Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV

News - Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV

News - Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV

Miasa mangina ary efa maka bahana
amin’ny fiaingana. Nambaran’ny mpitantana iray eo anivon’ny
TGV/Mapar, omaly, fa efa miomana amin’ny hiatrehana ny fifidianana
loholona izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa napetraka ny
mason-tsivana amin’ny ho kandidà harotsaka amin’izany, araka ny
nambarany. “Tsy maintsy mba mpikambana eo anivon’ny TGV/Mapar
sy tia tanindrazana ary olon’Andriamanitra. Tia manampy ny hafa ary
vonona hiaro ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka
malagasy…”, hoy izy. Nohitsiny fa hanana kandidà amin’ireo
faritany enina izy ireo amin’izao fifidianana loholona izao.
“Ho hita eo ihany ary hampahafantarina ny kandidà atolotray
amin’ny fotoana mahamety azy…”, hoy ihany izy.

Tsiahivina fa hanomboka, afaka 14
andro, ny 28 septambra ka hatramin’ny 12 oktobra izao, ny
fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny anivon’ny
Ovec.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Parvis Analakely, ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux), karakarain’ny Seho Évent. Afa-po ireo mpandray anjara, raha ny nambaran’ny ankabeazan’izy ireo, omaly. Tsiahivina, trano heva miisa 50 no nampiranty ny fahaiza-manaony sy ireo vokatra avy aminy tsirairay avy, nanomboka ny zoma lasa teo hatramin’ny omaly. Nampitolagaga ireo mpitsidika ny seho nataon’ireo tanora sy ankizy mikatroka anivon’ny haiady isan-karazany sy ireo taranja miavaka toy ny « parcours » sy ny « roller ».Kempo sy MMA Ho an’ny taranja kempo sy MMA (Mixed Martial Arts) manokana, ampy tsara ny telo andro nahafahana nampahafantatra ny taranja tamin’ireo mpitsidika ny trano heva nisy azy ireo, maro ny liana, isan’izany ireo Ray aman-dreny izay te hampiditra ny zanany anaty klioba mianatra ny taranja kempo sy MMA. Ho an’ity haiady ity, ny fanaovana seho, ny fomba fanaovana totohondry, ny MMA ary ny full kempo no tena nasongadina nandritra ny fampirantiana. Araka ny nambaran-dRakotonindriana Parfait, filoha mpitantana ity taranja ity, miezaka hatrany izy ireo mampivoatra ny kempo sy ny MMA, ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagascar, amin’izao ny mpitantana sy ny mpikatroka, hisy, araka izany, ny fampiofanana ireo mpitsara izay hatao ato ho ato. Mi.RazL’article SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fandrobana tokantrano :: Nentin’ireo jiolahy ny mpitsabo mpanampy sy ny rahalahiny

Nitrangana fanafihana sy fakàna an-keriny tany Teirepoko-Tsarahasina, any Port Bergé, afak’omaly alina. Voaroban’ny jiolahy ny vola fito hetsy ariary tao amin’ireo trano notafihiny, sady nentin’izy ireo niaraka taminy ihany koa ny lehilahy iray mpitsabo mpanampy any an-toerana sy ny rahalahiny. “Tokony ho tamin’ny 10 ora, tamin’ny alin’ny alahady teo nitrangan’izao fanafihana izao. Niditra an-keriny tamin’ireo trano miisa telo ny andian-dehilahy manodidina ny roa ambin’ny folo mitondra basy. Nopotipotehin’izy ireo ny entana izay tsy zakany tao amin’ireo trano. Ora maro taorian’ ny fanafihana, rehefa tafatsoaka izy ireo, vao niantso ny havan’ireo mpitsabo mpanampy nitaky vola zato tapitrisa ariary ho sandan’ny famotsorana azy roa lahy”, hoy ny loharanom- baovao avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Misy manamboninahitra roa avy amin’ny Zandarimaria miaraka amin’ireo zandary marobe nidina any an-toerana nanenjika an’ireto mpaka an-keriny ireto, tamin’io alina io ihany, vantany vao heno ny zava-nisy. Voalaza fa efa nampandrenesina ireo tobin’ny Zandarimaria amin’ny faritra manodidina ka samy miambina ny kizony daholo ny rehetra, omaly. L’article Fandrobana tokantrano :: Nentin’ireo jiolahy ny mpitsabo mpanampy sy ny rahalahiny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho

Raha tarafina tamin’ny famerenana, tsy hitovy amin’ny fampisehoana mahazatra ao amin’ny CCEsca Antanimena ny hiseho anio sy rahampitso, samy hanomboka amin’ny telo ora tolakandro. Ny antony, haharitra ora maromaro mihitsy, raha ny fandaharan’i Erick Manana sy ny namany ny hira ao. Hizara efatra mazava tsara mantsy ny seho ka ny tapany voalohany, i Erick Manana sy i Dama. Tohin’ilay “Feo roa, gitara roa”, niainga tao amin’ity efitrano ity, ny volana marsa 2016, ihany io. Efa nentin’izy mirahalahy nitety firenena maro ity fiarahana ity, haverina izao. Hanembonana ireo vazon-dry Lôlô sy ny tariny kosa ny tapany faharoa, iarahan’i Erick Manana, i Benny ary i Bebey. Ao amin’ny tapany fahatelo ny tarika Feo Gasy, ahitana an’i Kaolibera sy i Nini ary i Sata, hanampy an’i Erick sy i Benny. Io ilay tena nandrasan’ny maro satria efa aman-taony maro tsy niaka-tsehatra teto an-tanindrazana ny Feo Gasy. Ny tapany fahefatra farany kosa no tena hafana indrindra satria hiaraka an-tsehatra avokoa izy irehetra ireo, handahatra hira vitsivitsy. Fantatra fa hisy ampahany betsaka hitoviany ny seho roa, saingy hisy kely ihany ny fiavahany. Anisan’izany ny nanasan’i Erick Manana an’i Simon Randria, izay hiaraka an-tsehatra aminy, amin’ny seho anio. Zo ny Aina L’article Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Ahiahy hain-trano :: Setroka afon-dakozia nampikoropaka tetsy Ambodifilao

Setroka mainty nateraky ny afo tao an-dakozia no noheverina fa trano may ka nanaitra ny olona teny Ambodifilao, omaly antoandro. Tonga teny an-toerana mihitsy ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy akory anefa ny fahamaizana. Taitra ny olona teny Ambodifilao sy ny manodidina tamin’ny fisian’ny setroka nidonaka tao amina trano iray teo ampitan’ny toeram-pisakafoanana Zaimaika. Tsy niandry ela ny sampana mpamonjy voina, teny Tsaralalàna, vantany vao naheno ny antso vonjy, fa nidina teny avy hatrany. Kamiao roa lehibe famonoana afo no nahetsika sy nalefa teny an-toerana. Fantatra, taorian’izay, fa gony sy zavatra hafa no natao kitay nandrahoana sakafo tao amin’io trano io ary nahatonga ny setroka sy ny lelan’afo. Nampitandremina ny tompon-trano ho fisorohana ny loza mety haterak’ireo zavatra narehitra. L’article Ahiahy hain-trano :: Setroka afon-dakozia nampikoropaka tetsy Ambodifilao est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna

Miroso amin’ny fanalavam-potoana ny fanjakana. Tokony hifarana ny volana septambra izao ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Tsy azo ihodivirana anefa ny hanalavana ny hitantanan’izy ireo ny eny anivon’ny kaominina.   “Hanahirana ny hanendry delegasiona manokana (PDS) amin’ny kaominina miisa 1 695 ka hohalavaina ny fe-potoam-piasan’izy ireo na tokony ho efa tapitra aza” hoy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Tsy mbola niroso amin’ny fankatoavana ny tolokevitry ny eo anivon’ny Ceni ny fitondram-panjakana ny hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny 28 oktobra ho avy izao.Fanavaozana sy fanitsiana ny lisi-pifidianana “Hotanterahina amin’ny fotoana manaraka, amin’ny mahamety azy, izany”, hoy ihany ny eo anivon’ity minisitera misahana ny fitsinjaram-pahefana ity.Na izany aza, tombanana fa anisan’ny mety ho nampihemorana ny fifidianana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny resaka lisi-pifidianana, nahabe resaka taorian’ireo fifidianana intelo natao. Maromaro ireo antoko sy fikambanana ary koa fiarahamonim-pirenena nitaky ny hanavaozana na koa hanitsiana mihitsy ny lisi-pifidianana. “Hatao mialoha ny fifidianana ny fijerena izany ary mbola hiroso amin’ny karazana fikaonandoha aza ny rehetra”, hoy ihany ny minisitera.Kandidà ben’ny Tanàna lasa mpanolotsainaAnkoatra izany, voalaza fa mbola harindra sy hosokajina arakaraka ny isan’ny mponina ny sata sy ny lalàna hifehy ny fitantanana ireo kaominina manerana ny Nosy. Tokony hifanaraka, ohatra, ny isan’ny mponina sy ny filan’ny kaominina ahafahana mampandroso ny tanàna, miainga avy eny ifotony. Mbola olana koa ary tokony hijerena ny momba ny kandidà ben’ny Tanàna tsy lany nefa lasa mpanolotsaina avy eo. Zary lasa sakana ho an’ny fampandrosoana ny kaominina ho an’ny faritra sasany izany noho ny hevitra tsy mitovy…Aorian’ny volana mey 2020 ny fifidianana ben’ny Tanàna Araka izany, tombanana fa mety ho aorian’ny fanavaozana na ny fanitsiana ny lisi-pifidianana ny 15 mey amin’ny taona 2020 ny tetiandro vaovao ho amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Tsiahivina fa tsy mankasitraka izao fanemorana ny fifidianana izao ny ankamaroan’ireo fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ny Safidy sy ny KMF/Cnoe… Ho azy ireo, efa tsy fanarahan-dalàna izany…Synèse R. L’article Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fifidianana ben’ny tanana :: Miomankomana ny Tim

Na eo aza ny kibay an-keliky ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) momba ny hambana tsy fandraisana anjara amin’ireo fifidianana manaraka raha tsy madio ny fitsipi-dalao, dia ny mifanohitra amin’izany no hita eny an-kianja. Velona ny fidinana eto an-drenivohitra ataon-dRavalomanana Marc sy ny ekipany, izay toa manome valiny tamin’ny fangatahan’ireo mpikatroka Tim, ny amin’ny firotsahan’ity Filohan’ny Repoblika teo aloha ity eto Antananarivo. Teny amin’ ny fokontanin’Andravoahangy sy ny manodidina izy tamin’ ny faran’ny herinandro lasa teo. Nirarakompana indray ny fampanantenana. Mbola ny vadiny, ramatoa Ravaloma – nana Lalao, no Ben’ny tanàna ankehitriny ka, angamba, kasain’izy mivady hifanolorana tokoa ny lakilen’ny tanàna. Etsy an-kilany, re ihany koa fa mety ho anisan’ireo kandidà hilatsaka ben’ny tanàna any Antsirabe, Randrianarisoa Guy Rivo, izay vao avy nametra-pialana tsy ho Sekretera jeneralin’ ny kaominina Antananarivo renivohitra. “Miandry ny didy fampiantsoana ny mpifidy handatsa-bato avy any amin’ ny governemanta izahay dia hiroso amin’ny fanaterana ireo antotan-taratasy rehetra ilaina amin’izany”, raha ny nambarany. Nicoh Richman L’article Fifidianana ben’ny tanana :: Miomankomana ny Tim est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanabeazana sy Bianco: hatao taranja any an-tsekoly ny ady amin’ny kolikoly

Notanterahina tetsy Antaninarenina ny atrikasa fankatoavana ny fametrahana ny amin’ny kolikoly ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Tanjona ny hametraka ny ady amin’ny kolikoly ho taranja mihitsy hatao any an-tsekoly.Amin’io taom-pianarana vaovao 2019-2020 io, efa hisy ny kilasy sasantsasany amin’ny EPP sy ny CEG ary ny lycée hianatra izany taranja izany. Hatomboka tsikelikely io fampidirana ny ady amin’ny kolikoly ho taranja io fa hahenika ny kilasy rehetra kosa any aoriana.Tanjona iarahan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny hanana taraka lavitry ny kolikoly. Fantatra fa zava-dehibe ao anatin’izany ny fanabeazana, ny fisorohana ary ny fampiharan-dalana.Mila atomboka any amin’ny fanabeazana ny ankizy, araka izany, ny ady amin’ny kolikoly haha olom-banona azy sy hibeazana ny fisainany dieny mbola kely ho lavitr’izany kolikoly izany. Ampiarahina amin’ny fanabeazana momba ny fanajana ny soatoavina, toy ny fihavanana, izany hahamora raisina ny fampitana ny hafatra.Mbola hisy ny drafitrasa mazava hapetraka amin’ny fampiharana ity taranja ity any an-tsekoly. Hisy ny fiofanana omena ny mpampianatra ary indrindra, ny karazana tahirin-kevitra ilain’ny mpampianatra hanamorana ny fampitana ny hafatra mitovy lenta amin’ireo mpianatra.Efa betsaka ny fakan-kevitra natao mahakasika ity ady amin’ny kolikoly any am-pianarana ampidirina anaty fandaharam-pianarana ity. Efa nisy ny fandravonana izany fakan-kevitra izany ka izao faranana amin’ny fankatoavana azy izao ho azo ampiharina amin’izay.Tatiana AL’article Fanabeazana sy Bianco: hatao taranja any an-tsekoly ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanatsarana ny fotodrafitrasa eny Ambondrona: nesorin’ny kaominina ireo tsatoby anaty arabe

  Niroso tamin’ny fanesorana ireo tsatoby teny anaty arabe, famandrihana « parking » etsy Ambondrona sy ny manodidina, ny kaominina Antananarivo, omaly. Nanatanteraka izany ny avy ao amin’ny ekipan’ny departemanta misahana ny fitaterana. « Sarotra ny mitady ny “parking” miakatra amin’iny Ambondrona sy i Faravohitra iny ka ezahina ny hanalalahana ny lalana ho fifampitsinjovana. Feno tsatoby, anaovan’ny olona fiantsonana, ny lalana amin’iny faritra iny. Tsy azo ekena izany fa mila maka fahazoan-dalana aty amin’ny kaominina Antananarivo ny fanaovana izany na azo atao na tsia ary mbola mandalo vaomiera manokana », hoy ny fanazavan’ny talen’ny fitaterana, i Bemanana Vigor. Nohitsiny fa tsy eken’ny lalàna ny fandavahana ny arabe ka antony nanesorana ireo tsatoby, tsy nahazoana alalana tamin’ny CUA. Manomboka izao, “plaque mobile” no hapetraka rehefa mahazo “parking reservé” avy amin’ny CUA. Mitohy hatrany ny fanalana ireo tsatoby tsy ara-dalàna ary efa nisy ny fampilazana mialoha amin’izao hetsika izao.Synèse R.L’article Fanatsarana ny fotodrafitrasa eny Ambondrona: nesorin’ny kaominina ireo tsatoby anaty arabe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fizarana fanampiana : mandray andraikitra ny MJS

Manampy ny fitondram-panjakana hizarana ireo fa­nampiana ho an’ny vahoaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Amin’ny maha minisitra mpiahy an’i Toliara an’andriamatoa Tinoka Roberto, izy no mitarika ny fizarana ny Vatsy tsinjo sy ny Tosika fameno ho an’ny mponina any an-toerana. Tonga tany an-toerana ny filoha Rajoelina mivady nanokatra ny fizarana, ny alakamisy teo. Tetsy ankilany, mandray ny andraikiny ny minisitra Tinoka Roberto sy ireo olom-boafidy rehetra. Fokontany 41 ny ao an-tampon-tanànan’i Toliara ka ny efatra amin’ireo no nisantarana ny fizarana. Tsy ho diso anjara ihany koa ireo kaominina manodidina an’i Toliara fa hahazo fanampiana avokoa. Ankoatra izany, mandray ny andraikiny ihany koa ireo mpiasa rehetra ao amin’ny MJS eto Antananarivo. Ma­nampy amin’ny famolavolana ny lisitr’ireo tokony hisitraka ny sosialim-bahoaka ny fo­kotany valo ao amin’ny boriborintany faha-6 izy ireo miaraka amin’ny DRJS Analamanga.Mi.RazL’article Fizarana fanampiana : mandray andraikitra ny MJS a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna

Gaboraraka ! Izay no azo ilazana ny afitsoky ny mpitondra moto eto an-drenivohitra. Tao anatin’ny adiny efatra monja nanaovan’ny Polisim-pirenena hetsika, tetsy amin’ny lalana “Boulevard de l’Europe”, omaly, 404 no fandikan-dalàna hita. Ny tsy fanaovana aro loha no betsaka indrindra.Raha ao anatin’ny iray andro? Ataovy ny kajy! Nandritra ny hetsika manokana nataon’ny polisy avy ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana momba ny fanentanana sy fampianarana ny olona ho amin’ny fanarahan-dalàna teny amin’ny “rond point Boulevard de l’Europe” 67 ha. Raha atambatra ny isa dia toy izao no hita, raha ny tatitra voaray hatrany. Miisa 306 ireo mpitaingina moto tsy manao aroloha raha 93 kosa ireo tsy manana “assurance” ary dimy no tsy manana taratasy fahazoan-dalana. Nentanina mihitsy, araka izany, ireo mpitondra moto ary nampianarina mba hanara-dalàna eo am-pitondrana ireny moto ireny. Tao anatin’ny ora efatra nanaovana ny fanentanana no nahazoana ireo antontan’isa ireo. “ Manamarika fa betsaka ireo mpitondra moto no tsy manara-dalàna ka isan’ny antony mampitombo ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra izany”, araka ny fanazavan’ny polisy tompon’andraikitra ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana.Nasaina naka aroloha ireo olona tsy nanao…Tsy mitsahatra ny manentana ireo mpandeha moto hatrany ny polisy ho fiarovana ny ain’izy ireo fa tsy raisina ho fanasaziana akory ny fitondrana aroloha sy ny fananana taratasy mahakasika ny “assurance” sy ny taratasy fahazoan-dalàna hitondra moto ho an’ireo moto mila izany. Ny ainareo mpandeha moto no arovanay fa tsy an’ny polisy velively. Koa aza sarotiny amin’ny fitsinjovana ny ainareo ianareo mpandeha, araka ny fanazavan’ny polisy. Misy koa ireo mpitondra fiara nosavaina ka hita fa mbola misy ireo mpamily fiara tsy mitondra taratasy fahazoan-dalana ary koa ireo sarety izay mifamoivoy tsy manaraka ny ora tokony handehanan’izy ireny. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy ho an’ireo mpitondra sy mpandeha moto tsy nitondra aroloha ka nogiazana teny an-toerana ny moto-n’izy ireo ary nasaina naka aroloha avokoa vao afaka nanohy ny diany. Torak’izany koa ireo mpamily fiara tsy nitondra taratasy fahazoan-dalana dia nasaina naka izany ary ireo mpitondra posy niandry ora afaka hivezivezeny ka najanona avy hatrany.Jean ClaudeL’article Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono
24/09/2020

Matetika ny faritra Vakinankaratra ihany no fantatry ny maro momba ny famokarana ronono eto Madagasikara. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany sehatra izany koa ny faritra Matsiatra Ambony.Mandrafitra ny atao hoe Telozoron’ny ronono i Matsiatra Ambony, na faritra manana toe-tany sy toetr’andro mety tsara amin’ny fiompiana ombivavy beronono. Tafiditra indrindra anatin’ireo laharam-pahamehan’ny faritra ny lalam-pihariana ronono. Ho fampandrosoana izany lalam-pihariana izany, miara-miasa hanatrarana ny tanjona iraisana ny Foibem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ao Matsiatra Ambony sy ny Fandaharanasa Fanoitra:  ho fampitomboana ny vokatra ronono ao amin’ny faritra.Maro ireo dingana natao niarahan’ny roa tonta, toy ny fampiofanana ireo mpiompy mpandraharaha, miompana indrindra amin’ny teknikam-piompiana, ny fitantanana ara-pahasalamana, ny fambolena vilona, ny lafiny fananahana ary ny fandrafetana kaontim-pamokarana.Noho ny fahitana fa manomboka miharatsy ny karazan’omby mamokatra ronono any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, napetraka ho tanjona ny famerenana indray ny fampanarahana entin-tanana izay naato teo aloha. Nisy àry, noho izany, ny fampiofanana teknisianina dimy mahakasika ny fampanarahana entin-tanana.Isan’ireo mpiompy nahazo fiofanana sy tohana amin’ity tetikasa fanatsarana taranak’omby ity Ramandimbisoa Richard na i Sacha, mponina ao Ambatolahy Lovasoa, fokontany Talata Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha. 15 taona izy nanaovana ny fiompiana ombivavy beronono.Tamin’ny taona 2005, ombivavy norvezianina iray ny nanombohany. Efa mananika ny 50 ny taranak’io ombivavy io hatramin’izao. Ny taona 2016 ny nahazoany fiofanana momba ny fanatsarana taranaka omby sy ny fambolena ahitra tamin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa Fanoitra.Mbola tsy ampy ny tolotraRaha omby tsara razana, mahatratra hatramin’ny 16 na 20 litatra isan’andro ny ronono azo aminy. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 15 litatra ny ronono azo isan’andro avy amin’ny omby iray ao anatin’ny telo volana voalohany nahaterahany. Aorian’izay, midina ho 10 litatra isan’andro.Mbola malalaka tsara ny tsenan’ny ronono ao Matsiatra Ambony. Ny Rofama na Ronono Faritra Matsiatra Ambony no mandray ny vokatra rehetra. Eo amin’ny fanangonam-bokatra, ao Iboaka ny fanateran’ireo mpivarotra ronono, fiaraha-miasa amin’ny Rofama, mpanangom-bokatra.Kaoperativa misehatra amin’ny fihariana ronono eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony ny Rofama ary miara-miasa amin’ny mpiompy miisa 317 ao anatin’ny distrika efatra ao amin’ny faritra: i Vohibato, i Lalangina, Isandra ary i Fianarantsoa renivohitra.Nisokatra ny taona 2011 ny toeram-pivarotana voalohany. Amin’izao fotoana izao kosa, efatra ireo toeram-pivarotana tantanin’ny Rofama.500 litatra isan’andro ny ronono miditra ao aminy tamin’iny taona 2019 iny, izany hoe, mamelona mpiompy maro.R.Mathieu L’article Matsiatra Ambony: malaza amin’ny fiompiana ombivavy beronono a été récupéré chez Newsmada.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza
23/09/2020

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina. Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro. Avotry ny fialan-tsasatra Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy. Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo. Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka. « Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny. Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy. L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.

Fondation Telma: manangana sekoly hisian’ny fampandrosoana
21/09/2020

Ny Mokotra    any amin’ny faritra Menabe no sekoly faha78 najoron’ny Telma sy ireo tompon’andraikitra samihafa ao an-toerana ary ny ONG Blue venture Mokotra. Fanamby lehibe ho an’ny Blue Ventures tamin’ny 2018  ny mijery izay zaza tokony hianatra 158 eo anelan’ny 13 hatramin’ny 14 taona, zaza latsaky dimy taona miisa 98 amin’ny tanàna telo : Belalanda, Marovitiky ary Mokotra.Kendrena amin’ity sekoly ity ny fanabeazana manomana amin’ny lafiny fihariana mifandraika ao amin’ny faritra. Izay tetikasa rehetra atao amin’ny faritra mety amin’ny antom-piveloman’ny mponina, fanomezana ho azy ireo ny kojokoja mifandraika amin’izany. Sekoly fanomanana amin’ny seha-pihariana rehetra, manomboka amin’ny teti-pihariana rehetra.10 taona izao ny Fondation Telma,  niova Fondation Axian, ny volana avrily 2020, misy 5000 ireo mpira-miombon’antoka aminy aty amin’ny faritra ranomsimbe Indianina sy Afrika ; misehatra amina sehatra maro ivontoeran’ny fampandrosoana, indrindra eo amin’ny fifandraisandavitra, ny varotra, ny indostria, ny fifanakalozana, ny fiarovana ny tontolo iainana. Mira-miasa amin’ny mpira-miombon’antoka maro ny Fondation Axian amin’ireo rehatra ireo, ary izao atomboka any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany izao ny fiatrehana izany. R.MathieuL’article Fondation Telma: manangana sekoly hisian’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

CENI : Mandeha ny mandeha
20/09/2020

Miroso mankany amin’ ny fifidianana loholona vaovao. Tsy misakana ny sarety tsy ho any Sabotsy ny horakoraka. Fifidianana ataon’ny olom-boafidy izy ity.  Amin’ity fifidianana indray mitoraka ity dia tsy hisy intsony izany « doublon » izany  satria tsy hisy ben’ny tanana « double » na mpanolon-tsaina « double » amin’ny kaominina iray izany no afaka hifidy sady  vitsy raha teo ny isan’izy ireo raha mihoatra amin’ny vahoaka. Natao ahoana moa izany ilay didy navoakan’ny HCC momba ny famerenana ireo fifidianana  ben’ny tanana  sy mpanolon-tsaina vitsivitsy ? Nisy fepotoana napetrak’izy ireo io didy io. Voahaja ve ilay fepotoana ? Mifidy ve ireto governora notendrena ireto ? Apetraka amin’ny fomba ofisialy rahampitso 21 Septambra 2020 eny amin’ny CENI Alarobia ny filoha lefitry ny CENI vaovao. Nirina R. Cet article CENI : Mandeha ny mandeha est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CENI : Mandeha ny mandeha a été récupéré chez Délire Madagascar.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC
24/09/2020

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.

Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19
22/09/2020

Niampy roa indray ireo lavon’ny covid-19, tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Diana ireo namoy ny ainy ireo. Tafakatra 225 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa noho mankaty.Etsy andaniny, miisa 12 ireo tranga vaovao ho an’ny eto Analamanga amin’ireo 20 nifindran’ny valanaretina. Avy any Vakinankaratra kosa ny efatra raha iray avy ny avy any Itasy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary avy any amin’ny faritra Boeny.Nihena enina ireo anaty fahasarotana ka miisa 20 izany izao ireo “forme grave”.Na izany aza, miisa 36 ireo sitrana ka anisan’ny maro amin’izany ny avy any Diana, miisa 15. Tafakatra 14 682 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 073. Miisa 1 164 ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo
25/09/2020

Nifarimbona nanadio tatatra ireo RF2 avy amin’ny fokontany maro, nanomboka omaly. Nanala ny fako mitoby anaty lakandrano manentsina ny fikorianan’ny rano izy ireo hitsinjovana sahady ny fahavaratra.  Mahazo tombony amin’izao ireo fokontany folo eto Antananarivo, Ankasina, Andavamamba, AnjezikaI, Tetezana Afovoany I, 67Ha Atsimo, Antohomadinika, Andavamamba Ambilanibe, Anosibe, Ivolaniray, Manajary ary Ambohidahy. Amin’ny alalan’ny Himo, andiany faharoa no hanatanterahana izany. Olona 20 isaky ny fokontany no mahazo asa amin’ny alalan’ity fanadiovana tatatra ity. Mahazo 5000 Ar isan’andro avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Nisy ihany koa ny fizarana arovava sy savony ho an’ireo RF2 ireo. Mila fanaraha-maso akaiky ny tandrevaka ataon’ny mponina eny amin’ireo toerana andalovan’ny lakandrano. Misy ireo manary fako sy poti-kanina any an-tatatra ka manentsina ny fikorianan’ny rano ary miteraka fiakaran’ny rano mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra.Tatiana AL’article Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo a été récupéré chez Newsmada.

Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite
25/09/2020

Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto na mbola eo aza ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Craam oniversiten’Antananarivo ny hetsika  «  Slam à l’U »,   handraisan’ny rehetra anjara. Hetsika anisan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam  sy ny Craam ity atao, anio, 25 septambra 2020, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Seho ara-kolontsaina efa fanao teo aloha, saingy noho ny hamehana dia nisy fiatoana izany ka izao manomboka miverina izao indray.   Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia tsy maintsy arahin’ny rehetra ny fitsipika ara-pahasalamana «  geste barrières » ho an’ny mpanatrika mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.NarilalaL’article Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

Entim-paharazana sy entim-pahazarana       
22/09/2020

         Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Toetra nanahary faharoa ny fahazarana. Fialana sy fanamarinan-tena ataon’ny tsy te hiova na hanova zavatra mandrakariva ireo fomba fiteny ireo. Tsy eto amintsika ihany, fa saika maneran-tany. Raha vao manao fanovana ny fitondram-panjakana, ohatra, saika misy hatrany ny mitsikera avy hatrany, manatsatso, mamendrofendro; eny, manohitra aza.Toetra maha olombelona ny fifikirana amin’izay mahazatra zary fomba amam-panao? Mandeha ho azy, tsy manahirana… Efa raiki-tampisaka sarotra ovaina tsinona, ary misy aza ny mitompo teny fantatra sy miziriziry fa tsy azo ovaina. Hafahafa ny tena raha tsy manao sy manohy azy. Eo ny mahatonga ny fitenenana hoe efa entim-paharazana aza amin’izay entim-pahazarana fotsiny amin’ny ataony.Manao ahoana anefa izao tontolo izao raha nifikitra hatrany amin’izay hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana izay hatramin’izay? Saika nitondra faisana hatrany izay nilaza hevi-baovao sy nitondra zava-baovao: haratsiana, esoina, enjehina… Saingy rehefa manao sy manohy ny ataony izy ireny, tsy ilaozan’izay mandinika, manaraka, manandrana, resy lahatra, maka tahaka… Lalan-javatra izay?Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana raha te hanova? Tsy moramora sy tsy vetivety izany, fa mila fijoroana, fahasahiana, firosoana, faharetana… Inona no iresahana izany amin’izao? Mampandini-tena. Tena te handroso tokoa ve isika? Mila miova sy manova. Manomboka eo amin’ny tena io amin’ny fisaina, fiaina, fiasa… Izany miaraka no mahatonga sy mahahaingana ary mampivaingana ny fandrosoana.Na izany aza, tsy moramora tokoa ny hoe manova sy ny miova amin’izao. Mila fanazavana izay (h)atao, fandresen-dahatra, fijerena lavitra… Eny, mety ho miandalana aza, saingy tsy maintsy atomboka hialana amin’ny hoe nentim-paharazana sy nentim-pahazarana. “Tsy misy zavatra ratsy ao anatin’ny fanovana, raha mandeha amin’ny lalana tsara”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha izay, i Winston Churchill.Rafaly Nd. L’article Entim-paharazana sy entim-pahazarana        a été récupéré chez Newsmada.

Kitra Eoropeanina: nibata amboara efatra be izao ny Bayern de Munich
26/09/2020

Nahazo amboara efatra. Tontosa ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny kianja Puskas Arena Budapest, ao Hongrie ny fiadiana ny “Super coupe de l’UEFA”, taranja baolina kitra. Fihaonana nikatrohan’ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa sy ny FC Séville, tompon’ny amboara. Lasan’ny ekipan-dRainiboto ny amboara rehefa nandresy an-dry zareo Espaniola, tamin’ny isa tery 2 no ho 1. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy ny Bayern de Munich, tamin’ity. Ry zareo Seville no nanokatra ny isa, tamin’ny alalan’ny “penalty” matin’i Lucas Ocampos, teo amin’ny minitra faha-13. Nosahalain’i Leon Goretzka, kosa izany teo amin’ny minitra faha-34. Nifandimbiasana avy eo ny fanafihana, saingy tsy nisy ny baolina tafiditra, hatreo amin’ny fiafaran’ny fe-potoana ara-dalàna.Fandresena faha-26 nanomboka ny volana desambraVoatery niditra tamin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta. Tany amin’ny minitra faha-104 no nahatafiditra ny baolina nitondra ny fandresena ho azy ireo i Javi Martinez.Fanindroany no nandrombahan’ny Bayern de Munich ny amboaran’ny “super coupe de l’UEFA”. Fandresena faha-26 azon’izy ireo kosa ity vitany ity, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. Tsy mbola tojo faharesena mihitsy izany ny Bayern de Munich, hatreto raha iray monja ny ady sahala, tao anatin’izany.Tsiahivina fa  efa nahazo ny tompondaka sy ny fiadiana ny amboara any Allemagne izy ireo. Nibata ny ny “UEFA Champions League” farany teo ary izao nahazo ny  “UEFA Super coupe” izao. Andrasana koa ny 30 septambra izao ny “super coupe” any Allemagne, hifandonany amin’i Dortmund. Ho avy koa ny “coupe du monde  des clubs » amin’ny desambra izao, andraisan-dry Neuer anjara.TompondakaL’article Kitra Eoropeanina: nibata amboara efatra be izao ny Bayern de Munich a été récupéré chez Newsmada.