Fikasana hamono ny Seg teo aloha: maty tany am-ponja Randriamialy Faliherisoa

News - Fikasana hamono ny Seg teo aloha: maty tany am-ponja Randriamialy Faliherisoa

News - Fikasana hamono ny Seg teo aloha: maty tany am-ponja Randriamialy Faliherisoa

 

Nodimandry tany am-ponja teny
Tsiafahy , tamin’ity herinandro ity, ilay ahiana ho
voasaringotra ho nikasa hamono sy hitifitra ny Seg  teo aloha,
ny Jly Ravalomanana Richard, Randriamialy Falihery Eric .
« Tsy misy tokony hidirany  izany raharaha izany fa
endrikendrika fotsiny ihany », hoy ny fianakaviany sy
ireo mahafantatra azy. Notsiahivin’izy ireo fa mpivarotra fiara
tsotra no asany ary sendra teo amin’ilay toerana nisamborana olona
ny tenany tamin’izany, ka noraofina niaraka tany koa izy.
« Niakatra ny tosidrany, ka namoy ny ainy tany am-ponja
izy », hoy ihany ny fianakaviana.

Nitondra fanazavana momba izao
raharaha izao ny eo anivon’ny fonja fa efa nandalo fitsaboana sy ny
dokotera eny Tsiafahy izy io. Tokony halefa hampidirina hopitaly
saingy izao namoy ny ainy izao.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fikasana hamono ny Seg teo aloha: maty tany am-ponja Randriamialy Faliherisoa a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/09/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Teatra sy dihy: naseho an-tsehatra ny “8 septambra”

Tontosa ny « Sharity Events ». Hetsika ara-kolontsaina tetsy amin’ny I H S Ankatso nokarakarain’ny ONG Vahatra, ny asabotsy 28 aogositra lasa teo, nanomboka amin’ny 2 ora tolakandro … Nibahan-toerana tamin’izany ilay tantara “8 septambra”, izay sanganasan’i Nofy Andrianjaka, nolalaovin’izy ireo an-tsehatra miendrika teatra. Maro ny sehokanto hita teny an-toerana toy ny teatra sy dihy,  nahitana ny Vondrona Mikanto teatraly sy Laryh Dance Crow, izay anisan’ny manana ny toerany ankehitriny. Anisan’ny nanafana sehatra tao koa i Njara Marcel, tamin’ilay hira “Mamiratra”, ny “avy ato am-poko”, ny “Izy”. mpanakanto anisan’ny manana ny toerany ankehitriny, tao koa i Nofy no Voary, izay poeta manandratra ny kolontsaina malagasy. Maro ny hetsika efa nokarakarain’ny ONG Vahatra hoenti-manandratra ny kolontsaina sy ny maha olona. Vao tsy ela akory izay no nanao hetsika tolo-tanana tetsy amin’ny toeram-pitsaboana ny marary ara-tsaina Centre Hospitalier Universitaire de Santé Mentale Anjanamasina ny ONG Vahatra. Tsy hijanona eo fa maro ny seho hotanterahin’izy ireo, indrindra ny fanampiana amin’ny lafiny maha olona.NarilalaL’article Teatra sy dihy: naseho an-tsehatra ny “8 septambra” a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

DR MANITRA RAKOTOARIVONY: Andao vitaina amin’ny kopakopan-tanana sy maso mibanjina ny fifampiarahabana nahatratry ny taona

“Andao iarahana mifehy ity valanaretina Covid-19 ity”. Fanirian’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny hananan’ny vahoaka Malagasy fahasalamana ao anatin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. “Mba hanohizantsika ny fifehezana ity aretina coronavirus ity, efa nolazaina tamintsika fa iarahantsika mifehy ity aretina ity ary tsy tanteraka izany raha tsy ny tsirairay no resy lahatra mifehy tena. Nitsiriritan’ny olona antsika Malagasy ny  amin’ny nahaizantsika nifehy ny aretina Covid 19”, hoy i Dokotera Rakotoarivony Manitra, talen’ny foibe ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.  “Araka ny toromarika nomen’ny ministry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Jean Louis dia apetraka amintsika indray ny hoe: andao iarahana mifehy ity valanaretina ity”, hoy izy. Noho izany, “ireto misy fototra telo, fihetsika tsotra ifampizarantsika amin’izao faran’ny taona izao na ny fetin’ny noely na fetin’ny faran’ny taona:  Andao hanao fety isan-tokantrano, andao eritreretina mandrakariva fa mbola misy virus mivezivezy eny amin’ny tontolo rehetra eny ka isika rehetra no hiaraka hifandamina ho an’ny fahasalamana, tsy hifampizara aretina fa hifampitsinjo ny amin’ny fahasalamana”, hoy hatrany ity talen’ny foibe ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ity. Nambarany fa  raha tsy maintsy mandeha amin’ireny fiangonan’Andriamanitra na Synagoga ireny dia eritrereto mandrakariva ny fanajana ny elanelana iray metatra sy ny fanaovana arotava ara-dalàna. Sao aretina no hifamindrana kanefa fahasoavana no tadiavina. Ankoatra izany, “ao anatin’ny faran’ny taona sy taom-baovao, malaza be ny fifanorohana. Mangataka antsika rehetra re! Zavatra hita tato ato dia ny iray tsy manao arotava dia ny iray manao, mifanoroka amin’ilay masque izay mampatahotra indrindra satria eo amin’ny tsy tokony hametahana ilay molotra no hametahana azy. Andao hifampitsinjo, hifampitondra ny mahafinaritra sy ny tsara dia tsy atao aloha ny mifanoroka fa atao vitan’ny kopakopan-tanana sy ny maso mibanjina ary aoka tsy hisy hilaza hoe ho tsy tia ahy iny olona iny raha tsy mifanoroka”, hoy i dokotera Rakotoarivony Manitra. Lynda A. VIDEO: Cet article DR MANITRA RAKOTOARIVONY: Andao vitaina amin’ny kopakopan-tanana sy maso mibanjina ny fifampiarahabana nahatratry ny taona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article DR MANITRA RAKOTOARIVONY: Andao vitaina amin’ny kopakopan-tanana sy maso mibanjina ny fifampiarahabana nahatratry ny taona a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - News Mada

Mpikarakara Kaly tsinjo ao Toamasina: terena handoa 100 000 Ar isan-kerinandro

Hakana vola ireo mpikarakara ny Kaly tsinjo 10 eto an-drenivohitr’i Toamasina. Misy amin’ireo koa anefa no manao antsirambina ny asany.Ny asabotsy teo ny fiantsoana nataon’ny mpandrindra ny Kaly tsinjo nataon’ny talen’ny kabinetran’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, i Hubert Tatian. 12 ireo tonga nanatrika ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitra mpandrindra ny Kaly tsinjo. « Mila fiaraha-miasa isika fa tsy misy ranom-panafody sy solika hivezivezena ny ao amin’ny kaominina sy ny faritra ka mandoa vola 100 000 Ar isan-kerinandro ianareo », hoy ny mpandrindra ny Kaly tsinjo tamin’ireo mpivory, araka ny angom-baovao. Nilaza kosa ireo mpikarakara sakafo fa mbola tsy nahazo vola avy amin’ny fanjakana mihitsy fa volan-dry zareo madiodio ny hampiasaina hividianana sakafo. « Aloavy aloha ny anay », hoy ireo mpikarakara Kaly tsinjo. Vokany, nandrahona hanakatona ny toeram-pisakafoana ity mpandrindra ity. Nohamafisin’ireto mpikarakara Kaly tsinjo ireto fa tomponandrakitra izy ka afaka manakatona ny toerana tsy hanome vola azy. Ampy tsara ny ranom-panafody ary tsy misy olana ny solika raha nanontaniana anefa ny ben’ny Tanàna sy  ny eo anivon’ny faritra Atsinanana.Misy manao antsirambinaEny ifotony, tao amin’ny fokontany Ankirihiry Atsimo, tsy manaja ny elanelana iray metatra ireo misitraka sakafo Kaly tsinjo. Ny mpikarakara rahateo, tsy manaraka ny lamina amin’ny laoka tokony haroso ny mpihinana. Nohamafisin’ny loharanom-baovao fa manao antsirambina ny asa ireo mpikarakara sakafo ireto. Ny hitondra ambin-tsakafo hody no mahamaika azy ireo.SajoL’article Mpikarakara Kaly tsinjo ao Toamasina: terena handoa 100 000 Ar isan-kerinandro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitarainana momba ny fanabeazana: mavesatra ho an’ny sekoly tsy miankina ny hetra

Sampandraharaha mitondra soa ho an’ny vahoaka ny sekoly miahy tena ary mizaka ny satan’ny asa fanabeazana fa tsy natao hitadiavana tombombarotra toy ny orinasa. Maneho ny olana ireo mpiandraikitra manoloana ny hetra takin’ny fanjakana.    Araka ny fepetra ankapobeny mifehy ny hetra, tafiditra amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ampiasaina amin’ity taona ity, tsy maintsy manefa tataon-ketra alaina amin’ny karama (IRSA) amin’ny sandany 10% ny sekoly tsirairay. Ny saram-pianaran’ny mpianatra anefa, tsy azo hakana ampahany hatao hetra ka sahiran-tsaina ny mpitantana sekoly manoloana izany. “Amin’izao fotoana izao, tonga ny mpitaky hetra maka ny hetra tokony ho naloa nanomboka ny taona 2017 raha hanamboatra “carte d’identité fiscale” sy laharan’ny karatra maha mpandoa hetra ny mpiandraikitra ny sekoly tsy miankina”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny sekoly miahy tena Aile (Association des instituts laïques pour l’éducation), Rakotomalala Célin. Mavesatra ho an’ny sekoly izany sora-bola izany, indrindra tsy misy fidiram-bola ankoatra ny saram-pianarana avy amin’ny mpianatra. Nampahatsiahiviny fa nihevitra ny sekoly tsy miankina ho sampandraharaha ilain’ny vahoaka ny fitondrana nifanesy ka ny vola azony no entiny mampihodina ny asany nefa tataovana hetra indray ankehitriny. Ireo mpanabe amin’ny maha olom-pirenena azy, efa mandoa ny IRSA 2 000 Ar isam-batan’olona miasa amin’ny sekoly.Ankoatra ny hetra, tsy nisitraka tolotra fanampiana ny mpanabe avy amin’ny sekoly miahy tena nandritra ny fihibohana ary mbola nanampy trotraka ny fanafoanana ny fanampiana ny fampihenana ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny ary ny fanohanana 24 000 Ar ho an’ny mpampianatra miampy ny tosika ho an’ny fikambanan’ny sekoly miahy tena. Nanome toky ny minisitry ny Fanabeazana fa hangataka hamerenana ireo tohana telo ireo raha nitafa tamin’ny solontenan’ny mpiandraikitra ny sekoly tsy miankina.Vonjy A.L’article Fitarainana momba ny fanabeazana: mavesatra ho an’ny sekoly tsy miankina ny hetra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Miankin-drindrina irery

Mampahatsiahy ny famaritana ny fijalian’ireo vehivavy mitondra vohoka ny sedra lalovan’ireo orinasa tsy miankina eto Madagasikara noho ireo fepetra ara-pahasalamana ateraky ny krizy ara-pahasalamana, efa ho dimy volana izao. « Miankindrindrina irery » ireo orinasa tsy miankina rehetra, eny hatramin’ireo manan-jara ka afaka nanohy ny fandraharahany tao anatin’ny fihibohana aza. Manapa-kevitra ny fanjakana hoe mikatona daholo ny orinasa tsy ankanavaka, dia tsy maintsy manaraka ireo orinasa tsy miankina. Nangaina teo ireo tompon’orinasa sy mpiasa marobe, fa tsy nahazo afa-tsy ny fanemorana ny fandoavan-ketra (amin’ity vanim-potoana tsy nihodinan’ny milina sy ny tsy fisian’ny mpanjifa akory!) sy ny fanamoràna ny fampindramambola ary izay mpiasa tsara vintana nahazo anjara tamin’ireo endrika fanampiana sosialim-bahoaka isan-karazany isampokontany tany (aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy). Tahaka ny akohokely notsipazam-potsimbary indray ireo tsy miankina rehefa nanome alalana amin’ny fiverenan’ny asa andavanandro, izay narahin’ny famerana ny ora fiasana, ireo orinasa tsy miankina : miantoka fitaterana, hono! Orinasa iza no hahavelon-tena amin’izany? Mpiasa an’hetsiny anefa no fantatra fa voatery naato tamin’ny asany, tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Atosika hidiran-trosa ireo mpiasa sasany raha ho raikitra ihany ilay fampindramam-bola homen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps). Ny tompon’ orinasa, etsy an-daniny, ataon’ny fandoavan-ketra mivadika atidoha. Tahaka ny vehivavy mitondra vohoka satria hiteraka famokarana sy ho mpanjifan’ny tsena marobe anefa ireo orinasa tsy miankina. Iretsy reny aza mba hoe miaritra kely (na be) fa hanana ny soa, fa ireo tsy miankina kosa dia tsy manana antoka fa ho tafarina, raha aoriana kely ao. Mifanohitra tanteraka amin’ireo mamboly voky tsy mamboly voky, ka na « kaofinimà » aza dia mitomboka foana ny isaky ny faran’ny volana. Asa izay fanantenana navoakan’izao fifanakalozan’ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina tamin’ireo mpamatsy vola Eoropeana izao, fa soa mba nahatsiaro an-dry zareo « miankin-drindrina irery » aza ny vahiny! L’article Miankin-drindrina irery est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Vita ny fitiliana ny razana: tsy matin’ny vaksiny ny Dr Hasina

Namaly ny ahiahin’ny maro ny nahafantarana fa tsy misy ifandraisany amin’ny vaksiny Covishield ny nahafaty ny Dr Raherimandimby Hasina, ilay mpampianatra tao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa nodimandry tampoka, iray andro taorian’ny nanaovany vaksiny.Vita ny fanadihadiana nataon’ny manampahaizana tamin’ny razana. Navela nalalaka izy ireo nijery sy nanao fitiliana. Anisan’izany ny fakana singa maro nentina notilina, raha ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Fahasalamana. Ireo vaomiera teknika sy ny akademiam-pirenen’ny dokotera no namoaka miaraka ny fanambarana.Voaporofo tamin’ny alalan’ny fitsirihana maro natao izany fa tsy misy idiran’ny vaksiny nataony velively ny nahatonga ny fahafatesan’ny Dr Raherimandimby Hasina.“Azo atao tsara ny manohy ny fanaovam-baksiny, araka izany, fa tsy misy tokony hatahorana na hampisalasala”, hoy hatrany ny minisitra.Tatiana A L’article Vita ny fitiliana ny razana: tsy matin’ny vaksiny ny Dr Hasina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

DGSR: hanao fitsirihana manokana ireo fiara

Ho fisorohana ny loza vokatry ny tsy fahatomombanana teknika manoloana ny mety ho fahabetsehan’ny fiara mifamoivoy mandritra ny fahatongavan’ny papa ray masina eto Madagasikara, ny volana septambra 2019 ho avy izao, sy ho fitsinjovana ny fialana sasatry ny mpianatra, mampandre ny besinimaro ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) fa hisokatra sy hiasa ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia rehetra manerana ny Nosy, ny asabotsy 3, ny asabotsy 10, ny asabotsy 17 ary ny asabotsy 24 aogositra 2019 ho avy izao manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tokanandro. Mampahatsiahy ny tompon’ireo fiara mikasa hitatitra olona hanao “spécial” ny DGSR fa tsy maintsy mandalo fitsirihana teknika manokana izy ireo na mbola manan-kery aza ny fe-potoana azo ampiasana tamin’ny fitsirihana teknika, ankoatra ny fitsirihana mahazatra teknika. Noraisina izao fepetra izao hisorohana ny loza sy hiarovana ny ain’ireo mpandeha.Jean ClaudeL’article DGSR: hanao fitsirihana manokana ireo fiara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Aleo tsy miverin-dalana…

Vita ve ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Tsy lavina, efa mihamiverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro ny mponina amin’ny ankapobeny. Arahaba soa, arahaba tsara… Ho lasa amin’izay ratsy rehetra? Mba tsy hisy ny hoe andiany fahatelo, fahefatra… Sanatria. Na izany aza, mbola mitohy ary tsy maintsy atao hatrany ny fitandremam-pahasalamana izay efa fanao amin’ny are-mifindra rehetra: manana ny fotoany, manana izay mampiavaka azy…Tsy hita maso na hita hofaritana mialoha rahateo ny tsimokaretina coronavirus, ka mila fahamailoana mandrakariva. Toy tsy nanampoizina ny fiverenana amin’ny fihibohana noho ny fidiran’ny andiany faharoa avy any Inda atao hoe Delta amin’izao. Miverimberina hatrany koa ny fampahatsiahivana hoe tsy mifidy olona, haingam-pifindra… Tsy vitan’izany, ao anatin’ny vanim-potoana ririnina i Madagasikara amin’izao fotoana izao: tsy fantatra be ihany izay mety ho fiovan’ny valanaretina.Noho izany, tsy misy toy ny fitandremana ihany: ho an’ny rehetra fa tsy anavahana ary hatramin’ny farany… Efa nasian-teny matetika koa ny amin’ny fahaizana miara-miaina amin’ny aretina amin’ny fanajana ny fepetra sakana rehetra amin’ny antsipiriany tsy manontolo. Mba tsy hisy intsony ny fiverenana amin’ny firongatry ny aretina, raha mba efa miverina amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra. Eny, na eo aza ny fahombiazan’ny ady, ny fisian’ny fanafody sy ny fanefitra na ny vaksiny…Na ahoana na ahoana, ela sy mafy ny fanarenana sy fanonerana ary fanorenana ny rava navelan’ny valanaretina. Izay no efa ifantohana amin’izao? Zava-dehibe maika, lehibe… Ny fananana fahasalamana feno sy tanteraka ho an’ny rehetra no ahazoana manatontosa sy manatratra izany. Eo koa ny fahafahana sy fahalalahana: tsy misy intsony ny fihibohana, ohatra, na ny fanakatonana lalana… Mety hiverina izany rehetra izany, raha sanatria miverina ny aretina noho ny tsy fitandremana. Aleo tsy miverin-dalana…Rafaly Nd.L’article Aleo tsy miverin-dalana… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hafatry ny Fivondronamben’ny eveka: “Mahantra noho ny kolikoly sy ny tsy fahaiza-mitantana isika”

Hentitra ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) sady nampahatsiahy ny lahatenin’ny papa Fransoa tamin’ny fitsidihany teto Madagasikara, ny 6-10 septambra 2019. Nahazo ny anjarany avokoa ny tompon’andraikitra rehetra.“Tany voatsodranon’Andriamanitra noho ny harena voajanahary maroloha hita ao aminy i Madagasikara. Eo koa ny toetra mahate hidera ananan’ny mponina ao aminy sy ny fahendreny ary ny soatoavina nentim-paharazana mifototra amin’ny fihavanana sy ny fanajana ny aina ary ny fanandratana ny fanahy maha olona”,  hoy ny fanambaran’ny. Nohitsin’ny hafatra anefa fa mahonena ihany ny mahita fa tafahitsoka ao anatin’ny fahantrana lalina ny vahoaka malagasy.  ”Eo ny fitiavan-tena, noho ny tsy fahaiza-mitantana ary ny fanjakan’ny kolikoly mahahenika ny seha-piainana manontolo”, hoy ihany izy ireo. Anisan’ny fositra lehibe manimba ny fiainam-piaraha-monina ary vato misakana amin’ny fampivoarana tena izy ny kolikoly, tena mahazo vahana eto amintsika ary mahahenika ny seha-piainana rehetra.Mirongatra ny tsy fandriampahalemanaNasian’ny papa tsindrim-peo manokana ny tokony hiezahana mafy hiady hamongotra hatramin’ny fakany izany tamin’ny lahateny nataony teny Iavoloha, araka ny fanambaran’ny Fem hatrany. Nankahery ny mpitondra ny papa. “Mba hiady amin-kery sy amim-pahatapahankevitra amin’ireo endrika manokana isehoan’ny kolikoly eto aminareo sy ny kajikajy ahazoana tombontsoa izay mampitombo ny fahasamihafana ara-tsosialy”.Nohararaotin’ny eveka koa ny manamarika fa mirongatra indray ny tsy fandriam-pahalemana miseho amin’ny fomba feno habibiana. Koa miantso ny tompon’andraikitra mba hijery paikady mahomby hiadiana amin’izany fa mandry tsy lavo loha ny vahoaka. Miantso ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay mba hanaja ny aina sy ny fananan’ny hafa. “Mifamatotra amin’ny fitiavan-tena sy ny kolikoly ary ny fahantrana mangitsokitsoka iainan’ny vahoaka ny tsy fandriam-pahalemana koa mitaky fibebahana lalina sy fiovàna toe-tsaina lalina amin’ny olona tsirairay sy amin’ny olon-drehetra”, hoy ny Fem.Fampitsaharana ny fifanenjehana sy adilahy politikaNohitsin’ny hafatra fa tsy sasatry ny manentana ny eveka mba hampandefitra ny adilahy politika sy ny fifanenjehana ary ny mampisara-bazana. “Ndeha hanandratra ny firaisankina sy ny fihavanana ka hifanolo-tanana hampandroso marina ny tanindrazantsika. Homena lanja ilay “fanahy” maha olona sy ny fanajana ny “aina” ka tsy hifandroba sy hifamono isika fa mba hifanaja sy hifankatia amin’ny maha samy Malagasy sy maha samy zanak’Andriamanitra”, hoy ihany ny Fem.Etsy an-kilany, nampahatsiahivin’ny hafatra fa tandindomin-doza ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ireo noho ny fitrandrahana tsy voahevitra ho fikatsahana tombontsoa manokana sy ny fitadiavan’ny maro, enti-mivelona eo no ho eo vokatry ny fahantrana.Amin’izany rehetra izany, efa misy ary ve ny fiovana amin’izao herintaona, taorian’ny nandalovan’ny Papa Fransoa izao ?R.Nd. L’article Hafatry ny Fivondronamben’ny eveka: “Mahantra noho ny kolikoly sy ny tsy fahaiza-mitantana isika” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha

Mety tsy hihoatra ny amin’ity herinandro vao manomboka ity. Tombanana fa tsy hiova firy ireo mpikambana handrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny nanendren’ny filoha Rajoelina azy indray amin’izany toerana izany. Ho tompon’ny teny farany amin’ny tolokevitry ny avy eny Mahazoarivo anefa ny eny Iavoloha. Efa nitakian’ny filoha tombana tsirairay arakaraka ny asa vitany ireo minisitra eo anivon’ny governemanta farany teo ireo, ho an’ny enim-bolana voalohany nandraisan’izy ireo andraikitra. Mbola hiverenana hotsaraina sy hanaovana tombana indray koa any amin’ny faran’ny taona ka antony mety tsy hampiova firy ny ho fanendrena izany. Na izany aza, anisan’ny voakiana mafy tato anatin’ny herinandro maromaro noho ny delestazy mahery vaika miverina indray ny minisiteran’ny Angovo, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Jirama. Hanao ahoana ny hoaviny amin’izao governemanta faharoa amin’ny fitondrana Rajoelina izao?Hiverina ho minisitra ireo depiote roa Etsy andaniny, mety hiverina handray ny minisitera nosahaniny teo aloha ireo voafidy ho solombavambahoaka farany teo. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therése, hisahana ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena. Hiverina hiandraikitra ny minisiteran’ny Mponina kosa ny depiote Naharimamy Lucien Irmah. Samy tsy manana andraikitra eny anivon’ny Antenimierampirenena izy mirahavavy ireo. Nisolo toerana ireto depiote ireto vonjimaika teo anivon’ny governemanta tao anatin’ny telo volana ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo-Fienena Felicité, sy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo.Araka izany, mety tsy hisy fiovana tahaka ny namerenana ny Praiminisitra Ntsay Christian ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.Synèse R. L’article Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

A vendre Mitsubishi L200 D-ID 2.4 BVA
17/10/2021

Pick-Up Mitsubishi L200  D-ID 2.4 BVA 181 CV  diesel année 2016 double cabines, boîte automatique 75000 kms évolutif, 4 roues motrices, 4 portes et 4 places, couleur noir, jantes alu en 17’’ , marche pieds, bac de benne, rétroviseurs rabattables, sièges électriques en cuir, climatisation automatique, radio cd Bluetooth mp3, camera de marche arrière,  régulateur de vitesse, direction assistée, phares xénon, ordinateur de bord. Véhicule 1er main en parfait état général, révision vidange et filtres neufs, contrôle technique sera effectué pour la vente. Je rajoute 04 pneus de rechanges + 2 clés d’origine inclus. Volant multifonction, crochet d'attelage, verrouillage centralisé.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mitsubishi L200 D-ID 2.4 BVA".

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Cherche Cherche moteur 0.8 Matiz 3
17/10/2021

Bonjour à tous,Je recherche un moteur complet d'occasion de Daewoo Matiz 3. Celui avec 3 cylindres en ligne et 0.8l de cylindrée.Un moteur sans défaut et bien conservé avec le minimum d'entretien à prévoir.Je fait appel aux marchands de piéces détachées spécialisé dans les coréennes et, les connaisseurs et le habitués de la marque sur Tana.Merci d'avance à ceux qui répondront à mon annonce pour me proposer leurs offres ou juste pour me dirriger éventuellement vers des magasins spécialisés ou des spécialistes.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Cherche Cherche moteur 0.8 Matiz 3".

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Notsongaina

Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony
10/10/2021

Teny amin’ny trano fiasany teny Fiadanana no nandraisan-dRamatoa minisitry ny fampianarana ambony, ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana izay miasa sy monina eto Madagasikarara. Dinika tsotra sy tamin’ny fomba fifanajana no nisy teo amin’ny roa tonta ka nahafahan’izy ireo nanasongadina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanaovana sonia tetikasa lasitra momba ny fiarovan’ireo tanora ny zon’olombelona sy fametrahana ho fanamafisana ny fandriampahalemana, sy ny fametrahana ihany koa ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny fiaraha-monina… Ity tetikasa ity izany raha ny marimarina kokoa dia vokatry ny asan’ny OHCHR sy ny UNESCO ary vatsian’ny PBF vola, izany dia ho fanohanana ireo tanora mianatra eny amin’ny oniversité eto amintsika. Navoitran’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fifandraisan’ireo samy mpianatry ny oniversité, indrindra rehefa misy fihetsiketsehana sy fitakiana ataon’izy ireo… Ny  tetikasa « Rary Aro Mada » ihany koa, hoy izy, no hanampy amin’ny fanabeazana ireo tanora, ary ahafantarany tsara izany fiarovana ny zon’olombelona izany, ary ny fiarovana ny fananana iombonana ka mba tsy hisian’ny fihetsika mety ho fanimbàna na koa hnelingelenana ny fizotry ny fampianarana. Izany indrindra dia mba ahafahana manala ny tanora amin’ny haraton’ny kotontana ara-piaraha-monina sy ara-politika Issa Sanogo, ilay mpandrindra maharitry ny rafitry ny firenena mikambana eto amintsika kosa tetsy ankilan’izany dia niarahaba sy nankasitraka an-dRamatoa minisitra amin’ny fanohanan’ny minisitera izay tarihiny ity tetika ity ho an’nireo tanoran’ny oniversite eto amintsika. Cet article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony a été récupéré chez Délire Madagascar.

Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga
11/10/2021

Nifarana, omaly, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A lahy sy vavy, taona 2021. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga.Nanao pao-droa ny ekipa an’Analamanga, tamin’ity fifaninanam-pirenena N1A 2021 ity.  Nafana sy nampitsanga-nitoetra ny mpijery ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Niakatra ny lentan’ny mpilalao tamin’ity, hany ka niady ny fifandonana. Teo amin’ny vehivavy, fitaintainana hatramin’ny farany ny niandrasana izay hibata ny amboara. Na dia somary nangatsiatsiaka aza ny ekipan’ny SBBC Boeny tany am-panombohana, nanezaka mafy izy ireo ka nitsimbadika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsy nahasakana ny ekipan’ny Mb2All anefa izany ka azony ny amboara, tamin’ny isa 71 no ho 69, sengondra vitsy tsy hifaranan’ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina, intelo nisesy izao ny nisaloran-dry Malala sy ry Rasoa ary ry Murielle ny anaram-boninahitra ho tompondaka an’i Madagasikara. Laharana faharoa toy ny tamin’ny taon-dasa hatrany kosa ny ekipan-dry Maeva, Coralie, Dalya ary Sarobidy.Nangotraka ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy Toraka izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nangotraka ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny Sebam Boeny, nandritra ny lalao, omaly. Ekipan’ny samy henjana ka samy tsy nisy nanaiky lembenana. Nifandimbiasana ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisy fotoana efa nifanakaiky be 22 no ho 23 ny isa, nandritra fizaram-potoana faharoa.  Nitohy tamin’ny fizaram-potoana fahatelo sy farany izany, somary nihalefy kely anefa ny herin-dry Faralahy sy ry Martial ka nobatain’ny ekipan’i Livio sy ry Kakay mora foana, tamin’ny isa 57 no ho 50 ny fandresena. Indroa izao ny nisaloran’ny Cospn izao tompondaka nasionaly ny N1A, sokajy lehilahy izao.Lavo tamin’ny manasa-dalana ny andrarezinaTsy nampoizin’ny maro ny valin-dalao teo amin’ny manasa-dalana, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nolavoin’ny Sebam tamin’ny isa hety dia hety …. ny andrarezina, ny GNBC. Tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo kosa anefa ity ekipan’ny Zandary ity, rehefa nandavo ny Cosfa tamin’ny isa 68 no ho 60. Laharana fahadimy ny Mb2All, faha-6 ny Ascut, faha-7 ny Cospn 2 ary faha-8 kosa ny As Fanalamanga. Teo amin’ny vehivavy, laharana fahatelo ny Cospn2 Atsinanana rehefa nanilika ny Ankaratra, tamin’ny isa 66 no ho 65. Laharana fahadimy ny Jea Vakinankaratra, faha-6 ny Serasera Vakinankaratra, faha-7 ny Tamifa Amoron’i Mania ary faha-8 kosa ny Ascut Atsinanana.Mi.RazVehivavyMM:  Ramino Nivo Irma N°7 – COSPN2 (192)MVP:  Ranarisaona Elinah Chantiah N°23 -MB2ALLEkipa Fair play: Serasera VakinankaratraLehilahyMM: Tsialefitra Jino N°14 – COSPN2 (252)MVP: Ratianarivo Livio N°06 -CospnEkipa Fair Play: Ajrt Androy L’article Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président 
11/10/2021

La section Tana-ville de basket-ball a un nouveau patron, il s’agit de Mamisoa Lalaina Rakotomavo. Ce nouveau président a été élu à l’issue d’une Assemblée Générale Elective de la section en date du 26 septembre. La passation de pouvoir entre ce dernier et le président sortant Edson Rabakoherinjatovo, s’est tenue samedi à Ampefiloha. Sans tarder, les membres du bureau ont été déjà constitués. Le lancement officiel de leurs activités est prévu le 23 octobre et les projets à réaliser durant son mandat se divisent en deux grandes parties. « Nous aurons comme première tâche la multiplication des compétitions à commencer par la catégorie U10, afin que les clubs aient suffisamment de temps de jeu durant la saison. Nous devons aussi améliorer la technique de gestion et mettre en place une base de données. L’objectif final c’est de promouvoir la discipline dans la section, et de rehausser le niveau technique des joueurs. Pour cela, il est essentiel de trouver des partenaires clés. Ainsi, il est important d’avoir une collaboration étroite avec l’Etat afin que nous puissions bénéficier ou au moins avoir facilement un accès aux infrastructures sportives pour les championnats », a fait savoir le président. Les membres du bureau : Mamisoa Lalaina Rakotomavo (Président),  Helina Randrianjatovo (SG), Mialitiana Ratsimba (Trésorier), Jean Felix Andrianantenaina (Responsable technique),   Olivier Ranaivoson, Fenonjara Rakotomaharo, Arsène Rakotoarimanana, Prisca Radafy, Lalaina Randrianiaina (Conseillers), Idealisoa Ramanoelinirina (Secretaire). Manjato Razafy  L’article Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar
12/10/2021

Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma maraina teo ireo lehilahy roa mpanao taratasy hosoka mahakasika “carte de santé” an’ireo mpiasa amina orinasa iray. Ny iray amin’ireo jiolahy izay mpianatrasa ho farmasianina raha mpiray tendro aminy kosa ny lehilahy iray hafa. Efa nahtratra 10 tapitrisa Ar ireo ny vidim-panafodin’ilay orinasa lasan’ireo jiolahy ary efa fanaony mihitsy izany noho ireo fanafody amidiny amin’ny vidiny mora.Mampiasa “carte de santé » hosoka amin’ny anarana orinasa iray ireo jiolahy. Orinasa izay miantoka ireo olona mpikambana ao aminy ka hahafahan’ireo marary tsy mandoa vidim-panafody. Araka izany, tsy maintsy manana « carte assurance » ireo mpikambana ka io karatra io no nataon’ireo lehilahy ireo hosoka amin’ny « ordonnace » hosoka misy ny tombokase hosoka ana dokotera ihany koa. Taty aoriana, tsikaritr’ilay orinasa fa misy mampiasa karatra hosoka amin’ny anaran’izy ireo, toy izany koa ireo taratasim-panafody izay tsy mifanaraka velively ao aminy ka nahatongan’ilay orinasa nametraka fitoriana teny amin’ny Service central des affaires réservées. Vokany, voasambotra teny Ambohibao, tao amina fivarotam-panafody teny an-toerana ny lehilahy iray.Henintsoa HaniL’article Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa
11/10/2021

Nidina ifotony tany Ambositra ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, sady mpiahy ny faritra Amoron’i Mania, Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala, ny 9 otkobra teo. Nihaona taminy ireo ben’ny Tanàna miisa 61 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Nojerena ny fomba ahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra, mba hipaka any amin’ny kaominina ambanivohitra. Fantatra fa maro ny fotodrafitrasa natsangan’ny fanjakana any amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe, koa nojerena ny fomba hisitrahan’ny any ambanivohitra.Nodinihina manokana ny lafiny tontolo iainana, indrindra mikasika ny doro tanety, izay mbola mirongatra manerana ny faritra Amoron’i Mania. Mizaka ny voka-dratsiny, ankehitriny ity faritra ity, satria tsy maharaka intsony ny famatsian-drano, ka voatery manafatra rano any amin’ny faritra hafa. Vonona hitondra ny anjara birikiny ireo ben’ny Tanàna, hanentana ny mponina hiaro ny tontolo iainana.Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana OMC koa Rtoa minisitra, niresahana izay resaka doro tanety izay sy ny tsy fandriampahalemana. Nampanantena ny minisitra Raharinirina Baomiavotse, fa hampita any amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta voakasika ny iraka nataony tany an-toerana.Njaka A.L’article Amoron’i Mania: any an-tanàn-dehibe ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa a été récupéré chez Newsmada.

La STAR honore ses collaborateurs : Miisa 217 ireo notolorana mari-boninahitra
13/10/2021

Cette année encore, la STAR n’a pas manqué de distinguer ses collaborateurs pour preuve de son engagement et de son attachement envers ses employés. 217 collaborateurs STAR ont été décorés dans l’ensemble de toutes les exploitations de la STAR. Compte tenu du contexte sanitaire dernièrement, les cérémonies de remise ont été organisées dans plusieurs villes de Madagascar au plus proche de ses collaborateurs. Comme tous les ans, chaque cérémonie de remise est dédiée aux collaborateurs récipiendaires pour récompenser leur fidélité envers la STAR, leur remarquable volonté et leur persévérance à la participation active au développement de l’entreprise. Parmi ces collaborateurs, 154 récipiendaires ont obtenu une médaille de travail, 58 récipiendaires ont reçu le grade de « Chevalier de l’ordre national », et, 05 récipiendaires le grade de « l’Officier de l’ordre national ». Les autorités locales ont fait l’amitié et l’honneur de répondre aux invitations, témoignage de l’existence d’un réel partenariat public-privé et de l’intérêt qu’elles portent à la vie et au développement de la STAR. La dernière cérémonie de remise s’est déroulée ce mercredi 13 octobre au Carlton Anosy en présence des 63 collaborateurs récipiendaires des exploitations STAR du grand Tanà et de leur proche. Durant son discours, monsieur RAMBELOARIMANANA Iharinaivo, représentant des récipiendaires, a remercié chaleureusement le Directeur Général de la STAR, Marc POZMENTIER, les membres du Comité de Direction ainsi que les Chefs d’Exploitation qui ont été présents lors de cette remise. « Avec plus de 2550 emplois directs, 5 usines et 15 agences commerciales à travers le pays, Star est un poids lourd de l’industrie nationale. Nous sommes d’ailleurs très fiers de voir apposer sur l’ensemble de notre production le label Malagasy Ny Antsika que nous a attribué le SIM. C’est une reconnaissance de notre implication permanente dans la promotion et la défense du Vita Malagasy cher à chacun d’entre nous (…) Seul, nous ne sommes rien, ensemble nous pourrons déplacer les montagnes et surtout viser les étoiles », d’indiquer monsieur Marc POZMENTIER, Directeur Général de la STAR lors de sa prise de parole. Mankasitraka ireo mpiasa ao aminy ny STAR Toy ny fanao isan-taona dia tsy nanadino nankasitraka ny mpiasa ao amin’ny STAR ho mariky ny fisaorana azy ireo sy fanomezan-danja azy ireo eo amin’ny toerana misy azy tsirairay avy. Miisa 217 ireo mpiasa STAR notolorana mari-boninahitra sy fankasitrahana amin’ireo toeram-piasana misy ny orinasa manerana ny Nosy. Noho ny hamehana ara-pahasalamana nisy teo aloha, dia notanterahina tany amin’ireo faritra samihafa misy ny toeram-piasana STAR ny lanonam-panolorana medaly sy mari-boninahitra mba hanakaiky kokoa ireo mpiasa izany. Ny lanonam-panolorana mari-boninahitra dia natokan’i STAR hisaorana ireo mpisitraka tamin’ny asa sy ny fahafoizan-tena natolony tamin’ny fampandrosoana ny orinasa. Tao anatin’ireo mpiasa 217 ireo dia miisa 154 no nahazo ny « médaille du travail », 58 no nasondrotra tamin’ny mari-boninahitra « Chevalier de l’ordre national » ary 05 kosa ireo nampiakarina amin’ny mari-boninahitra « Officier de l’Ordre National ». Ho mariky ny fiaraha-miasan’ny miankina sy ny tsy miankina dia tonga nanome voninahitra ireo lanonana notronon’ ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tamin’ireo faritra samihafa. Anio no notanterahina teny amin’ny Carlton Anosy ny lanonam-panolorana farany ho an’ireo mpiasa STAR miisa 63 eto Antananarivo izay natrehin’ireo akaiky azy ireo. Nandritran’ny lahateny nataon’i RAMBELOARIMANANA Iharinaivo, solo-tenan’ireo nisitraka mari-boninahitra vaovao, dia tsy nanadino nisaotra ny Tale Jeneralin’ny STAR, Marc POZMENTIER, ireo komitin’ny fitantanana ao amin’ny STAR sy ireo nanome manam-pahefana tonga nanome voninahitra ny lanonana androany. « Manome lanja ny indostria malagasy ny STAR satria misandrahaka manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny ozinina 05 sy masoivoho miisa 15 ary manome asa raikitra miohatran’ny 2550. Hafaliana ho anay ihany koa ny nahazoana ny marika Malagasy ny Antsika avy amin’ny SIM, izay fanandratana avo ny vokatra vita malagasy (…) Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika. Raha miara-miasa dia mety mahafindra tendrombohitra ary indrindra hanatratra ny kintana. » hoy Andriamatoa Marc POZMENTIER, Tale Jeneralin’ny STAR. Cet article La STAR honore ses collaborateurs : Miisa 217 ireo notolorana mari-boninahitra est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article La STAR honore ses collaborateurs : Miisa 217 ireo notolorana mari-boninahitra a été récupéré chez Délire Madagascar.

Transfert des terres des colons : Requête d’une association de « Sakalava » à la HCC
14/10/2021

La HCC version 2021 va-t-elle reconsidérer la Décision de 2015 ? Les deux « vary mangatsiaka » au niveau de la Haute Cour Constitutionnelle relèvent du domaine foncier. Le premier dossier en instance à Ambohidahy concerne la loi portant refonte du régime juridique de la propriété foncière non privée. Quant au second, il a trait à la requête du « Fikambanan’ny Sakalava Zafin’ny Fotsy, Fivondronan’ny Malagasy Tia Tanindrazana » aux fins d’annulation et/ou de révision de la décision de la HCC relative à la loi portant transfert des terres ayant appartenu aux colons au profit des citoyens malagasy. Propriété individuelle. Ladite association de « Sakalava » remet en question la décision rendue le 02 juillet 2015 par la HCC qui avait déclaré que « la loi n°2015-013 portant transfert des terres ayant appartenu aux colons au profit des citoyens malagasy n’est pas conforme à la Constitution ». Et ce, en se basant sur l’article 34 de la Constitution qui dispose que « l’Etat garantit le droit à la propriété individuelle. Nul ne peut être privé sauf par voie d’expropriation pour cause d’utilité publique et moyennant juste et préalable indemnité » Aucun recours. La HCC version Jean-Eric Rakotoarisoa avait considéré que « la présente loi ne concerne ni une expropriation pour cause d’utilité publique ni d’un transfert de propriétés privées à l’Etat et qu’elle ne respecte pas le principe de l’indemnisation prévu par l’article 34 de la Constitution ». La requérante demande à ce que la HCC présidée actuellement par un autre Rakotoarisoa – Florent de son prénom – annule et/ou révise la décision rendue six ans auparavant par la haute juridiction. Même si la HCC est autrement composée, en revanche, la Constitution n’a pas changé notamment l’article 120 in fine qui stipule que « les arrêts et décisions de la Haute Cour Constitutionnelle sont motivés ; ils ne sont susceptibles d’aucun recours. Ils s’imposent à tous les pouvoirs publics ainsi qu’aux autorités administratives et juridictionnelles ». R.OL’article Transfert des terres des colons : Requête d’une association de « Sakalava » à la HCC a été récupéré chez Midi Madagasikara.

CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra
11/10/2021

Roa volana ny faharetan’ny fifaninanana Cleaning Challenge karakarain’ny Fondation Terra. Ny volana voalohany no vita ka nozaraina loka ireo mpifaninana telo voalohany nanana naoty tsara indrindra. Fianakaviana 11 no mandray anjara amin’ity fifaninanana manadio sy mandamina ny ao an-tokantrano ity. Isan-kerinandro dia miatrika fiofanana izy ireo ary avy eo mampihatra izany any an-tokantranony. Misy ny fitsidihana ataon’ny mpitsara ka izay tsara naoty no mahazo loka. Ny “efitrano fandraisambahiny” no lohahevitra nisantarin’izy ireo izany. Manohana ny lalao ny orinasa SOMAPRO izay mamatsy ny vokatra IMPEC ampiasaina amin’ny fanadiovana sy fidiovana. Nizara ireo vokatra sy fitaovana ho an’ireo mendrika indrindra ny orinasa ny sabotsy 09 Oktobra 2021. “Iray volana katroka izay no nanomboka ny Cleaning Challenge. Hita fa miha mitombo lenta ny fifaninanana ary izany indrindra no nahatonga ny Fondation Terra manolotra fiofanana maimaimpoana ho an’ireo mpandray anjara”, hoy RANDRIAMORASATA Willah, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Terra. Hiditra amin’ny volana faharoa ny fifaninanana, ka miova arak’izay ihany koa ny lohahevitra. Ny « rénovation » na ny « fanavaozana » no lohahevitra ho resahina amin’ity herinandro ity, araka ny fanazavany. “Ampianarina ireo fianakaviana fa izay eo am-pelatanana sy izay fahefana hananana dia efa ampy hanavaozana sy hanatsarana foana ny ao an-tokantrano”, hoy izy. Nambarany fa ny fiovan’ny toetsaina sy ny fomba fanao no tena tanjona voalohan’ny Fondation Terra. Mivohy hatrany ny Fondation fa manomboka amin’ny toetsain’ny tsirairay ny fanovàna sy ny fandrosoana, ka izany indrindra no nahatonga azy nanao ity Cleaning Challenge ity. “Manomboka amin’ny kely indrindra ny fiovana, ary tsy mila zavatra betsaka fa rehefa tsy mandoto dia efa manadio”. Ra-Nirina Cet article CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CLEANING CHALLENGE: Nozaraina loka ireo mpifaninana tsara naoty indrindra a été récupéré chez Délire Madagascar.

Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà”
11/10/2021

Hentitra ary nahitsy. “Fantatray ny asanay sy andraikitray ka tsy hataon’ny fanjakana sy ny mpanao politika na ny mpanohitra ho fitaovana politika”, hoy ny filoha vaovao eo anivon’ny Firaisakinan’ny sendikà (SSM), Andrianavalona Herizo Ramanambola, ny zoma teo, tetsy Anosy. Nanteriny fa ambara ho mpanao politika rehefa mitaky ny zo ka manao hetsika ny sendikà. “Lazaina fa manohana fanjakana indray anefa rehefa mangina… Natao hampivoatra ny fari-piainan’ny mpiasa sy hiaro azy ireo miaraka amin’ny tombontsoany ny sendikà”, hoy ihany izy. Nampanantena ny tenany fa hiezaka ny hametraka amin’ny toerany ny sendikà matanjaka sy ho lovainjafy.Tsiahivina fa hitantana ny SSM mandritra ny efa-taona ny tenany. Mpitarika mafana fo ny sendikan’ny fadin-tseranana, eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy, nialoha izao nifidianan’ireo sendikà miisa 54 azy izao.Synèse R.L’article Filohan’ny SSM: « Tsy fitaovana politika ny sendikà” a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina….
12/10/2021

Malagasy tsy mataho-tody. Malagasy mpivarotra tanindrazana. Malagasy tsy matahotra an’Andriamanitra. Malagasy sahy mandatsak’aina. Malagasy mpanindrahindra sy mpanao an-doloha ny fomban’ny hafa. Malagasy mpamadika… Tsy misy idiran’ny politika sy ny toekarena ireo tranga mamotika an’i Madagasikara ireo. Raha ireo no iaingana, voaporofo fa fandrebirebena sy fanodinkodinan-javatra tsy tiana ho hita fotsiny ny fanaovana resabe etsy sy eroa.Nitondra faharavan-javatra maro ny fahapotehan’ny kolontsaina malagasy. Firy tamin’ireo didy aman-dalana navoaka teto Madagasikara no niteraka fifamaliana sy fifandrafesana teo amin’ny samy Malagasy noho ny tsy fifankahazoan-kevitra ny amin’izay tena tian’izy ireny hambara ?… Satria tsy fomba fisainana malagasy, tsy fiteny malagasy, tsy hitsinjovana ny tanindrazan’ny Malagasy, sns, no namolavolana azy ireny hany ka samy nandroritra izay heveriny fa dikany.Efa voaporofo ihany koa fa tsy ny fananana diplaoma manaka-danitra no hanala an’i Madagasikara ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao fa ny fananam-panahy sy fananam-pahendrena. Kolontsaina madiorano ireo fa tsy resa-politika na toekarena ventimbetesina etsy sy eroa.… Sa ve atao izay hahavalalanina ny Malagasy amina resabe politika amin’izay tsy mahita sy tsy mahafantatra fa potika tanteraka ny maha izy azy anisan’izany ny kolontsainy ? Mahavariana raha izay tokoa no izy, satria efa paikady fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona hatramin’izay ny tahaka izany kanefa mbola tsy fantatry ny Malagasy sasany ihany ny fisiany hatramin’izao !HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina…. a été récupéré chez Newsmada.

« Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina
12/10/2021

Mamoha, mitrandraka, mampahalala, manome sehatra ary manaparitaka ny mozika miaina ny « Angaredona ». Anjaran’i Toamasina indray no mandray ny andiany faha-16.Mbola tsy mikatona ny fery navelan’ny hamehana ara-pahasalamana, ho an’ny sehatry ny zavakanto. Na izany aza, efa nanombana Rajery tamin’ny volana jona, fa hotontosaina any Toamasina ny « Angaredona » amin’ity taona ity. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, nanamafisana ny fisian’ity hetsika lehibe ho an’ny mozika miaina ity. Fantatra fa hotontosaina ny 21 hatramin’ny 24 oktobra ho avy izao ny « Angaredona » andiany faha-16, ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Manankarena zavakanto, indrindra ny mozika iny faritra atsinanana iny. Mbola voaporofo izany nandritra ireo fitetezam-paritra nataon-dRajery sy ny ekipany, nikaroka ifotony izay mahakasika ny mozika malagasy rehetra. Antony nisafidiana ny toerana, ary mbola nanamafy izany ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, izay mpanakanto fanta-daza rahateo. Mifikitra amin’ny tanjona napetrany hatrany am-boalohany ny « Angaredona », raha ny fanazavan-dRajery, izay vy nahitana ny hetsika. Mampiaina, mampita ny manome lanja ny tafan-kolontsaina, izay harembakoka lehibe eto Madagasikara. Teny an-dalana teny, lasa sehatra ho an’ny kolontsaina isam-paritra ny « Angaredona ». Maro ireo mpanakanto nofohazina na nasondrotry ny hetsika, izay samy mivoy ny mozika miaina avokoa. Nametraka tanjona fanampiny, toy ny fivoizana ny firaisankina sy ny fihavanana malagasy, ary ny fanentanana ny tanora hitodika amin’ny kolontsaina ny hetsika. Nametraka ny maha fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina rahateo ny “Angaredona”, ka ny hita maso akaiky indrindra dia ny lafiny fizahantany mandritra ny hetsika. “Hozaraintsika amin’ireo ankizy sy ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy hatrany ivelany ny kolontsaina malagasy”, hoy kosa ny nambaran’i Patrick Pisal Amida, tale jeneralin’ny Telma, izay hanana andraikitra lehibe amin’izay fanapariahana izay. Tsiahivina fa mpanakanto maro, mivoy ny mozika miaina marolafy, avy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no handray anjara amin’ny “Angaredona” any Toamasina amin’ity. Mazava loatra fa hahazo sehatra bebe kokoa ny avy ao an-toerana.Zo ny AinaL’article « Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina
11/10/2021

Tsy ho ela intsony. Nifamory tao Andramasina, ny herinandro teo, ireo lohandohany sy mpitarika eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, any amin’ity distrika ity. Nivoitra tamin’izany ny fanomanana sy ny fikarakarana ny hiatrehana ny fikaonandoham-paritry ny antoko, Analamanga, ho tanterahina ato ho ato. “Miainga amin’ny fanapahan’ny avy ety ifotony sy ny hetaheta na ny heviny ny fehinkevitra hivoaka amin’izany fikaonandoha-paritra izany. Tsy misy ny baiko midina…”, hoy ny avy amin’ny birao nasionaly, Ratavilahy Andry. Narindra sy nalamina tamin’izany ireo mpandray anjara ho solontenan’ny MMM distrika Andramasina. Manana olom-boafidy miisa 22 amin’ireo kaominina miisa 10 ity antoko naorin’ Andrianainarivelo Hajo ity any an-toerana. Hofaritana amin’ny fihaonana manaraka ny hanampy azy ireo, hitondra ny hevitry ny eny ifotony amin’ny fikaonandoham-paritra.Synèse R. L’article Fikaonan-doha: maka bahana ny MMM Andramasina a été récupéré chez Newsmada.