Fifidianana Toamasina: raikitra ny propangadin’ny IRD

News - Fifidianana Toamasina: raikitra ny propangadin’ny IRD
Namory ireo mpanolotsaina sy ben’ny
Tanàna ho an’i Toamasina I sy II ny lisitra kandidàn’ny IRD,
notarihin’ny kandida, Manantsoa Donna Tang, laharana fahatelo eo
amin’ny biletà tokana. “Efa hiarahantsika mahita ny ezaka
fampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena eto Toamasina. Nametraka
ny vato fehizoron’ny tetikasa “Miami” sy ny fanamboran-dalana
moron-dranomasina “Boulevard, Ratsimilaho, izy. Notokanana koa ny
fotodrafitasa maro”, hoy izy ireo. Naneho fahavonana ny hanohy
sy hitondra ny hetahetan’ ny isaky ny kaominina ireto
kandidà ireto mba tsy hisy intsony ny ho tara. Tsiahivina fa telo
ny lisitra hifaninana ato amin’ny faritanin’ i Toamasina. Voalohany
eo amin’ny bileta tokana ny MMM. Faharoa ny Vondron’ny mpampianatra
mpikaroka etsy amin’ny oniversiten’ i Barikadimy ary fahatelo
ny IRD.
Sajo
L’article Fifidianana Toamasina: raikitra ny propangadin’ny IRD a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Fanoherana: lany ho filohan’ny « Rodoben’ny mpanohitra » Ravalomanana
Tsy ankiandriandry. Tafatsangana, omaly avy hatrany ny vovonana antsoina hoe : « Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara » . Anisan’ny mandrafitra izany ireo antoko politika mpanohitra miisa 21 eto amintsika. Notanterahina , omaly teny Ivandry ny fifidianana ny biraon’izany vovonana izany, ka lany ho filohany ny mpanorina sady filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara (Tim), Ravalomanana Marc. Ahitana filoha lefitra enina, misolo tena ny isam-paritany ity vovonan’ny mpanohitra ity.Hanao fanambarana lehibe avy hatrany etsy amin’ny Carlton Anosy izy ireo, anio, ho fantatra amin’izany ny fotokevi-dehibe hijoroany sy ny anton’ny fitambarana ary koa ny hetsika sy ny dingana rehetra hatao, amin’izao fitsanganany izao.Tsiahivina fa mbola hodinihin’ny parlemanta : Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ny sata ho an’ny mpanohitra sy ny lalàna momba ny fanoherana.Synèse R.L’article Fanoherana: lany ho filohan’ny « Rodoben’ny mpanohitra » Ravalomanana a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Lalan’ny fampandrosoana ny fanarahan-dalàna
Zandary 36, miaramila 34… Ireo no nosamborina ary naiditra vonjimaika am-ponja noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo, ny fidirana amin’ny raharaha fakana ankeriny, ny fanaovana kolikoly, ny famoahana sy ny fampanofana fitaovam-piadiana, ny fanaovana herisetra, ny tsy fanajana zon’olombelona… Ahoana koa ny polisy?Misy manafin-keloka ao matoa tsy hita na odian-tsy hita izany rehetra izany izay ela izay. Na manjaka ny firaisana tsikombakomba, na ny tsimatimanota, na ny fifampiarovana… Ny hazo no tapaka, ny sampany no miandany amin’ny vy. Aiza ho aiza, ohatra, ny eo anivon’ny fitsarana malaza ratsy amin’ny kolikoly amin’izany?Andrasana ny famoahana sy ny fitsarana ary ny fanasaziana ireo tsy tan-dalàna amin’ny sehatra hafa toy ny fadintseranana, ny fitantanana lafintany, ny fananan-tany, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fitantanam-bolam-panjakana… Efa ela sy lalina ary saika nanenika ny sehatra sy ny ambaratonga rehetra ny fahalovana?Tsy ny lafiny fandriampahalemana ihany tsinona no mampikaikaika ny vahoaka ifotony, na eo tokoa aza izany. Saika mampiferinaina avokoa izay atao sy aleha rehetra talohaloha teo izay. Ny vahoaka ifotony hatrany no tena mitondra faisana noho ny afitsok’ireo hoe tsimatimanota, ireo lehibe tsy meloka, ny ambonin’ny lalàna…Tsy hisy izay tany sy fanjakana tan-dalàna, raha misy hatrany karazana olom-pirenena hafa noho ny hafa rehetra: mahazo tombondahiny noho ny tsy firaharahana na ny tsy fanarahana lalàna, ny fahalalana olona, ny fampiasana sy ny fanamparana izay mety ho karazan-kery izao na izatsy, ny fandehanana amin’ny lalana ambanin’ny tany…Vao mainka tsy hisy izay hoe fampandrosoana ny vahoaka ifotony raha mahazo sy omena vahana hatrany ny tsy fanarahan-dalàna. Mba misy amin’izay ve ny fakan-tahaka amin’ny fampiharan-dalàna amin’ity hoe fanovana? Na miainga avy any ambony sy ny lehibe ny ohatra velona alain-tahaka… Hiova ny fanao mahazatra?“Aza atao hoe ny fombanao no tokony ho lalànao fa ny lalànao no tokony ho fombanao”, hoy ny ohabolana danoa iray izay.Rafaly Nd.L’article Lalan’ny fampandrosoana ny fanarahan-dalàna a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Milaza fa mpikarakara fomban-drazana: tratra ireo jiolahy misoloky amin’ny finday, mangataka volabe
Nahomby ny teti-dratsin’ireo andian-jiolahy maromaro ka mody milaza fa hoe: « mpikarakara fomban-drazana avy any Mandritsara izahay miantso anao io ka ianao dia hitanay ato fa tafiditra tao anatin’ny tsara vintana. Koa misy vola amin’ny “carton” maromaro ireto ho anao raha maharaka ny fadifady sy ny fitandremana rehetra ary afaka hifanao fotoana isika ka aty Ampanefena ny hanaovana ny fombafomba fa mba hampisehoana ny masina dia mitondra vola 8 tapitrisa Ar, tsy vitan’izany fa mbola afaka manome fiarovana ho anao mba ho voaaro ny lavanilanao », hoy ny soratra alefan’ireo jiolahy amin’ny telefaona findain’ireo olona hosolokin’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny kaompania zandary ao Sambava, ny kapiteny Mahavoriso Emilien, niara-niisalahy amin’ny kaomandin’ny borigady ny GPHC Rakotoarivelo Haja fa maromaro ireo olona tratran’ireo mpisoloky ireto ka samy nitondra vola 2 tapitrisa ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar.Jean ClaudeL’article Milaza fa mpikarakara fomban-drazana: tratra ireo jiolahy misoloky amin’ny finday, mangataka volabe a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kidnapping karana: ankitifitifitra tany Toamasina, votsotra, omaly, i Arman Kamis
Navotsotr’ireo jiolahy naka an-keriny azy, omaly tolakandro, ilay teratany karana, tale jeneralin’ny orinasa TransFy any Toamasina. Tsy nijanona hatreo anefa fa raikitra ny fifanenjehana sy fifampitifirana teo amin’ireo jiolahy sy ny mpitandro filaminana. Naharitra adiny iray ny firefodrefotry ny poa-basy. Nanakatom-baravarana avokoa ny mponina ao amin’ny Cité Trano mora Tsarakofafa Toamasina Suburbain. Fantatra, hatramin’ny ora farany nanoratanay halina, fa mbola mifampitady amin’ny alalan’ny tifitra tsy ifandrenesana ao anaty ala ao Tsarakofafa ny zandary sy ireo jiolahy telo lahy tafaporitsaka miaraka amin’ny basy mahery vaika. Avotra ihany, araka izany, i Arman Kamis, teratany karana filoha tale jeneralin’ny orinasa Trans Fy etsy Ampasimazava – Toamasina, raha nisy naka an-keriny ny 21 novambra 2018 lasa teo tao amin’ny birao fiasany eny Ampasimazava. Enina andro aty aoriana, nahitam-bokany ny ezaka vitan’ny zandary tamin’ny alalan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Atsinanana, ny Kly Ranaivoarison Théodule. ”Tsy ilaina ny fanomezam-bola ireo mpaka an-keriny raha ohatra ka misy hatrany ny fiaraha-miasan’ny fianakaviana sy ny mpitandro filaminana”, hoy ity manamboninahitra ambony ity. Raha ny angom-baovao, ny zoma 23 novambra 2018 no niantso ny fianakaviany ireo mpaka an-keriny nitaky volabe manodidina ny 4 miliara Ar, saingy nilaza ho tsy manana izany kosa ny fianakavian’i Arman Kamis. Kalachnikov iray sy ”chargeur” efatra… Andaniny kosa, nisy loharanom-baovaon’ny zandary ka niasa mangina izy ireo. Vokany, ny asabotsy sy alahady teo, nahazo loharanom-baovao roa samy hafa ny zandary, saingy mitovitovy avokoa ny angom-baovao rehetra voarain’izy ireo. Nametraka ny paikady rehetra teo am-pelatanany ny zandary ka efa nihantsona vao maraina teo amin’ny toerana misy ireo jiolahy. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana raha vao nahatazana ireo zandary ireto jiolahy. Vokany, azo sambo-belona ny iray raha tafaporitsaka kosa ireo namany. Tratra tany amin’ilay jiolahy ny basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny ”chargeur” efatra feno bala avy. Mendri-piderana, araka izany, ny ezaka vitan’ny Kly Ranaivoarison Théodule sy ireo mpiara-miasa aminy. Marihina fa isan’ireo manamboninahitra nahavita nandrava ny asan-dahalo tany amin’ny faritra atsimo, indrindra tamin’ny andron-dRemenabila, ny Kly Ranaivoarison Théodule. Sajo sy Jean ClaudeL’article Kidnapping karana: ankitifitifitra tany Toamasina, votsotra, omaly, i Arman Kamis a été récupéré chez Newsmada.
Toamasina: tonga ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany
Tonga tsikelikely ireo mpizahatany mandeha anarivony entin’ny sambo vaventy. Nahitana karazana vahiny avy any amin’ny kaontinanta maro samy hafa izany. Herintaona aty aorian’ny fiparitahan’ny valanaretina pesta nahery vaika teto Toamasina sy teto Madagasikara, tonga tsikelikely eto Toamasina ny vahiny mpizahatany mpandeha amin’ny sambo vaventy. Nigadona eto an-toerana, ny 6 novambra teo, ny sambo Costa Victoria, nitondra mpizahatany miisa 1 800. Azo adika fa tsapan’ireo orinasa mpandefa sy mikarakara mpizahatany ho milamina tsy re intsony ny valanaretina pesta ka tonga ny 20 novambra teo koa ny andiany faharoa nentin’ny sambo Costa Victoria ihany, nitondra mpizahatany maherin’ny 2 000. Niavaka ity andiany ity satria nahitana mpizahatany avy any amin’ny firenena samy hafa, toy ny Aziatika, ny Eoropeanina, hatramin’ny Afrikanina ihany koa. Nanjifa ny taozavatra malagasy Nampiavaka ireto andiany faharoa ireto ihany koa ny tsy fandehanan’izy ireo lavitra tahaka ny mahazatra hatramin’izay fa saika variana tamin’ny fividianana sy fijerena ireo asa tanana sy ny taozavatra vita malagasy tetsy Bazaribe sady nividy voankazo isan-karazany tena mbola voajanahary tsara tsy toy ny any ivelany. Nifanandrify tamin’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia rahateo izany, izay tsy fahitan’izy ireo sady nankafizany ny tsiron’ity voankazo hafakely ity. Fantatra, araka ny loharanom-baovao, fa hitohy tsy ankiato amin’izay ny fahatongvan’ny vahiny mpizahantany mandeha amin’ny andiany anarivony tahaka izao. Sajo sy Njaka A.L’article Toamasina: tonga ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Tsy hanaiky lembanana amin’ny voka-pifidianana: nitory eny amin’ny HCC miaraka amin’ny porofo Rajoelina
Tsy hipetra-potsiny na hanaiky lembenana fotsiny amin’izao. Nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ny kandidà Rajoelina ho tsy fanekena ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo. “Takinay ny hanaovana fampihatahana ny voka-pifidianana 100%. Tatitra an-tsoratra isaky ny tatitra an-tsoratra (PV/PV). Takinay koa ny hanaovana fanadihadiana lalina ny lafiny inforamatika, indrindra ny “logiciel nampiasain’ny Ceni satria voahodinkodina ny safidim-bahoaka. Afaka miantso manampahaizana manokana izahay hanao ny fanadihadiana io lafiny informatika io”, hoy ny kandidà, laharana faha-13, tamin’ny feo hentitra sy mazava, omaly teny amin’ny Arena. Kandidà vonona hatrany ary efa zatra ady… Nohitsiny fa vonona ny hitondra ny porofo rehetra sy matevina momba izany izy ireo. “Hiady hatramin’ny farany izahay ary vonon-kiady. Efa zatr’ady ka tsy maintsy mandresy”, hoy ihany ny kandidà Rajoelina. Notsiahivina tamin’izany ny tranga samihafa niseho tany amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) amin’ny faritra manerana ny Nosy, nahitana hosoka sy fahadisoana goavana. Teo ohatra ny tany Fianarantsoa, nahitana ny fikajiana ny isan’ny mpifidy nandatsa-bato nihoatra ka lasan’ny kandidà sasany ny vato tokony ho an’ny kandidà Rajoelina. Notsinjaraina manta fotsiny amin’ny hafa izany raha tokony ho azy. Very hatrany amin’ny 3 na 4 hatramin’ny 5% hatrany ny kandidà laharana faha-13 amin’ny BV maromaro. Matoky ny fahendren’ny HCC… Natsidiny sahady koa anefa fa hanaiky ny voka-pifidianana havoakan’ny HCC koa ny tenany raha voahaja sy mivaly ireo fitakiana sy fangatahana ireo. Matoky ny fahendrena ananan’ireo mpitsara eny Ambohidahy ny tenany ao anatin’izany rehetra izany. Araka izany, mivonona ny handeha lavitra kokoa ny kandidà Rajoelina sy ny mpomba azy, manoloana izao voka-pifidianana izao. Randria L’article Tsy hanaiky lembanana amin’ny voka-pifidianana: nitory eny amin’ny HCC miaraka amin’ny porofo Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Chronique de Mickey
JFK ce grand malade A mesure que le temps passe, la légende du jeune, beau et charismatique du 35ème président des Etats Unis comporte des nuances. Le 57ème anniversaire de son assassinat est une occasion de revoir le bilan « d’un président de rêve » dont l’image laissée est encore présente chez des nombreuses personnes. Le personnage de jeune premier d’abord, il est vrai qu’il est arrivé au pouvoir à 43 ans, ce qui relativement tôt pour sa génération. Le solide gaillard, héros de la seconde guerre mondiale véhiculé par les médias dont il a su faire usage, il serait en fait de santé très fragile et souffrait d’un mal de dos chronique. « Mal de dos »est en fait un euphémisme puisqu’il avait en fait la maladie d’Addison (La maladie d’Addison est la conséquence d’un déficit de la corticosurrénale généralement d’évolution progressive. Elle se traduit par une hypotension et une hyperpigmentation et peut se compliquer d’insuffisance surrénalienne aiguë avec collapsus cardiovasculaire) selon une revue médicale. Voici d’ailleurs un large extrait. «Les douleurs que ressentait le président Kennedy et la quantité de médicaments qu’il devait ingérer vont bien au-delà des descriptions que ses biographes en dressaient jusqu’à présent», écrit The New York Times, daté du 17 novembre, en citant un historien qui a eu accès au dossier médical. Le quotidien américain dresse notamment un parallèle avec le cas de Franklin D. Roosevelt, qui avait terminé sa vie paralysé, sans faillir à ses fonctions durant ses présidences successives, de 1933 à 1945.Certains des problèmes de santé de JFK étaient connus durant sa présidence. Mais son dossier médical révèle qu’il était aussi un grand consommateur de calmants, antalgiques, somnifères, excitants et traitements hormonaux. Selon l’historien Robert Dallek, cité par le quotidien, le président Kennedy prenait parfois jusqu’à huit médicaments par jour. Ses douleurs, liées à trois vertèbres fracturées, conséquence de l’ostéoporose (peut-être provoquée par certains médicaments pris à la fin des années 1930), étaient telles qu’il était incapable d’enfiler seul une chaussette ou une chaussure au pied gauche, révèle l’historien. Par ailleurs, JFK souffrait de la maladie d’Addison. M. Dallek, qui rédige une biographie de Kennedy à paraître en 2003, a pu consulter pendant deux jours le dossier médical du président, assisté d’un médecin. Il a eu accès à des documents incluant dix caisses de radios et huit années d’ordonnances du président. Malgré la lourdeur de son traitement, le président ne semblait pas trop diminué dans ses capacités. Il se plaignait parfois de se sentir assommé par les médicaments mais la transcription de certaines conversations, notamment pendant la crise des missiles de 1962 à Cuba, montre que Kennedy avait une vision claire et qu’il était aux commandes, estime l’historien.A cette époque, le traitement du président comprenait des antispasmodiques pour lutter contre une diarrhée, des antibiotiques pour une infection urinaire, et des doses élevées de cortisone et de testostérone. Ses taux de cholestérol se situaient environ au double de la normale. JFK a été hospitalisé à neuf reprises pour des problèmes de dos et des troubles intestinaux à New York et à Boston entre 1955 et 1957. Il avait par ailleurs fréquemment recours à des injections intra-rachidiennes de procaïne, notamment avant de donner des conférences de presse. » Bien de choses encore à dire sur ce mal dont il souffrait. Mais on peut dire aussi, qu’il portait un corset l’obligeant à une position assise le 22 Novembre 1963, ce qui lui a valu de ne pouvoir se baisser, Il aurait pu peut-être esquiver les balles de Lee Oswald. M.Ranarivao L’article Chronique de Mickey est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Chronique de Mickey a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be
Nanomboka, omaly 8 aogositra, ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’ireo kandidà mifaninana Rasoamaromaka Hery. “Hanohy ny fametrahana ireo kianja manara-penitra “synthétique”, any amin’ireo ligim-paritra rehetra isika. Tetikasa mifanandrify tanteraka amin’ny vinan’ny IEM satria mpanjakan’ny fanatanjahantena ny baolina kitra”, hoy izy. Nomarihiny fa mora kokoa ny miara-miasa amin’ny filoha Rajoelina noho ny fitoviam-pijery eo amin’ny roa tonta, hampiroboroboana ny fanatanjahantena, indrindra fa ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasany ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fifaninanana hahafahana mitily dieny izao ireo ho taninketsan’ny ekipam-pirenena, sokajin-taona rehetra. Tsiahivina fa anisan’ireo olona nanampy betsaka ny Barea ny tenany, na tany Egypta, nandritra ny “Can 2019”, na ireo niatrika ny “Lalaon’ny Nosy” tatsy Maorisy, na ny Barea, nanao ny fifanintsanana, tamin’ny “Chan”, nikatrohana tamin’i Mozambika.Ankoatra izany, efa nisy ireo ligim-paritra resy lahatra amin’ny fitiavany sy ny fanampiany ny baolina kitra ka nanambara ny fanohanany azy. Mbola hampahafantatra misimisy kokoa ireo teboka lehibe entiny mampandroso ny baolina kitra, mandritra ity fampielezan-kevitra ity, ny kandidà Hery Be. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fiverenana an-tanindrazana: tavela ireo 20 tokony hody fa ahina hitondra ny Covid-19
Miisa 233 ireo nody an-tanindrazana nigadona, omaly teny Ivato. Mbola tavela any ireo 20 eo ho eo noho izy ireo notilina ka mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus, teo am-piaingana.Nentina amin’ny trano fandraisam-bahiny avy hatrany ireo 233 ireo. Mihiboka mandritra ny efatra andro, miandry ny valin’ny fitiliana intelo miantoana natao teny Ivato. Mivaly izany vao afaka mamonjy ny toerana niaviany avy izy ireo. Alefa eny amin’ny foibe fitsaboana, CMC19, kosa ireo mety hitondra ny tsimok’aretina amin’izy ireo.Efa nanaiky ny fepetra an-taratasy momba izany avokoa izy ireo. Nanomboka tany am-piaingana, amin’ny fitiliana sy ny fahatongavana eto, mbola tilina koa. Anisan’ireo tonga, omaly, ireo ny teratany malagasy any Eoropa, toy ny avy any Frantsa, avy any Italia, avy any Norvezy, avy any Alemaina, avy any Belzika…Efa nialohavan’ny fahatongavan’ireo teratany malagasy taty Afrika ny asabotsy teo izany.Synèse R. L’article Fiverenana an-tanindrazana: tavela ireo 20 tokony hody fa ahina hitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.