Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps

News - Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps

News - Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps

Ao anatin’ny velirano faha-11
nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fampiroboroboana ny trano
fonenana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Napetraka ny
Antokon-draharaha nasionaly hanohanana ny trano fonenana (Analogh),
orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanajariana
ny tany sy ny asa vaventy (MTTP), sady miara-miasa amin’ny
minisitera lefitra miadidy ny Tanàn-dehibe vaovao sy ny trano
fonenana (VMVNH). Ny antony, ny hanatanterahana ny
Politikam-pirenena mikasika ny trano fonenana.

Tanjon’ny Analogh ny hiantoka ny
ahazoan’ny tokantrano malagasy trano fonenana sahaza, hampihenana
ny fahantrana sy hanatsarana ny fari-piainany. Maro, araka izany,
ny tetikasa hanorenana trano fonenana manerana ny Nosy amin’izao
fotoana izao.

Natao, omaly, ny sonian’ny
fifanarahana eo amin’ny Analogh, ny banky BNI Madagasikara ary ny
Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Hita taratra
amin’ity fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ity ny
fanatanterahana ny Politikam-pirenena ho an’ny trano fonenana
(3P).

Nilaza ny tale jeneralin’ny CNaPS,
Rakotondraibe Mamy, fa anisan’ny tanjona ao anatin’ity fifanarahana
ity ny ahazoan’ny mpikambana ao amin’ny CNaPS, mahazo trano
fonenana. aorin’ny Analogh.

Amin’ny alalan’ny banky BNI no
ahafahan’ny mpikambana mindram-bola, hividianana ny trano.

Njaka A.

Article tiré de Newsmada

L’article Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 20/11/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lalàna… tsy mahatapi-dalan-kaleha  

Hanao ahoana ihany ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna? Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Ho raikitra amin’ity taona ity ihany sa tsia? Mbola hifampidinihana na hifampierana izany, ka ho hita eo…Tsy lavina: ny teny miakatra, ifampierana; ny teny midina, ifampifehezana. Na izany aza, sao ela fikenona ka ho very fotoana amin’ny fifampidinihana sy fifampierana lava amin’izay mitranga sy atao rehetra? Eny, na eo aza ny hoe; izay lava dinika, lava rariny.Tsy izany ve no anisan’ny ilàna ny fifidianana mpitondra amin’ny fifandimbiasam-pahefana hoe ara-pomba demokratika? Nampidramina fahefana hanapa-kevitra amin’izay efa nofaritan’ny lalàna, hanatanteraka izay fanamby nifidianan’ny vahoaka azy…Mbola miara-dalàna amin’izany koa ny lalàna ifampifehezana sy ifampitondrana, mba tsy hiadian-kevitra avokoa izay mitranga sy atao rehetra; eny, na efa misy sy mazava izao aza ny lalàna: inona no marina na hatao, ny an’iza no harahina sy hotanterahina… ?Na ahoana na ahoana ary na inona na inona mitranga sy atao, tsy ilaozan’izay manan-kambara hatrany: ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny. Rehefa inona na ahoana no atao sy  ilaina ny hoe fifampidinihana, na rehefa iza no miteny, henoina… ?Anisan’ny mety hahatonga ahiahy tsy ihavanana izay, rehefa tsy ny lalàna misy no hajaina sy hampiharina ary tanterahina avy hatrany? Tsy inona fa hoe kajikajy sy paipaika politika, araka ny ahiahy noho ny tsy fahatokisan-tena mahazatra ny sasany hatramin’izay.Saika ambonin’ny lalàna mandrakariva ny dinika politika? Na mahatapi-dalan-kaleha, sanatria, ny lalàna, ka voatery hitadiavam-bahaolana hafa tsy fidiny amin’ny fifampidinihana sy fifampierana… politika. Tonga amin’izany ve ny toe-draharaha amin’izao?Raha tiana ny hanova tokoa ny fomba fanaovana politika, tsy anisan’ny fototra sy voalohany amin’izany ve ny fanajana sy fampiharan-dalàna, ny fisaraham-pahefana, ny tsy fanavahana raha misy sy tsy azo ihodivirana ny hoe fifampidinihana sy fifampierana…?Rafaly Nd.       L’article Lalàna… tsy mahatapi-dalan-kaleha   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Volana jona sy jolay: hanatanteraka fitetezam-paritra ny tarika Rajery

Tarika malagasy nivoy voalohany ny mozika miaina. Fantatra, araka ny vaovao nampitain-dRajery, fa hanatanteraka fitetezam-paritra any ivelan’ny Nosy ny tarika tarihiny mandritra ity volana jona sy ny volana jolay ho avy ity. Ny 17 jona ka hatramin’ny 22 jona ao Paris – St Gratien, toerana hanatanterahana ny  « Festival un monde…Une culture ». Ny 29 jona ao Paris, ny « Le village » 9 Av , de Norvège 91140 – Villebon sur Yvette.. Ny 1 jolay ka hatramin’ny 3 jolay, ao amin’ny Revest Bion ny « Alpes des Hautes Provinces ». Ny 6 jolay, any amin’i Plesnoys, ary ny 9 jolay ka hatramin’ny 14 jolay, handray anjara amin’ny « Rainforest Festival Kuching » – Malaisie, ny tarika Rajery.Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izao dian’ny tarika Rajery any ivelany izao.HaRy RazafindrakotoL’article Volana jona sy jolay: hanatanteraka fitetezam-paritra ny tarika Rajery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Orange Pro league 2021”: Ligy 18 manakana ny fifaninanana

Raha ny voalahatra, tokony hanomboka, anio asabotsy hitohy rahampitso alahady 10 janoary, ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Orange pro league”, ho an’ny taom-pilalaovana 2021. Fihaonana karakarain’ny club de football elite de Madagascar (CFEM). Araka ny vaovao voaray anefa tsy raikitra izany. An­tony, nisy filohana ligim-paritra miisa 18 nanakana ary tsy nanaiky hanatontosana izany. Tsy misy mahafantatra ny antony ny rehetra fa nisy ny fanangonan-tsonia, nataon’izy ireo, tsy hizoran’ny fihaonana. Tsiahivina fa efa samy na­monjy ireo kianja tokony hilalaovany avokoa ireo ekipa tsirairay avy. Anisan’ny fani­m­bana ny baolina kitra malagasy ny tranga sy ny toe-javatra toy izao satria efa hita fa nisy fivoarana ny fifaninanana na teo amin’ireo ekipa na teo amin’ireo mpilalao isanisany avy. Marihina fa ekipa 13 ny hifaninana hiady izay ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ity “Orange Pro league” ity. Izy ireo izay efa nozaraina tamin’ny faritra roa: ny kaonferansy avaratra sy atsimo.TompondakaL’article “Orange Pro league 2021”: Ligy 18 manakana ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2021»: tsara fanombohana i Kameronina

Voahaja ny lojika teo amin’ny voka-dalao ho an’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2021». Fihaonana tanterahina any Kameronina. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, mpampiantrano, nanoloana an’i Zimbaboe, ho an’ny vondrona A.Na izany aza, nivoaka sempotra ihany ry zareo Kameroney satria efa tany amin’ny minitra faha-72 i Salomon Charles Banga vao nahatafiditra ny baolina tokana ho azy. Nanohitra hatramin’ny farany ny Zimbaboeanina, ary tsy nanana tahotra mihitsy nanoloana ny Liona tsy voafolaka. Nisy mihitsy ny baolina tokony ho tafiditry ry zareo, saingy ratsy ny famaranana izany. Nanantombo teo amin’ny fanafihana kosa anefa ny Kameroney, tamin’ny ankapobeny.Ho an’ity sokajy ity ihany, nahazo fandresena ihany koa ny Voromaherin’i Mali, raha nifandona tamin’i Borkina Faso. Nisaraka tamin’ny io isa tokana, 1 no ho 0, io ihany koa ny roa tonta. Baolina tafiditr’i Siaka Bagayoko, teo amin’ny minitra faha-70. Samy nahazo isa telo izany, hatreto, i Kameronina sy i Mali. Hitohy anio ny fifanintsanana ka i Maraoka hikatroka amin’i Togo ary i Roanda hifanehatra amin’i Ogandà, ho an’ny sokajy C. TompondakaL’article Kitra – «Chan 2021»: tsara fanombohana i Kameronina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana: mihetsika ny minisitera miahy an’Amoron ‘i Mania 

Mandray andraikitra mavitrika ny eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), amin’ny maha mpiahy ny faritr’Amoron’i Mania azy. Iraky ny minisitra tany an-toerana i James Ramaroson. Nihaona tamin’ireo Ray aman-dreny avy any Manandriana ny tenany, nangataka ny hitsidihan’ireo minisitra mpiahy ny distrika. Nisy koa ny dinika nifanaovany tamin’ny ben’ny Tanànan’Andina ny Dr Rakotozandrindrainy Raphaël, naneho fahavonona amin’ny fambolena ala anatin’ny vina hanaovana an’i Madagasikara ho maitso. Nanamafy kosa ny ben’ny Tanànan’ Imerina Imady Andriamilasalama Maharavo fa tena ilain’ny ambanivohitr’Ambositra ny jiro nanazava.Momba ny any Zafimaniry, nampanantena i James Ramarosaona fa hijery ny hanomezana herinaratra iny faritra iny.Nisolo tena ny minisitra  Raharinirina Vahinala  ny tenany tamin’ny korana « kidodo tolo-tanana » natao tao Vatovory Ambositra, ny alarobia alina teo. Nanomana izany ny « Hetsika ho an’ny Taninjanaka », ny « Lekaleka » ary ny zanak’am-pielezana. Niarahabana ny Ray aman-dReny rehetra amin’ny nahavitana ny taona 2020 sy itondrana fanampina ho an’ireo zaza sembana ao Maharivo izany hetsika izany.Synèse R. L’article Fampandrosoana: mihetsika ny minisitera miahy an’Amoron ‘i Mania  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jirama Toamasina: manohy ny asa fiambenany ny ProGsi

Tonga teto Toamasina ny iraky ny fitantanana foibe ny Jirama avy any Antananarivo, omaly talata, nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny orinasa ProGsi, miandraikitra ny fiambenana ny Jirama aty Toamasina. Voalaza fa antondian’izy ireo ny hanala ity orinasa ity, tsy hisahana izany fiambenana izany intsony. Nilaza ny tompon’andraikitry ny ProGsi, Rakotoniahy Josephat, fa “tsy olana amin’izy ireo ny hiala, saingy takiny ny taratasy ara-dalàna milaza izany fifanarahana arak’asa izany, saingy tsy nisy”. Nomarihiny fa “tsy mbola tapitra ny fe-potoana nifanarahany amin’ny Jirama, ary vao nohavaozina ihany koa. Tsy mbola voaloan’ny Jirama koa ny karaman’ny ProGsi, tao anatin’ny valo volana. Amin’ny maha mangarahara, tsy nisy koa ny antso tolobidy (appel d’offre) ho an’izay hiandraikitra ny fiambenana raha toa ka foanana ny fifanarahany”.Taorian’ny fihaonan’ny roa tonta, fantatra, afaka manohy ny asany ihany ny ProGsi.Hentitra amin’ny fiambenanaSarotiny ity orinasa ity amin’ny fanatanterahany ny asa. Hentitra ny fisavana ny olona mivezivezy ao anatain’ny Jirama. Maro ireo mpiasan’ny Jirama tratra nangalatra, amina tapitrisa ny tentimbidin’ny entana tratra, toy ny taribin-jiro, ny kaontera, fitaovana samihafa. Saron’ity orinasa tsy miankina ity koa ny fifanarahana hafahafa nataon’ny tompon’andraikitry ny Jirama sy ireo mpangalatra fitaovana tany Ambodilazana. Nahatratra 207 litatra ny gazoala tratran’ny mpiambina nangalarin’ny mpiasa, ny taona 2014.Sajo sy Njaka A.L’article Jirama Toamasina: manohy ny asa fiambenany ny ProGsi a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”       

                 Valin-kafatra. Nitondra fanazavana momba ny onitra ho an’ireo niharam-boina noho ny krizy ny eo anivon’ny CFM. Tsy mitombina koa ny resaka nataon’ireo gadra politika, ny herinandro teo. “Diso ny filazana fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny 30 % amin’ny fanonerana sy fanarenana ary an’ny mpiara-miombon’antoka ny 70%. Tsy misy milaza an’izany na any amin’ny tondrozotra na any amin’ny lalàna” hoy ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, teny Ampefiloha. Tsy manao ny nahimpony amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny  hanomezana na tsia fanonerana fanarenana ry zareo fa tsy maintsy manaraka ny voalazan’ny lalàna. Hisy didim-panjakana ny fanonerana na ny fanomezana onitra hamaritra ny fomba arahina. Hatramin’izao, tsy mbola misy izany didim-panjakana izany. “Mahatsapa izahay  ary nanapa-kevitra fa misy andraikitra tokony hataonay”, hoy izy. Namolavolana mialoha ny volavolana didim-panjakana, natolotra ny governemanta tamin’ny aogositra 2019 izany.Feran’ny lalàna mifehy ny tetibola ny fanonerana Anisan’izany ny   fananganana “Fond nationale de solidarité” (FNS) sy ny “Caisse nationale de réparation et d’indemnisation” (CNRI). Eo koa ny momba ny foto-kevi-dehibe amin’ny fanomezana fanonerana sy fanarenana.Voalaza amin’izany mialoha ny volavolana didim-pitsarana izany fa mandray anjara amin’ny tahirim-pirenen’ny firaisankina ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Feran’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola ny an’ny fanjakana amin’izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy sora-bola ny amin’ny fanonerana sy fanarenana. Tsy anjaran’ny CFM ny manao tetibola na ny lalàna mifehy ny tetibola. Tsy misy ny fanonerana azo atao, raha tsy misy ny didy fampiharana izany.R.Nd. L’article CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”        a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seminera momba ny « dopage »: 41 mianadahy nahazo fiofanana

Nisitraka fampiofanana? ny 7 sy 8 jona lasa teo, ny teknisianina sy mpanazatra miisa 41 mianadahy avy amin’ireo federsiona mpikambana ao anatin’ny fanatanjahantena olympika. Nifarana, tamin’ny fomba ofisialy, ity fiofanana ity, mahakasika indrindra ny Seminera nasionaly momba ny « dopage ». Teny amin’ny Villa Zafitsambo Ivandry ny nanaovana ny lanonana famaranana, ny asabotsy lasa teo. Marihina fa tamin’ny alalan’ny vaomiera medikaly, eo anivon’ny Komity olympika malagasy (Kom), izany. Natao indrindra ho fiarovana ireo atleta malagasy ny tanjona amin’izao fiofanana izao. Nambaran’ny filohan’ity vaomiera ity fa tokony hampihatra izany avokoa ny atleta rehetra eo anivon’ny federasiona olympika. Nanamafy ihany koa ity farany fa ny taranja fibatana fonjamby ihany hatreto ny mampihatra ity “dopage” ity, efa nanomboka nanao izany ihany koa ny taranja atletisma.Ho fiatrehana sy ho fanomanana sahady ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry antsika ato ho ato ny nanaovana izao, toy ny “Lalaon’ny Nosy”, “Lalao afrikanina” sy ny “Lalao Olympika” ka hahafahan’ireto teknisianina sy mpanazatra ireto mampita sy mampianatra mivantana ireo atleta ny mahakasika ity « dopage » ity. “Mbola tsy isan’ny tratra nandray na nihinana fanafody na zavatra mampatanjaka aloha, hatreto, ny atleta malagasy, saingy isorohana ny mety ho tranga tsy ampoizina, aleo misoroka toy izay mitsabo”,araka ny nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny Kom, Andriamanarivo Harinelina. Mi.RazL’article Seminera momba ny « dopage »: 41 mianadahy nahazo fiofanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Valan-javaboahary Ranomafana: sarihina hiaro ny varika ny mpizahatany

Anisan’ny arovana manokana ao anatin’ny valan-javaboaharin’i Ranomafana ny karazana varika Hapalémur (Prolemur simus), tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Anisan’ny paikady hanohanana ny fiarovana azy ny fisarihana ny mpizahatany any ivelany. Fandaharanasa iraisam-pirenena entina hiarovana ny karazana varika, ny Hapalémur, na ny Prolemur simus, ny Helpsimus, antsoina hoe “Bamboo lemur”. Voakasik’izany ny valan-javaboahary Ranomafana any Atsimo Andrefan’ny Nosy. Miara-miasa aminy ny Vondrona mpandalina sy mpikaroka mikasika ny varika eto Madagasikara (Gerp), misahana ny fanaraha-maso sy ny fikarohana siantifika, andaniny, sy ny fikambanana tsy miankina, ny ONG Impact, miandraikitra ny fampandrososana any ifotony mifandrindra amin’ny fiarovana ny varika. Filoha mitarika ny Fandaharanasa Helpsimus Rtoa Delphine Roullet, manampahaizana manokana mikasika ny hapalemur, ary anisan’ny sahaniny ny fanentanana ny mponina any amin’ny kaominina Tsaratanana, any Ranomafana, hahay miara-monina amin’ny varika. Entaniny ny vahiny mpizahatany, hitsidika any an-toerana, hahita maso ny fiainan’ny varika anaty ala, sady mandray anjara amin’ny fiarovana azy ireo rahateo. Manampy amin’ny fiarovana ny fiparitahan’ny entona karbôna CO2, kajina ho 2,69 t isan’olona (2 850 euros = 11,4 tapitrisa Ar) koa ny fahatongavan’ny mpizahatany iray any an-toerana, izany hoe, ny saram-pitaterana. Takalon’ny fanapariahan’ny firenena indostrialy, mpanaparitaka ny CO2, entona manimba ny tontolo iainana ny tsena karbôna. Fanabeazana ara-tontolo iainana Eo amin’ny lafiny fampandrosoana sy fanampiana ny mponina, maherin’ny 600 ny fitaovam-pianarana nozarain’ny tetikasa Helpsimus ny mpianatra ao amin’ny EPP Sahofika, ao Vohitraivo, ao Ambodimanga, ao Ambodigoavy ary ao Ambohipo any amin’ny kaominina Tsaratanana ao amin’ny faritra arovana Ranomafana. Aloan’ny tetikasa ny ampahan’ny karaman’ny mpampianatra enina amin’ireo sekoly dimy ireo, misahana ny fanabeazana momba ny tontolo iainana ho an’ny mpianatra. Notokanana, ny volana oktobra teo, koa ny sekoly iray vaovao. Njaka Andriantefiarinesy Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny Fiombonambe iraisam-pirenena misahana ny tontolo iainana (IUCN), ho karazam-biby ahina ho lany tamingana, ny varika Hapalemur, nanomboka ny taona 1996. Miaina anaty ala mando, manana haavo 100 hatramin’ny 1 650 m, ahitana ala  volontsangana sady sakafo tena fihinany, miampy voankazo sy zavamaniry samihafa (letisia, kafe, fary, …). Miisa 12 ny karazana varika any Ranomafana, tombanana manodidina ny 1 000. Arahi-mason’ny tetikasa Bamboo lemur ny 300 amin’izy ireo, ahitana fianakaviana 10.  L’article Valan-javaboahary Ranomafana: sarihina hiaro ny varika ny mpizahatany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra

Anisan’ireo zavakanto vahiny nofolahin’ny Malagasy hifanaraka amin’ny aingam-panahiny,ny  fomba fisainany, sns, ny teatra. Nanjary teatra klasika malagasy mihitsy aza moa ny anarany taty aoriana… Nandalo fotoan-tsarotra anefa izy io…Iray amin’ireo kolontsaina sy ny zavakanto niroborobo fatratra ny teatra, nandritra ny vanim-potoan’ny fanjanahantany teto Madagasikara ka hatraty amin’ny Repoblika voalohany. « Raha ny vaovao ofisialy, nitriatra Ambatovinaky (trano filalaovana teatra) ka izay ny antony nandrodanana azy », hoy i Mbato Ravaloson. Raha ny filazan’ny mpilalao teatra sy ireo mpitia teatra tamin’izany fotoana izany anefa, vokatry ny fahatezeran-dry zareo mpanjanaka, noho ny « Raharaha 1947 », ny anisan’ny antony nandrodanana ilay trano fanaovana teatra tetsy Ambatovinaky. « Raha ny fanadihadiana nataon’ny teo aloha sy notohizana taty aoriana, nanana ny lanjany teo amin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny fisian’ny teatra tamin’izany. Kolontsaina malagasy, hira malagasy, teny malagasy, sns, no novoizina tao, hany ka natahotra ny mpanjanaka sao sanatria hampitombo ilay fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy ny fisian’ny teatra ka naleony narodana ny taona 1953 Ambatovinaky », hoy hatrany i Mbato Ravaloson.Notsiahiviny ihany koa ny vina tany amin’ny taona 2010. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’nireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Averina ny endrika ivelan’ilay trano filalaovana teatra tetsy Ambatovinaky. Ny anatiny kosa, atao « Musée d’art ». Hatreto anefa, mijanona ho vina tokoa io fa tsy mbola nisy asa notanterahina. Efa zary toerana fanariana maloto rahateo Ambatovinaky nijerena teatra fahiny !HaRy RazafindrakotoL’article Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Développeur Odoo
20/01/2021

Nous recrutons un(e) développeur Odoo Missions : - Etude des besoins - Recherche et étude des solutions - Création et/ou développement des modules - Mise en œuvre des modules développés - Paramétrage technico-applicatif Profil : - Bonne compétence en développement Python / Odoo - Connaissance du SGBD PostgreSQL - Minimum 2 ans d’expériences dans ce domaine - Capable à former les utilisateursCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Odoo".

Emploi et services UN INFOGRAPHISTE
20/01/2021

Nous recrutons un INFOGRAPHISTE : Profil :- Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé- Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress- Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine- Maîtrise du français- Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalence Mission :- Conception de tous les supports de communication (images, vidéos)- Conception de plans et maquettes 3D- Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE » Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN INFOGRAPHISTE".

A vendre Moto
21/01/2021

A vendre ou à échanger (contre moto ou voiture) Moto Yamaha Bold'or 600cc, 4 cylindres. Très bonne état et bien entretenu et prix abordable : 7 000 000Ar à débattre Contact : 034 27 559 43 ou 032 73 644 46 (n'hésitez pas de nous contacter)Email: jarilah.unity@gmail.comVisible à Mangarivotra Majunga Madagascar  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Moto".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
26/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer ESTEBAN LOKATION
24/01/2021

A louer GRAND STAREX LIMOUSINE  diesel pour tous types d' evenements (Mariage, enterrement, courses en ville ) à Antananarivo ou périphérieTarif à 110 000Ar/jour en ville discutable , avec chauffeur , carburant en sus. Tarif province à discuter selon trajet , nombre de jours et besoinPour plus de détails et réservation: Contact : 034 50 787 01(Esteban)Mail: esteban.carmada@gmail.comFacebook : Esteban LokationCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer ESTEBAN LOKATION".

A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro
21/01/2021

- Stylete sans fil, sans besoin de recharge/batterie- Pression du stylet: 8192 Level- 12 Fixed Key + 16 Express Keys- Zone active: 10*6 pouces- 266 PPS- Résolution : 5080 LPI- Compatible avec Windows 7 et version supérieure- Compatible avec Photoshop, Illustrator, Clip Studio Paint, Krita, etcPas de mp, contact direct au 0334927717 ou au 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro".

Emploi et services travail en ligne
23/01/2021

Voulez vous gagner de l'argent en ligne? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable. Le travail consiste à regarder des vidéo en quelques secondes.Voici le lien https://ecvideon.club/426907974295318/bon surfCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services travail en ligne".

A vendre WP-Profitent ( Nouvel outil clé en main ).
22/01/2021

Accédez Tout de suite à Ce nouvel Outil qui Force Google à vous envoyer chaque jour des tonnes de visiteurs qualifiés qui achètent !Cliquez ici ,https : // bonheur-viral.com/business/wp-profitent/?aid=assialex3Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre WP-Profitent ( Nouvel outil clé en main ).".

Emploi et services ASA TENA RENTABLE FA METY 1TAONA VAO MIVALY 10000000AR
21/01/2021

https://cryptotabbrowser.com/17674489Ity misy apps na logiciels @io lien io ;io logiciellena applis io de micolecte BTC fataro fa @izao ny 1BTC dia mitentina 122083479Ariary Ary mihamakatra foana ioNy astuce eto dia mampiasa ity apps(android) na logicielle(pc) ity andavanadro fa andro iray any de matratra 1BTC ianao tsara rah olona manao cyber reny no mampiasa ity satria cyber connecté tous les jours de revenus hoan'ilay cyber ny faampiasana izy ty ,fa rah personnel kosa de miadry taona 1 zay vous matratra 1BTC io AFAKA VAERIFENA NY informations teneniko rah diso sy esorina ny comptako rah mavady ah @ADMIN ITY LIEN AKANA ILAY APPS NA LOGICIELLE https://cryptotabbrowser.com/17674489https://cryptotabbrowser.com/17674489Fa @le fakana vola @internet io rah ts manana compte paypal ianao ,adefaso mp za fa touroukou anw maimaipoana ny fanaovana azy asaiko manabiana compte blockchain sahady anao satria iny no akana vola ;sy fakana azy ;misaotra https://cryptotabbrowser.com/17674489Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASA TENA RENTABLE FA METY 1TAONA VAO MIVALY 10000000AR".

Emploi et services ANALYSTE COMMERCIAL( H/F)
20/01/2021

Nous recrutons pour un de nos clients un  ANALYSTE COMMERCIAL( H/F) Missions et tâches: - Elaborer et alimenter des KPI de suivi de gestion hebdomadaire et mensuelle- Récolter, sélectionner, modéliser et analyser des données commerciales- Proposer des axes de travail et préconisations en fonction des résultats- Analyser les données de vente sur différentes fréquences- Optimiser la segmentation client à l'aide des statistiques et de données de consommation- Optimiser le ciblage des campagnes de marketing directProfil - Bac +3 en informatique, mathématiques statistiques ou équivalent- Grande connaissance du domaine commerciale- Bonne maîtrise de l’exploitation de données- Bonne maîtrise des outils d’analyse de données- Bonne maîtrise de MS office: Access- Excel notamment- Possédant un esprit d’analyse et de synthèse Envoyez votre candidature à l’adresse recrutement@human-talent-consulting.com en mentionnant en l’objet la reference du poste: analysteCOM/.0121Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ANALYSTE COMMERCIAL( H/F)".

Emploi et services Besoin d'un prêt rapide en Madagascar
26/01/2021

Bonjour nous mettons à votre disposition des prêts à des conditions très simple. Notre capacité d'octroi de Prêt est de 3.000 € à 10.500.000 € avec un taux raisonnable de 2%, Pour plus de renseignement, veuillez nous contacter pas E-mail: yasmina.briois01@yahoo.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Besoin d'un prêt rapide en Madagascar".

A vendre PC Complet 100 000 Ar
21/01/2021

Occasion unique pour cause départUnité Centrale:Intel core 2 Duo CPU E8400 @ 3.00 GHZ (2CPUs)Mémoire 2 Gb RAMCarte graphique Intel GMA 3100Disque dur 100 GoWindows 7 proTrès bon état, peu utilisé, achat en 2019Ecran LENOVO 16 poucesSouris LENOVO modèLE GMClavier LENOVOPrix total 200 000 Ar (UC+Ecran+Souris+Clavier)Pas de mp, contact direct au 0334927717 ou 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre PC Complet 100 000 Ar".

Notsongaina

Mila miova ny tena… hisian’ny fanovana
22/01/2021

Taon’ny asa ny 2021? Na ahoana na ahoana, mba atao hoe efa lasa ny zavatra taloha. Raha tsy hahatsiahy sy hiteny afa-tsy ny tamin’ny taon-dasa, ohatra: mafy sy sarotra ny fiatrehana ny ady tamin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Tsy nisy sehatra sy ambaratonga tsy nizaka fahasahiranana noho ny fihibohana: tsy nahazoana nihetsika firy tamin’ny asa aman-draharaha, nisy famoizana asa na fananana…Ny adala, hono, no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany? Tsy misy miverina amin’ny naloany fa… Tsy fidiny ho an’izao tontolo izao ny fianjerana tao anatin’iny valanareti-mandoza iny. Eny, hatramin’izao aza, mbola misy ireo firenen-dehibe sasany tsy afa-bela: miditra amin’ny valanaretina andiany faharoa, tafalatsaka amin’ny endrika aretina vaovao mafy sy haingana kokoa… Hanao ahoana?Ho an’i Madagasikara, ahina ny firongatry ny valanaretina: tsy mbola fongana tanteraka fa ahina hifongatra. Na mby amin’izany, sanatria, raha ny fitombon’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus farany teo, ohatra. Ny ady tsy ahi-mahatratra? Tsy ahina intsony ny ady amin’izay fiverenan’ny valanaretina izay izao fa efa mihatra. Tsy fampangotsohana, sanatria, fa fampieritreretana.Tsy mahagaga raha mihenjana amin’ny fanenjehana izay tsy mampihatra ireo fepetra sakana iadiana amin’io valanaretina io ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy ambaratonga. Izay no fiarovan-tena azo antoka indrindra? Fiarovana ny hafa koa… Fanaovana arovava orona, fanasan-tanana matetika amin’ny rano sy ny savony, fanajana ny elanelana iray metatra, tsy fandrorana na fandrehohana etsy sy eroa…Miara-dalàna amin’izany ny sazy ho an’izay tsy manao arovava orona. Aleo mampihatra ny fepetra sakana, dia izay. Tsy ifampiandrasana kendry tohina, tsy ifanomezan-tsiny. Izay no mampilamina ny saina sy ny fiaraha-miaina; indrindra, ahazoana miatrika ny asa aman-draharaha tsy voatohintohina na misy fanafintohinana. Amin’izay, taon’ny asa tokoa ny 2021. Mila miova ny tena hisian’ny fanovana?Rafaly Nd.  L’article Mila miova ny tena… hisian’ny fanovana a été récupéré chez Newsmada.

Rajaobelison Andriantsoa: “Tsy ilaozan’ny fifandonana tombontsoa ny fiarahamonina”
21/01/2021

Taonan’ny asa ny 2021. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny filoha lefitra nasionalin’ny AKFM, Rajaobelison Andriantsoa: “Tsy ilaozan’ny fifandonana tombontsoa ny fiarahamonina. Inona ny tombontsoan’ny maro anisa? Miandany amin’ny tombontsoan’iza ny fitondram-panjakana amin’ny politika ataony?” Dinidinika…Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao?  Rajaobelison Andriantsoa (-): Ireo zava-miseho etsy sy eroa ireo: iza no tena mahazo tombontsoa, ny maro anisa sa ny vitsy anisa? Iza no tena maro anisa ary iza no vitsy anisa? Miainga amin’izay ny fijerin’ny AKFM ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Azo lazaina fa monina any ambanivohitra ny maro anisa amin’ny Malagasy. Misy ny mahantra amin’izany, ao ny manan-karembe.Raha raisina isan-tokony ireo fisehoan-javatra etsy sy eroa rehetra ireo, manahirana. Ao anatin’ny fotoana anaovana fitakiana ve, ohatra, izao? Sokajin’olona toy inona no tena mahazo tombontsoa amin’ny hetsika atao? Ho anay mpanao politika, indrindra ho an’ny AKFM: inona no tena zava-kendrena ao ambadik’ireny?* Aiza ho aiza ny toeran’ny mpanohitra amin’izany?– Tsy mandeha irery raha ny mpanohitra eto Madagasikara, fa misy ifandraisany kely amin’ny any ivelany any izay tena tompon’ny fitantanana ny fandehan-draharaha. Satria tompon’ny fanjakan’ny vola izay mbola mampaharefo antsika eo amin’ny lafiny toekarena.Raha tsorina: tokony hieritreritra lalina ireo manao fihetsiketsehana ireo na izay fototra iaingany. Manaraka, mba hahay handinika tsara amin’ny fo tony koa ny vahoaka. Raha misy zavatra maloto ao ambadik’ireny, fandrodanana ny fitondram-panjakana mba hahazoana miverina amin’ny tombontsoa niainany tany aloha. Ho an’ny AKFM, tsy tiana hiverina intsony izany.* Ny fahitanao ny olana mahazo ny vahoaka amin’izao fotoana izao?– Tsy azo ferana hoe iray ny olan’ny vahoaka amin’izao. Mahafehy zavatra betsaka, ohatra, ny hoe: tsy ampy enti-manana ny fiainana, misy aza ny tsy manana asa… Na manana aza ny tena, an’ny tena ve ny asa famokarana na izay vokatry ny asa noho ny antony tsy fandriampahalemana, ohatra? Tsy misy zavatra mandeha eto, raha tsy mandry ny tany ary milamina ny vahoaka mpamokatra. Zava-dehibe koa ny lafiny fahasalamana, fampianarana… Fototra ireo. Nefa tsy maintsy miaraka amin’ireo ny fampiharan-dalàna, izay misy fiantraikany koa amin’ny fiainam-bahoaka. Raha fehezina, laharaham-pahamehana ny zava-drehetra eto Madagasikara izay mifandray avokoa eo amin’ny fiarahamonina.* Inona ny vahaolana amin’izany?– Ho anay: miaro ny fiandrianam-pirenena, fanamafisana ny ady amin’ny fiverenan’ny fahaleovantena. Manaraka izany, ilaina ny fanohanana ny fitondrana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina, amin’izao fotoana izao, satria mazava ny lalana apetrany. Ny zavatra ataon’ireo mpanohitra izay misy ifandraisany amin’ny any ivelany ny hampitoka-monina ny filoha manoloana ny vahoaka. Mba hahazoany mandrodana moramora ny fitondram-panjakana, fa ny any ivelany no mibaiko…* Ahoana ny fijerinao ny “Raharaha volamena 73,5 kilao”?– Na inona filazana etsy sy eroa, na avy aiza na avy aiza: aminay, volamena avy eto Madagasikara no ezahina aondrana ary anaovana tahiry enti-miady amin’ny politika eto. Tsy maintsy haverina any amin’ny Banky foibe ny volamena.* Ahoana ny fahitanao ny mpifindra monina avy any atsimo?– Mety mitokana ny fahitantsika azy, fa misy ifandraisany kely ireo hetsika rehetra ireo. Na ny fiantsoana ny olona avy any atsimo atao hoe mpifindra monina; na ny fiakaran’ny vidin’entana, indrindra ny vidim-bary; na ny amin’ny famatsian-jiro sy rano… Zavatra iray ihany no kendrena amin’ireo, hampitsingevahevana ny fahefam-panjakana. Tsy misy afa-tsy fitadiavana tombontsoa manokana no ao ambadik’izay. Tsy ilaozan’ny fifandonana tombontsoa ny fiarahamonina. Inona ny tombontsoan’ny maro anisa? Miandany amin’ny tombontsoan’iza ny fitondram-panjakana amin’ny politika ataony?Nangonin’i R. Nd.L’article Rajaobelison Andriantsoa: “Tsy ilaozan’ny fifandonana tombontsoa ny fiarahamonina” a été récupéré chez Newsmada.

Ivandry: tratra ny jiolahy mpangalatra entana anaty fiara
27/01/2021

Efa nipetraka mialoha tao anatina fiara iray nipetraka teo akaikin’ny fiara nidiran’ilay ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8) Analamahitsy ka noraisim-potsiny tamin’izany ity jiolahy iray (26 taona) ity omaly maraina. Raha ny fanazavan’ny polisy, teo akaikin’ny sekoly iray eo Ivandry ity jiolahy ity no tratran’ny polisy noho izy malaza ratsy amin’ny fangalarana entana anaty fiara. Taorian’ny fitarainana avy amin’ireo olona mipetraka eny amin’ny manodidina ity toeram-pianarana ity sy ny fitoriana napetrak’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fisian’ity jiolahy ity mangalatra entana ao anatin’ireo fiara no nahafahan’ny polisy nanao ny vela-pandrika rehetra. Ireo fiara mijanona eny amin’iny faritra iny no tena lasibatr’ilay jiolahy. Manoloana izany, nandray fepetra manokana ireo polisy miasa eny amin’iny faritra iny hisamborana azy. Afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, efa nihatrana mialoha teny an-toerana ny polisy. Tsy nanampo na inona na inona ilay jiolahy fa nanohy ny asa ratsy fanaony ihany. Tratra tao anaty fiara ary tsy afa-nihetsika intsony izy. Mbola tratra teny aminy ny ordinatera entin-tanana iray sy poketra iray. Nentina namonjy ny biraon’ny polisy izy nanaovana famotorana. Nohamafisin’ny polisy fa fahatelo amin’ireo jiolahy mpangalatra entana anaty fiara tratra teny an-toerana ity mpamaky fiara ity.J.CL’article Ivandry: tratra ny jiolahy mpangalatra entana anaty fiara a été récupéré chez Newsmada.

Ranesa Firiana: “Fanapahan-kevitra politika ny fitsapan-kevi-bahoaka”
25/01/2021

 “Na ahoana na ahoana, tsara ny manamarika mandrakariva fa fanapahan-kevitra politika tanteraka ny firosoana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka.” hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, manoloana ny resaka mandeha ny amin’ny mety hisian’ny fitsapan-kevi-bahoaka.Na eo aza ny fampanantenana nataon’ny filoha fa hanitsy ny lalàmpanorenana, mety hiova izay fanapahan-kevitra politika amin’ny vanim-potoana na fari-toe-javatra mety hanova izay fanapahan-kevitra politika izay.Teny nataon’ny filohan’ny Repoblika tamin’izany fotoana izany ny hoe hanao fanovana ny lalàmpanorenana. Azo lazaina feno ny fepetra ahazoana miroso amin’ny fanatanterahana fitsapankevi-bahoaka. Raha ohatra ka heverin’ny mpitondra fa fanapahan-kevitra politika mbola tokony hatao izany.R.Nd. L’article Ranesa Firiana: “Fanapahan-kevitra politika ny fitsapan-kevi-bahoaka” a été récupéré chez Newsmada.

Fahatongavan’ny razan’i Goly be: vitsy ireo nanotrona ny fianakaviana
25/01/2021

Nahonena fa tsy nisy mpijery fa irery ny fianakavian-dRafalimanana Ferdinand (Goly be), omaly, nandritra ny fahatongavan’ny nofo mangatsiakany teny Ivato. Ireo mpiara-milalao fahiny sy ny fikambanan’ny mpilalaon’ny Club M, Scorpions, ny avy amn’ny federasiona malagasy (FMF), ary mpanao gazety vitsy ihany ny hany tonga nanotrona ny fianakaviana. Tsy hita ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny komity olympika malagasy, izay mpiahy voalohany ny atleta.Na teo aza izany, heni-kaja ary heni-boninahitra ny vady aman-janak’i Goly Be. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny razana ary niaretan-tory tao, omaly. Niainga tamin’ny 5 ora maraina ary nihazo an’i Mahajanga, mialoha ny handevenana azy, any Mandritsara, rahampitso talata.Ankoatra izay, nodimandry ny zoma teo ihany koa Rabearimanana Michel Telesphore, vodilaharan’ny AS PTT sy ny Club M. Tompondaka L’article Fahatongavan’ny razan’i Goly be: vitsy ireo nanotrona ny fianakaviana a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany, fitaterana, tontolo iainana: voatsikera ny fitantanana eto Toamasina
23/01/2021

Maro ny lesoka hitan’ny praiminisitra, nandritra ny fitsidihany tany amin’ny seranan-tsambo an-dranomamy any Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Tsy tena hita ny vahaolana raha ny fidinana ifotony nataon’ny minisitera sy ny APMF farany teo.Nahazo tsikera mivaivay ny sampandraharaha maro mifandraika amin’ny minisiteran’ny Fita­te­rana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro (MTTM) eto Toamasina. To­ra­ka izany koa ny sampandraharahan’ny Tontolo iainana eto an-toerana. Nitran­gan’ iza­ny ny fivoriana notarihin’ny mi­nisitra MTTM, Randria­man­­dranto Joel, sy ny tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF), Ran­drianan­tenaina Jean Edmond, ny 11 janoary teo. Fotoana niarahana amin’ny tompon’andraiki-panjakana samihafa sivily sy miaramila eto Toamasina. Niainga avy amin’ny fitsidihana tampoka nataon’ny Praiminisitra Ntsay Chrsitian, ny 2 janoary teo, teny amin’ny fiantsonan’ny sambo an-dranomamy “port fluvial”, no nahatonga ity fivoriana ity.Mifanipaka amin’ny zava-misy Noresahina ny loton’ny lakandranon’i Pangalana, fe­no ahitra sy menaka maloto avy amin’ireo orinasa manamorona ny lakandrano. Tsy mirindra ny fidirana sy ny fivoahan’ny entana ao amin’ny seranan-tsambo. Misy fo­to­ana tsy ahitana ny zandary sy ny mpitandro filaminana sivily eo am-bavahady, sns. Nambaran’ny tale jeneralin’ny APMF fa niisa 34 ny tatitra avy amin’ny sampandraharahan’ny Tontolo iainana, milaza fa mandeha ny fanadiovana ny lakandranon’i Pangalana…Mifanipaka amin’izany anefa ny zavatra hitan’ny Praiminisitra. Nokianiny koa ny loton’ny biraon’ny seranan-tsambo an-dranomamy… Tsikariny fa tsy manao ny asany ny zandary, sns. Manoloana ireo, nilaza ny talem-paritry ny APMF Toa­ma­sina, Rakotozafiarimamy Ronsard Franck, fa efa nivory izy ireo, ny 4 janoary, taorian’ny fandalovan’ny praiminisitra, ny 2 janoary. Efa norasina ny fepetra samihafa mifandraika amin’ny zava-misy rehetra.Sajo sy Njaka A.L’article Fizahantany, fitaterana, tontolo iainana: voatsikera ny fitantanana eto Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Festival “SAR’nao”: hanasongadina ireo sary manodidina ny covid-19
26/01/2021

Hisokatra anio talata 26 janoary ny fampirantiana sary, nampitondraina ny lohahevitra « Image innée, covid-19” etsy amin’ny kianjan’ny Fahaleovantena akaiky ny lapan’ny Tanàna Analakely. Manomboka amin’ny 10 ora maraina no hanomboka izany ary azon’ny rehetra atrehina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina Urbaine Antananarivo sy ny Festival “SAR’nao” moa ny ahafahana manatanteraka izao hetsika izao. Tafiditra ao anaty fakalazana “Volan’ny sary” izy ity, amin’izany, hisongadina ireo fampirantiana ny sary amin’ny andavanadrom-piainan’ny olona eo amin’ny fiatrehana ny zavamisy, toy ny valanaretina coronavirus izay mbola mianjady eto amintsika. Mandritra ny 3 andro ny fampirantiana, izay hifarana ny alakamisy 28 janoary izao. Hetsika efa fanaon’ny mpikarakara ihany ny toy izao hanomezana fahafaham-po sy hafatra ampitaina amin’ny sary, izay tontosain’ny Festival SAR’nao amin’ny kianja sy ny ivontoerana maro samihafa.NarilalaL’article Festival “SAR’nao”: hanasongadina ireo sary manodidina ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Pétanque : Une inauguration en grande pompe pour le Bouliste Club Antehiroka
22/01/2021

Le Pasteur Herimanitra Désiré Razafindrakoto est très apprécié dans le petit monde de la pétanque. Le Bouliste Club Antehiroka se prépare à célébrer avec faste son nouveau boulodrome sis à Ambodihady. Rendez-vous est alors donné à tous les boulistes à venir à cette « fête » du 26 au 30 janvier. Un laps de temps suffisant pour permettre de ne pas fixer le nombre des participants. Car il s’agit bien entendu d’un tournoi. Un très grand tournoi avec la participation de toutes les catégories. Sur ce point, et selon le président d’honneur du CBA, le pasteur Herimanitra Désiré Razafindrakoto, qui est aussi un grand bouliste et passionné de surcroît, un concours en triplette des séniors sera au programme. Les dames et les vétérans n’ont pas été oubliés car ils vont participer au concours en doublette dans leur catégorie respective. Comme le CBA veut manifestement contenter tout le monde, le président du club, Hary Rajaobelina, estime à son tour que pour le spectacle, il y aura aussi un concours en tête à tête chez les hommes. L’affiche sera donc complète pour ces cinq journées. Le droit d’inscription est de 60 000 ariary par équipes chez les séniors contre 30 000 ariary pour tous les autres. Outre les coupes, le CBA fixera les primes suivant le nombre des participants. « Ce sera suffisamment motivant pour tout le monde », confie le Pasteur Herimanitra Razafindrakoto avec son sourire habituel un tantinet séducteur. Logique donc si les boulistes vont venir massivement honorer ces journées inaugurales. Clément RABARY L’article Pétanque : Une inauguration en grande pompe pour le Bouliste Club Antehiroka est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Pétanque : Une inauguration en grande pompe pour le Bouliste Club Antehiroka a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Chine : Appui dans la lutte contre la Covid-19
21/01/2021

Signature de la remise de don entre l’ambassadeur de Chine GUO Xiaomei et le maire d’Antananarivo Naina Andriantsitohaina. La Chine continue de soutenir Madagascar dans la lutte contre la COVID-19. À cet effet, l’ambassade de Chine à Madagascar vient de remettre à la Commune urbaine d’Antananarivo (CUA) un don de matériels sanitaires composés de masques médicaux jetables, masques de type KN95, lunettes de protection, équipements de protection individuelle. Sur ce point d’ailleurs, l’ambassadeur de Chine GUO Xiaomei et le maire d’Antananarivo Naina Andriantsitohaina ont signé l’acte de remise et de réception du don, hier, à la mairie. Grands défis. Les Chinois et les Malgaches sont de bons frères et surtout de bons partenaires dans la lutte contre la COVID-19, a indiqué l’ambassadeur GUO Xiaomei. Antananarivo, capitale de Madagascar, est une belle ville marquée par le dynamisme économique et social. Alors que la Commune urbaine d’Antananarivo fait face à de grands défis en matière de prévention et de contrôle de la COVID-19, l’ambassade a le plaisir de fournir à la CUA ce don de matériels sanitaires. « Par ce geste, nous voudrions contribuer à la lutte locale contre la COVID-19, et renforcer la solidarité et l’amitié entre la Chine et Madagascar », a affirmé Mme GUO Xiaomei. Recueillis par Dominique R. L’article Chine : Appui dans la lutte contre la Covid-19 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Chine : Appui dans la lutte contre la Covid-19 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Indray mijery
26/01/2021

Nozarain’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle fanafody ho enti-miady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid -19 ny mpiasa rehetra eto anivon’ny minisitera iadidiany, omaly. CVO, Magnésium-B6, vitamine C sy arotava no nozaraina. Nambarany fa ilaina ny fandraisana andraikitra sy fanajana ireo fepetra hoentina miady amin’ny valanaretina. Nisy ny fitiliana natao tamin’ny zoma lasa teo ho an’ny mpiasa ary mbola hitohy izany.Notokanana, omaly, ny efitranon-tsekoly roa vaovao etsy amin’ny EPP Antohomadinika. Fiaraha-miasa amin’ny masoivoho frantsay no nahafahana nanao izany trano izany. Tanjona ny hanamaivana ny isan’ny mpianatra raisina amina efitranon-tsekoly iray, indrindra amin’izao fihanaky valanaretina covid-19 izao. Nahafahana nanavao ny kojakoja enti-mampianatra sy ny fitaovana tao an-tsekoly ihany koa ny tohana avy amin’ny masoivoho frantsay. L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

SOCIO : SCOPIE
27/01/2021

Marchés hebdomadaires et Covid-19. Les mesures barrières anti-Covid-19 seront à nouveau en vigueur au marché hebdomadaire d’Andravoahangy et de Mahamasina. Pour Andravoahangy en particulier, les dispositifs de lavage des mains (DLM) seront à nouveau installés au niveau de toutes les entrées du marché pour que les usagers puissent se laver les mains avec du savon. Selon le responsable du marché d’Andravoahangy Jean Richard Rakotomalala, les délégués des marchands ont déjà connaissance de ces mesures et les ont déjà appliquées durant l’état d’urgence sanitaire, l’an dernier. Cette reprise des mesures barrières ne nécessite ainsi plus de nouvelles charges financières pour l’achat des DLM, mais il suffit de réutiliser les anciens dispositifs déjà en leur possession. Par ailleurs, le contrôle sera renforcé concernant le port du masque par les usagers. En dépit du respect de ces deux principales mesures barrières, force est de constater que durant l’état d’urgence sanitaire comme après cet épisode de mesures exceptionnelles, aucun marché à ciel ouvert n’a jamais pu faire respecter la distanciation sociale, facteur majeur de contamination du coronavirus.  *Panneaux publicitaires illicites. Les panneaux publicitaires qui ne sont pas en règle vis-à-vis de la Commune Urbaine d’Antananarivo (CUA) seront bientôt enlevés, et leurs régisseurs et annonceurs, sanctionnés. La CUA a émis un dernier rappel quant à la nécessité pour ces panneaux publicitaires en situation d’irrégularité, d’être régularisés avant le 31 janvier 2021, sous peine de sanction, notamment une amende et le paiement des frais d’enlèvement des panneaux. La CUA de souligner alors que la responsabilité de l’infraction est partagée entre les régisseurs et les annonceurs. Une liste des panneaux publicitaires qualifiés d’illicites par la CUA, a été dressée avec le plan de localisation géographique et la photo des panneaux en question. Ladite liste, comprenant 143 panneaux publicitaires, est consultable sur le site internet de la CUA. *Circulation paralysée, hier, à Ankorondrano. En raison d’un accident de la circulation survenu, hier matin du côté d’Ankorondrano, la circulation a été complètement paralysée. Un camion a percuté un poteau électrique situé en face du rond-point Jesosy Mamonjy, à Ankorondrano vers Tsaramasay. Résultat : tous les véhicules ayant emprunté l’axe Ankorondrano, hier matin aux heures de pointe, ont été bloqués durant au moins deux heures. Les embouteillages se sont étendus vers tous les quartiers avoisinants, voire ceux plus éloignés : Antanimena, Ankadifotsy, Behoririka, jusqu’à Analakely, ; Tsaramasay, Ankazomanga jusqu’aux 67ha et la route digue ; Alarobia, Ivandry,  jusqu’à Tsarasaotra, Analamahitsy, Ambatobe et Nanisana. La voie, sur le lieu de l’accident, n’a pu être dégagée que vers la mi-journée.À noter que cet accident a également causé une coupure d’électricité dans plusieurs quartiers, entre autres, Andraharo, Ambodimita et Ambohimanarina. Hanitra R. L’article SOCIO : SCOPIE est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article SOCIO : SCOPIE a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – «Tournoi Open nouvel an 2021»: norombahin’ny FC Ami ny 200.000 Ar
20/01/2021

Notanterahina, ny asabotsy 16 sy ny alahady 17 janoary lasa teo, teny amin’ny kianja Synthètique Andohalo, ny fifaninanana baolina kitra «Tournoi open nouvel an 2021», andiany voalohany. Fihaonana, natokana ho an’ireo mpilalao tsy manana kara-pilalaovana nokarakarain’ny Art original pro sport, tarihin’ilay mpanakanto, i Roova miangaly ny gadona mavesatra.Lasan’ny FC Ami, nisy an-dRakotoharifeno  Herimanitra, kapitenin’ny ekipa ny lelavola 200.000 Ar sy ny amboara, rehefa nandresy ny FC Compagnie, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 teo amin’ny famaranana. 50.000 Ar kosa ny an’ny resy. Nahatratra 28 ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity «Tournoi open nouvel an 2021», ity.Dingana manaraka ny “Tournoi Dona mafy”, hotontosaina eo Andohalo ihany, ny 13 sy ny 14 febroary, izay misokatra ho an’ny rehetra. Hahazo 2.600.000 Ar miampy amboara ny voalohany raha 500.000 Ar ny an’ny faharoa.Marihina fa ankoatra ny fikarakarana ny baolina kitra, misahana ny lanonana sy ny tontolony, ny trano sy ny fananan-tany ary ny trano fandraisam-bahiny, ihany koa, ny Art original pro sport. Torcelin L’article Kitra – «Tournoi Open nouvel an 2021»: norombahin’ny FC Ami ny 200.000 Ar a été récupéré chez Newsmada.