Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

News - Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

News - Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

Taorian’ny vokatra tsara nentin’ireo mpibata fonjamby malagasy avy any Maorisy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, nanome fankasitrahana azy ireo, ireo Minisitra mpiahy, avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny lalana sosialy, omaly. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no natolotra azy ireo nandritra izany. Nanambara Andriamatoa Minisitra, fa ny taranja fibatana fonjamby no tena nitondra an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faharoa, ka izany indrindra no anton’izao fihetsika feno fankasitrahana izao. Sady nanandratra avo ny fanevam-pirenena izy ireo no nahatanteraka ny voady nataony, talohan’ny nialana teto an-tanindrazana dia ny hitondra vokatra tsara. Mbola vonona hatrany moa ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hanohana ny mpanao fanatanjahantena malagasy, indrindra ireo manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana sy fitondrana avo ny voninahi-pirenena.

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian – Fivorian’ny ONU: «Nakorontan’ny Covid-19 ny toekarena sy ny demokrasia…»

Nisolo tena ny filoham-pirenena tamin’ny fivoriana an-tampon’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-75, tanterahina any New York, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Notanisainy tamin’izany ny olana natrehina sy ny fanamby manoloana ny Covid-19.Notanterahina, ny asabotsy alina teo, tamin’ny alalan’ny « visio-conférence », ny anjara lahatenin’ny lehiben’ny governemanta. « Nanamarika izao jobily izao ny fihanaky ny Covid-19, niraisan’ny rehetra. Vao mainka nihalalina ny hantsana momba ny toekarena sy ny tsy fitoviana sosialy na niezaka niady mafy aza ny ONU. Nahazo laka ny tsy filaminana sy ny tsy fandriampahalemana iaisam-pirenena. Nivily lalana ny fanajana ny zon’olombelona tamin’ny firenena maro. Tsy maintsy namehotra ny datim-pifidianana efa voatondro ary nikorontana hatramin’ny demokrasia. Nahenika izao tontolo izao ny krizy toekarena ary marefo tanteraka ny lafiny sosialy, mampanahy ny hoavin’ireo vahoaka antapitrisany maneran-tany », hoy izy.Ny famokarana ny tambavy CVO…Notsiahiviny avy eo fa anisan’ny niady mafy tamin’ny valanaretina i Madagasikara na teo aza izany rehetra izany. Noraisina ny fepetra rehetra miaraka amin’ny fahaiza-manao nanentanana ny rehetra manoloana ny Covid-19. Napetraka ny paikady niatrehana izany ka narahina akaiky ny fihanak’izany. Teo koa ny fanampiana ireo mponina marefo sy ny fiatrehana ny hanarenana ny toekarena.Notanisainy ny nametrahana ny CCO sy ny CRCO. Ny fanampiana ny sehatra tsy miankina hiarovana ny asa tsy ho very ka nohamaivanina ny hetra. Ny tohana ho an’ny mpiasa ary ny nanamboarana ny tambavy CVO, novokarin’ny Imra, iadiana amin’ny Covid-19.« Tsy niady irery anefa izahay fa teo ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpahay siantifika. Isaorana avokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo niasa an-tsitrapo, ny mpitandro filaminana, ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasa avy amin’ny fanjakana… », hoy ihany izy. Nanteriny fa 93% ny tahan’ny fahasitranana raha 1% kosa ny tahan’ny fahafatesana, ho an’i Madagasikara.Demokrasia, kolikoly, tany tan-dalàna…Natsidiky ny praiminisitra tamin’ny lahateniny koa fa hametra ho laharam-pahamehana ny sehatra rehetra ny fanjakana, manoloana ny tsy maintsy hanenjehana ny fampandrosoana noho ny fahatarana. Anisan’izany ny fanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly, indrindra ny anivon’ny asam-panjakana. Eo koa ny fanamby ho an’ny fanjakana tsara tantana ka tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fandriampahalemana sy ny fitsarana. Ezahina ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fampiroboroboana ny demokrasia. Anisan’izany ny hanatanterahana ny fifidianana loholona ny desambra izao. « Mbola laharam-pahamahena ny fanarenana ny toekarena sy ny sosialy…  Eo anilanay ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombona antoka hiaraka hanatratra aminay izany fanamby izany ary efa isaorana amin’ny efa nataon’izy ireo », hoy ny lehiben’ny governemanta.Synèse R.L’article Praiminisitra Ntsay Christian – Fivorian’ny ONU: «Nakorontan’ny Covid-19 ny toekarena sy ny demokrasia…» a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C

Mety  tsy hihoatra ny faran’ny herinandro  izao. Tafapetraky ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Iavoloha,  omaly ny  fametraham-pialany  sy ny governemanta tarihiny. Nankatoavin’ny filoha Rajoelina izany ary nisy avy  hatrany  ny didim-panjakana nivoaka ny amin’ny hiantohan’ity governemanta ity ny asa fampandehanan-draharaha andavanandro, mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao na hamerenana azy ireo eo indray. Tombanana fa tsy ho ela izany fanendrena, miainga amin’ny maro anisa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena  izany. “Tany tan-dalàna isika satria voalazan’ny  lalàmpanorenana araka  ny And  54 fa tendren’ny  filohan’ny Repobolika ny praiminisitra lehiben’ny governemanta rehefa mivoaka ny maro anisa  eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Manaja  izany  isika  ary manome  hasina ny demokrasia”,  hoy ny Praiministra nametra-pialana, i Ntsay  Christian,  tetsy  Anosy, omaly. Tsy mbola fantatra hatreto na hiova na hiverina amin’ny toerany avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.Mitaky ankolaka ny handrena depiote ho lasa minisitra Na izany aza, efa natsidiky ny filohan’ny  Antenimiera,  Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza tamin’ny lahateniny, afakomaly fa tokony ho hita taratra ao anatin’ny governemanta hijoro eo ny firafitry ny Antenimiera. Na tsy mivantana aza, mety ho fitakiana ankolaka ny hisian’ny depiote hotendrena minisitra izany kabary izany. Mbola banga toerana roa aloha hatreto ny minisitera rehefa voafidy depiote ireo minisitra vehivavy :  Volahaingo Marie Therese misahana ny Fanabeazana sy ny misahana ny Mponina, Naharimamy Irmah. Tsiahivina fa 13 volana  izao raha ny fitambarany  ny naha-lehiben’ny governemanta ny tenany, taorian’ny hetsika nataon’ireo depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny volana avrily 2018 ka  hatramin’izao fametraham-pialany izao.  Fito volana ny nitantanany  ny governemantan’ny marimaritra iraisana ary enim-bolana kosa ny nisahanany izany andraikitra izany, taorian’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny volana janoary teo.Synèse R. L’article Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana”

“Anisan’ny sakana manimba ny fahamarinana eo amin’ny fifidianana, indrindra ny demokrasia, izao tsimatimanota eo amin’ny fifidianana miseho izao. Hita taratra ny fahakivian’ny olom-pirenena mpifidy satria mihamihena ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana, izay tokony hitondra amin’ny fanorenana ny firenena.”Io ny fanambaran’ny hetsika Rohy teny Antaninarenina, omaly, momba ny fisian’ny tsimatimanota amin’ny fifidianana. Mbola hotohizina hatrany ve izao tsimatimanota izao eo amin’ny lafin’ny fifidianana? “Tsy azo jerem-potsiny”, hoy ny hetsika Rohy.Fanontaniany amin’ny fanambarany ny hoe: “Mikolokolo ny tsy rariny sy ny tsimatimanota eo amin’ny lafin’ny fifanolanana mikasika ny fifidianana ve ny HCC? Ohatra entina amin’izany ny valim-pitsaran’ny fitoriana napetraky ny Ivontoerana fanarahamaso Safidy”Mila faritana ny porofo takin’ny HCCNiisa 656 ireo fitoriana noraisin’ny HCC ary nokarakarainy. Niisa 356 tamin’ireo (54,76%) no nambarany fa azo raisina fa tsy mitombina, noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny porofo. Ireo fitoriana enina nataon’ny Ivontoerana Safidy noho ny fampiasana tsy ara-drariny ny tombontsoan’ny tanjaky ny vahoaka, notapahin’ny HCC fa azo raisina fa tsy mitombina.“Maninona ny HCC nionona amin’ny tsy famaritana mazava ny porofo tokony hoentina amin’ny fitoriana? Moa tsy tsapany ny tsy fahafaham-po miendrika alahelo nasehon’ny mpifidy sy ny kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika?”, hoy ny fanambarana.Nankasitrahana ny torolalana momba ny fifanolanana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka naelin’ny HCC, izay niendrika fampianarana sy fanazavana ny tokony ho fizotran’ireo fitoriana. Maninona ny porofo mivaingana tokony hoentina tsy nofaritana hazava bebe kokoa, nefa efa tsapa ny alahelo sy ny fahakivian’ny mpifidy sy ny kandidà (fihodinana voalohany sy faharoa) manoloana ny fitoriana napetrak’izy ireo?“Noho ny lalàna , masi-mandidy tokoa ny HCC. Izany fahefana masi-mandidy eo amin’ny fanapahana iandraiketany izany ve tsy tokony ampisehoany fanetren-tena sy hitsim-po?“, hoy ihana ny hetsika Rohy.Mampalahelo ihany ny fitakiana porofo tsy azo ivalozana, nefa tsy voafaritry ny lalàna mazava izany ary koa tsy nezahin’ny tomponandraikitra velively ny hamaritra azy.R.Nd.L’article Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharahan’ Ambodihazinina: mbola misy olona 40 hafa hosamborina

Andim-pamantaran’ andro telo, ny alatsinany 10 desambra teo no nanaovana famotorana teo anivon’ny mpitsara zokiolona, nanao ny fanadihadiana lalina ireo 19 mianandahy mianaka voarohirohy tamin’ny fitsarambahoaka, nahafatesana polisy inspektera telo lahy, tao amin’ny tananan’ Ambodihazinina fokontany Mahatsara, kaominina ambanivohitra Ambatoharanana disitrikan’ i Fenoarivo atsinanana, ny 24 oktobra lasa teo.Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara fa mbola misy olona hatramin’ny 40 hosamborina amin’ ity raharaha ity. Ny famotorana sy ny fanadihadina lalina rahateo mbola tsy mifarana ka tsy maintsy ho tazonina sy aiditra am-ponja vonjimaika avokoaireo olona 18 raha nivadika ho vavolombelona kosa ny vehivavy iray.Andaniny, amin’ izay mbola fisian’ny olona 40 isa hosamborina izay, re eo anivon’ny polisy hatrany fa kasain’ izy ireo tanterahina amin’ny andro fety ny fidinana tampoka hanaovana ny fisamborana. Teo anivon’ireto farany ihany no nahalalana fa tsy nitranga iny raharaha iny raha tsy nisy polisy nifampiantso tamin’ilay raim-pianakaviana izay nalehan’ ireo inspektera telo lahy ireo. Antso izay nilaza fa “ireny lasa any ireny ny polisy namanay”.  Ilain’ny rehetra ny hisian’ny fanadihadina ihany koa momba izay polisy namoaka vaovao izay.Sajo sy Yves S.L’article Raharahan’ Ambodihazinina: mbola misy olona 40 hafa hosamborina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andrarezin’ny teatra: nanome ny tsara indrindra ny tropy Jeannette

Zavakanto miaina sy afaka mifanaraka tsara amin’ny fivoarana misy ankehitriny ny teatra. Noporofoin’ny tropy Jeannette izany, ny zoma hariva teo, nandritra ny fitondrana an-tsehatra ilay piesy mitondra ny lohateny hoe « Ny voromailala », tetsy amin’ny Arena Ivandry. 90 taona ny tarika, izany hoe izy ny zokiny indrindra amin’ireo mpanao teatra eto amintsika, saingy mipetraka hatrany ny talenta, ampian’ny traikefa, izay nampitain’ireo zoky amin’ireo tanora ao anatin’ny tropy, ankehitriny.Efa tany amin’ny taona 1942 tany ny nanoratan’i Rosa Beby ny « Ny voromailala », tantarana tovovavy iray, zanaka mpanefohefo, noteren-drainy hanambady tovolahy tsy nandrian’ny fony akory. Na efa ela toy izany aza ny nanomoronana ny tantara, hain’ny mpandrindra an-tsehatra sy ny mpampiakanjo ary ny mpanao ny ravaka ny nampifanaraka ny tantara amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy tranga taloha fa mbola fandre amin’izao fotoana izao, rahateo, ny votoatin’ny tantara.Raha tsiahivina, ity fampisehoana an-tsehatra ity no nentin’ny tropy Jeannette nanokafana ny fanamarihana ny tsingerin-taona faha-90 nijoroany. Tsy hijanona hatreo fa hifanesisesy ny hetsika samihafa hanasongadinana izany, hatramin’ny volana jona 2020. Marihina fa talohan’izao fankalazana tsingerin-taona izao, tsy nitsahatra namelo-maso ny teatra malagasy ny fikambanan’ny mpanao teatra (FMTM), tarihin’i Mbato Ravaloson, izay ao anatin’ny tropy Jeannette.Landy R. L’article Andrarezin’ny teatra: nanome ny tsara indrindra ny tropy Jeannette a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsena Andravoahangy: nafindra ny mpivarotra legioma

Nanomboka tamin’ny 3 ora maraina ny fanadiovana sy fandaminana ny tsenan’ny tantsaha etsy Andravoahangy sy ny manodidina, nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra CUA), omaly 18 aogositra 2020. Hetsika ho fandaminana ny tsena, fanadiovana ny arabe sy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra (trottoir) ary ny fiarovana amin’ny valanaretina. Nisy koa ny fandaminana ny Parking eny an-toerana, voakasika tamin’izay ny miditra eo amin’ny « rond point » hatrany amin’ny Mascar sy ny manodidina misy ireo mpivarotra legioma. Nisy ny fandaminana ireo mpivarotra fa tsy fanalana tsy akory. Nesorina teny amoron-dalana ireo mpivarotra ary nafindra tamin’ny toeran-kafa ka noezahina ho tafiditra daholo. “Mitohy ny fandaminana ezahina hilamina ny mpivarotra”, hoy ny Talen’ny tsena ny CUA.Teo ihany koa ny famafana sy fanadiovana ny toerana nisy ireo mpivarotra ary ny fanasana izay nataon’ny sampana mpamonjy voina, miampy fanondrahana ranom-panafody mamono mikraoba. Manolona ny fikorontanan’ ireo fiara mpitatitra entana teny an-toerana, napetraka ny faritra manokana (traçage) sy ny fiantsonan’ny fiara (parking) mba hamerenana amin’ny laoniny ny fisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Niandraikitra ny fanesorana ny mpivarotra sy nandamina ny fifamoivoizana ny polisy monisipaly.Njaka A.L’article Tsena Andravoahangy: nafindra ny mpivarotra legioma a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano

Migoka rano voadio amin’ny toerana iray tantanin’ny kaominina ny mponina amin’ny vidiny sahaza azy ireo. Izay ny vokatry ny fanohanan’ny fanjakana japoney, notokanana omaly any Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Mihena ny fandaniana amin’ny fampiasana izany milina fanadiovan-drano izany noho ny angovo avy amin’ny masoandro mampihodina azy.« Fanatsarana fahazoana rano fisotro madio”, ny anaran’ny tetikasa vatsin’ny fitondram-panjakana japoney vola, nankatoavina tany Tokyo ny 5 desambra 2017. Mitentina roa tapitrisa dolara izany tetikasa izany, ka ankoatra ny faritra Itasy, hita ihany koa izany any Vakinankaratra, Betsiboka, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Tsy ritra ny rano any amin’ireo faritra ireo, saingy mila fanadiovana hisorohana ny aretina. Atahorana hisy fiantraikany izany, any amin’ny ankizy sy ny mponina amin’ny ankapobeny.Ao anatin’ny laminasan’ny minisitera misahana ny rano izany ka ny “fanomezana rano madio tsy mijanona fotsiny amin’ny famatsiana azy fa azo atao tsara ny manatsara izany hatrany ho an’ny rehetra, indrindra ireo mijaly. Izay rahateo no fomba iray mampihena ny aretina sy tsy hisian’ny areti-mifindra », hoy ny minisitra, Andriamanga Vonjy. R.MathieuL’article Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Nécrologie du 24 novembre 2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 24 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 24 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Ady ara-toekarena: fifanandrianan’ny tafika samy firenen-dehibe  

Endrika iray isehoan’ny ady ara-toekarena eran-tany ny fifanandrinan’ny tafika eo amin’ny samy firenen-dehibe, hoy ireo mpandinika maro momba ny toekarena. Milaza mihitsy aza izy ireo fa io ady ara-toekarena io no niteraka izao valanaretina Covid-19 izao, noho ny fikarohana samihafa. Anisan’izany fikarohana izany ny fampivoarana ny fitaovam-piadiana fampiasan’ny tafika.   Mpifaninana goavana amin’ireo sehatra rehetra ireo amin’izao taonjato faha-21 izao i Etazonia sy i Sina. Mpifaninana goavana iray koa i Rosia.Eo amin’izay fanehoana hery ara-tafika izay, hita ankehitriny fa manan-tombo ny Sinoa amin’ny fananana sambo mpiady. Miisa 350 izao ny isan’ny sambo mpiady sinoa, raha 293 ny an’ny Amerikanina. Nanamafy ny filoha sinoa, i Xi Jinping fa tsy hijanona amin’io isa io ry zareo.Na tsy voalohany intsony amin’ny isa aza ny Amerikanina, manan-tombo ry zareo eo amin’ny teknolojia. Manana sambo mpiady 11 mpitondra fiaramanidina mandeha amin’ny hery nokleary i Etazonia. Ny Sinoa kosa, manana roa lehibe amin’izany karazan-tsambo izany, saingy mandeha amin’ny hery hafa (turbines), « kely hery » raha oharina amin’ny angovo nokleary.Miantso ireo indostria matanjaka any aminy ny governemanta sinoa hanampy ny tafika sy hanamboatra fitaovam-piadiana nokleary. Mampiaina ny toekarena ny akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana ireo fitaovana ireo. Izay fanjakana lohalaharana amin’ny fitrandrahana akora fototra no manana toekarena matanjaka sy tsy miankin-doha, araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpahay toekarena. Anisan’izany i Rosia. R.Mathieu L’article Ady ara-toekarena: fifanandrianan’ny tafika samy firenen-dehibe   a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs
23/11/2020

Lors du lancement du challenge Airtel Mandresy. Pour la 7e année consécutive, Airtel Madagascar organise un challenge Airtel Mandresy. Il s’agit notamment d’un concours de performance dédié à ses revendeurs de carte SIM éparpillés dans tout Madagascar et qui sera valable à compter du 20 novembre 2020 jusqu’au 31 janvier 2021. L’objectif consiste à valoriser les forces de vente afin de rehausser les réalisations de chacun des partenaires dans le cadre de la commercialisation des cartes SIM. En effet, « chez Airtel, nous croyons à la force du potentiel. Etant une société dynamique, nous encourageons fortement l’épanouissement et le développement des personnes ayant l’ambition de grandir et de réussir aux côtés d’une entreprise qui sait reconnaître et récompenser la performance. Ainsi, toute personne désireuse de contribuer à la vulgarisation des services télécom est invitée à nous rejoindre dans notre merveilleuse mission de connecter toute la population malgache », a déclaré Eddy Kapuku, le directeur général d’Airtel Madagascar. Reconnaissance. Dans le cadre de ce concours, les partenaires commerciaux sont incités à maximiser leurs ventes durant la période de challenge. Ils seront ensuite classés en trois catégories suivant leurs réalisations, et ce, avec des objectifs de vente définis », a expliqué Heritiana Randrianarison, directeur des ventes au sein d’Airtel Madagascar. De nombreux lots seront distribués par tirage au sort aux revendeurs les plus performants. On peut citer, entre autres, une voiture neuve Renault KWID au meilleur revendeur, des motos, des télévisions Smart 40’’ et des smartphones Redmi. « L’organisation de ce challenge est pour nous un témoignage de reconnaissance envers nos distributeurs et revendeurs des SIM qui sont à la fois, des membres à part entière de la grande famille Airtel, et également des traits-d’union entre Airtel et les consommateurs dans tout le pays », a conclu le directeur général d’Airtel Madagascar. Navalona R. L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fakafaka: Kolontsaina mitady fandrosoana
24/11/2020

Ahitana lesoka be ny tontolon’ny kolontsaina eto Madagasikara ! Ny hira avy hatrany no alehan’ny sain’ny Malagasy. Raha tomorina akaiky anefa, toa tsy ny sehatry ny hira loatra io ahitana lesoka io fa ny kolontsaina hafa. Mbola manana sehatra isehoana ny mpihira. Afaka mivelona amin’ny hira ireo « manana fahasahiana » hitady vola amin’izany, sns.Diniho ny hafa toy ny hosodoko, teatra, fanorona, tantara an-tsary, haisoratra, tantara, teny sy fiteny, sns. Mahazo toerana sahaza azy eo anivon’ny fiarahamonina malagasy ve izy ireny ? Ao aza ireo tena tsy fantatra intsony ny fisiany. Anisan’izany, ohatra, ny fahalalana ny fomba amam-panao ary ny iainana izany hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Tena lesoka goavana eo amin’ny Malagasy mihitsy io.Matetika takona ao ambadiky ny fahombiazana na tsy fahombiazan’ny hira avokoa ireo rehetra ireo. Vanim-potoana tokony hamohazana sy hamoirana  ny karazana kolontsaina ankoatra ny hira izao. Manohintohina ny « vahiny » ny fahalalan’ny Malagasy ny kolontsaina, noho izany, tsy azo iandrasana azy ireo ny asa miandry… Mila mandray andraikitra !HaRy RazafindrakotoL’article Fakafaka: Kolontsaina mitady fandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Agenda du parlement : Le sénat toujours au point mort
19/11/2020

Les députés sont attendus pour adopter la loi de finances initiale 2021 Les députés viennent de boucler leur agenda pour cette session ordinaire du parlement qui est prévue se clôturer le vendredi 18 décembre prochain. Depuis hier, l’Assemblée nationale a donc abordé la deuxième partie de la session et fixe de nouvel ordre du jour pour les cinq prochaines semaines.  Une grande partie du programme des députés sera consacrée, cette fois-ci, à l’examen et l’adoption de la loi de finances initiale 2021. En effet, le document budgétaire sera présenté, demain, aux députés par le ministre de l’Economie et des finances suivi d’un examen en commission dans l’après-midi. Cette séance se poursuivra lundi et jeudi prochains avant l’adoption du texte en séances plénières qui sera prévue le vendredi 27 novembre prochain. Accusation. L’autre sujet qui préoccupera également les députés durant les premières semaines sera la mise en accusation devant la Haute cour de Justice. La présentation du rapport de la commission spéciale qui s’est penchée sur ce dossier délicat est repoussée pour ce mardi 24 novembre et jeudi 10 décembre prochains, si elle a été prévue se tenir mardi dernier. Ces séances devraient ainsi fixer le sort de quelques anciens ministres qui devraient apparaître devant la barre pour des affaires de malversations financières.   Dans la foulée, les députés, toujours soucieux de leurs conditions de travail, vont également examiner, mardi 08 décembre prochain, la proposition de loi portant régime de retraite parlementaire. Grève. Au sénat, en revanche, le ton n’est même pas encore donné. « Nous allons commencer à travailler l’ordre du jour », a lancé à la presse, mardi dernier, le président du Sénat, Rivo Rakotovao. En d’autres termes, les sénateurs ne vont commencer à aborder la session que d’ici peu. Depuis presque un mois, ces parlementaires ont choisi de  boycotter les réunions et désertent le palais d’Anosikely. Des sénateurs ont toujours évoqué le problème de prise en charge des « frais liés au déplacement » dans le cadre de cette session du parlement, pour justifier leur absence. Et si ce n’est pas une grève, ça y ressemble beaucoup. La coupe budgétaire, orchestrée par le ministère de l’Economie et des finances selon les sénateurs, a été dure à avaler pour ces derniers. Le président de cette institution, Rivo Rakotovao, accuse même le ministre des Finances d’être à l’origine de ce « coup » qui paralyse l’administration au sénat. Interpellation. Mais le sénat attire la foudre des critiques dans sa démarche. Le président de la Haute cour constitutionnelle, lui, a saisi l’occasion de l’inauguration d’un nouveau centre de documentation à Ambohidahy, pour lancer des piques à l’endroit des sénateurs. « La question budgétaire ne devrait pas constituer un blocage » pour tenir la session du parlement, ni servir de « chantage » contre qui que ce soit, a souligné Jean Eric Rakotoarisoa. Quelques jours après cette interpellation du président de la Haute cour constitutionnelle, les sénateurs ont choisi de mettre les points sur les « i », répondent aux critiques et clarifient, mardi dernier, leur position lors d’une séance publique à Anosikely. « Nous ne sommes pas à l’origine de ce blocage » a martelé, mardi, Rivo Rakotovao, qui souligne au passage que l’accès du sénat au système informatique qui débloque son budget reste verrouillé. Rija R L’article Agenda du parlement : Le sénat toujours au point mort est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Agenda du parlement : Le sénat toujours au point mort a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Barea : Un jet privé pour Romain Métanire
21/11/2020

Après le match de mardi, Romain Métanire est immédiatement parti pour l’aéroport d’Ambalamanasa où un jet privé l’attendait pour le ramener aux Etats-Unis. Un luxe dont peu de personnes peuvent bénéficier, mais Métanire a ce statut de troisième meilleur défenseur du Major Soccer League. Il est donc logique que son club du Minnesota décide de le faire revenir au plus vite pour le match certainement très important du week-end. La grande classe de Métanire ne se dément pas même s’il a été moins tranchant comme à son habitude mardi. Comme beaucoup de Barea, il n’est pas parvenu à rentrer dans le match au cours des 20 premières minutes. A moins qu’on lui ait dit de faire très attention pour ne pas se blesser en vue du match de son club. Une chose est toutefois certaine, Métanire reste parmi les cadres ayant disputé tous les matches des Barea à l’instar du gardien Adrien Melvin, Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerôme Mombris, Marco Ilaimaharitra, Carolus Andriamahitsinoro, Voavy Paulin et Ibrahim Amada. Quelques-uns sont rentrés vers la fin de la partie dont Oussiero, Zotsara Randriambololona, Dimitry Caloin et Alexandre Ramalingom. Hery Bastien et Hakim Abdallah ont été alignés plus longtemps par les nouvelles recrues. Par contre, il y a des joueurs qui n’ont pas du tout joué durant la double confrontation contre la Côte d’Ivoire dont Bapasy Razakanantenaina, Dax Arohasina Randriamirado, Nina Razakanirina, Mathyas Randriamamy et William Gros. Clément RABARY L’article Barea : Un jet privé pour Romain Métanire est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Barea : Un jet privé pour Romain Métanire a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fametrahana fotodrafitrasa: hanomboka ny fanamboarana an’i Miami – Toamasina
18/11/2020

An-dalana ny asa rehetra. Nidina tany Toamasina ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ary nanambara ny hanombohan’ny asa fametrahana ny Miami, any an-toerana.Nambarany tamin’izany ny dingana voalohany amin’ny fanombohana ny asa, voafaritra amin’ny «zone nord», eo anelanelan’i Hopitalibe sy ny Hotel Neptune.Hisy kosa ny fananganana fotodrafitrasa sy ny toerana fitsangantsanganana rehefa vita ny fanajariana sy ny fanamafisana ny sisin-dranomasina “Voile de soutènement”. Eo koa ny kianja marolafy fanaovana fanatanjahantena sy fialamboly isan-karazany “terrain de basket, skatepark, terrasses + ventes coco, jardin des amoureux…”Fanampin’izany, hahazo fanohanana ho matihanina ireo mpivarotra amoron-dranomasina. Haverina sy homena toerana voavoatra sy voatokana amin’ny asany izy ireo. Anisan’izany ny kilalao, ny zava-pisotro, ny mpaka sary, ny tekateka, ny “coco”, ny “taxi-phone”, ny “box” manara-penitra…Fitokanana lalana “béton”Ankoatra izany, nisy koa ny fijerena ny fotodrafitrasa. “Ity lalana manamorona ny ranomasina, boulevard Ratsimilaho, ity no maha Toamasina hatramin’izay. Ity ny mitsena anao vao mivoaka ny seranam-piaramanidina”, hoy izy. Lasan’ny rivodoza izany ary tsy nisy nanamboatra intsony. Nampantena ny filoha ny hamerenana ny reharehan’i Toamasina amin’ny fanamboarana izany lalana izany.  “Hampiakarina hahatratra 6 m ny haavony tsy hatahotra intsony loza voajanahary. Hatsaraina ihany koa ny torapasika manamorona azy“, hoy ihany izy. Notokanana tamin’izany koa ny lalana “béton” manomboka eo Morafeno mankany amin’ny sekoly manara-penitra ao Toamasina.Synèse R.L’article Fametrahana fotodrafitrasa: hanomboka ny fanamboarana an’i Miami – Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Kidnapping karana: afaka  noho ny fisalasalana ireo voampanga
25/11/2020

Nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana tamin’ny vesatra niampangana azy, ireo andian-jiolahy voasaringotra tao anatin’ny raharaha fakana an-kerinysy ny fitazoamana basy tsy ara-dalana, ny taona 2018. Naharitra ora maro ny fihainoana ireo voampanga efa-dahy . Tsy tonga nanatrika izany kosa ny telo lahy tamin’izy fito ireo. Meloka anefa izy ireo noho ny vono sy fandratrana an-tsitrapo nataony. Vokany, voasazy an-tranomaizina telo volana avokoa izy ireo ary mbola namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ihany koa.Re nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha fa voasazy an-tranomaizina herintaona teny Tsiafahy Ragodogodona, noho ny fampiasana ny karatra maha mpanao gazety. Efa voaefa anefa ilay sazy, hoy hatrany ny didy nivoaka. « Nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana onitra nataon’ny CFOIM na ny vondron’ny frantsay teratany indianina eto Madagasikara », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.Henintsoa HaniL’article Kidnapping karana: afaka  noho ny fisalasalana ireo voampanga a été récupéré chez Newsmada.

Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny
19/11/2020

Notazonin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny dimy andro ity ankizikely nalaina an-keriny ity tao Benobasy, fokontany Malaindromisotra, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-trano ny ankizilahikely antsoina hoe Pierre. Ny faran’ny herinandro teo, navotsotr’ireo olon-dratsy izy. Tsy fantatra na nahazo vola takalonaina avy amin’ny fianakaviany ireo jiolahy ka namotsotra ity ankizilahikely satria mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny nanafika sady naka an-keriny azy tamin’io fotoana io.Fa nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tao Andonabe Mananjary, ny alahady alina teo. Andian-jiolahy miisa fito no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy tao an-trano niaraka amin’ny fahana telefaonina finday. Nitsoaka nihazo ny fokontany Androrangavola Andonabe ireo malaso taorian’izay. Mandeha ny fikarohana sy ny sakana ataon’ny zandary.J.C L’article Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM
24/11/2020

Edisiona nisafidy ny hisahana bebe kokoa momba ny boky natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny Editions Jeunes Malgache (EJM). Fantatra fa nanavao sy nanatevina ny paikady hoenti-manapariaka ny boky ho eny am-pelatanan’ny ankizy izy ireo. Manomboka izao, azon’ny ankizy henoina ao anaty site web www.editions-jeunes-malgaches ireo voarakitry ny boky avoakan’ity edisiona ity. Boky 22 no efa vonona ka azo henoina avy hatrany. « Kendrena ho amin’ny sarany sahaza ny fahefa-mividy ankehitrny ny fanaovana izany », raha ny fanazavan-dRazafintsalama Marie Michèle, mpitantana ny Presse Edition & Diffusion (Prediff).Nankahery sy nandrisika ny ray aman-dreny ity editora ity mba hanentana ny zaza malagasy hamaky boky sy hanome azy ireo ny fomba ahavitany izany. « Hiezaka hatrany izahay, hampitombo ny fanapariahana ny boky manerana ny Nosy satria anisan’ny manampy amin’ny fananana voambolana eo amin’ny ankizy sy ny tanora ka hanamora ny fahaizany mifanerasera amin’ny mpiara-belona ny fahazoany izany », hoy hatrany Razafintsalama M. Michèle.HaRy RazafindrakotoL’article Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM a été récupéré chez Newsmada.

Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany
24/11/2020

Hafainganina ny fanarenana! Mitodika koa any amin’ny foto-tsakafon’ny Malagasy ny fitondrana noho ny fikorontanana sy ny fangejana isan-tsehatra afitsoky ny Covid-19. Ny ao amin’ny Fitantanam-paritry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jonon’Alaotra-Mangoro (Dredd) no nampahafantatra, ny 19 novambra teo, fa misy fampisamboram-bola amin’ny zana-bola ambany dia ambany (1%) amin’ny tantsaha, mpamoka-bary, te hanitatra na hanatsara ny famboleny. Miara-miasa amin’ny fanjakana amin’izany ny banky BOA. Azon’ny mpamboly atao koa ny manao fangatahana mitokana, na koa mitambatra amin’ny mpiray tambajotra, ohatra. Ampandalovina any amin’ny kaominina ny fangatahana an-tsoratra, na koa any amin’ny birao mitantana ny tambajotran’ny tantsaha.“Tohana” anarenana ny fahabangana nateraky ny aretin-dratsy Covid-19 hatrany izao ifotoran’ny fitondrana izao. Antenaina fa hisy fanohanana ny fambolem-bary ho an’ny tantsaha, toy izao, any amin’ireo toerana mpamoka-bary lehibe hafa eto amin’ny Nosy.RarivoL’article Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana   
24/11/2020

“Tsy azon’ny mpiasam-panjakana, sivily na miaramila, na ny mpiasan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, atao ny manao fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray, na hampiely sary famantarana na kabary amina fampielezan-kevitra.”Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, momba ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana loholona izao, araka ny And. 57 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.Ao anatin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, tsy azo atao koa, ohatra, ny fitokanana ofisialy rehetra sy ny filazana goavana ataon’ny fitondram-panjakana sy ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana mety hanome tombondahiny antoko politika na kandidà.Tsy azo atao koa ny mampiasa fitaovam-panjakana toy ny fiara sy ny tranom-panjakana ary ny fahefam-panjakana anaovana fampielezan-kevitra hampandaniana kandidà iray.Manao fanaraha-maso ny Ceni“Rehefa misy ny fanairana aty amin’ny Ceni, mampamerina amin’ny laoniny izay heverina ho fihoaram-pefy ny ataon’ny Ceni voalohany indrindra”, hoy izy momba ny fanaraha-maso izay fanaovana fampielezan-kevitra izay.Ny amin’ny fametrahana ny peta-drindrina no hany fahefan’ny Ceni amin’izao. Raha amin’ny toerana tsy tokony hametahana azy izany, mampitandrina hampamerina amin’ny laoniny ny Ceni. Azony atao ny mampandoa vola ny kandidà mandika lalàna. Mba hahazoan’ny Ceni mampiasa izay vola izay amin’ny fanalana izay peta-drindrina izay.R.Nd.L’article Fiatrehana fifidianana  : voarara ny fampielezan-kevitra ataon’ny mpiasam-panjakana    a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
20/11/2020

Tsy manana finiavana hidinika amin’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana ny mpitantana ny minisitera mpiahy, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny paramédicaux, Ralibera Jerisoa, omaly. Maro ny olana sedrain’ny mpiasa ilana fifanakalozana amin’ny mpitantana hitadiavana vahaolana ary anisany ny indemnité de réquisition, nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Coronavirus teo iny. Manoloana izany, miantso ny mpikambana rehetra any amin’ny faritra hanatrika ny fihaonam-be eto Antananarivo, ny 11 desambra ho avy izao ny mpitantana ny sendikàn’ny paramédicaux. Hodinihina mandritra ny fivoriana ny olana mianjady amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny tohin’ny fitakiana samihafa efa nampahafantarina ny mpitantana. Eo koa ireo zo tsy nisitrahan’ny mpiasa. Mahatsapa izy ireo fa tsy mirindra ny fitantanana ny mpiasa amin’ny famindran-toerana hiasana sy ny fandraisana mpiasa vaovao.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary
23/11/2020

Nandriaka indray ny ra teny Ankaraobato, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nihosin-dra tanteraka ny maitre Bary, nivalampatra tamin’ny arabe. Olona sendra nandalo ny nahita azy teo amin’ny rarivaton’Ankadilalampotsy-Ankaraobato. Feno dian’antsy ny faritry ny tendan-dRatompokolahy Bary. “Antony mety ho nitarika ny fahafatesany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa monina eny Antsahasoa, tsy lavitra eny, ralehilahy. Mpitaiza tanora amin’ny fanatanjahantena izy. Anarana ahalalan’ny maro azy ny “maitre Bary”. Malaza amin’ny tanjany izy ary tsy mahatohitra azy raha mbola olona telo aman’efatra manao angaredona aminy. Mety ho tampoka aminy kosa ny fanafihana nahazo azy.Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminanan nijery ilay namoy ny ainy. Nanatrika izany koa ny mpitsabo ao an-toerana. Misokatra, manaraka izany, koa ny fanadihadiana ny raharaha. Henintsoa Hani L’article Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary a été récupéré chez Newsmada.