Fitakiana ara-dalana :: Manambana hidongy ny fifidianana loholona ireo mpanohitra

News - Fitakiana ara-dalana :: Manambana hidongy ny fifidianana loholona ireo mpanohitra

News - Fitakiana ara-dalana :: Manambana hidongy ny fifidianana loholona ireo mpanohitra

Hidongy ny fifidianana loholona hotanterahina, amin’ny zoma 11 desambra 2020, ny fianakaviamben’ny mpanohitra, raha tsy tomombana avokoa ireo fepetra aradalàna mifanaraka amin’izany. « Hajao aloha izay voalaza ao amin’ny andininy faha-80 ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana », hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, omaly.

Voalazan’io andininy io fa « isan’ireo mpifidy lehibe handray anjara amin’ny fifidianana ireo lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny faritany miaraka amin’ireo lefiny ». « Tsy feno ny fepetra ka fifidianana tsy ara-dalàna no tadiavina hatao eto ary tsy azo ekena », hoy izy.

Nohamafisin-dRamalason Olga, loholon’ny antoko TIM ihany koa fa « tsy te handray anjara amin’ny fifidianana tsy ara-dalàna ry zareo ». « Amboletra no atao eto, hoy kosa izy, satria tsy mba nakàna ny hevitry ny antenimiera akory na io fampihenana ny loholona ho 18 io aza ».

Fitadiavana kandidà

Etsy an-daniny, efa miatrana ireo antoko miaradia amin’ny fitondrana. Nivory nandinika ny fomba hiatrehana an’izany fifidianana handraisan’ny mpifidy lehibe anjara izany izy ireo tetsy amin’ny Arena Ivandry, omaly. Nitarika ny fihaonana teny an-toerana ny sekretera nasionalin’ny antoko Tanora malaGasy Vonona sady governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery.

Tsy nisy nipika ny resaka. Voalaza anefa fa efa eo ampikarohana an’ireo kandidà handray anjara amin’io fifidianana loholona io ireo mpanao politika akaiky ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Mbola ao anatin’ny dinika mihitsy izao ka tsy misy azo resahana aloha », hoy fotsiny ny loharanom-baovao iray.

L’article Fitakiana ara-dalana :: Manambana hidongy ny fifidianana loholona ireo mpanohitra est apparu en premier sur AoRaha.

Fitakiana ara-dalana :: Manambana hidongy ny fifidianana loholona ireo mpanohitra

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

FAKAFAKA: mpanao asa « masina » ny mpanakanto !

Aleo, angamba, hampidirina ao anaty farango sosona tahaka izao ny teny hoe “masina” mba tsy handeha na hisidina lavitra be any ho any ny saintsika. Ety am-piandohana ihany koa anefa, mety ho tsaratsara kokoa anga ny filazana hoe “adidy” raha oharina amin’ny hoe “asa”. Sao mantsy isika ka hifantoka be any amin’ny karama raha vao lazaina hoe “asa”. Na tsy hitaky tambiny aza ny mpihira, ny mpanao hosodoko,  ny mpanao sary sokitra, sns, vao mahare na mahita ny sanganasan’izy ireny fotsiny ny olona, dia efa mahazo sy maharay zavatra.Izany hoe, adidy goavana sy “masina” eo an-tsoroky ny mpanakanto, ny kanto iray ataony, raha vao avoakany ka tafapaka any amin’ny mpiara-monina. Tsy misy afa-bela amin’izany, rehefa mpanakanto. Ekena fa mety mbola ho sarotra ny mamaritra ny hoe, izay marina na inona marina no antsoina koa “mpanakanto” sy “kanto” eto Madagasikara, kanefa tsy tokony hatao hibahan-dalana ka sanatria tsy hahalalana ilay adidy “masina” omena ny mpiara-belona izany.Mety azo ampiraisina ao anaty sokajy iray ihany ny ray aman-dreny, ny mpanabe, ny mpampianatra, ny mpanakanto, sns, satria samy manefa adidy “masina”. Manomboka miverina tsikelikely amin’ny “asa” fanaony ny mpanakanto. Midika izany fa mitombo isa ihany koa ny fitaratra eo anivon’ny fiarahamonina…… Mety ho azo antenaina ve fa hitombo hanaraka izay ihany koa ny olon-kendry atsy ho atsy? Ho hita eo izay ambaran’ny ampitso!HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: mpanao asa « masina » ny mpanakanto ! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… »

Namoaka  fehin-kevitra ireo eo anivon’ny Fikambanan’ny olom-pirenena tsy mankasitraka ny hosoka sy ny halabato ary koa ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana (MCFIE). “Havaozina  tanteraka aloha  ny lisi-pifidianana. Takinay  ny tsy fiandaniana  sy ny fahaleovantenan’ny  Ceni. Havaozina ny mpikambana  eo  anivon’ny  HCC”, hoy  ny fanambaran’izy ireo,  navoaka, omaly. Tsy vitan’izany fa takin’izy ireo hotanterahina ireo vao azo  irosoana sy  hatao ny  fifidianana ben’ny Tanàna. “Tsy tokony  hatao aloha izany raha  tsy  tanteraka  avokoa ireo  fitakiana sy fepetra ireo”, hoy ihany  izy ireo. Ankoatra izany, anisan’ny takin’izy  ireo  ny hitondran’ny  HCC fanazavana amin’ny  antsipiriany ny momba  ireo fitoriana  sy fitarainana  maherin’ny 700  tamin’ny fifidianana  solombavambahoaka  farany teo  iny. Anisan’ny mpikambana mandrafitra ity MCFIE ity  ireo olom-pirenena tsotra.  Fa eo koa  ny pasitera Tsarahame Edouard,  Riribe, ny Dr Razafindrakoto Harison…Synèse R.  L’article Fitakin’ny MCFIE: « Havaozy ny  lisi-pifidianana… » a été récupéré chez Newsmada.

News - Rugby - Sport - News Mada

Rugby – «Gold Top 20»: hidona ny JSTA sy ny Cosfa

Miato ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Gold Top 20», amin’ity faran’ny herinandro ity. Tsy hisy lalao, araka izany, eny amin’ny kianja Andohatapenaka. Efa tapitra avokoa ny fifanintsanana isam-bondrona ary efa fantatra ireo ekipa mbola manohy fifaninanana. Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana ireo ekipa sisa tafita, ny alahady 25 novambra ho avy izao. Anisan’ny fihaonana goavana indrindra ary hiendrika famaranana kely ny fifandonana eo amin’ny JSTA Ambondrona sy ny Cosfa (Bebaoty). Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany ary tsy vao izao akory no hidona fa faninefany amin’izao, tao anatin’ity taom-pilalaovana 2018 ity. Hatreto aloha, tsy mbola tafavoaka tamin-dry zareo Bebaoty mihitsy ny Ambondrona. Na izany aza, ekipa samy manana ny fahaiza-manaony izy ireo. Manana mpilalao tanora sy mailaka ny Ambondrona. Etsy ankilany, efa voky traikefa tanteraka kosa ry zareo mandrafitra ny Cosfa. Adin’ny samy ekipa kartie kosa ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny SCB Besarety. Heverin’ny rehetra fa mety hanantombo ny Manjakaray noho ny fahazaran’izy ireo lalao goavana. Hiezaka hanohitra kosa Besarety, izay fileovana nahavita dingana tsy nampoizina, tamin’ity.   Tompondaka Ireo fandaharan-dalao rehetra :    USA Ankadifotsy # FTA Andavamamba TFA Anatihazo # XV Fa Ampasika Cosfa # JSTA Ambondrona FTM Manjakaray # SCB Besarety UIRC # VTMA Antsalovana 3F5 Amboditsiry # STM (Savony) Asa Ambohimanarina # 3FB (Fahasalamana) XV Avenir # US Ikopa

News - News Mada

Rugby – TOP 20(fifanitsanana): hifandona etsy Mahamasina ny Ftba sy ny Hiza 17

Hitohy etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny faran’ny herinandro izao, ny fifanintsanana hahazoana tapakila hiatrehana ny fifaninanana TOP 20, eo amin’ny taranja Rugby. Azo lazaina, fa lalao goavana avokoa no hitranga eny amin’izany raha ny fandaharan-dalao efa voalahatra. Isan’ny tena andrasan’ny maro, ny fifandonana eo amin’ny Ftba avy eny Andohatapenaka sy ny Hiza 17 avy etsy Angarangarana, lalao izay tena misokatra tanteraka ary mbola tsy fantatra mialoha izay hivoaka mpandresy. Hanokatra ny andro, ny fifandonana eo amin’ny As Ambohimanarina sy ny Vtma avy etsy Antsalovana, izay ekipa samy afaka mandrombaka fandresena avokoa. Aorian’io ny Tfma avy etsy Ankasina hifanandrina amin’ny Fbm Bemasoandro. Ekipa mifankafantatra tsara izy ireto, tombanana efa zatra ady ny ekipan’Ankasina, saingy tsy ambakan’izay koa ny avy eny Bemasoandro, izay manana mpilalao taniketsa maro afaka manohitra tsara ny boaikelin’Ankasina. Amin’ny 12ora sy sasany kosa no hiditra an-kianja ny 3F5 avy eny Amboditsiry, hihaona amin’ny Matadorea avy etsy Anosipatrana. Eo am-piandrasana izany, toy izao no fandaharan-dalao rehetra. Alahady 4 aogositra – kianjaben’i Mahamasina : 8ora 30mn: Asa Ambohimanarina # Vtma Antsalovana, 10ora30mn : Tfma Ankasina # Fbm Bemasoandro, 12ora30mn : 3F5 Amboditsiry # Matadorea Anosipatrana, 14ora30mn : Ftba Andohatapenaka # Hiza 17 Angarangarana. Mi.RazL’article Rugby – TOP 20(fifanitsanana): hifandona etsy Mahamasina ny Ftba sy ny Hiza 17 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ho an’ny CEG eto an-dRenivohitra: nanomboka omaly ny BEPC andrana

Raha efa mahazatra ny rehetra ny fanadinana CEPE andrana, sambany nisy ny BEPC andrana iraisan’ny CEG rehetra ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, nanomboka omaly ary hifarana ny alakamisy ho avy izao. Mitovy amin’ny fanatanterahana ny fanadinanana BEPC tena izy ny fizotry ny andrana ary tokana ny laza adina ho an’ny CEG 15 eto an-dRenivohitra. Omaly, niatrika ny taranja malagasy sy sciences de la vie et de la terre ny mpiadina, hitohy amin’ny mathématique sy ny français anio. Ny alarobia, hanao ny taranja histogéo sy ny physique – chimie ny kilasy 3ème ary hofaranana amin’ny teny vahiny nosafidin’ny mpiadina amin’ny sokajy A ny alakamisy maraina.Ilaina ny andrana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpiadina sy hanarenana ny lesoka satria mbola manana iray volana ny mpanabe. Aorian’ny andrana, tsy maintsy ampahafantarina ny mpianatra rehetra ny vokatra hanaovana ezaka ho an’ny taranja mbola tsy voafehy. Ny sekoly katolika, manana ny lamina azy manokana ary manatontosa BEP andrana iraisan’ny sekoly ao aminy.27 525 ny mpiadina BEPC eto Antananarivo       Hotontosaina ny 9 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Ho an’ny Cisco eto Antananarivo Renivohitra, mahatratra 27 525 ny isan’ny mpiadina izay nidina raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. 32 ny foibem-panadinana ary ny lycée fito eto an-dRenivohitra no handray ny fitsarana ny laza adina. 22 793 ny sokajy A raha 4 732 ny sokajy B izay manantombo kokoa ny coefficient ho an’ny taranja fizika. Iray ny mpiadina manana fahasembanana, 46 ny zokiny indrindra, vehivavy, raha 10 taona ny zandriny indrindra, mbola ankizivavy ihany koa.Vonjy A. L’article Ho an’ny CEG eto an-dRenivohitra: nanomboka omaly ny BEPC andrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Saba-droa lela : Be loatra ny mpanelanelana

Iray amin’ireo tsiny mahazo ny mpanakanto eto an-toerana ny tsy fahaiza-mivarotra. Kanefa azo amidy avokoa, “hono”, izay ateraky ny talenta… Sa ve misy sakana tsy ahafahan’izy ireo mivarotra ao ambadibadika ao?Efa ela tsy nisy sahy nandà fa manan-talenta ny Malagasy. Mana­ma­fy izany ny fananan’i Mada­gasikara mpanakanto maro misehatra amina zavakanto samihafa. Tsy vitsy amin’izy ireny ny mivarotra ny asa vitany avy amin’io talentany io. Hatreto anefa, mbola mahatsiaro ho voambaka ny ankamaroany. Tsy mety mifandanja ny varotra fa toa matiantoka hatrany ny tompon’entana na ny mpanakanto. Raha tsy mi­fanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa, tsy hividy izy. Ma­rina io satria lalan’ny varotra… Fa tsy diso ihany koa ny filazana fa tsy tokony hosandaina amina varifitoventy ny talenta voajanahary! Manjaka be eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ohatra, ny atao hoe fanarahana fenitra. Tsy ny tompon’ny talenta ny mametraka an’io fa ry zareo mpanelanelana kinga amin’ny raharaham-barotra. Matetika izy ireny ny “mibaiko” ny mpanan-talenta. Na tiana na tsy tiana, tsy maintsy ho voabaiko manaraka izay ihany koa ny talenta. Ao ireo nanjary nanana lasitra iray mihitsy, satria, izany, hono, ny takin’ny tsena. Anisan’ny manana ny mampiavaka azy, ohatra, ny hira malagasy, kanefa tsy mahavaky ny tsena iraisam-pirenena raha tsy manaraka ny fepetra apetraky ny mpanelanelana. Vokatr’izay, mety ho zary mifahatra amin’ny varotra ny zavakanto malagasy, raha ny lalana tahaka io no arahina. Mbola azo lazaina ho kanto ihany ve anefa ny vokatra teriterena tahaka izany? Nahoana ireo mpanelanelana no hametraka ny fenitra ho an’ny zavakanto? Anisan’ny vahaolana tsara ho an’ny mpanakanto malagasy (mpihira, mpanao asa tanana,…) ny fananana fahaizana mikaro-dalana sy mifampiraharaha ao anatin’ny tontolon’ny varotra. Fa raha mbola ireo mpanelanelana no hanao izay hampandeha ny varotra ataony, tsy hanana izay maha izy azy mihitsy ny mpanakanto! Sa ve, samy manana ny anjara asany?HaRy RazafindrakotoL’article Saba-droa lela : Be loatra ny mpanelanelana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Anjanahary :: Tovolahy, 20 taona, tratra nangalatra fiara

Voatazona eny amin’ny polisy ny tovolahy iray, 20 taona, voarohirohy ho nikasa hangalatra fiara, teny Anjanahary, omaly tolakandro. Tafaporitsaka ny namany iray niaraka taminy. Nampandrenesin’ny fokonolona haingana ny tompon’ny fiara marika iray « Peugeot 309 » saika nisy nangalatra teo Anjanahary. Voalaza fa olom-pantany ihany iry voatondro ho nikasa hangalatra iry. «Manana fanalahidy mahavaha ny fiara ilay tovolahy. Efa voasokatra sy velona ny fiara no taitra ny olona teo amin’ny manodidina. Nitangorona ny olona, saika hanao fitsaram-bahoaka», hoy ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana ny polisy avy eny amin’ ny Kaomisaria Antaninandro naka an’ilay voarohirohy. L’article Anjanahary :: Tovolahy, 20 taona, tratra nangalatra fiara est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Trano fiantohana MAMA: « Tsy ara-dalàna ny fifidianana ny filankevi-pitondrana »

Nanambara ny mpitatitra mpikambana ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (MAMA) fa tsy nanara-dalàna ny fifidianana ny mpikambana enina ao amin’ny filankevi-pitondrana, notanterahina ny volana desambra 2018.Tsy nanaja ny satam-pikambanana ihany koa ny fifidianana satria tokony ho olona manana fiara iray mpanao fitaterana olona na entana sy mahalo ny latsakemboka 500 000 Ar isan-taona no afaka milatsaka hofidina ho mpikambana. Notanterahina tany Nosy Be ny fifidianana izay tena lavitra raha mitaha amin’ny toerana misy ankamaroan’ny ny biraon’ny mpitatitra sy ny kaoperativa. Tsy nampahafantarina io fifidianana io rahateo ny mpitatitra mpikambana sy nanorina ny trano fiantohana MAMA, hoy ny solontenan’ny mpitatitra, Raharinirina Clémence, omaly teny Antaninarenina. Amin’ny mpikambana enina voafidy handrafitra ny filankevi-pitondrana, olona iray ihany no manafeno ny fepetra fa ny dimy ambiny tsy tokony ho tafiditra mihitsy. Noho izany, miantso ny minisiteran’ny Fitantanam-bola izay miahy ny trano fiantohana hanafoana ny fifidianana izay natao farany teo ny mpitatitra. Mangataka ny fametraham-pialan’ny mpikambana voafidy koa satria tsy nanaja lalàna sy ny satam-pikambanana. Tokony hosoloina ny mpikambana rehefa tsy mahafeno ny fepetra.Te hanatsara ny orinasa fiantohana MAMA ny mpitatitra nefa tsy mety raha misy ny tsy fanaraha-danàna tahaka izao. Ilaina ny fanatsarana ny tolotra izay mampimenomenona ny mpitatitra mpikambana rehefa sendra lozam-pifamoivoizana izy ireo. Indraindray, maharitra an-taona maro vao mivaly ny fangatahana onitra sy fanonerana ho an’ny naratra.Tokony handray andraikitra haingana ny minisitera miandraikitra fa fanararaotana ny mpitatitra no nitranga, hoy ny mpitatitra iray, Rakotoarimanana Fidimalala.Vonjy A.    L’article Trano fiantohana MAMA: « Tsy ara-dalàna ny fifidianana ny filankevi-pitondrana » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanenjehana olon-dratsy :: Lehilahy namoy ny ainy voatifitra tany Manja

Nisy fifandonana teo amin’ny polisy sy ny andian-dehilahy efatra voatondro ho olon-dratsy tany Taranta, kaominin’i Manja, ny zoma lasa teo. Maty voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy. Efa ela no nahafantarana an’ireo olon-dratsy ireo noho ny fanafihana narahina famonoana vehivavy iray tany an-toerana, tamin’ny taona 2018, araka ny fanazavana voaray. Naheno vaovao amin’ny fisiana efa-dahy nihaodihaody tany amin’ny tanàna telo amby roapolo kilaometatra atsinanan’ i Manja, ny polisy any an-toerana. Efa notadiavina nanomboka ny volana desambra 2018 ireo lehilahy voalaza ireo. Tsy nanaiky hosamborina mora foana iretsy farany, fa nitifitra ny mpitandro filaminana. Namaly ireto farany. Tafatsoaka ny telo. Hita tao anaty lobolobo kosa ny vatana mangatsiakan’ny naman’izy ireo iray. L’article Fanenjehana olon-dratsy :: Lehilahy namoy ny ainy voatifitra tany Manja est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly

Tsy mbola  nisy tahaka izao. Tanjona napetraky ny filoha ny hamboly hazo amin’ny velarana 40 000 ha isan-taona hameranana ny Nosy ho maitso sy hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. “38 500 ha hatramin’izao no vita, araka ny tatitra taorian’ny fivorian’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fambolen-kazo ao anatin’ny minisitera, i Jaozandry Jean Jacques, tany Mahajanga. Heverina fa ho tratra izany hatramin’ny faran’ny taona. Anisan’ny hamaliana ny vina ny fambolena zanaka ala honko any Boanamary, ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny ala honko rahateo ny hetsika. 1 tapitrisa ny hazo voavoly tao anatin’ny tontolo andro, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget. Niampy iray tapitrisa tany Befotaka Morombe  sy ny tany Diana miisa 600  000 izany. Nampiasa ny fomba “Tangnamaro” ny mpamboly hazo ka nirindra ny asa nahavitana ny velarana 200 ha. “Ny fahavononana politika mihitsy no tsy ampy”, hoy ny minisitra.Vonjy A. L’article Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW
17/09/2020

Hisy ny hetsika manokana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy 21 septambra 2020 ho avy izao mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana “WW…” sy ny laharana vahiny. Manoloana izany indrindra, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny DGSR. Ho an’ny fiaran’olon-tsotra dia hisy ny fisavana ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fandraisana ara-teknika eny Alasora, By-Pass ary eny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohi-paritra. Ho an’ireo fiara vaovao novidina teny amin’ny orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara “concessionnaires”, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika. “Hamafisina fa ny fandraisana ara-teknika eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo ivontoerana manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina hahafahana mahazo laharana eny amin’ny mpamoaka izany, na ho an’ny fiara vaovao izany na ireo efa niasa”, hoy ny DGSR.Jean Claude L’article DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW a été récupéré chez Newsmada.

Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana
21/09/2020

Nirehitra ny sekoly « Notre Dame de Lourdes », tantanan’ny masera any Manjakandriana, afak’omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 50 minitra tolakandro. Araka ny voalazan’ireo tompon’ andraikitry ny sekoly tamin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra tao amin’ny ambaratonga faharoa no nitarika ny loza. Potika tanteraka ny fitaovana tao anatin’ireo efitrano fianarana misy ny ambaratonga faharoa, ankoatra ireo seza sy latabatra tafavoakan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Niara-nisalahy tamin’ny famonoana ny afo tany an-toerana ireo miaramila avy amin’ny Rezimantan’ny Jenia fahatelo sy ireo zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra any an-toerana ary ny fokonolona. Naharitra ora roa teo ho eo ny fahamaizana. Tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany mahery vao voafehy tanteraka ny afo rehetra. L’article Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana est apparu en premier sur AoRaha.

Fanjavonana fiara
17/09/2020

Niveri-maina ireo Polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana tonga hanao fizahana ny fiara iray tra-doza teny Ambohimiandra, afak’omaly alina. Voalaza fa naratra mafy tamin’io loza io ny mpamily, rehefa nidona tamin’ny andrin-jiro ny fiara. Vakim-pitaratra anefa sisa no hitan’ireo polisy teny an-toerana, minitra vitsy taorian’ny loza. L’article Fanjavonana fiara est apparu en premier sur AoRaha.

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra
24/09/2020

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa
17/09/2020

Nanao ny tratry ny heriny ihany ny fokonolona tamin’ny famonjena azy ireo, saingy tsy avotra ny an’izy efatra mirahalahy. Maty sempotra raha nilatsaka tao anaty lavapiringa nodioviny, somary lalindalina. Adiny roa taorian’ny nitrangan’ny loza vao tafakatra ireo razana.Tsy nampoizina ! Izany tokoa rehefa ho avy ny loza. Efa-dahy (mpiray tampo ny telo raha fianakaviana akaiky azy telo ny iray) indray maty tsy tra-drano nihotsahan’ny tany tao anaty lavapiringa, omaly, tao Ambatondrazaka. Nanadio lavapiringa « WC fosse septique » tao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ambohimiangaly Ambatondrazaka izy efa-dahy ireto. Efa tafakatra teny ambony izy ireo no nahatsikaritra ny iray fa nisy hadino tao anaty lavaka ny fitaovana nampiasain’izy ireo. Niverina naka izany tao anaty lavaka ny iray ka tamin’izany indrindra no nahalatsaka azy tampoka tao anaty lavaka. Nikoropaka ireo namany raha nahita ilay namany iray latsaka. Nanao ny ho afany ireo namany telo lahy nanavotra ilay tovolahy, saingy nisolifatra tampoka ihany koa rehefa niezaka nanavotra azy. Vokany, samy niara-latsaka tao anaty lavaka avokoa izy efa-dahy.Nanahirana ny fisokirana ny razana…Niezaka nifanome tanana tamin’ny fampiakarana ny razana ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona tao an-tanànan, saingy nananosarotra anefa izany noho ny halalin’ny lavaka. Teo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana teo am-pelatanana nentina nampiakarana ny razana. Tohatra no nampiasaina nentin’ireo mpanavotra nampiakatra ny razana avy ao anaty lavaka. Naharitra teo amin’ny adiny roa teo izany. Taorian’izay, efa natolotra ny fianakaviana ny razana.  Mandeha kosa ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity. Matetika misedra olana hatrany ny mpanadio ireny lavapiringa sy mpanamboatra sy/na mpanadio lava-drano ireny. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana, raha vao mihoatra ny 10 metatra ny halalin’ny lavaka dia misy gazy manempotra sy mahafaty tampoka any ambanin’ny tany.J.CL’article Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa a été récupéré chez Newsmada.

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina
21/09/2020

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka
23/09/2020

Nohon’ny fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana dia nahitana fihenana ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany dia nakatona tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Septambra 2020 ny ivon-toerana fandraisana ireo mararin’ny coronavirus (Centre de Traitement Covid-19) ao Mahamasina, izay ivon-toerana farany nandray ireo marary.  Ireo hopitaly lehibe arak’izany no mandray an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Azo lazaina fa mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy eto Madagasikara izao fanakatonana ity ivon-toerana ity izao noho ny fahavitsian’ireo mbola mila fitsaboana.  Araka ny nambaran’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis dia ny fanakatonana ity ivon-toerana ity tsy midika akory hoe tapitra ny ady fa mbola mila manaraka ireo fepetra rehetra mba hitazomana izany vokatra tsara izany. Manomboka izao dia ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no handray an-tànana izay mahakasika ity valanaretina ity ary nanamafy ireo tomponandraikitra fa hanohy ny ady sy hametraka ny paikady mahomby rehetra amin’ny fifehezana ity valanaretina ity ary ahafahantsika mandresy ny coronavirus. L’article Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso
17/09/2020

   Izay vao tena raikitra ny lalao firahalahiana, ataon’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021. Hidona amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso ry zalahy, amin’izany.Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly maraina, teny amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Isoraka fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra ho avy izao, any Lisbonne Portugal ny lalao firahalahiana hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fanomanantena mialoha ny hiatrehana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021.Mpilalao 23 mirahalahy no nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika izany. Tsy misy fiovana firy ny firafitry ny Barea fa saika ireo efa nahalalana azy hatrizay, miampy ireo vao nantsoina toa an’i Hery Bastien, i Sylvio Ouassiero, i Alexandre Ramalingom ary i Hakim Abdallah. Tsy ao anaty lisitra intsony i Dax sy i Njiva. Tsy misy mpilalao avy eto an-toerana ity Barea hidona amin’i Borkina Faso, ity. Ankoatra izay, naverina i William Gros. Natao mpilalao fiandry (réserve), i Toavina Debakely sy i Bakary Mario. Hanomboka ny 5 oktobra izao ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra ka hatao any Frantsa izany, araka ny vaovao voaray.Mety hijanona amin’ity lalao hikatrohana amin’i Borkina Faso ity ihany, araka izany, ny fihaonana firahalahiana ataon’ny Barea de Madagascar raha voafaritra fa ho roa tany am-boalohany. Tompondaka  Ireo mpilalao 23 nantsoina ho Barea de Madagascar-Mpiandry tsatoby : Melvin Adrien, Ibrahim Dabo-Vodilaharana : Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerome Mombris, Bapasy, Romain Metanire, Sylvio Ouassiero, Bakary Mario-Irakiraka : Hery Bastien, Abel Anicet, Ilahimaharitra Marco, Raveloson Ryan, Ibrahim Amada, Zotsara, Toavina Debakely-Lohalaharana : Dimitri Caloin, Ramalingom Alexandre, Hakim Abdallah, Carolus, Voavy Paulin, Bôlida, William Gros L’article Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso a été récupéré chez Newsmada.

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa
21/09/2020

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany. R.MathieuG20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeaninaPFR*: Pays à faible revenuL’article Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra
22/09/2020

Taorian’ny fikatonan’ny CTC etsy Mahamasina sy ny foibem-pitiliana etsy Andohatapenaka, nilaza, mitohy ny fitsaboana ireo mararin’ny  covid-19 eny amin’ireo hopitaly lehibe rehetra.Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala fa manatona avy hatrany ny hopitaly lehibe ireo marary miaina ny tranga fahasarotana, satria efa nahazo toromarika amin’ny fandraisana marary covid-19 izy ireny.Nanome toky ny minisitera  fa tsy misy atahorana ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly satria efa midina be ny trangan’aretina, ankehitriny.Ho an’ireo misy tranga mampiahiahy, manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana ary manao ny fitiliana raha ilaina izany. Tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana tsotra kosa raha tsy mbola misy fahasarotana.Na ny eny amin’ny CSB aza, efa vitsivitsy ny olona tonga manao fizaham-pahasalamana satria efa tsy manafika be intsony ny aretina tao anatin’ny iray volana mahery izao.Na midina aza ny tahan’ny voan’ny coronavirus, mitohy hatrany ny fanajana fepetra rehetra ho fiarovan-tena sy fiarovana ny manodidina . Tatiana AL’article Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE
21/09/2020

Nivoaka, omaly maraina ny voka-panadianana CEPE, natao ny 15 septambra lasa teo ho an’i Toamasina. Nisy ny fihaonan’ ireo mpampianatra nisahana ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka niara-nidinika ny naoty farany ambany. Tapaka fa ny salan’isa 09/20 miakatra no ekana fa mahazo ny mari-pahaizana CEPE. Vokany, nahatratra 84.95% ny taham-pahafahana, izay nisy fitomboany kely raha noharina tamin’ny taon-dasa 83,34%. Ho an’ny taona 2018- 2019, natao 9,75/20 ny naoty farany ambany noraisina ka tsy tokony hibitaka ihany ny fari-piadidiam-pampianarana manoloana ny vokatra tamin’ity taona ity.7 428 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana ka 52 ireo tsy tonga nanatrika ny fanadinana, ary nahatratra 6 012 ny mpiadina afaka. Raha noferana ho 9,50/20 ny salanisa ahafahana CEPE, 87,05% ny taham-pahafahana. Raha ny noraisina ho 10/20  kosa dia ambany ny taham-pahafana satria manome 76,64%.  Nitarika teo amin’ny naoty farany ambony ny mpiadina avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika nahazo ny naoty 19, 80/20 ny voalohany. 19,75/20 ny faharoa ary 19,70/20 ny fahatelo, samy avy amin’ny sekoly finoana katolika avokoa izy ireo. Ireo 10 voalohany dia avy amin’ny sekoly tsy miankina katolika avokoa. BEPC-Tsy mahazo miditra ny ray aman-dreny…Ho an’ny fanadinana BEPC kosa, izay hanomboka anio, ho hentitra ny fanaraha-maso sy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana : fanaovana arotava sy orona, fanasan-tanana mialoha ny hiditra ny faritry ny toeram-panadinana. Tsy mahazo mitondra fitaovana elektronika toy ny finday ny mpiadina, araka ny nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianara Toamasina I, Ramarolahy Joseph, tetsy amin’ny CEG de reference, omaly. Nohamafisiny fa tsy azon’ny raiaman-dreny atao ny miditra ny faritry ny sekoly mandray fanadinanana. Ho an’ ireo mpiadina tsy afaka mamonjy fodiana ny antoandro kosa fa hanaterana sakafo, olona iray ihany no afaka miditra manatitra ny sakafo raha tsy hivoaka ny faritry ny sekoly ilay mpiadina. Ho fiarovana ny filaminana mandritra ny fiatrehan’ny mpiadina ny fanandinana BEPC, efa vonona ny mpitandnro filaminana handray ny andraikiny. Toerana telo ihany no ametrahana ny petadrindrina ho an’ny valin’ny CEPE: ao amin’ny biraon’ny Cisco sy ny Dren ary etsy amin’ny EPP Beryl Rose hisorohana ny fitangoranana  SajoL’article Toamasina: 84,95 % taham-pahafahana CEPE a été récupéré chez Newsmada.