Fiaraha-miasa BNI-Cnaps : tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina ny zokiolona

News - Fiaraha-miasa BNI-Cnaps : tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina ny zokiolona

News - Fiaraha-miasa BNI-Cnaps : tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina ny zokiolona

Miara-miasa izao ny Cnaps sy ny BNI
Madagascar, ho fanavaozana sy ho fanamorana ny fisotroan-dronono ho
an’ireo zokiolona. Tato anatin’ny roa taona izao, miezaka ny BNI
manakaiky ny mponina sy mampihatra ny politika fi­sarihana ireo
zokiolona misotro ronono avy amin’ny se­hatra tsy miankina sy ny
fanjakana, ahafahan’izy ireo manohy mivantana na tsy mivantana ny
fihariana amin’ny fampihodinana ny toekarena. Afaka mandraharaha ny
zokiolona amin’izay sehatra manavanana azy, tsy ho vesatra ho an’ny
fiarahamonina.
Araka izany, misokatra ho an’ireo manana fifandraisana amin’ny
Cnaps ny tambajotra ao amin’ny banky BNI Ma­da­gascar, manafaingana
ny fikirakiran’izy ireo ny volany. Resen-dahatra ireo zokiolona avy
amin’ny sehatra tsy miankina handray ny fisotroan-dronono any
amin’ity banky ity, misy fandraisana manokana ho azy ireo, miaraka
amin’izany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.
Ahitana tolotra maro izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao, ho
an’ireo zokiolona, manamora ny fiainan’izy ireo, toy ny fahazoana
mampiasa Gab (Guichets automatiques de la banque) miisa 122,
amin’ny fotoana rehetra. Misy, ohatra, ny « Crédit Mitsinjo »
ahazoan’ireo misoratra ao amin’ny Cnaps mindram-bola hatramin’ny
valo tapitrisa ariary, haverina ao anatin’ny enim-bolana
hatramin’ny roa taona. Hamoraina ny fepetra rehetra ho an’izany
findramam-bola izany, tsy takina antoka manokana. Mety ha­voaka ao
anatin’ny 24 ora ny vola hindramina, raha mahafeno ny fepetra
rehetra.
Manome fanazavana ny tombontsoa rehetra ny BNI Madagascar amin’ny
alalan’ny tambajotrany, manampy mi­van­tana ireo misotro ronono ao
amin’ny Cnaps maniry ha­nokatra petra-bola. Safidin’ny maro anisa
amin’ireo zokiolona ireo rahateo ny banky voalaza eto. Izao
fiaraha-miombona antoka izao koa ny hanombohan’ny Cnaps ny
fanavaozana ny fanampiana ara-tsosialy (digitalisation).

R.Mathieu

Article tiré de Newsmada

L’article Fiaraha-miasa BNI-Cnaps : tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina ny zokiolona a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 05/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rugby vehivavy – «Can 2019»: 25 mirahavavy hanafika atsy Afrika Atsimo

Fantatra avokoa ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja rugby lalaovina olona 15.Vo afantina ho ao anatin’ny Makis de Madagascar ny mpilalao 25 mirahavavy, handray anjara amin’ny andiany voalohany, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja rugby, lalaovina olona 15. Fihaonana, hotanterahina ao amin’ny kianja Bosman Stadium, Johannesbourg, atsy Afrika Atsimo, ny 8 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena ny ankamaroan’izy ireo. Anisan’izany ireo niatrika fiofanana, tany Japon, ny volana jona lasa teo.Tsiahivina fa firenena efatra ny hiady io fifaninanana io: i Kenya, i Madagasikara, i Ogandà ary i Afrika Atsimo. Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’i Kenya ny Makis, eo amin’ny lalao voalohany, ny zoma 9 aogositra ho avy izao. I Afrika Atsimo kosa ny fihaonana faharoa, ny talata 13 aogositra, ary ny alarobia 14 aogositra ny lalao farany, hifandonana amin’i Ogandà. Tsiahivina fa ankoatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hanana ny lanjany manokana izy ity satria hiadiana ihany koa ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Nouvelle-Zelande, ny taona 2021. Tompondaka Ireo mpilalao mandrafitra ny Makis :1-Voahangy Lalaina (JSM) ; 2-Nanou Loula (SCB) ; 3-Josiane Patricia (JSM) ; 4-Nomenjanahary Sarindra (3FB) ; 5-Monica (FTVL) ; 6-Delphine Sarindra (FTM) ; 7-Sariaka (SCB) ; 8-Laurence (SCB) ; 9-Vonjimalala (3FB) ; 10-Voahirana Marie Sophie (3FB) ; 11-Tiana Jinah (SCB) ; 12-Nantenaina Patricia (SCB) ; 13-Farasoa Tantely (3FB) ; 14-Claudia Maminiaina (FTM) ; 15-Fabrina (FTM) ; 16-Hajalalaina Marie Josiane (JSM) ; 17-Tikasoa (JSM) ; 18-Veronique Eluriche (RCTS) ; 19-Tsiriniaina Bodonirina (3FB) ; 20-Andoniaina (SCB) ; 21-Herizo Lydia (SCB) ; 22-Joela (FTM) ; 23-Marie Christine (FTFA) ; 24-Fenitriniaina Hanta (FTM) ; 25-Ginah Christine Fihononana (FTM)Mpanazatra : Lanto Nirina  L’article Rugby vehivavy – «Can 2019»: 25 mirahavavy hanafika atsy Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy

Fantatra ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miandry ny fotoana hanatontosana, ny fifidianana sisa ny rehetra.Tontosa, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, tetsy Isoraka, omaly, ny antsapaka amin’ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, ao anatin’ny biletà tokana, amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona. Nialoha izany, notsiahivin’ny filohan’ny “comité de normalisation”, Rtoa, Atallah Beatrice fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ny kandidà Rabekoto Raoul Arizaka Romain, mahakasika ireo mpifaninana aminy, misahana andraikitra politika, izay voalaza ao anatin’ny fehezan-dalàna 13 sy 14 amin’ny lalàm-pitondran-tenan’ny fifa. Rehefa nodinihina hoy izy dia tsy azo raisina ilay izy satria tsy mbola filohan’ny federasiona ireo olona voalaza ireo. Efa nalefa any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny “comité de normalisation”, mahakasika izany.Kandidà iray ihany no tonga nanatrika ity antsapaka ity dia i Mohamad Abdillah Abdou, fa solontena kosa ny an’ireo kandidà telo hafa. Tsy nisy kosa ny an’Andriamiasasoa Doda. Izy ireo no nanao ny antsapaka, nanoloana ny mpanao gazety. Laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain. Faharoa, Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Herilalaina ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Toy io filaharany io ihany koa ny fandraisam-pitenenany, ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena (RNM sy TVM), amin’ny fanolorany, ny fandaharanasany. Hanana 5 mn avy izy ireo, manomboka ny 8 aogositra, hanombohan’ny fampielezan-kevitra, hatramin’ny 22 aogositra, ho avy izao, izay maimaimpoana.Tsiahivina, fa hatao any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra, ny fifidianana. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Toamasina : Olona roa notifirin’ny jiolahy

Raha ny fanafihana tranombarotra sy kiôska mpandefa sy  fakana vola amin’ny finday ary ny banky no lasibatra ireo andian-jiolahy mitam-basy teo aloha kely teo, izay dia ny olon-tsotra sy tokantrano heverin’ireo andian-jiolahy hahazoana vola indray no lasibatra. Tao Ankirihiry avaratra izao, dia tovolahy iray namonjy fodiana tokony  ho tamin’ny 06ora sy sasany, ny andro rahateo mora maizana noho ny vanim-potoana ririnina, no notifirin’ireo jiolahy teo tsy nisaron-tava sy nitondra basy PA vita gasy. Lasa ny vola sy ny môtô aty ary ny findainy. Voa teo amin’ny kibony ity tovolahy ity, saingy tsy maty ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin’ny hopitaly be Analakininina Toamasina. Efa tsy maninona ny tenany saingy mbola eny amin’ny hopitaly be izy hatramin’izao mitsabo tena. Ny alin’ny alarobia ihany dia tokantrano iray tao Tsarakofafa no notafihan’andian-jiolahy nitondra basy PA vita gasy ihany koa. Tsy fantatra mazava ny isan’ireto jiolahy, satria teo ireo andiany niditra ny trano, tao koa ireo niandry tety ivelany. Niaro ny fananany sy fianakaviany ity raim-pianakaviana ity ka notifirin’ireo andian-jiolahy, teny amin’ny hopitaly vao fantatra fa bala telo no nahazoa azy nandritra izany. Tsy maty anefa ity raim-pianakaviana ity ary mbola manaraka ny fitsaboana azy eny amin’ny hopitaly be hatreto. Tsy mbola misy voasambotra kosa na iray aza na ilay nanafika tovolahy tao Ankirihiry avaratra, na ireto nanafika tokantrano iray tao Tsarakofafa ity. Ankoatra izay, ny fitarainan’ny olona izao dia ny tsy famalian’ireo polisy antsoina amin’ny finday raha misy ny antso vonjy taitra, nefa ireo polisy ihany no manaparitaka ireo findain’izy ireo amin’ny vahoaka, sy ny fahamarinan’ireo tranombarotra sy ireo magazay ary ireo mpanam-bola manana mpiambina mpitandro filaminana nefa ny vahoaka isam-pokontany mijaly amin’ny fanendahana sy sinto-mahery ary vaky trano tsy andro tsy alina. Malala DidierL’article Toamasina : Olona roa notifirin’ny jiolahy a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: « Tokony hipaka any amin’ny vahoaka ny asa »

Nitarika fivoriana hametrahana ny fomba fiasa vaovao sy ny fandrindrana asa ary ny fampitoviana fomba fijery amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra sahanin’ny minisitera maromaro ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Anisan’izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. “Ilaina ny fanovana ny fomba fitantanana hahafahana mampandroso haingana kokoa ny firenena ary hipaka mivantana amin’ny vahoaka ny vokatry ny asa atao. Anisan’izany ny famerenana indray ny soatoavina tokony hananan’ny tompon’andraikitra tsirairay eto anivon’ny firenena. Ny fahamarinana izany, mitarika any amin’ny mangarahara, indrindra eo amin’ny fitantanam-bola”, hoy ny praiminisitra. Nanteriny fa ho hentitra ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana, indrindra eo amin’ny fanolorana ny tsenan’ny asam-panjakana. Tsy hisy intsony koa ny famindram-bola atao amin’ireo rantsa-mangaikan’ny minisitera raha tsy misy mazava ny fandaharam-pampiasana izany. “Atao mifanaraka amin’ny vina napetraky ny filoham-pirenena voarakitra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) sy ny filana takin’ny eny ifotony ny tetibola homena ny minisitera”, hoy ihany izy. Momba ny rafi-panavaozana ny fampianarana (PSE), tokony hiverenana ny fifampidinihan’ny rehetra voakasik’izany hahazoana vokatra mifanaraka amin’ny tena takin’ny zava-misy iainana ankehitriny. “Aoka isika tsy hanaraka an-jambany ny fanaon’ny firenena hafa”, hoy izy.Synèse R.  L’article Praiminisitra Ntsay Christian: « Tokony hipaka any amin’ny vahoaka ny asa » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny

« Tsy misy firenena na iray aza eto ambany masoandro ka afaka ny handroso amin’ny alalan’ny kolontsain’ny hafa », hoy ny mpampianatra sady mpikaroka iray izay. Hatreto anefa, mbola tsy laharampahamehana ho an’ny Malagasy ny hitia sy hiaina ny kolontsainy. Miainga any amin’ny sarambabembahoaka ka miafara any amin’ny mpitantana isan’ambaratonga, samy mametraka ny kolontsaina ho toy ny zava-bitika.Fanorona, katro, sns, no lalaovin’ny Malagasy any amin’ny ivokolo vahiny. Tranga mahamenatra. Sady tsy manana toerana ilalaovana azy ireny ny Malagasy no tsy manana finiavana mba hikarakara hetsika tahaka io « Kilalao iombonana » io rahateo. Efa ho 24 taona, ohatra, no nanatontosan’ny Alliance Française Andavamamba azy ity. Aiza ny mpandraharaha malagasy ? Aiza ireo Malagasy midradradradra fa tia an’i Madagasikara ? Aiza ireo sampandraharaha isan-tsokajiny tokony hanome lanja ny kolontsaina ? Sns.Hatreto, mbola tena sarotra ny ilaza fa tena mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Malagasy, raha io tranga io no jerena !HaRy Razafindrakoto L’article Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

IKM! Aogositra, volan’ny varatava

Varatava, heverina fa mbola vaovao amin’ny sofin’ny maro ity voambolana tena malagasy ity, kanefa milaza endri-javakanto iray, miroborobo sy be mpankafy, amin’izao fotoana izao. Sary endrik’olona vita hosodoko, nalain-tahaka avy amin’ny saripika na natao teo am-pijerena ilay olona mivantana ny atao hoe varatava.Tsy vitsy ny tanora manan-talenta amin’izany, voaporofo amin’ny fahamaroan’ireo manao ity karazana hosodoko ity ho antom-pivelomana mihitsy, amin’ny toerana samihafa, eto an-dRenivohitra. Maro, rahateo, ny olona tia atao hosodoko. Ho fampivondronana io talenta iombonana io sy hisian’ny sehatra ifampizarana traikefa, tafajoro ny Varatava Association.Hatramin’izay, tsy mbola nisy ny hetsika natokana tanteraka ho an’ny varatava. Ankehitriny kosa, manoloana iray volana be izao ho an’izany ny fikambanana. Hanomboka rahampitso io hetsika io ary hotanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) eny Antsahavola. Fampirantiana, fanaovana varatava eo no ho eo, fifaninanana, sns. Hatevina ny fandaharam-potoana, mifanojo indrindra amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pialan-tsasatra ho an’ny kilonga.Landy R.  L’article IKM! Aogositra, volan’ny varatava a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Akademia miaramila: miatrika fiofanana komando ny andiany faha-43

Manaraka fiofanana momba ny komando, ao amin’ny foibem-pirenena fanofanana komando, ao Ambatolaona Manjakandriana, nanomboka ny talata teo hatramin’ny 11 novambra ho avy izao, ireo mpianatra ho manamboninahitra, antsoina koa hoe “Elèves-officier-d’active” (EOA) avy amin’ny andiany faha-43, Akademia miaramila, Antsirabe. 70 ny isan’ireo mpiofana, ahitana vehivavy valo sy teratany kaomorianina miisa telo. Miara-miatrika izao fiofanana izao koa anefa ireo miaramila avy ao amin’ny “Bataillon des operations et services” (BAT OPS) ary ny “Premier regiment des forces d’intervention” (1°RFI). “Apinga”, izay ny iantsoana ity fiofanana ity.Anisan’ny tanjona amin’izao fiofanana izao ny fanamafisana ny vatana sy ny moraly rehefa sendra ny ady sarotra, izany hoe, ny hananan’izy ireo toe-tsain’ny mpiady… Nialoha ny tena nirosoana amin’izao fiofanana komando izao, nisy ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsapana momba ny vatana tsy maintsy nataon’ny tsirairay. Rehefa vita ny fiofanana, mahazo mari-pahaizana sy “brevet Apinga” ireo mpiofana. Hiverina hanohy ny fiofanana any amin’ny Akademia miaramila any Antsirabe indray izy ireo avy eo. Amin’ny taona fahatelon’ny fiofanana, izany hoe, ny taona 2021, kosa, mbola hanaraka ny fiofanana ho “Fusiller marin commando (Fumaco), hatao ao amin’ny 2°RFI any Antsiranana, indray ireto mpiofana ireto.M.R.L’article Akademia miaramila: miatrika fiofanana komando ny andiany faha-43 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty

Olona efatra indray maty! Io ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andranomisa Anjozorobe, afakomaly. Kamiaobe iray nitondra vary milanja vary 8 taonina no nivadika noho ny olana teknika, araka ny fanazavana voaray.Hiakatra aty an-dRenivohitra ity kamiaobe nitondra vary ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Olona telo naratra mafy ankoatra ireo maty ka nentina haingana namonjy hopitaly.Fa nisy olona telo koa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN 2 tao amin’ny kaominina Beforona, distrikan’i Moramanga, afakomaly alina. Fiara taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy i Fenoarivo Atsinanana ny tra-doza tampoka. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Fenoarivo Atsinanana ity fiara ity. Raha ny angom-baovao, niala fiarabe teo alohany ny mpamily ka tsy tafaverina intsony ny familiana ary nivarina tany anaty hantsana ny fiara. Vokany, maty tsy tra-drano ny olona telo tamin’ireo mpandeha. Nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitalin’i Moramanga kosa ireo naratra. Anisan’ny mampitaraina ireo mpitatitra mampiasa iny RN 2 ny fisian’ireo kamiaobe mandeha mafy amin’iny lalana iny nefa tery ny lalana. Milaza ny mpamilin’ireny kamiaobe ireny fa noho ny henjikenjika amin’ny famoahan’entana eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny mahatonga azy ireo mandeha mafy satria misy ora tsy maintsy enjehina. Nambaran’ny mpamily iray mpanao zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina fa antony iray miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny RN 2 koa ny fahasimban’ny lalana, indrindra ny fisian’ireo lavadavaka ilàna fanamboarana.Jean Claude sy SajoL’article Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Telo volana faharoa 2019: mihatsara ny fitantanam-bolam-panjakana

Natao, omaly tetsy Anosy, ny fanombanana ny fitantanana ny volam-panjakana ho an’ny telo volana faharoan’ny taona 2019. Nojerena ny toe-draharaha toekarena sy ny fomba nandaniana sy nampidirana ny volam-panjakana. Fantatra fa tsara ny tondro ara-toekarena samihafa ny telo volana faharoan’ny taona 2019 raha oharina ny tamin’ny enim-bolana voalohany ny taona 2018. Anisan’ny nahatonga izany ny firoboroboan’ny sehatry ny asa vaventy, ny famokarana angovo ary mpizahatany.Nitombo ny vola niditra amin’ny fanjakana, tafakatra 1 469 miliara Ar, raha novinavinaina ho  1 455 miliara Ar (nanantombo 14 miliara Ar). Singanina amin’izany ny vola avy amin’ny haban-tseranana, nihoatra ny 102% (1 335 miliara Ar) raha 1 309 miliara Ar ny vinavina. Nahatonga izao vokatra tsara izao koa ny fanatsarana ny fitantanana ny hetra TVA sy ny fanaraha-maso hentitra ny fanangonana ny hetra ankapobeny.Manampy izany, nihatsara ny famoahana ny volam-panjakana, nahazoam-bokatra 22,44% ho an’ny tetibola ankapobeny, 15,40% ho an’ny tetibola fanampiny ary 30,85%  ho an’ny kaonty manokan’ny Tahirimbolam-panjakana. Nahatratra 38% ny tahan’ny zava-bita sehatra efatra (fitantanan-draharaha, famokarana, fotodrafitrasa ary sosialy).Nilaza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola (MEF), Raoelijaona Bien Aimé, fa tsy maintsy hamafisina ny fananana toe-tsaina mifototra amin’ny fahazoam-bokatra, ny mangarahara ary ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka.Njaka A. L’article Telo volana faharoa 2019: mihatsara ny fitantanam-bolam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9

Tropy 14 no hifampitana. Toerana 8 kosa no hotetezin’ny “Hiragasy makotrokotroka” amin’ity. Hakotrokotroka noho ny andiany teo aloha, raha ny fiaraha-misalahy amin’ny fanomanana no tarafina…Hiditra amin’ny andiany fahasivy ny “Hiragasy makotrokotroka”. Fifaninanana adin-kiragasy, hifanandrinan’ireo tropy kalaza eto Iarivo izy ity, izay fanao isaky ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra, fandalovan’ny mpizahatany ihany koa. Hotontosaina ny 4 aogositra hatramin’ny 6 oktobra izao ny “Hira gasy makotrokotroka”, raha ny fandaharam-potoana. Raha toa ka tamina toerana iray hatrany ireo andiany teo aloha, hitety tanàna sy vohitra kosa izany amin’ity andiany fahasivy ity. “Ho fanomezan-kasina ny kolontsaina eto Analamanga, ho fanomezan-danja ihany koa ireo vakoka sy toerana manan-tantara no antony hanaovana azy mitety vohitra”, hoy  ny fanazavana nomen-dRakotondrabe Niry, tale jeneralin’ny ofisim-pirenena misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto (Ofnac), nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Hatao, ny alahady 4 aogositra tolakandro izao ny adin-kira gasy voalohany, eny amin’ny Rovan’Antananarivo. “Efa tamin’ny andro faha mpanjaka no nisy hira gasy farany teny amin’ny Rova, ka nosafidiana manokana ny toerana amin’ity”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Ofnac. Hitohy amin’ireo vohitra sy tanàna toa anAmbatomanga, Sambaina, Talata Volonondry, Fidasiana Ambohimanga, Anosy, Ambohijatovo ary eo antokotanin’ny lapan’ny Tanàna eo Analakely izany. “Tsy avela ho fandalovan’ny mpizahatany fotsiny eto Antananarivo, fa mba hisarihana azy ireo hijanona hamantatra ny kolontsaina sy ireo vakoka ary toerana azo tsidihina ihany koa ny hetsika. Anisan’ny tanjona napetraka tany am-boalohany izay, miara-dalana amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina”, hoy kosa ny avy ao amin’ny Ofisim-paritra misahana ny fizahantany eto Antananarivo. “Nandritra izay andiany valo izay, niezaka izahay ny hampiakatra avo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny, sy ny hira gasy manokana. Sambany amin’ity no nanohana sy niditra an-tsehatra anatin’ny fanatontosana mihitsy ny minisitera mpiahy, ka mahavelombolo ny mpisehatra rehetra izany”, hoy kosa ny nambaran’ny filohan’ny Haigasy, Randrianarivelo Faly. Zo ny AinaL’article “Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9 a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

HCDDED : Sortie du n° 8 du magazine « DEMOKRASIA »
20/11/2020

Le magazine trimestriel « DEMOKRASIA », édité par le Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit (HCDDED), en est aujourd’hui à sa huitième édition. Ce numéro se focalise sur les quatre grandes thématiques principales traitées par le HCDDED : la démocratie, l’Etat de droit, la bonne gouvernance et les droits de l’Homme. Notons que du 12 octobre au 3 novembre 2020, le HCDDED a organisé des séries d’ateliers portant sur ses domaines de compétences. Un projet appuyé par l’Organisation Internationale de la Francophonie (OIF). Recueillis par Dominique R. L’article HCDDED : Sortie du n° 8 du magazine « DEMOKRASIA » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article HCDDED : Sortie du n° 8 du magazine « DEMOKRASIA » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Maty antoka tanteraka ny tantsaha: tafidina 100 000 Ar ny kilaon’ny lavanila
23/11/2020

Ankoatra ny mosary any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, olana goavana koa ny fitotongan’ny vidin’ny lavanila any Sava sy any Analanjirofo. Ahina hiteraka krizy sosialy sy toekarena koa izany satria midangana ny vidim-piainana any amin’ireo faritra ireo.Matiantoka tanteraka ny tantsaha any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo. Mitotongana ny vidin’ny lavanila, tsy nisy toy izany mihitsy tato anatin’ny 10 taona farany. Nitatitra izany fatiantoky ny tantsaha izany ny solombavambahoaka maromaro voafidy tany amin’iny faritra iny. Tafidina 100 000 Ar ny kilaon’ny lavanila masaka, tamin’ity herinandro ity, raha mbola 250 000 Ar tany aloha.Voalaza fa anisan’ny mahatonga izao olana lehibe izao ny havitsian’ny mpanangom-bokatra any an-toerana amin’izao fotoana izao. Manampy izany, nisy ny mpandraharaha lehibe sy efa niasa ela tany tsy nahazo fahazoan-dalana hanondrana any ivelany.Tsy tokony hoferana 250 dolaraEo koa ny vidin’ny lavanila avy aty Madagasikara lafo loatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ka tsy mividy ny mpanafatra. Takin’ny tantsaha koa ny tsy hamerana ny vidin’ny kilaon’ny lavanila ho 250 dolara (975 000 Ar), ivarotana azy any ivelany. Atsy Kaomoro, efa 150 dolara (585 000 Ar) ny vidin’ny lavanila amidy any ivelany.Ahina hiteraka krizy sosialy sy toekarena any Sava sy Analanjirofo ity fitotongan’ny vidin’ny lavanila ity satria tena lafo dia lafo ny fidangan’ny vidim-piainana. Maro ny ahina ho very fananana, satria nisy amin’izy ireo nindram-bola tany amin’ny banky.Njaka A.L’article Maty antoka tanteraka ny tantsaha: tafidina 100 000 Ar ny kilaon’ny lavanila a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra
23/11/2020

Niredareda ny afo tao amin’ny oniversiten’Antsiranana, ny sasakalin’ny asabotsy hifoha alahady teo. May tamin’izany ny trano fonenan’ny mpianatra ao an-toerana. Vokany, rava avokoa ny fotodrafitrasa vitsivitsy. Tovolahy mpianatra iray ao amin’ny taona faharoa, maty vokatry ny loza. Mpianatra roa hafa koa naratra mafy. Araka ny fanadihadiana, « court-circuit » ny nahatonga ny loza sy nitarika ny fahavoazana. Ao koa ireo nanazava fa nitsonika ny taribin-jiro fitsilovana teny ambonina tilikambo. Antony nipoiran’ny afo izany. Nikoropaka ny rehetra raha vantany vao niseho ny loza, tsy tafavoaka tamin’izany kosa anefa ny tovolahy iray vao 22 taona, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ny « faculté des sciences » ao an-toerana. Vokany, sempotra tsy tafavoaka ilay trano may izy ka may sy namoy ny ainy. Ireo naratra mafy kosa, nalefa vonjimaika ao amin’ny hopitaly ao Antsiranana.Naharitra manodidina ny 3 ora ny fahamaizana ka nandravarava ireo fotodrafitrasa sy ireo fitaovana ao amin’ny oniversite. Raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, maherin’ny 60 ireo traboina. Henitsoa HaniL’article Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Fitakiana tsy nahitam-baliny an-taona maro: raikitra ny fitokonan’ny «inspecteur de travail»
18/11/2020

Niotrika an-taony maro ka tsy afaka hangina intsony, manomboka izao. “Efa hatramin’ny taona 2004 noho mankaty ny fitakianay ny sata mifehy manokana anay nefa tsy nisy nametraka izany hatramin’izao. Tsy nisy valiny mahafa-po nefa zonay izany ary ara-dalàna satria efa voafaritry ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa. Efa  nankatoavina sy nosoniavin’i Madagasikara izany amin’ny hanomezana sata manokana anay», hoy ny mpitarika eo anivon’ny « inspecteur de travail », Ravelomahatratra Rojo, omaly, tetsy Antsahavola. Nanteriny fa efa nisy ny dingana natao. Anisan’izany ny nandefasana taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Asa. Teo koa ny fifampiresahana mivantana, araka ny nambarany. « Tsy nahitana valiny izany. Ela loatra ny fiaretana ka mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana izahay », hoy ihany izy.Fanaraha-maso ny tsy ara-dalàna eny amin’ny orinasaNotsiahiviny fa manana fahefana sy asa sahaniny manokana ny « inspecteur de travail ». Eo koa ny ilana ny fampitaovana sy ny olona amin’ny fanatanterahana ny asa, araka ny voafaritry ny fifanarahana iraisam-pirenena, araka ny nambarany. Anisan’ny asan’izy ireo ny fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna eny anivon’ny toeram-piasana. Ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna eny amin’ny orinasa… Midika izany fa hisedra olana ireo mety hanana fifanolanana any amin’ny toeram-piasana rehetra any. Vao avy nandalo krizin’ny Covid-19 rahateo ny firenena ary anisan’ny nisedra olana ny mpiasa sy ny orinasa. Ahina hiteraka korontana sosialy sy toekarena izany izao fitokonana izao.Synèse R.L’article Fitakiana tsy nahitam-baliny an-taona maro: raikitra ny fitokonan’ny «inspecteur de travail» a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
19/11/2020

Zazalahikely iray nisy nanary tao anaty lavapiringa ao Andranonahoatra Antsirabe, afakomaly tolakandro. Ankizy nilalao no naheno ilay zazamena nitomany ka niantso fokonolona. Novakiana ny lavaka ka avotra soa aman-tsara ilay zaza.Hampitondraina anarana “Caserne” avokoa ireo zandary maty. Isan’izany ireo mahery fon’ny firenena lavo teo am-perinasa. Hotanterahina avy hatrany izany raha vantany vao ankatoavin’ny fianakaviany ny fangatahan’ny Zandarimariam-pirenena.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary
23/11/2020

Nandriaka indray ny ra teny Ankaraobato, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nihosin-dra tanteraka ny maitre Bary, nivalampatra tamin’ny arabe. Olona sendra nandalo ny nahita azy teo amin’ny rarivaton’Ankadilalampotsy-Ankaraobato. Feno dian’antsy ny faritry ny tendan-dRatompokolahy Bary. “Antony mety ho nitarika ny fahafatesany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa monina eny Antsahasoa, tsy lavitra eny, ralehilahy. Mpitaiza tanora amin’ny fanatanjahantena izy. Anarana ahalalan’ny maro azy ny “maitre Bary”. Malaza amin’ny tanjany izy ary tsy mahatohitra azy raha mbola olona telo aman’efatra manao angaredona aminy. Mety ho tampoka aminy kosa ny fanafihana nahazo azy.Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminanan nijery ilay namoy ny ainy. Nanatrika izany koa ny mpitsabo ao an-toerana. Misokatra, manaraka izany, koa ny fanadihadiana ny raharaha. Henintsoa Hani L’article Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary a été récupéré chez Newsmada.

Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II
19/11/2020

Pose des premières pierres du CSB II Manara-penitra du district de Miarinarivo. (Photo :DRSP Itasy) Le ministère de la Santé publique, conformément au Velirano numéro 5 du Président de la République d’améliorer le système de santé à Madagascar, procède actuellement à la construction de Centres de santé de base de niveau II dans plusieurs localités. Le lundi 16 novembre 2020, la délégation du ministère était par exemple à Mananjary pour poser les premières pierres du futur CSB II Manara-penitra Mananjary. Mais les premières pierres ont été également posées pour le CSB II de la commune Alatsinainikely dans le district de Miarinarivo le même jour. Rappelons que l’accès aux soins de qualité demeure problématique dans les communes reculées de Madagascar. Certes, les infrastructures en cours de construction en ce moment ne sont pas assez, mais elles pourront déjà améliorer la situation sanitaire du pays. D’autres sont d’ailleurs prévus être construites très bientôt. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Judo – Championnats d’Afrique : Les judokas malgaches en regroupement
25/11/2020

La préparation bat son plein pour les judokas malgaches. A moins d’un mois de la tenue du Championnat d’Afrique senior du 17 au 20 décembre au Palais des Sports de Mahamasina, le clan malgache s’active. Les présélectionnés au sein de l’équipe nationale malgache ont démarré les entraînements ce lundi, au Gymnase de l’Académie Nationale des Sports (ANS). Ce sont 40 judokas de la capitale, d’Antsirabe, de Toamasina et de Manakara qui poursuivent cette préparation en attendant l’arrivée des autres délégations de régions. Ils sont hébergés au M Hôtel à Ampefiloha. « Les judokas de Toliara n’arriveront qu’aujourd’hui. Nous avons appelé près de 40 judokas pour ce regroupement continu qui s’étalera jusqu’au début de la compétition. Nous nous entraînons à un rythme de 3 fois par jour en ce début des préparations », a souligné Jean Jacques Rakotomalala, directeur technique national. Lors de la première journée, les judokas ont été sous l’encadrement des coachs, Arsène Randriantovona, Martine Randriamalalaniaina et du préparateur physique, Mamy Randriamanasinoro. Ces championnats entrent dans le cadre des qualificatifs continentaux pour les Jeux Olympiques de Tokyo 2021. La liste des judokas présélectionnés pour la ligue Analamanga. – 48 kg : Ranaivo Rotsy – 52 kg : Andriamifehy Mireille – 57 kg : Rakotovao Narindra – 63 kg : Rasoanaivo Razafy Laura – 70 kg : Ny Ando Jocyah – 78 kg : Rasoanaivo Miora – 60 kg : Rakotonandrasana Angelo, Moravily Sebany – 66 kg : Ramahefarison Rina, Rasoanaivo Razafy Lucas, Rambeloson Lita – 73 kg : Ravelojaona Rayan, Andrianasolo Lova – 81 kg : Ranaivoarisoa Fetra, Razakandrandria Roberto – 90 kg : Ramalajaona Ricky, Rakotovelo Mialy, Ramboaniaina Johary – 100 kg : Rasoanaivo Antsa +100 kg : Rajemisa Tojo Gaël, Rasoanaivo Razafy Tsanga T.H L’article Judo – Championnats d’Afrique : Les judokas malgaches en regroupement est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Judo – Championnats d’Afrique : Les judokas malgaches en regroupement a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina
20/11/2020

Noraisin’ny Praiminisistra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly,   ny delegasiona avy any Arabie Saodita. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny miandraikitra  an’i Afrika, i Ahmad Bin Abdulaziz Kattan. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.Nodinihina tamin’izany fa haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny roa tonta. Nanamarika ny minisitra saodianina fa efa ela ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodianina. Nisandrahaka amin’ny sehatra maro izany. Eo ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa momba ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana. Manampy ireo ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara eo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.Ady amin’ny covid-19Ny famatsiam-bola 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny covid-19.Nambaran’ny minisitra Ahmad Bin Abdulaziz Kattan koa ny toerana misy an’i Arabie Saoudite sy ny fifandraisany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika. Nohazavainy ny ezaka ataon’ny fireneny mba tsy hisian’ny fitotongananan’ny vidin’ny solika maneran-tany.Nankasitraka izany sady nampita ny fiarahabana ho an’ny mpanjaka Saodianina ny praiminisitra, ary naneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hisokatra mandrakariva amin’ny lalana hahafahana mampivelatra sy manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina a été récupéré chez Newsmada.

MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana
20/11/2020

Miezaka mitondra sy manome vitrika ho an’ireo manan-talenta amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto ny minisitera misahana izany. Iray amin’ireny ny fanolorana mari-pankasitrahana.Ho fankaherezana amin’ny tontolon’ny zavakanto…. Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina mari-pankasitrahana ireo tanora 163, izay mpianatra avy ao amin’ny ivontoeram-panofanana momba ny dihy sy ny mozika Cnemd, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Vokatry ny fandraisan’anjara tamin’ny seho ara-javakanto natao tamin’ny fanokanana ny Lapa Manjakamiadana sy ny Lapa Besakana, ny 6 novambra 2020 teo izany. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny mari-pankasitrahana teny an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany tamin’izany fa vonona hatrany ny minisitera hanohana ireo tanora manan-talenta mba ho tena hanana ny maha izy azy. Nandritra ny lahateniny, nitondra ny fiarahabana sy ny fisaorana avy amin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina mivady ny tenany ho an’ireo tanora naneho zavakanto mahafinaritra. Marihina fa rafitra iray eo anivon’ny minisitera ny Cnemd. Vao tsy ela akory izay no vita ny fanamboarana ity ivontoerana ity raha simba tanteraka izany teo aloha. Efa manomboka maha velombolo, araka izany, ny ho avin’ny tanora sy ny zavakanto atsy ho atsy satria efa nahavita dingana sahady ny mpianatra na dia 50 ora aza no nanaovana ny fanomanana ny seho. Anisan’ireo tao amin’izany ivontoerana izany, tamin’ity taona 2020 ity, « Zaza kanto », raha ny nambaran’ny talen’ny Cnemd, i Holy Razafindrazaka.Narilala L’article MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana a été récupéré chez Newsmada.

CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato
19/11/2020

Fanamorana ny fahazoana trano fonenana. Tontosa ny 19 novambra 2O2O teny amin’ny « salon de l’habitat » teny amin’ny Forello Tanjombato ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS, ny BNI ary ny ANALOGH. Tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny CNAPS hahazoan’ny mpikambana ao aminy trano fonenana ity fiarahamiasana ity sady ho fanatanterahana ny politakan’ny fahazoana trano fonenana. “Laharam-pamehana ho anay ny fisitrahana ny zo hahazo trano. Anjara birikinay ny hahazoan’ny mpikambana trano. Ny banky manome famatsiam-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambanimbany ary Analogh manao asa fanamboarana”, hoy ny tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy. Nambarany fa mpikambana miisa 12.000 ao amin’ny CNAPS no afaka misitraka ny  trano fonenana an-jatony, eny Lake Village eny Ivato raha sitrak’izy ireo. “Ny CNAPS no manome antoka ny banky fa afaka misitraka izany izy ireo”, hoy izy. Araka ny fanazavany dia 350.000 ny mpikambana ao amin’ny CNAPS afaka omena trano fa samy manana ny vola tokony aloany amin’ny banky. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Analogh  fa manohana ny fandaharan’asa ao anatin’ny vinan’ny Prezidan’ny Repoblika, laharana faha-11 dia fanamorana ny fahazoana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy ity fiarahamiasa ity. Lynda A. Cet article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato a été récupéré chez Délire Madagascar.

RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana »
20/11/2020

Mitondra zava-baovao hatrany ny mpikarakara ! Tao anatin’ny taona maro nisiany, tany anaty efitrano no nanatontosana ny ankamaroan’ny fandaharam-potoana tontosaina mandritra ny « Rencontres du film court » na ny RFC. Amin’izao andiany faha-15 izao, niova sy nohatevenina izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rozifilms sy ny orinasa Orange Madagascar ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hisy ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ». Niombom-peo ny telo tonta fa ilaina ny fampanatonana ny sarimihetsika ho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Halefa any anivon’ny boriborintany eto Antananarivo Renivohitra ireo sarimihetsika sasany mandray anjara amin’ity EFC andiany faha-15 ity mba hahafahan’ny Malagasy miaina sy mahafantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatrehin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Goavana rahateo ny lohahevitra nofidin’ny tompon’andraikitra satria mifandraika amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanabeazana maha olona. Afaka hampitana hafatra haingana sy mahomby ihany koa ny sarimihetsika ka mora raisin’ny olona ny zava-boalaza sy asehony. Ny 21 novambra ao amin’ny EPP Antanimena I sy ny 22 novambra izao, eny amin’ny EPP Manjakaray II B, samy amin’ny 5 ora sy sasany hariva no handefasana ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ».Marihina fa, anio, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva no hanokafana ny fifaninanana sy ny fanentanana ao anatin’ny “Rencontres du films court” andiany faha-15.HaRy Razafindrakoto L’article RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana » a été récupéré chez Newsmada.