Fihanaky ny valanaretina any Eoropa: manahy ny tampody fohin’ny Covid-19 ny OMS

News - Fihanaky ny valanaretina any Eoropa: manahy ny tampody fohin’ny Covid-19 ny OMS

News - Fihanaky ny valanaretina any Eoropa: manahy ny tampody fohin’ny Covid-19 ny OMS

Naneho ny ahiahiny amin’ny
firongatry ny valanaretina Coronavirus andiany faharoa any Eoropa
ny sampandraharahan’ny OMS miasa any, i Hans Kluge, raha manjohy ny
fiakaran’ny antontanisa tao anatin’ny herinandro maromaro,
indrindra ny any Frantsa sy any Espaina. Ny zoma lasa teo,
nahatratra 288 787 ny tranga Covid vaovao voamarina ary 6 116
ireo namoy ny ainy maneran-tany tao anatin’ny 24 ora, araka ny
antontanisa navoakan’ny université John Hopkins, any Baltimore,
Etazonia. “Tombanana fa hihamaro ny isan’ny olona mamoy ny ainy
vokatry ny valanaretina ny volana oktobra sy ny novambra ho avy
izao”, hoy ity tomponandraikitra ity. 51 000 ny tranga
vaovao voamarina teo anivon’ny firenena 55 sahanin’ny OMS Eoropa,
ny zoma lasa teo, antontanisa avo indrindra raha mitaha ny tamin’ny
volana avrily lasa teo, fotoana tena nampirongatra ny aretina.

Hananika ny iray tapitrisa
ireo maty maneran-tany

Hiaina tsy ho ela ny andiany
faharoa amin’ny valanaretina Coronavirus ny firenena maro ary
anisan’ny nandray fepetra sahady, niverina nihiboka tanteraka, i
Isaraely mandritra ny telo herinandro. Nanamafy ny fepetra
ara-pahasalamana kosa ny firenena sasany.

“Tsy miankina amin’ny fahitana
vaksiny fiarovana ny fiafaran’ny valanaretina fa rehefa haintsika
ny miara-miaina aminy, ho voafehintsika izy”, hoy ny
fanehoan-keviny ihany. Ny vaksiny rahateo, tsy voatery hahomby
amin’ny olona rehetra ka ho sarotra ny hanafatra vaksiny karazany
maro ho an’ny sokajin’olona samihafa.

Hatramin’ny nisehoan’ity
valanaretina ity ny volana novambra 2019 tany Sina, nahatratra 921
097 ny olona maty maneran-tany, 28 819 490 ny tranga
voamarina ary 19 133 300 amin’ireo, efa sitrana
avokoa.

Nanangona : Vonjy
A.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fihanaky ny valanaretina any Eoropa: manahy ny tampody fohin’ny Covid-19 ny OMS a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

CNaPS sy ny MTEFP: miasa any Fianarantsoa ny Task force

Natsangana ny vaomiera manokana “Task force”, hampanarahan-dalàna ny mpampiasa hananan’ny mpiasa fiahiana sosialy, taorian’ny fe-potoana telo volana tinapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 3 mey 2019 teo. Tanjona ny hisian’ny asa mendrika ho an’ny mpiasa malagasy, ka hisitrahany ny zony, omen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Vaomiera iombonana mandrafitra ny Task force ny avy amin’ny CNaPS, tarihin’ny tale jeneraly mpisolo toerana, i Tsaboto Joslenina, sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana (MTEFP) miaraka amin’ny rantsa-mangaika ao aminy, toy ny ao amin’ny fanaraha-maso ny asa.Ela niasana nefa tsy nahazo ny zonyNanao fidinana tampoka, nanara-maso sady nanentana, tany amin’ny orinasa ampolony any Fianarantsoa, ny Task Force, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny tsy fanarahan-dalàna hita ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa. Tao amin’ny tranombarotra mivarotra kojakoja ho an’ny trano iray, efa telo taona niasana i A. Patrick, mpamoaka entana, nefa tsy manana CNaPS. Mpivarotra ao amin’ity tranombarotra ity koa Rtoa R.Louisette, efa valo taona niasana, ary niasa 18 taona tany amin’ny orinasa iray hafa, nefa tsy nisitraka ny zony mihitsy, nefa misoratra ao amin’ny CNaPS. “Sambany teto aminay, nisy toy izao ataon’ny tompon’andraikitra izao”, hoy izy.Ankoatra ny fitetezana orinasa, nisy koa ny fiofanana nomen’ny Sampandraharaha misahana ny asa fahasalamana sy ny sosialy (Sass) ao amin’ny CNaPS tany Fianarantsoa, mikasika ny fiahiana sosialy. Nandray anjara tamin’izany ny mpitantana orinasa sy sekoly, ny mpitondra fivavahana, ny mpahay lalàna, ny kaominina sy ny Faritra ary ny mpianatra.Njaka A.L’article CNaPS sy ny MTEFP: miasa any Fianarantsoa ny Task force a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking”

Nifanentana, avy eo, nifamotoana teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking” lehibe, mifanila amin’ny tsena, ny mpivarotra sasany etsy Anosibe, omaly maraina. Naneho ny tsy fahafaliany izy ireo manoloana ny fananganana tsena vaovao ao anatin’ny faritry ny “parking”.Raha tsiahivina, tsy vao izao ity resaka ity fa efa tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Efa nisy ny naneho hevitra tamin’ireo mpivarotra, raha mbola tsy nanomboka ny asa tamin’izany fotoana izany, saingy niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha, satria nolazaina fa mamafy lainga izy ireo fa tsy hisy izany fanamboarana tsena izany eo amin’ny “parking”. Raha ny voalazan’i Marcelin, anisan’ireo mpivarotra mandà ity tetikasa ity, nampidirina am-ponja mihitsy ireo olona naneho hevitra ireo.“Amin’izao fotoana izao kosa, tsy misy azo afenina intsony ary voaporofo fa tsy nandainga ireo olona ireo… Izao iaraha-mahita izao ny fanamboarana tsena vaovao ato anaty “parking”, hoy izy. Tsy eken’ny mpivarotra ity tetikasa ity, satria tena ilain’ny tsena ny toeram-piantsonana ary io efa misy io aza, tsy mbola ampy. Voaporofo izany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, rehefa misy ny miditra sy ny mivoaka ny “parking”, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra hatrany.Ankoatra izany, nambaran’izy ireo fa tombontsoa manokana ho an’ny mpanam-bola ity tsena vaovao ity fa tsy ho an’ny mpivarotra amoron-dalana velively, satria antapitrisa maro ny vidin’ny iray amin’ireo tsena vaovao. Ireo mpivarotra “madinika”, tsy mbola manan-toerana, no tokony hijerena vahaolana, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Raha tena ho an’ny mpivarotra amoron-dalana tokoa ny tsena, tokony hisy fifanarahana mazava momba izany”, hoy hatrany ireo mpivarotra.Nilaza ireto farany fa efa nitady ny fomba rehetra ahafahana mihaona sy mifampidinika amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, saingy tsy tontosa mihitsy izany. Ankehitriny, misy ny fanangonan-tsonia, halefa any amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay hiangavian’izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity.Landy R. L’article Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking” a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

Père Pedro à Grenoble : Plan Marshall pour l’Afrique

Plusieurs fois nominé pour le Prix Nobel de la paix, le Père Pedro était reçu à l’hôtel de ville de Grenoble par le Maire Eric Piolle. Ce dernier a avoué que le combat de Pedro à Madagascar qui consiste à refuser les inégalités vaut aussi pour la France sauf qu’on s’enferme dans les peurs alors que chaque être humain a la même valeur, la même capacité de joie et de contribution collective. Madagascar prête à héberger. Dans un article intitulé : «Père Pedro : Voir des Etats qui ont des milliards être insensibles à l’Aquarius… », signé par notre confrère Jean-Benoit Vigny du Dauphiné Libre le 16 juin 2018, le Père Pedro de Madagascar, indigné par l’attitude négative des Etats européens vis-à-vis des 629 personnes à bord du bateau Aquarius, a déclaré sans ambages que le village Akamasoa peut les accueillir et les héberger en toutes amours. Ce « prélat malagasy » à la barbe blanche a loué l’initiative de l’Espagne sauvant ainsi l’honneur de l’Europe. Le Père Pedro et le Maire de Grenoble Eric Piolle Plan Marshall. En outre, il a signalé qu’il ne manquera pas de consulter les experts à Bruxelles et leur dire qu’il faut un plan Marshall pour l’Afrique afin que ces petites gens puissent rester chez eux (NDLR : les migrants en provenance de l’Afrique subsaharienne). L’initiative d’inviter le Père Pedro à Grenoble revient à l’ONG Santé & Développement des Docteurs Maurice Collin et Joël Bessière, deux grandes figures connues amis de Madagascar. L’émouvant et beau témoignage du Père Pedro s’est déroulé lors d’une conférence de presse qu’il a tenue au centre œcuménique Saint-Marc de Grenoble. Ce voyage en France du Père Pedro est récompensé par une visite impromptue de la première dame de France Brigitte Macron. « Cette visite n’était pas dans mes plans. La Divine Providence a ses raisons pour que cette rencontre se réalise d’une manière inopinée et inespérée. » Maurice Collin et Joël Bessière ont loué les actions de leurs amis de Romans et des 300 participants qui ont permis aux « amis du Père Pedro » de recueillir des dons très généreux pour les pauvres de Madagascar. Recueillis par Razaka Oliva Cet article Père Pedro à Grenoble : Plan Marshall pour l’Afrique est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Notanan’ny polisy ilay mpamily nahavanon-doza: tovolahy iray maty tsy tra-drano nofaohin’ny 4X4

Fantatra fa efa nandona fiara iray hafa teny Ankadifotsy no nitsoaka nandositra ity fiara 4X4 nahavanon-doza tetsy Ankazomanga, omaly ity. Ankoatra ireo olona efatra naratra mafy, maty tsy tra-drano ny tovolahy iray voafaokany.Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ankazomanga, omaly maraina. Fiara 4×4 iray nizotra ho any Andraharo no niala bisikileta iray teo alohany ka tafavoaka ny arabe ary nifatratra tamin’ny fiara iray nijanona amoron-dalana (P. 306) sy mpandeha an-tongotra miisa telo. Tovolahy iray 25 taona maty tsy tra-drano. Lehilahy lehibe iray 52 taona sy vehivavy iray 20 taona kosa naratra mafy. Naratra ihany koa ilay mpitondra bisikileta teo alohany sy mpitondra moto iray izay nanaraka ilay fiara tao aoriana. Nandriaka eran’ny arabe ny ra. Tampoka rahateo ny fiavian’ny loza satria nandeha mafy mihitsy ilay fiara nitsoaka nihazo iny lalana mihazo an’Andraharo iny. Fantatra, araka ny fampitam-baovao fa efa nandona fiara teny amin’ny faritra Ankadifotsy teny ilay fiara no nenjehina tamin’ny moto ka izao namoa-doza izao. Ahina ho nitsoaka ilay mpamily ka tsy nahafehy ny familiana intsony ka izao nifaoka olona teny Ankazomanga izao. Nentina teny amin’ny hopitaly HJRA avy hatrany ireo naratra ary efa notanana eny amin’ny borigadin’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana kosa ilay mpamily nahavanon-doza. Manentana ny rehetra hatrany ny polisy mba ho malina sy hanaja ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana.Mpianatra eny amin’ny Oniversite…Rafenomanana Fidy, monina eny Ankazomanga ity niharam-boina ity. Mpianatra taona faharoa eny amin’ny sampam-piananara fitantanana (Gestion) eny Ankatso izy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana fitantanana (Aegm). Vory lanona ny olona teny Ankazomanga sy ny manodidina raha nahita ity loza ity. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ilay mpamily tompon’antoka tamin’izao loza mahatsiravina izao.J.C L’article Notanan’ny polisy ilay mpamily nahavanon-doza: tovolahy iray maty tsy tra-drano nofaohin’ny 4X4 a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fifidianana solombavam-bahoaka :: Hitondra ny fanorenana ifotony any Ambositra i Dabe, kandidan’ny ADN

“Hampandresy ny Fanorenana ifotony” no tarigetran’Andrianirina Solofondramaro na i Dabe, kandidàn’ny antoko Antoka sy Dinan’ny Nosy (ADN) hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’ Ambositra. Mpikambana mavitrika ao anatin’ity antoko tarihin’ny mpitari-dalana Edgard Razafindravahy izy nandritra ny efa-taona ny lehilahy, izay laharana faha-10 ao amin’ny biletà tokana. Nirosoany sahady mialoha izao maha kandidà azy izao ny fananganana ny Sekoly ambony ho an’ny vahoaka ao Ambositra, tanàna niaviany. Avara-pianarana ity kandidà tanora, 41 taona, zanak’Imady, izay nandranto fahalalana momba ny vola sy ny fitantanam-bola ity. Nanome lanja sy nanasongadina hatrany ny fikendrena ny fanatanterahana ny vinan’ny antoko ADN, dia ny “Fanorenana ifotony” izy. Amin’ny maha zanaka tantsaha sady niaina tany amin’ny tontolo ambanivohitra azy dia nanangana ireo fikambanana tantsaha maro any an-toerana ny tenany. Nilofo tamin’ny fanampiana ireo tantsaha, toy ny fanolorana masomboly i Dabe, ary tsy mba isan’ireo kandidà miandry lava famatsiam-bola avy aiza na avy amin’iza ny lehilahy. Nandritra ny fotoana maro no efa nijoro ho tompon’ andraikitra teo anivon’ny fokontany, kaominina sy distrika niaviany i Dabe. Miha miakatra hatrany ny tanjona politika hoentiny hanampiana ny mpiray tanindrazana aminy. L’article Fifidianana solombavam-bahoaka :: Hitondra ny fanorenana ifotony any Ambositra i Dabe, kandidan’ny ADN est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée,  sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…Hamaky ady amin’ny kolikolyVita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.Synèse R.   L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sombintsombim-baovao

KOM- “Cours des dirigeants sportifs”: Nanomboka omaly teny amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano, tao anatin’ny fanajana fepetra tanteraka ilay fiofanana ho an’ny mpitantana ara-panatanjahantena, karakarain’ny Komity Olympika Malagasy. Fiofanana eo ambany fiahian’ny komity iraisam-pirenena Olympika izy ity ary 25 mianadahy ny manaraka izany. Tsiahivina, haharitra efatra andro ny fiofanana ka hisy ny mari-pankasitrana omena ny mpiofana aorin’ny fifampizarana. Hifangaro ny fanazavana “théories” sy ny fampiharana “pratiques”, mandritra io efatra andro hiofanana io, raha ny fanazavan’ny Tale, i Toavina, manome ny fampianarana.Mpianatry ny ANS: Tsy voavaly, araka ny fangatahana nataon’ireo mpianatra eny amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro Ampefiloha, ny famoahana ny vatsim-pianaran’izy ireo. Raha ny fantatra, vatsim-pianarana telo volana ihany ny navoaka, raha toa ka dimy volana ny nangatahina. Marihina fa efa nanomboka ny taona 2019 ny tapaka ny fandoavana, izany hoe 12 volana no tsy voaloa ara-dalana ary ny telo volana amin’izay ihany no voaloa, ny volana aogositra lasa teo. Mbola mangataka, araka izany, ireo mpianatra ny hanomezana io vatsim-pianarana io, noho ny fahasahiranana mianjady amin’izao hamehana izao.Nangonon’i Mi.RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tafakatra 1071 ireo tsaboina raha 844 izany ny 1 septambra

Mbola mampanahy tanteraka. Niakatra ho 1071 ny isan’ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany, araka ny tatitry ny CCO, omaly. Miisa 844 anefa izany ny 1 septambra teo. Izany hoe, miisa 227 ireo marary vaovao amin’ity Covid-19 ity tao anatin’ny sivy andro. Mitsinjara ho 26 isan’andro eo ho eo izany ireo miditra hopitaly amin’ny ankapobeny.Manaporofo izany koa ny tranga vaovao miisa 85 tamin’ny fitiliana vita miisa 626. Mifanahantsahana amin’ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina miisa 22 eto Analamanga ny tranga vaovao miisa 16 any Alaotra Mangoro sy ny any Diana, miisa 15, ary ny any Menabe, ahitana 14. Manampy ireo ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sofia, miisa dimy avy, raha efatra ny any Sava. Iray avy kosa ireo nifindran’ny valanaretina any Melaky sy any Anosy ary any Matsiatra Ambony. Manodidina ny 13% ny tahan’ny fiabon’ny fitiliana.Ankoatra izany, tsy nihetsika ny isan’ireo marary mafy fa nijanona ho 53 ihany. Tahaka izany ireo lavon’ny Covid-19, tsy nisy ny maty ka mbola 206 izy ireo hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Na izany aza anefa, miisa 24 ireo sitrana ka tafakatra 14 243 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana tamin’ireo marary miisa 15 520.Synèse R. L’article Tafakatra 1071 ireo tsaboina raha 844 izany ny 1 septambra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambatovy: mahazo tohana ireo tantsaha manodidina

Manampy ireo tantsaha hanitatra ny lalam-barotra ny orinasa Ambatovy. Notohanana ny fandraisan’ireo tantsaha 13 anjara avy amin’ny kaoperativa 10 ao Toamasina II (tanànan’i Vohitrambato sy manodidina ny fanatobiana ny ambin’akora ao Tanandava), manodidina ny toeram-pitrandrahana ao Moramanga sy manamorona ny fantsomby, nandritra ny “Fier-Mada 2019 Ambatovy”. Tafiditra ao anatin’ireo fandaharanasa fanohanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tantsaha, monina amin’ireo faritra voakasiky ny asan’Ambatovy, izao fanampiana izao. Ny hanampiana ny tantsaha hanome lanja kokoa ny vokatr’izy ireo ho fantatry ny mpandraharaha eo amin’ny lafiny toekarena. Tanjona amin’izany ny hahafahana manitatra lalam-barotra.Tsiahivina fa ankoatra ity fampifandraisana amin’ny mpanjifa sy ny mpiombon’antoka ity, maro ireo tohana omen’Ambatovy ireo tantsaha ireo, arakaraka ny filàn’ny fikambanana tsirairay avy, toy ny tohana eo amin’ny lafiny teknika (fampiofanana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana, ny fitantanana fikambanana…), ny fanomezana akora ary ny fikarakarana fitsidihana ifampizarana traikefa amin’ny tantsaha any amin’ny faritra hafa, hahazoana fahalalana sy teknika fanampiny momba ny seha-pihariana misy azy ireo. R.MathieuL’article Ambatovy: mahazo tohana ireo tantsaha manodidina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hitsy toraka

Ratsy fanombohana!Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio atsy Rabat, Maraoka, ny andiany faha-10 amin’ny “Lalao afrikanina”. Isan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara, izay efa any an-toerana avokoa ireo solontenantsika hiatrika azy ity. Na tsy niara-nanainga aza izy ireny, antenaina fa hiara-hiombona sy hifanohana any an-tanin’olona any. Azo lazaina ho ratsy fanombohana ihany isika teo amin’ny fifaninanana ho an’ny taranja judo, tsy nahazo medaly na iray aza. Marina fa ambony ny haavo teknika ho an’ireo mpandray anjara, saingy fotoana kosa angamba izao handraisana lesona satria samy olombelona izao ny mifaninana. Ho voalohany amin’izay! Na ny filoham-pirenena na ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, samy efa nanambara sy namerimberina taorian’ny “Lalaon’ny Nosy” tatsy Maorisy ireny fa tsy maintsy voalohany amin’izay isika manomboka izao. Mazava angamba ny tian’izy ireo hambara. Mety hoe akaiky loatra angamba ity “Lalao afrikanina” ity ka tsy mbola azo ametrahana izany fanirian’ireo mpitondra ireo izany. Tsy misy fahagagana rahateo ny fahazoana vokatra eo anivon’ny fanatanjahantena, izay tena mila ezaka aman-taony maro vao mioty fahombiazana. Azo adika tsotra izao izany hoe, afaka efa-taona any vao hanomboka hifampitsara amin’izay ny rehetra satria miankina amin’ny fanomanana dieny izao ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena. Mi RazL’article Hitsy toraka a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra
21/09/2020

Fampirisihina ny mponina amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka 100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva, satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona nanaditra ny “caravane”.Zo ny Aina L’article «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena
23/09/2020

Tsy afaka ny hangina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Harena, amin’ny alalan’ny filohany, Rabarison Lezava Fleury, omaly. “Ndao haverintsika ny toe-tsaina sy ny toe-po nananantsika nanohanana ny Barea, herintaona lasa izay. Samia manana fahavononana hifanatona sy hifampiresaka. Hikaon-doha sy hikaroka vahaolana mahomby sy maharitra handresentsika ny fahavalo iombonana”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny mbola tsy nandresena tanteraka ny Covid-19, ny adilahy politika arahin’ny fifanasana vangy. Eo koa ny fanarenana ny toekarena, tsy mbola hita taratra izany, araka ny fanambarana. Miantso ny mpikambana eo anivon’ny antokony sy ireo mpiara-dia aminy hanentana ny olom-pirenena hiaraka hamolavola isan-tsehatra ny fomba sy ny paikady hiatrehana ny Covid-19 sy ny fahantrana ary koa ny fanarenana ny fihariana. “Tsarovy ny adidy masina miandry antsika: ny hitia sy hanolokolo ary hanatsara ny lovasoa sarobidy nalevan’ireo razantsika. Ndao isika rehetra hiaraka hikatsaka, hanorina ary hiaina fiadanana sy filaminana ary fandrosoana eto Madagasikara,”, hoy ihany ny antoko Harena.Synèse R. L’article Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena a été récupéré chez Newsmada.

Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy
24/09/2020

… Satria voizina mafy any ivelany ny fandikan-teny, roboka ihany koa ny Malagasy. Raisina ho zava-dehibe ny momba azy io hany ka maro ny petatoko ao anatiny. Mety hitarika any amin-javatra hafa mihitsy anefa izay…Efa tsy finiavana hampivelatra ny teny malagasy irery intsony kosa ny manosika ny mpikaroka sasany fa fahamaizana ny haka tahaka befahatany ny any ivelany. Lasa laharam-pahamehana ho an-dry zareo ireo ny hampitovy ny teny malagasy amin’ny teny vahiny. Anaran-javatra mipoitra avy any ivelany, hezakezahina fatratra ny handika azy amin’ny teny malagasy. Hany ka nogasigasina befahatany ny “radio” ka nanjary “vata fandraisam-peo”, “vata fandefasam-peo”, “fampielezam-peo”, sns. Teraka avy amin’izany ny “tantara filalao an’onjampeo”, sns.Rehefa avy manao fandikan-teny petatoko tahaka izao ireto ampahana mpikaroka ireto dia miteny fa “azo hnaporofoana fa velona sy miaina ny teny malagasy” io voambolana na anarana vaovao io. Azo lazaina ho velona sy miaina ve ny teny malagasy raha rakotra voambolana na anarana, sns, vaovao kanefa tsy mifanaraka amin’ilay tondroina akory ireny voka-pamoronana ireny?Mahavariana fa mitazam-potsiny ny hafaMateti-pitranga eo amin’ny fandikan-teny eto Madagasikara ihany koa ny fipoiran’ny voambolana vaovao avy any amin’ireo tsy mahafehy akory ilay sehatra. Ny mahavariana anefa, toa mitazam-potsiny fa tsy mba manao fanitsiana ireo izay tokony hanao izany. Misy aza moa, vao mainka indray miventy isak’izay mahatsiahy ireny teny na voambolana petatoko ireny. Hatramin’izao, mbola heno matetika any amin’ny radio, ohatra, ny :“Araka ny teny baiko”, “hanatanteraka varavarana misokatra”…Lany fotoana sady lany rondoha no lany vola aman-karena amin-javatra hamotika ny teny malagasy ireo mpikaroka sy ireo miravaka diplaoma sasany. Ny hafa indray, voan’ny fandraikiraikena ka tsy afaka na tsy sahy manitsy akory ireo voambolana na teny vaovao sadasada. Ahoana ny mety hiafaran’ity teny malagasy ity?… Ireo mpikaroka vahiny no nilaza fa “porofo hanamarinana fa velona sy miaina ny teny iray ny fananany teny (voambolana, anarana…) vaovao”… Raha tsy mitandrina, mety hitarika any amin’ny fahapotehan’ny teny malagasy tanteraka ny tranga tahaka ireo satria hanamaivana ny lanja aman-kasin’ny teny malagasy. Tsy zava-baovao io fa paikady napetraky ny vahiny hatry ny ela.HaRy RazafindrakotoL’article Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Antoko RDS : “Miankina amin’ny HCC ny filaminana na korontana”
21/09/2020

Mitodika eny Ambohidahy ny mason’ny mpanao politika. Miteraka resabe ny fanapahanj-kevitra na ny fanapahana noraisin’ny HCC tato ho ato. Nitondra ny heviny momba izany ny eo anivon’ny RDS.“Manana adidy aman’andraikitra lehibe ny rafi-pitondrana najoro eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izany. Io ny hitanay ho rafitra ambony indrindra hampisy ny korontana na hampisy ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena.”Io ny fanehoan-kevitry filohan’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, manoloana ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fifidianana loholona, hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao.Tokony hiandany amin’ny lalàna fototra na lalàmpanorenanaAmbara sy ampahafantarina ny vahoaka malagasy fa indray mandeha ihany no azo fidina ny mpikambana amin’izany rafi-pitondrana izany.Noho izany, tsy misy tokony hiandaniany amin’izay mpitondra misy eo amin’ny tany sy ny fanjakana. Tokony ho ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana no iandaniany sy ataony izay hampanajana an’izany.Tsy tokony ho eo ambanin’ny lalàna ny mpitondraTsy ifanomezan-tsiny izany, nefa hita fa ny tsy ahazoana mitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka. Tsy midika izany fa tsy ho eo ambanin’ny lalàna ny mpitondra mikatsaka izay fampandrosoana izay. Tokony hisy ny lalàna mifehy azy, ary ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana no tokony hohajaina voalohany indrindra.R.Nd.L’article Antoko RDS : “Miankina amin’ny HCC ny filaminana na korontana” a été récupéré chez Newsmada.

Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana
21/09/2020

Nirehitra ny sekoly « Notre Dame de Lourdes », tantanan’ny masera any Manjakandriana, afak’omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 50 minitra tolakandro. Araka ny voalazan’ireo tompon’ andraikitry ny sekoly tamin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra tao amin’ny ambaratonga faharoa no nitarika ny loza. Potika tanteraka ny fitaovana tao anatin’ireo efitrano fianarana misy ny ambaratonga faharoa, ankoatra ireo seza sy latabatra tafavoakan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Niara-nisalahy tamin’ny famonoana ny afo tany an-toerana ireo miaramila avy amin’ny Rezimantan’ny Jenia fahatelo sy ireo zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra any an-toerana ary ny fokonolona. Naharitra ora roa teo ho eo ny fahamaizana. Tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany mahery vao voafehy tanteraka ny afo rehetra. L’article Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana est apparu en premier sur AoRaha.

Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0
24/09/2020

Araka ny nampanantenain’i Mario, efa nivoaka niparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » sy ny «youtube», ny alahady teo, ny hira vaovao an’i Romeo 3.0 «Jaolahy be», amin’ny gadona balvin & wizkid. Mbola tena vitsy mpanao eto Madagasikara kanefa manana ny hanitra ho azy izy io, araka ny nambarany. Anisan’ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobeat sy ny mozika tropikaly…Ankoatra izay, eo am-piketrehana rakitsary (album), ahitana rindrantsary (clip) folo eo ho eo, izy ka anisan’ny ho hita ao anatin’izany ny «Jaolahy be», araka ny nambarany hatrany. Raha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa. « Mivelatra be ny mozika… Ary amin’ny maha mpanakanto, mila mitady zava-baovao hatrany hiavahan’ny tena amin’ny hafa. Izay no tena maha artista », araka ny nambaran’i Romeo 3.0.NarilalaL’article Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0 a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020
22/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 22 Septembre 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 63 sur 598 tests effectués, portant à 1165 le nombre de cas actifs actuels dont 20 présentent des formes graves. La majorité des nouveaux cas sont localisés dans la région de Sava avec 25 cas, suivi de Alaotra Mangoro avec 13 cas, la région Diana avec 9 cas, la région vatovavy Fitovinany avec 3 cas, la région Analamanga avec 6 cas et la région de Boeny avec 1 cas. Quant aux guérisons, 61 cas de guérisons ont été également annoncés par le Pr Vololontiana, de ce fait sur 16 136 personnes contaminées du Coronavirus dans toute la Grande Île, 14 743 personnes sont totalement rétablies du Covid-19. 1 décès liés au Covid-19 a été rapporté par la porte-parole du CCO Covid-19, depuis le début de l’épidémie en mars 2020, le nombre de décès liés au coronavirus à Madagascar est de 226L’article Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Famotorana depiote teo aloha
21/09/2020

Hatolotra ny Fitsarana, any Morondava, Raveloson Ludovic na i Leva, depioten’i Madagasikara teo aloha voafidy tany Mahabo, taorian’ny fisamborana azy tetsy Analakely, tamin’ny herinandro lasa iny. Nigadona tany Morondava, tamin’ny zoma maraina, izy ary voatazona ao amin’ny tobin’ny Zandarimaria any an-toerana. Fantatra fa mbola afaka nanao fitarainana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izy, afak’omaly, izay mety ho nomaniny mialoha ny nahatrarana azy. Iantefan’ny fiampangana hafa ankoatra ny efa nanamelohan’ny Fitsarana azy higadra an-tranomaizina, sazy mihatra, ity olom-boafidy teo aloha ity. L’article Famotorana depiote teo aloha est apparu en premier sur AoRaha.

Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika
24/09/2020

Raikitra ny fitsofana kiririoka nataon’ireo mpiasa antselika sasany ao amin’ny kaominina Toamasina, omaly. Nitaky karama sivy volana tsy voaray izy ireo. Notanisain’ireto mpiasa ireto fa mandrahona handroaka azy ireo mpanofa trano. Eo koa ny fampidirana ny mpianatra sy ny olana samihafa. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina kosa fa tsy miankina amin’ny mpitantana ankehitriny ny antony mahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa antselika. “Miisa 2 346 ireo mpiasa tamin’ny fidirany teo nanomboka ny janoary 2020 ary andoavana karama hatramin’ny 500 tapitrisa Ar ka mavesatra amin’ny kaominina izany”, hoy izy. Nanteriny fa hany fidiram-bolan’ny kaominina mba matanjaka ny tamberim-bidy amin’ny seranantsambo. Kely kosa izany amin’ny eny anivon’ny tsena sy ny hetra sasany. Maro loatra ny mpiasa nefa koa eo ireo mpiasa matoatoa, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa mbola mandoa ny karama tsy voaloan’ny teo aloha ny mpitantana ankehitriny.Sajo sy Synèse R.L’article Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika a été récupéré chez Newsmada.

Cité Ankatso II: nirehitra ny Bloc Amicale II, mpianatra 70 indray traboina
21/09/2020

Vao ny herinandro teo no nirehitra ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Maninday Toliara. Nirehitra koa afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 mn, ny toeram-ponenan’ny mpianatra ao amin’ny Bloc Amicale II, Cité Ankatso II…Fahavoazana iray lavaka ny an’ireo mpianatra niharam-boina nandritra ny haintrano mahatsiravina, teny amin’ny cité Ankatso II, afakomaly omaly alina. Ankoatra ny trano kila hotohoton’ny afo, lasa lavenona avokoa ny fitaovam-pianaran’ireo mpianatra, eny hatramin’ny diplaoma aza ho an’ireo mpianatra sasany. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo fa araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, fipoahana herinaratra no nitarika ny firehetana. Raha ny antontanisa voaray, miisa 70 eo ho eo  ireo mpianatra tsy manan-kialofana sy rava fananana vokatr’ity fahamaizana ity. Fotoana fohy, taorian’ny fahamaizana, tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina nanao ny asam-pamonjena. Nanano sarotra ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian’ny rano nampiasain’ireo mpamono afo. Teo koa ny tsy fisian’ny vavam-pantson-drano fakana rano rehefa misy fahamaizana toy izao. Na teo aza izany, tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy nandritra ny firehetan’ny trano.Nirehitra koa ny sekolin-dry masera ao ManjakandrianaFa may tamin’ny ampahany koa ny sekolin’ny masera Notre – Dame de Lourdes ao Manjakandriana, ny asabotsy teo ihany. Ahina ho fipoahana herinaratra koa no nitarika ny firehetan’ny afo. Olana ho an’ny kaominin’i Manjakandriana ny tsy fananan’izy ireo mpamonjy voina ka nitarika ny fiitaran’ny afo. Ny fokonolona tao an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana no nifanome tanana niaraka tamin-dry masera namono ny  afo ka mba tsy niitatra. Naharitra adiny telo mahery ny famonoana ny afo, voafehin’ny fokolona sy ny mpitandro filaminana ihany izany. Levon’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy ny sekoly ka isan’ireo voa mafy tamin’izany ny tao amin’ny kilasy ambaratonga faharoa. Tsy voakasiky ny afo kosa ny tao amin’ny Lycée.Efa mandeha, araka izany, ny fanadihadiana rehetra momba ireto haintrano goavana ireto.J.CL’article Cité Ankatso II: nirehitra ny Bloc Amicale II, mpianatra 70 indray traboina a été récupéré chez Newsmada.

Le groupe axian rejoint l’initiative de développement durable global compact des nations unies
17/09/2020

Le Groupe AXIAN rejoint les 600 entreprises et parties prenantes du continent Africain signataires de l’initiative UN Global Compact des Nations Unies. AXIAN s’engage ainsi activement à améliorer et accroitre son impact partout où il intervient dans les domaines des Droits Humains, du travail, de l’environnement et de la lutte contre la corruption. L’initiative un global compact, une initiative mondiale en faveur du développement durable  L’initiative UN Global Compact est la plus grande initiative de développement durable au monde regroupant plus de 9 500 entreprises et 3 000 organisations à but non lucratif. Catalyseur de premier plan des transformations à venir, elle permet aux acteurs du secteur privé de s’engager en faveur des Objectifs de Développement Durable. Ceux-ci inscrivent à leurs stratégies 10 principes d’action dans les domaines des Droits Humains, du travail, de l’environnement et de la lutte contre la corruption. Pour mettre fin à l’extrême pauvreté, lutter contre les inégalités et lutter contre le changement climatique, il s’agit de faire des affaires de manière responsable ainsi que de prendre des mesures stratégiques pour faire avancer des objectifs sociétaux plus larges. Axian franchi une étape importante et renforce ses engagements en matière d’impact Le Groupe AXIAN a franchi une étape importante en tant que créateur d’impact majeur à travers le continent africain et l’Océan Indien. En devenant une entreprise du Pacte mondial des Nations Unies et en rejoignant l’initiative Global Compact des Nations Unies, le groupe AXIAN affirme sa volonté d’intégrer ces principes fondamentaux dans ses stratégies d’entreprises, sa culture et ses opérations quotidiennes et de les faire progresser dans ses zones d’influences. Convaincu qu’en œuvrant en faveur du développement durable, le Groupe AXIAN répond avec détermination au défi d’une croissance plus juste et inclusive. La direction impact axian créée pour garantir ses engagements au quotidien La création d’impact positif fait partie inhérente de la démarche du Groupe AXIAN. Chez AXIAN, nous croyons que la transformation de nos sociétés passera par la transformation de nos économies pour les rendre plus inclusives et impactantes. En permettant l’accès à des services financiers au plus grand nombre, en permettant à chacun d’avoir accès à une énergie propre et accessible, en connectant des millions d’Africain à leurs proches, le Groupe AXIAN rend possible l’inclusion numérique, énergétique et financière de chacun dans les pays où il est implanté. En tant qu’entreprise à mission, le Groupe AXIAN s’est doté d’une Direction Impact en 2019 afin de mesurer, d’évaluer et de renforcer l’impact positif de chacune de ses entités et manager notamment grâce à un Scoring Impact développé en interne. Le lancement de la Fondation AXIAN, chargée de mutualiser les actions philanthropiques du Groupe, vient appuyer cette ambition. « Améliorer le quotidien des populations, innover pour transformer durablement les économies africaines en accélérant la transition écologique, en démocratisant l’art et la culture, en accompagnant et valorisant les talents du continent, telle est notre mission. » Recueilli par Nirina R. Cet article Le groupe axian rejoint l’initiative de développement durable global compact des nations unies est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Le groupe axian rejoint l’initiative de développement durable global compact des nations unies a été récupéré chez Délire Madagascar.