Fiatrehana CEPE: notolorana fitaovam-pianarana ireo ankizy kamboty

News - Fiatrehana CEPE: notolorana fitaovam-pianarana ireo ankizy kamboty

News - Fiatrehana CEPE: notolorana fitaovam-pianarana ireo ankizy kamboty

Fikambanana tsara sitrapo tsy
manaiky nitonona anarana eto Toamasina ny hany nitondra fanampiana
ho an’ireo ankizy beazina etsy amin’ny ASPE (Association
sauve-garde pour la protection de l’enfance) etsy Betainomby –
Toamasina suburbain, ny alatsinainy maraina teo. Ankizy
mpianatra 21 mianadahy hiatrika ny fanadinam-panjakana  CEPE,
anio talata 15 septambra, ireto notolorana fitaovana ireto.

Raha hiverenana, ankizy tsy misy
mpiahy eny anivon’ny fiarahamonina ary alefan’ny fitsarana
eny  amin’ny ivontoerana fitaizana ankizy mania ireo beazina
ao amin’ny ASPE. Tsy nitazam-potsina azy ireo, araka izany, ilay
fikambanana tsara sitrapo fa nitondra izay voatsirambin’ny tanany
ahafahan’ireo ankizy ireo miatrika am-pitoniana CEPE.
Marihina fa miisa 7 428 ny mpianatra voasoratra anarana hiatrika ny
fanadinam-panjakana CEPE
eto Toamasina anio, mitsinjara amin’ny efitranom-panadinana miisa
19. Mpianatra manana fahasembanana amin’ny fahitana ny roa
amin’ireo, ny dimy kosa, manana fahasembanana amin’ny fihainoana sy
ny fitenenana. 7 taona kosa ny zandriny indrindra raha 35 taona ny
zokiny.

Sajo

Article tiré de Newsmada

L’article Fiatrehana CEPE: notolorana fitaovam-pianarana ireo ankizy kamboty a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

The Weekend Festival: « Tohizana hatrany ny hetsika tahaka izao »

Anisan’ny hetsika goavana notontosaina, ny faran’ny herinandro teo, ny « The Weekend Festival ». « Navitrika ny olona. Nahitana ny sokajin-taona rehetra (ankizy sy tanora ary olon-dehibe) … Afa-po izahay mpikarakara… Hotohizana ny hetsika tahaka izao hanomezana fahafaham-po ny olona… », hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Ivenco, nikarakara ny « The Fweekend Festival” tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Imahamasina.Raha ny tazana teny an-toerana, anisan’ny nahasarika tanora maro ny filalaovana sy ny fifanintsanana teo amin’ny « jeu vidéo ». Toraka izany ihany koa ny fampisehoana an-tsehatra nahitana ireo mpiangaly ny rock, ny rap, ny « variétés », sns. Anisan’ny tazana teny an-toerana ihany koa ry zareo mpiangaly hiragasy.Tafa fohy nifanaovana amin’ireo mpankafy zavakanto tonga teny Imahamasina ny nilazan’izy ireo fa « miandrandra ny ho tohin’ny hetsika izahay ka ao anatin’izao fialan-tsasatra lehibe izao ny hanatanterahana izany ».HaRy RazafindrakotoL’article The Weekend Festival: « Tohizana hatrany ny hetsika tahaka izao » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana

Mifanome fotoana, ao amin’ny Studio Rary ao amin’ny Tahala Rarihasina etsy Analakely, indray ireo matihanina amin’ny soradihy sy ireo rehetra mankafy sy liana amin’izany, androany. Ity ny fotoam-panokafana ny « Labdihy » andiany fahavalo, hetsika novolavolain’i Ariry Andriamoratsiresy ary tontosaina isaky ny roa taona.Miavaka amin’ireo hetsika mahakasika ny dihy ankehitriny ny « Labdihy », izay sehatra iray hanomezan’ny tsirairay, ireo matihanina amin’ny soradihy, ny aingam-panahiny sy ny talentany ary ny teknikany, ahafahana mamoaka zava-baovao. « Labdihy » na laboratoara ho an’ny dihy, fotoana natao hanaovana fikarohana.Miompana amin’ny hoe “Ny fetra sy ny faritra eo amin’ny seha-javakanto samihafa” ny lohahevitra amin’ity andiany fahavalo ity. Ankoatra ny tanora mpanao soradihy eto an-toerana, maromaro ireo vahiny namaly ny antso, toy ny avy any Maorisy, Mozambika ary Rodrigues.Aorian’ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina, hitohy eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina etsy Mahamasina sy ao amin’ny IFM etsy Analakely ny fifanakalozana sy fikarohana hataon’ireo mpanao soradihy, hatramin’ny 24 aogositra izao.Landy R. L’article « Labdihy »: manomboka androany ny fikarohana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Affaire mutinerie de Farafangana : nécessité d’une enquête approfondie

23 morts et 8 blessés graves. Le bilan de la traque des détenus qui se sont évadés de la prison de Farafangana est particulièrement lourd. On ne peut que déplorer cette hécatombe qui jette un voile sur la manière dont les forces de l’ordre ont rétabli la situation. Les défenseurs des droits de l’homme sont, à bon droit, montés au créneau pour dénoncer cette répression sanglante. Les réseaux sociaux se sont fait l’écho de cette reprise en main et ont insisté sur ce résultat macabre de la réduction d’une mutinerie dont on ne connaît pas les tenants et les aboutissants. Les questions qui se posent sont nombreuses et on attend qu’une enquête approfondie soit faite sur cette affaire qui risque de jeter le discrédit sur nos autorités pénitentiaires et, par ricochet, sur notre pays. Affaire mutinerie de Farafangana : nécessité d’une enquête approfondie Dans notre système carcéral, qui n’est pas exempt de reproches et qui a souvent eu à gérer des situations critiques, jamais il n’y a eu de répression aussi sanglante dans la gestion d’une évasion. L’observateur de cet incident ne peut que déplorer ce nombre de morts qui est particulièrement élevé. La représentante du sénat au sein de la commission nationale indépendante des droits de l’homme (CNDIH), Mme Matavimana Ravao Géorgine, a noté, à raison, « qu’il s’agissait d’une utilisation abusive et disproportionnée des armes ». On ne peut que se demander comment ont été menées les opérations de récupération de ces détenus. Ces derniers présentaient-ils un danger véritable pour ceux qui les poursuivaient et étaient armés ? On a l’impression, vu de l’extérieur, que le feu a été ordonné sans discernement. L’opinion est en droit de savoir ce qui s’est réellement passé. Une enquête va certainement être diligentée pour connaître exactement les circonstances dans lesquelles ont opéré les forces de l’ordre. Les autorités judiciaires devraient la mener de manière approfondie et sans ménagement aucun. Patrice RABE L’article Affaire mutinerie de Farafangana : nécessité d’une enquête approfondie est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Affaire mutinerie de Farafangana : nécessité d’une enquête approfondie a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Fanafihana mpivarotra

Notafihin’ny lehilahy efatra nirongo basy ny mpivarotra iray teny Anosibe, ny sabotsy tolakandro lasa teo. Voaroba tamin’izany ny vola mitentina dimampolo tapitrisa ariary. Misy lehilahy iray voasambotry ny zandary ahiana ho anisan’ireo mpanafika. Mitohy ny fanadihadiana hitadiavana ny namany. L’article Fanafihana mpivarotra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Harena an-kibon’ny tany: sarihina ny mpampiasa vola amerikanina

Noraisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), Ravokatra Fidiniavo, omaly 6 mey, ny masoivohon’i Etazonia, miasa eto amintsika, SEM Michael Pelletier. Notsorin’ity ambasadaoro ity, fa tsapany ny ezaky ny filoham-pirenena sy ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Nampirisihiny ny tsirairay hanohy izany, ho antoka ho an’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ireo mpampiasa vola vahiny sarihina ho avy aty Madagasikara.Fiarovana ny tontolo iainanaHo an’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, firenena fitaratra i Etazonia amin’ny lafiny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara. Tsy maintsy mandroso isika, ary hampitomboina ny ezaka mba hanatsara ny endrik’i Madagasikara, hisarihana ny mpampiasa vola vahiny.Nohamafisin’ny masoivoho amerikanina, ny hanohanany ny fiarahamiasan’ny firenena roa tonta, tsy ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany koa fa indrindra ny fiarovana maharitra ny tontolo iainana. Tsiahivina fa efa maharitra 150 taona ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Etazonia.Njaka A.L’article Harena an-kibon’ny tany: sarihina ny mpampiasa vola amerikanina a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Fahatongavan’ny mpifindra monina: mahazo vahana ny halatra omby ao Andranomiditra  

Anisan’ny olana nitranga niaraka amin’ny fahatongavan’ny mpifindra monina ao anatin’ny faritra manodidina ny valanjavaboary ao Ankarafantsika ny tsy fandriampahalemana, araka ny fanazavan’ny sefo fokontany ao Andranomiditra, Lebizandry Richard, kaominina Tsaramandroso, distrikan’Ambato Boeni. Ny taona 2013,  nanomboka tonga tsikelikely ireo mpiavy, namboly, efa-taona taty aoriana vao nanao be fiavy. Anarivony izy ireo ankehitriny miparitaka amin’ny tokantrano anjatony. Ny tena olana rehefa mafanafana ny fanenjehana ny fandripahana ala ataon’ izy ireo, lasa mody any aminy aloha ireo mpifindra monina. Mandeha andiany izy ireo rehefa mamboly ary manana fitaovana toy ny pilotra sy antsy lava ka matahotra azy ireo ny mponina ao Andranomiditra. Ny volana oktobra sy novambra ireo mpiavy no tonga mamonjy ny atiala mamboly sy manao arina fandrehitra. Tsy misy azon’ny mponina mivelona manodidina ny ala atao fa mitazam-potsiny.Nanomboka ny taona 2017, nirongatra ny halatra omby ao anatin’ny fokontany, tsy latsaky ny 70 ny omby very nefa talohan’izay, tsy nitrangna fahaverezana, tahaka izany, hoy ny nambaran’ny sefo fokontany ihany. Ny volana marsa lasa teo, omby dimy indray no nisy nangalatra. Mangataka ny hametrahana poste avancé ao anatin’ny fokontany izy ireo satria toerana saro-dalana Andranomiditra ka betsaka ny mpanararaotra. 186 tafo no mandrafitra ny fokontany izay mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Fantatr’izy ireo ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny atiala. Miaro ny rano, ny ala ary manampy amin’ny fiveloman’ny vahoaka.Mangataka CSB ny mponina Manana EPP tokana ny fokontany ka rehefa afaka fanadinana BEPC tsy maintsy mandeha any amin’ny kaominina Tsaramandroso. Rehefa misy mpiteraka ka voatery mandeha hopitaly noho ny hamehana, entina sarety amin’ny lalana 17 km ilay vehivavy mamonjy an’i Tsaramandroso ihany koa. Mangataka ny hanorenana CSB amin’ny fitondrana ny mponina fa sahirana rehefa tojo tsy fahasalamana, indrindra rehefa fahavaratra. Hahatsara ny fambolena, tokony hamboarina ny tohodrano hanondraka ny voly sy hikarakarana ny biby fiompy. Nitondra ireo fitarainana ireo tamin’ny tale jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny Madagascar national Parks, dokotera Rakotoarijaona Mamy ny sefo fokontany ,nandritra ny fidinana ifotony nijery ny olana amin’ny fandripahana ny ala.Vonjy A. L’article Fahatongavan’ny mpifindra monina: mahazo vahana ny halatra omby ao Andranomiditra   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hentitra ny filoha Rajoelina: « Hosazina sy horoahina ny mpitsara manao kolikoly »

Mba tsy ho resabe fotsiny. Nihaona tamin’ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ny mpitsara (CSM) ny filoha Rajoelina, omaly teny Ambohitsorohitra. Hentitra ny tenany nanoloana azy ireo. “Tsy ekeko ny mpitsara mitanila. Tsy olom-bitsy no hampahory vahoaka ka tsy hampisy filaminana eto. Aoka izay ny namanamana. Ambany lalàna ny mpitsara. Hosazina ary horoahina ireo mpitsara manao kolikoly”, hoy ny filoha. Nambarany ho anton’ny fihaonana ny hanatsarana ny tontolon’ny fitsarana. Nanteriny fa ilaina ny fitsarana itokian’ny vahoaka ary lavitry ny kolikoly. “Betsaka ny fitarainana avy amin’ny vahoaka tonga aty amiko momba ny fitsarana. Miadana loatra ny asan’ny fitsarana. Marobe ireo naiditra vonjimaika am-ponja nefa tsy mbola  voatsara”, hoy ihany ny filoha. Nohitsiny fa maro ireo manana ny rariny nefa resy eny amin’ny fitsarana.Tsy matoky mpitsara ka manao fitsaram-bahoaka… Tsy matoky ny mpitsara ny olona ka lasa manao fitsaram-bahoaka. Tsy hilamina ny tany raha tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny fitsarana, araka  ny  fanamafisany. Manoloana izany, nambarany fa haverina ny hasin’ny CSM hanana ny tena asany, ny andraikiny. Hapetraka ny sivana ka tokony hitantana ny rafi-pitsarana rehetra ny mpitsara  mendrika. Nomeny toromarika koa ny  CSM mba hanaovana fanadihadiana ireo fitarainan’olon-tsotra fa tokony hisy tohiny  avokoa ireny. Nambaran’ny filoha fa hatao matetika ny fihaonana, tsy hitanila ny asa atao ary ilaina ny fitsarana marina eto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Hentitra ny filoha Rajoelina: « Hosazina sy horoahina ny mpitsara manao kolikoly » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Finoana katôlika eto Antananarivo :: Ho fantatra aorian’ny 14 septambra ny fisokafan’ ny fiangonana

Tsy misy ny vaovao ofisialy momba ny fiverenan’ny fisokafan’ ireo fiangonana katôlika na tsia eto amin’ny Diosezin’ Antananarivo. Hivory, amin’ny 14 septambra 2020 ireo pretra rehetra eto Antananarivo, ka amin’io fotoana io no handinihana ny raharaha samihafa izay hanapahana ihany koa ny fisokafan’ireo fiangonana indray. Manome lanja hatrany ny fitsinjovana ny olona, indrindra ny fahasalamana, ao anatin’izao vanim-potoanan’ny valanaretina izao ny finoana katôlika. Maro ireo fepetra mila arahina hahafahana mamoha indray ny varavaran’ny fiangonana ho an’ny mpino ho an’ny fiangonana katôlika no asian-teny. Hentitra ny Vikera jeneraly Monsenera, Rabenatoandro Ludovic, raha nanambara fa miandry fandaminana ny fiverenan’ny lamesa isaky ny alahady any am-piangonana. Manan-kery hatrany ny taratasy nalefan’ny Arsevekan’Antananarivo, tamin’ny volana jolay. Manankina amin’ireo Vikera episkopaly miaraka amin’ny mompera sy ny filankevitra rehetra ny firesahana amin’ireo manampahefana isan-tsokajiny, toy ny ben’ny tanàna, ny sefo distrika, ny polisy na ny zandary ny amin’ny hahafahana manokatra na tsia ny fiangonana araka izay zava-misy any an-toerana ny votoatin’io taratasy io. Mitohy hatrany kosa ny fiaraha-miasan’ny fiangonana amin’ireo fahitalavitra maromaro ny amin’ny fandefasana lamesa ampitaindavitra sy ny fizarana ny tenin’ny Soratra masina ao amin’ny pejy “Facebook” sy aterineto « Katôlika Malagasy ». L’article Finoana katôlika eto Antananarivo :: Ho fantatra aorian’ny 14 septambra ny fisokafan’ ny fiangonana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Misy tranga Coronavirus efatra ao Ihosy: tsy ampy ny tahirim-panafody hitsaboana

Manao antso amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny mpiandraikitra ny fahasalamana any amin’ny faritra Ihorombe handefa haingana ny anjara fanafody ho an’ny distrika rehetra ao anatiny hitsaboana ny olona mararin’ny Covid-19. Efatra ny tranga voatily fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus ao anatin’ny distrikan’Ihosy, roa tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ihosy fa ny roa kosa, any Fianarantsoa no karakaraina. 81 ny tranga ahina satria nifampikasoka tamin’ireo efatra marary ireo. Tsy ampy ho an’ireo rehetra mihiboka any an-trano ny tahirim-panafody ka voatery hampividy izany ny mpitsabo tomponandraikitra any an-toerana. Manomboka avy hatrany ny fitsaboana ho an’ny tranga mampiahiahy rehetra mitoka-monina nefa ireo marary miditra hopitay ihany no mahazo maimaimpoana fanafody amin’izao fotoana izao. Nandefa tatitra aty amin’ny minisitera foibe ny mpitantana ny fahasalamana sy ny CRCO ka miandry fandraisana andraikitra izy ireo manoloana ny valanaretina.Vonjy     L’article Misy tranga Coronavirus efatra ao Ihosy: tsy ampy ny tahirim-panafody hitsaboana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FIEZAHANA AMIN’NY FIAINANA :: Tovovavy voatefin’ny fahoriana sy ny sedra maro

Vao 14 taona monja rakotonindrina fanjaniaina, saingy efa vory saina tsara, no nindaosin’ny fahafatesana ny rainy. Nangidy ny fisarahana ary nahaketraka azy. Ankoatra io, nandalo sedra maro ihany koa izy kanefa tsy nataony nahakivy izany fa vao mainka aza nampitraka azy izany. Nanefy azy izany ka nahatafita azy ankehitriny. “Hikarakara ny vady aman-janak’ireo voafonja aho”, hoy ny fanambiny. Nanomboka teo amin’ny fahazazany dia efa nisedra fahoriana tsy roa aman-tany Rakotonindrina Fanjaniaina, izay 24 taona ankehitriny. Nindaosin’ny fahafatesana mantsy ny rainy, teo amin’ny faha-14 taonany. Tao anatin’izay folo taona izay dia tsy nitsahatra ny nisedra fahasahiranana maro ny tovovavy. Teo ny saika nialany tamin’ny fianarana. Manginy fosiny ny fahadisoam-panantenana teo amin’ny fiainam-pitiavana. Tsy nampihemotra azy ary niezaka ny nitsambikina izany sedra maro izany anefa izy. Vao mainka aza nampirisika azy hisondrotra hatrany izany. Natontony tao amin’ny sehatry ny fianarana avokoa ny ainy iray manontolo. Nody ventiny izany taty aoriana satria mianatra sady miasa any ivelan’i Madagasikara, any Frantsa, izy ankehitriny. Tsaroany anefa fa isan’ireo sahirana tamin’ny fisafidianana ny asa ataony rahatrizay lehibe ity tovovavy ity, tany am-pianarana. “Baraingo tamiko izany hoe asa hatao rehefa lehibe izany, tany am-pianarana”, hoy Rakotonindrina Fanjaniaina. Mitantara sy mizara ny fiainany sy ny tsy nahakivy azy izy. Tso-piainana sy fitafy Tovovavy tsotra fiaina sy fitafy ary fiteny Rakotonindrina Fanjaniaina. Lehibe tao Mandikanamana Antsirabe izy ary manana mpiray tampo telo. Mitovy amin’ny an’ny rehetra ihany ny fahazazany, be lalao miaraka amin’ireo namany. Tsy mody an-trano ihany koa raha tsy alain’ny Neny na i Dada, indraindray miaraka amin’ny tsora-kazo mihitsy. Nanomboka nahatsapa ny ngidin’ny fiainana izy teo amin’ny faha-14 taonany rehefa nodimandry ny rainy. Na mbola zaza aza dia nisedra ny mafy sahady i Fanjaniaina. Nisy fiantraikany mafy teo amin’ny fianarany io tsy nahateo intsony ny rainy io. “Tamin’ny kilasy fahefatra aho no saika handao sekoly ka tsy hiverina intsony. Nieritreritra ihany anefa aho ka tapa-kevitra fa hanohy hatramin’ny kilasy famaranana mba hanana ny mari-pahaizana Bakalôrea”, hoy izy. Nifanindran-dalana teny ihany koa ny fitiavana.Vao mainka nandrisika azy hilofo hianatra ny fahadisoam-panantenana nahazo azy. Nilofo nianatra Naleony nanatontona ny ainy iray manontolo tamin’ny fianarana noho izany sedra isan-karazany izany. Niditra tamina oniversite iray lehibe tany Antsirabe izy, ny taona 2013. Nanahirana azy indray teo ny nisafidy lalam-piofanana harahiny. Farany dia irony mikasika ny fahandroana sakafo irony no nataony. “Olona tsy mba tia izany aho taloha. Tany amin’ny lisea, ny namana efa mahafantatra daholo izay hanohizany ny fianarany fa ny ahy dia baraingo hatrany. Teo vao nanome soson-kevitra ahy ny zaodahiko, izay mpahandro sakafo, ny mba hanaovako asa toy ny azy”, raha ny fitantaran’ i Fanjaniaina hatrany. Voalazany fa tsy nanenenany ny niroso tamin’io. Malahelo tsy mahatelin-kanina Mbola tohin’ny holatr’ireo fitsapàna nankarary ny fony, dia nitady lalana hisintahana kely an’i Madagasikara mihitsy Rakotonindrina Fanjaniaina. Niova rivotra mba hanadinoana ny hamafin’ny lasa sy hibanjinana ny ho avy ny tovovavy. Nandeha niampita any andafin’ny riaka, any Frantsa izy, roa taona izao, ary tsy mbola niverina teto an-tanindrazana. “Sady mianatra aho aty no miasa. Mipetra-drery ihany koa”, araka ny nambarany. Faly sahirana be ihany ity tovovavy ity raha namboraka ny fiainany any an-tany lavitra any. “Henjana ilay mirotoroto lava manenjika ora. Zara no mba ao an-trano isan’andro. Na izany aza, mahafinaritra ihany”, hoy indray izy. Matetika, tsy mahatelin-kanina izy noho ny alahelo ny aty Madagasikara. Misy fotoana manin-te hody mafy. Ny “internet” no hanalany ny alahelony sy mahavarim­bariana azy, raha ny fanazavany. Voafonja Anisan’ny mankarary ny fon’i Fanjaniaina ny mahita ny mpiara-belona aminy sasany sahirana ara-pivelomana. Amin’ny ankapobeny anefa, hoy izy, ny toe-tsaina no mampahantra. “Ohatra amin’izany ny hakamoana sy ny fanaovana ariary zato am-pandriana. Ny fiankinan-doha amin’ny hafa dia mahatonga ny olona tsy hiezaka ihany koa”, araka ny fahitan’ity tovovavy ity ny fiainan’ny fiarahamonina malagasy. Tsy izany anefa no atao hahakivy. Tanjon’ity tanora tovovavy ity rahateo ny hifanampy sy hifanome tanana amin’ny sahirana. “Ny fanambiko rahatrizay dia ny hikarakara ny vady aman-janak’ireo voafonja. Hanamboatra toerana hahafahan’izy ireny manorina fiainana sy fivelomana ara-dalàna aho”, hoy Rakotonindrina Fanjaniaina, nanamafy ny hambom-pony. L’article FIEZAHANA AMIN’NY FIAINANA :: Tovovavy voatefin’ny fahoriana sy ny sedra maro est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy
24/09/2020

… Satria voizina mafy any ivelany ny fandikan-teny, roboka ihany koa ny Malagasy. Raisina ho zava-dehibe ny momba azy io hany ka maro ny petatoko ao anatiny. Mety hitarika any amin-javatra hafa mihitsy anefa izay…Efa tsy finiavana hampivelatra ny teny malagasy irery intsony kosa ny manosika ny mpikaroka sasany fa fahamaizana ny haka tahaka befahatany ny any ivelany. Lasa laharam-pahamehana ho an-dry zareo ireo ny hampitovy ny teny malagasy amin’ny teny vahiny. Anaran-javatra mipoitra avy any ivelany, hezakezahina fatratra ny handika azy amin’ny teny malagasy. Hany ka nogasigasina befahatany ny “radio” ka nanjary “vata fandraisam-peo”, “vata fandefasam-peo”, “fampielezam-peo”, sns. Teraka avy amin’izany ny “tantara filalao an’onjampeo”, sns.Rehefa avy manao fandikan-teny petatoko tahaka izao ireto ampahana mpikaroka ireto dia miteny fa “azo hnaporofoana fa velona sy miaina ny teny malagasy” io voambolana na anarana vaovao io. Azo lazaina ho velona sy miaina ve ny teny malagasy raha rakotra voambolana na anarana, sns, vaovao kanefa tsy mifanaraka amin’ilay tondroina akory ireny voka-pamoronana ireny?Mahavariana fa mitazam-potsiny ny hafaMateti-pitranga eo amin’ny fandikan-teny eto Madagasikara ihany koa ny fipoiran’ny voambolana vaovao avy any amin’ireo tsy mahafehy akory ilay sehatra. Ny mahavariana anefa, toa mitazam-potsiny fa tsy mba manao fanitsiana ireo izay tokony hanao izany. Misy aza moa, vao mainka indray miventy isak’izay mahatsiahy ireny teny na voambolana petatoko ireny. Hatramin’izao, mbola heno matetika any amin’ny radio, ohatra, ny :“Araka ny teny baiko”, “hanatanteraka varavarana misokatra”…Lany fotoana sady lany rondoha no lany vola aman-karena amin-javatra hamotika ny teny malagasy ireo mpikaroka sy ireo miravaka diplaoma sasany. Ny hafa indray, voan’ny fandraikiraikena ka tsy afaka na tsy sahy manitsy akory ireo voambolana na teny vaovao sadasada. Ahoana ny mety hiafaran’ity teny malagasy ity?… Ireo mpikaroka vahiny no nilaza fa “porofo hanamarinana fa velona sy miaina ny teny iray ny fananany teny (voambolana, anarana…) vaovao”… Raha tsy mitandrina, mety hitarika any amin’ny fahapotehan’ny teny malagasy tanteraka ny tranga tahaka ireo satria hanamaivana ny lanja aman-kasin’ny teny malagasy. Tsy zava-baovao io fa paikady napetraky ny vahiny hatry ny ela.HaRy RazafindrakotoL’article Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy
24/09/2020

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.

Tena mbola mila mitandrina amin’izao …    
17/09/2020

         Efa vita ve ny ady amin’ny  fihanaky ny valanaretina covid-19 amin’izao? Maro ny manao antsirambina fa tsy miambina intsony amin’ny fanohizana ny fanajana manontolo sy amin’ny antsipiriany ireo fepetra ara-pahasalamana amin’izany. Misy, ohatra, ny tsy manao arotava eny an-tsena, an-dalambe… efa tsy misy izay fanajana ny elanelana iray metatra rahateo hatramin’izay. Hanao ahoana?Mbola ahina ny mety hiverenan’ny valanaretina amin’ny tampody fohy tsy ampoizina, sanatria. Tsy lavina, tsy mitsaha-mihena, ohatra, ny isan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina coronavirus. Miara-dalana amin’izany, mitombo hatrany koa ny isan’ny marary sitrana tsy mamindra intsony. Toy izany koa ny isan’ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Mahomby ny ady?Na izany aza, saika mbola misy ihany ny lavo. Ady aman’aina tsy vita ho azy amin’izao izay. Efa toy ny hoe resy tosika iny ny fahavalo iombonana… tsy hita maso, matoa manao antsirambina sy tsy miambina ny sasany? Mbola eny ho eny ihany ny tsimokaretina, matoa misy hatrany ny tranga vaovao amin’ny fitondrana azy. Eny, na hoe mihavitsy hatrany aza izany: tsy foana na resy tanteraka.Mila mailo sy malina hatrany ny rehetra? Na iza na iza, na aiza na aiza… Tsy mahagaga raha miverina mihenjana sy hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana indray ny mpitandro filaminana amin’izao. Mitohy ny ady. Na any amin’ireo firenen-dehibe aza, misy tratran’izay mitranga mihemotra amin’ny fihibohana izay, fa mivoaka miditra tsinona ny aretina.Na ahoana na ahoana aloha, mila tohizina ny ady; eny, mety ho zary fomba fiaina aza, angamba, raha mbola tsy resy tosika tanteraka io aretin-dratsy io. Toy ny fiatrehana sy fiaraha-miaina amin’ny karazana areti-mifindra hafa manana ny fotoany. Nefa valanaretina vaovao be ihany ny covid-19. Mila havaozina isan’andro ny fiatrehana azy sy ny ady aminy? Izay no itandremana hatrany aloha…Rafaly Nd.L’article Tena mbola mila mitandrina amin’izao …     a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika
24/09/2020

Natao, omaly tetsy Tsaralalana, trano fiasan’ny Madagascar Entreprise Développement (MED), ny fanolorana ny tohana ara-bola ho an’ireo mpandraharaha madinika 100 voafantina tamin’ny tetikasa “Atrika” nokarakarain’ny vondrona MED. 50 000 000 Ar izany tohana izany izay natao indrindra hanohanana ireo mpandraharaha madinika mpikambana ao amin’ny MED, noho ny fahavoazana vokatry ny valanaretina Covid-19. Efa nahazo fiofanana tao amin’ny MED izy ireo. 1 900 ireo nametraka antontan-taratasy tamin’ity tetikasa ity fa ireo 100 ireo no voafantina taorian’ny sivana natao ny 7 sy ny 8 septambra teo. Nisy ny masontsivana napetraka natao laharam-pahamehana tamin’ireo mpifaninana: vehivavy mpikambana ao amin’ny vondrona, olona manana fahasembanana ary mivelona amin’ny sehatrasa tena manakaiky vahoaka.Marihina fa ny IECD (Institut européen de coopération et de développement) no mpamatsy vola tamin’izao tetikasa “Atrika” izao. Miasa amina firenena 15 izy io ka anisany i Madagasikara izay sahanin’ny MED. Mpikambana efa anjatony, amin’izao fotoana izao, ny avondron’ny MED izay efa nanaraka fiofanana tao aminy amina sehatrasa fito, toy ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, ny asa tanana, ny varotra, ny indostria, ny fizahantany…Andry F.L’article Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika a été récupéré chez Newsmada.

Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina
23/09/2020

Araka ny toko faharoa miresaka momba ireo tabataba isan-karazany mety hanelingelina ny fiarahamonina ao amin’ilay “Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana”, mila fehezina ny feo mety hanakotaba ny hafa.Ao amin’ny sokajy fahefatra, andininy faha- 79 momba ny kotaba ataon’ny biby, tsy maintsy mandray fepetra manokana rehetra hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina ny tompon’ny biby. Mila mampiasa amin’ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina sy mafy, toy ny fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala ny toeram-ponenana ny tompony. Voakasik’izany indrindra ny alika.Ao amin’ny sokajy faharoa ny momba ny fampiasana fitaovan-jaridaina maneno mafy. Ireo asa fanamboarana na ny fanaovan-jaridaina ataon’ireo olona manokana amin’ny alalan’ny zavatra na ny fitaovana mety hiteraka fanelingelenana ny manodidina noho ny hamafin’ny feo, toy ny fanapahana ahitra misy motera, ny fanapahana, ny fandavahana, ny fikikisana na ny fanapahana mekanika dia tsy azo atao afa-tsy amin’ireo andro fiasàna, amin’ny 8 ora 30 hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 1 ora 30 hatramin’ny 7 ora 30 hariva. Eo kosa ny asabotsy amin’ny 9 ora hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora hariva.Milaza ny andininy faha-78 fa tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ireo mponina amin’ny toeram-ponenana na ireo miankina aminy mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranony ireo mpiara-monina manodidina, toy ny vata famoaham-peo, ny firaketam-peo, ny fitaovana fandrenesam-peo sy ny fahitalavitra, ny zavamaneno, ny fitaovana maneno, ny fitaovana an-tokantrano sy ireo feo ateraky ny fanaovana kiraro mafy faladia na fanatanterahana asa na kilalao tsy mifanaraka amin’ireo trano ireo.Tatiana AL’article Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

Gadon-kira vaovao – Romeo 3.0 : hivoaka amin’ ny herinandro ny «Jaolahy Be»
19/09/2020

Hiparitaka amin’iny herinandro ambony iny ny rindrantsary (clip) mitondra ny lohateny “Jaolahy be”. Vo­ka­tra vaovao an’i Romeo 3.0 izy ity. Anisan’ny ahitana izany ny ao amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” sy ny “youtube”. Ezahina ny hanaparitahana ny vokatra amina haino aman-jery ho fa­nomezana fahafaham-po ny mpankafy mozika malagasy, araka ny nambarany. Miavaka, araka izany, koa ny sanganasa homena ny re­he­tra satria gadona J-Bal­vin & Wizkid, mbola vitsy mpanao eto Madagasikara izany nefa manana ny hanitra ho azy, araka ny fanazavany hatrany. Anisan’ny ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobet sy ny mozika tropikaly… Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoany amin’ izao ny fiketrehana ny rakitsary hahitana rindrantsary fo­lo eo ho eo ao anatiny, ra­ha ny nambarany hatrany. Ra­ha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa i Romeo 3.0. Marihina fa eo am-pitadiavana ny mpikarakara na ny “manager” ho azy manokana ny tenany ary vonona ho amin’ny fiaraha-miasa rehetra.NarilalaL’article Gadon-kira vaovao – Romeo 3.0 : hivoaka amin’ ny herinandro ny «Jaolahy Be» a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao ara-pirahalahiana :: Mpilalaon’ny Barea dimy tany Ejipta tsy ho any Portigaly
17/09/2020

Rehefa avy natolotry ny mpanazatra nasionalin’ny Barea, Nicolas Dupuis, ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, dia nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika fiofanana sy lalao ara-pirahalahiana amin’i Burkina Faso, any Portigaly amin’ ny 5 – 11 oktobra ho avy izao. Mpilalao dimy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika « CAN 2019 » natao tany Ejipta no tsy voaantso, ankoatra an’i Faneva Ima Andriatsima, izay efa nandeha nisotro ronono. Isan’ireny Rakotondrazaka Ando, Randrianasolo Dieu Donné (Leda), Ramanjary Théodin, Rakotoharimalala Njiva ary Andriamirado Arohasina na i Dax. Raha ny fanazavana dia « ny tsy fisian’ny sidina hahafahan’izy ireo mamonjy an’i Portigaly sy ny olana ara-bola » no antony tsy niantsoana azy ireo. Saika mpilalao avy any Eoropa, Arabia Saodita ary ireo aty amin’ny fari-dranomasimbe Indiana avokoa ireo telo amby roapolo nantsoina, ankoatra an’i Romain Métanire avy any Etazonia. Mbola tsy tena azo antoka ihany koa anefa ny hahatongavan’ity farany, noho ny olana eo amin’ny sidina avy any Amerika. Isan’ireo mpilalao tafaverina ho ao anatin’ny Barea kosa Rambeloson Toavina sy Randriambololona Zotsara, izay efa samy tao saingy tsy lasa tany Ejipta, noho ny ratra nanjo azy ireo talohan’ny dingan’ny fifanintsanan’ny CAN 2019. Saika nantsoina kosa ireo mpilalao efatra vaovao, sambany handrafitra ny Barea, dia i Sylvio Ouassiero, Bastien Charles Patrick Hery, Alexandre François Ramalingom ary Hakim Djamel Abdallah. Hanazarana azy ireo hiara-hilalao amin’iretsy efa taloha no anton’ity lalao ara-pirahalahiana tokana ho an’ny Barea amin’ity taona ity. L’article Kitra – Lalao ara-pirahalahiana :: Mpilalaon’ny Barea dimy tany Ejipta tsy ho any Portigaly est apparu en premier sur AoRaha.

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa
21/09/2020

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany. R.MathieuG20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeaninaPFR*: Pays à faible revenuL’article Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy
23/09/2020

Manomboka mamerina ny mpianatra an-tsekoly tsikelikely ireo sekoly katolika, amin’izao fotoana izao. Notanterahina, omaly, ohatra, ny fidiran’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly Ny Sekolintsika Analamahitsy. Tsy niaraka niditra daholo anefa ireo mpianatra fa nampifandimbiasina isaky ny kilasy izy ireo. Arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina eto amin’ny firenena no fandaminana vaovao hampiharina, hoy ireo tompon’andraikitra. Ny taona fahafito (5ème), fahavalo (4ème) ary fahasivy (3ème) no nisantatra ny taompianarana, omaly. Tsy miverina mianatra kosa, ny tolakandro. Ny taona fahafolo (première) sy ny famaranana indray no mianatra, anio, saingy tsy miverina ihany koa, ny tolakandro. Manomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra ny garabola hatramin’ny taona fahadimy, ny tapany maraina, ary tolakandro ireo amin’ny kilasy hafa. Toy izany hatrany ny fandaharam-potoana napetraky ny sekoly. Misy fandaminana vaovao ho an’ny ambiny, amin’ny 12 oktobra 2020. Tsy maintsy manao aron-tava ny mpianatra rehetra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny. Andraikitry ny talen-tsekoly Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitaleavana nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec), Mompera Ranaivoson Jules fa « hapetraka amin’ireo talen-tsekoly ny fandaminana ny fampidirana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsirairay. Izy ireo ihany no mahita ny isan’ny mpianatra anaty efitrano iray, hoy izy, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana ». Manafatrafatra ny zanany kosa ireo ray amandreny mba hitandrina any an-tsekoly, tahaka ny tsy fanesorana ny aron-tava, ny fanasana ny tanana amin’ny tsiranoka mamono tsimok’aretina foana (ampitondraina ny ankizy), ary ny fitondrana safako ody am-bavafo. « Matahotra mihitsy saingy tsy maintsy alefa ny ankizy. Tokony mba hozaraina efitrano roa ny mpianatra satria efa ho 60 ny isan’ny ao amin’ny kilasy. Roa isaky ny latabatra mantsy izao ry zareo. Rehefa mivory ny ray aman-dreny dia mba handroso an’izany soso-kevitra izany izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray mampiana-janaka etsy Analamahitsy. L’article Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy est apparu en premier sur AoRaha.

Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19
22/09/2020

Niampy roa indray ireo lavon’ny covid-19, tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Diana ireo namoy ny ainy ireo. Tafakatra 225 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa noho mankaty.Etsy andaniny, miisa 12 ireo tranga vaovao ho an’ny eto Analamanga amin’ireo 20 nifindran’ny valanaretina. Avy any Vakinankaratra kosa ny efatra raha iray avy ny avy any Itasy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary avy any amin’ny faritra Boeny.Nihena enina ireo anaty fahasarotana ka miisa 20 izany izao ireo “forme grave”.Na izany aza, miisa 36 ireo sitrana ka anisan’ny maro amin’izany ny avy any Diana, miisa 15. Tafakatra 14 682 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 073. Miisa 1 164 ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo
22/09/2020

Niditra an-keriny avy ao an-damosin’ny trano fivarotana lehibe indrindra ao Ambatosoratra ireo jiolahy. Nikiakiaka ny ankizivavikely iray, zanak’ilay mpivarotra, satria nalain’ireto olon-dratsy ho takalonaina fa tsy nanaiky nanoro ny misy ny vola ity tompon-trano. Nivoaka ny manodidina hamonjy… Tifitra basy no nahazo ilay raim-pianakaviana nivoaka voalohany ka maty! Daroka vatan-kazo no nanjo ny hafa, ny alin’ny alarobia 15 septambra no niseho izay.Endrika faharoa indray no niseho andro vitsivitsy talohan’io. Avy nangalatra omby tao Mangalaza, atsinanan’Ambatondrazaka ireo dahalo ka nandroaka ireo hazany nianandrefana tany Ambohidehilahy no sady nandroba fivarotana. Fotoana tsy ela manodidina izay, halatra omby sy fandrobana trano fivarotana koa no nahazo an’Antanambehivavy, Antanimena.Endrika fahatelo mikasika ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny tato ho ato, ny nitranga tao Ambohidava, tanàna lalovan’ny RN.44, 30km avaratr’io renivohitry ny distrika io. Misy nanamarika koa fa ny dahalo indray izao no mitsoka kiririoka ho filazana fa tonga handroba ry zareo….Fametrahana zandary, ampy isa honina sy ho vonona lalandava no soso-kevitra aroson’Antanimena satria lalan’ny mpitondry omby halatra iny toerana fizaran-tanin’ny distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka iny. Amin’ny ankapobeny, mila mikaroka fomba vaovao ny isan-tanàna, hiarovany ny ainy sy ny fananany, andro aman’alina mihitsy.RarivoL’article Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina
22/09/2020

Nanomboka omaly alatsinainy 21 septambra ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Roland Garros, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Anisan’ireo miatrika ity fifanintsanana ity ireo Malagasy mirahavavy, Andrianjafitrimo Tessah sy Ramialison Irina, saingy tsy mbola voaray ny voka-dalao teo amin’izy ireo. Ankoatra izay, nosembanin-drahona ny fanombohan’ity lalao ity, satria mpilalao dimy no voatery nesorina fa voan’ilay valanaretina “coronavirus”. Rehefa natao ny fitiliana, ny roa tamin’izy ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina fa ny telo kosa tranga fifampikasohana avy amin’ny mpanazatra azy ireo, izay tratry ny “coronavirus” ihany koa.Nanapa-kevitra avy hatrany ny talen’ny fifaninanana fa tsy afaka mandray anjara izy ireo. Nampiharina tamin’izy ireo ny fanokana-monina mandritra ny 7 andro. Tsy nambara kosa ny anarana sy ny fiavian’ireo mpilalao voalaza fa voan’ny “covid 19”, ireo. Tsiahivina fa nahatratra 900 ny fitiliana natao nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Tsy anisan’ireo voan’ny “covid 19” aloha izy ireo ka afaka mifaninana tsara. Haharitra hatramin’ny zoma 25 septambra ho avy izao ity fifanintsanana ity. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hiditra amin’ny fifaninanana ny rehetra, izay haharitra hatramin’ny 11 oktobra, ho avy izao.Ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, ferana ho 5000 isan’andro ihany ny isan’ireo mpijery afaka manatrika ny lalao. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina a été récupéré chez Newsmada.