Fitantanan’ny miaramila nanongam-panjakana: hozaraina ny seza, 18 volana ny Tetezamita any Mali

News - Fitantanan’ny miaramila nanongam-panjakana: hozaraina ny seza, 18 volana ny Tetezamita any Mali

News - Fitantanan’ny miaramila nanongam-panjakana: hozaraina ny seza, 18 volana ny Tetezamita any Mali

Voarafitra ary nankatoavin’ny hery
velona any Mali ny sata hitondrana ny Tetezamita. Haharitra 18
volana izany, araka ny tapaky ny fihaonambem-pirenena natao tao
Bamako, ny herinandro teo. Nahitana ny miaramila, ny vovonan’ny
mpanohitra, ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika, ny mpanao
gazety izany… Nifanarahan’ny rehetra fa hapetraka ny rafitry ny
fitondrana Tetezamita ka ahitana filoham-panjakana vonjimaika
sivily na miaramila, miaraka amin’ny filoha lefitra iray. Hisy koa
ny governamanta hotarihin’ny praiminisitra ahitana mpikambana miisa
25. Eo koa ny filankevi-pirenena ho an’ny Tetezamita, hizarana seza
miisa 121 ho an’ireo mpitandro filaminana, ny antoko politika, ny
mpitondra fivavahana, ny zanak’i Mali any ivelany “diaspora”, ny
vehivavy sy ny tanora.

Anisan’ny misongadina amin’ny
And-19 amin’izany sata izany ny tsy hanenjehana na hisamborana ireo
miaramila nanongam-panjakana ireo.

Ho laharam-pahamehana ny fitoniana
sy ny filaminana. Ny fanorenana ifotony ny fanabeazana sy ny
fanaovana politika. Eo koa ny fanovana ny lalàmpanorenana.

Synèse R. 

Article tiré de Newsmada

L’article Fitantanan’ny miaramila nanongam-panjakana: hozaraina ny seza, 18 volana ny Tetezamita any Mali a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 14/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C.

Voatendry fanintelony ary mbola  nametrahana fitokisana. Naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta indray i Ntsay Christian.  Tsy niandry ela  fa novakin’ny sekretera jeneraly lefitra ny fiadidina ny Repoblika, Andriamaholy Dina, omaly tolakandro avy hatrany ny didim-panjakana manendry azy amin’izany  toerana izany sy ny andininy voalazan’ny lalàmpanorenana, miainga amin’ny And. 54.  Nialohavan’ny fanoloran’ny depiote maro anisa anarana telo tany amin’ny filoham-pirenena, izao fanendrena izao. Anisan’ny mbola naverin’izy ireo tao anatin’izany ny anaran’ny praiminisitra am-perinasa ka izao notendren’ny filoha  izao indray. Nahangona  sonia maherin’ny 100  amin’ny 151 ireo depiote tamin’ny fanolorana azy ho amin’izany toerana izany indray.Anisan’ny  itokisan’ny sehatra  iraisam-pirenena Tombanana  fa anisan’ny anton’izany safidy izany ny fomba fiasa hentitra  ananan’ity praiminisitra ity. Eo ohatra ny namerenana ny takelaka mena ho an’ny fiaram-panjakana manontolo. Ny ady amin’ny  kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana, ny fanatsarana hatrany ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manampy izany ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy.Tsiahivina fa voatendry ho Praiminisitry ny  marimaritra iraisana tamin’ny tolona nataon’ny  depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey i Ntsay Christian, ny volana jona  2018. Mbola nohamafisin’ny filoha Rajoelina izany ny volana janoary 2019 ka nanendreny hatrany ity lehiben’ny governemanta ity amin’izany toerana  izany ary izao mbola  naverina amin’ny toerany izao indray,  taorian’ny fitsanganan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity  herinandro ity.Minisitra ho voatana  na handao ny  sezany Araka  izany, andrasana  indray ny ho  fanolorany amin’ny filoha Rajoelina ireo  minisitra  handrafitra  ny governemantany. Mety misy ny ho voatana fa tombanana koa fa hisy ny hisaorana sy handao ny sezany raha jerena ny tao anatin’ny enim-bolana voalohany nitantanan’ny filoha Rajoelina ny fanjakana izay. Mety tsy hihoatra ny amin’ny herinandro ambony  io izany fanolorana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta Ntsay Christian  izany.Synèse R.  L’article Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - Téchnologie - Triatra

CENI : Misy ny fanatsarana azo atao amin’ny « logiciel »

Nahazo fanakianana nandritra ny fihodinana voalohany. Mialohan’ny hidirana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, fihodinana faharoa, dia nisy ny fitsirihina iraisam-pirenena natao tamin’ny kajimirindra, na ny « Logiciel » handraisana ireo vokatry ny fifidianana eo anivon’ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Taorian’ny fitsirihina naharitra telo andro, dia nampahafantarina omaly ny vokatry ny fitsirihina, izay nataon’ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena. Niverenana nojerena ireo « logiciel » roa nampiasain’ny CENI tamin’ny fihodinana voalohany, dia ny teny anivon’ny SRMV, na ny sampana mpanangona ny vokatra eny anivon’ny distrika, sy ny teo anivon’ny foiben’ny CENI nasionaly. Nilaza ireo mpanao fitsirihina tamin’ny tatitra nataony fa azo antoka, azo ampiasaina tsara amin’ny fiatrehana ny fifidianana ireo « logiciel » ireo. Na izany aza anefa dia nisy ihany ny fanatsarana azo atao ao anatin’ny fotoana fohy, sy amin’ny lavitr’ezaka. « Miainga amin’ireo fanatsarana ireo dia efa mijery lavitra sahady, satria mbola ampiasaina amin’ny fifidianana solombavambahoaka ireo « logiciel » ireo », araka ny fanazavan’ny kaomiseran’ny CENI, Marie Raharinarivonirina. Nifantoka kokoa teo amin’ny sehatry ny fiarovana ny fikirakirana atao amin’ireo logiciel ireo ny fanatsarana naroso. Ankoatra ireo manam-pahaizana ireo, dia nasaina hiatrika izany fitsirihina izany ihany koa ireo manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny infôrmatika avy amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana, na ny avy eto an-toerana, na ny avy any ivelany, ny solontenan’ireo kandidà. « Nijery tamin’ny ankapobeny ny fomba fiasan’ireo logiciel ireo izahay. Tsy afaka miteny hoe misy olana ve ao anatiny na tsia izahay noho izany. Nisy ny fitakiana fanatsarana nataonay, izay efa nentin’izy ireo teo. Tsy hiteny ihany koa hoe matoky na tsia, fa hitanay ny fomba fampiasana azy dia hitanay ny fomba hanaraha-maso ny voka-pifidianana », hoy kosa Andriamanampisoa Fenoheritiana, manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny Infôrmatika avy amin’ny kandidà Ravalomanana. Miarantsoa L’article CENI : Misy ny fanatsarana azo atao amin’ny « logiciel » est apparu en premier sur .L’article CENI : Misy ny fanatsarana azo atao amin’ny « logiciel » a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

”Raharaha karandohan’olona” – Morarano: hiditra an-tsehatra hanao fanadihadiana ny ”Justice et Paix”

Nambaran’ny lehiben’ny tonia mpampano lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, Rajaonah Thierry, fa olona miisa 10 ny efa nanaovana famotorana ka hatolotra ny fampanoavana. Hiditra an-tsehatra amin’ity raharaha ity ny eo anivon’ny Ekar amin’ny alalan’ny “Justice et paix” hikaroka ny marina ka hanao fanadihadiana momba ny fisian’ny resaka maloto sy ambadika kolikoly hanafenana ny marina. “Tsiahy ny raharaha tao Ambolomadinika na 4 chemins Morarano, ny 10 aogositra lasa teo, tamin’ny nilazan-dRavaonirina Elisabeth fa nahita karandohan’olona tao amin’ny efitrano tamin’ilay tokantrano nitadiavany asa ny tenany. Raha ny filazany, nitady asa izy ka nahita soratra momba izany ary niditra sy noraisin’ny ramatoa iray. Raikitra fa hikarama 200 000 Ar izy. Nirahin’ilay mpampiasa azy handro ao amin’ny efitrano fandroana ka teo indrindra no nilazany fa nahitany karandoha. Nisy ny fahatairana ka nitsoaka nivoaka ny trano sy ny vavahady izy ary nanomboka teo ny fisian’ny fikorontanana teo amin’ny fiarahamonina sy ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fisavana ilay tokantrano anefa, tsy nahitana na inona na inona tao an-tranon’ilay fianakaviana”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny tonia mpampano lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, Rajaonah Thierry, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly. Raha ho an’ity mpahay lalàna ity, tsy mitombina ny filazan’ilay tovovavy momba ny fahitany karandohan’olona tao amin’ilay tokantrano ka lasa nivadika ho fanakorontanana ny raharaha ary azon’ny lalàna enjehina amin’izany Ravaonirina Elisabeth, araka ny nambarany. Nilaza izy fa tsy olom-bitsy ny monina amin’io tanàna io, nahoana no tsy nahita izany karandohan’olona izany hatramin’izay. Na izany aza, nahavariana ity mpahay lalàna ity fa nilaza ny mpiambina nandritra ny famotorana azy fa tsy nahita ny fidiran’ity tovovavy ity tao amin’ity tokantrano ity. Io mpiambina io anefa, araka ny fanazavan’ilay tovovavy, isan’ny nampandositra azy ary nilaza hoe “mandehana mandositra haingana sao maty eo ianao”. Mbola nanizingizina ihany koa izy fa io mpiambina io no nanokatra ny vavahady nidirany sy nivoahany.Sajo sy J.CL’article ”Raharaha karandohan’olona” – Morarano: hiditra an-tsehatra hanao fanadihadiana ny ”Justice et Paix” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: « Voafetra ireo afaka mampiasa pasipaoro diplaomatika»

Namoaka fampahafantarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny momba ny fahazoana mampiasa pasipaoro diplaomatika.   ” Voafehin’ny lalàna apetraky ny rafitra mpanatanteraka ny fahazoana mampiasa ny pasipaoro diplaomatika sy ny pasipaoro hanaovana servisy“, hoy ny minisitera. Notsiahiviny ny didim-panjakana mamaritra ny fomba fahazoana ny pasipaoro diplaomatika sy ny fampiasana azy, ary ny lisitr’ ireo olona afaka mampiasa izany, na mandritra ny fotoana maharitra izany, na mandritra ny fotoana voafetra.Natokana ho an’ny olom-panjakana ambony“Natokana ho an’ireo olom-panjakana ambony eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara, voatanisa mazava ao anatin’ity didim-panjakana manan-kery ity, sy ireo tompon’andraikitra amin’ny asa ara-diplaomatika sy ao amin’ny kaonsily eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara, mandritra ny asa ataon’izy ireo any ivelany hisoloany tena ny governemanta Malagasy ny pasipaoro diplaomatika “, hoy ihany n y minisitera. Navoitran’ny fampahafantarana fa ireto ny lisitr’ireo olona afaka mampiasa izany pasipaoro diplaomatika izany mandritra ny fampiharana ny asany. Ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.  Ny praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny filohan’ny HCC. Ireo Solombavambahoaka sy  ireo loholona. Ireo mpitsara momba ny lalàmpanorenana. Ireo masoivoho sy ireo mpiandraiki-draharaha ary ireo kaonsily jeneraly. Manampy izany ireo kaonsily « Honoraires ». Ireo manampahefana sivily na miaramila, ireo mpiasa manana ny sokajy A5 ao amin’ny departemanta foiben’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, ireo olona mitana ny laharan’ny lehiben’ny fizaran’ny sampan-draharaha no ho miakatra, na koa ireo tompon’andraikitra mifandray amin’ireo solontena ivelan’i Madagasikara.Ireo mpitondra teo aloha… Ankoatr’izany, afaka mampiasa mandritra ny fotoana maharitra ny pasipaoro diplaomatika koa ireo mpitondra teo aloha rehetra. Anisan’izany ny filoham-pirenena teo aloha sy ireo praiministra nifandimby,  ny filohan’ny Anenimierandoholona sy filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha. Tahaka izany koa reo filohan’ny HCC teo aloha . Ireo minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha; ary koa ireo mpikambana ao amin’ny « Corps des agents diplomatiques et consulaires ». Anisan’izany ireo mpiandriakitra momba ny raharaham-bahiny ao amin’ny servisy nasionaly na iraisam-pirenena, na mbola am-perinasa izy, na efa misotro ronono. Afaka mampiasa ny pasipaoro diplaomatika mandritra ny fotoana maharitra na voafetra ihany koa, ny vadin’ireo olona rehetra  voatonona ao amin’ny andalana sasany eo ambony, hatramin’ny  tsy mbola ampy taona na latsaky ny 21 taona tsy mbola manambady. « Ampahatsiahivina etoana fa fehezin’ny lalànan’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fenitra diplaomatika azo ampiharina amin’ny fanjakana rehetra ny fampiasana ny pasipaoro diplaomatika. Anisan’izany ny Fifanarahana natao tany Vienne  momba ny fifandraisana ara-diplaomatika tamin’ny 1961 », hoy  ihany ny minisitera.Synèse R. L’article Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: « Voafetra ireo afaka mampiasa pasipaoro diplaomatika» a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – “Major league soccer”: tafita amin’ny ampahefa-dalana ny ekipan’i Metanire

Tafakatra amin’ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny fifaninanam-pirenena amerikanina « Major league soccer » (MLS), taranja baolina kitra, ny Minnesota United Football, misy ilay vodilaharana malagasy, i Romain Metanire. Resiny teo amin’ny fiihodinana faharoa ny Columbus Crew, tamin’ny alalan’ny «tirs au but», 5 no ho 3, rehefa nisaraka ady sahala 1 sy 1 tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja ESPN Wide world of sports complex. Niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Nanantombo teo amin’ny fanafihana sy ny fitazomam-baolina ry zareo Columbus, mpampiantrano. Marihina fa tao anatin’ireo 11 nijoro voalohany i Metanire, saingy tsy nilalao hatramin’ny farany izy fa nosoloin’i Marion Hairston, teo amin’ny minitra faha-72, noho ny ratra nahazo azy.Nitarika anisa ny Minnesota UnitedNampiditra ny baolina voalohany ny Minnesota United, tamin’ny alalan’i Robin Lod, teo amin’ny minitra faha-18. Tsy nisy intsony ny baolina maty taorian’izay fa io isa 1 no ho 0 io ny nentin’ny roa tonta niala sasatra. Niezaka nanindry avy eo ny Columbus. Nanasahala ny isa izy ireo, tany amin’ny minitra faha-79, rehefa nahazo “penalty” nodakan’i Zardes.Nahafaty ny baolina nodakany avokoa ireo dimy lahy ho an’ny Minnesota United, raha efatra ihany ny an’ny Columbus, teo amin’ny «tirs au but». Hidona amin’ny SJ Earthquakes, izay nandresy ny Real Salt Lake, tamin’ny isa 5 no ho 2, ny Minnesota United, eo amin’ny ampahefa-dalana. Lalao hotontosaina ny alahady ho avy izao.TompondakaL’article Kitra – “Major league soccer”: tafita amin’ny ampahefa-dalana ny ekipan’i Metanire a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa

Miditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny taona ity ny hetsika karakarain’ny Seho Event, nomeny ny anarana hoe Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux). Hetsika natokana indrindra ho an’ny taranja “arts martiaux”. Ny 9 hatramin’ny 11 aogositra no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely, hampisehoan’ireo mpikatroka ao anatin’ireo taranja 12 mandray anjara, ny mampiavaka ny taranjany tsirairay. Araka ny efa nahafantarana azy, hisarika ny tanora hankafy sy hampiroborobo ny fanatanjahantena, fa tsy ho variana amin’ny zava-mahadomelina sy ny revy, no tena tanjona amin’ity hetsika ity. Hiavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria misy ireo taranja vaovao sambany ho tazana amin’ity hetsika ity, toy ny taranja Kempo, ny taibo, ny Akama ary ny Kickboxing.Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny toerana be olona no hanaovana azy ary hitombo bebekokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny fampisehoana isaky ny taranja. Hisy mihitsy, ny tatami lehibe hanaovana izany fampisehoana izany, hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana. Ankoatra izay, toy ny mahazatra, tsy ho very anjara ireo izay maniry ny hividy na hanjifa fitaovana ara-panatanjahantena, hisy ny fampirantiana izany, toy ny fanamiana ara-panatanjahantena sy ireo fitaovana ilaina amin’ny taranja “arts martiaux” ary ny “sports extrêmes”. Mbola hisy ihany koa ilay tombola hahazoana loka goavana sy loka maro be mifandraika indrindra amin’ny resaka fanatanjahantena. Tapakila fidirana 2000 ar dia efa mety hahazoana izany loka izany.Araka ny fanazavana nentin’ireo dojo sy ny taranja efa nandray anjara tamin’ny herintaona, nahafa-po ary tena nitondra vokatra tsara tamin’ny fampandrosoana ny taranja tsirairay avy, ny andiany voalohany. Antony mbola mahatonga azy ireo hanatevin-daharana izany amin’ity andiany faharoa ity. Ho an-dRakotonirina Parfait, avy amin’ny taranja Kempo sy MMA (Mixed Martial Arts), sambany ny fandraisana anjara amin’ity, isan’ny nanosika azy ny fahafahany mampisongadina ny taranja Kempo sy MMA eto Madagasikara, amin’ny alalan’ity hetsika karakarakin’ny Seho Event ity, hampisehoany ihany koa fa manana zavatra betsaka omena ny mpikatroka malagasy amin’io taranja io.Mampanantena, araka izany, ny Seho Event, fa ho seho sy hetsika miavaka no ho hita mandritra ny 3 andro, ny 9, 10 ary 11 aogositra eny amin’ny Parvis Analakely. Mi.RazL’article SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

EPP Analakely: mpianatra 570 nizarana borosy nify

Mila kojaina dieny mbola kely ny nify hisorohana ny aretina samihafa rehefa lehibe. Vahaolana ny fiborosiana izany intelo isan’andro, hoy ny fanentanan’ny mpitsabo nify.   Efa manana nify telo simba ny 90% amin’ny ankizy malagasy, araka ny fanadihadian’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava, nanao hetsika fampianarana ny mpianatra hikoja ny nify sy ny ativava ny consulat de Monaco eto amintsika sy ny orinasa mpamokatra ny akora famotsiana nify, ny Colgate. Nosantarina teny amin’ny EPP Analakely ny fampianarana sy ny fizarana borosy nify sy ny akora miaraka aminy hanadiovana ny nify intelo isan’andro. Nampianarina ny mpianatra 570 (préscolaire-7ème) ny tokony ho fantatra rehetra ho salama ny nify. Hajanona any an-dakilsy rahateo ny fitaovana mba hitohy isan’andro ny fiborosiana nify ary misy mpanara-maso koa. EPP efatra (Analakely, Besarety, Antetezana Afovoany ary Faravohitra Ambony) ety am-piandohana ny hizarana ny fanentanana sy ny fitaovana ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mitarika aretina hafa ny nify simba tsy voatsabo ka fisorohana ny fiborosiana tsy tapaka izany. Ilaina koa ny manatona mpitsabo manokana ny nify, indroa isan-taona, ary soloina isaky ny telo volana ny borosy nify ampiasaina.“Nahazo tombony betsaka ny mpianatra eto aminay satria betsaka ireo tsy mahay miborosy nify na koa tsy manana fitaovana hanaovana azy”, hoy ny talen’ny EPP Analakely, Razafindranaivo Nadia, omaly teny an-toerana.Ankoatra ny fanohanana ny fahasalaman’ny mpianatra, mamatsy fitaovana toy ny orinatera ho an’ny mpianatra eny amin’ny CEG sy ny lycée ny consulat de Monaco, araka ny fanazavan’ny consul lefitra, Rabemanolontsoa Niry.Vonjy A. L’article EPP Analakely: mpianatra 570 nizarana borosy nify a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Adin’ny samy mpitandro filaminana :: Zandary nifampitifitra teny an-dalambe

Nifanjevo ny zandary roa lahy, samy mpiana-draharaha ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny Zandarimaria (FIGN), teny amin’ny sakana ara-pahasalamana Ambohimangakely, afak’ omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Tsy fantatra ny antony nampifanolana azy ireo fa ny tifitra niantefa tany amin’ilay zandary faharoa no nanaitra ny rehetra teo amin’ny manodidina, tamin’io alina io. Voalaza fa mbola notifirin’ iry voalohany tamin’ny basiny, kalachnikov, ihany koa ny lehibeny nitarika azy ireo teny an-toerana. Olon-tsotra iray hafa no anisan’ny naratran’ny bala tamin’izany fifanjevoana izany. Voatendry hanampy an’ireo mpitandro filaminana namany teny amin’ny sakana ara-pahasalamana, teny Ambohimangakely, ireo zandary ireo. Nidina nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny lehiben’ny FIGN, jeneraly Nixor Tsitambala. Nosamborina ilay zandary mpianadraharaha nahavanon-doza. Niatrika famotorona nanomboka omaly izy, hoy ny vaovao azo avy amin’ny Zandarimaria. Tsy misy indra fo Tohina mafy nanoloana an’izao tranga izao ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, jeneraly Ravalomanana Richard. “Tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana io zandary nahavanon-doza io. Misy koa ny fepetra anatiny ato aminay izay hampiharina aminy satria tsy mila olona toy izany izahay ato amin’ny Zandarimaria”. Nampiany fa “efa nomena ny fitsaboana sahaza azy ireo telo naratra, ary tsy misy ahiana intsony ny ain’izy ireo ”. Manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Soavinandriana ilay zandary mpiana-draharaha voatifitra voalohany. “Teo amin’ny sofiny havanana kosa no naratra tamin’ ilay sivily sendra nandalo ka voan’ ny piti-bala”, araka ny nampitain’ ny Zandarimaria. Nidina teny Ambohimangakely nankahery an’ireo zandary manohy ny asany ny jeneraly Ravalomanana Richard, omaly. L’article Adin’ny samy mpitandro filaminana :: Zandary nifampitifitra teny an-dalambe est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée,  sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…Hamaky ady amin’ny kolikolyVita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.Synèse R.   L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana

Tsy atao faralahy intsony ny fanatanjahantena. Araka izany, ampitomboina ny teti-bola iasana, hahafahan’ireo federasiona miatrika am-pahatoniana ireo lalao iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, tamin’ny lahateniny, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly.Ankoatra izay, hatsangana tsy ho ela akademiam-pirenena ho an’ny atleta avo lenta na ny “Academie Nationale pour les athletes de haut niveau”. Toerana hiofanan’ireo atleta manan-talenta, hiatrika fifaninanana. Sady hianatra izy ireo no hanomana ny tenany ao anatin’ny fanatanjahantena. Omena vatsim-pianarana, araka izany, ny atleta hiofana ao. Hapetraka any Toliara ihany koa ny dobo filomanosana olympika ary any Toamasina ny lapan’ny fanatanjahantena. Hananganana “dojo”, manara-penitra ihany koa ny isaky ny Renivohi-paritany, rehetra manerana ny Nosy. Efa any amin’ny komity olympika ny “tatami”, ho amin’izany, toerana natokana ho an’ny taranja haiady izany.Farany, araka ny fangatahan’ireo filohan’ny Komity olympika malagasy, homena pasipaoro maitso ireo filohan’ny federasiona rehetra, hahafahany mivezivezy, manatrika ireo fifaninanana sy fivoriana iraisam-pirenena. TompondakaL’article Fanatanjahantena: ampitomboina ny teti-bola iasana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… »
19/09/2020

Nitohy tany Sambava indray ny fidinana ifotony naton’ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Nitokana fotodrafitrasa maromaro ny tenany sady nitondra fanampiana koa. “Tsy ho faritra tara intsony tahaka ny teo aloha i Sava sy i Sambava. Manao fanamby isika fa fotoana hampandrosoana ity distrika ity izao. Tsy maintsy hotanterahina ireo fotodrafitrasa efa nampanantenaina ho an’ny faritra”, hoy izy tany an-toerana. Notokanana tamin’izany ny Hotel des Finances ao Besopaka. Fotodrafitrasa manafaingana ny raharaham-panjakana. Eo ny fanomezana fisotroan-dronono, karaman’ny mpiasam-panjakana, ny hetra sy fadin-tseranana.Nampiasa ny CVO + “gelule”Nankahery sy nanome ny tamby fandrisika ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Hopitalibe koa ny filoha mivady. Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny hopitaly, ahitana ireo fitaovana manara-penitra ahafahana haingana mamonjy aina ny tenany. Natolotra koa ireo “extracteur d’oxygène” miisa 50 handraisana ireo marary manana fahasarotana. Voalohany nisitraka ny « gelule CVO + » koa ny any Sambava. “Ho mora atelina sy ampiasaina kokoa ny CVO + mitaha amin’ny tambavy CVO ka antony namoronana azy io”, hoy ny filoha. Nijery ny fanamboarana ny lalana “pavet” sy “beton” eo an-tampon-tanàna sy ny manodidina koa ny tenany.Vatsy tsinjo sy Rakibolana ary kamiaoNotoloran’ny filoha fiara tsy mataho-dalana miisa roa koa ny faritra Sava ka ho an’ny distrikan’Andapa sy i Sambava izany. Manampy ireo ny “ca­mion benne” sy “benne” miisa dimy ho an’ny kaominina Sam­bava. Nifarana tamin’ny fanolorana Vatsy tsinjo avy aminy sy ny fanolorana milina fanjairana ary ny fizarana Rakibolana ho an’ny kilasy T5 sy T9 ny fitsidiham-paritry ny filoha mivady tao Sambava.Synèse R.L’article Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… » a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero
21/09/2020

Samy resy avokoa ny Linfield FC, misy an’i Hery sy ny CS Fola Esch, ilalaovan’i Ouassiero, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Europa league», taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo. Raha tsiahivina, resin’ny Floriana FC avy any Malte, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 tao amin’ny kianja filalaovany ao Windsor Park de Belfast ry Hery Bastien. Baolina tokana matin’i Matias Nicolas Garcia, teo amin’ny minitra faha-10.Henjankenjana ny fifandonana ka niraradraraka ny karatra mavo, na ho an’ny an-daniny na ho an’ny an-kilany. Niafara mihitsy tamin’ny karatra mena azon’i Ross Larkin, mpilalaon’ny Linfield, izany, minitra faha-74. Ankoatra izay, nesorina i Hery, minitra faha-78 noho ny havizanana.Tamin’ny isa tery, 4 no ho 3 kosa ny niondrehan’ny CS Fola Esch nanoloana ny FC Ararat avy any Armenia. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianja FFA Academy Stadium. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nivoaka ho mpandresy ny Armenianina, rehefa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’i Ouassiero hatreo amin’ny 90 mn. Voasahala izany, tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 1 mn) sy (90 + 4 mn). Teo amin’ny minitra faha-113 tamin’ny fanalavam-potoana ny baolina fahefatra naharesy ny CS Fola Esch. Nilalao 10 ihany koa ry zalahy, teo amin’ny faha-90 mn, rehefa nahazo karatra mena i Diogo Miguel Zambujo Pimentel. TompondakaL’article Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero a été récupéré chez Newsmada.

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.
20/09/2020

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC
24/09/2020

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.

Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna
24/09/2020

Nifarana, omaly tetsy Ankorondrano, ny fampiofanana ireo mpanolotsaina monisipaly eto  Antananarivo Renivohitra. Nampiofana sy nizara traikefa tamin’izany ny eo anivon’ny FES, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA. Niompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fiofanana ka anisan’izany ny fitantanana tsara rindra. Eo koa ny fitantanana sy ny lalàna mifehy ny tetibola: fanombohana sy ny tetibola fanampiny ary ny fanitsiana ny tetibola  mba hitovy ny fomba fijery sy ny fahalalan’ireo mpanolotsaina .Mbola hiofana koa ireo mpanatanterakaManampy ireo ny fampahafantarana ny andraikitra sy ny anjara asan’ny mpanatanteraka na koa ireo mpanolotsaina monisipaly. Tanjon’ny fampiofanana ny hanatsarana ny fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo ary ny fizarana ny traikefa. “Mbola hisy vinavina amin’ny fampiofanana ireo mpanatanteraka eo anivon’ny CUA”, hoy ny mpampiofana, i Miandriarivo John.Etsy andaniny, mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny CUA ho fanatsarana hatrany ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra.Nesorina avokoa ireo fiara tonta sy tsy mandeha…Nesorina avokoa ireo fiara efa tonta sy tsy mandeha intsony ka mibahan-dalana na mameno toerana fotsiny. Nesorina, tahaka izany, koa ireo « piquets » tsy ara-dalàna, mibahana ny lalàna sy ny toeram-pijanonan’ny fiara.« Vonona hatrany ny sampandraharahan’ny kaominina misahana ny fitaterana hiara-kiasa amin’ny tsirairay sy handray ny fitarainan’ny mponina, hampizotra tsara ny fifamoivoizana”, hoy ny tompon’andraikitra.Synèse R.  L’article Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray
19/09/2020

Fotoana fohy taorian’ny niaingany tao amin’ny seranam-piaramanidina Antsirabe, nidoboka tamin’ny tranon’olona iray, ao Tsarafiraisana, Ambano Antsirabe II, omaly antoandro, ny fiaramanidina kely iray. Naratra mafy tamin’izany ilay mpanamory sy mpianatra ho mpanamory tao anatiny.Nitrangana lozam-piaramanidina tao Antanivao Tombon­tsoa, fokontany Tsarafiraisana, kaominina ambanivohitr’Ambano, distrikan’Antsirabe II, omaly tamin’ny 12 ora sy 10 mn. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny talem-paritry ny Polisim-pirenena ao Vakinankaratra, fiaramanidina kely iray mitondra ny laharana 5RMKX no nianjera teo an-tokotanin’olona eo amin’io toerana io raha nikasa hihazo ny seranam-piaramanidina Antananarivo Ivato. Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidin’ Antsirabe ity fiaramanidina ity tamin’ny 11 ora sy 40 mn ka vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ny mpanamory sady mpampianatra ny niaraka aminy. Ireto olona roa ireto irery no tao anatin’ity fiaramanidina ity, araka ny tatitra voaray avy any an-toerana. Vao niainga kelikely anefa ilay fiaramanidina ka tamin’ny 12 ora sy 5 mn, fantatra fa nisy olana teknika tao amin’ny moterany ka nitarika ny fianjerany tao amina tokotanin’olona iray. Vokany, potipotika tsy nisy noraisina ilay fiaramanidina kely, nilatsaka mihitsy ny moterany. Naratra mafy ilay vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ilay mpanamory niaraka aminy.Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana…Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana nanao fizahana ny zava-nisy ny talen’ny fibaikoana ny Filaminam-bahoaka faritra Vakinankaratra sy ny lehiben’ny kaomisaria foibe Antsirabe, niaraka amin’ireo polisy miasa ao an-toerana. Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio ireto olona roa naratra ireto, saingy tsy misy atahorana kosa ny ainy, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Naratra mafy teo amin’ny lohany izy ireo ary efa mahatsiaro tena. Nieren-doza ihany koa ireo olona tao amin’ny toerana nianjeran’ilay fiaramanidina. Ny elatra havian’ilay fiaramanidina no nahakasika ny trano ka nitarika ny fahasimbana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana rehetra momba ity fianjerana fiaramanidina ity. Ahina ho tsy fahampian’ny tosika teo amin’ny motera teny am-piaingana no nitarika ny loza, saingy ny valin’ny fanadihadiana rehetra ny hamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha ity.Jean ClaudeL’article Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray a été récupéré chez Newsmada.

Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19
23/09/2020

Mbola mampanahy ary mety ho tonga amin’ny tampody fohin’ny Coronavirus. Nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly, fa misy olona enina vao tonga avy amin’ny sidina avy any Eoropa, mitondra ny tsimokaretina Covid-19.“Misy olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny tsimokaretina… Tsy maintsy atao fitiliana ireo mpandeha iray fiaramanidina vao tonga. Miaraka atoka-monina avokoa izy ireo avy eo ary efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana azy ireo, tahaka ny efa natao amin’ireo nitondra ny Coronavirus hatramin’izay ihany”, hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Midika izany fa tsy voahaja ny fepetra tany amin’ny firenena niaingana, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fitiliana 48 ora, mialoha ny hahatongavana eto Madagasikara.Miisa 25 ny tranga vaovao any DianaHampanahy koa ny hisokafan’ny sidina Nosy Be sy ny any ivelany, ny 1 oktobra izao, sy ny hanokafana ireo serana-piaramanidina vitsivitsy eto amintsika amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny 29 oktobra izao.Etsy andaniny, niakatra tampoka indray ny antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 63 ireo tranga vaovao amin’ny fitiliana natao miisa 598. Enina amin’izany ny avy eto Analamanga. Miisa 13 ny any Alaotra Mangoro raha telo ny any Vatovavy Fitovinany. Iray kosa ny any Boeny raha sivy ny any Diana ary miisa 25, anisan’ny maro indrindra, ireo nifindran’ny valanaretina any Sava.Mamahatra any avaratry ny Nosy ny Covid-19Mbola mamahatra any avaratry ny Nosy izany ny Coronavirus hatramin’izao. Niampy iray indray kosa ny maty ka tafakatra 226 izany izao ireo lavon’ny Covid-19 hatramin’izao. Tsy niova fa mbola miisa 20 ireo anaty fahasarotana amin’izao fotoana izao.Na izany aza anefa, miisa 61 ireo sitrana. Tafakatra 14 743 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 136 mitondra ny tsimikaretina Covid-19. Miisa 1 165 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 68 375 ireo fitiliana PCR vita raha miisa 7 221 ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana
21/09/2020

Niteraka korontana ny fanesorana an’ireo mpivarotra amoron-dalana, teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afak’ omaly. Voatery niditra an-tsehatra nanampy ny Polisy kaominaly ireo Polisim-pirenena misahana ny distrikan’Avaradrano. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny fandravana an’ireo andiana mpivarotra nanakana ny lalam-pirenena faharoa tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Nahitana marimaritra iraisana ihany anefa ity toe-javatra ity, taorian’izay ary soa fa tsy dia naninona ny vehivavy iray nitondra vohoka izay torana noho ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny hetsika nanesorana an’ireo mpivarotra amorondalana teny Ambohimangakely, tamin’ny sabotsy. Nasain’ny mpitandro filaminana hiditra tao anatin’ny tsena nomen’ny kaominina ireo mpivarotra. Ny fandraofana ny entam-barotra no tena nampitroatra an’iretsy farany. Nilamina ny toe-draharaha rehefa nisy ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanàna, Radafy Thierry sy ny solontenan’ireo mpivarotra, tamin’ny sabotsy hariva. Mitazona ny fepetra tsy fahafahana mivarotra amoron-dalana ny kaominina satria tsy mihemotra amin’ny ezaka fanadiovana sy fampandrosoana ary fampanarahan-dalàna ny tanàna ry zareo mpitantana. Nanaiky ny hiditra ao anatin’ny tsena vaovao ihany ireo mpivarotra, saingy tsy hampadoa haban-tsena azy ireo hatramin’ny faran’ny volana oktobra ny kaominina mba hitsinjovana an’ireo fianakaviana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. L’article Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

Sombintsombim-baovao
18/09/2020

 Karate-Analamanga: efa saika misokatra avokoa ny Dojo fikotranana eto amin’ny ligin’Analamanga, ho an’ny taranja Karate. Efa fantatra tsara amin’ny fanajana sy fanarahana fitsipika ny mpiangaly ity taranja ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Jean Paul, ka tsy ilaina fanentanana amin’ny fanajana ny fepetra. Isan’izany ny famerana ny isan’ny mpikotrana, tsy tokony hihoatra ny 100, ny fanasana tanàna ary ny fanajana ny elanelana. Judo-Analamanga: Miandry ny “coup d’envoi” avy amin’ny Ministera, ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny Ligin’Analamanga Judo, raha ny nambaran’ny filoha amperin’asa, Raoelison Vola. Raha ny tokony ho izy, amin’ny volana oktobra ho avy io, ny tokony hanaovana ity fifidianana ity. Mahakasika ny famerenana ny fanazaran-tena kosa, tsy mbola isan’ireo taranja mamerina ny kotrana ny Judo. Nambaran’ny mpanazatra fa tsy maintsy miandry torolalana avy amin’ny filohan’ny FMJ, izany. Nangonon’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo
21/09/2020

Miroso sy mandeha ny asa fanamboaran-dalana Ambilobe- Vohémar (RN5A). Anisan’nyfampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fanarenana tanteraka iny lalam-pirenena mampitohy ny distrika roa iny.Nidina ifotony tao Vohémar nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana izany ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny asa amin’izao fotoana izao. Efa saika tafapetraka avokoa ireo toerana hiasan’ny orinasa manao ny fanamboarana. Efa miroso ny asa fanamarinana sy fanajariana ny lalana (terrassement) na avy any Vohémar na ny avy any Ambilobe.Natao hijerena ny olana…Efa an-dalana tahaka izany koa ny fandrafetana sy fametrahana ireo fotodrafitrasa fivarinan’ny rano (dalots) miisa 60 mahery. Manampy ireo ny fijeren’ny minisitra ireo toerana fakana ranontany sy ny vato ary ny toby hipetrahan’ny orinasa manatentaraka ny asa. “Natao indrindra hijerena ny fandrosoan’ny asa sy hifampidinihina amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ireo olana mety mitranga ny fidinana ifiotony tahaka izao. Jerena koa ny mety hampitarazoka na hampikatso ny asa, ary hanomezana toromarika amin’ny fandrindrana ny asa amin’ny ankapobeny”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoana any amin’iny faritra avaratra iny ny fahavitan’io lalam-pirenena io. Tahaka izany koa ny efa hirosoana amin’ny fanamboarana ny lalana Ambilobe mihazo ny any Antsiranana.Synèse R.L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo a été récupéré chez Newsmada.

Fanadihadian’ny OIT: anisan’ny ratsy karama indrindra ny eto Madagasikara
18/09/2020

Anisan’ny firenena ratsy karama indrindra aty Afrika i Madagasikara, araka ny fanadihadiana  nataon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Tsy misy fiovana izany hatramin’ny 2004, fampiharana ny Ariary, ka hatramin’izao. Ambany indrindra ny karama amina sehatra tsy miankina. Tamin’ny 2019, salanisa amin’ny ankapobeny, 168 000 Ar isam-bolana, sokajin’asa farany ambany M1-1A ; 340 000 Ar sokajy OP3 – M5. Samy ivelan’ny sehatry ny fambolena avokoa ireo.Any amin’ny fambolena, ivelan’ny rafitra ara-dalàna, ny maro anisa sy kely ambany indrindra, sahanin’ny isam-pianakaviana. Isan-taona, fiakaran’ny vokatra, ny andraisam-bola izay miankina amin’ny karazam-bokatra: vary, lavanila, legioma, sns. Misy tsy manana fidiram-bola afa-tsy 170 000 Ar isan-taona.Betsaka ny miasa tena ivelan’ny ara-dalànaNy karama no singa iray andrefesana ny fari-piainan’ny Malagasy sy ny toekarem-pirenena. Singa iray hidiran’ny mpampiasa vola avy any ivelany sy eto an-toerana. Hita fa any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny fampiasam-bola be indrindra, antapitrisany dolara na amina miliara dolara, toy ny ataon’ny orinasa Ambatovy sy ny QMM. Io karama ambany io ny mahabetsaka ny miasa tena ivelan’ny ara-dalàna. Ankoatra ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono, hita izany amin’ny fahamaroan’ny mpivarotra.Na izany aza, mahazo tohana avy amin’ny (OIT) ny sehatra maro eto Madagasikara: politika famoronana asa, fanohanana ny sehatra tsy miankina ho fampandrosoana ny toekarena eto an-toerana, fananganana orinasa madinika, ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Mbola tsy takona afenina anefa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny asa, toy ny tsy fiantohana ara-pahasalamana, tsy fisoratana any amin’ny Cnaps. R.MathieuL’article Fanadihadian’ny OIT: anisan’ny ratsy karama indrindra ny eto Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.