahy, no nidina farany sady tavela efa samy tsy nisy aina tahaka an’iretsy telo voalohany”, araka ny fanazavana nampitain’ny loharanom-baovao avy tany Ambatondrazaka. Nidina tany amin’ny toerana nitrangan’ny loza mihitsy ireo manampahefana sivily sy miaramila ao Ambatondrazaka tamin’ny fitadiavana ny fomba nanavotana azy efa-dahy tao anaty lavaka. “Lalina dia lalina ilay lavaka ka nanahirana ny asa famonjena. Nanomboka tamin’ ny 11 ora teo ho eo vao tafavoaka ny voalohany. Ora iray taorian’ izay mahery kely vao azo ny vatana mangatsiakan’ny fahefatra”, hoy hatrany ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa tsy maintsy hanokatra fanadihadiana momba an’ity raharaha mampalahelo ity ny polisy any an-toerana. L’article Fahasemporana tampoka :: Efatra mirahalahy niara-maty tao an-davapiringa est apparu en premier sur AoRaha.

Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika
19/09/2020

477 ny isan’ny mpanao gazety vehivavy eto Analamanga sy amin’ny faritra telo hafa mandrafitra ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara. Miezaka ny ho matihanina izy ireo ary misokatra amin’ny fikirakirana karazam-baovao toy ny vaovao siantifika.Manomboka mahasarika ny mpanao gazety, indrindra ny vehivavy, ny fanaovan-gazety siantifika izay mbola vaovao ihany satria hatramin’izay, misahana ny lohahevitra rehetra amin’ny ankapobeny ny mpanao gazety malagasy. “Ho fanampiana ny vehivavy mpanao gazety hirona kokoa amin’izay fanaovan-gazety siantifika izay, nisy fanofanana nomena azy ireo avy amin’ny tetikasa “Adidin­tsika” nokarakarain’ny Fikam­banan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara nandritra ny roa andro teny Antanimena”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Andrianaivo­nirina Anny. Amin’izao fotoana mbola iadiana amin’ny valanaretina Coronavirus izao, nizara traikefa momba ny fikirakirana vaovao siantifika ma­nodidina ny valanaretina ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Voa­resaka ny fomba fitrandrahana loharanom-baovao sy ny fandanjalanjana ny azo zairaina amin’ny mpamaky sy ny mpijery ka hampitony ny olona ny fizarana hahalalany ny tokony hatao manoloana ny Covid-19.Hatrany ivelany …“Mila fitiavana sy faharetana ny famokarana lahatsoratra na fandaharana mivoy vaovao siantifika ary tsy maintsy omanina andro maromaro”, hoy Razafiarison Rivonala, mpanao gazety siantifika efa an-taony maro. Mbola vitsy ny mpanao gazety malagasy nisafidy ny hitrandraka izany nefa manokatra fivelarana amin’ny asa maha mpanao gazety hatrany ivelany. Mpanelanelana eo amin’ny mpikaroka siantifika sy ny vahoaka ny mpanao gazety hitondra ny vaovao misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro. Sarotra ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fotoan’ny hamehana tahaka izao nefa adidiny ny mitondra vaovao marina. 22 ny mpanao gazety vehivavy nanaraka ny fiofanana ary nizarana ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fizarana izy ireo, omaly. Nanotrona ny lanonana fizarana ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanohana ny tetikasa nahafahana nanofana ny Agence française de coopération médias (CFI) sy ny Agence française d’expertise technique ary ny AFD.Vonjy A.L’article Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika a été récupéré chez Newsmada.

Minisitry ny Fitsarana: « Tsy handeferena ireo mpitsara manao kolikoly”
17/09/2020

Mba tsy ho resabe ? Mbola nanamafy hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa ho hentitra amin’ireo mpitsara, mihoa-pefy amin’ny fanatanterahana ny asany.“Tsy handefitra manoloana ireo mpitsara zatra ny lalan-dririnina amin’ny fanaovana kolikoly ny minisitera. Ampirisihina ireo manana porofo mbahitondra fitorohana sy fitoriana eny anivon’ny sampana misahana izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny, ny alatsinainy teo tao Toamasina. Nohitsiny fa efa eo am-pelatanan’ny minisitera ny raharaha, anisan’ny maha be resaka ao an-toerana, momba ny ady tany ahenoana mpitsara ao anatin’izany.Tsiahivina fa notanterahina tamin’io fotoana io, tao amin’ny oniversiten’ i Barikadimy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fitsarana  sy ny departemantan’ny ” Faculté de Droit, des Sciences Economiques, de Gestion, et de Mathematique Informatique et Applications- DEGMIA”. Nivoitra tamin’izany ny fametrahana fiaraha-miasaamin’ny tokony hanampiana na koa hiarahana mikaroka mpampianatra hisahana ny sampam-piofanana eo anivon’ny “Masters II” ho an’ny fampiofanana lalàna. Eo koa ny momba ny fianarana asa ho an’ ireo mpianatra lalana.Mpitsara hampita traikefa amin’ireo tanoraHisy rahateo ny famoahana andiana mpianatra amin’izany sampam-piofanana lalana izany ka nangatahana ny mba ho “Ray mpiahy”, ny minisitra amin’ity andiany ity. “ Anisan’ny veliranon’ny filoham-pirenena ny fanatsarana ny fampianarana ambony sy fananana tanora ho tsara taiza sy hanana fahaizana ho fitaratry ny firenena”, hoy ny minisitra. Nanteriny fa mety hisy fiantsoana ireo mpitsara efa misotro ronono, terem-panahy hampita ny traikefany ho an’ireo tanora eo anivon’ny oniversite. Tsiahivina fa miavaka amin’ny departemanta rehetra misy eo anivon’ny oniversiten’ i Barikadimy ny Degmia, tarihin’ny sojabeny, tanora amin’ ireo soja be rehetra. Mihazakazaka eo amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana sy ny fampiofanana eo anivon’ny departemanta tantaniny. Eo koa ny ezaka ho fampandrosoana sy fampiakarana hatrany ny lentan’ny fampianarana eo anivon’ny anjerimanotolo.Sajo sy Synèse R. L’article Minisitry ny Fitsarana: « Tsy handeferena ireo mpitsara manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.

Tanandava – Toamasina: tratra ireo jiolahy nikasa hamoaka vary 44 taonina
22/09/2020

Tsy afa-bela! Jiolahy miisa enina sy mpiambina orinasa iray no sarona tao anaty vela-pandriky ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany Toamasina, afakomaly. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nikasa hamoaka an-tsokosoko vary milanja 44 taonina avy ao amina toeram-pitahirizana entana iray ao Tanandava Toamasina ireto jiolahy ireto. Taorian’ny angom-baovao rehetra voarain’ny polisy, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy, namoaka vary fotsy amin’ny gony avy tao amin’ity trano fitahirizana entana ity ary nitatitra izany tao anaty kamiaobe roa. Nosamborina avy hatrany izy ireo ka nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa mpiambina ity toerana ity ihany no niray tsikombakomba  tamin’ireto jiolahy ireto ka nampiditra azy ireo tao amin’ity toerana fitahirizana entana ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nitohy, araka izany, ny fanadihadiana ireto jiolahy ireto raha efa naverina any amin’ny tompon’ny orinasa kosa ireo vary navoakan’izy ireo tao amin’ilay trano fitahirizana entana.Jean ClaudeL’article Tanandava – Toamasina: tratra ireo jiolahy nikasa hamoaka vary 44 taonina a été récupéré chez Newsmada.

DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW
17/09/2020

Hisy ny hetsika manokana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy 21 septambra 2020 ho avy izao mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana “WW…” sy ny laharana vahiny. Manoloana izany indrindra, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny DGSR. Ho an’ny fiaran’olon-tsotra dia hisy ny fisavana ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fandraisana ara-teknika eny Alasora, By-Pass ary eny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohi-paritra. Ho an’ireo fiara vaovao novidina teny amin’ny orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara “concessionnaires”, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika. “Hamafisina fa ny fandraisana ara-teknika eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo ivontoerana manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina hahafahana mahazo laharana eny amin’ny mpamoaka izany, na ho an’ny fiara vaovao izany na ireo efa niasa”, hoy ny DGSR.Jean Claude L’article DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW a été récupéré chez Newsmada.

Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono
24/09/2020

Matetika ny faritra Vakinankaratra ihany no fantatry ny maro momba ny famokarana ronono eto Madagasikara. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany sehatra izany koa ny faritra Matsiatra Ambony.Mandrafitra ny atao hoe Telozoron’ny ronono i Matsiatra Ambony, na faritra manana toe-tany sy toetr’andro mety tsara amin’ny fiompiana ombivavy beronono. Tafiditra indrindra anatin’ireo laharam-pahamehan’ny faritra ny lalam-pihariana ronono. Ho fampandrosoana izany lalam-pihariana izany, miara-miasa hanatrarana ny tanjona iraisana ny Foibem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ao Matsiatra Ambony sy ny Fandaharanasa Fanoitra:  ho fampitomboana ny vokatra ronono ao amin’ny faritra.Maro ireo dingana natao niarahan’ny roa tonta, toy ny fampiofanana ireo mpiompy mpandraharaha, miompana indrindra amin’ny teknikam-piompiana, ny fitantanana ara-pahasalamana, ny fambolena vilona, ny lafiny fananahana ary ny fandrafetana kaontim-pamokarana.Noho ny fahitana fa manomboka miharatsy ny karazan’omby mamokatra ronono any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, napetraka ho tanjona ny famerenana indray ny fampanarahana entin-tanana izay naato teo aloha. Nisy àry, noho izany, ny fampiofanana teknisianina dimy mahakasika ny fampanarahana entin-tanana.Isan’ireo mpiompy nahazo fiofanana sy tohana amin’ity tetikasa fanatsarana taranak’omby ity Ramandimbisoa Richard na i Sacha, mponina ao Ambatolahy Lovasoa, fokontany Talata Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha. 15 taona izy nanaovana ny fiompiana ombivavy beronono.Tamin’ny taona 2005, ombivavy norvezianina iray ny nanombohany. Efa mananika ny 50 ny taranak’io ombivavy io hatramin’izao. Ny taona 2016 ny nahazoany fiofanana momba ny fanatsarana taranaka omby sy ny fambolena ahitra tamin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa Fanoitra.Mbola tsy ampy ny tolotraRaha omby tsara razana, mahatratra hatramin’ny 16 na 20 litatra isan’andro ny ronono azo aminy. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 15 litatra ny ronono azo isan’andro avy amin’ny omby iray ao anatin’ny telo volana voalohany nahaterahany. Aorian’izay, midina ho 10 litatra isan’andro.Mbola malalaka tsara ny tsenan’ny ronono ao Matsiatra Ambony. Ny Rofama na Ronono Faritra Matsiatra Ambony no mandray ny vokatra rehetra. Eo amin’ny fanangonam-bokatra, ao Iboaka ny fanateran’ireo mpivarotra ronono, fiaraha-miasa amin’ny Rofama, mpanangom-bokatra.Kaoperativa misehatra amin’ny fihariana ronono eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Rofama ary miara-miasa amin’ny mpiompy miisa 317 ao anatin’ny distrika efatra ao amin’ny faritra: i Vohibato, i Lalangina, Isandra ary i Fianarantsoa renivohitra.Nisokatra ny taona 2011 ny toeram-pivarotana voalohany. Amin’izao fotoana izao kosa, efatra ireo toeram-pivarotana tantanin’ny Rofama.500 litatra isan’andro ny ronono miditra ao aminy tamin’iny taona 2019 iny, izany hoe, mamelona mpiompy maro.R.Mathieu L’article Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono a été récupéré chez Newsmada.