Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina: hahazo «ambulance» ireo toerana saro-dalana

News - Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina: hahazo «ambulance» ireo toerana saro-dalana

News - Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina: hahazo «ambulance» ireo toerana saro-dalana

Tsy mbola tara. “Tsy manadino
ny vahoaka ny filoham-pirenena rehefa midina any an-tanim-boanjo ka
mitondra sy manome “ambulance 4×4” tahaka izao. Tonga ara-potoana
izany ka haparitaka amin’ireo toerana saro-dalana mila azy ireto
fitaovana ireto”, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, Rakotovao
Hanitrala, omaly teny Ivato. Nandray ireo “ambulance” 4×4 miisa
enina avy amin’ny sehatra tsy miankina ny tenany amin’ny maha
filoha lefitry ny CCO azy, nisolo tena ny fanjakana. Nanteriny fa
entina iadiana amin’ny Covid-19 ireto fiara ireto.

Mbola mitohy ny
ady

Mbola mitohy ny ady ka ilaina ny
fifanomezan-tanana tahaka izao. Maro ireo malala-tanana ary vonona
ny handray izany isika ka tokony ho tonga any amin’ny  vahoaka
sy hiantraika any amin’izy ireo ny tahaka itony, araka ny nambarany
hatrany. “Tohizana ny ady na tsara aza ny vokatra. Tazonintsika
izany ary anentanana ny rehetra amin’ny hanamafisana ny fepetra
ara-pahasalamana”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tanterahina
miaraka amin’ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny
seranam-piaramanidina sy ny toby fiantsonan’ny taksiborosy
izany.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina: hahazo «ambulance» ireo toerana saro-dalana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea

Fantatra tamin’ny alalan’ny atsapaka, omaly, taorian’ny ady sahala 1 no ho 1 nifanaovan’ny Malagasy sy i Maorisy, tao amin’ny kianjan’ny Georges V Curepipe, teto Maorisy, fa tsy isan’ireo hiakatra amin’ny amanasa-dalana ny Barea.Tapitra hatreo ny dia ho an’ny Barea, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy, taranja baolina kitra. Nahatonga izany ny atsapaka. Ity lalana ity izay voasoratra ao anatin’ny lalan’ny fifaninanana fa atao aorian’ity lalao ity. Azo lazaina ho vintana ho antsika izany, saingy tsy voasarika ka voatery tsy maintsy nijanona hatreo ny lalan’ny Barea.Taorian’ny isa mitovy azon’ny ekipa roa (i Madagasikara sy i Seychelles), samy nanana isa 2 sy nahatafiditra baolina iray avy ny nahafantarana izany. Araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana, tsy maintsy amin’ny alalan’ny atsapaka ny hisafidianana ny ekipa hanohy ny dia ka tsy nitsiky ho antsika ny vintana teo. Raha hiverenana ny lalao omaly, nahazo karatra mena i Dadafara na i Avotriniaina, 5 minitra monja nanombohana ka efa nilalao10 teo.Tany amin’ny minitra faha-43, nahatafiditra baolina ny Barea, tamin’ny alalan i Rinho, saingy nosahalain-dry zareo Club M maorisianina izany taty amin’ny ampahefa-potoana farany ka io ady sahala 1 no ho 1 io ny nisarahana. Niaiky ny mpanazatra Roro fa ratsy ny vokatra ho antsika, satria ady sahala roa ny azo tamin’ny lalao roa natao. Ankilany, nilaza i Ando, mpiandry tsatokazo, fa ny karatra mena azon’ny mpilalaontsika aloha be no nahatonga ny vokatra. “Nijaly izahay”, hoy izy, satria nilalao folo hatrany am-boalohany. Na izany aza, niady ireto mpilalao ireto, saingy ny tsy nambinina fotsiny ihany. Mi.Raz L’article Kitra: tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Depiote Ratsimindriona Aida Hardy: « Maika  ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana »

 “Laharampahamehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Tokony hijerena vahaolana haingana sy maharitra izany any amin’ny faritra Anosy. Ekena fa nanao ezaka ny fanjakana.  Misy ihany anefa ireo kaominina mbola mila hanaovana ezaka manokana. Mbola anjakan’ny asan-dahalo ny kaominina efatra amin’ireo sivy amby roapolo mandrafitra ny distrikan’i Taolagnaro. Voatery matory  an-tsaha ny vahoaka noho ny tahotra ireo dahalo”, hoy ny depiote  voafidy tao Taolagnaro, Ratsimindriona Aida Hardy. Efa nandefa fangatahana hametrahana  “poste avancé” ny tenany.Ankoatra izany, lasibatry ny  vaky fasana koa ny any an-toerana ka maherin’ny folo isanandro izany, hatramin’ny volana janoary no ho mankaty. “Karan-doha sisa avelan’ireo olon-dratsy. Ny razana lena aza avoakan’izy ireo ivelan’ny fasana”, hoy ihany ity depioten’ny IRD ity. Manampy ireo ny faharatsian-dalana. “Sakana amin’ny fampandrosoana izany satria tsy afaka mifamezivezy ny vokatra”, hoy izy. Na izany aza, nisaotra ny filoha Rajoelina ny depioten’i Taolangnaro nampanantena ny hanamboarana ny lalampirenena faha-13 sy faha-13A nandritra ny fampielezan-kevitra.Synèse R. L’article Depiote Ratsimindriona Aida Hardy: « Maika  ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: resin’ny Barea, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Mambas Mozambika

Nivoaka sempotra ny Barea de Madagascar, vao tafavoaka ho mpandresy, teo amin’ny lalao mandroso, hiadian-toerana amin’ny “Chan 2020”. Tamin’ny moka fohy, 1 no ho 0 no nandresen’ny Malagasy, ny Mambas Mozambika.Resin’ny Barea de Madagascar, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Mambas Mozambika, teo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fifanintsanana, hiadian-toerana, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Chan 2020”, taranja baolina kitra. Lalao natokana, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina.Fihaonana, notanterahina, omaly alahady, tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Efa tany amin’ny fanampim-potoana (90 mn + 3 ), vao nahafaty ny baolina tokana, nahazoan’i Madagasikara, ny fandresena i Arnaud. Baolina niainga, tamin’ny alalan’ny “coup franc”, nodakan’i Ando, kapiteny.Raha ny fizotran’ny lalao, nanjakan’ny Malagasy, ny 45 mn voalohany. Betsaka ny baolina tokony ho tafiditra, saingy ratsy ny famaranana. Anisan’izany, ny an’i Dahery, teo amn’ny minitra faha-5 sy ny an’i Eliot, teo amin’ny minitra faha-29. Nanantombo teo amin’ny tanjaka, ny Barea, notarihin-dry Toby sy ry Theodin, niampy an’i Baggio, teo afovoan’ny kianja. Tsy nanao afa-tsy ny niaro tena kosa ny Mozambikanina, nahitana an’i Jonasse sy ry Mustapha.Nanindry ny Mambas MozambikaNiova ny endri-dalao, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nanindry indray ny Mozambikanina. Nisy ireo fanafihana, nampisavoritaka ny fiarovantena malagasy, nataon-dry Manuel Fernandes, saingy nivoaka ny tsatoby, ny baolina nodominy tamin’ny lohany, teo amin’ny minitra faha-58. Nisy ny fanoloana mpilalao nataon’i Francklin, mpanazatra ny Barea. Nanamafy ny fanafihana ny Barea ka nampidirina, i Arnaud sy i Lalaina, naka ny toeran’i Tsito sy i Lôlôdy. Nahitam-bokany izany, satria  nahafaty baolina ny Malagasy.Afaka herinandro, ny lalao miverina, hatao any Maputo, efa manantombo amin’ny isa tokana, aloha ny Barea de Madagascar. Ady sahala, dia efa ampy hiakaran’ny Malagasy, amin’ny dingana manaraka. TompondakaHoy  izy ireo :Mpanazatra ny Barea Chan, i Franklin : « Nanafika izahay ary tafiditra tao anaty paikady izany nefa koa sady niaro tena tsy hidiram-baolina eto an-tanàna, amin’izao  lalao  mandroso  izao. Nisy ihany ny fitavozavozana sy ny fikoropahana kely. Na  izany aza, nisy fanafihana  fito  tena tsara nataontsika. Tsy mbola ampy iny 1 no ho 0 iny  fa hiezaka hampidi-baolina amin’ny lalao miverina…”Mpanazatra ny Mambas, Mozambikanina, i Victor. : Tena  niezaka izahay ny hampidi-baolina ary tsy nihevitra ny hanao ady sahala mihitsy. Hitako  mety ny paikady napetraka, saingy tafiditra ihany iny baolina tokana iny. Ho mafy ny lalao miverina ary hanao ny herinay izahay  ka hita eo fa hitady fandresena. Miarahaba ny Barea amin’ny fandresena azony. Afa-po aloha izahay tamin’ny lalao teto Mahamasina. Mpilalao efa notantaniko ireto ekipam-pirenena mozambikanina ireto, fony izy ireo 23 taona ka haiko tsara na sambany aza ny  hitantanako azy ityKapitenin’ny Barea, i Ando :  Mbola  tanora avokoa fa tsy ireo  nifandona  taminay taloha ireto Mozambikanina ireto. Mafy sy  henjana ny lalao miverina, saingy hiezaka izahay hampidi-baolina rehefa any ary hiady  mafy hiaro ny voninahi-pirenena.Nangonin’i Synèse R.   L’article Kitra – «Chan 2020»: resin’ny Barea, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Mambas Mozambika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Coupe de Mada Enfant »: 402 ireo katitakely handray anjara

Hanomboka, anio ary haharitra roa andro, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, natokana ho an’ny ankizy valo taona hatramin’ny 13 taona. Fifaninanana hatao ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Efa vita, omaly, ny fisarihana ka 52 ny klioba manana solontena ary 402 kosa ny mpikatroka hifanandrina mandritra ity ady ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja karate, Andrianaivomanana Solofonirina Barijaona. Nahitana fiakarana be io taham-pahavitrihan’ny mpandray anjara io raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, izay tsy mbola fahita firy eto Madagasikara, raha resahina ny taranja karate, araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly, Randrianjohary Jean Roger. Hangotraka, araka izany, ny fifandonana satria maro ny mpandray anjara.Amin’ny maha fifaninanana ho an’ny ankizy azy, hifaninana amin’ity fiadiana ny amboara an’i Madagasikara ity ny ankizy manana sokajin-danja latsaky ny 25 kg hatramin’ny 45 kg. Marihina fa ny sokajy kata sy kumite, ho an’olon-tokana, ny ho hita mandritra ireo roa andro ireo, raha ny fanazavana hatrany. Ho an’ny klioban’ny Akka, isan’ny hiakatra ny tatami i Christian Fiderana (Akka Avaradrano) sy i Jennina (Akka Jamal).Araka ny fandaharam-potoana, anio asabotsy tontolo andro ny hanaovana ny lalao fifanintsanana, aorian’ny fanatanterahana ny filanjana sy ny fanamarinana ny fahazoan-dalana hilalao ho an’ny mpikatroka tsirairay. Ny alahady kosa no hanatanterahana ny ady famaranana sy ny hanolorana ny amboara sy ny medaly ho an’ireo mendrika. Mi.RazL’article « Coupe de Mada Enfant »: 402 ireo katitakely handray anjara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandrobana patiraon’omby tao Toamasina: hampikatso ny famatsian’omby ireo mpivaro-kena

Taorian’ny tsy fahafaham-pon’ny mpitory sy ny vondron’ny mpampiditra omby vonoina amin’ny labatoara sy ny mpivaro-kena, efa mandeha izao ny fifandresen-dahatra fa mety hanokana andro vitsy tsy hampidirana omby hovonoina amin’ny labatoaran’i Toamasina ny mpanafatra omby ary manaiky izany koa ny mpivaro-kena. “Mila hakatso kely, tsy hisy hena eto an-tsenan’i Toamasina, ho fanehoana firaisankina amin’ny nanjo ny namana nanaovana depiote sy mpitsara amboletra tsy nampidirina am-ponja ny olona voarohirohy”, araka ny fanazavan’izy ireo. Tsiahivina fa ny zoma 14 aogositra lasa teo, natolotra ny fampanoavana ambaratonga voalohany ao Toamasina ireo telo lahy voarohirohy amin’ny fandrobana vola mitentina 16 tapitrisa Ar sy ny moton’ilay raim-pianakaviana patiraon’omby, ny alatsinainy 10 aogositra teo tao Analankinina Hopitalibe Toamasina. Nafana ny raharaha taorian’izay satria nisy andian’olona marobe nanaraka azy telo lahy ireo nandritra ny fanolorana azy ireo ny fampanoavana. Nambaran’ny fianakaviana nandritra izany fa tsy mba nohenoin’ny fampanoavana akory ireo vavolombelona amin’ity raharaha ity. Nivoaka anefa ny fanapahan-kevitra ka nohafahana vonjimaika izy telo lahy ireo. Nambaran’ny mpisolovavan’ny niharam-boina fa tsy hanaiky ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana izy ireo satria mbola misy olona tadiavina amin’ity raharaha ity.SajoL’article Fandrobana patiraon’omby tao Toamasina: hampikatso ny famatsian’omby ireo mpivaro-kena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

Mametraka olana sahady ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana vaovao ary milaza ny ahiahiny ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Efa nanamafy ny minisitra mpiahy fa hotazonina ny tetiandro teo aloha ka miandry ny fampiharana izy ireo.Mangataka ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, haverina amin’ny teo aloha ny tetiandrom-pampianarana. Manomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana ka mifarana ny volana jolay ary miaraka amin’izany ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana telo sosona. Nisy ny fivoriana sy fampahafantarana izany hetaheta izany teny amin’ny tokotanin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo,omaly. Fangatahana avy amin’ny ray aman-dreny izany fa mampita fotsiny ny mpampianatra. Ireto farany rahateo mahatsapa fa tsy mifantoka intsony ny mpianatra raha vao dila ny volana jona ho an’ny ambaratonga voalohany. Tsy mandray ny fampianarana koa ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, manomboka ny volana agositra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zone d’administration pédagogique eto Antananarivo, Njatovola.Fiombonan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no naseho omaly ary nandray anjara ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Tsy maintsy miaritra kely aloha ny mpianatra satria hiditra ny volana oktobra nefa ny volana septambra vao niala sasatra. Afaka jerena koa ny fandaminana ho an’ny fidiran’ny mpianatra kilasy famaranana satria izy ireo no tena tsy manana fotoam-pialan-tsasatra mihitsy. Hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny dingana voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea iarahan’ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ny 7 oktobra hatramin’ny 10 oktobra kosa ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika fotsiny.Mety hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-dakilasy  Mahatsapa ny mpanabe fa hosahirana ny ray aman-dreny raha hanomana ny fidirana ao anatin’ny fotoana maitsoahitra raha heverina fa ny volana marsa ny fanombohana ny taom-pianarana voasoratra ao amin’ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (2017-2021). Efa nampiharina io tetim-pivoarana io ary tsapa ny lesoka indrindra ho an’ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana. Manahy izy ireo fa vao mainka hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly raha hotohizana ny fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana.Tsy hevitry ny ray aman-dreny ao anatin’ny Dren Analamanga irery izany fa iraisan’ny faritra maro, hoy ny mpanabe. Mangataka ny hamoahana haingana ny tetiandro izy ireo hanomanana sahady ny taom-pianarana vaovao. Vonjy A. L’article Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Richard: “Haverina ny hasin’ny Foloalindahy Malagasy”

“Mila aseho amin’ny vahoaka malagsy fa ny fanjakana dia manana finiavana ny hiaro vahoaka. Haverina amin’ny maha izy azy  ny Foloalindahy Malagasy, indrindra ny fahatokisan’ny vahoaka ny Tafika Malagasy izay mitaky fitondran-tena mpitarika mendrika. Tsy tokony hisy intsony izany tsimatimanota izany”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard…Nandritra ny fanokafana ny fivoriamben’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy teny amin’ny trano fandraisam-bahiny “Asia Africa Hotel” eny Mamory Ivato, omaly no nilazany izany. Tompon’andraikitra ambony isan’ambaratongany avy eo anivon’ny Tafika Malagasy manerana ny Nosy no miatrika sy mandray anjara amin’ity fivoriana ity izay hifarana anio izany. Inona ny vinan’ny fitondram-panjakana? Hoentina mankaiza ny Tafika Malagasy? Inona no andraikitra miandry ny Tafika Malagasy? Ary inona ny tambin’adidy andrasan’ny vahoaka malagasy amin’ny tafika? Ireo fanontaniana ireo no napetraky ny MDN ary hodinihina manokana ao anatin’izao fivoriana izao. Nambaran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ity fa fotoana izao hifohazan’ny tafika amin’ny torimasony sy andraisany andraikitra amin’ny asa sahanina izay ilàna fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fomba fiasa manaraka ny fenitra. Ilaina ny fahaizana miara-miasa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ireo toerana sy sehatra ikatrohana, indrindra ny firahalahiana. “Fomba fiasa vaovao manaraka ny vaninandro ankehitriny no takina amin‘izao adidy goavana andrasana amin’ny Tafika Malagasy izao ka ilàna ny fanovana ny fomba fiasa”, araka ny nambarany hatrany. Nampahafantariny koa ny endriky ny Tafika Malagasy rahampitso na ny “Tafika Malagasy amin’ny taonjato faha-21”. Efa mivaingana ny ezaka vitan’ireo miaramila mpampandry tany amin’ny ZRPS any amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana. Nanotroka ny fanokafana ny fivoriana ny Seg, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny minisitry ny Fitsarana, ny tale jeneralin’ny Bianco.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Richard: “Haverina ny hasin’ny Foloalindahy Malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4455 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4455 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mahajanga: teratany karana iray maty voatifitry ny jiolahy

Maty voatifitra nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Mahajanga, ny talata alina teo, ilay teratany karana mpandraharaha antsoina hoe Nassim Goulzaraly… Mitondra faisana hatrany ny teratany karana tato ho ato. Raha tsy misy maka an-keriny, izao indray iharan’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Maty notifirin’ny jiolahy koa mantsy i Nassim Goulzaraly, teratany karana mpandraharaha momba ny fivarotana fiara sy fitaterana mpianatra ao Mahajanga. Araka ny loharanom-baovao voaray, ny talata alina tamin’ny 8 ora no nitranga ity fanafihana ity. Teo akaikin’ny fivarotana iray ao Mahajanga be no nitranga ilay izany raha teny an-dalana hamonjy fodiana ity teratany karana ity. Nirefotra ny poa-basy ka nitambotsotra niaraka tamin’izay teny ambony moto izy. Lasan’ireo jiolahy ny baoritra nisy vola sy telefaonina finday tany aminy. Noheverin’ireo jiolahy fa misy volabe ity baoritra nentiny iny, saingy vola 4 hetsy Ar ihany ny tany aminy tamin’io fotoana io. Nentina haingana namonjy ny hopitalin’Androva izy, saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Niezaka nifanenjika tamin’ireo jiolahy ihany ny polisy iray miambina banky tsy lavitra ilay toerana nitrangan’ny fanafihana. Tsy tratra intsony kosa anefa ireo olon-dratsy. Hita teny an-toerana ny vodim-bala iray nampiasain’ireo jiolahy. Mitohy ny famotorana. J.C L’article Mahajanga: teratany karana iray maty voatifitry ny jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

“Madajazzcar” : efa nanome vinavinam-potoana
19/09/2020

Na tsy mbola nisy aza ny tena fivoahan’ny fandaharam-potoana raikitra sy ny hetsika hotontosaina ao anatin’izany, tazana ao anatin’ ny tambajotran-tserasera ko­sa ny fanoloran-dry zareo mpikarakara ny “Festival Madajazzcar”. Ny 1 oktobra ka hatramin’ny 4 oktobra izao no voasoratra fa hanatontosana ny andiany faha-31. Raha ny fizotran’ireo an­diany teo aloha, mety ho azo vinavinaina ihany ny hisian’ny hetsika tanterahina any anaty trano, toy ny seho sy ny fifanakalozana isan-karazany. Ireo fampisehoana le­hibe no mety ho mbola tsy azo atao raha mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena.Raha tsiahivina, anisan’ ireo hetsika kolontsaina sy zavakanto maro mpitia sy mpanaraka tokoa ny “Festival Madajazzcar”. Na eto an-toerana izany na ny any ivelany. Sehatra natao ifanakalozana eo amin’ny sa­my mpanakanto, eo amin’ ny mpanakanto sy ny mpankafy jazz, sns, rahateo izy ity, hany ka maro ireo liana sy te hampivoatra ny fahalalany. Tsy mitsahatra manome vahana ny talentan’ireo mpanakanto vao misondrotra ihany koa ny mpikarakara. Efa antoka iray lehibe sy varavarana mivoha ho an’ny hoavin’ireo tanora manan-talenta ny fisian’izany.Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa maro ireo mpilalao jazz (mpihira, mpitendry…) nasongadin’ny “Festival Madajazzcar”. Tsy vitsy ihany koa ireo nifoha talenta, noho ny fijerena ny seho nandritra ny andiany teo aloha. Miandry fatratra ny fandaharam-po­toana raikitra ny mpankafy jazz!HaRy RazafindrakotoL’article “Madajazzcar” : efa nanome vinavinam-potoana a été récupéré chez Newsmada.

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.
20/09/2020

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

Taom-pambolena 2020-2021 : misy ny fanantenana amin’ny vary any Alaotra
18/09/2020

Tsy ratsy, araka ny nahiana, ny voka-bary 2019-2020 farany teo tany Alaotra na nisy aza ny hetraketraky ny toetr’andro sy ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Indro kely anefa ny tsy fahampian’ny rano sy ny tsy fifehezan’ny tantsaha ny zezi-pahitra fa voatery mampiasa ny zezi-bazaha.Tsara ny voka-bary farany teo raha ny fahitan’ny tompon’andraikitry ny rafitra mpampindram-bola (Cecam, Otiv,…) aty Alaotra. Toerana iray tena mijaly rano isan-taona koa ny any Amboavory, saingy nahafa-po ny vokatra.Anisan’ny hanamarinana ny hatsaran’ny vokatra ny fitomboan’ny tantsaha mividy Kubota. Nilaza ny mpiasa iray amin’ny tranombarotra eto Ambatondrazaka fa “efa maherin’ny 100 ny lafonay… Roa isan’andro kosa amintsika miteny izao”. Dimy ny toerana ivarotana Kubota eto amin’ny renivohitr’Alaotra-Mangoro ka 7 tapitrisa Ar ny vidin’ny iray.Tsy nihoatra ny 1 000 Ar ny akotryTsy nihoatra ny 1 000 Ar ny vidin’ny kilaon’ny akotry eny amin’ny mpamboly tamin’ity taona ity, raha ny filazan’ny tantsaha any Ambatomainty, nisy foibe Somalac fahiny ary efa nidina indray aza izany, ankehitriny. Niaka-bidy kosa ny vary fotsy, mihoatra ny 500Ar ny kapoaka (1 750 -1 800 Ar/ kg) ao Ambatondrazaka, 480Ar (1 680 Ar-1 700 Ar/kg) any Ambohitrarivo, sompitry ny vary.Tombanana hamokatra tsara ireo tanimbary ,117 000 ha, amin’ny taom-pambolena 2020-2021. Manantena ireo sampandraharaha miara-miasa amin’ny tantsaha hatreny ifotony(CSA) fa ho tonga ara-potoana ny vola hoentina miasa.Tsy ampy ny ranoTsy ny vola enti-mihetsika ihany fa iankinan’ny fahombiazan’ny fambolena koa ny masomboly, ny zezika, ny teknika enti-mamboly…ary indrindra, ny rano. Mitaraina ingahy Dinah Green sy ny lehiben’ny fari-piadidian’ny Fambolena fa efa saika ilaozan’ny rano ny maro amin’ireo tohodrano. Nomarihin’izy ireo koa fa tsy mahita vokatra raha tsy mampiasa zezi-bazaha nefa manimba ny tontolo iainana.Hotantanin’ny Italianina ny any Anosiboribory?Marihina fa tsy vita hatramin’ny farany ny fampiofanana momba ny fanamboarana zezi-pahitra (compost), natomboka taona vitsy lasa izay. Mikasika ny masomboly, milaza ny tantsaha fa “toa Italianina indray, hono, no hitantana ny foibe any Anosiboribory…. Aoka ho marin-toerana ny fitantanana ity foibe ity, ary tokony hovokarina eto amintsika ny “hybride” fa lafo loatra”. RarivoL’article Taom-pambolena 2020-2021 : misy ny fanantenana amin’ny vary any Alaotra a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna
24/09/2020

Nifarana, omaly tetsy Ankorondrano, ny fampiofanana ireo mpanolotsaina monisipaly eto  Antananarivo Renivohitra. Nampiofana sy nizara traikefa tamin’izany ny eo anivon’ny FES, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA. Niompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fiofanana ka anisan’izany ny fitantanana tsara rindra. Eo koa ny fitantanana sy ny lalàna mifehy ny tetibola: fanombohana sy ny tetibola fanampiny ary ny fanitsiana ny tetibola  mba hitovy ny fomba fijery sy ny fahalalan’ireo mpanolotsaina .Mbola hiofana koa ireo mpanatanterakaManampy ireo ny fampahafantarana ny andraikitra sy ny anjara asan’ny mpanatanteraka na koa ireo mpanolotsaina monisipaly. Tanjon’ny fampiofanana ny hanatsarana ny fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo ary ny fizarana ny traikefa. “Mbola hisy vinavina amin’ny fampiofanana ireo mpanatanteraka eo anivon’ny CUA”, hoy ny mpampiofana, i Miandriarivo John.Etsy andaniny, mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny CUA ho fanatsarana hatrany ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra.Nesorina avokoa ireo fiara tonta sy tsy mandeha…Nesorina avokoa ireo fiara efa tonta sy tsy mandeha intsony ka mibahan-dalana na mameno toerana fotsiny. Nesorina, tahaka izany, koa ireo « piquets » tsy ara-dalàna, mibahana ny lalàna sy ny toeram-pijanonan’ny fiara.« Vonona hatrany ny sampandraharahan’ny kaominina misahana ny fitaterana hiara-kiasa amin’ny tsirairay sy handray ny fitarainan’ny mponina, hampizotra tsara ny fifamoivoizana”, hoy ny tompon’andraikitra.Synèse R.  L’article Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: niofana momba ny tetibola ireo mpanolotsain’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao
17/09/2020

Efa manomboka mamerina tsikelikely ny fampandehanan-draharaha avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo federasiona isan-tsokajiny. Na dia mbola tsy afaka manatanteraka hetsika ara-panatanjahantena aza, efa samy manantena ny hiverenan’izany tsy ho ela ireo mpitantana sy atleta ary ny ekipa nasionaly. Ho an’ny taranja Volley ball, amin’ny fivoriana hatao ato ho ato, ny hanapahana izay fifaninanana mbola azo tanterahana sy ireo tsy maintsy hofoanana. Efa nisy anefa ny resaka nandeha fa mety tsy hisy fifaninanana ho vita intsony amin’ity taona ity fa hosoloina fiofanana izany. Mbola tsy fantatra, araka izany, izay hatao fa miandry izay fivoriana izay, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny federasiona malagasy ny Volley ball, Ranaivoson Mamy.Mahakasika ny fanazaran-tena indray, efa nahazo alalana hamerina ny fanomanan-tenan’ireo atleta sy ekipa nasionaly, avokoa, ny federasiona, ny ligy, ny seksiona ary ny klioba tsirairay, saingy mila hatao anatin’ny fanarahana ny fepetra hatrany izany rehetra izany. Ho an’ny taranja Volley ball, mbola matahotra sy mitandrina avokoa ny rehetra, na dia efa misy aza ekipa sy klioba efa manatanteraka izay fanazaran-tena izay. Tsy mbola misy lalao be atao fa ny ara-batana aloha no averina tsikelikely, taorian’izay ela tsy nihetsehana izay, raha ny nambaran’ny mpanazatra klioba. Mi.Raz L’article Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Fihariana-IFC: miofana ny aorian’ny krizy Covid-19 ny orinasa
17/09/2020

Miisa 359 ny orinasa nahazo fampindramam-bola tamin’ny fandaharanasa Fihariana, ao anatin’ilay tolotra Miarina. Misehatra amin’ny tolotrasa na servisy ireo, misy koa amin’ny fizahantany, ny fitaterana, ny fambolena, sns. Kely ny zana-bola (7% isan-taona) raha oharina amin’ny mahazatra eny amin’ny banky. Antony, tosika omena ny orinasa hiatrehana ny fanarenana ny orinasa nisedra olana amin’izao krizy Covid-19 izao. Manampy izany, miara-miombon’antoka ny Fihariana sy ny Sampandraharaha ara-bola iraisam-pirenena ao amin’ny Banky iraisam-pirenena (IFC), hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo orinasa nisitraka ny tolotra Miarina avy amin’ny Fihariana. Mamolavola ny fiofanana ny IFC.Fototry ny toekarena ny PMENilaza ny sekretera mpanatanteraka ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa miompana amin’ny fitantanana orinasa ny fiofanana, fikarohana lalam-barotra, ny fanovana ny paikady manoloana ny krizy, sns.Nambaran-dRtoa Marcelle Ayo, solontenan’ny IFC eto Madagasikara, fa fototra mampihodina ny fihariana toekarena eto amin’ny firenena ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Ilaina tokoa ity fiofanana ity ahafahan’izy ireo miatrika ny krizy Covid-19 hanarenana ny firenena. Ao anatin’izany ny hanatsarana ny fahalalan’izy ireo ny lafiny famatsiam-bola sy ny fahaizana mampiasa ny teknolojia vaovao, ohatra.Njaka A.L’article Tetikasa Fihariana-IFC: miofana ny aorian’ny krizy Covid-19 ny orinasa a été récupéré chez Newsmada.

“Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia
18/09/2020

Ho tazana ao avokoa na ny teny, na ny soratra, na ny zaitra, na ny mozika… Hanatanteraka ny “Z’art 2020”, etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny asabotsy 19 septambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, i James Rabefitia. Hetsika fanao isan-taona izy ity ary andiany fahatelo ito nampitondraina ny lohateny hoe “Z’art Manankasitsara” ito. “Raha hadika tsotra io dia hoe hizara ho an’i Madagasikara”, raha ny nambaran’i James Rabefitia, mpikarakara ny hetsika “Z’art 2020”.Nozaraina efatra ny hetsika tontosaina ao anatiny ka samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra. Raha ny fandaharam-potoana, ny tamin’ny asabotsy voalohany (asabotsy heriny teo), ho an’ny« Taninketsa », zaza telo taona hatramin’ny 13 taona. Ny faharoa, « Tsimoka », ho an’ny tanora 14 taona ka hatramin’ny 21 taona, hotanterahina ny asabotsy izao. Ny fahatelo, ho an’ny sokajy « Felana », ahitana ny 22 taona ka hatramin’ny 35 taona. Ny fahefatra kosa, sokajy “Vony”, natao ho an’ireo zokiolona sy ray aman-dreny.“Tsy hisy olona ho lany fotoana amin’ny fahavelomany fa tokony hahafantatra ny fisiany amin’ny maha olombelona azy izy. Izany hoe, hanitatra ireo talenta sy fikarohana efa ao anatiny”, araka ny nambaran’i James Rabefitia, raha nanazava ny tanjony amin’ny fizarana ny mahasoa ny mpiara-belona izao.Marihina fa hetsika natao ho an’ireo olona tsy manana fahafahana hianatra sy hanatevim-pahalalana noho ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ny “Z’Art Manankasitsara”. Maimaimpoana tsy misy fandraisana anjara.Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article “Z’art Manankasitsara”: hizara maimaimpoana ny talentany Rabefitia a été récupéré chez Newsmada.

CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana
17/09/2020

Tao anatin’ny orana mikija no niatrehan’ ireo kilonga madinika, ny tapak’ andro voalohany teo amin’ny fanadinam-panjakana CEPE teto Toamasina tampon-tanàna, ny talata lasa teo. Ho an’ny etsy amin’ny CEG Ratsimilaho, izay nanaovan’ireo tomponandraiki-panjakana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-panadianana, nahatratra hatramin’ny 52 ny tsy tonga nanatrika ary mpiadina telo mianadahy kosa diso ivontoeram-panadinana. Nandray andrakitra avy hatrany nanatitra azy ireo teny amin’ny ivontoerana tokony hanaovany fanadinana ny mpikarakara. Miisa 7428 ny mpiadina voasoratra anarana anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, araka ny  nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, Ramarolahy Joseph. Tombanana havoaka mialoha ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny voka-panadinana CEPE. Amin’ny ankapobeny, nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana ary tomefy mpitandro filaminana rahateo ny manodidina ny sekoly nanaovoana ny CEPE. Teo amin’ny fenitra ara-pahasalamana, narahina ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana mialoha ny hidiran’ny ankizy ny tokotanin-tsekoly.SajoL’article CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana a été récupéré chez Newsmada.

Fanomanana fidirana: vidiana tsikelikely ny fitaovam-pianarana
17/09/2020

Tsy nitsahatra namoaka vola ny ray aman-dreny, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taom-pianarana 2019-2020 ka hatramin’izao fanomanana ny taom-pianarana vaovao izao. Rehefa vita ny fanoratana anarana teny amin’ny sekoly, manangona ny kojakoja entina any an-dakilasy indray izao.Manomana ny fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ny ray aman-dreny, amin’izao fotoana izao satria hiditra amin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny ankamaroany, misy kosa ny efa any an-dakilasy, ankehitriny. Na tsy niakatra be aza ny vidin’ny fitaovam-pianarana, manoloana ny fahasahiranana, mikaikaiky ny ray aman-dreny fa mahalany hatramin’ny 100 000 Ar ny mpianatra iray nefa ny vidin’ny boky ilaina tsy mbola ao anatiny akory. Any an-tsekoly ihany no vidina na hofaina ny boky, arakaraka ny fandaminana. Misy koa ireo ray aman-dreny mifanakalo boky hanamaivanana ny vola mivoaka.Ireo ankizy madinika (tout petit, petite section …) no tena mila fitaovana samihafa nefa lafo ny vidiny. Ny sekoly tsy miankina sasany rahateo mitaky anarana marika manokana mba haharitra hatramin’ny fiafaran’ny taom-pianarana ireo fitaovana ampiasaina. Vidina tsikelikely ny kojakoja ka ireo tena lehibe toy ny kahie no hanombohana azy aloha, hoy ny renim-pianakaviana manan-janaka telo mianatra. Ny kitapo tsy soloina vaovao fa ny tamin’ny taon-dasa no sasana fotsiny. Tsy maintsy miatrika ny zava-misy nefa koa tsy azo hajanona amin’ny fianarana ny kilonga. Arindra ny fandaniana hafa ao an-trano hahazoana vola atokana ho an’ny fitaovam-pianarana.Nambaran’ny mpivarotra fa nihena be ny isan’ny ray aman-dreny mividy fitaovam-pianarana,  hatreto raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa mialoha ny fidirana. Tsy niakatra ny vidin’ny kojakoja satria mbola nanana tahiry maro izy ireo ka navoaka indray, hoy ny mpaninjara eny Tsaralalàna. Rehefa tsy maty antoka fotsiny dia alefa ny entana fa iaraha-miaina ny fahasahiranana.Vonjy A.L’article Fanomanana fidirana: vidiana tsikelikely ny fitaovam-pianarana a été récupéré chez Newsmada.

Statistique du 23 Septembre 2020
23/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Statistique du 23 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Depuis la première apparition de la pandémie de covid-19 à Madagascar six mois plutôt, 16167 contaminations ont été recensées dans tout le territoire, dont 14788 personnes ont déjà recouvré la santé. De ce fait, les patients en cours de traitement comptent actuellement 1151 parmi lesquels 20 développent une forme grave. La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta a annoncé ce mercredi 23 septembre 31 nouveaux cas positifs au coronavirus et 45 guérisons au cours des dernières 24 heures. Par ailleurs, aucun nouveau décès n’a été communiqué. Ainsi, le nombre total des personnes ayant succombé à cette maladie reste 226.  L’article Statistique du 23 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fanadinana BEPC : 327 455 ny mpiadina manerana ny Nosy
19/09/2020

Hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ary haharitra hefarana ny fanadinana faharoa BEPC manerana ny Nosy. Mahatratra 327 455 ny mpiadina misandrahaka amin’ny foibe 1 042 manana efitrano fanadinana 10 658. Ni­tombo 12 ny foibem-panadinana ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana mandritra ny fanatontsana izany. 34 ireo mpiadina manana fahasembanana ary telo ny vahiny manatrika ny BEPC amin’ity taona ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sampandraharaha misahana ny pedagojia, omaly. Tsapa fa nihena ny mpiadina nisoratra anarana teny anivon’ny sekoly fa nanolo-tena ny ankamaroany. Tokana ny laza adina ho an’ny taranja hatrehin’ny mpiadina rehetra. 27 695 ny isan’ny mpiadina ni­soratra anarana ho an’ny BEPC, amin’ity taona ity eto Antananarivo Renivohitra. 23 787 ny sokajy A. 810 amin’ireo nisafidy ny teny vahiny alema, 22 644 hanao ny Anglais ary ny 336 hiatrika ny Espaniola mandritra ny fanadinana. 3908 ny sokajy B. Mahatratra 3365 ireo mpiadina hanala ny BEPC fotsiny, 24309 hanatanteraka ny BEPC sy ny fidirana amin’ny kilasy 2nde ary efatra no mifaninana hiditra amin’ny kilasy 2nde fotsiny. Mahatratra 31 ny foibem-panadinana eto Antananarivo Renivohitra ahitana efitrano 647. Fito ny foibem-pitsarana ny taratasim-panadinana. 20 ireo mpiadina manana fahasembanana hisedra ny BEPC. Manao tenim-pirenena vahiny ny mampiavaka ny sokajy A. Toy ny tamin’ny CEPE, hizarana arotava avokoa ny mpiadina rehetra, mahazo “gel” hanadiovana tanana koa ny rehetra ary apetraka eny an-tokotany ny fitaovana ahafahan’ny mpiadina manasa tanana mialoha ny hidirana ao amin’ny efitrano fanadinana. Milamina kokoa ny fanomanana raha nitahana ny tamin’ny CEPE, hoy ny lehiben’ny Cisco Antannarivo Renivohitra.Vonjy A.L’article Fanadinana BEPC : 327 455 ny mpiadina manerana ny Nosy a été récupéré chez Newsmada.