Fihaonana tamin’ny governemanta: mitaky ny hijerena ny aty vilanin’ny vahoaka ny depiote

News - Fihaonana tamin’ny governemanta: mitaky ny hijerena ny aty vilanin’ny vahoaka ny depiote

News - Fihaonana tamin’ny governemanta: mitaky ny hijerena ny aty vilanin’ny vahoaka ny depiote

Nisy ihany ny nahitsy fiteny. Tao
koa ireo nivoaka niditra na koa naneho ny indro kely tamin’ny
fihaonana tamin’ny governemanta, omaly. “Sahirana ny vahoaka
amin’ny vilaniny… Sao tokony hanova ho any amin’ny lafiny sosialy
kokoa isika. Avelao aloha ny fotodrafitrasa…”, hoy ny depiote
avy amin’ny tsy miankina, Rafidimanana Narson, nanoloana ny
Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nohitsiny fa tokony hatokana
any amin’ny sosialim-bahoaka  ireny fanampiana ireny. Ilana
fifanatonana, anaty fanajana fepetra ny fifampiresahana momba
izany, araka ny nambarany. Takin’izy ireo koa ny hanomezana ny
volan’ireo orinasa nahazo ny tolobidy amin’ny
tsenam-baro-panjakana. Eo koa anefa ny tokony hanaraha-maso ny
asan’izy ireo eo amin’ny kalitao. Manampy izany ny hanafarana
vaksiny samihafa, hisafidianan’ny olona, ahafahana manala
tsikelikely amin’izay ny arovavaorona.

Tsy mandray antso
an-telefaonina ireo minisitra

Tsy nitsitsy fitenena koa ny
depiote hafa nilaza fa tsy mandray antso an-telefaonina ireo
minisitra, manoloana ny olana any amin’ny distrika misy azy ireo.
Eo koa ny tokony hanoloana na hamindrana toerana ireo
tompon’andraiki-panjakana sasany eny ifotony noho ny fomba fiasa.
“Tokony hifanaraka amin’ny hazakazaka ataon’ny filoha sy ny
praiminisitra ireny tompon’andraikitra ireny”, hoy izy
ireo.

Anisan’ny valin-tenin’ny
praiministra tamin’izany fa efa miasa ho amin’ny sosialim-bahoaka
ny fanjakana. Nanteriny fa mamorona asa, mitondra vola ho an’ny
orinasa na mpandraharaha izany ary vola any am-paosin’ny Malagasy.
“Hianjera indray ny sehatry ny BTP raha tsy manao
fotodrafitrasa isika”, hoy izy.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fihaonana tamin’ny governemanta: mitaky ny hijerena ny aty vilanin’ny vahoaka ny depiote a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Vokatra rakikira :: Tazana miaraka amin’ ireo mpilalaon’ny Barea ny zanaky ny Filoha

Namoaka hira hoentina misaotra ny ekipam-pirenena malagasy taranja baolina kitra na ny Barean’ i Madagasikara ilay mpanakanto malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, Sul-k, omaly. Tazana ao anatin’ny horonan-tsarimihetsika «Merci Barea !», an’ity mpanakanto ity ireo mpilalao roa lahy, isan’ireo nisongadina tamin’ny ekipampirenena malagasy : Abel Anicet Andrianantenaina (kapiteny) sy Nomenjanahary Lalaina na i Bôlida. Miaraka amin’izy ireo ary isan’ireo miseho matetika ihany koa ny zanaka lahimatoan’ny Filoha, Rajoelina Arena. Isan’ireo nampisongadina ny Barean’i Madagasikara ny fandraisana anjara voalohany tamin’ny fiadiana ny amboaran’ i Afrika (CAN 2019) notanterahina tany Ejipta. Na dia sambany aza izy ireo no tafita amin’ny dingan’ny famaranana dia tonga hatreo amin’ny ampahefa-dalana vao nifarana ny dian’izy ireo. Nanaitra an’ity mpanakanto ity ary itaomany an’ireo mpankafy baolina kitra rehetra izany vokatra tsara azon’ny Barea izany. «Hoentina hanomezam-boninahitra sy hankahery ny ekipam-pirenena malagasy iray manontolo sy ny kapiteny vaovao iny hira iny», araka ny voalazan’ity mpanakanto ity L’article Vokatra rakikira :: Tazana miaraka amin’ ireo mpilalaon’ny Barea ny zanaky ny Filoha est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fiakarana amin’ny «Can 2022»: mila mandresy an’i Niger ny Barea ary lavon’ny Elefanta i Etiopia

Hifantoka ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra, amin’ity talata ity. Miankina amin’ny lalaon’i Cote d’Ivoire sy i Etiopia koa anefa izany hiatrehana ny “Can 2022” na tsia ny Barea de Madagascar.Hotanterahina, anio talata tolakandro ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, ny andro fahenina farany, hiadian-toerana ho an’ny “Can 2022”, taranja baolina kitra. Fihaonana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Mena-n’i Niger. Efa samy any an-toerana avokoa ny ekipa roa tonta.Kihon-dalana ahalalana ny ho tohin’ny dian’ny Barea de Madagascar io lalao io. Misy tsindry goavambe eo amin’ny ekipa malagasy satria mila mandresy an-dry zareo Nigerianina mba hahazoana maka ny toerana iray ho an’ity vondrona K ity. Vonona tanteraka ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar ny handresy ireto Mena-n’i Niger ireto. Ambony ny toe-tsain’ireo mpilalao.Tsy hitsangatsangana ny Mena…Samy nilaza izany avokoa na i Nicolas Dupuis, mpanazatra, na ireo mpilalao. Nilaza ny mpilalaon’ny Mena an’i Niger fa tsy hitsangantsangana. “Haka fandresena na efa tsy manana herijika hiatrehana ny “Can 2022” intsony aza. Hanala vela rahateo ry zareo, efa resin’ny Barea, tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 2, tamin’ny lalao mandroso ny 19 novambra 2019.Mbola hiankina betsaka amin’ny lalaon’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Walya-n’i Etiopia ihany koa anefa izany. Lalao hotanterahina amin’ity talata ity ihany koa ao amin’ny kianja Stade Olympique Alassane Ouattara, ao Abidjan. Raha mandresy ry zareo Ivoarianina ka tafavoaka ihany koa ny Barea, samy tafita ny roa tonta. Raha ady sahala fotsiny kosa ny azy ireo, mihintsana ny Barea na mandresy aza. Samy manana isa 10 ny Barea sy ny Walya, amin’izany. Ny lalao mivantana nifanandrinan’ny roa tonta no jerena ka eo no mahalavo ny Malagasy. TompondakaL’article Kitra – Fiakarana amin’ny «Can 2022»: mila mandresy an’i Niger ny Barea ary lavon’ny Elefanta i Etiopia a été récupéré chez Newsmada.

Jeux - News - Sport - News Mada

« Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry  

Taorian’ny fanambarana ny isa ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny « Rallye virtuel », taona 2018, voahosotra ho tompondaka i Riry teo amin’ny filaharana ankapobeny sy ny sokajy « 2RM ». Nahazo fandresena in-droa nisesy izy, tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny FSAM sy ny lalao farany « Final Round », ny volana novambra lasa teo. Marihina fa dingana miisa 7 no nifaninanana tamin’ity taom-pilalaovana ity ary niampy ny lalao fanokafana sy ny lalao famaranana. Ny isa azon’ny mpanamory nandritra izany no natambatra ka nahazoana ny vokatra farany. Manana isa 182 Ratsimbazafy Riry ary mitàna ny lohany. Ity farany izay teo amin’ny familiana ny fiara marika Citroen DS3 R3-MAX. Manaraka azy ao amin’ny laharana faharoa kosa Ralahy Hobimalala Andriantsaina, manana ny isa 156. Rakotobe Serge, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Sergerktb no mamarana ny telo voalohany amin’ny filaharana ankapobeny izay manana isa 76. L’article « Rallye virtuel »: tompondaka 2018 Ratsimbazafy Riry   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andoharanofotsy: tratra ilay jiolahy nisandoka ho polisin’ny « Brigade criminelle »

Fahasahiana tsotra izao! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny polisin’ny BC sakelika fahefatra (BC4) Anosy noho ny resaka fisandohana andraikitra sy ny fisolokiana ny jiolahy iray 29 taona.Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny BC, mpivady mipetraka eny Andoharanofotsy no voafitak’ity jiolahy mpisoloky ity. Ny 5 janoary 2021 lasa teo, sendra nisotrosotro teo amin’ny tsenan’izy mivady ity jiolahy ity. Nilaza fa polisy miasa ao amin’ny BC4 Anosy izy ka tsy nihambahamba izy nivady niresaka ny olana misy amin’izy ireo. Voasoloky tamin’ny alalan’ny MVola izy mivady ka notantaran’izy ireo tamin’ity polisy sandoka ity. Nasain’ilay jiolay ity nanoratra taratasy fitoriana teo no ho eo izy mivady tamin’io fotoana io ary nanome toky izy fa hotadiaviny ireo olona nisoloky ireo. Ny 6 janoary 2021 (ny ampitson’ny nifampiresahana), nilaza ity polisy sandoka ity fa efa hita ilay olona fa any amin’ny faritany no misy azy ka mila vola 2 hetsy Ar handehanana any amin’ilay toerana. Ny 7 janoary 2021, nilaza indray ilay polisy sandoka fa efa tratra ilay olona nosamborina fa mbola misy naman’izy ireo hafa karohina ka mila vola 130 000 Ar hanohizana ny fikarohana.Nahazoany vola anetsiny maro…Ny 8 janoary 2021, mbola naka indray vola 1 hetsy Ar tamin’izy mivady ity polisy sandoka ity fa hoe hanaovana sakafo sy saran-dalana hitadiavana ilay olona. Nanomboka tsy natoky ity polisy sandoka ity izy mivady ka nanapa-kevitra hanatona teny amin’ny polisin’ny BC4 Anosy nanamarina raha tena miasa ao tokoa ity jiolahy ity. Rehefa tonga izy ireo, nanontany ireo polisy miasa ao ary teo vao fantatr’izy ireo fa tsy tena polisy io jiolahy io fa nisandoka. Ny andron’io ihany, nametraka fitoriana ao amin’ny BC4 izy mivady. Tsy niandry ela ny polisy fa nikaroka avy hatrany ity jiolahy ity. Natao ny vela-pandrika niaraka amin’izy mivady ka tratra tao an-tranony eny Andoharanofotsy izy, omaly. Niaiky izy fa tena nisandoka ho polisy sy naka vola tamin’izy mivady.Jean ClaudeL’article Andoharanofotsy: tratra ilay jiolahy nisandoka ho polisin’ny « Brigade criminelle » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Hain-trano

Nitrangana hain-trano teny Ilafy, omaly antoandro. Kilan’ny afo ny trano roa mitafo bozaka. Avotra ny entana tao amin’ny trano iray mitafo fanitso nifanila tamin’ireo trano roa ireo. Voalaza fa afo nolalaovin’ny ankizy tao amin’ilay trano tafo bozaka iray no niavian’ ny firehetana. L’article Hain-trano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra

Tra-tehaky ny zandary avy ao Betafo, ny asabotsy teo tao Tsarazafy, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, ao Betafo, ny sahan-drongony iray hekitara. Angom-baovao voaray avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny nahitana ity toerana ity.Nahitana fototra rongony 1 118 isa nataona roa lahy mpianaka izany. « Midadasika ny toerana ary mody ampiarahina amin’ny voly anana ireo zava-mahadomelina teo an-toerana », hoy ny fanazavan’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Vokany, nandraisana avy hatrany fepetra ireo mpamboly sy ireo voly nataony. Nongontana avokoa ireo fototra rongony ka nentina tao Betafo nanaovana famotorana sy nodorana. Ireo mpianaka tompon’antoka amin’ny fambolena kosa, notanana sy natao fanadihadiana. Fantatra fa mpamatsy rongony ireo olon-dratsy izy mianaka ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Nanentana ny mponina ny zandary fa voarara ary mahavoasazy ny fambolena toy ireny. Henintsoa Hani L’article Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”

 Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bakalorea: hifarana ny 17 jolay ny fisoratana anarana 

Hifarana ny 17 jolay ho avy izao ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea taona 2020, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny fampianarana ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony, Rajaonarison Jean François, omaly. Aorian’ io fe-potoana io, tsy misy intsony ny fandraisana satria efa nohalavaina ny fisoratana anarana raha niantomboka ny 20 febroary lasa teo. Tsy niova ny saran’ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea amin’ity taona ity. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, hanomboka ny 5 oktobra ary hifarana ny 9 oktobra ny bakalorea. Ho an’ny sampana teknika sy fiofanana momba ny asa andiany faharoa, hanomboka ny 12 oktobra ary hitohy ny 13 oktobra ny fanadinana. Hitsahatra ny 14 oktobra noho ny fanamarihana ny fetin’ny Repoblika I. Hiverina ny fanadinana ny 15 sy 16 oktobra.Ho an’ny fampianarana ambony, afaka mamita ny fandaharam-pianarana ny oniversite sy ny lalam-piofanana tsy mbola nahavita eo anelanelan’ny 19 oktobra sy ny 20 desambra. Tombanana ho ny volana marsa 2021 ny fisantarana ny taom-pianarana vaovao ho an’ny oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana. Miankina betsaka amin’ny fivoaran’ny raharaha ara-pahasalamana anefa ny lamina rehetra. Mbola hisy rahateo fivoriana miaraka amin’ny filohan’ny oniversite sy ny talen’ny sekoly ambony (Copries) hanapahana ny tetiandro farany.Vonjy         L’article Bakalorea: hifarana ny 17 jolay ny fisoratana anarana  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy

Sehatrasa tena vitsy mpila ny fanjairana akanjon-dehilahy. Tanàn-dehibe Ambatondrazaka, nefa sarotra ny mahita olona manjaitra pataloha. Any amin’ny 12 km, vohitra tsy ao anatin’ny kaominina renivohitra akory vao mahita lehilahy manaiky manao izany asa izany !  “Ny fitobahan’ny lamba tonta na friperies no mahatonga izao”, hoy ny mpanajary akanjo efa nampiasaina ( retaillage). Mora lavitra no ho ny mividy ravin-damba sy manarama mpanjaitra tokoa ny vidin’ny  akanjo tonta. Ary feno misavovona, ity karazam-pitafiana tokoa ny efitrano fiasan’ity rangahy mpanao retaillage. Fa velon-taraina koa ireo mivarotra akanjo vaovao “zaitra an-tsena”. Manahirana ny tantsaha tambanivohitra   izany hiakanjo fitafiana efa nipetaka tamina hoditr’olona hafa izany. Ka dia izy ireny no tena mpanjifa mavitrika ny “zaitra an-tsena”. Saingy ankehitriny…efa mirona any amin’ny fripy koa izy ireny : maro isafidianana  sy be haingony ireo avy any Sina ka mahasarika.Vokany : saika tsy misy mihodina intsony ireo orinasa mpanenona lamba, namelona tokantrano maro.. Ireo foibe manofana ho mpanjaitra koa moa,  toa ny akanjom-behivavy  fentina mianjaika ny betsaka .Fanamby lehiben’ny mpitondra, hisian’ny fandrosoana, ny famoronana asa. Angamba rehefa  mihatsara ny fahefa-mividin’ny Malagasy, hiverina  hividy ravin-damba sy hampanjaitra indray izy… Dia ho afaka hitrena, toy ny Barea,  indray ny  Sotema, ny Cotona… RarivoL’article Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

Sambany hiaka-tsehatra eto an-tanindrazana ny Malagasy guitar masters, hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ny alakamisy 25 jolay izao ny fotoana, etsy amin’ny Piment café etsy Behoririka, ao anatin’ny « cabaret », araka ny hetsika ahafantarana ity toerana ity. Azo lazaina ho miavaka amin’izay fampisehoana sy seho mozika, ny amin’io faran’ny herinandro io, ity.Tsy fahita matetika eto an-tanindrazana ny tarika, izay efa manana ny lazany any ivelany any sy mitety faritra maro. Araka ny fantatra, miisa 12 eo ho eo ny toerana notsidihin’izy ireo sy nanaovany fampisehoana, nandritra iny volana mey sy volana jona iny. Tsy nataon’izy ireo diso anjara ny mpankafy eto an-toerana, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto.Raha tsiahivina, tarika ahitana mpikambana telo, samy havanana sy manana ny maha izy azy eo amin’ny fitendrena gitara, ny Malagasy guitar masters. Tsy iza izany fa i Teta, i Chrysanto Zama ary i Rija Randrianivosoa, izay nisolo an’i Joël Rabesolo. Ankoatra ny fitetezana firenena, efa namoaka rakikira, mitondra ny lohateny hoe « Volo hazo », ny tarika.Ny mampiavaka azy ireo, ny fahaizan’ny tsirairay mamoaka ny talentany sy mametraka ny « soniany », izay sady mifameno. Eo koa ny fahaizan’izy ireo mampifanaraka ny mozika malagasy amin’ny fironana ankehitriny. Fotoana iray ankafizana izany rehetra izany io amin’ny alakamisy io, izay inoana fa hahaliana ny maro. Landy R. L’article Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Notsongaina

Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés
17/06/2021

Une des réalisations des travaux de fixation des dunes dans l’Androy. Le monde célèbre, ce jour, la Journée mondiale de la lutte contre la désertification et la sécheresse. Des phénomènes qui concernent Madagascar, notamment la partie Sud du pays où le Tiomena sévit depuis le mois d’octobre 2020. « Favorisant l’ensablement, le phénomène détruit nos cultures, détruit nos champs et impacte même, de façon négative, les routes nationales ». Propos de Marie Zoéline, mère de famille vivant dans la région Androy qui témoigne des méfaits du phénomène Tiomena qui sévit dans l’Androy depuis le mois d’octobre dernier. Propos qui interpellent également sur l’urgence de mener des actions coordonnées et systémiques afin de protéger la population et accroître leur bien-être. Interrogé sur le pourquoi du comment du phénomène, le Dr Tsimanaoraty Mahatante Paubert, expert en changement climatique et maître de conférence auprès de l’université de Toliara explique que « le Tiomena résulte de la hausse de la température et de la dégradation du sol. Cette dernière est causée par la perte de la couverture végétale, elle-même provoquée par la culture sur brûlis et la coupe ». Le Dr Tsimanaoraty Paubert Mahatante de poursuivre avec les conséquences du phénomène. « Le Tiomena déforme le paysage de l’Androy, favorise l’ensablement des forêts et des routes, assèche la végétation et provoque la baisse des précipitations » déplore-t-il. Propos soutenus par Natasha van Rijn, représentante résidente du PNUD à Madagascar qui note que « le phénomène de Tiomena et spécifiquement la migration des dunes, constitue un fléau qui porte atteinte au développement notamment agricole dans la région Sud ». Progressive. Face à l’urgence de la situation, le PNUD, en partenariat avec le ministère de l’Économie et des Finances et le ministère de l’Environnement et du Développement durable, ainsi que le gouvernorat d’Androy ont initié des actions de fixation des dunes le long des côtes des régions Sud du pays. « Jusqu’ici 50 Ha de terres cultivables sont sécurisés et sont de nouveau exploitables grâce à la fixation de 140 Ha de dunes. Mais, il reste beaucoup à faire», fait savoir la représentante résidente du PNUD. Pour ce faire, les parties prenantes ont adopté « une approche progressive afin d’agir à la fois sur le problème d’ensablement et de désertification, et sur l’amélioration des revenus des ménages les plus vulnérables par ces travaux de fixation des dunes ». Une approche qui permettait à chaque travailleur de percevoir «4.700 Ar par journée de travail payés par tranche de 10 jours et une épargne de 3.575 Ar, toujours par journée de travail constituée dans le compte du bénéficiaire pour servir de fonds de démarrage pour une activité génératrice de revenus », précise Natasha van Rijn. Si des efforts sont menés par divers acteurs, le Tiomena continue de sévir dans l’Androy bien que les fréquences sont diminuées selon les populations locales. José Belalahy L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako
15/06/2021

Efa voafehy tanteraka ny olan’ny fako eto an-dRenivohitra. Efa tsy misy intsony ny fako miparitaka eny amin’ny fitobian’ny fako. Anisan’izany ny fitobian’ny fako etsy Analamahitsy eo ampitan’ny Galana. Feno fako manenika ny arabe rehefa tolakandro nefa efa tafiditra ao anatin’ny daba daholo ny fako aterin’ny olona izao. “Nisy ny fanomezana  dabam-pako avy amin’ny Pnud na ho an’ny SAM, ary mbola hisy maro koa ho avy. Miisa 180 ny dabam-pako vy miparitaka taloha ary nisy ny tsy naharaka. Nisy ny fiovana tamin’ny fomba fiasan’ny SAM mba hifanaraka tsara amin’ny «CMH » mametraka ny ora amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 8 ora alina ny fanariana ny fako”, hoy ny tale jeneraly,  Andrianaivo Jaona. Narindra manaraka izany koa ny fomba fiasa sy ny tsy havery ny fotoana be loatra. Fanentanana ny isan-tokantranoMivoaka ny tolakandro ny kamiao maka fako ary mifarana amin’ny 6 ora maraina mba tsy hanelingelina fifamoivizana. Manampy izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny Vigie amin’ny fametrahana ny “Camera” amin’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana, mifanandrify amin’ny akaiky dabam-pako ary natao ny hahatafidiran’ny dabam-pako ao amin’ny ilay sary hahafahana mahita ny eo anivon’ny dabam-pako. Manentana ny mponina hanaja ny fotodrafitrasa hatrany ny kaominina amin’ny hanariana anaty daba ny fako eny anivon’ny tokantrano.Synèse R.L’article Efa voafehin’ny CUA-SMA ny olan’ny fako a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany !
15/06/2021

Aleo tsy idirana ny lafin-javatra hafa fa andao ny kolontsaina no hatsinkafona. Satria io no anisan’ny singa fototra lehibe ahafahan’ny firenena iray mahafantatra marina ny momba azy, nataon’ny “matanjaka” izay hahapotika tanteraka azy. Hatramin’izao,  mbola manan-kery tanteraka ireo paikady napetrak’izy ireo any amin’ny firenena tondroiny ho “madinika”. Na tsy mandray anjara mivantana amin’izany aza ry zareo, manana olona mahatoky zanak’ilay toerana na faritra na firenena azony ampiasaina izy.Na ilavoamena sy loso aza ny fanampiana omen’ny “matanjaka” ny “madinika”, tehaka mirefodrefotra no andraisana izany. Na famotehana ankarihary ny soatoavin’ny firenena “madinika” izao aza no ataon’ireo “matanjaka” any aminy, miraradraraka ny “misaotra tompoko”! Tahaka izany hatrany hatrany… Ankavitsiana ihany ireo mahita sy mahatazana fa longoa mitoto bozaka sy fandrika tsy mamela mahazo ary vahoho mangeja ange ireny lela mamy sy fanampiana omen’ny “matanjaka” ireny.… Fa rehefa ambara fa “mahantra” ve ny firenena iray dia mahantra manaraka izany ihany koa ny toe-tsain’ny olona ao aminy ka tsy mahita ny tranga tahaka izany? Lasa mora ambakaina amin-java-tsy misy fotony. Misy aza moa fanampiana omen’ny “matanjaka” ho an’ny “madinika” mba hoentin’izy ireo hitodika sy hiverina any an-doharano hono. Izany ve dia mba mitombina? Raha ny firenena “madinika” ve no miverina amin’ny fahaizan’ny razany mitsabo amin’ny alalan’ny zavaboary, ataon’ny firenena matanjaka aiza ireto fanafody simika an-taoniny maro vokariny isan’andro?… Mila mifanaitra sy mifanentana ny tsirairay mba hanana saina mivelatra, maso mahita, sofina mandre, sns. Tsy iandrasana fanampian’ny vahiny ny fanaovana izany fa efa azo atomboka tsara mba tsy ho tratra aoriana.HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: aza mba mora ambakaina ihany ! a été récupéré chez Newsmada.

Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra
17/06/2021

Nitohy, omaly, ary vao mainka nihanahery vaika ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny Oniversiten’i Maninday, Toliara. Vokatry ny fifanjevoana, mpanao fihetsiketsehana iray namoy ny ainy, hoe maty voatifitra. Enina naratra, anisan’izany ny zandary roalahy…17 kosa nosamborin’ny mpitandro filaminana…Nihorohoro tanteraka, omaly, ny mponina ao Toliara nandritra ny tohin’ny hetsika nataon’ireo mpianatry ny oniversiten’i Maninday. Nitohy ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra ary nihanahery vaika izany raha mitaha amin’ny afakomaly. Nanomboka maraina no efa nanao sakana toy ny fanaon’izy ireo ireto mpianatra mpanao fihetsiketsehana ireto. Efa nihatrana maraina koa anefa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana hanakanana ny fanelingelenana ataon’izy ireo. Nosakanana tsy hahazo miditra ao an-drenivohitr’i Toliara ireo mpianatra. Teo koa ireo andiany hafa nanao sakana tamin’ny alalan’ny sakana sy ny doro kodiarana. Nisy ny fifandonana ary somary nahery vaika aza izany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny solontenan’ireo mpianatra. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana ka tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro (omaly io). Ny mpianatra mitoraka, ny mpitandro filaminana kosa, nanapoaka grenady lakrimozena sady nanao tifi-danitra.Niala ny trano fonenany ireo mpampianatra…Vokany, mpanao fihetsiketsehana iray fantatra fa namoy ny ainy, hoe maty voatifitra nandritra ny savorovoro izy io. Tsy voamarina kosa anefa na anisan’ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana izy io na olon-tsotra ihany, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny oniversiten’i Maninday. Efa nalefa ao amin’ny Hopitalibe Toliara ny razana, omaly maraina ihany. Ankilany, olona enina naratra mafy ka anisan’izany ny zandary roa lahy tratran’ny tora-bato. Niampy 17 hafa indray ireo mpianatra voasambotra ankoatra ireo 18 efa tazonina anaovana fanadihadiana eny amin’ny zandary. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo mpianatra izany ka niitatra tonga teny amin’ny faritra misy ny tranona mpampianatra ao Ankilahila Maninday ny fihetsiketsehana. Kilan’ny afo ka potika tsy nisy noraisina intsony tamin’izany ny tranona mpampianatra iray. Vokatr’izany, niala avy hatrany teny amin’ny faritra misy ny trano fonenan’ireo mpampianatry ny oniversite ny ankamaroan’ireo mpampianatra noho ny tahotra. Miato ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’i Maninday…Manoloana ity zava-misy niafara tamin’ny fahafatesan’olona ity, nanao fanambarana ny filohan’ny oniversiten’i Toliara taorian’ny dinika niarahana amin’ny “conseil scientifique” omaly ka nampiato ny fampianarana manomboka anio mandra-pilamin’ny toe-draharaha eny Maninday. Nanamafy ireo mpianatra fa mbola hitohy ny hetsika ary vao mainka aza ho mafy no ho izao na inona na inona fepetra horaisin’ny fanjakana eo satria efa leo tanteraka mihitsy. Nanidy toeram-pivarotana avokoa ireo tranombarotra ao Toliara, nandritra ny hetsika nataon’ny mpianatra. Andrasana indray ny tohin’ny hetsika anio. Olana saro-bahana tsy ahitam-bahaolana matetika ity olana eny anivon’ny oniverisite ity.CMS/Jean ClaudeL’article Nitohy ny grevin’ny mpianatry ny oniversite Maninday: mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra, 17 voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Îles Glorieuses : Le parti Otrikafo réagit :
14/06/2021

Les Îles Glorieuses qui se trouvent parmi les îles Éparses sont officiellement classées « Réserves naturelles françaises ». Le décret a été publié dans le journal officiel français du 10 juin dernier. Il s’agit de la 170e réserve française. La déclaration du président Emmanuel Macron sur la Grande Glorieuse le 23 octobre 2019  avait précédemment soulevé des vagues d’indignation, « Ici c’est la France, c’est notre fierté, notre richesse. » Le parti Otrikafo a réagi face à ces dispositions. Selon son Secrétaire Général Elia Rabevahiny, « les deux parties sont pourtant en pleine négociation ». Il s’étonne, par ailleurs, du silence observé par les tenants du pouvoir. Il estime ainsi qu’il faudrait procéder à une mobilisation nationale. Faut-il rappeler que ce parti n’a cessé de revendiquer la restitution des Îles Éparses à Madagascar.  Recueillis par Dominique R.   L’article Îles Glorieuses : Le parti Otrikafo réagit : est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Îles Glorieuses : Le parti Otrikafo réagit : a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Raharaha Jerison »: ahiana ny ambadika politika
14/06/2021

Tsy mbola hita ilay dahalo raindahiny. Mipetraka ny ahiahy samihafa. « Mampisavorovo ny fanenjehana an’i Jerison ny fidirana an-tsehatry ny mpanao politika. Misy miketrika ny hanao governora ao ka mampanano sarotra ny hetsika mahatonga. Mahatonga azy tsy ho voasambotra ary simba ny paikady napetraka”, hoy ny depiote Velontsara Paul Bert, ny zoma teo. Nanteriny fa misy tsiambaratelo sy paikadin’ny mpitandro filaminana, tsy tokony hivoaka  nefa avoakan’ireo fokonolona sasany any amin’ny tambajotran-tserasera. Noraisiny ho ohatra amin’izany fa misy mamoaka amin’ny “facebook” ny paikady nefa tsy mbola tonga any amin’ny toerana tokony hanaovana hetsika sy hanenjehana an’i Jerison akory, araka ny nambarany. Na izany aza, nanamafy ity depiote ity fa tsy mbola nisy fitondrana nifandimby ka sahy nanao savahao ireo kijana maloto, anafenan’ity dahalo ity ny omby. Manao ny ezaka rehetra ny mpitondra amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany.Omena 2 tapitrisa Ar…Nanamafy izany ny kaomandin’ny vondron-tobin’ny zandary any Sofia, ny LtKly Randriamidona Lys Odon fa tsy mandry andro aman’alina ny mpitandro filaminana. “Trandrahina avokoa ny vaovao rehetra manodidina an’i Jerison”, hoy izy. Efa sarona ny omby miisa 400 tamin’ny savahao natao tamin’ny kaominina telo raha 320 tany amin’ny kaominina iray hafa ary 500 kosa ny tao Anahidrano, samy tsy ara-dalàna avokoa. Efa tafaverina amin’ny tompony ireo na efa misy an-taonany maro aza no teo an-tananan’i Jerison sy ny ekipany.Hatreto, mbola mitoetra hatrany ilay tamby roa tapitrisa Ariary ho an’ireo mahasambotra na koa manome loharanom-baovao momba an’ity dahalo raindahiny ity.Tsiahivina fa maherin’ny 900 000 ny omby any Sofia, mizara amin’ny distrika fito sy kaominina 12 izany ka ahitana ny asaratsin’i Jerison ny fito amin’ireo, ary efa an-taonany maro izany.Synèse R.L’article « Raharaha Jerison »: ahiana ny ambadika politika a été récupéré chez Newsmada.

VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao”
16/06/2021

Nitohy teny amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (DREDD) Analamanga, ny 15 jona 2021 teny Nanisana,  ny fanentanana ny fanaovana vaksiny Covid-19 ataon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Rehefa avy nampahafantarina ny mpiasan’ny DREDD, ireo mponina eny amin’ny fokontany Nanisana maniry ny hanao vaksiny  ny mombamomba ny vaksiny  Covid-19 sy ny tombony azo avy amin’ny fanaovana izany dia niroso tamin’ny fanaovam-baksiny izy ireo. 60 olona teo no nataon’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka vaksiny tamin’io fotoana io. “ Izahay eto amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Analamanga dia resy lahatra fa tokony atao ny  vaksiny. Maromaro tato aminay no narary ary tratran’io  forme grave io , ary nisy nandao fianakaviana. Narary taminay ilay izy dia  tiana ialàna izay zavatra izay dia nanentana ny mpiasa izahay. Miara-miasa  akaiky amin’ireo mponina ety ihany koa izahay,  anisan’izany ny ato amin’ny fokontany Nanisana, ny distrika Avaradrano”, hoy ny Tale-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy  Andrianandrasana Herizo.  Nambarany fa “ny  fahasalaman’ny olona dia mifandray amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana”. “Hiatrika ady amin’ny afo izahay, isika ato ato. Ilaina salama ny olona, miara-miatrika an’izany ady izany mba hitondra mankany amin’ny fandrosoana lovain-jafy”, hoy izy. Miverina amin’ny fiainana andavanandro Ho an’ny faritra Analamanga, misokatra ho an’ireo olona 18 taona mihoatra maniry ny hanao vaksiny Covid-19  ireo toerana natokana amin’izany toy ny  eny amin’ny  Stade Malacam, Kianja fanaovana basket  eny Anosisoa  Ambohimanarina,  ny “vaccinodrome” eo aorian’ny FJKM Salema vaovao 67ha… Mandray olona manomboka  amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 4 hariva ireo toerana ireo. Araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga, Raharimamonjy  Laliarisoa fa afaka manatona ireo olona te hisitraka vaksiny: olona maromaro na orinasa, fiangonana,  ministera, ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana.  “Raha mihoatra ny 40 isa dia azonay atao ny manatona”, hoy izy. Manentana ny rehetra, indrindra ireo olona mihoatra ny 45 taona Ramatoa Raharimamonjy  Laliarisoa hanao vaksiny satria “raha nahatsikaritra isika dia  io sokajin-taona io no maro olona lavon’ny covid, maromaro amin’ireo forme grave”. Nohamafisiny fa  ny  “fanaovana vaksiny no lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao, miala amin’ny fihibohana, miverina amin’ny fiainana andavanandro”.  Marihina fa anisany nanolon-tena amin’ny fanentanana ny mpiara-belona hanao vaksiny i Haingo Pararadis.  “Noho ny fahatsapana ny maha sarobidy ny aina dia resy lahatra fa ilaina ny fanaovana vaksiny ahafahana miatrika ny covid-19, tsy ahatongavana amin’ny forme grave. Amiko harena ny olona”, hoy ity mpilatsaka an-tsitrapo ity. Lynda A. Cet article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” a été récupéré chez Délire Madagascar.

«Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao
17/06/2021

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo ny olona miisa dimy voarohirohy amin’ny famarotana ireo entana sarobidy tao amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha, i Tsiranana Philibert, ao Ampefy, ny 5 jona lasa teo.Isan’izany ny mpiambina ny toerana, atidoha nikotrika ny asa ratsy, ireo namany miisa telo nanampy azy sy ny mpividy ireo entana halatra. Niaiky ny heloka nataony io lehilahy mpiambina trano io taorian’ny nahatrarana azy tao Analavory, ny 8 jona teo. Nilaza ilay lehilahy mpiasa ao amin’ny « résidence » io fa efa nanomboka ny volana septambra 2020 ny namarotany tsikelikely ireo entana sy ny fanaka amin’ny vidiny mora ary tonga hatramin’ny antsasa-bidy mihitsy izany. Taorian’izay, nanondro ireo namany mpiray tsikombakomba aminy amin’ny asa ratsy izy.Fiara iray nitatitra ireo entana halatra ihany koa no nogiazana. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona 24 hafa voalaza fa nividy ireo entana halatra taorian’ny fampanoavana afakomaly tao Miarinarivo. « Mbola hitohy ny 7 jolay izao ny fanadihadiana lalina ny raharaha », hoy ny fanazavan’ny zandary avy ao Soavinandriana misahana ny fanadihadiana. Entana sarobidyEfa tafaverina avokoa ny 80% amin’ireo entana sarobidy halatra raha mbola tadiavina kosa ireo hafa. “Nametrahan’ny kaominina mpiambina ihany koa io tranon’ny filoha teo aloha io”, hoy kosa ny fanazavan’ny zandary avy ao Miarinarivo. Fepetra noraisina, hoy izy, ny fanamafisana ny fisafoana ataon’ny zandarimaria eny an-toerana, indrindra ny fitobiany eny amin’ny alina. Natao izany mandra-piandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika.Tsiahivina fa ny 5 jona lasa teo, nahazo fampandrenesana mahakasika ireo fahaverezana entana ireo zandary ao Ampefy. Tsikaritr’ireo olona teny an-toerana fa tsy tao intsony ny mpiambina ny tranon’ny filoha teo aloha io, maro ihany koa ny entana very, antony nahatonga ny sefo fokontany avy ao Avarabohitra sy ny ben’ny Tanànan’Ampefy niantso ny mpitandro filaminana. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy. Nantsoina ihany koa ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Hita tamin’izany fa tsy tao intsony ireo entana sarobidy rehetra izay misy vita avy amin’ny andramena. Lasan’ireo tsy mataho-tody hatramin’ny varavarankely, ny varavarambe, ny « moquette », ny karipetra, ny armoara sy ny seza ary ny kojakoja rehetra. Hany sisa tavela tao amin’ny efitra telo sy ny efitrano fandraisam-bahinin’ny trano fonenan’ny filoham-pirenena teo aloha io ireo enta-mavesatra toy ny vata fampangatsiahana, ny lafaoro. FanadihadianaVoalaza fa nividy ireo entana halatra ny mponina avy ao Ampefy sy ny manodidina ary tompon’andraikitra nivarotra izany ny mpiambina. « Ny mpiasa ao ihany no mamoaka ireo entana sarobidy ireo. Rehefa natao ny famotorana, olona 29 ny voasambotry ny zandary ary nanaovana famotorana tao Miarinarivo », hoy Ratolojanahary, mponina ao an-toerana. Nambarany fa mety ho tsy nahafantatra ireo olona mpividy fa entana avy ao amin’ny « résidence » ireo entana novidiany ary entana namidy, antony nahatonga ireo olona roboka tamin’ny fividianana izany. Henintsoa HaniL’article «Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao a été récupéré chez Newsmada.

Fanohanana ara-tsakafo ny any Atsimo: maherin’ny 7 hetsy ireo mponina hampian’ny Amerikanina
15/06/2021

Nanome vola mitentina efa ho 40 tapitrisa dolara ny governemanta amerikana ho fanampiana vonjy taitra ny any atsimon’ny Nosy. Natao hanomezana fanampiana ara-tsakafo ho an’ny olona maherin’ny 729.000 ity famatsiam-bola vaovao. Nivoitra tamin’ny fihaonan’ny filoha Rajoelina sy ny ambasadaoro amerikanina, i Michael Pelletier, omaly izany.Ahafahana manome fanampiana ara-tsakafo, hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny tera-bao, hanatsarana ny fahadiovana ary hanamboarana fantsakana hahazoana rano fisotro izany famatsiam-bola izany.Mpirahalahy mianalaNasongadin’ny ambasadaoro tamin’ny filoha  fa miara-dia toy ny “mpirahalahy mianala” ny governemanta amerikana sy ny governemanta malagasy amin’ny fiatrehana ny filan’ny fianakaviana ianjadian’ny hanoanana sy ny fanomezana vahaolana maharitra amin’ny tsy fahalavorariana ara-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Na izany aza, nanteriny fa na hitondra fanampiana ho an’ny olona maro aza io famatsiam-bola vaovao io ary hanome fahafaham-po ny filan’ny tsirairay izany.  Nanao antso avo amin’ireo mpamatsy vola hafa izy mba hitondra anjara biriky. Anisan’izany ny firaisamonim-pirenena,  mahatsapa ny hamehana amin’ny tranga any atsimo.Mitaky ezaka bebe kokoa Mila fandraisana anjara bebe kokoa anefa izany, araka ny nambarany. Maherin’ny iray tapitrisa ireo olona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo ankehitriny ary mbola mety hihombo izany.  “Manentana ny firaisamonim-pirenena sy ny fanjakana ny tenako hanao ezaka bebe kokoa hisorohana ny fihomboan’ny mosary”, hoy ihany izy. Notsiahiviny, araka ny fanadihadiana natao ny faran’ny mey teo fa manahirana ny toe-draharaha ara-tsakafo hatramin’ny nanombohan’ny haintany ny taona 2014.  Vahoaka Tandidonin’ny mosary ny vahoaka ka ho ratsy ny vokatra ho avy, ary hiharatsy ny fahazoana sakafo amin’ny 2022.Synèse R. L’article Fanohanana ara-tsakafo ny any Atsimo: maherin’ny 7 hetsy ireo mponina hampian’ny Amerikanina a été récupéré chez Newsmada.

Rallye Asacm «Eau vive»: mpanamory 35 hiady ny ho lohany
14/06/2021

Hotanterahina ny asabotsy 19 sy ny alahady 20 jona ho avy izao ny fifaninanana voalohany eo amin’ny fanamoriana fiarakodia. Rallye Asacm “Eau vive” no hisantatra izany. Mahatratra 35 ireo mpifaninana amin’ity. Anisan’ireo hifampitady i Mathieu sy i Rivo ary i Mika. Hisy dingana manokana “ES” miisa 9 ity rallye ity, mirefy 128, 52 km.Hiavaka ity hazakazaka ity satria hiverenana intelo avy ireo dingana manokana rehetra. Hotanterahina ny andro voalohany, ireo dingana manokana telo ka ny voalohany mampitohy an’Ambohimiadana sy Imerinavaratra, mirefy 13, 28 km. Aorian’izay, hamita Ankilemalema sy Ambatomanjaka, misy halavana 13, 46 km ireo mpifaninana rehetra. Hamarana ny andro asabotsy ny eo Anjezika sy Xt Mahavelona, mahatratra 16, 10 km, izay lava indrindra amin’ireo dingana manokana hatao. Hiverenana indroa avy kosa ireo ny andron’ny alahady.TorcelinIreo mpandray anjara 1-Mika – Fafah – (P.208T16) – TMF/Tacs2-Faniry – Ny Anjara – (P.206) – TMF/Asacm3-Antsa – Bemadad – (Toyota) – ACCT4-Olivier – Nath – (Citroen C2) – Asacm5-Freddy – Jimmy R – (Isuzu D-Max) – Ama/Asacm6-Anjabob – Mirindra – (Land Rover Defender) – Asa Tana7-Jeffy – Tsoupou – (P.206) – FMMSAM8-Nirina – Hery – (Polaris RZR 1000) – FMMSAM9-Manintona – Sedera – (P.106) – Asa Tana10-Rado Kely – Anjaraben – (Citroen Saxo) – MSA11-Damtam – Eddy – (P.205) – FMMSAM12-Jacques – Mijoro – (Mitsubishi Evo 7) – Asa Tana/Asacm13-Mika –MLR – (BMW E30) – FMMSAM14-Tsito – Tsiresy – (Mitsubishi Evo9) – Asacm15-Little M – Ipman – (Citroen Saxo) – SRK16-Daddy – Sitraka – (VW Golf MK2) – Asacm17-Aro Kiady – Fanja – (Citroen C2VTS) – Asacm18-Maika – Mann – (P.205) – Ama/Asacm19-No limit – Patblock – (Ford Ranger) – 110 As/FMMSAM20-Haja D – Elvis D – (Mitsubishi Lancer Evo 6) – TMF21-Hasnein – Seb – (Polaris Pro XP) – Ama/ACCT22-Rija – Tsitsi – (Mitsubishi Colt) – TMF23-Sitraka – Rado – (Subaru) – FMMSAM24-Koloina – Robby – (Citroen Saxo) – FMMSAM25-Hasina – Dinax – (Subaru GCB) – FMMSAM26-Hermick – Dads – (Citroen C2 R2) – Tasamm/Asa Tana27-Stenio – Alcazaria Jr – (P.106) – FMMSAM28-Titi – Kael – (Renault Clio 16 S) – Asa Tana29-Fred – Mick – (Subaru Impreza GDB) – Asacm30-Rivo – Ando – (Subaru Impreza) – FMMSAM31-Mathieu – MD – (Subaru Impreza) – Asacm32-Tahina – Ranto – (Subaruu Impreza) – Asacm/Asa Tana33-Patrick – Eric – (Subaru Impreza) – Asacm34-Fidy – Alain – (Renault Clio) – Asacm35-Pattie – Pipo – (Citroen Visa Trophee) – Asacm   TorcelinL’article Rallye Asacm «Eau vive»: mpanamory 35 hiady ny ho lohany a été récupéré chez Newsmada.

RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison
14/06/2021

La ville d’Arivonimamo était en effervescence, vendredi 11 juin en début de matinée. Ce jour-là vers 2 heures du matin, les habitants du fokontany de Miadamanjaka, dans le centre-ville de la commune d’Arivonimamo, ont été réveillés de bon matin par un grand vacarme. Sortis de leur domicile, ils ont été face à un camion encastré dans une maison. Leur inquiétude s’est dissipée en voyant l’accident qui venait de se produire. Selon les informations, le poids lourd sortait d’un garage situé près de la maison détériorée, quand son chauffeur a accidentellement embouti la demeure en question avec son véhicule. Le camionneur a perdu le contrôle de l’engin. À entendre ses explications, le problème vient d’un blocage au niveau de l’accélérateur. Il en est sorti sain et sauf comme toutes les personnes présentes dans la maison endommagée. En effet, aucun mort ni blessé n’a également été constaté. Quoi qu’il en soit, la gendarmerie nationale, et notamment ses éléments travaillant dans la région Itasy, qui est servie par la RN1 (axe réputé dangereux en matière de circulation) a sensibilisé la population à être vigilante. T.M. L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison a été récupéré chez Midi Madagasikara.

FISEMA: tsy manam-bola ve ny fitondrana sa ny fandaminana no tsy lavorary ?
18/06/2021

Tsy mira zotra amin’ny fandaharanasan’ny governemanta amin’ny tetikasa lazaina manara-penitra ny fiainan’ny mpiasa malagasy mpamokatra, araka ny fanambaran’ny Fisema (Fivondronan’ny Sendika eto Madagasikara).  Tsy misy tsy mikaikaika ny rehetra manoloana ny fahefa-mividy mitotongana. Tsy maharakotra ny filana fotra intsony, toy ny sakafo, ny fitafiana, ny fianaran’ny mpianatra, indrindra raha sanatria marary ny fidiram-bola isan-tokantrano.Mitombo hatrany ireo mpiasa tsy mandray karama feno, na efa amam-bolana maro tsy mandray karama, na very asa mihitsy. Hita izany any amin’ireo orinasam-panjakanana, ireo sampan-draharaha sahanin’ny fanjakana, toy ny mahazo ny mpiasan’ny oniversite, kaominina maromaro manerana ny Nosy, tambin-karaman’ny mpampianatra Fram, sns. Misy ihany koa ireo tokony handray fisotroan-dronono nefa mbola tsy misitraka izany, noho tsy fahaloavan’ireo sampan-draharaha niasany ny latsakemboka.Mampametra-panontaniana izany rehetra izany, hoe tsy manam-bola ve ny fitondrana sa ny fandaminana no tsy lavorary? Mijaly ny mpiasa, efa latsaka anaty fahantrana lalina. Manampy trotraka, hoy ny Fisema, ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa ataon’ireo mpampiasa sasany. Mandry tsy lavoloha ny ankamaroan’ny olona na antanàn-dehibe na any ambanivohitra noho ny tsy fandriampahalemana, ny tebiteby manoloana ny aretina Covid-19, sy ny vesatry ny fahantrana.Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny OIT (Organisation Internationale du Travail) nisy fanambarana nataony ny volana jona 2019, tamin’ny faha-100 taonany momba ny ho avin’ny Asa, ary koa fanambarana natao tany Abidjan, mametraka ny mpiasa ho ivon’ny fampandrosoana. R.MathieuL’article FISEMA: tsy manam-bola ve ny fitondrana sa ny fandaminana no tsy lavorary ? a été récupéré chez Newsmada.