Fisandohana teny Tsarasaotra :: Lehilahy tratra nitonona ho inspekteran’ny polisy

News - Fisandohana teny Tsarasaotra :: Lehilahy tratra nitonona ho inspekteran’ny polisy

News - Fisandohana teny Tsarasaotra :: Lehilahy tratra nitonona ho inspekteran’ny polisy

Voatazona ao amin’ny fonjakelin’ny polisy, eny amin’ ny Kaomisarian’ny polisy foibe, etsy Tsaralalàna, ny lehilahy iray nisandoka ho polisy. Nilaza ho inspekteran’ ny polisy izy, nandritra ny fandalovany teny Tsarasaotra, afak’omaly. Hoentina eny amin’ny Fampanoavana, anio, ity lehilahy ity.

Nosakanan’ny polisy ny mpitondra môtô iray tsy nanao aroloha nandalo teny Tsarasaotra, afak’omaly tolakandro. Voalaza fa saika tsy nety nijanona io mpitondra môtô io sady nilaza fa mahafantatra polisy ka hiantso izany raha tsy avela handeha.

“Niantso tamin’ny telefaonina an’ilay havany nolazainy fa polisy io mpitondra môtô io. Tonga teny Tsarasaotra tokoa ny lehilahy iray nanao akanjo ba miloko maitso mitovy amin’ny an’ny Polisim-pirenena. Nilaza ho inspekteran’ ny polisy izy, saingy sarona ny fisandohany andraikitra rehefa nangatahina taminy ny karatra maha polisy azy. Mpamily no asany voasoratra tao amin’ny kara-panondrony ”, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny Polisim-pirenena.

Nosamborina avy ha- trany ity mpisoloky. Nogiazana toy ireny môtô tsy manara-dalàna ireny ilay kodiaran-droa. Fantatra fa teny amin’ny fivarotana lamba efa avy nampiasaina na (friperie) no nahitan’ilay lehilahy ny akanjo mitovy amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana.

L’article Fisandohana teny Tsarasaotra :: Lehilahy tratra nitonona ho inspekteran’ny polisy est apparu en premier sur AoRaha.

Fisandohana teny Tsarasaotra :: Lehilahy tratra nitonona ho inspekteran’ny polisy

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Tsy misy vaovao !

Mbola ny Praiminisitra teo aloha ihany no Praiminisitra vaovao nanomboka omaly. Ny tonta foana no avadibadika eto Madagasikara! Ireo mitondra solomaso volomboasary no resy lahatra fa nandeha tamin’ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena tao anatin’ny volana maromaro nitondran’ny Filoha vaovao izay. Izay mahita lazaina, indrindra fanakianana, dia naman’ireo mpanenjika any afara izy izay. Tsetsatsetsa tsy aritra amin’ity fomba fitenenana nalaza tao anatin’ny herintaona latsaka kely ity moa ny hoe fa ny mpanohana angaha moa eo aloha, fa tsy ao afara ihany koa? Eny e, fa tokony hikombom-bava ny rehetra ao anatin’izao fe-potoam-piasana hanatanterahana ny velirano izao. Ny lehiben’ny governemanta iny vita ihany, fa asa izay ho afitsoky ny fanendrena an’ireo minisitra vaovao (sa tonta?) manaraka eo. Na voafidim-bahoaka na tendren’ny mpitondra mantsy, toa ny eo ihany no miverina. Toy izany koa ny toetra sy ny fihetsika ary ny fomba fiasa. Nantenaina ho levona niaraka tamin’ny fitondrana teo aloha ilay antenimieran’ny “malety” sy ireo olom-boafidy be adivarotra amin’ny tombontsoany, kinanjo inona no teo! Mafimafy sahady ny hiakiaka avy etsy Tsimbazaza. Fitadiavantoerana ao amin’ny rafitra mpanatanteraka sy fitakiana fiara tsy mataho-dalana no nahazoan-dramatoa filohan’ny Antenimieram- pirenena an’ireo vato 100% nahalany azy, tsy nanavahana mpomba na mpanohitra, satria nampiraisin’ny firangorangoana avokoa. Adino tanteraka mihitsy io adiady politika io rehefa mivelatra eo ambony latabatra ny adihevitra momba ny tombontsoan’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Tsy misy vaovao fa ny fomba ratsy nifandimbiasan’ireo fitondrana hatramin’izay ihany izao lovaina sy tohizana soa aman-tsara izao. Ary mba inona, hono, ny vaovao amin’ireo velirano sy fandaharanasan’ny mpitondra vaovao? Ankoatra an’ireo zava-bita avy tamin’ny fanohizam-pitantanana ny raharaham-pirenena… L’article Tsy misy vaovao ! est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

TAKAITRAN’NY KRIZY PÔLITIKA :: Olona telonjato sy arivo nanao fangatahana fanonerana

Tamin’ny tatitry ny asa vitan’ny Filan­kevitry ny fampihavanana malagasy na FFM nandritra ity taona ity teny Ampefiloha, omaly, dia fantatra fa miisa telonjato sy arivo ireo olona nanao fangatahana fanonerana vokatry ny krizy pôlitika. Nahatonga antontan-taratasy fangatahana eny anivon’ny rafitra ity ireo lasibatry ny krizy pôlitika ireo. Ny dosie zato no efa vita fandinihana. Mitady vola amin’ireo firenen-dehibe sy ny Firenena Mikambana ny FFM mba hanomezana ny volan’ireo olona nanao fangatahana ireo. Ankoatra ireo rava orinasa sy potika fananana nandritra ireo krizy teto amin’ny firenena dia nahitana ireo gadra pôli­tika ihany koa tamin’ireo mpangataka fanonerana teny anivon’io rafitra io. Noho ny fahasarotan’ny fandinihana ny antontan-taratasin’izy ireo no voalaza fa antony nahavi­tsy ireo raharaha voadinika hatreto. Ny Vondrona Eoropea­nina, ny Vondrona Afrikanina, ny Sinoa, i Afrika Tatsimo ary ny Maraokana no samy voa­tonona avokoa fa isan’ireo firenena nangatahan’ny FFM vola. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana fahatelon’ity rafi-panjakana teny Ampefiloha ity, omaly maraina. Ankoatra izay, nilaza ny hanamafy ny vokatra efa azo tamin’ny asa fametrahana ny fitoniana teto amin’ny firenena nandritra na taorian’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, ry zareo. Tsangan-tanana amin’ny famotsoran-keloka “Efa nisy ny vokatra azo tamin’iny fifidianana filoham-pirenena iny fa mila hamafisina izany. Hidina any amin’ny faritra niaviany avy ireo mpikambana ato amin’ny FFM hametraka sy hitandro hatrany izany fitoniana izany. Hotohizana ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny zotram-pifidianana toy ny Voamieram-pirenena mahaleo­tena misahana ny fifidianana, ny fiaharamonim-pirenena, ny Rohy, ny Transparency international sy ny sisa”, hoy i Maka Alphonse, filohan’ny FFM Isan’ny anjara andraikitr’ izy ireo ny momba ny fanomezana famotsoran-keloka. Voaresaka ny momba an’io teny Ampefiloha ka fantatra fa nisy olona enina amby telopolo ireo voaheloky ny Fitsarana noho ny raharaha pôlitika ka nanao nangataka famotsoran-keloka teny amin’ny FFM. “Efa naverina eny amin’ny Fitsarana Tampony ny fangatahan’ ireo olona ireo mba hakana fankatoavana eo amin’ny lafiny lalàna. Aorian’izay dia miverina aty aminay izany ary tapahina mandritra ny tsangan-tanana amin’ny fivoriam­ben’ny mpikambana rehetra ato aminay ny fahafantarana ny valin’ny fangatahan’ireo olona ireo”, hoy hatrany ny FFM. L’article TAKAITRAN’NY KRIZY PÔLITIKA :: Olona telonjato sy arivo nanao fangatahana fanonerana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fahamailoan’ny vondrona sendika

Nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba ho mailo tanteraka amin’ny fanaovana sivana an’ireo mpiasam-panjakana tsy ara-dalàna ny vondrona sendika eto Madagasikara (Ssm), izay tarihin-dry Rakotoniasy Jean Raymond. Be loatra ny kolikoly manodi­dina ny fampidirana mpiasam-panjakana teto amintsika ka tokony harahi-maso akaiky mialoha ny hanapahana hevitra amin’ny fanadiovana ny asam-panjakana, araka ny teniny. L’article Fahamailoan’ny vondrona sendika est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

PM: “Tsy ekena ny mpiasam-panjakana miandany”

“Mazava ny momba an’izay… Nametraka hatrany isika fa tokony hohajaina ny tsy fitanilana eo amin’ny mpiasam-panjakana. Izao ny zava-misy: be dia be ieo kandidà solombavambahoaka mimenomenona fa misy mpiasam-panjakana miandany atsy na aroa.”Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Antaninarenina, omaly, momba ireo mpiasam-panjakana sasany mihoa-pefy sy miandany amina kandidà ao anatin’izao fampielezana-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao.Tsy tokony hohadinoina fa ny fiandanian’ny mpiasam-panjakana misy amin’izao fotoana izao, kandidà maro dia maro no voatonontonona amin’izany ary avy amin’ny hery politika maro.Tsotra ny hafatra ataony: manamafy ny tokony ho fampiharana ny lalàna eo amin’ny  mpiasam-panjakana rehetra. “Tsy aty amin’ny minisitera fotsiny io mpiasam-panjakana io, fa any amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana koa: any amin’ny kaominina, fokontany…”, hoy izy.Maro koa ny mpiasam-panjakana mitanila sy miandany amina kandidà any, arakaraka ny loko politika misy. Amin’ny ankapobeny, tsy azo ekena izay zavatra izay.Hisy àry ve ny fampiharan-dalàna amin’izay tsy fanekena mpiasam-panjakana miandany amin’ny kandidà izay? Eo ihany koa ireo mampiasa fitaovam-panjakana amin’izany…R.Nd.L’article PM: “Tsy ekena ny mpiasam-panjakana miandany” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa

Miditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny taona ity ny hetsika karakarain’ny Seho Event, nomeny ny anarana hoe Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux). Hetsika natokana indrindra ho an’ny taranja “arts martiaux”. Ny 9 hatramin’ny 11 aogositra no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely, hampisehoan’ireo mpikatroka ao anatin’ireo taranja 12 mandray anjara, ny mampiavaka ny taranjany tsirairay. Araka ny efa nahafantarana azy, hisarika ny tanora hankafy sy hampiroborobo ny fanatanjahantena, fa tsy ho variana amin’ny zava-mahadomelina sy ny revy, no tena tanjona amin’ity hetsika ity. Hiavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria misy ireo taranja vaovao sambany ho tazana amin’ity hetsika ity, toy ny taranja Kempo, ny taibo, ny Akama ary ny Kickboxing.Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny toerana be olona no hanaovana azy ary hitombo bebekokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny fampisehoana isaky ny taranja. Hisy mihitsy, ny tatami lehibe hanaovana izany fampisehoana izany, hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana. Ankoatra izay, toy ny mahazatra, tsy ho very anjara ireo izay maniry ny hividy na hanjifa fitaovana ara-panatanjahantena, hisy ny fampirantiana izany, toy ny fanamiana ara-panatanjahantena sy ireo fitaovana ilaina amin’ny taranja “arts martiaux” ary ny “sports extrêmes”. Mbola hisy ihany koa ilay tombola hahazoana loka goavana sy loka maro be mifandraika indrindra amin’ny resaka fanatanjahantena. Tapakila fidirana 2000 ar dia efa mety hahazoana izany loka izany.Araka ny fanazavana nentin’ireo dojo sy ny taranja efa nandray anjara tamin’ny herintaona, nahafa-po ary tena nitondra vokatra tsara tamin’ny fampandrosoana ny taranja tsirairay avy, ny andiany voalohany. Antony mbola mahatonga azy ireo hanatevin-daharana izany amin’ity andiany faharoa ity. Ho an-dRakotonirina Parfait, avy amin’ny taranja Kempo sy MMA (Mixed Martial Arts), sambany ny fandraisana anjara amin’ity, isan’ny nanosika azy ny fahafahany mampisongadina ny taranja Kempo sy MMA eto Madagasikara, amin’ny alalan’ity hetsika karakarakin’ny Seho Event ity, hampisehoany ihany koa fa manana zavatra betsaka omena ny mpikatroka malagasy amin’io taranja io.Mampanantena, araka izany, ny Seho Event, fa ho seho sy hetsika miavaka no ho hita mandritra ny 3 andro, ny 9, 10 ary 11 aogositra eny amin’ny Parvis Analakely. Mi.RazL’article SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

Taorian’ny vokatra tsara nentin’ireo mpibata fonjamby malagasy avy any Maorisy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, nanome fankasitrahana azy ireo, ireo Minisitra mpiahy, avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny lalana sosialy, omaly. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no natolotra azy ireo nandritra izany. Nanambara Andriamatoa Minisitra, fa ny taranja fibatana fonjamby no tena nitondra an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faharoa, ka izany indrindra no anton’izao fihetsika feno fankasitrahana izao. Sady nanandratra avo ny fanevam-pirenena izy ireo no nahatanteraka ny voady nataony, talohan’ny nialana teto an-tanindrazana dia ny hitondra vokatra tsara. Mbola vonona hatrany moa ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hanohana ny mpanao fanatanjahantena malagasy, indrindra ireo manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana sy fitondrana avo ny voninahi-pirenena. Mi.RazL’article Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly       

 Misy olona manafatra mpiavy  ivelan’ny faritra Boeny hamboly ao anatin’ny atialan’Ankarafantsika izay midadasika amin’ny velarana 136 513 ha. Efa misy fandraisana andraikitra nataon’ny fitondrana, nanomboka ny taona 2018. Nahatratra 23 ireo olona notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny fiandohan’ny taona teo.   Ny taona 2017 no nisy fanairana momba ny fahapotehan’ny ala ao anatin’ny valanjavaboary Ankarafantsika (RN4). Nijery ny zava-misy teny ifotony ny tompon’andraikitra ary nametraka lamina hiarovana ny valanjavaboary sy hifehezana ny mpiavy mitrandraka ny atiala. Voalaza fa olona avy amin’ny faritra hafa ivelan’ny faritra Boeny no manimba ny ala sy mamboly anatin’ny faritra arovana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra Boeny, Bazezy Vanombe Clavelah Roslan. Roa taona taty aoriana, tsapa fa tsy voafehy ny fifehezana ny fanimbana ala. Nandeha nizaha ifotony indray ny solontenam-panjakana ka nisongadina fa misy ny fatana fanaovana arina sy lasa faritra fambolena katsaka. Nanapa-kevitra niaraka amin’ny prefet eto Mahajanga izy ireo fa horavana avokoa ny tranokely ao anaty rebareba manodidina ny valanjavaboary. Nojerena  ihany koa ny lalana hidirana ao anatin’ny valanjavaboary ary nametrahana toerana fanaraha-maso miaraka amin’ny zandary hitsirihana ireo mpiavy manimba ny atiala. Efa vonona ny mpamatsy vola momba izay, araka ny fanazavany ihany, tamin’ny herinandro lasa teo, tao Mahajanga. Fantatra fa avy any Toliara ny ankamaroan’ny mpiavy mamboly sy manao arina fandrehitra. Nivondrona ao anatin’ny fikambanana iray ny mponina ao Anjijia mivelona manodidina ny vala ka nanentana ny mpiray fiaviana tsy hitrandraka ny atiala. Izy ireo rahateo no mpanelanelana ny mpitrandraka sy ny fitondram-panjakana.Nanamafy ny lehiben’ny faritra fa afaka mivezivezy malalaka ny olona ato anatin’ny faritra ka sarotra ny hanakana ny fiavian’ny mpitady velon-tena eto Madagasikara fa mila fehezina kosa ny fitrandrahan’izy ireo ny aty ala izay fandikan-dalàna faizin’ny lalàna mihatra eto amintsika. Misy ny fitsarana manokana mikarakara ny fanimbana ala.Tokony hisoratra anarana amin’ny fokontany Sarotra ny mitantana ireo olona mpifindra monina mitrandraka ny atiala ao Ankarafantsika satria tokony hisoratra amin’ny secteur sy fokontany avokoa ny mponina anamorana ny fanaraha-maso, hoy ny prefet ao Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana. Vahaolana mahomby indrindra ny hisoratan’izy ireo anarana amin’ny fokontany efa nisy fa tsy azo atao ny hametraka tanàna na fokontany vaovao ao anatin’ny faritry ny ala arovana.L’article Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly        a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny mponina : misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana

Efa misokatra ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana ho an’ny andron’ny mponina, karakarain’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, ahafahan’ny sokajin-taona rehetra mandray anjara. Misokatra ho an’ny fikambanana sy ireo tanora tia famoronana ihany koa ny fifaninanana. Tanjona ny fitrandrahana ny fahaiza-manao sy ny talenta miafina. “Andao hiara-hientana ho amin’ny sosialim-bahoaka” ny lohahevitra voizina amin’izany fifaninanana izany ary anisan’ ny lohahevitry ny fanamari­hana ny Andron’ny mponina rahateo. Harakitra anatin’ny VCD ny sanganasa famoronana, tsy tokony hihoatra ny 15 mn ary tsy latsaky ny 10 mn. Aterina eny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Mponina amin’ny faritra misy ny mpifaninana izany hatramin’ny talata 11 ao­gositra ho avy izao alohan’ny amin’ny 1 ora tolakandro. Fampitaovana miavaka izay famoronana misongadina indrindra no loka ho azon’izay telo voalohany mendrika. Raha ny salanisa; mahatratra 25 680 342 ny mponina ma­nerana an’i Madagasikara ary vehivavy ny 51% amin’izany, tantsaha kosa ny 80%. Tsikaritra fa tsy mirindra ny fitombon’ny mponina sy ny harinkarena ary mitondra voka-dratsy ho an’ny harinkarena ny Covid-19. Misy ny fanentanana ezahina voizina amin’ny haino aman-jery mahakasika ny An­dron’ny mponina miompana amina lohahevitra maromaro toy ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana amin’ny valanarerina. Ny zon’ny vehivavy sy ny an­kizivavy. Ny ady atao amin’ny herisetra. Ny fanambadian’ny ankizy ary ny fandrindranany fiainam-pianakaviana.Tatiana AL’article Andron’ny mponina : misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Richard: “Haverina ny hasin’ny Foloalindahy Malagasy”

“Mila aseho amin’ny vahoaka malagsy fa ny fanjakana dia manana finiavana ny hiaro vahoaka. Haverina amin’ny maha izy azy  ny Foloalindahy Malagasy, indrindra ny fahatokisan’ny vahoaka ny Tafika Malagasy izay mitaky fitondran-tena mpitarika mendrika. Tsy tokony hisy intsony izany tsimatimanota izany”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard…Nandritra ny fanokafana ny fivoriamben’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy teny amin’ny trano fandraisam-bahiny “Asia Africa Hotel” eny Mamory Ivato, omaly no nilazany izany. Tompon’andraikitra ambony isan’ambaratongany avy eo anivon’ny Tafika Malagasy manerana ny Nosy no miatrika sy mandray anjara amin’ity fivoriana ity izay hifarana anio izany. Inona ny vinan’ny fitondram-panjakana? Hoentina mankaiza ny Tafika Malagasy? Inona no andraikitra miandry ny Tafika Malagasy? Ary inona ny tambin’adidy andrasan’ny vahoaka malagasy amin’ny tafika? Ireo fanontaniana ireo no napetraky ny MDN ary hodinihina manokana ao anatin’izao fivoriana izao. Nambaran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ity fa fotoana izao hifohazan’ny tafika amin’ny torimasony sy andraisany andraikitra amin’ny asa sahanina izay ilàna fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fomba fiasa manaraka ny fenitra. Ilaina ny fahaizana miara-miasa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ireo toerana sy sehatra ikatrohana, indrindra ny firahalahiana. “Fomba fiasa vaovao manaraka ny vaninandro ankehitriny no takina amin‘izao adidy goavana andrasana amin’ny Tafika Malagasy izao ka ilàna ny fanovana ny fomba fiasa”, araka ny nambarany hatrany. Nampahafantariny koa ny endriky ny Tafika Malagasy rahampitso na ny “Tafika Malagasy amin’ny taonjato faha-21”. Efa mivaingana ny ezaka vitan’ireo miaramila mpampandry tany amin’ny ZRPS any amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana. Nanotroka ny fanokafana ny fivoriana ny Seg, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny minisitry ny Fitsarana, ny tale jeneralin’ny Bianco.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Richard: “Haverina ny hasin’ny Foloalindahy Malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zavakanto brezilianina: hanolotra seho hafa ry Bloco sy ny Roda Malagasy 

Anisan’ny endrika iray maneho ny fivelaran’ny zavakanto eo amin’ny firenena iray ny fahaiza-mifehy ny an’ny tena sy fahaiza-manatanteraka ny an’ny hafa. Afaka maneho izany tsara ny Bloco Malagasy sy ny Roda Malagasy. Tsy zovina amin’ny maro intsony ny Bloco Malagasy, tarika mpively ampongabe, sy ny Roda Malagasy, mpanao “capoera”. Maro ny sehatra efa nahitana azy ireo ary niavaka hatrany izany. Tsy ho latsa-danja amin’ireny ny hotanterahin’ireto tarika roa ireto, ny alakamisy alina izao, eny amin’ny Ravimpontsy eny Tsiadana. Matetika, hira mandrotsirotsy sy malefadefaka no entina manafana ny fotoana, rehefa manakaiky ny faran’ny herinandro, amin’ny toerana toy ny Ravimpontsy. Amin’ity kosa, azo lazaina ho ny mifanohitra amin’izany ny hitranga, satria feon’amponga, miaraka amin’ny dihy sady fanatanjahantena, “capoera”, no enti-mamalifaly ny vahiny. Fampisehoana sady fanentanana ny hataon’ny Bloco Malagasy sy ny Roda Malagasy, amin’io alakamisy io, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Ny mampiavaka azy, ampifanarahina ny toerana hanaovana ny seho sy ny maha takariva ny fotoana ny famoronana entin’ny tarika roa tonta. Tanjona ny hampiaina ireo vahiny ny kolontsaina sy ny zavakanto brezilianina. Raha tsiahivina, samy sahanin’ny fikambanana Bel’Avenir, any Toliara, ny Bloco Malagasy sy ny Roda Malagasy. Iry voalohany, ahitana tovovavy marobe, izay samy nianatra ary mahafehy ny fivelesana ampongabe. Ny faharoa kosa, tarika mpanao “capoera”. Samy efa zatra sehatra ary efa nitety firenen-tsamihafa izy ireo. Landy R. L’article Zavakanto brezilianina: hanolotra seho hafa ry Bloco sy ny Roda Malagasy  a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus
21/11/2020

Les passagers d’un autobus de la ligne 109, reliant le quartier des 67 ha à Ambohitrarahaba étaient en effervescence, jeudi soir vers 20 heures. Cela a été provoqué par une altercation, qui s’est produite à l’intérieur de ce véhicule, opposant un couple et un homme. Sur le trajet, les trois individus ont échangé des coups de poings. Heureusement, le chauffeur a eu le réflexe d’arrêter le bus devant des policiers postés sur le bord de la rue à Andranobevava. Alertés, ces éléments de forces de l’ordre sont alors intervenus pour calmer la situation. Arrêtées, les deux parties en conflit ont été amenées au commissariat du 8e Arrondissement à Analamahitsy pour enquête. La police a pris cette décision après avoir été informée de l’origine de cette bagarre, qui était une tentative de vol à la tire. L’homme en question aurait tenté de subtiliser le collier en argent sur le cou du mari, à entendre les témoignages de certains passagers de l’autobus. Ayant remarqué ses agissements, l’épouse a tout de suite réagi en assénant un coup de poing au voleur. Contrarié, celui-ci a alors riposté en frappant la femme et le mari est ainsi intervenu. Les deux hommes se sont farouchement battus. Résultats, ils sont tous les deux blessés. Arrivé au commissariat, le suspect a rejeté l’accusation portée contre lui malgré la présence de quelques passagers qui ont témoigné contre lui. Il a déclaré qu’il était un militaire en permission. Ayant vérifié son statut, la police a remis cette affaire à la brigade de la gendarmerie de Betongolo. Ainsi, l’enquête continue auprès de cette unité. T.M. L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka
20/11/2020

Tsy vao izao fa efa hatry ny ela! Mirongatra ny asa fanendahana ataon’ireo andian-jatovo tsy ampy taona eny amin’ny tsena solomaso Andravoahangy. Manoloana izany, nisy ny ezaka nataon’ny polisy amin’ny fanenjehana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany satria efa-dahy indray tratran’ny polisy, afakomaly alina. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa miaraka maromaro manao andiany ireto jiolahy rehefa manao ny asa ratsiny ka ny efatra tamin’izy ireo no tratran’ny polisy. Ireo mpandeha an-tongotra tratra alina no tena mitondra faisana amin’izy ireo. Maro rahateo ireo olona nanao fitarainana noho ny firongatry ny fanendahana eny amin’iny faritra iny ka antony nahatonga ny polisy nandray andraikitra avy hatrany.J.CL’article Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

Namono tena sa nisy namono? Teratany frantsay iray hita faty nihantona tamin’ny tady
20/11/2020

Hita faty nihantona tao an-tranony, ny talata hariva teo tokony ho tamin’ny 07 ora ny vata-mangatsiakana teratany frantsay iray. Monina ao amin’ny fokontany Bazarikely, renivohitr’i Antsiranana izy io. Rehefa naharay antso mikasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana, nidina teny an-toerana nanamarina izany. Mbola tratran’ireo polisy avy ao amin’ny « Section de recherche criminelle » nihantona tamin’ny tady ny nofo-mangatsiakan’io teratany vahiny 58 taona io tamin’ny fotoana nahatongavany teny. Nanatrika izany koa ny mpitsabo ao an-toerana, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.Fantatra ny mombamomba ilay namoy ny ainy. Rehefa vita ny fanadihadiana, natolotra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny «concile de France» izany. Misokatra ihany koa ny famotorana ny raharaha.Nanazava momba ny fiarovana ny ain’ireo teratany frantsay monina ao Antsiranana kosa ny kolonely, kaomandin’ny CIRGN ao an-toerana, omaly. Fihaonana natao tao amin’ny « concile de France » ao Antsiranana. Henintsoa Hani  L’article Namono tena sa nisy namono? Teratany frantsay iray hita faty nihantona tamin’ny tady a été récupéré chez Newsmada.

Mihanaka ny zava-mahadomelina: Roa lahy mpanao trafikana héroïne nidoboka am-ponja
20/11/2020

Mahazo vahana tato ho ato ny fihanaky ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Porofon’izany ny nahatraran’ny polisy, ireto roa lahy mpanao trafikana héroïne, teny amin’ny faritra 67 ha, afakomaly. Naiditra am-ponja avy hatrany, omaly izy ireo, taorian’ny nanolorana azy teny amin’ny fampanoavana.Voasambotry ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, afakomaly teny amin’ny faritra 67 ha tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro ireto voarohirohy ireto. Loharanom-baovao no nahafahan’ny polisy nanenjika ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto. Nohamafisin’ny polisy fa tafiditra hatrany amin’ny fanenjehana ataon’ny polisin’ny Stup amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, izay mitarika fitondran-tena tsy mendrika eny anivon’ny fiarahamonina ny fisamborana ireto roa lahy ireto. Nahazo angom-baovao ny polisy fa hoe mihaodihaody any 67ha izy roa lahy miaraka amin’ireto zava-mahadomelina ireto. Niroso tamin’ny fametrahana ny vela-pandrika sy ny fanarahan-dia ny polisy ka tratra tany amin’izy ireo ny héroine milanja 1,23grama. Araka ny fantatra nandritra ny famotorana azy ireo fa 50 000Ar ny vidin’ny iray grama ka tsinjarain’izy ireo ho fito izany, amidiny 5 000Ar ny iray. Niaiky ny heloka vitany izy ireo.Mirongatra ny zava-mahadomelina amin’izao…Saika isan’andro andrenesana mpivarotra rongony tratran’ny polisy sy ny zandary. Vao afakomaly teny Androndrakely akaikin’ny sekoly iray eny an-toerana roa lahy tratran’ny polisy noho ny fivarotana rongony sy toaka. Fantatra fa mivarotra rongony amin’ny mpianatra ry zalahy ireto. Nosamborin’ny polisy ireto jiolahy ireto ary mbola nahatrarana rongony sy toaka gasy dimy litatra tany amin’izy ireo. Efa nampidirana am-ponja ihany koa izy ireo rehefa avy natolotra ny fampanoavana.Vao haingana koa ny zandary no nandoro ireo rongony milanja efa ho roa taonina mahery tany amin’ny faritra Atsimo, ankoatra ireo efa nogotana teny an-tanimboly amina velaran-tany hekitara maro. Efa betsaka izay rongony tratra sy olona naiditra am-ponja izay fa toa miditra ny fonja izay tratra dia iny misy mipoitra indray. Ny fiparitahan’ireny zava-mahadomelina ireny anefa no isan’ny mampirongatra koa ny herisetra, eny tonga hatrany amin’ny fanolanana ankizy tsy ampy taona mihitsy aza izany. Sao tokony hanaovana hetsika manokana mihitsy ity ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ity?Jean ClaudeL’article Mihanaka ny zava-mahadomelina: Roa lahy mpanao trafikana héroïne nidoboka am-ponja a été récupéré chez Newsmada.

STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy
20/11/2020

Fotoana ankamamian’ny mpianakavy ny fetin’ny faran’ny taona. “Manoloana izany dia nanao ezaka ny teo anivon’ny Startimes hamenoana izany hafaliana izany”, hoy ny tompondraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes, Zafera Joyce nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2020 teny Ankorondrano. Nambarany fa nampiditra chaînes vaovao 28 tao anatin’ny bouquet ny Startimes tamin’ity taona ity, nanome fihenam-bidy tamin’ny alalan’ny Startimes GO ary tamin’ny alalan’ny Startimes ON dia afaka nisitraka ny vokatra Startimes na mpanjifa na tsia. Ho tohiny izany rehetra izany dia manao fihenam-bidy goavana ity televiziona nomerika ity ho fanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona. “ Raha ho an’ny eto Antananarivo dia lasa 45.000 Ariary ny décodeur ary efa misy abonnement 44.000 Ariary. Ho an’ny sahafa indray dia lasa 80.000 Ariary izany raha toa ka 120.000 Ariary teo aloha ary efa misy bouquet 44.000 Ariary miaraka aminy”, hoy i Zafera Joyce. Ankoatra izany dia mbola mitohy ny fihenam-bidy amin’ny “télévision numérique” an’ny Startimes. Raha 650.000 Ariary ny 32” dia lasa 550.000 Ariary. Ho an’ny televiziona 43” dia 950.000 Ariary ny vidiny raha toa ka 1.100.000 Ariary izy teo aloha. Nirina R. Cet article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nilatsaka ny baiko ho an’ny mpitandro filaminana: hihamafy ady amin’ny asan-dahalo sy ny fiparitahan’ny basy
18/11/2020

Nanantanteraka fivoriana fahatelo tamin’ny alalan’ny « visio-conférence » ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy, omaly. Nitarika izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Niditra nivantana ihany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Voalaza tao anatin’izany ireo toromarika nomen’ny OMC, indrindra ireo fepetra horaisin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany; ny ady amin’ny halatr’omby sy ny asan-jiolahy, ny fiparitahan’ny basy mampirongatra asan-dahalo sy ireo mpimasy, ny firongatry ny zava-mahadomelina; ny fiarovana eny amin’ny lalam-pirenena, ny fitantanana ireo mpiasan’ny Zandarimaria; ny fankasitrahana sy ny fampirisihana ireo zandary nahazo vokatra tsara.Handray andraikitra mialoha ny fifidiananaEo koa ny fampitaovana ireo toby sy zandary eny an-tsehatra; ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka mandritra ny fifidianana senatorialy; ny hetsika fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny ady amin’ny doro tanety; ny fanohizana ny ady amin’ny fianahan’ny Coronavirus; ny fanofanana asa ireo zandary ary ny fanamafisana fitrandraham-baovao ara-potoana. « Handray andraikitra izahay mialoha ny fifidianana. Atao ihany koa ny hampilamina ny tany sy ny fanjakana », hoy ny lahatenin’ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa misy ireo sokajin’olona hanao izay tsy hahatanteraka ny fifidianana. Na koa mikasa ny hanakorontanana izany. Manoloana izany, nilaza handray andraikitra feno ny Zandarimariam-pirenena hisorohana ny korontanana. Henintsoa HaniL’article Nilatsaka ny baiko ho an’ny mpitandro filaminana: hihamafy ady amin’ny asan-dahalo sy ny fiparitahan’ny basy a été récupéré chez Newsmada.

Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs
23/11/2020

Lors du lancement du challenge Airtel Mandresy. Pour la 7e année consécutive, Airtel Madagascar organise un challenge Airtel Mandresy. Il s’agit notamment d’un concours de performance dédié à ses revendeurs de carte SIM éparpillés dans tout Madagascar et qui sera valable à compter du 20 novembre 2020 jusqu’au 31 janvier 2021. L’objectif consiste à valoriser les forces de vente afin de rehausser les réalisations de chacun des partenaires dans le cadre de la commercialisation des cartes SIM. En effet, « chez Airtel, nous croyons à la force du potentiel. Etant une société dynamique, nous encourageons fortement l’épanouissement et le développement des personnes ayant l’ambition de grandir et de réussir aux côtés d’une entreprise qui sait reconnaître et récompenser la performance. Ainsi, toute personne désireuse de contribuer à la vulgarisation des services télécom est invitée à nous rejoindre dans notre merveilleuse mission de connecter toute la population malgache », a déclaré Eddy Kapuku, le directeur général d’Airtel Madagascar. Reconnaissance. Dans le cadre de ce concours, les partenaires commerciaux sont incités à maximiser leurs ventes durant la période de challenge. Ils seront ensuite classés en trois catégories suivant leurs réalisations, et ce, avec des objectifs de vente définis », a expliqué Heritiana Randrianarison, directeur des ventes au sein d’Airtel Madagascar. De nombreux lots seront distribués par tirage au sort aux revendeurs les plus performants. On peut citer, entre autres, une voiture neuve Renault KWID au meilleur revendeur, des motos, des télévisions Smart 40’’ et des smartphones Redmi. « L’organisation de ce challenge est pour nous un témoignage de reconnaissance envers nos distributeurs et revendeurs des SIM qui sont à la fois, des membres à part entière de la grande famille Airtel, et également des traits-d’union entre Airtel et les consommateurs dans tout le pays », a conclu le directeur général d’Airtel Madagascar. Navalona R. L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs a été récupéré chez Midi Madagasikara.

RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana »
20/11/2020

Mitondra zava-baovao hatrany ny mpikarakara ! Tao anatin’ny taona maro nisiany, tany anaty efitrano no nanatontosana ny ankamaroan’ny fandaharam-potoana tontosaina mandritra ny « Rencontres du film court » na ny RFC. Amin’izao andiany faha-15 izao, niova sy nohatevenina izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rozifilms sy ny orinasa Orange Madagascar ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hisy ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ». Niombom-peo ny telo tonta fa ilaina ny fampanatonana ny sarimihetsika ho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Halefa any anivon’ny boriborintany eto Antananarivo Renivohitra ireo sarimihetsika sasany mandray anjara amin’ity EFC andiany faha-15 ity mba hahafahan’ny Malagasy miaina sy mahafantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatrehin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Goavana rahateo ny lohahevitra nofidin’ny tompon’andraikitra satria mifandraika amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanabeazana maha olona. Afaka hampitana hafatra haingana sy mahomby ihany koa ny sarimihetsika ka mora raisin’ny olona ny zava-boalaza sy asehony. Ny 21 novambra ao amin’ny EPP Antanimena I sy ny 22 novambra izao, eny amin’ny EPP Manjakaray II B, samy amin’ny 5 ora sy sasany hariva no handefasana ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ».Marihina fa, anio, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva no hanokafana ny fifaninanana sy ny fanentanana ao anatin’ny “Rencontres du films court” andiany faha-15.HaRy Razafindrakoto L’article RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana » a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la Covid-19 : Les gestes barrières ignorées par les supporteurs durant le match
19/11/2020

Sa joie aurait pu infecter les autres supporteurs s’il était porteur de la Covid-19. (crédit photo : Princy) Avant le match retour opposant les Bareas de Madagascar et les Eléphants de la Côte d’Ivoire, le ministère de la Santé publique avait fait savoir qu’elle déployait 35 agents de santé à Toamasina I durant et après le match pour assurer le respect des gestes barrières. Mais face à une foule en délire après l’égalisation du score, les gestes barrières sont vite passés inaperçus. Plus de distance d’un mètre, plus de masques, et avec les cris, les postillons ne se faisaient pas rares. Tout ceci, dans une ville qui figure parmi celles qui ont enregistré un taux important de cas positifs à la Covid-19. Antananarivo. Les tananariviens ont aussi vécu le même périple à Analakely. Les bouteilles de bière passaient de bouche en bouche. Même si les personnes qui ne portaient pas de masque de protection ne pouvaient accéder à l’espace aménagé devant l’hôtel de ville, de nombreuses personnes ont suivi le match le long de l’Avenue de l’Indépendance. Et là encore, masque et distance physique d’un mètre étaient invisibles chez certains supporteurs. Les autorités étaient bel et bien sur place mais n’ont rien pu faire face à la fougue de la foule. Malgré cela, l’organisation a essayé de diffuser des messages de sensibilisation avant le match et pendant la pause. Comme la Covid-19 sévit toujours au pays, il se peut que les événements du 17 novembre 2020 aient favorisé sa propagation. Néanmoins,  le nombre de cas recensés dépend du nombre de tests effectués. Et comme aujourd’hui, le pays ne procède plus à un dépistage massif de cette maladie, tout semble aller pour le mieux et tant pis pour ceux qui ont le malheur de la contracter. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Lutte contre la Covid-19 : Les gestes barrières ignorées par les supporteurs durant le match est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la Covid-19 : Les gestes barrières ignorées par les supporteurs durant le match a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Sport et Entrepreneuriat » : Une quarantaine de jeunes en formation à Diego
25/11/2020

Une quarantaine de jeunes à la découverte des métiers du sport et de l’entrepreneuriat. Le cinquième séminaire régional sur « Les métiers du sport et entrepreneuriat » a débuté ce lundi, et ce jusqu’au 27 novembre à Diego. C’est une initiative de l’ambassade de France à Madagascar, l’Académie nationale des Sports, en collaboration avec La Maison du Sport et la Direction régionale de la jeunesse et des sports Diana. Une quarantaine de jeunes sportifs et sportives de 15 à 25 ans toutes disciplines sportives confondues ou dans une association de jeunes ont suivi cette formation. Ils sont issus des trois régions à savoir Diana, Sava et Sofia. La formation a pour objectif de renforcer leurs compétences en matière de « métiers du sport et de l’entrepreneuriat », et en création d’entreprise dans le secteur.  « Comment faire pour que le métier du sport soit un emploi stable et à vivre ? » fait partie des thèmes importants à aborder durant les cinq jours. A travers cette formation, les participants pourront se familiariser avec tous les métiers du sport. La première journée de formation a vu l’engouement des jeunes. En effet, la formation a été suspendue à cause de l’épidémie de Covid-19. Par conséquent, l’effectif est limité à 40 participants pour cette édition. Manjato Razafy L’article « Sport et Entrepreneuriat » : Une quarantaine de jeunes en formation à Diego est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article « Sport et Entrepreneuriat » : Une quarantaine de jeunes en formation à Diego a été récupéré chez Midi Madagasikara.

MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana
20/11/2020

Miezaka mitondra sy manome vitrika ho an’ireo manan-talenta amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto ny minisitera misahana izany. Iray amin’ireny ny fanolorana mari-pankasitrahana.Ho fankaherezana amin’ny tontolon’ny zavakanto…. Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina mari-pankasitrahana ireo tanora 163, izay mpianatra avy ao amin’ny ivontoeram-panofanana momba ny dihy sy ny mozika Cnemd, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Vokatry ny fandraisan’anjara tamin’ny seho ara-javakanto natao tamin’ny fanokanana ny Lapa Manjakamiadana sy ny Lapa Besakana, ny 6 novambra 2020 teo izany. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny mari-pankasitrahana teny an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany tamin’izany fa vonona hatrany ny minisitera hanohana ireo tanora manan-talenta mba ho tena hanana ny maha izy azy. Nandritra ny lahateniny, nitondra ny fiarahabana sy ny fisaorana avy amin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina mivady ny tenany ho an’ireo tanora naneho zavakanto mahafinaritra. Marihina fa rafitra iray eo anivon’ny minisitera ny Cnemd. Vao tsy ela akory izay no vita ny fanamboarana ity ivontoerana ity raha simba tanteraka izany teo aloha. Efa manomboka maha velombolo, araka izany, ny ho avin’ny tanora sy ny zavakanto atsy ho atsy satria efa nahavita dingana sahady ny mpianatra na dia 50 ora aza no nanaovana ny fanomanana ny seho. Anisan’ireo tao amin’izany ivontoerana izany, tamin’ity taona 2020 ity, « Zaza kanto », raha ny nambaran’ny talen’ny Cnemd, i Holy Razafindrazaka.Narilala L’article MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana a été récupéré chez Newsmada.

FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa
20/11/2020

Ho fanampiana ny olona sahirana. Foto-drafitr’asa avo lenta miisa telo no notokanana teny amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) Antaniavo Antohomadinika ny 20 novambra 2020. Anisan’izany ny trano lehibe ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana arak’asa INFOPRO, ny Amphithéatre d’Al Haj Abdoul Momin ary ny efitram-pikarohana Al haj Roshan Jamil. “Natsangana izao foto-drafitr’asa izao ho fanampiana ny olona sahirana sy ho fiarahamiasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ivon-toeram-pampiofanana arak’asa. Anjara birikinay amin’ny fampianarana izao ary hiezaka hanaparitaka ny fahalalana ho fanampiana ny tanora izahay”, hoy ny Filoha Tale jeneralin’ny CRA, Cheikh Haniphe Akbaraly. Nambarany fa mbola hisy ny fanamboarana ny ivon-toeram-pampiofanana eny Tanjombato, Andakana. Manana vina ihany koa ny fikambanana FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram) fa hananganana oniversite avo lenta momba ny informatika eny Ambohidratrimo. Sampam-piofanana Raha ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana INFOPRO dia natao ho an’ny rehetra, tsy ny silamo ihany fa ho an’ny antokom-pivavahana rehetra, tsy ankanavaka ara-pivelomana. Mirary dia mirary ny saram-piofanana ary misy karazany maro ny sampam-piofanana toy ny zaitra, ny  “mécanique”, ny “informatique”, ny fianarana teny vahiny  (teny frantsay  sy anglisy).  Sivy volana ny faharetan’ny fiofanana ary isaky mifarana ny telovolana dia tsy maintsy manao fanadinana ny mpiofana ahafahana miditra amin’ny dingana manaraka. Ho an’ny taona 2018 dia mpiofana 52 no nahavita fiofanana tao amin’ity ivon-toeram-pampiofanana ity. Nitombo avo roa heny izany ny taona 2019, lasa 110 ireo nahazo diplaoma. Ankoatra ny lafiny fampianarana dia manao asa sosialy, mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ihany koa ny FCRA. Nirina R. Cet article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa a été récupéré chez Délire Madagascar.