Fibatana fonjamby – 2020 : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena

News - Fibatana fonjamby – 2020  : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena

News - Fibatana fonjamby – 2020 : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena

Amin’ny taona 2021 no
ha­natanterahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasi­kara 2020,
eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Io no nambaran’ny filohan’ny
federasiona, Randriamanarivo Harine­lina, izay nanamafy fa noho ny
krizy ara-pahasalamana nitranga teto amin’ny firenena no nahatonga
izany. Tsiahi­vina, tokony tamin’ny volana avrily tany ho any no
nanaovana azy ity, tany amin’ny li­gin’i Vakinankaratra.
Maha­kasika izay hatrany, hiankina amin’ny fivoriambe fanao
ara-potoana ho an’ny federasiona, amin’ny volana desambra ho avy io
no hanapahana, raha ho voatazona any Antsirabe ihany na hiova
faritra hafa no handray izany fifaninanam-pirenena izany. Ho an’ny
sehatra iraisam-pirenena indray, any amin’ny volana avrily 2021
atsy Maorisy no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika,
tafiditra ihany koa amin’ny fifanitsanana hiakarana amin’ny Lalao
olympika. Mazava ho azy, hanana solontena hiatrika izany isika,
izay marihina fa manana atleta maromaro mbola anatin’ny hazakazaka
tsara, ny hahazo tapakila handehanana any Tokyo Japon. Fantatra, fa
ha­tramin’ny volana aogositra no hahafahan’ireo atleta miady
tapakila, araka ny toromarika avy amin’ny iraisam-pirenena ka afaka
manenjika izany izy ireny.

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Fibatana fonjamby – 2020 : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena »

Nitohy tany Brieville any Tsaratanana, Andilamena, Mahatsinjo sy Mangabe ao Maevatanàna ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina, omaly. Mazava ny lahateniny momba ny hanarenana ny toekarena. “Amin’ny alalan’ny harentsika no hahafahana manavotra ny firenena. Manankarena isika ary mampidi-bola be nefa mahantra ny vahoaka eto Brieville. Ny ampahany betsaka amin’ny hetra azo amin’ny  kraomita entina hanasoavana ny vahoaka eto. Tokony handroso ny tanàna misy ny harena ankibon’ny tany sy ny fitrandrahana”, hoy izy. Toy ny nambarany tany amin’ny faritra hafa rehefa nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny mponina amin’ireo faritra ireo ny tenany,  nampanantena ny kandidà laharana faha-13 fa hamboarina hatao manara-penitra ny kianja. Hapetraka ny vondron-tafika manokana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Homena fitaovana toy ny fiara 4×4 sy helikoptera miisa 10 ny mpitandro filaminana. Hasian “puce” ny omby. Hahazo hopitaly manara-penitra ny any an-toerana. Hampidirina amin’ireo tanàna tsy mbola misy izany ny rano madio fisotro.Fanamboaran-dalana sy tany hovolen’ny tantsaha…  Eo koa ny fanorenana orinasa hamokatra ireo “panneau solaire” hampihenana ny vidin’ny jiro. Momba ny fanamboaran-dalana, handefa fitaovana “bulls sy ny” tracks” ny tenany. . . Hampitomboina ny tany volena ary hozaraina amin’ny tantsaha ny tany. Eo koa ny famokarana zezika, amin’ny vidiny mora. Hatao manara-penitra avokoa ny EPP sy ny CEG ary ny lycées rehetra.  Notolorana fitaovana koa ireo fikambanan’ny mpanjono amin’ireo faritra ireo. Nampanantena ny hamaha ny olan’ny mpiasa ny tenany. Hapetraka ny toeram-pitrandrahana vato hanaovana “pave” ny lalana sady hiteraka asa koa izany. Hahazo vary amin’ny vidiny mora, manomboka amin’ny herinandro ireo faritra notsidihiny. “Ho tanterahiko avokoa ny nolazaiko. Velirano no ataoko fa ho avy aho ary tonga hanavotra an’i Madagasikara… Matokia ahy fa hanavotra anareo aho ” hoy ihany izy.Ankoatra izany, nohitsiny fa tsy tokony hiala ao amin’ny birao fandatsaham-bato raha tsy vita ny fanisam-bato.Randria  L’article Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C.

Voatendry fanintelony ary mbola  nametrahana fitokisana. Naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta indray i Ntsay Christian.  Tsy niandry ela  fa novakin’ny sekretera jeneraly lefitra ny fiadidina ny Repoblika, Andriamaholy Dina, omaly tolakandro avy hatrany ny didim-panjakana manendry azy amin’izany  toerana izany sy ny andininy voalazan’ny lalàmpanorenana, miainga amin’ny And. 54.  Nialohavan’ny fanoloran’ny depiote maro anisa anarana telo tany amin’ny filoham-pirenena, izao fanendrena izao. Anisan’ny mbola naverin’izy ireo tao anatin’izany ny anaran’ny praiminisitra am-perinasa ka izao notendren’ny filoha  izao indray. Nahangona  sonia maherin’ny 100  amin’ny 151 ireo depiote tamin’ny fanolorana azy ho amin’izany toerana izany indray.Anisan’ny  itokisan’ny sehatra  iraisam-pirenena Tombanana  fa anisan’ny anton’izany safidy izany ny fomba fiasa hentitra  ananan’ity praiminisitra ity. Eo ohatra ny namerenana ny takelaka mena ho an’ny fiaram-panjakana manontolo. Ny ady amin’ny  kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana, ny fanatsarana hatrany ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manampy izany ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy.Tsiahivina fa voatendry ho Praiminisitry ny  marimaritra iraisana tamin’ny tolona nataon’ny  depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey i Ntsay Christian, ny volana jona  2018. Mbola nohamafisin’ny filoha Rajoelina izany ny volana janoary 2019 ka nanendreny hatrany ity lehiben’ny governemanta ity amin’izany toerana  izany ary izao mbola  naverina amin’ny toerany izao indray,  taorian’ny fitsanganan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity  herinandro ity.Minisitra ho voatana  na handao ny  sezany Araka  izany, andrasana  indray ny ho  fanolorany amin’ny filoha Rajoelina ireo  minisitra  handrafitra  ny governemantany. Mety misy ny ho voatana fa tombanana koa fa hisy ny hisaorana sy handao ny sezany raha jerena ny tao anatin’ny enim-bolana voalohany nitantanan’ny filoha Rajoelina ny fanjakana izay. Mety tsy hihoatra ny amin’ny herinandro ambony  io izany fanolorana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta Ntsay Christian  izany.Synèse R.  L’article Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Tagnamaro »: fanatsarana ny fambolem-bary

Natomboka, ny sabotsy 27 jolay teo, teny amin’ny lemak’Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, ny paikady manokana raisin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep). Nampidirina ao anatin’ny fanaovana ny hetsika Tagnamaro ny politika hampitomboana ny vokatry ny fambolena, indrindra ny vary, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, amin’ny taona 2020, araka ny nofaritana ao anatin’ny IEM. Nanaovana tagnamaro ny fanadiovana ny lakandrano sy ny tatatra, mirefy 500 metatra, manondraka lemaka 100 ha eny Ambohipanja, notarihin’ny minisitra (Maep), Ranarivelo Lucien.Noraisin’ny Maep ity paikady ity hiomanana amin’ny fotoam-pambolem-bary 2019-2020, ka hatao manerana ny Nosy. Marihina fa mahatratra 1.200.000 ha ny lemaka voajary eto Madagasikara fantatra. Koa, tanjona amin’izao tetikasa izao, ny hanarenana velaran-tany 30.000 ha sy lemaka vaovao mirefy 10.000 ha. Mandritra ny roa volana ny hanatanterahan’ny Maep ity ezaka manokana ity amin’ny alalan’ny Tagnamaro. Njaka A. L’article « Tagnamaro »: fanatsarana ny fambolem-bary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antoko RDS  : “Mampanaja lalàna ny HCC”

 “Miezaka mandamina hatrany ny HCC. Tsy mandamina no asany fa mampanaja ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana”, hoy ny fanehoan-kevitry filohan’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, manoloana ny fankatoavan’ny HCC ny fifidianana loholon’i Madagasikara hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao.Tapitra tokoa ny fe-potoam-piasan’ireo loholon’i Madagasikara. Rariny loatra raha irosoana ny fifidianana. Nefa iza ilay mpifidy vaventy hifidy ny loholona? Ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpanolotsain’ny Tanàna, ireo solontena eny anivon’ny Faritra sy ny eny anivon’ny Faritany. Izay no voalazan’ny lalàna fototra. Koa efa mipetraka ve ireo solontena avy amin’ny Faritra sy ny Faritany ireo? Tsia no valiny.“Maninona no irosoana ny fifidianana loholona?“, hoy izy. Koa tokony hotanterahina ny fifidianana eny anivon’ny Faritra hahazoana mametraka lehiben’ny Faritra. Tsy hita ny maharatsy ny fanovana lehiben’ny faritra ho governoran’ny faritra, rehefa hita fa tanterahina sy hajaina ny lalàna fototra.R.Nd.L’article Antoko RDS  : “Mampanaja lalàna ny HCC” a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

Tsingerintaona faha 59 nahaleovantena : Fomba tsotra ny an’ny S-FPMA

“Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana” I Kor. 14, 26. Io no Teny faneva nentin’ny Fikambanana Sakaizan’ny Fiangonana Protestantra Malagasy Andafy, na S-FPMA, nankalaza ny faha 59 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, sy nitondrana am-bavaka ny firenena malagasy tamy fomba tsotra, nefa nanana ny lanjany teo anatrehan’ny tantaram-pirenena. Ny sabotsy 22 jona 2019 no nifamotoana tetsy amy Foibe Frenjy etsy Faravohitra ny S-FPMA sy ny mpankasitraka tonga marobe, nanomboka tamy 2 ora sy sasany tolakandro. Ny Pastora Rasolofonomenjanahary Martin, Talen’ny Kianjamaitso FFPM Antsahamanitra no nitarika ny fotoana litorjika sy nitory ny Tenin’Andriamanitra araka ny Filazantsaran’i Jaona 14, 27 “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo”.  Manome fiadanana in-277 Jesosy ao anaty Baiboly. Shalom moa no dikanteny hebreo. Manana hevitra marobe tsy latsaky ny 40 anefa izy io saingy azo fintinina amy ny hoe: “Fihavanana”, “Fampihavanana” (Rom. 5, 1; Efes. 2, 13), ary koa “Fandriampahalemana” “Filaminana” “Fahatoniana” (I Kor. 14, 33). “Fahombiazana”, “Fitahiana”, “Fahasalamana” … (Sal. 122, 7) Antoko mpihira telo manana ny lazany no nifarimbona nanafana ny fotoana: Ny Feon’ny Frenjy, ny SETA Tafaray FFKM ary ny God’s Messengers Mass Choir (GMMC). Nandritra ny tapany faharoa taorian’io fotoam-bavaka nangataham-pitahiana ho an’i Madagasikara io, dia niroso tamy famelabelarana notontosain’Andriamatoa Rasolomanana Nehémie Mpitandrina misotro ronono ny lohahevitra hoe: “Ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Alahamadibe jerena amy fotopisainana protestanta”. Narahana fifanakalozan-kevitra azon’ny rehetra andraisana anjara izany. Sahiran-tsaina ny Kristiana manoloana ny fomba amam-panao amy ny Alahamadibe indrindra ireo mandala ny etika kristiana azy. Manompy sampy ve? Nisongadina tamin’izany ny ohatra noraisin’i Ramatoa Profesora Ramakavelo Geneviève: “Fahotana ary ve ny mitondra arendrina akatoky ny Alahamadibe na koa 26 jona izay endrika hanehoana fety indrindra ho an’ny ankizy madinika. Ambaran’ny fotopisainana Alahamadibe mantsy fa fomba fandroahana devoly sy fanahy ratsy ary lolo ny mitondra afo mandehandeha manerana ny tanàna alohan’ny fety?”. Maro no niombon-kevitra tamy Madame Ramakavelo tamy zany fanontaniany izany. Tonga nanatrika teo Andriamatoa Ratefy Tolotra Mpitandrina mitondra ny fiangonana Tranovato Anatirova, mpadalina sy mpikaroka ny petra-kevitra “Jiosy ve ny Malagasy?”. Na ny toriteny na ny famelabelarana dia samy tandrify avokoa amy ny habaka sy vaninandro diavin’ny firenena malagasy ankehitriny. Ankoatr’izay dia manamafy sy manizingizina Atoa Rasolondrainibe Jean Veloson, Raiamandrenibe S-FPMA sady Filoham-boninahitry ny FLM Ambatovinaky fa tsy marim-pototra sady tsy mitombina velively ny feo miely fa mikasa hanorina sampan’ny FPMA aty an-tanindrazana ny FPMA any Frantsa. Razaka Oliva                          Cet article Tsingerintaona faha 59 nahaleovantena : Fomba tsotra ny an’ny S-FPMA est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Jirama: hotantanina toy ny orinasa tsy miankina

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoelina, omaly, ny fanapahan-kevitra hanarenana ny Jirama. Fantatra fa “tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny orinasa Jirama, manomboka izao. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana amin’ny antsipiriany ny fomba fitantanana sy ny vola, hataon’ny kabinetra miaraka amin’ny mpanara-maso ny kaontimbolam-panjakana (Cours des comptes) sy ny sampana Fanaraha-maso ankapobeny ny fanjakana (IGE)”.30 miliara Ar ny tsy naloan’ny fanjakanaHapetraka mazava ny tetiandro hanarenana ny orinasa ary tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ny sampandraharaham-panjakana ananan’ny Jirama trosa, mitentina 30 miliara Ar, raha asian-teny, nanomboka ny janoary hatramin’ny jona 2019.Araka izany, tsy maintsy vitaina ao anatin’ny roa taona, raha ela indrindra, ny fanarenana ity orinasam-panjakana ity sy ny trosany. Hapetraka ny vaomiera manokana ahitana solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny primatiora ary ny minisitera mpiahy. Miantoka ny fandaminana ireo rehetra ireo ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama.Hojerena ny fifanarahana rehetraAraka ny tatitry ny Cour des comptes, mahatratra 400 miliara Ar ny fanampiana ara-bola nomen’ny fanjakana ny Jirama. Fantatra nandritra ity fivoriana ity koa fa “tsy maintsy harafitra ny drafitrasam-pitantanana (Business plan) vaovao. Manampy izany, hojerena akaiky ny fifanarahana mikasika ny fanofanana ny gropy mamokatra herinaratra. Hisy ny fifanarahana fandaharanasa (contrat programme) iarahan’ny fanjakana sy ny Jirama, amin’ny hanatanterahana ny paikady rehetra hanarenana ny fitantanana ity orinasa ity.Njaka A.L’article Jirama: hotantanina toy ny orinasa tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana

Hamafisina ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pitiliana “radioactive”. Nanolotra fitaovana ny AIEA, mampiofana momba ny fampiasana azy ny INSTN. Tsy maintsy mila fitaovana mifanaraka ny vanim-potoana ankehitriny ny fanaraha-maso eny amin’ny fadintseranana. Ho fiarovana amin’ny fampidirana fitaovam-piadiana sy amin’ny asa fampihorohoroana, nanolotra fitaovana « détecteurs de rayonnement » sy « identificateurs » ho an’ny fadintseranana malagasy ny AIEA (Agence internationale de l’énergie atomique). Ny INSTN (Institut national des sciences et techniques nucléaires) no manome fiofanana ny mpiasan’ny fadintseranana amin’ny fomba hampiasana ireo fitaovana ireo.Fitaovana arifomba avo lenta ireo avy amin’ny AIEA ireo, hisorohana ny asa fampihorohoroana amin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika. Eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny hametrahana izany voalohany, amin’ny maha seranana iraisam-pirenena azy, ifamezivezen’ny olona maro. Matetika, tratra eny an-toerana ny zava-mahadomelina, ary izao andraisana fepetra izao koa ny fitiliana fitaovana misy « radioactif » mety hampidi-doza.Nambaran’ny ao amin’ny INSTN fa manampy betsaka amin’ny fiarovana mandritra ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara ireo fitaovana ireo; anisan’ny fepetra tsy maintsy arahina koa izany amin’ny vanim-potoana lehibe.Mampidi-bola be …Noho izay fanaraha-maso izay ihany, eny amin’ny fadintseranana Ivato, mihatsara  ny vola miditra amin’ny fanjakana. 4,6 miliara ariary ny tamin’ny volana jona teo, ary tafakatra 4,9 miliara ariary amin’ity volana jolay ity. Ao anatin’ny fanaraha-maso mahomby ny fanafainganana ny famoahana entana, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra. Notsiahivina amin’ny rehetra ny fanarahan-dalàna, indrindra raha mahakasika ny raharaham-barotra izay tsy maintsy anaovana fanambarana. R.MathieuL’article AIEA – INSTN -Fadintseranana: miara-miasa ho fisorohana ny fampihorohoroana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis »

Velon-taraina indray ireo tanora vao afaka fanadinana eo anivon’ny familiana fiarakodia ao Toamasina. Anjakan’ny kolikoly izany ka lasa fototra mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika. Tsy manana traikefa amin’ny familiana fiara sady tsy mbola mahafehy azy akory. Ho an’ireo afaka fanadinana, vola hafa ankoatra ny haloa ara-dalàna eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanomezana fahazahoan-dalana hamily fiara no hefaina eny amin’ny mpikarakara vao azo izany. Nambaran’ireo tanora nitaraina tamin’ny mpanao gazety fa mandoa 50 000 Ar amin’ireo iraky ny mpikarakara vao azo ny “permis” eo amin’ny birao misahana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny “permis”, etsy amin’ny lapan’ny Faritanin’i Toamasina. Milaza mantsy izy ireo fa 20 isan’andro ihany ny zaraina ka noho izay, aleon’izy ireo mihitsy matory eto an-davarangana ho tafiditra anatin’ny  20 omena isan’andro. Mbola tsy mahazo ihany indray anefa satria mila manolotra vola 50 000 Ar vao mety, araka ny voalazan’ireo niharany. Nohamafisin’ireto tanora vao haka ny “permis” ireto fa hatrany amin’ny fanaovana fanadinana hahazoana “permis” sy ny fanadinana ho an’ny fahafahana amin’ny “code de la route”no efa manomboka ny kolikoly ka izay manome 50 000 Ar ny mpampanao fanadianana, afaka avy hatrany tsy mila mitondra fiara intsony fa omena naoty tsara. Aiza ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ao an-toerana amin’izany zava-misy izany ?SajoL’article Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetikasa Can: hisy fivahiniana arahim-pamokarana

Misokatra ho an’ny mpanakanto amin’ny sokajy fanentanana an-tsary, sarimihetsika, « vijing-vidéo mapping », mpikirakira ny feo, sary nomerika, « création digitale », mozika ary « design » ny fisoratana anarana amin’ny fivahiniana arahim-pamokarana na « résidence de création », eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo.Tetikasan’ny fikambanana La Teinturerie ny foiben’ny zavakanto nomerika (Can), manampy ny tontolon’ny famoronana nomerika. Anisan’ireo nahazo tohana avy amin’ny Tahiry afrikanina ho an’ny kolontsaina (ACF) ity tetikasa ity. Tanjon’ity tahiry ity kosa ny hanampy vola ho fampiroboroboana ny sehatry ny indostrian’ny kolontsaina sy ny asa famoronana, aty amin’ny kaontinanta afrikanina.Paikady iray hanatrarany izany tanjona izany ny haha matihanina ireo mpanakanto sy mpisehatra eo amin’ny zavakanto. Tsy ho an’i Madagasikara ihany fa ho an’ny firenena aty Afrika io tahiry io. Azo lazaina ho tombony lehibe ny fahazoan’ny fikambanana La Teinturerie izany. Izy no hampisitraka ny tohana avy amin’io tahiry io amin’ny mpanakanto malagasy, indrindra ireo tanora miditra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto nomerika. Marihina fa miova isam-bolana ny mpanakanto hisitraka ity fivahiniana arahim-pamokarana ity ary haharitra herintaona izany. Hifarana ny 6 aogositra kosa ny fisoratana anarana ho an’izay te hiatrika izany, mandritra io volana septambra sy novambra io.Randria L’article Tetikasa Can: hisy fivahiniana arahim-pamokarana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Taom-piotazana lodsia : Miparitaka ny vola sandoka 10.000 ariary

Miezaka mandamina sy mametraka ny fiarovana ireo mpitatitra sy ireo mpanangom-bokatra ary ireo mpandraharaha lodsia ny eo anivon’ny Emm-Reg  amin’izao taom-piotazana sy fanondranana lodsia izao. Fotoana maha-be ny fihodinkodinan’ny vola mantsy ny vanim-potoana tahaka izao ka tsy kely làlana ny ratsy, saingy raha asan-jiolahy no mampanahy ny mpitandro ny filaminana dia fampiasana vola sandoka indray no misy manao amin’izao fotoana izao, tahaka ny tranga niseho tratran’ny zandary tao Mahavelona Foulpointe raha naharay fitarainana izy ireo. Raha ny fanazavana, dia nividy toy ireny mpanangom-bokatra mividy lodsia amin’ny tantsaha ireny ireo mpanangom-bokatra mampiasa ity vola sandoka ity, ary amin’ny takariva sy ny andro manomboka alina no tena fividianan’izy ireo ny vokatra lodsia. Ireo tantsaha tao Mahavelona Foulpointe sy manodidina ity kaominina ity ary ireo ilany avaratry Toamasina no tena nanapariahan’ireto mpanangom-bokatra, izao vola sandoka any aminy izao. Mpanangom-bokatra iray no tratra tao mahavelona Foulpointe ny alarobia teo, mbola sarona tany aminy ny ambin’ny vola sandoka nampiasainy manodidina ny am-polony tapitrisa ariary teo, raha efa naparitany tany ambanivohitra nividianany lodsia kosa ny sasany mitentina am-polony tapitrisa ariary ihany koa. Vola 10.000 ariary vaovao ireto vola sandoka misy manaparitaka amin’ny fividianana lodsia izao, ka nanaovan’ny Emmo-Reg  antso ho an’ireo tantsaha ny tsy hanaiky maka vola mivantana intsony, fa tokony  hampiasa ireny “Mobile Money” izy ireo hisorohana izao resaka vola sandoka izao. Anio zoma no hiakatra eo anivon’ny fitsarana eto Toamasina ny raharaha, raha ny zandary tao mahavelona Foulpointe no nanao ny fakana am-bavany ireto olona tratra ireto. Malala DidierL’article Taom-piotazana lodsia : Miparitaka ny vola sandoka 10.00 ariary a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2022”: nidina tany Toamasina ny «comité mixte»
31/10/2020

 Na ho raikitra na tsy ho raikitra ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2022”, efa manomana ny ho fandraisana io lalao io ny “comité mixte”, tarihin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS). Fantatra àry fa nidina tany Toamasina izy ireo, omaly zoma, ka nihaona amin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana: ny lehiben’ny faritra sy ny “prefet” ary ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Tamin’io ny nampahafantaran’ny filoha lefitra voalohany ny federasiona, Andrianony Victorien, amin’ny fomba ofisialy, ny fampiantranoan’ny faritra Atsinanana io lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire io. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy, ny talata 17 novambra ho avy izao. Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ihany koa no nandrafetana ireo kaomisiona isan-karazany, hisahana ny fikarakarana samihafa hahazoana manatanteraka ny lalao.Tsiahivina fa nangataka fanemorana ny fihaonana ny FMF sy i Nicolas Dupuis, ary eo am-piandrasana ny valin’izany izy ireo ankehitriny.Tompondaka L’article Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2022”: nidina tany Toamasina ny «comité mixte» a été récupéré chez Newsmada.

Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana
29/10/2020

   Ho afaka hampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana izany ny mpitantana ambony raha mangataka ny hanana sata manokana mitovy lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka. Toherinay izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka.    Misy volavolan-dalàna napetraky ny mpiasam-panjakana ambony manana ny mari-pahaizana Masters na mitovy lenta amin’izay ka nanohy fianarana teny anivon’ny sekoly ambony misahana ny fampianarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana mangataka sata manokana. Nodinihina tao anatin’ny filankevitry ny governemanta, omaly, ity volavolan-dalàna ity. Ny ampahany betsaka voasoratra ao amin’ny sata manokana dia mirona amin’ny fitoviana lenta amin’ny mpampianatra mpikaroka (maitre de conférence sy maître de recherches amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsianasa ) ka hisitraka ireo tombontsoa rehetra mifandraika amin’izay, araka ny fanazavana azo omaly. Manoloana izany, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) foibe, izay nosoniavin’ny filohany, Randriamialinoro Faliarivony. Voalaza ao fa toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana sy ny fikasana hanao « décret » hafa hampiharana ny satan’ny mpampianatra mpikaroka  sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny sokajin’olona hafa. Manana ny sata ankapobeny mifehy azy ny asam-panjakana ka mandika izany lalàna manan-kery izany ny fanekena sata manokana hifehy ireo mpitantana ambony ireo, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Zavatra hafa toy ny bonus na tombontsoa mifandraika amin’ny fianarana noratovina no hisitrahany fa tsy sata manokana. Mahatsapa ny mpikambana ao amin’ny Seces fa fanimbazimbana ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka ny fanomezana ny santany ho an’ny antokon-draharaha hafa na inona na inona ambaratonga misy azy ireo.Raha eken’ny fitondrana ity volavolan-dalàna naroson’ny mpitantana ambony ity dia ahina hiteraka safotofoto sy korontana amin’ny asam-panjakana ka tsy azo ekena.Vonjy A.L’article Fangatahan’ny mpitantana ambony: toherin’ny Seces ny endrika fisandohana laharana a été récupéré chez Newsmada.

«Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro
24/10/2020

Mahatsiaro ho ankilabao ireo «paramédicaux» nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra ireny valanaretina nivaivay teto amin’ny firenena ireny satria maro ireo milaza fa tsy mbola nandray ny vola tokony ho anjarany. Hisy ny fivoriambe hatao isan-tendro hataon’izy ireo hifampizarana ny zava-misy sy ny dingana fangatahana iza­ny vola tambin’ny niasana mafy izany. Notanterahina ny 22 oktobra teo ny fivoriambe ho an’ ny any Soalala. Hanatanteraka ny azy, rahampitso, ny any Fa­ratsiho ary amin’ny alatsinainy ny any Anosibe an’Ala. Ny 30 oktobra kosa no hivory ireo “paramédicaux” any Am­batolampy, any Arivonimamo ary any Miarinarivo. Mitohy izany ho an’i Manja amin’ny faran’ny volana oktobra izao. Araka ny baikon’ny mpitarika fikambanan’ny “paramédicaux”, tsy hisy ny fangatahana alalana amin’ny ambaratonga amin’ny toerana misy azy ireo. Tsy maintsy hatao ko­sa ny fampahafantarana amin’ ny lehibe isan’ambaratonga mi­kasika ny fivoriana hatao. “Manan-jo hivory izahay ka hanatanteraka izany ha­mon­dronana ny hery sy hanamafisana ny fitakiana fa tsy hatao vato natsindry ahazana ka atsipy rehefa vita ny nilana anay”, hoy ireo “paramédicaux”.Tatiana AL’article «Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro a été récupéré chez Newsmada.

Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna
27/10/2020

  Maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo tao an-tranony ao Marohazo, distrikan’i Maintirano, ny ramatoa, ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny alahady alina teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany. « Ny zanak’anadahiny ny nahavanon-doza nahafaty azy », hoy ny loharanom-baovao iray. Io lehilahy io izay malaza ho dahalo raindahiny. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa maty nisy nitifitra ny rahalahin’io dahalo io ka ahina ho nahatonga izany ilay ramatoa ben’ny Tanàna io.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpivarotra zava-pisotro ilay ben’ny Tanànan’i Marohazo. Ny alahady teo, tonga tao aminy ny lehilahy miisa efatra nisotro toaka, isan’izany ilay voalaza fa dahalo. Nivoaka tao ilay lehilahy manodidina ny 25 taona voalaza fa zanak’anadahiny ary nitifitra ny lamosin’ilay ben’ny Tanàna intelo tamin’ny basim-borona. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana 43 taona. Tsy naninona kosa ny zanany vavy 20 taona niaraka aminy tao. Nitsoaka sady nanao difi-danitra izy efa-dahy taorian’ny asa ratsiny. « Raha ny fanadihadiana natao, lonilony fianakaviana ny mety ho namonoana an-dramatoa ben’ny Tanàna », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Maintirano. Nohamafisiny fa fantatra avokoa ny anaran’ireo efa-dahy tao an-tsena. Efa mandeha ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.Henintsoa HaniL’article Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra
26/10/2020

 Manana hatramin`ny 11 novambra ny eo anivon’ny Ceni, hikirakirana ny lisitr`ireo mpifidy vaventy. « Mety hiova ireo voarakitra ao satria misy ireo kandidà no nitory ireo ben’ny Tanàna lany tamin`ny fomba ofisialy navoakan`ny fitsarana miady amin`ny fanjakana. Nitondra ny raharaha eny anivon’ny filankevim-panjakana izy ireny », hoy ny mpampakan-teny, i Fano Rakotondrazaka. Miisa 155 ny didim-pitsarana voarain` ny Ceni avy amin`ny filankevi-panjakana momba ny fifanolanana tamin`ireo kandidà tamin` ny fifidianana kaominaly farany teo.Etsy andaniny, hamoaka ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà loholona afaka hifaninana ny eny Alarobia ny 29 oktobra izao. Miisa 14 izy ireo raha ny voarain’ny eny anivon’ny Ovec.Synèse R. L’article Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra a été récupéré chez Newsmada.

Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be
28/10/2020

Le ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie vient de publier une note, dans laquelle il est affirmé que les sanctions tomberont, dans les prochains jours, pour les Taxi-Be qui ne respectent pas les gestes-barrière. La reprise des transports en commun et surtout des bus, est le synonyme du retour à la normale à Antananarivo. L’état d’urgence sanitaire étant levé, tout le monde peut désormais vaquer à ses occupations et prendre les fameux Taxi-Be. Néanmoins, le coronavirus est toujours là et le non-respect des gestes-barrière peut favoriser sa propagation. Aussi, le ministère des Transports et le département de la Santé publique recommandent à tous de toujours appliquer les gestes-barrière (port de masque, distance physique d’un mètre, le lavage fréquent des mains, etc.), et pour les responsables des véhicules de transport en commun de ne pas utiliser les strapontins. Etant donné que ces indications ne sont pas toujours suivies, «les deux ministères vont procéder très prochainement à un contrôle, et des sanctions vont tomber pour ceux qui osent défier les recommandations », met en garde la note du MTTM. Réalité. La réalité est qu’une grande partie des habitants de la capitale prennent le Taxi-Be pour leurs déplacements quotidiens. Les bousculades ne sont pas rares en raison de la forte demande et le manque de professionnalisme des chauffeurs et des aide-chauffeurs. Ce qui fait qu’à bord des Taxi-Be, du moins ceux qui échappent à la vigilance des policiers de la route, le nombre de places recommandé (18 dans la plupart des cas) n’est pas toujours respecté. Néanmoins, certains transporteurs font l’effort de calmer les ardeurs des passagers pressés de rentrer chez eux, tandis que d’autres se focalisent sur la recette et embarquent plus de personnes qu’il n’en est permis. Est-ce que cela favorise la propagation de la Covid-19 ? Certainement oui, mais depuis la première vague de confinement, une partie de l’opinion ne s’en inquiète plus. Ce qui pousse les deux ministères à effectuer des contrôles pour le respect des gestes-barrière. Ligne régionale et nationale. Le ministère des Transports et l’Agence des Transports Terrestres ont déclaré que le nombre des passagers par banquette revenait à la normale pour les lignes régionales et nationales, conformément à celui indiqué dans la licence d’exploitation. Toutefois, les grosses marchandises qui peuvent gêner ou représenter un danger ne sont pas autorisés dans les voitures de transport en commun. En plus de cela, les carnets de bord et tous les documents relatifs au voyage doivent être expédiés sous format XML au MTTM et à l’ATT par les gérants des stations, ceci dans un délai de un jour après le départ de chaque véhicule. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Transport en commun : Vers un contrôle du respect des gestes-barrière dans les Taxi-Be a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – Fihibohana any Frantsa: mangataka hanemorana ny lalaon’ i Barea sy ny Elefanta i Dupuis
30/10/2020

 Mandalo fotoan-tsarotra ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao, satria miverina mihiboka indray ny any Frantsa ka tsy ho afaka hamonjy ny ekipam-pirenena malagasy ireo mpilalao mipetraka any. Miteraka olana goavana ho an’ny baolina kitra afrikanina sy maneran-tany mihitsy ny fiverenan’ny fihiboana ho an’i Frantsa. Anisan’ireo voakasik’izany ny Barea de Madagascar, hiatrika tsy ho ela ny lalao mandroso, hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Fihaonana, hikatrohana amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire, ny 14 sy ny 17 novambra ho avy izao. Manoloana izany, nanao fangatahana ny amin’ny tokony hanemorana ny lalao i Nicolas Dupuis, ary nandefa filazana any amin’ny federasiona lalagasy (FMF) hitady vahaolana amin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf).Saika milalao any Frantsa avokoa mantsy ny 75 isan-jaton’ireo mandrafitra ny Barea de Madagascar. Efa nidinika momba izany ny federasiona ankehitriny ary handefa taratasy any amin’ny Caf. Tsy ny Barea de Madagascar irery no firenena tratr’ity olana goavana ity fa saika ireo ekipa goavana aty Afrika, ao anatin’izany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Heno anefa fa tsy manaiky io fanemorana angatahin’ny Malagasy io ry zareo Ivoarianina satria vitsy ihany ireo mpilalaony no ao Frantsa.Heverina kosa fa tokony hisy ny marimaritra iraisana satria efa nanao fangatahana fanemoran-dalao ihany koa ny federasiona ivoarianina (FIF), ho an’ny lalao mandroso, tokony hotanterahina ny 12 novambra ho avy izao.Miandry ny ho valin-teny avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra izany ny rehetra mahakasika ity tranga mahazo ny baolina kitra malagasy sy maneran-tany ity. Tsiahivina fa mihiboka hatramin’ny 1 desambra ho avy izao ny any Frantsa. Raha ekena izany ny fanemorana ny lalao, any amin’ny tapatapaky ny volana desambra vao ho raikitra indray ity lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ity.  Tompondaka L’article Kitra – Fihibohana any Frantsa: mangataka hanemorana ny lalaon’ i Barea sy ny Elefanta i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
28/10/2020

Karate : Hitohy anio ny fampiofanana ireo ankizy voafantina ho isan’ny hisafidianana, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kata en ligne, sokajy latsaky ny 14taona. Hotanterahina amin’ny 13 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao izany. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifampizarana voalohany nomen’ireo teknisiana avy amin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga, ho an’ireo ankizy ireo.Dirigeants sportifs : Taorian’ny fampiofanana teto Analamanga sy Boeny, mikasa hanohy izany any amin’ny faritra Vakinakaratra indray ny eo anivon’ny Komity Olympika Malagasy. Isan’ny andrasana hatrany ny ho fandraisana anjara ho an’ireo vehivavy mandritra izany, izay tena hanentanan’ny eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympika(CIO) izany.Nangonin’i Mi RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Asief: hisy ny hetsika manomboka ny 16 novambra izao
30/10/2020

 Araka ny efa nampanantenain’ny filohan’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love), hanomboka ny 16 novambra izao ilay hetsika karakaraina eto Antananarivo ho solon’ny fifaninanana nasionaly, tsy tontosa ny volana oktobra teo. Fifaninanana isaky ny taranja ny hitranga manomboka amin’io fotoana io. Tsy hifanerena, hoy i Jhone Love, ity hetsika ity fa miankina amin’ny fahafahana isaky ny minisitera ny hanaovan’izy ireo izany na tsia. Mety haharitra fotoana maro ity hetsika ity satria samy hanana ny andro mahamety azy ny taranja tsirairay fa fanombohana ihany ny amin’ny 16 novambra izao. Efa maro ny mpiasam-panjakana avy amin’ny minisitera tsirairay handefa solontena amin’ity hetsika ity.Marina fa hetsika natokana ho an’ny eto Antananarivo ihany ity fifaninanana isaky ny taranja ity, na izany aza, tsy nanadino ny nanentana ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra ihany koa ny filohan’ny Asief, i Jhone Love, mba samy hihetsiketsika. Tsy hatao handalo fotsiny akory ity taom-pilalaovana ity fa tokony hisy ny zava-bita isaky ny faritra tsirairay.Mi.RazL’article Asief: hisy ny hetsika manomboka ny 16 novambra izao a été récupéré chez Newsmada.

Fifidianana filohan’ny CAF: manohana an’i Ahmad ireo filohan’ny federasiona miisa 46
26/10/2020

Miankina amin’i Ahmad sy ny fahavononany sisa ny rehetra na mbola tapa-kevitra ny hirotsaka hofidina ho filohan’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf) indray ny tenany na tsia. Fantatra mantsy fa filohana federasiona miisa 46 amin’ireo 54 mpikambana no efa nilaza fa hanohana azy indray amin’ity ary miantso ny filatsahany ho amin’izany toerana izany.Efa nosoniavin’ireo mpitantana avy amin’ny faritra enina aty Afrika ny taratasy fanohanana an’i Ahmad io. Marihina fa hatreto, tsy mbola nilaza na ho kandidà ny tenany na tsia. Izy rahateo, nanambara fa mbola haka hevitra amin’ireo fianakaviamben’ny baolina kitra afrikanina aloha.Tsiahivina fa hifarana amin’ny 12 novambra ho avy izao ny fe-potoana farany fahazoana mametraka ny taratasy filatsahan-kofidina. Hatreto, tsy mbola misy kandidà, na iray aza, nanao fanambarana ofisialy, ny amin’ny maha mpifaninana azy.Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Rabat, Maraoka, ny 12 marsa 2021, ity fifidianana ho filohan’ny Caf ity. TompondakaL’article Fifidianana filohan’ny CAF: manohana an’i Ahmad ireo filohan’ny federasiona miisa 46 a été récupéré chez Newsmada.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina
28/10/2020

 Hentitra ary nahitsy. « Tsy mankato ary tsy hankatoa na oviana na oviana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana ny eglizy katolika », hoy ny eveka mpanampy eto amin’ny arsidiosezin Antananarivo, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, omaly. Nohamafisiny ny nambaran’ny kardinaly, Tsarahazana Desiré, afakomaly momba izany.  Nanteriny fa hevi-diso no nandikan’ireo mpikirakira ny serasera avy any ivelany ny teny « espagnol « nanehoan’ny papa Fransoa ny fanehoan-keviny ka niteraka izao resabe izao. Namintinany izany ny tsy fankasitrahana tanteraka izany tranga mifanohitra, tsy araka an’Andriamanitra izany. « Ny katolika tsy mankato ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana nefa kosa tsy manilika ny olona, miaina ao anatin’ny tranga fahasarotana tahaka izao », hoy izy. Mbola hanamafy izany koa ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon eny Amboara, ny asabotsy izao, amin’ny fanamasinana pretra.Synèse R.L’article Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina a été récupéré chez Newsmada.