FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA: Manitsaka ny lalam-panorenana ny mpitondra hoy ny TIM

News - Politique - FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA: Manitsaka ny lalam-panorenana ny mpitondra hoy ny TIM

News - Politique - FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA: Manitsaka ny lalam-panorenana ny mpitondra hoy ny TIM

« Tsy nanaja ary tsy nitandro tahaka ny hanaka andriamaso ny lalam-panorenana ny prezidàn’ny repoblika raha namoaka iny fanapahan-kevitra ho fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fitsapa-kevi-bahoaka hampiarahana amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 Mai 2019 ho avy izao », hoy ny filohan’ny antoko TIM, Ravalomanana Marc. Tsy azo ekena ny fandikana ny lalam-panorenana, hoy izy. Raha ny voalazan’ny lalam-panorenana dia 90 andro mialoha ny fifidianana izay atao no tsy maintsy hiantsoana ny mpifidy an-datsa-bato. Ny zoma 19 Aprily 2019 anefa vao niantso ny mpifidy hanao izany fitsapan-kevi-bahoaka izany ny filan-kevitry ny ministra natao tamin’io andro io sady ho am-piarahana amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Misy karazany rehefa hikitika io lalam-panorenana io ka mifanaraka amin’izay ny fanapahan-kevitra tokony ho raisina, toy ny fanampiana, fanamboarana ary ny fanovana vaovao mihitsy. Fanontaniana napetraky ny filohan’ny antoko ny hoe : mikatso ve ny raharaham-pirenena no hisy fanovana ny lalam-panorenana ? raha izay no misy dia tokony ho lazaina ny antony izany. Tokony ao aorian’ny fifidianana solombavambahoaka no atao izany fitsapan-kevi-bahoaka izany raha ilaina tokoa fa tsy atao maimaika fotsiny. Raha toa ka tena hisy tokoa ny fikitihana io lalam-panorenana io dia tokony hifandinihan’ny rehetra ny hanaovana azy, alaina ny hevitry ny tsirairay. Niteny an’io ihany koa ny fiarahamonim-pirenena KMF/KNOE. Gaga ihany koa ny vondrona iraisam-pirenena raha niresaka tamin’ny filoha Ravalomanana momba io fitsapan-kevi-bahoaka io.

Nivory maika ireo birao politika sy ireo kandidà solombavambahoaka ao amin’ny antoko nandinika ity fanapahan-kevitra tampoky ny fitondrana ity androany 22 Aprily 2019 teny Faravohitra.

Nirina R.

Cet article FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA: Manitsaka ny lalam-panorenana ny mpitondra hoy ny TIM est apparu en premier sur déliremadagascar.

Fitsapan-kevi-bahoaka  -  Lalam-panorenana  -  TIM

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra

Ny volana jona teo no nitrangan’ny raharaha. Niharan’ny fanararaotam-pahefana sy fihazonana tsy ara-dalàna, nataona polisy efa-dahy, miasa ao amin’ny biraon’ny polisy, Ambohimandamina, Mahajanga ny olona vitsivitsy.Tsy nipetra-potsiny ireto niharan’izany fa nanao fitarainana tao amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tany an-toerana. Voalaza fa hoe nitaky vola 2 000 000 Ar tamin’izy ireo ireto polisy ireto, ho sandan’ny famotsorana azy ireo.Nandray ny andraikiny momba izany àry ireo mpanao fanadihadiana sy famotorana ao amin’ny Bianco. Hita sy voamarina tamin’izany fa mitombina tokoa ny fitarainan’ireto olona niharan’ny fanararaotana nataon’ireto polisy ireto. Natolotra ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany, tao Mahajanga ireto polisy izay voarohirohy ho nanao kolikoly sy fakam-bola an-keriny (extorsion).Fantatra, taorian’izay fa naiditra am-ponja avy hatrany ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra ilay inspektera polisy. Ireo brigadiers telo lahy kosa noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana, na dia efa nohamafisin’ny fampanoavana aza fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ity raharaha maloto ity izy ireo. Hita taratra amin’izao ihany ny tsy fetezan-javatra eo amin’ny fitsarana izay efa hanaovan’ny mpanara-baovao maro fanamarihana sy fanakianana hatrany. Soa ihany fa, araka ny fantatra, efa an-dalam-pananganana amin’izao fotoana izao ny Pôle Anti-corruption any Mahajanga.M.R.L’article Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana

Nanokanana andro, omaly, ny politika momba ny hetra niantsoana sehatra sy sokajin’olona maro. Tsy adidin’ny fanjakana irery ny raharahan-ketra, araka ny fanamarihana nataon’ny sampandraharahan’ny hetra.Mbola ambany ny tahan’ny fidiran-ketra eto amintsika, 12 % monja, ka ny hampitomboana izany. Niantsoana ireo sokajin’olona samihafa avy amina sehatra maro, nitondra ny heviny. Lohahevitra nosoritana : “Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Andrasana avy amin’io fihaonana io ny hitsanganan’ny tambajotra iray ahitana ny avy amin’ny minisitera isanisany, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpikaroka any amin’ny oniversite. Havondrona ny hevitr’ireo rehetra ireo hamaritana izay tokony hampitomboana ny fidiran-ketra.  Kendrena ny ho 15 % amin’ny 2023.Iray nitondra ny heviny, ny tale jeneralin’ny ladoany, i Zafivanona Lainkana Ernest. Miara-miasa hatrany ny ladoany sy ny foiben-ketra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Tolo-kevitra iray naroson’ny ladoany ny fiarovana ny orinasa eto an-toerana, ka faritana ireo akora na entana tsy asiana fanamaivanan-ketra. Anatin’izay fiarovana ny orinasa izay ny fampidinana ny haba amin’ireo akora na fitaovana fampiasan’izy ireo. Fomba ampirisihina azy ireo izany hanondrana entana any ivelany, mampiditra vola vahiny. Tokony hatevenina koa ny haba alaina amin’ireo akora fototra fanondrana any ivelany, toy ny kraomita, fasimainty, volamena sy vatosoa, sns…Nanamafy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain, fa mbola ezaka goavana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra. “Hatramin’izao, TVA, haban-tseranana, solika, ireo no mampiditra betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana fa mila fanantenana lavitrezaka ny hetra tokony haloan’ny tsirairay avy amin’ny vola miditra aminy”, hoy ny tale jeneraly. Nampahafantarina ihany koa ny fahamaroan’ny asa fihariana ivelan’ny ara-dalàna, mahatratra 40 %, tsy mandoa hetra, araka ny tatitra nataon’ny FMI. R.MathieuL’article Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby vehivavy – «Can 2019»: nomontsanin’i Afrika atsimo 73 no ho 0 ny Makis

Potipotika, saika tsy nisy nijerena azy ny Makis vehivavy, nanaovan’ny Afrikanina tatsimo azy. Tsy nitraka mihitsy fa tena novizanin-dry zareo tanteraka teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”.Resin’i Afrika atsimo, tamin’ny isa mavesatra, 73 no ho 0 ny Makis vehivavy, teo amin’ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15 “Can 2019”. Fihaonana, notanterahina omaly talata, tao Johannesburg, afrika atsimo.Tsy nisotro rano mihitsy ny Malagasy fa nataon’ireo tovovavin’i Afrika atsimo, totoafo. Maty ni-“charge” fotsiny ry Sariaka sy ry Josiane, nandritra ny 80 mn, nilalaovana. Natanjaka ary nanantombo ara-batana, ry zareo mpampiantrano. Vokany, olona telo na efatra no manakana ny lohalaharan’izy ireo. Nisesy ny baolina nentin-tanana nataon’ny Afrikanina tatsimo. Nisy anefa ireo voatsara tao koa ireo tsy maty.Nahay nameno ny kianja ny mpilalaon’i Afrika Atsimo, hany ka tsy nahita hirika handehanana mihitsy ny “trois quart” sy ny lohalaharana malagasy. Navesatra ihany koa ry zareo, tao anaty “pack d’avant”. Porofon’izany, raha vao “mêlée” ny baolina dia efa atosik’izy ireo fotsiny. Teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa mazava, 44 no ho 0 ny Afrikanina tatsimo.Na niezaka nanao izay ho afany aza, ry Laurence kapitenin’ny Makis, tsy tafavoaka mihitsy. Tsy tafiditra tao anatin’ny faritry ny 22 m mihitsy ny Malagasy nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Efa tany amin’ny fiafaran’ny lalao vao tafaporitsaka tao, saingy tsy nahavita nanindry baolina.Teo amin’ny lalao ilany, lavon’i Kenya, tamin’ny isa mazava, 37 no ho 5 koa i Oganda. Amin’ny asabotsy 17 aogositra izao, ny lalao farany ka hifandona i Oganda sy i Madagasikara ary i Kenya hifandona amin’i Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby vehivavy – «Can 2019»: nomontsanin’i Afrika atsimo 73 no ho 0 ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

KMF/Cnoe : “Alefaso aloha ny fifidianana vao mifampidinika”

“Ho anay, tsy ratsy ny fifampidinihana. Saingy tsy misy antony tokony hifampidinihana io, fa alefaso aloha ny fifidianana. Raha hifampidinika, aleo aloha vitaina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina; avy eo, mifampidinika: ahoana amin’izay ny hitondrana ny fifidianana manomboka eo?”Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Raha ny tena izy, tokony ho tamin’ny 31 jolay no natao io fifidianana io. Satria tamin’ny 15 jolay 2015 ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Tamin’izany no efa fantatra fa efa-taona ny fe-potoam-piasana.Na inona na inona hatao eo, tsy misy fifidianana tonga lafatra izany. Araka ny fanambarana misesisesy efa nataon’ny KMF/Cnoe, hatrany amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika no efa niresahana an’izay: tsy misy ny hala-bato, fa ny hosoka no tena misy. Tsy misy afa-tsy ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny fomba fanaovana hosoka tena mahomby indrindra.Mila fahazoan-dalana hikitika lisi-pifidianana ny CeniTsy afa-manao hosoka izay te hanao izany, raha mandeha mifidy avokoa ny olom-pirenena tokony hifidy. “Ny olana: tsy miasa saina isika, fa rehefa vita ny fifidianana vao mimenomenona”, hoy izy. Vokany, afa-manao hosoka ny mpanao izany. Ny Ceni koa manao ny atao. Amin’izao, tsy misy lalàna mivoaka manome alalana azy hikitika lisi-pifidianana, nefa sahiny manao izany.Raha misy ny fifampidinihana, tokony homen’ny fitondram-panjakana alalana aloha ny Ceni hahazoany mikitika ny lisitry ny mpifidy. Satria tsy ara-dalàna ny fikitikitihana ny lisitry ny mpifidy ataony amin’izao.Nambarany koa fa misy ny tsy fahavononana hanao fifidianana, satria tsy manana kandidà ny sasany: matahotra sao tsy voafidy ny olony. Nefa tsy fanemorana fifidianana no misy amin’izao fa fahatarana. Tsy mbola misy daty hoe hanatanterahana ny fifidianana. “Raha hatao amin’ity taona ity ihany ny fifidianana, tokony ho amin’ny tapaky ny volana novambra”. hoy ihany izy. Tokony ho amin’ity tapaky ny volana ity izany ny fihaikana mpifidy.R.Nd.L’article KMF/Cnoe : “Alefaso aloha ny fifidianana vao mifampidinika” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société”

Hotanterahina manomboka ny asabotsy 3 aogositra izao ary tsy hifarana raha tsy ny 17 aogositra ny « Salon des jeux de société », andiany faha-24. Toy ny mahazatra, mandray ity hetsika ity ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba. Raha tsiahivina, ity ny fotoana tokana sady lehibe indrindra hanomezan-danja sy hanasongadinana ireo karazan-dalaon-tsaina hifanandrinan’olon-droa, eto amintsika.Homena vahana hatrany ireo kilalaon-tsaina mampiavaka ny Malagasy, toy ny fanorona sy ny katro, izay tsy mbola lefy laza, ankafizin’ny ankizy hatramin’ny olon-dehibe. Ao koa anefa ireo kilalao vahiny, fantatra manerana izao tontolo izao, toy ny “jeu de go”, kilalao fanaon-dry zareo Aziatika, ny “sudoku”. Ankoatra ireo, ho hita ao ihany koa ny “uno”, ny “scrabble”, ny “1000 bornes”, ny “jeu de dame”, sns.Tanterahina mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra hatrany ny “Salon des jeux de société”. Na mbola tsy tontosa aza ireo karazana fanadinam-panjakana, heverina fa tsy vitsy ny ankizy efa miditra tsikelikely ao anatin’izany fialan-tsasatra izany. Sady fialam-boly ny hetsika no fampiasan-tsaina ihany koa ary fotoana hifaneraserana amin’ny ankizy sy ny tanora hafa, efa mahafehy ireo karazan-dalao ireo.Ho an’ireo tsy mbola mahafehy na tsy mahay azy ireo, hisy ny fotoana hampianarana izany, mandritra ity « salon » ity. Toy ny mahazatra, hisy koa ny fifaninanana amin’ireo sokajin-dalao rehetra.Landy R. L’article AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra »

Notontosaina, omaly ny famoahana ny andiany “Fenitra” tao amin’ny sekolin’ ny Polisim-pirenena manofana ho “Agents” sy “Inspecteurs de police” (Eniap) any Antsirabe. Miisa 1098 ireto Polisy vaovao ireto ka 100 ny Inspecteurs de Police (miisa 08 ny vehivavy) raha 999 kosa ny “Agents de Police”(miisa 94 ny vehivavy). Nitondra hafatra ho an’ireto andiany “Fenitra” ireto ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Controleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger ary nilaza fa : “Ny galona izay napetraka teny an-tsorokareo androany (omaly io), dia tadidio tsara fa laharamboninahitra sandain’andraikitra avy amin’ny firenena malagasy. Aza viraviraina toa voro-damba fa vidio haja, vidio voninahitra, na amin’ny fihetsika, na amin’ny fiteny ary indrindra amin’ny fomba fiasa, ho reharehan’ny mpiray tanindrazana. Aza avela hiraviravy tanana eo anoloan’ny horohoro ny vahoaka .Aleo hafindra any amin’ny tontakely ny tahotra, efa ela niandrasana izany ny Malagasy”.Ankoatra ny famoahana ny andiany “Fenitra” dia nisy ihany koa ny fanatanterahana ny fandraisam-pibaikoana teo amin’ireo talem-paritra vaovao. Jean ClaudeL’article Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly”

“Zava-dehibe ny fametrahana ny tale jeneralin’ny Bianco. Milaza ampahibemaso eto aho ankehitriny: ho tena mahaleo tena ny Bianco. Ary io tsy misy fifantenana fa na iza na iza tratra amin’ny resaka kolikoly, tokony hosazin’ny lalàna avokoa”, hoy  ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Fitsarana tampony, Anosy, omaly, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco. Maro loatra ary efa tafiditra amin’ny fiainan’ny vahoaka , indrindra ny tompon-draharaha rehetra, ny kolikoly: any amin’ny minisitera, fananan-tany, hopitaly, hatrany am-piangonana.Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany…Nambarany fa vonona amin’izany ady amin’ny kolikoly izany ny rehetra, hiara-kifanome tanana, hiara-kiroso. Ao anatin’ny tanjona iray ampandrosoana ny firenena ny ady amin’ny kolikoly, ary tafiditra ao anatin’ny velirano.Tsy handroso ny firenena raha mbola manjaka izany. Izao vao hita fa maro ny olona sahy mitory mpitandro filaminana. Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany amin’ny ady amin’ny kolikoly, fa mitovy ny rehetra.Tsy ekena intsony ny fangalarana volam-panjakanaBe loatra ny mangala-bolam-panjakana. “Ny ady amin’ny kolikoly ataontsika voalohany: ny fiadiana amin’ny gaboraraka , ny tolotr’asa tsy misy asa atao akory”, hoy izy.Misy asa be dia be hoe atao, lazaina fa misy tranompokonolona, sekoly, tetezana… Nefa tsy misy akory. Tsy ekena ny fangalarana amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Eo koa  ny ady amin’ny fananan-tany: Marobe ny olona manana tany, lasa amin’ny tsy rariny. Voan’ny tsindrihazolena ny olona tsy mahay taratasy momba ny tany.R.Nd. Vita fianianana ny tale jeneralin’ny Bianco “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany araka ny lalàna ny andraikitro, hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy hijery tavan’olona, hitana sy tsy amboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana.” Anisan’ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat.Nisy ny famindram-pahefana tamin’ny tale jeneraly teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, taorian’izany. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny tale jeneraly vaovao ny fahaiza-manao, ny fahalalana, ny fahendrena, ary ny fanajana ny rafitra misy amin’ny ady amin’ny kolikoly. L’article Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanahiana hala-jaza :: Nisava trano iray teny Ambohibao ny zandary

Herinandro taorian’ny nahavery an’i Sitraky Ny Avo Ramarosandy, ankizilahy iray 11 taona, monina eny Ankadivory-Talatamaty no nahalalana fa mboka misitery ny antony nahafaty an’ilay zaza, rehefa hita tao amin’ny lakandranon’ Andriantany ny vatana mangatsiakany, ny marainan’ny 10 jona lasa teo. Nahitana ratra tamin’ny tarehiny sy ny lohany. Misy ny ahiahina hala-jaza na fakàna an-keriny. Trano iray teny Ambohibao no nosavain’ny zandary rehefa niely ny feo ny tamin’ny mety ho nanafenana an’ilay zaza tao, saingy tsy nahitana na inona na inona. Niteraka savorovoro teny amin’ ny kaominina Talatamaty hatreny Ambohibao ny fahaverezan’io ankizy, 11 taona, io nanomboka tamin’ny 4 jona lasa teo. Nampiasa ny fomba maro mba hahitana azy ireo ray aman-dreniny saingy tsy nahitam-bokany. Nandeha ny resaka ny amin’ny hoe nisy naka an-keriny, ka mitaky vola ireo jiolahy saingy tsy nisy porofo nahitan’ ny mpitandro filaminana izany. Niarahana tamin’ny fianakavian’ilay zaza mihitsy ny fisavana iry trano iry fa tsy nahitana mangirana. L’article Fanahiana hala-jaza :: Nisava trano iray teny Ambohibao ny zandary est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Atsinanan’ny Nosy: ahina ny firongatry ny aretina tazo

Misy fiantraikany amin’ny aretina na tsia ny fiovan’ny toetr’andro. Ho an’ny aretina tazomoka manokana, fepetra telo ny mampirongatra ny moka mpitondra ny tazo. Mihoatra ny 80 mm ny rotsak’orana, eo anelanelan’ny 18°C sy 32°C ny hafanana ary mihoatra ny 60% ny hamandoana. Rehefa feno ka mitambatra ireo fepetra ireo, mirongatra ny moka mpamindra ny aretina tazo, araka ny fanazavan’ny teknisianina ao amin’ny sampandrahaaha fahasalamana sy ny toetr’andro ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Razafindramavo Lalao Madeleine, tany Antsirabe. Tsapa amin’izao fotoana izao fa misy ny moka velona mpamindra tazo eto afovoan-tany satria feno ny fepetra raha tsy nahitana izany taona maromaro tany aloha.Misy ny filazam-baovao avoakan’ny sampandraharaha isaky ny telo volana, mampahafantatra ny aretina mety hiseho avy amin’ny tombana omen’ny singa mandrafitra ny toetry ny andro amin’ny toerana iray. Nambaran’ny filazam-baovao farany avy amin’ny sampandraharaha fa  nahina ny firongatry ny aretina tazo ho an’ny distrika maromaro tamin’ny herinandro voalohany : i Besalampy, i Mahajanga, i Mananjary. Ho an’ny herinandro faharoa, tafiditra ao Antananarivo Avaradrano, Antsirabe I-II… Ary hiseho ny aretina tazomoka any Antsiranana, any Ambilobe, any Ambanja… ho an’ny herinandro fahatelo.Ho an’ny volana mey kosa, ahina ny fisehoan’ny aretina tazomoka ho an’ny ilany atsinanana iray manontolo manomboka aty amin’ny distrikan’i Vohémar ka hatrany Taolagnaro. Mety hirongatra koa ny aretim-pivalanana ho an’ny tapany avaratra, nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny volana jona ho avy izao.Ho fisorohana ny firongatry ny aretina tazomoka, tokony hamafisina ny fanaraha-maso ny aretina samihafa sy ny ady atao amin’ny aretina tazo. Mila atao tsy tapaka koa ny fanadiovana ny lobolobo samihafa fanatodizan’ny moka mpamindra tazo.Vonjy A.          L’article Atsinanan’ny Nosy: ahina ny firongatry ny aretina tazo a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Mampiahiahy ny tsy fanazavana…  

Vitan’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina Barea, nampiombom-po ny Malagasy ve ny fampihavanam-pirenena? Mbola resaka lava izay. Mihavana ve ny Malagasy amin’izao? Na tena mifampatoky amin’izay rehetra mitranga sy atao…Lasa resaka tato ho ato, ohatra, ny amin’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana ireo fiara manokana 4 x 4 nomen’ny fanjakana: iadiana amin’ny dahalo any ifotony sa iasana  andavanandro? Soa ihany, nanazava ny tomponandraikitra.Samy asa avokoa izay atao? Saingy misy ny hoe laharam-pahamehana sy zava-dehibe, efa nanaovana fanamby sy fampanantenana. Manjary miteraka tsy fifampitokisana sy ahiahy tsy ihavanana izay atao, raha tsy misy fanazavana mialoha.Tsy vitan’izay, mampisy ahiahy tsy ihavanana koa tato ho ato ny fanajana lalàna amin’ity hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Tsy inona fa ny amin’ity fanemorana ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna.Nampiaka-peo, ohatra, ny firaisamonina sivily sasany fa tokony hohajaina ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ireo. Mampiahiahy ho azy ny tsy fanajan-dalàna ny amin’ny tokony hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany.Misy ny fanovana ny amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na ny kaominina? Mila nohetsehina mialoha izany mba tsy hisian’ny ahiahy tsy ihavanana. Natao hitsinjo mialoha ny mpitondra, indrindra amin’izay (h)ataony.Ny amin’izay fifidianana izay ihany, misy milaza fa tsy tokony hokitikitihina fahatany ho azy  amin’izao ny lisitry ny mpifidy: alalana avy aiza no ahazoan’ny Ceni manao izany? Mila mazava izay mba tsy hisian’ny ahiahy.Inona na ahoana koa? Santionany ireo… Misy ihany ahiahy tsy ihavanana indraindray amin’izay mitranga sy atao. Tena mifampatoky ve ny Malagasy? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy, mampihavana na tsia.Mba tsy ho marina ny hoe: ny vazaha, mody miady; ny Malagasy, mody mihavana. Na ampiadiana, tsy miady; ampihavanina, tsy mihavana… Mbola samy maka ho azy? Fotoan’ny fangaraharana izao, hialan’ny ahiahy tsy ihavanana.Rafaly Nd.       L’article Mampiahiahy ny tsy fanazavana…   a été récupéré chez Newsmada.

Teny an’anona teny

Sary: Fanou, Tiana R ary MamiherisonL’article Teny an’anona teny a été récupéré chez Newsmada.

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany

Mivelona amin‘ny jono ny mponina any amin’ny kaominina Boanamary, distrikan’i Mahajanga II. Ny taonjato faha–XIX no nahatongavan’i Bouana Oumar, foko Antalaotra, nampiantsona ny botriny any an-toerana. Taona maro nifanesy lasa Boanamary ny anaran’ny tanàna.  Ankehitriny mijery ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahantany ny any an-toerana.   Taona maromaro izao, miezaka mampandroso ny fizahantany ny ao amin’ny kaominina ka hita fa efa mitombo miandalana ny isan’ny mpizahatany tonga any an-toerana, 15 % amin’izao fotoana izao. Ao ireo mizaha tany sady manao asa fikarohana momba ny tantaran’i Boanamary, sy ireo manao fikarohana mahakasika ny zava-boahary sy ny tontolo iainana ankapobeny.Mifandray amin’izay fizahantany izay ny “Tetikasa Maitso” ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny hamerenana ny ala honko sy hazo sarobidy any amin’ny manodidina. Tany amin’ny 60 taona lasa, betsaka ireo karazan-kazo sarobidy sady fanafody, saingy sarotra hita na tsy hita intsony amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’ireo karazan-kazo ireo : Katrafay, Hazomalany, Manary, Amananinaomby, Honkolahy … Mampalaza iny kaominina iny koa ny voanakazo, toy ny manga, voanio, matsitso. Manome seha-piharina avokoa ireo, afaka mamelona olona maro, indrindra raha misy ny fanodinana izany any an-toerana.Ratsy ny lalana avy eo amin’ny RN4Ao anatin’izany “Tetikasa Maitso” izany ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Alemaina GIZ, manampy amin’ny fanomezana masomboly sy fitaovana. Eo koa ny dina “Boeny Miray” ifanaovan’ny Vondron’olona ifotony (Voi). Toy ny kaominina maro manerana ny Nosy ihany anefa, olana lehibe ny faharatsian-dalana, 18 km miala amin’ny RN4. 11,5 miliara ariary vao mahavita io lalana io, ka tokony ho 5 miliara ariary ny anjaran’ny kaominina. Tsy mahazaka io tetibola io anefa ny kaominina, ka miangavy ny minisiteran’ny Asa vaventy handray an-tanana izany asa izany manontolo. Na aiza na aiza tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto raha tsy vita ny lalana. Ny kaomina ambanivohitra tsy manana tetibola ho an’ny fotodrafitrasa lehibe. R.MathieuL’article Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany a été récupéré chez Newsmada.

An-tsary: fakana bahana ho an’ny eny Soamandrakizay

L’article An-tsary: fakana bahana ho an’ny eny Soamandrakizay a été récupéré chez Newsmada.

Cream sy Université Normale de Jiangxi: miara-manao fikarohana momba ny toekarena sy ny sosialy

Niara-nanao sonia ho fiaraha-miasa, omaly, ny Cream (1), manao fikarohana sy fanadihadiana momba ny toekarena eto Madagasikara, sy ny Foibe iray manao fikarohana momba an’i Madagasikara ihany ao amin’ny Université normale de Jiangxi, any Sina. Fifanarahana mariky ny fahavononana miara-miasa manao fikarohana, ho an’ny fampandrosoana ny lafiny toekarena sy sosialy eto an-toerana.Fikarohana fandalinana sy fanadihadiana lalina momba ny toekarena sy ny sosialy ahitana izay tokony hofaritana sy hotrandrahina. Anatin’ny fifanarahana, manohana ny Cream amin’izay ataony, ny fikarohana momba an’i Madagasikara vitan’ny Université normale de Jiangxi, amin’izay tolotra fampahalalam-baovao omeny ka azo trandrahina.Manana andraikitra amin’ny fanampiana ireo andrimpanjakana momba ny fitantanana ny toekarena ny Cream, miainga avy amin’ireo fanadihadiana vitany, ny fehin-kevitra arosony, ny fampiasana izany, ny fanarahana sy fanaovana tomban’ezaka politika sy toekarena. Andrasana ny mba tsy hijanona ho soratra fotsiny izay fikarohana sy ny fanadihadiana mifanaraka amin’izany. R.Mathieu Cream : Centre de recherches, d’études et d’appui à l’analyse économique à Madagascar    L’article Cream sy Université Normale de Jiangxi: miara-manao fikarohana momba ny toekarena sy ny sosialy a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly”

“Zava-dehibe ny fametrahana ny tale jeneralin’ny Bianco. Milaza ampahibemaso eto aho ankehitriny: ho tena mahaleo tena ny Bianco. Ary io tsy misy fifantenana fa na iza na iza tratra amin’ny resaka kolikoly, tokony hosazin’ny lalàna avokoa”, hoy  ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Fitsarana tampony, Anosy, omaly, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco. Maro loatra ary efa tafiditra amin’ny fiainan’ny vahoaka , indrindra ny tompon-draharaha rehetra, ny kolikoly: any amin’ny minisitera, fananan-tany, hopitaly, hatrany am-piangonana.Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany…Nambarany fa vonona amin’izany ady amin’ny kolikoly izany ny rehetra, hiara-kifanome tanana, hiara-kiroso. Ao anatin’ny tanjona iray ampandrosoana ny firenena ny ady amin’ny kolikoly, ary tafiditra ao anatin’ny velirano.Tsy handroso ny firenena raha mbola manjaka izany. Izao vao hita fa maro ny olona sahy mitory mpitandro filaminana. Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany amin’ny ady amin’ny kolikoly, fa mitovy ny rehetra.Tsy ekena intsony ny fangalarana volam-panjakanaBe loatra ny mangala-bolam-panjakana. “Ny ady amin’ny kolikoly ataontsika voalohany: ny fiadiana amin’ny gaboraraka , ny tolotr’asa tsy misy asa atao akory”, hoy izy.Misy asa be dia be hoe atao, lazaina fa misy tranompokonolona, sekoly, tetezana… Nefa tsy misy akory. Tsy ekena ny fangalarana amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Eo koa  ny ady amin’ny fananan-tany: Marobe ny olona manana tany, lasa amin’ny tsy rariny. Voan’ny tsindrihazolena ny olona tsy mahay taratasy momba ny tany.R.Nd. Vita fianianana ny tale jeneralin’ny Bianco “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany araka ny lalàna ny andraikitro, hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy hijery tavan’olona, hitana sy tsy amboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana.” Anisan’ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat.Nisy ny famindram-pahefana tamin’ny tale jeneraly teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, taorian’izany. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny tale jeneraly vaovao ny fahaiza-manao, ny fahalalana, ny fahendrena, ary ny fanajana ny rafitra misy amin’ny ady amin’ny kolikoly. L’article Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha tany Toamasina :: Naverina ny fomba namonoana an’ireo telo mianaka

Nasaina naverin’ireo voarohirohy, omaly, ny fomba namonoana an’ireo olona telo miakana: lehilahy teratany frantsay sy ny vady aman-janany, izay voatafika tao an-tranony tany Vohitsara Toamasina, tamin’ny 13 mey lasa teo. Fantatra, araka ny nambaran’ny polisy misahana ny famotorana, fa samy novelesina tamin’ny hazo lehibe izy telo mianaka ireo. Teo am-baravarana no namonoana an’ilay lehilahy frantsay. Tao amina efitra iray kosa no nanaperana ny ain’ny vadiny, teratany malagasy, sy ny zanak’izy ireo, fito taona. Nobataina tao amin’ny trano fidiovana sy nosaromana gony ny vatana mangatsiakan’izy telo. Andro vitsy taorian’izay vao nisy nahita ny razana. Voatondro ho tompon’antoka voalohany tamin’iny vono olona iny ny mpiambina tao amin’ilay trano. Telo volana taty aoriana vao tratra io mpiambina io. Voarohirohy tamin’ny fanafenana azy ny vadiny. Voasambotra ihany koa ny lehilahy roa voatondro ho namany nanao ny asa ratsy. «Halatra no antony namonoana azy telo mianaka. Solosaina sy vola no nalain’ireo olon-dratsy, tamin’iny fotoana iny», hoy ihany ny polisy. L’article Raharaha tany Toamasina :: Naverina ny fomba namonoana an’ireo telo mianaka est apparu en premier sur AoRaha.

Lavon’ny zandary ny dahalo dimy lahy namany: tafaporitsaka i Del Kely, azo ny kara-panondrony

Tafaporitsaka, nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary, tao amin’ny kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, indray ilay jiolahy raindahiny, natao hazalambo hatry ny ela, antsoina hoe Del Kely. Tavela tamin’izany ny kara-panondrony izay ahafantarana ny salovan-tavany. Lavo nandritra izany kosa ny dahalo dimy lahy tena akaiky azy.Nahazo angom-baovao tamin’ny olona ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Betsiboka fa mitoby ao amin’ny tanàna atao hoe Antanifotsy, kaominina ambanivohitr’i Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka, ilay dahalo raindahiny nokarohina hatry ny ela atao hoe Del Kely sy ireo jiolahy namany akaiky, afakomaly. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary nanara-dia ireo jiolahy. Rehefa tonga tao an-toerana ireto farany, voamarina fa nitoby tao amin’ny tranokely iray i Del Kely sy namany, saingy tsy tratra tao fa namany roa no tratra’ny zandary. Rehefa natao ny fisavana ilay trano, mbola tao avokoa ny fitaovany toy ny akanjo, ny antontan-taratasy, ny mohara, ny omby miisa valo tsy misy taratasy sy tsy misy kavina. Nitohy ny savahao nataon’ny zandary ka tonga tao amin’ny toerana atao hoe Manalasala, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitr’Antsiabositra, nisy dahalo maromaro nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana ka dahalo telo indray lavo, saingy nisy ihany ireo tafaporitsaka. Nitohy ihany ny fizahana ireo dahalo lavo ka hita teo amin’ny toerana nifampitifirana ny kara-panondrom-pirenena iray latsaka izay an’i Del Kely niaraka tamin’ny basy Mas 36 iray miaraka amin’ny bala enina, basim-borona iray sy bala telo, balana basy poleta miisa roa, antsy sy famaky miisa valo ary karazana mohara maro, araka ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany.Nampiasa fiara mifonovy ny zandary…Nandritra izany anefa ireo dahalo roa lahy azo sambo-belona tao Antanifotsy, nentin’ny zandary nanoro lalana izay misy an’i Del Kely. Nikasa handositra anefa izy roa ka voatery nitifitra avy hatrany ny zandary taorian’ny fampitandremana. Vokany, maty tsy tra-drano ireto jiolahy roa akaiky an’i Del Kely ireto. Lavo avokoa, araka izany, ireo dahalo dimy lahy fa i Del Kely sy ny namany iray tafaporitsaka nandritra ny fifampitifirana, saingy efa azo ny mombamomba azy rehetra, araka ny voalaza ao amin’ilay kara-panondro latsaka teo akaikin’ireo jiolahy maty voatifitra. Nanamafy hatrany ny zandary fa sambany izao vao fantatra mazava sy ananana sary ny endrik’ilay jiolahy raindahiny antsoina hoe Del Kely. Nampiasa fiara mifonovy ny zandary nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo ary nanamy tamin’izao fiatrehana tamin-dry Del Kely sy ny namany izao koa ireo vondrona zandary avy ao amin’ny hery vonjitaitra (FIGN) mampandry tany ao Andriamena.Jean ClaudeDel Kely: Dahalo atao hazalamboManao antso avo amintsika mpiray tanindrazana mba hanome vaovao ahitana mpitandro filaminana ahitana an-d: – Rakotoarivelo Fanomezantsoa Atlas, dit Del Kely. – Teraka ny 2 janoary 1984 tao Mahitsy Ambohidratrimo. – CIN 103 211 004 971, natao ny 10 jolay 2002 tao Ambohidratrimo.Marihina fa mety efa manana kara-panondrom-pirenena sandoka hafa izy fa hita araka ity sary fanehoana ity ny endriny.Ny toerana nahitana azy farany, tao Antanifotsy/Mahatsinjo/Maevatanàna, ny 6 aogositra 2019.Raha misy vaovao mahakasika ity filazana ity, antsoy ny laharana +261 34 14 005 23 na +261 34 14 007 31 na 119 Telma na 305 Orange. Hisy valisoa ho an’izay manome vaovao matotra sy marina.  L’article Lavon’ny zandary ny dahalo dimy lahy namany: tafaporitsaka i Del Kely, azo ny kara-panondrony a été récupéré chez Newsmada.

Eid Ul Adha: nahatsiaro ny soron’i Abrahama ny Ahmadiyya

Notanterahina teny amin’ny moske foiben-toeran’ny fikambanan’ny “musulmane Ahmadiyya de Madagascar”, eny Andavamamba, omaly ny fetin’ny fakan-tahaka “eid ul Adha” ny nataon’i Abrahama, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Baiboly. Araka ny fanazavan’ny misionera Ahmed Mudassir, isan-taona ny fahatsiarovana ny fetin’ny fakan-tahaka, nataon’i Abrahama izay nanaiky hanao sorona ny zanany noho ny fankatoavany an’Andriamanitra. Nosoloin’Andriamanitra ondry anefa izany satria tsapan’Andriamanitra ny fitiavan’i Abrahama ny zanany izay nekeny hatao sorona. Niainga avy amin’io finoan’i Abrahama io no notsarovana, omaly tamin’ny fanaovana sorona biby (famonoana omby) mba hankalazana ny fakan-tahaka tsara ny nataon’i Abrahama. Nozaraina ho an’ny mpiara-belona ny hena ary efa fanaon’ny Ahmadiyya maneran-tany ny fanamarihana toy izao noho ity fankatoavan’i Abrahama an’Andriamanitra ity. Fitiavana, tsy fankahalana, miasa manerana izao tontolo izao, fifankatiavana, fihavanana, manampy ny olona sahirana sy ny mahantra ary manameloka hatrany ny herisetra sy ny fampihorohoroana, ny foto-kevitra napetraky ny Ahmadiyya hatramin’izay. Mitsinjo ny olona sahirana amin’ny alalan’ny fanabeazana ny Ahmadiyya ary mandray an-tanana manokana ireo ankizy te hianatra, kanefa tsy manana fahafahana amin’izany, indrindra ireo eny amin’ny faritra iva.Jean ClaudeL’article Eid Ul Adha: nahatsiaro ny soron’i Abrahama ny Ahmadiyya a été récupéré chez Newsmada.

Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana”

Mby aiza ny fampandrosoana ifotony. Hisy ny politikam-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian.“Raha tiantsika ny hiasa haingana, tsy maintsy ao anatin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Satria tsy ho vitan’ny fanjakana foibe ny hahita amin’ny antsipiriany ny zavatra tena ilain’ny vahoaka any amin’ny faritra rehetra.” Izay ny anisan’ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ireo fanontaniana sy ny tolo-kevitr’ireo solombavambahoaka ny amin’ny fampandrosoana eny ifotony tamin’ny nanolorany ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tsy azo ihodivirana ny hametrahana ny fitsijaram-pahefana, raha tiana ny hihazakazaka amin’ny fampandrosoana ny firenena.“Ahoana ny hahazontsika mahita ny laharam-pahamehana any amin’ny distrika, raha tsy mahalala akory ny toerana na ny filana misy any an-toerana ny tomponandraikitra manapa-kevitra?”, hoy izy. Mila mazava ny andraikitry ny fanjakana foibe sy izay apetraka eny anivon’ny distrika, ny kaominina, ny fokontany.Hivoaka ny politika momba ny fitsinjaram-pahefanaNy solontenan’ny vahoaka no handany ny lalàna satria lalàna ny politika momba ny fitsinjaram-pahefana. Hoentina ato anatin’ny fotoana fohy ny volavolan-dalàna amin’izany.  Raha ny tetiandro eritreretin’ny governemanta, tsy mihoatra ny roa volana izay politikam-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana izay.Roa taona ihany ny nofaritana amin’ny PGE fa miankina amin’ny tetibolam-panjakana ny fanatanterahana azy. Efa nahitsy ny tetibola 2019 ary eo am-pandrafetana ny volavolana tetibolam-panjakana 2020 izao ny fitondram-panjakana. Izay ny anton’ny hoe izay hatao ao anatin’izay fe-potoana izay no nentina fa ny Plan émergence Madagascar (PEM) no hahitana ny antsipiriany.Noho ny antony teknika, tsy natao ny antsipiriany maro amin’ny PGE: ny fanajariana lemaka, ohatra, ny fametrahana televiziona… Fitarafana ankapobeny izay hatao no nohazavain’ny praiminisitra, araka ny nambarany. Tsy misy toerana tsy hanaovana fampandrosoana amin’ny PGE. Ny fandaminana ny asa no mila arindra.1 miliara Ar ny omena ny isam-paritra sy ny fampitaovana. Tokony handeha tokoa amin’ny filana sy ny laharam-pahamehana isam-paritra ny fampiasana izany. Ho afa-kanapa-kevitra ny tomponandraikitra amin’ny faritra, ary manana fitaovana amin’ny fanamboarana fotodrafatrasa, ary mandroso amin’ny fanatanterahana ny asa.R.Nd. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana” a été récupéré chez Newsmada.

Tsy ny ara-tafika ihany: nanao hetsika ara-tsosialy ny MDN sy Indonezia

Ho mariky ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny masoivohon’i Indonezia eto Madagasikara dia nisy ny hetsika ara-tsosialy niaraka tamin’ny « Croix Rouge Malagasy », ny alarobia teo tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra teny amin’ny masoivohon’i Indonezia eny Ankorondrano. Mpiasa miisa 44 mianadahy sivily sy miaramila avy amin’ny MDN notarihin’ny talen’ny kabinetran’ny MDN, ny Jly Rajaonarivony Alexandre no nanatontosa izany fanomezan-dra izany. Izao hetsika izao koa tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-74 taona nahazoan’ny Repoblikan’i Indonezia ny fahaleovantenany izay hankalazaina ny asabotsy 17 aogositra ho avy izao. Tsy voafetran’ny fiaraha-miasa ara-tafika ihany, araka izany, ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta fa tsy latsa-danja koa ny hetsika ara-tsosialy.J.C    L’article Tsy ny ara-tafika ihany: nanao hetsika ara-tsosialy ny MDN sy Indonezia a été récupéré chez Newsmada.