Fikorontanan’ny toby fiantsonana :: Iharan’ny fanakianana ilay toeram-pandoavam-bola tokana

News - Fikorontanan’ny toby fiantsonana :: Iharan’ny fanakianana ilay toeram-pandoavam-bola tokana

News - Fikorontanan’ny toby fiantsonana :: Iharan’ny fanakianana ilay toeram-pandoavam-bola tokana

Manahirana an’ireo mpitatitra sy ny kaoperativa maro ny fanerena amin’ny fametrahana toeram-pandovam-bola tokana eny amin’ny toby fiantsonan’ny taksiborosy Maki Andohatapenaka. Anisan’ny mikorontana ny ora fiaingana vokatry ny filaharamben’ireo mpandeha mividy tapakila. Eo koa ny fahaverezan’ny mpanjifa efa mahazatra an’ireo kaoperativa.

“Ailik’ireo kaoperativa any amin’ny fandoavam-bola tokana ny anton’ny fahataran’ny fiaingana. Tsy mety izao fepetra vaovao ety amin’ny toby fiantsonana izao”, hoy ny mpandeha iray nikasa hihazo an’i Mahajanga saingy nijanona noho ny anton’ny fahatarana, izay tokony ho tamin’ny 6 ora maraina kanefa tsy mbola nihetsika ny taksiborosy na dia efa tamin’ny 10 ora antoandro aza, omaly.

Fanazavana tombontsoa

Nohazavain’ny tompon’ andraikitry ny kaoperativa iray fa: “tokony ho niainga tamin’ny 7 ora maraina ny fiaran-dry zareo nefa tsy mbola mihetsika hatramin’ny 10 ora sasany. Ny kaoperativa hafa any ivelany anefa efa lasa daholo”.

Nanazava kosa ny jeneraly Reribake Jeannot, tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fa betsaka ny tombontsoa azo amin’io toerana fandoavam-bola tokana io, toy ny fandrafetana ny mombamomba ny mpandeha ao anaty solosaina sy ny famehezana ny saran-dalana ary ny fitsinjovana ny mpitatitra.

“Tsy tonga dia any amin’ ireo tena mpitatitra ny vola tokony horaisiny, ka manimba ny kalitaon’ny fitaterana”, hoy izy.

Nirohotan’ireo mpandeha indray ny teny amin’ny toby fiantsonana, amin’izao fiverenan’ny fisokafan’ny lalam-pirenena samihafa izao, dia ny lalam-pirenena fahaefatra (RN4) sy fahadimy (RN5) ary fahenina (RN6), izay nanomboka nitatitra olona indray, omaly.

Tafakatra valopolo ny isan’ ireo taksiborosy nihazo ny RN4 raha toa ka dimampolo no noeritreretina. Dimy amby telopolo ireo fiara nihazo ny RN5 ary dimampolo ho an’ny RN6. Tsy misy fiovana kosa ny saran-dalana.

L’article Fikorontanan’ny toby fiantsonana :: Iharan’ny fanakianana ilay toeram-pandoavam-bola tokana est apparu en premier sur AoRaha.

Fikorontanan’ny toby fiantsonana :: Iharan’ny fanakianana ilay toeram-pandoavam-bola tokana

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanatanterahana ny IEM: manohana ny fihariana madinika ny kandidà Rajoelina

Tsy ny asa sosialy ihany. Manohana ny sehatry ny fihariana madinika mba ho lasa goavana sy ho lehibe eto amin’ny firenena ny kandidà Rajoelina ary tsy miandry azy ho voafidy izany. Nidina ifotony teny Soavinarivo, Ambatolampy Tsimahafotsy ny mpanorina ny IEM, omaly nitondra fanohanana sy fanampiana an-dRakotondrabary Sitrakiniana Vazosoa, mivady nisehatra teo amin’ny famokarana fromazy. Nanolotra omby vavy be ronono ho azy ireo ny kandidà laharana faha-13, hampiakarana ny vokatra ho betsaka kokoa. Anisan’ireo nifaninana tamin’ilay hetsika « Fihariana » natao tetsy amin’ny Arena izy mivady ary nanao ny famaranana ka nahazo ny fanohanana sy fanampiana. Nampahafantarina tamin’izany ny tetikasa sy fihariana nataon’izy ireo. Nisedra olana anefa ireto mpihary ireto teo amin’ny fanatanterahana izany satria kely fotsiny ny ronono azony. Ho lasa indostria goavana sy lehibe… Nahatonga ny kandidà Rajoelina nanohana sy nanampy azy ireo izany, tamin’ny fanolorana  omby vavy roa, mamokatra ronono 20 ka hatramin’ny 30 litatra isanandro ny iray. « Mba ahafahanareo mampitombo ny vokatra izany ka ho indostria kely hivoatra sy ho goavana izany any aoriana”, hoy ny mpanorina ny IEM. Ankoatra izany, efa nivaha ny olan’ny herinaratra satria mampiasa fitaovana mandeha amin’ny masoandro izy mivady, amin’izao fotoana izao, hampihodinana izany fihariana izany. Randria sy Synèse R.  L’article Fanatanterahana ny IEM: manohana ny fihariana madinika ny kandidà Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dihy, kanto an-dalambe: nahitam-pahombiazana ny « Mitsàka » andiany faha-9

Tontosa, ny 28 novambra hatramin’ny 2 desambra teo tany Toamasina, ny andiany fahasivy amin’ny “Festival Mitsàka”. Raha tsiahivina, sehatra iray anehoana ny talentan’ireo matihanina amin’ny dihy ankehitriny sy hampahafantarana ireo talenta vaovao izy ity ary notanterahina isan-taona, tany Foulpointe. Nanomboka tamin’ny 2016, niova ho isaky ny roa taona ny hetsika, nosokafana tamin’ny seha-javakanto hafa, indrindra ny kanto an-dalambe sy ny “cirque”, nanomboka ny taona 2012. Ankoatra izany, tsy najonana tany Foulpointe ny hetsika fa nentina tao Toamasina, nanomboka tamin’ity andiany fahasivy ity. Azo lazaina ho nitondra vokatra tsara izany fanovana izany, raha ny voalazan’ny mpikarakara, nanamafy fa nahitam-pahombiazana tokoa ity andiany fahasivy amin’ny “Mitsàka” ity. Ny antony, tanteraka avokoa ireo fandaharam-potoana napetraka tany am-boalohany ary marobe hatrany ireo olon-tsotra: ankizy, tanora ary olon-dehibe, tonga nanatrika ny seho. Anisan’ny zava-dehibe indrindra, tamin’izany fahombiazana izany, ny fahafahan’ny “Mitsàka” manome vatsim-pianarana na “bourses de formation” ho an’ny tanora iray, izay nahitam-pivoarana be tao anatin’ny taona maromaro. Hotanterahiny any Maorisy io fiofanana io, mandritra ny iray volana. Nisongadina, nandritra ny “Mitsàka”, ny fahatongavan’ny manampahaizana, matihanina amin’ny dihy, avy atsy Maorisy, nanofana ireo mpampiofana ao Toamasina. Nahazo “attestation”, tena ilaina amin’izany fampianarana izany, izy ireo. Naharitra 30 ora kosa ny fiofanan’izy ireo, nandritra ity “festival” ity. Marihina fa marobe ireo mpandray anjara, avy eto an-toerana sy avy any ivelany, nahatratra 144 (avy amin’ny kaompania samihafa), tamin’ity “Mitsàka” andiany fahasivy ity. Mankahery sy mampirisika ny mpikarakara hanohy ny hetsika ny fahamaroan’ny mpanohana, tamin’ity taona ity. Landy R.  L’article Dihy, kanto an-dalambe: nahitam-pahombiazana ny « Mitsàka » andiany faha-9 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: mila resena i Afrika Atsimo

Ho fantatra, anio, ny ho tohin’ny lalan’ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy, eo amn’ny fiadiana ny “Cosafa cup”, taranja baolina kitra. Fihaonana, tanterahina atsy Afrika Atsimo.  Hiendrika famaranana kely ity andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana, ho an’ny sokajy A, misy an’i Madagasikara, ity. Mila mandresy an’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, ny Malagasy, raha te hiatrika ny manasa-dalana. Ry zareo Afrikanina Tatsimo izay efa manana isa 6 taorian’ny fandresena indroa azony, nanoloana an’i Kaomoro sy i Malawi.Raha tsiahivina, fandresena iray, teo anatrehan’i Kaomoro, sy faharesena iray, tamin’i Malawi, ny vokatra azon’i Madagasikara. Manana isa 3, araka izany, ny Malagasy, izay mitovy isa amin’i Malawi. Raha vao mandresy an’i Kaomoro kosa anefa izy ireo, efa tafita avy hatrany satria efa nandresy ny Malagasy. Raha resy kosa na manao ady sahala, mandeha ny fanisana ny “goal average”. Tsy azon-dry Christina sy ny namany atao, araka izany, ny hamela ny Afrikanina Tatsimo hamono baolina. Sarotra, saingy azo atao tsara ny mandresy, raha misy ny fahavononan’ny tsirairay. Tompondaka L’article Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: mila resena i Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vaovao tambatra

Hivarotra rano taterin’ny kamiao ny fanjakana, eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, manoloana ny tsy fahampian’ny ranon’orana.  Hisahana izany ny minisiteran’ny Angovo sy ny rano ary ny akoranafo. Efa naharitra andro maromaro ity tsy fahampian’ny famatsian-drano ity ary tsy misy ny vahaolana maharitra avy amin’ny Jirama.Azo atao ny manapaka hazo kininina sy bolabolan-kazo, afa-tsy ny hazo sarobidy voaaro sady voafaritra ao anatin’ny lisitra iraisam-pirenena Cites. Ilaina kosa anefa ny mamboly hazo ho solon’ireo hazo tapahina. Tsiahivina fa nitaraina ireo mpandraharaha amin’nyhazo, tamin’ny fandraran’ny fanjakana ny fanapahana ny hazo rehetra, ka tao anatin’izany ny kininina. Hany ka nidangana izaitsizy ny vidin’ny sribao, antoky ny angovo fahandron’ny tokantrano Malagasy.Voarara ny mivarotra solika fandrehitra mihoatra ny vidiny, efa voafaritry ny mpaninjara solika. Iharan’ny sazy ireo manararaotra minia mandika izany. Hovahana haingana ny fitaterana sy ny fitsinjarana ny solika fandrehitra sy ny solika rehetra. Fantatra fa ampy tsara any tahirin-tsolika eto amintsika.Ampifanarahana amin’ny velirano ny tetibola 2020 mikasika ny sosialy sy ny fambolena. Nanome toromarika ny filoha Rajoelina, fa atao mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka sy ny toe-javatra isaky ny faritra ny fandrafetana ny volavola tetibola. Hampitomboana ny vola ho an’ny sosialy sy ny fampiroboroboana ny fambolena.L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sekoly fianarana mozika: tafajoro ny « conservatoire » eken’izao tontolo izao

Voamarika ao amin’ny tantaran’ny mozika eto Madagasikara ny datin’ny 18 novambra teo. Nosokafana tamim-pomba ofisialy, tamin’io asabotsy io, ny “conservatoire national de Madagascar”, sekoly ara-panjakana, mampianatra mozika. Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara raha ireo tanora manan-talenta amin’ny mozika, amin’ny sokajy samihafa no resahina. Ny indrokely hatramin’izay, vitsy dia vitsy ireo nandalo sekoly ambony, manome diplaoma ara-panjakana, hany ka sahirana raha mba te hanohy fianarana mozika any ivelany. Ankehitriny, voavaha izany olana izany. Tafajoro ny “conservatoire national de Madagascar” (CNM), etsy Anosy ary tantanin’i Luc Olivier Ratovo Andriamary, manampahaizana manokana amin’ny mozika, nivoaka avy amin’ny “conservatoire” any Frantsa. Sambany ny misy izany eto amintsika. Miankina amin’ny fanjakana ny sekoly ary ara-panjakana sy eken’izao tontolo izao ny diplaoma hatolony ireo mpianatra rehefa afaka amin’ny fanadinana hatrehiny. Maharitra telo taona ny fianarana ao amin’ity “conservatoire” ity. Izany hoe, natao indrindra ho an’ireo misafidy ny mozika ho fototry ny asa hataony any aoriana any. Anisan’izany ireo maniry ny hampianatra mozika, na koa ireo te hanohy fianarana any amin’ny “conservatoire” any ivelany. Na izany aza, misy hatrany ny “cursus continu”, izany hoe karazana fiofanana ao anatina fotoana fohy (telo volana, enim-bolana) ao amin’ny sekoly. Zava-dehibe ho antsika Malagasy ary anisan’ny antoky ny fiarovana ny maha Malagasy antsika ny fijoroan’ity “conservatoire national” ity. Ny antony, mitahiry ireo vakoka mozika na ireo hira taloha, tsy tontan’ny ela, ihany koa izy, araka ny fanazavan’ny taleny, Luc Olivier Ratovo Andriamary. “Manangona ireny vakoka ireny ny “conservatoire” ary manoratra azy ireny ho solfezy mba tsy ahafahan’ny olona sasany manovaova azy. Eo koa ny mba hitahirizana azy ho an’ireo taranaka mifandimby”, hoy hatrany ny fanazavany. Azon’ny olon-drehetra atao ny mitsidika ireo tahiry ireo. Marihina fa efa nanomboka ny 10 novambra teo ny taom-pianarana ho an’ireo mpianatra, andiany voalohany, ao amin’ny “conservatoire”. “Tsy lafo fa sahaza ny rehetra ny saram-pianarana noho ny sekoly miankina amin’ny fanjakana”, hoy ny taleny. Landy R.

News - News Mada

Fanatanjahantena ao Toamasina: nomena sehatra ireo ankizy

Nisongadina ireo katitakelin’ny Ascut, mpanao basikety tetsy amin’ny kianja mitafon’i Soavita, ny asabotsy 10 Aogositra teo nandritra ny lalao fihantsiana sy fanazarana, nikatrohany tamin’ny Sepa ( Sport Education Pour l’ Avenir), lahy sy vavy, latsaky ny 12 taona.Teo amin’ny tovovavy, lavon’ny Sepa ny Ascut raha resin’ny Ascut kosa teo amin’ny tovolahy. Raha tsorina, natokana ho an’ny ankizy zanaka fianakaviana sahirana ny “Sepa” ka tsy mandoa saram-pianarana eo anivon’ny sekoly, fianarana milalao basikety, raha mifanohitra amin’izany kosa ny an’ny Ascut. Na izany aza, mahavelom-bolo avokoa nyfahitana ny hoavin’ny basikety, eto Toamasina.Ankoatra izay, tontosa, ny alahady 11 aogositra, tetsy amin’ny araben’ny fahaleovantena kosa ny andiany fahadimy amin’ny hazakazaka lavitrezaka 10 km, nandraisan’ny atleta avy atsy La Reunion, izay niantoka ny amboara sy medaly. Norombahin-dRamadimbisoa Eugene, ny voalohany, nahavita izany tao anatin’ny fe-potoana, 40 mn 20 s, ho an’ny “veteran+ 45”, raha i Laurence Ange Annie, ny teo amin’ny vehivavy, nahatontosa izany tao anatin’ny 1 ora  sy 25 s. Teo amin’ny “senior” vehivavy, voalohany, i Hasina Florine, ary i Todilahy Joseph, ho an’ny lehilahy. Sajo L’article Fanatanjahantena ao Toamasina: nomena sehatra ireo ankizy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

                 Fanatsarana lisi-pidianana : hangataka “ordonnance” amin’ny fitsarana ny Ceni  

  Hanao ahoana ihany ny lisi-pifidianana amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly amin’ny 27 novambra. Nilaza hangataka “ordonnance” ny Ceni ho amin’ny fanatsarana… “Iarahantsika mahalala hoe tsy misokatra ny lisi-pifidianana, raha tsy amin’ny 1 desambra hanaovana ny fanavaozana isan-taona. Ny dikan’izay: tsy afa-mikitika ny lisi-pifidianana amin’izao ny Ceni.” Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, momba ny fanatsarana ny lisi-pifidianana hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, ny 27 novambra ho avy izao. Tsy afa-mampiditra anarana olona vaovao ao anatin’ny lisi-pifidianana ny Ceni, tsy afa-manaisotra anarana ao anatin’izany koa.Noho izany, hangataka “ordonnance” ny Ceni, araka ny fanazavany. Didy avy any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izany, hahazoana mamerina amin’ny laoniny ireo mpifidy tsy nahita ny biraom-pifidianana tokony ho nanaovany fandatsaham-bato tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Eo ihany koa ireo tsy afa-nandatsa-bato fa tsy maintsy nofafana ny fisoratany anarana voalohany tao anatin’ny lisi-pifidianana.Haverina amin’ny laoniny ny mpifidyHaverina amin’ny laoniny ao anatin’ny lisi-pifidianana ireo olona tsy afa-nandatsa-bato noho ireo antony roa ireo, ary ampahafantarina azy hoe aiza izy no tokony handatsa-bato amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. “Apetraka hatrany izay fepetra izay fa tsy misy ny fampidirana olona vaovao na fanalana olona efa ao anaty lisi-pifidianana”, hoy ihany izy. Famerenana amin’ny laoniny amin’izay fahasahiranana amin’ny birao fandatsaham-bato izay no hatao.Hanome izay didy hitsivolana izay àry ve ny fitsarana raha efa tsy ao anatin’ny lalàm-pifidianana intsony ny fangatahana izany? Ahina hiverina sy ho lasa fahazarana indray…R.Nd.L’article                  Fanatsarana lisi-pidianana : hangataka “ordonnance” amin’ny fitsarana ny Ceni   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zafmi Hasi – Fandriana: « Tian’ny vahoaka ny kandidà Hasimpirenena… »

Manao antso avo amin’ny fanjakana… “Ny maha Rasolomampionona Hasimpirenena azy no nahavoafidy azy sy itarihany vonjimaika sy amin’ny voka-pifidianana depiote any Fandriana. Tian’ny vahoaka any ny tenany ka nalahany vonjimaika azy amin’ny alalan’ny lisitra IRD izany”, hoy ny avy amin’ny Zanaky ny agnaran-drain’i Fandriana ho fampijoroana ny tena hasin’ny firenena – Zafmi Hasi, Andrianirina, sy ireo mpiara-dia aminy, omaly tetsy Manakambahiny. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa nofidin’ny filoha Rajoelina hitarika ny kandidàn’ny IRD any an-toerana izy. Manomboka aelin’ny sasany anefa ny tsaho sy ny feo amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’izy ireo. Mazava anefa ny nambaran’ny Zafmi Hasi. “Tsy mbola olo-meloka i Hasimpirenena. Nanatanteraka baiko fotsiny izy tamin’io raharaha “Villa Elisabeth” io. Miriaria any anefa ny minisitra teo aloha tompon’andraikitra voalohany amin’izany… Mangataka ny hamoahana vonjimaika azy izahay”, hoy ihany izy  ireo. Notanisain’izy ireo fa naharesy lahatra ny vahoaka ny zava-bitan’io kandidàn’ny IRD io any an-toerana. Tsy tokony hatao tsinontsinona izany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.   “Nametrahan’ny vahoaka ny fitokisana izy ka aoka hojeren’ny fanjakana. Aoka koa ho tony isika vahoaka tsy handairan’ny tsaho sy ny kajikajin’ny sasany hanilika azy tanteraka, toy ny fampiakarana ny lisitra faharoa… Nandresy izy vao taitra ireo mpifaninana ny amin’ny  hamerenena ny fifidianana ”, hoy ny Zafmi Hasi. Notsiahiviny fa efa neken’ny Ceni ny naha kandidà azy.Synèse R.    L’article Zafmi Hasi – Fandriana: « Tian’ny vahoaka ny kandidà Hasimpirenena… » a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Kidnapping : Olona fito vosambotra

Jiolahy mpaka an-keriny miisa fito, tompon’antoka tamin’ny raharaha fakana an-keriny teto an-drenivohitra no voasambotry ny polisim-pirenena, nandritry ny hetsika manokana natao hiadiana amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, ny 17 novambra lasa teo. Ny resaka fakana an-keriny araka izany no tena nampikaikaika ny vahoaka, izay isan’ny nandraisan’ny polisy ao amin’ny sampana ady heloka bevava fepetra manokana. Amin’ny trangana fakana an-keriny ngezalahy tahaka itony, dia ny “Cellule Mixte” no mpisahana ny raharaha, izay vondrona manokana mifantoka amin’ny fandravana ny resaka fakana an-keriny. Araka izany dia fikamban-jiolahy iray petsapetsa amin’ny fanatanterahana kidnapping teratany karana miisa fito no indray voasambotra tamin’izany, izay vehivavy ny roa. Io no fantatra nandritry ny valan-dresaka nataon’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena momba ny resaka fakana an-keriny, tsy nisy fitsaharana teto amintsika, izay ireo teratany karana no lasibatra amin’izany. Nandritra izany indrindra no nahatrarana ireo mpandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny ilay teratany karana antsoina hoe Riaz Hassim, tompon’ny Maki plast, ny 9 novambra lasa teo, teny amin’ny villa panoramika Betsizaraina. Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, raha ny nambaran’ny lehiben’ny sampana ady heloka bevava, Randrianirina Manahy, no nahafahana nisambotra azy ireo, teny amin’ny 67 ha. Vehivavy iray no voasambotra tamin’izany ka nanondro ny namany, izay tratra teny Namontana. Nisy ny fifampitifirina tamin’izany, izay mbola nikasa handositra ireto farany, saingy voasambotra ihany nandritry fifanenjehana. Sarona tamin’izany ny trano nanafenan’izy ireo ity teratany karana ity, nandritry ny enina andro nitazonana azy. Tamin’izany ihany koa no nahitana ny basy maromaro toa ny PA, miaraka amin’ny bala miisa enina tao amin’io toerana io. Etsy andaniny, hita tao ihany koa ny volabe, ary fonosana fanafody gasy fampiasan’ireto farany nanaovana ny fakana an-keriny. Ankoatra ireo enina voasambotra, dia telo hafa ihany koa no voasambotra, izay vehivavy ny iray rehefa naharaisana fitarainana momba ny fikasana haka an-keriny teratany vahiny, tompona orinasa lehibe teny Soavimasoandro, ny alin’ny 13 novambra lasa teo. Tamin’ny alalan’ny fitarainana no nahafantarana ny fisian’izany, ka nanao ny fikaroham-baovao avy hatrany ny polisy misahana ny ady heloka bevava. Fantatra tamin’izany moa fa nitaky volabe tamin’ny alalan’ny antso an-taroby ireto jiolahy miisa telo ireo, ary nampihorohoro ity teratany karana lahy ity fa halaina an-keriny izy raha tsy manome ny vola mitentina 3 Tapitrisa Ariary. Vehivavy iray mpivarotra “puce” noho izany no fantatra fa niray tendro tamin’ireto jiolahy, ka nanamora ny fanaovana ny asa ratsy, izay fantatra fa izy no mpamatsy “puce”, ka misolosolo ireo namany. Olona miisa sivy araka izany no hatolotra ny fitsarana avokoa mahakasika ny raharaha fakana an-keriny ity, taorian’ny famotorana teny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava. Valérie R. L’article Kidnapping : Olona fito vosambotra est apparu en premier sur .L’article Kidnapping : Olona fito vosambotra a été récupéré chez Triatra.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Fisolokiana: karohin’ny polisy Raolison Arsène
18/09/2020

Namoaka filazana didy fikarohana ny eo anivon’ny Polisim-pirenena ho an’izay mahita na mahalala ity lehilahy miseho amin’ny sary ity hampandre haingana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely na hiantso avy hatrany ny laharana telefaonina finday 034 05 998 27 / 034 46 199 36. Toy izao ny mombamomba ity lehilahy karohin’ny polisy ity: Raolison Arsène ny anarany, mitondra ny CIN N° 710 011 030 707 tamin’ny 11/12/2001 natao tao Antalaha. Adiresy farany nahitana azy tao amin’ny lot FM 08 Bis B Villa Onintsoa III Antehiroka. Antony hikarohan’ny polisy azy noho ny fisolokiana nataony. Ny Polisim-pirenena dia manome toky fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Nanambara hatrany ny polisy fa ny olona mandray na mampiantrano na manafina olon-dratsy dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ka hohenjehina araka ny lalàna.Jean ClaudeL’article Fisolokiana: karohin’ny polisy Raolison Arsène a été récupéré chez Newsmada.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.

Fepetra amin’ny CMH: voarara ny afo kitay amin’ny hani-masaka
22/09/2020

Voalazan’ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH)  ao amin’ny toko fahatelo ny momba ireo fepetra tsy maintsy arahina amin’ny varotra hani-masaka.Ny andininy faha38 dia milaza fa voarara ny fampiasana kitay amin’ny varotra hani-masaka. Ny mpivarotra tsirairay dia tsy maintsy mandray fepetra hahatonga ny fatana ampiasana etona fandrehitra na afon’arina tsy hanelingelina ny fivezivezen’ny mpandeha an-tongotra. Tokony hamboariny ny toerana mba hahazoany mampiasa fatana mandeha amin’ny etona fandrehitra na arina. Ny toerana nomena ireo mpivarotra hani-masaka dia tsy maintsy sasany sy dioviny alohan’ny hikatonany.Araka ny andininy faha-35 ao amin’ity toko fahatelo ity dia hentitra ny fandraràna ny fivarotana hani-masaka ivelan’ny toerana voatokana sy nohajariana manokana ho amin’izany ao anatin’ny tsena.Ny tsy fanajana io lamina io dia mitarika fandraofana avy hatrany sy fanapotehana ireo entana aorian’ny fitanana an-tsoratra ataon’ny mpanenjika ny fandikan-dalàna. Ny varotra hani-masaka sy sakafo fihinana dia tokony ho anaty vata fitaratra mihidy tsara, izay tsy tafiditry ny bibikely na ny vovoka.Tsy maintsy mampiasa fonon-tanana, na raha tsy misy dia fitaovana voatokana handraisana ireo sakafo amidy.Tokony hanana rano, na tahirin-drano fisotro avokoa ny fivarotana rehetra.Tsy maintsy manana taratasim-panjakana sy fitaovana madinika, izay tanisaina manaraka eto ka takina isaky ny misy ny fanamarinana ireo mpivarotra hani-masaka. Kara-panondrom-pirenena, patanty amin’ny anaran’ny mpivarotra, manan-kery mandritra ny taona diavina, fahazoan-dalana manamarina ny nahazoana ny toerana fivarotana, fankatoavan’ny sampan-draharahan’ny fahasalamam-bahoaka mahefa miantoka ny fahatomombanan’ny sakafo amidy, fanamarinam-pahasalamana manan-kery amin’ny taona diavina. Mila kahie fitananana an-tsoratra voamarika sy misy fitomboky ny kaominina, izay hitanana ireo tsikera avy amin’ny mpiandraikitra isan-tsokajiny misahana ny fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka.Tatiana AL’article Fepetra amin’ny CMH: voarara ny afo kitay amin’ny hani-masaka a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Telma: manangana sekoly hisian’ny fampandrosoana
21/09/2020

Ny Mokotra    any amin’ny faritra Menabe no sekoly faha78 najoron’ny Telma sy ireo tompon’andraikitra samihafa ao an-toerana ary ny ONG Blue venture Mokotra. Fanamby lehibe ho an’ny Blue Ventures tamin’ny 2018  ny mijery izay zaza tokony hianatra 158 eo anelan’ny 13 hatramin’ny 14 taona, zaza latsaky dimy taona miisa 98 amin’ny tanàna telo : Belalanda, Marovitiky ary Mokotra.Kendrena amin’ity sekoly ity ny fanabeazana manomana amin’ny lafiny fihariana mifandraika ao amin’ny faritra. Izay tetikasa rehetra atao amin’ny faritra mety amin’ny antom-piveloman’ny mponina, fanomezana ho azy ireo ny kojokoja mifandraika amin’izany. Sekoly fanomanana amin’ny seha-pihariana rehetra, manomboka amin’ny teti-pihariana rehetra.10 taona izao ny Fondation Telma,  niova Fondation Axian, ny volana avrily 2020, misy 5000 ireo mpira-miombon’antoka aminy aty amin’ny faritra ranomsimbe Indianina sy Afrika ; misehatra amina sehatra maro ivontoeran’ny fampandrosoana, indrindra eo amin’ny fifandraisandavitra, ny varotra, ny indostria, ny fifanakalozana, ny fiarovana ny tontolo iainana. Mira-miasa amin’ny mpira-miombon’antoka maro ny Fondation Axian amin’ireo rehatra ireo, ary izao atomboka any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany izao ny fiatrehana izany. R.MathieuL’article Fondation Telma: manangana sekoly hisian’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Taom-pambolena 2020-2021 : misy ny fanantenana amin’ny vary any Alaotra
18/09/2020

Tsy ratsy, araka ny nahiana, ny voka-bary 2019-2020 farany teo tany Alaotra na nisy aza ny hetraketraky ny toetr’andro sy ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Indro kely anefa ny tsy fahampian’ny rano sy ny tsy fifehezan’ny tantsaha ny zezi-pahitra fa voatery mampiasa ny zezi-bazaha.Tsara ny voka-bary farany teo raha ny fahitan’ny tompon’andraikitry ny rafitra mpampindram-bola (Cecam, Otiv,…) aty Alaotra. Toerana iray tena mijaly rano isan-taona koa ny any Amboavory, saingy nahafa-po ny vokatra.Anisan’ny hanamarinana ny hatsaran’ny vokatra ny fitomboan’ny tantsaha mividy Kubota. Nilaza ny mpiasa iray amin’ny tranombarotra eto Ambatondrazaka fa “efa maherin’ny 100 ny lafonay… Roa isan’andro kosa amintsika miteny izao”. Dimy ny toerana ivarotana Kubota eto amin’ny renivohitr’Alaotra-Mangoro ka 7 tapitrisa Ar ny vidin’ny iray.Tsy nihoatra ny 1 000 Ar ny akotryTsy nihoatra ny 1 000 Ar ny vidin’ny kilaon’ny akotry eny amin’ny mpamboly tamin’ity taona ity, raha ny filazan’ny tantsaha any Ambatomainty, nisy foibe Somalac fahiny ary efa nidina indray aza izany, ankehitriny. Niaka-bidy kosa ny vary fotsy, mihoatra ny 500Ar ny kapoaka (1 750 -1 800 Ar/ kg) ao Ambatondrazaka, 480Ar (1 680 Ar-1 700 Ar/kg) any Ambohitrarivo, sompitry ny vary.Tombanana hamokatra tsara ireo tanimbary ,117 000 ha, amin’ny taom-pambolena 2020-2021. Manantena ireo sampandraharaha miara-miasa amin’ny tantsaha hatreny ifotony(CSA) fa ho tonga ara-potoana ny vola hoentina miasa.Tsy ampy ny ranoTsy ny vola enti-mihetsika ihany fa iankinan’ny fahombiazan’ny fambolena koa ny masomboly, ny zezika, ny teknika enti-mamboly…ary indrindra, ny rano. Mitaraina ingahy Dinah Green sy ny lehiben’ny fari-piadidian’ny Fambolena fa efa saika ilaozan’ny rano ny maro amin’ireo tohodrano. Nomarihin’izy ireo koa fa tsy mahita vokatra raha tsy mampiasa zezi-bazaha nefa manimba ny tontolo iainana.Hotantanin’ny Italianina ny any Anosiboribory?Marihina fa tsy vita hatramin’ny farany ny fampiofanana momba ny fanamboarana zezi-pahitra (compost), natomboka taona vitsy lasa izay. Mikasika ny masomboly, milaza ny tantsaha fa “toa Italianina indray, hono, no hitantana ny foibe any Anosiboribory…. Aoka ho marin-toerana ny fitantanana ity foibe ity, ary tokony hovokarina eto amintsika ny “hybride” fa lafo loatra”. RarivoL’article Taom-pambolena 2020-2021 : misy ny fanantenana amin’ny vary any Alaotra a été récupéré chez Newsmada.

Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika
19/09/2020

477 ny isan’ny mpanao gazety vehivavy eto Analamanga sy amin’ny faritra telo hafa mandrafitra ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara. Miezaka ny ho matihanina izy ireo ary misokatra amin’ny fikirakirana karazam-baovao toy ny vaovao siantifika.Manomboka mahasarika ny mpanao gazety, indrindra ny vehivavy, ny fanaovan-gazety siantifika izay mbola vaovao ihany satria hatramin’izay, misahana ny lohahevitra rehetra amin’ny ankapobeny ny mpanao gazety malagasy. “Ho fanampiana ny vehivavy mpanao gazety hirona kokoa amin’izay fanaovan-gazety siantifika izay, nisy fanofanana nomena azy ireo avy amin’ny tetikasa “Adidin­tsika” nokarakarain’ny Fikam­banan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara nandritra ny roa andro teny Antanimena”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Andrianaivo­nirina Anny. Amin’izao fotoana mbola iadiana amin’ny valanaretina Coronavirus izao, nizara traikefa momba ny fikirakirana vaovao siantifika ma­nodidina ny valanaretina ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Voa­resaka ny fomba fitrandrahana loharanom-baovao sy ny fandanjalanjana ny azo zairaina amin’ny mpamaky sy ny mpijery ka hampitony ny olona ny fizarana hahalalany ny tokony hatao manoloana ny Covid-19.Hatrany ivelany …“Mila fitiavana sy faharetana ny famokarana lahatsoratra na fandaharana mivoy vaovao siantifika ary tsy maintsy omanina andro maromaro”, hoy Razafiarison Rivonala, mpanao gazety siantifika efa an-taony maro. Mbola vitsy ny mpanao gazety malagasy nisafidy ny hitrandraka izany nefa manokatra fivelarana amin’ny asa maha mpanao gazety hatrany ivelany. Mpanelanelana eo amin’ny mpikaroka siantifika sy ny vahoaka ny mpanao gazety hitondra ny vaovao misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro. Sarotra ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fotoan’ny hamehana tahaka izao nefa adidiny ny mitondra vaovao marina. 22 ny mpanao gazety vehivavy nanaraka ny fiofanana ary nizarana ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fizarana izy ireo, omaly. Nanotrona ny lanonana fizarana ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanohana ny tetikasa nahafahana nanofana ny Agence française de coopération médias (CFI) sy ny Agence française d’expertise technique ary ny AFD.Vonjy A.L’article Vehivavy 22 nahazo fiofanana :mampivelatra ny fanaovan-gazety siantifika a été récupéré chez Newsmada.

Fahasemporana tampoka :: Efatra mirahalahy niara-maty tao an-davapiringa
17/09/2020

Fahoriana goavana no nanjo an’ity fianakaviana iray tany Ambatondrazaka, omaly. Tao anatin’ ny fotoana fohy no nifanesen’ny famoizana an’ireto efa-dahy, telo lahy mpiray tampo, sy ny lehilahy faninefany, izay havan’izy ireo ihany. Tao anatin’ny lavapiringan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy tany Ambohimiangaly-Ambatondrazaka no nisehoan’ny voina, ny maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Tamin’ny 12 ora vao tafakatra tao amin’ilay lavaka ny razana farany. Nambaran’ny loharanombaovao avy amin’ny mpitandro filaminana, any an-toerana, fa fahasemporana avy amin’ny entona misy poizina tao amin’ity lavapiringa avy namboarina no niteraka ny fahafatesan’izy efadahy. Fifamonjena namoa-doza Fantatra fa nokaramaina hanala an’ireo maloto tao anatin’ ny lavaka izy ireo. Vita soa amantsara ny asa, tokony ho tamin’ny 9 ora. Efa tafakatra taty ambony ry zareo vao nahatsiaro ny fanadinoana ny fitaovana nampiasaina tao ambany tao. Nisy fitaovana hadino anefa tao anatin’ilay lavaka rehefa tafakatra daholo izy efatra. “Voatery niverina nidina tao anaty lavaka ny iray tamin’izy efa-dahy. Tsy tafaverina intsony anefa io nirahina io ka nandeha nijery azy tao anaty lavaka ny rahalahiny. Mbola tsy nahenoam-baovao ihany koa itsy fahatelo itsy. Ilay lehilahy fahefatra, zanak’olona mpirahalahy amin’izy telo lahy, no nidina farany sady tavela efa samy tsy nisy aina tahaka an’iretsy telo voalohany”, araka ny fanazavana nampitain’ny loharanom-baovao avy tany Ambatondrazaka. Nidina tany amin’ny toerana nitrangan’ny loza mihitsy ireo manampahefana sivily sy miaramila ao Ambatondrazaka tamin’ny fitadiavana ny fomba nanavotana azy efa-dahy tao anaty lavaka. “Lalina dia lalina ilay lavaka ka nanahirana ny asa famonjena. Nanomboka tamin’ ny 11 ora teo ho eo vao tafavoaka ny voalohany. Ora iray taorian’ izay mahery kely vao azo ny vatana mangatsiakan’ny fahefatra”, hoy hatrany ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa tsy maintsy hanokatra fanadihadiana momba an’ity raharaha mampalahelo ity ny polisy any an-toerana. L’article Fahasemporana tampoka :: Efatra mirahalahy niara-maty tao an-davapiringa est apparu en premier sur AoRaha.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Toetr’andro: hangatsiaka rahampitso
17/09/2020

Mbola miovaova ny mari-pana eto Madagasikara na dia efa ao anatin’ny lohataona aza. Raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’ andro, hidina ny mari-pana ambany ho an’ny eto afovoan-tany ary hiitatra hatrany amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy rehetra iny izany, manomboka rahampitso.Hidina hatrany amin’ny 7°C ny ao Antsirabe ary manodididna ny 11°C hatramin’ny 24°C ny eto Antananarvo. Mila miomana amin’izany, indrindra ireo rehetra tsy maintsy hivoaka ny trano mba tsy ho tampohan’ny hatsiaka.Rahampitso, ho rakotra zavona ny amin’ny afovoan-tany, hiitatra hatrany amin’ny ilany atsinanana izany. Marihina ihany koa ny fisian’ny orana malefaka miatoato amin’ny ilany avaratra-atsinanan’ny Nosy. Saika ho maina ny andro ny any an-kafa.Ny asabotsy, hanorana ny any amin’ny morontsirak’i Sava sy Analanjirofo. Andro maina kosa no hanjaka amin’ny faritra sisa.Tatiana AL’article Toetr’andro: hangatsiaka rahampitso a été récupéré chez Newsmada.

“Madajazzcar” : efa nanome vinavinam-potoana
19/09/2020

Na tsy mbola nisy aza ny tena fivoahan’ny fandaharam-potoana raikitra sy ny hetsika hotontosaina ao anatin’izany, tazana ao anatin’ ny tambajotran-tserasera ko­sa ny fanoloran-dry zareo mpikarakara ny “Festival Madajazzcar”. Ny 1 oktobra ka hatramin’ny 4 oktobra izao no voasoratra fa hanatontosana ny andiany faha-31. Raha ny fizotran’ireo an­diany teo aloha, mety ho azo vinavinaina ihany ny hisian’ny hetsika tanterahina any anaty trano, toy ny seho sy ny fifanakalozana isan-karazany. Ireo fampisehoana le­hibe no mety ho mbola tsy azo atao raha mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena.Raha tsiahivina, anisan’ ireo hetsika kolontsaina sy zavakanto maro mpitia sy mpanaraka tokoa ny “Festival Madajazzcar”. Na eto an-toerana izany na ny any ivelany. Sehatra natao ifanakalozana eo amin’ny sa­my mpanakanto, eo amin’ ny mpanakanto sy ny mpankafy jazz, sns, rahateo izy ity, hany ka maro ireo liana sy te hampivoatra ny fahalalany. Tsy mitsahatra manome vahana ny talentan’ireo mpanakanto vao misondrotra ihany koa ny mpikarakara. Efa antoka iray lehibe sy varavarana mivoha ho an’ny hoavin’ireo tanora manan-talenta ny fisian’izany.Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa maro ireo mpilalao jazz (mpihira, mpitendry…) nasongadin’ny “Festival Madajazzcar”. Tsy vitsy ihany koa ireo nifoha talenta, noho ny fijerena ny seho nandritra ny andiany teo aloha. Miandry fatratra ny fandaharam-po­toana raikitra ny mpankafy jazz!HaRy RazafindrakotoL’article “Madajazzcar” : efa nanome vinavinam-potoana a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny valanaretina :: Haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana ny Covid-19
21/09/2020

Omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara. Tapa-kevitra ny hamerina ny raharahampitsaboana eny anivon’ireo tobim-pahasalamana manerana ny Nosy ny fanjakana malagasy amin’izao dimy ambin’ny folo andro faha-15 ho an’ny hamehana ara-pahasalamana izao, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fandaharana manokana tao amin’ny Fahitalavi-pirenena, omaly. « Hofoanana, tahaka ny teny Ivato sy Alarobia, ihany koa ny ivon-toeram-pitsaboana (CTC) eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ka haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana. Mitsahatra ihany koa ny asan’ny Borigady vonjitaitra manokana (BIS), nisy an’ireo miaramila nirotsaka teny an-kianja », hoy izy. Ankoatra izay dia hirosoana hatrany ny fampianarana ny Malagasy hiarahiaina amin’ny valanaretina Covid-19, amin’ny fampanajana an’ireo fepetra rehetra efa napetraka hatramin’ny dimy ambin’ny folo andro voalohany. « Voalohany amin’ izany ny tsy maintsy hanaovana aron-tava, ny fanajana an’ireo fihetsika misakana ny aretina ary ny fanasana tanana matetika. Mahavoasazy ny tsy fanajana izany », hoy izy. Efa manomboka miverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro ny olona saingy tsy mbola tena malalaka. « Hiverina tsikelikely amin’izany isika saingy mila miara-mientana kosa hanafoanana tanteraka ny valanaretina eto Madagasikara », hoy hatrany izy. Na izany aza anefa dia mbola voarara ny fivezivezena amin’ny alina, manomboka amin’ny 12 ora alina hatramin’ny 4 maraina, ho an’ny faritra Analamanga sy Diana. « Mihatra kosa ny fepetra manokana avy amin’ny ivontoeram-pibaikoana rejionaly, arakaraka ny fivoaran’ny toedraharaha », raha ny filazany. Mbola voarara ny famadihan-drazana, manerana ny Nosy. Isan’ireo fepetra noraisina ihany koa ny fanokafana an’ireo lalam-pirenena rehetra manerana ny Nosy ho an’ireo taksiborosy. «Amin’ny sabotsy 26 septambra no afaka miasa ireo fiara fitateram-bahoaka avy eto Antananarivo mihazo an’Antsiranana sy ny faritra Sava », hoy ny Praiminisitra. L’article Ady amin’ny valanaretina :: Haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana ny Covid-19 est apparu en premier sur AoRaha.

Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo
23/09/2020

Voasambotry ny zandary ny dahalo, ny faran’ny herinandro teo, ny iray tompon’antoka amin’ny fanafihana raim-pianakaviana iray mpivarotra lamba tonta niaraka amin’ireo zanany roa lahy. Voalazan’ny tatitra nampitain’ny zandary fa teny an-dalana hody ao amin’ny fokontany Ambiky Berevo, Bebaboka, niara-nivarotra amin’ireo zanany, izy no niharan’ny fanafihan-dahalo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Mangabe ny nitrangan’ny fanafihana, ny 17 septambra tolakandro. Voatifitr’ireo malaso teo amin’ny tratrany, ny tanany ary ny feny ilay raim-pianakaviana. Nandritra izany, afaka niantso fokonolona ao Saropitsaha ireo zanany roa lahy. Nentina haingana namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana, saingy namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitohy ny fikarohana ireo dahalo nanafika ka tratran’ny zandary tao Bebaboka, ny asabotsy hariva teo, ny olona iray ahina ho nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nahitana basy niaraka amin’ny bala 10 tany aminy nandritra ny fisavan’ny zandary.J.CL’article Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.