Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

News - Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

News - Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,

nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy.

 

Nangonon’i Mi.Raz

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 28/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Varotra iraisam-pirenena

Hotanterahina any Saint-Denis any La Réunion ny hetsika ara-toekarena ho an’ireo Nosy mivondrona ato amin’ny ranomasimbe indiana na ny « FEIOI », amin’ny 25 hatramin’ny 27 septrambra ho avy izao. Handray anjara amin’izany ireo mpandraharaha avy eto Madagasikara. Enina hetsy ariary eo ho eo ny  saran’ny fandraisana anjara amin’izany. Mpandray anjara efajato no handrasana amin’io hetsika io. L’article Varotra iraisam-pirenena est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Minisitry ny Fahasalamana Rakotovao Hanitrala:“Tsy hisy famindrampo ho an’ireo tratra manao kolikoly”

Hentitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nitafa tamin’ireo tompon’andraikitra momba ny fahasalamana rehetra any amin’ny faritra. Mila manao ezaka ny rehetra hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nifampiresaka tamin’ireo talem-paritry ny fahasalamana (DRSP), ireo tale mitantana ny hopitaly (CHU, CHRR, CHRD…), ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana eny anivon’ny distrika manerana an’i Madaga­sikara, omaly, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Ra­kotovao Hanitrala Jean Louis tamin’ny alalan’ny vi­sio­con­férence.Tanjona ny hamerina in­dray ny fitokisan’ny vahoaka ny ministera sy ny tolotra avy amin’ireny toeram-pitsaboana samihafa ireny.Nasongadiny manokana ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha olona eny anivon’ireo toeram-pitsaboana rehetra manerana ny Nosy. Manomboka eny amin’ny toeram-pitsaboana fototra izany (CSB) ka hatreny amin’ny hopitaly lehibe. Fidinana ifotony tsy ampoizinaNotsindrin’ny minisitra mafy ihany koa ny ady amin’ny kolikoly, izay mampitaraina vahoaka maro ary anisan’ny antony tsy hanatonan’ny marary toeram-pitsaboana mihitsy aza izany. Hisy ny fanaraha-maso akaiky ary tsy hisy ny famindram-po ho an’ireo izay tratra manao izany. Hisy ny fidinana ifotony tsy ampoizina ataon’ ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ho fampiharana izany. Tsy ny toetra maha olona ihany no handrefesana ny fa­hombiazan’ny mpitantana fa eo koa ny lafiny fitanta­nana, handraisana fepetra avy ha­trany izay manao goragora manimba endrika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Noresahina nandritra izao fihaonana ampitan-davitra izao ihany koa ny fanatsàrana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny ady amin’ny Covid-19, mbola mitohy. Nisaotra ireo mpiara-miasa rehetra koa ny minisitra amin’ny fandraisana andrai­kitra sy ny fanarahana ny fepetra noraisin’ny fanjakana handresena ny valanaretina covid-19.Tatiana AL’article Minisitry ny Fahasalamana Rakotovao Hanitrala:“Tsy hisy famindrampo ho an’ireo tratra manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Festival The Week End”: telo andro anatin’ny mozika sy ny fialamboly

Raha ny fanamby, tsy mbola nisy ny hetsika toy ity miandry ity. Hilomano anatin’ny mozika, ny zavakanto ary ny karazam-pialamboly maroloko ireo hanatrika ny “Festival The Week End”, mandritra ny hateloana.Hetsika goavana, andrasan’ny maro, indrindra amin’ity faran’ny herinandro ity, ilay “Festival The Week End”. Telo andro an-danonana, anatin’ny mozika, ny zavakanto sy ny fialamboly maroloko ny kasain’ny Ivenco hotontosaina, ny 2, ny 3 ary ny 4 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. “Amin’ny maha orinasa misehatra eo amin’ny famokarana kanto, mirona mankany amin’ny fitondrana zava-baovao ho an’ny Malagasy ny Ivenco. Fanamby goavana be ity hetsika ity”, hoy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ivenco. Goavana satria Sehatra telo lehibe hatokana ho an’ny mozika fotsiny no miandry amin’io. Maherin’ny 50 kosa ireo karazana fialamboly hatolotra, homanin’ny mpikarakara miisa 200 mahery. Manantena mpijery hatrany amin’ny 20 000 kosa izy ireo. Mpanakanto manana ny lazany avokoa ireo hifandimby an-tsehatra mandritra ireo telo andro ireo: Shyn, Denise, Mage 4, Kiaka, Zay, Dalvis, Da Hopp, 18.3, Raboussa, Tovo J’Hay, Nate Tex, sns. Hisy sehatra manokana ihany koa ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra amin’io fotoana io. Hanao fampisehoana miavaka koa ireo mpiangaly ny “laser”, hiara-dalana amin’ny fahaiza-manaon’ireo mpikosika kapila toa an-dry Dj Shin Chan, MPX, sns. Lafiny fialamboly, misy ny toerana ho an’ireo mankafy ny “jeux vidéos”, ny “sports extrêmes”, sy izay mety ho karazan-dalao fahita amin’ireny kerimesy lehibe ireny. Zo ny Aina L’article “Festival The Week End”: telo andro anatin’ny mozika sy ny fialamboly a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ranomafana Ifanadiana : Maty voatifitry ny dahalo ny Kaomandin’ny borigadin’ny zandary

Lavo teo an-tanim-piadiana ny GPHC Rambeloson Heritiana Emilson, Kaomandin’ny borigady ao Ranomafana, omaly vao maraina, raha nanatanteraka iraka tany amin’ny tanana kely iray antsoina hoe Torotosy, ao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina Ranomafana, distrikan’Ifanadiana. Araka ny fanazavàna azo, ankoatra ny fitsidiham-paritra nataony, niaraka tamin’ireo miaramilany telolahy tany an-toerana, dia nisy ihany koa fanadihadiana natao tamin’ireo fianakaviana niharan’ny asan-dahalo tany. Tafandry tao amin’io tanana voalaza teo ambony ireo zandary ireto ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Tamin’izay indrindra no nisy antso vonjy tany ho any. Nanafika ny dahalo ! Nitsangana avy hatrany ity mahery fon’ny firenena ity, niezaka niaro ireo olona voatafika. Vao nivoaka anefa dia bala maromaro no niantefa teny aminy, nandavo azy avy hatrany. Lasan’ireo dahalo ihany koa ambonin’izay ny basy « kalach » teny aminy, niaraka tamin’ny fitoeram-bala roa izay voasesika bala 60 isa. Na dia teo aza ny fahalavon’ilay lehibeny izay dia niezaka nanohitra ireto andian-dahalo izay tombanana ho tafakatra any amin’ny 50 lahy mahery any ho any ireo zandary telo sisa. Tamin’io fotoana io dia tapitra nandositra avokoa ireo mponina teo an-tanana. « Sady niala tamin’io toerana io ireto zandary no nifanandrina ary niezaka naka toerana azo antoka kokoa ahafahany miaro tena sy miatrika ny fifandonana.  Taorian’izay vao afaka niantso namana izy ireo rehefa tsy sahy nanatona azy ireo intsony ireo jiolahy ka tonga ireo zandary maromaro». Marihana hoy ny vaovao fa tanana tokony ho adiny roa, mandeha an-tongotra miala avy an-tampon-tanan’i Ranomafana ity toerana nisian’ny fifandonana, nahafaty zandary ity. Ka na dia teo aza ny fikirizan’ireo zandary namonjy ny namany dia efa tapitra nitsoaka, nihazo ny ala mikitroka tany Ambalakindresy ireo olon-dratsy. Na izany aza mbola mitohy ny fikarohana, ny fanarahan-dia ary ny savahao ataon’ireo tompon’andraikitra. Nentina nihazo an’i Ranomafana moa ny vatana mangatsiakan’Itompokolahy, izay namela mananon-tena sy kamboty efatra mirahalahy. m.L L’article Ranomafana Ifanadiana : Maty voatifitry ny dahalo ny Kaomandin’ny borigadin’ny zandary a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Fanafihana tany Antsirabe :: Lehilahy maty voatsindrona antsy tao anaty magazay

Toeram-pivarotana finday « Shop Tecno », tao Antsenakely-Antsirabe no lasibatry ny fanafihana sady namoizana ny ain’ny lehilahy iray, mpivarotra, omaly antoandro tokony tamin’ny 12 ora mahery. Nisy lehilahy vitsivitsy niditra tao amin’ilay tsena. Ny sasany mody nijery finday no sady nanontany. Nisy iray hafa avy hatrany nanatona ny mpivarotra teo amin’ny fitoeram-bola, ka nanindrona antsy azy teo amin’ny tendany. Lasan’ireo jiolahy nitsoaka taorian’izay ny vola telo hetsy ariary sy finday iray. Tsy tana ny ain’ilay lehilahy, 35 taona na dia noezahina novonjena tany amin’ny hopitaly aza. Tsy mbola nahitam-bokany kosa ny fikarohana an’ireo jiolahy izay nifarimbonan’ny polisy sy zandary tao an-tampon-tanànan’Antsirabe, omaly. L’article Fanafihana tany Antsirabe :: Lehilahy maty voatsindrona antsy tao anaty magazay est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Raindahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery: voasambotra indray, tapa-bolana taorian’ny nivoahany ny fonja

 Voasambotra, afakomaly, rehefa nifanenjehan’ny polisy, teny Andravoahangy ireto roalahy, voalaza fa jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Vao tapa-bolana anefa izay no nivoahan’izy ireo ny fonja.Nahasambotra ireto jiolahy ireto ny polisy nanao fanamiana sivily miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro nampian’ny andrimasom-pokonolona eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, afakomaly tolakandro. Ny iray, tratra teo am-panendahana vehivavy iray niantsena teny Andravoahangy kanefa voatazon’ilay vehivavy ny tanan’ity jiolahy sady afaka niantso vonjy ihany izy. Nahifik’ilay jiolahy ny tanan’ilay vehivavy ka tafaporitsaka izy, saingy efa nisy vaomiera’ny fandriampahalemana sy polisy nanao fanamiana sivily teny an-tsenan’Andravoahangy tamin’io fotoana io ka raikitra ny fifanenjehana tao anaty tsena. Tsy lasa lavitra anefa, tratra ity jiolahy raindahiny ity. Ny jiolahy faharoa kosa, tratra teo amin’ny lakandrano Andravoahangy rehefa avy nanendaka telefaonina finday. Fiaraha-miasa amin’ireo mpiambina ny tsena ihany koa ny nahafahan’ny polisy nisambotra ity jiolahy ity. Malaza ratsy amin’ny halatra telefaonina ity jiolahy ity ary efa ikoizana amin’izany. Nilaza ry zalahy fa vao nivoaka ny fonja tapa-bolana (tamin’ity volana jolay ity) kanefa izao nanohy ny asa ratsiny izao sahady.Tratra koa ny jiolahy mpangalatra kodiarana…Saron’ny polisy teny ambony tetezan’i Behoririka, afakomaly, koa ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra kodiarana fiara. Ireo polisy nanao fisafoana amin’iny faritra iny no nahatsikaritra lehilahy iray nanao fihetsika hafahafa. Vantany vao nahatazana ny polisy anefa izy, nitsoaka avy hatrany ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra izy fa tratran’ny polisy. Nahitana “clé” famohana kodiarana fiara tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nilaza izy tamin’ny famotoran’ny polisy fa mangalatra ny kodiaran’ireo fiara mipetrapetraka eny amin’ny manodidina an’Antaninandro sy i Behoririka iny.Jean ClaudeL’article Raindahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery: voasambotra indray, tapa-bolana taorian’ny nivoahany ny fonja a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy

Fahombiazana tanteraka! Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena, ho an’ny lehilahy sy vehivavy, teo amin’ny taranja basikety, tamin’ity andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy ity. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy, tao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Maorisy, ny asabotsy lasa teo. Tsy sarotra ho an’ny ekipa malagasy ny nandavo ireo mpifanandrina taminy, nanomboka hatrany amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana, hatramin’ny lalao famaranana, omaly. Teo amin’ny sokajy lehilahy, isa mavesatra 89 no ho 45 no nandavoan’ny ekipam-pirenena malagasy an-dry zareo Mayotte. Efa nanana herijika, ireto mpilalao malagasy ireto vao nanomboka ny lalao ary efa hita taratra ny elanelana isa teo amin’ny roa tonta. Isa 53 no ho 25 no nisarahana teo am-pialan-tsasatra.Teo amin’ny sokajy vehivavy, azo lazaina ho nivoaka sempotra ihany ny Malagasy satria hety dia hety hatrany ny elanelana isa teny amin’ny solaitrabe, efa nisy fotoana aza nodinganin’ny Renioney isika tao anatin’ny ampahefa-potoana faharoa, raha toa ka sahala ny isa teo am-piafaran’ny ampahefa-potoana voalohany (21 – 21). Niady, araka izany, ity lalao ity saingy ny Malagasy no tompon-teny farany ka nisalotra ny medaly volamena, ho an’ny sokajy vehivavy, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019 teto Maorisy ity. Isa 93 no ho 77 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-pamaranana.Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja basikety, tsy tanjona akory izao nahazoana medaly volamena izao fa dingana fotsiny ihany. Mbola lavitra ny lalana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, indrindra amin’ny fanomanana lalao iraisam-pirenena maro, isan’izany ny fifaninanana Afrobasket. Mi.RazL’article Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Mila mazava ny fanoherana”

“Ilaina ny fanazavana tsara ny amin’ny fanoherana ao anatiny sy ny ivelan’ny Antenimierampirenena, izay teboka iray lehibe tokony hodinihina.”Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Anosy, afakomaly, momba ny fandinihan’ny solombavambahoaka indray ny lalàna mifehy ny mpanohitra amin’ny fivoriana tsy ara-potoana, hanomboka ny 12 aogositra ho avy izao. Misy koa ny fanazavana hafa ny amin’ny pitsompitsony madinidinika ny amin’izay lalàna mifehy ny fanoherana izay.Satria mandala ny atao hoe demokrasia repoblikanina i Madagasikara, izay indrindra no ilàna ny hijerena akaiky izany lalàna izany mba hahazoana mandrindra ny atao hoe maro anisa sy ny mpanohitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Notsiahiviny fa misy ny filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena, izay ho an’ny lehiben’ny mpanohitra.Efa nahabe adihevitra hatramin’ny ela…  Izao vao hodinihin’ny parlemanta ny amin’ny lalàna mifehy ny fanoherana; eny, na efa an-taony vitsivitsy talohan’izao aza no nampiaka-peo ny antoko politika sasany ny amin’ny tokony hanovana fa tsy fanitsiana fotsiny izany: mila fakan-kevitra vaovao…Ny fitondrana teo aloha aza, ninia tsy namoaka ny didim-panjakana fampiharana azy. Hany ka nivoaka tety ivelan’ny hoe lapan’ny demokrasia na ny Antenimierampirenena ny fanoherana, fa tsy tena nisy adihevitra azo raisina sy nitombina.Amin’izao hoe fanitsiana ny lalàna momba ny fanoherana izao, tena hahasolo tena ny mpanohitra sy hoeken’izy ireo ve, ohatra, izay ho lehiben’ny mpanohitra eo amin’izany? Mba tsy hisian’ny fanoherana amin’ny fidinana an-dalambe. Saika miafara amin’ny krizy politika hatrany izany hatramin’izay, fa tsy mitondra ho amin’ny fifanoheran-kevitra hampandrosoana.R.Nd. L’article Filohan’ny Antenimierampirenena: “Mila mazava ny fanoherana” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fivoriana tsy ara-potoana

Nampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ny governemanta nandritra ny Filankevitry ny minisitra natao, omaly, teny Iavoloha. Hanomboka ny 12 aogositra 2019 izao izany ary haharitra roa ambin’ny folo andro. Lahadinika telo no voafaritra eny Tsimbazaza ka isan’izany ny fandaniana ny fitsipika anatiny hifehy ny Antenimierampirenena, ny fanolorana tolo-dalàna hifehy ny antoko mpanohitra ary ny fandinihana ny politika ankapoben’ny governemanta. Ireo lahadinika roa farany ihany kosa no hodinihin’ny Antenimierandoholona. L’article Fivoriana tsy ara-potoana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra »

Tantara tsangana mitondra ny lohateny « Izay mivadika aloha kely ila ». Io no holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo (Miaro ny kolontsaina), anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Cemdlac Analakely. Nofehezin’izy ireo ao anatin’ny anarana « Vakomanitra » ity seho ity noho ny fisian’ny tantara sy hira ary dihy ao anatiny. Tantara tsangana nosoratan-dRazafindrafidy Maholy Ramarolahy na Ny Rian’ala, narindran-dRatsimba Ny Aina Zo na i Zou Bloom ho azo lalaovina an-tsehatra.« Izay mivadika aloha kely ila », tantara miresaka sedram-pitiavan’olon-droa, fitiavana ny tenindrazana sy ny tanindrazana. Izany hoe, fiverenana amin’ny fitiavana voalohany, tsy nolaroina na safiotra.Marihina fa ity ny hetsika voalohany hataon’izy ireo (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo) eto Antananarivo Renivohitra, raha toa ka faharoa taorian’ny tany Ambatomena Mananara izay nanatanterahan’izy ireo asa soa.HaRy  Razafindrakoto L’article Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra » a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Fampiatoana eo amin’ny fitantanana ny Caf: nampiakatra fitsarana ambony amin’ny fiampangana azy i Ahmad
25/11/2020

Tsy nipetra-potsiny. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hampiakatra fitsarana ambony eo anivon’ny rafi-pitsarana misahana ny fanatanjahantena “Tribunal arbitral du sport” (TAS) ny filohan’ny Caf, i Ahmad Ahmad. Manana zo rahateo ny tenany ao anatin’ny 60 andro, hanao izany, araka ny voalazan’ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny sehatry ny fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra. Midika ho antsojay ny fampiatoana azy amin’ny fitantanana ny Caf iny, raha ny fijeriny ka anton’izao tsy fanekena lembenana fotsiny, manoloana ilay sazy, araka ny fanapahana noraisin’ny Fifa, tamin’ny alalan’ny vaomieran’ny etika iny.Tsiahivina fa anisan’ireo kandidà matanjaka amin’ny fifidianana ho filohan’ny Caf ny tenany ary voalaza fa tsara toerana hitantana fanindroany izany. Voaporofon’ireo filohan’ny federasiona miisa 46 amin’ireo mpikambana 54 amin’ny fanohanana azy izany. Miankina amin’izao dingana fampiakarana fitsarana ambony izao anefa ny mbola haha kandidà azy na tsia.Synèse R.   L’article Fampiatoana eo amin’ny fitantanana ny Caf: nampiakatra fitsarana ambony amin’ny fiampangana azy i Ahmad a été récupéré chez Newsmada.

Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus
21/11/2020

Les passagers d’un autobus de la ligne 109, reliant le quartier des 67 ha à Ambohitrarahaba étaient en effervescence, jeudi soir vers 20 heures. Cela a été provoqué par une altercation, qui s’est produite à l’intérieur de ce véhicule, opposant un couple et un homme. Sur le trajet, les trois individus ont échangé des coups de poings. Heureusement, le chauffeur a eu le réflexe d’arrêter le bus devant des policiers postés sur le bord de la rue à Andranobevava. Alertés, ces éléments de forces de l’ordre sont alors intervenus pour calmer la situation. Arrêtées, les deux parties en conflit ont été amenées au commissariat du 8e Arrondissement à Analamahitsy pour enquête. La police a pris cette décision après avoir été informée de l’origine de cette bagarre, qui était une tentative de vol à la tire. L’homme en question aurait tenté de subtiliser le collier en argent sur le cou du mari, à entendre les témoignages de certains passagers de l’autobus. Ayant remarqué ses agissements, l’épouse a tout de suite réagi en assénant un coup de poing au voleur. Contrarié, celui-ci a alors riposté en frappant la femme et le mari est ainsi intervenu. Les deux hommes se sont farouchement battus. Résultats, ils sont tous les deux blessés. Arrivé au commissariat, le suspect a rejeté l’accusation portée contre lui malgré la présence de quelques passagers qui ont témoigné contre lui. Il a déclaré qu’il était un militaire en permission. Ayant vérifié son statut, la police a remis cette affaire à la brigade de la gendarmerie de Betongolo. Ainsi, l’enquête continue auprès de cette unité. T.M. L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Toetr’andro: hitohy ny andian-javona eto afovoan-tany
20/11/2020

Nanamarika ny mpamantatra ny toetry ny andro fa hisy ny andian-javona ao anatin’ny telo andro misesy ho an’ny eto afovoan-tany. Mety hanelingelina amin’ny fifamoivoizana izany ny maraina ka mila mitandrina ireo tsy maintsy mandeha vao mangirandratsy.Anio, handrahona tanteraka ny any Ankazobe ny maraina ary hanevokevoka ny andro. Rahampitso kosa, heverina ny hisian’ny rotsak’orana amin’ny tapany andrefan’Analamanga ary handrahona ny tapany atsinanana. Hitohy ny orana ny asabotsy ho an’ny tapany atsinanan’ny faritra Analamanga.Mbola hafana sy hanevokevoka hatrany ny andro ao anatin’ny telo andro misesy satria manodidina ny 15°C ka hatramin’ny 29°C ny hafanana eto Antananarivo. Manodidina ny 32°C kosa ny hafanana ambony indrindra any Toliara, any Antsiranana ary any Nosy Be.Mila mivonona amin’izany hafanana izany ny rehetra, indrindra ireo tsy maintsy mivoaka ny trano ny mitataovovonana. Miomana amin’ny aroorana ihany koa ireo hody hariva amin’ny faritra andrefan’Analamanga sy ny tapany atsinanana iny.Tatiana AL’article Toetr’andro: hitohy ny andian-javona eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Nomcebo teny Antsonjombe: nafana ny dihy sy ny hira “Jerusalema”
23/11/2020

Rehefa tsy nahita fampisehoana an-tsehatra tao anatin’ny volana maromaro… Rehefa ela niandrasana ny tarika Nomcebo… Anjaran’Antananarivo indray ny omaly!Naverina indroa ny fihirana an’ny « Jerusalema », teny amin’ny Coliseum Antsonjombe Analamahitsy, omaly tolakandro. Amin’ny akoapobeny, io hira nohaingoana dihy mirindra io no tena nandrasan’ny maro tonga teny an-toerana, avy any amin’ny Nomcebo. Samy nanezaka ny hiaina tao anatin’ilay hira avokoa ny rehetra satria ny tompony mihitsy no nanao izany teny an-tsehatra. Tao ireo nifantoka tanteraka tamin’ny fandihizana fa tsy vitsy ihany koa ireo nanezaka mafy nihira ny « Jerusalema ».Na efa manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza i Nomcebo Zikode sy ny zava-bitany, tsikaritra ihany fa somary vitsivitsy ny sanganasan’izy ireo hain’ny mpijery tonga teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, hatramin’ny farany. Na izany aza, tsy nahasakana ny rehetra tsy handihy akory izany. Saika mihetsiketsika rahateo ny ankamaroan’ny hiran-dry zareo ireto.Raha tsiahivina, ankoatra ny maha mpamoron-kira sy mpihira azy, nandalina sy nianatra momba ny teknolojian’ny fanapariahana vaovao i Nomcebo Zikode. Manampy azy betsaka amin’ny fampahafantarana azy sy ny kanto ataony izany, raha ny fanazavany.HaRy Razafindrakoto L’article Nomcebo teny Antsonjombe: nafana ny dihy sy ny hira “Jerusalema” a été récupéré chez Newsmada.

“Ambohimalaza Time Attack 1.0”: tompondaka izay manana fe-potoana ambany indrindra
25/11/2020

Mihazakazaka ny fisoratana anarana handray anjara amin’ny Ambohimalaza Time Attack 1.0. Fifaninanana natokana ho an’ireo moto matanjaka “grosses cylindrées”, hatao ny alahady 29 novambra, ho avy izao. Tsy ho ela dia ho feno tanteraka ny 50, fetrisa amin’ity fihaonana ity.Nambaran’ny mpikarakara fa ho tompondaka izay manana fe-potoana ambany indrindra. Amin’ny maha adim-pamantaranandro ity Ambohimalaza Time Attack 1.0 ity, fotoana no henjehin’ireo mpifaninana rehetra. Raha ny endriky ny hazakazaka, hisy aloha ny andrana mandritra ny adiny iray ka malalaka ny fanatontosan’ny mpifaninana rehetra izany. Rehefa tapitra ny fotoana, misy dingana roa, hakana ny fe-potoana na “essai chrono” ka mandeha tsirairay ireo mpandray anjara, izay mielanelana 1 mn ny fiaingan’ny tsirairay. Mandeha miakatra manomboka eo Ambohimalaza mihazo an’Imerinkasinina, izay misy halavirana, 4, 03 km izany.Handrombaka ny amboara ny mpifaninana manana fe-potoana kely indrindra. Tsiahivina fa mizara ho sokajy fito ireo mpifaninanana ka misy ireo hifaninana ao amin’ny Chopper, ny ao amin’ny Trail sy ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny sportive ary ny Custom Vintage.Mpikarakara ity hetsika “Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity ny X’Inov créateur d’impact sy ny Bira Moto Club ary ny Moto Club Mada, izay eo ambany fiahian’ny federasiona malagasy ny motocyclisme (FMaM), izy ity.Torcelin L’article “Ambohimalaza Time Attack 1.0”: tompondaka izay manana fe-potoana ambany indrindra a été récupéré chez Newsmada.

RFC : 250 films diffusés en huit jours
19/11/2020

Les trophées pour les compétitions officielles des Rencontres du Film Court ont été présentées lors de la conférence de presse hier (crédits photo : Tiaray) RFC en est à sa 15e édition cette année. Du 20 au 28 novembre, les cinéphiles se donnent rendez-vous dans la capitale malgache.  Un événement d’ampleur international  qui a pour ambition de faire venir des publics de toute génération, et de toute origine  culturelle autour d’une activité  riche, fédératrice et de qualité. Action culturelle qui unit le continent noir, la RFC  est une manifestation proposée dans une démarche d’instruction, faite de relations humaines avec une volonté de faire se rencontrer les artistes professionnels et les passionnés de cinéma. RFC donne  la possibilité aux artistes et aux cinéphiles  de se rencontrer, et  d’assister à des spectacles variés et de qualité. Selon les organisateurs, « une trentaine de faiseurs de  films d’ici  et d’Afrique sont en lice pour les zébus d’or. Près de 250 films seront  répartis en 65 séances dans divers endroits de la ville mais dont l’essentiel se déroulera à l’IFM  Analakely et au Cinépax Tana Water Front ».  Parce que la RFC  affiche sa volonté de promouvoir le mélange des genres artistiques, « les RFC  ont accueilli 276 candidatures venues de 31 pays d’Afrique  pour cette édition et en ont sélectionné une vingtaine ».  Réunies autour d’une même ouverture d’esprit, la programmation artistique et toutes les activités proposées sont imaginées dans le but de donner à chacun un moyen de s’épanouir et de s’exprimer. Maminirina Rado L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RFC : 250 films diffusés en huit jours a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Olona roa voasambotra, mbola misy hafa karohina: sarona ny gazoala halatra 80 litatra an’ny Jirama
21/11/2020

Anisan’ny mamotika ny orinasa Jirama ny halatra gazoala ataon’ny mpiasa ao aminy ihany. Tsy vao izao ny nahenoana toy ity tranga tany Ambanja ity, indrindra any amin’ny toby mandeha amin’ny solika.Ravan’ny zandary sy ny sampam-pitsikilovana ao amin’ny Jirama, ny alarobia teo, ny tambajotra mpangalatra gazoala tany Ambanja. Tratra tao amina tokantrano miisa telo izany, an’ny mpiasan’ny Jirama ny iray, gazoala mitotaly 80 litatra. Tao amin’ny tranon’ilay mpiasan’ny Jirama no nahitana ny 60 litatra, miampy daba plastika miisa 146, efa tsy nisy na inona na inona intsony. Hita tao amin’ny tokantrano iray faharoa ny daba miisa 12 efa foana ihany koa. Tao amin’ ny tokantrano fahatelo ny daba iray feno gazoala sy daba valo tsy nisy na inona na inona. Olona roa voasambotra, voarohirohy amin’ity raha­raha ity. Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo no nanononany ny mpiasan’ny Jirama iray hafa ho isan’ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Mbola karohina kosa ilay mpiasan’ny Jirama iray nahatrarana ireo gazoala 60 litatra. Mampihodina ny milina mamokatra ny herinaratra vokarin’ny Jirama ny solika. Maro ny faritra misedra olana, satria tsy ampy ny solika ampiasaina. Anisan’ny mahatonga izany koa ireo mpiasa “mpamosavy malemy”, manararaotra mangalatra, toy ity tany Ambanja ity.Njaka AndriantefiarinesyL’article Olona roa voasambotra, mbola misy hafa karohina: sarona ny gazoala halatra 80 litatra an’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.

Degmia – Oniversite Toamasina : manana sampam-piofanana roa vaovao
24/11/2020

Amin’ny ankapobeny, hafakely no ho izay efa fomba fifankahafantarana mahazatra ny fanohizana indray ny fampianarana an-dakilasy sy ampitain-davitra eo anivon’ny departemantan’ny fakiolten’ny Degmia, oniversiten’i Barikadimy – Toamasina , ny tapaky ny volana lasa teo. Nihaona ny mpampianatra sy ny mpianatra ary nitondra ny fandaharam-pianarana isaky ny taranja sahaniny ny profesora isanisany. Nohazavaina amin’ny antsipiriany ny lohahevitry ny taranja tsirairay sy ny faharetany avy.Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny nandritra izany koa ny fampiofanana vaovao eo amin’ny fakiloten’ny Degmia : master professionnelle en marchés  publics, sy licence professionnelle en gestion portuaire et logistique. Nampiavaka ny lanonana ny fanatrehan’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fakiloten’ny Degmia, toy ny SMMC, Spat, APMF. Nohamafisin’ny sojaben’ny fakiloten’ny Degmia, ny profesora Razanakolona Diny, fa manomboka ny 1 desambra ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra hiditra eo anivon’ny sampam-piofanana roa vaovao voalaza ary hifarana ny 11 desambra izany.SajoL’article Degmia – Oniversite Toamasina : manana sampam-piofanana roa vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Izay tsy mandroso, mihemotra… 
24/11/2020

 Mitohy hatrany ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19; eny, na toa somary mangingina ratsy aza izany na tsy mampiraika intsony ny maro. Misy hatrany, ohatra, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus, ny mamoy ny ainy, ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Misy ihany koa ny marary sitrana ary tsy mamindra intsony.Efa samy difotry ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ny maro amin’izao. Eo, ohatra, ny fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra ny vary. Miara-dalana amin’izany ny fanahiana ny taom-pamokarana ny taona ho avy fa manahirana be ihany ny amin’ny fiavian’ny orana. Na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza, sarotra sy mafy. Ho maitso ve ny ahitra raha tsy misy orana?Manampy trotraka izany rehetra izany, tsy maintsy atrehina ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Himasoana sy hotanterahina amin’izay ny tena vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Raharaha be koa ny amin’ny firongatry ny fanolanana sy ny fanaovana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, izay fahalovana mikiky ny aim-pirenena.Mbola tsy mahafa-bela koa ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny vahoaka amin’ny  faritra sasany, indrindra any amin’izay heverina ho lavitra fanjakana. Toa tsy misy afa-tsy olana na fahasahiranana no mavesa-danja, mibahan-toerana, talaky maso… Izany no mampiaka-peo ny mpanohitra sasany fa tsy misy inona mandeha eto na tsy misy inona hoe miova?Tsy miala amin’ny olombelona ny fahasahiranana sy ny olana. Raha tsy izany, tsy fiainana. Izay efa mety na tsara, itadiavana sy iadiana ny tsaratsara kokoa hatrany. Lozan’izay tsy mahita sy tsy mijery afa-tsy ny lafiratsin-javatra? Mitsikera, manaratsy, manakivy, mankahala, manakorontana aza. Na hoe manolo-kevitra aza, mety mamitaka fa mitady sy miady izay ho azy.Inona ny hatao? Misy ny mitady ho kivy nefa fomban’ny tsy afaka amin’izay kendreny sy ataony ny manakivy. Irosoana izay efa nanapa-kevitra, nifanarahana, natomboka. Ho hita eo tokoa… Na voa na mahavoa? Izay tsy mandroso, mihemotra.Rafaly Nd.L’article Izay tsy mandroso, mihemotra…  a été récupéré chez Newsmada.

Barea : Un jet privé pour Romain Métanire
21/11/2020

Après le match de mardi, Romain Métanire est immédiatement parti pour l’aéroport d’Ambalamanasa où un jet privé l’attendait pour le ramener aux Etats-Unis. Un luxe dont peu de personnes peuvent bénéficier, mais Métanire a ce statut de troisième meilleur défenseur du Major Soccer League. Il est donc logique que son club du Minnesota décide de le faire revenir au plus vite pour le match certainement très important du week-end. La grande classe de Métanire ne se dément pas même s’il a été moins tranchant comme à son habitude mardi. Comme beaucoup de Barea, il n’est pas parvenu à rentrer dans le match au cours des 20 premières minutes. A moins qu’on lui ait dit de faire très attention pour ne pas se blesser en vue du match de son club. Une chose est toutefois certaine, Métanire reste parmi les cadres ayant disputé tous les matches des Barea à l’instar du gardien Adrien Melvin, Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerôme Mombris, Marco Ilaimaharitra, Carolus Andriamahitsinoro, Voavy Paulin et Ibrahim Amada. Quelques-uns sont rentrés vers la fin de la partie dont Oussiero, Zotsara Randriambololona, Dimitry Caloin et Alexandre Ramalingom. Hery Bastien et Hakim Abdallah ont été alignés plus longtemps par les nouvelles recrues. Par contre, il y a des joueurs qui n’ont pas du tout joué durant la double confrontation contre la Côte d’Ivoire dont Bapasy Razakanantenaina, Dax Arohasina Randriamirado, Nina Razakanirina, Mathyas Randriamamy et William Gros. Clément RABARY L’article Barea : Un jet privé pour Romain Métanire est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Barea : Un jet privé pour Romain Métanire a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM
24/11/2020

Edisiona nisafidy ny hisahana bebe kokoa momba ny boky natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny Editions Jeunes Malgache (EJM). Fantatra fa nanavao sy nanatevina ny paikady hoenti-manapariaka ny boky ho eny am-pelatanan’ny ankizy izy ireo. Manomboka izao, azon’ny ankizy henoina ao anaty site web www.editions-jeunes-malgaches ireo voarakitry ny boky avoakan’ity edisiona ity. Boky 22 no efa vonona ka azo henoina avy hatrany. « Kendrena ho amin’ny sarany sahaza ny fahefa-mividy ankehitrny ny fanaovana izany », raha ny fanazavan-dRazafintsalama Marie Michèle, mpitantana ny Presse Edition & Diffusion (Prediff).Nankahery sy nandrisika ny ray aman-dreny ity editora ity mba hanentana ny zaza malagasy hamaky boky sy hanome azy ireo ny fomba ahavitany izany. « Hiezaka hatrany izahay, hampitombo ny fanapariahana ny boky manerana ny Nosy satria anisan’ny manampy amin’ny fananana voambolana eo amin’ny ankizy sy ny tanora ka hanamora ny fahaizany mifanerasera amin’ny mpiara-belona ny fahazoany izany », hoy hatrany Razafintsalama M. Michèle.HaRy RazafindrakotoL’article Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM a été récupéré chez Newsmada.

Fikaonan-dohan’ny minisiteran’ny Fitsarana: ho tonga hatrany amin’ny fanamelohana ho faty ny fanolanana
25/11/2020

Mbola eny ambony latabatra aloha fa iandrasana vokatra mivainga. Mikaon-doha eny Ambohimanambola, hatramin’ny rahampitso ireo mpitsara miisa 138 manerana ny Nosy. Anisan’izany ireo miandraikitra ny raharaha momba ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy. “Misy fidinana ifotony ataon’ny minisitera ho fanamafisana ny ady. Hapetraka ny tanjona fohy sy lavitra ezaka manoloana io herisetra sy fanolanana ankizy tsy ampy taona io”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Imbiky Herilaza, omaly. Notsiahiviny fa efa nisy ny toromarika hahafahana mametraka ireo mpitsara manerana ny faritra hiandraikitra izany ady izany.Fanamelohana ho faty amin’ny fanolananaHisy koa ny fivoriana momba ny heloka bevava sy ny herisetra. Ho avy ny fanentanana any amin’ny faritra ny amin’ny hanovana ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny fametrahana ny fanenjehana sy fanasaziana, araka ny nambarany. Nanteriny fa tsy tokony hatahotra amin’ny fitorohana ny rehetra satria efa mihanaka ny raharaha ary ho tonga hatrany amin’ny fanamelohana ho faty io resaka herisetra sy fanolanana io. “Anisan’ny anton’io herisetra io ny zava-mahadomelina, ny resaka toe-tsaina. Eo koa ireo tokony hiteny nefa tsy sahy”, hoy ihany izy. Nanentana ny mpitandro filaminana ny fitsarana mba hitondra ny antontan-taratasy feno rehefa eny amin’ny fitsarana, hahafahana mitsara araka ny tokony ho izy.Fitsarana manakaiky vahoakaTafiditra amin’izao atrikasa izao koa ny famolavolana boky mampahafantatra ny asan’ny fitsarana, tafiditra amin’ny politikan’ny minisitera amin’ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna. Eo koa ny fiarovana ny zo.Tsiahivina fa anisan’ny miatrika izany ireo mpitandro filaminana, ny mpisolovava ary ny fiarahaomonim-pirenena. Hifantohan’ny dinika amin’izany ny fitsarana manakaiky vahoaka sy natao ho an’ny rehetra. Hihainoana sosokevitra izany ary havadika ho boky. Haparitaka ahalalan’ny rehetra ny dingana atao eny anivon’ny fitsarana sy ireo torolalana samihafa manodidina izany.Synèse R.L’article Fikaonan-dohan’ny minisiteran’ny Fitsarana: ho tonga hatrany amin’ny fanamelohana ho faty ny fanolanana a été récupéré chez Newsmada.