FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory”

News - FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory”

News - FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory”

Nanazava ny raharaha momba ilay mpandraharaha avy ao Fianarantsoa voatonona tamin’ny haino vaky jery ny mpisolovava miaro azy, Maître Herinavolana ny 15 oktobra 2020. “Ny olona arovako dia maka entana amina olona iray aty Antananarivo. Io fournisseur io nanana distributeur  tany Fianarantsoa  ka tao io mpandraharaha io no naka entam-barotra. Nilaza anefa io fournisseur io taty aoriana fa taloha izy no niara-niasa tamin’io distributeur  io fa tsy ao intsony  amin’izao. Izahay tsy nampahafantarina izany fa isaky ny maka entana dia mandoa vola”, hoy i Maître Herinavolana.

Notorian’io fournisseur io  teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Fianarantsoa  io mpandraharaha  io satria hoe hananany trosa. “Manana porofo izahay fa tsy hananany zareo vola intsony, tsy mitombona ilay trosa”, hoy i Maître Herinavolana.  Resaka ady heloka no nitoriana ilay mpandraharaha. “Rehefa  nivoaka ny didy dia nanatsahatra ny fanenjehana ny olona arovako. Teo anelanelan’izay tsy afa-po tamin’ny didy ny mpitory ka nanao fampakarana. Zavatra mahagaga dia ny vola notadiaviny tamin’io, 1 milliard 260 millions Ariary ihany no nentiny nakàna ordonnance de saisi arrêt sy  saisi consevatoire teto anivon’ny fitsarana Antananarivo. Eo no mahagaga anay, rehefa mitondra ny raharaha eny amin’ny ady heloka dia tsy tokony hitondra ny raharaha any amin’ny ady madio. Manao harcèlement de procédure izany. Raharaha anankiray, vola anankiray no takiana ka rehefa tsy afa-po amin’ny didy any Fianarantsoa dia mankaty Antananarivo dia ho aiza indray rehefa avy eo? Any amin’ny faritra izay misy fitsarana ve fa tsy misy paikady mazava efa voafaritry ny fehezan-dalàna ?”.

Araka ny fanazavan’ny mpisolovava mpiaro ilay mpandraharaha mpivarotra enta-madinika hatrany fa nitondra ny raharaha teo anivon’ny  Pôle Anti-Corruption (PAC) Antananarivo ihany koa ilay fournisseur teo anelanelan’izay ary mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny PAC. Mbola andrasana ihany koa ny valiny fampakarana natao tao Fianarantsoa. Nambarany fa mikorontana ny fitadiavan’ilay olona satria tadiavina ho giazana ny entana amidiny.

Lynda A/ Nirina R.

Cet article FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory” est apparu en premier sur déliremadagascar.

FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory”

L’article FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory” a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rakotomanga Eric: “Tokony hazava izay toherin’ny mpanohitra”

“Hanohitra inona marina aloha? Sa rehefa nifaninana tamin’ny fifidianana ka tsy voafidy dia tsy maintsy manohitra? Na hoe halako bika tsy tiako tarehy ny filoha ankehitriny, ka toherina na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Tokony hapetraka mazava ny hoe: hanohitra inona?”Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, ny amin’ny toeran’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao.Tsy fantatra mazava hoe: tena mijoro ho antoko na vondrona antoko ara-dalàna ve aloha ireo hoe mpanohitra? Ny minisiteran’ny Atitany koa tsy namoaka ny hoe: iza no nanao an’izay fametrahana ny antontan-taratasy ho mpanohitra izay?Ideolojia no toherinaEfa anisan’ny antoko mpanohitra, ohatra, ,ny AKFM tamin’ny Repoblika I. Ny ideolojia nitondrana an’i Madagasikara no notoheriny. Rehefa tonga ny Repoblika II, nifanaraka amin’ny ideolojiany ny foto-kevitra naroso: manohana izy. Tonga ny Repoblika III nisesisesy izay nankany amin’ny ideolojia liberaly, nanohitra indray ny antoko.Arakaraka ny ideolojia itondrana ny firenena no anoherana na anohanana. Raha mbola anatin’ny ideolojia iray ihany ny rehetra, ary ny samy ao anatin’ny ideolojia liberaly, ohatra, no mifanohitra: tsy fanoherana, angamba, izany fa fifandrafiana. Tokony hahitsy izay fomba fanaovana politika izay eto Madagasikara.Misy olana ny lalànaMisy olana ny momba ny lalàna. Marina fa nivoaka amin’ny maha lalàna azy izany. Nefa tsy mbola feno ny didim-panjakana, ka samy manana ny andikany azy izay sahy misintona ny lalàna amin’izay heveriny fa mahametimety azy.Ny Tim, ohatra, milaza fa izy no tokony ho lehiben’ny mpanohitra. Milaza ny lalàna fa ireo antoko nandray anjara tamin’ny fifidianana ka manana solombavambahoaka be indrindra ao anatin’ny Antenimierampirenena no lehiben’ny mpanohitra.Etsy andaniny, misy ireo mpanohitra lalandava na ny fitondrana teo aloha na ny ankehitriny,  milaza fa ny fivoriamben’ny antoko mpanohitra mijoro ara-dalàna rehetra ary nanora-tena ho mpanohitra no manonona izay ho lehiben’ny mpanohitra.R.Nd.L’article Rakotomanga Eric: “Tokony hazava izay toherin’ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Analamanga: nampahafantatra ny fisitrahana rano ny OSCEAH

Nisy ny atrikasa nandritra ny roa andro tetsy Antanimena, momba ny fahaiza-mandresy lahatra ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena eo amin’ny rano sy ny fahadiovana eto Analamanga (OSCEAH), tarihin’ny filohany, Ranaivoson José.Nanatrika izany ireo solontenan’ny fikambanam-behivavy sy ireo sokajin’olona marefo toy ireo manana fahasembanana avy eto amin’ny faritra Analamanga.Nampahafantarina azy ireo ny fanaovana sisi-kevitra hahazoana vokatra haingana eo amin’ny fisitrahana rano sy fahadiovana. Eo koa ny fampahafantarana azy ireo ny zo amin’izany rano sy fidiovana izany.Nahafahana nihaino ny hetahetan’ny olona eny ifotony sy hitadiavana vahaolana ny atrikasa. Tamin’izany no nahafantarana fa sarotra ny fahazoana rano madio amin’ny faritra avo eto Antananarivo.Voafetra kosa ny fahazoana rano madio fisotro eny amin’ny faritra iva kanefa anisan’ny toerana be olona sy tena mila ny rano madio sy fidiovana eny. Mbola maro kosa ireo toerana tsy manana toeram-pidiovana sy fotodrafitrasa ho amin’ny fahadiovana.Tetsy andaniny, nilaza ny filoha nasionalin’ny OSCEAH, Raveloson Arsène, fa mbola ambany ny fahazoana rano madio fisotro, indrindra ny any atsimon’ny Nosy. Sahirana ny olona ary miaina tanteraka anaty tsy fahampian-drano.Tatiana AL’article Faritra Analamanga: nampahafantatra ny fisitrahana rano ny OSCEAH a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy afa-bela ny haino vaky jery: potiky ny fandikan-teny ny hasin’ny teny malagasy

Mbola mitohy ihany hatramin’izao ny fanaovana dikanteny mifototra amin’ny fisainam-bahiny. Toa vao mainka aza miroborobo fatratra izy io tato ho ato. Tsy afa-bela amin’ny fanaovana izany ny haino vaky jery. Taiza no mbola nisy izany “nosy mirahavavy” izany? Fa iza no niteraka an’ireo no ambara fa mpirahavavy ireo Nosy na tanàna ireo? Rehefa niha nihena ny fampiasana ny “latabatra boribory” sy ny “varavarana misokatra”, raikitra indray ny “… rahavavy” na ny “… mpirahavavy”.Raha izao no mitohy, ho potik’ity fandikan-teny tandrametaka ity ny hasin’ny teny malagasy. Omeo sehatra malalaka ny mpandala ny teny malagasy sy ny mpikaroka hanitsy ny tahaka ireny. Omeo fanampim-pahalalana ireo misehatra amin’ny haino vaky jery mba hialany tsikelikely ao anatina fandikan-teny misavoan-danitra tahaka ireny.Sao mba ilaina aza ny fametrahana karazana sampandraharaha iray isan-tsehatra hisahana ny fandikan-teny eto Madagasikara. Tsy azera fotsiny amin’ny Akademisianina na amin’ny mpampianatra na amin’ny mpampianatra irery intsony ny tsiny raha misy tsy fahaizana sy tsy fahafehezana ary ny fanaovana kitoatoa sy petatoko amin’ny teny malagasy. Vahaolana iray ihany koa ny famohazana ny voambolana taloha izay somary hadino ny fampiasana azy.…  Sady tsy voatery hanao fandikan-teny isaky ny maheno “teny vazaha” ange e!HaRy RazafindrakotoL’article Tsy afa-bela ny haino vaky jery: potiky ny fandikan-teny ny hasin’ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra

Olan’ny sarimihetsika sy ny zavakanto malagasy ny tsy fahampian’ny sehatra hanehoana ny vokatra. Nitondra vahaolana amin’izany ny CanalOlympia, ka nanangana ny CanalOlympia Iarivo, eny Andohatapenaka.Notokanana omaly ny CanalOlympia Iarivo, toerana lehibe iray ahitana efitrano fijerena sarimihetsika sy toerana fanaovana fampisehoana. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina mivady sy ny minisitry ny Fifandraisana sy ny kolontsaina.Raitra sy manaraka ny teknolojia ny fitaovana hita ao amin’ny trano fijerena sarimihetsika, izay mahazaka mpijery miisa 300. Hita ao, ohatra, ny “écran scope” lehibe (14m) sy ny fanamafisam-peo mahafa-po. Tsy latsa-danja amin’izany ny ho an’ny fampisehoana ety ivelany, izay mahazaka mpijery anarivony.Misokatra avy hatrany ho an’ny rehetra ny CanalOlympia Iarivo. Miisa 19 isan-kerinandrano ny sarimihetsika alefa ao ka amin’izao folo andro voalohany izao, ireo horonantsary fanta-daza nivoaka farany, toy ny “Avengers End Game” sy ny “Captain Marvel” no hatolotra ny mpijery.Tsy ho tara amin’ireo horonantsary vao hivoaka ihany koa ny eto Antananarivo, satria miaraka amin’ny any amin’ny firenen-kafa ny fandefasana azy ireny ao amin’ny CanalOlympia Iarivo, mandritra ny “Week-end Premières”. Isaky ny asabotsy sy alahady maraina, hisy ny fandefasana horonantsary natokana ho an’ny tanora.Homen-danja ny zavakanto malagasy Toerana iray hampiroboroboana ny zavakanto malagasy ihany koa ny CanalOlympia Iarivo. Hanana ny anjarany ao ny horonantsary malagasy. Ankoatra izany, handahatra mpanakanto ny ministeran’ny Fifandraisana sy ny kolontsaina ka ho azon’izy ireo ampiasaina maimaimpoana ihany koa ity toerana ity. Ireo no anisan’ny votoatin’ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ity minisitera ity, ny CanalOlympia, izay natao Sonia, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana.Toeram-pandefasana sarimihetsika sy fanaovana fampisehoana lehibe indrindra aty Afrika ny CanalOlympia. Toerana faha-13 misy azy ny eto Antananarivo.Landy R.  L’article Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire

Nitohy, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Allianz Field ao St Paul, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Major League Soccer  (MLS), taranja baolina kitra. Niatrika izany, ny Minnesota United FC, klioba hilalaovan’i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar  sy ny Vancouver Whitecaps. Nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko ny roa tonta. Na teo aza io vokatra io, voahosotra ho mpilalao mendrika, i Metanire. Ny zava-bitany teny ambony kianja no nahazoany izany amboara izany. Marihina fa manan-danja ny lalao natrehiny satria hitadiavana isa, hiatrehana ny “play-offs”. Hatreto, fahadimy ny Minnesota United FC, izay manana isa 35 ary efa manana tongotra ila, any amin’izany “play-offs”, izany. Mbola mila miady mafy ry Metanire, amin’ny lalao hikatrohany amin’ny Portland Timbers, ny alahady ho avy izao.Mialoha io, hiatrika ny All Star Game, any Orlando, i Romain Metanire, ny alarobia ho avy izao. Raha tsiahivina, lalao hihaonan’ny ekipa voafantin’ny MLS sy ny ekipa eoropeanina, iray izy io. Amin’ity, ny Atletico de Madrid, no hikatroka amin-dry MLS, ka anisan’ireo mpilalao voafantina amin’izany, i Romain Metanire. TompondakaL’article Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tsikombakomba

Milaza ho mahafantatra sy manana antontan-taratasy mahakasika ireo manamboninahitra mpanao “dahalo ambony latabatra” ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy, Rakotonirina Théophile Justin, nandritra ny lanonana fanomezana mariboninahitra ho an’ireo Foloalindahy malagasy, niisa fito amby roapolo, teny Ampahibe, afak’omaly. L’article Tsikombakomba est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mendrika sy miavaka ho an’ny firenena…  

Efa nampoizina amin’izao fitondrana izao? Mendrika sy niavaka ny fankalazana ny andron’ny 26 jona. Nanome fahamendrehana sy fiavahana tamin’ny matso lehibe teny amin’ny kianjan’i Mahamasina, ohatra, ny vahiny nasaina manokana, ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame, fitaratra amin’ny fitantanana, fampihavanam-pirenena…Teo koa ny famoahana fanamiana sy fitaovana vaovaon’ny Foloalindahy: fiaramanidina, helikoptera, fiara 4 x 4, fiadiana… Niara-dalana tamin’ izany ny famindra haingana kokoa. Nisy ny fampisehoana fidinan’ny miaramila tamin’ny elonaina, ny fampisehoana hakingana isan-karazany: haiady, fiadiana amin’ny asan-dahalo…Tamin’izany, niova, ohatra, ny arofenitra tamin’ny nisafoan’ny filohan’ny Repoblika sady filoha faratampon’ny Foloalindahy ireo nanao matso. Ankoatra ireo, teo ny hetsika teo aloha naverina toy ny kermesy nokarakarain’ny miaramila, ny alim-pandihizana, ny “podiums”… Niombonana sy nampiombona avokoa ireny rehetra ireny?Inona na ahoana koa ny manaraka? Vita iny fankalazana, tsy nitsanga-menatra ny firenena malagasy, ny vahoaka malagasy, ny fanjakana malagasy… Miatrika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka indray izao! Mitondra inona eo amin’ny tsirairay iny fankalazana ny faha-59 taon’ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena iny?Mba hisy amin’izay ny fiovana amin’ny fiaraha-mijery ny soa iombonana ho an’ny rehetra amin’ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay, ny fijerena lavitra ho amin’ny taranaka any aoriana amin’izay atao ankehitriny… Mbola lavitra sy be no atrehina, fa fisentoana na fihatahana  ahazoana maka vahana ny fetim-pirenena teo.Toy ny tsy nahazoana mora ny hoe Fahaleovantena niadiana fo no mbola iadiana amin’ny tena fahaleovantena ara-toekarena sy ara-politika, ohatra. Mba tena ho mendrika izany tokoa i Madagasikara sy ny Malagasy? Miavaka fa tsy mpanaraka ambokony ny hafa, tsy mpiankin-doha, tsy manaiky fitsabatsabahana… Kibo mitsara tena?Rafaly Nd.L’article Mendrika sy miavaka ho an’ny firenena…   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ravelonarivo Jean: «Miandry ny HCC isika”

Nanambara ny Jly Ravelonarivo Jean, anisan’ny kandidà filoham-pirenena teo, omaly fa mitodika any amin’ny HCC ny maro. “Any aminareo ry HCC ny zavatra rehetra. Matoky anareo ny vahoaka, matoky anareo ny tenanay. Raiamandreny ianareo ka hitsinjo tanteraka ny tombotsoan’ny vahoaka malagasy fa tsy an’olom-bitsy”, hoy izy. Nilaza ny tenany fa maro ny tsy fahatomombanana tamin’iny fifidianana iny, ary manana porofo izy ireo. “Tsy mba nametraka fitoriana teny amin’ny HCC anefa izahay ho fanajana ny soatoavina malagasy. Fitiavan-tanindrazana ny anay ka aleo mandefitra manana ny rariny”, hoy izy. Nambarany fa tonga ny fotoana anehoana ny fitiavan-tanindrazana. “Miaramila aho ary ambony aminay ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ny Jly Ravelonarivo. Yves S. L’article Ravelonarivo Jean: «Miandry ny HCC isika” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FISOROHANA HAIN-TRANO :: Foanana ny fanorenana tranohazo eny Anosibe Andrefana

Nandray fepetra ny lehiben’ ny fokontany tao Anosibe Andrefana taorian’ny nisian’ ny hain-trano, ny 7 novambra lasa teo. Mandrara ny hanorenan’ny mponina trano- hazo izy ireo ho fisorohana ny loza. “Iharan’ny hain-trano foana ety amin’ity faritra Anosibe Andrefana ity. Efa intelo izao no nisy trano may tety hatramin’ ny naha lehiben’ny fokontany ahy. Tsy ekeko intsony fanorenana tranohazo fa na dia izao faha- voazana izao aza ve dia haha- finaritra”, hoy Randriniaina Teloson, lehiben’ny fokontany ao Anosibe Andrefana. Misy ny fanaraha-maso ataon’ ny eo anivon’ny fokontany mahakasika ity fanorenana ity. Anisan’ny fepetra noraisin’ izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ ny mpitandro filaminana sy ny distrika ary ny kaominina ho an’ireo minia manao ny fanorenana tranohazo.“Hisy ny fidinana ifotony ataon’ ireo ambaratonga rehetra ka hiroso amin’ny fandrodanana avy hatrany izy ireo raha mahatratra fanorenana trano hazo ihany”, raha ny fanazavany hatrany. Betsaka ny fanorenana tsy ara-dalàna ety. Lalana kely no manelanelana ireo trano ireo, ka izany indrindra no mampihanaka ny afo haingana rehefa misy ny hain-trano. Raha tsiahivina dia tokantrano an-jatony no may teny amin’io faritra io. Ny dimampolo mahery amin’ireo dia mbola mipetraka anaty tranolay amin’izao fotoana izao. Sahirana ireto tokantrano ireto amin’izao na amin’ny lafiny sakafo izany na fonenana. Ho fanampiana ireto tokantrano ireto izay misy fianakaviana arivo dia nanolotra fanampiana azy ireo ny “Fondation Telma”, ny sabotsy lasa teo. “Efa maro ihany ireo fikambanana nanome fanampiana azy ireo saingy tsy ampy izany. Izany indrindra no nanosika anay sy ny sehatra tsy miankina hanome vary, siramamy sy menaka ary sakafo isan-karazany isaky ny fianakaviana”, hoy indray i Bordes Lova Hasinirina, talen’ny seraseran’ ny Axian. Miantso fiaraha-miasa amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) ity fikambanana ity mikasika ny tetikasa fanorenana trano biriky ho an’ny mponina Anosibe ho fisorohana ny hain-trano. L’article FISOROHANA HAIN-TRANO :: Foanana ny fanorenana tranohazo eny Anosibe Andrefana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Triatra

Teatra : Nandalo teto ny « Poupée barbue »

Tantara an-tsehatra nahazo fandresena tamin’ny « Loka teatra an’ny RFI » 2017, nandalo teto amintsika ny « Poupée barbue », izay sangan’asan’ilay mpanoratra kameroney Edouard Elvis Bvouma ary nolalaovina etsy amin’ny Institut Français de Madagascar, na ny IFM Analakely omaly alina. Ny ivon-toeram-pamokarana « Centre Dramatique National de Normandie-Rouen » no nitondra ny vokatra, ary ao anatin’ny fitetezana firenena maro izy ireo amin’izao fotoana. Fandrindrana an-tsehatra an’i Lorraine de Sagazan niaraka tamin’i Juliette Speck. Ity farany no ho mpilalao fototra amin’ny tantara. Ny « La poupée barbue » dia tohin’ilay tantara nosoratan’io mpanoratra io ihany, mitondra ny lohateny hoe « A la guerre comme à la Gamleboy », izay nahitana ilay kapôraly Boy Killer. Ny tantara dia mampiseho ny fihaonana tamin’ny tovovavy tsy manan-tsiny teo amin’ny sahan’ady, izay efa foana taorian’ny ady. Amin’ity tantara ity dia io tovovavy io indray no mitantara ny fitsoahana, ny fanolanana, ny fankahalana, ny ady ary ny fitsirian’ny fitiavany an’i Boy killer. Tantara nisy fizarana dimy. « Ny La Poupée Barbue dia isan’ireo tantara tena nanaitra ahy tamin’ireo 13 naroso ho an’ny lokan’ny RFI. Nisy ny fanovana tsy maintsy natao tamin’ny fomba fanoratry ny mpanoratra, izay mety nanohina ny mpihaino nefa nanotrona teo ny mpanoratra Edouard Elvis Bvouma », araka ny fanamarihan’i Lorraine de sagazan, nanao ny fandrindrana an-tsehatra. « Niara-niasa tamin’ny Centre Dramatique National de Normandie-Rouen , ary dodona tamin’ny fikarohana toerana, faritra hametrahana ny tantara, mba hanehoana ny tantaran’ilay tovovavy kely miaramila », hoy ihany izy. Miarantsoa L’article Teatra : Nandalo teto ny « Poupée barbue » est apparu en premier sur .L’article Teatra : Nandalo teto ny « Poupée barbue » a été récupéré chez Triatra.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be
24/10/2020

Noho ny tahotra ny Covid-19, sidina avy amina firenena folo voararan’ny ACM (Avi­a­tion civile de Madagascar) tsy hiditra eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao. Voakasika amin’izany didy izany: i Fran­tsa, i Belzika, i Alemaina, i Es­paina, i Italia, i Holandy, i Po­lo­na, i Angletera, i Ukraine, ary i Rosia. Tena voakasik’izany ireo sidina mankany No­sy Be, izay vao nosokafana ny 1 ok­tobra teo ho fanarenana ny fizahantany. Tsiahivina ko­sa fa ny 1 novambra ny sidina farany fampodiana an-tanindrazana. Fotoana farany ny alakamisy hariva 22 oktobra teo, no­sakanana ny mpandeha 24 avy any Paris ho any Nosy Be, saika hiampita ao La Réunion. Tsy faly ireo mpandeha ireo sa­tria tsy fantatra mialoha ny fepetra noraisina. Tsy vitsy ihany koa ireo mpitantana ho­tely mpandray vahiny any No­sy Be naneho ny tsy fankatoavany izao fepetra izao, mampihemotra indray ny fizahantany. Manamarina ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny mi­ni­sitry ny Fitaterana sy ny fizahantany, Randriamandran­to Richard, nanambara ny tsy fankatoavana ny mety mbola hiverenan’ny aretina Covid-19. Izany hoe, araka ny nambaran’ny minisitra, efa resy izany io aretina io eto an-toerana.R.MathieuL’article Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be a été récupéré chez Newsmada.

Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao
28/10/2020

   Notanterahina afakomaly maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro teo amin’ny commissaire divisionnaire de police Rabenilaosana sy ny talem-paritra vaovao ny commissaire principale de police Rakotoarijaona Faly. Nanatrika izao lanonana izao ny tompon’andraiki-panjakana ambony any an-toerana. Fa tontosa omaly koa ny famindram-pahefana teo amin’ny talen’ny police ekonomika ny commissaire principale de police Ratsimba Bricce Andrianina tale teo aloha izay voatendry ho talen’ny fisahanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ary ny fampitaovana sy ny tale vaovao, ny contrôleur générale de police Razafindravonona Georges Evariste.Jean ClaudeL’article Alaotra Mangoro: nahazo talem-paritry ny filaminana vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Fanasaziana sy Fanarenana :: Ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, voampanga ho nandoro tanety
27/10/2020

Nalefa tazonina eny amin’ny toby fitazaina zaza maditra any Faravohitra ireo ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, samy voampanga ho nandoro tanety, teny Ankazomalaza, Mangabe ary Ankazobe, samy ao anatin’ ny kaominina Ambohimanga Rova, herinandro vitsy lasa izay. Avy amina fahadisoam-panantenana teo amin’ireto zaza no antony nandrehetan’izy ireo ny teo amin’ny toerana niaingan’ny afo, araka ny tatitra azo avy tamin’ny mpanao famotorana. Tsy noho ny antony goavana, tahaka ny fandre mahazatra amin’ny filan’ireo mpiompy mandoro tanety mba hahafahan’ny omby miraoka ny ahitra maitso avy eo, no nahamay ny tanety efa ho 20ha, teny Ankazobe, kaominina Ambohimanga Rova. Ankizivavy roa diso fanantenana vokatry ny tsy fahitana na inona na inona teo amin’ny manodidina ny fasana vao avy nandevenana no voalaza fa niteraka hasosorana sy nahatonga azy ireo handrehitra ny afo. Zanaka tompon’ andraikitra Nampahafantarin’ny mpanao famotorana nanaraka akaiky an’ity raharaha ity fa vohitra masina teo amin’ny toerana niantombohan’ny fahamaizana, teny Ankazobe. Nohazavain’ iretsy voalohany hatrany fa matetika no misy zavatra latsaka foana eny manodidina ny toerana rehefa avy misy fandevenana. Nanantena ny nahita zavatra teny ireo ankizy, kinanjo tsy nisy na inona na inona, tamin’io fotoana io. Noho ny hakiviana, hoy ihany ireo mpanao fanadihadiana, no nandoran’ireo ny tanety. Fantatra, rehefa nandeha ny famotorana, fa zanaky ny lehiben’ny fokontany sy ny polisim-bohitra ireto roa vavy voatondro ho tompon’antoka tamin’ny firehetan’ny tanety manodidina ny 20ha. Natolotra ny Fitsarana, tamin’ny alatsinainy 19 oktobra lasa teo, izy roa vavy. Naterina any amin’ny toby fitaizana zaza kamboty, taorian’izay. Mialoha izany, dia notazonina tany amin’ny tobin’ny zandarimaria ny rain’izy ireo tsirairay avy, saingy navotsotra ihany, nony avy eo. L’article Fanasaziana sy Fanarenana :: Ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, voampanga ho nandoro tanety est apparu en premier sur AoRaha.

Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy
24/10/2020

Handeha lavidavitra kokoa amin’ny handrakofana ala ity Nosy ity. Notokanana, ny 20 oktobra teo, ny tanin-jana-kazo Mitsinjo ny ho avy ao Sahavon­dronina, kaominina Androy, distrikan’i Lalangina. Nitokana izany tany an-toerana ny Fita­lea­vam-paritry ny tontolo iainana (DREDD) Matsiatra Ambony, Rabotovao Mamisoa. Mitan­tana ny tanin-jana-kazo kosa ny fikambanam-behivavy ao an-toerana, miara-miasa amin’ny MNP Ranomafana. Efa notsidihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Vahiniala, vao tsy ela izay, izany toerana izany. Ahitana karazany ireo zana-kazo miisa 12 500 ary tanjon’izy ireo ny hamokatra hatrany amin’ny 150 000 isa. “Miezaka mamokatra “pots biodégradables” , izany hoe, vita amin’ny herana, koa ry zareo ialana amin’ny fampiasana ny “pots plastiques”, hoy ny eo anivon’ny DREDD. Nivoitra tamin ny kabary nifandimbiasana ny olana sy ny fifanampiana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fampaha­tsiahivana ny fampiharana ny lalàna velona.Synèse R.L’article Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy a été récupéré chez Newsmada.

Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10
24/10/2020

Rendrika, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 7 ora tao amin’ny vavaranon’i Ma­roa­ntsetra, ny sambokely iray. Nikasa ho any Navana, kaominina ambanivohitr’An­ja­ha­na, ilay sambo avy any Ma­ro­antsetra io kanjo tra-doza no­ho ny haratsian’ny toetr’andro ka rendrika. Niainga avy ha­trany ny zandariamaria ao amin’ny tobim-paritr’i Maro­an­tsetra raha vao nahare ny tranga. Nanao vonjiaina ireo traboina niaraka amin’ny sambo haingam-pandeha niaraka amin’ny polisim-pirenena. Vokany, avotra soa aman-tsara ireo mpandeha miisa 10 sy ny mpanamory miisa roa. Misy ihany koa ireo entana ma­romaro an’ireo mpandeha mbola avotra.«Manentana ny zandariamaria fa raha vao maloka na be rivotra na manorambe ny andro, tokony haato aloha ny fivezivezena an-dranomasina hialàna amin’ny loza toy izao», hoy ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao.Henintsoa HaniL’article Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10 a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: “Hampandrosoana miaraka avokoa ny tanàn-dehibe”
30/10/2020

   Nifampiresahana tamin’ny mpiara-miombona antoka teknika sy avola (PTF) ny fampiharana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe (PNDU). Tafiditra amin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ny tanàn-dehibe isaky ny oktobra tahaka izao izany“Tsy misy tanàn-dehibe avahina fa ampiroboroboana sy ampandrosoana miaraka avokoa izy ireo. Efa misy ny tetikasa mandeha, amin’ny fampidirana rano madio fisotro sy herinaratra sy fotodrafitrasa samihafa. Ny fananganana tanàna vaovao. Tsy miandry fotsiny fa efa miasa”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, omaly tetsy Antanimena. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa tahaka izao, ho amin’ny asa mivaingana amin’io PNDU io. “Tanjona ny hahafantarana ny olana amin’ny tanàn-dehibe. Mitombo ny isan’ny mponina. Mitombo koa ny olana ka tsy maintsy mivonona ho amin’izany isika. Efa tafakatra an-tanàn-dehibe ny fahantrana “, hoy ihany izy.Etsy andaniny, nitondrany fanazavana koa fa azo atao ny miroso amin’ny fandravana trano rehefa tonga amin’ny fanatsarana ahafahana manangana fotodrafitrasa goavana, toy ny fanorenana tanàna vaovao.Tokony hanara-dalàna avokoa ny rehetraNanteriny koa anefa fa misy ny fepetra tsy maintsy arahina amin’izany. Noraisiny ho ohatra ny fanamaboarana ny lalana “Rocade” mamakivaky tanàna. “Tanjona ny tsy hisian’ny fiantraikany ratsy amin’ny mponina ary ahina izy ireo”, hoy izy. Nambarany anefa fa napetraka ny arofanina tsy ahatongavana amin’izany amin’ny nametrahana ny drafitry ny tanàn-dehibe. Tsy tokony ho tonga amin’ny fandravana na ny fandrodanana isika fa fanatsarana aza raha manara-dalàna avokoa ny rehetra: ny kaominina, ny prefektiora, ny vahoaka, araka ny nambarany.Tsiahivina fa efa nisy ny atrikasan’ireo sekretera jeneralin’ny minisitera rehetra, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Izao niarahana amin’ny PTF izao ary mbola ho avy ny an’ireo mpisehatra amin’ny tanàn-dehibe.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: “Hampandrosoana miaraka avokoa ny tanàn-dehibe” a été récupéré chez Newsmada.

Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana
26/10/2020

Fototra iray lehibe iankinan’ny toekarena ny fitaterana, misy karazany maro: fitaterana an-tanety, an-dranomasina, ana habakabaka, an-dalamby. Ny fitaterana no hitsarana ny fandrosoan’ny toekarena ao amin’ny tany iray.Eto Madagasikara, mihemotra avokoa ny karazana fitaterana ary foana tanteraka ny sasany toy ny fiarandalamby, ny sambo mpitatitra olona sy entana. Ny fitaterana anefa, manamora ny fivezivezen’ny olona, ny fifanakalozana varotra, ny raharaha amin’ny ankapobeny eo anivon’ny fanjakana. Ny fitaterana an-tanety sisa miantoka hatramin’ny 90 % ny toekarena, hita amin’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra.Mitombo hatrany ny filàna amin’izay sehatra izay nefa sakana lehibe ny faharatsian-dalana. Maro ny faritra tsy misy lalana mampifandray ireo kaominina ao aminy. Olana iray lehibe hafa ny tsy fandriampahalemana noho ny asan-dahalo. Manasongadina ireo, ohatra, ny faritra Melaky. Lafo ny fitaterana, sakana amin’ny fampandrosoana noho izany rehetra izany. Ny sarany izay no anisan’ny mandrafitra ny fihariana.Raha mora ny fitaterana, mora ny fivezivezen’ny olona, manamora ny fifandraisana eo amin’ny mpamboly sy ny mpanangom-bokatra. Miainga avy amin’izany ny famatsiam-bokatra ho an’ny tanàn-dehibe, raha vokatry ny fambolena; hafa ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro any ambanivohitra, tsy maintsy mbola miankina amin’ny fitaterana. Miankina amin’ny toetry ny lalana ny famaritana ny ampahany be indrindra momba ny vidin’ireo entana ireo. Tsy mampandeha ny fitaterana     Voafaritry ny lalàna maro ny fitaterana, saingy noho ny fihemorana eo amin’ny fihariana, hita mipaka any amin’ity sehatra ity ny tsy fanarahan-dalàna. Vao tamin’ny herinandro lasa, ohatra, betsaka ireo fiara mpitatittra mandeha tsy ara-dalàna tojo ireo mpanara-maso amin’ny lalam-pirenena RN6 mankany Antsiranana. Fiara tsy vita fisafoana ara-teknika, tsy misy fiantohana. Betsaka ireo fepetra efa noraisin, nefa vao mainka misongadina ny fahavoazana tsy mampandeha ny fitaterana: ratsy ny lalana, potika ny lalamby, rava ny seranam-piaramanidina, simba ny seranan-tsambo. Ny fihemoran’ireo seha-pitaterana rehetra ireo, mampiseho fihemoran’ny toekarena. R.MathieuL’article Sakana amin’ny fampandrosoana: mihemotra avoka ny karazana fitaterana a été récupéré chez Newsmada.

Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo
27/10/2020

   Mitohy hatrany ny ezaka ho fanomezan-danja ny soratra. Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny Havàtsa-Upem. Misy ny hetsika tanterahin’izy ireo mandritra ity herinandro ity…« Efa tany amin’ny volana aogositra ny nieritreretana hanatanterahana ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem »… Ankehitriny, tanteraka ny fanamby na mbola eo aza ny fahasahiranana nateraky ny Covid-19 », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Nanteriny fa mavitrika ny mpikambana sady mikendry hatrany ny hanao zavatra tsara ka tsy nataon’izy ireo ho sakana ny fotoana lava tsy nanaovana hetsika.Nomarihiny koa fa « velona ho velona ny haisoratra malagasy ». Tazana etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely izany, mandritra ity herinandro hanatanterahana ny « Herinandron’ny poety 2020 » ity. Fampirantiana asa soratr’ireo mpanoratra teo aloha sy ny ankehitriny. Misy amin’izy ireny ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Fihaonana amin’ireo mpanoratra. Antsan-tononkalo sy varo-boky, sns.Fantatra fa maro ireo mpampianatra mikasa hitondra ny mpianany eny an-toerana. « Tsara raha tonga izy ireny satria hanampy azy ireo ny zavatra ho hita ety. Na izany aza, mila hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 », hoy hatrany ny filohan’ny Havàtsa-Upem. Ny asabotsy 31 oktobra vao hifarana ny « Herinandron’ny poeta 2020 » ka ny alarobia tolakandro no hanatanterahana ny « Alarobia miverina » hiantsana tononkalo.HaRy RazafindrakotoL’article Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar
27/10/2020

  Taorian’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra teo, niroso tamin’ny fampiatoana vonjimaika ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy ara-dalàna miisa 591 ny  minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Nanomboka ity volana oktobra ity izany fandraisana fepetra izany, dingana tsy maintsy notanterahina araka ny lalàna mirakitra ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana. Hahazoan’ny fanjakana ambim-bava manodidina ny 11,4 miliara Ar ity fanadiovana ny asam-panjakana ity.Miakatra eo amin’ny Filankevitra momba ny fitsipi-pifehezana (Codis) tarihin’ny minisiteran’ny Asa ny mpiasa voakasik’izany. Raha amafisin’ny Codis ny tsy fanarahan-dalàna, tapahina tanteraka ny fandoavana ny karaman’ilay mpiasa. Ataon’io rafitra io izay hanefana ny karama tsy voaray, raha toa ka tsy mitombina kosa ny fiampangana. Ny mpiasa tsy tokony nandray ny karamany nefa nahazo ihany, tokony hamerina izay efa noraisiny aorian’ny famoahan’ny fanjakana ny taratasy fitakiam-bola.Hotohizana ny fanadiovana amin’ny antontan-kevitra mahakasika ireo mpiasam-panjakana;  efa an-dalana, ohatra, ny fitsirihana mpiasa miisa 7007. Manamora ny fandehanana mamita iraka ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana, koa ilaina ny fanamarinana momba izany iraka izany. Tonga amin’ny tokony hanapahana ny karama manaraka ny tsy fisian’ny porofo maha mpiasa ao anatin’ny sampandraharaha iray. Ilàna fanamarinana, araka izany, ny mpiasa rehetra hita manerana ireo sampandraharaham-panjakana sy ny Andrimpanjakana.R.MathieuL’article Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Analamanga : fantatra, anio, ny datin’ny fifidianana
24/10/2020

Ho fantatra aorian’ny fi­voriana iarahan’ny ligin’Ana­lamanga amin’ny fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena eto Anala­manga, tanterahina anio, ny daty hanaovana ny fifidia­nan’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Raha hiverenana ny fanazavana efa nambaran’ny filoha am-perinasa, Andrianjatomanitra Tojoha­nitra, tokony hatao amin’ny faramparan’ity volana oktobra ity, na ny fiandohan’ny volana novambra, ny fifi­dianana. Izany indrindra ny antony hanaovana ity fivoriana androany ity, handinihana ny fomba hanatante­rahana ny fifidianana sy ny fotoana ary ny toerana. Araka ny efa fantatra, tsy ho kan­didà intsony ny filoha am-perinasa, i Tojohanitra. Eo amin’ny taranja lo­mano hatrany, hatomboka ny 8 novambra no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2020-2021. Aorian’izay, hisy ny fio­fanana ho an’ireo mpanazatra, hatao eto Antanana­rivo, ny 8 hatramin’ny 15 novambra, miaraka amin’andriamatoa Beunet, manampahaizana iraisam-pirenena. Ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika Seniors kosa ny fifaninanana iraisam-pire­nena voalohany hatrehina, hatao ny 3 hatramin’ny 6 de­sambra 2020 any Durban, Afrika Atsimo.Mi.RazL’article Lomano-Analamanga : fantatra, anio, ny datin’ny fifidianana a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay
27/10/2020

   Mitentina 1,5 tapitrisa euros na 6 miliara Ar ny fitambaran’ny vola avy amin’ny Frantsay, nanaovana sonia fifanarahana vola natrehin’ny masoivoho frantsay sy ny Agence française de développement sy ny vondrona ONG roa, soloin’ny Action Action contre la faim et humanité sy ny Inclusion, tena omaly.Entina hanampiana ny fanamafisana ny hetsika hamongorana ny valanaretina Covid-19 ny vola nomena.Tanjon’ity fanohanana ity ny hitondra firaisankina, fiaraha-miasa mivaingana ary eo no ho eo, ao anatin’ny fanomezan-toky sy ny fanohanan’i Frantsa ny vahoaka malagasy. Hanampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana noho ny valanaretina ireo fikambanana hiantsehatra amin’ny asa. Eo koa ny fanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sosialy.Manampy ny vondrona ONG roa hamaly amin’ny fomba haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny ny zavatra hatao. Iandraiketan’ny vondrona Action contre la faim, ny Action socio-sanitaire organisation secours, ny Care, ny Médecins du Monde ny asa miaraka amin’ny tetikasa Setriny amin’ny krizy ara-pahasalamana….Ny tetikasa “Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa” (Mitehafa) ataon’ny vondrona Humanité sy Inclusion, ny Douleurs sans frontières ary ny SOS Village d’Enfants kosa, hanampy amin’ny fandrindrana ny fihetsika manoloana ny valanaretina.Ho voakasiky ny asa ao anatin’ity tohana ity ireo olona maherin’ny 80 0000. Anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana 1 034, ny mpiasa ny fampianarana 10 921, ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra, 66 400.Eo koa ny olona misitraka hetsika fanentanana, fanohanana haipisaina sy hetsipon’ny fiarahamonina sy ny fanohanana hahalala momba ny aretina amin’ny fanabeazana. Tsy hadinoina ireo marary 387 natoka-monina miisa 830 sy ny mpisehatra momba ny firaisa-monina hanenika ny faritra 11 laharam-pahamehana eto Madagasikara. Miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsinanana, i Boeny, i Bongolava, i Diana, Itasy ary i Vakinankaratra ny asa hatao.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.