Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy

News - Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy
Nanakoako indray ny taranja fibatana fonjamby taty amin’ny andiany faha-10 ny fifaninanana “Lalaon’ny Nosy”, aty amin’ny Nosy Maorisy. Medaly 47 be izao ny noraofin’izy ireo ka medaly volamena avokoa ny 24 amin’izany, norombahin’ireo kalaza toa an-dry Eric, i Tojo, i Vania, i Rosina sy ny maro hafa. Ankoatra izay, medaly volafotsy ny 19 ary nahazo medaly alimo isika. Nametraka ny firenentsika ho eo amin’ny laharana voalohany izany ka na efa tapitra tamin’ny alarobia teo aza ny fandraisan’ireo mpibata fonjamby malagasy, tsy hahatratra na hisongona antsika intsony ireo firenena hafa mpifanandrina. Mbola noporofoin’ny eo anivon’ity taranja ity fa sangany isika raha aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika mihitsy. Mbola nampatsiahivin’ny filohan’ny federasiona, Randriamanarivo Harinelina, fa “tsy hoe manonofy fotsiny dia mahazo vokatra tsara toy izao fa misy asa sy ezaka be atao ao”, hoy izy vao tonga amin’izao, ary tsy ao anatin’ny volana vitsivitsy ny ahazoana izany fa an-taony maro ny hanomanana ny fahombiazana toy izao. Tsy afa-misaraka amin’izany fahombiazana izany koa, hoy hatrany ity filohan’ny FMHMC ity, ny mpitondra fanjakana, nitondrany fisaorana hatrany amin’ny fanohanana ny mpanao fanatanjahantena hatreto ka nahatonga izao fahombiazana izao.
Mi.Raz
L’article Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Mampiahiahy ny tsy fanazavana…
Vitan’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina Barea, nampiombom-po ny Malagasy ve ny fampihavanam-pirenena? Mbola resaka lava izay. Mihavana ve ny Malagasy amin’izao? Na tena mifampatoky amin’izay rehetra mitranga sy atao…Lasa resaka tato ho ato, ohatra, ny amin’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana ireo fiara manokana 4 x 4 nomen’ny fanjakana: iadiana amin’ny dahalo any ifotony sa iasana andavanandro? Soa ihany, nanazava ny tomponandraikitra.Samy asa avokoa izay atao? Saingy misy ny hoe laharam-pahamehana sy zava-dehibe, efa nanaovana fanamby sy fampanantenana. Manjary miteraka tsy fifampitokisana sy ahiahy tsy ihavanana izay atao, raha tsy misy fanazavana mialoha.Tsy vitan’izay, mampisy ahiahy tsy ihavanana koa tato ho ato ny fanajana lalàna amin’ity hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Tsy inona fa ny amin’ity fanemorana ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna.Nampiaka-peo, ohatra, ny firaisamonina sivily sasany fa tokony hohajaina ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ireo. Mampiahiahy ho azy ny tsy fanajan-dalàna ny amin’ny tokony hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany.Misy ny fanovana ny amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na ny kaominina? Mila nohetsehina mialoha izany mba tsy hisian’ny ahiahy tsy ihavanana. Natao hitsinjo mialoha ny mpitondra, indrindra amin’izay (h)ataony.Ny amin’izay fifidianana izay ihany, misy milaza fa tsy tokony hokitikitihina fahatany ho azy amin’izao ny lisitry ny mpifidy: alalana avy aiza no ahazoan’ny Ceni manao izany? Mila mazava izay mba tsy hisian’ny ahiahy.Inona na ahoana koa? Santionany ireo… Misy ihany ahiahy tsy ihavanana indraindray amin’izay mitranga sy atao. Tena mifampatoky ve ny Malagasy? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy, mampihavana na tsia.Mba tsy ho marina ny hoe: ny vazaha, mody miady; ny Malagasy, mody mihavana. Na ampiadiana, tsy miady; ampihavanina, tsy mihavana… Mbola samy maka ho azy? Fotoan’ny fangaraharana izao, hialan’ny ahiahy tsy ihavanana.Rafaly Nd. L’article Mampiahiahy ny tsy fanazavana… a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa
Anisan’ny fifidianana arahin’ny rehetra maso, tsy ny eto Madagasikara ihany fa na hatrany ivelany, ny an’ny baolina kitra (FMF). Andrasan’ny besinimaro ny ho isan’ny kandidà tena voatazona hiatrika izany.Ho fantatra, rahampitso alakamisy 1 aogositra, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hamoaka sy hampahafantatra izany ny “Comité de normalisation”. Raha tsiahivina, dimy mirahalahy mianaka ireo kandidà nahafeno ny fepetra: Andriamiasasoa Doda, Rasoamaromaka Hery, Rabekoto Raoul Romain, Rakotomamonjy Neypatraiky ary i Mohamad Abdillah.Araka ny tsilin-tsofina anefa, mety hisy kandidà roa hosazin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Noho ny resaka politika ny iray, voalaza fa tsy azo afangaro amin’ny fitantanana ny baolina kitra ary ady heloka tsotra ny an’ny iray.Etsy ankilany, heno ihany koa fa toa nisy kandidà niala an-daharana fa tsy vonona tamin’ny ora farany. Ny fanambarana ataon’ny “Comité de normalisation” no hanamarina izany rehetra izany fa hatreto aloha, ho mpifaninana izy dimy ireo.Raha tsiahivina, hotanterahina any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra ho avy izao, ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. Hiara-dalana amin’izany koa ny an’ireo ho komity mpitantana.Aorian’ny famoahan’ny “Comité de normalisation” ny kandidà ofisialy, hotontosaina ny zoma 2 aogositra ny antsapaka, amin’ny filaharana ao amin’ny biletà tokana sy ny ho fandraisam-pitenenana, ao amin’ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, hanehoan’izy ireo ny fandaharanasany.Tsiahivina fa manan-jo feno handatsa-bato, amin’io fifidianana, hatao any Toliara, io, ireo filohan’ny ligim-paritra 22, manerana ny Nosy. TompondakaL’article Fifidianana ho filohan’ny federasiona: mety hisy kandidà hosazin’ny Fifa a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Alaotra Mangoro-Atsinanana: mitohy ny tetikasan’ny Conservation international
Mandray anjara amin’ny ady manoloana ny Covid-19 ny Conservation International (CI). Nanolotra fanampiana ranom-panafody famonoana tsimokaretina 520 litatra ity fikambanana ity, ny 21 jolay teo, tao amin’ny foibe CCOD Moramanga. Natao tao anaty barika plastika miaty 20 litatra, miisa 104 ireo ranom-panafody ireo. Hisitraka ireo fanomezana ireo ny kaominina miisa valo (Lakato, Beforona, Ampasimpotsy Gara, Andasibe, Ambohibary, Morarano gara, Fierenana, Amboasary) manodidina an’i Moramanga, toerana hanaovana ny tetikasa “Tontolo Voajanahary Lovainjafy amin’ny ilany Atsinanan’i Madagasikara”, tohanan’ny CI.Na eo ary ny tsy fahazoana mivezivezy noho ny hamehana ara-pahasalamana, mandroso ny asa ataon’ny Conservation International, manohana ny tetikasa ho an’ny mponina any amin’iny faritra iny sy ny fanaraha-maso ny tontolo voajanahary. Mitohy ny asan’ireo rantsa-mangaika any an-toerana, ireo tantsaha sy ny mpampianatra mamboly zana-kazo ary ny mpisafo ala. Fandraisana anjara amin’ny fanalefahana ny faharefoan’ny tantsaha manoloana ny fikorontanan’ny toetr’andro sy hampihenana ny etona mangeja ny hafanana izany.Nohamafisina ny fiarovan-tena sy ny fitsinjovana ny manodidina, hitandroana ny fahasalaman’ny mpiara-mitantana sy ny mponina eny ifotony.Njaka A. L’article Alaotra Mangoro-Atsinanana: mitohy ny tetikasan’ny Conservation international a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra
Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.Vonjy L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Antamboho: tratran’ny polisy ny jiolahy iray nanolana ankizy 11 taona
Niaiky ny heloka vitany ilay jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizikely vao 11 taona monja tao amin’ny toerana atao hoe Antamboho, fokontany Antoby, kaominina ambanivohitr’i Betsinjaka Toliara II, ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy, nisy ankizikely telo vavy niaraka ka nifanena tamin’ilay nahavanon-doza teo an-tanàna ihany. Nirahin’ilay jiolahy nanakalo vola ireo ankizivavy roa fa ny iray kosa niara-nijanona taminy. Rehefa nijanona niaraka taminy anefa ilay niharam-boina dia nentiny naka toerana mangingina ka nalavony tamin’ny tany ary natsofony tany amin’ny fivavian’ilay ankizikely ny tanany. Nalefany nandeha ilay ankizy taorian’izay. Nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny izy ka niantso polisy sy nampandre ny fokonolona ny tranga nahazo an-janany ireo ray aman-dreniny. Nosamborina avy hatrany ilay jiolahy taorian’izay. Tsikaritra fa tena maivana loatra ny sazy homena ireny olona mahavita heloka mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona ireny. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana (gadra mandra-pahatiny) ny olona manao fihetsika feno habibiana toy izao sady anatra ho an’ireo tsy mety fay.Jean ClaudeL’article Antamboho: tratran’ny polisy ny jiolahy iray nanolana ankizy 11 taona a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fotodrafitrasa IEM: 204 tapitrisa euros avy amin’ny Fed
Manohana ny fandaharanasan’ny fanjakana, Finiavana ho fisandratana ho an’i Madagasikara (IEM), ny Vondrona eoropeanina (UE). Ho azy, iankinan’ny fampandrosoana ny lafiny fotodrafitrasa, anisan’ny zava-dehibe ao anatin’ny Fandaharanasa tondro ho an’ny firenena, na Programme indicatif national (PIN), mifandraika amin’ny Tahiry eoropeanina ho an’ny fampandrosoana, andiany faha-11 (11è Fed), mitentina 204 tapitrisa euros ho an’ny fotodrafitrasa. Nilaza ny tompon’andraikitry ny fandaharanasa Birao manohana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (BACE), Andriamalala Fanilo Herizo, fa tanjona ny fampitomboana ny fivezivezen’ny olona sy ny fananany, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny lalana sy ny fitaterana, ny sehatry ny angovo, ny rano sy ny fanadiovana.Miisa valo ny tetikasaMaromaro ny mpamatsy vola, toy ny Fed, ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ary ny fanjakana malagasy.Ahitana ny tetikasa tantsoroka ara-drafitra (6 tapitrisa euros avy amin’ny Fed). Faharoa ny fanatsarana ny lalana RN 6 sy ny RN 13, (115 tapitrisa euros avy amin’ny Fed ; 114,7 tapitrisa euros avy amin’ny BEI ; 4,1 tapitrisa euros avy amin’ny fanjakana malagasy). Fahatelo, fanamboarana ny arabe Rocade Est sy Nord-Est eto Antananarivo, mitotaly 62,9 tapitrisa euros. Fahefatra ny Tetikasa ho an’ny fanadiovana hentitra eto Antananarivo (PIAA), mitentina 34,1 tapitrisa euros. Fahadimy, fanadiovana ny tanàna manodidina an’Antananarivo, ny tetikasa « Lalankely III », hanampiana ny olona sahirana, mitentina 26,3 tapitrisa euros. Fahenina, fanarenana ny lalana RNT 12A sy ny RN9, mitentina 183,1 tapitrisa euros. Fahafito ny tetikasa “Jirama water III”, mitentina 73,2 tapitrisa euros, hanatsarana ny fahazoana rano madio fisotro. Farany ny tetikasa “Sunrise Madagasikara”, hanamorana ny lafiny angovo, mitentina 39,9 tapitrisa euros.Njaka A.L’article Fotodrafitrasa IEM: 204 tapitrisa euros avy amin’ny Fed a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Fitrandrahana volamena :: Nakaton’ny fanjakana ny orinasa sinoa ao Maevatanàna
Tratran’ny beminidina tampoka. Natsahatry ny fitondram-panjakana ny fitrandrahana volamena nataon’ny orinasa sinoa tao amin’ny fokontanin’Antafia, distrikan’i Maevatanàna. Nandritra ny fitsidihan’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Ravokatra Fidiniavo, no nahafantarana fa “efa tapitra tamin’ny taona 2018 ny fifanarahana nataon’ity orinasa sinoa ity tamin’ny Kraomita Malagasy”. “Mbola nanohy ny fitrandrahana hatrany anefa io orinasa io, izay sady mampiasa akora simika mandoto ny rano ka mety hiteraka tsy fahasalamana ho an’ireo mponina manodidina”, hoy ihany izy. Nambaran’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo ihany koa fa: “tsy maintsy manara-dalàna avokoa ireo orinasa rehetra mpitrandraka volamena eto amintsika ary tsy hitsitsy amin’ny fandraisana fepetra ho an’ireo izay mandika izany ny fitondram-panjakana malagasy”. Na izany aza, mbola mitaky ezaka betsaka ny fanadiovana an’itony karazana fitrandrahana ataon’ny vahiny tsy manara-dalàna itony. Vao ity orinasa ity irery hatreto no nandraisana fepetra. L’article Fitrandrahana volamena :: Nakaton’ny fanjakana ny orinasa sinoa ao Maevatanàna est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”
Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Vahaolan’ny krizy ara-toekarena :: Mitaky ny fanokafana an’ireo orinasa rehetra ny GEM
Manjavozavo ny fivoahan’i Madagasikara ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana, izay miteraka voka-dratsy goavana amin’ny lafiny fihariana, indrindra eto amin’ny faritra Analamanga izao. Maro ireo orinasa voatery nikatona noho ny fepetra fihibohana ka takin’ny vondron’ireo mpandraharaha tsy miankina (GEM) ny fanapahan-kevitry ny fanjakana amin’ny fanokafana azy ireo. Nandefa taratasy mirakitra fangatahana mifandraika amin’ io fitakiana io any amin’ny praiminisitra Ntsay Christian ny GEM, araka ny vaovao azo tamin’ny filohany, Rajaona Thierry, omaly. « Mafy ny fiatrehana ny zava-misy. Ahiana ny hisian’ny krizy ara-tsosialy eto amintsika ka mangataka izahay mba hamelàna an’ireo orinasa tojo fahasahiranana hiverina hisokatra », hoy Rajaona Thierry tamin’ny antso an-tariby, omaly. Manome toky amin’ny fanajana tanteraka an’ireo fepetra ara-pahasalamana sy fihetsika sakana mba hisorohana ny mety hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 ireto mpandraharaha ireto. Iandrandran’ny GEM valiny mahafapo avy amin’ny fitondram-panjakana izao fangatahana izao, izay iankinan’ny ain’ny orinasa sy mpiasa maro izao. Fiandrasana vahaolana Andrasan’ny GEM fatratra ny ho votoatin’ny lahatenin’ireo mpitondra fanjakana, taorian’izay roatokom-bolana (Analamanga) niainana ny fihibohana sy ny tapa-bolana (faritra maro) nanohizana ny hamehana ara-pahasalamana izay, amin’ny alahady ho avy izao. « Tokony hisy ny famahana an’io olana io, amin’ny alahady. Manainga ny minisitera mpiahy ihany koa amin’ny fandrosoana vahaolana mifanaraka amin’ izany. Tsy tokony hijanona fotsiny ho an’ireo orinasa tena ilaina amin’izao krizy ara-pahasalamana intsony ny fahazoan-dalana hisokatra fa tokony hitarina amin’ny hafa izay mamelona Malagasy maro », hoy ihany ny filohan’ny GEM. Nihena hatramin’ny telopolo isan-jato ny famokaran’ny ankamaroan’ireo orinasa mivondrona ao anatin’ny GEM, hatramin’ny niantombohan’ny hamehana ara-pahasalamana teto Madagasikara. Betsaka ireo olona very asa vokatr’izany. « Misy ny tan-tsoroka ara-bola efa nataon’ny fitondram-panjakana saingy tsy ampy intsony izany », hoy indray Rajaona Thierry. L’article Vahaolan’ny krizy ara-toekarena :: Mitaky ny fanokafana an’ireo orinasa rehetra ny GEM est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Tetikasa Padap – Marovoay: vahaolana voalohany ny fanadiovana ny lakandrano
Manajary ny lakandrano any Marovoay ny tetikasa Padap* amin’izao fotoana izao ho famerenana ny lazany amin’ny maha sompitr’i Madagasikara azy. 70 % avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, 30 % avy amin’ny AFD ny vola hoentina amin’izany asa fanajariana izany. Tanjona nananganana ny Padap tamin’ny taona 2017, ny hampitombo ny vokatra. Ho an’i Marovoay, vahaolana voalohany ny fanadiovana ny fivoahan’ny rano sy ny lakandranoTaona maro tsy nisy fikojakojana ny lemaka anarivony hekitara, hany ka tanimbary maro no maty, satria tototry ny fasika ireo lakandrano.Ny dimy taona ho avy amin’ity tetikasa ity ny fiantohana tsy tapaka ny fampandehanana ny rano manondraka tanimbary. Hamafisina amin’ny lafiny teknika izany fanondrahana tanimbary izany, hataon’ireo mpamboly any an-toerana. Ny tontolon’ny fambolena nozahana no antony nisafidiana an’i Marovoay noho ny fisian’ny velaran-tanimbary midadasika tokony ho voatondraka ka hampitombo ny voka-bary sy ny fidiram-bola ho an’ireo tantsaha. Antoky ny fampandrosoana ny toekarena maharitra miainga avy amin’ny fambolena.Anisan’ny mahazo fanohanana avy amin’ity tetikasa ity ny vondrom-bahoaka intsinjaram-pahefana, raha manana fandaharanasa fanajariana sy fitantanan-drano. Zahana ihany koa ny fananan-tany, ny fitandroana ny ala miaraka amin’ny zavaboary manodidina ho fiarovana ny farihin’Ambaromalandy tsy ho ritra.Matoky ny fanarenana izao fotodrafitrasa izao ireo mponina any amin’ireo kaominina ambanivohitra rehetra ao amin’ny distrikan’i Marovoay, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Miasa manadio ny lakandrano amin’izao fotoana izao ireo trakitera sy fitaovana vaventy karamain’ny tetikasa Padap. Nijery ny fizotran’ny asa ny governoran’i Boeny, Andriatomanga Moktar Salim. R.Mathieu Padap* : Projet d’agriculture durable par une approche paysage L’article Tetikasa Padap – Marovoay: vahaolana voalohany ny fanadiovana ny lakandrano a été récupéré chez Newsmada.