Fihariana-Pam: tantsaha 200 tohanana any Androy sy Anôsy

News - Fihariana-Pam: tantsaha 200 tohanana any Androy sy Anôsy

News - Fihariana-Pam: tantsaha 200 tohanana any Androy sy Anôsy

Mitohy ny fanatanterahana ny
paikady hanatanterahana ny velirano napetraky ny filoha Rajoelina.
Natao sonia, omaly, ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny
Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam) sy ny
fandaharanasa Fihariana. Tafiditra ao anatin’izany ny hanohanana ny
fikambanana sy ny vondrona tantsaha mpamokatra, tohanan’ny Pam,
ahazoan’izy ireo findramam-bola hanatsarana ny fihariany. Hahazo
tombontsoa amin’ity tohana ity ny any amin’ny faritra Androy sy
Anôsy, samy iasan’ny Pam sy ny Fihariana.

Manampy amin’ny ady amin’ny mosary
sy ny fahantrana ny Pam, raha manohana ny tantsaha mpamokatra
hitondra fampandrosoana ny faritra kosa ny Fihariana.

Miisa 200 ny tantsaha mpandraharaha
mivondrona anaty fikambanana hahazo tombontsoa amin’izao dingana
voalohany izao. Hisitraka ny tahan’ny zanabola ambany, ampiharin’ny
Fihariana, izy ireo. Tohanana teknika koa izy ireo ankoatra ny
findramam-bola. Mampiditra azy ireo hiditra amin’ny sehatry ny
ara-dalàna. Nilaza Rtoa mpandrindra nasionaly ny Fihariana, Rtoa
Zafindrazaka Valérie, fa mampiavaka ny Fihariana ny fanomezan-danja
ny maha olona sy ny fiarovana ny orinasa.

Njaka A.

Article tiré de Newsmada

L’article Fihariana-Pam: tantsaha 200 tohanana any Androy sy Anôsy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

Mode - News - Ao Raha

HETSIKA « MODUS MODE » :: Nahaliana tanora maro ny fampianarana milatro sy haingo

Nifarana ny alin’ny zoma teo tetsy amin’ny trano mala­laky ny Aft Andavamamba ilay hetsika “Modus Mode”, andiany faharoa. Mahakasika ny sehatry ny lamaody maro no nibahan-toerana nandritra ny telo andro nanaovana ny hetsika. Anisan’ny nahasarika tanora maro any fifana­kalo­zana traikefa teo amin’ireo mpaka sary lamaody matihanina sy ny fampianarana filatroana ary fampihaingoana ny tarehy izay nahafahan’ny olon-tsotra natrehina. Nahavariana ireo mpitsidika tsy mbola mahalala ny sehatry ny filatroana sy ny fanga­lan-tsary izany. Nahazo traikefa avokoa ireo izay nandalo tetsy Andavamamba nandritra ny telo andro nisiany hetsika. Mpikirakira lamaody fanta-daza sy manana ny maha izy azy, toa an’i Tantely Rakotoarivelo, MA Andrianalidera, Maforal, Toky Si, vahiny avy any ivelany sy ry zareo avy ao amin’ny Totem. Nampiseho ny fomba fandravahana ny endrika kosa ry zareo avy ao amin’ny Vero Vero. L’article HETSIKA « MODUS MODE » :: Nahaliana tanora maro ny fampianarana milatro sy haingo est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé

Maintirano: Nahazo fampitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Maintirano: Nahazo fampitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Taorian’ny Distrikan’i Besalampy dia nahazo ny anjara birikiny ihany koa ny Distrikan’i Maintirano amin’izao ady ataontsika handresena ny valanaretina « coronavirus » eto Madagasikara izao. Fitaovana maro fitsaboana marary sy ho ampiasain’ny mpiasan’ny fahasalamana izay ahitana: « Radiographie numérique – Respirateur – Concentrateur d’oxygène – Surblouses – Combinaisons – Masques chirurgicaux – Masques FFP 2 – Sel – Lingettes – Gants » no natolotra tamin’izany. Hita amin’izao fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mitady vahaolana handresentsika io valanaretina io. Nampita vaovao: DRSP Melaky L’article Maintirano: Nahazo fampitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Basket - News - Sport - Ao Raha

BASKET-BALL – «CCCOI 2018» :: Nomontsanin’ny Cospn ny solontena maorisianina

Fandresena faharoa. Taorian’ny nandresen’ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy taranja basket-ball na Cospn ny ekipan’ny Beau Vallon, tamin’ny andro voalohany ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina ho an’ireo klioba tompondaka, dia nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa 94 noho 40, omaly, ny ekipan’ny Mahebourg Flippers BC avy any Maorisy. Fandresena roa no azon’ity hany ekipa solontenan’i Madagasikara ity tamin’ireo lalao roa efa vitany. Mbola hiatrika ny lalao fahatelo ho azy ireo, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra fahafito, ity ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy anio. Ny Premium Cobra, avy ao Seychelles, no hifandona amin’izy ireo amin’izany. Aorian’io dia hiatrika ny lalao miverina indray ireo klioba efatra natambatra ao anatin’ny vondrona tokana. Ny isa azo amin’ireo lalao mandroso sy miverina ireo no atambatra ka hahafahana mamaritra izay hisolo tena ny faritra fahafito amin’ny fifaninanana kaontinantaly na ny “Afroligue” amin’ny taona ho avy. L’article BASKET-BALL – «CCCOI 2018» :: Nomontsanin’ny Cospn ny solontena maorisianina est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fiverenan’ny “Alimbetso”: nafana ny takalon-javakanto tao Anjeva

Hetsika anisan’ny mampiavaka ny Faribolana Sandratra ny “Alimbetso”. Fandrehetana ilay afo mitondra hazavana sy hafanana sady fandrehetana ilay afom-pitiavana ny teny sy soratra ary zavakanto hafa ihany koa. Nanasongadina ireo ny tany Anjeva.Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika zavakanto maro isan-karazany, akehitriny, na eo aza ny fisian’ny valanaretina Coronavirus eto Madagasikara sy maneran-tany. Nanomboka izany ny eo amin’ny tontolon’ny haisoratra Faribolana Sandratra sampana Anjeva. « Izay tsy mihetsika mihitsoka », araka ny teny fanevan’ny Faribolana Sandratra. Tontosa ny asabotsy teo tetsy Anjeva Gara ny « Alimbetso », nokarakarain’ny Faribolana Sandratra sampana Anjeva. Nanasana ireo mpanoratra sy poeta maro, nentina hanokafana ny hetsika sy fiombonam-po amin’ny fanandratana ny zavakanto, taorian’ity fanalefahana ireo fepetra tsy maintsy arahina noho ny hamehana ara-pahasalamana, araka ny nambaran’i Ras Varatra.Nafana ny takalo kanto, nifampizarana nandritra ny alina ka nitohy mandra-maraina. Tao ny fiantsana tononkalo, nataon-dry Liantsoa, i Mero Kosiky, Vina, i Mina Ilarion, i Endrik’aizina, sns. Tao koa ny fihirana ny takalo isan-karazany … Tsy hadino ny tsipy teny sy toromarika nomen’ireo zoky amin’ny fampivelarana ny kanto malagasy.Marihina fa tsy nanavahana fikambanana io hetsika io fa izay rehetra afaka ka te hanandratra ny haisoratra malagasy na mpankafy fotsiny aza, nasaina avokoa, araka ny nambaran’ny mpikarakara hatrany.I Endrik’aizina no mpandrindra ny sampana Faribolana Sandratra Anjeva, ankehitriny. Efa fomba fanaon’ny Faribolana Sandratra ampolo taona maro ny “Alimbetso”, hetsika ifampizarana ny zavakanto vita amin’ny teny izy io. Ivelarana bebe kokoa eo amin’ny samy mpanoratra… Sampana vao niforona tsy ela akory izay ny Faribolana Sandratra ao Anjeva kanefa efa manana ny maha izy azy noho ny finiavana sy ny fitiavana ny tontolon’ny soratra ananan’ny mpikambana tsirairay.NarilalaL’article Fiverenan’ny “Alimbetso”: nafana ny takalon-javakanto tao Anjeva a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo

Niditra an-keriny avy ao an-damosin’ny trano fivarotana lehibe indrindra ao Ambatosoratra ireo jiolahy. Nikiakiaka ny ankizivavikely iray, zanak’ilay mpivarotra, satria nalain’ireto olon-dratsy ho takalonaina fa tsy nanaiky nanoro ny misy ny vola ity tompon-trano. Nivoaka ny manodidina hamonjy… Tifitra basy no nahazo ilay raim-pianakaviana nivoaka voalohany ka maty! Daroka vatan-kazo no nanjo ny hafa, ny alin’ny alarobia 15 septambra no niseho izay.Endrika faharoa indray no niseho andro vitsivitsy talohan’io. Avy nangalatra omby tao Mangalaza, atsinanan’Ambatondrazaka ireo dahalo ka nandroaka ireo hazany nianandrefana tany Ambohidehilahy no sady nandroba fivarotana. Fotoana tsy ela manodidina izay, halatra omby sy fandrobana trano fivarotana koa no nahazo an’Antanambehivavy, Antanimena.Endrika fahatelo mikasika ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny tato ho ato, ny nitranga tao Ambohidava, tanàna lalovan’ny RN.44, 30km avaratr’io renivohitry ny distrika io. Misy nanamarika koa fa ny dahalo indray izao no mitsoka kiririoka ho filazana fa tonga handroba ry zareo….Fametrahana zandary, ampy isa honina sy ho vonona lalandava no soso-kevitra aroson’Antanimena satria lalan’ny mpitondry omby halatra iny toerana fizaran-tanin’ny distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka iny. Amin’ny ankapobeny, mila mikaroka fomba vaovao ny isan-tanàna, hiarovany ny ainy sy ny fananany, andro aman’alina mihitsy.RarivoL’article Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hisy orana rahampitso: mbola hafana be ny andro

Mbola hitoetra ny hafanana 30°C eto afovoan-tany mandritra ny hateloana, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. 18°C ny maripana ambany indrindra ary hahitana zavona ny vao maraina fa hisava ihany ao anatin’ny tontolo andro. Momba ny rotsak’orana kosa, rahampitso vao hiandry orana ny eto Antananarivo fa maina ny andro omaly sy anio. Hahazo orana koa ny ilany andrefan’ny afovoan-tany (i Vakinankaratra, Amoron’i Mania…) ka mety harahina kotroka izany. Orana malefaka no hirotsaka ho an’ny faritra Sava sy ny atsinanana iray manontolo ao anatin’ny telo andro manaraka.Tsy misy fiforonana andro ratsy ahina amin’ity herinandro ity, efa hiditra amin’ny vanim-potoana manasara-taona amin’izao fotoana izao izay mety hisehoan’ny vanim-potoana rehetra.Ambany ny tsindrin’ny atmosfera fa amin’ny zoma izao vao hangatsiaka ny andro. Ho an’ny anio, ho an’ny tapany maraina, hiseho ny orana tandrifin-drahona ho an’ny morontsirak’i Sofia sy i Boeny, Antalaha, Analanjirofo. Ho betsaka ny zavona ho an’ny faritra Analamanga, ny faritra Itasy, ny faritra Vakinankaratra, faritanin’i Fianarantsoa, ny faritra Anosy, ny faritra Androy. Ny hariva, hisy orana tandrifin-drahona harahin-kotroka any Nosy Be Sambirano, any Sofia, amin’ny ilany atsinanan’i  Matsiatra Ambony, any Ihorombe, any Atsimo Atsinanana, any Anosy, any Itasy, any Vakinankaratra, any Amoron’i Mania, amin’ny ilany atsinanan’ny Afovoan-tany.VonjyL’article Hisy orana rahampitso: mbola hafana be ny andro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma: medaly volamena 5 indray noraofin’ny Malagasy

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny atleta malagasy miatrika ny Lalaon’ny Nosy, tanterahina aty Maorisy. Ho an’ny omaly, nirara-draraka ny fandrombahana medaly volamena, teo amin’ireo taranja atletisma, medaly volamena 5 be izao no azon’ny atletantsika, tamin’ny alalan-dRaherinaivokoloina Ianjaly, ho an’ny 400m, nahavita ny fifaninanana, tao anatin’ny 56.94. Teo koa i Fiadanantsoa Sidonie, nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny 100m haies vehivavy, nahavita ny halavirana 14.35. Marihina, sambany vao nandray anjara tamin’ny lalao ngezabe toy izao ity atleta ity, izay tsorina fa mbola manana ny hoaviny.Mbola namiratra ny atleta malagasy vehivavy amin’ny 200m, lasan’i Nomenjanahary Njarasoa Claudine ny medaly volamena, nahavita ny halavirana tao anatin’ny 25.28. Ho an’ny halavirana 3000 steeple indray, mbola nanjakan’ny atleta malagasy, izay nahazo ny laharana roa voalohany, ka Ramiandrisoa Mbolatiana no nandrombaka ny medaly volamena, nahavita ny fifaninanana tao anatin’ny 10.52.04 raha 11.01.97 kosa no namitan-d Ralisinirina Tsiadino Marthe, izany ka nahazoany ny medaly volafotsy. Ho an’ny sokajy 400m lehilahy, mbola nandrombaka medaly volamena Rabearison Franck Honoré, nahavita ny halavirana tao anatin’ny 47.79, fanindroany amin’izao no nandraisana anjara tamin’ny Lalaon’ny Nosy, ka medaly volafotsy no azony tany La Réunion. Mbola hitohy anio moa ny fifaninanana atletisma. Mi.RazL’article Atletisma: medaly volamena 5 indray noraofin’ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena

“Azo atao tsara ny mamerina ireo avy any ambanivohitra mibosesika an-tanan-dehibe. Anisan’ny olana sy mahakivy azy ireo ny hakelin’ny vokatra miakatra. Nanao fikarohana sy vahaolana amin’izany izahay ka anisan’izany ny zezika”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Zezika Malagasy (Zezima),  Ramangalahy Eric. Nanteriny fa mampitombo betsaka ny vokatra vokarina ny fampiasana izany ary efa maro ireo tantsaha resy lahatra ka mampiasa izany amin’izao fotoana izao. “Mamelona indray ny nofon-tany izy io ary miady amin’ny nofon-tany efa vizaky ny zezika simika. Tsy mifidy voly ary natoraly tanteraka”, hoy ihany izy. Efa nandalo fitiliana sy andrana samihafa ary efa nankatoavin’ny minisiteran’ny Fambolena.Nampitombo ny vokatra miakatra… Tsy vitan’izany fa efa voatsirika ny akora nanamboarana azy, toy ny zezim-pahitra sy ny fako ary ireo singa mandrafitra izany. “Nahazoana tombony betsaka ny voka-bary sy ny legioma nampiasana azy io nefa kely fotsiny ny fatra ampiasana amin’izany. Mampitombo ny vokatra rahateo ny fampiasana azy ary afaka mifangaro amin’ny zezika hafa koa”, hoy ihany izy. Nanomboka ny taona 2006 ny nihodinan’ny orinasa.  Manome asa ho an’ny olona miisa 35 izy ireo  ary Malagasy avokoa. Mamokatra 25 t isan-kerinandro eo izy ireo ary efa misy ny vokatra raisin’ny minisiteran’ny Fambolena manokana. Natao anaty fonosana 25 kg izany mba ho mora ny mitondra azy ary mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mpamboly sy ny tantsaha.Synèse R. L’article Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine

Lany tsy nisy mpifaninana. Samy nanohana ny kandidà tokana, ny depiote Razanamahasoa Christine, avokoa ireo depiote eo anivon’ny vondrona parlemantera na koa ny antoko politika  niatrika ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena, omaly hariva teny Tsimbazaza. Anisan’izany ny avy amin’ny IRD, ireo depiote eo anivon’ny tsy miankina (GRP) ary koa ny avy amin’ny Malagasy miara-miainga. Manampy izany ny avy amin’ny antoko hafa, toy ny RPSD Vaovao.Nametraka fepetra ny kandidàn’ny Tim Na izany aza, nametraka fepetra ny depiote avy amin’ny Tim na nanohana ny firotsahan-dRazanamahasoa Christine aza. “Ho antoko mpanohitra izahay. Fanoherana manaraka lalàna fa tsy bontolo ho amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ho maodely”, hoy ny mpitondra teny, ny depiote Razafimanantsoa. Nanteriny fa kandidà tokana ihany ny nirotsaka nefa na izany aza, tokony haverina ny hasin’ny Antenimiera. Ka mazava ny fepetra. Hanohana anao izahay raha vonona ny hanaja ny demokrasia sy hihaino ny hevitry ny rehetra. Hanome lanja ny hevitry ny mpanohitra”, hoy ihany izy.“Alefa Barea” ho an’ny depiote  Tsy niandry ela fa namaly izany ny filohan’ny Antenimierampirenena vaovao, Razanamahasoa Christine, ka nampahatsiahy ny tranga niseho teto amin’ny firenena. “Alefa  Barea” ho an’ny firaisankinantsika satria vita ny fifidianana filoham-pirenena sy ny depiote ka tafaray eto isika… Hiantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana izao fijoroan’ny Antenimiera izao ary hatanjaka. Nimatimatesantsika izany ary tsy hitsingevaheva ka havitrika amin’ny fampandrosoana ny firenena…”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa handala ny fifanakalozan-kevitra sy ny hevitra tsy mitovy ary hiantoka ny fanatanterahana ny programa  ao anaty fanajana lalàna…Fiketrehana tombontsoa ho an’ny depiote  Na mpanohitra na tsy miankina, tokony hisitraka izany fampandrosoana izany, araka ny  nambarany. Aza matahotra na mihemotra mampahatsiahy ny mpanatanteraka ny tsy mety… Ara-dalàna izany ary araka ny lalàmpanorenana. Efa natsidiky ny filohan’ny Antenimiera vaovao sahady fa hojerena akaiky koa ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka sy ny tokony ho tombontsoan’ireo solombavambahoaka. “Hiadiantsika amin’ny mpanatanteraka  ny fandaharanasantsika. Vonona hiaraka hiady amin’izany isika… Omeo anay ny fitaovana ahafahanay manatanteraka ny asanay. Tsy hisy diso anjara amin’izany isika… Tsy hijery loko foko sy fiaviana na politika fa depiote an’ny Malagasy rehetra”, hoy izy.Tsiahiviana fa filoha fahatelo nitantana ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, amin’izao Repoblika fahefatra izao.Synèse  R. L’article Kandidà tokana, Lapan’i Tsimbazaza: lany ho filohan’ny Antenimiera Razanamahasoa Christine a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanoherana

Nitoroka ny tsy fanarahana ny andininy faha-161, faha-162 ary faha-163 ao amin’ny Lalàm-panorenana mahakasika ny fanapahan-kevitry ny fitondrana hanao an’izao fitsapan-kevi-bahoaka hanitsy ny Lalàm-panorenana izao ny vondrona politika Dina Iombonan- kevitra (Dinike), teny Ankadivato, omaly. Toherin’izy ireo ny fanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 27 mey ho avy izao, indrindra ny fifanitsahan’izany amin’ny fifidianana depiote. Miantso ireo fahefana mahefa izy ireo hanaja ny fampiharana ny lalàna. L’article Fanoherana est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika”
17/09/2020

“Nanapa-kevitra hiroso amin’ny fifidianana loholona ny fitondram-panjakana. Satria izay no voalazan’ny lalàna, fa tsy hoe manao didy jadona hanao fifidianana loholona ny fitondrana. Tapitra amin’ny 2 febroary 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona, ankehitriny. Zava-misy izay fa tsy hoe foronin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Tsy maintsy atomboka dieny izao ny dingana fanatanterahana ny fifidianana fa tsy hoe tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo loholona fa vao hojerena izany. Rehefa tonga ny 2 febroary 2021, efa tokony hanana loholona vaovao i Madagasikara.Ho toy ny tamin’ny 2015 ny fifidiananaAmin’ny 11 desambra ny fifidianana loholona. Adihevitra ny hoe tsy feno ny mpifidy vaventy fa tsy mbola natao ny fifidianam-paritra, araka ny lalàna. Toy izany koa ny amin’ny olom-boafidy eo anivon’ny faritany. “Tsy nisy anefa izany tamin’ny fifidianana loholona tamin’ny 2015, fa natao ihany ny fifidianana loholona”, hoy izy.Eo koa ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy toy ny ben’ny Tanàna, mbola manao fangatahana fandravana didy eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Ny didim-panjakana noraisin’ny filankevitry ny minisitra: iray volana mialoha ny fifidianana, ny 11 novambra, vao mikatona ny lisitry ny mpifidy amin’io fifidianana io.Raha amin’izao no misy ben’ny Tanàna manao fangatahana eny anivon’ny Filankevi-panjakana, efa milamina izany amin’ny 11 novambra.R.Nd.L’article Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange
18/09/2020

Tsy fantatra izay tena antony fa manao fanerena ankolaka ary tena misisika mafy ny hanaovana lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar ny Swift Hesperange Luxembourg. Efa tsy neken’ny federasiona malagasy (FMF) anefa izany. Nandefa taratasy any amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny ekipan’ny Swift Hesperange D1 ao Luxembourg, misisika sy manao fanerena ankolaka mangataka hanao lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar. Hotanterahina aorian’ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, hatao any Lisbonne, Portugal, ny asabotsy 10 oktobra. Nambaran’ity ekipan’i Luxembourg ity fa hiantohany avokoa ny fivahinian’ny delegasiona malagasy, ny sakafo sy ny fiantranoana ary hatolotra ny Barea de Madagascar ny vola azo rehetra amin’io lalao io ary hampitaina mivantana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny fihaonan’ny roa tonta, raha raikitra izany.Efa nanaiky ity lalao ity ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, i Nicolas Dupuis, fa miandry ny valin-tenin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra izany sisa. Marihina fa efa nilaza ny tomponandraikitry ny FMF fa tsy mendrika ny Barea de Madagascar ny hifandona amin’ity ekipa vao niakatra D1 ao Luxembourg ity.Tsiahivina fa anisan’ireo manao ny fanelanelanana hisian’izao lalao izao ilay Malagasy, Randriantsoaray Justin (Plâtre), namana akaikin’i Nicolas Dupuis, araka ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasy. Izy rahateo, tomponandraikira ao anatin’ity ekipan’ny Swift Hesperange ity, ary anisan’ireo nampiditra an’i Hakim Abdallah hilalao ao amin’ity ekipa ity.Nanamarika kosa ny mpitantana ao amin’ny federasiona malagasy fa aleo mitady ekipam-pirenena hanaovana lalao firahalahiana toy izay amin’ny klioba satria tsy misy ekipa nasionaly manao “sparring partner” amin’ny ekipa D1 izany na aiza na aiza. TompondakaL’article Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange a été récupéré chez Newsmada.

Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana
23/09/2020

Enim-bolana aty aoriana, tontosa ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana teo aloha ny federasiona, ny dihy fanatanjahantena, i Leccia Jean Christian (Xian) sy ny filoha vaovao, i Rijamanitra. Ny alatsinainy lasa teo, teny Antanimena, ny nanatanterahana izany. Nandritra io fotoana io ny nanolorana ny mpitantana vaovao ny “statut”, ny fitsipika anatiny ary ny tatitra natao teny anivon’ny ligy. Nambaran’ny filoha am-perinasa fa maro ny tetikasa fa mbola haverina hampahafantarina izany amin’ny fanolorana ny birao vaovao, hatao tsy ho ela. Isan’izany ny fanakaikezana bebe kokoa ny ligy ahafahana miara-miasa ho fampandrosoana ity taranja ity. Eo ihany koa ny hamerenana indray ny fankafizan’ny olona izany dihy fanatanjahantena izany. Fanamby apetraka kosa ny hisian’ny fifaninanana matetika, ny hanantanterahana ny fifaninanana nasionaly goavana sy ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena. Tsiahivina fa ny volana marsa lasa teo no vita ny fifidianana ny mpitantana ny federasiona malagasy ny dihy fanatanjahantena, hitondra mandritra ny efa-taona manaraka. Mi.Raz L’article Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana a été récupéré chez Newsmada.

Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa
17/09/2020

Nanao ny tratry ny heriny ihany ny fokonolona tamin’ny famonjena azy ireo, saingy tsy avotra ny an’izy efatra mirahalahy. Maty sempotra raha nilatsaka tao anaty lavapiringa nodioviny, somary lalindalina. Adiny roa taorian’ny nitrangan’ny loza vao tafakatra ireo razana.Tsy nampoizina ! Izany tokoa rehefa ho avy ny loza. Efa-dahy (mpiray tampo ny telo raha fianakaviana akaiky azy telo ny iray) indray maty tsy tra-drano nihotsahan’ny tany tao anaty lavapiringa, omaly, tao Ambatondrazaka. Nanadio lavapiringa « WC fosse septique » tao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ambohimiangaly Ambatondrazaka izy efa-dahy ireto. Efa tafakatra teny ambony izy ireo no nahatsikaritra ny iray fa nisy hadino tao anaty lavaka ny fitaovana nampiasain’izy ireo. Niverina naka izany tao anaty lavaka ny iray ka tamin’izany indrindra no nahalatsaka azy tampoka tao anaty lavaka. Nikoropaka ireo namany raha nahita ilay namany iray latsaka. Nanao ny ho afany ireo namany telo lahy nanavotra ilay tovolahy, saingy nisolifatra tampoka ihany koa rehefa niezaka nanavotra azy. Vokany, samy niara-latsaka tao anaty lavaka avokoa izy efa-dahy.Nanahirana ny fisokirana ny razana…Niezaka nifanome tanana tamin’ny fampiakarana ny razana ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona tao an-tanànan, saingy nananosarotra anefa izany noho ny halalin’ny lavaka. Teo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana teo am-pelatanana nentina nampiakarana ny razana. Tohatra no nampiasaina nentin’ireo mpanavotra nampiakatra ny razana avy ao anaty lavaka. Naharitra teo amin’ny adiny roa teo izany. Taorian’izay, efa natolotra ny fianakaviana ny razana.  Mandeha kosa ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity. Matetika misedra olana hatrany ny mpanadio ireny lavapiringa sy mpanamboatra sy/na mpanadio lava-drano ireny. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana, raha vao mihoatra ny 10 metatra ny halalin’ny lavaka dia misy gazy manempotra sy mahafaty tampoka any ambanin’ny tany.J.CL’article Adiny roa vao tafavoaka ireo razana: efa-dahy maty nianjera tao anaty… lavapiringa a été récupéré chez Newsmada.

Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina
23/09/2020

Nampihodina vola 1 246,367 Ariary, niakatra ho 22,46 % ny vola kirakirain’ny tambajotran-tserasera rehetra eto Madagasikara, ny taona 2019, raha oharina ny taona 2018, araka ny tarehimarika navoakan’ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication). Ny sersera amin’ny antso sy ny sms no mitana ny loharaharana amin’izany, manome 528,378 Ariary, na nitombo ho 4,94% raha ampitahana ny tamin’ny 2018.Ny sampana Data kosa, nitombo 23,74% ny tamin’ny 2019, araka ny fanazavan’ny Artec. Noho ny fitombon’ny fampiasana “fibre optique” tamin’ny 2019 ny nahatonga izany. Nampiditra 270 miliara Ariary ny Data tamin’io fotoana io.Miroborobo, araka izany, ny tambanjotra ny fifandraisan-davitra. Ny foibe fiantsoana Towerco, ohatra, nampiditra 214 miliara Ariary, niakatra ho 228 % nandritra iny taon-dasa iny. Azo lazaina fa sehatra tsy nianjadian’ny Covid-19 ny fifandraisana. R.MathieuL’article Tambajotran-tserasera: niakatra ny vola kirakiraina a été récupéré chez Newsmada.

Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana
21/09/2020

Nirehitra ny sekoly « Notre Dame de Lourdes », tantanan’ny masera any Manjakandriana, afak’omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 50 minitra tolakandro. Araka ny voalazan’ireo tompon’ andraikitry ny sekoly tamin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra tao amin’ny ambaratonga faharoa no nitarika ny loza. Potika tanteraka ny fitaovana tao anatin’ireo efitrano fianarana misy ny ambaratonga faharoa, ankoatra ireo seza sy latabatra tafavoakan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Niara-nisalahy tamin’ny famonoana ny afo tany an-toerana ireo miaramila avy amin’ny Rezimantan’ny Jenia fahatelo sy ireo zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra any an-toerana ary ny fokonolona. Naharitra ora roa teo ho eo ny fahamaizana. Tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany mahery vao voafehy tanteraka ny afo rehetra. L’article Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana est apparu en premier sur AoRaha.

CENI : Mandeha ny mandeha
20/09/2020

Miroso mankany amin’ ny fifidianana loholona vaovao. Tsy misakana ny sarety tsy ho any Sabotsy ny horakoraka. Fifidianana ataon’ny olom-boafidy izy ity.  Amin’ity fifidianana indray mitoraka ity dia tsy hisy intsony izany « doublon » izany  satria tsy hisy ben’ny tanana « double » na mpanolon-tsaina « double » amin’ny kaominina iray izany no afaka hifidy sady  vitsy raha teo ny isan’izy ireo raha mihoatra amin’ny vahoaka. Natao ahoana moa izany ilay didy navoakan’ny HCC momba ny famerenana ireo fifidianana  ben’ny tanana  sy mpanolon-tsaina vitsivitsy ? Nisy fepotoana napetrak’izy ireo io didy io. Voahaja ve ilay fepotoana ? Mifidy ve ireto governora notendrena ireto ? Apetraka amin’ny fomba ofisialy rahampitso 21 Septambra 2020 eny amin’ny CENI Alarobia ny filoha lefitry ny CENI vaovao. Nirina R. Cet article CENI : Mandeha ny mandeha est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CENI : Mandeha ny mandeha a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe”
18/09/2020

“Raha haintsika ny manaja ary mampiasa ny lalàmpanorenana sy ny lalàna rehetra, tsy ny isa no zava-dehibe fa ny voka-tsoa entin’izay zavatra izay. Eo amin’izay takin’ny firenena izany, indrindra eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka malagasy.”Io ny nambaran’ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza, manoloana ny adihevitra ny amin’ny fifidianana loholona hatao ny 11 desambra, hampihenana ny isan’ny loholona hofidina.Amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay fitondrana “semi-parlemantaire”, miainga avy amin’izay maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena ny praiminisitra: tsara raha mitovy foto-kevitra amin’ny filohan’ny Repoblika ny parlemanta. Tsy midika izay hoe tsy misy intsony ny asa fanaraha-maso ataon’ny mpanao lalàna amin’ny fahefana mpanatanteraka. Izay ny fifandanjan-kery eo amin’ny fahefana.Na mitovy firehan-kevitra politika aza, misy hatrany ny asa fanaraha-maso ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny parlemanta. Tokony ho hain’ny parlemantera ny mandanjalanja an’izay, araka ny fanazavany.R.Nd.  L’article Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe” a été récupéré chez Newsmada.

Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana…
18/09/2020

Nivoaka ary nampahafantarina sy mbola hanentanana ny rehetra, omaly tetsy Analakely, ny “Fehezam-pitsipiky ny kaominina Antananarivo Renivohitra misahana ny fikoloam-pahasalamana” (CMH). Manomboka amin’ny 5 000 Ar hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy ho an’ireo mandika sy mihoa-pefy amin’izany.Anisan’ny andoavana 50 000 Ar, ohatra, ireto manaraka ireto: ny fandrorana sy ny fandrehofana ary ny famaniana eny rehetra eny. Fanariana diky amin’ny toerana rehetra ivelan’ireo fotodrafitrasa natokana ho amin’izany.Tsy fahadiovan’ny trano fonenanaAnisan’ny andoavana sazy 50 000 Ar koa ny tsy fahadiovan’ny trano fonenana sy ny miankina aminy ary ny lalana manoloana azy. Ny fandefasana mafy loatra ny zavamaneno, ny fahitalavitra, ny fitaovana maneno ao an-tokantrano… Ny biby fiompy mirenireny sy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ivelan’ny toerana voatokana na ankalamanjana koa, mbola andoavana 50 000 Ar.Andoavana 300 000 Ar kosa ny tsy fanajana ny ora fisokafana amin’ny 6 ora maraina sy ny fikatonana amin’ny 9 ora alina ho an’ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola. Ny fivarotana amoron-dalana amin’ny lalam-bahoaka na koa ny varotra amin’ny toeram-pisakafoana mifindrafindra tsy nahazoana alalana. Andoavana 300 000 Ar koa ny fametahana petadrindrina sy sorabaventy sy kisarisary na soratra tsy nahazoana alalana. Eo koa ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka amin’ny fanasana lamba na fiara. Ny tsy fandraisana fepetra ialana amin’ny fihandronan’ny rano eo an-tokotany, toy ny fanotofana izany… Ny fampiasana ny lalam-bahoaka ho amin’ny tombontsoa manokana.Dimy tapitrisa ariary… karaokeAnkoatra izany, andoavana 1 000 000 Ar ny fanapoahana sy ny fivarotana tsipoapaoka, afomanga tsy nahazoana alalana amin’ny CUA. Tahaka izany koa ny tsy fandraisana fepetra ho fisorohana tsy hiparitahan’ny feo amin’ny trano. Ny famindrana razana matin’ny pesta mialoha ny fito taona. Ny tsy fandokoana ny trano manamorona ny “avenue” sy ny arabe migodana.Etsy andaniny, andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar ny tsy fanatanterahana ny fandrodanana trano mety hitera-doza. Ny fampiasana ny lalam-bahoaka amin’ny fanorenana vonjimaika, mihoatra ny 48 ora. Anisan’ny andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar koa ny tsy fanajana ny fahadiovana sy ny tsy fiparitahan’ny feo ary ny ora fikatonan’ny karaoke. Manampy ireo ny famatsiana zava-pisotro misy alikaola ireo mpivarotra tsy ara-dalàna.Sazy 5 000 ArSazy 5 000 Ar kosa ny tsy fanariana ny fako amin’ny ora voatondro, amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. Ny fanaovana ny asa fangatahana rehetra, arahina zaza tsy ampy taona. Fangatahana eny an-dalana ka manelingelina sy mampitahotra ny mpandalo. Fanaovana ny toeram-bahoaka ho fonenana na fatoriana… Eo koa ny fanahazan-damba eny amin’ny lalam-bahoaka.Ampahany ihany amin’ireo fandikan-dalàna andoavana sazy vola, tafiditra amin’ny CMH, ireo.Synèse R.L’article Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana… a été récupéré chez Newsmada.

Voina teny Ankatso II :: Hotohoton’ny afo ny tranon’ ny mpianatra
21/09/2020

Lasibatry ny afo ny trano fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II ao amin’ny Bloc Amical II, tamin’ny alin’ny sabotsy, tokony ho tamin’ny 11 ora sasany teo, araka ny vaovao voarain’ny avy ao amin’ny mini- siteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy fantatra mazava izay niandohan’ny afo. Nilaza ireo nanatri-maso fa mety ho ny fiakaran’ny herinaratra tampoka no nahatonga rianaratra na “court-circuit” nitarika tamin’izao fahamaizana izao. Fitopolo ny isan’ireo mpianatra tsy manankialofana sy rava fananana. Tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana, nefa mbola nanahirana ny famonoana afo noho ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano sy ny fahasarotan’ny fahitana rano. Voatery nandeha naka rano teny Ambohipo ireo mpamono afo. Naharitra adiny telo teo ho eo vao voafehy tanteraka ny loza. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Tonga nankahery an’ireo mpianatra teny an-toerana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice sy ny sekretera jeneralin’ny Mesupres ary ireo solontena avy ao amin’ny kabinetra. Nisy ny toerana namindrana vonjimaika an’ireo mpianatra tra-boina. Milaza ny hitady vahaolana ho an’ireo mpianatra very fitaovana sy raki-pahalalana ny minisitera, ankoatra ny vonjy voina natao tamin’ny alalan’ny fanomezana entana ilaina andavanandro, omaly, toy ny vary, voamaina, siramamy, sira, menaka, kojakojam-pidiovana ary fiarovana amin’ny valanaretina. L’article Voina teny Ankatso II :: Hotohoton’ny afo ny tranon’ ny mpianatra est apparu en premier sur AoRaha.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza
23/09/2020

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina. Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro. Avotry ny fialan-tsasatra Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy. Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo. Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka. « Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny. Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy. L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.