Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19

News - Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19

News - Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19

 

 Araka ny
fanadihadiana nivoaka ny alatsinainy lasa teo, nahatratra
43 483 423 ny tranga Coronavirus voamarina amin’ny
firenena 180 anatin’ny kaotinanta dimy. 1 159 300
ireo namoy ny ainy vokatry ny valanaretina. Firenena tena ahitana
tranga maro sy olona maty betsaka ny any Etazonia, India, Brezila,
Rosia ary Frantsa, araka ny fandalinana navoakan’ny teknisianina.
Any Frantsa, ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny valanaretina ny
herinandro maromaro ho avy. Amin’izao fotoana izao, mitovy amin’ny
zava-misy tamin’ny fotoana nirongatan’ny valanaretina voalohany
tany an-toerana ny tranga ankehitiriny ka mampanahy ny mpitsabo sy
ny mpitondra any an-toerana. Raha departemanta vitsivtisy no tena
nahitana tranga maro niditra teny amin’ny hopitaly. Saika manerana
ny firenena iray manontolo no misy ny tranga nandritra ny andro
maromaro farany. Efa mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny
alina any amin’ny faritra maro ary nahena ny ora ahafahan’ny
toeram-pisakafoana misokatra ho an’ny toerana voatondro.

Nangonin’i Vonjy

Article tiré de Newsmada

L’article Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 28/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fanafihan-jiolahy tao Depot Toamasina: maty ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanolanana tambabe

Namoy ny ainy, ny talata tolakandro teo tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanolanana tambabe nataon’ny jiolahy miisa 15, nandritra ny fanafihana tao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny fokontany Depot Fahatelo, Toamasina.Fantatra nandritra ny fanadihadiana tany an-toerana fa efa saika isan’andro ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ao amin’ity fokontany ity sy ny manodidina, saingy hatreto, tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy. Raha ny loharanom-baovao voaray nandritra ny fidinana tao amin’ny fokontany, tsy misy zavatra azo nalaina afa-tsy fahitalavitra “ecran plat” iray tao amin’ilay tokantrano ka antony nahatonga ireo jiolahy nanolana ilay renim-pianakaviana izany. Nofatoran’ireo jiolahy ilay raim-pianakaviana ary tsy vitan’izay fa mbola nambenana tamina basy ka nifandimbiasan’izy ireo teo ilay renim-pianakaviana. Niafara tamin’ny fahafatesany anefa izany noho ny ratra nahazo azy. Velon-taraina, araka izany ,ny fokonolona any an-toerana satria vao ny 13 jolay lasa teo koa no nisy raim-pianakaviana iray avy nahalafo akoho manatodilava niharan’ny fanafihan-jiolahy raha vao hiditra tao an-tranony. Voaambana basy sy antsy lavalela avy hatrany izy ka lasan’ireo jiolahy avokoa ny entana rehetra tao an-tranony niampy ireo vola vidina akoho hatramin’ny fitaovana tany an-dakozia.Nambaran’ny sefom-pokontany ao an-toerana fa tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny hametrahana “poste avancé”-n’ny zandary ao amin’izy ireo hialana amin’ny tranga toy izao.SajoL’article Fanafihan-jiolahy tao Depot Toamasina: maty ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanolanana tambabe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina

Tamin’ny feo tony sy milamina. “Nidina an-keriny ary nanorina trano tsy ara-dalàna etsy amin’ny tanim-panjakana etsy Alarobia Raholdina Naivo. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana  hanorina. Tsy misy koa ny fanamarinana ny maha azy ny tany ka tsy maintsy naka fepetra ao anatin’ny  fanarahana ny lalàna ny fanjakana”, hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny  Fanajariana ny tany, Raharison Liva, notronin’ireo tale jeneraly miisa valo eo anivon’ny ity minisitra ity, omaly tetsy Anosy. Nambaran’izy ireo fa efa  ampiantsoina sy nangatahina ny antontan-taratasy rehetra ity olon’ny IRD ity, saingy tsy nahita taratra ny maha azy ny tany  izany.  “Tsy maintsy nakatona sy nogiazana ny toerana… Tsy ananan-kavana ny raharaha  tahaka izao. Rehefa vandana dia kary… Azy manokana indray ny fanenjehana sy ny  fanaratsiana… Tompon’andraikitra amin’ny nambarany izy. Tsy manenjina azy amin’izany ny minisitera”, hoy ihany izy ireo.Kianjan’ny rugby eny Soavimasoandro Tsy vitan’izany fa mbola nofoanan’ny fanjakana koa ny fifampivarotana sy ny fahazoany “titre”,  miaraka amin’ny olona hafa maromaro, ny tany etsy amin’ny kianjan’ny rugby Soavimasoandro, mitondra ny anarana “Fanantenana Hanitriniala”.Fotoana koa io nanambaran’ireo tale jeneraly ireo ny momba ireo tanim-panjakana namidy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ka nanaovana antso avo ny amin’ny tokony hamerenana  izany. “Misy ireo mbola karohina sy tadiavina. Eo koa ireo efa namerina ny tany.  Anisan’izany ilay nahazo ny zaridainan’Antaninarenina sy ny CEG Analamahitsy. Efa niverina amin’ny minisitera ny tanin’ny EPP any Toliara sy ny velaran-tany 230 ha nampanofaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna”, hoy ihany izy ireo.Randria   L’article Tanim-panjakana etsy Alarobia: natsinkafon’ny minisitera ny amboletran-dRaholdina a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ANOR: Nifanaraka ireo mpandraharaha momba ny volamena

Taorian’ny faritra Vakinankaratra sy Menabe dia nidina tany amin’ny faritra Betsiboka indray ny ekipan’ny ANOR (Agence Nationale de la Filière Or). Nihaona amin’ireo mpiantsehatra amin’ny sehatr’asa momba volamena, ireo  vondrom-bahoaka itsanjaram-pahefana tao amin’ny kaominina Maevatanana I sy II, Beanana, Mahazomà, Berivotra 5/5, Andriba  ary Antsiafabosotra izy ireo tao anatin’ny andro maromaro. Ny fampidirana ireo mpandraharaha momba ny volamena ao anatin’ny ara-dalàna no tanjon’izao fitsidihana mitohy vakana izao, araka ny  fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny ANOR. Nandritra fivoriana niarahana tamin’ireo mpisehatra no nampatsahiavan’ny ANOR  ny lalàna mifehy ny volamena eto amintsika.  Teo ihany koa ny fitadiavana paikady iraisan’ny rehetra mba hidirana ao anatin’ny sehatra ara-dalàna. Tsikaritra nandritra ny fidinana nataon’ny ANOR fa anisany mampihena ny vola miditra amin’ireo kaominina notsidihana ny fisian’ireo mpisehatra tsy manara-dalàna. Raha ny tokony ho dia mandoa « impôt synthétique » ny mpandraharaha momba ny volamena saingy noho izy ireo tsy ao anatin’ny ara-dalàna dia ny antsasany amin’izany ihany no hefain’izy ireo. Eo ihany koa ny tsy fampiasàna ny rejistra izay fomba tokana hitsirihana ny fivezivezen’ny volamena. Ankoatra izany dia mampitarazoka ny fampidirana ireo mpandraharaha amin’ny ara-dalàna ihany koa ny fifandaminana anatiny amin’ny samy mpandraharaha. Miteraka fifanjevoana amin’ireo mpitrandraka mandinika ny fisehoan’ny mpanome fahazoan-dalana eny amin’ny toeram-pitrandrahana. Noho ny fidinan’ny ANOR tany amin’ireo kaominina dia nifanaraka ireo mpiantsehatra nanaovana fihaonana fa samy hanara-maso sy hitsirika ny sehatra tandrify azy avy. Mitaky ny firaisan-kinan’ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny fampiharana ny paikady fitantanana amin’ny seha-pihariana momba ny volamena. Ilaina ihany koa ny fampahafantarana ny sazy miandry ireo tsy manara-dalàna.  Lynda A. Cet article ANOR: Nifanaraka ireo mpandraharaha momba ny volamena est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra

“Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Niainga avy amin’io lohahevitra io ny fiaraha-nidinika nataon’ny tompon’andraikitra samihafa, avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny faran’ny herinandro lasa teo.Ambany dia ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amintsika, manodidina ny 12 %, raha efa mahita 15 % ny firenena sasany aty Afrika, samy eo an-dalam-pandrosoana. « Tsara ho fantatra anefa fa misy olona 13 tapitrisa azo takina hetra eto Madagasikara. Ireo olona ireo anefa, miaina ao anatin’ny fahantrana. Afaka mandoa hetra izy ireo raha mihatsara ny fari-piainany », araka ny fanamarihana nataon’ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena iray CCOC (1), Radert Ony.Tsy hita taratra ny fandoavan-ketra raha avy amin’ny vola miditra na ny IR (Impôt sur le revenu). « Ambany indrindra ny IR avy amina orinasa na avy amin’ny isam-batan’olona », hoy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain. Tsy misy afa-tsy 1,61 % ny IR na 51,3 miliara ariary ny taona 2018, amin’ny hetra rehetra miditra, araka ny tarehimarika navoakan’ireo mpanao fanadihadiana momba ny toekarena, Crem (2). Andraisan’ny fanjakana volabe indrindra hatramin’izao ny TVA, 39,14 %.Tsy mazava ny fampiasam-bolaTsy mazava ny fampiasam-bolam-panjakana ary tsy hita firy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Raha ny fahitan-dry zareo mpandaha-teny azy, 4,88 % avy amin’ny hetra ihany ny hoentina mampihena ny elanelana eo amin’ny lafiny sosialy; 12,20 % ny mba mandeha any amin’ny asa fampandrosoana, manamarina izany ny fiandrasana famatsiam-bola avy any ivelany. Izay tsy fahitana ny fiantraikany izay no anisan’ny tsy mampazoto ny Malagasy mandoa hetra.Ezaka lehibe, noho izany, ny fanentanana ny olom-pirenena handoa hetra. Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy izany fa lavitra ezaka. « Mikendry hahatratra 15 % amin’ny taona 2023 ny fitondrana amin’izao fotoana izao fa mila mangarahara ny hahatongavana amin’izany », hoy ny tale jeneraly, i Germain.Somary natsahatra ny volana mey teo aloha ny fanaraha-maso momba ny hetra. Nilaza ny ao amin’ny foibe misahana izany fa manao fandaminana mialoha ny hanohizana azy, izay mbola tsy nambara. Jerena avokoa ny lafin-javatra rehetra. R.Mathieu CCOC (1) : Collectif des citoyens et organisations citoyennesCrem (2) : Cercle de réflexion des économistes de MadagascarL’article Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra

Vonona ny Barean’i Madagasikara hidona amin’i Mozambika, eo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.“Tapa-kevitra ary hiezaka handresy an’i Mozambika izahay, rahampitso alahady”, hoy i Rivo Francklin, mpanazatra, sy i Ando, kapitenin’ny Barean’i Madagasikara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly tetsy Ankorondrano.  Fihaonana, hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.Fanambin’ireo mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea ny ho tonga amin’ny dingana famaranana, amin’ity “Chan 2020” ity. Efa iray volana rahateo ry zalahy no nanoman-tena ary niavaka satria nahatratra 16 ireo ekipa nakana ireo mpilalao raha efatra ny hatramin’izay. “Nohamafisina ny fanafihana, tamin’ity, izay hita fa lesoka nandritra ny “Cosafa 2018”, hoy i Rivo Francklin.Raha tsiahivina, ekipa efa nidona tamin’ny Barean’i Madagasikara i Mozambika tamin’ny taona 2018, nandritra ny fifanintsanana “Chan”, toy izao ihany. Nisaraka ady sahala, 2 sy 2, tetsy Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso ary nandresy tany an-tanin’olona, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny fihaonana miverina.Ankoatra izay, ny fanamiana mitondra ny marika Nino no hoentin’ny Barea, rahampitso, fa tsy ny Garman intsony. Hisokatra amin’ny 7 ora kosa ireo vavahady miisa sivy eo Mahamasina hisorohona ny ho fibosesehana.Tonga omaly, ny ekipan’i Mozambika. Hitsapa ny kianjaben’ny Mahamasina izy ireo, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mbola hanao fanazarantena kely ho fanitsiana sy fanamafisana ny taktika kosa ny Barea, amin’ity maraina ity.Marihina, fa afaka herinandro no hanaovana ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, ka raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Maputo, ny asbotsy 3 aogositra izany fihaonana izany. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4484 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4484 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kianja – Filohan’ny ligin’Atsinanana: tsy mankasitraka ny lalaon’ny Barea hatao ao Barikadimy

Manakana ary tsy mankasitraka ny hanaovana ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, i Andry Herinjatovo Marcel, filohan’ny ligin’Atsinanana.Hatairana ny an’ny rehetra, nandritra ny fivoriana notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny Tanàna Toamasina, ny zoma 2 oktobra lasa teo, naheno an’i Andry Herinjatovo Marcel, filohan’ny baolina kitra Atsinanana, nanambara fa tsy mankasitraka ny hanaovana ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, any Toamasina, ny ligy tarihiny sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Naheno izany avokoa ireo mpivory rehetra tao toy ny solontenan’ny mpitandro filaminana telo tonta, ny kaominina Toamasina renivohitra, ny Jirama ary ireo solontenan’ny vondron’ny mpitia kitra sy ny Barea. Samy nanameloka avokoa io teny nataon’ny filohan’ny ligin’Atsinanana io ny rehetra toy ireo mpivaro-kena ao Bazaribe sy ao Bazarikely izay manana klioba mifaninana. Raisin’izy ireo ho tsy fitiavana ny faritra Atsinanana izany. Noporofoin’izy ireo fa na azo jeren’ny besinimaro na atao “à huis clos” ny fihaonan’ny Barea sy i Côte d’Ivoire, tombontsoa maro ny ho azon’ny faritra Atsinanana, tsy eo amin’ny lafiny fanatanjahantena ihany fa ny fanananana fotodrafitrasa manara-penitra, ny lafiny fizahantany ivelany sy anatiny, ny vola hiditra amin’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fitaterana manginy fotsiny.Mety ho ao ambadika ny ligyTsy tongatonga ho azy ny olana sy ny tranga hafahafa miseho momba ny fanesorana ireo mponina manorin-trano manodidina ny kianja Barikadimy. Na izany aza, mandroso ny asa raha ny ao anatiny fa voahelingelina kosa ary tombanana ho mbola tsy mifanaraka amin’ny fenitra takin’ny Caf ny ety ivelany toy ny tsy mbola fahavitan’ny lalana mivoaka sy miditra ny vavahady atsinanana sy atsimon’ny kianja, mbola voasakan’ireo tranon’ny fokonolona anarivony tafo eo ho eo.Hampangain’ny rehetra fa mety ho ao ambadik’izao tranga izao ny ligin’Atsinanana, mampirisika ireo mponina tsy handrava ny tranony. Raha mitohy izao, ahina tsy ho tratra ny fe-potoana hanaovan’ny Caf fitsirihana ka hanomezana fankatoavana ny kianja. Sajo L’article Kianja – Filohan’ny ligin’Atsinanana: tsy mankasitraka ny lalaon’ny Barea hatao ao Barikadimy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andrarezin’ny teatra: nanome ny tsara indrindra ny tropy Jeannette

Zavakanto miaina sy afaka mifanaraka tsara amin’ny fivoarana misy ankehitriny ny teatra. Noporofoin’ny tropy Jeannette izany, ny zoma hariva teo, nandritra ny fitondrana an-tsehatra ilay piesy mitondra ny lohateny hoe « Ny voromailala », tetsy amin’ny Arena Ivandry. 90 taona ny tarika, izany hoe izy ny zokiny indrindra amin’ireo mpanao teatra eto amintsika, saingy mipetraka hatrany ny talenta, ampian’ny traikefa, izay nampitain’ireo zoky amin’ireo tanora ao anatin’ny tropy, ankehitriny.Efa tany amin’ny taona 1942 tany ny nanoratan’i Rosa Beby ny « Ny voromailala », tantarana tovovavy iray, zanaka mpanefohefo, noteren-drainy hanambady tovolahy tsy nandrian’ny fony akory. Na efa ela toy izany aza ny nanomoronana ny tantara, hain’ny mpandrindra an-tsehatra sy ny mpampiakanjo ary ny mpanao ny ravaka ny nampifanaraka ny tantara amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy tranga taloha fa mbola fandre amin’izao fotoana izao, rahateo, ny votoatin’ny tantara.Raha tsiahivina, ity fampisehoana an-tsehatra ity no nentin’ny tropy Jeannette nanokafana ny fanamarihana ny tsingerin-taona faha-90 nijoroany. Tsy hijanona hatreo fa hifanesisesy ny hetsika samihafa hanasongadinana izany, hatramin’ny volana jona 2020. Marihina fa talohan’izao fankalazana tsingerin-taona izao, tsy nitsahatra namelo-maso ny teatra malagasy ny fikambanan’ny mpanao teatra (FMTM), tarihin’i Mbato Ravaloson, izay ao anatin’ny tropy Jeannette.Landy R. L’article Andrarezin’ny teatra: nanome ny tsara indrindra ny tropy Jeannette a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair

Tia mamaky boky Ravoajanahary Nancy, noho ny fahatsapany fa io ny fitaovana mahomby indrindra raha te hanovo fahalalana sy fahendrena. Mankafy mihira koa anefa izy, hatramin’ny fahazazany.Nanomboka tamin’ity taona ity, tapa-kevitra ny tovovavy fa hampivady ireo fitiavana roa ireo ka hanome lanja manokana ny hafatra raiketin’ny hira, araka ny fanazavany.Nisafidy ny anarana Zair izy, amin’ny maha mpanakanto azy, ary nanomboka namoaka vokatra, izay efa mandeha any amin’ny onjampeo sy ny fahitalavitra any, amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fiarahany miasa akaiky tamin’ny Davalt Rwickords, nandrindra ankapobeny, sy i Caeli, mpamoron-kira, ny hirany voalohany.Efa ela ny naniry ho lasa mpihira i Nancy, saingy ankehitriny vao tanteraka izany. Efa niatrika fifaninanan-kira samihafa ny tovovavy ary ambarany fa nahazoany traikefa maro izy ireny, nentiny nanomana zava-baovao sy miavaka amin’izay efa ataon’ny hafa. Araka ny voalazany, efa manana hira maro vonona i Zair ary hezahiny havoaka tsikelikely izany.Anisan’ny mampiavaka ity tovovavy ity koa ny fanehoana hatrany ny maha Malagasy, indrindra amin’ny fomba fiakanjo, izay toy ny tsy voahaja intsony ho an’ny ankamaroan’ny mpiangaly mozika mafana, izay matetika zara raha mitafy. “Amiko, fanabeazana sy fitaizana ny mozika”, hoy izy. Mifantoka amin’ny fampahafantarana io vazony vaovao io i Zair, amin’izao fotoana izao.Landy R. L’article Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Coupures d’eau : Situation intenable dans certains quartiers de Tana
24/11/2020

Certaines installations sont alimentées « au compte-goutte » ! Invivable. La situation en matière d’eau dans de nombreux quartiers d’Antananarivo est de plus en plus intenable face aux coupures à répétition, voire permanente pour certaines localités. Robinets à sec, ou presque, depuis des semaines voire des mois pour certains quartiers comme Ambohitrarahaba, Antsampandrano, Ivandry, Ambohibary Alasora, Tsarahonenana, Ankatso, pour ne citer que cela, car la liste est longue. D’autres ont dû passer le week-end dernier, et même jusqu’à hier, sans eau. C’était le cas pour de nombreux fokontany où les usagers ont dû se ravitailler en eau chez des amis ou des proches pour avoir de quoi se laver, en attendant le retour à la normale. Seulement, la « normalité » semble maintenant être les coupures d’eau (mais aussi de l’électricité) à répétition, pour diverses raisons. Celle avancée par la société nationale d’eau et d’électricité, JIRAMA, est bien souvent en lien avec des travaux impératifs à effectuer sur les installations. « C’est invivable. L’eau est coupée durant toute la journée et ne revient que vers 22h, voire 23h ou minuit, pour être à nouveau coupée vers 2h du matin. Du coup, nous veillons tard toutes les nuits pour remplir les bassines et les bidons pour notre consommation du lendemain. Et quand certains soirs, les robinets restent désespérément secs, nous sommes contraints d’aller chercher de l’eau chez des amis. Ce qui occasionne des coûts, outre les factures de la JIRAMA qui, curieusement, ne cessent d’augmenter. Et l’électricité, n’en parlons pas. Ces baisses de tension qui ne permettent l’usage d’aucun appareil… Trop, c’est trop ! », s’indigne un usager d’Ivandry où les coupures d’eau et la baisse de la tension électrique sont devenues le lot quotidien des habitants. En cette période de grande chaleur, les consommations d’eau pour l’hygiène et la lessive sont en augmentation, alors que l’eau n’est pas disponible. Période d’étiage ou pas, le problème devient permanent, au grand désespoir des usagers. Hanitra R. L’article Coupures d’eau : Situation intenable dans certains quartiers de Tana est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Coupures d’eau : Situation intenable dans certains quartiers de Tana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ils ont dit
18/11/2020

Carolus Andriamahitsinoro : « C’était très dur car les Ivoiriens sont très à l’aise sur cette pelouse. Il a fallu se battre et je pense que ce score de parité arrange les deux équipes, car l’une équipe comme l’autre a tout juste besoin d’une victoire soit contre le Niger soit contre l’Éthiopie » Adrien Melvin : « Nous avons eu du mal à entrer dans le match, contrairement aux Ivoiriens qui se faisaient de plus en plus menaçants. Tout compte fait, ce résultat n’est pas si mauvais pour nous » Propos recueillis par Clément RABARY L’article Ils ont dit est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ils ont dit a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fifampitifirana nivaivay tao Toamasina: jiolahy efatra lavo, rotiky ny balan’ny FIP sy ny USI
25/11/2020

Ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny FIP ao Toamasina, miampy ny polisin’ny USI avy aty Antananarivo mihitsy, omaly tolakandro, no indray nifarimbona tamin’ny “opération” nisamborana ity andian-jiolahy mahery vaika iray tao Toamasina ity. Efatra tamin’ireo jiolahy no lavon’ ny balan’ny polisy nandritra ny fifampitifirana.Toy ireny amin’ny horonantsarimihetsika ireny ! Nirefodrefotra tsy nifandrenesana indray ny poa-basy tao Toamasina, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro. Jiolahy miisa efatra indray lavon’ny polisin’ny USI sy ny Fip nandritra ny fifandonana, tafaporitsaka kosa ireo namany telo mianadahy. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy, tao amin’ny fokontany Beril Rose tao ambadiky ny trano fisakafoana lehibe iray no nifanehatra tamin’ny polisy ireo jiolahy ireo. Tsy vita teo anefa izany fa nihazo tao Tanambao faharoa Bazarikely sy 4 chemins Morarano sy Ambolomadinika indray ny fifanenjehana narahina fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisy. Vokany, lavon’ny balan’ny polisin’ny USI Antananarivo notarihin’ny kaomisera Rakotonjanahary Mick Antonio sy ny FIP Toamasina notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules.Jiolahy telo no efa fantatra fa hanafika…Andro vitsy mialoha izao no efa nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy miisa fito ahitana vehivavy iray mikasa hanao fanafihana eo amin’io toerana io. Niatrana teny an-toerana ireo polisy nanao fanamiana sivily niaraka tamin’ireo nanao fanamiana polisy. Voamarina tokoa ny fisian’ireo jiolahy nandeha Bajaj (vao avy nangalarina hanaovana ilay fanafihana), nikasa hanafika mpandraharaha jirofo. Nasaina nijanona ireo jiolahy nandeha Bajaj, saingy tifitra avy hatrany no nasetrin’izy ireo ka raikitra teo ny fifamaliana tifitra. Marihina fa nitrangana fanafihana mitam-piadiana roa tao anatin’ny herinandro. Voalohany tao Tanambao fahadimy, raim-pianakaviana iray nandeha moto nitondra vola 10 tapitrisa Ar norobain’ny jiolahy. Ny zoma sy asabotsy kosa tao Valpinson, raim-pianakaviana iray nandeha Bajaj no notafihin’ny jiolahy, lasan’izy ireo ny vola 12 tapitrisa Ar.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fifampitifirana nivaivay tao Toamasina: jiolahy efatra lavo, rotiky ny balan’ny FIP sy ny USI a été récupéré chez Newsmada.

Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena
18/11/2020

Nanomboka ny 16 ka hatramin’ny 20 novambra izao ny hanamarihan’ny masoivoho amerikanina ny “Herinandron’ny fanabeazana iraisiam-pirenena” (IEW).Mampirisika ireo mpianatra malagasy liana amin’ny fianarana any ivelany ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara sy i Kaomoro handray anjara amin’ireo hetsika maimaimpoana mandritra ny IEW amin’ny fitsidihana ny pejy facebook https://www.facebook.com/EducationUSAMadagascar.Tokony hanararaotra ity herinandro ity ireo mpianatra malagasy hijerena ny fomba hahafahana manohy fianarana any amin’ireo oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony miisa 4 000 any Etazonia ka hisitraka ny traikefa entin’ny fampianarana iraisam-pirenena.”Ny foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay hatao ny 18 sy ny 19 novambra izao ny ivon’ny fanamarihana ny herinandron’ny fampianarana iraisam-pirenena na ny IEW amin’ity taona ity.Afaka mifandray amin’ireo tompon’andraikitry ny fandraisana mpianatra amina oniveriste sy ny sekoly ambony amerikanina toy ny Lafayette College sy ny Santa Rosa Junior College ireo mpianatra malagasy izay te handray anjara amin’ireo fotoana ireo.Ho an’ny eto Madagasikara manokana, hanolotra tafatafa mivantana amin’ny pejy “facebook” hiarahana amin’ny mpianatra efa nandranto fianarana tany Etazonia ny masoivoho amerikanina amin’ny alalan’ny EducationUSA.Tatiana A  Fandaharam-potoana18 sy 19 novambra amin’ny 3 ora tolakandro sy amin’ny 7 ora hariva: Foara ampitain-davitra momba ny fampianarana ambony izay ahafahan’ny mpianatra mifandray amina oniversite amerikanina miisa 150. Misoratra anarana mialoha ao amin’ny pejy Facebook @EducationUSAAfricaConnection20 novambra – 11 ora : Andiany faharoa amin’ny tafatafa mivantana iarahana amin’ny ekipan’ny EducationUSA sy ireo mpianatra malagasy efa nandranto fianarana tany amin’ny oniversite amerikanina hitantara ny fiainan’izy ireo ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar.16 – 20 novambra: torohevitra samihafa momba ny fianarana any Etazonia, hozaraina isan’andro ao amin’ny pejy facebook @EducationUSAMadagascar L’article Masoivoho amerikanina: manamarika ny herinandron’ny fanabeazana iraisam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany
24/11/2020

Hafainganina ny fanarenana! Mitodika koa any amin’ny foto-tsakafon’ny Malagasy ny fitondrana noho ny fikorontanana sy ny fangejana isan-tsehatra afitsoky ny Covid-19. Ny ao amin’ny Fitantanam-paritry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jonon’Alaotra-Mangoro (Dredd) no nampahafantatra, ny 19 novambra teo, fa misy fampisamboram-bola amin’ny zana-bola ambany dia ambany (1%) amin’ny tantsaha, mpamoka-bary, te hanitatra na hanatsara ny famboleny. Miara-miasa amin’ny fanjakana amin’izany ny banky BOA. Azon’ny mpamboly atao koa ny manao fangatahana mitokana, na koa mitambatra amin’ny mpiray tambajotra, ohatra. Ampandalovina any amin’ny kaominina ny fangatahana an-tsoratra, na koa any amin’ny birao mitantana ny tambajotran’ny tantsaha.“Tohana” anarenana ny fahabangana nateraky ny aretin-dratsy Covid-19 hatrany izao ifotoran’ny fitondrana izao. Antenaina fa hisy fanohanana ny fambolem-bary ho an’ny tantsaha, toy izao, any amin’ireo toerana mpamoka-bary lehibe hafa eto amin’ny Nosy.RarivoL’article Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany a été récupéré chez Newsmada.

PMU bet261: miverina ny Quinté +
20/11/2020

Nampahafantarina, omaly, ny fiverenan’ny lalao Quinté 261, karakarain’ny PMU Bet. Mampiavaka azy ny lalao hazakazan-tsoavaly amin’ny fahitalavitra, natao ho an’ny Malagasy fa tsy miaraka amin’ny lalao iraisan’ny firenena 40, ahitana ny PMU Bet. Araka ny efa nahafantarana azy, ny fampilaharana ny soavaly dimy tonga voalohany no ahazoana loka amin’ny Quinté 261. Misy ny laharana dimy misesy marina, ao ny laharana dimy tsy milahatra ary ao ny efatra voalohany (bonus 4).Mitentina 10 tapitrisa Ar farafahakeliny ny loka azo ary vidina 3.000 Ar ny tapakila iray fandraisana anjara. Mitombo hatrany ny lokabe, raha tsy misy mahita ny laharana marina amin’ny fotoana fisarihana.Tsiahivina fa anisan’ny lalao karakarain’ny PMU Bet koa ny Quinté 261 sy ny Tiercé 261.Njaka A.L’article PMU bet261: miverina ny Quinté + a été récupéré chez Newsmada.

Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara
21/11/2020

Nankalazaina, omaly, tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny Andron’ny indostria aty Afrika 2020. Nitarika ny fotoana ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny indostria (Onudi), ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana ary ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Navoitra tamin’ny An­dron’ny indostria aty Afrika ny fifanakalozana malalaka ao anatin’ny fifaninanana, izay misy tse­na mahatratra 3 000 miliara dolara aty Afrika. Mitaky vokatra betsaka avy amina fi­renena isanisany izany, ampy ho an’ny tsena anatiny sy hoentina eo amin’ny tsenan’ny fifanakalozana. Ma­no­hana izay tetikasa misy mangaraharaha mankany amin’izany tolotra izany ny Onudi. Ho an’i Madaga­si­ka­ra, fanamby napetraka ny fa­nomezan-danja ny fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’ny tsena anatiny, koa hampirisihina ny mpanjifa hirona amin’ny vita malagasy. Aorian’izay ny tolotra ho an’ny tsena ivelany hifaninana amin’ny hafa. Mifamatotra ny indostria sy ny varotra ka manafaingana izany ny fampiasana an­govo azo havaozina, ny fidirana amin’ny teknolojia vaovao, ny fiantsoana ny mpampiasa vola mivantana avy any ivelany. Mitombo hatrany ny fampiasam-bola aty Afri­ka ataon’ireo firenen-dehibe, efa nahatratra 49 mi­li­ara dolara tamin’ny 2019, saingy tamin’ity taona ity, nosembanin’ny Covid-19.Indostria iray isaky ny distrika irayNotsiahivin’ny minisitra Ra­kotomalala Lantosoa, fa tsara toerana ny indostria ma­lagasy tamin’ny taon-dasa sady nahazo fanohanana tamin’ny Onudi. Mbola anatin’izay fampiroboroboana ny indostria malagasy izay ny politikan’ny fitondram-panjakana: Indostria iray isaky ny distrika iray. Ankoatra ireo orinasa tafatsangana tamin’ity taona ity, hisy tetikasa fananganana in­dostria iray goavana ma­no­dina ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono any atsimo andrefana, amin’ny taona 2021, vatsin’ ny Bad vola. “Eto Madagasikara, isan-taona, mankalaza ny An­dron’ny indostria aty Afrika, ahafahana manao jery todika ny zava-bita sy hijerena ny ho avy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, sehatra tsy miankina”, hoy ny minisitra Rakotomalala Lan­tosoa. Napetraka ny lo­hahevitra hoe fampandrosoana ny indostria maharitra, manolona ny fisokafan’ny tsena aty Afrika sy fiatrehana ny fandalovan’ny valanaretina coronavirus.R.MathieuL’article Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana   
24/11/2020

“Tsy azon’ny mpiasam-panjakana, sivily na miaramila, na ny mpiasan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, atao ny manao fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray, na hampiely sary famantarana na kabary amina fampielezan-kevitra.”Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, momba ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana loholona izao, araka ny And. 57 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.Ao anatin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, tsy azo atao koa, ohatra, ny fitokanana ofisialy rehetra sy ny filazana goavana ataon’ny fitondram-panjakana sy ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana mety hanome tombondahiny antoko politika na kandidà.Tsy azo atao koa ny mampiasa fitaovam-panjakana toy ny fiara sy ny tranom-panjakana ary ny fahefam-panjakana anaovana fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray.Manao fanaraha-maso ny Ceni“Rehefa misy ny fanairana aty amin’ny Ceni, mampamerina amin’ny laoniny izay heverina ho fihoaram-pefy ny ataon’ny Ceni voalohany indrindra”, hoy izy momba ny fanaraha-maso izay fanaovana fampielezan-kevitra izay.Ny amin’ny fametrahana ny peta-drindrina no hany fahefan’ny Ceni amin’izao. Raha amin’ny toerana tsy tokony hametahana azy izany, mampitandrina hampamerina amin’ny laoniny ny Ceni. Azony atao ny mampandoa vola ny kandidà mandika lalàna. Mba hahazoan’ny Ceni mampiasa izay vola izay amin’ny fanalana izay peta-drindrina izay.R.Nd.L’article Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana    a été récupéré chez Newsmada.

Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées
19/11/2020

Même les enfants sont venus se faire dépister du diabète, comme cette fillette de 12 ans. Les diabétiques qui s’ignorent sont, hélas, la réalité du terrain, aussi bien dans les structures sanitaires que dans le cadre des dépistages de proximité. Samedi dernier encore, dans le cadre de la journée mondiale du diabète (14 novembre), le Lions Club Antananarivo Ilohasina en a fait le constat dans le cadre de son action en faveur de la population d’Imerintsiatosika où une séance de dépistage gratuit a été proposée. En effet, sur 75 personnes dépistées lors de cette journée, 8 cas de diabète ont été découverts, soit 6% de l’ensemble des personnes dépistées. Parmi ces cas de diabète figure une personne avec un taux de glycémie à jeun atteignant 18g/l. Soit plus de 25 fois le taux normal de sucre dans le sang, à jeun, lequel doit être compris entre 0,7g/litre et 1g/litre de sang. Complications invalidantes. Ce constat des diabétiques qui s’ignorent, constitue un véritable danger pour la santé des personnes concernées, au regard des complications qui pourraient survenir en l’absence d’une prise en charge adéquate de leur diabète. Raison pour laquelle les sensibilisations se multiplient à l’endroit du public sur la nécessité de contrôler régulièrement le taux de glycémie afin de prendre en charge le plus tôt possible les éventuels cas de diabète et éviter ainsi les complications, souvent invalidantes telles la cécité et les amputations. Pour ce qui est des cas de diabète dépistés lors de la séance d’Imerintsiatosika, ils ont été aussitôt orientés vers le CSB II sur place pour être pris en charge. C’est alors dans cette optique d’assurer le suivi des patients que le LCA Ilohasina a remis deux testeurs de glycémie au CSB II d’Imerintsiatosika et au Centre hospitalier d’Arivonimamo. Dons scolaires aux enfants. Cette journée de dépistage gratuit a été le fruit d’une collaboration entre le LCA Ilohasina, le service de district de la Santé publique d’Arivonimamo et le CSB II d’Imerintsiatosika. Rappelons que le 14 novembre dernier, le Lions club International, sous la tutelle du ministère de la Santé publique par le biais de la direction de la lutte contre les maladies non transmissibles, a célébré la journée mondiale du diabète, à l’instar de nombreuses autres organisations et forces vives. Parallèlement, le club a également remis à plus de 70 élèves ayant réussi leur examen de CEPE cette année, des kits scolaires comprenant un sac à dos imperméable ; 12 cahiers de 100p ; 4 cahiers de 200p ; 2 cahiers de 50p ; des carnets de vocabulaire ainsi que des stylos, crayons et gommes. Hanitra R. L’article Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus
21/11/2020

Les passagers d’un autobus de la ligne 109, reliant le quartier des 67 ha à Ambohitrarahaba étaient en effervescence, jeudi soir vers 20 heures. Cela a été provoqué par une altercation, qui s’est produite à l’intérieur de ce véhicule, opposant un couple et un homme. Sur le trajet, les trois individus ont échangé des coups de poings. Heureusement, le chauffeur a eu le réflexe d’arrêter le bus devant des policiers postés sur le bord de la rue à Andranobevava. Alertés, ces éléments de forces de l’ordre sont alors intervenus pour calmer la situation. Arrêtées, les deux parties en conflit ont été amenées au commissariat du 8e Arrondissement à Analamahitsy pour enquête. La police a pris cette décision après avoir été informée de l’origine de cette bagarre, qui était une tentative de vol à la tire. L’homme en question aurait tenté de subtiliser le collier en argent sur le cou du mari, à entendre les témoignages de certains passagers de l’autobus. Ayant remarqué ses agissements, l’épouse a tout de suite réagi en assénant un coup de poing au voleur. Contrarié, celui-ci a alors riposté en frappant la femme et le mari est ainsi intervenu. Les deux hommes se sont farouchement battus. Résultats, ils sont tous les deux blessés. Arrivé au commissariat, le suspect a rejeté l’accusation portée contre lui malgré la présence de quelques passagers qui ont témoigné contre lui. Il a déclaré qu’il était un militaire en permission. Ayant vérifié son statut, la police a remis cette affaire à la brigade de la gendarmerie de Betongolo. Ainsi, l’enquête continue auprès de cette unité. T.M. L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Toetr’andro: hitohy ny andian-javona eto afovoan-tany
20/11/2020

Nanamarika ny mpamantatra ny toetry ny andro fa hisy ny andian-javona ao anatin’ny telo andro misesy ho an’ny eto afovoan-tany. Mety hanelingelina amin’ny fifamoivoizana izany ny maraina ka mila mitandrina ireo tsy maintsy mandeha vao mangirandratsy.Anio, handrahona tanteraka ny any Ankazobe ny maraina ary hanevokevoka ny andro. Rahampitso kosa, heverina ny hisian’ny rotsak’orana amin’ny tapany andrefan’Analamanga ary handrahona ny tapany atsinanana. Hitohy ny orana ny asabotsy ho an’ny tapany atsinanan’ny faritra Analamanga.Mbola hafana sy hanevokevoka hatrany ny andro ao anatin’ny telo andro misesy satria manodidina ny 15°C ka hatramin’ny 29°C ny hafanana eto Antananarivo. Manodidina ny 32°C kosa ny hafanana ambony indrindra any Toliara, any Antsiranana ary any Nosy Be.Mila mivonona amin’izany hafanana izany ny rehetra, indrindra ireo tsy maintsy mivoaka ny trano ny mitataovovonana. Miomana amin’ny aroorana ihany koa ireo hody hariva amin’ny faritra andrefan’Analamanga sy ny tapany atsinanana iny.Tatiana AL’article Toetr’andro: hitohy ny andian-javona eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Dren Bongolava: vondrona miady amin’ny herisetra
18/11/2020

Manoloana ny herisetra sy ny fanolanana miseholany tato ho ato, nanapa-kevitra ny Dren Bongolava hanangana ny « club de lutte contre la violence » na ny vondrona miady amin’ny herisetra.Hatsangana eny anivon’ny sekoly tsirairay izany vondrona izany ka handrafitra azy ny solontenan’ny mpampianatra, ny mpianatra, ny ray aman-dreny sy ny solontena avy ao amin’ny Oolisim-pirenena.Vokatry ny dinika nifanaovan’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka sy ny kaomisera tao Tsiroanomandidy izany, ho fametrahana paikady iombonana hiadiana amin’ny fanolanana sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.Maro ireo paikady hapetraka amin’izany, toy ny ady atao amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fiparitahan’ny horonantsary mamoafady. Hisy ny fidinana ifotony hanaovana fanentanana ireo mpianatra tsy hidoroka sy hirona amin’izany fa kosa hanana fahasahiana raha misy tranga hita na mihatra.Entina hiarovana indrindra ireo tanora mpianatra tsy hidonana-poana ny vondrona natsangana. Hiarovana azy ireo amin’ny herisetra sy ny fanararaotana ary ny fanangolena amin’ny endriny samihafa ihany koa.Tatiana A L’article Dren Bongolava: vondrona miady amin’ny herisetra a été récupéré chez Newsmada.