Fitaterana mianatsimo :: Taksiborosy an-jatony niainga teny amin’ny Fasan’ny karàna

News - Fitaterana mianatsimo :: Taksiborosy an-jatony niainga teny amin’ny Fasan’ny karàna

News - Fitaterana mianatsimo :: Taksiborosy an-jatony niainga teny amin’ny Fasan’ny karàna

Nifanaretsaka vao maraina ny teny amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny karàna, omaly, tamin’ny andro voalohany nisokafan’ny zotra nasionaly amin’ ny lalam-pirenena fahafito (RN 7) indray. Fiara an-jatony no nandray ny fiaingany teny an-toerana.

Voahaja ny fampanarahana an’ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ho fisorohana amin’ny fihanaky ny valanaretina, toy ny fakàna ny mari-pana, ny mombamomba ireo mpandeha. Saika ireo olona hamonjy fodiana taraiky teto Antananarivo nandritra ny fihibohana ny ankamaroan’ ireo mpandeha. Nozaraina roa ny fiaingan’ny fiara: ireo mihazo an’i Fianarantsoa, ny tapany maraina, raha ny tolakandro kosa ny an’ireo mankany Toliara.

“Mpandeha valo ambin’ny folo isaky ny fiara no niala teto, androany (omaly). Dimampolo ireo fiara niainga, ny tapany maraina. Roa isaky ny kaoperativa aloha ny fiara mandeha, amin’izao fanombohana izao, mba hialana amin’ny fitangoronan’ny olona”, hoy Andrianaivo Adrien José, filoha lefitry ny tobim-piantsonana Fasan’ny karàna.

Fibosesehana

Tsy mbola mipetraka eny amin’ity tobim-piantsonana ity ny toerana fandoavam-bola tokana noho ny fotodrafitrasa tsy ahafahana manatanteraka an’izany. Niteraka fitangoronana tamin’ireo kaoperativa izany ka nanakorontana ny fandaminana.

“Nibosesika nandeha tamin’ ity andro voalohany ity ireo mpandeha ka niteraka filaharam-be. Mbola nitavozavoza ny mpiasa rehetra tety ka nahatonga anay nidina ifotony nandamina an’izany toe-javatra izany. Tao amin’ny zotra rezionaly no sarotsarotra ny fandaminana. Tonga dia nampidirina anaty fiara ireo mpandeha ka tao vao natao ny fakàna ny mari-pana sy ny famenoana ny taratasy mirakitra ny mombamomba ireo mpandeha”, hoy Reribake Jeannot, tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety.

Tsiahivina fa ny zotra miainga eto Antananarivo mandalo ny Faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, hatrany Atsimo Andrefana (Toliara) sy ireo zotra nasionaly sy rezionaly avy any amin’ny RN7 mankany amin’ny RN2 (zotra nasionaly Ambositra – Toamasina; Antsirabe – Toamasina) no niverina nisokatra, nanomboka omaly. Efa niverina ihany koa ireo zotra rezionaly ho an’ny lalampirenena faha-3 mankany Anjozorobe. Miverina miasa anio kosa ireo zotra nasionaly sy rezionaly amin’ny lalam-pirenena voalohany.

L’article Fitaterana mianatsimo :: Taksiborosy an-jatony niainga teny amin’ny Fasan’ny karàna est apparu en premier sur AoRaha.

Fitaterana mianatsimo :: Taksiborosy an-jatony niainga teny amin’ny Fasan’ny karàna

Nivoaka tamin'ny : 12/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy

Anisan’ny manana lanja lehibe eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampitana ny maha Malagasy (tantara, fomba amam-panao, fanandroana, sikidy, fahaizana momba ny zavamaniry…) sy ireo kolontsaina iraisam-pirenena toy ny yoga ny Trano Kolotoraly Malagasy. Raha ny fantatra, araka ny vaovao nampitaina, hanatanteraka ny fivoriambeny amin’ny alahady 4 aogositra izao, ao amin’ny ELI Soarano (Toerana fampianarana teny anglisy) ity fikambanana ity.Na tsy mbola voalaza amin’ny antsipiriany aza ny lahadinika na ny fandaharam-potoana, azo inoana fa ho voaresaka ao anatin’izany fivoriambe izany ny fikatsahana izay hampandrosoana ny Trano Kolotoraly Malagasy sy ny adidy efa niantsorohany hatramin’izay.Raha tsiahivina, angady nananana sy vy nahitana ny Trano Kolotoraly Malagasy ny dokotera Rakotonirainy Joseph. Nahay zavatra maro izy ary nampianatra mpianatra maro ihany koa. Fa anisan’ny nampiavaka azy ny fitiavan-tanindrazana tao aminy.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ny fanahy maha olona: « Nisy lesoka ny Ceni… »

Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny fikambanana Ny  fanahy maha olona. “Miantso ny Ceni izahay mba hanatsara hatrany ny fomba fiasa, satria nisy lesoka ny teo aloha, amin’izao hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izao”, hoy ny eo anivon’ny birao nasionaly tetsy Antaninarenina, omaly. Niantso ny rehetra koa izy ireo hanara-maso ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany ary handray anjara amin’ny fifidianana, ny 19 desambra izao. “Aoka hojerena ny hoavin’ny taranaka sy ny firenena ka hanefana izany adidy masina izany. Aoka ho tony mandrakariva isika mpiray tanindrazana amin’ny fiatrehana ny fifidianana”, hoy ihany izy ireo. Fototry ny fampandrosoana ny Vatoeka  Ankoatra izany, nanterin’ny Ny Fanahy maha olona fa azo atao fototry ny Madagasikara am-perinasa andiany faharoa (Map II) ny Vaomieran’ny toekarena (Vatoeka) sady fanoitra ho entina manatanteraka ny fandaharanasa rehetra. “Efa miely any amin’ny distrika 119… tsy mifanalavitra ny fomba fijerinay amin’ny kandidà laharana faha-25 ka ho mpirahalahy mianala. Hanentana antsika izahay hifidy azy, amin’ny 19 desambra”, hoy ihany Ny fanahy maha olona. Synèse R.  L’article Ny fanahy maha olona: « Nisy lesoka ny Ceni… » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

OIT- Filoha Rajoelina sy ny minisitra Ramampy Gisele: vita sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny asa

Nanao  sonia fifanarahana iraisam-pirenena enina momba ny tontolon’ny asa tany Geneve  -Soisa ny filoha Rajoelina, notronin’ny minisitry  ny Asa,  Ramampy Gisèle sy  ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny minisitera, omaly.Nivoitra ao anatin’izany ny momba ireo mpiasa mifindra monina,  ny fifandraisan’ny asa eo anivon’ny asam-panjakana, ny fifampiraharahana miaraka, ny momba ireo masoivoho tsy miankina  misahana ny asa, ny asa an-terivozona ary koa ireo mpanampy ao an-trano. “Napetrakay ho fanamby  ato anatin’ny 10 taona  ny hanafoanana tanteraka ny asa an-terivozona , ny fanandevozana maoderina, ny fanararaotana samihafa eo amin’ny tontolon’ny asa, ny endrika fampiasana ny ankizy”, hoy ny filoha Rajoelina tamin’ny anjara  lahateniny amin’izao fanamarihana ny  faha-100 taon’ny fikambanana  iraisam-pirenena (OIT)  izao.  Notsiahivin’ny filoha  Rajoelina fa manohana ny fandraisana andraikitry ity sampandraharaha ity i Madagasikara ho amin’ny fametrahana ny tontolon’ny asa manome vahana ny maha olona, ny  fanajana ny zo fototra sy ny tsy  fanilihana na koa ny fitantanana mitovy ny  mpiasa eo anivon’ny asa.Mikaro-bahaolana hatrany eo amin’ny tontolon’ny asaNanteriny fa  nampiakarin’ny fanjakana  tarihiny ho 19% ny karama farany ambany eto  amintsika mba hanohanana sy ho fanampiana azy  ireo.  Manampy izany ny vinan’ny filoha ho amin’ny  fandaharanasam-pirenena momba ny fandraharahana toy ny “Fihariana”. “Natao hampirisihina sy hankaherezana ireo tanora io, handraisany an-tanana  ny  hoaviny ho  fampandrosoana  ny firenena. Eo koa anefa ny fampihenana  ny  tahan’ny tanora tsy anasa”, hoy  izy. Nanao  antso  avo amin’ny mpikambana eo anivon’ny OIT  koa ny filoha mba  hametraka  mazava ny paikady miaraka manoloana ny asa fanandevozana miseho amin’ny endriny maoderina amin’izao fotoana izao sy ireo endrika fanararaotana samihafa eo amin’ny asa. Tsiahivina fa any an-toerana koa ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny  Asa, miezaka mikaro-bahaolana hatrany eo amin’ny  tontolon’ny asa sy ny  asam-panjakana.Synèse R.  L’article OIT- Filoha Rajoelina sy ny minisitra Ramampy Gisele: vita sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny asa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afrika : vao mainka hitombo ny hanoanana

Namoaka fanadihadiana i Abebe Haile-Gabriel, tale je­neraly lefitra sady solotenan’i Afrika ao amin’ny Fikam­banana iraisam-pirenena mom­ba ny sakafo sy ny fambolena (FAO). Nambarany fa mitombo ny hanoanana aty Afrika, indrindra aty amin’ny tapany atsimon’i Sahara. Hany ka lasa lafo sy raitra ny sakafo ara-pahasalamana ka tsy zakan’ny ankamaroan’ny Afrika­nina Na tsy mbola nipoitra aza ny tsimokaretina Covid-19, efa tsinjo fa tsy ho tratra ny tanjona hanafoanana ny ha­noanana amin’ny taona 2030. Araka ny tatitry ny FAO, tamin’ity herinandro ity, avo roa heny amin’ny tsy fahampian-tsakafo maneran-tany ny aty Afrika sady mihazakazaka ny fitombon’ny olona tsy am­py sakafo. Hihoaran’i Afrika ny any Azia, amin’ny taona 2030 amin’ny fisian’ny olona be tsy ampy sakafo indrindra maneran-tany. Tsy manam-bola hisakafoana ara-pahasalamana ny 80%-n’ny mponina any Afrika Andrefana. Lafo, avo 3,2 heny miohatra amin’ny fetran’ny fahantrana ny vidin-tsakafo ara-pahasalamana aty Afrika tapany atsimon’i Sahara. Tsy takatry ny mponina, izay miaina ambanin’ny fetran’ny fa­hantrana, tsy mahazo vola afa-tsy latsaky ny 1,9 dolara isan’andro (manodidina ny 7.000 Ar isan’andro). Vao mainka nohamafisin’ny Covid-19 ity tsy fahampian-tsakafo ity.Njaka AndriantefiarinesyL’article Afrika : vao mainka hitombo ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny

Voavaly ny fanontaniana mampiroaroa saina sy mahatonga resabe eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’izao ankatoky ny fampidirana mpianatra izao. Mazava ny voalazan’ny tatitra ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa ankoatra ny maha maimaimpoana ny fisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy, tsy misy ary tsy mandoa latsakembola angatahin’ny Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Fram) koa ny ray aman-dreny manomboka izao. Voalaza tao anatin’io tatitra ny filankevitry ny minisitra io fa mbola hisy ny lamina vaovao hitsinjovana ireo tokantrano sahirana sy ny ray aman-dreny tena misedra fahasahiranana tokoa amin’izao fotoana izao, araka ny toromariky ny filoham-pirenena.16, 133 miliara ArAnkoatra izay, nampahafantarina ihany koa fa misaraka tanteraka ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny latsakemboka izay samy sahanin’ny Fefi eny amin’ny sekolim-panjakana. Izy ireo ihany koa no mitantana ny « caisse des écoles », efa mitsinjara mazava tsara. Mitentina 16,133 miliara Ar natokana ho an’ny EPP sy CEG ary ny 2 miliara Ar ny natokana ho an’ny lice, miainga ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.Misy koa ny tetibola iaraha-mitantana amin’ny minisitera sy ireo mpamatsy vola amin’ny alalan’ny tetikasa Paeb izay mitentina 3 tapitrisa dolara natokana ho an’ny EPP sy CEG. Tatiana AL’article Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rallye du Boeny: mpanamory 30, handray ny fiaingana

Hanomboka rahampitso alakamisy 15 ka hatramin’ny 17 aogositra, ny “rallye du Boeny”, karakarain’ny klioba TMF. Araka izany, any Mahajanga, no hanatontosana izany. Mpanamory 30 handray ny fiaingana ka anisan’ireo, i Olivier sy i Haingo, hitondra ny fiara Citroen.Manana halavana 236, 92 km ity rallye du Boeny ity, hahitana dingana manokana “ES” miisa 15, mirefy 124, 51 km. Torcelin Ny lisitr’ireo mpifaninana :1-Nirina – Alcazaria – (FMMSAM) – P.2062-Teddy – Herman – (FMMSAM) – Ford Ranger3-Bera – Tolotra – (Asacm) – P.204 GL Proto4-Hery Be – Lala – (TMF) – Mitsubishi Evo X5-Mika – MLR – (FMMSAM) – BMW 318 IS6-Rivo – Ando  – (FMMSAM) – Subaru Impreza7-Jeffy James – (TMF) – Volkswagen8-AnjaBob – Tsitsigalli – (Asa Tana) – VW Golf III9-Haja Danielson – Rivo – (TMF) – Ssangyong Musso10-Tanjona – Patblock – (FMMSAM) – Subaru Impreza11-Mini Sten – Miangaly – (FMMSAM / ACCT) – P.10612-Judi – Fabrice – (FMMSAM / Tasamm) – P.30613-Yves – Aina – (TMF / Asa Tana) – Mitsubishi Evo IX14-NS – Dorax – (FMMSAM) – Subaru Impreza15-Andrea – Nitro – (LSA / FMMSAM) – Subaru Impreza16-Davonjy – Tsilavo – (FMMSAM) – Foton Tunlands17-L’Africain Blanc – Eric – (Asacm) – Subaru Impreza18-Koukie – Sonia – (FMMSAM) – Citroen Saxo19-Babaina – Mathieu – (FMMSAM) – P.20520-Olivier – Haingo – Citroen21-Freddy – Jimmy R – (Ama / Asacm) – Isuzu D Max22-Rina – Herz – (Asa Tana) – Renault Megane23-Tahina – Ranto – (Asacm) – Subaru Impreza24-Bona – Ny Anjara – (FMMSAM / Asacm) – Subaru Impreza25-Frederic – A.T – (Asacm) – Subaru Impreza26-Rijii – Papi – (TMF / Run Mada) – BMW E3027-Mickael – Nanou – (TMF) – Subaru Impreza28-Rims – Nando – (TMF) – P.10629-Richardo – Irinala – BMW30-Renaldo – IanjaL’article Rallye du Boeny: mpanamory 30, handray ny fiaingana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tolo-dalana eny Tsimbazaza: ho mailo amin’ny satan’ny mpanohitra ny Antenimiera 

Hanao ahoana ihany ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana? Ho mailo sy hitandrina ny Antenimierampirenena… “Mila mailo sy mitandrina tanteraka isika. Satria zava-dehibe loatra izy io eo amin’ny fiainana ara-politika sy demokratika eto amin’ny firenena.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana tamin’ny fanombohana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena.Tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka izy io, hanitsiana ny andininy sasany amin’ny lalàna lah. 2011-013, tamin’ny 9 septambra 2011. Mametraka andraikitra makadiry amin’ny Antenimierampirenena izany. Hafonja ny adihevitra, ary ny irariany: mba ho adihevitra parlemantera, ka ho tombontsoam-pirenena irery ihany no hanapahan-kevitra.Tsy afa-misaraka amin’ny rafitra ao amin’ny Antenimierampirenena io lalàna io, araka ny And. 76 Andl 2 amin’ny lalàmpanorenana. Mibaiko amin’izany ny foto-kevitra araka ny soatoavina na ny kolontsaina na ny adihevitra demokratika parlemantera.Mba ho antsipiriany ny fandaharanasan’ny governemanta “Fandaharanasa hotanterahina no hovelabelarina, ka ny fangatahan’ny solombavambahoaka: tsara raha somary miditra lalindaliana na amin’ny antsipiriany amin’ireo tetikasa hatao, miaraka amin’ny maridrefy”, hoy izy momba ny fanoloran’ny Praiminisitra ny fandaharanasan’ny governemanta  miainga amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hahazoan’ny solombavambahoaka mandrefy ny zava-bitan’ny governemanta izany.Tsara homarihina ny fanombohana ny asa, ny fizotran’izany, ny fe-potoana hanatanterahana izany sy ny tanjona.Haverina  ny hasin’ny Antenimierampirenena Famerenana ny hasin’ny Antenimierampirenena, fametrahana ny fangaraharana amin’ny amin’ny asa atao, fanajana ireo lalàna sy didim-panjakana ary didim-pitondrana isan-tokony… Ireo no hanatsarana ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena. Tsy ambanin-javatra koa ny fitsinjovana ny tamberin’andraikitra amin’ny solombavambahoaka. “Tokony ho hita taratra ao amin’ny fitsipika anatiny tsara ireo foto-kevitra ireo, mibaiko ny solombavambahoaka “, hoy izy.Haharitra 12 andro ireo fotoam-pivoriana tsy ara-potoana. Raha vita alohan’izany ireo lahadinika telo loha ireo, faranana avy hatrany ny fivoriana.R.Nd. L’article Tolo-dalana eny Tsimbazaza: ho mailo amin’ny satan’ny mpanohitra ny Antenimiera  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fotodrafitsara  fahatsiarovana: hotokanana ny lalana Pr Zafy Albert

Hipetraka eo amin’ny  tantara. Hotokanana ny 24 jolay izao ny lalana Pr Zafy Albert. Mirefy 700 m izany, miainga eo amin’ny kianjan’Alarobia mandra-pahatonga eny amin’ny sampanana Alarobia Amboniloha sy mihazo an’Analamahitsy. Tahaka  izany koa ny hametrahana tsangambato iray lebibe ahitana  ny sarin’ny Pr Zafy eny Antaninarenina. Anisan’ny  nampiavaka ity filoha ity ny naha filoha voalohan’ny Repoblika fahatelo. Rain’ny demokrasia sy ny fampihavanana. Eo koa anefa ny maha filoham-pirenena azy teo aloha, niavaka amin’ireo mpitondra nifandimby. Anisan’ny nangataka ny hanaovana izao lalana sy tsangambato izao  ny eo anivon’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CRN) sy ireo olona  akaiky azy. Nodinihin’ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo izany ary nekena sy notapahin’ny rehetra.  Anisan’ny hitarika ny fitokanana izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna,  ahitana ny ben’ny Tanàna,  Ravalomanana Lalao sy ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, miisa 50 mahery.  Anisan’ny nasaina amin’izany lanonam-pitokanana izany koa  ireo tompon’andraikitra ambony sy manampahefana eto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Fotodrafitsara  fahatsiarovana: hotokanana ny lalana Pr Zafy Albert a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basket – Fanomanantena: lavon’ny Asa sy Mb2all U-18 lehilahy ny ekipa vehivavy

 Efa ao anatin’ny fanomanantena tanteraka amin’izao fotoana izao ny ekipam-pirenena lahy sy vavy , hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2019. Samy niatrika lalao ara-pirahalahiana miendrika fitsapana avokoa na ny lehilahy na ny ekipam-pirenena vehivavy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ity farany, ekipa lehilahy avokoa no nampanaovina taminy, izay voalazan’ireo teknisiana fa ny hahafahan’ireto mpilalao vehivavy ireto, tena hamoaka ny fahaiza-manaony no antony. Na dia resy aza izy ireo dia tsorina fa tsy nitsanga-menatra ary dia elanelan’isa kely no nahazoan’ireo mpifanandrina taminy ny fandresena tamin’zany. Teo amin’ny lalao voalohany, tamin’ny isa 66 no ho 64 no nandresen’ny klioban’ny Asa azy ireo, izay tena nifandanja ary saika tsy naharesy azy ireo mihitsy aza ireto tanora lahy vao erotrerony ireto nandritra izany. Teo amin’ny fihaonana faharoa kosa, tamin’ny isa 65 no ho 63 no nandavoan’ny Mb2all an’ity ekipam-pirenena vehivavy ity. Niady koa ny lalao ary tena nanohitra hatramin’ny farany mihitsy izy ireo ka hita ho sahirana ny Mb2all sokajy latsaky ny 18 taona zazalahy vao nahita fandresena. Mahakasika manokana ity ekipam-pirenena vehivavy ity hatrany, raha tsy misy ny fiovana, amin’ny alakamisy 5 jolay izao no higadona eto an-tanindrazana i Ange, hanatevin-daharana ity ekipam-pirenena ity, izay tsiahivina fa mila ravinahitra any frantsa any. Mi.RazL’article Basket – Fanomanantena: lavon’ny Asa sy Mb2all U-18 lehilahy ny ekipa vehivavy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Maintirano: rendrika ny lakana nitondra zandary

Rendrika tao Ampandramalaza, kaominina ambanivohitr’i Andrea, distrikan’i Maintirano, ny 2 desambra 2018 antoandro teo, ny lakana iray. Nitondra zandary telo lahy hamita iraka manokana any Nivakiambakoly ity lakana ity kanjo nivadika tampoka tao amin’ny reniranon’i Manambaho. Vokany, lasan’ny rano ny basy Kalachnikov iray niaraka tamin’ny « chargeurs » roa nisy bala an’ny zandary iray nandritra ny fivadihan’ilay lakana. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary miasa ao Maintirano nanao fikarohana ity fitaovam-piadiana ity niampy ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona. Nidina tany an-toerana ihany koa ny kaomadin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Melaky niaraka tamin’ny manampahaizana manokana momba ny fisitrihana any anaty rano. Nandeha ny fikarohana ka hita ny ampitson’io naharendrehan’ny lakana io ilay basy Kalachnikov niaraka tamin’ny « chargeurs » roa. Na teo aza ny voina nihatra tamin’ireo zandary, avotra soa aman-tsara ihany koa izy telo lahy ireo. J.C    L’article Maintirano: rendrika ny lakana nitondra zandary a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha
25/09/2020

Natao sonia, omaly, teny amin’ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro. Nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny sampandraharaha iraisam-pirenena Pnud sy ny Ocha ary ny Vovonana mikasika ny maha olona iarahan’ny sehatra tsy miankina (PHSP). Nanolotra fitaovana informatika ny PHSP, ahitana ordinatera maromaro miampy ny kojakoja miaraka aminy, entina hitantanana sy hanarahana ny mikasika ny mpandeha, indrindra amin’izao tranga Covid-19 izao.Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny Pnud-Ocha, ho endriky ny fanohanany ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny solontenan’ny PHSP fa santatra hatao filamatra ny eny amin’ny toby Andohatapenaka, tanjona ny hanatanterahana toy izao manerana ny toby fiantsonan’ny fitaterana zotram-paritra sy nasionaly manerana ny Nosy. Ho an’ny minisiteran’ny Fitaterana, fivoarana lehibe mankany amin’ny fandrosoana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana ara-informatika ny mombamomba ny mpandeha.Njaka A.L’article Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha a été récupéré chez Newsmada.

Fihariana-Symabio: tosika ho an’ny fambolena biolojika
25/09/2020

Ao anatin’ny velirano napetraky ny filoha Rajoelina ny fampandrosoana ny seha-piharian’ny mpandraharaha ka mañana andraikitra amin’izany ny fandaharanasa Fihariana. Natao sonia ny 23 septambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny fandaharanasa Fihariana sy ny vondron’ny orinasa mamokatra biolojika Symabio. Mifantoka amin’ny fambolena sy fanodinana vokatra biolojika ny Symabio.Nilaza ny sekretera mpanatanteraka (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valerie, fa tanjona ny hampiroboroboana ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra fambolena biolojika eto Madagasikara. Tohanana ara-bola sy ara-teknika ny tantsaha malagasy miara-miasa amin’ny Symabio. Omena fiofanana koa izy ireo amin’ny lafiny fitantanana, ny fampifandraisana amin’ireo samy nahazo tohana, sy mitovy lalam-pihariana.Manodidina ny 200.000 ny tantsaha hisitraka ny tohana avy amin’ny Fihariana. Misandrahaka amin’ny sehatry ny voly fanondrana, toy ny lavanila, ny jirofo, ny ilomenaka, ny jono (makamba, drakaka,…), sns.Misehatra amin’ny fambolena ny 48,29% ny antontan-taratasy voarain’ny Fihariana, tamin’ny taona 2019. Azo antoka fa hanafaingana ny fampandrosoana isam-paritra ity fiaraha-miasa ity. Hampiroborobo sy hanitatra ny seha-pihariana, ny fanodinam-bokatra, ny indostria, ny famoronana asa manerana ny Nosy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fihariana-Symabio: tosika ho an’ny fambolena biolojika a été récupéré chez Newsmada.

Entim-paharazana sy entim-pahazarana       
22/09/2020

         Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Toetra nanahary faharoa ny fahazarana. Fialana sy fanamarinan-tena ataon’ny tsy te hiova na hanova zavatra mandrakariva ireo fomba fiteny ireo. Tsy eto amintsika ihany, fa saika maneran-tany. Raha vao manao fanovana ny fitondram-panjakana, ohatra, saika misy hatrany ny mitsikera avy hatrany, manatsatso, mamendrofendro; eny, manohitra aza.Toetra maha olombelona ny fifikirana amin’izay mahazatra zary fomba amam-panao? Mandeha ho azy, tsy manahirana… Efa raiki-tampisaka sarotra ovaina tsinona, ary misy aza ny mitompo teny fantatra sy miziriziry fa tsy azo ovaina. Hafahafa ny tena raha tsy manao sy manohy azy. Eo ny mahatonga ny fitenenana hoe efa entim-paharazana aza amin’izay entim-pahazarana fotsiny amin’ny ataony.Manao ahoana anefa izao tontolo izao raha nifikitra hatrany amin’izay hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana izay hatramin’izay? Saika nitondra faisana hatrany izay nilaza hevi-baovao sy nitondra zava-baovao: haratsiana, esoina, enjehina… Saingy rehefa manao sy manohy ny ataony izy ireny, tsy ilaozan’izay mandinika, manaraka, manandrana, resy lahatra, maka tahaka… Lalan-javatra izay?Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana raha te hanova? Tsy moramora sy tsy vetivety izany, fa mila fijoroana, fahasahiana, firosoana, faharetana… Inona no iresahana izany amin’izao? Mampandini-tena. Tena te handroso tokoa ve isika? Mila miova sy manova. Manomboka eo amin’ny tena io amin’ny fisaina, fiaina, fiasa… Izany miaraka no mahatonga sy mahahaingana ary mampivaingana ny fandrosoana.Na izany aza, tsy moramora tokoa ny hoe manova sy ny miova amin’izao. Mila fanazavana izay (h)atao, fandresen-dahatra, fijerena lavitra… Eny, mety ho miandalana aza, saingy tsy maintsy atomboka hialana amin’ny hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana. “Tsy misy zavatra ratsy ao anatin’ny fanovana, raha mandeha amin’ny lalana tsara”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i Winston Churchill.Rafaly Nd. L’article Entim-paharazana sy entim-pahazarana        a été récupéré chez Newsmada.

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Paul Rabary : “Tsara foanana ny Antenimierandoholona sy ny CFM”
25/09/2020

Hevitra hafa koa. Nitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena ny mpandinika ny fiarahamonina, Rabary Paul. Nambarany fa tsy ny Antenimierandoholona ihany no tokony foanana.“Ho an’ny firenena toa an’i Madagasikara, mavesatra be ny Antenimierandoholona. Satria efa misy ny solombavambahoaka voafidim-bahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena.  Etsy an-kilany, mbola misy ny loholona voafidin’ny mpifidy lehibe” hoy ny mpandinika fiarahamonina, i Paul Rabary, manoloana ny adihevitra ny amin’ny Antenimierandoholona.Raha te hahita vokatra amin’ny fampandrosoana isika, tokony hahena ny fampandehan-draharaha ary hampitomboana ny fampiasam-bola. Izay no azo atao raha ny fitantanan-draharaham-panjakana eo amin’ny fiezahana hitondra fampandrosoana.Tsy azo ahena na itarina ny fe-potoam-piasan’ny loholona, fa mila hajaina ny lalàna velona misy eto Madagasikara. Noho izany, tokony hirosoana ny fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra.“Inona ny nataon’ny CFM, hatramin’izay ka hatramin’izao? Inona ny zava-mivaingana nataony? Nampihavana ve izy sa tsia? Inona ny asa fampihavanana nataony?”, hoy kosa izy momba ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM). Nisy fikarohana nataon’ny CFM ve momba izay fampihavanana izay: inona ny manakorontana, inona ny mampihavana? Raha handeha amina fety na mijoro etsy sy eroa, ohatra: aleo zava-mivaingana ?R.Nd. L’article Paul Rabary : “Tsara foanana ny Antenimierandoholona sy ny CFM” a été récupéré chez Newsmada.

Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony
23/09/2020

Soa fa voavonjy haingana teny amin’ny hopitaly HJRA ity vehivavy lehibe iray, 86 taona, niharan’ny fahamaizana vokatry ny firehetan’ny tranony, teny Namontana Anosibe, afak’omaly alina. Nahazo trano hafa teo akaikiny ny afo saingy nalaky tonga tamin’ny fifehezana ny loza ny sampana mpamonjy voina. Mipetra-drery ao amin’ny trano hazo iray eny Namontana ry Mama Rasendra, araka ny loharanom-baovao teny an-toerana. Tokony tamin’ny 6 ora hariva no tsikaritr’ireo teo amin’ny manodidina ny afo niredareda tao amin’ny tranony. Nanao ny asa famonjena voalohany ny fokonolona saingy nahery loatra ny firehetana satria trano hazo ity lasibatra. Voalazan’ny loharanom-baovao teny amin’ny hopitaly HJRA fa « tsy misy atahorana intsony ny ain’ilay vehivavy lehibe, 86 taona ». L’article Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony est apparu en premier sur AoRaha.

Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA
25/09/2020

Efa nihomana mialoha ny fotoam-pahavaratra sy nandray an-tanana ny fanomanana ny fotoam-pahavaratra ny kaomina Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fiakaran’ny rano sy hahavitsy kokoa ireo traboina. Efa nivory niaraka ny CUA sy ny eo anivon’ny Sadc nijery ny ho toetry ny andro. Nivaly ny fitiliana ny toetrandro iraisam-pirenena sy ny aty Afrika ary i Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa ho mafy kokoa ary ho betsaka ny rotsak’orana raha mitaha tamin’ny taon-dasa ka ilana fiomanana.Efa misy ny « Comité communale de gestion » natsangana ka filoha mitarika izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Miara miasa amin’ny Samva sy ny Apipa ary  ary ireo mpiara-miasa rehetra miandraikitra amin’ny fikirakirana ny tandindomin-doza sy ny loza izy amin’izany. Tafiditra ao koa ny eny anivon’ny fokontany, ahitana  ny « Equipe locale de secours » na ny komity loharano.  « Tokony ho samy mandray an-tanana amin’ny fiakaran’ny rano , amin’ny fandraisana andraikitra manandrify azy koa ny vahoaka. Tsy hanary fako amin’ny lakandrano sy hanorina trano ambonin’ny lakandrano ary hitandro ny fahadiovana rehetra », hoy ny eo anivon’ny CUA.Faritra iva sy ny tondra-dranoEfa nisy ny koa ny fanadihadiana natao teto Antananarivo momba ny fijerena ireo toerana « point noir » mahatonga ny fahatsentsenana. Tsy mahavita ny ady amin’izany raha ny tetibolan’ny CUA fa mila tosika amin’ny fanjakana foibe, indrindra  avy amin’ny eo anivon’ny BNGRC . Mangataka mba homena tombony ny eto Antananarivo, anisan’ny ahitana olana maro eo amin’ireo faritra iva misy ny fiakaran’ny rano.Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny asa ataon’ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lalàna ary ny fanarahana ny Fehezam-pitsipika monisipaly ho fikoloam-pahasalamana « CMH », miaraka amin’ny fampahalalana izany.Synèse R.L’article Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa
24/09/2020

 Ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana navoaka’ny CUA ao amin’ny toko fahatelo sokajy voalohany dia milaza fa tsy tokony hanelingelina ny mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra ireo rehetra manao ny asa fangatahana izay mandehandeha eny an’araben’Antananarivo. Izy ireo dia tsy tokony harahina biby masiaka mba tsy hampidi-doza ny hafa. Tsy tokony hampideradera fitaovana isan-karazany ihany koa ho fampitahorana na hambaboana ireo olona angatahiny.Voarara ny fanimbana ireo fananan’olona sy ny mihanika amin’ny lafin-drindrina  sy amin’ny andrin-jiro, tamboho sy ireo andrim-by isan-karazany. Tsy azo atao koa ny familiana ireo fantson-drano isan-karazany sy ny fikitikitihana ireo fitaovana fanoroana lalam-bahoaka nafanazavana ny toro-lalana ho famantarana.Ao amin’ny sokajy faharelo dia miresaka momba ny tabataba amin’ny alina sy atoandro sy ireo sazy mifandraika amin’izany.Voarara ny tabataba amin’ny alina, torak’izany amin’ny atoandro rehefa tsy misy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voarara ho tabataba amin’ny atoandro ireo kipantson’ny fiarakodia tsy misy antony ara-drariny torak’izany ny antsoantson’ny mpanampy ny fiara miantsoantso ny mpandeha indrindra ho an’ireo fiantsonana makaiky fianarana sy hopitaly.Ny lanonana rehetra na andro atoandro na alina na misy fahazoan-dalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitonian-tsaim-bahoaka.Anjaran’ny tompon-draharaha ny mandray ny fepetra mba hampihena ny fanelingelenana mety hiteraka izany eo amin’ny manodidina.Tatiana AL’article Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa a été récupéré chez Newsmada.

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra
21/09/2020

Fampirisihina ny mponina amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka 100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva, satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona nanaditra ny “caravane”.Zo ny Aina L’article «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona
25/09/2020

Noho ny fepetra avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny tsy maintsy hanalana ireo trano manamorona ny lalana mankao amin’ny kianja Barikadimy, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny famoriana ny mpanao gazety, ny talata 22 septambra lasa teo, ireo fokonolona voakasik’izany, mahakasika ny taratasy nalefan’ny kaominina Toamasina renivohitra. Nambaran’ny pastora Randrianasolo Etienne, mpitondra tenin’izy ireo fa tsy hisakana na hanakorontana ny fanorenana ny fotondrafitrasa izy ireo. Saingy mangataka kosa ny mba hisian’ny fitsinjovana ny maha olona ka hanomezana toerana hanorenany fonenana vaovao. Lasa mahantra tsy fidiny raha toa ka mijanona amin’izao satria vahoaka noana sy  efa trotraky ny “covid 19”. Nanao taratasy sy fanangonan-tsonia faobe moa izy ireo, alefa any amin’ny filohan’ny repoblika, Andry Nirina Rajoelina. Ankoatra izay, nisy filazana avy amin’ny filoha lefitry ny Ben’ny Tanàna fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bepc, vao hisy ny fandravana.Manoloana ity disadisa ity, manahy ny mpitia baolina kitra fa sao ho taraiky amin’ny fotoana andalovan’ny solontenan’ny Fifa ity fandravana ity ka mety tsy hahafahana mandray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nanome tsiny ny ligy moa ny olona sasany izay tokony mba hanao fanelanelanana hahamora ny fanesorana ireo mponina tsy manaiky ny handravana ny tranony. Sajo L’article Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis
26/09/2020

Football club Swift Hesperange izay 1 ère division ao Luxembourg no hanao lalaom-pirahalahiana amin’ny Barea ho fanomanana ny dingan’ny fifanintsanana CAN 2021. Ho fanomanana ny ekipam-pirenena Malagasy dia nandroso soso-kevitra tamin’ny komity mpanatanteraky ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis. Tao anatin’izany ny fanatanterahana lalao ara-pirahalahiana tany Portugal saingy tsy tanteraka izany noho ny fepetra ara-pahasalamana iadiana amin’ny Covid-19 tao amin’io firenena io. Ho fiarovana hatrany ny fahasalaman’ny Barean’i Madagasikara dia nangataka ihany koa ny mpanazatra ny ekipa mba ho ao amin’ny manodidina an’i Frantsa ihany izy ireo no hanao ny fanazaran-tena ho fiomanana amin’ny fifanintsanana ho an’ny CAN 2021. Manohana ny hevitra natolony  ireo komity mpanatanteraka miisa fito ao amin’ny FMF araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny 25 septambra 2020 tetsy Antanimena.  “Araka ny fandaminan’ny CAF dia tompon’ny fanapahan-kevitra  ambony ny komity mpanatanteraka. Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis izahay”, hoy ny solontenan’ny komity, Andriamanampisoa Alfred. Noho izany, hanao “fizaran’asa” ao Luxembourg sy hanao lalaom-pirahalahiana  amin’ny  Football club Swift Hesperange 1 ère division ao Luxembourg ny Barea ny volana oktobra 2020. “Mety ny alin’ny 11 oktobra na andron’ny 12 oktobra 2020 no hanatanterahana izany. Ny federasiona no handray an-tanana ny fikarakarana na ara-taratasy izany”, hoy hatrany i Andriamanampisoa Alfred. Nohamafisin’i Nicolas Dupuis fa ao anatin’ny fitandroana fepetra ara-pahasalamana no hanaovana ity fanazaran’asa ity. Nambarany ihany koa ho fampivondronana ny ekipa, ho fandraisana ireo mpilalao vaovao, ho fanomanana ny mpilalao hiasa hiaraka ny lalao atao any Luxembourg. Marihina fa ny 9 ka hatramin’ny 17 novambra 2020 ny lalao mandroso sy miverina hifandonan’ny ekipam-pirenena Malagasy sy ny Côte d’Ivoire ho an’ny fifanintsanana CAN 2021. Nirina R. Cet article KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis a été récupéré chez Délire Madagascar.

Mediatioran’ny Repoblika  : mitombo ny fitarainana voaray
26/09/2020

“Asa tsy maintsy tanterahina ny fanampiana ny olona mifandray amin’ny mpiasam-panjakana. Raha mandeha tsara ny asam-panjakana, tsy misy ny fitarainana. Mampalahelo fa mitohy ihany ny fitarainana noho ny tsy fetezana amin’izany, indrindra tamin’ny taona 2019: nitombo ny fitarainana”, hoy ny mediatioran’ny Repoblika, i Andréas Monique Esoavelomandroso, tamin’ny fanaovana tatitra ny asan’ny andrimpanjakana tarihiny, taona 2019-2020, teny Isoraka, omaly. Tafakatra 300 ny fitarainana voaray, taona 2019-2020, raha latsaky ny 200 izany teo aloha.Tena andraikitry ny mediatioran’ny Repoblika ny fanampiana ireo olona manao fitarainana aminy. Ny momba ny ady tany no tena misy, indrindra ny amin’ny fisotroan-dronono tsy mety milamina tsara. Mila fanamboarana ny lalàna avoakan’ny minisiteran’ny Tetibola sy ny fitantanam-bola, izay tokony ho fantatry ny olona mialoha. Eo ihany koa ny amin’ny ady tany, ny ady lova…Ny fandehanana any amin’ny faritra no tokony hataon’ny mediatioran’ny Repoblika amin’izao: fampahafantarana ny olona izay tokony ho fantany. Eo ihany koa ny fahampahalalana lalàna, izay mbola mila fanamboarana.R.Nd.L’article Mediatioran’ny Repoblika  : mitombo ny fitarainana voaray a été récupéré chez Newsmada.