Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hotrandrahin’ny « Teratany » ny vakoka Sakalava

News - Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hotrandrahin’ny « Teratany » ny vakoka Sakalava

News - Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hotrandrahin’ny « Teratany » ny vakoka Sakalava

Sonia roa sosona. Notanterahina, omaly tetsy amin’ny foiben-toeran’ny  Comnat/Unesco Behoririka, ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo sy ny fikambanana « Teratany » hampiroboroboana ny vakoka sy ny kolontsaina. Tafiditra ao anatin’izany ny nahazoan’io fikambanana io vola 20 000 dolara  ho amin’ny fandaharanasa hanombohana ny tetikasa lalana nizoran’ny fanandevozana sy ny lalana ho an’ny vakoka sy kolontsaina, ho an’ny Sakalava tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18. Hiteraka firoboroboan’ny fizahantany sy fanomezan-kasina ny vakoka eto amintsika izao fanohanana entin’ny Unesco izao. Hahazo tombony koa ny eny ifotony ankoatra ny fahafantarana ny tantara. Hojerena ny lafiny tantara sy ny lalana nizorana ary koa ireo lovantsofina. Hohamarinina eny an-toerana miaraka amin’ny eny ifotony izany. Hisy ny koa ny firaketana amin’ny antontan-kevitra sy ny horonantsary. “Zava-dehibe ity tetikasa ity. Fanohananay ny vinan’ny fitondrana amin’ny fisarihana mpizahatany manoloana ny fananantsika harena miavaka sy vakoka manana ny maha izy azy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Comnat/Unesco, Ravelojaona Manda Herilaza. Nambarany fa ho maro ireo mpitsidika ho avy. Hiforona ny asa ary hiakatra ny harinkarena.

Nahazo tohan’ny Unesco koa ny fikambanana Heal amin’ny alalan’ny Fako voaavaka misy rindra  (Favori). Hahazo tombony amin’ny tetikasa ny EPP Mahamasina sy ny EPP Mandraka ary ny Ecole primaire protestante Moramanga. Miompana amin’ny fanodinana fako an-tsekoly izany. Hisy ny  fanofanana ny tanora amin’ny fanavahana ny fako. Hitohy amin’ny fifaninanana amin’ireo sekoly izany ankoatra ny fanentanana samihafa momba ny  ako. Eo koa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ireo reny hahazoan’izy ireo mizaka tena eo amin’ny fiainana.

Synèse R. 

Article tiré de Newsmada

L’article Fiaraha-miasa amin’ny Unesco: hotrandrahin’ny « Teratany » ny vakoka Sakalava a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina  -  Sakalava  -  UNESCO  -  Vakoka

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Sakaraha : Mpivady notifirina dia nodorana ny tranony

Nitrangana asan-dahalo nahatsiravina namoizana ain’olona tsy manan-tsiny indray, tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana, ny alin’ny alahady hifoha  alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny iray ora naraina. Mpivady mpivarotra iray no maty novonoin’ny malaso folo lahy nitam-basy tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony, tao amin’ny Fokontany Andoharotsy, Kaominina ambanivohitry Vineta. Rehefa tafiditra tao amin’ity tokantrano sady toeram-pivarotana ity ireo dahalo, dia norarafan’ireo tsy mataho-tody  tifitra variraraka nanandrify ny fony ireto mpivady natory teo am-pandriana, ka maty tsy tra-drano. Ary nalain’ireo malaso tamin’izay ny vola vidin’entana rehetra maty nandritra ny herinandro, niampy entam-barotra sy fanaka lafo vidy tao an-trano zakan’ireo olon-dratsy. Vita izay, dia nampidiran’ireo dahalo bozaka tao an-trano misy ny razana, avy eo nodoran’izy ireo,  may kila forehitra tao ny fatin’izy mivady. Renim-pianakaviana iray hafa sendra nivoaka kosa no naratra mafy notifirin’ny dahalo. Raha ny tati-baovao voaray, dia naharitra ora iray nahery ny fanafihana nataon’ireo malaso tao amin’ity tokantrano ity. Noho ny tahotra, dia tsy nisy sahy nivoaka ny tranony avy ny mponina teo an-tanàna. Eric ManitrisaL’article Sakaraha : Mpivady notifirina dia nodorana ny tranony a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra” 

“Fomba fanao politika vaovao izay tokony hipetraka eto Madagasikara: rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka, manolotra anarana vaovao ho praiminisitra ireo manana ny maro anisa.”Io no fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fametraham-pialana na tsia hataon’ny praiministra amin’ny fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao. Misy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra am-perinasa. Avy eo, mety hatolotra indray izy ary hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Na mety misy olon-kafa hatolotry ny vondrona politika manana ny maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimierampirenena.“Fomba amam-panao demokratika tokony hianarantsika eto Madagasikara izay. Satria efa foto-pisainana vaovao napetraky ny lalàmpanorenana izay ary ianarantsika”, hoy izy. Ny fomba famakiana ny lalàna amin’izao fotoana izao: tokony hisy izay mety ho fikitihana ny governemanta, na ny famerenana ny fanendrena ny praiminisitra, na ny mety ho fametraham-pialan’ny praiminisitra.Ny praiminisitra ihany no manolotra ny mpikamban’ny governemanta Na mivondrona ao anatina vondrona parlemantera iray aza ireo solombavambahoaka tsy miankina, tsy manan-jo hanolotra olona ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Ao anatin’ny fomba fiaraha-miasa sy fifanajana, misy ihany anarana halefan-dry zareo mba ho soso-kevitra hotendrena ho mpikamban’ny governemanta.Na ny maro anisa manolotra ny anaran’izay ho praiminisitra aza, tsy manan-jo hanolotra anarana izay hatao ho mpikamban’ny governemanta. Ny praiminisitra irery ihany no manana izay zo izay, araka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Ny filohan’ny Repoblika no manapa-kevitra izay hotendreny na tsia amin’izany.Mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny hoe fahamarinan-toerana: matetika avy amin’ny vondrona antoko manana ny maro anisa ao anatin’ny Antenimierampirenena ny maro anisa mpikambana ao amin’ny governemanta.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Mametra-pialana na hatolotra indray ny praiminisitra”  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety – N1A 2019: fantatra ireo nahazo isa ambony

Noho ny tsy fahafahana manatanteraka hetsika amin’ity faran’ny herinandro ity, naroso omaly ny lalao famaranana teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Diana, taranja basikety. Marihina fa niova kely ny fitsipi-dalao teo amin’ny N1A tamin’ity taona 2019 satria izay tompondaka amin’ny “coupe du Diana” no ho solontenantsika amin’ny CCCOI na ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny ranomasimbe Indiana. Eo amin’ity fifaninanana N1A ity hatrany, efa fantatra ny isa azon’ny ekipa tsirairay isam-bondrona sy ny filaharana ankapobeny, taorian’ity dingana voalohany ity. Hitohy amin’ny dingana faharoa kosa ny fifaninanana ka izay ekipa valo mendrika indrindra no hanohy hatramin’ny farany, hahafahana mamoaka ny klioba tompondakan’i Madagasikara. Mitàna ny laharana voalohany eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny GNBV Vakinankaratra, manana isa 12 sy ny ekipan’ny CosPN Analamanga, manana isa 11. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, ny ekipan’ny SBBC Boeny, manana isa 9 sy ny Mb2All Analamanga, manana isa 8 kosa no mitàna ny lohany. Ireto ekipa efatra ireto, araka izany, no niatrika ilay « Coupe du Diana » izay notanterahina omaly. Noho ny fahataran’ny ora nanatanterahana ireo lalao roa ireo, hampitaina amin’ny fotoana manaraka ny valin’ireo lalao famaranana ireo. Mi.Raz Isa azo tamin’ny dingana 1, N1ALehilahy: Vondrona A: Cospn (11), Mb2All (9), Ascut (9), Sebam (9), 2bc (8), Cnaps (7)/Vondrona B: Gnbc (12), Cosmos (11), Ascb (11), Cosfa (8), Ecbba (7), As Fanalamanga (6).Vehivavy: Vondrona A: Mb2All (8), Jea (6), Tamifa (6), Asa (6), Abbs (6), Jsb (00)/Vondrona B: Sbbc (9), Ankaratra (9), Bc Est (5), Ascut (5), Fandrefiala (00), Mega (00).L’article Basikety – N1A 2019: fantatra ireo nahazo isa ambony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo

Telo volana aty aorian’ny fanapahan-kevitra, hiroso amin’ny fanatanterahana ny teboka fito momba ny fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo, mametra-panontaniana ny mpampianatra fa tsy misy ny dingana vita avy amin’ny fitondram-panjakana. Nivory izy ireo, omaly ary namoaka fanambarana amin’ny teboka efatra mazava. Manamafy fa tokony handefan’ny minisitera mpiahy ny Fampianarana ambony eny anivon’ny fiadidiana ny primatiora ny antontan-taratasy momba ny fangatahana « dérogation » manokana hitazona amin’ny asany ny mpampianatra mpikaroka izay mbola ilaina amin’ny sahanasa maro. Misy antontan-taratasy samihafa tokony hofenoin’ny mpampianatra mpikaroka sasany efa naterina teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ho fanampiny. Mety ho tapaka karama anefa ireo tsy nahafeno ny antontan-taratasy notakiana vokatr’izay fitarazohana izay, hoy ny fanazavana.Misy ny porofo homena ny tompon’andraikitra Voalazan’ny fanambarana koa fa tokony hatolotra ny tompon’andraikitra ny porofo amin’ny fandaniana vola ka tsy nahafahan’ny minisitera mpiahy nanefa ny tambin’ny fikarohana « indemnité de recherche » ho an’ny mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono fa mbola manohy ny asa fikarohana, taona 2016. Namonjena ireo mpianatra malagasy mamita fianarana tany Sina sy Frantsa ny vola tokony homena ireo mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono ireo. Mitaky izay porofo izay ny Fiadidiana ny primatiora handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izay. Ankoatra ireo, miandry ny fandoavana ny trosa rehetra momba ny saran’ny ora fanampiny tamin’ny asany ny mpampianatra vacataire sy ny mpampianatra hafa ho an’ny taom-pianarana 2016-2017 ary ny mbola misy aza tsy nahazo ny saran’ny ora fanampiny nandritra ny taom-pianarana  2015-2016 ireo mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny DEGS.Miantso  fandraisana andraikitra haingana Mangataka koa izy ireo mba haraha-maso ny antontan-taratasy momba ny fanasokajiana na ny « reclassement » ho an’ny mpampianatra mpikaroka 110. Mihisatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nefa miankina amin’izay avokoa ny famahana ny fangatahana samihafa, hoy ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Raveloharison Sammy Grégoire, omaly. Fanairana fotsiny aloha izao fanambarana izao satria iankinan’ny fiainan’ny mpampianatra maro ka mila mandray andraikitra haingana ny minisitera mpiahy.Vonjy A.                 L’article Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I.

Nanomboka ny 15 jolay teo hatramin’ny androany, nizara ny fahalalany sy ny traikefany tamin’ireo tovovavy manan-talenta, any Toliara, i Julie Iarisoa, mpamorona sy mpanao soradihy. Niompana tamin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny ny fiofanana, izay hita ho nahaliana ireo andriambavilanitra any an-toerana.“D’un sud à l’autre” ny lohatenin’ity tetikasa miavaka ity. Nampiharina avy hatrany amin’ny famoronana ny fianarana ka hisy ny fanehoana izany an-tsehatra, anio hariva ao amin’ny Vakok’arts Trano ao Toliara. Fampisehoana maimaimpoana, izay hanentanan’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny rehetra.Nialoha ity fampiofanana ity, namolavola soradihy iray, mitondra ny lohateny hoe “Tsioka” ihany koa i Julie Iarisoa, niaraka tamin’ny mpanakanto mpandihy any Toliara. Noforonina sy natsangana ary nomena aina nandritra ny fivahiniana, tao amin’ny Alliance française ao Toliara izany. Naharitra dimy andro ihany koa ny fiarahan’izy ireo niatrika izany asa goavana izany, izay nofaranana tamin’ny fanehoana an-tsehatra ilay soradihy, ny 12 jolay lasa teo, tao amin’ny Vakok’arts Trano hatrany.Landy R.  L’article Dihy ankehitriny: nampiofana ireo vehivavy any Toliara i Julie I. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

OMH: ampy tsara ny famatsiana solika

Manoloana ny feo mandeha miparitaka any anaty tambajotra sosialy, milaza fa tsy ampy ny famatsiana solika, ny lasantsy SP 95, nanadihady nitety ny toeram-pivarotana solika eto an-dRenivohitra, ny Ofisy Malagasy misahana ny vokatra solika (OMH), sady nijery ny tahirin-tsolika amin’ny ankapobeny.Hita fa amin’ireo toby miisa 54 misy eto an-dRenivohitra, iray ihany no nanana olana tsy nisy tahiry satria nisy tsy firindrana ny fomba famatsiana.Ankoatra izany, namoaka fanambarana iombonana koa ny Vondron’ny mpandraharaha solika eto Madagasikara (GPM) fa na eo aza ny famaranana ny fomba hikajiana ny vidin-tsolika, manohy ny asa fihariany andavanandro hatrany izy ireo ka ao anatin’izany ny fanafarana solika sy ny vokatra solika avy any ivelany.Manamafy, araka ireo voalaza ireo ny OMH, fa mizotra araka ny tokony ho izy ny famatsiana solika eto amintsika. Etsy ankilany, andrasana ny hivoahan’ny fomba hikajiana ny vidin-tsolika ary indrindra, ny fidinan’ny vidiny araka ny toky nomen’ny filoham-pirenena.Njaka A.L’article OMH: ampy tsara ny famatsiana solika a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ANTANANARIVO SALAMA : 4000 ny mpandray anjara

Fahombiazana ny hazakazaka nokarakarain’ny fiangonana Advantista natao teny Imahamasina ny Alarobia 01 Aprily 2019. Nahatratra 4000 ireo nandray anjara nahitana ankizy, tanora ary teo ihany koa ireo mpihazakazaka matianina. Tonga nanokatra izany ny tale jeneran’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa. Maro noho izany ireo loka nozaraina tamin’ity hazakazaka ity. Nizara roa ireo halaviran-dalana nosafidian’ny mpandray anjara ka teo ny roa kilometra sy ny dimy kilometatra. « Fototry ny fahasalamana ny fanatanjahantena ka izay no nahatonga anay nikarakara izao hazakazaka izao. Ilaina ny vatana salama mba hisian’ny fanahy salama ary afahana mifehy ny fihetseham-po », hoy ny filohan’ny fiangonana Advantista manerana ny ranomasimbe indiana, Pasitera Herinirina Jesmin. Tanjona ny ahazoan’ny vahoaka fahasalamana satria rehefa salama izy ireo dia mandroso ny firenena. Fantatra ihany koa fa betsaka ireo teti-bolam-panjakana raha ny resaka fahasalamana ka tokony ho karakaraina ny vatana mba ho salama mandrakariva. Tsy mijanona amin’izao fanatanjahantena izao ihany ny hetsika karakarain’izy ireo fa mbola hisy  ny « expo santé» atao etsy amin’ny Parvis Analakely ny 13 sy 14 mai 2019 ho avy izao. Hisy ny fitiliana ireo aretina maimaim-poana, toy ny sida…Hentanina ny mponina rehetra hitsidika io hetsika io. Hiarahana amin’ny ministeran’ny fahasalamana ny  « expo santé». Nirina R. Cet article ANTANANARIVO SALAMA : 4000 ny mpandray anjara est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

APEM PAIQ sy MIARAKAP: miara-miombon’antoka ho amin’ny fampindramam-bola

21 taona izao ny nisian’ny Apem Paiq (1), mpampindram-bola ho an’ny mpandraharaha madinika. Kendren’ny Apem manokana ny hanampy tosika ireo olona sahirana, hamolavola ny antom-pivelomany ka hifantoka amin’izany tanteraka. « Izay mahay miasa, tsy matahotra mindrana », hoy ny talen’ny Apem, Rasoanarivo Rihatiana. Tsy mitaky antoka momba ny fitaovana koa ny Apem fa fanomezan-toky iombonan’ny mpindrana amina olon-kafa.Ampiana amin’izany ireo manana tetikasa madinika, hahazoana famatsiam-bola hatramin’ny 6 tapitrisa Ar. Miainga avy amin’izany ny ady amin’ny fahantrana. Na izany aza, vitsy ihany ny Malagasy tena mitodika any amin’ny fandraharahana. Koa teraka izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny Apem sy ny Miarakap (2), sampana iray mpamatsy vola ny orinasa madinika sy salantsalany sy ireo izay vao manomboka miasa amin’ny safidiny. Momba ny fambolena sy ny fiompiana, ohatra, miantso ireo fikambanana na ONG, toy ny GIZ, ny Prosperer, ny Miarakap ho afaka manampy ny lafiny teknika sy manome fiofanana momba izany ho an’ny mpindrana.Hampindram-bola olona 15 000 Tanjona amin’izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao ny hampindram-bola olona 15 000 hatramin’ny taona 2023. Lalana iray hialana amin’ny tsy fanaran-dalàna koa izany (informel) sy famoronana asa. Efa zatra manome tolotra sahaza ho an’ireo izay tonga ao aminy ny Apem. Ankoatra ny vola indramina, eo koa ny fampiofanana amin’izay hatao. Resy lahatra ny Miarakap ka nametraka renivola miasa ao amin’ny Apem. Hatevenina, araka izany, ny famatsiam-bola hisarihana olona maro, indrindra ny tanora, na ireo efa manana ny ataony ka mila hatsaraina sy hampitomboana.“Mahafaly anay ny manampy ny Apem mijoro ara-dalàna sy manana fanamby hampiakatra ny harinkarena”, hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny Miarakap, Rtoa Alia Drouin. Tanteraka izao famatsiam-bola izao noho ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Miarakap sy ny Coopération de Monaco, namatsy vola ny fanampiana teknika talohan’ny nandraisana fanapahan-kevitra amin’izao fiarahan’ny roa tonta izao. Tsiahivina fa atao hanohana ireo fianakaviana sahirana hampitombo ny vola miditra ny Apem. Vehivavy ny 70 % ny mindram-bola ao aminy. R.Mathieu Apem Paiq (1): Association pour la promotion de l’entreprise-Projet d’appui pour les initiatives des quartiers (Faritra Analamanga sy Itasy)Miarakap* : Afaka mampindram-bola 100 tapitrisa hatramin’ny 1 miliara ArL’article APEM PAIQ sy MIARAKAP: miara-miombon’antoka ho amin’ny fampindramam-bola a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tratra teny Andranonahoatra: nidoboka vonjimaika am-ponja ilay mpamaky trano

Naiditra vonjimaika am-ponja rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ilay jiolahy (naman’ilay voatifitry ny polisy teo amin’ny tongony) tratra teo am-pisokirana vavahady lehibe iray eny Andranonahoatra Itaosy, ny asabotsy vao maraina teo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny jiolahy roa tamin’io fotoana io. Polisy mpanao fisafoana avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy no nahatsikaritra ireto roa lahy nanapitsoka hidim-bavahadin’olona amoron-dalana ka nisambotra avy hatrany azy ireo. Namaly avy hatrany ny iray amin’izy roa lahy kanefa tsy nahavoa ireo polisy fa raikitra ny fifanenjehana. Vokany, nitifitra avy hatrany ny polisy taorian’ny fampitandremana. Voa teo amin’ny tongony ilay jiolahy ary nentina teny amin’ny hopitaly, saingy namoy ny ainy kosa noho ny fahaverezan-dra diso tafahoatra. Azo sambo-belona niaraka tamin’ny fitaovana nampiasain’izy ireo ny iray.J.CL’article Tratra teny Andranonahoatra: nidoboka vonjimaika am-ponja ilay mpamaky trano a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

INSTAT: Nivoaka ny « comptes nationaux » sy ny IPC vaovao

Novaina ny fomba fandrefesana ny « comptes nationaux ». Natao nanaraka ny fenitra «  système de comptabilité nationale 1993 » (SCN-93) izany raha toa ka SCN-84 ny teo aloha. Vokatry ity fanavaozana ity dia nahitana fiakarana 16 % ny hari-karena faoben’i Madagasikara  niainga tamin’ny « base 2007 ». Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny  8 mey 2019 teny amin’ny Carlton Anosy ny « comptes nationaux » na ny toekarena sy ny hari-karena faobe araka ny fandrefesana vaovao.  Nambaran’ny tale jeneralin’ny INSTAT, Romalahy Isaora Zefara  fa fomba fandrefesana ny fahasalaman’ny toekarena  ny « comptes nationaux ». Atao isaky ny dimy na folo taona ny fandrafetana azy mba hijerena ny fivoaran’ny toekarena sy hampitahana ny teo aloha sy ny ankehitriny.  Kajiana ao anatin’ny « comptes nationaux » ny  fitambaran’ny vola miditra sy ny vola mivoaka  amin’ireo seha-pihariana samihafa toy sehatra fototra, sehatra faharoa, sehatra fahatelo sy  ny maro tsy voatanisa. Ankoatra izany dia nampahafantarina tamin’io fotoana io ny « indice des prix à la consommation »  (IPC) vaovao. Fantatra tamin’izany fa 7 % ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Lasa ny fototra tamin’ny taona 2016 no nampiasaina nandrafetana ny IPC raha toa ka fototra tamin’ny taona 2000 izany teo aloha satria tsy mitovy ny vidin’entana tamin’ny taona 2000 sy ny 2016. Niova ihany koa ny kojakoja nilain’ny isan-tokantrano tamn’ireo vanim-potoana ireo. Ohatra lasa tao anatin’ny kajy ilain’ny  isan-tokantrano ny fividianana fahana raha toa ka tsy tao izany tamin’ny taona 2000, hoy ny tale jeneralin’ny INSTAT. Noho izany, natao hijerena ny fivoaran’ny toe-bola ampisain’ny isan-tokantrano ny IPC. Entina handrefesana ny toekarena, ny fivoaran’ny tolotra sy ny tinady sy ny fivoaran’ny vidim-piainana ary ahafahana mandrefy ny vidin’ny kojakoja ampiasain’ny isan-tokantrano eo anelanelan’ny vanim-potoana roa ihany koa, raha ny fanazavana hatrany. Nilaza ny solontenan’ny mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika niara-niasa tamin’ny INSTAT tamin’ny famolavolana ny « comptes nationaux » vaovao fa hitarafana ny vokatry ny asan’ny governemanta  sy entina  hanatsarana politika fampandrosoana ny  antontan’isa momba ny toekarena ka ao anatin’izany ny « comptes nationaux » sy ny IPC. Lynda A. Cet article INSTAT: Nivoaka ny « comptes nationaux » sy ny IPC vaovao est apparu en premier sur déliremadagascar.

Malaza androany

Notsongaina

Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha

Voasambotry ny polisy teny Tsimbazaza, ny 12 jolay 2019 lasa teo, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpitam-piadiana tany Maevatanàna ny volana oktobra 2018 lasa teo…Mpivady mpandraharaha ireto nisy nandroba tao an-tranony any Maevatanàna ireto izay nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny polisy. Tsy niandry ela ny polisy any an-toerana fa nanao ny fikarohana avy hatrany ka tratra ny maraina tamin’io fotoana io ihany ny iray amin’ireo jiolahy nanafika azy mivady ireto. Nitohy ny fanadihadiana ka andro vitsivitsy taorian’izay, tratra ihany koa ny efatra amin’ireo jiolahy, nahatrarana basy miisa efatra. Tsy nijanona hatreto anefa ny fanenjehana ireo jiolahy fa nitohy ny famotorana ary fantatra fa mbola misy jiolahy iray atidoha nikotrika ity fanafihana ity tafatsoaka niakatra aty an-dRenivohitra. Nokarohin’ny polisy ity jiolahy ity ka tratra teny Tsimbazaza tamin’ny zoma lasa teo. Tsy nanampo na inona na inona ity jiolahy ity satria efa voahodidin’ny polisy nanao fanamiana sivily ny trano nisamborana azy. Noraisim-potsiny tao an-tranony izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana, isan’ireo jiolahy mpanakan-dalana eny amin’ny RN 4 ary voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny niseho tany Maevatanàna ihany koa izy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.Jean ClaudeL’article Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola”

Maty ilay olona voan’ny aretina Ebola tany amin’ny tanàna lehibe iray Goma, any atsinanan’i Kongo, rehefa saika hafindra toerana tany Butembo, omaly, araka ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitry ny faritra Kivu Avaratra, i Carly Nzanz. Tanàna lehibe iray ifamezivezen’ny olona maro i Goma ary betsaka ireo mivoaka ho any amin’ny firenena hafa ivelan’i Kongo miainga avy ao. “Mampanahy ity tranga voalohany izay namoy ny ainy ity noho izany”, hoy ny tomponandraikitry ny Crox Rouge any an-toerana, i Gwen Eamer, raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny fahitalavitra France 24. Tanàna ahitana ireo toeram-piasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny raharaham-barotra goavana rahateo ity nitrangan’ny aretina voalohany. Miantso ny vahoaka ao aminy ho tony ny fitondrana kongoley. 60 ireo olona nifampikasoka tamin’ilay pasitera narary voalohany ary efa vita vaksiny ny antsasa-manila amin’izy ireo, efa eo an-dalana hanaovana izany ny ambiny. Mbola miandry 21 andro ny tomponandraikitra hitiliana na namindra tamin’ny olon-kafa ilay olona maty tany Goma.Nanomboka ny volana aogositra 2018, fotoana nilazana ny valanaretina, efa 1 665 ireo maty noho ny Ebola any amin’ny Kivu Avaratra. Nampitsahatra ny asany any amin’io toerana io ny ekipan’ny Médecins sans frontières noho ny tsy fandriampahalemana.Nanomboka ny volana aogositra 2018, anarivony ny aina avotra vokatry ny fampiasana ilay vaksiny rVSV-ZEBOV miaro amin’ny aretina Ebola novokarin’ny laboratoara amerikanina Merck.Miasa 24 ora ny ekipa eny amin’ny seranana Eto Madagasikara, mandalo fitiliana avokoa ny mpandeha nidina avy amin’ny fiaramanidina avy any ivelany taorian’ny famenoana ny taratasy momba ny toeram-piaviany sy ny toe-pahasalamany. Ho an’ny polisy sy ny mpiasan’ny fahasalamana ireo taratasy ireo ahafahana mahafantatra ny toeram-piavian’ilay mpandeha sy ny adiresy misy azy rehefa tonga eto. Manana efitra fanokanana ny seranam-piaramanidina ho an’ireo olona ahina mandray zotra avy any ivelany rehetra, misy ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana tsy tapaka manara-maso ny mpandeha rehetra. “Vonona koa ny ambulance manokana hitondrana ny marary ho any amin’ny tobim-pahasalamana raha ilaina”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Rakotoarivony Manitra, omaly. Tafiditra amin’ny règlement sanitaire international (RSI) tokony hampiharin’ny firenena rehetra ireo, araka ny toromariky ny OMS iarovana ny fahasalaman’ny mponina. Hatreto aloha, tsy nahitana tranga nampiahiahy ny mpandeha avy any ivelany tonga teny amin’ny sambo na ny seranam-piaramanidina.Vonjy A.L’article Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola” a été récupéré chez Newsmada.

Cnaps: fiahiana sosialy any Antsohihy

Tapitra amin’ity volana jolay ity ny fe-potoana, telo volana, nomen’ny fanjakana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps) eo ambany fiahian’ny minsiteran’ny Asa (METFPLS). Natsangana ny vaomiera manokana « Task force » iarahan’ny roa tonta hanatanteraka ny fitetezana manerana ny faritra eto amintsika. Anisan’ny tanjona ao anatin’izany ny fanentanana ny mpampiasa hanara-dalàna, toy ny fanomezana ny zon’ny mpiasa amin’ny fiahiana sosialy, hisian’ny asa mendrika.Nitety orinasa maro any amin’ny faritra Sofia, toy ny any Antsohihy, ny any Port Bergé,… ity vaomiera ity, ny 16 hatramin’ny 19 jolay teo. Nisy koa atrikasa telo sosona nokarakaraina tany Antsohihy, nifantoka tamin’ny fiahiana sosialy, ho an’ny sehatra tsy miankina (fampianarana, fihariana, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mampiasa ECD), mikasika ny Fahasalamana sy ny aroloza (SST) ary ho an’ny mpampiasa sy ny sendikalista ary ny mpianatra, ao anatin’ny fandaharanasa fampiroboroboana ny fiarovana sosialy (PPPS).Manodidina ny 10 isan’andro ny orinasa tsy miankina notsidihina nandritra ireo telo andro ireo. Nomena torohevitra ny mpampiasa amin’ny fomba fandoavana latsakemboka, ny filazan-karama, ny famahana ny olan’ny orinasa sy ny sakana amin’ny fidirana Cnaps, sns. Nentanina koa ny mpiasa hiaro ny zony. Napetraka ny tranoheva manakaiky vahoaka ho an’ny besinimaro, nampahafantatra ny asan’ny Cnaps sady nanoro hevitra sy nanampy ny rehetra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy any Antsohihy a été récupéré chez Newsmada.

Task force MEFPTLS-Cnaps: adidy ny fanomezan –jo ny mpiasa

 Niisa 68 ny mpampiasa sy ny mpiasa any amin’ny faritra Ihorombe, nahitana distrika telo (Ihosy, Ivohibato, Iakora), nentanin’ny vaomiera manokana Task force, iombonan’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny lalàna sosialy (MEFTPLS) sy ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), nandritra ny telo andro. Nifotoran’ny fotoana ny hananan’ny mpiasa ny fiahiana sosialy, hisian’ny asa mendrika, ka hisitrahan’izy ireo ny fanampiana omen’ny Cnaps, araka ny filankevitry ny minisitra, ny 3 mey teo, ary nananganana ny Task force, hanentana ny mpampiasa ary hampihatra ny lalàna famaizana aorian’ny fe-potoana telo volana. Notetezina ireo orinasa tsy miankina ao amin’ny faritra Ihorombe, niampy ny fiofanana, notarihin’ny talen’ny Fitantanana ny maha olona ao amin’ny Cnaps, Raobijaona Bruno.Nohamafisina nandritra ny fiofanana ny fifanomezan-tanana eo amin’ny minisitera MEFTPLS, ny Cnaps, ny Sampandraharaha misahana ny fitsaboana ho an’ny orinasa tsy miankina (SMIE) ary ny mpampiasa. Toerana telo ny notetezin’ny Task force, Andohan’Ilakaka, i Ranohira ary Ihosy. Tanjona ny hahatonga saina ny mpampiasa fa tena ilaina ny maha olona sy ny fanomezana ny zon’ny mpiasa, ny fitandroana ny fahasalamana.Njaka A.L’article Task force MEFPTLS-Cnaps: adidy ny fanomezan –jo ny mpiasa a été récupéré chez Newsmada.

Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy

Manahy mafy ny tantsaha any amin’ny faritra Atsimo Andrefana manontolo noho ny fihanaky ny bibikely mpanimba voly katsaka sy hasy. Very hevitra ny mpamboly any amin’ny kaominina ambanivohitra maro, ravan’ny bibikely avokoa ny velaran-tany misy voly hasy.  Efa mivarotra omby mihitsy ireo mpamboly ireo hividianana fanafody hamonoana izany bibikely izany, saingy tsy mety foana hatramin’izao. Hiteraka fahavoazana lehibe, mety ho tonga hatrany amin’ny kere, izany.Zara raha hisy 4 000 t ny vokatra hasy amin’ity raha tokony hahatratra 25 000 t. Ny ataon’ny mpandraharaha lehibe izany fa ny mpamboly madinika, mety tsy hisy horaisina. Tsy misy fidiram-bola azo antenaina, araka izany. Misy amin’ireo tantsaha madinika ireo aza ny nindram-bola amin’ireny “microfinances” ireny, tsy fantatra izay ho tohiny. Ny katsaka indray, anisan’ny foto-tsakafon’ny mponina any an-toerana, manahy mafy izy ireo fa tsy hisy horaisina ihany koa.Tokony ho efa fantatry ny mpikaroka ny hisian’ireo bibikely ireo, tokony ho efa niomana amin’izany izy ireo, indrindra amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao. Koa miantso vonjy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana, ny jono ny mponina hijery vahaolana faran’izay haingana. Ny voly vary izao io, any Atsimo Andrefana ihany (lahatsoratra eo ambony), azo ambara fa mahabe fanantenana, satria eo ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) mamatsy vola ny tetikasa. Ny voly katsaka sy ny hasy, hatramin’ny taona maro, foto-piveloman’ny olona any an-toerana, toa jerem-potsiny, angamba hiandrasana indray fanampiana avy any ivelany. R.MathieuL’article Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy a été récupéré chez Newsmada.

Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote »

Niaiky ny tsy nety teo aloha.“Hifamarafara isika ary tsy maintsy mifanafatra noho ny traikefa maro tamin’ny nanaovana depiote sy ny andraikitra maro noraisina ka manana adidy handefa hafatra dieny izao fiandohany izao mba hizorana amin’ny lalana tsara eo amin’ny asa atao amin’ny maha depiote… Mila haverina amin’ny hasiny ny Antenimierampirenena, araka ny nanambaran’ny filoha HCC izany farany teo. Niaraha-nahita ny zava-nisy teo aloha”, hoy izy tamin’ny lahatenin’ny zokiolona, ny depiote Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza, omaly. Nitarika ny fivoriana manokana ny tenany niaraka amin’ny depiote zandriny indrindra, i Tsaradia Marco, nialoha ny fanatanterahana ny fifidianana ny birao maharitry ny Antenimiera. Nohitsiny fa manana adidy ny depiote hanarina ny lesoka teo aloha ary tsy hiverina eny amin’io lapa io intsony ny tahaka izany. Antony tsy namparisika ny mpifidy ireny tranga ireny ka naha ambany ny taha nahavoafidy  azy ireo tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Notsiahiviny koa ny tokony hanajana ny lalàna eo amin’ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka… Niroso tamin’ny fifidianana ny rehetra ny tolakandro rehefa nandray izany hafatrafatra izany.Synèse R . L’article Razanamahasoa  C: « Haverina ny hasin’ny depiote » a été récupéré chez Newsmada.

“Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa

Ny kanto, mitoetra ary ny mpanakanto, tsy mba maty! Voaporofo hatrany izany, isaky ny misy ny hetsika famerenana ireo sy “kalon’ny fahiny”. 40 taona eo ho eo mantsy ny nahalasanan’i Naly Rakotofiringa kanefa mbola mitoetra ary misy mamelona hatrany ireo sanganasany. Taorian’ireo andiam-pampisehoana “Ny omaly”, “Ny hiranay fahiny”, sns, hisy indray ny seho hanasongadinana ny sanganasan’i Naly Rakotofiringa, ny alahady 28 jolay izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Ireo nanao ny seho teo aloha ihany no hamelona izany. Anisan’ireny ry Zôzô sy ry Salomon izay zokiny indrindra mitarika ireo mpanakanto tanora. Eo koa ry Gothlieb, i Luk, ary i Lilie, izay efa mahafolaka tsara ny sanganasan’ity mpamorona ny “hiran’ny omaly” anisan’ny nalaza indrindra ity. Fantatra ihany koa fa hanampy azy ireo i Mirana. Ito farany izay nisongadina tamin’ny famerenana ireo kalon’ny fahiny, nialoha ny nananganany ny tarika R’Ikala Vazo. “Nisongadina tamin’ny teatra ary nanan-talenta manokana tamin’ny fitendrena piano i Naly Rakotofiringa. Nifameno izy sy i Jeanne Naly ka nampisongadina ny troupe Naly izay lasa Naly sy ny tariny taty aoriana”, hoy ny nambaran’i Salomon, anisan’ny nisongadina tamin’ny feo tao anatin’ny Naly sy ny tariny rahateo. Anisan’ny nampiavaka an’i Naly Rakotofiringa tokoa ny nitondrany fanovana eo amin’ny firafitry ny teatra sy ny hira teatraly. Taty aoriana, mbola izy ihany no nitondra voalohany ny “gala de chants”, nampisongadinana kokoa ny hira tamin’ny teatra. Tafita vetivety, avy eo nitety vanim-potoana maro izany, na voasokajy ho “kalon’ny fahiny” aza. Raha hira, manana maro i Naly Rakotofiringa ary tsy vita mandritra ny fampisehoana iray mihitsy izany. Ampahany ihany ny halahatr’ireto mpanakanto ireto kanefa azo antoka fa mbola hisy ny tohiny hiarahana amin’ny Gasy Events, mpikarakara. Zo ny Aina L’article “Hiran’ny omaly”: hiverenana ireo sanganasan’i Naly Rakotofiringa a été récupéré chez Newsmada.

Valimbabena :: Hanatanteraka tetikasa etsy Ambodivonkely i Dax sy Rado

Mpanao fanatanjahan – tena roa lahy reharehan’ny fokontany Ambodivonkely, etsy amin’ny Boriborintany faha-VI eto an-drenivohitra Andriamirado Arohasina na i Dax, izay isan’ny mpilalao nandrafitra ny ekipam – pirenena na ny Barea, sy Andriamirado Heriniaina Patrick, izay nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Azia, teo amin’ny taranja Tae-kwondo. Noraisin’ireo mponina sy oloben’ny fokon- tany, tetsy Ambodivonkely, izy roalahy omaly, ka nampahafantaran’izy ireo ny fanatanterahany tetikasa ho an’ity tanàna niaingan’izy ireo ity mba ho valim-babena tamin’ny fahombiazany. “Hijery ny taninketsa aho. Vonona aho ny hitarika klioba vaovao hosokafana eto amin’ny fokontany”, araka ny voalazan’i Rado. “Hanao izay vitako ho an’ireo tanora eto aho. Tetikasako manokana ny hanokatra sekolin’ny baolina kitra eto mba hisy ho mpandimby ahy ho reharehan’ny fokontany hatrany sy ho fanampiana ireo tanora”, hoy indray i Dax. Hiverina any amin’ny kliobany, ny Kaizer Chiefs (Afrika Atsimo), anio Andriamirado Arohasina na i Dax. Nafana ny fihaonan’ izy roa lahy ireo tamin’ny solontenan’ny fokontany Ambodivonkely teny amin’ny Iarivo Hotel, omaly. Sendra R. L’article Valimbabena :: Hanatanteraka tetikasa etsy Ambodivonkely i Dax sy Rado est apparu en premier sur AoRaha.

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

Fankalazana ny fetim-pirenena: nampiaiky ireo vahiny ny hetsiky ny Foloalindahy

  Niavaka! Fahombiazana tanteraka ny an’ny Foloalindahy malagasy nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin’ireo karazana hetsika sy fahaiza-manao nasehon’ny Foloalindahy nandritra ny matso notanterahina teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Nampiaiky ireo vahiny manan-kaja marobe nanatrika izany koa ireo karazana hetsika maro samihafa nataon’ny eo anivon’ny Foloalindahy. Ankoatra ny filoha Paul Kagame sy ireo olo-manan-kaja maro, isan’ireo vahiny nanome voninahitra ny lanonana i Plekhanov Evgeny, filoha tale jeneralin’ny Sarlu Hola Firm. Nizara telo niavaka tsara ny maso: ireo vondron-tafika nandeha an-tongotra nahitana ny fandraisain’anjaran’ireo miaramila frantsay, kaomorianina ary maorisianina. Narahin’ny fampisehoana ireo fiaramanidina vaovao sy helikoptera nomen’ny filoha Rajoelina ary ireo fiara tsy mataho-dalana mifono vy izay vita rosianina, hiadiana manokana amin’ny asan-dahalo, izany. Afaka mandeha amin’ny lalana saro-dalana ireto fiara mifono vy ireto. “Teo koa ny fampisehoana ireo angidimby miisa efatra sy ireo fiaramanidina miisa enina nahitana ilay fiaramanidina CASA mahazaka miaramila miisa 40 ary koa azon’ny vahoaka malagasy ampiasaina amin’ny voina mihatra tampoka”, hoy ny filoha Rajoelina.J.CL’article Fankalazana ny fetim-pirenena: nampiaiky ireo vahiny ny hetsiky ny Foloalindahy a été récupéré chez Newsmada.

Fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena: mampidi-doza matetika ireo taksiborosy Sprinter

Tsy iray tsy roa! “Efa zary fahazarana ho anay sisa ny maheno sy miatrika ny lozam-pifamoivoizana ety amin’ny lalam-pirenena, izay haterak’ireo taksiborosy Sprinter ireo”, hoy ny nambaran’ny zandary iray, miasa amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Ny ankamaroan’ny tranga dia saika vokatry ny fandehanana mafy avokoa, arahina tsy fifehezana ny familiana tampoka na tsy fisian’ny hisatra, raha ny fanazavana hatrany.Tranga iray tao anatin’ny maro ny niseho, ny diva haraina ny alarobia teo, tao Behenjy. Fiara taksiborosy Sprinter iray no nivadika ka latsaka tao amina hady ivelan’ny arabe. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy, fa maromaro kosa ireo naratra izay nentina notsaboina. Araka ny fanazavana, niala fiara iray io Sprinter io, kanefa mafimafy ny fandehany, hany ka tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily. “Fiara natao handeha mafy mihitsy ny Sprinter, saingy ho an’ny “autoroute”. Mpitondra entana ao anatiny ihany koa, ilay antsoina hoe “fourgon” izy ireny fa tsy natao hitondra mpandeha. Rehefa tonga aty amintsika anefa, vakina dia asiana seza ary lasa mpitatitra olona. Tsy vitan’izay fa mbola asiana fitondrana entana eo amboniny, izay mitondra entana misavovona ka matetika koa mitera-doza izany”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny zandary iray nanontanianay. Voaporofo tokoa izany amin’ny isan’ny trangana lozam-pifamoivoizana, indrindra ireo hahafatesana olona amin’ny lalam-pirenena. Sao dia fotoana tokony handraisana fepetra mafy kokoa amin’ireo mpitatitra amin’izay? Randria.L’article Fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena: mampidi-doza matetika ireo taksiborosy Sprinter a été récupéré chez Newsmada.