Fitaizana sembana :: Nosantarina tany Antsiranana ny fananganana ny « Akany Fitiavana »

News - Fitaizana sembana :: Nosantarina tany Antsiranana ny fananganana ny « Akany Fitiavana »

News - Fitaizana sembana :: Nosantarina tany Antsiranana ny fananganana ny « Akany Fitiavana »

Tao Antsiranana renivohitra no nanombohan’ny fananganana ny akany fitaizana olona manana fahasembanana. Napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady, tamin’ny zoma 10 septambra lasa teo, ny vato fehizoron’ny fanorenana ny Akany Fitiavana, izay hotantanin’ny « Sœurs du cœur immaculé de Marie », ao Scama.

Hisahana ny fitaizana olona manana fahasembanana sy ireo zokiolona mila fikarakarana manokana ity ivon-toerana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana araka asa ho an’ireo olona manan-kilema ireo. « Hanorina zavatra maharitra ho an’ireo olona mila fanampiana isika», hoy ny Filoha talohan’ny fametrahana ny vato fehizoro, tany antoerana. Sady nisaotra an’ireo masera noho ny asa soa efa nataon’izy ireo nandritra ny 66 taona tamin’ny fitsinjovana an’ireo mpiara-belona aminy ny Filoha Rajoelina mivady no nanamafy ny fahavononan’izy ireo, indrindra koa amin’ny fanohanana an’ireo marefo hotezaina ao amin’ity akany ity.

Isan’ny nanatrika an’io fametrahana ny vato fehizoro tao amin-dry masera ao Sacma io ny Arsevekan’Antsiranana, monsenera Ramaroson Benjamin. Sady nitso-drano ny fananganana ny ivon-toerana izy no nisaotra ny Filoha mivady amin’izao fanorenana fotodrafitrasa hitsinjovana ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona izao.

L’article Fitaizana sembana :: Nosantarina tany Antsiranana ny fananganana ny « Akany Fitiavana » est apparu en premier sur AoRaha.

Fitaizana sembana :: Nosantarina tany Antsiranana ny fananganana ny « Akany Fitiavana »

Nivoaka tamin'ny : 13/09/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Pilo kely #4455 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4455 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kaominina Antananarivo Renivohitra: « Diso ny filazana fa nandratra olona ny polisy monisipaly »

« Tsy marina ny vaovao milaza fa nandratra olona ireo polisy monisipaly », hoy ny fanambarana eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Niantso ny rehetra mba hahay hanaja sy hankasitraka ny asan’ireo polisy monisipaly ireo ny CUA. « Tsy mikely soroka manatanteraka ny adidy masina iantsorohany ho an’ny vahoakan’Antananarivo izy ireo », hoy ihany ny fanambarana.Sarobidy ho an’ny kaominina ny ainaNotsiahivin’ny fiadidiana ny Tanàna fa andraikitry ny polisy monisipaly ny mandrindra ny mpiara-monina sy mampanaja ny lalàna. Miasa andro aman’alina  izy ireo, na vitsy aza mba hisian’ny fanajana sy ny fankatoavana ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina. « Matoky tanteraka ny polisy monisipaly amin’ny fomba fiasany sy ny fampiharany ary ny fitandrovany mandrakariva ny andraikiny ny kaominina », hoy ihany ny eo anivon’ny CUA. Mazava ny hafatry ny mpitantana : « Sarobidy ho an’ny mpitantana ny Tanànan’Antananarivo ny ain’ny tsirairay ».Synèse R. L’article Kaominina Antananarivo Renivohitra: « Diso ny filazana fa nandratra olona ny polisy monisipaly » a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

BAOLINA KITRA AMBONY LATABATRA :: Taranja vaovao heverina hampamiratra haingana ny Malagasy ny Teqball

Nampahafantarina, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena mahamasina ny taranja vaovao iray heverina ho voafehintsika malagasy ao anatin’ny fotoana fohy. Teqball no anarana’izy ity, izay azo faritana ho toy ny baolina kitra ambony latabatra. Nanamarika ny lanonana fampahafantarana ny taranja vaovao antsoina hoe “teqball” ny fizaràna latabatra vaovao roa filalaovana ny taranja avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fédération internationale de teqball-FITEQ). Izany dia narahina fampisehoana nataon’ireo mpilalao teknisianina roa nentin’ny FITEQ sy mpilalao malagasy vitsivitsy efa miangaly ny taranja avy amina klioba goavana eto an-drenivohitra. Nanolotra ireo fitaovana ny solontena avy amin’ny Federasionin’ity taranja vaovao ity notarihin’ny tompon’ andraikitra misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena, Marius Vizer Jr sady isan’ireo tompo-marika nanorina ny Federasiona. Nandray ireo fitaovana tetsy an-kilany ireo mpitantana ny Komity Olympika Malagasy, notarihin’ny filohany, Randrianasoloniaiko Thierry Siteny sy ny sekretera jeneraliny, Jean Alex Harinelina Randriamanarivo. “Eto am-panombohana, ny latabatra iray amin’ireo dia hoentina hampiroboroboana ny taranja eto Analamanga ary ny faharoa kosa hapetraka any Atsimo Andrefana hampi­voarana ny taranja any amin’io faritra io. Mbola hisy latabatra folo hafa ho avy ato ho ato”, hoy Randrianasoloniaiko Thierry Siteny. Mino aho fa tsy hananosarotra ny fampiroboroboana ity taranja vaovao ity satria hitako fa ho mora hain’ny mpilalao baolina malagasy izy io… sady tsy mila toerana malalaka sy fotodrafitrasa be ankoatra ny latabatra sy baolina… ka heveriko fa ho mora ny hamiratantsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy hatrany ny filohan’ny KOM. Hivoatra haingana dia haingana Rafitra sy komity vonjimaika aloha no hampiroborobo ny taranja mandra-pijoron’ny rafitra federaly. “Tsy maintsy mbola hiandry ny governemanta vaovao aorian’io an’ny marimaritra iraisana io vao afaka hajoro ny federasiona hisahana ity taranja ity”, hoy hatrany Randrianasoloniaiko Siteny. Marihina fa efa nisy andiany roa tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny “teqball”, natao ka tany Reims, Frantsa no nanaovana izany tamin’ity taona ity. Isan’ny efa nahazo fanasana tamin’izany aza isika Malagasy saingy mbola tsy afaka namaly ny fanasana sy nandray anjara. Ekipa valo amby zato avy amina firenena roa amby efapolo no efa nanana solontena tamin’izany. Handeha haingana dia haingana ny fampiroboroboana ny taranja, araka ny fanamarihan’ireo tompon’andraikitry ny Federasiona iraisam-pirenena. “Firenena dimy aty Afrika no efa miangaly azy ity ary ho isan’ireo taranja hanaovana fampisehoana ny teqball amin’ny Lalao afrikanina manaraka amin’ny taona ho avy. Tsy hiandry ela fa amin’ny Lalao afrikanina manaraka io dia efa ho lasa taranja hifaninanana mihitsy izy”, hoy i Marius Vizer Jr. Ity farany moa dia nampi­risika indrindra ny fampiroboroboana sy ny fanapariahana ny taranja eny anivon’ny sekoly ankoatra ireo rafitra federaly. Mitovy fa tsy sahala Ny taona 2012 no niforonan’ny “teqball” raha toa ka tamin’ny taon-dasa no tafatsangana ny Federasiona iraisam-pirenena. Fiadiana ny tompondaka eran-tany roa izay no efa tontosa ary firenena telo dia i Meksika sy Shina ary Turkménistan no efa kandidà hampiantrano indray ny andiany fahatelo, amin’ny taona 2019. Mitovitovy amin’ny taranja tenisy ambony latabatra ity “teqball” na baolina kitra ambony latabatra ity. Azo lalaovin’olon-tokana, olon-droa lehilahy na vehivay na lahy sy vavy miaraka izy. Izay mpilalao na ekipa mahazo seta roa voalohany no mivoaka mpandresy. Isa roapolo no enjehina isaky ny seta iray. “Azo ampiasaina handefasana ny baolina any amin’ny faritry ny mpifanandrina ny faritra rehetra amin’ny vatana ankoatra ny tanana… Ary intelo mikitika baolina ny mpilalao na ekipa andaniny farafahabetsany alohan’ny handefasany ny baolina any amin’ny mpifanandrina”, araka ny fanazavana fohy nataon’Andriamanarivo Francklin, izay teknisianina nanankinan’ny Komity Olympika ny fanapariahana ny taranja. L’article BAOLINA KITRA AMBONY LATABATRA :: Taranja vaovao heverina hampamiratra haingana ny Malagasy ny Teqball est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ny zanany sy ny zafikeliny ihany no atidoha: tratra ireo jiolahy namono pasitera tao Miarinarivo

Saron’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria ao Miarinarivo ireo jiolahy miisa 15 tompon’antoka amin’ny fanafihana narahina vonoan’olona tao Miarinarivo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, notafihin’ny andian-jiolahy ny tokantrano iray ao Anorankely, fokontany Anorambe, kaominina ambanivohitr’Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, ny alin’ny 10 novambra 2020 lasa teo. Lasan’ireo mpanafika ny ny vola mitentina 1 tapitrisa Ar ary tsy vitan’izay fa novonoin’ireo mpanafika koa ny raim-pianakaviana iray pasitera tao an-trano. Nanao fikaroham-baovaao ny zandary taorian’ny fanafihana ka jiolahy miisa 12 indray voasambotra; ny telo kosa, mbola karohina. Niaiky ny heloka vitany ireo jiolahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Efa fantatra koa ireo telo mbola miariaria, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Tao anatin’ny fanadihadiana hatrany ny nilazan’ireo jiolahy fa lonilonim-pianakaviana momba ny famarotana lova ny anton’izao fanafihana narahina vonoan’olona izao. Ny zanak’ilay pasitera sy ny zafikeliny ihany no tompon’antoka amin’izany, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ao Miarinarivo.Jean ClaudeL’article Ny zanany sy ny zafikeliny ihany no atidoha: tratra ireo jiolahy namono pasitera tao Miarinarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampasika – Vatobe: tapaka noho ny fanamboarana ny lalana

Nanomboka ny faran’ny herinandro ary hitohy ao anatin’ny iray volana ny fanamboarana ny lalana eny 67 Ha, izay iandraiketan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Any amin’ny 4 oktobra any vao heverina ho vita ny fanamboaran-dalana.Misy, araka izany, ny fandaminana napetraky ny tanànan’Antananarivo ho fandrindrana ny fifamoivoizana hampandeha tsara ny asa fanamboarana.  Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy ankanavaka ny ampahan-dalana eo anelanelan’ny fandraisana taksibe 30 Ampasika hatreo amin’ny sampanan-dalana eo amin’ny Vatobe, 67Ha.Ireo fiara rehetra avy any 67Ha (Garage) te hihazo iny lalana iny dia mandray avy hatrany ny FDC Ampasika, Andohatapenaka coco plastika, 67 Ha (Vatobe), 67 Ha Ny Havana.Ireo fiara rehetra avy any 67 Ha (Ny Havana) te hihazo io ampahan-dalana tsy azo andehanana io kosa dia mandray avy hatrany ny lalana 67 Ha (Vatobe), Andohatapenaka, 67 Ha Garage.Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana ny haratsian’ny lalana eny 67Ha sy ny manodidina iny ka nahafaly ireo mpandeha fiara ny fahafantarana izao fanamboarana ataon’ny fanjakana izao. Efa ho avy ny fahavaratra, manantena ny fahavitan’ny lalana rehetra ny mpampiasa lalana.Tatiana AL’article Ampasika – Vatobe: tapaka noho ny fanamboarana ny lalana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Natation : Antsa Rabejaona s’offre un nouveau record national

Une bonne nouvelle pour la natation malgache. La sirène du Managing club, Holy Antsa Rabejaona, a pulvérisé son ancien record national sur 50m papillon au championnat de Tatarstan en Russie, le week-end dernier. En effet, elle a enregistré un chrono de 28sec83 contre 29sec50 qu’elle avait signé lors du championnat national en mars 2021. La multiple championne de Madagascar est actuellement à Kazan. Elle a obtenu une bourse d’une année au centre de préparation de nageurs de haut niveau. Manjato RazafyL’article Natation : Antsa Rabejaona s’offre un nouveau record national a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fanajariana: natsahatra avy hatrany ny asa eny Alasora

Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera ny fanajariana ataona teratany sinoa eo amin’ny vohitr’Ambohitrandriananahary Alasora. Nisy ny fanambarana avy any amin’ny fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga : « Manoloana ireo olona mitondra « engin » mikasa ny hitrandraka eny an-toerana, dia nidina ifotony avy hatrany ny teo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina, izay notarihin’ny fitaleavana mitahiry ny vakoka sy ny harem-pirenena ary ny fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina eto Analamanga. Nijery ny zava-misy sy nanadihady ny delegasiona ary nampitsahatra avy hatrany ny asa. Mbola eo am-panangonana ireo taratasy takin’ny fanjakana moa ilay teratany sinoa, milaza fa tompon’ny tany. Ary mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny rafi-pahefana rehetra isan’ambaratongany amin’ny izao ».Raha ny voalazan’ny tantara, ao anatin’Alasora i Ambohitrandriananahary. Noho izany, tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’Alasora, izay anisan’ny tendrombohitra 12 masina ny tantarany. Ambaran’ny tantara fa « eo amin’ny alahamadin-tanin’Alasora no nipetrahan-dRafohimanjaka. Nanambady an’Andriamanalinjaka izy ary niteraka efatra : Andriamanelo, Andriamananintany, Andriankotofananina ary Rafotsindrindramanjaka. Ao Alasora no mitondra ny Rovan’Andriamananintany. Ao Alasora ihany koa no misy ilay vato nanaovan’Andriamananitany sy Trimoanala fanorona, izay heverina ho fanorona natao voalohany teto Imerina, ary namonoana azy teo am-panaovana izany fanorona izany. Teo Alasora no niamboho Rafohy ka Andriamanelo zanany no nanjaka nandimby azy. Andriamanelo no tena nahafantarana an’ Alasora, toy ny niadiany tamin’ny vazimba ka nahareseny tanteraka azy ireny ».Nangonin’i HaRy Razafindrakoto L’article Fanajariana: natsahatra avy hatrany ny asa eny Alasora a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra-Rabesandratana Eric: tsy handà raha voaantso hanazatra ny Barea  

Vaovao niparitaka sy nisarika ireo mpankafy ny taranja baolina kitra ny mahakasika ny fanehoan-kevitra nataon-dRabesandratana Eric, ny amin’ny fanazarana ny ekipam-pirenena malagasy. Nohamafisiny tamin’ny valim-panontaniany, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety ny France Bleu, fa tsy handa velively Rabesandratana Eric, ny hanazatra ny ekipam-pirenena malagasy Barea. Fanararaotra lehibe izany, hoy izy. “Tiako i Madagasikara, tiako ny Barea, ka tsy hametraka olana aho fa hanaiky avy hatrany, raha toa ka misy ny fiantsoana ahy hanazatra ny Barean’i Madagasikara”, raha ny nambaran-dRabesandratana Eric. Marihina, tsy mbola nisy fametraham-pialana na ihany koa filazana fanoloana ny mpanazatra Nicolas Dupuis, hatreto. Tsy mbola naneho ny heviny mahakasika izany, rahateo, ny federasiona malagasy ny baolina kitra, izay hany tokana manana ny fahefana amin’ny fanoloana mpanazatra. Tsiahivina, mpilalao ary kapiteny teo aloha, tao amin’ny PSG, Rabesandratana Eric, ny taona 1989 hatramin’ny 2004 izy no nilalao tao Frantsa. Nifindra namita ny asany amin’ny maha mpanao baolina azy tao Belzika izy taorian’izay, ny taona 2005 hatramin’ny 2007. Efa nitazona ny andraikitra maha mpanazatra azy, tao amin’ny ekipan’ny Miami tany Etazonia ihany koa Rabesandratana Eric, ny taona 2014 sy 2015. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity resaka ity.Mi.RazL’article Kitra-Rabesandratana Eric: tsy handà raha voaantso hanazatra ny Barea   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra  – “Ligue des champions d’Afrique”: manantombo amin’ny filalaovana eo an-kianjany ny Fosa Jr

Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra, hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousses SC Maorisy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, amin’ity asabotsy ity.Hotanterahina, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny tompondakan’i Afrika «Ligue des champions», taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny, Madagasikara, sy ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy. Manantombo amin’ny teknika aloha raha ny fahitan’ireo teknisianina sy ny mpanara-baovao ny tompondakan’i Madagasikara. Ankoatra izay, tombony betsaka ho an-dry Jean-Yves sy ry Baggio ary ry Santatra ny filalaovany eo amin’ny kianja mahazatra azy, sy ny fahazakany ny toe-tanin’i Mahajanga, izay mafana.Raha tsiahivina, ekipa tsy azo atao hoe goavana na atahorana ny Maorisianina. Tsy mifanalavitra amin’ireny fomba filalaon’ny Club M, tamin’ny « Lalaon’ny Nosy » farany teo ireny ny an-dry zalahy ireto. Ekipa mianona amin’ny valim-panafihana rehefa milalao an-tanin’olona, izany hoe, mitady ady sahala. Na izany aza, nanambara ny mpanazatrany fa tsy hitsangantsangana izy ireo fa haka fandresena.Tsiahivina fa misy mpilalao mpila ravinahitra efatra ao amin’ity ekipan’ny Pamplemousse SC ity ka Malagasy ny telo: i Hollas sy i Boanahery ary i Fabrini Razah, nilalao tao amin’ny Japan Actuels, tamin’ny fotoan’androny. Teratany niger kosa ny iray: i Sunday Gabriel.Manoloana izany, tsy matahotra fa vonona tanteraka ireo mpilalaon’ny Fosa Jr hiatrika azy ireo ary tena hilalao sy hitady fandresena ihany koa. Efa nipetrapetraka tsara ihany koa ny paikady rehetra, amin’io lalao io, araka ny nambaran’i Titi, mpanazatra. «Fanafihana ary tsy misy afa-tsy fanafihana ny hany ataon’ny Fosa Jr. Mila maka elanelan’isa roa mba hampilamina tsara eo amin’ny lalao miverina. Tompondaka L’article Kitra  – “Ligue des champions d’Afrique”: manantombo amin’ny filalaovana eo an-kianjany ny Fosa Jr a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanabeazana nomerika: sekoly 20 hisitraka ny teknolojia vaovao

Sekoly 20 vaovao no hisitraka ny fanabeazana nomerika miaraka amin’ny fitaovana sy ny fanofanana omen’ny Orange Solidarité Madagascar, amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity miampy ny sekoly roa hafa tsy afaka nampiharana izany noho ny valanaretina niseho teto nandritra ny taom-pianarana lasa teo. Natao omaly ny fanavaozana sy fanohizana ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny Orange Solidarité tamin’ny fanaovan-tsonia ny antontan-taratasy mirakitra izany. Nandritra ny enina taona efa nampiharana ny tetikasa, sekoly 136 no mampihatra ny fanabeazana nomerika. Novatsiana fitaovana tablette, ordinatera sy serveur matanjaka mirakitra ny lesona sy ny fampiharana manaraka ny fandaharam-pianarana ofisialy eto Madagasikara ny mpisitraka. Voaofana ny mpampianatra hikirakira ny fitaovana ary omena fahalalana amin’ny fampiasana tablette ny mpianatra. Manaraka fivoaran’ny teknolojia ny fampianarana ary tanjona ny hanampy ny mpianatra hitovy amin’ny any ivelany, hoy ny tomponandraikitry ny Orange Solidarité, Randriambeloma Josie.Nanamafy ny minisitra mpiahy ny fanabeazana fa tokony hisitraka ny teknolojia vaovao avokoa ny mpianatra manerana ny Nosy ary zava-dehibe ny tetikasa miaraka amin’ny Orange Solidarité. Efa namolavola antotan-kevitra azo ampidirina ao anatin’ny serveur hampiasaina ny teknisinina ao anatin’ny minisitera. Miparitaka ho an’ny sekoly manerana ny Nosy ny fanabeazana nomerika.Vonjy A.L’article Fanabeazana nomerika: sekoly 20 hisitraka ny teknolojia vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services AGENT DE TRANSIT
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit :  AGENT DE TRANSIT Poste basé à Antananarivo et Toamasina Missions:- Assurer la réception et transmission de documents interne et externe- Ouverture et gestion de dossier sur logiciel informatique- Préparation des programmes d’enlèvement des marchandises- Tenue des états documentation- Réception des copies des documents ou pré alerte par e-mail- Vérification des documents reçus par le client avant remise à Responsable Import- Préparation et remise des sous dossiers au Responsable Douane- Envoi de situation des clients- Préparation des divers documents du service- Réception des dossiers retour du service Douane et retour aux clients- Préparation aet remise des dossiers à remettre à la facturation pour paiements- Préparation des programmes d’enlèvement internes Profil :- Bac+2 en commerce international ou équivalent- Expérience dans le domaine souhaitée- Maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence AGTTRANSIT-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient.  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENT DE TRANSIT".

Cherche Cherche moteur 0.8 Matiz 3
17/10/2021

Bonjour à tous,Je recherche un moteur complet d'occasion de Daewoo Matiz 3. Celui avec 3 cylindres en ligne et 0.8l de cylindrée.Un moteur sans défaut et bien conservé avec le minimum d'entretien à prévoir.Je fait appel aux marchands de piéces détachées spécialisé dans les coréennes et, les connaisseurs et le habitués de la marque sur Tana.Merci d'avance à ceux qui répondront à mon annonce pour me proposer leurs offres ou juste pour me dirriger éventuellement vers des magasins spécialisés ou des spécialistes.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Cherche Cherche moteur 0.8 Matiz 3".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

A vendre Mitsubishi L200 D-ID 2.4 BVA
17/10/2021

Pick-Up Mitsubishi L200  D-ID 2.4 BVA 181 CV  diesel année 2016 double cabines, boîte automatique 75000 kms évolutif, 4 roues motrices, 4 portes et 4 places, couleur noir, jantes alu en 17’’ , marche pieds, bac de benne, rétroviseurs rabattables, sièges électriques en cuir, climatisation automatique, radio cd Bluetooth mp3, camera de marche arrière,  régulateur de vitesse, direction assistée, phares xénon, ordinateur de bord. Véhicule 1er main en parfait état général, révision vidange et filtres neufs, contrôle technique sera effectué pour la vente. Je rajoute 04 pneus de rechanges + 2 clés d’origine inclus. Volant multifonction, crochet d'attelage, verrouillage centralisé.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mitsubishi L200 D-ID 2.4 BVA".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services QUANTUM ANALYZER
11/10/2021

 LA TECHNOLOGIE AU SERVICE DE NOTRE BIEN-ETRELe QUANTUM ANALYZER  est un nouvel outil pour contrôler le fonctionnement de vos organes. Une technologie de pointe qui permet d’avoir un bilan général complet en 60 secondes. Des produits naturels sont à votre disposition pour les éventuelles  anomalies.Principe de l'Analyse par le Quantum Analyzer  Le corps humain est un agrégat de nombreuses cellules qui, sans interruption se développent, se dédoublent, se régénèrent et meurent.Les cellules se remplacent par scission. Pour les personnes adultes, environ 25 millions de cellules fractionnent chaque seconde et les globules sanguins les remplacent constamment à un taux d'environ 100 millions par minute.En cours de dédoublement cellulaire et renouvellement, les corps chargés du noyau et les électrons extra-nucléaire émettent des ondes électromagnétiques sans interruption. Les signaux des ondes électromagnétiques émises par le corps humain représentent l'état spécifique de l'état de santé d'un individu. Les différents signaux des ondes électromagnétiques seront émis selon l'état de santé des organes.AVANTAGES :  • Rapide et efficace  • Accessible à tous  • Non-invasive  • Pratique  • Économique 38  Rapports seront obtenus :Contact: 032 87 550 88 – 033 07 683 00 – 034 64 553 53 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services QUANTUM ANALYZER".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Notsongaina

Lapan’ny tanàna Analakely : tafapetraka ny tsangamby kanto mifono hafatra
11/10/2021

 Fanomezan-danja ny sanganasan’ny mpamorona malagasy sy fanaingoana ny tanànan’Antananarivo renivohitra, miavaka ny tsangamby notontosain’i Joël Andrianomearisoa etsy Analakely…Ao anatin’ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny fanasongadinana hatrany ny kolontsaina entin’ny mpanao zavakanto malagasy, notokanana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny asabotsy lasa teo ny sanganasan’i Joël Andrianomearisoa. Mifono hevi-dalina izay miainga amin’ny fanatanterahana ny nofinofy iombonan’ny tsirairay izany.  Napetraka eo anoloan’ny lapan’ny tanàna manokana io soratra amin’ny vy lehibe mirefy valo metatra  « Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao » io hahafan’ny mponina Antananarivo mianoka izany kanto raketiny izany, indrindra amin’ny maha renivohitra azy.  Eo koa ny fahazoana  fisainana  miabo hatrany ho an’ny mpamaky ity sanganasa ity. Niaraka nisalahy tamin’ny fanatontosana tanteraka io tsangamby io moa ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny “Fond Yvarhoussen”. Raha tsiahivina, efa maro ny firenena tany ivelany nanehoan’i Joël ny sanganasany ary tsy nataony diso anjara tamin’izany ny renivohitra.Tsiferana R.L’article Lapan’ny tanàna Analakely : tafapetraka ny tsangamby kanto mifono hafatra a été récupéré chez Newsmada.

Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina
11/10/2021

Tsy ho ela intsony. Nifamory tao Andramasina, ny herinandro teo, ireo lohandohany sy mpitarika eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, any amin’ity distrika ity. Nivoitra tamin’izany ny fanomanana sy ny fikarakarana ny hiatrehana ny fikaonandoham-paritry ny antoko, Analamanga, ho tanterahina ato ho ato. “Miainga amin’ny fanapahan’ny avy ety ifotony sy ny hetaheta na ny heviny ny fehinkevitra hivoaka amin’izany fikaonandoha-paritra izany. Tsy misy ny baiko midina…”, hoy ny avy amin’ny birao nasionaly, Ratavilahy Andry. Narindra sy nalamina tamin’izany ireo mpandray anjara ho solontenan’ny MMM distrika Andramasina. Manana olom-boafidy miisa 22 amin’ireo kaominina miisa 10 ity antoko naorin’ Andrianainarivelo Hajo ity any an-toerana. Hofaritana amin’ny fihaonana manaraka ny hanampy azy ireo, hitondra ny hevitry ny eny ifotony amin’ny fikaonandoham-paritra.Synèse R. L’article Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina a été récupéré chez Newsmada.

Perception Ankadifotsy : Grogne chez les retraités
12/10/2021

Les seniors ont été particulièrement éprouvés, physiquement notamment, en essayant de toucher leurs pensions de retraite à la Perception d’Ankadifotsy. Dans la file d’attente depuis 6h du matin pour certains, ils n’étaient pas encore encore servis à 13h. De quoi causer quelques soucis de santé chez ces personnes âgées parmi lesquelles plusieurs ont eu un malaise. Dans d’autres Perceptions à Antananarivo, comme à Ambondrona, une grande affluence de retraités était également visible hier. La raison de ces attroupements devenus éprouvants pour les personnes âgées était le remplacement des cartes de pensionnés, coïncidant avec la perception de la pension de retraite. Les organisations ayant été quelque peu défaillantes, les « zokiolona » en ont fait les frais. Ces nouvelles dispositions font partie des éléments visant à améliorer le paiement des pensions de retraite. Hanitra R.  L’article Perception Ankadifotsy : Grogne chez les retraités a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Développement rural : Le ministère de l’Industrie mise sur la « pépinière industrielle »
16/10/2021

Impulser des dynamiques de développement économique focalisées sur la valorisation de potentialités des territoires est le nouveau défi que compte lancer le ministère de l’Industrie, du Commerce et de la Consommation pour relancer l’économie nationale. Dans ce cadre, ce département dirigé par Edgard Razafindravahy veut mettre en place des « pépinière industrielles ». Ce concept consiste à mettre en place au niveau local, dans les communes et les fokontany, un espace favorable aux affaires et au développement de l’entreprise. Propriété foncière. Les jeunes sont ciblés par ce nouveau projet qui veut améliorer les conditions de vie dans le milieu paysan et constituer un levier pour le développement rural. Dans ce cadre, le ministère compte lever certains blocages récurrents à la réalisation des « pépinières industrielles » dans les territoires et afin de pouvoir obtenir un impact direct au sein des ménages, surtout en milieu rural. Notamment l’octroi et la sécurisation de propriété foncière, l’allègement des procédures administratives liées à la création d’entreprise. La valorisation et la promotion des potentialités locales, essentiellement en matière d’agriculture et d’élevage, est le cœur de ce nouveau projet de création de « pépinière industrielle ». Fond. La professionnalisation des métiers agricoles figure parmi les objectifs de la mise en place de « pépinière industrielle ». Le ministère de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation compte créer un fonds dédié à la promotion du projet afin de soutenir les initiatives locales. Le département d’Edgard Razafindravahy fait ainsi appel à contribution des investisseurs étrangers et locaux pour soutenir cette initiative qui veut donner du souffle à l’économie rurale. D’ailleurs, le ministère va apporter des appuis logistiques et fournir des formations par le biais des techniciens de ses directions régionales dans le cadre de la mise en œuvre du projet. Recueillis par Rija R.L’article Développement rural : Le ministère de l’Industrie mise sur la « pépinière industrielle » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président 
11/10/2021

La section Tana-ville de basket-ball a un nouveau patron, il s’agit de Mamisoa Lalaina Rakotomavo. Ce nouveau président a été élu à l’issue d’une Assemblée Générale Elective de la section en date du 26 septembre. La passation de pouvoir entre ce dernier et le président sortant Edson Rabakoherinjatovo, s’est tenue samedi à Ampefiloha. Sans tarder, les membres du bureau ont été déjà constitués. Le lancement officiel de leurs activités est prévu le 23 octobre et les projets à réaliser durant son mandat se divisent en deux grandes parties. « Nous aurons comme première tâche la multiplication des compétitions à commencer par la catégorie U10, afin que les clubs aient suffisamment de temps de jeu durant la saison. Nous devons aussi améliorer la technique de gestion et mettre en place une base de données. L’objectif final c’est de promouvoir la discipline dans la section, et de rehausser le niveau technique des joueurs. Pour cela, il est essentiel de trouver des partenaires clés. Ainsi, il est important d’avoir une collaboration étroite avec l’Etat afin que nous puissions bénéficier ou au moins avoir facilement un accès aux infrastructures sportives pour les championnats », a fait savoir le président. Les membres du bureau : Mamisoa Lalaina Rakotomavo (Président),  Helina Randrianjatovo (SG), Mialitiana Ratsimba (Trésorier), Jean Felix Andrianantenaina (Responsable technique),   Olivier Ranaivoson, Fenonjara Rakotomaharo, Arsène Rakotoarimanana, Prisca Radafy, Lalaina Randrianiaina (Conseillers), Idealisoa Ramanoelinirina (Secretaire). Manjato Razafy  L’article Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Taksiborosy Sprinter nivarina tao ambany tetezana: ankoatra zazakely iray mpandeha ampolony maty tsy tra-drano
12/10/2021

Tao Antsahasoa, 10 Km atsimon’Ankaramena, Ambalavao, amin’iny RN 7 iny no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina, omaly maraina ity. Nivarina avy eny ambony tetezana ny taksiborosy Sprinter iray mampitohy an’Ihosy amin’i Fianarantsoa. Mpandeha am-polony no indray namoy ny ainy teo no ho eo vokatr’izany.Manao sesilany ny lozam-pifamoivoizana. Taksiborosy Sprinter iray, avy any Fianarantsoa hihazo an’Ihosy ity tra-doza teo amin’ny tetezan’Antsahasoa, fokontany Malazarivo, kaominina ambanivohitr’Ankaramena, distrikan’Ihosy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 07 ora ity. Nivarina avy eny ambony tetezaka ilay taksiborosy ka nidaraboka tery ambany ka potika tanteraka. Araka ny tatitra voaray, ankoatra ireo mpandeha 15 naratra mafy, am-polony no namoy ny ainy teo no ho eo. Anisan’izany ny zazavavikely iray vao 12 taona monja, teny am-pofoin-dreniny, izay fantatra fa namoy ny ainy ihany koaHatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra 12 ireo maty ary olona 13 isa mbola mitsabo tena. Hatreto, mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny mety nahatonga ny loza ny zandarimaria ao an-toerana. Manao antso avo amin’ireo fianakavian’ireo niharam-boina ihany koa ny fokonolona mba hijery ireo havany tra-doza. “Mbola aty Ambalavao ny vata-mangatsiakan’ireo maty hanarahana ireo dingana tokony hatao mahakasika izany raha efa nalefa any amin’ny CSB II Ankaramena, hopitalin’Ambalavao sy Fianarantsoa ireo naratra mafy.”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Naratra mafy tamin’ity loza ity koa ny mpamily ny fiara, izay mbola manohy ny fitsaboana ka tsy azo anaovana fanadihadiana.“Fiarana zandary ary tsy manana licence ity tra-doza”, hoy kosa ny loharanom-baovao iray hafa. Mipetraka, araka izany, ny fanontaniana hoe tsy nisy ve izany ny fisavana ny fiara teny an-dalana nahatrarana io taksiborosy io?Mbola teny amin’ny RN7 ihanyNiteraka resabe ireo lozam-pifamoivoizana misessesy efa ho isan’andro.  Tsy vitsy ireo nilaza fa ny mpamily mihitsy no fototra mahatonga izany. Ao ireo nanazava fa tsy mbola mahafehy tsara ny fifamoivoizana ny mpamily kanefa dia misetrasetra tokoa rehefa mitondra fiara. Ao koa ireo mpandeha izay mampirisika ny mpamily handeha mafy tokoa noho ny fahamaizany. Ankoatra izay, maro koa ireo naneho hevitra fa tsy mety amin’ny lalana eto amintsika irony fiara Sprinter irony noho ireo mpamily mitsapa ny tanjaky ny fiara rehefa eny amin’ny lalam-pirenena samihafa…Tsiahivina fa vao tsy ela akory izay ilay lozam-pifamoivoizana namoizan’ain’olona maro hatramin’ny zazamenavava teny Anteza, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ihany. Taorian’ny tranga, nisy ny fampiofanana ny mpamily hisorohana ny tranga toy ireny. Nisy koa ny fepetra napetrak’ireo tomponandraikitra samihafa mandrindra ny lalan’ny fifamoivoizana kanefa izao miverina izao indray. Tokony hisy ve izany ny andraikitry ny ministera hijery manokana ny resaka fifamoivoizana, ny fiara ary indrindra ireo mpamily, izay mampitaraina ny maro tokoa. Henintsoa HaniL’article Taksiborosy Sprinter nivarina tao ambany tetezana: ankoatra zazakely iray mpandeha ampolony maty tsy tra-drano a été récupéré chez Newsmada.

Corruption et trafic d’espèces : 3,4 millions USD des Américains en appui à la lutte
16/10/2021

Le projet devrait s’attaquer à des problèmes complexes. Le projet « Lutte contre la corruption et le trafic d’espèces à Madagascar » a été lancé hier à Ivandry. Un projet qui rassemble les acteurs issus de différents secteurs pour éradiquer le trafic d’espèces.  « Je ne sais pas combien d’entre vous savent qu’une tortue radiata de taille adulte peut coûter jusqu’à 50 000 dollars sur le marché illicite et notamment sur le marché asiatique ». Propos de Baomiavotse Raharinirina, ministre de l’Environnement et du Développement durable qui interpelle sur la situation du marché et du trafic d’espèces endémiques malgaches lors du lancement du projet « Lutte contre la corruption et le trafic d’espèces à Madagascar » hier à Ivandry. En effet, à cause (ou grâce, c’est selon) à leur endémicité, les espèces malgaches sont prisées par les trafiquants en tout genre. Les données de TRAFFIC en offrent un aperçu : « plus de 21 000 tortues endémiques ont été saisies lors de tentatives de trafic illégal à Madagascar entre 2018 et 2021 ». Une pratique qui nourrit de plus en plus le marché international, comme l’a fait savoir Sahondra Rabenarivo, présidente du Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité (CSI), « le trafic d’espèces sauvages est une forme lucrative de criminalité transnationale organisée avec la corruption comme facilitateur » et il constitue « une infraction grave qui nuit à la prospérité économique, à l’État de droit, à la bonne gouvernance, aux efforts de conservation et à la santé humaine et qui est souvent favorisée par la corruption », ajoute Amy J. Hyatt, Ambassadeur des Etats-Unis d’Amérique à Madagascar. Intersectoriel. Le lancement du projet de trois ans est financé par le gouvernement américain à travers l’Agence des Etats-Unis pour le développement international (USAID) à hauteur de 3,4 millions de dollars et rassemble un consortium de parties prenantes, notamment TRAFFIC International, Transparency International Initiative Madagascar, Alliance Voahary Gasy ainsi que trois ministères à savoir celui de l’Environnement et du Développement durable, le département de la Justice et le secrétariat d’État chargé de la Gendarmerie Nationale (SEG). Le projet entend instaurer une synergie des actions basée sur l’engagement des parties prenantes dans l’atteinte de ses objectifs. Tous les acteurs ont d’ailleurs convenu de l’importance « d’agir ensemble afin d’endiguer le fléau de la corruption et du trafic des espèces sauvages ». Une importance soulevée par la présidente du CSI. « Pour reprendre l’ancien slogan, la corruption est l’affaire de tous, le trafic d’espèces est l’affaire de tous. Mais vous savez, le slogan est facile. Le TNRC (Projet : Lutte contre la corruption et le trafic d’espèces à Madagascar) n’est pas un slogan. C’est un programme qu’il nous faudra mettre en œuvre. Contrairement à un slogan, il va falloir travailler ensemble avec conviction et détermination », conclut-t-elle. Avec l’ouverture prochaine des frontières, le lancement de ce projet arrive à point nommé. José BelalahyL’article Corruption et trafic d’espèces : 3,4 millions USD des Américains en appui à la lutte a été récupéré chez Midi Madagasikara.

CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra
11/10/2021

Roa volana ny faharetan’ny fifaninanana Cleaning Challenge karakarain’ny Fondation Terra. Ny volana voalohany no vita ka nozaraina loka ireo mpifaninana telo voalohany nanana naoty tsara indrindra. Fianakaviana 11 no mandray anjara amin’ity fifaninanana manadio sy mandamina ny ao an-tokantrano ity. Isan-kerinandro dia miatrika fiofanana izy ireo ary avy eo mampihatra izany any an-tokantranony. Misy ny fitsidihana ataon’ny mpitsara ka izay tsara naoty no mahazo loka. Ny “efitrano fandraisambahiny” no lohahevitra nisantarin’izy ireo izany. Manohana ny lalao ny orinasa SOMAPRO izay mamatsy ny vokatra IMPEC ampiasaina amin’ny fanadiovana sy fidiovana. Nizara ireo vokatra sy fitaovana ho an’ireo mendrika indrindra ny orinasa ny sabotsy 09 Oktobra 2021. “Iray volana katroka izay no nanomboka ny Cleaning Challenge. Hita fa miha mitombo lenta ny fifaninanana ary izany indrindra no nahatonga ny Fondation Terra manolotra fiofanana maimaimpoana ho an’ireo mpandray anjara”, hoy RANDRIAMORASATA Willah, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Terra. Hiditra amin’ny volana faharoa ny fifaninanana, ka miova arak’izay ihany koa ny lohahevitra. Ny « rénovation » na ny « fanavaozana » no lohahevitra ho resahina amin’ity herinandro ity, araka ny fanazavany. “Ampianarina ireo fianakaviana fa izay eo am-pelatanana sy izay fahefana hananana dia efa ampy hanavaozana sy hanatsarana foana ny ao an-tokantrano”, hoy izy. Nambarany fa ny fiovan’ny toetsaina sy ny fomba fanao no tena tanjona voalohan’ny Fondation Terra. Mivohy hatrany ny Fondation fa manomboka amin’ny toetsain’ny tsirairay ny fanovàna sy ny fandrosoana, ka izany indrindra no nahatonga azy nanao ity Cleaning Challenge ity. “Manomboka amin’ny kely indrindra ny fiovana, ary tsy mila zavatra betsaka fa rehefa tsy mandoto dia efa manadio”. Ra-Nirina Cet article CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fifampitokisana mila fahatokisan-tena
11/10/2021

Tsy fifampitokisan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana no lazain’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) no anisan’ny mahatonga ny olana aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Aiza na inona no tena fototra sy fositra amin’izany? Ahina lava ny mety hisian’ny korontana.Ny tsy fanajana sy fampiharana amin’ny antsipiriany sy manontolo ny lalàna ve, ohatra, no mahatonga ny fifampiahiahiana lava? Misy ny mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, mibahan-toerana loatra ny kajikajy sy paipaika politika ka voahosihosy ho azy ny lalàna… Eo koa ny rafitra, ny fomba fiasa…Tsy vitan’izay, ao ny tsy matoky tena amin’izay lazainy sy ataony, hany ka miahiahy hatrany ny hafa ho antony tsy fahombiazan’ny tena? Na tsy mahalala ny momba aza izy amin’izany, fa mitsapatsapa fotsiny ka mitsarapaka any amin’ny fahavoazana. Dia ny hafa no omen-tsiny, ialana vonkona…Atao ahoana, ohatra, ny handresen-dahatra ny hafa amin’ny fifidianana, raha ny tena aza tsy resy lahatra amin’izay lazaina sy atao? Iray tarika amin’izany ny matokitoky tena fahatany na mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ho voafidy. Nefa na herin’ny tena aza, ohatra, tsy fantatra mazava.Ekena, mety manao ny ataony tokoa ny hafa: ady fiady ny fifidianana. Mety eo koa ny lalàna, ny rafitra, ny fomba fiasa… Na izany aza, miankina  amin’ny fahatokisan-tena marim-pototra eo amin’ny tsirairay no anisan’ny manorina ny fifampitokisana amin’izay atao. Izay matoky tena no azo itokisana?Amin’izany, atao izay lazaina ary lazaina izay atao. Dia mifanara-maso sy mifampiteny: iza no manao inona, iza no tsy manatanteraka? Hampiharina ny lalàna amin’izany raha ilaina, na iza izy na iza manao ny tsy mety. Tsy misy henamaso na tahotra, na fangatahana andro. Ho vita ve izany?Izay ilay hoe miankina amin’ny tsirairay miaraka amin’ny fampiharan-dalàna, hisian’ny fangaraharana fa tsy hifampitahana an-toerana. Hisy fahatapahan-kevitra, fahasahiana, fahavononana, fijoroana…? Ny tena na ny tsirairay no antony, fa ny atao ihany no mampikorontana na tsia?Rafaly Nd.L’article Fifampitokisana mila fahatokisan-tena a été récupéré chez Newsmada.

Medem : “Olan’ny mpitsara ny tsindry sy ny fanelanelanana…”
12/10/2021

               “Ny tsindry sy ny fanelanelanana,  tena olana mateti-piseho eo amin’ny mpitsara. Mety avy amin’ny olona manana toerana ambony izany .Manahirana ho an’ny mpitsara izany. Matoa misy tsindry, tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny angatahiny na manivaka”, hoy ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, filohan’ny ”Mouvement pour l’éthique et la déontologie – Medem”, Ratsiharovala Lala Henriette, teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly. Natao sonia tamin’izany ny amin’ny fitondran-tenan’ny mpitsara iarahan’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny Medem.Sahirana ny mpitsara manoloana izany tsindry sy fanelanelanana izany. Mieritreritra sao misy valifaty na misy fiantraikany amin’ny toerany amin’ny asany raha tsy manaraka izany. Nefa ny fampiharana ny lalàna no tena tokony hotandrovin’ny mpitsara amin’ny fanapahan-keviny. Ny lalàna ihany no mibaiko azy amin’izany. Arakaraka ny mpitsara koa ny fanapahan-kevitra, nefa tokony hanana ny maha izy azy izy hahazoany mifahatra amin’ny etika sy ny deontolojia, indrindra eo amin’ny asa  ataony.Ezahina ny fametrahana fitsarana marina“Miezaka mametraka, izany hoe fitsarana ao anatin’ny fahamarinana izahay, fitsarana tsy mitanila, fitsarana mamerina ny fitokisan’ny vahoaka”, hoy kosa ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza. Tsy afa-hanao izany rehetra izany ny mpitsara, raha tsy arovan’ny minisiteran’ny Fitsarana, fa anisan’ny adidy aman’andraikitra mifehy azy rahateo izany. Hita  hihatsara ny didim-pitsarana, ny fifandraisan’ny mpitsara sy ny vahoaka, raha tanteraka an-tsakany sy an-davany ny zavatra voalaza, indrindra ny fitondran-tena sy moraly.R.Nd.   Nankasitrahana ireo minisitra teo alohaNisy ny fanoloran’ny minisiteran’ny Fitsarana mari-pankasitrahana ireo minisitry ny Fitsarana teo aloha miisa 26 na ny taranaka na ny fianakaviana hatramin’ny Fahaleovantena, taona 1960 no ho mankaty. “Hazondamosin’ny firenena sy hazondamosina ho an’ny vahoaka malagasy ny minsiteran’ny Fitsarana”, hoy ny minisitra. Ny fifanajana sy ny fifankatiavana ary ny fahaizana miara-monina ihany no ahazoana mampandroso ny minisiteran’ny Fitsarana.   L’article Medem : “Olan’ny mpitsara ny tsindry sy ny fanelanelanana…” a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina….
12/10/2021

Malagasy tsy mataho-tody. Malagasy mpivarotra tanindrazana. Malagasy tsy matahotra an’Andriamanitra. Malagasy sahy mandatsak’aina. Malagasy mpanindrahindra sy mpanao an-doloha ny fomban’ny hafa. Malagasy mpamadika… Tsy misy idiran’ny politika sy ny toekarena ireo tranga mamotika an’i Madagasikara ireo. Raha ireo no iaingana, voaporofo fa fandrebirebena sy fanodinkodinan-javatra tsy tiana ho hita fotsiny ny fanaovana resabe etsy sy eroa.Nitondra faharavan-javatra maro ny fahapotehan’ny kolontsaina malagasy. Firy tamin’ireo didy aman-dalana navoaka teto Madagasikara no niteraka fifamaliana sy fifandrafesana teo amin’ny samy Malagasy noho ny tsy fifankahazoan-kevitra ny amin’izay tena tian’izy ireny hambara ?… Satria tsy fomba fisainana malagasy, tsy fiteny malagasy, tsy hitsinjovana ny tanindrazan’ny Malagasy, sns, no namolavolana azy ireny hany ka samy nandroritra izay heveriny fa dikany.Efa voaporofo ihany koa fa tsy ny fananana diplaoma manaka-danitra no hanala an’i Madagasikara ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao fa ny fananam-panahy sy fananam-pahendrena. Kolontsaina madiorano ireo fa tsy resa-politika na toekarena ventimbetesina etsy sy eroa.… Sa ve atao izay hahavalalanina ny Malagasy amina resabe politika amin’izay tsy mahita sy tsy mahafantatra fa potika tanteraka ny maha izy azy anisan’izany ny kolontsainy ? Mahavariana raha izay tokoa no izy, satria efa paikady fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona hatramin’izay ny tahaka izany kanefa mbola tsy fantatry ny Malagasy sasany ihany ny fisiany hatramin’izao !HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina…. a été récupéré chez Newsmada.

Lac sacré de Mangatsa : L’effet de la pandémie se ressent
13/10/2021

La formulation des vœux devant le « Zafinimena » Le nombre de visiteurs au lac sacré de Mangatsa à Mahajanga a largement diminué depuis la pandémie. Le site reste toutefois ouvert au grand public sauf les mardis et jeudis, jours « fady » pour les offrandes. Depuis le confinement, les visiteurs du lac de  Mangatsa qui se trouve à 18 km de la ville de Mahajanga, dans la région Boeny, arrivent au compte-gouttes. Auparavant, les visiteurs venaient des quatre coins du monde et se comptaient par plusieurs dizaines par jour contre un maximum de cinq actuellement. Selon le guide sur place, Charlot Raveloniaina, seuls ceux qui veulent demander une bénédiction viennent. Les fonds générés par le ticket d’entrée fixé à 2 000 ariary n’arrivent plus à combler les besoins pour l’entretien des lieux. « Il y a des fois où nous n’enregistrons aucune visite en une journée depuis cette pandémie. S’ajoute à cela le raccourcissement des grandes vacances empêchant les touristes locaux de se rendre sur place car généralement, les vacanciers qui rejoignent Mahajanga font un petit détour chez nous », a-t-il indiqué. Au-delà des offrandes et des demandes de bénédictions, le lieu offre aussi la possibilité aux visiteurs d’observer des animaux exotiques tels que les crocodiles, les makis et des variétés de poissons de grande taille sans oublier le grand baobab.  Offrandes. Le site est ouvert au grand public mais les offrandes ne sont pas autorisées les mardis et les jeudis. Étant un lieu sacré, le poulet, le porc et la chèvre sont strictement interdits. Les personnes désirant déposer des offrandes doivent par contre se munir de miel qui symbolise la douceur et l’opulence ; d’agarbatti qui chasse les mauvais esprits et d’une bougie qui représente la vie, la pureté. La formulation des vœux se fait en deux étapes. Les uns au niveau de Zafinimena, et les autres au niveau de Zafinifotsy. Ces deux étant représentés par des arbres. Il est à préciser que les vœux formulés au niveau des deux « entités » doivent être exactement les mêmes. Quant à la nature des vœux, elle est à la fois diverse et différente allant du mariage avec un « vazaha » à la fertilité, en passant par le succès en affaires … Les demandeurs doivent impérativement revenir sur le lieu de culte une fois leur vœu exaucé sous peine de malheur avec l’offrande promise.  Narindra RakotobeL’article Lac sacré de Mangatsa : L’effet de la pandémie se ressent a été récupéré chez Midi Madagasikara.