Fiaraha-miasa: tokony hifandanja ny vokatra ho azo

News -    Fiaraha-miasa: tokony hifandanja ny vokatra ho azo

News -   Fiaraha-miasa: tokony hifandanja ny vokatra ho azo

 Manomboka
tsinjo tsikelikely fa mitombo miandalana ireo vahiny mitady
fiaraha-miasa amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Anisan’izany
ny hira, ny dihy, ny tsidi-bohitra, ny fanaovana sarimihetsika
fanadihadiana, sns. Endrika tsara ho an’ny kolontsaina sy ny
zavakanto malagasy ny fisian’ireny tetikasa ireny… Saingy, rehefa
tomorina akaiky, fantatra sy azo tsapain-tanana ary mivaingana
mazava ve ny fiantrainkany eo amin’ilay mpanakanto na ny zavakanto
malagasy? Anisan’ny firenena maro tetikasa i Madagasikara raha eo
amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Tsy voatery miankina amin’ny
fanjakana izy ireny. Ny ankamaroany aza, ilay mpanakanto na ilay
fikambanana na ireo sehatra samy hafa no mahita ny fifanarahana sy
manatanteraka izany. Ny fanjakana rahateo, efa nilaza fa hitana ny
anjara toeran’ny mpanamora amin’ny fanatanterahana ny tahaka
izany.

Amin’ny ankapobeny, manantombo
kokoa hatrany ny tombontsoa azon’ireo vahiny tompon’ny vola sy ny
fitaovana raha oharina amin’ny an’ny Malagasy tompon’ny kanto.
Indraindray aza, mahatsiaro ho voambaka ny tontolon’ny zavakanto sy
ny kolontsaina malagasy. Mila manova paikady mba tsy
hitohizan’izany intsony. Hampianarina ny mpanakanto na ireo
mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto hahay momba ny
fifampiraharahana. Hampahafantarina azy ireo ihany koa ny lanjan’ny
kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Fantatry ny vahiny io ka izay
no mahatonga azy ireo hanatanteraka tsy tapaka tetikasa eto
Madagasikara.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article   Fiaraha-miasa: tokony hifandanja ny vokatra ho azo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Delire Madagascar

LE ZOMA DE TANA: Nivadika ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Nitory ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA) teny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana  ny mpikarakara ny hetsika ara-barotra « Le Zoma de Tana ». Sanganehana ny mpikarakara  satria iray andro mialoha ny hanaovana ny foara natokana ho an’ny fetin’ny reny, saika natao teo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny 22 ka hatramin’ny 25 mey 2019 vao naharay ny taratasy  avy any amin’ny talen’ny kabinetran’ny kaominina fa tsy mahazo mampiasa ny toerana ry zareo. Nambaran’ny mpisolovavan’ny mpikarakara, Aliarivelo Maromanana fa efa nandoa volabe 22 tapitrisa tamin’ny kaominina ny mpikarakara mba ho famandrihana ny toerana sy ho an’ny hetra. Efa iray volana ny olona arovany no nanomana ny hetsika ary efa nandany volabe ny tamin’ny fandefasana ny dokam-barotra sy ny fikarakarana rehetra. Mpandray anjara 159 no tokony hivarotra mandritra  hetsika karakarain’ny Le Zoma de Tana ho an’ny fetin’ny reny ary efa nandoa ampaham-bola amin’ny hofany ny trano heva, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Le Zoma de Tana, Rakotoharijaona Andriamahefa. Na ireo mpivarotra  efa namandrika trano heva aza gaga rehefa tonga teo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely  fa hetsika ara-barotra karakarain’ny kaominina no teo fa tsy Le Zoma de Tana. Araka ny fanapahan-kevitry ny  fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana dia miato ny  ny fanapahan-kevitry ny tale kabinetra ary manan-kery ny fahazoan-dalana azonay tany aloha hampiasa ny Lapan’ny tanana, hoy ny mpisolovava Aliarivelo Maromanana. Tonga tao amin’ny kaominina anefa ry zareo mpikarakara niaraka tamin’ny vadintany  nampahafantatra io fanapahan-kevitra io saingy  tsy nety nandray azy ireo ny tale kabinetra sy ireo sampandraharaha hafa tao amin’ny kaominina. «Ao anatin’ny fandikàn-dalàna tanteraka ny kaominina ka handray fanapahan-kevitra hafa izahay mba ahafahanay mitantana ny hetsika ao amin’ny Parvis », hoy izy. Ho taterina eto ny tohiny ny raharaha. Lynda A/ Nirina R.   Cet article LE ZOMA DE TANA: Nivadika ny kaominina Antananarivo Renivohitra est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Tourisme - News Mada

10 taona ny MNP: nitombo avo roa heny ny mpitsidika ireo valanjavaboahary

Nitondra fampandrosoana ho an’ny fokonolona monina mipetraka manodidina ny valanjavaboary 43 ny tetikasa maro natao tantsoroka miaraka amin’ny Madagascar National Parks tao anatin’ny 10 taona. 10 taona ny nitondran’ny Madagascar National Park (MNP) ny anarany izay Association nationale pour la gestion des aires protégées (Angap) teo aloha. Betsaka ny ezaka natao ho fanomezan-danja ny fampahafantarana ny harena misy eto amintsika ao anatin’ny valanjavaboahary 43 tantanan’ny MNP manerana ny Nosy. Na teo aza ny olana samihafa niseho, nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitsidika ny vala satria nahatratra 190 812 ny taona 2017 raha 135 630 ny taona 2008. Nitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna manodidina ny fisian’ny vala ary atao ao ny asa rehetra. Niroborobo ny asa fitarihan-dalana, nivoatra nanaraka ny toetrandro. Porofon’izany ny fanitarana ny trano fandraisam-bahiny ao Andasibe sy ao Ranomafana ary fitomboan’ny isan’ny mpitari-dalana ho 100%. Vokatry ny ezaka, nahazo fankasitrahana tamin’ny fanasokajiana ho site Ramsar sy « reserve biosphère » ny vala efatra. Fiaraha-mitantana Mampiavaka ny fiasan’ny MNP ny fiaraha-mitantana miaraka amin’ny Vondron’olona ifotony monina manodidina ny valanjavaboary. Tanjona ny hampandray anjara ny fokonolona amin’ny alalan’ny komity ifotony ho an’ny vala (CLP) sy ny komity manao tantsoroka ny valanjavaboary (Cosap). Nisy ny fametrahana fotodrafitsa mitondra voka-tsoa mivantana ho an’ny vahoaka toy ny tohodrano, ny sekoly, ny fampidirana rano madio fisotro, ny fametrahana tobim-pahasalamana… Nahatratra 80 ny vita tao anatin’ny 10 taona. Ankoatra ny fotodrafitrasa, 28 000 ny tokantrano nisitraka tetikasa madinika ka novatsin’ny MNP vola ny fanatanterahana. Tao ny fiompiana, ny fanaovana asa tanana, ny voly legioma sy anana. 361 ny fokontany nahazo tombontsoa mivantana vokatry ny tetikasa fanohanana ny fampandrosoana mifototra amin’ny sosialy sy ny tontolo iainana ho fanonerana ny vola teo aloha tsy niditra tamin’ireo mponina rehefa nijoro ny vala. Vola 3 miilara Ar nanamboarana lalana Ho fampandrosoana ny fampihodinana ny vala, nanokana vola mitentina 3 miliara Ar ny MNP nanamboarana ireo lalana sy tetezana ahafahan’ny mpitsidika mandeha amin’ny vala sivy. Amin’izao fotoana izao, 1 000 ny mpiasa mampihodina ny asa fikarakarana ny vala sy ny fiarovana ny harena ao anatiny. Vonjy A.

News - Santé - News Mada

Taolagnaro : 10 ny mararin’ny Covid-19 mitsabo tena an-trano

Ny asabotsy lasa teo, na­nomboka nampiasa ny fitaovam-pitiliana GenExpert momba ny covid-19 ny teknisianina ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny fahasalamana, omaly. Hatramin’ny omaly, 37 ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus, ora iray aty aorian’ny fijerena ny singa nalaina no mivaly ny fitiliana. Ireo olona efa misy soritr’aretina no ampiasana ny ny fitaovana GenExpert noho ny antony teknika. Misy soritr’aretina avokoa izy 37 fa tsy ahitana tranga sarotra kosa. 27 raisina an-tanana eny amin’ny centre manokana fa any an-trano ny 10 ambiny. Misy fanadihadiana mialoha ny fanekena ny fitsaboan-tena an-trano. Fan­tarina ny toerana misy ilay marary na mitokana na amin’ny faritra be mponina. Manana efitra maro ve izy ireo hahazoana mihiboka mitokana ary firy ny olona iray trano. Arahi-maso isan’andro ireo mijanona an-trano ary manana ekipa ny fari-piadidiam-pahasalamana misahana izany. Hatra­min’izao, ireo mpiasan’ny fahasalamana miankina amin’ny fanjakana no mikarakara ny marary sy ny fitsaboana ary ampy ny fitaovana enti-miasa, hoy ny nambarany. Momba ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana, hi­verina hiditra an-tsehatra in­dray ny mpitandro filaminana fa mitady ho goragora ny fanarahana ireny eny anivon’ny vahoaka. Nisy ny fivoriana nijerena manokana ny fepetra hanamafisana ny efa mihatra hatramin’izay noho ny fahamaroan’ny tranga vaovao miseho ao anatin’ny faritra Anosy.Vonjy A.L’article Taolagnaro : 10 ny mararin’ny Covid-19 mitsabo tena an-trano a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Ady amin’ny herisetra :: Voatendry ho masoivohon’ny Unfpa i Mialy Rajoelina

Nahazo andraikitra. Notendren’ny avy eo anivon’ ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misa- hana ny mponina (Unfpa) ho masoivoho miandraikitra ny ady amin’ny herisetra miankina amin’ny saranga eto amintsika ny vadin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Mialy. Nandritra ny fankalazana ny faha-50 taona nijoroan’ny Unfpa, teny amin’ny Carlton Anosy, no nampahafantarana azy tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’io toerana io. Tsy vaovao aminy izao andraikitra izao, satria nambarany taorian’ny fanendrena azy teny an-toerana fa: « efa ela no naharesy lahatra azy amin’ ny tokony hiadiana amin’ ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny olombelona, toy ny herisetra miankina amin’ny saranga ». Fantatra fa ny 30% amin’ny vehivavy malagasy no iharan’ny herisetra. “ Misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamana ara-batana, ara-tsaina, ara-piarahamonina, ara-tsosialy sy ara-toekarena izany, ary eo amin’ny fiainan’ny ankizy sy ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny mihitsy, eny hatramin’ny Firenena aza”, hoy Rajoelina Mialy, izay sady mpanorina ny fikambanana Fitia.   L’article Ady amin’ny herisetra :: Voatendry ho masoivohon’ny Unfpa i Mialy Rajoelina est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vary: nisondrotra 300 Ar/kg ny makalioka, nihena 120 Ar/kg ny vary gasy

Miakatra tsikelikely ny vidim-bary avy eto an-toerana, ankoatra ny vary gasy. Nidina kosa anefa ny any Sambava anisan’ny lafo indrindra hatramin’izay, nahatratra 2 800 Ar/kg tany aloha.Tsy nihetsika firy ny vidim-bary amin’ny ankapobeny eto amin’ny Nosy tamin’ny herinandro farany ny volana jona sy ny fiandohan’ity volana jolay ity. Na izany aza, nisy elanelany be ny fiovaovan’ny vidin’ny vary avy eto an-toerana? araka ny tatitra navoakan’ny Masoivohon’ny vary (ODR) farany teo. Manodidina ny 1 610 Ar/kg ny salambidin’ny vary gasy manerana ny Nosy, nahitana fihenana 119 Ar isaky ny kilao. Mahatratra 1 810 Ar/kg kosa ny makalioka, nahitana fisondrotana 313 Ar/kg. Nisondrotra 41 Ar/kg koa ny tsipala ka lasa 1 632 A//kg.Etsy ankilany, tsy nihetsika fa manodidina ny 1 600 Ar/kg ny vary hafarana avy any ivelany.Nihena -300 Ar ny any SambavaRaha raisina isaky ny tanàn-dehibe, anisan’ny tsy nihetsika ny salambidin’ny vary any Toamasina I, any Mahajanga I, any Tsiroanomandidy. Nahitana fihenany 300 Ar koa ny any Sambava, ny fiandohan’ny jolay teo, anisan’ny lafo indrindra hatramin’izay, lasa 2 500 Ar/kg raha 2 800 Ar ny faran’ny herinandron’ny volana jona.Raha raisina amin’ny taha indray tamin’ny fiandohan’ity volana jolay ity, nisondrotra 11% ny any Betioky Atsimo, + 4% ny salambidiny eto Antananarivo, +2% ny any Antsirabe, +1% ny any Antsohihy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Vary: nisondrotra 300 Ar/kg ny makalioka, nihena 120 Ar/kg ny vary gasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fivadihana taksibe

Mpandeha manodidina ny dimy no voalaza fa naratra tamin’ny fivadihan’ity taksibe iray tetsy Soanierana, omaly maraina. Hianatsimo ho any Ambohijanaka io fiara mpitatitra olona io no izao tra-doza izao. Nivily lalana sy nandona vatobe no fantatra fa nampivadika ny fiara. L’article Fivadihana taksibe est apparu en premier sur AoRaha.

News - Delire Madagascar

LALANA NIHOTSAKA ETSY SOANIERANA: Natomboka tamin’ny “tagnamaro” ny asa fanamboarana

Efa ho herintaona no tapaka ny lalana eny amin’ny fokontany Soanierana III i Cité Gare. Voatery miodina any Tsimbazaza na Ankadimbahoaka ny fiara na ny “taxi be” ary mandeha tongotra amin’ny fiakarambe ireo mponina. Raha ny hita teny an-toerana dia nihotsaka vokatry ny orana tamin’ny fotoam-pahavaratra farany teo ny lalana mampitohy an’i Soanierana ambony sy eo amin’ny Descour Ankadimbahoaka. Noho tsy fisian’ny fanamboarana dia niitatra izany ka lasa lavaka be. Namaly ny fitarainan’ny mponina sy ny antso nataon’ny mpanolontsainan’ny tanana an’ Antananarivo Renivohitra ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Ka handray an-tanana ny fanamboarana io lalana io miaraka amin’ireo matihanina amin’ny fanamboaran-dalana. Nisy ampahany tamin’ny asa no natomboka tamin’ny alalan’ny hetsika “tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” izay natao ny sabotsy 17 aogositra 2019 lasa teo. Nifandrimbonan’ny mpiasan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fampiakarana ireo vato malao tao anaty lavaka. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany, Razafindramanitra Emmanuel dia olona 26 avy amin’ny tokantrano enina no traboina vokatr’ity fihotsahana ity satria nibosesika tany amin’ny trano fonenan’izy ireo ny ranon’orana. Zava-doza hoy izy no hitranga raha mbola tratry fahavaratra manaraka io lalana io ka isaorana ny ministera nanomboka ny asa. Nomarihany fa efa nandefa fitarainana teny anivon’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra sy ny ministera misahana ny fanamboaran-dalana ny fokontany. Nilaza kosa ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana fa roa volana ny faharetan’ny fanamboarana ary nampanantena ny tenany fa hovitaina hatramin’ny farany izany kanefa vao maika tsara raha misy tomponandraikitra hafa maniry ny hanamboatra izany. Ankoatra teny Soanierana, nanamarihan’ny ministera foibe ny hetsika tagnamaro andiany faha-enina ny asa fanadiovana ny teny Ambodifilao, Tsaralalana ary Petite Vitesse. Lynda A. sary Cet article LALANA NIHOTSAKA ETSY SOANIERANA: Natomboka tamin’ny “tagnamaro” ny asa fanamboarana est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Santé - News Mada

Ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra…

Mitohy hatrany ny ady. Tsy mijanona na ajanona izay, raha tsy resy tosika ny valanaretina Covid-19: fandresena. Mby aiza? Ny faritra Analamanga no ivon’ny valanaretina amin’izao. Nahoana? Lazaina matetika ny hoe fahavalo tsy hita maso no iadiana, mora mifindra, tsy mifidy olona toerana… Na eo aza ny hoe mety mifindra amin’ny alalan’ny rivotra ny tsimokaretina, ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra azy. Mbola hitadiavan’ny sehatra iraisam-pirenena porofo ny hoe entin’ny rivotra ny tsimokaretina: raha marina, tsy ampy ny fihibohana fotsiny na mila diovana ny rivotra? Na ahoana na ahoana, tsy hita maso ny fahavalo. Na mety mipetraka amin’ny toerana rehetra aza izany, ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra ny tsimokaretina. Izay no iarovan-tena amin’ny fihibohana, fanaovana saron-tava, fanajana ny elanelana iray metatra, fanasana tanana matetika… Averimberina hatrany ny hoe tsy hita maso ny fahavalo, mora mifindra, tsy mifidy olona… Hita maso kosa ny olona mifanerasera amin’ny tena: iarovan-tena, iarovana ny hafa koa. Izay koa no ampihenana, araka izay azo atao, ny mety hisian’ny fifampikasohana na fifaneraserana akaiky sy mivantana. Tsy fiampangana fa fanahiana sy fahamalinana, heverina ho mety mitondra tsimokaretina ny hafa rehetra. Izay no iarovan-tena. Tsy fantatra koa raha mety mitondra tsimokaretina ny tena, na tsy misy soritr’aretina aza raha tsy atao fitiliana. Amin’izany, aleo mitandrina miaro ny hafa manodidina. Fifampitsinjovana izany ny fiarovan-tena: manahy olona mety mitondra tsimokaretina ny tena sady ahin’ny olona mety mitondra izany koa. Mandringa ary tsy mahomby ny fiarovan-tena amin’ny ady atrehina, raha tsy miara-miatrika amim-pifampitokisana ny rehetra fa horesena ny fahavalo iombonana. Inona no tena mampitombo isa ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina ho an’ny faritra Analamanga? Eny, na hoe mangatsiaka aza ny andro: manome vahana azy ho haingam-pitombo, matanjaka… Mila ho an’ny tsirairay ny daholobe, ary ny tsirairay ho an’ny daholobe. Izay no handresena?Rafaly Nd.L’article Ny olona ihany no tena mitondra sy mamindra… a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FIHINANANA FANAFODY ISAN’ANDRO :: Ahiana mafy ny ain’i Nassir Sivjee, ilay Karàna nisy naka an-keriny

Mampanahy ny ain’i Nassir Sivjee, ilay Karàna mizaka ny zom-pirenena Frantsay, tale jeneralina orinasa lehibe iray eto an-drenivohitra, nisy naka an-keriny tamin’ny alarobia 14 novambra lasa teo teny Androhibe. Mila mihinana fanafody isan’andro amin’ny ora voafetra ity rahalahin’ny tompon’ny tranombarotra lehibe fivarotana vata fampangatsiahina sy fahitalavitra ary milina isan-karazany eny Tsaralalàna ity, araka ny fantatra. Matetika ihany koa izy no manara-maso ny fahasalamany any ivelany. Izany indrindra no nahatonga azy tsy maintsy mihinana an’io fanafody io isan’andro amin’ny ora voatondro. “Fanafody tsy misy eto Madagasikara ihany koa izy io fa tsy maintsy afarana any ivelany”, araka ny fantatra. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny fakàna an-keriny anefa dia tsy nanana an’io fanafody io tany aminy i Nassir Sivjee. Noho izany,mampanahy mafy ny ain’ity Karàna mpandraharaha ity. Raha tsiahivina dia herinandro talohan’ny nakan’olona an-keriny azy dia niharan’izany ihany koa i Riaz Hassim, tale jeneralin’ny Makiplast, ary efa navo­tsotr’ireo jiolahy tamin’ny alakamisy alina teo. Tamin’ny taona 2015 ihany koa no efa niharan’izany i Rafik Jaffaraly, izay rahalahin’i Nassir Sivjee, teny amin’ny kianjan’ny sekoly Saint-Michel Amparibe. Tamin’ny taona 2014 dia efa nisy Karàna iray nisy naka an-keriny toy izao. Tsy maintsy mampiasa fanafody isan’andro anefa izy saingy tsy nanana izany tamin’ny fotoana nitrangan’ny fakàna an-keriny. An-taonany maro no tsy hita izy ary tsy fantatra na maty na velona. L’article FIHINANANA FANAFODY ISAN’ANDRO :: Ahiana mafy ny ain’i Nassir Sivjee, ilay Karàna nisy naka an-keriny est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020
22/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 22 Septembre 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 63 sur 598 tests effectués, portant à 1165 le nombre de cas actifs actuels dont 20 présentent des formes graves. La majorité des nouveaux cas sont localisés dans la région de Sava avec 25 cas, suivi de Alaotra Mangoro avec 13 cas, la région Diana avec 9 cas, la région vatovavy Fitovinany avec 3 cas, la région Analamanga avec 6 cas et la région de Boeny avec 1 cas. Quant aux guérisons, 61 cas de guérisons ont été également annoncés par le Pr Vololontiana, de ce fait sur 16 136 personnes contaminées du Coronavirus dans toute la Grande Île, 14 743 personnes sont totalement rétablies du Covid-19. 1 décès liés au Covid-19 a été rapporté par la porte-parole du CCO Covid-19, depuis le début de l’épidémie en mars 2020, le nombre de décès liés au coronavirus à Madagascar est de 226L’article Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020
26/09/2020

Taorian’ny fihaonana teo anivon’ny Copries, nandraisana toromarika avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony ho amin’ny tetiandron’ny fampianarana ambony ho an’ny taom-pianarana telo nifanesy, manao antso avo ny sojaben’ny departemantan’ny Degmia, amin’ny onversiten’ i Barikadimy- Toamasina, profesora Razanakolona Diny. Nambarany fa hitohy tahaka ny isan’andro ny fampianarana ary efa hofaranana ihany koa ny taom-pianarana 2018- 2019. Antsoina, araka izany, ireo mpianatra rehetra hanatitra ny dikan’ny taratasim-panadinana “copie” any aminy. Niantso ireo tokony hisoratra anarana, indrindra ireo manomana sy “Licence” sy “Masters” ny tenany. Hifarana ny 30 septambra ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasim-panadianana, hivoaka aorian’izay ny vokatra ary hikatona ny taom-pianarana 2018-2019. Hiditra ny 2 novambra ny taom-pianarana 2019-2020, izay hovitaina anatin’ny fotoana fohy, manodidina ny fito volana. Hirosoana aorian’ izay ny taom-pianarana 2020-2021. Ho an’ny sampam-piofanana toekarena, lalàna, fitantanana, hisy ny fitsapam-pahaizana ho an ireo mpianatra hiditra taona voalohany. Misokatra koa ny fampiofanana ampitain-davitra ho an’ ireo efa miasa na tsy afaka hanatrika fampiofanana an-dakilasy, na ireo monina ivelan’ i Toamasina. Afaka misoratra anarana avokoa izy ireo ary hifarana ny 30 septambra izany.Fampiofanana arakasaHo an’ny fampiofanana arakasa, ho an’ ireo telo taona taorian’ny nahazoana bakalorea teo amin’ny lalampiofanana lalàna sy matematika, mifarana ny 30 septambra ho avy izao ihany koa ny fisoratana anarana “master professionnel en marchés publics”, izay mety hazahoana toerana maha talena fitantanana na izay mitovy lenta aminy eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Toy izany ihany koa ny fampiofanana fitantanana seranan-tsambo sy ny fampitaovana, efa hisokatra manomboka ny 8 oktobra izao ny fisoratana anarana. Ho an’ ireto farany, voalaza fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny PRMP, Smmc ary efa vita ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny Spat. Hanampy ny Degmia eo amin’ny fiaraha-miasa hanatsarana ny fampiofanana hahazoan’ny mpianatra Master izy ireo.Tsy ho ela ny fivoahan’ny andiany eo amin’ny Master 2 anivon’ny departemanta Degmia.Sajo L’article DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020 a été récupéré chez Newsmada.

Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra
26/09/2020

Fanambarana faharoa. “Nisy fahadisoana ny voka-pifidianana noho ny “doublons”. Tsy ahitana taratra ny fahaleovantenan’ny Ceni izany… Ho avy ny fotoana hamakiana bantsilana sy hampahafantarana ampahibemaso ny vahoaka ny tsy mety ataon’izao fitondrana izao”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ireo vondron’ny olom-boafidy, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ary ny maro hafa, teny Andrainarivo, omaly. Anisan’izany ny fanararaotam-pahefana sy ny fanitsakitsahana ny demokrasia.  Nohitsin’izy ireo fa tsy hijanona intsony ny hetsika ataon’izy ireo raha tsy tanteraka ny hetahetan’ny Malagasy. Nentanin’izy ireo koa ireo olom-boafidy hafa tokony ho mpifidy ireo loholona mba hanara-dia azy ireo amin’ny tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana. Anisan’ny iantefan’izany ireo voafidy amin’ny antoko politika sy ny tsy miankina.Synèse R. L’article Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

CENI : Mandeha ny mandeha
20/09/2020

Miroso mankany amin’ ny fifidianana loholona vaovao. Tsy misakana ny sarety tsy ho any Sabotsy ny horakoraka. Fifidianana ataon’ny olom-boafidy izy ity.  Amin’ity fifidianana indray mitoraka ity dia tsy hisy intsony izany « doublon » izany  satria tsy hisy ben’ny tanana « double » na mpanolon-tsaina « double » amin’ny kaominina iray izany no afaka hifidy sady  vitsy raha teo ny isan’izy ireo raha mihoatra amin’ny vahoaka. Natao ahoana moa izany ilay didy navoakan’ny HCC momba ny famerenana ireo fifidianana  ben’ny tanana  sy mpanolon-tsaina vitsivitsy ? Nisy fepotoana napetrak’izy ireo io didy io. Voahaja ve ilay fepotoana ? Mifidy ve ireto governora notendrena ireto ? Apetraka amin’ny fomba ofisialy rahampitso 21 Septambra 2020 eny amin’ny CENI Alarobia ny filoha lefitry ny CENI vaovao. Nirina R. Cet article CENI : Mandeha ny mandeha est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CENI : Mandeha ny mandeha a été récupéré chez Délire Madagascar.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”
24/09/2020

Sokitra, paibato, paikafo, hosodoko… Mbola tena vitsy dia vitsy ny mivelona amin’ny fantanterahana asa tanana tahaka ireny, raha eto Madagasikara. Antony iray mahatonga izany ny tsy fananan’ny Malagasy ilay kolontsaina manome lanja azy io. “Matetika izahay mahare hoe: “io ve dia vidiako amin’izany?”, hoy i Martin R. mpanao paibato, eny Andriambato Antananarivo Atsimondrano. Nambarany fa “ny fanabeazana mihitsy no niteraka io tranga io. Tadidiko tsara, tsy nahay kajy aho tany amin’ny kilasy faha-5. Hoy ilay mpampianatra anay: “alefa manao teknika ianao raha izao no mitohy” ”.Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana ity hatrany: “toa midika avy hatrany fa ny olona tsy afaka loatra any amin’ny fianarana no alefa manao teknika. Tsy ilana fampiasana saina ve izany ny teknika”? Nanao randra-mitarika io toe-tsaina io ka raha vao asa tanana, tahaka ny zava-maivana eo anoloan’ny Malagasy, raha ny fanazavany.Vokatr’io poizina nalentiky ny vahiny ao an-tsain’ny Malagasy io, ilay maha zavakanto ilay vokatra mihitsy no takona ka tsy tazan’ny Malagasy, raha ny nambarany hatrany. “Tena sarotra ny mampitaha na mampifandanja ny aingam-panahy sy ny vola. Saingy, ny an’ny Malagasy, raha vao asa tanana, tsy tokony hosandaina be loatra”, hoy i Martin Paibato.Tolo-kevitra natolony ny hisian’ny fanabeazana ny fiarahamonina hanome lanja sy hasina ny asa tanana. “Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny talenta. Izy io anefa no milina lehibe ahavitana ny asa tanana. Raha tsy omena ny hasina sahaza azy ny talenta, mitovy amin’ny tsy manome lanja Ilay namorona sy nanome azy izany”!Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana” a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina
22/09/2020

Nanomboka omaly alatsinainy 21 septambra ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Roland Garros, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Anisan’ireo miatrika ity fifanintsanana ity ireo Malagasy mirahavavy, Andrianjafitrimo Tessah sy Ramialison Irina, saingy tsy mbola voaray ny voka-dalao teo amin’izy ireo. Ankoatra izay, nosembanin-drahona ny fanombohan’ity lalao ity, satria mpilalao dimy no voatery nesorina fa voan’ilay valanaretina “coronavirus”. Rehefa natao ny fitiliana, ny roa tamin’izy ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina fa ny telo kosa tranga fifampikasohana avy amin’ny mpanazatra azy ireo, izay tratry ny “coronavirus” ihany koa.Nanapa-kevitra avy hatrany ny talen’ny fifaninanana fa tsy afaka mandray anjara izy ireo. Nampiharina tamin’izy ireo ny fanokana-monina mandritra ny 7 andro. Tsy nambara kosa ny anarana sy ny fiavian’ireo mpilalao voalaza fa voan’ny “covid 19”, ireo. Tsiahivina fa nahatratra 900 ny fitiliana natao nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Tsy anisan’ireo voan’ny “covid 19” aloha izy ireo ka afaka mifaninana tsara. Haharitra hatramin’ny zoma 25 septambra ho avy izao ity fifanintsanana ity. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hiditra amin’ny fifaninanana ny rehetra, izay haharitra hatramin’ny 11 oktobra, ho avy izao.Ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, ferana ho 5000 isan’andro ihany ny isan’ireo mpijery afaka manatrika ny lalao. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina a été récupéré chez Newsmada.

COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa
21/09/2020

Nivoitra taorian’ny fifampiresahana nisy teo amin’ny Club Omnisport Tanambao Morafeno (COSTM) sy ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST), natao ny alakamisy lasa teo, fa hiaraka hiasa ny roa tonta. Nikaon-doha ny filohan’ny klioba COSTM, Rafanomezana Lalo sy ny filohan’ny EST, i Vital Serge, samy nahatsapa fa ilaina ny fiaraha-miasa. Maro ny azo hifanampiana, raha ny fanazavana, isan’izany ny famatsiana ara-pitaovana ny COSTM omen’ny EST sy fahavononan’ity farany hanampy ny hoenti-manana ny klioba amin’ny fiatrehana fifaninanana nasionaly. Tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny EST, voalohany ny hijerena izay fomba hahafahana manambatra ny klioba, faharoa, ny hanitarana ny klioba EST hivelatra amin’ny taranja hafa. Tsiahivina, efa nanomboka ny taona 1983 no niforona ny COSTM, izay misy taranja baolina kitra, ady totohondry, Handball, atletisma ary ny taona 2016 ny nanomboka nisy ny taranja Judo. Nohamafisin’ny roa tonta fa ho maro ny tetikasa hiaraha-manao, mikasa ny hanangana Dojo iraisana izy ireo, amin’ny taona 2021. Mi.Raz  L’article COSTM-EST: nahavita fifanaraham-piaraha-miasa a été récupéré chez Newsmada.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana
25/09/2020

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, taranja fibatana fonjamby, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Mialoha ny hanomezana Mari-pankasitrahana ireo mpiofana, hiatrika fanadinana izy ireo anio sy rahampitso. Adina an-tsoratra sy fampiharana moa no hataon’izy ireo amin’izany. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fiofanana ity ary efa nanomboka ny herinandro lasa teo izany. Mpampiofana manana ny maha izy ny mizara traikefa, manam-pahaizana iraisam-pirenena malagasy, hahitana an’ i Harimalala Solomampionona Rakotoarisena. Miisa 20 mianadahy ny miofana ary avy amin’ny ligy 6, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Boeny ary Vakinankaratra. Nambaran’ny mpampiofana fa nisy fitohizana satria ireo niatrika ny “niveau 1” ihany ireto manaraka ny fampianarana ho an’ny “niveau 2” ireto. Izany hoe, efa manomboka miditra lalindalina kokoa amin’ny “planification”, “périodisation”, “anatomie”ary ny “blessure”. Antenaina, araka izany fa hitondra fivoarana eo amin’ireto mpiofana ireto, raha ny nambaran’ny mpampiofana hatrany. Azo lazaina ho fohy rahateo ny fotoana kanefa mbola maro ny tiana hampitaina ka inoana fa any amin’ny fampiharana no hanatevina ny fahalalany ny mpiofana. Mi.RazL’article Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana a été récupéré chez Newsmada.