Filankevitry ny governoram-paritra notarihin’ny filoha: “Tsy tokony hisy fialana olana amin’ny tsy fahavitan’ny asa”

News - Filankevitry ny governoram-paritra notarihin’ny filoha: “Tsy tokony hisy fialana olana amin’ny tsy fahavitan’ny asa”

News - Filankevitry ny governoram-paritra notarihin’ny filoha: “Tsy tokony hisy fialana olana amin’ny tsy fahavitan’ny asa”

Hentitra sady nahitsy. 
Notanterahiny tany Antsohihy, faritra Sofia, omaly ny filankevitry
ny governora voalohany. Nanafatrafatra azy ireo ny filoha Rajoelina
Andry.

“Tsy hisy intsony ny fialana
olana amin’ny tsy fahatanterahana ny asa fampandrosoana amin’ny
faritra iray. Tompon’andraikitra amin’ny fahavitan’ny
fotodrafitrasa sy ny asa fampandrosoana amin’ny faritra na amin’ny
tsy fandrosoana ny governora”, hoy ny filoha Rajoelina,
nitarika izany. Niatrika izany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian
sy ireo minisitra sasany. Miisa 18 ireo governora voatendry ary tsy
ho ela ny fanendrena ireo tsy mbola manana izany. Hatao isaky ny
iray volana sy tapany ny filankevitra ary mihodina isam-paritra.
Notsiahiviny ny andraikitra andrasany amin’ny governora.

Tsy hiankin-doha be intsony
amin’ny fanjakana

Anisan’izany ny fandaharana sy ny
fanatanterahana ny tetikasa eo anivon’ny faritra. “Miandrandra
anareo ny vahoaka isaky ny faritra”, hoy ny filoha.
Anisan’izany fanamboaran-dalana, miaraka amin’ ny fitaovana avy
amin’ny fanjakana. Afaka mamolavola sy mametraka ny tetikasa
manokana ho fampandrosoana ny faritra sy hamaly ny filàn’ny mponina
ao aminy ny governora, araka ny nambarany. Anisan’ny fandaharanasa
ny fahasalamana, ny fampianarana, ny fotodrafitrasa, ny
fampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena, ny sosialy ary ny
kolontsaina. “Tsy tokony hiankina be intsony amin’ny fanjakana
foibe ny faritra amin’ny asa fampandrosoana fa hametraka ny
vinan’asany. Hojerena kosa ny tetikasa tsy maintsy atao ary misy
fiatraikany mivantana amin’ny vahoaka”, hoy ny filoha.
Nanteriny anefa fa afaka hanome tetibola manokana fanampiny ho
an’ny faritra ny fanjakana. Nasaina nanao tatitra ny asa vitany
tamin’ny fandraisana ny fifantanana faritra ny governora isanisany
tamin’izany.

Teo ny tombana momba
fanamboaran-dalana mirefy 10 km sy ny fanamboarana efitrano
fianarana enina isaky ny faritra.

Raikitra ny fifaninanana eo
amin’ireo governora

Ankoatra izany, notakina amin’ny
rehetra ny kalitao sy ny fenitra takina amin’ny asa atao mba
haharitra izany ka anjaran’ny governora ny manara-maso ny
fanatanterahana ny asa. “Akaiky kokoa ny vahoaka ary mahita ny
filan’ny mponina ny governora”, hoy ny filoha. Nanteriny fa
anjaran’izy ireo ny  mametraka sy manatanteraka ny
politikam-panjakana sy ny Veliranon’ny filoha. Tanjona ny hametraka
fandrosoana mirindra sy fandrosoana mitovy tantana, araka ny
nambarany. “Misokatra ny fifaninana. Hojerena ny faritra
mahavita lalana sy mamaky lalana betsaka indrindra. Takina ny
hananan’ny governora fahaiza-mitantana ary hanaovana tombana ny asa
vita. Hiainga amin’izany ny famaritana ny tetibola ilain’ny faritra
amin’ny asa vita sy ny asa tokony hatao”, hoy ihany ny
filoha.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Filankevitry ny governoram-paritra notarihin’ny filoha: “Tsy tokony hisy fialana olana amin’ny tsy fahavitan’ny asa” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

Nanamaivana ny fahasahiranana ray aman-dreny maro indray ny antoko Malagasy miara-miaina Malagasy miara-miainga, ny herinandro lasa teo. Zazalahy miisa 92 indray no vita didim-poitra maimaimpoana ao amin’ny kaominina Manandriana sy ny any Vilihazo, ary koa ny  etsy Ankadikely sy ny eny amin’ny kaominina Ambohimalaza. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ity antoko  ity. Asa sosialy efa fanaon’ny Malagasy miara-miainga isan-taona ny tahaka izao, ankoatra  ny hetsika fivarotana fitaovana sy kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary mitety tsena efa fanaony. Eo koa ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha ary ny fanorenana na  ny fanampiana amin’ny  fotodrafitrasa, toy ny efitranon-tsekoly na ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana. Manampy izany ny fanomezana boky ho an’ny trano famakiam-boky sy ny hetsika samihafa.Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Malagasy miara-miainga.Synèse  R.   L’article Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona

«Tena mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ity tsangambato ity». Izay ny nambaran’ny mpitandrina iray anisan’ireo nasaina. Vita ary tena nanaraka ny fenitra amin’ny fanaovan-trano tokoa ny akany tsangambaton’ny faha-140 taon’ny fiangonana Tranovato Ambatonakanga. Trano lehibe misy rihina roa, ahitana efitra maro (efitrano malalaka fanaovana fivoriana na atrikasa, fiofanana…, trano fidiovana manara-penitra, efitra fandraisam-bahiny miaraka amin’ny fanaka sy ny kojakoja samihafa mifandraika amin’izany,…). Ny alahady 4 aogositra 2019 teo ny nitokanana amin’ny fombam-piangonana ity akany ity. Alahady izay nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny “Alahadin’ny taranaka”. Vory marobe, araka izany, ny mpianakavin’ny finoana, nahitana ireo kristianina maro sy zanaka am-pielezana ary ireo vahiny nasaina manokana.Niarahana amin’ny foibe FJKM sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano ny fotoana rehetra. Nitarika ny fanompoam-pivavahana Rabetokotany Miarilaza A, mpitandrika, prezidà synodaly SPIA. Nitondra ny tenin’Andriamanitra Rakotonindrainy Jaona, mpitandrina sady tonian’ny departemantan’ny fiangonana, foibe FJKM, niara-niasa  Razafiniarivo Fidison Maxim, mpitandrina FJKM Tranovato Ambatonakanga… “Ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity ho tranon’Andriamanitra… Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona” (Gen 28, 22a /II Kor 6, 16b). Ireo tenin’ny Soratra masina ireo no nanompanana ny fotoana. “Tsangambato natao holovain’ny taranaka mifandimby ity akany ity…”, hoy ny filohan’ny komitin’ny tsangambato, Atoa Rakotomavo Hugues.M.R. L’article FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Farafangana ilay ben’ny Tanàna an’i Tangainony voarohirohy nanolana zazavavikely 9 taona. Tsiahivina fa nierany tamin’ny ray aman-dreniny ilay ankizivavikely mba ho naman’ny zanany ny 30 septambra lasa teo. Natory tao an-tranon’ilay olom-boafidy araka izany izy ny alin’io. Ka raha sendra taitra maraina iny ilay ankizivavikely no nobataina tampoka ka nentina tao amin’ny efitranony ary nanaovany herisetra ara-nofo.Voavely tampoka sady mbola voaendaka. Izay ny nahazo ny tovolahy iray hamonjy fodiana niaraka tamin’ny namany ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teo amin’ny fokontany Tanambao Seimad-Nosy be-Hell ville. Niaraka tamin’ireo namany roa lahy hafa izy saingy nijanona an-dalana nivalan-drano. Tampoka teo anefa, nisy nively tamin’ny hazo lehibe ny lamosiny, mbola voafira antsy koa ny lohany. Tsy vitan’izay fa mbola norobain’ireo jiolahy ihany koa ny « tablette » teny aminy. Taorian’izay nitsoka avy hatrany ireo olon-dratsy.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

KAOMININA AMPITATAFIKA: “Misy loko politika ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana”

Kandida tsy lany no mizara ny vary mora. Voatery nofoanana ny fizarana vary mora teny amin’ny kaominina Ampitatafika ny sabotsy 04 Aprily 2020 teo. Nambaran’ny ben’ny tanàna, Ramparaoelina Rado, ny 07 aprily 2020 fa “raha ny tena hiainana dia misy loko politika be ny fanapahan-kevitra amin’ny fanampiana satria raha tokony ho anjarany ny kaominina Ampitatafika ny vary mora tamin’ny sabotsy teo dia nisy ny tsy fitovian-kevitra sy fitoviam-pijery teo amin’ny ben’ny tanàna sy ry zareo mpikarakara ny vary mora dia lasa nofoanana mihitsy ilay tety Ampitatafika”. Fanampin’izany, “rehefa misy ny fizarana ny vary mora dia ireo olona tsy lanim-bahoaka fa kandida teo aloha no mitantana ny vary mora izay tsy mampahafantatra mihitsy ny lehiben’ny fokontany na ny ben’ny tanàna fa dia ny olona fotsiny no ahalalanay hoe atsy amin’ny fokontany atsy, amin’izao ora misy fizarana vary mora”, hoy izy. Nomarihiny anefa fa “rehefa misy fizarana, varotra vary dia tokony maka alalana amin’ny tompon’ny tany nefa na ny tompon’ilay tany ary tsy mahalala hoe ampiasaina ny taniny”. Mangataka ny ben’ny tanàna an’Ampitatafika mba “hanjanona ny loko politika fa ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika no tena tanterahina: tsy mifanavanavaka, mila firaisankina fa raha olona tsy lanim-bahoaka no mitantana an’io dia na manao fandaminana aza ireny amin’ny resaka filaharana dia maro an’isa amin’ny olona tsy mihaino azy ireny. Nirina R. Cet article KAOMININA AMPITATAFIKA: “Misy loko politika ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana” est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

KMF/Cnoe: “Aoka hifanjohy ny lalàna sy ny didy fampiharana”

“Tamin’ny fivoriana farany ny birao nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, nohamafisiny ny hoe: aoka hifanjohy ny fifidianana ny lalàna sy ny famoahana didim-panjakana fampiharana izany.”  hoy  ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Ratsimbazafy Aimée, momba ny  satan’ny mpanohitra.Raha vao voafidy, ny lalàna iray, tokony hipetraka avy hatrany koa ny didim-panjakana fampiharana izany. Mba tsy ho tratra aoriana toy izao ny fampiharana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny fanoherana izao ka miteraka savorovoro eo amin’ny samy Malagasy.Efa voafidy ny lalàna nefa mihantona eo fa tsy misy fampiharana. Tsy fantatra intsony hoe: misy sa tsia izay lalàna izay? Mampisalasala ny olom-pirenena, ny tomponandraikitra, indrindra ireo mpitarika antoko politika.Efa misy lalàna nivoaka momba ny antoko mpanohitra. Efa voalazan’ny lalàmpanorenana rahateo izay. Fa ny olana : misy ny lalàna efa voafidy fa tsy misy ny didy fampiharana. “Asa ny mahatonga ny governemanta sy ny tomponandrakitra amin’ny fahefana mpanatanteraka tsy tapa-kevitra hamoaka ny didim-panjakana fampiharana izany lalàna izany?”, hoy izy.R.Nd.   L’article KMF/Cnoe: “Aoka hifanjohy ny lalàna sy ny didy fampiharana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea

Fantatra tamin’ny alalan’ny atsapaka, omaly, taorian’ny ady sahala 1 no ho 1 nifanaovan’ny Malagasy sy i Maorisy, tao amin’ny kianjan’ny Georges V Curepipe, teto Maorisy, fa tsy isan’ireo hiakatra amin’ny amanasa-dalana ny Barea.Tapitra hatreo ny dia ho an’ny Barea, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy, taranja baolina kitra. Nahatonga izany ny atsapaka. Ity lalana ity izay voasoratra ao anatin’ny lalan’ny fifaninanana fa atao aorian’ity lalao ity. Azo lazaina ho vintana ho antsika izany, saingy tsy voasarika ka voatery tsy maintsy nijanona hatreo ny lalan’ny Barea.Taorian’ny isa mitovy azon’ny ekipa roa (i Madagasikara sy i Seychelles), samy nanana isa 2 sy nahatafiditra baolina iray avy ny nahafantarana izany. Araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana, tsy maintsy amin’ny alalan’ny atsapaka ny hisafidianana ny ekipa hanohy ny dia ka tsy nitsiky ho antsika ny vintana teo. Raha hiverenana ny lalao omaly, nahazo karatra mena i Dadafara na i Avotriniaina, 5 minitra monja nanombohana ka efa nilalao10 teo.Tany amin’ny minitra faha-43, nahatafiditra baolina ny Barea, tamin’ny alalan i Rinho, saingy nosahalain-dry zareo Club M maorisianina izany taty amin’ny ampahefa-potoana farany ka io ady sahala 1 no ho 1 io ny nisarahana. Niaiky ny mpanazatra Roro fa ratsy ny vokatra ho antsika, satria ady sahala roa ny azo tamin’ny lalao roa natao. Ankilany, nilaza i Ando, mpiandry tsatokazo, fa ny karatra mena azon’ny mpilalaontsika aloha be no nahatonga ny vokatra. “Nijaly izahay”, hoy izy, satria nilalao folo hatrany am-boalohany. Na izany aza, niady ireto mpilalao ireto, saingy ny tsy nambinina fotsiny ihany. Mi.Raz L’article Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

SANTE ET DEVELOPPEMENT: Reprises des greffes de cornées

Comme notre journal Délire Madagascar détient les prérogatives d’avoir des habitués de plateau les Docteurs Maurice Collin et Joël Bessière, notre desk a eu le privilège d’avoir en direct au téléphone ces deux toubibs co-responsables de l’ONG Santé et Développement. De Grenoble, Maurice Collin, Pédiatre, et Joel Bessière, Psychiatre, nous ont communiqué de très bonnes nouvelles dont la teneur suit. « Nous avons repris les greffes de cornées à Madagascar. Nous avons envoyé par container spécial par Air France, 10 greffons le 5 août dernier et nous enverrons 10 autres le 12 aout 2019, à notre amie Ophtalmologue Onja Raharimanantsoa qui réalise les greffes de cornée dès leur réception. Nous payons chaque greffon 400 euros. 85 jeunes ont déjà retrouvé la vue grâce à ces greffes de cornées. Les 10 greffes de cornée réalisées avec les 10 greffons envoyés le 5 aout 2019 ont été un succès. Trois jeunes de 10, 11 et 14 ans et les 7 autres ont moins de 30 ans. Une conférence de presse avec tous les journaux et télévision de Madagascar a été organisée jeudi soir avec le Professeur Léa Raobela, Chef de service Ophtalmo HJRA. Merci à vous qui avez soutenu ce beau projet depuis le début. En toute amitié, et avec notre reconnaissance. » Avec les photos comme pièces à l’appui, Maurice Collin et Joël Bessière ont confirmé qu’ils ont eu le soutien du Président de la République de Madagascar Andry Nirina Rajoelina dans ce projet. Et que par ailleurs, Nouraly et Onja Raharimanantsoa regroupent les jeunes qui ont retrouvé la vue. Enfin, Délire Madagascar a l’immense plaisir de publier la photo de l’éminente Professeure Carole Burillon qui a formé le Dr Onja à Lyon. Propos recueillis par RAZAKA Oliva Sary Cet article SANTE ET DEVELOPPEMENT: Reprises des greffes de cornées est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Fanajariana ny tany : « Azo aloa tsikelikely ny vidin’ny trano aorin’ny Seimad »

Tafiditra amin’ny vinan’ny filoha Rajoelina Andry ny fanorenana trano sy ny tanàna vaovao hisitrahan’ny rehetra trano fonenana vanona. Ani­san’ny orinasam-panjakana misahana izany, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fa­najariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), ny eo anivon’ny Seimad. Iraka ampanaovina azy ny fanorenana toeram-ponenana sy trano fonenana. Natsidiky ny minisitra Andrianainarivelo Hajo fa afaka misitraka toeram-ponenana avokoa ny Mala­gasy rehetra, ary manatona avy hatrany ny orinasa Seimad raha manana faniriana amin’izany. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ny Seimad, Rasolondrabe Tiana, nilaza fa azo aloa tsikelikely ny vidin’ny trano, ary ifanarahana eo amin’ny orinasa sy ny mpanjifa izany. “Mana­raka ny fenitry ny fanorenana rehetra ireo trano fonenana ireo ary natao ho takatry ny fahefa-mividy ireo karazana toeram-ponenana aorin’ny orinasa”, hoy izy.Fanorenana trano hatrany ambanivohitra… Nitsidika sy nitokana ny toeram-ponenana «Avotra Résidence» etsy Ampefiloha izy ireo tamin’izany. Ahitana trano lehibe rihana efatra, misy trano fonenana sivy isaky ny rihana. Karazany roa ireo trano fonenana isaky ny rihana. Eo ny trano fonenana, efitra telo (F3), misy efitrano fatoriana roa sy efitra fandraisam-bahiny. Fa eo koa ny trano fonenana misy efitra efatra (F4), ahitana efitra fatoriana telo sy efitra fandraisam-bahiny. Efa maro ireo tetikasa nataon’ny orinasa Seimad. Anisan’izany ny eny Betsizaraina, ny any Amborovy Mahajanga. “Tsy “building” ihany fa hanorenana trano ho an’ny rehetra koa hatrany ambanivohitra. Hiparitaka any amin’ny faritra izao fanorenana toeram-ponenana ho an’ny rehetra izao”, hoy ny minisitra.Synèse R.L’article Minisiteran’ny Fanajariana ny tany : « Azo aloa tsikelikely ny vidin’ny trano aorin’ny Seimad » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanoherana ny fitondrana: mbola hiofana ireo mpanao politika mpanohitra

Tsy mbola  mahafeno ny  fepetra. Nihaona teny  Anosy, ny faran’ny herinandro  teo ny  fivondronamben’ny mpanohitra. Sambany ny fiarahana tamin’ireo maniry ny hivondrona ho mpanohitra eto amintsika. Anisan’izany ny mpanorina ny antoko Tim.Anisan’ny nasongadin’ny filoha nasionalin’ny Tim,  Ravalomanana  tamin’ny  lahateniny  tamin’izany fa ilaina ny fanofanana ireo mpanao politika. “Tsy mety raha mpitarika antoko na mpanao politika nefa tsy mahalala akory ny fanoherana… Hanafatra manampahaizana hanofana isika… Inona  ny antom-pijoroan’ny mpanohitra ? Ny fotokevitra ijoroany  sy ny fiainana ny demokrasia… Tsy misy fitondrana na firenena  mandeha raha tsy misy  mpanohitra. Lasa manao danin’ny  kibony ny mpitondra ”, hoy izy. Niaiky ny  tenany fa misy ny fitiavan’ireo mpanao politika hitondra ny anjara biriky ho an’ity firenena ity. Ilaina ny mangarahara sy ny fihenoana ny feon’ny mpanohitra. Efa lany andro ny fanapenam-bava ny antoko mpanohitra ataon’ny mpitondra manoloana  ny teknolojia sy ny fandrosoana efa misy  izao,  araka ny nambarany. Novakiny koa ny famoahana haingana ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny fanoherana. “Mbola tsy nampiharina io ka tsy misy antony tokony hanovana izany lalàna izany”,  hoy  izy.Tokony  ho mailo amin’ny manodidina azy ny filoha Nitodika amin’ny mpitondra ny tenany ka  nilaza fa tokony hojerena  ihany  koa  ny olona manodidina ny filoham-pirenena na  ireo tandapa. Eo koa ny nanolorany hevitra fa tokony hofehezin’ny filoha  ny vola vahiny  ary atao ny hisian’ny tahiry amin ‘izany.  Eo koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny tany… “Anisan’ny maika  eto amin’ny firenena ny resaka sakafo… Tsy  tena mitombina amin’ny atao ny mpitondra fa taitra sy entanim-po fotsiny… Ilaina ny fanadihadiana lalina”, hoy izy.Tsiahivina fa marobe ireo mpanao  politika nanatrika ity fihaonana ity.  Na izany aza, tsy nandalo na nisedra ny safidim-bahoaka ary tsy manana depiote ny maro amin’izy ireo.Synèse R. L’article Fanoherana ny fitondrana: mbola hiofana ireo mpanao politika mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Mozika variété: manana tanjona handeha lavitra ny Lina Gpe
29/10/2020

 Tovovavikely vao 13 taona monja, manana ny hoaviny eo amin’ny tontolon’ny mozika i Cheung Shan yi Lina, na fantatra amin’ny ilay anarana Lina Gpe. Efa miisa 10 eo ho eo amin’izao ny hirany. Anisan’ny mamorona ny hirany i Serge Razafimandimby avy ao amin’ny Serge Gpe. Miisa 6 ny mandrafitra ny Lina Gpe ankehitriny ka 5 ny mpitendry ary i Lina no mpihira ao anatin’ny tarika. Efa miparitaka any amin’ny Televiziona maro, ohatra, ny hira arahin’ny rindrantsary (clip) mitondra ny lohateny “ Eto am-baravarankely” novelomin’ny Lina Gpe.Marihina fa sady manao hiran’olon-kafa amin’ny teny  malagasy sy amin’ny teny sinoa i Lina, indrindra ireo hira manana ny maha izy azy, kanefa somary efa tsy dia heno na hita any amin’ny haino vaky jery intsony. Manana feo miavaka, mambabo ny mpihaino avy hatrany ny tovovavy eo amin’ny lafin’ny fihirana.Manana tanjona handeha lavitra eo amin’ny tontolon’ny mozika i Lina Gpe. Efa manomankomana zavatra maro hatolotra ny mpankafy ny kanto malagasy, raha ny filazan’ny mamoronkira sy manajeran’ny Lina gpe, i Serge Razafimandimby. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny Lina Gpe ho an’izay liana amin’ny zavatra ataony. Ireny efa hita any amin’ny Televiziona ireny rahateo ny kanto ataony.Narilala   L’article Mozika variété: manana tanjona handeha lavitra ny Lina Gpe a été récupéré chez Newsmada.

Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art »
24/10/2020

Taona 2015… Taona 2020 ! Dimy taona nisiana ny School Art, naorin’i Nofy Ramiadason. Manofana ankizy ho tonga matihanina eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny alalan’ny fampianarana omena azy ireo. Hanomezan-danja ny talentan’ny tsirairay eo amin’ny se­hatry ny zavakanto izany. Hi­derana an’Andriamanitra iha­ny koa, raha ny nambarany. Misy mpampianatra valo mianadahy ao amin’ny sekoly ankehitriny. Nanomboka ta­min’ny fampianarana sary, niitatra tamina zavakanto hafa maro, toy ny dihy, ny mozika, ny teatra …. “Tanjona ny hikolokoloana ny talenta hoentina hiderana an’Andriamanitra, hanomezana voninahitra ny anarany Masina eo amin’ny fiainana satria izy no mpanome ny talenta…”, hoy i Nofy Ra­mia­dason, nanazava ny an­tom-pisian’ny sekoly sy ny nanorenany azy. Azon’ny rehetra idirana ny sekoly fa tsy mifidy finoana na anaram-pivavahana, ho an’izay te hampitombo talenta sy hikolokolo izany. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ihany koa izy ireo, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” pejy “School Art” sy ny kaonty facebook “Nofy Ram”. Etsy Anosisoa Ambohimanarina no misy ity toeram-pampianarana zavakanto marolafy ity. Ny tsy fahampian’ny ivontoerana na sekoly manofana na mamolavola ankizy no singa iray mamparefo ny kolontsaina, indrindra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto.NarilalaL’article Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art » a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire”
26/10/2020

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, hivoaka, rahampitso talata 27 oktobra, manerana ny Nosy, ny DVD « Tsiafajavona 2 lire », fizarana farany. Sarimihetsika malagasy novokarin’ny Out linemovies, tao aorian’ny “Tsiafajavona 1”, izy ity. Tantara natao ho an’ny rehetra. Mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany.Maro ireo mpilalao sangany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hamelona ny “Tsiafajavona 2 lire”. Sarimihetsika tsy ho latsa-danja amin’ireo efa nivoaka hatramin’izay ihany koa raha ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Manamafy izany rahateo ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao efa za-draharaha tsara amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, raha ny filazan’ny Out linemovies.“Raha fintinina ny tantara, niezaka nandamina ny olana eo aminy i Tanjona sy Razily ary i Menja. Kanefa, etsy ankilany, tsy nanaiky hatramin’ny farany i Velo fa nitady izay fomba rehetra hanapotehana ny fianakavian’i Tanjona sy i Navela, ary nitady hevitra hiarahana amin’i Zily”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.NarilalaL’article Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire” a été récupéré chez Newsmada.

Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema”
27/10/2020

Raikitra fa handalo eto Madagasikara, amin’ny 14 – 22 novambra izao ilay mpanakanto avy atsy Afrika Atsimo, Nomcebo, fantatra amin’ilay hira nalaza tao anatin’ny fihibohana “Jerusalema”. Hiatrika fitetezam-paritra, hanomboka any Sambava handalo an’i Toamasina sy Mahajanga ary hifarana eto Antananarivo, ity mpanakanto vahiny ity, amin’ izao fitsidihany an’i Madagasikara izao, araka ny nambaran’i Bryan, avy ao amin’ny Malagasy MusicEvent mpikarakara hetsika any Eoropa. Hiara-hisalahy amin’izy ireo amin’izany ny Mick Prod’Zik. « Madagasikara, toy ny firenena maro maneran-tany, ka niatrika ny fihibohana. Sahirana ny saina ary tao anatin’izany no nipoiran’ilay hira Jerusalem. Na ny mpianakavy, na ny mpinamana, eny hatramin-dry bebe sy dadabe ary ireo kilonga aza samy faly, nianatra ary niezaka nandihy an’ilay hira avokoa », hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fikambanana mikarakara an’ity seho ity nanazava ny anton’ny safidy. Hira maro Manana hira maro ity mpanakanto ity, ankoatra an’ilay “Jerusalema”, ka afaka hahazaka sehatra tsara. Na izany aza, hizara sehatra amina mpanakanto malagasy maro izy ka isan’izany ry Black Nadia, Nael, Mad Max, Jerry Marcoss, Tence Mena sy ny maro hafa. Hanomboka ny seho any Sambava, amin’ny 14 novambra, i Nomcebo. Any Toamasina (15 novambra) sy Mahajanga (21 novambra) kosa ny tohiny. Hiakatra etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe indray izy amin’ny 22 novambra, araka ny fandaharam-potoana nofaritan’ny mpikarakara. Mialoha ny hiampitany eto Madagasikara dia hanolotra seho iray any Burkina Faso ity, mpanakanto Afrikana Tatsimo ity amin’ ny 31 oktobra ho avy izao. Hifindra lasy atsy amin’ny nosy Maorisy kosa ny vehivavy amin’ ny 13 – 14 febroary 2021. Hetsika karakarain’ny Malagasy MusicEvent hatrany ireo rehetra ireo, araka ny fanazavana. Misy lalao maro efa miparitaka any anatin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook hahafahan’ireo mpankafy misitraka fanomezana maro manomboka amin’ny tapakila hijerena ny seho ka hatramin’ny lelavola roa tapitrisa ariary. L’article Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema” est apparu en premier sur AoRaha.

Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg
28/10/2020

   Noforonin-dRakotonirina Reg ny  tarika Rheg, izay somary nisy hitovizana  satria mifangaro amin’ny anarany rahateo. Mifantoka amin ny gadona Heavy métal ny tarika. Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ihany koa…Feno 20 taona akehitriny ny tarika Rheg … Tany amin’ny taona 2000 no nitsanganany ary tsy nijanona mihitsy nivoy ny gadona “Heavy metal” hatry ny anio. “Gadona mitaky tanjaka sy fahaiza-manao satria mivatravatra sy mahery setra, saingy, ny lafiny kanto ao aminy kosa mitaky lantom-peo sy fandrindrana tsara ny vazo”, hoy i Reg…  Na eo aza anefa izay gadona fototra izay, misokatra amin’ny lafiny hafa, “rock métal” ny tarika ka mivoy ny “blues”, ny “Rock&Roll” ary ny “slow rock” ihany koa.Fantatra fa fanafohizana ny “Rock Heavy Gasy” ny hoe Rheg. Handray anjara amin’ny “Saturday Rock” eny amin’ny Résidence Soalandy Alasora, ny asabotsy 31 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izy ireo. Miisa 5 lahy ny mandrafitra ny tarika amin’ny ankapobeny. Ahitana an’i Jaykee (première solo), Titan (amponga maroanaka), Hubb (deuxiéme solo), Tsila (bassiste) ary i Rheg (hira). Misy mpikambana fanampiny manao hira manelanelana rehefa seho lehibe. I Vito sy i Lalah, seho acoustique ihany vao miakatra an-tsehatra.Maro ny bainga voavadika tao anatin’izay 20 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny mozika izay. Rakikira efatra sy ny rakitsary maro dia maro, izay nositrahin’ny mpankafy. Anisan’ny hira nahafantarana ny tarika ny “Raozy” tamin’ny taona 2000. Maro ny “clip” efa mivoaka toy ny “ Emmorheg”, ny “coronavirus”… Ankoatra izay, nahavita nanangana rafitra manokana hikarakara azy ny tarika, ny Otoprod by Reg, izay tranom-pamokarana fampisehoana, izay tsy mikarakara afa-tsy ny tarika Rheg ihany …” Miaina sy malalaka tanteraka ny mozika malagasy ankehitriny koa aleo samy hanala ny fony sy hanao izay mba fantany fa mety. Tsy adala akory izy ireny . Tsara ho marihina kosa fa ilaina ny sivana manoloana izay mety ho fihoaram-pefy. Ohatra, ny teny maloto anaty hira na fihetsika mamoafady” , hoy i Reg.Narilala L’article Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg a été récupéré chez Newsmada.

MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika
28/10/2020

  Nanao sonia fiaraha-miasa ny Millenium Challenge Corporation (MCC) sy Africa50, mikendry ny fampiasam-bola hisy fiantraikany malaky aty Afrika (Millenium impact for infrastructure accelerator na MIIA), azo refesina eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Ny fampiasam-bola avy amin’ny alalan’ny MIIA, mikasika indrindra ny tetikasa momba ny rano, ny fidiovana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fitaterana, ny herinaratra, ny fifandraisan-davitra. « Ny MCC sy ny Africa 50, miaraka manaporofo mandray andraikitra manentana amin’ny fampiasam-bola ho an’ny tetikasa misy akony lehibe aty Afrika », hoy ny tale jeneralin’ny MCC,  i Sean Cairncross. « Fiaraha-miasa hahafahana mampahazo vahana ny toekarena aty Afrika ».« Faly kosa izahay miara-miasa amin’ny MCC, mamolavola sy mampihatra ny MIIA. Manamora ny asanay izany amin’izay tetikasa rehetra mila vola aty Afrika, hisy fiantraikany eo amin’ny fampandrosoana. Hatao hanampy amin’ny fotodrafitrasa, iray lehibe amin’ny asanay », hoy kosa ny tale jeneralin’ny Africa50, Alain Ebobisse. Misy amina miliara dolara maro hatramin’ny 2035, ny tinady eran-tany amin’ny fotodrafitrasa (3,7 billions de dollars). Ny 2/3 amin’izany tokony ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) manombana 130 hatramin’ny 170 miliara dolara isan-taona aty Afrika.Avy amin’ny fananan’ny roa tonta traikefa ny hanaovana ny MIIA aty Afrika, mitarika ireo mpampiasa vola sy mampisy tetikasa . Mahafantatra tsara momba an’i Afrika ny Africa50, manamarina izao fiaraha-miombon’antoka izao, mitovy araka ny efa fampiharana ny MIIA  any Azia, Amerika Atsimo, Eoropa Atsinanana. Famatsiam-bola avy amin’ny MCC ho an’ny tetikasa maro iadiana amin’ny fahantrana. Sampana iray mahaleotena ao amin’ny governemanta miasa maneran-tany , indrindra amin’ny tany mahantra vatsina vola ho an’ny sehatry toekarena.R.MathieuL’article MCC sy Africa50: miara-miasa ho an’ny fotodrafitrasa aty Afrika a été récupéré chez Newsmada.

Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom
27/10/2020

  Nitsidika ny Akany Enfants de joie ao Andranomadio Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Reny mpiahy ity akany ity rahateo ny tenany. Miisa 33 ireo zaza kamboty taizana ao, ary mpianatra 400 kosa ireo ampianarina ao amin’ny sekoly, miankina amin’ny akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa.Nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra ireo, ahitana boky isan-karazany sy vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza mijery ireo fandaharana samihafa sy miala voly ny antoko.Sahirana ity foibe ity. Miankina amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ao. Nampanantena ny hifanome tanana araka ny vitany ny mpanorina ny Freedom hanarenana ny foibe, tena simba sy tsizarizary tanteraka.Nankasitraka ny fahafoizan-tena asehon’ny talen’ny akany sy ny vadiny ny filoha nasionalin’ny Freedom. Eo ny fanampiana ireo kamboty na narian’ny ray aman-dreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny sekoly koa. Manampy ireo, misy vehivavy telo narian’ny vadiny sy lehilahy manano tena koa mipetraka ao amin’ny akany nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo.Synèse R.L’article Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom a été récupéré chez Newsmada.

“Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa
29/10/2020

 Andriambavilanitra 5, poetan’ny ankehitriny no hitondra ny “Hanitr’i Eva” etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny alahady 1 novambra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hitondra ny fijeriny mahakasika an’i Eva izy ireo amin’io fotoana io. “ Tsy i Eva ilay namadika an’i Adama akory ny vehivavy…  Manana ny hanitra ho azy ihany koa i Eva, ary havoitranay ao anatin’ny sanganasa izany”, hoy i Tsiaro ny Fitia. Lohahevitra maro no holalaovina amin’io andro io. Fitiavana misandrahaka amin’ny alahelo, ny ranomaso, ny tsiky, ny fahafatesana. Hovelomin-dry Tsiaro, Miritsoka, Antso fy Tia, Natiora ary i Larissa Ramanitriniaina izany.  Eo koa ny fanentanana sy ny fandravahana ny seho amin’ny alalan’ny dihy, iarahana amin-dRabefitia.   Raha ny 26 marsa 2020 teo no saika hanaovana ny seho “Hanitr’i Eva”… Nihantona izany noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana vokatry ny fidiran’ny valanaretina teto ary izao hotanterahina izao amin’izany.NarilalaL’article “Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Dimy taona no nifanomezana… tsy maintsy vita i Miami »
26/10/2020

Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina. Voaresaka tamin’izany ireo lafin-javatra maromaro.Anisan’ny nambarany fa dimy taona no nifanarahana amin’ny fitantanana ny firenena.  « Tazony amin’ny teniko aho raha tsy vita ao anatin’izany i Miami. Fantatro ny filoham-pirenena fa mitana ny teny nomena. Resaka tetinandro io. Tsy midika izany fa tsy atao ny fanajariana ny sisin-dranomasina mba hitovy amin’ny fivoaran’ny any ivelany », hoy izy. Nanteriny fa mahafinaritra amin’ity fitondrana ity ny fandrabirabian’ny sasany saingy avadiky ny mpitondra ho vato lasa fehizoro izany. « Misy ny demokrasia eto amintsika matoa afaka miteny sy manakiana momba izany izy ireo », hoy ihany izy.Nanteriny fa mitondra fanazavana ny tenany noho ny adidy amin’ny tamberin’andraikitra sy amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy sady minisitry ny Serasera. Nambarany fa miasa sy mihazakazaka ny mpitondra sy ny filoha mankatsy sy aroa. « Misy kosa anefa ny fotoana itondrana fanazavana manoloana ny tenin’ireo mpamendrofendro, tsy manao na inona na inona … », hoy ihany izy.Orinasan’ny filoha teo aloha, ao ToamasinaNovaliny tamin’izany ny filazana ho diso paikady hatrany am-boalohany ny fanjakana, manoloana ny fihanaky ny covid-19. Nohitsiny anefa fa nisy hatrany ireo fepetra samihafa noraisina, nanomboka ny volana febroary. Teo koa ny nilazany fa tsy nanao ny fifidianana teny anivon’ny faritra sy ny faritany ny fitondrana teo aloha nefa tokony ho nanatanteraka izany izy ireo.Etsy andaniny, notsikerainy ny fomba fitantanan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana amin’ny nampifangaroany ny fitantanana firenena sy ny orinasany. « Rindrina efa simba ny teo ary lainga ny sary ahitana milina na fitaovana tao amin’ny ozinina tao amin’ny seranan-tsambo. Efa namidiny anefa izany…  Nitsangana tsy ara-dalàna tao koa io orinasa io. Tsy nandoa hetra nanomboka ny taona 2008 koa izy nefa mitabataba », hoy ny ampahany amin’ny fanazavan’ny minisitra.Synèse R. L’article Minisitra Lalatiana Andriantongarivo: « Dimy taona no nifanomezana… tsy maintsy vita i Miami » a été récupéré chez Newsmada.

Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée
28/10/2020

Les poteaux funéraires malgaches parmis les « objets d’art » malgaches dérobés. Aux dernières nouvelles, la restitution des objets d’arts africains dérobés par la France ne se fera pas de sitôt, malgré la promesse d’Emmanuel Macron faite en 2017. En cause, les collectionneurs et les musées qui pensent probablement que ces objets ne sont pas, à leur premier usage, des œuvres d’arts mais des butins de guerre. Des institutions comme le Quai Branly sont citées parmi les plus récalcitrantes à les remettre. De septembre 2018 à janvier 2019, ce lieu a abrité une exposition intitulée « Madagascar, art de la Grande Île ». Durant des mois, des objets d’arts malgaches, allant des sculptures funéraires, sûrement dérobées sur les tombeaux, des peintures et d’autres ont été fièrement installées. Cependant, il est fort probable que parmi ces centaines d’œuvres se trouvent des objets de larcins, de vols ou d’autres méthodes malhonnêtes de les obtenir. Si les pays africains ont réclamé leur restitution en 2018 et 2019, cette dernière a l’air de ne plus être d’actualité dans les projets des ministères ou départements culturels. Cependant, on parle ici de plus de dizaines de milliers de pièces à restituer. Des voix commencent à dénoncer la continuité du rapport de domination instauré jadis par les Français colons. Des Français qui, aujourd’hui, peinent à leur remettre leurs œuvres aux pays africains spoliés. Maminirina Rado L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar
27/10/2020

  Taorian’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny 21 oktobra teo, niroso tamin’ny fampiatoana vonjimaika ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tsy ara-dalàna miisa 591 ny  minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Nanomboka ity volana oktobra ity izany fandraisana fepetra izany, dingana tsy maintsy notanterahina araka ny lalàna mirakitra ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana. Hahazoan’ny fanjakana ambim-bava manodidina ny 11,4 miliara Ar ity fanadiovana ny asam-panjakana ity.Miakatra eo amin’ny Filankevitra momba ny fitsipi-pifehezana (Codis) tarihin’ny minisiteran’ny Asa ny mpiasa voakasik’izany. Raha amafisin’ny Codis ny tsy fanarahan-dalàna, tapahina tanteraka ny fandoavana ny karaman’ilay mpiasa. Ataon’io rafitra io izay hanefana ny karama tsy voaray, raha toa ka tsy mitombina kosa ny fiampangana. Ny mpiasa tsy tokony nandray ny karamany nefa nahazo ihany, tokony hamerina izay efa noraisiny aorian’ny famoahan’ny fanjakana ny taratasy fitakiam-bola.Hotohizana ny fanadiovana amin’ny antontan-kevitra mahakasika ireo mpiasam-panjakana;  efa an-dalana, ohatra, ny fitsirihana mpiasa miisa 7007. Manamora ny fandehanana mamita iraka ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana, koa ilaina ny fanamarinana momba izany iraka izany. Tonga amin’ny tokony hanapahana ny karama manaraka ny tsy fisian’ny porofo maha mpiasa ao anatin’ny sampandraharaha iray. Ilàna fanamarinana, araka izany, ny mpiasa rehetra hita manerana ireo sampandraharaham-panjakana sy ny Andrimpanjakana.R.MathieuL’article Fanadiovana ny asam-panjakana: hahazoana ambim-bava 11,4 miliara Ar a été récupéré chez Newsmada.

Mirongatra ny asa fampihorohoroana any Frantsa: olona telo maty voatsatoka antsy tany Nice
30/10/2020

 Olona telo namoy ny ainy, maty voatsatoka antsy, tao amin’ny fiangonana Basilique Notre-Dame de l’Assomption, any Nice, omaly tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Vehivavy ny roa ary lehilahy mpiambina ilay fiangonana ny fahatelo.Manodidina ny 70 taona any ho any ny iray amin’ireto vehivavy namoy ny ainy. Maty voarasa antsy, tahaka ny nahazo an’i Samuel Paty, ilay mpampianatra, tantara sy jeografia tao amin’ny kolejy Bois d’Aulne, Conflans-Sainte-Honorine (Yvelines), ny 16 oktobra teo. Mbola afaka nitsoaka kosa ilay vehivavy fahatelo, 30 taona eo ho eo, saingy nilofika ary namoy ny ainy, noho ny ratra mafy nahazo azy.Tovolahy, manodidina ny 25 taona, miendrika Afrikanina Tavaratra, mahay miteny frantsay tsara, ilay nahavanon-doza. Nandritra ny namonoany ireo olona telo ireo, tsy nitsahatra niantsoantso “Allah Akbar” izy. Azo an-tsaina amin’izany ny mety ho foto-pinoana arahiny. Voasambotra ihany izy io, saingy naratra mafy noho ny tifitra nataon’ny polisy azy, ary nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly.Adiny roa taorian’io tranga io, nisy fikasana hamono olona tamin’ny alalan’ny tsatoka antsy ihany koa tany Avignon, saingy nandamoka. Maty voatifitry ny polisy frantsay mantsy ilay tompon’antoka, raha iny izy teo am-panambanana antsy olona iray iny indrindra.Araka izany, mihorohoro fatratra amin’ny asa fampihorohoroana izay tsapa fa mirongatra dia mirongatra tokoa ny vahoaka frantsay tato ho ato.M.R.L’article Mirongatra ny asa fampihorohoroana any Frantsa: olona telo maty voatsatoka antsy tany Nice a été récupéré chez Newsmada.