Fifaninanana Soratononina: ny zoma 18 jona ny fandraisana lahatsoratra

News - Fifaninanana Soratononina: ny zoma 18 jona ny fandraisana lahatsoratra

News - Fifaninanana Soratononina: ny zoma 18 jona ny fandraisana lahatsoratra

Araka ny fanamarihana avy amin’ny
Akademia Malagasy, nihemotra ny zoma 18 jona izao, amin’ny 09 ora
hatramin’ny 04 ora folakandro, ny fandefasana ny lahatsoratra
mahakasika ny fifaninanana Soratononina. Aterin-tanana ao amin’ny
Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy, Tahala Rarihasina
Analakely, rihana faharoa na alefa paositra (amin’ny adiresy
voalaza etsy ambony) ka ny fitomboky ny paositra no manamarina
izany. Hotontosaina amin’ny haino amanjerim-panjakana, RNM sy TVM
ny fizoran’izany.

Narilala
      

Article tiré de Newsmada

L’article Fifaninanana Soratononina: ny zoma 18 jona ny fandraisana lahatsoratra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Manohy ny lalany: etsy amin’ny IFM indray i Mamina

Vao 6 taona monja, efa fantatra tany anivon’ny antoko mpihira ny feony ! Mamina, mpanakanto anisan’ny manana ny mampiavaka azy manokana. Iray amin’ireny ny feony izay mahatakatra hatrany amin’ny « octave » faha-5. Rahampitso manomboka amin’ny 7 ora hariva, hiaka-tsehatra ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely i Mamina sy ny gitarany.Raha tsiahivina, mbola vao tany amin’ny taona faha-10 tany an-tsekoly i Mamina no efa namolaka tsikelikely ity zavamaneno vahiny ity. Notrandrahiny manokana tamin’izany ny figadon’ny hira nentin-drazana malagasy na ny bagasy. Tsy ny teto anivon’ny riaka ihany fa ny tany amin’ny faritra ihany koa.Ankoatra ny feo kanto sy ny fahaiza-mifehy ny gitara, mampiavaka ity mpanakanto tanora ity ihany koa ny fanasongadinana hatrany ilay fananan-karena eo amin’ny kolontsaina malagasy. nanamarika izany ilay hirany voalohany nampitondrainy ny lohateny « Mila vonjy ny kanto gasy ». Ho an’i Mamina, mila apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.HaRy RazafindrakotoL’article Manohy ny lalany: etsy amin’ny IFM indray i Mamina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lomano – “Lalaon’ny Nosy 2019”: 18 mianadahy hiatrika fampivondronana

Araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny lomano, hanomboka afaka roa Herinandro, farafahatarany, ny fampivondronana ho an’ireo atleta hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy 2019” any Maorisy. Efa nivoaka ny lisitr’ireo atleta ireo, ny asabotsy lasa teo, ary miisa 18 mianadahy, 10 lahy sy 8 vavy, izy ireo. Anisan’ny lohalaharana amin’izany ry Idealy (Cosra) sy i Michael (St Michel). Ny fifaninanam-pirenena 2019 vao notanterahina, ny herinandro lasa teo iny, no nahafahana nitily azy 18 mianadahy ireo ka hiatrika ny fampivondronana ny nahazo isa ambony. Hihazo an’i Maorisy ny15 amin’izy ireo, raha ny fanazavana hatrany, izay mbola hangatahina mafy amin’ny minisitera ny hitazomana io isa io. Hisy ihany koa telo mianadahy hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, hanampy an’i Murielle. Mi.Raz  Lisitr’ireo hiatrika ny fampivondronana  -Vehivavy: i Tendrinavalona Idealy (Cosra) – Razafy Elodie (Managing) – RakotoveloSamantha (Managing) – Rabejaona Holy Antsa (Managing) – i Gervois Naomy (Dauphins duRova) – Andrianarison Johanna (Cosra) – Andrianivohery Tatianavalona (Amahir Cn) –Andrianirina Malalasoa (Cosfa) -Lehilahy: Rasolonjatovo Michael (St Michel) – Raharvel Jonathan (Cosfa) – AndrianirinaLalanomena (Cosfa) – Rakotomavo John (St Michel) – Rakotomavo Stephan (St Michel) –Ramiakatrarivo Ando Francky (St Michel) – Rakotomamonjy Tiavina (Managing) –Rajaonarison Antso (Cosfa) – i Mandan’Andrianatoanina (Cosfa) – Rakotozafy AndritianaJonathan (St Michel). L’article Lomano – “Lalaon’ny Nosy 2019”: 18 mianadahy hiatrika fampivondronana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Flambée du prix du riz : Le “kapoaka” entre 700Ar et 1 000 Ar

Le riz de plus en plus hors de portée pour les ménages malgaches. Le prix du riz ne cesse d’augmenter sur le marché, aussi bien dans la Capitale que dans les autres régions de l’île. « Il s’affiche actuellement entre 700 Ar à 1.000 Ar le kapoaka. On parle ici du riz de variété locale, notamment le “vary gasy”  « Manalalondo », ou « Mangamila » ou « Dista » ou « Makalioka », qui sont les variétés de riz les plus prisées par 80% des consommateurs malgaches », a révélé Andry Vola Razafindralambo, coordonnateur national du MCI (Mouvement des Citoyens contre l’Inflation), une association de protection des droits des consommateurs. Il est en même temps membre du Conseil d’Administration de la Plateforme de Concertation et de Pilotage de la filière Riz (PCP Riz). Migrer vers la Capitale. Au marché de la Capitale, comme à Mahamasina, Ambondrona et à Itaosy, le riz local se vend actuellement à 800 Ar le « kapoaka » contre 700 Ar durant la période de fête de fin d’année. Quant à la variété « Makalioka », le « kapoaka » s’acquiert entre 700 et 750 Ar. Il en est de même à Mahajanga et à Fianarantsoa. Dans la ville de Toamasina, le prix du « kapoaka » de riz de variété locale s’affiche entre 700 Ar et 750 Ar. En revanche, dans la région Androy, qui est fortement touchée par le kere, « nous avons découvert que le « kapoaka » du « vary gasy » s’achète actuellement à 1.000 Ar à Ambovombe, à Amboasary Atsimo, à Betioky et à Marolambo. L’une des raisons qui pousse les habitants d’Androy à migrer vers la Capitale et les autres régions. À Toliara, le prix du « kapoaka » du riz import s’élève à 550 Ar. Cependant, la quantité d’un sac ne renferme même pas 50kg. Ainsi, les commerçants ont dû jongler au niveau du récipient pour ne pas vendre à perte », a-t-il souligné. Filière politisée. Ce défenseur des droits des consommateurs a également évoqué que l’introduction du « vary mora » dont l’origine a été inconnue ainsi que l’existence de nombreux intermédiaires dans le circuit de distribution de ce produit de première nécessité, ont contribué à la hausse de son prix. « La Plateforme de Concertation et de Pilotage de la filière riz qui regroupe tous les acteurs concernés, allant des producteurs, des collecteurs, en passant par les commerçants, jusqu’aux exportateurs et importateurs, a émis de nombreuses propositions à l’Etat auparavant. Nous avons suggéré entre autres, l’achat des récoltes des paysans pour constituer le « vary mora » et le « vatsy tsinjo » à distribuer aux populations vulnérables pendant les mesures de confinement.  Mais l’État a fait sourde oreille. En outre, lors d’une rencontre de l’Etat avec les opérateurs du riz, la majorité d’entre eux sont des étrangers alors qu’on parle de la principale denrée alimentaire des Malgaches. Nous avons bien constaté que cette filière est politisée », a fait savoir Andry Vola Razafindralambo. Augmenter à 3 000 Ar. Par ailleurs, il a dénoncé que les versions des ministères en charge de l’Agriculture et du Commerce sont contradictoires. « Le premier avance que la production a été bonne tandis que le second déclare avoir doublé la quantité du riz importé. Et tout cela n’a eu aucun impact sur le prix du riz affiché sur le marché local. Au contraire, une hausse exorbitante a été observée. Et parlant du projet Bas Mangoky qui est louable, on se demande pourquoi ne pas privilégier les opérateurs nationaux et les coopératives au lieu d’un opérateur privé dans un pays qui ne se spécialise même pas dans la filière riz. Et quid du financement de 60 millions USD alloué par l’Union européenne pour améliorer la production rizicole ? Où en est-on également avec la dotation de 1 ha de terrain aux paysans ? Si la PCP Riz n’est pas consultée pour réorganiser cette filière, le prix du riz risque encore d’augmenter jusqu’à 3.000 Ar le kilo le mois prochain », a conclu ce membre du CA de cette plateforme. Navalona R. L’article Flambée du prix du riz : Le “kapoaka” entre 700Ar et 1 000 Ar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Flambée du prix du riz : Le “kapoaka” entre 700Ar et 1 000 Ar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fampanarahan-dalàna ny fitateram-bahoaka: hametrahana GPS avokoa ireo taxi-be eto an-dRenivohitra 

Tsy misy intsony ato ho ato toerana ho an’ny gaboraraka eo amin’ny fitateram-bahoaka. Miara-miasa manatanteraka ny tetikasa hametrahana fitaovana fitiliana ny fandehanan’ny fiara GPS amin’ireo taxi-be miisa 4 000 eto Antananarivo Renivohitra ny eo anivon’ny CUA sy ny TAG-IP, miaraka amin’ny Cnaps sy ny UCTU. Tafiditra amin’ny fanaraha-maso sy ho fanatsarana ny fifamoivoizan’ny taxi-be eto Antananarivo Renivohitra izany, hialana ny fitarainana ny mpanjifa. Eo koa anefa ny ady amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana.Efa niroso amin’ny fametrahana GPS ho an’ny andiany voalohany ny CUA ka maherin’ny 600 ireo nanaovana izany.Ahitana ireo tsy manara-dalàna…Efa manana ny azy manokana amin’ity GPS ity ny eo anivon’ny FMA fa ny UCTU, nanao fifanarahana tsy mantsy asiana GPS avokoa ny taxi-be rehetra eto an-dRenivohitra. “Tanjona amin’ny fametrahana izany fitaovana izany amin’ireo fitateram-bahoaka ny ho fiarovana ny fiara sy ny fanaraha-maso ny taxi-be. Mora hita, ohatra, ilay fiara raha misy mangalatra. Hita amin’ny alalan’ny “centre opérationnel” aty anivon’ny CUA misy ny mombamomba ny fiara izany. Eo koa ny fahitana ireo fiara tsy manara-dalàna tsy mijanona amin’ny “arret” sy ny mivily na ny mihodina an-dalana”, hoy ny tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, i Bemana Vigor.Synèse R. L’article Fampanarahan-dalàna ny fitateram-bahoaka: hametrahana GPS avokoa ireo taxi-be eto an-dRenivohitra  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Me and myself, mon autre moi »: maniry ny ho lasa lavitra amin’ny hosodoko i Bodo

Nandritra ny fotoam-panokafana ny fampirantiana hosodoko « Me and myself, mon autre moi » tao amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) eny Andavamamba, omaly, nitafa mivantana tamin’ireo tonga teny an-toerana i Bodo. « … Faniriana ny ho lasa lavitra amin’io taranja io ka hitondra azy eny rehetra eny », hoy izy. Nomarihiny fa tsy mbola matihanina goavana izy, ary tsy mbola tena hoe mpanao hosodoko fa efa an-dalana ny ho amin’izany. Tia mizara amin’ny tanora izay hainy anefa izy.Ny zanany lahy no nanampy azy nanao ny lohatenin’ireo tabilao harantiny eny amin’ny AFT Andavamamba. Anisan’izany ny : « Rivière parfumé », ny « La feuille du néant », sns. Nambaran’i Bodo ihany koa fa efa nanao ny « patisserie » izy. Ilaina ny mandravaka ny mofomamy rehefa vita. Izay no mety nahatonga azy tsy ho vahiny loatra amin’ny hosodoko intsony.Fantatra fa any amin’ny 28 febroary vao hifarana ny ranty « Me and myself, mon autre moi » miaraka amin’ity andrarezin’ny hira ity.HaRy RazafindrakotoL’article « Me and myself, mon autre moi »: maniry ny ho lasa lavitra amin’ny hosodoko i Bodo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Na efa matin’ny daroka sy vono aza: nodoran’ny olona ilay nanindrona antsy ny vadiny sy ny rafozany

Na efa tsy niaina intsony, noho ny daroka sy vono aza, tsy namelan’ny olona raha tsy nodoran’izy ireo i Moh, ilay nanindrona antsy ny vadiny sy ny rafozam-baviny, tao Mananara Avaratra, andro vitsivitsy lasa izay…Io indray…  Efa nahina ny tsy maintsy hisian’ny fitsaram-bahoaka ao Mananara Avaratra taorian’ny fira antsy nataon’ i Moh tamin’ny vadiny sy rafozam-baviny, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 29 janoary lasa teo tao amin’ny fokontany Agnalampenja -kaominina Mananara Avaratra . Taorian’ ny herisetra nataony, nitsoaka izy ary nikaroka azy ny fokonolona ao an-tanana. Nisy ny fampielezana tamin’ny tambajotram-pifandraisana maro sy haino aman-jery tao an-toerana.  Nasiana peta-drindrina maneho ny sariny nanerana ny tanàna manodidina an’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra, Soanierana Ivongo ary Nosy Sainte Marie.Kila forehitra…Vokany, ny talata 2 febroary tokony ho tamin’ny  6 ora hariva, nisy nahatsikaritra tao amin’ny fokontany Sahalava, kaominina Analanampotsy, Mananara Avaratra ihany ny tenany. Teo no nisamboran’ny fokonolona  azy ary noentina niakatra tao an-tanàna. Nidaroka sy namono ireto farany raha vao nahita ilay nahavanon-doza.  Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy nodorana io lehilahy io. May kila forehitra ary lavenona ny vata-mangatsiakan’i Moh vao navelan’ny olona. Marihina fa efa mihatsara ny fahasalaman’ilay ramatoa vadiny naratra mafy mitsabo tena eto Antananarivo sy ilay  rafozany, tsaboina ao Mananara Avaratra ihany.Sajo sy TsiferanaL’article Na efa matin’ny daroka sy vono aza: nodoran’ny olona ilay nanindrona antsy ny vadiny sy ny rafozany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Morondava: lehilahy tratra nitondra odigasy tao anaty taksiborosy

Noraisim-potsiny ! Naiditra am-ponja ny faran’ny desambra teo ilay lehilahy tratra nitondra odigasy marobe nentina nandeha taksiborosy. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny fitaleavam-paritry ny polisim-pirenena Menabe no nahasambotra ity lehilahy ity, ny 30 desambra teo. Nandritra ny fisavana tamin’ny sakana nataon’ny polisy no nahasamborana ity lehilahy ity. Mba hisorohana ny asa ratsy mety hitranga dia mitohy hatrany ny fanamafisana sy fisavana ireo fiara mifamezivezy ao amin’ny faritra Menabe. Nandritra ny sakana nataon’ny polisy no nahatrarana taksiborosy iray mampitohy an’i Mahabo sy Morondava nandehanan’ity lehilahy ity, izay somary nampiahiahy ny polisy ny fihetsiny. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana ny entana nentiny ny polisy ka nahatrarana ireo odigasy marobe toy ny mohara tao anaty kitapony. Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy ary fantatra tamin’izany fa tsy manana taratasy fahazoan-dalàna hitazona ireto odigasy ireto izy.Jean ClaudeL’article Morondava: lehilahy tratra nitondra odigasy tao anaty taksiborosy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny covid-19: vita vaksiny ry Bodo, Princio, Samoela…

Nanaeho ny hafaliany, omaly, i Bodo, ary nanentana ny rehetra hiroso amin’ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny coronavirus, raha nitafa tao amin’ny pejiny ao amin’ny tambajotran-tsearasera “facebook”.Niroso tamin’ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny valanaretina covid-19, omaly, i Bodo teny amin’ny foiben’ny UN Madagascar. Velon-kafaliana tanteraka ny tenany raha nitafa tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook, tao amin’ny pejiny ary nambarany fa  “vita vaksiny aho ary afaka mirehareha… Ny tahotra no betsaka ao amintsika noho ny tsy fahampian’ny fizarana ary izay no nandraisako anjara mba hiteny aminareo aho hoe manahoana aho isan’andro”, hoy i Bodo. Mpanakanto maro no niara-nanao vaksiny taminy raha tsy hilaza afa-tsy i Henri Ratsimbazafy, Samoela, Princio, Roger ao amin’ny tarika Iraimbilanja…  Tao anatin’izany, nanao fanentanana ho an’ny vahoaka malagasy ny tenany mba hiroso amin’ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny valanaretina coronavirus hahafahan’ny tsirairay miatrika ny fiainany, satria rehefa voaro ny tena dia afaka miasa tsy misy ahiahy. Taorian’ny fahavitan’ny Vaccinodrome Antananarivo ao amin’ny Malacam Antanimena dia hita fa mirohotra ny olona manao vaksiny, any amin’ny toerana misy izany, anisan’izany koa ny mpanakanto.NarilalaL’article Ady amin’ny covid-19: vita vaksiny ry Bodo, Princio, Samoela… a été récupéré chez Newsmada.

News - People

Nodimandry i Johnny Clegg

Ilay mpihira afrikanina tatsimo Johnny Clegg dia nodomandry ny Talata teo taorian'ny cancer izay nahazo azy. 66 taona ity farany. Mpihira izay naka ny toerany tokoa i Johnny Clegg satria dia izy no mpitondra ny hiran'ny fanoheran'ny apartheid sy ny fampihavanana. Hoy i Roddy Quin, ny Manager-ny teo amin'ny haino aman-jery SABC hoe i "Johnny dia maty teo akaikin'ny fianakaviany tao Johannesburg, rehefa avy niady nandritra ny 4 taona sy tapany tamin'ny cancer". "Izy dia nitana andraikitra ambony tao afirka atsimo tamin'ny fampisehoana tamin'ny olona ny kolontsaina maro sy ny nampifanakaiky azy ireo", nanampiany azy. "Izy no nampiseho antsika ny dikan'ny mampiaraka kolontsaina samihafa ka tsy very ny maha izy azy ny tsirairay." Johnny Clegg dia nampiseho tamin'ny alalan'ny hirany ny fampifangaroana ny gadona zoulou sy ny pop, ny fanoherana ny apartheid sy ny fampihavanana. Raha nianjadian'ny fanivanana nandritra ny taona maro i Johnny Clegg, dia tany ivelan'ny Afrika atsimo izy no nalaza voalohany izay vao nahazo izany laza izany tao amin'ny fireneny. Nandritra ny nampangotraka ny fanakavaham-bolokotditra, dia voarara ny hirany. Mba hialana an'izany anefa dia voatery izy, niaraka tamin'ny groupe-ny Juluka, izay misy ireo mpitendry zavamaneno zoulo Sipho Mchunu tany amin'ny oniversite, ny fiangonana sy olona vitsivitsy. Na dia teo aza izany dia ny polisin'ny apartheid dia nandrara ny fampisehoana sasantsasny ary efa voasambotra aza ity mpihira ity. Voapanga izy ity ho tsy nanaja ny lalan'ny fanavakavaham-bolokoditra. Ary ny governemanta fotsy tamin'izany fotoana izany dia tsy afaka ny hanaiky mihitsy ny hoe olona fotsy hoditra iray dia haka ny haingampanahany avy amin'ny tantaran'ny Zoulou. Tany ivelan'ny Afrika atsimo anefa dia nalaza i Johnny Clegg. Tamin'ny 1982, tamin'ny nivoahan'ny "Scatterlings of Africa" dia tafiditra tao amin'ny hit-parades tany Angletera sy Frantsa ity farany. Dimy taona taorian'io dia mbola namoka ny hira "Asimbonanga" (Mbola tsy hitantsika amin'ny fiteny Zoulou) izy ka dia lasa nalza eran-tany izany hira izany ary io hira io dia natokana ho an'i Nelson Mandela ilay maherifon'ny ady amin'ny apartheid. Ny governemanta tany tamin'izany fotoana izany dia nandrara an'io hira io. Taona vitsy taorian'ny fiafaran'ny apartheid, ilay mpihira sy ilay mahery fon'ilay hira, izay efa afaka, dia nifankahita tany Francfort tany Alemaina, ho amin'ny fampisehoana tsy nampoizina. Teo am-pihirana an'i Asimbonanga i Johnny Clegg dia niara nitsangana ny mpijery. Hoy i Johnny Clegg hoe "ohatran'ny nahita olona iray za niakatra teo ambony lapihazo ka nadihy ay i Mandela izany. Tena taitra mihitsy izaho. Tsy fantatro akory hoe teo izy." Rehefa tapitra ilay hira dia niteny i Mandela hoe : "Ny mozika sy ny dihy no mampihavana ahy amin'ny izao tontolo izao." Ito ambany ito misy ny santionany tamin'io fampisehoana tany Francfort io. Mirary fampiononana feno izahay.

News - News Mada

Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe

Maromaro ny fitaovana natolotry ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat) ny kaominina Toamasina I, ny asabotsy teo. Fitaovana hanadiovana sy hanazava ny tanàna (angady 50, borety 50, kifafa vy, rateaux 50 ary ampola 800). Nisy ordinatera miisa roa koa nanampy ireo.Nilaza i Tsifoina, nisolo tena ny tale jeneralin’ny Spat, fa vonona hatrany ity orinasam-panjakana ity hifanome tanana hampandrosoana ny tanànan’i Toamasina. Ho an-dRtoa Doris, nisolo tena ny fiadidiana ny Repoblika, nanatrika ny fotoana, “tonga amin’ny tenin’ny filoha Rajoelina izao hoe : “ampio aho mba hanampiko anareo””. Notsipihin’ny PDS-n’i Toamasina I, Razafimanana Jean Christin, fa “manomboka tratra amin’ny ampahany ny fampanantenana nataoko ho an’ny vahoakan’i Toamasina, hiainan’ny vahoaka amina tanàna madio, misy jiro manazava ny arabe vita godirao”.Natomboka tamin’io fotoana io avy hatrany ny fanadiovana faobe ny araben’ny Fahaleovantena.Sajo sy Njaka A.L’article Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Notsongaina

Ady amin’ny asan-jiolahy…: nahazo basy sy bala avy amin’ny Tafika Malagasy ny polisy
19/06/2021

Notanterahina omaly teny amin’ny direction interarmées de la logistique et de soutien ny lanonana ara-miaramila teo amin’ny Tafika Malagasy ny ny polisim-pirenena. Nisy ny fanolorana ireo basy lava mi­isa 500 MAS 36 sy MAT 49 miisa 50 ary bala miisa 20 000 amin’ny 7.5 mn ary 6 000 amin’ny 9 mm. Nanolotra izany teny an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard niaraka tamin’ny Seg, ny Jly Ravalomanana Ri­chard, niaraka tamin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP). Nambaran’ny MDN fa ireto fitaovana ireo dia tohana lehibe hiadian’ny polisim-pirenena amin’ny asan-jiolahy any amin’ireo faritra mena manerana ny Nosy mba hanatanterahana ny vina napetraky ny filoha Rajoelina. Marihina fa sambany teo amin’ny tantara no nisian’ny fanoloran’ny Tafika fitaovam-piadiana ho an’ny polisim-pirenena. Mampiseho izany fa iray ny fahavalo iadiana ary mampiseho ny firahalahiana eo amin’ny mpitandro filaminana izao. Samy resy lahatra ireto tomponandraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana ireto fa iray ny tanjona amin’ny famerenana ny fandriampahalemana. Namba­ran’ny MDN fa tsy miandry ny any ivelany foana fa afaka mifanampy koa ny samy mpitandro filaminana eto an-toerana mba hisian’ny fampandrosoana maharitra. Natao izao mba ho fanohizana ny famerenana ny fandriampahalemana eto Madagasikara.Jean ClaudeL’article Ady amin’ny asan-jiolahy…: nahazo basy sy bala avy amin’ny Tafika Malagasy ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

«Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao
17/06/2021

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo ny olona miisa dimy voarohirohy amin’ny famarotana ireo entana sarobidy tao amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha, i Tsiranana Philibert, ao Ampefy, ny 5 jona lasa teo.Isan’izany ny mpiambina ny toerana, atidoha nikotrika ny asa ratsy, ireo namany miisa telo nanampy azy sy ny mpividy ireo entana halatra. Niaiky ny heloka nataony io lehilahy mpiambina trano io taorian’ny nahatrarana azy tao Analavory, ny 8 jona teo. Nilaza ilay lehilahy mpiasa ao amin’ny « résidence » io fa efa nanomboka ny volana septambra 2020 ny namarotany tsikelikely ireo entana sy ny fanaka amin’ny vidiny mora ary tonga hatramin’ny antsasa-bidy mihitsy izany. Taorian’izay, nanondro ireo namany mpiray tsikombakomba aminy amin’ny asa ratsy izy.Fiara iray nitatitra ireo entana halatra ihany koa no nogiazana. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona 24 hafa voalaza fa nividy ireo entana halatra taorian’ny fampanoavana afakomaly tao Miarinarivo. « Mbola hitohy ny 7 jolay izao ny fanadihadiana lalina ny raharaha », hoy ny fanazavan’ny zandary avy ao Soavinandriana misahana ny fanadihadiana. Entana sarobidyEfa tafaverina avokoa ny 80% amin’ireo entana sarobidy halatra raha mbola tadiavina kosa ireo hafa. “Nametrahan’ny kaominina mpiambina ihany koa io tranon’ny filoha teo aloha io”, hoy kosa ny fanazavan’ny zandary avy ao Miarinarivo. Fepetra noraisina, hoy izy, ny fanamafisana ny fisafoana ataon’ny zandarimaria eny an-toerana, indrindra ny fitobiany eny amin’ny alina. Natao izany mandra-piandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika.Tsiahivina fa ny 5 jona lasa teo, nahazo fampandrenesana mahakasika ireo fahaverezana entana ireo zandary ao Ampefy. Tsikaritr’ireo olona teny an-toerana fa tsy tao intsony ny mpiambina ny tranon’ny filoha teo aloha io, maro ihany koa ny entana very, antony nahatonga ny sefo fokontany avy ao Avarabohitra sy ny ben’ny Tanànan’Ampefy niantso ny mpitandro filaminana. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy. Nantsoina ihany koa ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Hita tamin’izany fa tsy tao intsony ireo entana sarobidy rehetra izay misy vita avy amin’ny andramena. Lasan’ireo tsy mataho-tody hatramin’ny varavarankely, ny varavarambe, ny « moquette », ny karipetra, ny armoara sy ny seza ary ny kojakoja rehetra. Hany sisa tavela tao amin’ny efitra telo sy ny efitrano fandraisam-bahinin’ny trano fonenan’ny filoham-pirenena teo aloha io ireo enta-mavesatra toy ny vata fampangatsiahana, ny lafaoro. FanadihadianaVoalaza fa nividy ireo entana halatra ny mponina avy ao Ampefy sy ny manodidina ary tompon’andraikitra nivarotra izany ny mpiambina. « Ny mpiasa ao ihany no mamoaka ireo entana sarobidy ireo. Rehefa natao ny famotorana, olona 29 ny voasambotry ny zandary ary nanaovana famotorana tao Miarinarivo », hoy Ratolojanahary, mponina ao an-toerana. Nambarany fa mety ho tsy nahafantatra ireo olona mpividy fa entana avy ao amin’ny « résidence » ireo entana novidiany ary entana namidy, antony nahatonga ireo olona roboka tamin’ny fividianana izany. Henintsoa HaniL’article «Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Mérieux: hitsangana ny ozinina ho an’ny fanampin-tsakafo
17/06/2021

Niompana amin’ny fandraisana an-tanan’ny fanjakana ny fanafarana entana ilaina ho amin’ny lafiny sosialy ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra, omaly. Natao tamin’ny alalan’ny « visioncoference » izany.Nivoitra tamin’izany ny fankatoavana ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny haban-tseranana sy ny hetra momba ny fampidirana kaontenera misy famokarana sakafo. Nanambara ny eo anivon’ny Fondation Mérieux, ny 15 marsa teo, fa hanampy amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany.Ankizy maherin’ny 50 000 hisitraka fanampin-tsakafoHametraka ozinina famokarana fanampin-tsakafo ao Taolagnaro ho an’ny mpianatra any atsimon’ny Nosy izy ireo. « Vonona hanolotra maimaimpoana koa ny kaontenera fanampiny ahitana fitaovana famokarana izany ity Fondation lehibe ity », hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.Hisitraka ny vokatra avy amin’izany ozinina izany ny ankizy maherin’ny 50 000 any amin’ny faritra Anosy sy Androy ary hozaraina maimaimpoana eny anivon’ny « cantine scolaire » izany. Hahatratra 600 t isan-taona ny famokarana ataon’ity orinasa ity. Antony nanalefahana ny haba sy ny hetra izany, araka ny fangatahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Hahazo kamiao ny CUAEtsy andaniny, nankatoavina ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fanafaran’ny Unicef ireo fiara lehibe fakana fako « camion benne » miaraka amin’ny kojakoja samihafa ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). « Natao hanamafisana ny haitaon’ny sampana fandraofana ireo fako vaventy izany », hoy ihany ny tatitra.Ankoatra izany, nolanin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manambara ny hampiasan’ny fanjakana ny tany ao amin’ny tanànan’i Mahavelona Foulpointe, voafaritry ny reniranon’i Onibe sy ny kaominina Ampasimbe Onibe. Eo koa ny ao amin’ny kaominina Andondabe, ny reniranon’Ifontsy ary kaominina Antetezambaro miaraka amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao amin’ny drafi-pandrindrana ny tanàn-dehibe izany.Nankatoavina koa ny hampidirana maimaimpoana ireo fitaovana nohafarana omena ny ivontoerana fanofanana asa (CFP) ao Nosy Be. Tahaka izany koa ny nankatoavana ny fahazoan-dalana handray fitaovana : « appareils mammographies analogiques », miisa 10 sy ny « scanner 64 barettes, miisa dimy.Synèse R.  L’article Fondation Mérieux: hitsangana ny ozinina ho an’ny fanampin-tsakafo a été récupéré chez Newsmada.

Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara
17/06/2021

Fivoriambe manokana nataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny voalohan’ny volana jona teo tany New-York ny hiadiana amin’ny kolikoly mahazo vahana amina firenena maro. Nandray anjara tamin’izany fivoriambe izany i Madagasikara, tamin’ny anaran’ny CSI (1) ka anisan’ireo firenena 187 nanao sonia ny fifanarahana teo anivon’ny UNCAC (2). Nanao sonia midika io fifanarahana io fa manaiky marina miady amin’ny kolikoly. Samy nanaiky rehetra ary nanamafy fa sakana ho an’ny fampandrosoana, indrindra mampahantra vahoaka, ny kolikoly, tsy ahafahan’ny vahoaka ihany koa mizaka ny zony feno.Maromaro ihany ireo fepetra an-tsoratra nambaran’i Madagasikara amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’izany ny fanamafisana ny asan’ny Pac (Pôle anti-corruption), ankoatra ny eto Antananarivo, ny any Mahajanga sy any Fianarantsoa. Fiarovana ny lalàna mampahaleo tena ny sampana rehetra miady amin’ny kolikoly: CSI, Pac, Bianco, Samifin.Fahaleovantena tanteraka ny rafi-pitsarana rehetra. Hamafisina fa tsy misy ambony lalàna ary eo koa ny fandraisana fepetra raha mihazona fananana sy vola tsy mazava.Tsy misy mangaraharaTanjona hiadiana amin’ny kolikoly ny hisian’ny fampandrosoana maharitra, mitaky politika ho an’ny fitantanana madio. Nanao izao fivoriambe izao ny ONU noho ny fahatsapany ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny fitantanambola, indrindra ny avy amin’ny mmpatsy vola iraisam-pirenena. Voakasik’izany manokana ny aty Afrika. Tao anaty krizy tanteraka i Madagasikara ny taona 2020, amina tetibola 826,09 tapitrisa dolara, 9,37% tamin’izay ihany ny natokana ho an’ny fahasalamana, izay mbola tsy mangarahara ihany koa ny fitantanana azy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International Intiative Madagascar. R.Mathieu CSI (1) : Comité pour la  sauvegarde de l’intégritéUNCAC (2) : Convention des Nations Unies contre la corruptionL’article Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Siteny Randrianasoloniaiko: «Mila hamoraina ny fampidirana fitaovana… »
15/06/2021

Manoloana ny fahasarotan’ny fampidirana entana avy any ivelany ho an’ny taranja ara-panatanjahantena eto amintsika, nitaky ny  fandraisan’andraikitry ny fanjakana hijery akaiky ny  fomba entina hanamorana izany ny filohan’ny UAJ, i Siteny Randrianasoloniako, omaly. Na eo aza ny tsy fandoavan’ny federasiona hetra araka ny lalàna misy eto Madagasikara, sahirana ireo tomponandraikitra  ara-panatanjahantena amin’ny fikarakarana ny taratasy hamoahan’izy ireo ny entana. «Noho ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasy eo amin’ny famoahana ny fitaovana ara-panatanjahantena eto amintsika, tapitra very ny 60 ka hatramin’ny 70% amin’ireo fitaovana kasaina hanampiana ny atleta malagasy»,  hoy izy. Tetsy ankilany, nilaza koa ny filohan’ny UAJ fa mitaky fampitoviana hatrany ny fijerena ny taranja rehetra entina hampisongadinana izany. «Tsy mandroso ireo taranja ireo raha tsy misy ny fampitoviana eo amin’ny famatsiam-bola ho an’ny tsirairay », hoy hatrany ny tenany.  Marihina fa nigadona teny amin’ny seranam-piaramandina Ivato ny filohan’ny UAJ, i Siteny Randrianasoloniaiko, omaly.Tsiferana R.L’article Siteny Randrianasoloniaiko: «Mila hamoraina ny fampidirana fitaovana… » a été récupéré chez Newsmada.

Ramamimampionona Gérard : “Ho an’ny manan-tsaina ny fananganan-tsaina”
15/06/2021

“Natao ho an’ny olona manan-tsaina ny fananganan-tsaina. Manana ny lamba na ny faneva fotsy,mena,maitso. Mahalala sy mahatadidy ny dikany, manambara fiombonana, fihavanana, fitiavan-tanindrazana, asa… Eo koa ny fikirizana, ny fanantenana, ny soa iombonana… “, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Ramamimampionona Gérard. Tsy miankina amin’ny mpitondra fanjakana izany, fa amin’ny maha Malagasy: atsangana ny saina. Tsy ijerena ny manodidina koa izany, ka izay mampiray indray no mampitabataba na mety hampiady. Tsy natao hampiady ny saina fa mampiombona.Isan-taona ve dia entanina amin’ny fananganan-tsaina? Mahatadidy ny raiamandreny. Manan-tsaina ve? Mahalala ny antony sy ny ananganana azy ary izay raketiny. Marika sy vavolombelon’ny fitiavanan-tanindrazana sy fahavononana hijoro sy hampijoro ny fahaleovantena. Tsy misy fahaleovantena tonga ho azy, raha tsy ny isam-batan’olona miakatra tsikelikely no manorina sy mandrafitra azy.Tsy mbola very fanantenana        “Na inona na inona antony, fantatsika fa mahantra ny firenentsika ara-politika, toekarena, sosialy… Ao anatin’izany no vao mainka hananganan-tsaina, fa tsy mbola very fanantenana isika”, hoy izy. Mbola misy ny toe-tsaina sy ny finiavana tsara. Eo koa ny harena nomen-Janahary, ny fihavanana… Izay no ahazoana mijoro, ary ananganan-tsaina.Ny fotsy, milaza ny fihavanana, ny fahadiovana, ny fahamarinana… Izay no enti-manangana ny fahaleovantena. Ny ra latsaka teo amin’ny fitiavana tanindrazana sy ny sorona vitan’ny raiamandreny teo aloha ny mena. Na ho fanajana ny teo aloha noho izany ihany aza: atsangana ny saina. Ny maitso: fanantenana. Tsy manary fanantenana izany ny olombelona, raha mbola velona.R.Nd.L’article Ramamimampionona Gérard : “Ho an’ny manan-tsaina ny fananganan-tsaina” a été récupéré chez Newsmada.

  Faritra Anosy sy Androy: natao andrana ny kavin’omby elektronika
18/06/2021

   Nihaona tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana ny olobe ary ny mpisehatra samihafa amin’ny omby ny tale jeneralin’ny Fiompiana, ny 14 jona teo tany Taolagnaro. Noresahina ny tetikasa vaovao hamantarana ny omby sy ny fiarovana azy.Fotoana nihainoana mivantana ny hetahetan’ny mpisehatra amin’ny omby izany, sady namantarana ny tena zava-misy eny ifotony. Nohazavain’ny tale jeneraly, Andriamahatola Lezoma Tsiry, ny lalàna mikasika ny omby sy ny biby miraok’ahitra. Teo koa ny fomba vaovao hamantarana ny biby tsirairay (Lits*), hapetraka any amin’ny faritra efatra (Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe). Anisan’ny tetikasa vaovao fisandratana (NPE) ao anatin’ny drafitra fisandratana ho an’ny tapany atsimon’i Madagasikara (PEM Sud) izany.Navoitran’ireo solontenan’ny mpiompy omby any amin’ny kaominina Ankaramena sy Manambaro, anisan’ny tsenan’omby lehibe any amin’ny faritra Anosy ny sakana samihafa any an-toerana. Toy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby, ny tsy fahampian’ny dokotera mpitsabo biby nahazo fankatoavana, ny tsy fisian’ny toerana manokana fanaovana vaksiny, sns. Anisan’ny vahaolana nomen’ny tale jeneraly ny Mpiompy manampy amin’ny asa veterinera (MMAV). Mikasika ny bokin’omby, nampahafantarina ny kavin’omby elektronika vaovao sy ny karatra kely (puces) tsy azo atao hosoka.Niaiky i Niha Gilbert, mpiompy omby any Ankaramena, fa « namantarana ny olanay ity fihaonana ity ary hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny omby ny vahaolana nomena».Noraisina ny soso-kevitra samihafaNatao andrana tany amin’ny kaominina Ankaramena ny fampiasana ny famantarana ny omby tsirairay, Lits. Soso-kevitra naroson’ny ben’ny Tanàna, Rtoa Attalah Arline, ny hampihenana ny habetsahan’ny fanafody sy ny lanja ary ny haben’ny kavina ho an’ny omby tanora. Nanampy izany ny DG Andriamahatola Lezoma Tsiry mikasika sakafom-biby sy ny fanatsarana ny karazan’omby.Dingana manaraka amin’ny tetikasa Lits, ny fampiofanana ny mpisehatra rehetra sy ny fanaraha-maso ny fifindran-toeran’ny omby. Voakasik’izany ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny kaominina ary ny mpitandro filaminana. Hametraka ny kavin’omby elektronika ny veterinera raha vao tonga any an-toerana izany. Nilaza Rtoa Mounira Mayet, tale jeneralin’ny orinasa Bovima, fa “tsy manan-tsafidy isika, tsy maintsy fantarina ny mombamomba ny biby sy ny toerana niaviany tsirairay raha hivarotra sy hanondrana any ivelany. Fepetra takin’ny firenena hanondranana ny vokatra izany”.Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny minisitry ny Fambolena, Ranarivelo Lucien, nandritra ny fikaonan- doha fisandratan’ny tapany atsimon’i Madagasikara, ny 11 sy ny 12 jona, ny fanatsarana ny fiompiana omby. Ao anatin’izany ny toerana fanatavezana (Feedlot) any Anosy sy Androy, izay hiteraka asa 20.000.Njaka AndriantefiarinesyL’article   Faritra Anosy sy Androy: natao andrana ny kavin’omby elektronika a été récupéré chez Newsmada.

CUA : Dotée de camions bennes
17/06/2021

Le Conseil des ministres a décidé, hier, au niveau du ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’​Hygiène, de la prise en charge, à titre exceptionnel, des taxes sur la valeur ajoutée sur les camions bennes, ainsi que sur les kits de maintenance au profit de la Commune Urbaine d’Antananarivo. Toujours dans le cadre de la coopération avec ledit ministère, l’UNICEF a l’intention de procéder à l’achat du matériel susmentionné pour aider la CUA, notamment dans le ramassage des ordures ménagères. Sans parler des 160.000 litres de gel désinfectant,  dont le montant s’élève à 686.840.000 millions d’ariary pour le ministère de l’Eau. Pour le ministère de l’Enseignement technique et de la Formation professionnelle, le conseil a donné son aval pour l’introduction de matériels en faveur du Centre de formation professionnelle sis à Nosy-Be. À cet effet, il y a eu un partenariat entre ce ministère, les associations Imanga et Human’Isa XXI, les autorités locales et les partenaires techniques et financiers. Quant au ministère de la Santé publique, il a été doté d’appareils de mammographie analogique, au nombre de 10, et de scanners à 64 barrettes, au nombre de 5. Recueillis par Dominique R. L’article CUA : Dotée de camions bennes est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article CUA : Dotée de camions bennes a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana
14/06/2021

Mijaly rano ny mponina any Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, maina ny tany, lafo ny vary, ary ratsy dia ratsy ny lalana. Ireo ny olana amin’ny ankapobeny mahazo ny mponina. Herinandro maromaro izao, tsy mahazo rano ny mponina na tsy ampy ny rano avy amin’ny Jirama. Milina mandeha amin’ny herin’ny masoandro no mampiakatra ny rano avy any ambany mankany ambony toerana. Rehefa ratsy ny andro, mihodina ihany ny milina, rehefa ratsy ny andro, tsy mandeha ny milina satria tsy misy “batterie” nanomboka ny volana marsa tamin’ity taona ity. Volan’ny CLD (Comité local de développement) anefa nividianana ny milina. Koa noho ny tsy fahampian-drano, lasa mividy rano amin’ny vovo ny olona, 400 Ar ny daba 20 l. Mavesatra ho an’ny tokantrano maro izany, satria tsy ampy iray andro mihitsy ny rano 20 l.800 Ar ny kapoakan’ny varySahirana ihany koa ny mponina amin’ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny vary, 800 Ar ny kapoaka; menaka, 8000 Ar ny litatra ; siramamy, 1100 Ar ny kapoaka. Mampihemotra ny fari-piainan’ny olona daholo ireo, tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Tsy tafita amin’ny vahoaka maro anisa ny tarehimarika navoakan’ny praiminisitra momba ny tahan’ny vidim-piainana, fa ireo PPN saika misondro-bidy isan’andro ny hitany.Olana iray goavana iainan’ny mponina hatramin’ny taona maro ny lalana RN10. 250 km avy eo Andranovory, 30 000 Ar ny saran-dalana avy any Toliara, atao iray andro amin’ny fiara lehibe mpitatitra, misy olona 80 ao anatiny miampy entana ambony sy ambany. Mihantona ny tongotra mandritra ny dia, resaka fotsiny izany elanelana sakana amin’ny valanaretina izany,  araka ny filazan’ny mponina. Tany lavitra andriana. R.MathieuL’article Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana a été récupéré chez Newsmada.

Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha
16/06/2021

Manoloana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa efa mananika ny 90% etsy Mahamasina, tonga nitsidika voalohany ny kianjany ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry omaly…Tonga nijery voalohany ny fotodrafitrasa vaovao manara-penitra nampanantenain’ny fitondram-panjakana ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Afa-po tanteraka ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy raha ny nambaran’izy ireo nandritra ny fitsidihana ny toerana rehetra mandrafitra ny kianja. Anisan’ny resy lahatra amin’ny hakanton’ny kianja ny kapiteny Abel Anicet. « Tena mahafinaritra tanteraka ny fahavitany», hoy izy. Na mbola misy 10%-n’ny fanamboarana aza tsy vita, hita ho misongadina ny zava-bita na amin’ny endrika anatiny na ivelany. Tsy vitan’izay, matihanina tanteraka ny teknolojika mandrafitra azy noho ny fisian’ny « caméra de suirveillance » miisa 178 ao anatiny. Entina hanaraha-maso ny zava-mitranga rehetra sy ny olona mifamezivezy ao amin’ny faritry ny kianja avokoa ireo fitaovana ireo. Eo ihany koa ny fahitalavitra goavana roa mirefy 20 m ny halavany ary mahatratra 10 m ny haavony. Hahazaka mpijery miisa 44 266 ny kianja. Nanararaotra kosa, ny filoha Rajoelina nilaza tamin’ny Barea fa matoky azy ireo hitondra avo indray an’i Madagasikara. « Matoky aho fa hahavita zavatra goavana indray ny Barea, indrindra ny ahafahantsika Malagasy hiatrika ny fiadiana tompondaka eran-tany voalohany eo amin’ny tantara toy ny tamin’ny “Can 2019”», hoy ny filoha. Marihina fa ny faran’ny volana novambra ho avy izao no ho vita tanteraka ity fotodrafitrasa ity.Tsiferana R.L’article Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso
14/06/2021

Mbola mitoetra ny hamehana ara-pahasalamana ho an’ny 15 andro manaraka na efa nihena aza ny tranga covid-19. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, niainga avy any Taolagnaro, omaly fa ferana ho isaky ny renivohi-paritany enina ihany ny matso. Nambarany tamin’izany fa hankalazaina afaka 13 andro ny fetim-pirenena sy ny faha-61 taona niveran’ny Fahaleovantena. “Noho ny hamehana sy hifehezana ny fiparitahan’ny covid-19 anefa, eny anivon’ny renivohi-paritany enina ihany no hankalazana izany sy hanaovana ny matso”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hanangan-tsaina, hampisehoana ny hambom-pirenena.  “Hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Na izany aza, mbola baraingo na ho etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ihany ny hanaovana ny matso eto Antananarivo na tsia.  Efa nanambara ny mpanolontsain’ny filoha, Andriamanohisoa Gerard fa efa azo hanatanterahana hetsika ny kianja ny 26 jona izao. “Miankina amin’ny fanjakana anefa izany”, hoy izy.Niakatra ho 200 ireo afaka mivorivoryEtsy andaniny, nambaran’ny filoha fa  miverina amin’ny andavanandro ny fiainana  amin’ny ankapobeny. “Hampiakarina ho 200 ireo afaka mivorivory raha noferana ho 100 izany teo aloha. Miankina amin’ny toerana fandraisana koa anefa izany ahafahana manaraka sy manaja ny fepetra”, hoy ihany izy. Mbola tazonina hatrany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 11 ora alina izany ka hatramin’ny 4 ora maraina.Ankoatra izany, azo atao ny fandevenana na miditra na mivoaka ny faritra rehetra raha tsy voan’ny covid-19 ilay maty. Nametrahana fepetra anefa izany amin’ny alalan’ny taratasy omen’ny BMH.Omena alalana manokana ireo mana-manjoHo an’ny matin’ny covid-19 kosa, voarara ny mitondra ny razana miditra na mivoaka ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tsy miova koa ny fandevenana fa alevina ny androtr’iny ihany izany ary ferana ho 10 ireo mpandevina. “Mbola voarara ny mamindra razana na mamindra sy mamoaka izany any amin’ny faritra hafa raha efa nalevina”, hoy ihany ny filoha.Etsy andaniny, mbola mikatona ny sisin-tany. Na izany aza, nambaran’ny filoha fa omena alalana manokana ireo hanefa adidy farany amin’ireo mana-manjo, namoy ray aman-dreny, vady, zanaka, mpiray tampo. Misokatra ny “espace”, “cabaret”, mariazyEla ny ela…Misokatra ny toerana fanaovana lanonana rehetra, araka ny fanambarana nataon’ny filoha hatrany. “Afaka misokatra anaty fepetra, toy ny « cabaret », ny « espace », ny mariazy sy ny sisa… Ao anatin’izany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana anefa izany ”, hoy izy.Tsiahivina fa maro ireo mpisehatra amin’ny fanafanana lanonana sy ny karazany no mikaikaika, nandritra ny fepetra ara-pahasalamana. Manomboka mivaha tsikelikely, araka izany, ny fiverenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina. Nandritra izay iray volana mahery izay, maro ny mpanakanto sy mpisehatra eo amin’ny fanafanana lanonana no naneho ny fihetseham-pony noho ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana amin’ny fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus tsy hiparitaka. Maro ireo mpanakanto tra-pahasahiranana nandritra ny fotoana nanapahan’ny fanjakana hevitra ny amin’ny fanakatonana ny toerana fanaovana lanonana. Manomboka hiverina amin’ny lazoniny izany izao.  Maro rahateo ny fifanarahana amina hetsika nataona mpanakanto sy ny mpikarakara lanonana no rava noho ny fepetra noraisin’ny fitondrana hisorohana ny fihanahan’ny covid-19. Nisy mihitsy aza, ireo mpanakanto lavon’ny coronavirus.Na izany aza anefa, nohamafisin’ny filoha fa mbola mitoetra ny fepetra rehetra manerana ny Nosy, efa nambara tany aloha. Anisan’izany ny tsy mbola fandehanan’ireo marefo miasa, ohatra…Mila mitandrina amin’izao ririnina izaoAnton’ireo fepetra rehetra ireo sy ny famahana tsikelikely ny ampahan’ny fanapahan-kevitra sasany tany aloha ny filazan’ny filoha fa efa an-dalan’ny fandresena ny valanaretina isika izao noho ny fihenan’ny tranga vaovao. Nisy ny ezaka natao niarovana ny vahoaka ary hotohizana izany rehetra izany. “Mila mitandrina anefa isika satria miditra amin’ny ririnina », hoy izy.Nifampidinika ny teo anivo’nyn andrimpanjakana telo tonta fa mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro manaraka.Na ao anatin’ny hamenana aza anefa araka ny nambarany hatrany, tsy maintsy mitohy ny fanarenana ny toekarena sy ny asa fampandrosoana voalazan’ny velirano. Miatrika ady hafa, toy ny kere, haintany, famoizana aina ny firenena ka anisan’ny velirano ny hanavotana azy ireo. « Azo atao ny manarina ny any  atsimon’ny Nosy », hoy izy.Synèse R.L’article Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso a été récupéré chez Newsmada.

Fampirantiana “Velo-Misy”: miainga amin’ny tononkalo ny hosodokon’i Joey Aresoa
18/06/2021

“Miaina zavatra mafy isan’andro, miampy ny tsindry avy any ivelany ny Malagasy… Na izany aza, mbola velona izy, sady misy. Manana ny tantarany hotantaraina ny tsirairay…” Izay no namintinan’i Joey Arisoa ny nisafidianany ny “Velo-Misy”. Lohahavitry ny fampirantiana izay nosokafana, omaly, etsy amin’ny Fondation H Andraharo io. Hita maso ny fihavahan’ny hosodokon’i Joey Aresoa: safidin’ny akora, ny loko, ny karazany ary ny aigam-panahy. Miainga amin’ny tononkalo mantsy ity mpanakanto ity, vao manao ny hosodoko. “Miezaka manambatra ny abstrait, figurative ary ny digital aho. Mifandimpatra tokoa izany, saingy ny tononkalo no manambatra azy”, hoy ny fanazavany. Araka ny lohahevitra, maka endrika fitantarana amina dingana maromaro ny fampirantiana. Izay ihany koa ny endriky ny fanatontosany ny kantony: tononkalo, hosodoko amina kafe sy loko, fampiasana ny teknolojian’ny sary avy eo fanambarana izany. Misy fironana mankany amin’ny fanasongadinana ny tontolon’ny vehivavy ny sanganasan’i Joey Aresoa. Akaiky aminy kokoa amin’ny maha vehivavy azy ny miresaka izany anatin’ny sanganasany. Maneho ilay tantara hatrany anefa izany. Maneho ihany koa ilay “Velo-Misy”, raha tarafina amin’ireo sanganasany toy ny “Fagneva”, “Tatao”, “Ranomangandranomaso”, sns. Ny faraparan’ny taona 2020 no nanomboka niketrika ny fampirantiana i Joey Aresoa. Ny volana marsa kosa izy no tena nanomboka izany, ary nndritra ny fihibohana no tena nahatontosany ny ankamaroany. Nanamafy ny faniriana hitondra avo ny feon’ireo tsy afa-manoatra noho ny zava-misy ny krizy, raha ho an’ity mpanakanto ity. Marihina fa ny 30 jolay izao vao hifarana ny fampirantiana “Velo-Misy,” ho an’ireo liana.Zo ny AinaL’article Fampirantiana “Velo-Misy”: miainga amin’ny tononkalo ny hosodokon’i Joey Aresoa a été récupéré chez Newsmada.