Fiarovam-pirenena: nanao dinikasa ny minisitera

News - Fiarovam-pirenena: nanao dinikasa ny minisitera

News - Fiarovam-pirenena: nanao dinikasa ny minisitera

Ho fanamaivanana ny fiantraikan’ny
valanaretina covid-19, izay mifanaraka amin’ny drafi-panarenana
natolotry ny filoham-pirenena dia nodinihina teny amin’ny
fitalean’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry, omaly ny tetikasa
mety hahafahana manampy ny vahoaka. Nitarika izany ny minisitry ny
Fiarovam-pirenena ny Jly Rakotonirina Richard. Nanamafy ity
manamboninahitra ity fa taorian’ny fihibohana vokatry ny hamehana
ara-pahasalamana dia ity androany (omaly io) ity no fivoriana
voalohany niarahan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenana tamin’ireo
mpiara-miasa aminy, izay nahitana ny sekretera jeneraly, ny
talen’ny kabinetra sy ireo tale isan-tsokajiny. Isan’ny tanjona
napetraka sy nodinihina tao anatin’ny tetikasa ny fanakekezana ny
vahoaka, ny fametrahana fandriampahalemana maharitra miompana bebe
kokoa amin’ny fihariana mankany amin’ny fampandrosoana.
Lohalaharana, araka ny napetraky ny fanjakana rahateo, ny
fandriampahalemana.

Jean Claude

Article tiré de Newsmada

L’article Fiarovam-pirenena: nanao dinikasa ny minisitera a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Radanoara Julien: « Tokony ho tonga saina isika »

« Tsy tena afa-mijoro isika raha tsy misy filohan’ny Repoblika tena voafidy eo ka izy no mametraka ny zava-drehetra manoloana ny tokony hiarovana ny fiandrianam-pirenena amin’ny fitsabahan’ny fiombonambe iraisam-pirenena ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy. Tena tsy marin-toerana isika izao. » hoy ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien. Mifehy ao an-damosina ny raharaha sy ny fifidianana amin’izao ny iraisam-pirenena.Anjaran’ny vahoaka ny tonga saina: iza marina ny tena hofidina? Rehefa tonga eo ny iray amin’ireo kandidà ireo: ahoana, tsy manaiky lembenana intsony ny vahoaka raha misy zavatra hafahafa? Mety ho ratsy fipetraka ny voafidy eo ao anatin’ny dimy na enim-bolana voalohany, mety ho sahirana raha tsy mametraka arofanina dieny aty am-boalohany.Tsy tian’ny fiombonambe iraisam-pirenena hisy korontana etoTsy tian’ny iraisam-pirenena hisy korontana eto fa manjary sahirana  ry zareo. Aleony mitandrina, manao fisorohana mialoha izany. Raha misy korontana eto, tsy ny eto ihany no ho voa fa ny manodidina rehetra. « Tian-dry zareo hilamina hatramin’ny farany io fifidianana io, na manana olona ry zareo na tsia », hoy izy.Toy ny taloha ihany, samy manana ny olony ireo firenen-dehibe. Fifidianana mangarahara, araka ny azo atao, ny tena tadiavin’ny Vondrona eropeanina sy ny Amerikanina, ohatra: iza marina ny tena mamim-bahoaka amin’ireo kandidà ireo?Tena maika aorian’ny fifidianana ny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly: ahoana ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy, tafiditra hatrany amin’ny fakana ankeriny, ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana…? Tokony hanaovana fanadihadiana mangingina any izany ny hoe: ny miaramila rehetra manankarena tsy amin’ny antony na tsy fanta-pototra.Maika koa ny fiainam-bahoaka: ahoana ny amin’ny saran’ny Jirama miakatra be io? Hoditr’akondro sy vatobe apetraka eo amin’ny lalan’ny ho voafidy eo, na iza na iza.R. Nd.  L’article Radanoara Julien: « Tokony ho tonga saina isika » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama  

Mbola nanamafy ny mpiasa roa ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (Mama), omaly, fa marina avokoa ny fanambarana nataon’ny mpitatitra momba ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpikambana teo aloha ny filankevi-pitondrana sy ireo vaovao voafidy tany Nosy Be farany teo. Nijoro vavolombelona izy ireo ary nitondra porofo maneho izany zava-misy izany. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny satan’ny fikambanana satria tsy mpitatitra ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy farany teo. 20 taona niasana eo anivon’ny trano fiantohana Mama ireo roa lahy ireo ary anisan’ny nanatrika nyy fivoriana tany Nosy Be ihany koa. Manomboka sahady ny antsojay mahazo ny mpiasa sahy mijoro milaza ny tsy rariny ao anatin’ny trano fiantohana ka maro ny mpiasa ary tafiditra ao anatiny izy ireo, nomena famindrana toeram-piasana izay tsy manaja ny lalàn’ny asa. Miendrika fanasaziana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana nefa tsy nisy ny hadisoana vitan’izy ireo, araka ny fanazavany, omaly teny Ankazomanga. Miantso ny mpiasan’ny Mama manerana ny Nosy izy ireo tsy hanaiky ny tsindry hazolena fa hijoro amin’ny fahamarinana manoloana ny tsy mety ataon’ny mpitantana.Nanambara koa ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mama fa nametraka fitoriana eny anivon’ny ambaratongam-pitondrana mahefa momba izao raharaha izao. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny fitondrana ary hampitsahatra ireo mpikambana manitsakitsaka ny satam-pikambana ao anatin’ny filankevi-pitondrana vaovao. Mampitandrina amin’ny fanaovana antsojay amin’ireo mpiasan’ny Mama niaro ny fahamarinana ny mpitatitra ary handray fepetra henjana raha mitranga izany.Vonjy A. L’article Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama   a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

LE ZOMA DE TANA: Nivadika ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Nitory ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA) teny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana  ny mpikarakara ny hetsika ara-barotra « Le Zoma de Tana ». Sanganehana ny mpikarakara  satria iray andro mialoha ny hanaovana ny foara natokana ho an’ny fetin’ny reny, saika natao teo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny 22 ka hatramin’ny 25 mey 2019 vao naharay ny taratasy  avy any amin’ny talen’ny kabinetran’ny kaominina fa tsy mahazo mampiasa ny toerana ry zareo. Nambaran’ny mpisolovavan’ny mpikarakara, Aliarivelo Maromanana fa efa nandoa volabe 22 tapitrisa tamin’ny kaominina ny mpikarakara mba ho famandrihana ny toerana sy ho an’ny hetra. Efa iray volana ny olona arovany no nanomana ny hetsika ary efa nandany volabe ny tamin’ny fandefasana ny dokam-barotra sy ny fikarakarana rehetra. Mpandray anjara 159 no tokony hivarotra mandritra  hetsika karakarain’ny Le Zoma de Tana ho an’ny fetin’ny reny ary efa nandoa ampaham-bola amin’ny hofany ny trano heva, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Le Zoma de Tana, Rakotoharijaona Andriamahefa. Na ireo mpivarotra  efa namandrika trano heva aza gaga rehefa tonga teo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely  fa hetsika ara-barotra karakarain’ny kaominina no teo fa tsy Le Zoma de Tana. Araka ny fanapahan-kevitry ny  fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana dia miato ny  ny fanapahan-kevitry ny tale kabinetra ary manan-kery ny fahazoan-dalana azonay tany aloha hampiasa ny Lapan’ny tanana, hoy ny mpisolovava Aliarivelo Maromanana. Tonga tao amin’ny kaominina anefa ry zareo mpikarakara niaraka tamin’ny vadintany  nampahafantatra io fanapahan-kevitra io saingy  tsy nety nandray azy ireo ny tale kabinetra sy ireo sampandraharaha hafa tao amin’ny kaominina. «Ao anatin’ny fandikàn-dalàna tanteraka ny kaominina ka handray fanapahan-kevitra hafa izahay mba ahafahanay mitantana ny hetsika ao amin’ny Parvis », hoy izy. Ho taterina eto ny tohiny ny raharaha. Lynda A/ Nirina R.   Cet article LE ZOMA DE TANA: Nivadika ny kaominina Antananarivo Renivohitra est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo

Telo volana aty aorian’ny fanapahan-kevitra, hiroso amin’ny fanatanterahana ny teboka fito momba ny fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo, mametra-panontaniana ny mpampianatra fa tsy misy ny dingana vita avy amin’ny fitondram-panjakana. Nivory izy ireo, omaly ary namoaka fanambarana amin’ny teboka efatra mazava. Manamafy fa tokony handefan’ny minisitera mpiahy ny Fampianarana ambony eny anivon’ny fiadidiana ny primatiora ny antontan-taratasy momba ny fangatahana « dérogation » manokana hitazona amin’ny asany ny mpampianatra mpikaroka izay mbola ilaina amin’ny sahanasa maro. Misy antontan-taratasy samihafa tokony hofenoin’ny mpampianatra mpikaroka sasany efa naterina teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ho fanampiny. Mety ho tapaka karama anefa ireo tsy nahafeno ny antontan-taratasy notakiana vokatr’izay fitarazohana izay, hoy ny fanazavana.Misy ny porofo homena ny tompon’andraikitra Voalazan’ny fanambarana koa fa tokony hatolotra ny tompon’andraikitra ny porofo amin’ny fandaniana vola ka tsy nahafahan’ny minisitera mpiahy nanefa ny tambin’ny fikarohana « indemnité de recherche » ho an’ny mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono fa mbola manohy ny asa fikarohana, taona 2016. Namonjena ireo mpianatra malagasy mamita fianarana tany Sina sy Frantsa ny vola tokony homena ireo mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono ireo. Mitaky izay porofo izay ny Fiadidiana ny primatiora handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izay. Ankoatra ireo, miandry ny fandoavana ny trosa rehetra momba ny saran’ny ora fanampiny tamin’ny asany ny mpampianatra vacataire sy ny mpampianatra hafa ho an’ny taom-pianarana 2016-2017 ary ny mbola misy aza tsy nahazo ny saran’ny ora fanampiny nandritra ny taom-pianarana  2015-2016 ireo mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny DEGS.Miantso  fandraisana andraikitra haingana Mangataka koa izy ireo mba haraha-maso ny antontan-taratasy momba ny fanasokajiana na ny « reclassement » ho an’ny mpampianatra mpikaroka 110. Mihisatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nefa miankina amin’izay avokoa ny famahana ny fangatahana samihafa, hoy ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Raveloharison Sammy Grégoire, omaly. Fanairana fotsiny aloha izao fanambarana izao satria iankinan’ny fiainan’ny mpampianatra maro ka mila mandray andraikitra haingana ny minisitera mpiahy.Vonjy A.                 L’article Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fisolokiana: karohin’ny polisy Raolison Arsène

Namoaka filazana didy fikarohana ny eo anivon’ny Polisim-pirenena ho an’izay mahita na mahalala ity lehilahy miseho amin’ny sary ity hampandre haingana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely na hiantso avy hatrany ny laharana telefaonina finday 034 05 998 27 / 034 46 199 36. Toy izao ny mombamomba ity lehilahy karohin’ny polisy ity: Raolison Arsène ny anarany, mitondra ny CIN N° 710 011 030 707 tamin’ny 11/12/2001 natao tao Antalaha. Adiresy farany nahitana azy tao amin’ny lot FM 08 Bis B Villa Onintsoa III Antehiroka. Antony hikarohan’ny polisy azy noho ny fisolokiana nataony. Ny Polisim-pirenena dia manome toky fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Nanambara hatrany ny polisy fa ny olona mandray na mampiantrano na manafina olon-dratsy dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ka hohenjehina araka ny lalàna.Jean ClaudeL’article Fisolokiana: karohin’ny polisy Raolison Arsène a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby vehivavy – «Can 2019»: nomontsanin’i Afrika atsimo 73 no ho 0 ny Makis

Potipotika, saika tsy nisy nijerena azy ny Makis vehivavy, nanaovan’ny Afrikanina tatsimo azy. Tsy nitraka mihitsy fa tena novizanin-dry zareo tanteraka teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”.Resin’i Afrika atsimo, tamin’ny isa mavesatra, 73 no ho 0 ny Makis vehivavy, teo amin’ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15 “Can 2019”. Fihaonana, notanterahina omaly talata, tao Johannesburg, afrika atsimo.Tsy nisotro rano mihitsy ny Malagasy fa nataon’ireo tovovavin’i Afrika atsimo, totoafo. Maty ni-“charge” fotsiny ry Sariaka sy ry Josiane, nandritra ny 80 mn, nilalaovana. Natanjaka ary nanantombo ara-batana, ry zareo mpampiantrano. Vokany, olona telo na efatra no manakana ny lohalaharan’izy ireo. Nisesy ny baolina nentin-tanana nataon’ny Afrikanina tatsimo. Nisy anefa ireo voatsara tao koa ireo tsy maty.Nahay nameno ny kianja ny mpilalaon’i Afrika Atsimo, hany ka tsy nahita hirika handehanana mihitsy ny “trois quart” sy ny lohalaharana malagasy. Navesatra ihany koa ry zareo, tao anaty “pack d’avant”. Porofon’izany, raha vao “mêlée” ny baolina dia efa atosik’izy ireo fotsiny. Teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa mazava, 44 no ho 0 ny Afrikanina tatsimo.Na niezaka nanao izay ho afany aza, ry Laurence kapitenin’ny Makis, tsy tafavoaka mihitsy. Tsy tafiditra tao anatin’ny faritry ny 22 m mihitsy ny Malagasy nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Efa tany amin’ny fiafaran’ny lalao vao tafaporitsaka tao, saingy tsy nahavita nanindry baolina.Teo amin’ny lalao ilany, lavon’i Kenya, tamin’ny isa mazava, 37 no ho 5 koa i Oganda. Amin’ny asabotsy 17 aogositra izao, ny lalao farany ka hifandona i Oganda sy i Madagasikara ary i Kenya hifandona amin’i Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby vehivavy – «Can 2019»: nomontsanin’i Afrika atsimo 73 no ho 0 ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Boriborintany I: nodiovina ny lakandrano 500 m

Mampidi-dranonketsa ny tantsaha eny Ankasina sy Andohatapenaka II sy III, amin’izao volana aogositra izao. Hanamora izany fampidiran-drano izany, nikarakara hetsika fanadiovana ireo lakandrano fampidirana rano hambolena niaraka tamin’ny Boriborintany voalohany ireo fikambanan’ny mpamboly sy ireo RF2, ny faran’ny herinandro teo.Araka ny nambaran’ny lefitra faharoan’ny delegen’ny Boriborintany voalohany, Razanadrakoto Heriniaina, tototra fako sy loto ny lakandrano famatsiana rano ho an’ireo fambolena eny amin’ny faritra Ankasina, Andohatapenaka I sy II kanefa dia mamokatra sakafo hohanina no vatsin’ity lakandrano ity.Noho izany, nandray andraikitra ny kaominina amin’ny fanentanana ny rehetra amin’ny tsy hanariana rano maloto sy fako eny amin’izany lakandrano izany.Tokony hofadina ihany koa ny manasa lamba sy ny manary maloto any anatin’itony lakandrano itony. Ankoatra izay, nanentana ihany koa ity tompon’andraikitra ity ny hijeren’ireo mponina manokana ny RF2 eny anivon’ny fokontany, izay miezaka ny manadio sy manala ireo fako isan-tokantrano. Mirefy 500 metatra eo ho eo ity lakandrano nodiovina ity . Mandrora mitsilany ihany ireo mponina eny an-toerana ka izany indrindra no anton’ny fanentanana.Tatiana AL’article Boriborintany I: nodiovina ny lakandrano 500 m a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsenan’Anosibe: mpangarom-paosy roa lahy tratra

Na eo aza ny ady amin’ny Covid-19, ady goavana atrehin’ny mpitandro filaminana koa ny ady amin’ny jiolahy sy ny tontakely ary saika ho isan’andro izany, manerana ny renivohitra. Raha ny zava-nisy, omaly, teny amin’ny tsenan’Anosibe, mpangarom-paosy roa lahy no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny. Ireo polisy manao fisafoana momba ny hamehana ara-pahasalamana no nahatsikaritra ny asa ratsy nataon’ireto jiolahy ireto ka niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany. Misy rahateo ny fisafoana matetika ataon’ny polisy amin’iny faritra iny ka tamin’izany no nahafahana nisambotra ireto tontakely ireto. Nanamafy hatrany ny polisy fa mandritra izao fihibohana izao, tsy sasatra izy ireo ny mamerina ireo laharana telefaonina finday sy an-tarobia hahazoana ny polisy, hanampy ny olom-pirenena tsirairay avy, raha misy trangana tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina eny. Ireto àry ireo laharana telefaonina nomen’ny polisim-pirenena 034 05 531 20 sy ny 020 22 281 70. Nentin’ny polisy hanaovana fanadihadiana ireo jiolahy tratra teny Anosibe ireto. Faritra isan’ireo ifamezivezen’olona maro rahateo ny eny Anosibe ka mampirongatra ny harom-paosy sy ny sinto-mahery.Jean ClaudeL’article Tsenan’Anosibe: mpangarom-paosy roa lahy tratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nicolas Dupuis – « Club des partenaires »: vonona hiara-hiasa sy hifanohana hatrany

Nanambara ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena, i Nicolas Dupuis, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpanohana ao anatin’ny “club des partenaires”, fa isan’ny nahazoan’ny Bareo ireny vokatra tsara ireny ny fanohanan’ireo mpanohana marobe nanohana fitaovana sy vola ary moraly. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niaraka tamin’ny « clubs des partenaires » izy, omaly, tetsy amin’ny Toit de Tanà Carlton Anosy ary nilaza fa vonona ny hanohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanohana, tarihin’ny orinasa Telma, mpanohana manatantara ny baolina kitra malagasy sy ireo orinasa maro, ny Canal +, ny BNI, ny Jovena, ny Star, ny Leader Price ary ny maro hafa. Tetsy ankilany, naneho izay fahavononany hanosika ny ekipa malagasy sy ny fanatanjahantena malagasy izay ihany koa ireo mpanohana ireo.Isan’ny nitondran’i Nicolas Dupuis fanazavana ihany koa ny mahakasika ny fanavaozana ny fiaraha-miasa amin’ny maha mpanazatra azy ny Barean’i Madagasikara. Nisy, hoy izy, ny fihaonana tamin’ny fitondram-panjakana malagasy ka nohalavaina ho efa-taona indray ny fifanaraham-piaraha-miasa. Mbola vonona izy hanome ny tsara kokoa hatrany ary nankasitrahany ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy. Mi.RazL’article Nicolas Dupuis – « Club des partenaires »: vonona hiara-hiasa sy hifanohana hatrany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiatrehana ny fifidianana: hanohana an-dRajoelina ny Leader Fanilo sy ben’ny Tanàna 1000

Manao tohivakana. Nisesy ny fanambarana fanohanana ny kandidà Rajoelina amin’izao hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Anisan’izany ny eo anivon’ny Leader Fanilo sy ireo ben’ny Tanàna. Nanapa-kevitra ny birao nasionalin’ny Leader Fanilo, nivory ny asabotsy teo fa hanohana ny kandidà Rajoelina. “Entanina ny mpikambana  manerana ny Nosy hanao ny ezaka rehetra hampandaniana ny kandidà laharana faha-13”, hoy izy ireo. Nentanin’izy ireo koa ny mpikambana hametraka fitokisana amin’ny kandidà Rajoelina. Nialohavan’ny dinika sy famakafakana ny raharaham-pirenena izany. Teo koa ny nihainoana ny vinan’ny kandidà roa hiatrika ny fihodinana faharoa. Nohamafisin’ity antoko naorin-dRazafimahaleo Herizo ity fa mametraka ho ambony ny fampandrosoana mitsinjo vahoaka eny ifotony ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo. Ben’ny Tanàna anarivony… Mifototra amin’ny firaisankinam-pirenena, ady amin’ny fahantrana, tsy fandriampahalemana, fitsinjaram-pahefana tena izy, fanjakana tsara tantana , ady amin’ny kolikoly. Fanaovana ho lohalaharana ny tanora sy ny vehivavy. Etsy andaniny, nanao fanambarana koa ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna miara-dia amin-dRajoelina (Fibemiar) avy amin’ny faritra 22, tetsy Andavamamba, omaly. Nambaran’izy ireo tamin’ny izany fa resy lahatra amin’ny vinan’ny kandidà laharana faha-13 izy 585 mianadahy mianaka nisolo tena ireo ben’ny Tanàna anarivony, manohana ny mpanorina ny IEM. “Maty paika ny azy ny vina ary mamaly ny filan’ny vahoaka, eo amin’ny fandriampahalemana, ny sosialim-bahoaka…. Tsy hivadika ary manatanteraka ny ambarany”, hoy izy ireo. Randria L’article Fiatrehana ny fifidianana: hanohana an-dRajoelina ny Leader Fanilo sy ben’ny Tanàna 1000 a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

« Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ».
28/09/2020

MITOHY NY ADY AMIN’NY « COVID-19 » : « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ».   Androany maraina dia tonga nanolotra fanampiana hanatsaràna ny ady amin’ny « Covid-19 » ny avy eo anivon’ny « Groupe FILATEX ». « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa no natolotr’izy ireo ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsara ny manamarika fa mahatratra hatrany amin’ny 12 litatra ka hatramin’ny 15 litatra isa-minitra ny fatra-na « oxygène » azo amin’ny fampiasana ireo « masque » ireo izay manampy betsaka tokoa amin’ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana ireo mararin’ny « COVID-19 » maneho fahaseporana na tranga misy fahasarotana. Andriamatoa Minisitra no nandray tamin’ny fomba ôfisialy ireo tolo-tanana ireo ary nisaotra sy nankasitraka ny « Groupe FILATEX » izy amin’izao ezaka lehibe fanampiana ny mpiray tanindrazana izao. Na dia hita ary fa mihatsara ny vokatra ho antsika eto Madagasikara, dia manentana antsika hatrany izy hitandro mandrakariva ireo fihetsika sy fepetra napetraka rehetra hanakanana ny fihanaky ny valanaretina. Mihezaka hatrany ny fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ahafahana mandresy ity areti-mandoza nampitondra takaitra ny firenena maro manerana an’izao tontolo izao ity. Anisan’izany ny fiaraha-mientana amin’ireo orinasa sy sampan’asa tsy miankina eto amintsika na avy any ivelany. Nomarihany ihany koa misokatra amin’ny fiarahamiasa ankolafy rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao ady ataontsika handresena ny « Covid-19 » izao. Vonona ny mpiasan’ny Fahasalamana ary tsy andraraka ilo mby an-doha araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra hatrany. Fanadihadiana : SCM/MSANP L’article « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ». a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva
29/09/2020

Tsy afa-bela. Nomelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava fanindroany indray ny depioten’i Mahabo teo aloha, Raveloson Ludovic na i Leva, omaly. Voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina sazy mihatra izy tamin’ny raharaha fakàna vola an-terisetra tamin’olona ary sazy herintaona an-tranomaizina tamin’ny fiampangana ratra sy vono niniana natao. “Rehefa misy ny fiampangana amin’ny heloka roa samy hafa tahaka izao dia izay sazy farany ambony tamin’ireo fanamelohana no ampiharina amin’ny voampanga”, hoy Ratsimandranto William, tonia mpampano lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava. Efa voasazy higadra dimy taona an-tranomaizina ihany koa anefa izy, tamin’ ny taona 2018. L’article Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva est apparu en premier sur AoRaha.

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana
23/09/2020

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

Mahatsiaro iharan’ny antsojay ny mpiasan’ny ACM
28/09/2020

Velon-taraina noho ny antsojay mihatra aminy ny sasany amin’ireo mpiasa eo anivon’ny Aviation civile de Madagascar – ACM. Anisan’izany ny kiantranoantrano ataon’ny mpitantana, ny fanaovana halako bika tsy tiako tarehy amin’ireo mpiasa tsy mba namana, araka ny fampitam-baovaon’izy ireo. Efa nisy tompon’andraikitra ambony iray nesorina tamin’ny toerany noho ny tranga tahaka izao nefa naverina amin’ny toerany na tsy nahafeno ny fepetra fifaninanana aza. Anisan’izany ny fe-potoana niasana teo anivon’ny ACM. Nitohy tamin’ny fanilihana ireo mpiasa tsy namana izany raha nafindra toerana ny sasany ary nampidinina laharana ny hafa. Tao ireo tsy nanaiky ka nitondra ny raharaha teny anivon’ny «Inspection de travail » na teny anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Niato ny fandraisana fanapahan-kevitra noho ny fihibohana nefa niverina indray ny antsojay.Maromaro ireo raharaha niakatra…Terena haka fialan-tsasatra ny mpiasa kanefa tsy maintsy ifaneken’ny andaniny, mpampiasa, sy ny ankilany, mpiasa, io. Notendrena avy hatrany anefa ny hisolo ny sasany amin’izy ireny. Efa maromaro ireo raharaha niakatra eny amin’ny « Inspection de travail » sy any amin’ny sampandraharaha hafa, manoloana izany. « Tsy manda ny fanovana na ny fanavaozana izahay fa tsy ekena kosa ny fanaovana izany ho fitaovana hanilihana ny hafa. Tsy misy antony tokony hamindrana na hanilihana na hanendrena mpiasa hisahana andraikitra iray raha tsy amin’ny alalan’ny fahaiza-manaony irery ihany », hoy ireo mpiasa.Manoloana izany, nanao antso avo izy ireo ny hampitsaharana izao tranga izao ary ny mba hijeren’ny tomponandraikitra mahefa ity “afindrafindrao”, mody ialokalofana amin’ny  fanovana sy ny fanavaozana, ity ary hanararaotana ny hamehana ara-pahasalamana. Manahy hatramin’ny fandraisana sidina avy any ivelany hanomboka ny 1 oktobra ho avy izao ho an’ny any Nosy Be ireo mpiasa raha tsy matotra ny fomba fiasa sy ny fitantanan’ny ACM.Synèse R. L’article Mahatsiaro iharan’ny antsojay ny mpiasan’ny ACM a été récupéré chez Newsmada.

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     
23/09/2020

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD
23/09/2020

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo
25/09/2020

Nifarimbona nanadio tatatra ireo RF2 avy amin’ny fokontany maro, nanomboka omaly. Nanala ny fako mitoby anaty lakandrano manentsina ny fikorianan’ny rano izy ireo hitsinjovana sahady ny fahavaratra.  Mahazo tombony amin’izao ireo fokontany folo eto Antananarivo, Ankasina, Andavamamba, AnjezikaI, Tetezana Afovoany I, 67Ha Atsimo, Antohomadinika, Andavamamba Ambilanibe, Anosibe, Ivolaniray, Manajary ary Ambohidahy. Amin’ny alalan’ny Himo, andiany faharoa no hanatanterahana izany. Olona 20 isaky ny fokontany no mahazo asa amin’ny alalan’ity fanadiovana tatatra ity. Mahazo 5000 Ar isan’andro avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Nisy ihany koa ny fizarana arovava sy savony ho an’ireo RF2 ireo. Mila fanaraha-maso akaiky ny tandrevaka ataon’ny mponina eny amin’ireo toerana andalovan’ny lakandrano. Misy ireo manary fako sy poti-kanina any an-tatatra ka manentsina ny fikorianan’ny rano ary miteraka fiakaran’ny rano mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra.Tatiana AL’article Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy
23/09/2020

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny andiany roa ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Manoloana izany, nitoka-monina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo olona rehetra mpizaika sy mikarakara ny laza adina hatrehin’ny mpiadina amin’ny bakalorea 2020, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assoumacou Léa Béatrice. 40 andro ny faharetan’ny fitokanana ary tsy hivoaka any izy ireo raha tsy vita tanteraka ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Tsy mahazo mifanerasera amin’ny aty ivelany ireo mpiasa mandritra izay fotoana izay ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana.Voahaja ny fe-potoana amin’ny fanomanana ny fanadinana sy ny fepetra ara-pahasalamana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika. Efa norarahina fanafody ny toerana handrasaina azy ireo. « Vonona koa ny olona hikarakara ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ireo olona ao », hoy ny tomponandraikitra.Efa nifarana ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea manerana ny Nosy.Vonjy A.L’article Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Matsiatra Ambony – ORN: “Tena olana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka”
29/09/2020

Ho fanatanterahana ny fanekena noraisin’ny mpitondra isan-tsokajiny ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony momba ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo, hamoaka didim-panjakana ny prefet ao amin’ny faritra fa hiantsorohan’ny sefo fokontany 826 ao anatin’ny faritra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Hanome fanampiana amin’ny fanorenana ireo toby fanomezan-tsakafo ho an ‘ny zaza ny kaominina ary andraikitry ny faritra ny manohana ireo hetsika rehetra ataon’ny Hina sampana Matsiatra Ambony amin’ny fandraisana an-tanana izay anjara biriky vitany.Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, ny fihaonana tamin’ireo mpitondra isan’ambaratongany eo Matsiatra Ambony sy ny mpikambana ao amin’ny Hina. Vonona hiara-miasa amin’ny Hina ireo mpitondra hampidina ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ao anatin’ny faritra.Manana taha faharoa 53,7% ny faritra ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, araka ny fanadihadiana MICS 2018 izay nihena raha ampitahana tamin’ny fanadihadiana EDS 2012 nanome taha 65%. Io tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka io no tena olan’ny faritra, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo (ORN) miahy ny faritra. 737 ny toby PNNC miasa amin’izao fotoana izao mikarakara ireo zaza madinika.  Anisan’ny nisitraka ny tetikasa Fanjarian-tsakafo sy Fahasalamana ifotony (Fafi)  hampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho 38%. Tanjona ny hampitombo ny fampiasana ireo tolotra ho an’ny fananahana ara-pahasalamana sy fahasalamana ara-tsakafon’ny reny sy ny zaza. Fokontany 737 amin’ny 826 no hiantefany mivantana ary miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa ankehitriny.Mpiray ombona antoka amin’ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo ny mpikambana rehetra ao amin’ny Hina. Miasa amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza avokoa izy ireo, araka ny fanamarihan’ny mpandrindra voalohany, i Vatosoa.VonjyL’article Faritra Matsiatra Ambony – ORN: “Tena olana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra Eoropeanina: nibata amboara efatra be izao ny Bayern de Munich
26/09/2020

Nahazo amboara efatra. Tontosa ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny kianja Puskas Arena Budapest, ao Hongrie ny fiadiana ny “Super coupe de l’UEFA”, taranja baolina kitra. Fihaonana nikatrohan’ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa sy ny FC Séville, tompon’ny amboara. Lasan’ny ekipan-dRainiboto ny amboara rehefa nandresy an-dry zareo Espaniola, tamin’ny isa tery 2 no ho 1. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy ny Bayern de Munich, tamin’ity. Ry zareo Seville no nanokatra ny isa, tamin’ny alalan’ny “penalty” matin’i Lucas Ocampos, teo amin’ny minitra faha-13. Nosahalain’i Leon Goretzka, kosa izany teo amin’ny minitra faha-34. Nifandimbiasana avy eo ny fanafihana, saingy tsy nisy ny baolina tafiditra, hatreo amin’ny fiafaran’ny fe-potoana ara-dalàna.Fandresena faha-26 nanomboka ny volana desambraVoatery niditra tamin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta. Tany amin’ny minitra faha-104 no nahatafiditra ny baolina nitondra ny fandresena ho azy ireo i Javi Martinez.Fanindroany no nandrombahan’ny Bayern de Munich ny amboaran’ny “super coupe de l’UEFA”. Fandresena faha-26 azon’izy ireo kosa ity vitany ity, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. Tsy mbola tojo faharesena mihitsy izany ny Bayern de Munich, hatreto raha iray monja ny ady sahala, tao anatin’izany.Tsiahivina fa  efa nahazo ny tompondaka sy ny fiadiana ny amboara any Allemagne izy ireo. Nibata ny ny “UEFA Champions League” farany teo ary izao nahazo ny  “UEFA Super coupe” izao. Andrasana koa ny 30 septambra izao ny “super coupe” any Allemagne, hifandonany amin’i Dortmund. Ho avy koa ny “coupe du monde  des clubs » amin’ny desambra izao, andraisan-dry Neuer anjara.TompondakaL’article Kitra Eoropeanina: nibata amboara efatra be izao ny Bayern de Munich a été récupéré chez Newsmada.

Banky ho an’ny fampandrosoana: “Adidy lehibe ho an’ny fanjakana”, hoy ny Crem
29/09/2020

« Tokony hanangana banky ho an’ny fampandrosoana ny fanjakana na misy Covid na tsy misy satria ilaina izany ho an’ny fampiasam-bola eto Madagasikara », hoy Rakotoarisoa Andriatahina, sekretera jeneralin’ny Crem*. Nandroso io hevitra io ireo mpahay toekarena ao amin’ny Crem satria banky manao varotra fotsiny ny banky misy eto amintsika. “Ny vahiny tompon’ny banky eto, mody any aminy ny tombom-barotra azony fa tsy miasa eto”, hoy hatrany ny ao amin’ny Crem.Misy eto ny IMF na ireny mpampindram-bola madinika ireny, ho an’ny asa fampiasam-bola hanaovan’izay mpindrana ny tetikasany, saingy mbola ambony loatra ny tahan’ny zana-bola. Sakana ho an’ny fampiasam-bola ny io taha ambony io, ankoatra ny antoka takina. Betsaka anefa ny Malagasy manana tetikasa tsy mahita vola ampiasaina tsy ahafahana mandray anjara amin’ny toekarena.Koa adidy lehibe ho an’ny fanjakana ny fananganana io banky ho an’ny fampandrosoana io, ahafahana mampiasa vola, araka ny fanazavan’ny Crem. Manam-bola ho an’izany ny fanjakana raha manam-piniavana. Azo atao koa ny mamorona vola ho an’izany banky izany, izay tsy atahorana hiteraka fiakaran’ny vidim-piainana noho ilay vola avy hatrany dia mihodina, miasa ho an’ny tetikasa samihafa.Izany akory tsy homena fotsiny amin’izao fa tsy maintsy misy ny fanaraha-maso momba ny fampiasana ilay vola, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra sy izay tetikasa mamokatra rehetra, fa tsy mivarotra fotsiny. Tetikasa lavitra ezaka miteraka fampandrosoana maharitra, raha ny fanazavan’ireo mpahay toekarena. R.Mathieu Crem * : Cercle de réflexion des économistes de MadagascarL’article Banky ho an’ny fampandrosoana: “Adidy lehibe ho an’ny fanjakana”, hoy ny Crem a été récupéré chez Newsmada.